Categories
2Samoela

2Samoela 4

Ny namonoana an’i Isbôseta

1 Nony ren’ny zanaka lahin’i Saola fa hoe maty i Abnera, tao Hebrôna, dia niraviravy tanana izy ary kivy ratsy i Israely rehetra.

2 Roa no lehiben’ny antokon’olon’ny zanaka lahin’i Saola, dia i Baanà ny anankiray, ary i Rekaba ny anankiray, samy zanak’i Remôna avy ao Berôta amin’ny taranak’i Benjamina. Fa natao isan’i Benjamina koa i Berôta,

3 ary ny Berôtita dia nandositra nankany Getaima, ka mbola monina any mandrak’androany.

4 I Jônatasy zanak’i Saola, dia nanan-janaka malemy tongo-droa. Dimy taona io zaza io, no tonga avy any Jezraela, ny filazana ny amin’i Saola sy i Jônatasyhoe maty, ka nentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; noho ny firotorotoan’izy io loatra teny am-pandosirana anefa dia potraka ny zaza ka nalemy tongotra. Mifibôsetano anarany

5 Ary tonga i Rekaba sy i Baanà zanak’i Remôna avy any Berôta, ka nony tamin’ilay andro nigaingaina iny indrindra, dia niditra tao an-tranon’i Isbôseta izay nandrinandry niala sasatratamin’ny misasaka andro.

6 Nony niroso hatreo afovoan-trano haka vary izy ireo, dia nasiany tamin’ny kibony izy. Ary i Rekaba sy i Baanà rahalahiny dia nitsoriaka an-tsokosoko.

7 Ilay nandry teo am-parafarany, tao an’efitra fandriany iny i Isbôseta, no niditra tao an-trano izy ireo, dia novonoiny ho faty izy, ka notapahiny ny lohany, dia nentiny, ary nandeha mandritra ny alina manontolo izy, namaky ny Tany lemaka.

8 Nentiny tany amin’i Davida tany Hebrôna ny lohan’i Isbôseta, dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Indro ny lohan’i Isbôseta zanak’i Saola, fahavalonao, izay nitady ny ainao. Namalian’i Iaveh faty an’i Saola sy ny taranany androany ny mpanjaka tompoko.».

9 Ary hoy ny navalin’i Davida tamin’i Rekaba sy i Baanà rahalahiny, zana-dRemôna, avy any Berôta: «Velona i Iaveh, izay nanafaka ahy tamin’ny loza rehetra!

10 Ny olona tonga tao amiko hilaza ny vaovao hoe indro fa maty i Saola, ary nihevitra fa nitondra zava-baovao tsara, nefa nasaiko nosamborina sy novonoina ho faty tany Sikelega ho valin’ny vaovao tsara nentiny,

11 ka mainka raha olona ratsy fanahy no namono olona tsy manan-tsiny, any an-tranony, eo am-pandriany, tsy maintsy hitaky eo amin’ny tananareo ny rany aho sy hamongotra anareo amin’ny tany!»

12 Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo i Davida; ary notapahin’izy ireo ny tongony aman-tanany, ka nahantony teo amoron’ny farihy any Hebrôna. Raha efa izany dia nalainy ny lohan’i Isbôseta sy naleviny tao amin’ny fasan’i Abnera ao Hebrôna.

Categories
2Samoela

2Samoela 5

Fanosorana an’i Davida ho mpanjakan’i Israely

1 Ary tonga amin’i Davida tany Hebrôna ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe: «Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay.

2 Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»

3 Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavananatamin’izy ireo tany, teo anatrehan’i Iaveh, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.

4 Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka, ary efapolo taona no andro nanjakany.

5 Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana, ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra 33 taona.

Ny nahazoana an’i Jerosalema

6 Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema, hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany. Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: «Tsy ho tafiditra atỳ ianao, fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.» Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.

7 Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna: ny tanànan’i Davida izany.

8 Ary hoy i Davida tamin’izany andro izany: «Na iza na iza hamely ny Jeboseanina, ka hihazo amin’ny lalan-drano…Fa ny mandringa sy ny jamba koa dia mankahala ny ain’i Davida.» Izany no niavian’ilay fitenenana hoe: tsy ho tafiditra an-trano ny jamba sy ny mandringa.

9 Dia niorim-ponenana teo amin’ny toerana mimanda i Davida, ka nataony hoe: Tanànan’i Davida izany. Ary nanorina trano tamin’ny manodidina i Davida hatrany Melaô, mbamin’ny ao anatiny koa.

10 Nandroso niha-ambony hatrany hatrany i Davida, ary nomba azy i Iaveh Andriamanitry ny tafika.

11 Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.

12 Dia fantatr’i Davida fa naraikitr’i Iaveh ho mpanjakan’i Israely izy, ary ny fanjakany koa nasandrany, noho i Israely vahoakany.

Ireo zanak’i Davida tao Jerosalema

13 Naka vaditsindrano sy vady koa i Davida, tany Jerosalema, nony tonga avy any Hebrôna izy, ka niteraka zazalahy aman-jazavavy indray i Davida.

14 Ireto no anaran’ireo naterany tany Jerosalema:

15 Samoà, Sôbaba, Natàna, Salômôna, Jebahara,

16 Elisoa, Nefega, Jafia, Elisamà, Eliodà, ary Elifaleta.

Fandresena ny Filistinina

17 Ren’ny Filistinina fa hoe nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida ka niakatra nitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida, ka nidina nankao amin’ny toerana mimanda.

18 Nony tonga ny Filistinina dia nihahaka teny amin’ny lohasahan’i Refaima.

19 Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ary hoy i Iaveh tamin’i Davida: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.»

20 Dia nankany Baala-Farasimai Davida ka namely azy tao i Davida, ary hoy izy: «Novakin’i Iaveh teo anoloako toy ny amakian’ny rano ny fefiloha, ny fahavaloko.» Izany no nanaovana an’io toerana io hoe: Baala-Farasima.

21 Navelan’izy ireo tao ny sampiny, ka nentin’i Davida sy ny olony.

22 Niakatra indray ny Filistinina, ka nihahaka teo amin’ny lohasahan’i Refaima.

23 Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, sy novaliany hoe: «Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy dia hirotsaka aminy, avy arỳ amin’ny balsamie, ianao,

24 ka nony injay mahare fingodongodonan’olona any an-tendron’ny balsamie ianao dia mameleza faingana, fa amin’izay i Iaveh no hivoaka eo alohanao hamely ny tafiky ny Filistinina.»

25 Dia nanao araka izany i Davida, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ka nandresy ny Filistinina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.

Categories
2Samoela

2Samoela 6

Ny Fiaran’ny Fanekena tany Jerosalema

1 Namory ny olona voafantina rehetra amin’i Israely indray i Davida, dia telo alin-dahy.

2 Dia nitsangana i Davida ka niainga izy narahin’ny vahoaka rehetra izay tafavory manodidina azy, ka nankany Baala-Jodàmba hampiakatra avy any ny Fiaran’Andriamanitra izay fiantsoana ilay Anarana, ny Anaran’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka eo ambonin’ny Kerobima.

3 Napetrany teo ambony sarety vaovao ny Fiaran’Andriamanitra ary nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana; ka i Ozà sy i Akiaô zanak’i Abinadaba, no nitarika ny sarety vaovao.

4 Ary nentiny avy ao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana, mbamin’ny Fiaran’Andriamanitra. I Akiaô no nandeha teo aloha.

5 I Davida sy ny taranak’i Israely rehetra, izany, nandihy teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny feon-java-maneno isan-karazany, natao tamin’ny hazo sipre, ny harpa, ny valiha, ny ampongatapaka, ny sistra, ary ny kipantsona.

6 Nony tonga teo am-pamoloan’i Nakôra izy ireo, dia naninjitra ny tanany nankamin’ny Fiaran’Andriamanitra i Ozà sy nandray azy, fa nisolifaka ny omby.

7 Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh ka nasian’Andriamanitra teo no teo ihany noho ny fikoropany foana, dia maty teo anilan’ny Fiaran’Andriamanitra izy.

8 Nahatezitra an’i Davida ny namelezan’i Iaveh an’i Ozà toy izany; ary io toerana io dia nantsoina mandrak’androany hoe: Ferets-Ozà.

9 Natahotra an’i Iaveh i Davida tamin’izany andro izany, ka hoy izy: «Hanao ahoana ny hankanesan’ny Fiaran’i Iaveh any amiko?»

10 Koa i Davida tsy nety nandray ny Fiaran’i Iaveh ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, fa nasain’i Davida nentina nankany an-tranon’i Obededôma, any Geta, ny Fiara.

11 Dia nipetraka tao an-tranon’i Obededôma any Geta telo volana ny Fiaran’i Iaveh, ka nambinin’i Iaveh i Obededôma sy ny ankohonany rehetra.

12 Nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida mpanjaka nanao hoe: «Nambinin’i Iaveh ny ankohonan’i Obededôma sy ny ananany rehetra, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra.» Dia niainga nandeha i Davida, ka nampiakatra ny Fiaran’Andriamanitra avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida, nomba-mpanotrona maro niravoravo.

13 Nony namindra inenina ny mpitondra ny Fiaran’i Iaveh, dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.

14 Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.

15 Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny Fiaran’i Iaveh.

16 Nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanak’i Saola, nony niditra ny tanànan’i Davida ny Fiaran’i Iaveh, ary nahita ity Davida mpanjaka mitsinjaka sy mandihy teo anatrehan’i Iaveh izy, ka nikizaka azy tao am-pony.

17 Nony tafiditra ny Fiaran’i Iaveh ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay nasain’i Davida natsangana ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh i Davida.

18 Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’i Iavehn’ny tafika izy.

19 Dia samy nomeny mofomamy iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra, ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy. Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.

20 Raha ilay nody hitso-drano ny ankohonany iny i Davida, dia nivoaka hitsena an’i Davida i Mikola zanak’i Saola, sy nanao hoe: «Endrey izany voninahitry ny mpanjakan’i Israely androany, tamin’izy nanary lambateo anatrehan’ny ankizy vavin’ny mpanompony, tahaka ny fanary lamban’ny olom-poana!»

21 Fa hoy kosa ny navalin’i Davida tamin’i Mikola: «Teo anatrehan’i Iaveh izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra, ka nanangana ahy ho andriana tamin’ny vahoakany, tamin’i Israely, teo anatrehan’i Iaveh no nandihizako.

22 Mbola hanetry tena noho izany aza aho, sy ho olona tsinontsinona eo imasoko, ary eo anatrehan’ny ankizy vavy antsoinao, eo amin’izy ireo aho dia ho be voninahitra.»

23 Ary tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny i Mikola zanaka vavin’i Saola.

Categories
2Samoela

2Samoela 7

Faminanian’i Natàna

1 Nony efa niorina tsara tao an-tranony ny mpanjaka sady nomen’i Iaveh fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,

2 dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natànampaminany: «Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!»

3 Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka: «Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao i Iaveh.»

4 Ny alin’izay ihany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

5 «Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao ve no hanao trano hitoerako?

6 Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.

7 Ary mandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe: Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho Ahy?

8 Koa ankehitriny, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida, hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely, ary izay nalehanao nombako anao avokoa;

9 ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao, ny anaranao nataoko malaza toy ny anaran’olo-malaza ambonin’ny tany.

10 Nanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho, dia nampiorina azy eo, ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy, fa tsy hampahorian’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony,

11 sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako. Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra Aho; ary lazain’i Iaveh aminao fa hananganany trano ianao.

12 Rehefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao; dia hatsangako ny taranakaomanaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hamafisiko ny fanjakany.

13 Izay no hanorina trano ho an’ny Anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

14 Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy. Raha manao ratsy izy, dia hofaizako amin’ny tsora-kazon’olombelona, sy ny kapoky ny zanak’olombelona.

15 Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy, toy ny nanesorako izany tamin’i Saola, izay nalako teo anoloanao.

16 Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.»

17 Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa izany teny sy fahitana rehetra izany.

Vavak’i Davida

18 Dia tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: «Zinona moa aho, Iaveh Tompo ô! Ary zinona moa ny mpianakaviko no nentinao ho tonga amin’izao aho?

19 Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Iaveh Tompo, fa niteny Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao koa, hatrany amin’ny andro aoriana any. Arakaraka ny lalàn’ny olombelona izany ataonao amiko izany, Iaveh Tompo ô!

20 Inona indray àry no azon’i Davida lazaina aminao? fantatrao ny mpanomponao, ry Iaveh Tompo!

21 Ary noho ny teninaosy araka ny sitraponao no nanaovanao izany raharaha lehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao izany ny mpanomponao.

22 Fa endrey izany halehibeazanao, ry Iaveh Tompo ô! Fa tsy misy tahaka Anao, tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

23 Aiza izay firenena eto ambonin’ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an’i Israely, fa Andriamanitra no tonga hanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny Anarany, hanao zava-dehibe ho Anao, ary hanao famantarana ho an’ny taninao, tamin’ny nandroahanao ireo firenena mbamin’ny andriamaniny teo anoloan’ny vahoakanao izay navotanao tamin’i Ejipta.

24 Nataonao mafy orina i Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay, ka Ianao, ry Iaveh, dia efa tonga Andriamaniny.

25 Koa ankehitriny, ry Iaveh Tompo ô, tano ny teny voalazanao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany, tano mandrakizay izany ary tanteraho araka ny teninao;

26 dia hankalazaina anie ny Anaranao, ka hatao hoe: Iavehn’ny tafika no Andriamanitra amin’i Israely. Ary aoka ho voaorina mafy eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.

27 Fa tenanao, ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano ianareo. Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.

28 Koa ankehitriny, ry Iaveh Tompo, Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao. Efa nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao,

29 ka aoka ho sitrakao ny hitahy ny fianakavian’ny mpanomponao, mba haharetany mandrakizay eo anatrehanao. Fa Ianao, Iaveh Tompo, no niteny, ka amin’ny fitahianao dia ho voatahy mandrakizay ny fianakavian’ny mpanomponao.»

Categories
2Samoela

2Samoela 8

Ireo ady nataon’i Davida

1 Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr’izy ireo teo an-tanany.

2 Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin’ny tany ireo, dia norefesiny tamin’ny kofehy, ka nandrefy indroan’ny kofehy izy, novonoiny ny eran’ny kofehy, novelominy ny eran’ny kofehy. Dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita, ka nanatitra hetra ho azy.

3 Teny an-dalana, fony izy ndeha hampody ny fanjakany eo amoron’ny ony Eofrata, dia resin’i Davida koa i Hadadezerazana-dRohoba, mpanjakan’i Sobà.

4 Ary miaramila an-tsoavaly 1.700, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin’i Davida taminy; ny soavalin-kalesy notraingoin’i Davida avokoa, fa ny mpitarika kalesy zato sisa no notanany.

5 Tonga namonjy an’i Hadadezera mpanjakan’i Sobà koa ny Sirianina avy any Damasa, ka noresen’i Davida ny roa alina tamin’ny Sirianina.

6 Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka tonga mpanompon’i Davida nanatitra hetra ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.

7 Nalain’i Davida ny ampinga volamena tao amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema;

8 varahina be dia be koa no azon’i Davida mpanjaka, tao Bete sy i Berôta, tanànan’i Hadadezera.

9 Nony ren’i Taohò mpanjakan’i Hamata, fa hoe resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Hadadezera,

10 dia nirahin’i Taohò ho any amin’i Davida mpanjaka, i Jôrama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an’i Hadadezera, fa niady lava tamin’i Hadadezera i Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tanan’i Jôrama.

11 Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin’ny firenena rehetra nohitsahin’ny tongony,

12 dia i Siria, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina, i Amaleka; ary ny avy tamin’ny babo azony tamin’i Hadadezera zanak’i Rohoba, mpanjakan’i Sobà.

13 Nahazo laza i Davida fony izy niverina avy nandresy ny Sirianina18.000, teo amin’ny Lohasahan-tSira.

14 Nametrahany miaramila mponina tao Edôma, nametrahany miaramila avokoa i Edôma tontolo, ka dia mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.

Fitondrana ny fanjakana

15 Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.

16 I Jôaba, zanak’i Sarvià, no nifehy ny miaramila; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana;

17 I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;

18 i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’nyKeretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.

Categories
2Samoela

2Samoela 9

Hatsarampon’i Davida tamin’ilay zanak’i Jônatasy

1 Ary hoy i Davida: «Mbola misy olona amin’ny fianakavian’i Saola va, mba hasiako soa noho ny amin’i Jônatasy?»

2 Nisy mpanompon’ny fianakavian’i Saola anankiray izay kosa, atao hoe Sibà, dia nantsoina hankeo amin’i Davida izy io, ka hoy ny mpanjaka taminy: «Ianao va no Sibà?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mpanomponao!»

3 Ka hoy ny mpanjaka: «Tsy misy olona amin’ny fianakavian’i Saola intsony va, ka hanisy soa azy aho tahaka an’Andriamanitra?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Mbola misy zanaka lahin’i Jônatasy anankiray ao; fa malemy ny tongony roa.»

4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Aiza izy izay?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Indro izy ao an-tranon’i Makira, zanak’i Amiela, any Lôdabara.»

5 Dia nampanalain’i Davida mpanjaka tany an-tranon’i Makira zanak’i Amiela tany Lôdabara izy.

6 Nony tonga teo amin’i Davida i Mifibôseta zanak’i Jônatasy zanak’i Saola, dia niondrika tamin’ny tany sy niankohoka. Ka hoy i Davida: «Mifibôseta!» Ary hoy ny navaliny: «Inty ny mpanomponao.»

7 Dia hoy i Davida taminy: «Aza matahotra, fa te hanisy soa anao aho, noho ny rainao i Jônatasy. Ny tanin’i Saola rainao haveriko aminao avokoa; ary ianao hihinana amin’ny latabatro mandrakariva.»

8 Niankohoka izy, sady nanao hoe: «Zinona moa ny mpanomponao no itodihanao ny alika maty tahaka ahy?»

9 Dia nantsoin’ny mpanjaka i Sibà mpanompon’i Saola, ka hoy izy taminy: «Atolotro ny zanaky ny tomponao avokoa izay rehetra nananan’i Saola sy ny ankohonany.

10 Ka ianao sy ny zanakao lahy mbamin’ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy, dia hanatitra ny vokatra hiveloman’ny zanaky ny tomponao, ary i Mifibôseta zanaka lahin’ny tomponao, dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva.» Nanan-janaka lahy 15, sy mpanompo 20, i Sibà.

11 Ary hoy i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Hataon’ny mpanomponao avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka tompoko, ny mpanompony.»

I Mifibôseta dia nihinana teo amin’ny latabatr’i Davida, toy ny iray amin’ny zanaky ny mpanjaka.

12 Nanan-janaka lahy iray mbola tanora atao hoe i Mika, i Mifibôseta; ary mpanompony avokoa izay rehetra nitoetra tao an-tranon’i Sibà.

13 Nonina tany Jerosalema i Mifibôseta, fa nihinana teo amin’ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy; ary nikolepaka ny tongony roa.

Categories
2Samoela

2Samoela 10

Faniratsirana an’ireo nirahin’i Davida

1 Tatỳ aorian’izany, maty ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ka dia i Hanòna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

2 Ary hoy i Davida: «Hampiseho fankasitrahana amin’i Hanòna zanak’i Naasa aho, toy ny nampisehoan-drainy fankasitrahana tamiko.» Dia nampitondra fitsapana alahelo azy noho ny amin-drainy i Davida tamin’ny alalan’ny mpanompony. Nony tonga tany amin’ny tanin’i Amôna ny mpanompon’i Davida,

3 dia hoy ny filohan’ny taranak’i Amôna tamin’i Hanòna tompony: «Moa heverinao ho fanajana an-drainao no nanirahan’i Davida mpanala alahelo atỳ aminao? Moa tsy ny hizaha sy hisafo ny tanàna va, mba handravany azy no nanirahan’i Davida ny mpanompony ho atỳ aminao?»

4 Dia nosamborin’i Hanòna ny mpanompon’i Davida, ka ny somony noharatany sasaka; ny akanjo nofolonany hatreo amin’ny foto-peny, vao nalefany izy ireo hody.

5 Nisy nampandre izany an’i Davida, dia naniraka olona hitsena azy ireo izy fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo, ka izao no nasain’ny mpanjaka nambara taminy: «Mitoera any Jerikô aloha, mandra-panirin’ny somotrareo, vao mody ianareo»

Voalohany nanafihana ny Amônita

6 Fantatry ny taranak’i Amôna, fa hankahalan’i Davida azy ny nataony ka ny taranak’i Amôna dia naniraka olona haka miaramila hokaramaina avy amin’ny Sirianina any Beta-Rohoba sy amin’ny Sirianina any Sobà, dia miaramila an-tongotra 20.000, ary any amin’ny mpanjakan’i Maakà koa 2.000 lahy, ary any olona ao Tôba 12.000 lahy.

7 Ren’i Davida izany, ka mba nalefany kosa i Jôaba sy ny miaramila rehetra, lehilahy voafantina.

8 Dia nivoaka ny taranak’i Amôna, ka nilahatra hiady teo anoloan’ny vavahady; ny Sirianina avy any Sobà sy Rohoba mbamin’ny lehilahy avy any Tôba sy Maakà kosa nitokana teny an-tsaha.

9 Nony hitan’i Jôaba fa samy nisy vava ady teo anoloany sy teo ivohony, dia antokony iray tamin’izay voafantina tamin’i Israely no nofidiny hilahatra mifanatrika amin’ny Sirianina,

10 fa ny vahoaka sisa rehetra kosa nomeny hotarihin’i Abisaia rahalahiny, izay nampilahatra azy ireo hanoloana ny taranak’i Amôna.

11 Ary hoy izy: «Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia handeha hamonjy ahy ianao, fa raha mahery noho ianao kosa ny taranak’i Amôna dia handeha hamonjy anao aho.

12 Mahereza ary samia mitomban-dahy isika miady ho an’ny firenentsika sy ho an’ny tanànan’ny Andriamanitsika; dia aoka i Iaveh hanao izay ataony ho mety.»

13 Dia nandroso namely ny Sirianina i Jôaba sy ny vahoaka momba azy, ka nandositra teo anoloany ireny.

14 Nony hitan’ny taranak’i Amôna fa nandositra ny Sirianina, dia nandositra teo anoloan’i Abisaia koa izy ireo, ka niditra tao an-tanàna indray. Dia niverina i Jôaba nony avy namely ny taranak’i Amôna, ka niditra tany Jerosalema.

Ny nandresena an’ireo Sirianina

15 Nony hitan’ny Sirianina ny nahareseny teo anatrehan’i Israely dia nikambana izy ireo.

16 Ary nisy olona nirahin’i Hadarezerahaka ny Sirianina izay tany an-dafin’ny ony, ka tonga tao Helama izy ireo; ary i Sobàka, lehiben’ny tafik’i Hadarezera no nitarika azy.

17 Novorin’i Davida i Israely rehetra, nony nandre izany izy, ka nita an’i Jordany izy, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Sirianina, ka dia izy no nanomboka ny ady taminy.

18 Kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina, ka matin’i Davida ny an-kalesy 700, sy an-tsoavaly 40.000 tamin’izy ireo; nasiany koa i Sobàka lehiben’ny tafik’izy ireo, ka maty teo izy.

19 Hitan’ny mpanjaka rehetra fehezin’i Hadarezera fa resy teo anatrehan’i Israely izy, ka nanao fanekem-pihavanana tamin’i Israely izy, dia nanompo azy ary tsy sahy namonjy ny taranak’i Amôna intsony ny Sirianina.

Categories
2Samoela

2Samoela 11

Fanindroany nanafihana ny Amônita. Fahotan’i Davida

1 Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby amin’ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady, dia nalefan’i Davida i Jôaba mbamin’ny mpanompony sy i Israely rehetra, ka nofongaran’ireo ny taranak’i Amôna, ary nataony fahirano i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.

2 Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriana iny i Davida ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy erỳ ravehivavy io.

3 Nasain’i Davida nanontaniana hoe: «Iza io vehivavy io?» ka izao no nolazain’ny olona azy: «Io no Betsabea, zanaka vavin’i Eliama, vadin’i Oria, Heteanina.»

4 Dia naniraka olona haka azy i Davida ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy. Nandio tena ho afaka amin’ny halotoany ravehivavy, dia nody tany an-tranony,

5 kanjo nanana anaka ravehivavy, ka naniraka hilaza amin’i Davida hoe: «Manana anaka aho.»

6 Tamin’izay, naniraka tany amin’i Jôaba i Davida handidy azy hoe: «Alefaso hankatỳ amiko i Oria Heteanina.» Dia nalefan’i Jôaba hankany amin’i Davida i Oria.

7 Ka nony tonga tany amin’i Davida i Oria, dia nanontaniany ny vaovao momba an’i Jôaba sy ny tafika ary ny ady.

8 Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe: «Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasa ny tongotrao.» Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria, nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;

9 Nefa niara-nandry tamin’ny mpanompon’ny tompony i Oria, teo am-baravaran’ny tranon’andriana, fa tsy nidina nody tany an-tranony.

10 Nolazaina tamin’i Davida izany, natao hoe: «Tsy nidina nody any an-tranony i Oria.» Ka hoy i Davida tamin’i Oria: «Moa tsy tonga avy amin’ny dia ianao? Nahoana no tsy nidina nody any an-tranonao?»

11 Dia hoy ny navalin’i Oria tamin’i Davida: «Ny Fiara sy i Israely mbamin’i Jodà, mitoetra an-day; i Jôaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko, mitoby any an-tsaha foana, ary izaho ve dia hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ny vadiko? Marina amin’ny ainao sy ny ain’ny fanahinao raha hanao izany aho!»

12 Ary hoy i Davida tamin’i Oria: «Mitoera ihany àry atỳ amiko; fa rahampitso dia halefako ianao.» Dia nitoetra tany Jerosalema ihany i Oria androtr’izay sy ny ampitson’izay.

13 Nasain’i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny. Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin’ny fandriany, teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany i Oria, fa tsy nidina nody tany an-tranony.

14 Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin’i Jôaba i Davida ka tanan’i Oria no nampitondrainy azy.

15 Izao no nosoratany tamin’ny taratasy: «Apetraho amin’izay toerana iadiana mafy indrindra i Oria, dia mihataha avy eo aoriany ianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy.»

16 Nanao fahirano ny tanàna i Jôaba ka napetrany tamin’ny toerana fantany ho nisy ny lehilahy mahery indrindra i Oria.

17 Nivoaka hamely an’i Jôaba ny olona tao an-tanàna, ka maro tamin’ny vahoaka, tamin’ny mpanompon’i Davida no maty; ary maty koa i Oria, Heteanina.

18 Dia naniraka hilaza ny toetry ny ady any amin’i Davida i Jôaba;

19 ary ny iraka dia nomeny didy hoe: «Rehefa vita ny fitantaranao amin’ny mpanjaka ny toetry ny ady, raha misondrotra ny hatezeran’ny mpanjaka ka milaza aminao hoe:

20 Ahoana no nanakaikezanareo ny tanàna toy izany, raha niady? Tsy fantatrareo va fa hozerany ny tsipìka avy any ambony manda ianareo?

21 Iza no namely an’i Abimeleka zanak’i Jerobaala? Moa tsy nozeran’ny vehivavy anankiray vakim-bato fitotoam-bary avy any ambony manda ve izy, ka matin’izay tao Tebesa? Ahoana àry no nanakaikezanareo ny manda? Dia ataovy hoe: Maty koa i Oria, Heteanina, mpanomponao.»

22 Dia nandeha ilay iraka, ka nony tonga izy dia nambarany tamin’i Davida avokoa izay nasain’i Jôaba nambara.

23 Hoy ilay iraka tamin’i Davida: «Nivoahan’ireny olona matanjaka noho izahay ireny tany an-tsaha izahay, fa notoherinay hatreny anoloan’ny vavahady kosa izy,

24 ary notifirin’ny mpandefa zana-tsipìka avy erỳ ambony manda ny mpanomponao, ka maro tamin’ny mpanompon’ny mpanjaka no maty; i Oria, Heteanina, mpanomponao koa mba maty.»

25 Dia hoy i Davida tamin’ilay iraka: «Izao no lazao amin’i Jôaba: Aza malahelo loatra amin’izany ianao, fa mbetika ny iray mbetika kosa ny hafa no asian’ny sabatra. Ka ampitomboy ihany ny hamafin’ny famelezana ny tanàna, dia ravao izy. Ary ianao koa mba mankahereza azy.»

26 Nony ren’ny vadin’i Oria fa maty ny lahy, dia nitomany izy.

27 Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain’i Davida sy noraisiny ao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak’i Iaveh izany zavatra nataon’i Davida izany.

Categories
2Samoela

2Samoela 12

Fananaran’i Natàna. Fanenenan’i Davida

1 Nirahin’i Iaveh ho any amin’i Davida i Natàna, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: «Nisy olona roa lahy, tao amin’ity tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.

2 Ondry aman’omby sesehena no an’ilay mpanan-karena;

3 fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an’ilay mahantra. Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin’ny zanany, nihinana tamin’ny mofony, nisotro tamin’ny kapoakany, natory teny an-trotroany, ary nataony toy ny zanany vavy.

4 Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena, nefa tsy nety naka tamin’ny ondriny na ny ombiny izy hanamboatra sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny ondrivavin’ilay mahantra no nalainy sy namboariny, ho an’ilay olona tonga tao aminy.»

5 Nirehitra fatratra tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida, ka hoy izy tamin’i Natàna: «Raha velona koa i Iaveh dia marina raha tsy mendrika ny hovonoina izay olona nanao izany,

6 ary ilay ondrivavy honerany efatra heny, noho izy nahavita an’izany sy tsy nanana antra.»

7 Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: «Tsy iza fa ianao izany olona izany. Ka izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nanosotra anao ho mpanjaka amin’i Israely Aho, ary nanafaka anao tamin’ny tanan’i Saola;

8 ny tranon’ny tomponao nomeko anao; ny vadin’ny tomponao nataoko teo am-pofoanao; ny taranak’i Israely sy i Jodà natolotro anao, ary raha kely loatra izany mbola ho nampiako izao sy izao koa.

9 Ka nahoana no nanamavo ny tenin’i Iaveh ianao, fa nanao izay ratsy eo imasony? I Oria Heteanina nasianao ny sabatra, ny vadiny nalainao ho vady, izy novonoinao tamin’ny sabatry ny taranak’i Amôna!

10 Koa ankehitriny noho ianao nanamavo Ahy, sy naka ny vadin’i Oria Heteanina, ho vadinao, dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra.

11 Izao no lazain’i Iaveh: Indro fa ny ankohonanao, hananganako ny loza hihatra aminao; ny vadinao hotsoahako eo imasonao, ka homeko ny mifanolo-bodirindrina aminao, izay handry aminy eo anatrehan’izao masoandro izao;

12 fa ianao dia mangingina no nanaovanao izany, ary Izaho kosa dia eo imason’i Israely rehetra sy anatrehan’izao masoandro izao no hanaovako izany.»

13 Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: «Nanota tamin’i Iaveh aho!» Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: «Navelan’i Iaveh ny helokao, ka tsy ho faty ianao.

14 Nefa nampanesoinao an’i Iaveh ny fahavalony tamin’izany zavatra nataonao izany; ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao.»

15 Dia lasa nankany an-tranony i Natàna.

Ny nahaterahan’i Salômôna

Ary nasian’i Iaveh ny zaza naterak’i Oria, tamin’i Davida, ka nandraiki-narary mafy.

16 Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina.

17 Ka niangavy mafy taminy ny loholona tao an-tranony, mba hampiarina azy amin’ny tany; nefa tsy nety izy, ary tsy niara-nihinana tamin’ireo.

18 Nony tamin’ny andro fahafito, maty ny zaza, ka natahotra ny hilaza ny nahafatesany tamin’i Davida ny mpanompony, fa hoy ireo: «Fony mbola velona aza ny zaza, niteny taminy isika fa tsy nohenoiny ny feontsika, ka hataontsika ahoana no filaza aminy hoe: maty ny zaza! Vao mainka loza no hafitsony.»

19 Hitan’i Davida nitakoritsika ny mpanompony, ka fantatr’i Davida fa maty ny zaza. Hoy i Davida tamin’ny mpanompony: «Maty angaha ny zaza?» ary hoy ireo: «Maty izy.»

20 Dia niarina tamin’ny tany i Davida ka nandro, nihosotra diloilosy nanova fitafiana, dia nankao an-tranon’i Iavehizy ary niankohoka. Nony nody tao an-tranony izy nangataka horosoana sakafo dia nihinana.

21 Ka hoy ny mpanompony taminy: «Izao ataonao izao kosa no mba ahoana? Fa fony mbola velona ny zaza, nifady hanina sy nitomany ianao, nony maty kosa ny zaza ankehitriny, miarina sy mihinana mofo ianao?»

22 Dia hoy izy: «Fony mbola velona ny zaza nifady hanina sy nitomany aho; fa hoy aho anakam-po: Iza no mahalala? Hamindra fo amiko angaha i Iaveh ka ho velona ihany ny zaza.

23 Fa rehefa maty kosa izy ankehitriny dia ahoana indray no hifadiako hanina? Mahay mamerina azy indray va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina hankatỳ amiko intsony!»

24 Nanala alahelo an’i Betsabea vadiny i Davida dia nankao aminy, ka nandry taminy. Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Salômônano anarany: tia azy i Iaveh,

25 ka naniraka hilaza izany tamin’ny alalan’i Natàna, mpaminany, izay nanome anarana azy hoe i Jedidiah, noho ny amin’i Iaveh.

Ny nahazoana an’i Rabà

26 Ary i Jôaba ilay nanao fahirano an’i Rabàn’ny taranak’i Amôna, dia nahafaka ny tanànam-panjakana.

27 Ka naniraka olona tany amin’i Davida i Jôaba hanao aminy hoe: «Nataoko fahirano i Rabà, ary efa afako ny tanànan’ny rano.

28 Koa ankehitriny vorio ny vahoaka sisa, dia avia ianao hitoby hamely ny tanàna sy haka azy, fandrao dia ny tenako no maka ny tanàna ka hantsoina amin’ny anarako izy.»

29 Dia novorin’i Davida ny vahoaka rehetra ary nankany Rabà izy namely azy ka nahazo azy.

30 Nesoriny teny an-dohan’ny mpanjakan’izy ireo, ny satroboninahinylanjana talenta volamena iray, izay nisy vatosoa anankiray ka natao teny an-dohan’i Davida. Ary babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna.

31 Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany ka napetrany hiasa amin’ny tsofa, sy ny pika vy, mbamin’ny famaky vy, ary nafindrany tamin’ny fanefem-biriky. Nataony toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.

Categories
2Samoela

2Samoela 13

Otan’i Amnôna tamin’i Tamara anabaviny

1 Tatỳ aorian’izany dia nanana anabavy tsara tarehy kosa i Absalôma zanak’i Davida; Tamara no anarany, ary tia azy io i Amnôna zanak’i Davida.

2 Niritra aina i Amnôna ka nandraiki-narary terỳ noho ny amin’i Tamara anabaviny, fa virjiny ity izy, ka noheverin’i Amnôna fa toa tsy ho azony atao na inona na inona.

3 Nanan-tsakaiza anankiray atao hoe Jônadaba i Amnôna; zanak’i Semmaa rahalahin’i Davida izy io, ary lehilahy fetsy loatra i Jônadaba.

4 Ka hoy io taminy: «Nahoana ity ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no dia milonika be ihany toy izao isa-maraina? Tsy tianao halaza amiko va ny amin’izany?» Ka hoy i Amnôna taminy: «Tia an’i Tamara anabavin’i Absalôma rahalahiko aho.»

5 Dia hoy i Jônadaba taminy: «Mandria eo am-parafara, ka modia marary. Ary rehefa tonga hamangy anao irainao, dia lazao aminy hoe: Avelao kely i Tamara anabaviko no ho avy hampihinan-kanina ahy, raha sitrakao; aoka hamboariny eo imasoko ny nahandro mba ho hitako, ary hihinana izany avy eny an-tanany aho.»

6 Dia nandry tokoa i Amnôna sy nody narary. Tonga namangy azy ny mpanjaka ary hoy i Amnôna taminy: «Raha sitrakao, aoka i Tamara anabaviko ho avy hanao mofomamy roa eto imasoko, ka hihinana izany avy eny an-tanany aho.»

7 Dia naniraka olona i Davida hilaza amin’i Tamara tao an-trano hanao hoe: «Mankanesa ao an-tranon’i Amnôna, anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.»

8 Lasa i Tamara nankao amin’i Amnôna anadahiny izay efa nandry. Naka koba izy, noditiny namboariny ho mofomamy teo imasony, ary nandrahoiny ny mofomamy;

9 raha efa izany, noraisiny ny lapoaly, dia noloarany teo anoloany. Tsy nety nihinana anefa izy. Dia hoy i Amnôna: «Asaovy mivoaka hiala eto amiko ny olona rehetra.» Nony tafavoaka niala tao aminy daholo ny olona,

10 dia hoy i Amnôna tamin’i Tamara: «Ento ao anaty salobom-pandriana ny nahandro hihinanako azy avy eny an-tananao.» Dia nalain’i Tamara ny mofo nataony, ka nentiny tao amin’i Amnôna anadahiny, tao anaty salobo-pandriana.

11 Kanjo, raha ilay nanolotra izany hohaniny iny izy, dia nosavihiny ka hoy izy taminy: «Avia handry amiko, ranabavy.»

12 Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, ranadahy, aza manala baraka ahy, fa tsy fanao eto amin’i Israely izany, ka aza manao izany zava-betaveta izany.

13 Izaho moa dia aiza no halehako hitondra ity henatro? ianao kosa dia ho toy ny anankiray amin’ny olona vetaveta amin’i Israely. Koa aoka hiteny amin’ny mpanjaka ianao, fa tsy handà ny hanome ahy ho anao izy!»

14 Tsy nety nihaino ny feony anefa izy, fa mahery noho razazavavy izy, ka nanaovany an-keriny io, dia nandriany.

15 Niaraka tamin’izay dia halan’i Amnôna fatratra razazavavy ary tafahoatra lavitra ny fitiavana nitiavany azy taloha ny halam-po nankahalàny azy, ka hoy i Amnôna taminy: «Mitsangàna ianao, ka mandehana any.»

16 Fa hoy izy namaly azy: «Ny ratsy nataonao tamiko dia aza ampiana fandroahana ahy, fa zava-dratsy kokoa indray izany.» Nefa tsy nety nihaino azy akory i Amnôna;

17 fa ny zatovo nanompo azy no nantsoiny, ka nataony hoe: «Roahy any ivelany lavitra ahy ravehivavy ity, dia arindrino ny varavarana rehefa tafavoaka izy.»

18 Akanjo mirebareba no nentin-dravehivavy, fa izany no fitafiana fanaon’ny zanaky ny mpanjaka dieny mbola virjiny izy. Dia navoakan’ny mpanompo izy, ka narindriny ny varavarana nony tafavoaka izy.

19 Nohosenan’i Tamara vovoka ny lohany dia lasa nandeha izy, nidradradradra.

20 Hoy i Absalôma anadahiny taminy: «Tsy maintsy nalehan’i Amnôna anadahinao àry ianao izay ka? Fa amin’izao, ranabavy, mangina fa anadahinao iny, ka aza asiana alahelo ao am-ponao.» Dia tao an-tranon’i Absalôma anadahiny, no nitoetra i Tamara notsindrian’ny alahelony.

21 Tezitra mafy i Davida mpanjaka nony nandre izany rehetra izany.

22 I Absalôma kosa tsy niteny tamin’i Amnôna intsony na soa na ratsy na dia indraimbava aza, fa halan’i Absalôma i Amnôna noho ny nametavetany an’i Tamara anabaviny.

Nampamono an’i Amnôna i Absalôma dia nandositra

23 Roa taona taorian’izay, dia tao amin’i Absalôma tao Baal-Hasôra akaikin’i Efraima ny mpanetyondry, ka nanasa ny zanaka lahin’ny mpanjaka rehetra i Absalôma.

24 Nankao amin’ny mpanjaka i Absalôma nanao hoe: «Indro fa ao amin’ny mpanomponao ny mpanety ondry ka aoka ho any amin’ny mpanomponao ny mpanjaka sy ny mpanompony.»

25 Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Absalôma: «Tsia, anaka, tsy handeha daholo izahay fandrao dia mahavaky tratra anao.» Nanao ditra ihany izy nefa tsy nandeha ny mpanjaka, fa nitso-drano azy.

26 Dia hoy i Absalôma: «Rehefa dia tsy handeha àry ianao dia avelao ahay i Amnôna rahalahiko handeha hiaraka aminay.» Ary hoy ny navalin’ny mpanjaka: «Ahoana no hiarahany aminao?»

27 Fa mbola nanao ditra ihany i Absalôma, ka dia navelan’ny mpanjaka handeha hiaraka aminy i Amnôna sy ny zanaky ny manjaka rehetra.

28 Dia nomen’i Absalôma izao didy izao ny mpanompony, nataony hoe: «Tandremo fa rehefa falifalin’ny divay ny fon’i Amnôna ka hataoko hoe: Asio i Amnôna! Dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra satria tsy iza fa izaho no mandidy anareo ka matokia; misehoa ho mahery fo.»

29 Dia nasian’ny mpanompon’i Absalôma araka ny nandidian’i Absalôma azy i Amnôna. Ary tafatsangana avokoa ny zanaky ny mpanjaka rehetra, dia samy nitaingina ny moleny avy ka vaky nandositra.

30 Mbola teny an-dalana izy ireo, dia efa tonga tao amin’i Davida sahady ny filazana hoe: «Novonoin’i Absalôma tsy nasiany iray niangana ny zanaka lahin’ny mpanjaka rehetra!»

31 Nitsangana ny mpanjaka, norovitiny ny fitafiany, dia nandry tamin’ny tany izy; ny mpanompony rehetra nitoetra teo koa, sady rovi-pitafiana avokoa izy ireo.

32 Ary niteny i Jônadaba zanak’i Semaà, rahalahin’i Davida, ka nanao hoe: «Aoka ny tompoko tsy hilaza fa maty avokoa ny zazalahy rehetra, zanaky ny mpanjaka; i Amnôna irery no maty. Zavatra teo am-bavan’i Absalôma izanyhatramin’ny andro nametavetan’i Amnôna an’i Tamara anabaviny.

33 Ary ankehitriny dia aoka tsy hataon’ny mpanjaka tompoko fa hoe ny zanaka lahin’ny mpanjaka rehetra no maty, i Amnôna irery ihany no maty.

34 Ary i Absalôma dia lasa nandositra.»

Ary natopin’ity zatovo nalatsaka ho mpitily ny masony dia nijery izy ka indreny nisy andian’olona maromaro, avy amin’ny lalana any andrefana, any amin’ny ilany nisy ny tendrombohitra.

35 Dia hoy i Jônadaba tamin’ny mpanjaka: «Indreo tamy tokoa ny zanaky ny mpanjaka; araka ny voalazan’ny mpanomponao no nahatanterahan’ny zavatra.»

36 Vao tapitra ny teniny, dia tonga ny zanaky ny mpanjaka, ary nanandra-peo nitomany izy ireo ka nirotsaka be dia be koa ny ranomasin’i Davida mbamin’ny mpanompony rehetra.

37 I Absalôma kosa nandositra tany amin’i Tôlomaia zanak’i Amioda, mpanjakan’i Gesora. Ary i Davida nisaona ny zanany isan’andro isan’andro.

Nifampiraharaha ny amin’ny hiverenan’i Absalôma i Jôaba

38 Nandositra i Absalôma nankany Gesora, dia tany izy telo taona.

39 Ary i Davida nitsahatra tamin’ny hoe hanenjika an’i Absalôma, fa efa afaka ny alahelony tamin’ny nahafatesan’i Amnôna.