Categories
Mpitsara

Mpitsara 20

Hamaly faty ny helok’i Gabaà ny Israelita

1 Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabeasy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.

2 Ary ny filohan’ny vahoakarehetra, ny fokon’i Israely rehetra, niseho teo amin’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha an-tongotra mahatan-tsabatra.

3 Nandre ny taranak’i Benjamina fa hoe niakatra any Masfà ny zanak’i Israely. Ary hoy ny zanak’i Israely: «Mitenena, nanao ahoana no nanaovana izao heloka izao?»

4 Dia ilay Levita vadin-dravehivavy novonoina no niteny ka nanao hoe: «Niditra handry tany Gabaà, any Benjamina, izaho sy ny vaditsindranoko.

5 Ary nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gabaà; ny trano nisy ahy nohodidininy nandritra ny alina; ny tenako nokendreny hovonoina, ny vaditsindranoko nanaovany an-keriny, ka maty.

6 Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka noraisiko sy nampitondraiko eran’ny tany rehetra lovan’i Israely; fa heloka sy zavatra mahafa-baraka loatra amin’i Israely no nataon’izy ireo.

7 Koa indreo ao ianareo zanak’i Israely rehetra, mifampilà saina ianareo, ary tapaho eto ihany izay hevitra».

8 Indray nitsangana, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: «Tsy hisy hiverina any an-daintsika akory isika na hody any an-tranontsika.

9 Izao kosa ankehitriny no hataontsika amin’i Gabaà: Araka ny filokany no hamelezana azy.

10 Ny fokon’i Israely rehetra dia hangalantsika lehilahy folo isan-jato, zato isan’arivo, arivo isan’alina, handeha haka vatsy ho an’ny vahoaka, ka rehefa tonga izy, dia araka ny zavatra mahafa-baraka indrindra nataony tamin’i Israely no hatao amin’i Gabaàn’i Benjamina koa».

11 Toy izany no nivorian’ny lehilahy rehetra amin’i Israely, tafakambana toy ny olona iray ihany, hamely ny tanàna.

Tsy nety ny Benjaminita

12 Naniraka ho any amin’ny fianakavian’i Benjamina rehetra ny fokon’i Israely hilaza hoe: «Ahoana izany heloka natao taminareo izany?

13 Koa ankehitriny, atolory anay ireo olona ratsy fanahy ao Gabaà ireo, hamonoanay azy sy hanesoranay ny ratsy eo afovoan’i Israely.» Tsy nety nihaino ny feon’ny zanak’i Israely rahalahiny anefa ny Benjaminita.

14 Koa nivoaka ny tanànany ny taranak’i Benjamina ka nivory tao Gabaà mba hiady amin’ny zanak’i Israely.

15 Nisaina tamin’izany ny taranak’i Benjamina nivoaka ny tanàna, ka enina arivo sy roa alina, samy mahatan-tsabatra, no isany, afa-tsy ny mponina tao Gabaà, fiton-jato lahy voafantina.

16 Nisy fiton-jato lahy voafantina tamin’ireo vahoaka rehetra ireo tsy mampiasa ny tanany havanana: ireo mpiady ireo samy mahay mitoraka singam-bolo amin’ny vaton’antsamotady, ka mahavoa azy.

17 Ny isan’ny lehilahy amin’i Israely afa-tsy ny Benjaminita, dia efatra hetsy, samy mahatan-tsabatra sy mpanafika avokoa.

18 Dia niainga ny zanak’i Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra hoe: «Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «I Jodà no hiakatra voalohany.»

19 Dia niainga maraina ny zanak’i Israely, ka nitoby tandrifin’i Gabaà.

20 Nandroso ny lehilahy amin’i Israely hiady amin’ny an’i Benjamina ary nilahatra ny lehilahy amin’i Israely hamely azy teo anoloan’i Gabaà.

21 Fa nivoaka avy eo Gabaà ny taranak’i Benjamina tamin’izay, ary lehilahy roa arivo sy roa alina tamin’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany androtr’io ihany.

22 Nohamafisin’ny vahoaka, dia ny lehilahy amin’i Israely anefa, ny herim-pony ka nilahatra hiady teo amin’ny fitoerana nilaharany tamin’ny andro voalohany indray izy.

23 Dia niakatra nitomany teo anatrehan’i Iaveh mandra-paharivan’ny andro ny zanak’i Israely; sady nanontany an’i Iaveh nanao hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahiko, ihany va aho?» Ka hoy ny navalin’i Iaveh: «Miakara hamely azy.»

24 Dia nanatona ny taranak’i Benjamina indray ny zanak’i Israely tamin’ny andro faharoa.

25 Ka nivoaka avy ao Gabaà hamely azy ny taranak’i Benjamina tamin’io andro faharoa io, ary lehilahy valo arivo sy iray alina, samy mahatan-tsabatra tamin’ny zanak’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany indray.

26 Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh,

27 ary nanontany an’i Iaveh ny zanak’i Israely, fa teo ny fiaran’Andriamanitra tamin’izany andro izany;

28 ary teo anoloan’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna, tamin’izany andro izany, ary hoy izy ireo hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany va aho sa tokony hitsahatra?» Dia hoy i Iaveh: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy rahampitso.»

Resy i Benjamina ary naringana

29 Tamin’izay nasian’i Israely otrika manodidina an’i Gabaà;

30 ary niakatra hamely ny taranak’i Benjamina ny zanak’i Israely tamin’ny andro fahatelo, ka nilahatra hiady teo anoloan’i Gabaà, toy ny taloha ihany.

31 Dia nivoaka hamely ny vahoaka ny taranak’i Benjamina, ka nety ho voatarika hanalavitra ny tanàna. Rafitra namely sy namono tamin’ny vahoaka toy ny teo aloha izy, eo amin’ireo lalana any an-tsaha, izay miakatra any Betela ny iray, ary miakatra any Gabaà ny iray; dianahafatesanysahabo ho telopolo lahy amin’i Israely.

32 Hoy ny taranak’i Benjamina: «Indro fa resy eo anoloantsika toy ny taloha ihany izy ireo.» Fa hoy kosa ny zanak’i Israely: «Ndeha handositra ka ataovy tari-dositra hanalavitra ny tanàna amin’ireo lalana ireo.»

33 Dia niala tamin’izay nitoerany àry ny lehilahy amin’i Israely rehetra, ka nilahatra tany Baala-Tamara; ny olon’i Israely nanotrika kosa dia niantoraka avy amin’ny fitoerana nisy azy, tao amin’ny tany lemak’i Gabaà,

34 ka lehilahy iray alina voafantina tamin’i Israely rehetra, no tamy avy teo anoloan’i Gabaà. Mafy ny ady, ary tsy nampoizin’ny taranak’i Benjamina fa efa mananontanona azy ny loza.

35 Nasian’i Iaveh teo anoloan’i Israely i Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin’ny zanak’i Israely tamin’i Benjamina androtr’io.

36 Koa hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy; fa ny lehilahy amin’i Israely no nihemotra teo anatrehan’i Benjamina dia noho ny fitokiany ny otrika napetrany hamely an’i Gabaà.

37 Fa niroatra faingana nankany Gabaà ireo olona natao otrika ireo, raha efa izany dia nandroso ny lehilahy natao otrika namely ny tanàna manontolo tamin’ny lelan-tsabatra.

38 Ary nisy famantarana nifaneken’ny lehilahy amin’i Israely tamin’ireo nanao otrika, dia ny hananganan’ireto setroka nijofo avy ao an-tanàna,

39 ka nifontina tamin’ny ady ny lehilahy amin’i Israely. Ny Benjaminita efa nahafaty sahabo ho telopolo lahy tamin’izy ireo, ka dia hoy izy: «Resy marina tokoa eo anatrehantsika izy toy ny tamin’ny ady voalohany mihitsy.»

40 Kanjo efa niantomboka nidonaka ny setroka niakatra avy ao an-tanàna sahala amin’ny rahona, dia niherika ny Benjaminita ka nahita ity tanàna manontolo nidonak’afo nanakatra ny lanitra.

41 Ny lehilahy amin’i Israely nifontina taminy, ary ny lehilahy amin’i Benjamina nivadi-po terỳ nahita fa ianjeran’ny loza izy,

42 ka niamboho teo amin’ny lehilahin’i Israely izy ireo nihazo ny lalana mankany an’efitra; nefa noenjehin’ny mpiady mafy izy; ary ny tao an-tanàna novonoiny samy eo amin’ny fitoerana nisy azy avy.

43 Notemerany sy noenjehiny i Benjamina dia novonoiny teo amin’izay niatoany hatrany an-tandrifin’i Gabaà any amin’ny fiposahan’ny masoandro.

44 Valo arivo sy iray alin-dahy, samy lehilahy mahery avokoa amin’i Benjamina no maty.

45 Izay niamboho dia nandositra nankany an’efitra any akaikin’ny haram-baton’i Remôna. Dimy arivo lahy no matin’ny zanak’i Israely teny an-dalana, dia nenjehiny mafy hatrany Jedeôna ihany izy ireny, ka nahafatesany roa arivo koa.

46 Dimy arivo sy roa alin-dahy mahatan-tsabatra no tontalin’ny Benjaminita maty tamin’izany andro izany, samy lehilahy mahery avokoa.

47 Ny enin-jato lahy niamboho sy nandositra nankany an’efitra, any amin’ny haram-baton’i Remôna dia nitoetra tao amin’ny haram-baton’i Remôna efa-bolana.

48 Dia niverina tany amin’ny taranak’i Benjamina indray ny lehilahy amin’i Israely, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra avokoa hatramin’ny tanàna, na olona na biby fiompy, ka hatramin’izay rehetra hitany tany. Ary nodorany tamin’ny afo avokoa ny tanàna rehetra hitany.

Categories
Mpitsara

Mpitsara 21

Nanenina ny Israelita

1 Tany Masfà nianianany lehilahy amin’i Israely nanao hoe: «Tsy hisy hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita isika».

2 Nankany Betela ny vahoaka, ka nitoetra tao izy eo anatrehan’i Iaveh mandra-paharivan’ny andro. Nanandratra ny feony nitomany mafy dia mafy izy,

3 nanao hoe: «Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, ahoana re no nahatonga izao amin’i Israely; fa fongotra androany ity ny fokon’i Israely iray».

4 Nony ampitso nifoha maraina koa ny vahoaka dia nanorina ôtely teo, ka nanolotra sorona dorana sy sorom-pihavanana.

5 Ary hoy ny zanak’i Israely: «Iza amin’ny fokon’i Israely rehetra no tsy niakatra namonjy ny fiangonana teo anatrehan’i Iaveh?» Fa efa nisy voady natao ampahibemaso, namely an’izay tsy hiakatra hankany amin’i Iaveh any Masfà manao hoe: «Hoheloin-ko faty izy.»

6 Nalahelo an’i Benjaminarahalahiny ny zanak’i Israely, ka nanao hoe: «Ny foko iray no fongotra amin’i Israely androany.

7 Inona re no hataontsika ho azy, mba hahazoan’ireo sisa vady? Fa isika efa nianiana tamin’i Iaveh tsy hanome ny zanatsika ho vadin’izy ireo.»

Ireo virjinin’i Jabesy nomena ny Benjaminita

8 Dia hoy izy: «Moa misy, na dia anankiray aza, amin’ny fokon’i Israely, tsy mba niakatra nankany amin’i Iaveh tany Masfà? Ary indro, ny tamin’i Jabesy any Galaada, no tsy mba nisy tonga tao an-toby amin’ny fiangonana.»

9 Fa nisaina ny olona ary indro fa tsy nisy tao ny mponina ao Jabesy any Galaada, na dia iray aza.

10 Koa naniraka lehilahy roa arivo sy iray alina anisan’ny mahery hamely azy ny fiangonana, ary nomeny didy hoe: «Mandehana asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy any Galaada, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy.

11 Izao no hataonareo: ataovy anatema ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy.»

12 Dia nahita zazavavy virjiny efajato tsy mbola nahalala lahy fa tsy nandry tamin-dehilahy izy ireo, teo amin’ny mponina any Jabesy, any Galaada, ka nentiny nankany an-toby tany Silao izay any amin’ny tany Kanaana.

13 Ary ny fiangonana rehetra nandefa iraka hiteny amin’ny taranak’i Benjamina, tany amin’ny haram-baton’i Remôna sy hanambara ny fihavanana amin’izy ireo.

14 Dia niverina ny Benjaminita tamin’izany andro izany ka nomena azy ireo ny vehivavy navela ho velona tamin’ny vehivavy tany Jabesy, any Galaada, nefa tsy ampy hahenina azy ireo.

Ny nakana an-keriny an’ireo tovovavin’i Silô

15 Nalahelo an’i Benjamina ny vahoaka, fa efa nanabangan’i Iaveh iray ny fokon’i Israely.

16 Ary hoy ny loholon’ny fiangonana: «Inona no hataontsika hahazoan’ireo sisa vady; fa efa ringana ny vehivavy tamin’i Benjamina?»

17 Dia hoy izy ireo: «Ny lovan’ireo afa-nandositra dia aoka ho raikitra fa an’i Benjamina ihany, mba tsy ho voafongotra amin’i Israely ny foko iray.

18 Fa isika tsy mahazo manome amin’ny zanatsika ho vadin’izy ireo», satria efa nianiana ny zanak’i Israely nanao hoe: «Ho voaozona anie izay manome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita.»

19 Dia hoy izy hoe: «Indro misy fetin’i Iaveh ankalazaina isan-taona any Silao», ilay tanàna ao avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon’i Libàna,

20 ka nomeny didy ny taranak’i Benjamina, nataony hoe: «Mandehana ianareo, manao otrika ao amin’ny tanimboaloboka,

21 dia jereo, ka nony injay mivoaka hiara-mandihy ny zazavavin’i Silao, dia mivoaha avy ao an-tanimboaloboka, ka samia ianareo misambotra izay ho vadinareo amin’ny zazavavin’i Silao, dia handeha hankany amin’ny tanin’i Benjamina indray.»

22 Ary raha tonga mitaraina aminay ny rainy na ny anadahiny dia izao no holazainay aminy: «Mba avelao ho anay izy fa tsy nahazo vady ho azy tsirairay avy izahay, tamin’ny ady. Sady tsy ianareo no nanome azy ho azy ireo, fa raha izany no meloka ianareo.»

23 Dia nataon’ny taranak’i Benjamina izany, samy naka vady ho azy tamin’ny mpandihy nosamboriny, araka ny isany, izy ireo; ary niainga hody amin’ny lovany, dia nanorina ny tanànany indray sy nonina teo izy.

24 Tamin’izany andro izany dia niala teo ny zanak’i Israely, samy ho any amin’ny fokony sy ny fianakaviany; samy nody avy eo ho any amin’ny lovany avy. Tsy nisy mpanjaka teo amin’i Israely tamin’izany andro izany, fa samy nanao izay tsara…

Categories
Rota

Rota 1

I ROTA SY I NÔEMÌ

1 Tamin’ny andro nanapahan’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betlehema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Moaba, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.

2 Elimeleka no anaran-dralehilahy io, Nôemì no anaran’ny vadiny, ary Mahalôna sy Seljôna no anaran’ny zanany roa lahy. Efrateaninaavy any Betlehema any Jodà izy ireo, ary nankany amin’ny tanin’i Moaba sy nonina tany.

3 Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemì, ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.

4 Naka vady tamin’ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka tao sahabo ho folo taona izy ireo.

5 Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna, ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.

I Nôemì sy ireo vinanto vaviny roa

6 Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Moaba, satria reny tany amin’ny tanin’i Moaba fa efa novangian’i Iaveh ny vahoakany ka nomeny hanina.

7 Niala teo amin’ny tanynonenanyizy sy ireto vinantony roa vavy, dia niainga hody any amin’ny tanin’i Jodà.

8 Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy modyany an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.

9 Samy hampahitan’i Iaveh fiadanana avy anie ianareo, any amin’ny tranon’izay ho vadinareo». Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany.

10 Ary hoy izy taminy hoe: «Tsia, fa hiara-miverina aminao ho any amin’ny firenenao izahay.»

11 Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?

12 Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aho fa manantena ihany, na dia hanam-bady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza,

13 moa hahandry mandra-pahalehiben’izany va ianareo? Moa hahajanona tsy hanam-bady fanindroany noho izany? Tsia, anaka. Noho ianareo dia mangidy amiko indrindra ny namelezan’ny tanan’i Iaveh ahy».

14 Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary i Orfà nanoroka ny rafozany, fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.

15 Ka hoy i Nôemì: «Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny irỳ ny zaobavinao, ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.»

16 Fa hoy i Rota: «Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;

17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie aho, raha tsy ny fahafatesana tokana no hahasaraka ahy aminao.»

18 Nony hitan’i Nôemì fa tapa-kevitra ny hanaraka azy i Rota, dia najanony ny teny nandodonany azy.

19 Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Nony niditra an’i Betlehema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: «Fa i Nôemì ve io e?»

20 Dia hoy izy tamin’ireo: «Aza atao hoe Nôemì intsony aho, fa ataovy hoe Marà, fa nataon’i Iaveh safotry ny mangidy aho.

21 Feno tanana aho no nivoaka fa foan-tanana kosa no ampodin’i Iaveh. Ka ahoana no iantsoanareo ahy hoe Nôemì ihany; nefa i Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy.»

22 Toy izany no nodian’i Nôemì, ary niaraka taminy i Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy amin’ny tanin’i Moaba. Tonga teo Betlehema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana orja.

Categories
Rota

Rota 2

I ROTA TANY AMIN’NY SAHAN’I BOOZA

1 Nanana havam-bady anankiray i Nôemì; lehilahy manan-jo sy manan-karena, avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io, ary Booza no anarany.

2 Ary hoy i Rota ilay Moabita tamin’i Nôemì: «Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.» Ka hoy izy namaly azy: «Andeha, anaka.»

3 Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja, ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Booza, fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.

4 Ary indro tonga avy any Betlehema i Booza, ka niteny tamin’ny mpijinja hoe: «Ho ao aminareo anie i Iaveh.»

5 Ary hoy i Booza tamin’ny mpanompony, izay nitandrina ny mpijinja:

6 «An’iza io zazavavy io?» Dia namaly ilay mpanompo nitandrina ny mpijinja nanao hoe: «Zazavavy Moabita niara-tonga tamin’i Nôemì io avy any amin’ny tanin’i Moaba.

7 Nilaza taminay izy nanao hoe: Mba avelao kely aho hitsimpona sy hanangona ny salohim-bary eny anelanelan’ny amboarany, eo aorian’ny mpijinja. Dia tsy nipetraka izy hatrizay nahatongavany haninaraina ka mandraka ankehitriny, ary izay fialany sasatra ao an-trano dia fohy.»

8 Dia hoy i Booza tamin’i Rota: «Izao no izy, anaka: Aza mandeha hitsimpona any amin’ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizy vaviko.

9 Jereo izay tanimbary hojinjaina ka manaraha eo aorian’ireo. Efa nolazaiko ny mpanompoko tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta ianao, mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.»

10 Tamin’izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany, ka nanao taminy hoe: «Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?»

11 Dia hoy ny navalin’i Booza azy: «Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.

12 Hamaly ny nataonao anie i Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana.»

13 Ary hoy izy: «Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin’ny fon’ny ankizy vavinao ianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ny ankizy vavinao akory aza aho».

14 Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia hoy i Booza tamin’i Rota: «Mandrosoa hihinana mofo ary atsobohy amin’ny vinaingitrany tapa-mofonao». Dia nipetraka teo anilan’ny mpijinja izy, ary nomen’i Booza lango. Dia nihinana izy, ka voky, ary ny sisa notahiriziny.

15 Avy eo dia nitsangana izy nitsimpona salohim-bary. Ary izao no teny nomen’i Booza ny mpanompony: «Aoka izy hitsimpona eny anelanelan’ny amboarany eny koa, fa aza manao izay hahamenatra azy,

16 ary misariha salohy avy amin’ny amboarany aza ho azy, ka avelao mba hotsimponiny fa aza maninitsiny azy».

17 Nitsimpona teo an-tanimbary mandra-paharivan’ny andro izy, dia noveleziny izay voatsimpony, ka orja sahabo ho iray efah.

18 Noraisiny izany dia nody nankany an-tanàna izy, ka hitan’ity rafozany izay voatsimpony, ary nalainy koa ilay sisa tsy laniny tamin’ny sakafony ka natolony azy.

19 Dia hoy ny rafozany taminy: «Taiza no nitsimpona ianao androany ary taiza no niasa? Hambinina anie izay nangoraka anao!» Nambaran’i Rota tamin’ny rafozany izay olona niasany nataony hoe: «Tany amin’ny lehilahy atao hoe Booza no niasa aho androany.»

20 Ary hoy i Nôemì tamin’ity vinantony: «Hambinin’i Iaveh anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin’ireo maty ihany koa.» Hoy i Nôemì taminy: «Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan’izay mahazo manavotra antsika koa.»

21 Dia hoy i Rota, ilay Moabita: «Izao koa no nolazainy tamiko: Miaraha amin’ny mpanompoko ianao, mandra-pahataperany ny fijinjana».

22 Ka hoy i Nôemì tamin’i Rota vinantony: «Tsara, anaka, raha miaraka amin’ny mpanompovaviny ianao, fandrao dia asian’ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa.»

23 Ka dia niaraka tamin’ireo mpanompovavin’i Booza izy mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny frômanta. Ary tao amin’ny rafozany ihany izy no nitoetra.

Categories
Rota

Rota 3

I BOOZA NATORY

1 Dia hoy i Nôemì rafozany taminy: «Te hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka.

2 Ary amin’izao moa tsy havantsika va i Booza, tompon’ny ankizy vavy niarahanao? Indro fa hikororòka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina.

3 Koa mandroa ianao, mihosora diloilo, miakanjoa, ary midìna eny am-pamoloana. Aza atao hitany anefa ianao, raha tsy efa tapi-nihinana sy nisotro izy.

4 Nony injay handeha handry izy, kendreo tsara izay toerana handriany dia midira ao, ka sokafy ny firakofanyeo an-tongony ary mandria eo, fa holazainy aminao izay hataonao.»

5 Dia hoy razazavavy namaly azy: «Eny, fa hataoko avokoa izay asainao ataoko.»

6 Dia nidina nankany am-pamoloana izy, ka nanao izay rehetra nasain-drafozany natao.

7 Nihinana sy nisotro i Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarỳ amin’ny faran’ny antontan’amboaram-bary, nitsaitsaika nanatona i Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.

8 Nony nisasaka ny alina, taitra ralehilahy ka niondrika ka indro nisy vehivavy nandry teo an-tongony.

9 Dia hoy izy: «Iza izato?» Ary hoy ny navaliny azy: «Izaho no Rota ankizy vavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizy vavinao, fa havana mahazo manavotra ianao.»

10 Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.

11 Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betlehema fa vehivavy tsara toe-panahy ianao.

12 Ary amin’izao dia marina tokoa fa mahazo manavotra aho; nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho.

13 Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha te hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona i Iaveh! Fa mandria eo mandra-paharainan’ny andro».

14 Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-paharainan’ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy hahafantaran-dahy, fa hoy i Booza: «Aoka tsy ho fantatr’olona akory fa tatỳ am-pamoloana ity vehivavy ity.»

15 Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.

16 Nony tonga tany amin-drafozany i Rota, dia hoy i Nôemì: «Inona no nataonao, anaka?»Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy.

17 «Ary nomeny ity orja inenin’ny famarana ity koa aho, hoy izy, nataony hoe: Tsy hody any amin-drafozanao mitondra tanam-polo fotsiny ianao».

18 Ka hoy i Nôemì: «Mijanòna eto, anaka, mandra-pahitanao izay hiafaran’izany, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io.»

Categories
Rota

Rota 4

I BOOZA MANAMBADY AN’I ROTA

1 Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.

2 Ary naka folo lahy tamin’ny loholona tao an-tanàna i Booza, ka hoy izy: «Mipetraha eto ianareo.» Dia nipetraka izy ireo.

3 Dia hoy izy tamin’ilay mahazo manavotra: «Ny anjara tanin’i Elimeleka rahalahintsika dia namidin’i Nôemì, ity efa tonga avy any amin’ny tanin’i Moaba.

4 Ka hoy aho hoe: tiako ny hampandre anao izany sy ny hilaza aminao hoe: Vidio izany eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eo anoloan’ny loholona amin’ny fireneko. Raha te hanavotra ianao avoty; raha tsy tianao, dia ambarao izany mba ho fantatro; fa tsy misy olona mahazo manavotra alohanao; ary izaho no manarakaraka anao.» Dia hoy ny navaliny hoe: «Hanavotra aho»

5 Ka hoy i Booza: «Amin’ny andro hahazoanao ny tany amin’ny tanan’i Nôemì dia ho azonao koa izany amin’ny tanan’i Rota, ilay Moabita, vadin’ny maty, mba hamelomanao maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.»

6 Ary namaly ilay mahazo manavotra: «Tsy afa-manavotra izany amin’ny anarako aho, fandrao dia manimba ny lovako indray. Ka ento ho anao ny fahazoako manavotra fa tsy afa-manavotra aho.»

7 Fanao teo amin’i Israely fahiny, raha misy fanavotana na fanakalozana, ny manala ny kirarony ny anankiray dia omeny ny iray hafa mba handraikitra ny raharaha, dia izany no natao vavolombelona teo amin’i Israely.

8 Ka hoy itsy nahazo nanavotra, tamin’i Booza: «Vidio ho anao izany.» Sady nesoriny ny kirarony.

9 Ary hoy i Booza tamin’ireto loholona sy ny olona rehetra: «Vavolombelona androany ianareo fa lasako tamin’ny tanan’i Nôemì izay rehetra an’i Elimeleka sy izay rehetra an’i Seljôna sy i Mahalôna;

10 lasako miaraka amin’izany koa ho vadiko i Rota Moabita, vadin’i Mahalôna, mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany, ary mba tsy ho faty eo amin’ny rahalahiny sy eo am-bavahadin’ny fonenanyny anaran’ny maty. Ianareo no vavolombelon’izany androany.»

11 Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin’ny loholona: «Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon’i Iaveh tahaka an-dRasela sy i Lià ny vehivavy izay miditra ao an-tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon’i Israely. Ary ianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka ianao hampanan-daza ny anaranao any Betlehema.

12 Hanahaka ny tranon’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Jodà anie ny tranonao, amin’ny taranaka homen’i Iaveh anao amin’ity zazavavy ity.»

13 Dia nampakarin’i Booza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Booza. Ary nampanana anaka an’i Rota i Iaveh ka niteraka zazalahy izy.

14 Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemì: «Hisaorana anie i Iaveh fa tsy navelany tsy hanam-panavotraianao ankehitriny. Hankalazaina anie ny anarany eo amin’i Israely!

15 Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao, fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.»

16 Dia noraisin’i Nôemì ny zaza ka nataony teny an-trotroany, ary izy no nitaiza azy.

17 Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: «nahazo zazalahy i Nôemì», ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain’i Isaia, rain’i Davida.

Razam-ben’i Davida

18 Izao no taranak’i Faresa niteraka an’i Esrôna: I Esrôna niteraka an’i Arama, i Arama niteraka an’i Aminadaba, i Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, i Nahasôna niteraka an’i Salmôna, i Salmôna niteraka an’i Booza, i Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia, i Isaia niteraka an’i Davida.

Categories
1Samoela

1Samoela 1

Fivahinianana masina tany Silao

1 Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima, any amin’ny tendrombohitra Efraima, atao hoe Elkanà, zanak’i Jerôhama, zanak’i Eliò, zanak’i Taohò, zanak’i Sofa; Efrateanina izy io.

2 Nampirafy izyka i Anà no anaran’ny vadiny anankiray, ary Fenenà kosa, ny anankiray. Nanan-janaka i Fenenà, fa i Anà kosa tsy mba nanan-janaka.

3 Niakatra avy any an-tanàna isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’i Iavehn’ny tafikasy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak’i Helì, roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, mpisoron’i Iaveh.

4 Tamin’ny andro nanateran’i Elkanà sorona, dia samy nomeny anjara avy i Finenà vadiny, sy ny zanany lahy aman-janany vavy,

5 ary i Anà nomeny anjaran-droasatria tiany i Anà, ary nataon’i Iaveh momba.

6 Sady mbola nankalozain’ity rafiny mafy izaitsizy koa izy, mba hampalahelo azy amin’ny nanaovan’i Iaveh azy momba.

7 Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaky ny iakaran’i Anà any an-tranon’i Iaveh; fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.

8 Hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ry Anà ô, ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?»

Vavak’i Anà

9 Nony avy nihinana sy nisotro ny olona, tany Silao, dia nitsangana i Anà. I Helì mpisorona izany, nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray, teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsato-kazon’ny tempolin’i Iaveh.

10 Fo vontom-pahoriana no nivavahan’i Anà tamin’i Iaveh ary nipotrapotraka ny ranomasony;

11 ary nivoady izy, nanao hoe: «Iavehn’ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao Ianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao, dia homeko ho an’i Iaveh izy, amin’ny andro iainany rehetra, ary tsy ho kasihin-kareza ny lohany.»

12 Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan’i Iaveh ka nodinihin’i Helì ny vavany.

13 Fa niteny anakampo i Anà, ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory. Noheverin’i Helì fa mamo izy.

14 Dia hoy izy taminy: «Mandra-pahoviana ianao no ho mamo? Mampisavà ny hamamoana avy amin’ny divainao.»

15 Fa hoy i Anà: «Tsia, tompoko, fa vehivavy ory ao am-po aho, tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho; fa namboraka ny ato am-poko eto anatrehan’i Iaveh.

16 Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon’i Belialafa ny hamafin’ny halahelo amam-pahoriako no nitenenako mandraka ankehitriny.»

17 Dia niteny indray i Helì ka hoy izy: «Mandehana amim-piadanana, ary hohenoin’ny Andriamanitr’i Israely ny vavaka nataonao taminy.»

18 Ka hoy izy: «Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao.» Dia lasa nizotra ny lalany ravehivavy, dia nihinana izy ary niova ny tarehiny.

Ny nahaterahan’i Samoela sy ny nanokanana azy

19 Ary nifoha maraina koa izy ireo, ka nony avy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh, dia nody izy, ka niverina tany an-tranony any Ramà.

20 Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoelany anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.

21 Dia niakatra i Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra hanatitra amin’i Iaveh ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny.

22 Tsy mba niakatra anefa i Anà, fa hoy izy tamin’ny lahy: «Rehefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko eo anatrehan’i Iaveh sy hitoetra eo mandrakizay.»

23 Ary hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ataovy izay heverinao ho mety; mijanòna atỳ aloha, mandra-panotinao azy, ary hoefain’i Iaveh anie ny teniny.» Dia nijanona ravehivavy, ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.

24 Nony efa notazany ny zaza, dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr’ombilahy telo, sy lafarina iray efah, ary divay eran’ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-tranon’i Iaveh tao Silao izy. Mbola tanora kely ny zaza.

25 Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’ombilahy iray, ary nentiny nankao amin’i Helì ny zaza.

26 Ka hoy i Anà: Aza mahafady, tompoko. Raha velona koa ny aiko, tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’i Iaveh.

27 Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken’i Iaveh ny fangatahana nataoko taminy.

28 Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’i Iaveh; nafoy ho an’i Iaveh izy amin’ny andro hiainany rehetra. Dia niankohoka teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.

Categories
1Samoela

1Samoela 2

Tononkiran’i Anà

1 Ary nivavaka i Anà ka nanao hoe:

«Ny foko misomebin-kafaliana amin’i Iaveh,

ny tandrokonasandratr’i Iaveh,

ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko;

fa mifaly amin’ny famonjenao aho.

2 Tsy misy masina tahaka an’i Iaveh,

fa tsy misy afa-tsy Ianao no Izy;

tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.

3 Aza dia fatra-piteny avonavona

na mamoaka vava midaondaom-poana.

Fa Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra i Iaveh,

ary velon-ko tsinontsinona ny asan’ny olombelona.

4 Ny olo-mahery tapa-tsipìka

fa ny osa kosa misikina hery.

5 Ny voky taloha mikarama mofo,

fa ny noana kosa afa-kanoanana;

ny momba aza miteraka fito,

fa ny maro anaka kosa mihamalazo.

6 I Iaveh no mahafaty sy mahavelona;

mampidina any amin’ny fonenan’ny maty sy mampiakatra avy any koa.

7 I Iaveh no mampahantra sy mampanan-karena.

Izy no mampietry sy manandratra.

8 Esoriny amin’ny vovoka ny mahantra;

atsangany hiala amin’ny zezika ny tsy manana,

hampiarahiny mitoetra amin’ny mpanjaka,

ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany.

Fa an’i Iaveh ny andrin’ny tany,

ary teo amboniny no nametrahany ny tany.

9 Ny dian’ny olo-masina hotandremany,

fa ny ratsy fanahy kosa ho very any amin’ny maizina.

Satria tsy ny hery no hahombiasan’ny olona.

10 I Iaveh! ho torotoro ny fahavalony,

any ambonin’ny lanitra no hikotrohany amin’ireny;

hotsarain’i Iaveh ny vazantany rehetra.

Homeny hery ny mpanjakany,

ary hasandrany ny tandroky ny nohosorany.»

11 Dia nandeha i Elkanà nody tany an-tranony any Ramà; ary ny zaza nijanona nanompo an’i Iaveh teo anatrehan’i Helì, mpisorona.

Ireo zanak’i Helì

12 Ary ny zanak’i Helì dia olon’i Beliala, tsy nahalala an’i Iaveh akory;

13 fa izao no fanaon’izy mpisorona tamin’ny vahoaka: Raha misy olona manatitra sorona, dia tamy ny mpanompon’ny mpisorona dieny mbola andrahoina ny hena sady mitondra fitrebika telo rantsana izy;

14 dia atsobony ao anatin’ny vilany lehibe na nongo na vilany, na vilanin-daoka; ka izay rehetra azon’ny fitrebika avy ao, dia alain’ny mpisorona ho azy. Ataony toy izany avokoa ny Israelita tonga ao Silao.

15 Mbola tsy voadoro akory ny sabora, dia tonga ny mpanompon’ny mpisorona, milaza amin’izay manatitra sorona hoe: «Omeo hena aho, hatsatsika ho an’ny mpisorona, fa tsy handray hena masaka aminao izy, fa ny mbola manta ihany.»

16 Ary raha miteny aminy ny olona manao hoe: «Aoka aloha hodorana hanetona ny sabora, vao izay vao maka izay tianao ianao» dia valian’ity mpanompo manao hoe: «Tsia, omeo ankehitriny izao ihany, fa raha tsy izany dia halaiko ankehitriny.»

17 Ka dia heloka be vava teo anatrehan’i Iaveh ny an’ireo zatovo ireo, satria nahatarika fanaratsiana ny fanatitra ho an’i Iaveh izany olona izany.

I Samoela tany Silao

18 Nanao ny fanompoana teo anatrehan’i Iaveh i Samoela, ary efôda rongony no natafiny ny zaza.

19 Nanaovan-dreniny akanjo kely izy, nentiny ho azy isan-taona, rehefa miara-miakatra amin’ny vadiny izy, hanatitra ny sorona fanao isan-taona.

20 Ary i Helì nitso-drano an’i Elkanà mivady ka nanao hoe: «Homen’i Iaveh taranaka amin’ity vehivavy ity anie ianao noho ny fanomezana nataony ho an’i Iaveh.» Dia lasa nody izy ireo.

21 Novangian’i Iaveh i Anà, ka nanana anaka, dia niteraka telo lahy sy roa vavy. Ary i Samoela kely nitombo teo anatrehan’i Iaveh.

Ireo zanak’i Helì ihany

22 Efa antitra dia antitra i Helì, ary nandre ny nataon’ny zanany tamin’i Israely rehetra izy, sy ny nandriany tamin’ny vehivavy nanompo teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana,

23 ka nanao taminy hoe: «Ahoana no anaovanareo izany zavatra izany? Fa reko amin’izao vahoaka rehetra izao ny ratsy ataonareo.

24 Tsia, anaka, tsy tsara ny vavam-bahoaka reko; fa mampanota ny vahoakan’i Iaveh.

25 Raha olombelona no anotan’olombelona dia Andriamanitra no mitsangan-ko elanelam-panahy, fa raha i Iaveh kosa no anotàny, iza no hifona ho azy?» Tsy nihaino ny feon-drainy anefa izy fa ny hahafaty azy no sitrak’i Iaveh.

26 I Samoela kely kosa, nitombo nitombo ihany, ary sitrak’i Iaveh sy ny olombelona.

Fanambaràna ny sazy

27 Ary nisy olon’Andriamanitraanankiray tonga tao amin’i Helì ary nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Tsy efa niseho mazava tamin’ny ankohonan-drainao va Aho, fony izy mbola tany Ejipta tao an-tranon’i Faraôna?

28 Nofidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra izy ho mpisoroko, hiakatra amin’ny ôteliko, handoro zava-manitra, hitafy ny efôda eo anatrehako, ary nomeko ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ny zanak’i Israely amin’ny afo.

29 Ka ahoana no dia nohosenareo amin’ny tongotrareo ny sorona amam-panatitra ho Ahy izay nodidiako haterina ao amin’ny fonenako? Ary nahoana no dia ny zanakao indray no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, fa anatavezanareo tena ny tsara indrindra amin’ny fanatitra rehetra avy amin’i Israely vahoakako.

30 Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.

31 Indro tonga ny andro hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin’ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony amin’ny taranakao.

32 Ianao hahita ny fonenanao amin’ny fotoana hamenoan’Andriamanitra soa an’i Israely: ary amin’ny taranakao tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony, na oviana na oviana.

33 Tsy hofongorako tsy ho eo amin’ny ôteliko avokoa ny lehilahy rehetra amin’ny taranakao mba hahajemby ny masonao sy handreraka ny fonao, nefa ho faty amin’ny taonan’ny fahatanjahany avokoa ny solofo rehetra amin’ny taranakao.

34 Ary ho famantaranao izany, ny hanjò ny zanakao roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, fa ho indray andro matyizy roa lahy.

35 Ary hanangana mpisorona mahatokyAho, izay hanao araka ny foko sy ny fanahiko ary hanorenako trano mafy orina izy, ary handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay.

36 Ka ho avy hiankohoka eo anatrehany avokoa izay sisa tavela amin’ny taranakao, hangataka lela-vola na sombi-mofo kely, ary hiteny hoe: Raha sitrakao mba omeo anjara kely eo amin’ny raharaham-pisoronana aho, mba hahazoako mofo kely hohanina.»

Categories
1Samoela

1Samoela 3

Ny niantsoan’Andriamanitra an’i Samoela

1 Nanao ny fanompoana tamin’i Iaveh teo anatrehan’i Helì, i Samoela kely. Nahàlana ny tenin’i Iavehtamin’izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.

2 Tamin’izany andro izany nony nandry i Helì teo amin’ny fitoerany, ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy,

3 ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty, ary i Samoela nandry teo an-tempolin’i Iaveh izay nisy ny fiaran’Andriamanitra;

4 dia nantsoin’i Iaveh i Samoela ka namaly hoe: «Inty aho!»

5 Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helì, nanao hoe: «Inty aho, fa niantso ahy ianao.» Ary hoy i Helì: «Tsy niantso aho, fa miverena mandry.» Dia lasa izy nandry.

6 Nantsoin’i Iaveh indray i Samoela dia nankany amin’i Helì, nanao hoe: «Inty aho, fa niantso ahy ianao.» Namaly i Helì: «Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry.»

7 Tsy mbola nahalala an’i Iavehi Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin’i Iaveh izy.

8 Ary nantsoin’i Iaveh fanintelony indray i Samoela ka niarina, dia nankany amin’i Helì,

9 nanao hoe: «Inty aho, fa niantso ahy ianao.» Fantatr’i Helì tamin’izay fa i Iaveh no niantso ny zaza, ka hoy i Helì tamin’i Samoela: «Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: Mitenena ry Iaveh ô, fa mihaino ny mpanomponao.» Dia lasa i Samoela nandry tany amin’ny fitoerany.

10 Ary tonga i Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: «Ry Samoela ô! ry Samoela ô!» Dia namaly i Samoela: «Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.»

11 Ary hoy i Iaveh tamin’i Samoela: Indro Aho hanao zavatra eo amin’i Israely; ka tsy hisy handre izany ka tsy hangintsingintsina ny sofiny roa.

12 Hotanterahiko amin’i Helì amin’izany andro izany izay rehetra voalazako ny amin’ny tranony; hanomboka Aho ary hanapitra koa.

13 Voalazako taminy fa handeha hanao fitsarana ny tranony Aho ho amin’ny mandrakizay, noho ny heloka izay fantany, sy ny nivarinan’ny zanany ho ratsy, nefa tsy nosakanany.

14 Izany no nianianako tamin’ny tranon’i Helì fa tsy ho azo honeran’ny sorona na ny fanatitra ny heloky ny tranon’i Helì.

15 Dia mbola nandry mandra-paharainan’ny andro i Samoela vao namoha ny varavaran’ny tranon’i Iaveh. Ary natahotra i Samoela ny hilaza ny fahitany tamin’i Helì.

16 Fa nantsoin’i Helì kosa i Samoela nataony hoe: «Ry Samoela zanako ô!» ka namaly hoe: «Inty aho.»

17 Ary hoy i Helì: «Inona no teny voalaza taminao? Masìna ianao, aza anafenana amiko. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie ianao, raha misy afeninao amiko izay rehetra nolazainy taminao.»

18 Dia nambaran’i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy misy nafeniny na dia kely aza. Ka hoy i Helì: «Iaveh Izy ka aoka hataony izay fantany ho mety.»

19 Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy i Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.

20 Fantatr’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea fa tena mpaminanin’i Iaveh marina tokoa i Samoela.

21 Ary i Iaveh nanohy ny fisehoany tao Silao, fa niseho tamin’i Samoela tao Silao i Iaveh, tamin’ny tenin’i Iaveh.

Categories
1Samoela

1Samoela 4

1 Ary natao tamin’i Israely rehetra ny tenin’i Samoela.

Resy ny Israelita. Nalain’ny Filistinina ny Fiaran’ny Fanekena

Dia nivoaka hiady tamin’ny Filistinina i Israely ka nitoby teo akaikin’i Eben-Ezera; ary ny Filistinina nitoby tao Afeka.

2 Ary nony nilahatra hiady tamin’i Israely ny Filistinina, ka rafitra ny ady, dia resin’ny Filistinina i Israely, nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady teo amin’ny tany lemaka.

3 Niverina tany an-toby ny olona, ary hoy ny loholon’i Israely: «Nahoana i Iaveh no namely antsika teo anoloan’ny Filistinina androany? Andeha hoentina hankatỳ amintsika avy any silao ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh; aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika Izy.»

4 Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy amin’io tanàna io ny Fiaran’ny Faneken’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka amin’ny Kerobima. Niaraka tamin’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh Andriamanitra izy mirahalahy zanak’i Helì, dia i Ofnì sy i Finea.

5 Nony niditra tao an-toby ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh dia nihoby an-kafaliana lehibe i Israely rehetra, ka nanako ny tany.

6 Ren’ny Filistinina ny fikotrokotrok’izany hoby izany, ka hoy izy: «Inona no anton’izany hobin-kafaliana mikotrokotroka any an-tobin’ny Hebrio izany?» Dia reny fa ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh no tonga tao an-toby.

7 Ka raiki-tahotra ny Filistinina fa nataony hoe: «Tonga ao an-toby Andriamanitra.» Dia hoy izy: «Hahita loza isika fa tsy mbola nisy zavatra toy izao mandraka ankehitriny!

8 Hahita loza isika! Iza no hanafaka antsika amin’ny tanan’ireo andriamanitra mahery ireo? Fa ireo andriamanitra ireo no namely ny Ejiptianina tany an’efitra tamin’izao loza rehetra izao.

9 Samia matanjaka sy mitomban-dahy ianareo, ry Filistinina, fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo. Misehoa ho lehilahy ary miadia.»

10 Dia niady ny Filistinina ka resy i Israely sy samy nandositra ho any an-dainy avy; ary mafy tokoa ny faharesena ka nisy telo alina ny olona an-tongotra no lavo tamin’i Israely.

11 Ny Fiaran’Andriamanitra dia voasambotra ary izy roa lahy zanak’i Helì, Ofnì sy Finea, dia maty.

Ny nahafatesan’i Helì

12 Androtr’izay ihany dia tonga tao Silao ny lehilahy anankiray amin’i Benjaminanihazakazaka avy any an-tany niadinay, rovitra ny akanjony, nihoso-bovoka ny lohany.

13 Tamin’ny fotoana nahatongavany dia nipetraka tamin’ny seza anankiray teo amoron-dalana i Helì ka niandry, fa nangitakitaka ny fony, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra. Rehefa tafiditra tao an-tanàna ralehilahy hilaza izany vaovao izany dia nihorakoraka ny tanàna rehetra.

14 Raha nandre izany horakoraka izany i Helì, dia nanao hoe: «Inona izao fihahohahoam-pitabatabana izao?» Ary niaraka tamin’izay dia tonga ralehilahy nilaza ny vaovao tamin’i Helì.

15 Ary efa valo amby sivifolo taona i Helì fahizàny; tsy nihetsika ny masony ary tsy nahita intsony izy.

16 Hoy ralehilahy taminy: «Vao tonga avy any amin’ny tany niadiana aho, ary avy any amin’ny tany niadiana no nandosirako androany.» Hoy i Helì: «Nanao ahoana sy ahoana avy, anaka?»

17 Dia hoy ity iraka: «Nandositra teo anoloan’ny Filistinina i Israely: be dia be no voavono tamin’ny vahoaka; izy roa lahy zanakao aza maty koa, dia i Ofnì sy i Finea, ary ny Fiaran’Andriamanitra lasan-ko babo.»

18 Vao notononiny ny hoe Fiaran’Andriamanitra dia lavo nitsilany avy teo ambony sezany teo anilan’ny vavahady i Helì ka folaka ny hatony, dia maty izy, satria olona efa antitra sy mavesatra izy. Efapolo taona no nitsarany an’i Israely.

Ny nahafatesan’i vadin’i Finea

19 Bevohoka sy efa ho teraka ny vinantony vavy, vadin’i Finea, tamin’izay. Nony reny ny vaovao fa hoe lasan-ko babo ny Fiaran’Andriamanitra ary maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny dia nionkina izy ka teraka, fa voan’ny faharariana.

20 Efa ho faty izy no nilazan’ireo vehivavy teo akaikiny nataony hoe: «Aza matahotra fa tera-dahy ianao». Nefa tsy novaliany na nasiany raharaha akory izany.

21 Nataony hoe Ikabôdano anaran’ny zaza, fa hoy izy: «Efa voaesotra amin’i Israely ny voninahitra noho ny nahalasan-ko babo ny Fiaran’Andriamanitra sy ny nahafatesan’ny rafozany sy ny vadiny.»

22 Hoy izy: «Efa voaesotra amin’i Israely ny voninahitra fa lasan-ko babo ny Fiaran’Andriamanitra.»