Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 7

Ny lahatenin’i Etienina

1 Ary hoy ny mpisorona: «Moa dia izany tokoa va?»

2 Ka hoy ny navalin’i Etienina azy: «Mihainoa ianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesôpôtamia i Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Haràna, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra,

3 ka nanao taminy hoe: ‹Ilaozy ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hatoroko anao.›

4 Dia niala tamin’ny tanin’ny Kaldeanina izy ka nonina tany Haràna. Ary nony maty irainy, dia nasain’Andriamanitra nifindra amin’ity tany onenanareo ankehitriny ity izy.

5 Tsy mba nomeny lova teto izy, na dia tany iray dia aza; nefa kosa fony mbola tsy nanan-janaka akory izy, dia efa nampanantenainy fahomeny ho lovan’izy sy ny taranany ity.

6 Izao no nolazain’Andriamanitra: ‹Honina amin’ny tany hafa ny taranany, ary handevozina sy hampahorina efajato taona.

7 Nefa hotsaraiko, hoy ny Tompo, ny firenena izay hanandevo azy, ary raha efa izany dia hivoaka izy ka hanompo Ahy amin’ity tany ity.›

8 Dia nomenyfanekena amin’ny famoranai Abrahama, ka nony niteraka an’i Isaaka dia namora azy tamin’ny andro fahavalo;i Isaaka kosa niteraka sy namora an’i Jakôba, ary i Jakôba namora an’ireo Patriarka roa ambin’ny folo lahy.»

9 «Ary ireo Patriarkanialona an’i Josefa ka namidiny ho any Ejipta izy; nefa nomban’Andriamanitra kosa.

10 Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sadynomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.

11 Tamin’izay dia nisy mosary eran’i Ejipta sy i Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika.

12 Nony ren’i Jakôba fa nisy hanina tany Ejipta,dia naniraka ny razantsika ho any Izy, voalohany izay.

13 Ary tamin’ny fanindroany dia fantatry ny rahalahiny i Josefa, sady fantatr’i Faraôna koa ny niaviany.

14 Tamin’izay i Josefa dia nampaka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny mpianakaviny rehetra izay nisyolona dimy amby fitopolo.

15 Dia nidina tany Ejipta i Jakôba, ka tany no nahafatesan’izy sy ny razantsika.

16 Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana izay novidin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hemora tany Sikema.»

17 «Nony efa akaiky ny fotoana hahatanterahan’ny teny napetrak’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia nitombo sy nihabetsaka ny olona tany Ejipta,

18 mandra-pitsangan’ny hafa tany, izay tsy nahalala an’i Josefa.

19 Nanao hafetsen-dratsy tamin’ny firenentsika izany mpanjaka izany, ka nampahory ny razantsika tamin’ny famoretana azy hanary ny zaza vao teraka, mba tsy ho velona ireny.»

20 «Tamin’izany andro izany no nahaterahan’i Môizy,izay tsara tarehy teo imason’Andriamanitraka notezaina telo volana teo an-tranon-drainy aloha.

21 Ary nony nariana indray, dia nalain’ny zanaka vavin’i Faraôna, sy notezainy ho zanany izy,

22 ka nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny mponina any Ejipta, sy nahery tamin’ny teniny aman’asany.

23 Nony efapolo taona izy, dia tonga tao an-tsainy ny hamangy nyzanak’i Israely rahalahiny.

24 Dia nahita anankiray tamin’izy ireo nampahorîna izy, ka niaro azy, sy namono nahafaty an’ilay Ejiptianina nampahory azy mba hamaliany faty an’ireo.

25 Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny, fa ny tanany no hamonjen’Andriamanitra azy, kanjo tsy fantany.

26 Ny ampitson’iny, dia tojo roa lahy niady izy, ka nanao izay hihavanany sy nilaza hoe: ‹Ry sakaiza, mpirahalahy ianareo, ka nahoana no dia mifamely?›

27 Fa natosik’ilay namely maina ny namany izy ka nataony hoe: ‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara anay?

28 Sao dia tadiavin’ialahy hovonoina, tahaka an’ilay Ejiptianina omaly koa anie aho?›

29 Dia nandositra i Môizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin’ny tany Madiàna, ary niteraka zanaka roa lahy tany.»

30 «Rehefa afaka efapolo taona,dia nisy Anjelyniseho taminy, tany an’efitry ny tendrombohitra Sinaia, teo anaty lelafo amin’ny hazo kely milobolobo.

31 Gaga i Môizy nahita izany;ary nony nanatona handinika izy, dia nandre ny feon’ny Tompo nanao hoe:

32 ‹Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba.› Tera-kovitra terỳ i Môizy ka tsy sahy nijery akory.

33 Ary hoy ny Tompo taminy:‹Esory ny kiraro amin’ny tongotrao, fa masina io tany hitsahinao io.

34 Efa hitako ny fahorian’ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany, ka nidina hanafaka azy Aho. Ary ankehitriny handeha hirahiko ho any Ejipta ianao.›»

35 «Io ilay Môizy nolaviny sy nataony hoe:‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara?›Kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban’ilay Anjely niseho taminy tao amin’ny hazo kely milobolobo.

36 Izy ihany no nanafaka azy ireo,tamin’ny fahagagana amam-pamantarana nataony tany Ejipta,sy tao amin’ny ranomasina Mena, arytany an’efitra efapolo taona.

37 Io Môizy io ihany koa no nilaza tamin’ny zanak’i Israely hoe:‹Andriamanitra hanangana Mpaminany anankiraytahaka ahy ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, dia hihaino azy ianareo.›

38 Izy ihany koa, tamin’ny fiangonana tany an’efitra, nomban’ny Anjely niteny taminy teny an-tendrombohitra Sinaia sy ny razantsika, no nandray ny tenin’ny fiainana sy namindra azy tamintsika.

39 Nefa tsy nety nanaiky azy ny razantsika, fa nanohitra azy, ary vao mainkamanina an’i Ejipta aza

40 ka nanao tamin’i Aarôna hoe: ‹Anaovy andriamanitra izahay hitari-dalana anay, fa tsy fantatray izay nanjò an’ilay Môizy nitondra anay avy tany Ejipta iny.› »

41 Dia nanao sarin-janak’omby izy ireo tamin’izany andro izany,ka nanao soronatamin’io sary io, ary niravoravo tamin’ny asan-tanany.

42 Fa nilaozan’Andriamanitra izy ireo, ka navelany hanompo ny tafiky ny lanitra.

43 Tsia, fa ny tranolain’i Môlôka no nentinareo sy ny kintan’i Raifàna andriamanitrareo, dia ireo sarin-javatra hataonareo hivavahana. Noho izany, dia hafindrako ho any an-dafin’i Babilôna kosa ianareo, araka izay voasoratra amin’ny bokin’ny mpaminany hoe:Ry taranak’i Israely, moa nanolotra sorona sy fanatitra tamiko ianareo, nandritra ny efapolo taona tany an’efitra?

44 Ny tranolain’ny fanekena dia tao amin’ny razantsika tany an’efitra, araka ny didin’Ilay nilaza tamin’i Môizy hanao azy araka ny marika efa hitany.

45 Io tranolay io, tamin’ny andron’i Jôsoe, dia noraisin’ny razantsika ka nentiny niditra tany amin’ny tanin’ireo firenena izay noroahin’Andriamanitra teo anoloan’izy ireo, ary naharitra hatramin’ny andron’i Davida.

46 Nankasitrahin’Andriamanitra io mpanjaka io, ka nangatakamba hanao trano ho an’ny Andriamanitr’i Jakôba;

47 kanefai Salômôna ihany no nanao trano ho Azy.

48 Tsy mitoetra ao amin’izay trano nataon-tanan’olona anefa ny Avo indrindra araka ny voalazan’ny mpaminany hoe:

49 Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy ny Tompo. Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako?

50 Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?

51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo aman-tsofina, manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva ianareo; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.

52 Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo ny hahatongavan’ilay Marina aza; ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy.

53 dia ianareo izay nahazo ny Lalàna tamin’ny alalan’ny Anjely, kanefa tsy nitandrina azy.

54 Nony nandre izany izy ireo, dia nisafoaka ny fony, ary nihidy vazana taminy izy.

I Saoly mpanenjika

55 Fa i Etienina kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny Voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, ary nanao hoe: «Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin’ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.»

56 Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadìny no niara-niantoraka taminy.

57 Dia notarihiny tany ivelan’ny tanàna izy, ka notorahany vato; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.

58 Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etienina kosa nivavaka nanao hoe: «Jesoa Tompo ô! raiso ny fanahiko.»

59 Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.» Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 8

1 Tamin’izany andro izany, dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apôstôly ihany.

2 Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an’i Etienina, sady nitomany azy fatratra.

3 Fa i Saoly kosa nanenjika ny Eglizy; nidirany nosarihiny tany an-trano na lahy na vavy, ka nataony an-tranomaizina.

I Filipo tany Samaria

4 Ry zareo niely tamin’izay, dia nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra.

5 Ary i Filiponidina tany an-tanànan’i Samaria, ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.

6 Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy.

7 Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa;

8 ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!

I Simôna mpanao mazia

9 Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Simôna, izay efa tao an-tanàna rahateo: mpamoha angatra nahatalanjona ny vahoakan’i Samaria izy io, ka nanao ny tenany ho zavatra.

10 Nanaraka azy avokoa ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe, fa «ity lehilahy ity no Herin’Andriamanitra izay atao hoe Hery lehibe,» hoy izy ireo.

11 Efa voarebirebin’ny zava-mahatalanjona nataony hatry ny efa izy ireo, ka izany no nanarahany azy.

12 Fa rehefa nino an’i Filipo izay nitory ny fanjakan’Andriamanitra sy ny Anaran’i Jesoa Kristy izy ireo, dia natao Batemy avokoa na lahy na vavy.

13 Na ny tenan’i Simôna aza dia mba nino; ary rehefa natao Batemy izy dia tsy nahasaraka an’i Filipo, sady talanjona erỳ nahita ny famantarana amam-pahagagana lehibe tanteraka teo anatrehany.

14 Rehefa ren’ny Apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany.

15 Nony tonga tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina;

16 satria vita Batemy tamin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza.

17 Dia nametrahany tananaizy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina.

18 Nony hitan’i Simôna fa fametrahan’ny Apôstôly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nanolotra vola azy izy.

19 nanao hoe: «Mba omeo ahy koa izany fahefana izany mba handray ny Fanahy Masina izay rehetra hametrahako tanana.» Fa hoy i Piera taminy:

20 «Aoka ho very miaraka amin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bolany fanomezan’Andriamanitra.

21 Tsy manana anjara amin’ity raharaha ity ianao na dia kely aza, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra.

22 Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ary mangataha amin’ny Tompo mba hamela izany hevitry ny fonao izany raha azo atao,

23 satria hitako fa mbola anatin’ny fialonana mangidy sy voafatotry ny ota mihitsy ianao.»

24 Dia namaly i Simôna ka nanao hoe: «Mivavaha ho ahy amin’ny Tompo ianareo, mba tsy hanjò ahy izay voalazanareo.»

25 Nony efa nanambara sy nitory ny tenin’ny Tompo izy roa lahy, dia niverina tany Jerosalema, ka nitory ny Evanjely tamin’ny vohitra maro eran’i Samaria.

I Filipo manao Batemy ilay olom-bositra

26 Ary nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo ka nanao hoe: «Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.»

27 Dia nitsangana izy ka nandeha. Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiôpia, olom-bositra sy manamboninahitra lehibe tao amin’i Kandasy mpanjakavavin’i Etiôpia, sady mpitandrina ny fananany rehetra, tonga tao Jerosalema mba hivavaka.

28 Nony niverina izy, ka nipetraka teo ambonin’ny kalesiny, dia namaky ny bokin’i Izaia mpaminany.

29 Ary hoy ny Fanahy Masina tamin’i Filipo: «Mandehana manatona io kalesy io.»

30 Dia nihazakazaka i Filipo ka nandre ilay olona namaky ny bokin’i Izaia mpaminany, ary nanao taminy hoe: «Moa fantatrao tsara va izay vakinao?»

31 Ka hoy izy: «Hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?» Dia nangataka an’i Filipo hiakatra ho eo aminy izy.

32 Ary izao no novakiny tao amin’ny Soratra Masina:«Nentina hovonoina mova tsy ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava toy ny zanak’ondry moana eo anatrehan’ny mpanety Azy.

33 Fitsarana miangatra erỳ no nanesorana Azy;ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nongotana tamin’ny tanin’ny velona izy?»

34 Dia niteny tamin’i Filipo ilay olona nanao hoe: «Masìna ianao, iza no antsoin’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany ve sa olon-kafa?»

35 Ary i Filipo niloa-bava, nanomboka tamin’ireo tenin’ny Soratra Masina ireo, ka nitory an’i Jesoa taminy.

36 Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano, ka hoy ilay manamboninahitra: «Indro eo rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao Batemy?»

37 Dia hoy i Filipo: «Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao, dia azo atao ihany izany.» Ary namaly izy nanao hoe: «Mino aho fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra.»

38 Dia nasainy najanona ny kalesy, ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy i Filipo, ka nanao Batemy azy i Filipo.

39 Nony niakatra avy teo amin’ny rano izy ireo, nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny lalany an-kafaliana izy.

40 Fa i Filipo kosa tonga tany Azota, ary nitory ny Evanjely tamin’ny tanàna rehetra nandalovany mandra-pahatongany tany Sezarea.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 9

Ny niantsoana an’i Saoly

1 Tamin’izany i Saoly, dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo, ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,

2 nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany, na lahy na vavy.

3 Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy.

4 Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nanao taminy hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahyianao?»

5 Ka hoy izy: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Ary hoy ny Tompo: «Izaho no Jesoa izay enjehinao; sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.»

6 Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe: «Tompo ô! inona no tianao hataoko?»

7 Ary hoy ny Tompo taminy: «Mitsangàna, ka midira ao an-tanàna, ary ao no holazaina aminao izay tsy maintsy ataonao.» Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy, fa nandre ny feo, nefa tsy nahita olona na iza na iza.

8 Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasy.

9 Ary hateloana izy no tsy nahita, sady tsy nihinana na nisotro.

10 Tao Damasy fahizay dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania; nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe: «Ry Anania.» Dia hoy izy: «Inty aho, Tompoko.»

11 Ary hoy ny Tompo taminy: «Mitsangàna, ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy; tadiavo ao an-tranon’i Jodà, fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsa efa mivavaka izy izao.»

12 (Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahyanankiray tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania izay niditra sy nametra-tanana taminy mba hampahiratra azy).

13 Ary i Anania namaly hoe: «Tompoko, reko tamin’ny olona maro fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io tamin’ny olonao masina tao Jerosalema;

14 ary atỳ indray izy izao nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona indray koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.»

15 Fa hoy ny Tompo taminy: «Mandehana, fa io lehilahy io dia fanaka voafidyho Ahy, hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;

16 ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany noho ny Anarako.»

17 Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tananataminy nanao hoe: «Ry Saoly rahalahy, i Jesoa Tompo Izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao sy ho feno ny Fanahy Masina.»

18 Niaraka tamin’izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao Batemy;

19 ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray.

Toritenin’i Paoly tany Damasy

Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly,

20 ary nitory teo amin’ny sinagoga niaraka tamin’izay izy, ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.

21 Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: «Tsy ity va ilay nanenjika an’izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema, sy tonga atỳ mba hitondra azy am-patorana ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona»

22 Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy, naneho marimarina tamin’izy ireo fa i Jesoa no Kristy.

23 Nony afaka andro maromaro dia nioko hamono azy ny Jody;

24 fantatr’i Saoly ihany anefa ny hevi-dratsiny. Nambenan’izy ireo andro aman’alina ny vavahady mba hamonoany azy;

25 kanjo nalain’ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin’ny sobika, dia nampidininy tamin’ny manda.

Famangian’i Paoly tany Jerosalema

26 Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’i Jesoa koa izy.

27 Tamin’izay nalain’i Baranabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly, dia notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’i Jesoa tao Damasy.

28 Izay vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin’ny Anaran’ny Tompo.

29 Niresaka tamin’ny Jentily koa izy, ary niady hevitra tamin’ny Helenista; kanjo notadiavin’ireo hovonoina.

30 Ka nony fantatry ny rahalahy izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsa.

Andro nilamina

31 Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.

I Piera nanasitrana malemy tao Lidà

32 Tamin’izay, raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin’ny olona masina izay nonina tao Lidà koa,

33 ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,

34 ary nanao taminy hoe: «Ry Enea, hanasitrana anao i Jesoa Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao.» Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.

35 Nony nahita azy izay rehetra nonina tao Lidà sy Sarôna, dia nibebaka nanatona ny Tompo avokoa.

I Piera nanangan-ko velona an’i Dôrkasy vehivavy tao Jôpe

36 Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.

37 Narary izy tamin’izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroina ny fatiny, dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony.

38 Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany; ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: «Aza miatoato hankatỳ aminay.»

39 Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin’ny efitra ambony, ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.

40 Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: «Ry Tabità, mitsangàna.» Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.

41 Ary i Piera kosa nanolo-tanana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.

42 Niely eran’i Jôpe manontolo izany, ka betsaka no nino ny Tompo.

43 Ary i Piera nitoetra andro maromaro tany Jôpe, tao amin’ny mpandòn-koditra anankiray atao hoe Simôna.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 10

I Piera nankany amin’i Kôrnely, mpifehy zato rômanina

1 Ary tany Sezarea nisy lehilahy anankiray atao hoe Kôrnely, kapiteny tamin’ny antoko miaramila atao hoe Italianina.

2 Olona tia vavaka sy natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra, ary nanao fiantrana be tamin’ny olona sy nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva.

3 Indray antoandro tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia nisy Anjelin’Andriamanitra anankiray hitany miharihary tamin’ny tsindrimandry, niditra tao aminy, sy nilaza taminy hoe: «Ry Kôrnely!»

4 Dia nijery azy izy, ka raiki-tahotra, sy nanao hoe: «Ahoana, Tompoko?» Ary hoy ny Anjely taminy: «Tafakatra eo anatrehan’Andriamanitra ho fahatsiarovana anao ny vavakao sy ny fiantranao.

5 Koa ankehitriny, maniraha olona ho any Jôpe haka an’i Simôna anankiray, izay atao hoe Piera.

6 Mitoetra ao an-tranon’i Simôna mpandòn-koditra eo amoron-dranomasina izy, ary izy no hilaza aminao ny tsy maintsy ataonao.»

7 Nony lasa ilay Anjely niteny taminy, dia niantso roa lahy tamin’ny mpanompony i Kôrnely sy miaramila anankiray tia vavaka, anisan’izay nanao raharaha taminy,

8 ka rehefa nitantarany ny zavatra rehetra izy ireo, dia nirahiny ho any Jôpe.

9 Nony ampitso, raha mbola teny an-dalana ireo iraka ireo, ka efa mby akaikin’ny tanàna, i Piera kosa niakatra teo ambonin’ny tampon-trano mba hivavaka, tokony ho tamin’ny ora fahenina.

10 Raha efa izany, dia noana izy ka te hihinana; kanjo, ny olona nanao nahandro ho azy, izy azon-tsindrimandry.

11 Nahita ny lanitra nisokatra izy sy zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra ho etỳ an-tany.

12 Ary tao anatiny nisy ny biby rehetramanan-tongotra efatra, sy ny biby mandady etỳ an-tany, ary ny voromanidina;

13 Dia nisy feo nanao taminy hoe: «Mitsangàna, ry Piera; mamonoa ka mihinàna.»

14 Fa namaly i Piera ka nanao hoe: «Sanatria, Tompoko, tsy mbola nihinan-javatra fady sy maloto aho.»

15 Fa hoy indray ilay feo taminy: «Aza ataonao hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.»

16 Intelo no naverina natao izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’izay ilay zavatra.

17 Mbola mieritreritra ny hevitry ny zavatra hitany tamin’ny tsindrimandry eo i Piera no inay tonga ao am-bavahady ny irak’i Kôrnely manontany ny tranon’i Simôna.

18 Dia niantso izy ireo, ka nanontany raha mitoetra ao i Simôna, izay atao hoe Piera.

19 Amin’izany i Piera dia mbola nieritreritra ny fahitana eo ihany, ka hoy ny Fanahy taminy: «Indreo misy olona telo lahy mitady anao;

20 koa mitsangàna, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, fa aza misalasala, satria izaho no naniraka azy.»

21 Dia nidina niaraka tamin’izay i Piera, nanatona ireo lehilahy ireo, ka nanao taminy hoe: «Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ny nahatongavanareo atỳ?»

22 Ary hoy ny navalin’ireo: «I Kôrnely kapiteny, lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra ary ankasitrahin’ny Jody rehetra, no nahazo teny tamin’ny Anjely masina anankiray mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino ny teninao.»

23 Dia nampiantrano azy mba handry ao i Piera.

Nony ampitso, dia niainga niaraka tamin’izy ireo izy mbamin’ny rahalahy sasany tao Jôpe.

24 Ny ampitson’izay indray, dia niditra tao Sezarea izy. Efa niandry azy izany ry i Kôrnely mbamin’ny havany sy ny sakaiza malalany izay nangoniny.

25 Vao niditra i Piera, dia notsenain’i Kôrnely, ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy.

26 Fa nasain’i Piera nitsangana izy, nataony hoe: «Mitsangàna, fa olona ihany aho.»

27 Sady niresaka taminy izy no niditra tao an-tranony, ary namantana olona betsaka tafavory tao.

28 Dia hoy izy tamin’izy ireo: «Fantatrareo fa fady amin’ny Jody ny mikambana amin’ny Jentily na ny miantrano ao aminy; nefa nasehon’Andriamanitra ahy, fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy madio.

29 Koa tsy nisalasala aho, fa nandeha raha vao nampanalainareo, ka inona àry izato anton’ny nampangalanareo ahy?»

30 Dia hoy i Kôrnely: «Hefarana androany izay, raha nivavaka sy nifady hanina tao an-tranoko aho, dia indro nisy lehilahy niakanjo fotsy nitsangana teo anatrehako tamin’ny ora fahasivy, ka nanao hoe:

31 ‹Ry Kôrnely, nekena ny vavakao, ary notsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao.

32 Koa maniraha ho any Jôpe, ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera, mitoetra ao an-tranon’i Simôna mpandòn-koditra eo amoron-dranomasina, fa izy no hilaza aminao.›

33 Dia naniraka ho any aminao niaraka tamin’izay aho; ka tsara ny nahatongavanao. Koa ankehitriny, vory eto anatrehanao izahay rehetra, mba hihaino ny zavatra rehetra asain’Andriamanitra lazainao aminay.»

Lahatenin’i Piera tany amin’i Kôrnely

34 Dia niloa-bava i Piera ka nanao hoe: «Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra:

35 fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahiny, na aiza na aiza firenena misy azy.

36 Nampitondra teny tamin’ny zanak’i Israely Izy,mba hanambara fiadananaamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay Tompon’izao rehetra izao.

37 Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorìn’i Joany:

38 dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izaynohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masinasy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.

39 Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny Izy nahantony tamin’ny hazo;

40 nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary,

41 tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinana sy nisotro taminy; rehefa nitsangan-ko velona Izy.

42 Izy nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty.

43 Ny mpaminany rehetra koa manambara fa amin’ny Anarany no ahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.»

Natao Batemy ireo Jentily voalohany

44 Mbola miteny eo i Piera no nidina tamin’izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina,

45 ka talanjona fatratra ny mpino voafora tonga teo niaraka tamin’i Piera, nahita fa nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina,

46 satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo.

47 Dia hoy i Piera: «Azo lavina tsy hatao Batemy amin’ny rano va ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto?»

48 Koa ireo, nasainy natao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo; izy kosa nangatahin’ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 11

Nanamarina ny nataony i Piera tany Jerosalema

1 Ren’ny Apôstôly sy ireo havana iray finoana tany Jodea fa hoe nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny Jentily.

2 Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera, dia nomen’ireo mpino voafora tsiny,

3 nataony hoe «Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora, sady niara-nihinana taminy?»

4 Dia nitantara ny zavatra niseho hatramin’ny niandohany i Piera ka nanao hoe:

5 Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho, dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra, tonga tao amiko.

6 Nony nijery azy aho ka nandinika, dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra, ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voromanidina.

7 Ary nisy feo reko koa nanao hoe: Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna.

8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko, tsy mbola nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako.

9 Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe: Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.

10 Intelo no naverina natao izany, dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany.

11 Niaraka tamin’izay, dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako, nirahina avy tany Sezarea hankany amiko.

12 Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko: Aza misalasala hiaraka amin’izy ireo. Dia niaraka tamiko koa ireto havana iray finoana enina ireto, ka niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay.

13 Notantarain-dralehilahy taminay ny nahitany ny Anjely nitsangana tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: Maniraha ho any Jôpe, ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera,

14 fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao sy ny ankohonanao rehetra.

15 Ary raha vao niteny tamin’izy ireo aho, dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika talohakoa ny Fanahy Masina.

16 Tamin’izay dia tsaroako ny tenin’ny Tompo nanao hoe:‹I Joany nanao batemy tamin’ny rano, fa ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina.›

17 Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo, iza moa aho no ho afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?

18 Nony nandre izany izy ireo, dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.

Nanorenana Fiangonana tany Antiôkia

19 Tamin’izany, izay naelin’ny fanenjehana noho ny amin’i Etienina dia tonga hatrany Fenisia sy Sipra ary Antiôkia, nefa tsy nitory teny afa-tsy tamin’ny Jody ihany.

20 Ny sasany tamin’izy ireo anefa, izay lehilahy avy any Sipra sy Sirena, dia mba nisy niteny tamin’ny Grika ihany nony tonga tao Antiôkia, nitory an’i Jesoa Tompo.

21 Nomban’ny tanan’ny Tompo izy ireo, ka betsaka no nino sy nanatona ny Tompo.

22 Nandre ny lazan’izany ny Eglizy tao Jerosalema, ka naniraka an’i Barnabe hankany Antiôkia.

23 Nony tonga tany izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po.

24 Fa lehilahy tsara fanahy izy, sady feno ny Fanahy Masina sy finoana, ka vahoaka betsaka no nikambana tamin’ny Tompo.

25 Dia lasa nankany Tarsa i Barnabe hitady an’i Saoly; ary nony efa hitany izy, dia nentiny nankany Antiôkia.

26 Ka herintaona maninjitra no nanaovany fivoriana tao amin’io Eglizy io, ary vahoaka betsaka no nampianariny. Tao Antiôkia koa no voalohany nandraisan’ny mpianatra ny anarana hoe: Kristianina.

I Barnabe sy i Saoly nirahina ho any Jerosalema

27 Tamin’izany andro izany, dia nisy mpaminany sasanyavy tany Jerosalema tonga tao Antiôkia.

28 Ary voatsindrin’ny Fanahy Masina ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Agabosy, ka nitsangana nilaza fa hisy mosary lehibe amin’izao tontolo izao. Dia tonga tokoa izany tamin’ny andron’ny Klaody.

29 Ary nanapa-kevitra ny mpianatra fa hampitondra fiantrana araka ny ananany, hamonjy ireo havana iray finoana nonina tany Jodea,

30 ka notanterahiny tokoa izany; i Barnabe sy i Saoly no nampitondrainy izany fanampiana izany ho any amin’ny Pretra.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 12

Voasambotra i Piera, fa nafahan’ny Anjely

1 Tamin’izany andro izany, dia nasain’i Herôdampanjaka nosamborina mba hampahoriana ny sasany anisan’ny Eglizy.

2 Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.

3 Nony hitany fa nankasitrahin’ny Jody izany, dia nasainy nosamborina koa i Piera. Andron’ny Azima tamin’izay.

4 Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka nasainy nambenan’andia-miaramilaefatra, misy miaramila efatra avy; fa rehefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy.

5 Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera, dia tsy tapaka ny fivavahana nataon’ny Eglizy ho azy.

6 Tamin’ny alin’ny hamoahan’i Herôda azy, raha natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Piera, sady nifatotra tamin’ny rojo vy roa, ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran’ny tranomaizina,

7 dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina; nanohina ny andilan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe: «Mitsangàna faingana,» dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy,

8 Ary hoy ilay Anjely taminy: «Anaovy ny fehikibonao, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany, ka hoy indray ity Anjely: Tafio ny lambanao, ary manaraha ahy.»

9 Dia nivoaka i Piera ka nanaraka azy; tsy fantany ho tena zavatra anefa ny nataon’ny Anjely, fa nataony ho fahitana fotsiny izany.

10 Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga tao amin’ny vavahady vy, fidirana ao an-tanàna; nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo, dia nizotra tamin’ny lalana iray, vao nilaozan’ilay Anjely tampoka izy.

11 Izay vao nahatsiaro fanahy i Piera, ka nanao hoe: «Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny Anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda, sy ny fanampoizan’ny vahoaka Jody.»

12 Dia nieritreritra kely izy aloha vao nankany an-tranon’i Maria renin’i Joany, izay atao hoe Marka; olona maro no tafavory nivavaka tao.

13 Nodoniny ny vavahady, dia nanatona hihaino ity ankizivavy anankiray atao hoe Rôdy.

14 Vao nahalala ny feon’i Piera io, dia nentin-kafaliana ka tsy ny vavahady no novohainy, fa ny tao an-trano no nihazakazahany nilazana hoe: «Ao am-bavahady ao i Piera.»

15 Dia hoy ireo taminy: «Very saina ianao.» Nefa nilaza marina dia marina izy fa izany tokoa; ka hoy izy ireo: «Anjeliny izany.»

16 Tamin’izany mbola nandondòna ihany i Piera; nony namoha azy izy ireo ka nahita azy vao talanjona foana.

17 Nohofain’i Piera tanana izy ireo mba hangina, dia nitantarany ny namoahan’ny Tompo azy tao an-tranomaizina, sy nilaza hoe: «Ambarao amin’i Jakôbasy amin’ireo havana iray finoana izany.» Raha efa izany dia lasa hankany amin’ny toeran-kafa izy.

18 Nony nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila nikaroka izay nanjavonan’i Piera.

19 Rehefa nampikarohin’i Herôda izy, ka tsy hitany, dia ny mpiambina no nadininy sy nasainy novonoina. Taorian’izany dia niala tany Jodea izy ka nankany Sezarea, ary nitoetra tao.

Ny nahafatesan’i Herôda mpanenjika

20 Tezitra tamin’ny mponina any Tira sy Sidona i Herôda fahizany. Koa nony efa nahazo an’i Blasta mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany ry zareo ireo, dia niara-nanatona azy mba hangataka fihavanana taminy, satria ny tanin’i Herôda no niveloman’ny fireneny.

21 Nony tonga ny andro voatendry, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana i Herôda niakanjo ny fanamian’ny mpanjaka, dia nikabary tamin’izy ireo.

22 Ary ny vahoaka niantso hoe: «Feon’Andriamanitra izany, fa tsy mba feon’olombelona!»

23 Niaraka tamin’izay, dia nisy Anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka maty nohanin’ny kankana.

I Barnabe sy i Paoly nody tany Antiôkia

24 Tamin’izany dia nandroso niely ny tenin’ny Tompo, ka nahavokatra mpianatra maro hatrany.

25 Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema, dia niverina tany Antiôkia izy, ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 13

Ny nanirahana azy mirahalahy

1 Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe Mainty, i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly.

2 Raha nanao fanompoam-pivavahanatamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.»

3 Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tananatamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.

Tany Sipra. I Elimasy mpanao mazia

4 Dia nirahin’ny Fanahy Masina i Saoly sy i Barnabe, ka lasa nankany Seleosia, mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra.

5 Nony tonga tany Salamìna izy, dia nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny sinagogan’ny Jody; nentin’izy ireo hiaraka taminy koa i Joany ho mpanampy azy.

6 Ary rehefa nitety ny nosy manontolo izy ireo ka tonga tany Pafôsy, dia nahita Jody anankiray atao hoe Barjesoa mpamoha angatra sy mpaminany sandoka,

7 izay nitoetra tao amin’ny governora Serjio Paoly lehilahy hendry. Nampanalain’ity governora i Barnabe sy i Paoly, fa naniry handre ny tenin’Andriamanitra izy.

8 Nefa nanohitra azy roa lahy i Elimasy ilay mpamoha angatra (fa izany no dikan’ny anarany), ka nitady hisakana ny governora tsy hanaiky ny finoana.

9 Tamin’izay dia feno ny Fanahy Masina i Saoly, izay atao hoe koa Paoly, ka nibanjina azy,

10 sy nanao taminy hoe: «Akay, ry ilay feno fitaka sy hafetsen-dratsy ity, zanaky ny devoly sy fahavalon’ny marina rehetra! Tsy hitsahatra ny hampivily ny lala-mahitsin’ny Tompo va ialahy?

11 Ary indro ankehitriny, hamely an’ialahy ny tanan’ny Tompo, ka ho jamba tsy hahita ny masoandro ialahy mandra-pahatongan’ny fotoana.» Niaraka tamin’izay, dia nosaronan’ny haizim-pito izy.

12 Nony nahita izany ny governora, dia talanjona ka nino ny fampianaran’ny Tompo.

Tonga tany Antiôkia any Pisidia izy roa lahy

13 Dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perja any Panfilia; ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany, ka lasa niverina tany Jerosalema.

14 Fa izy ireo kosa niala tany Perja, dia tonga tany Antiôkia any Pisidia, ary niditra tao amin’ny sinagoga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.

15 Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagoga nanao hoe: «Ry rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.»

16 Dia nitsangana i Paoly, nanofa tanana azy hangina, ka nanao hoe:

Toritenin’i Paoly teo anatrehan’ny Jody

«Mihainoa, ry Israelita, sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra.

17 Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika, sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao.

18 Namelona azy tokony ho efapolo taona tany an’efitra Izy,

19 ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaàna Izy dia nanome ny faritan’ireny ho fananany,

20 tokony ho dimampolo sy efajato taona. Taorian’izany dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoely mpaminany.

21 Nony afaka izany dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy, lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina, naharitra efapolo taona.

22 Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo, dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe:Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.»

23 Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely.

24 Talohan’ny nahatongavany anefa, dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra;

25 ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy: «Tsy izaho no Ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako Izy, ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho.»

26 Ry rahalahy taranak’i Abrahama, sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao,

27 satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala Azy, ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakina isan-tsabata, tamin’ny nanamelohany Azy;

28 ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty.

29 Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy, vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana.

30 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona.

31 Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin’izay niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema Izy, ka dia ireo no vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny.

32 Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin’ny razantsika,

33 fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany, tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona, araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe:Zanako Ianao; Izaho no niteraka Anao androany.

34 Ary voalazany fa natsangany ho velona Izy, ka tsy hiverina amin’ny lo intsony, tamin’ny teny hoe:Homeko anareo ny fanambinana nanomezan-toky an’i Davida;

35 ary tamin’ny teny hafa koa hoe:Tsy havelanao ho tratry ny lo ny Masinao.

36 Raha i Davida aloha, dia nody mandry izy rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny androny, ka nakambana tamin’ny razany, sytratry ny lo;

37 fa izay natsangan’Andriamanitra ho velona no tsytratry ny lo.

38 Aoka ho fantatrareo àry, ry rahalahy, fa Izy ihany no itoriana famelan-keloka aminareo, ary ny ota rehetra tsy nahazoanareo fanamarinana tamin’ny Lalàn’i Môizy,

39 dia ao aminy no anamarinana an’izay rehetra mino mba ho afaka amin’izany.

40 Koa mitandrema ianareo fandrao dia iharan’izay voalazan’ny mpaminany hoe:

41 Mihevera, ry mpamotsifotsy, ka migagà sy levòna ianareo; fa Izaho hanao zavatra anankirayamin’ny andronareo, dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.

42 Nony nivoaka izy ireo, dia nangatahiny mba hilaza izany teny izany indray amin’ny sabata manaraka.

43 Rehefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny prôselita nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary izy roa lahy kosa niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

Tenin’i Paoly sy i Barnabe tamin’ny Jentily

44 Tamin’ny sabata nanaraka, dia saika tafangona hihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.

45 Fa feno fialonanany Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy.

46 Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: «Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho ianareo mandà azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin’ny Jentily izahay.

47 Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:Efa natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianareo, mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazantany».

48 Faly ny Jentily nony nandre izany, ka nankalaza ny tenin’ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

49 Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.

50 Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.

51 Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo, dia lasa nankany Ikonioma,

52 ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 14

Fitoriana ny Vaovao Mahafaly tany Ikonioma

1 Nony tany Ikonioma izy roa lahy, dia niara-niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jody ka nitory teny, ary betsaka no nino, na Jody na Jentily.

2 Ny Jody izay tsy nino anefa, dia nitarika sy nanome fo ny Jentily hanohitra ny rahalahy.

3 Fa na izany aza, dia nitoetra ela tao ihany izy roa lahy, ka nitory tamin-kasahiana noho ny fitokiany ny Tompo, izay nanamarina ny tenin’ny fahasoavany tamin’ny nampanaovana azy ireo famantarana sy fahagagana.

4 Dia nisara-tsaina ny olona rehetra tao an-tanàna, ny sasany nomba ny Jody, ny sasany nomba ny Apôstôly;

5 Efa nivonon-kanala baràka sy hitora-bato ny Apôstôly ny Jentily sy ny Jody mbamin’ny lehibeny;

6 saingy reny izany, ka lasa nankany Listra sy Derbe, tanàna any Likaônia, ary tamin’ny tany rehetra manodidina izy ireo, dia nitory ny Evanjely tany.

Ny nanasitranana olona malemy

7 Tany Listra, nisy lehilahy anankiray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy mbola namindra, fa nipetraka hatrany hatrany.

8 Nihaino an’i Paoly nitory teny izy io, ary nibanjina azy i Paoly, ka nahita fa nino izy fa ho sitrana,

9 dia hoy izy tamin’ny feo mahery: «Mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao.» Dia niantsàmbotra ralehilahy, ka namindra.

10 Nony hitan’ny vahoaka ny nataon’i Paoly, dia niantso mafy tamin’ny fitenin’i Likaônia izy nanao hoe: «Andriamanitra maka endrik’olona no nidina nankatỳ amintsika.»

11 Dia i Barnabe moa nantsoiny hoe Jopitera, ary i Paoly kosa Merkiora satria izy no mpandaha-teny.

12 Mihoatra noho izany, ny mpisoron’i Jopitera takaikin’ny tanàna mbamin’ny vahoaka aza, dia efa nitondra ombalahy sy fehiloha teo am-bavahady mihitsy, ka nikasa hanao sorona.

13 Fa nony nandre izany ny Apôstôly Barnabe sy Paoly, dia nandriatra ny akanjony, ka nandroso teo afovoan’ny vahoaka niantso mafy hoe:

14 «Nahoana ray olona, no dia manao izany ianareo? Izahay dia olombelona toa anareo ihany, ka ny mitory aminareo no anay, mba hialanareo amin’izao zava-poana izao, sy hanatonanareo an’Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao amin’ireo.

15 Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin’ny lalana tiany izy;

16 kanefa tsy nitsahatra ny nanisy vavolombelona hanambara ny Tenany mandrakariva tamin’ny soa nataony, dia ny mandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra, ny mahavokatra ny tany amin’ny fotoana, ka mahavoky hanina antsika, sy mahafeno hafaliana ny fontsika.»

17 Fa na dia izany aza no tenin’izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy.

Nifarana ny asa anirahana

18 Tamin’izay dia nisy Jody tonga avy tany Antiôkia sy Ikonioma, nanome fo ny vahoaka, ka nitora-bato an’i Paoly izy ireo, sy nitarika azy ho any ivelan’ny tanàna, satria nataony ho efa maty izy.

19 Kanjo nony tonga nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy, ka niditra tao an-tanàna. Ny ampitso ihany dia lasa nankany Derbe izy sy i Barnabe.

20 Ary rehefa nitory ny Evanjely tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina tany Listra sy Ikonioma ary Antiôkia,

21 nankahery fo ny mpianatra, sy namporisika azy haharitra amin’ny finoana, ary nilaza fa amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

22 Isan’Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.

23 Dia namaky an’i Pisidia izy ireo, ka tonga tany Panfilia.

24 Ary rehefa nitory ny tenin’ny Tompo tany Perja izy, dia nidina nankany Atalia.

25 Avy ao izy, dia niondrana an-tsambo hankany Antiôkia, fa teo no nanolorana azy hoentin’ny fahasoavan’Andriamanitra hanao ny asa izay vitany.

26 Vao tonga tao izy, dia namory ny fiangonana, ka nitantara ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminy, sy ny namohàny ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentily.

27 Ary elaela ihany no niarahany nitoetra tamin’ny mpianatra tao Antiôkia.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 15

Ady hevitra tany Antiôkia

1 Ary nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe: «Raha tsy forana araka ny Lalàn’i Môizy ianareo, dia tsy ho voavonjy.»

2 Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe, dia izao no hevitra nifanarahana: hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe, ary ny sasany amin’izy an-daniny, handinika amin’ny Apôstôlysy ny Pretra ilay zavatra niadiany hevitra.

3 Dia naterin’ny fiangonana teny ho eny izy ireo, vao nanohy ny diany namaky an’i Fenisia sy i Samaria, nitantara ny nibebahan’ny Jentily, ka nahafaly indrindra ny havana rehetra iray finoana izany.

4 Nony tonga tany Jerosalema izy ireo, dia noraisin’ny Eglizy sy ny Apôstôly mbamin’ny Pretra, ary nilaza ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminy.

Ady hevitra tany Jerosalema

5 Fa mba nitsangana kosa ny mpino sasany tariky ny Farisianina, ka nanao hoe: «Tsy maintsy forana ny Jentily, sy didiana hanaraka ny Lalàn’i Môizy.»

6 Dia nivory ny Apôstôlysy ny loholona mba handinika izany raharaha izany,

7 ka niady hevitra mafy naharitra ela; fa nitsangana i Piera ka nanao taminy hoe:

Lahatenin’i Piera

«Ry havana iray finoana, fantatrareo fa efa ela izay no nifidianan’Andriamanitra ahy teto aminareo mba handrenesan’ny Jentily amin’ny vavako ny tenin’ny Evanjely sy hinoany.

8 Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo, dia naneho ny fankasitrahany azy ireo tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;

9 nataony tsy nisy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony.

10 Koa nahoana àry no maka fanahy an’Andriamanitra ianareo izao, ka manisy jioga amin’ny vozon’ny mpianatra, nefa samy tsy nahazaka izany na isika na ny razantsika?

11 Fa noho ny fahasoavan’i Jesoa Tompo ihany no inoantsika hahazoana famonjena, tahaka ny azy ireo ihany koa.»

12 Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an’i Barnabe sy i Paoly nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny Jentily.

Lahatenin’i Jakôba

13 Nony nitsahatra ny tenin’izy roa lahy, dia namaly i Jakôba nanao hoe: Ry rahalahy, henoy aho.

14 Ny amin’ny namangian’Andriamanitra ny Jentily aloha, mba hangalany vahoaka hanaja ny Anarany amin’izy ireo, dia efa voatantaran’i Simôna.

15 Ary mifanaraka amin’izany koa ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:

16 Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho, ka haoriko indray ny tranon’i Davida izay efa nianjera; hamboariko izay rava, dia hatsangako indray izy,

17 mba hitady ny Tompo ny olona sisa mbamin’ny Jentily rehetra izay niantsoana ny Anarako, hoy ny Tompo,

18 izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatrizay hatrizay izany.

19 Koa amin’izany, izao no hevitro: tsy mety ny manome fahasahiranana ny Jentily izay manatona an’Andriamanitra,

20 fa aoka hampitondrana taratasy izy ireo mba hifady ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny fijangajangana, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny ra.

21 Fa hatramin’ny taranaka mifanesy hatry ny ela dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra i Môizy, satria vakina ao amin’ny sinagoga isan-tsabata ny teniny.

Taratasy avy amin’ny Apôstôly

22 Nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra izany; ka nifidy ny sasany tamin’izy rehetra izy ireo, mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy i Barnabe: dia i Jodà izay atao hoe Barsabasy, sy i Silasy, lehilahy lohandohany tao amin’ny havana iray finoana, no laniny.

23 Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo:

«Ny Apôstôly sy ny Pretra ary ny rahalahy avy miarahaba ny rahalahy any amin’ny Jentily, izay any Antiôkia sy Siria ary Silisia.

24 Noho ny nandrenesanay fa nisy olona avy tatỳ aminay, izay tsy nahazo teny taminay velively, nampitabataba anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo,

25 dia nivory izahay rehetra, ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo, hiaraka amin’i Barnabe sy i Paoly malalanay,

26 lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

27 Koa indreny i Jodà sy i Silasy nirahinay hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo.

28 Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra ny mavesatra anareo, afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao:

29 dia ny hifadianareo ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny ra, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana; soa ho anareo ny mifady an’izany. Veloma.»

Ireo solontena nankany Antiôkia

30 Dia nalefany izy ireo ka lasa nankany Antiôkia; ary namory ny olona sy nanolotra ny taratasy tamin’izy ireo.

31 Nony namaky izany ny olona, dia nifaly avokoa noho ny fanalana alahelo tao anatiny.

32 I Jodà sy i Silasy, izay mpaminany koa, nanao teny maro mba hanafaka alahelo ny havana iray finoana sy hankahery fo azy ireo.

33 Nony nitoetra teo elaela ihany izy ireo, dia nampandehanin’ny havana iray finoana soa aman-tsara ho any amin’izay naniraka azy.

34 Mbola nankasitraka ny hijanona anefa i Silasy, ka dia i Jodà irery no niverina tany Jerosalema.

35 Ary i Paoly sy i Barnabe kosa nitoetra tany Antiôkia, ka nampianatra sy nitory ny tenin’ny Tompo niaraka tamin’ny namany maromaro.

I Paoly nisaraka tamin’i Barnabe ary naka an’i Silasy

36 Nony afaka andro vitsivitsy, dia hoy i Paoly tamin’i Barnabe: «Andeha indray isika hamangy ny havana iray finoana any amin’ny tanàna rehetra efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.»

37 Ary i Barnabe moa nikasa hitondra an’i Joany, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.

38 Fa i Paoly kosa nangataka ny tsy hitondra an’io, satria efa nandao azy ireo tany Panfilia io fa tsy niara-niasa taminy.

39 Dia nifanditra mafy izy roa lahy, hany ka tafasaraka terỳ: i Barnabe moa nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo hankany Sipra izy roa lahy.

40 Fa i Paoly kosa nifidy an’i Silasy

Tany Likaônia i Paoly naka an’i Timote

41 Namaky an’i Siria sy i Silisia izy, nankahery fo ny Eglizy rehetra, dia nandidy azy hitandrina ny didin’ny Apôstôly sy ny Pretran’ny Eglizy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 16

1 Dia tonga tany Derbe sy Listra izy, ary indro nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timote, zanaky ny vehivavy Jody sady mpino, fa ny rainy no Jentily. dia lasa, rehefa natolotry ny havana iray finoana hoentin’ny fahasoavan’ny Tompo.

2 Tsara laza tamin’ny havana iray finoana tao Listra sy Ikonioma izy,

3 ka tian’i Paoly hoentina miaraka aminy; dia nalainy izy ka noforàny, noho ny Jody izay nitoetra tamin’izany tany izany, satria fantatr’izy rehetra fa Jentily ny rainy.

4 Ary raha nitety ny tanàna izy ireo, dia nasainy notandreman’ny olona ny didy navoakan’ny Apôstôly sy ny Pretra tany Jerosalema.

5 Koa sady nitombo finoana ny Eglizy rehetra no nihamaro isa isan’andro.

Ny nandavana an’i Azia Andrefana

6 Nony avy nitety an’i Frijia sy i Galatia izy ireo, dia noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra any Azia.

7 Efa tonga tany Mizia izy, sy efa niomana ho any Bitinia, nefa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa,

8 ka nandalo faingana an’i Mizia, dia lasa nankany Trôasy.

9 Nony alina, nahita tsindrimandry i Paoly; indro nisy lehilahy anankiray nitsangana teo anatrehany, ka nihanta taminy nanao hoe: «Mità mankatỳ Masedônia, ka vonjeo izahay.»

10 Ary rehefa nahita izany izy, dia nitady hankany Masedònia haingana izahay, satria nahalala marina fa nantsoin’Andriamanitra hitory ny Evanjely amin’ny olona any.

Tonga tany Filipy

11 Koa dia niondrana an-tsambo tany Trôasy izahay, ka nizotra nankany Samôtrasy, ary ny ampitso dia nankany Neapôlisy.

12 Nony niala teo izahay dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’izany faritanin’i Masedônia izany, sy zanatany rômanina. Nampianatra andro vitsivitsy tamin’izany tanàna izany izahay.

13 Ary tamin’ny andro sabata, dia nivoaka teo ivelan’ny vavahady izahay, ka nankeny amoron’ny ony, fa nataonay ho any no toerana fivavahana; nipetraka teo izahay, dia niresaka tamin’ny vehivavy izay tafavory teo.

14 Nisy vehivavy anankiray tamin’izy ireo atao hoe Lidia mpivaro-jaky, avy any an-tanàna Tiatira, izay nivavaka tamin’Andriamanitra; nihaino anay izy, ary nosokafan’Andriamanitra ny fony mba hitandrina izay nolazain’i Paoly.

15 Ary rehefa vita Batemy izy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: «Raha mba ataonareo ho mpanompon’Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.» Nanaovany lemozy mihitsy izahay.

Natao an-tranomaizina i Paoly sy i Silasy

16 Indray andro raha nandeha hivavaka izahay, dia nifanena tamin’ny ankizivavin’olona anankiray izay notsindriam-panahy maminany, ka nampahazo harena be ny tompony tamin’ny faminaniana nataony;

17 Rafitra nanaraka anay sy i Paoly izy io, sady niantso hoe: «Ireto lehilahy ireto no mpanompon’Andriamanitra Avo indrindra, izay hanoro anareo ny lalam-pamonjena.»

18 Andro maro no nanaovany toy izany, ka sosotra i Paoly sy nitodika tamin’ny fanahy nanao hoe: «Mandidy anao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy aho hivoaka aminy.» Dia nivoaka niaraka tamin’izay izy.

19 Nony hitan’ireo tompony fa very ny fanantenany hahazo harena, dia nisambotra an’i Paoly sy i Silasy izy ireo, ka nitondra azy tany amin’ny fitsarana any amin’ny lehibe.

20 Ary nony efa nanolotra azy tamin’ny mpitsara izy ireo, dia nanao hoe: «Mampitabataba ny tanànantsika loatra ireto lehilahy ireto;

21 Jody izy ireo ary mampianatra fanao tsy azontsika raisina na arahina velively, noho ny maha-Rômanina antsika.»

22 Niaraka tamin’izay dia nirohotra hamely azy ny vahoaka; nasain’ny mpitsara nendahana ny lambany vao handalasina amin’ny hazo izy ireo.

23 Ary rehefa naratra be ihany izy, dia nataony an-tranomaizina, ka nasainy nambenan’ny mpiambina mafy.

24 Nony nahazo teny toy izany ny mpiambina, dia nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra, sy nangia ny tongony tamin’ny bolaky hazo.

Nafahana tamin’ny fomba mahagaga ireo irak’Andriamanitra

25 Rehefa tokony ho nisasaka ny alina, dia nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy, ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.

26 Niaraka tamin’izay dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy, nanozongozona ny trano hatrany am-potony, ka nivoha tampoka ny varavarana rehetra, ary nivaha daholo ny fatoran’izy rehetra.

27 Taitra tamin’izay ny mpiambina ny tranomaizina, ka nony nahita ny varavaran’ny tranomaizina nivoha izy, dia nanatsoaka ny sabany ndeha hamono tena, satria nataony ho nitsoaka nandositra ny mpifatotra.

28 Fa niantso tamin’ny feo mahery i Paoly nanao hoe: «Aza mamono tena foana, fa eto daholo ihany izahay rehetra.»

29 Dia nangataka jiro ny mpiambina, ka niditra faingana sady nangovitra niankohoka teo an-tongotr’i Paoly sy i Silasy.

30 Nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: «Tompoko, inona no tokony hataoko mba ho voavonjy aho?»

31 Ary hoy ny navalin’izy roa lahy: «Minoa an’i Jesoa Tompo, dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.»

32 Dia nilazan’izy roa lahy ny tenin’ny Tompo izy sy izay rehetra tao an-tranony.

33 Iny alina iny ihany, dia nitondra azy roa lahy izy, ka nanasa ny feriny; ary tamin’izay ora izay ihany dia natao Batemy izy, sy ny tao an-tranony rehetra.

34 Dia nentiny nankao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany hanina, ary nifaly izy mianakavy rehetra, satria efa nino an’Andriamanitra.

35 Nony maraina ny andro, nirahin-dry zareo lehibe ny mpitan-defona nanao hoe: «Alefaso ireo lehilahy ireo.»

36 Dia nolazain’ny mpiambina ny tranomaizina tamin’i Paoly izany teny izany. «Naniraka handefa anareo ny lehibe, hoy izy, koa mivoaha ankehitriny, ary mandehana soa aman-tsara.»

37 Fa hoy i Paoly taminy: «Lehilahy Rômanina izahay, nefa sady nokapohina ampahibemaso tsy voatsara no natao an-tranomaizina koa indray, ka dia ho azony havoaka an-tsokosoko fotsiny izao ve? Tsy azo atao izany, fa aoka ny tenany no hankatỳ handefa anay.»

38 Dia nolazain’ny mpitan-defona tamin’ny lehibe izany teny izany, ka natahotra izy ireo nony nandre fa hoe Rômanina izy roa lahy;

39 Dia tonga tokoa izy ireo, ka nifona taminy mba hivoaka, sy niangavy taminy mba hiala amin’ny tanàna.

40 Nony avy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’i Lidia; ary rehefa nahita sy nanafaka alahelo ny havana iray finoana izy, dia lasa.