Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 7

Fahitana an’ireo zava-manana aina

1 Tamin’ny taona voalohanynanjakan’i Baltasara, mpanjakan’i Babilôna, nanonofy sy nahita fahitana tao an-tsainy i Daniela, nony tao am-pandriana izy. Dia nosoratany tatỳ aoriana ny nofy, notantarainy ny fotopototry ny zavatra.

2 Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: «Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho, ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotraavy amin’ny vazantany efatra:

3 ary niakatra avy eo amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibesamihafa.

4 Ny voalohany ohatra ny liona, sady nanana ela-boromahery. Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony hoatra ny olona, ary nomena fon’olombelona izy.

5 Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa, hoatra ny orsaniainga ny ila tenany, nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny, ary izao no nolazaina taminy: Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!

6 Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa hoatra ny leoparda, nanana ela-borona efatraizany biby izany, dia nomena azy ny fanapahana.

7 Raha efa izany, nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy biby fahefatramahatsiravina; mampihoron-koditra, ary mahery indrindra; nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka, ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony; hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.

8 Nodinihiko ireo tandroka, ka indro nisy tandroka hafa kelynipoitra eo amin’izy ireo, ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha, ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona, sy vava nilaza zava-dehibeity tandroka ity.»

Fahitana ilay Anti-dahy sy ny Zanak’olona

9 «Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan’ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon’ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra, ny kodiarany;

10 ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.

11 Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka. Nijery aho mandra-pamono ilay biby, sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.

12 Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany; ary noferana ny halavan’ny andro iainany, mandra-piavin’ny andro amam-potoana.

13 Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak’olonatamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra; nandroso izy nankeo amin’ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;

14 dia nomena azy ny fahefana sy ny voninahitra amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.»

Fivoasana ilay fisehoana hita

15 «Nitebiteby ny saiko tao anatiko, izaho Daniela, ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako.

16 Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho, dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany, ka niteny tamiko izay nilaza ny hevitr’izany:

17 Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany, dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany;

18 nefa ireo olo-masin’ny Avo Indrindrano handray ny fanjakana sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay doria alaovalo.

19 Tiako ho fantatra marina tamin’izay, ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra, mahatsiravina indrindra, vy ny nifiny, varahina ny hohony, nihinana sy nikepokepoka azy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny;

20 sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany, mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra, ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany, dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe, ary niseho ho lehibe noho ny namany.

21 Nijery aho ka indro niady tamin’ireo olo-masina, sy naharesy azy ireo ilay tandroka,

22 mandra-pahatongan’ilay anti-dahy izay nanomezana ny fitsarana an’ireo olo-masin’ny Avo Indrindra, sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo olo-masina ny fanjakana.

23 Izao no nolazainy tamiko: ‹Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany, hafa noho ny fanjakana rehetra, hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy.

24 Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany; hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo; ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo.

25 Hanao teny manohitra ny olo-masin’ny Avo Indrindra, sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna, ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masinamandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa, ary ny antsasaky ny fetr’andro.

26 Ary hatao ny fitsarana, ka hoesorina aminy ny fahefany, mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay.

27 Ary ny fanjakana sy nyfanapahana amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etỳ ambanin’ny lanitra rehetra, homena ny vahoakan’ny olo-masin’ny Avo Indrindra; fanjakana mandrakizay ny fanjakany, ary hanompo azy sy hanoa azy ny fahefana rehetra.›

28 Izany no niafaran’ny teny. Nahatsiravina ahy i Daniela loatra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko nefa notahiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 8

Ny fahitana

1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Baltasara mpanjaka, nisy fahitana niseho tamiko izaho Daniela, taorian’ilay niseho tamiko taloha.

2 Ary nahita aho tamin’ny fahitana, ary nony nijery aho dia indro tany Sosa, ilay tanàna mimanda any amin’ny faritanin’i Elama, no nisy ahy; ary nahita aho tamin’ny fahitana, ka teo amoron’ny ony Olayaho.

3 Natopiko ny masoko, dia nahita aho, dia indro nisy ondralahy iraynitsangana teo amoron’ny ony, nanan-tandroka roa izy io, avo ny tandronyroa, nefa lava noho ny namany ny anankiray, ary ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.

4 Hitako ilay ondralahy fa nanoto niankandrefana, nianavaratra, nianatsimo; tsy nisy biby nahatoha teo anoloany, tsy nisy olona nahafaka teo an-tanany; nanao izay tiany izy, ary nihalehibe.

5 Izaho izany dia nandinika fatratra teo, ka indro nisy vantotr’osilahytonga avy any andrefana, teo ambonin’ny tany rehetra, tsy nitehin-tany akory, ary nanan-tandrokaniharihary tsara teo anelanelan’ny masony, izany osilahy izany.

6 Nankeo amin’ilay ondralahy nanan-tandroka roa izay efa hitako nitsangana teo amoron’ny ony izy, ary niezaka hikatroka amin’io, tamin’ny firehitry ny heriny.

7 Dia hitako izy nanatona ilay ondralahy, nisafoaka taminy, mamely ity ondralahy ary nanapaka ny tandrony roa, ary tsy nanan-kery akory mba hanoha azy ilay ondralahy; fa nazerany tamin’ny tany, nohoseny tamin’ny tongony; ary tsy nisy nahavonjy an’ity ondralahy teny an-tanany.

8 Nitombo fatratra ilay vantotr’osy lahy ary nony efa nahery izy, tapaka ilay tandrony lehibe, fa tandroka efatraindray no hitako nisolo iny tamin’ny vazantany efatra.

9 Nisy tandroka kelyiray nipoitra avy tamin’ny anankiray tamin’ireo, nitombo fatratra teny atsimoeny sy teny atsinanana, ary tany amin’ny tany be voninahitra.

10 Nitombo izy nahatakatra ny tafiky ny lanitra, nazerany amin’ny tany ny sasany tamin’izany tafika izany mbamin’ny kintana, ka nohoseny tamin’ny tongony.

11 Nitombo nahatakatra ny filohan’ny tafika izy, ka nesoriny tamin’io ny fanompoana tsy tapaka ary voarava ny tokotanin’ny fitoerana masina.

12 Nisy tafika anankiray voatolotra tamin’ny fahavalo noho ny fivadihana, mbamin’ny famonoana tsy tapaka, ary nazeran’ny tandroka tamin’ny tany ny fahamarinana: nanao izany izy ka nahefa.

13 Dia nisy masina anankiray reko niteny, ka hoy ny masina anankiray hafa, tamin’ilay niteny: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay asehon’ny fahitana ny amin’ny fanompoana tsy tapaka, ny fahotana mampahory, mbamin’ny fandaozana ny fitoerana masina sy ny tafika hohitsakitsahina?»

14 Ary hoy izy tamiko: «Hatramin’ny telon-jato amby roa arivo maraina sy hariva, fa rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina.»

Ny Anjely Gabriely manazava ilay fahitana

15 Raha mbola nahita izany fahitana izany aho Daniela, sady nitady hahafantatra ny heviny, dia indro nisy nitsangana teo anatrehako, niseho toy ny tarehin’olona.

16 Ary injay, nisy feon’olona reko avy ao amin’ny ony Olay niantso nanao hoe: «Ry Gabriely, lazao azy ny hevitry ny fahitana!»

17 Dia nankeo amin’ilay toerana nitsanganako izy, ka raiki-tahotra sy niankarapoka nihohoka tamin’ny tany aho, nony nanatona izy. Ary izao no nolazainy tamiko: «Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa amin’ny momba ny fotoana farany, izany fahitana izany.»

18 Mbola niteny tamiko teo izy, no nihohoka tamin’ny tany aho voan’ny torimaso, nefa notohininy aho, dia nampitsanganiny teo amin’ny fitoerana nisy ahy

19 sy nilazany hoe: «Indro hampahafantariko anao, izay ho tonga any amin’ny fotoam-pahatezerana any am-parany, fa zavatra ho amin’ny fotoana any am-parany, izany.

20 Ilay ondralahy manan-tandroka roa hitanao, dia ny mpanjakan’ny Meda sy ny Persa;

21 ilay osy lahy lava volo, dia ny mpanjakan’i Javàna ary ilay tandroka lehibe tanelanelan’ny masony, no mpanjaka voalohany.

22 Izany tandroka izany no tapaka ary ireo tandroka efatra no nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana amin’izany firenena izany, nefa tsy hitovy hery aminy.

23 Amin’ny faran’ny fanjakan’izy ireo, rehefa feno isa ny mpivadika, dia hisy mpanjaka anankiray hitsangana;

24 hitombo fahefana, nefa tsy amin’ny herin’ny tenany, hanao fandravana mahagaga: hahefa izay kendreny hatao, ary hanimba ny mahery sy ny vahoakan’ny olo-masina.

25 Noho ny hafetseny hahavoa ny fitaka any an-tanany: hiavonavona am-po izy, ary handringana olona maro mitoetra feizay: hitsangan-kanohitra ny mpanjakan’ny mpanjaka izy, nefa ho torotoro tsy kasihin-tanan’olombelona akory.

26 Marina ny fahitana naposaka ny amin’ny hariva sy ny maraina: nefa aoka hahoronao izany fahitana izany, fa mbola ho amin’ny andro any aoriana any.»

27 Ary izaho Daniela torana sy nandraingiraingy andro maro, vao nitsangana nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Talanjona tamin’ny fahitako aho fa ny olona tsy nisy nahafantatra izany.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 9

Vavak’i Daniela

1 Tamin’ny taona voalohanynanjakan’i Dariosa, zanak’i Asoerosa, taranaky ny Meda, nampanjakaina tamin’ny fanjakan’ny Kaldeanina:

2 tamin’ny taona voalohany nanjakany izaho Daniela nandinika, tamin’ny famakiana ny boky, ny isan’ny taona izay nanaovan’i Iaveh teny tamin’i Jeremia mpaminany ka tsy maintsy tanterahina ho tapitra amin’ny faharavàn’i Jerosalema, dia fitopolo taona izany.

3 Natodiko any amin’ny Tompo Andriamanitra ny tavako ary nioman-kivavaka sy hifona amin’ny fifadian-kanina sy amin’ny lasàka aman-davenona aho.

4 Nivavaka tamin’i Iaveh Andriamanitro aho, ary niaiky heloka, nanao hoe: «Indrisy, ry Tompo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao,

5 izahay efa nanota sy nahavita heloka aman-dalànao.

6 Tsy nahinao ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin’ny Anaranao tamin’ny mpanjakanay ama-mpanapaka anay sy tamin’ny razanay mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany.

7 Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa ny fangaihaizan-tava kosa tahaka ny amin’izao anio izao no anay, dia an’ny olona any Jodà, ny mponina any Jerosalema, sy i Israely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, any amin’ny tany rehetra nandroahanao azy, noho ny helony izay nataony taminao.

8 Tompo ô, anay ny fangaihaizan-tava, an’ny mpanjakany, an’ny mpanapaka anay, an’ny razanay, satria nanota taminao izahay.

9 Fa an’ny Tompo Andriamanitray kosa, ny famindram-po amam-pamelan-keloka, satria niodina taminao izahay.

10 Tsy nanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitray izahay, mba hanarahanay ny lalàny, nataony teo anoloanay tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.

11 Nandika ny didinao avokoa i Israely, sady niodina tsy nihaino ny feonao, ka dia nianjera taminay ny ozona aman-tsahato voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra, satria nanota taminy izahay.

12 Notanterahiny ny teny nolazainy hamelezana anay mbamin’ny mpitsara nitsara anay: ka nataony iharan-doza lehibe tokoa izahay, fa tsy mbola nisy tahaka ny namely an’i Jerosalema, hita tetỳ ambany masoandro.

13 Nidona taminay avokoa izao loza izao, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’Andriamanitra; kanefa izahay tsy nanao izay hampitony an’i Iaveh Andriamanitray, tamin’ny fialanay amin’ny helokay sy amin’ny fieritreretanay amim-pitandremana ny fahamarinanao.

14 Ka dia nandrasan’i Iaveh ny loza, ary nampihariny taminay; satria, marina i Iaveh Andriamanitray amin’ny asany rehetra nataony, ary tsy nihaino ny feony izahay.

15 Koa ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitray ô, izay nanala ny vahoakanao avy any amin’ny tany Ejipta tamin’ny tananao mahery, sy nanao anarana ho Anao, tahaka ny amin’izao anio izao, efa nanota izahay, efa ratsy izahay.

16 Tompo ô, enga anie ka hihodivitra tsy hihatra amin’i Jerosalema, tanànanao sy tendrombohitrao masina, ny hatezeranao amam-pahaviniranao araka ny fahamarinanao rehetra; fa noho ny fahotanay aman-keloky ny razanay, no nahatonga an’i Jerosalema sy ny vahoakanao ho fandatsa eo amin’izay rehetra manodidina anay.

17 Ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao; ka ampamirapirato amin’ny fitoeranao masina efa noravana, ny Tavanao, noho ny fitiavan’ny Tompo.

18 Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao ka henoy, ahirato ny masonao ka jereo ity fahorianay sy ny tanàna niantsoana ny Anaranao. Fa tsy noho ny fahamarinanay no ametrahanay ny fifonanay eto anoloanao; fa noho ny famindram-ponao lehibe.

19 Tompo ô, mandrenesa; Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa ka miasà; aza ela, ry Andriamanitra ô, noho ny aminao; fa ny Anaranao no voaantso amin’ny tanànanao sy ny vahoakanao.»

Ny Anjely Gabriely manazava ny faminaniana

20 Mbola miteny eo aho mivavaka miaiky ny fahotako amam-pahotan’i Israely fireneko, ary mametraka ny fifonako eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitro, ho an’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra;

21 mbola miteny eo amin’ny fivavahako eo aho, no indro ilay lehilahy Gabriely, hitako taloha tamin’ny fahitana, tonga teo amiko tamim-panidinana faingana, sahabo ho tamin’ny fotoan’ny fanatitra hariva.

22 Nanoro ahy sy niresaka tamiko izy ka nanao hoe: «Ry Daniela ô, tonga aho amin’izao fotoana izao, hanokatra ny sainao.

23 Vao niantomboka ny vavakao, dia nisy teny nivoaka, ka ny hampahalala izany anao no nahatongavako, fa olo-malalan’Andriamanitra ianao. Koa henoy amim-pitandremana ny teny, ary fantaro ny fahitana.

24 Fitopolo herinandro no voafetraho an’ny firenenao sy ny tanànanao, hanampina ny fahotana, hanonitra ny heloka, hampiditra ny fahamarinana mandrakizay, hanisy tombokase ny fahitana amam-paminaniana ary hanosotra Ilay Masinaindrindra.

25 Aoka ho fantatrao sy ho azonao àry, fa hatramin’ny hivoahan’ny didy anankirayizay hampanorina indray an’i Jerosalema ka hatramin’ny voahosotra anankiray, ny filohany anankiray izay, dia ho fito herinandro, sy 62 herinandro, dia haorina indray izy mbamin’ny kianja sy ny tamboho manodidina, amin’ny andro mampahory.

26 Ary rehefa afaka ny 62 herinandro, hoesorina ny voasoratraanankiray izay, ka tsy hisy ho azy. Ary ny vahoakan’ny filohany anankiray ho avy, handrava ny tanàna amam-pitoerana masina; ny hiafarany dia ho amin’ny fahasaforan-drano, ary hatramin’ny farany dia hisy ady izay efa voatapaka momba ny fandringanana.

27 Hanao fanekena mafy amin’ny maro be izy, mandritra ny herinandro; ka ao antenatenan’ny herinandro dia hatsahany ny sorona amam-panatitra; ary hisy mpandrava ho avy amin’ny elatry ny fahavetavetana, ka izany dia haharitra mandra-pihatran’ny fandravana sy izay efa voatapaka amin’ilay efa rava.»

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 10

Fahitana ilay lehilahy mitafy rongony madinika

1 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa, dia nisy teny nambara tamin’i Daniela, izay natao hoe Baltasara, marina izany teny izany, ary ady lehibe no lazainy. Azony an-tsaina ny teny, sady fantany hevitra ny fahitana.

2 Tamin’izany andro izany aho Daniela, nisaona nandritra ny andro roatokombolana.

3 Tsy nihinan-kanim-pỳ akory aho, tsy nisy niditra ny vavako na hena na divay; ary tsy nihosotra aho, mandra-pahatapitry ny andro roatokombolana maninjitra.

4 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana voalohanyaho, teo amoron’ny ony lehibe atao hoe Tigra.

5 Nanopy ny masoko nijery aho, ka indro, nisy lehilahy anankiray, nitafy rongony fotsy, sy nihetra tamin’ny hetra volamena avy any Ofaza.

6 Tahaka ny krizôlita ny tenany, hoatra ny hela-baratra no fijery ny tarehiny, tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, mivolom-barahina manganohano ny sandriny amam-tongony, hoatra ny feon’olona maro be ny feony, raha miteny izy.

7 Izaho Daniela irery no nahita ny fisehoana fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita ny fisehoana; azon’ny tahotra mafy izy ireo, ka nandositra niery.

8 Dia izaho irery no nijanona teo, ka nahita izany fisehoana lehibe izany, ka tsy nisy hery sisa intsony tafajanona tao amiko, ny tarehiko niova volo, fa tonga nivaloarika aho, ary tsy nisy hery intsony tamiko.

Fisehoan’ny Anjely

9 Reko ny feony niteny, fa vao nandre ny feony niteny aho, dia nirona natory, ka nihohoka tamin’ny tany.

10 Dia injay tanana nanohitra ahy, ka nampianariny ahy handohalika sy hitehin-tanana.

11 Dia hoy izy tamiko hoe: «Ry Daniela, olo-malalan’Andriamanitra ô, fantaro izao teny holazaiko aminao izao, ka mitsangàna ianao fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny.» Nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana aho nangovitra.

12 Ary hoy izy tamiko: «Aza matahotra, ry Daniela, fa hatramin’ilay andro voalohany nandatsahanao am-po ny hahalala ny hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitrao, dia nohenoina ny teninao, ary izaho no tonga dia noho ny teninao.

13 Fa nitsangana teo anoloako, 21 andro, ilay filohan’ny fanjakan’i Persa, ary i Misely anisan’ireo filohany ambony no tonga nanampy ahy, ka nijanona teo akaikin’ny mpanjakan’i Persa aho.

14 Ary ny hampahafantatra anao ny hanjò ny firenenao any am-parany any, no nahatongavako, satria mbola fahitana ny amin’ny any aoriana koa izany.»

15 Tamin’ny nilazany izany teny izany tamiko, dia niondrika tamin’ny tany ny tarehiko, sady tsy nahateny aho,

16 Fa indro kosa nisy anankiray nitarehin-janak’olombelona, nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho, ka niteny dia nilaza tamin’ilay nitsangana teo anatrehako, nanao hoe: «Tompokolahy ô, very hevitra aho, azon’izany fahitana izany, ka tsy manan-kery intsony.

17 Hataon’ity mpanompon’ny Tompoko ity ahoana moa no fiteny amin’ny tompoko eo. Amin’izao sady tsy manan-kery aho, no tsy nisy aina intsony akory koa.»

18 Fa ilay nitarehin-janak’olombelona indray no nanendry ahy sy nankahery ahy. Dia hoy izy tamiko:

19 «Aza matahotra, ry olo-malalan’Andriamanitra; ho aminao anie ny fiadanana! Matokia, matokia!» Mbola niteny tamiko teo izy, dia efa nahazo hery aho, ka nanao hoe: «Efa nankahery ahy ianao.»

Filazana ny faminaniana

20 Hoy izy tamiko: «Fantatrao va ny nahatongavako atỳ aminao? Ankehitriny aho, ary amin’ny fotoana handehanako, dia indro ho avy ny filohan’i Javàna.

21 Hambarako anao anefa ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana, ary tsy misy mitsangana momba azy hanohitra an’ireo afa-tsy i Misely filohanareo ihany.»

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 11

1 «Izaho koa tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa ilay Meda no nitsangana teo anilany hanohana sy hankahery azy.

2 Ankehitriny, indro haharihariko aminao ny marina.»

Ireo ady voalohan’ny Seleosida sy ny Lazida X

Mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana amin’i Persa; ary ny fahefatrahanan-karena mihoatra noho izy rehetra, ka rehefa mahery noho ny hareny izy, dia hanainga ny zavatra rehetra hamely ny fanjakan’i Javàna.

3 Ary hisy mpanjaka mahery fohanam-pahefana lehibe, ka hanao izay mahafinaritra azy.

4 Raha vao tafatsangana izy dia ho voatorotoro ny fanjakany, ka hozarazarainaho amin’ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy ho an’ny taranany, sady tsy hanam-pahefana tahaka izay nananany, satria ho rovitra ny fanjakany, ka lasan’ny hafa fa tsy ho an’ireo.

5 Ho tonga mahery ny mpanjakan’ny Atsimo, sy ny iray amin’ny jeneraliny, izay ho tonga mahery noho izy, ho mahefa; ary ho fahefana lehibe ny fahefany.

6 Rehefa afaka taona vitsivitsy, hihavana izy ireo, ary ho tonga any amin’ny mpanjakan’ny Avaratra, ny zanaka vavin’ny mpanjakan’ny Avaratra, hanao fanekena. Tsy hahatana ilay tohan-tsandriny anefa razazavavy; fa tsy haharitra izy io, na ny sandrin’ny tenany aza tsy haharitra amin’ny heriny, ka hatolotra razazavavy, dia izy sy ireo nitondra azy, ny rainy niteraka azy mbamin’ilay nanohana azy nandritra ny fotoana vitsivitsy.

7 Fa hisy solofo iray avy amin’ny fotony, hitsangana handimby azy; ho tonga ao amin’ny tafika izy, hiditra ny tanàna mimandan’ny mpanjakan’ny Avaratra, ary hataony amin’izay itiavany azy ireny, dia hahery izy.

8 Hoentiny ho babo any Ejipta hatramin’ny andriamaniny, ny sarin-javatra anidiny, ny fanaka sarobidiny, na ny volamena na ny volafotsy; ary hahombiazany ny mpanjakan’ny Avaratra mandritra ny taona maro,

9 vao mba hiditra any amin’ny fanjakan’ny Atsimo kosa, dia niverina any amin’ny taniny ihany indray.

10 Fa hamonona fiadiana indray ireo zanany, sady hanangona miaramila maro be, ka ho avy ny anankiray amin’izy ireo hanenika toy ny ranobe, hibosesika vao hiverina, ary hikirizany hasiana ny tanàna mimanda.

11 Hisafoaka ny mpanjakan’ny Atsimo, ka hivoaka hiady aminy, dia amin’ny fanjakan’ny Avaratra; hamory miaramila betsaka izy, ary hatolotra azy ny miaramilan’ny mpanjakan’ny Avaratra.

12 Hitombo ny herim-pony manoloana ity vahoaka be voavory hamely azy; haharipaka arivoarivo izy, nefa tsy hitombo ny heriny amin’izany.

13 Fa hamory miaramila maro noho ny teo indray ny mpanjakan’ny Avaratra, ka rehefa afaka taona vitsivitsy dia hiainga mitondra tafika lehibe sy fitaovana be dia be.

14 Amin’izany andro izany, maro no hitsangan-kamely ny mpanjakan’ny Atsimo; ary hitsangan-kanatanteraka ny fahitana ny olo-masina amin’ny firenenao, nefa ho lavo izy ireo.

15 Ho avy ny mpanjakan’ny Avaratra, ka hanandratra tovon-tany, hanafaka ny tanàna mimanda, tsy hotohan’ny sandrin’ny Atsimo, na ny miaramilany voafantina, ary tsy hisy hery hanohitra.

16 Izay nandroso hamely azy, no hanao izay rehetra sitrany, ary tsy hisy olona hahatoha eo anoloany; hijanona eo amin’ny tany be voninahitra izy, ary fandringanana no ho eny an-tanany.

17 Hanapa-kevitra ny handroso mitondra ny herin’ny fanjakany rehetra izy, ary hanao izay hifanarahana aminy, ka hanome azy tovovavy anankiray hitari-doza hanjò azy; tsy hahomby anefa izany, fa tsy ho azy izany fanjakana izay.

18 Dia any amin’ireo nosy indray no hotodihiny, ka hahalasa be amin’ireo izy; kanjo hisy kapiteny hampitsahatra ny latsa ataony kosa, ka tsy mba ho voalatsa, fa hampitsingerina aminy izay nataony aza.

19 Hitodika mankany amin’ny tanàna mimanda any amin’ny taniny izy, nefa ho tafintohina, ka ho lavo, dia tsy ho hita intsony.

20 Hisy anankiray hitsangana handimby azy; handefa mpiharaka izy, ho any amin’ny fitoerana izay voninahitry ny fanjakana; nefa andro vitsy foana io dia ho voatorotoro, ka tsy avy amin’ny fahatezerana na amin’ny ady.

I Antiôkosy Epifana

21 Hisy olona famingavingahandimby io indray, tsy nomena ny fiandrianam-panjakana; dia hisosoka an-tsokosoko ka hahazo ny fanjakana amin’ny fitetehana mangingina.

22 Ireo miaramila nibosesika ho safotra foana eo anatrehany, sady ho voatorotoro mbamin’ilay mpanapaka vita fanekena aminy koa.

23 Tsy hasiany raharaha akory, ny fanekena natao taminy, fa hanao an-kafetsena izy, ka hiainga sy handresy amin’olom-bitsy foana.

24 Hiditra an-tsokosoko amin’ny faritany mahavokatra indrindra amin’ny tany izy; ka izay tsy vitan’ny razany na ny razan’ny razany dia hovitainy, ka hozarainy amin’ireny ny remby, ny babo, ny harena; ary hamoron-tsaina hamely ny tanàna mimanda izy, ka haharitra fotoana sasantsasany izany.

25 Hanainga ny heriny aman-kerim-pony izy, hitari-tafika lehibe hamely ny mpanjakan’ny Atsimo. Ary ho rafitra ady aminy, ny mpanjakan’ny Atsimo, hitondra tafika maro sady mahery indrindra, nefa tsy hahatoha fa hisy firaisan-tetika hiforona hamely azy.

26 Izay mihinan-kanina avy amin’ny latabany hanorotoro azy; ny miaramilany hihahaka; ary olona maro no hiampatrampatra maty.

27 Samy hisaintsaina ao am-pony hifanimba ireo mpanjaka roa ireo, ka hiray latabatra fa hifamitaka amin’ny resaka; nefa tsy hahomby izany, fa amin’ny fotoana voatendry ihany vao hidona ny farany.

28 Hody any amin’ny taniny mitondra harem-be izy; mieritreritra ny hanisy ratsy ny fanekena masinany fony, ka manatanteraka izany izy vao miverina any amin’ny taniny indray.

29 Ho tonga any Atsimo indray izy, amin’ny fotoana voatendry; nefa tsy ho toy ny voalohany, ity diany farany.

30 Ho avy hamely azy ny sambon’i Setima ka hanary toky izy, dia hody izy ary ny fanekena masina indray no hampahatezitra azy; ka hamely izy sady hifanao tsikombakomba amin’ireo izay nahafoy ny fanekena.

31 Hisy miaramila halefany, ka hipetraka ao ireo: handoto ny fitoerana masina, ny tranomimanda, hampitsangana ny sorona tsy tapaka, ary hanangana ny fahavetavetan’ny mpandringana.

32 Ry zareo mpivadika ny fanekena, hambosinyamin’ny fandroboana mba ho amin’ny fanompoan-tsampy, fa ilay vahoaka misy olona mahalala ny Andriamaniny kosa hahatoha sady hiasa.

33 Hampianatra ny ankapobem-bahoakaireo izay manan-tsaina amin’ny vahoaka; nefa ho lavon’ny sabatra aman-delafo sy ny famaboana amam-pandrobana izy ireo, mandritra ny fotoana sasantsasany.

34 Amin’ny hahalavoany toy izany, dia hahazo famonjena kely izy, sady misimisy ihany koa no hikambana aminy, nefa amim-pihatsarambelatsihy fotsiny.

35 Ary amin’ireo manan-tsaina, ny sasany no ho lavo mba hozahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy, mandra-pahatongan’ny fotoana farany, fa mbola tsy ho amin’ny fotoana voatendry amin’izany.

36 Ny mpanjaka hanao izay sitrany, hanandra-tena sady hanavoavo ny tenany ho ambony noho ny andriamanitra rehetra, ary hilaza zavatra mihoa-pampana manohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra; ary hambinina izy, mandra-pahafenon’ny fahatezerana; satria tsy maintsy ho tanteraka izay efa tapaka.

37 Tsy misy hahoany akory na ny andriamanitry ny razany, na ny andriamanitra tsizy lalain’ny vehivavy; tsy hahoany akory izay Andriamanitra, fa hanavoavo ny tenany ho ambony noho ny zavatra rehetra izy.

38 Ny andriamanitry ny tanàna mimandano hany hankalazainy ao amin’ny fitoerany; izany andriamanitra tsy fantatry ny razany izany no hankalazainy amin’ny volamena, ny volafotsy, ny vatosoa ary ny firavaka.

39 Hamely ny mandan’ny trano mimanda izy, omban’ny andriamani-kafa; ka izay hanaiky azy homeny voninahitra be, hataony mpanapaka ny maro, ary hizarany tany ho valisoa.

Ny hiafaran’ny mpanenjika

40 Amin’ny fotoana faranyny mpanjakan’ny Atsimo hanoto azy; ny mpanjakan’ny Avaratra hiantonta aminy, hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly aman-tsambo maro, handroso any afovoan-tany izy, ka handalo hoatra ny ranobe manafotra.

41 Hiditra amin’ny tany be voninahitra izy, ka maro no ho ripaka; ho afa-mandositra ny tanany anefa ireto: i Edôma sy i Moaba ary ny lohan’ny taranak’i Amôna.

42 Haninjitra ny tanany amin’ny tany sasany izy, ka tsy ho afa-mandositra ny tany Ejipta.

43 Ho lasany avokoa ny rakitra volamena sy volafotsy mbamin’ny zava-tsoan’i Ejipta rehetra; handeha hanaraka azy ny Libianina sy ny Etiôpianina.

44 Ho voatebitebin’ny vaovaoavy any atsinanana sy avy any avaratra anefa izy ka hiainga an-katezerana mafy handrava sy handringana olona maro.

45 Haoriny eo anelanelan’ireo ranomasina eo akaikin’ny tendrombohitra masina sy be voninahitra ny tranolain’nylapany. Dia hihatra aminy ny fiafaràny, ary tsy hisy olona hamonjy azy.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 12

Fitsanganan’ny maty sy valin’ny natao

1 Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao, ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany. Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky.

2 Ary maro amin’ireo mandryao amin’ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay; fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay.

3 Izay ho efa hendry, hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra, ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

4 Ianao, ry Daniela, ahoròny ireo teny ireo, ary asio tombokase ity taratasy ity, mandra-pahatongan’ny andro farany. Maro no handinika azy, ka hitombo ny fahalalana.

Ny faminaniana voatombokase

5 Ary nijery aho, Daniela, ka indro nisy olona roa hafa, nitsangana, ny iray teto amoron’ny ony, ny iray kosa teny an-dafiny.

6 Dia hoy ny anankiray tamin’ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin’ny ranon’ny ony: «Rahoviana no ho tonga ny faran’ireo zava-mahagaga ireo?»

7 Ary reko ilay lehilahy nitafy rongony fotsy, teo ambonin’ny rano; nanandratra ny tanany ankavanana sy ny tanany ankavia hanondro lanitra, ka nianiana tamin’Ilay velona mandrakizay, fa ho amin’ny fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro izany; ary rehefa vita ny fanorotoroana ny herin’ny vahoaka masina, dia ho tanteraka ireo zavatra rehetra ireo.

8 Reko izany, nefa tsy azoko an-tsaina, ka hoy aho: «Tompokolahy ô, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo?»

9 Fa hoy izy: «Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny, sy voaisy tombokase, mandra-piavin’ny andro farany.

10 Ho maro anie no hodiovina, hofotsiana, sady ho voazaha toetra; fa ny ratsy fanahy hanao ratsy; ary tsy misy hahazo an-tsaina ny ratsy fanahy; fa ny hendry no hahazo an-tsaina.

11 Hatramin’ny andro hampitsaharana ny sorona tsy tapaka, sy hampitsanganana ny fahavetavetan’ny mpandringana, hisy andro 2.190.

12 Sambatra izay hiandry sy hahatratra ny hatramin’ny 1.335 andro.

13 Ary ianao kosa, mizora ho amin’ny fiafarana, ka mialà janona, fa ho tafatsangana handray ny lovanao ianao, amin’ny fahataperan’ny andro.»

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 13

I SOZANA SY NY FITSARAN’I DANIELA

1 Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Jôakima, nonina tao Babilôna;

2 nanambady vehivavy anankiray, atao hoe Sozana, zanaka vavin’i Helkiasa, sady tsara tarehy tokoa, no natahotra an’Andriamanitra,

3 satria olo-marina rainy aman-dreniny, ka nampianatra ireo zanany, araka ny lalàn’i Môizy.

4 Mpanan-karem-be io Jôakima io, ary nanana zaridaina teo akaikin’ny tranony izy, ary be Jody mankao aminy, satria izy no manan-kaja indrindra tamin’izy rehetra ireo.

5 Tamin’izay taona izay, dia notendrena ho mpitsara, ny loholona roa lahy tamin’ny vahoaka; ireo no nitenenan’ny Mpampianatra nataony hoe: «Ireo anti-dahy, izay mpitsara ka toa mitondra ny vahoaka, no nivoahan’ny faharatsiana avy ao Babilôna.»

6 Ao an-tranon’i Jôakima no falehan’izy ireo, ary ny olona rehetra manana ady dia manatona azy.

7 Tokony ho amin’ny misasaka andro, rehefa lasa ny vahoaka, i Sozana kosa niditra tao anatin’ny zaridainan’ny lahy ka nitsangantsangana tao.

8 Hitan’ireo anti-dahy roa lahy izy, niditra sy nitsangantsangana tao isan’andro, ka velom-panirian-dratsy azy mafy izy ireo:

9 nosimbany ny sainy ary naviliny tsy hahita ny lanitra ny masony sy tsy hahatsiaro izay fitsarana marin’Andriamanitra.

10 Koa samy voan’ny fitiavana an-drazazavavy izy ireo, kanefa tsy nifampilaza ny fijaliana mafy nanjò azy;

11 satria samy menatra izy ireo ny hifamosaka ny filàn-dratsy nitaona azy hiaraka amin-drazazavavy;

12 Nitsikilo fatratra an-drazazavavy isan’andro ny masony hahitany azy, dia nifampilaza hoe:

13 «Andeha hody isika, fa fotoana fisakafoanana izao.» Dia nivoaka samy naningana izy.

14 Kanjo tafaverina indray izy ireo ka tafahaona, dia nifanontany ny antony iverenany eo, vao samy vaky milaza ity fanirian-dratsiny avy izy ireo, vao nifanaiky ny amin’ny fotoana mety hahitana azy mitokana.

15 Eo am-pikendrena izay fotoana mety indrindra izy ireo, indro i Sozana niditra tao anaty zaridaina toy ny nataony omaly sy afakomaly, tsy narahin’olona afa-tsy ankizivavy roa, fa te-handro tao anaty zaridaina izy, satria nafana ny andro.

16 Tsy nisy olona tao, afa-tsy iretsy anti-dahy niery sy nikendry azy.

17 Dia hoy razazavavy tamin’ireo ankizivavy: «Itondray diloilo manitra sy menaka fanosorana aho; ary hidio ny vavahadin’ny zaridaina fa handro aho.»

18 Nataon’ireo izay nasain’i Sozana nataony; ka nony voahidiny ny vavahadin’ny zaridaina dia nivoaka tamin’ny vavahady anankiray teo ivoho izy, haka ny zavatra nilaina tamin’izy ireo; tsy fantany fa miery ao anaty zaridaina iretsy anti-dahy.

19 Vao lasa ireo ankizivavy, dia nitsangana izy roa lahy, nidodododo nankeo amin’i Sozana, ka nanao taminy hoe:

20 «Hitanao fa mihidy ny vavahadin’ny zaridaina, tsy misy mahita antsika, ary izahay mirehi-pitiavana anao; koa ekeo ny fanirianay, meteza mba ho anay.

21 Fa raha mandà kosa ianao dia hitsangan-ko vavolombelona miampanga anao izahay, hilaza fa nisy tovolahy anankiray nomba anao, ka izany no namerenanao an’ireo ankizivavy.»

22 Nisento i Sozana ka nanao hoe: «Latsaka an-katerana mafy aho avy hatraiza hatraiza; hanao izany moa aho, fahafatesana ho ahy izany; tsy hanao izany indray, tsy ho afa-mandositra ny tananareo.

23 Aleoko anefa tsy nanao ratsy azon’ny tananareo; toy izay hanota eo anatrehan’ny Tompo.»

24 Dia niantso mafy izy; fa mba niantsoantso hamely azy koa, ireto anti-dahy;

25 sady nihazakazaka namoha ny vavahadin’ny zaridaina ny iray amin’izy ireo.

26 Vao nandre ny antsoantso avy any anaty saha ireo mpanompo tao an-trano, dia nidodododo niditra ny vavahady tao ivoho hizaha izay inona ao.

27 Nony nilazalaza ny toe-draharaha ireto anti-dahy dia menatra mafy ireto mpanompo, fa tsy mbola nisy nilaza zavatra toy izany, ny amin’i Sozana na iza na iza.

28 Ny ampitson’iny, rehefa tafavory tao amin’i Jôakima vadin’i Sozana ny vahoaka, dia tonga tao koa ireto anti-dahy roa lahy, efa feno hevi-dratsy hamelezana an-drazazavavy mba hahafaty azy.

29 Hoy izy ireo teo anatrehan’ny vahoaka: «Ampanalao i Sozana, zanak’i Helkiasa sy vadin’i Jôakima.» Dia naniraka haka azy niaraka tamin’izay ny olona.

30 Dia tonga razazavavy nomban’ny ray aman-dreniny sy ireo zanany lahy, ary ny havany rehetra.

31 Fatratra ny endrik’i Sozana; ary tsara tarehy aoka izany izy.

32 Nivoaly izy, nefa nasain’ireto mpitsara ratsy fanahy nesorina taminy ny voaliny, mba hilomanosany amin’ny hatsaran-tarehiny.

33 Fa ny fianakaviana rehetra mbamin’izay nahalala azy kosa, nandatsa-dranomaso avokoa.

34 Dia nitsangana teo afovoan’ny vahoaka ireto anti-dahy roa lahy, nametra-tananatamin’ny lohan-drazazavavy;

35 izy kosa, sady nitomany no niandrandra ny lanitra, satria natoky ny Tompo izy.

36 Ary hoy ireto anti-dahy: «Raha nitsangantsangana tao anaty zaridaina izahay dia honjohonjonay ihany, indro izy niditra, narahin’ankizy vavy roa; ka nasainy nohidiana ny vavahadin’ny zaridaina dia naveriny ireo ankizy vavy roa ireo.

37 Ary nisy tovolahy anankiray efa namitsaka tao, nanatona azy, dia nanao ratsy taminy.

38 Tao an-joron’ny zaridaina izahay, fa rehefa nahita izany heloka izany dia niroatra nankeo amin’izy ireo, ka tratranay tamin’izany fahavetavetana izany izy.

39 Tsy azonay nosamborina ilay tovolahy, fa matanjaka noho izahay, ka novohainy ny vavahady dia nitsoaka izy.

40 Razazavavy kosa, nony azonay, nanontanianay hoe: iza iny tovolahy iny, nefa tsy nety nilaza taminay izy. Izany no filazanay marina.»

41 Nino izany ny be sy ny maro, satria anti-dahy ireo sady mpitsara ny vahoaka, ka dia nohelohin’izy ireo ho fatyrazazavavy.

42 Tamin’izay, i Sozana niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: «Ry Andriamanitra mandrakizay ô, Ianao no mahalala ny miafina sy mahafantatra ny zavatra rehetra alohan’ny hahatongavany aza,

43 fantatrao fa lainga no niampangan’izy ireo ahy, ary indro aho fa maty, nefa izay noforoniny an-kasomparana hamelezana ahy, tsy misy nataoko akory.»

44 Nohenoin’ny Tompo ny feony.

45 Ary raha ilay nitondra azy hovonoina iny ny olona, Andriamanitra kosa nanaitra ny fanahy masin’ny zazalahy anankiray, atao hoe Daniela.

46 Niantso tamin’ny feo avo io nanao hoe: «Raha izaho dia afa-tsiny amin’ny ran’io vehivavy io.»

47 Niherika nankany aminy avokoa ny vahoaka, sady nanao taminy hoe: «Inona no hevitr’izany teny lazainao izany?»

48 Dia nijoro tao afovoan’ny vahoaka i Daniela, nilaza hoe: «Hay va re adala toy izany ianareo, ry zanak’i Israely, ka hampamono ny zanaka vavin’i Israely, nefa tsy mbola namototra na nikaroka izay marina ianareo?

49 Miverena ho any an-trano fitsarana, fa lainga no niampangany azy io.»

50 Dia niverina faingana ny vahoaka ary hoy ny loholona tamin’i Daniela: «Avia, hiara-mipetraka aminay ianao, ary aposahy ny hevitra, fa efa nomen’Andriamanitra anao ny voninahitry ny fahanterana.»

51 Ka hoy i Daniela tamin’ny vahoaka: «Saraho hifanalavitra izy roa lahy, fa hotsaraiko izy.»

52 Nony tafasaraka izy ireo, nantsoin’i Daniela ny anankiray, dia hoy izy taminy: «Ry olona nihantitra tamin’ny fanaovan-dratsy ô, indreo hifotitra aminaony fahotana nataonao izay ela izay;

53 ianao efa namoaka fitsarana tsy marina, nanameloka ny tsy manan-tsiny, ary nandefa ny meloka; nefa hoy ny Tompo hoe: ‹Aza mampamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina.›

54 Ka raha nahita an-drazazavavy àry ianao, dia lazao hoe: ‹Teo ambany hazo inona no niresaka izy ireo?› » Hoy ny navaliny hoe: «Teo ambany lentisìka.»

55 Dia hoy i Daniela: «Izany tokoa fa lainga lazainao izany hahafaty anao, fa vonon-kanataka anao hisasaka ny Anjelin’Andriamanitra, izay efa nahazo teny tamin’Andriamanitra sahady.»

56 Nony nampihataka an’io izy, nasainy nampidirina indray ilay anankiray, ka hoy izy taminy: «Ry taranak’i Kanaana, fa tsy mba taranak’i Jodà ô, sodokan’ny hatsaran-tarehim-behivavy ianao; ary voasimban’ny filàn-dratsy ny fonao.

57 Izany no nataonareo tamin’ny zanaka vavin’i Israely; ary izy ireo, noho ny tahony anareo, dia niresaka taminareo; fa ity zanaka vavin’i Jodà ity kosa tsy mba nety nandefitra izay faharatsianareo akory.

58 Koa lazao amiko ankehitriny hoe: teo ambany hazo inona moa no tratranareo niresaka izy ireo?» Hoy izy: «Teo ambany oaka.»

59 Ka hoy i Daniela taminy: «Izany tokoa, fa lainga lazainao izany, hahafaty anao; fa efa miandry ny fotoana hamakiany anao hisasakany Anjelin’ny Tompo, mitan-tsabatra, hamono anareo.»

60 Dia nihoraka mafy ny vahoaka rehetra tafavory, ary nisaotra an’Andriamanitra, fa mamonjy izay nanantena Azy Izy.

61 Nony inona nitsangana izy ireo, hamely an’ireto anti-dahy roa lahy, izay nataon’i Daniela vaky lainga, araka ny teny naloaky ny vavany ihany ho miampanga tsy marina; ka ny ratsy notadiaviny hatao tamin’ny namany ihany, no nataony tamin’izy roa lahy,

62 mba hahatanteraka ny lalàn’i Môizy; dia novonoiny ho faty izy ireo ary ny ra tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin’izany andro izany. Nidera an’Andriamanitra noho ny amin’i Sozana zanany vavy,

63 i Helkiasa sy ny vadiny, mbamin’i Jôakima vadin-drazazavavy, sy ny havany rehetra, satria tsy nahita zava-mahafa-baraka kely akory razazavavy.

64 Ary tonga nalaza teo anatrehan’ny vahoaka i Daniela hatramin’izay andro izay, ka hatraty aorian’izany koa.

65 Nony voaangona tany amin’ny razany i Astiaza mpanjaka, dia i Sirosa, ilay Persa, no nandray ny fanjakana.

Categories
Bokin’i Daniela

Bokin’i Daniela 14

I Daniela sy ireo mpisoron’i Bela

1 Ary i Daniela nihinana teo amin’ny latabatry ny mpanjaka, ka nahazo haja mihoatra ny sakaizany rehetra.

2 Tamin’ny Babilônianina, dia nisy sampy anankiray atao hoe Bela, izay nandaniana lafarina 12 artaba, ondry 40, ary divay enina metretaisan’andro.

3 Ny mpanjaka koa nanaja an’io sy nandeha nivavaka taminy isan’andro; fa i Daniela kosa nivavaka tamin’Andriamanitra. Ka hoy ny mpanjaka taminy: «Nahoana ianao no tsy mba mivavaka amin’i Bela?»

4 Dia hoy ny navaliny azy: «Satria tsy mba izay sampy nataon’ny tanan’olombelona, fa ilay Andriamanitra velona, Izay nahary ny lanitra sy ny tany sady manam-pahefana amin’ny nofo rehetra ihany no ankalazaiko.»

5 Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Ataonao fa tsy zavatra velona va i Bela? Tsy hitanao va ity zavatra rehetra haniny sy sotroiny isan’andro?»

6 Sady nitsiky i Daniela no namaly hoe: «Aoka tsy ho diso hevitra amin’izany ianao, ry mpanjaka; fa fotaka ny ao anatin’izy io, ary varahina ny ivelany, ka tsy mbola nihinana na inona na inona izy.»

7 Tezitra ny mpanjaka ka niantso ireo mpisoron’i Bela sy nanao taminy hoe: «Raha tsy lazainareo amiko izay mihinana ireny fanatitra ireny dia maty ianareo;

8 fa raha voasehonareo amiko kosa fa i Bela no mihinana ireny dia i Daniela no maty, satria niteny ratsy an’i Bela izy.»

9 Ary nisy 70 lahy ny mpisoron’i Bela afa-tsy ny vady aman-janany. Dia nankany amin’ny tempolin’i Bela ny mpanjaka sy i Daniela.

10 Ka hoy ireto mpisoron’i Bela: «Izahay handeha hivoaka; fa ianao kosa, ry mpanjaka, asaovy apetraka ny hanina, ary asaovy aroso ny divay rehefa voaharoharo, dia hidio ny varavarana, sady asio tombokase amin’ny fanombohan-kasenao.

11 Ary rahampitso maraina, rehefa miditra ianao, ka hitanao fa tsy lanin’i Bela izany rehetra izany, dia ho faty izahay, na hoe i Daniela no ho faty kosa, fa nandainga namely anay.»

12 Tsaroany tao an-tsainy fa nasiany fidirana miafina tao ambany latabatra, ka teo mandrakariva no nidirany sy nahatongavany handany ny fanatitra.

13 Nony nivoaka izy ireo, ka efa nasain’ny mpanjaka napetraka teo anoloan’i Bela koa ny hanina, i Daniela kosa, nandidy ireo mpanompony hitondra lavenona, ary naeliny manerana ny Tempoly teo anatrehan’ny mpanjaka irery ihany, vao nivoaka izy ireo, dia nohidiany ny varavarana, sady nasiany tombokase tamin’ny fanombohan-kasen’ny mpanjaka, dia lasa nandeha izy.

14 Ny mpisorona kosa nony alina, niditra araka ny fanaony, niaraka tamin’ny vadiny aman-janany, dia nihinana sy nisotro izay rehetra teo.

15 Nifoha maraina koa ny mpanjaka, ary i Daniela koa.

16 Ary hoy ny mpanjaka: «Tsy nahafahana va ny tombokase, ry Daniela?» Hoy ny navaliny hoe: «Tsy nahafahana, ry mpanjaka ô.»

17 Raha vao novohain’ny mpanjaka ny varavarana, ka nojereny ny latabatra, dia niantso izy tamin’ny feo avo nanao hoe: «Lehibe ianao, ry Bela ô, sady tsy misy fitaka aminao.»

18 Latsaky ny hehy anefa i Daniela, ary notazoniny tsy handroso alohaloha kokoa ny mpanjaka, nilazany hoe: «Jereo ny gorodom-bato, diniho fa dian’iza ireo?»

19 Ka hoy ny mpanjaka: «Dian-dehilahy sy zaza amam-behivavy no hitako», sady tezitra mafy izy.

20 Ary nasainy nosamborina ireo mpisorona, mbamin’ny vady aman-janany, dia nasehon’ireo azy ny varavarana miafina nidirany sy nahatongavany hihinana izay teo ambony latabatra.

21 Nasainy novonoina ho faty izy ireo, ary i Bela natolony eo am-pelatanan’i Daniela, dia noravany hatramin’ny tempoliny.

I Daniela mamono ilay Bibilava

22 Nisy dragona lehibe koa, ary nankalazain’ny Babilônianina.

23 Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: «Hataonao hoe varahina koa va io? Jereo fa velona izy, mihinana sy misotro izy. Koa amin’izao tsy ho azonao lazaina fa tsy andriamanitra velona izy io.»

24 Fa hoy ny navalin’i Daniela: «Mivavaka amin’ny Tompo Andriamanitro aho; satria Izy no Andriamanitra velona, fa ity tsy andriamanitra velona akory.

25 Aoka ianao, ry mpanjaka ô, hanome alalana ahy fa hovonoiko tsy amin-tsabatra na tehina io dragona io.» Hoy ny mpanjaka: Omeko àlalana ianao.

26 Dia nalain’i Daniela ny ditin-kazo sy ny sabora ary ny volo, nataony indray mahandro ireo dia novolavolainy ho boribory vao natsipiny tao am-bavan’ity dragona. Ka niatatra ny dragona. Dia hoy izy: «Io ilay nankalazainareo!»

27 Nony nandre izany ny Babilônianina dia nirehitra mafy ny fahatezerany, ka nivory hanohitra ny mpanjaka izy, sy nanao hoe: «Tonga Jody ny mpanjaka, fa i Bela noravany, ny dragona nasainy novonoina; ary ny mpisorona naripany.»

28 Koa nankao amin’ny mpanjaka izy ireo, dia nanao taminy hoe: «Atolory anay i Daniela fa raha tsy izany, ianao sy ny ankohonanao no hataonay maty.»

29 Hitan’ny mpanjaka, fa niantoraka taminy tamin-kasiahana izy ireo.

I Daniela tao an-davaky ny liona

30 Natsipiny tao an-davaky ny liona izy, dia nipetraka tao henemana.

31 Liona fito no tao an-davaka, vatana roasy ondry roa isan’andro no fanome azy ireo; nefa tsy nomena izany fihinany izany izy ireo tamin’izay, mba hihinanany an’i Daniela.

32 Tany Jodea kosa, i Habakoka, mpaminany, tamin’izany andro izany, nony avy nahandro koba izy, sy namotipotika mofo tao anaty vilany dia nankany an-tsaha izy, nitondra izany ho an’ny mpijinja variny.

33 Fa hoy ny Anjelin’ny Tompo tamin’i Habakoka hoe: «Ento mankany Babilôna iny sakafonao entinao iny, ho an’i Daniela ao an-davaky ny liona.»

34 Ary hoy i Habakoka: Tsy mbola nahita an’i Babilôna akory aho, tompoko, ary tsy fantatro akory izany lavaka izany.

35 Dia noraisin’ny Anjely avy eo an-tampon-dohany izy ka nentiny tamin’ny volon-dohany tamim-pahafainganana indrindra, araka ny fomban’izy fanahy, ary napetrany tao Babilôna, teo ambonin’ilay lavaky ny liona.

36 Ary i Habakoka niantso hoe: «Ry Daniela mpanompon’Andriamanitra ô, raiso ny sakafo alefan’Andriamanitra ho anao.»

37 Ka hoy ny navalin’i Daniela: «Andriamanitra ô, tsarovanao tokoa aho, fa tsy mandao an’izay tia Anao Ianao.»

38 Dia nitsangana hihinana i Daniela. Ary nataon’ny Anjely tao amin’ny fitoerany indray, niaraka tamin’izay, i Habakoka.

39 Nony tamin’ny andro fahafito, tonga ny mpanjaka hitomany an’i Daniela; nanatona ny lavaka izy, dia nijery ary indro i Daniela nipetraka teo afovoan’ny liona.

40 Niantso izy tamim-peo avo hoe: «Lehibe Ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Daniela, ary tsy misy hafa, afa-tsy Ianao ihany!»

41 Dia noesoriny avy tao an-davaky ny liona izy. Ary ireo nitady hahafaty azy kosa no nasainy natsipy tao, ka voarapaka vetivety foana, teo imasony.

42 Tamin’izany ny mpanjaka nanao hoe: «Aoka ny mponina rehetra eran’ny tany rehetra hatahotra ny Andriamanitr’i Daniela; fa Izy no Mpamonjy, Izy no manao famantarana amam-pahagagana eto ambonin’ny tany; Izy no nanafaka an’i Daniela tao an-davaky ny liona.»

Categories
Osea

Osea 1

Lohateny

1 Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.

Fanambadian’i Osea sy ireo zanany

2 Tamin’ny niandohan’nynitenenan’i Iaveh tamin’i Osea, izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Osea: «Mandehana ianao, makà vadytena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon’ny tanyafa-tsy ny misaraka amam-bady amin’ny fandaozana an’i Iaveh.»

3 Dia nandeha izy, naka an’i Gômera, zanaka vavin’i Debelaïma, ary nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy taminy.

4 Ary hoy i Iaveh taminy: «Ataovy hoe Jezrahelyny anarany, fa andro vitsy sisa, dia hovaliako ny taranak’i Jehò noho ny ra nalatsaka tao Jezrahely, ary hotaperiko ny fanjakan’ny taranak’i Israely.

5 Amin’izany andro izany, hotapahiko, eo amin’ny tanilemak’i Jezrahely, ny tsipìkan’i Israely.»

6 Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Rôkama ny anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak’i Israely Aho ka hamela heloka azy.

7 Fa ny taranak’i Jodà no hiantrako; ary i Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra, na amin’ny ady, na amin’ny soavaly, na amin’ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy.»

8 Nony notazany i Lô-Rôkama, dia nanana anaka indray ravehivavy, ka nitera-dahy.

9 Dia hoy i Iaveh tamin’i Osea: «Ataovy hoe Lô-Amìny anarany, fa ianareo tsy vahoakako, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.»

Categories
Osea

Osea 2

I Iaveh sy ny vadiny manitsakitsaka Azy

1 Ny isan’ny zanak’i Israely diaho tahaka ny fasika amin’ny ranomasina izay tsy afàtra na isaina, ary any amin’ny tany nilazana taminy hoe: «Tsy vahoakako ianareo», no hanaovana an’ny hoe: Zanak’Andriamanitra velona.

2 Ary hiara-mivory ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hanangana filoha iray hiombonany, dia hiakatrahiala amin’ny tany, fa ho lehibe ny andron’i Jezrahely.

3 Lazao amin’ny rahalahinareo hoe: «Amì!» sy amin’ny anabavinareo hoe: «Rôkama».

4 Mifandaharaamin-dreninareo, mifandahara!

Fa izy tsy vadiko intsony,

ary Izaho tsy vadiny intsony.

Aoka hoesorinyhiala amin’ny tavany, ny fijangajangany,

ary tsy ho eo afovoan’ny nonony ny fanabodoany,

5 fandrao izy hampihanjahanjaiko

hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany,

hampanjariko toy ny efitra,

hataoko toy ny tany karankaina,

ary hataoko matin’ny hetaheta.

6 Tsy hamindra fo amin’izay zanany Aho,

fa zanaky ny fijangajangana ireny;

7 satria nijangajanga reniny,

nanao zava-mahamenatra ilay torontoronina azy;

fa hoy izy: Izaho handeha any amin’ireo lehilahiko,

izay manome ahy ny mofoko aman-dranoko,

ny volon’ondry aman-drongoniko, ny diloilo aman-divaiko.

8 Noho izany, indro Aho hanampina ny lalanaoamin’ny tsilo;

hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny lalany intsony izy.

9 Hanaraka ny lehilahiny izy fa tsy hahatratra an’ireny;

hitady an’ireny izy fa tsy hahita azy.

Izay izy vao hanao hoe: «Handeha aho hody

any amin’ny vadiko taloha,

fa niadana aho tamin’izany noho ny ankehitriny.»

10 Tsy nahalala izy, fa Izaho no nanome azy

ny vary, ny divay vaovao sy ny diloilo

sy nampitombo ho azy ny volafotsy sy ny volamena

izay nampiasainy ho an’i Baala.

11 Koa halaiko indray ny varikoamin’ny androny,

sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany,

sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko,

izay enti-manarona ny fitanjahany.

12 Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany

eo imason’ireo lehilahiny,

ary tsy misy hahafaka azy amin’ny tanako.

13 Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra;

ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany,

ary ny fetiny lehibe rehetra.

14 Horavako ny voalobony aman’aviaviny,

izay nataony hoe: Izany no tangy

nomen’ireo lehilahiko ahy;

ka hataoko manjary ala ireny,

ary ny biby dia no hihinana azy.

15 Hovaliako izy noho ny andron’ireo Baala,

izay nanolorany emboka,

tamin’ny andro niravahany masombola sy fehivozona,

sy nanarahany ny lehilahiny;

fa Izaho kosa nohadinoiny, – teny marin’i Iaveh. –

16 Koa noho izanydia indro Aho hitarika azy

sy hitondra azy any an’efitra,

ary hiteny aminy ao am-pony;

17 ary avy ao homeko azy ny tanimboalobony,

mbamin’ny lohasaha Akoraho varavaram-panantenana;

ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andro fahatanorany,

sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.

18 Amin’izany andro izany – teny marin’i Iaveh, –

ianao hiantso Ahy hoe: Vadiko:

fa tsy hiantso Ahy intsony hoe: Baala-ko.

19 Hoesoriko amin’ny vavany, ny anaran’ireo Baala,

ka tsy hotononina amin’ny anarany intsony ireny.

20 Amin’izany andro izany Aho hanao fanekena ho azy,

amin’ny biby dia,

amin’ny voromanidina,

ary amin’ny biby mandady amin’ny tany;

hofoanako tsy hisy amin’ny tany

ny tsipìka aman-tsabatra ary ny ady,

ka hataoko mandry feizay izy.

21 Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao;

hofofoiko ho Ahy ianao amin’ny rariny sy ny hitsiny,

ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana;

22 hofofoiko ho Ahy amin’ny fahamarinana ianao,

ka hahalala an’i Iaveh.

23 Izao no ho tonga amin’izany andro izany:

Izaho hamaly, – teny marin’i Iaveh, –

Izaho hamaly ny fangatahan’ny lanitra,

ary izy hamaly ny fangatahan’ny tany;

24 ny tany hamaly ny fangatahan’ny vary

sy ny divay vaovao ary ny diloilo,

ary ireo hamaly ny fangatahan’i Jezrahely.

25 Hafafiko amin’ny tany ho Ahy i Israely,

ary hanao famindram-po amin’i Lô-Rôkama Aho

sy hilaza amin’i Lô-Amì hoe: «Vahoakako ianao,»

ary izy hanao hoe: «Andriamanitro».