Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 17

Fifanolanana tamin’ny Jody

1 Dia namaky an’i Anfipôlisy sy i Apôlônia izy ireo, ka tonga tany Tesalonika, izay nisy sinagogan’ny Jody.

2 Niditra tao araka ny fanaony i Paoly, ary sabata telo no niadiany hevitra tamin’ny olona tao, momba ny Soratra Masina.

3 Nasehony sy noporofoiny mazava fa tsy maintsy ho nijaly sy nitsangan-ko velona i Kristy, ary izany Kristy izany dia i Jesoa izay toriko aminareo, hoy izy.

4 Nino ny sasany tamin’izy ireo, ka nikambana tamin’i Paoly sy i Silasy, toraka izany koa Jentily maro be tia vavaka, sy vehivavy ambony toetra betsaka.

5 Fa velom-pialonana kosa ny Jody, ka namory olona ratsy fanahy tamin’ny faikan’olona, ary nony tafavory betsaka izy ireo, dia nampitabataba ny tanàna. Nanodidina ny tranon’i Jasôna izy ireo nitady hamoaka azy roa lahy ho eo anatrehan’ny vahoaka.

6 Nony tsy nahita azy roa lahy izy ireo, dia i Jasôna sy ny havana iray finoana sasany no notarihiny ho any amin’ny lehiben’ny tanàna, nampangainy hoe: «Tonga atỳ koa irony olona mpanakorontam-bahoaka irony,

7 ka noraisin’i Jasôna; nefa manohitra ny tenin’i Sezara izy ireo, satria milaza fa misy mpanjaka hafa koa, dia i Jesoa.»

8 Taitra ny vahoaka sy ny lehiben’ny tanàna raha nandre izany,

9 ka tsy navelany handeha i Jasôna sy ny namany raha tsy efa nametraka antoka.

Fifanolanana hafa tany Berea

10 Nony alina, dia nampandehanin’ny havana iray finoana niaraka tamin’izay i Paoly sy i Silasy hankany Berea. Ary nony tonga tany izy roa lahy, dia niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jody.

11 Tsara toe-panahy kokoa ry zareo tao noho ny tany Tesalonika, satria sady nandray ny teny tamin-jotom-po lehibe izy ireo no nandinika ny Soratra Masina isan’andro, mba hahitany raha mifanaraka amin’izay ampianarina azy na tsia.

12 Koa betsaka tamin’izy ireo no nino, ary maro koa ny vehivavy Jentily ambony toetra sy ny lehilahy no nandray ny finoana.

13 Nony ren’ny Jody tany Tesalonika anefa fa nitory ny tenin’Andriamanitra tany Berea i Paoly, dia nankany indray izy ireo, nampitaitra sy nampitabataba ny vahoaka.

14 Niaraka tamin’izay, dia nampandehanin’ny rahalahy i Paoly hankany amoron-dranomasina, fa i Silasy sy i Timote no nijanona tao Berea.

15 Niaraka tamin’i Paoly hatrany Atena ry zareo nanatitra azy; raha efa izany dia nohafaran’i Paoly handefa an’i Silasy sy i Timote hanatona azy faingana izy ireo, dia lasa.

I Paoly tany Atenina

16 Raha mbola niandry azy ireo tany Atena i Paoly, dia nangorakoraka ny fanahiny, nahita ity tanàna feno sampy.

17 Koa dia niady hevitra tamin’ny Jody sy ny prôselita tao amin’ny sinagoga izy, ary tamin’izay tafavory tao an-kianja isan’andro.

18 Nisy filôzôfysasany tamin’ny Epikorianina sy ny Stôisianina niady hevitra taminy koa. Hoy ny sasany: «Inona re no tadiavin’io mpibedibedy io e?» Ary hoy kosa ny sasany nandre azy nitory an’i Jesoa sy ny fitsanganan’ny maty: «Toa mitory andriamani-baovao izy izany.»

19 Dia nalain’izy ireo i Paoly, ka nentiny tany amin’ny Areôpazy, nilazany hoe: «Mba azonay fantarina va re izao fampianarana vaovao lazainao izao e?

20 Fa zavatra tsy fandren’ny sofinay no lazainao; koa mba ta hahalala izay hevitr’izany izahay.»

21 Fa ny Atenianina rehetra sy ny vahiny nitoetra tao, dia tsy nandany ny andro afa-tsy tamin’ny filazana na fihainoana zava-baovao.

22 Dia nitsangana teo afovoan’i Areôpazy i Paoly ka nanao hoe:

Lahatenin’i Paoly teo amin’ny Areôpazy

«Ry lehilahy Atenianina, hitako amin’ny zavatra rehetra etoana fa olona fatra-pivavaka loatra ianareo.

23 Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo, dia nahita ôtely anankiray misy izao soratra izao: ‹Ho an’ny Andriamanitra tsy fantatra›. Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no toriko aminareo:

24 Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany.

25 Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra.

26 Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy,

27 mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza Izy;

28 fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika, araka ny voalazan’ny mpanao tononkira sasany taminareo hoe: ‹Taranany koa isika.›

29 Koa raha taranak’Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tanana amam-pahaizan’ny olombelona.

30 Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizany; fa asainy mibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao.

31 Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an’izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty.»

32 Nony nandre izany hoe fitsanganan’ny maty izy ireo, dia nihomehy ny sasany, fa ny sasany kosa nanao hoe: «Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany.»

33 Toy izany no nialan’i Paoly teo amin’izy ireo.

34 Nisy olona vitsivitsy nino sy nikambana taminy ihany anefa; anisan’ireo i Denis isan’ny Areôpazy, sy vehivavy anankiray atao hoe Damarisy, ary ny sasany hafa koa.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 18

Ny niorenan’ny Fiangonana tany Kôrinty

1 Taorian’izany, dia niala tao Atenina i Paoly ka nankany Kôrinty.

2 Ary tao izy dia nahita Jody anankiray atao hoe Akilasy teraka tany Pônto, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin’i Prisila vadiny fa nodidian’i Klaodyhiala tany Rôma ny Jody rehetra, ka nanatona azy mivady.

3 Iray raharaha taminy izy, fa ny manao lay no raharahany, ka dia nitoetra niasa tao izy.

4 Nampianatra isan-tsabata izy tao amin’ny sinagoga ary nampanaiky ny Jody sy ny Jentily.

5 Nony tonga avy tany Masedônia i Silasy sy i Timote, dia nahery nitory teny i Paoly, ka nanamarina tamin’ny Jody fa i Jesoa no Kristy.

6 Ary noho izy notoherin’ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin’ireo: «Aoka ho eo amin’ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin’izao dia any amin’ny Jentily no halehako.»

7 Nony niala teo izy, dia niditra tao an-tranon’ny olona anankiray atao hoe Tito ilay Marina; lehilahy natahotra an’Andriamanitra izy io, ary nifanolotra tamin’ny sinagoga ny tranony.

8 Ary nino ny Tompo i Krisposa lehiben’ny sinagoga mbamin’ny ankohonany rehetra; ka nisy maro ny tao Kôrinty no nino sy natao Batemy koa, nony efa nihaino an’i Paoly.

9 Indray alina, dia hoy ny Tompo tamin’i Paoly tamin’ny tsindrimandry: «Aza matahotra, fa mampianara, ka aza mangina.

10 Satria momba anao Aho, ka tsy hisy olona hahazo hanisy ratsy anao, sady be ny vahoakako amin’ity tanàna ity.»

11 Dia nitoetra taoherintaona sy enim-bolana izy, nampianatra ny tenin’Andriamanitra tao.

I Paoly notorin’ny Jody tamin’ny fitsarana

12 Ary nony i Galiôna no governora tao Akaia, dia niray tetika hamely an’i Paoly ny Jody, ary nitondra azy teo amin’ny fitsarana,

13 ka nanao hoe: «Ilay ity mitaona ny olona hanaraka fombam-pivavahana mifanohitra amin’ny Lalàna.»

14 Nony niloa-bava ndeha hamaly i Paoly, dia hoy i Galiôna tamin’ny Jody: «Ry Jody, ny amin’ny ratsy natao, na ady heloka no ihainoako ny fitorianareo;

15 fa raha izay ady hevitra momba ny fampianarana sy ny anarana, ary ny lalànareo kosa, raharahanareo izany, ka tsy te hitsara an’izany aho.»

16 Dia noroahiny hiala teo amin’ny fitsarana izy ireo.

17 Tamin’izay dia nosamborin’izy rehetra i Sôstena lehiben’ny sinagoga, ka nokapohiny teo anoloan’ny fitsarana; fa tsy nahoan’i Galiôna akory izany.

Niverina tany Antiôkia i Paoly dia nanomboka ny dia fahatelo

18 Mbola nitoetra tao Kôrinto andro maromaro ihany i Paoly, vao nanao veloma ny havana iray finoana, ka niondrana nankany Siria, niaraka tamin’i Prisila sy i Akilasy, ary nohetezany tao Senkrea ny volon-dohany, fa nisy voady nataony.

19 Tonga tany Efezy izy ireo, dia nandao azy mivady i Paoly, ka niditra tao amin’ny sinagoga, niady hevitra tamin’ny Jody.

20 Nangataka azy hitoetra elaela kokoa izy ireo, nefa tsy nety izy,

21 fa nanao veloma azy ireo nanao hoe: «Mbola hiverina atỳ aminareo ihany aho raha sitrak’Andriamanitra»; dia niala tao Efezy izy;

22 ka rehefa tafatody tany Sezarea izy dia niakatra tany Jerosalema, niarahaba ny Eglizy, vao nidina nankany Antiôkia.

23 Ary nony nitoetra kelikely tao izy, dia lasa nitety ny tany Galasia sy Frijia, nankahery fo ny mpianatra rehetra.

I Apôlô

24 Ary nisy Jody anankiray atao hoe Apôlô tonga tao Efezy; teraka tany Aleksandria izy io, ary lehilahy nahay nandaha-teny sy nahalala tsara ny Soratra Masina.

25 Efa nianatra ny Lalan’ny Tompo izy, ary niteny tamin-kafanam-po, ka nampianatra tsara ny amin’i Jesoa na dia ny batemin’i Joany ihany aza no fantany.

26 Niteny tamin-kasahiana teo amin’ny sinagoga izy, ka nony ren’i Prisila sy i Akilasy, dia nalainy hankeo aminy, nampianariny tsaratsara kokoa ny Lalan’ny Tompo.

27 Naniry hankany Akaia izy, ka nankasitrahin’ny havana iray finoana izany, dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan’ny any azy tsara. Nony tonga tany izy, dia nahavita soa be tamin’izay efa nino noho ny fahasoavana.

28 Fa nahery nandresy lahatra ny Jody ampahibemaso izy, nampiharihary tamin’ny Soratra Masina fa i Jesoa no Kristy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 19

Ireo Joanita tao Efezy

1 Raha mbola tany Kôrinty i Apôlô, i Paoly kosa tonga tany Efezy rehefa nitety ny faritany ambony tany Azia. Nony nahita ny mpianatra sasany teo izy,

2 dia nanao taminy hoe: «Efa nandray ny Fanahy Masina va ianareo, fony vao nino?» Fa hoy izy ireo taminy: «Tsy mbola nandre akory aza izahay fa hoe misy Fanahy Masina.»

3 Ary hoy izy: «Batemin’iza no noraisinareo?» «Batemin’i Joany,» hoy ireo.

4 Dia hoy i Paoly: «Batemim-pibebahana no nomen’i Joany, fa Ilay ho avy ao aoriany, izany hoe i Jesoa no nambarany ho tsy maintsy hinoan’ny vahoaka.»

5 Nony nahare izany izy ireo, dia nangataka hatao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo;

6 ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana indray, dia nidinan’ny Fanahy Masina, ka niteny fiteny samihafa sady naminany;

7 tokony ho roa ambin’ny folo lahy izy rehetra.

Ny niorenan’ny Fiangonana tao Efezy

8 Nony afaka izany, dia niditra tao amin’ny sinagoga i Paoly, ka niteny tamin-kasahiana, ary nampianatra telo volana nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra tamin’ny lahateny mandaitra.

9 Tsy nety nino anefa ny sasany fa nikiribiby, sady nanaratsy ny Lalan’ny Tompo teo anatrehan’ny vahoaka, ka nisaraka tamin’ireo i Paoly, ary navahany ny mpianatra, dia nampianariny isan’andro tao amin’ny trano fampianaran’olona atao hoe Tiranosa.

10 Roa taonano nanaovany an’izany, ka nandre ny tenin’ny Tompo avokoa izay rehetra nonina tany Azia, na Jody na Jentily.

Ireo Jody mpandroaka demony

11 Ary Andriamanitra nanao fahagagana lehibe tamin’ny alalan’i Paoly,

12 fa hatramin’ny mosara mbamin’ny fiaron’akanjo nikasika ny tenany avy no nakasika ny marary, dia nahasitrana ny aretiny, sy naharoaka ny fanahy ratsy taminy.

13 Mba nisy Jody sasany nandehandehanandroaka demony koa, niantso ny Anaran’i Jesoa Tompo teo ambonin’izay azon’ny fanahy ratsy, nanao hoe: «Izaho mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa izay torin’i Paoly.»

14 Olona fito mirahalahy, zanaky ny Jody anankiray atao hoe Sevà lehiben’ny mpisorona, no nanao izany.

15 Ary izao no navalin’ny fanahy ratsy azy ireo: «Fantatro i Jesoa, ary fantatro koa i Paoly; fa iza kosa ianareo?»

16 Dia niantoraka tamin’izy ireo ny lehilahy anankiray azon’ny demony masiaka, ka nisambotra roa lahy, sy namely azy mafy; vaky nandositra niala tamin’izany trano izany terỳ izy ireo, sady nitanjaka no naratra.

17 Ren’ny Jody sy ny Jentily rehetra nonina tao Efezy izany, ka sady raiki-tahotra izy rehetra no nankalaza ny Anaran’i Jesoa Tompo.

18 Ary betsaka tamin’izay nino no tonga niaiky sy nilaza ny nataony.

19 Maro koa tamin’ny mpamoha angatra no nitondra ny bokiny, sy nandoro azy teo anatrehan’ny olona rehetra; nony notombanana ireo boky ireo, dia hita fa vola deniedimy alina no an-kevi-bidiny.

20 Hita amin’izany fa niely fatratra sy niseho hery tokoa ny tenin’Andriamanitra.

Ny tetika asan’i Paoly

21 Taorian’izany, dia nomen’ny Fanahy Masina hevitra i Paoly hamaky an’i Masedônia sy i Akaia vao hankany Jerosalema, ka nanao anakampo hoe: «Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy mamangy any Rôma koa.»

22 Nirahiny hankany Masedônia ny roa lahy tamin’izay nanampy azy, dia i Timote sy i Erasta, fa izy kosa mbola nijanona tao Azia andro vitsivitsy.

Fikomian’ireo mpanefy firavaka tao Efezy

23 Ary tamin’izany andro izany, dia nisy tabataba lehibe ny amin’ny lalan’ny Tompo.

24 Fa nisy lehilahy anankiray mpanefy volafotsy atao hoe Demetriosa, nanao sarin’ny tempolin’i Diànatamin’ny volafotsy, ka vola be no azon’ny mpiasany tamin’izany.

25 Ary novoriny izy ireo mbamin’ny mpanefy hafa toa azy koa, ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, fantatrareo fa izao taozavatra izao no iankinan’ny fiadanantsika.

26 Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efezy ihany, fa saika eran’i Azia manontolo, dia mitaona olona betsaka hanary ny sampy iny Paoly iny manao hoe: ‹Tsy andriamanitra ireo nataon-tanan’olona›,

27 ka tsy ny taozavatsika ihany no atahorana hatao zava-poana, fa na hatramin’ny tempolin’i Diàna lehibe koa aza ho tonga tsinontsinona, ka ho levona ny voninahitr’izay ivavahan’i Azia manontolo sy izao tontolo izao.»

28 Tezitra mafy izy ireo nony nahare izany ka niantso hoe: «Lehibe ny Diànan’ny Efezianina!»

29 Vetivety foana dia nanerana ny tanàna ny tabataba; nindaosin’ny olona i Gaiosa sy i Aristarka avy any Masedônia izay niara-dia tamin’i Paoly, ka nimaona nankany an-trano filalaovana izy rehetra.

30 Nikasa hankao amin’ny vahoaka i Paoly, fa tsy navelan’ny mpianatra,

31 sady naniraka olona koa ny lehibe sasany sakaizany nihanta taminy mba tsy hankany an-trano filalaovana.

32 Antsoantso samihafa no re tao, fa nihorakoraka be ihany ny vahoaka, ka betsaka aza no tsy nahalala izay anton’ny nivoriany teo akory.

33 Tamin’izay, nalaina teo amin’ny vahoaka i Aleksandra, ka naroson’ny Jody. Dia nanofa tanana hampangina ny olona i Aleksandra, fa nikasa hiteny tamin’ny vahoaka.

34 Kanjo nony fantatr’izy ireo fa Jody io, dia indray niredona tokony ho ora roa izy rehetra niantso hoe: «Lehibe ny Diànan’ny Efezianina!»

35 Nony farany dia nampangina ny vahoaka ny mpanoratra, ka nanao hoe: «Ry lehilahy Efezianina, iza moa no tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efezianina no mpitahiry an’i Diàna lehibe sy ny sariny vongana latsaka avy any an-danitra?

36 Zavatra tsy azo lavina izany, ka tokony hionona ianareo, ary aza manaonao foana,

37 fa ireo lehilahy nentinareo eto ireo dia tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanibavintsika.

38 Ary raha manan-javatra hifamaliana amin’olona i Demetriosa sy ny mpanefy momba azy, dia aoka hifandahatra izy ireo, fa ao ny andro fitsarana, ao koa ireo governora.

39 Ary raha raharaha hafa no entinareo, dia azo tsaraina amin’ny fivoriana voatendrin’ny lalàna izany.

40 Fa raha ity tabataba niseho androany ity, dia misy atahorana sao ampangaina isika, satria tsy hita izay antony azontsika anamarinana izao fivoriana izao.» Nony voalazany izany, dia noravany ny olona vory teo.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 20

Niala tao Efezy i Paoly

1 Nony nitsahatra ny tabataba, namory ny mpianatra i Paoly, ka nananatra azy, sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Masedônia.

2 Nitety izany faritany izany izy, namporisika ny olona tamin’ny teny maro, dia lasa nankany Gresy.

3 Nitoetra telo volana tao izy, dia niomana hiondrana an-tsambo hankany Siria, kanjo nikendry azy ny Jody, ka nanapa-kevitra izy fa hamaky an’i Masedônia.

4 Ary ireto no niaraka hatrany Azia: i Sôpatera zanak’i Pirosy avy any Berea, i Aristarka sy i Sekondosy avy any Tesalonika, i Gaiosy avy any Derbe, ary i Timote sy i Tisìka sy i Trôfima avy any Azia.

5 Dia nialoha izy ireo, ka niandry anaytany Trôasy.

6 Fa izahay kosa niondrana an-tsambo, niala tao Filipy taorian’ny andron’ny Azima, ka hadimiana vao tonga tany amin’izy ireo tany Trôasy; dia nitoetra tao hafitoana izahay.

7 Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, raha niangona hamaky ny mofo izahay, dia nampianatra azy ireo i Paoly, ka nanohy ny toriteniny hatramin’ny misasaka alina, fa nikasa handeha maraina.

8 Jiro maro no tao amin’ny efitra ambony niangonanay.

9 Nisy kosa tovolahy anankiray izay atao hoe Eotìka, nipetraka teo am-baravarankely; sondriantory mafy izy io, fa naharitra ela ny toritenin’i Paoly, ka nirona izy, dia nidaboka tany ambany avy amin’ny rihana fahatelo; nony narenina izy, dia indro fa efa maty.

10 Nidina namonjy azy i Paoly, dia niondrika teo amboniny sy nanohona azy, ary nanao hoe: «Aza manana ahiahy ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.»

11 Dia niakatra indray i Paoly, namaky ny mofo sy nihinana, ary niresaka ambara-pahamaraina ny andro, vao lasa nandeha.

12 Ilay tovolahy tamin’izay dia efa velona ka nentin’izy ireo nody tamin-kafaliana lehibe.

Tao Trôasy i Paoly, namelona olona maty

13 Izahay kosa dia niondrana an-tsambo, nialoha nankany Asôsy, fa eo no handraisanay an’i Paoly araka ny teny nomeny, satria nandeha an-tanety izy.

14 Nony tafahaona taminay tany Asôsy izy, dia noraisinay, ka lasa nankany Mitilena izahay.

15 Niondrana an-tsambo avy eo izahay, dia tonga tandrifin’i Kiô ny ampitso, ary nitody tao Samôsy ny ampitson’izay, vao tonga tany Mileto ny ampitson’iny indray.

16 Ny handalo fotsiny fa tsy hijanona ao Efezy no efa nokendren’i Paoly mba tsy hitoerany ela any Azia: satria maika hamonjy ny andron’ny Pantekôty any Jerosalema izy raha azo atao.

Avy ao Trôasy nankany Mileto

17 Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an’ireo Pretran’ny Fiangonana.

18 Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia hoy izy taminy: «Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Azia, izay toetry ny fitondran-tenako taminareo hatrany hatrany;

19 fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy.

20 Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo ampahibemaso sy isan-trano.

21 Nambarako tamin’ny Jody sy tamin’ny Jentily ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Tompontsika.

22 Ary ankehitriny indro teren’ny Fanahy hankany Jerosalema aho; nefa tsy fantatra izay hanjò ahy any.

23 Izao ihany no ambaran’ny Fanahy Masina amiko isan-tanàna isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy.

24 Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»

Nanaovam-beloma ny loholona avy any Efezy

25 «Eny iky, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan’Andriamanitra! fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo rehetra.

26 Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny amin’ny ranareo rehetra aho,

27 satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.

28 Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.

29 Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry.

30 Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.

31 Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman’alina nananatra anareo tsirairay avy, tamin-dranomaso!»

32 «Ary ankehitriny, ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny tenim-pahasoavany ianareo, dia amin’Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin’Izay efa masina rehetra.

33 Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian’olona aho.

34 Fantatrareo fa ireto tanana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain’izay rehetra niaraka tamiko.

35 Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: ‹Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.› »

36 Nony avy nilaza izany izy, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra.

37 Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy,

38 fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin’ny nilazany hoe: Tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo. Dia nanatitra azy hatreny an-tsambo izy ireo.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 21

Ny niakarana tany Jerosalema

1 Nony tafasaraka tamin’izy ireo izahay, dia niondrana an-tsambo, nizotra nankany Kosy, ka ny ampitso dia tonga tao Rôdy; ary niala tao indray dia tonga tany Patarà.

2 Tao dia nahita sambo hankany Fenisia izahay, ka niakatra tao dia lasa.

3 Nony nahatsinjo an’i Sipra izahay, dia nandalo azy teo ankavia, fa nanitsy an’i Siria, dia nitody tao Tira, fa tao no hametrahana ny entan’ny sambo.

4 Nahita ny mpianatra izahay, ka nitoetra tao hafitoana, ary notsindrian’ny Fanahy Masina izy ireo, ka nilaza tamin’i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.

5 Nony tapitra ny hafitoana, dia niainga handeha izahay, ka nirohotra nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra ombam-bady aman-janany. Nony mby teo amoron-dranomasina izahay, dia nandohalika nivavaka.

6 Ka rehefa nifanao veloma, dia izahay moa niondrana an-tsambo, izy ireo kosa niverina nody.

7 Niala tao Tira izahay, dia nankany Prôlemaìsy izay niafaran’ny nandehananay an-tsambo, ary niarahaba ny havana iray finoana izahay, dia nitoetra teo amin’izy ireo indray andro.

8 Nony ampitso dia nandeha izahay, ka tonga tany Sezarea; ary niditra tao an-tranon’i Filipo Evanjelista, anankiray tamin’izy fito lahy, ka nitoetra tao aminy.

9 Nanana zanaka vavy virjiny efatra izay naminany izy.

10 Nony nitoetra tao andro vitsivitsy izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabosy tonga avy any Jodea.

11 Vao tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, namatorany ny tongotra aman-tanan’ny tenany, ka hoy izy hoe: «Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Hafatotry ny Jody any Jerosalema toy izao ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hatolony eo an-tanan’ny Jentily.»

12 Vao nandre izany izahay sy ny mpianatra tao, dia nihanta tamin’i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.

13 Fa namaly izy ka nanao hoe: «Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza, mba ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Tompo.»

14 Dia tsy laitra nahodina izy, ka nitsahatra terỳ izahay nanao hoe: «Aoka ho tanteraka izay sitrapon’ny Tompo.»

Tonga tany Jerosalema i Paoly

15 Nony afaka izany andro izany, nifehy izay tokony hoentinay izahay dia niakatra ho any Jerosalema.

16 Nisy mpianatra sasany avy any Sezarea niaraka taminay koa; nitondra mpianatra maintimolaly anankiray avy any Sipra izy ireo atao hoe Mnasôna: tao amin’io no nokasainay hitoerana.

17 Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia noraisin’ny havana iray finoana amin-kafaliana.

18 Ny ampitso ihany dia niara-namangy an’i Jakôba izahay sy i Paoly, ary tafavory teo ny Pretra rehetra.

19 Nony efa niarahaba azy ireo i Paoly, dia nolazainy tsirairay ny zavatra rehetra nampanaovin’Andriamanitra azy tamin’ny Jentily.

20 Nony nandre izany izy ireo, dia nankalaza an’Andriamanitra sy nanao taminy hoe: «Hitanao, ry rahalahy, fa arivo maro ny Jody nino izao, nefa mbola fatra-pitana ny Lalàna izy rehetra.

21 Ren’izy ireo fa hoe: ianao, hono, mampianatra ny Jody niely any amin’ny Jentily hiala amin’ny Lalàn’i Môizy, sy tsy hamora ny zanany, ary tsy hanaraka ny fanaon-drazana.

22 Ka ahoana àry no hatao? Fa handre anao tonga izao ny olona, ka tsy maintsy hivory daholo.

23 Izao no aoka hataonao: misy lehilahy efatra nanao voady eto amintsika.

24 Ento ireo, ka miaraha mandio tena aminy ianao, ary mandoava vola ho azy hanaratany ny lohany, dia ho fantatry ny vahoaka hoe tsy marina ny filazan’ny olona ny aminao, fa tsy mitsahatra ny mitandrina ny Lalàna ianao.

25 Ary ny Jentily izay nino dia efa nampitondranay taratasy, ka nodidianay hifady ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny ra, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana.»

26 Dia nentin’i Paoly ireo lehilahy ireo, ka nony ampitso rehefa niara-nandio tena taminy izy, dia niditra tao an-Tempoly nilaza fa tapitra ny andro hahatanterahan’ny fandiovan-tena, dia tonga tao izy mandra-panatitra ny fanatitra ho an’ny isan-dahy.

Ny nisamborana an’i Paoly

27 Nony efa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an’i Paoly tao an-Tempoly ny Jody avy tany Azia, ka sady nampikorontana ny vahoaka rehetra no nisambotra azy tamim-piantsoana hoe:

28 «Vonjeo, ry lehilahy Israelita! fa eto ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenentsika sy ny Lalàna ary ity fitoerana ity; hatramin’ny Jentily avy aza no nampidiriny teto an-Tempoly, nametaveta ity fitoerana masina ity.»

29 Fa hitan’izy ireo niaraka tamin’i Paoly tao an-tanàna i Trôfima avy any Efezy, ka nataony ho nampidiriny tao an-Tempoly ihany.

30 Dia nikorontana ny tanàna manontolo, nirohotra nivory ny vahoaka; ary nosamborina i Paoly, ka notarihiny ho any ivelan’ny Tempoly, dia nakatony niaraka tamin’izay ny varavarana.

31 Efa ndeha hovonoin’izy ireo ho faty i Paoly, kanjo nisy nilaza tamin’ny kômandin’ny miaramila fa mikorontana i Jerosalema manontolo.

32 Ka naka miaramila sy Kapiteny niaraka tamin’izay izy, dia nihazakazaka nankany amin’izy ireo. Nony nahita ny komandy sy ny miaramila izy ireo, vao nitsahatra tsy nikapoka an’i Paoly intsony.

33 Dia nanatona ny Komandy, ka nisambotra azy, sy nampamatotra azy tamin’ny rojo vy roa, ary nanontany hoe: «Iza moa izy, ary inona no nataony?»

34 Samy nanana ny filàzany be ihany anefa ny vahoaka, ka tsy nisy hamantarany izay marina noho ny tabataba, fa dia nasainy nentina ho any anaty rova izy.

35 Nony tonga teo amin’ny ambaratonga, dia nobatain’ny miaramila i Paoly, noho ny vahoaka efa nifanesika loatra,

36 fa vahoaka be no nanaraka sy niantsoantso hoe: «Vonoy izy!»

37 Rehefa tafiditra tao anaty rova i Paoly, dia nilaza tamin’ny komandy hoe: «Mba mahazo milaza zavatra aminao va aho?» Ary hoy izy: «Moa mahay teny grika va ianao?

38 Hay! tsy ianao akory ilay Ejiptianina nampikomy vahoaka farany teo, ka nitarika jiolahy efatra arivo tany an’efitra?»

39 Dia hoy i Paoly taminy: «Izaho dia Jody avy any Tarsa any Silisia, tompon-tany amin’ny tanàna tsy kely laza. Mihanta aminao aho, mba avelao kely hiteny amin’ny vahoaka aho.»

40 Dia neken’ny komandy izany, ka nitsangana teo amin’ny ambaratonga i Paoly, nanofa tanana ny vahoaka; ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny tamin’ny teny Hebrio izy nanao hoe:

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 22

Kabarin’i Paoly tamin’ny Jody tao Jerosalema

1 «Ry rahalahy sy ianareo ray, henoy ny teny alahatro aminareo ankehitriny, mba hanala tsiny ny tenako.»

2 Vao ren’ny olona fa teny hebrio no nitenenany taminy, dia vao mainka nangina izy.

3 Ary hoy izy: Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsa tany Silisia, fa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy, teo ambanin’ny saokan’i Gamaliely, nampianatra tsara ny Lalàn’ny razantsika aho, ary nazoto erỳ ho an’Andriamanitra tahaka anareo rehetra izao.

4 Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho, ary namatotra azy na lahy na vavy, sy nampandatsaka azy an-tranomaizina.

5 Ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona rehetra no vavolombeloko; fa nandray taratasy tamin’izy ireo ho an’ny rahalahy aho, dia nankany Damasy hamatotra sy hitondra izay hita tao ho atỳ Jerosalema mba hampijaliana.

6 Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasy, tamin’ilay mitatao vovonana iny ny andro, dia nisy fahazavana lehibe tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy.

7 Lavo tamin’ny tany terỳ aho, sady nandre feo nanao tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?

8 Dia namaly aho nanao hoe: Iza moa Ianao, Tompoko? Ary hoy Izy tamiko: Izaho no Jesoa avy any Nazareta izay enjehinao.

9 Ry zareo niaraka tamiko izany, nahita ny fahazavana ihany, fa tsy nandre ny feon’Izay niteny tamiko.

10 Ary hoy izaho: Inona no hataoko, Tompoko? Ka hoy ny Tompo tamiko: Mitsangàna, ary mankanesa any Damasy, fa any no holazaina aminao ny zavatra rehetra tsy maintsy ataonao.

11 Tsy nahita anefa aho azon’ny famirapiratan’izany fahazavana izany, ka notantanan’izay niaraka tamiko aho, vao tonga tany Damasy.

12 Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania izay nanaraka ny Lalàna, sy tsara laza tamin’ny Jody rehetra nonina tao.

13 Tonga nanatona ahy izy ary nitsangana teo anilako nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Niaraka tamin’izay, dia nahita azy aho.

14 Ary hoy izy: Ny Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony, sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany.

15 Fa ianao no ho vavolombelony hanambara amin’ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao.

16 Ary ankehitriny, inona no andrasana? Mitsangàna, raiso ny Batemy, ary mialà amin’ny fahotana, amin’ny fiantsoana ny Anaran’i Jesoa.

17 Nony niverina tatỳ Jerosalema aho ka nivavaka tao an-tempoly, dia azon-tsindrimandry,

18 ary nahita an’i Jesoa nilaza tamiko hoe: Haingàna ianao, mialà faingana eto Jerosalema, fa tsy handray ny fanambarànao Ahy izy ireo.

19 Ary hoy izaho: Tompoko, fantatr’izy ireo fa izaho no nandatsaka an-tranomaizina izay nino Anao, sy nikapoka azy tao amin’ny sinagoga;

20 ary fony izy nandatsaka ny ran’i Etienina maritirinao, dia tenako no nanatrika sy nankatò an’izany, ary niambina ny lamban’izay namono azy.

21 Fa hoy Izy tamiko: Mandehana, fa any an-tany lavitra amin’ny Jentily no anirahako anao.

I Paoly mizaka ny zon’olom-pirenena rômanina

22 Nihaino azy ihany izy ireo hatramin’izany teny izany, fa nony mby tamin’io, niantso izynanao hoe: «Esory amin’ny tany ilay io, fa olona tsy famelona intsony.»

23 Mbola nihorakoraka sy nanipy lamba, ary nitora-bovoka eo izy ireo,

24 dia nasain’ny komandy nentina tany anaty rova sy hadinina amin’ny kapoka i Paoly, mba hahalalany izay anton’ny nanakoran’ny olona azy toy izany.

25 Ary efa voafatotra tamin’ny anja-koditra sahady i Paoly vao nilaza tamin’ny kapiteny izay nanatrika teo hoe: «Moa mahazo mikapoka lehilahy Rômanina mbola tsy voaheloka akory va ianareo?»

26 Nony nandre izany ny kapiteny, dia lasa nankany amin’ny komandy, nilaza hoe: «Inona ity hataonao? fa Rômanina io lehilahy io.»

27 Dia nanatona an’i Paoly ny komandy, ka nanao taminy hoe: «Etsy ange, moa Rômanina va ianao?» Ary hoy izy: «Eny.»

28 Dia hoy indray ny komandy: «Vola be no nahazahoako izany voninahitra izany.» Fa hoy i Paoly: «Ny nahaterahako kosa no nahazoako an’izany.»

29 Niaraka tamin’izay, dia nihataka ry zareo nivonon-kampijaly azy; ary natahotra mbamin’ny komandy aza nony nahalala fa Rômanina i Paoly, noho ity izy efa nampamatotra azy.

Niseho fitsarana teo amin’ny Sanedrìna

30 Nony ampitso, te hahalala marina izay antony niampangan’ny Jody azy izy, ka nasainy novahana i Paoly, ary nodidiany hivory ny mpisorona sy ny Sanedrìna, dia nentina i Paoly, ka napetrany teo afovoan’izy ireo.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 23

1 Dia nibanjina ny Sanedrìna i Paoly ka nanao hoe: «Ry rahalahy ô, nitondra tena tsara teo anatrehan’Andriamanitra tamin-kitsim-po tokoa aho mandraka androany.»

2 Tamin’izay i Anania mpisorona lehibe dia nandidy ny mpiandry raharahany hamely tehamaina ny vavany,

3 ka hoy i Paoly: «Hokapohin’Andriamanitra tokoa ianao, ry rindrina voalalotra fotsy, fa mipetraka eto hitsara ahy araka ny Lalàna ianao, nefa mampamely tehamaina ahy tsy ara-dalàna.»

4 Dia hoy ny olona nanatrika teo: «Tevatevainao lahy ny lehiben’ny mpisoron’Andriamanitra!»

5 Ary namaly i Paoly ka nanao hoe: «Tsy fantatro ho mpisorona lehibe izy, ry rahalahy, fa voasoratra hoe:Aza manevateva ny lehiben’ny vahoaka.»

6 Nony fantatr’i Paoly fa Sadoseanina ny sasany tamin’izay teo ary Farisianina ny sasany, dia niantso teo amin’ny Sanedrìna izy nanao hoe: «Ry rahalahy, izaho dia Farisianina, zanaky ny Farisianina, ary ny amin’ny fanantenàntsika ny hitsanganan’ny maty no itsarana ahy.»

7 Vao nilaza izany izy dia nifanditra ny Farisianina sy ny Sadoseanina, ka nizara roa toko ny olona teo.

8 Fa ny Sadoseanina manao hoe: «Tsy misy fitsanganan’ny maty, ary tsy misy koa izay hoe Anjely na fanahy,» nefa ny Farisianina kosa mino ireo zavatra ireo,

9 ka tabataba nankarenina no niseho. Ary nisy mpanora-dalàna sasany tamin’ny antokon’ny Farisianina nitsangana ka nanohitra hoe: «Tsy hitanay izay azo anomezan-tsiny an’io lehilahy io, fa angamba fanahy na Anjely anankiray no niteny taminy.»

10 Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana. Efa nataon’ny komandy hotetehin’ny olona teo mihitsy i Paoly, ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan’ny vahoaka, sy hitondra azy ho any anaty rova.

11 Nony alina dia niseho tamin’i Paoly ny Tompo ka nanao taminy hoe: «Matokia, fa tahaka ny nanambarànao ahy tatỳ Jerosalema no tsy maintsy anambarànao ahy any Rôma koa.»

Tetiky ny Jody hamelezana an’i Paoly

12 Vao naraina ny andro, dia nisy Jody niray tetika, niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro, raha tsy efa nahafaty an’i Paoly.

13 Tsy omby efapolo izy no niray tetika hanao izany.

14 Dia lasa nanatona ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona izy, ka nanao hoe: «Efa nianiana mafy izahay fa tsy hanendry hanina raha tsy efa nahafaty an’i Paoly.

15 Koa ankehitriny, aoka ianareo sy ny Sanedrìna hilaza amin’ny komandy mba hampidina azy hankatỳ aminareo, mody te hamototra ny aminy lalindalina kokoa; ary izahay kosa amin’izany dia efa vonon-kamono azy alohan’ny hahatongavany atỳ.»

16 Ren’ny zanak’anabavin’i Paoly izany teti-dratsy izany, ka nidodododo nankany anaty rova faingana izy, nampandre an’i Paoly.

17 Dia niantso anankiray tamin’ny kapiteny i Paoly ka nanao taminy hoe: «Ento kely ity tovolahy ity ho any amin’ny komandy, fa misy zavatra holazainy aminy.»

18 Dia noraisin’ny kapiteny razazalahy, nentiny tany amin’ny komandy, ka hoy izy: «Niangavian’i Paoly mpifatotra hitondra an-drazazalahy ity ho atỳ aminao aho, fa misy zavatra holazainy aminao, hono.»

19 Noraisin’ny komandy tamin’ny tanany ilay zazalahy, nentiny nitanila kely, dia nanontaniany hoe: «Inona no holazainao amiko?»

20 Ary hoy ny navaliny: «Nifanaiky ny Jody, fa hangataka aminao hampidina an’i Paoly ho eny amin’ny Sanedrìna rahampitso, mody hoe hamototra lalindalina kokoa ny aminy;

21 nefa aza manaiky izany, fa misy efapolo mahery izy no niray tetika hamely azy, sady efa nanozon-tena sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy. Ary izao dia efa vonona izy ireo, fa ny teny avy atỳ aminao sisa andrasany.»

22 Dia nalefan’ny komandy razazalahy ka tsy navelany hiteniteny na amin’iza na amin’iza fa hoe nilaza izany taminy izy.

Nafindra tany Sezarea i Paoly

23 Dia niantso kapiteny roa lahy izy ka nanao tamin’ireo hoe: «Manomàna miaramila roan-jato, sy an-tsoavaly fitopolo, ary an-defona roan-jato, hankany Sezarea anio alina amin’ny ora fahatelo.

24 Ary manomàna soavaly hitaingenan’i Paoly koa, hitondranareo azy soa aman-tsara ho any amin’i Feliksa governora. (Fa natahotra izy sao tsoahan’ny Jody eny i Paoly, dia hovonoiny, ka ny tenany indray no ho voahoso-dratsy hoe nandray vola any aoriana any.).

25 Dia nanoratra taratasy nisy izao teny izao izy:

26 Avy miarahaba an’i Feliksa tsara indrindra aho Klaody Lisiasy.

27 Nosamborin’ny Jody ity lehilahy ity, ary efa ndeha hovonoiny; nefa nony fantatro fa hoe Rômanina izy, dia nitondra miaramila aho ka nanafaka azy.

28 Te hahalala ny heloka niampangany azy aho, ka nitondra azy nankeo amin’ny Sanedrìna.

29 Dia hitako fa ady hevitra momba ny Lalàny no nitoriana azy, fa tsy nanao ratsy tokony hanamelohana azy ho faty na hanaovana azy an-tranomaizina akory izy.

30 Ary izao vao reko indray fa hoe misy Jody miray tetika hamono azy, ka izy moa nampanateriko faingana hankatỳ aminao; ry zareo mpiampanga azy kosa nasaiko nilaza izay itoriany azy atỳ aminao. Veloma.»

31 Dia noraisin’ny miaramila i Paoly, ka nentiny nankany Antipatrisy iny alina iny ihany, araka ny didy azony.

32 Nony ampitso, dia ry zareo an-tsoavaly no nasainy nanohy ny dia niaraka taminy, fa izy ireo kosa niverina nankany anaty rova.

33 Rehefa tonga tany Sezarea izy ireo, dia natolony ny governora ny taratasy, ary narosony teo anatrehany koa i Paoly.

34 Nony voavakin’ny governora ny taratasy, dia nanontany izay faritany niavian’i Paoly izy, ka nony fantany fa avy any Silisia izy,

35 dia hoy izy hoe: «Hihaino anao aho rehefa tonga ny mpiampanga anao.» Dia nasainy nambenana tao an-dapan’i Herôda izy.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 24

Fitoriana tany amin’i Feliksa

1 Nony afaka hadimiana, dia tonga i Anania lehiben’ny mpisorona sy ny loholona sasany, ary mpandaha-teny anankiray atao hoe Tertolosy, hiampanga an’i Paoly amin’ny governora.

2 Nony nantsoina i Paoly, dia niampanga azy araka izao i Tertolosy: «Ry Feliksa tsara indrindra ô, ny fiadanana lehibe azonay taminao, sy ny fitondrana nanasoavanao ity firenena ity tamin’ny zavatra maro,

3 dia raisinay amim-pankasitrahana mandrakariva sy hatraiza hatraiza.

4 Fa mba tsy hanahiranako anao ela loatra, dia mihanta amin’ny hamoram-ponao izahay, mba henoy kely izao:

5 Io lehilahy io dia hitanay fa mpanimba vahoaka, mpampitabataba ny Jody rehetra amin’izao tontolo izao, filohan’ny antokon’ny Nazareanina,

6 ary efa nitady hametaveta ny Tempoly aza, ka dia io izy nosamborinay: Ny hitsara azy araka ny lalànay no nokasainay.

7 Kanjo tonga i Lisiasy komandy naka azy an-keriny teo am-pelatananay.

8 sy nandidy ny mpiampanga azy hankatỳ aminao. Ho hitanao amin’ny fanadinana azy fa marina ny zavatra rehetra iampanganay azy.»

9 Dia nanampy izany koa ny Jody, nilaza fa izany no izy.

10 Ary rehefa notondroin’ny governora hiteny i Paoly, dia namaly ka nanao hoe:

Lahatenin’i Paoly teo amin’ny governora rômanina

«Fantatro fa taona maro no efa nitondranao ity firenena ity, ka amin-toky no hitenenako hanala tsiny ny tenako.

11 Tsy mihoatra ny roa ambin’ny folo andro izao no niakarako hivavaka tany Jerosalema, sady azonao fantarina mora foana izany.

12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’olona tao an-Tempoly, na nampitabataba vahoaka tao amin’ny sinagoga,

13 na tao an-tanàna. Tsy azony hamarinina velively izao zavatra iampangany ahy izao.

14 Fa izao no ekeko eto anatrehanao: Izaho dia manompo ny Andriamanitry ny razanay, araka ny lalana lazain’izy ireo hoe antokom-pivavahana; mino ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ny Lalàna sy ny mpaminany aho,

15 ary manantena amin’Andriamanitra tahaka azy ireo koa, fa samy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty, na ny olo-marina na ny olo-meloka,

16 ka noho izany dia nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny fieritreretako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona.

17 Nony afaka taona maro, dia tonga nitondra fiantrana ho an’ny fireneko aho, sy nanolotra fanatitra.

18 Tamin’izay no nahitan’izy ireo ahy tao an-Tempoly avy nandio tena, tsy nisy famoriam-bahoaka, na tabataba velively,

19 fa Jody sasany avy any Azia no teo, ka ireo aza no tokony hiseho eto anatrehanao hiampanga ahy, raha misy izay hiampangany ahy.

20 Na aoka ry zareo ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany nataoko, raha niseho teo anatrehan’ny Sanedrìna aho;

21 afa-tsy raha hoe, heveriny ho heloka angaha ilay teny indraimbava voalazako teo afovoan’izy ireo hoe: Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no hitsarana ahy eto anatrehanareo anio.»

I Paoly babo tany Sezarea

22 Fantatr’i Feliksa tsara ny amin’io Lalana io, ka noravany ny olona nilazany hoe: «Rahefa tonga i Lisiasy komandy, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.»

23 Dia nasainy nambenan’ny kapiteny i Paoly, nefa avela hiadanadana ihany, ary tsy raràna tsy hanampy azy ny mpomba azy na iray aza.

24 Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga i Feliksa sy i Drosila vadiny, izay vehivavy Jody, ka nampaka an’i Paoly, dia nihaino azy nitory ny finoana an’i Kristy Jesoa.

25 Nony nilaza ny amin’ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy i Paoly, dia raiki-tahotra i Feliksaka nanao hoe: «Mandehana aloha, fa raha vao misy malalaka dia hampiantso anao indray aho.»

26 Nanantena homen’i Paoly vola koa izy tamin’izany, ka nampiantso azy matetika sy niresaka taminy.

27 Nony afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsiosy Festosy i Feliksa, ary noho izy te hahazo sitraka tamin’ny Jody, dia navelany ho mpifatotra tao ihany i Paoly.

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 25

I Paoly nangataka hotsarain’i Sezara

1 Nony tonga hateloana teo amin’ny faritaniny i Festosy, dia niala tao Sezarea nankany Jerosalema,

2 ka nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny loholon’ny Jody, hiampanga an’i Paoly.

3 Niangaviany mafy izy hamely an’i Paoly sy handefa azy ho any Jerosalema, fa efa nanomana otrika hamono azy eny an-dalana izy ireo;

4 nefa novalian’i Festosa fa i Paoly dia hambenana any Sezarea, ary izy hiverina any faingana rahateo,

5 ka izay manam-pahefana amin’izany eo aminareo, hoy izy, no aoka hiara-midina amiko, dia hiampanga io lehilahy io raha misy nahadiso azy.

6 Vao havaloana na hafoloana monja no nitoeran’i Festosy tao Jerosalema, dia nidina nankany Sezarea izy, ary ny ampitson’iny ihany dia nipetraka teo amin’ny fitsarana izy, ka nampaka an’i Paoly.

7 Nony tonga izy dia nohodidinin’ny Jody avy any Jerosalema, sady nampangainy tamin’ny zava-dehibe maro izay tsy azony noporofoina akory.

8 Ary izao no navalin’i Paoly hanalany tsiny ny tenany amin’izany: «Tsy nanao ratsy velively aho, na tamin’ny Lalàn’ny Jody, na tamin’ny Tempoly, na tamin’i Sezara.»

9 Nila sitraka tamin’ny Jody anefa i Festosy ka namaly an’i Paoly hoe: «Manao ahoana raha miakatra any Jerosalema ianao, ka dia any no tsaraina eo anatrehako, ny amin’izany zavatra izany?»

10 Fa hoy ny navalin’i Paoly: «Efa eto amin’ny fitsaran’i Sezara aho, ka mby eto amin’ny tokony hitsarana ahy. Tsy nanisy ratsy ny Jody aho, araka ny fantatrao marina rahateo.

11 Fa raha nanao ratsy aho, na misy heloka tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà ny ho faty akory. Ary raha izay zavatra tsy misy fotony foana kosa no iampangan’izy ireo ahy, dia tsy misy olona manam-pahefana hanolotra ahy aminy. Fa mangataka hotsarain’i Sezara aho.»

12 Tamin’izay, nidinika tamin’ny mpanolo-tsaina azy aloha i Festosy vao namaly hoe: «Nangataka hotsarain’i Sezara ianao, ka dia handeha ho any amin’i Sezara.»

I Paoly teo anatrehan’i Agripà mpanjaka

13 Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Sezarea i Agripàmpanjaka sy i Berenisy, hiarahaba an’i Festosy.

14 Naharitra andro maromaro no nitoerany tao, ka nambaran’i Festosy tamin’ny mpanjaka ny amin’i Paoly. Hoy izy: «Misy mpifatotra anankiray navelan’i Feliksa eto.

15 Fony aho tany Jerosalema, dia nampangain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholon’ny Jody tamiko izy io, sady nangatahiny hohelohina.

16 Fa hoy ny navaliko azy ireo: ‹Tsy fanaon’ny Rômanina ny manameloka olona raha tsy efa nifanatrika tamin’ny mpiampanga azy ny ampangaina, ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin’izay iampangana azy.

17 Dia tonga tatỳ izy ireo, ka tsy nangataka andro akory aho, fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin’ny fitsarana sy nampaka ilay lehilahy.

18 Nony nitsangana ry zareo mpiampanga, dia tsy heloka araka izay nampoiziko no nitoriany azy,

19 fa ady hevitra momba ny fivavahany sy momba an’i Jesoa anankiray efa maty, nefa lazain’i Paoly hoe velona.

20 Tsy hitako be ihany izay hamotorana izany zavatra izany, ka nanontany an-dralehilahy aho sao tiany ny hotsaraina any Jerosalema ny amin’izany.

21 Dia nangataka hotsarain’ny amperora i Paoly, ka nasaiko nambenana mandra-pandefako azy any amin’i Sezara.› »

22 Ary hoy i Agripà tamin’i Festosy: «Mba te hihaino an’izany olona izany koa lahy aho!» Dia hoy i Festosy taminy: «Rahampitso ihany dia hihaino azy ianao.»

23 Nony ampitso dia tonga i Agripà sy i Berenisy niseho tamim-boninahitra lehibe. Nony tafiditra tao an-trano fitsarana izy, nomban’ny tomponarivo mbamin’ny lehiben’ny tanàna, dia nentina nankao i Paoly, araka ny didin’i Festosy.

24 Dia hoy i Festosy: «Ry Agripà mpanjaka sy ianareo rehetra etoana: Io lehilahy hitanareo io no nampangain’ny Jody maro tamiko, hatrany Jerosalema ka hatraty koa, sy nataony antso avo hoe, tsy tokony hovelomina intsony ilay io.

25 Raha toa ahy, dia ataoko fa tsy nanao na inona na inona tokony hahafaty azy izy io, saingy nangataka hotsarain’ny amperora izy, ka dia tapa-kevitra ny hampanatitra azy ho any aminy aho.

26 Nefa noho ny tsy fahitako izay teny marina hosoratako hilaza azy amin’ny amperora, dia indro izy nentiko eto anatrehanareo rehetra, indrindra fa ianao, ry Agripà mpanjaka, hahitako izay hosoratako amin’ny fanadinana azy etoana.

27 Satria ataoko fa tsy mety ny mampanatitra mpifatotra nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.»

Categories
Asan’i Apôstôly

Asan’i Apôstôly 26

1 Dia hoy i Agripà tamin’i Paoly: «Mahazo mandahatra hiaro ny tenanao ianao.» Tamin’izay, naninjitra ny tanany i Paoly, ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany, araka izao:

Lahatenin’i Paoly teo amin’i Agripà mpanjaka

2 Hasambarana ho ahy, ry Agripà mpanjaka, ny ahazoako miaro tena eto anatrehanao anio, amin’ny zavatra rehetra iampangan’ny Jody ahy;

3 satria tsy misy olona mahalala toa anao ny amin’ny fanao aman’ady hevitry ny Jody. Koa mihanta aminao aho mba hihaino ahy kely amim-paharetana.

4 Fantatry ny Jody rehetra hatramin’ny andron’ny fahatanorako ny fitondran-tenako; fa tao Jerosalema foiben’ny fireneko aho no nitoetra,

5 ka noho ny fahalalany ahy ela toy izany, dia hainy ambara koa, raha te hilaza ny marina izy, fa Farisianina aho fahizany, nanaraka ilay antokom-pivavahana fatra-panoa lalàna indrindra amin’ny fivavahanay.

6 Nefa ny fanantenana ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra ny razanay indrindra no itsarana ahy ankehitriny,

7 dia ny fanantenana andrandrain’ny fokonay roa ambin’ny folo manompo an’Andriamanitra andro aman’alina. Izany fanantenana izany no itsarana ahy, ry mpanjaka.

8 Ka moa ve heverinareo ho zavatra tsy azo inoana fa mahatsangana ny maty Andriamanitra?

9 Ary na izaho koa aza, dia efa nihevitra fa tsy maintsy manao izay tratry ny aiko aho hanohitra ny Anaran’i Jesoa avy any Nazareta,

10 ka dia nataoko toy izany tany Jerosalema; fa maro ny olona masina nahiboko tao an-tranomaizina nony efa nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona aho; ary anisan’ny nandatsa-bato nanaiky koa aho, raha nisy hovonoina izy ireny.

11 Matetika no nitety ny sinagoga nampijaly azy ireny aho, sy nanery azy hiteny ratsy an’i Jesoa, ary efa lasa nanenjika azy hatrany an-tanàna hafa aza, noho ny hatezerako mafy loatra taminy.

12 Tamin’izany, raha ndeha ho any Damasy aho nitondra fahefana sy ny teny azoko tamin’ny lehiben’ny mpisorona,

13 ilay sahabo ho nitataovovonana tsara iny ny andro, dia endrey, ry mpanjaka! fa teny an-dalana dia nahita fahazavana avy any an-danitra aho, izay namirapiratra lavitra noho ny masoandro, sy nanjelanjelatra nanodidina ahy mbamin’izay nomba ahy.

14 Lavo tamin’ny tany terỳ izahay; ary nandre feo aho, nilaza tamiko tamin’ny teny hebrio hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Mafy ho anao anie ny mitroatra manohitra ny fanindronana e!

15 Iza moa ianao, Tompoko? hoy aho. Dia hoy ny Tompo: Izaho no Jesoa izay enjehinao.

16 Mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongotrao. Fa Izaho no niseho taminao, dia ny mba hanendry anao ho mpanao raharaha sy vavolombelon’ny zavatra efa hitanao sy izay mbola hisehoako aminao koa.

17 Navahako tamin’ny vahoaka Jody ianao, sy amin’ny Jentily izay hanirahako anao izao,

18 mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava,sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.

19 Koa amin’izany, ry Agripà mpanjaka, tsy nanohitra ny fahitana avy any an-danitra aho,

20 fa nitory ny fibebahana sy ny fiverenana amin’Andriamanitra tany Damasy aloha, vao tany Jerosalema, sy eran’i Jodea manontolo, ary tamin’ny Jentily koa, mba hanaovany asa mendrika ny fibebahana.

21 Izany no nisamboran’ny Jody ahy tao an-Tempoly, sy nitadiavany hamono ahy.

22 Noho ny fitahian’Andriamanitra àry no mbola velona aho mandraka ankehitriny mitory amin’ny kely sy ny lehibe, ary tsy manambara afa-tsy ny zavatra voalazan’i Môizy sy ny mpaminany rahateo ny hahatanterahany,

23 dia ny hoe: tsy maintsy hijaly i Kristy, nefa hitsangana voalohany avy any amin’ny maty Izy, ka hitory fahazavana amin’ny vahoaka Jody sy amin’ny Jentily…

Fihetsik’ireo nihaino an’i Paoly

24 Mbola niteny izany hanala tsiny ny tenany teo i Paoly no niantso tamin’ny feo mahery i Festosy nanao hoe: «Very saina ianao, ry Paoly; ny fianaranao be loatra no nampivaona ny hevitrao.»

25 Fa hoy i Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa tenin’ny fahamarinana sy fahendrena no alahatro.

26 Fantatry ny mpanjaka izany, ka lazaiko aminy amim-pahasahiana, satria ataoko fa tsy misy miafina aminy izany na dia kely aza, sady tsy nisy natao an-takona koa izany.

27 Mino ny mpaminany va ianao, ry Agripà? Eny, fantatro fa mino ianao.

28 Dia hoy i Agripà tamin’i Paoly: Kely sisa no tsy ahatongavanao ahy ho kristianina.

29 Na kely sisa na be, hoy i Paoly, dia mangataka amin’Andriamanitra aho, mba ho tonga toa ahy avokoa ianao sy izay rehetra mihaino ahy eto ankehitriny, afa-tsy amin’ireto fatorana ireto.

30 Dia nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary i Berenisy, mbamin’izay rehetra nanaraka azy ireo.

31 Nony tafavoaka izy ireo dia nifampilaza hoe: Tsy nanao na inona na inona tokony hahafaty azy na hamatorana azy io lehilahy io.

32 Ary hoy i Agripà amin’i Festosy: Azo nalefa io lehilahy io raha tsy nangataka hotsarain’i Sezara.