Categories
Salamo

Salamo 16

I Iaveh no anjara lovako

1 Hiran’i Davida.

Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho.

2 Hoy aho amin’i Iaveh: «Tompoko Ianao, Ianao irery no fananako.

3 Ny olo-masina izay ety amin’ny tany,

ireo malaza, dia tiako amin’ny foko rehetra».

4 Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina,

fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony,

na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.

5 I Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako;

Ianao no miantoka ny anjarako.

6 Norefesin’ny famolaina izay anjarako soa,

eny lova soa indrindra no lasako ho ahy.

7 Isaorako i Iaveh izay nanolo-tsaina ahy;

na dia alina aza ny andro mbola anarin’ny foko ihany aho.

8 Ataoko eo imasoko mandrakariva i Iaveh,

fa eo ankavanako Izy; tsy hangozohozo aho.

9 Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko;

mandry tsy amin’ahiahy mbamin’ny vatako aza.

10 Fa tsy ho foinao ho any amin’ny Seoly ny fanahiko;

tsy havelanao hahita ny fahalòvana ilay tia Anao.

11 Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana:

hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao;

fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.

Categories
Salamo

Salamo 17

Antson’ny tsy manan-tsiny

1 Fivavak’i Davida.

Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny,

henoy ny fitarainako;

atongilano ny sofinao amin’ny fivavahako,

izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.

2 Hivoaka avy amin’ny Tavanao anie ny fitsarana ahy;

hijery ny marina anie ny masonao!

3 Ianao efa nizaha toetra ny foko: namangy azy nony alina,

nitsapa ahy tamin’ny memy, fa tsy mahita na inona na inona Ianao.

Tsy mifanohitra amin’ny fisainako ny vavako.

4 Ny amin’ny asa fanaon’ny olona dia narahiko ny tenin’ny molotrao,

ka nitandrin-tena tamin’ny lalan’ny mpanao an-keriny aho.

5 Nifikitra tao amin’ny lalanao ny diako;

ary tsy mba nangozohozo ny tongotro.

6 Miantso Anao aho, fa mamaly ahy Ianao, ry Andriamanitra;

atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako.

7 Asehoy ny hatsaram-ponao, Ianao izay mamonjy ny mifefy

ao amin’ny tananao ankavanana, tsy ho azon’ny fahavalony.

8 Tandremo tahaka ny anakandriamaso aho;

afeno eo ambanin’ny aloky ny elatrao aho,

9 tsy ho azo enjehin’ny tsy mpivavaka,

sy ny fahavalo tsy tia velona manodidina ahy.

10 Tandremany tsy hidiran’ny indrafo ny fony,

sady miloa-bava manao teny miavonavona izy ireo.

11 Tanahiny hodidininy hatrany izahay,

tsikiloiny hatsingidiny amin’ny tany.

12 Mova tsy ny liona lian-te-handrapaka izy,

na ny liona tanora mamitsaka ao amin’ny kirihitr’alany.

13 Mitsangàna, ry Iaveh, mirosoa hitsena azy, ka aripaho izy,

ny sabatrao no aoka hanafaka ny fanahiko amin’ny ratsy fanahy,

14 ny tananao hanafaka amin’ny olombelona,

dia amin’ny olon’izao tontolo izao

izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny,

izay fenoinao harena ny kibony;

sy vokisanao anaka,

ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.

15 Fa izaho kosa dia hibanjina ny Tavanao amin’ny tsy fananako tsiny;

sy hiala liana mijery ny sarinao amin’ny fifohazako.

Categories
Salamo

Salamo 18

SALAMO 18 (Volgata 17)

Fiderana an’Andriamanitra mpanjaka

.

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’ilay mpanompon’i Iaveh, Davida, izay nanao ny tenin’izao tononkira izao tamin’i Iaveh, tamin’ny andro nanafahan’i Iaveh azy tamin’ny fahavalony rehetra, sy tamin’i Saola. Hoy izy:

2 Tiako Ianao, ry Iaveh heriko!

3 Iaveh, harambatoko, mandako, mpanafaka ahy,

Andriamanitro, vatolampiko izay hahitako fialofana,

ampingako, tandro-pamonjenaahy, trano mimandako!

4 Niantso an’izay mendrika hoderaina, an’i Iaveh, aho,

dia voavonjy tamin’ny fahavaloko.

5 Nanodidina ahy ny fatoram-pahafatesana;

nampitahotra ahy ny riakan’i Beliala,

6 nihodidina tamiko ny fatoran’ny Seoly;

ary latsaka teo anatrehako ny fandrika haraton’ny fahafatesana.

7 Niantso an’i Iaveh tao anatin’ny fahoriako aho,

ary nitaraina tamin’ny Andriamanitro aho;

ka reny tany an-tempoliny ny feoko;

tonga tao an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.

8 Nihozongozona sy nihorohoro ny tany;

nihararetra ny fanambanin’ny tendrombohitra;

ka ireo no nihozongozona dia Izy io no tezitra;

9 nisy setroka nisavoana avy ao am-bavorony,

sy afo mandevona nivoaka avy any am-bavany;

ary vainafo midedadeda nipoitra avy eo aminy.

10 Naletsiny ny lanitra dia nidina Izy;

rahona matevina no teo ambanin’ny tongony.

11 Nitaingina Kerobima Izy dia nanidina;

nanidina nisononoka teo ambonin’ny ela-drivotra.

12 Ny haizina no nataony fitoerany mangingina,

ny lainy manodidina Azy

dia rano maizina sy rahona manjombona.

13 Niantoraka avy amin’ny fahazavana nialoha Azy ny rahona

izay nitondra havandra mbamin’ny vainafo mivaivay.

14 Nampikotrokotroka tany an-danitra i Iaveh,

nampanakoako ny feonyny Avo indrindra;

dia nisy havandra mbamin’ny vainafo mivaivay!

15 Nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely azy ireo;

nataony maro ny varany, ka nampifanaritaka an’ireny Izy.

16 Dia niseho tamin’izay ny mason-drano,

niposaka ny fanambanin’ny tany,

noho ny teny mafy nataonao, ry Iaveh,

sy noho ny fifofofofon’ny rivotra ny vavoronao.

17 Naninjitra ny tanany avy any ambony Izy nandray ahy,

nisarika ahy avy tamin’ny rano be Izy.

18 Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy,

dia tamin’izay nankahala ahy, fony izy ireo mahery noho izaho.

19 Nosovohin’ireny aho tamin’ny andron’ny fahoriako,

fa i Iaveh kosa no mpanohana ahy tamin’izay.

20 Nataony amin’ny malalaka aho,

novonjeny aho satria nankasitrahany.

21 Novalian’i Iaveh aho araka ny fahamarinako,

novaliany araka ny fahadiovan’ny tanako.

22 Fa nanaraka ny lalàn’i Iaveh aho,

ary tsy mba nanota hialako tamin’ny Andriamanitro.

23 Ny fitsaràny rehetra dia teo anatrehako,

ny lalàny koa tsy nariako lavitra ahy.

24 Tsy nanan-tsiny taminy aho;

ary nitandrin-tena tamin’ny haratsiako.

25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako i Iaveh,

araka ny hadiovan’ny tanako teo imasony.

26 Miseho ho tsara Ianao amin’izay tsara;

miseho ho marina Ianao amin’izay marina;

27 miseho ho madio Ianao amin’izay madio,

fa amin’izay manao an-kafetsena dia anaovanao an-kafetsena koa.

28 Fa ny vahoaka voaetry, vonjenao,

ary ny misolanandrana kosa aetrinao.

29 Eny, Ianao no mampirehitra ny faniloko;

i Iaveh Andriamanitro no manazava ny haiziko.

30 Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin’ny antoko-miaramila mitam-piadiana;

omban’ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.

31 Andriamanitra… lavorary ny lalany;

azo antoka ny tenin’i Iaveh,

ampinga Izy ho an’izay rehetra mifefy aminy.

32 Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy i Iaveh ihany?

ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?

33 Dia ilay Andriamanitra mampisikina hery ahy,

mandavorary ny lalako,

34 mampanahaka ny tongotro amin’ny an’ny serfa vavy,

mampijoro ahy any amin’ny fitoerako avo;

35 mampianatra ny tanako hiady Izy,

ka ny sandriko manenjana tsipìka varahina.

36 Ny ampingan’ny famonjenao nomenao ahy;

ny tananao ankavanana manohana ahy;

ary ny hamoram-ponao no mahalehibe ahy.

37 Manalalaka ny dian-tongotro eo ambaniko Ianao,

ka tsy mangozohozo ny tongotro.

38 Manenjika ny fahavaloko aho, ka mahatratra azy,

ary tsy miverina aho, raha tsy efa nataoko lany ritra ireny.

39 Atontako izy, dia tsy afa-mifongatra

dia lavo ao ambanin’ny tongotro.

40 Mampisikina hery ahy ho amin’ny ady Ianao,

folahinao ao ambaniko ny rafilahiko rehetra.

41 Ireo fahavaloko… Ataonao miamboho ahy izy ireo;

ka aringako izay mankahala ahy.

42 Mitaraina ireny fa tsy misy mpamonjy;

miantso an’i Iaveh fa tsy valiany akory.

43 Torotoroiko tahaka ny vovoka entin’ny rivotra izy;

ary ataoko mafafa tahaka ny fotaka eny an-dalam-be.

44 Manafaka ahy amin’ny fikomian’ny vahoaka Ianao,

sady manandratra ahy ho lohan’ny firenen-tsamihafa;

vahoaka tsy fantatro avy no manompo ahykoa.

45 Vao nandre Izy dia manoa ahy;

ny zanaky ny hafa firenena dia mandoka ahy.

46 Ketraka ny zanaky ny hafa firenena,

ialany amin-kovitra ny trano mimandany.

47 Ho velona anie i Iaveh, ary hisaorana anie ny vatolampiko!

Hankalazaina anie ny Andriamanitry ny famonjeko,

48 dia Andriamanitra izay mpanao famaliana ho ahy,

mampanaiky ahy ny firenena,

49 manafaka ahy amin’ny fahavaloko.

Eny manandratra ahy ho ambonin’ny rafy lahiko Ianao,

mamonjy ahy amin’ny olona mpanao an-keriny.

50 Noho izany dia hidera Anao aho, ry Iaveh, eo amin’ny firenena,

hihira ho an’ny voninahitry ny Anaranao aho.

51 Manao famonjena mahagaga ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy,

mamindra fo amin’izay voahosony Izy,

dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.

Categories
Salamo

Salamo 19

I Iaveh, Masoandro fahamarinana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. – Tononkiran’i Davida.

2 Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra,

ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany.

3 Ny andro mitory fiderana amin’ny andro,

ny alina mampandre izany amin’ny alina.

4 Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny

izay tsisy haharenesana ny feony:

5 fa mitety ny tany rehetra ny fanenon’ny feony,

ka tonga hatramin’ny faran’ny tany ny fikarantsan’ny feony.

Dia any Izy no nanangan-day ho an’ny masoandro.

6 Ary Izy io tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy amin’ny trano fandriany

dia miezaka an-kafaliana toy ny olo-mahery fo, hanafaka ny lalan-kalehany.

7 Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala;

ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany;

tsy misy tsy takatry ny hafanàny.

8 Lavorary ny lalàn’i Iaveh,

mamelombelona ny fanahy;

mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh,

ka mahahendry ny kely saina.

9 Mahitsy ny fandidian’i Iaveh,

ka mahafaly ny fo;

madio ny didin’i Iaveh,

ka mampahazava ny maso.

10 Masina ny fahatahorana an’i Iaveh,

ka maharitra mandrakizay;

marina ny fitsipik’i Iaveh,

ka mahitsy avokoa.

11 Sarobidy noho ny volamena ireny,

mihoatra noho ny volamena madio betsaka;

mamy noho ny tantely izy,

mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra.

12 Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny;

ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy.

13 Iza moa no mahalala ny faniasiavany?

Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro.

14 Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao;

aoka tsy hanjaka aminy ireny.

Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.

15 Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako,

mbamin’ny fitiavan’ny foko,

eo anatrehanao, ry Iaveh,

Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!

Categories
Salamo

Salamo 20

Vavaka ho an’ny mpanjaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. – Salamon’i Davida.

2 Hihaino anao amin’ny andron’ny fahoriana anie i Iaveh;

hiaro anao anie ny Anaran’ny Andriamanitr’i Jakôba.

3 Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ny fitoerany masinaanie Izy;

hanohana anao avy any Siôna anie Izy!

4 Hahatsiaro ny fanatitrao rehetra anie Izy,

ary hankasitraka ny sorona dorana!

– Selà

5 Homeny anao anie izay irin’ny fonao;

ary hotanterahiny avokoa ny hevitra kasainao rehetra!

6 Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin’ny hobin-kafaliana;

hanangam-paneva amin’ny Anaran’ny Andriamanitsika;

hotanterahin’i Iaveh anie izay irinao rehetra!

7 Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh;

hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina,

amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.

8 Ny sasany mitoky amin’ny kalesiny;

ny sasany amin’ny soavaliny;

fa isika kosa miantso ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika.

9 Koa izy ireo moa mihemotra sady lavo;

izahay kosa miarina ka mahatoha mafy.

10 Ry Iaveh ô, vonjeo ny mpanjaka! –

Hihaino antsika anie Izy amin’izay andro iantsoantsika Azy.

Categories
Salamo

Salamo 21

SALAMO 21 (Volgata 20)

Fisaorana noho ny vitan’ny mpanjaka

1 Ho an’ny mpampianatra hira. – Salamon’i Davida.

2 Ry Iaveh, mifaly amin’ny herinao ny mpanjaka;

endrey ny haben’ny firavoravoany amin’ny famonjenao!

3 Nomenao azy izay nirin’ny fony,

tsy nolavinao izay nangatahin’ny molony.

– Selà

4 Fa notsenainao fanambinana fatratra izy;

satroboninahitra volamena madio no nataonao tamin’ny lohany.

5 Nangataka aina taminao izy, ka nomenao azy izany;

dia andro lava sy mandrakizay alaovalo.

6 Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny;

nomenao laza amam-pamirapiratana izy.

7 Nataonao fandrotsaham-pitahiana mandrakizay izy;

fenoinao hafaliana eo anatrehan’ny Tavanao izy.

8 Fa matoky an’i Iaveh ny mpanjaka,

ka tsy mangozohozo izy noho ny famindram-pon’ny Avo indrindra.

9 Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra, ry Mpanjaka,

ho azon’ny tananao ankavanana izay mankahala Anao;

10 hataonao toy ny fatana mirehitraizy,

amin’ny andro fampisehoanao ny Tavanao.

Haringan’i Iaveh amin’ny fahatezerany izy ireo,

ary handevona azy ny afo.

11 Hofongoranao eo amin’ny tany ny taranany,

ary eo amin’ny zanak’olombelona ny tamingany.

12 Nanao fiomanana handevona anao izy ireo

namoron-kevi-dratsy, nefa tsy hahefa.

13 Fa Ianao kosa no hampiamboho azy;

hikendry ny handriny amin’ny tsipìkanao Ianao.

14 Mitsangàna amin’ny herinao, ry Iaveh ô,

te hihira sy hankalaza ny fahefanao izahay.

Categories
Salamo

Salamo 22

Fijalian’ny olo-marina sy fanantenany

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Momba ny Serfavavin’ny mazava atsinanana.Salamon’i Davida.

2 Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no nilaozanao aho?

Mitaraina aho, nefa mijanona lavitra ahy ny famonjena!

3 Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao;

ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.

4 Kanefa masina Ianao,

ary mipetraka eo amin’ny hiran’i Israely.

5 Ianao no nitokian’ny razanay;

natoky izy ka nanafaka azy Ianao;

6 niantso Anao izy ka voavonjinao;

natoky Anao izy ka tsy azon-kenatra.

7 Ary izaho, dia olitra aho fa tsy olona;

fandàtsan’ny olona, faikam-bahoaka.

8 Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa;

misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:

9 Aoka izy hanankina ny tenany amin’i Iaveh.

Aoka hovonjena izy.

Aoka hafahany izy fa tiany.

10 Eny Ianao no nampivoaka ahy avy ao am-bohoka;

Ianao no nampahatoky ahy fony aho mbola nampinonoin’ineny.

11 Hatramin’ny fony aho vao teraka no efa nankinina taminao;

hatrany an-kibon-dreniko dia Ianao no efa Andriamanitro.

12 Aza manalavitra ahy Ianao fa akaiky ny fahoriana,

satria tsy misy olona tonga hamonjy ahy.

13 Itangoronan’ombalahy maro aho;

temeran’ny maherin’i Basàna aho.

14 Asanasanany amiko ny vavany;

mova izy tsy ny liona mamiravira sy mierona iny.

15 Koa tahaka ny rano mandeha ihany aho;

ary mivaha ny taolako rehetra;

tahaka ny savoka ny foko,

miempo ato an-kiboko.

16 Maina tahaka ny tavim-bilany tany ny heriko,

ary miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako;

mampandry ahy ao amin’ny vovoky ny fahafatesana Ianao.

17 Fa amboa no mitangorona amiko

andian’olon-dratsy no mihenjy manodidina ahy;

nandoaka ny tongotro aman-tanako izy;

18 mahisa ny taolako rehetra aho.

Ireo kosa mandinika ahy sy mibanjina ahy;

19 zarain’izy ireo ny fitafiako,

ary ilokany ny akanjoko.

20 Fa Ianao kosa, Iaveh ô, aza manalavitra ahy!

Ianao heriko, faingàna hamonjy ahy!

21 Afaho amin’ny sabatra ny fanahiko,

ary ny aiko amin’ny fahefan’ny amboa!

22 Vonjeo amin’ny vavan’ny liona aho;

esory amin’ny tandroky ny ombimanga aho:

23 Dia hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho;

hidera Anao eo amin’ny fiangonana aho:

24 Miderà an’i Iaveh ianareo izay matahotra Azy!

manomeza voninahitra Azy ianareo rehetra taranak’i Jakôba,

manajà Azy ianareo rehetra taranak’i Israely!

25 Fa tsy nataony tsinontsinona na niambohoany ny fijalian’ny ory,

tsy nanafina ny Tavany eo anatrehany Izy;

ary nihaino Izy, nony nitaraina taminy ny ory.

26 Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako;

hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.

27 Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky;

hidera an’i Iaveh izay mitady Azy.

Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!

28 Ny fara vazantany rehetra hahatsiaro sy hitodika an’i Iaveh,

ary ny fokom-pirenena rehetra

hiankohoka eo anatrehan’ny Tavanao.

29 Fa an’i Iaveh ny fanjakana;

Izy no manapaka amin’ny firenena.

30 Ny manam-pahefana eto ambonin’ny tany hihinana sy hiankohoka,

izay rehetra midina ho any amin’ny vovoka, hiondrika eo anoloany;

dia ireo tsy mahay manalava ny andro iainany.

31 Hanompo Azy ny taranaka;

holazaina amin’ny taranaka ho avy ny Tompo.

32 Ho avy izy ireo ka hitory ny fahamarinany;

hambaran’izy ireo amin’ny vahoaka mbola ho teraka ny nataony.

Categories
Salamo

Salamo 23

Ny mpiandry ondry tsara

1 Salamon’i Davida.

I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.

2 Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy,

mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka;

3 mamelombelona ny fanahiko.

Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.

4 Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,

tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko;

ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.

5 Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason’ny fahavaloko Ianao,

feno mitafotafo ny kapoakako.

6 Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy,

amin’ny andro rehetra hiainako;

dia hitoetra ao an-tranon’i Iaveh aho,

mandritra ny andro lava.

Categories
Salamo

Salamo 24

Fombam-pivavahana fidirana amin’ny toerana masina

1 Salamon’i Davida.

An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy,

izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.

2 Fa Izy no nanorina azy, tambonin’ny ranomasina;

sy nampitoetra azy tambonin’ny ony.

3 Iza no hiakatra any amin’ny tendrombohitr’i Iaveh?

iza no hitoetra eo amin’ny fitoerany masina?

4 Izay tsy manan-tsiny ny tanany, ary madio ny fony,

izay tsy manarana ny fanahiny amin’ny lainga,

ary tsy mianiana mba hamitaka.

5 Hahazo ny fanambinan’i Iaveh izy,

ny fahamarinana avy amin’ny Tompon’ny famonjeny.

6 Toy izany ny taranak’izay mitady Azy,

dia ireo mitady ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba.

– Selà

7 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady;

misandrata ianareo, ry varavarana fahagola,

hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra.

8 Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany?

I Iaveh mahery sy mahefa,

I Iaveh mahery an’ady.

9 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady;

misandrata ianareo, ry varavarana fahagola

hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!

10 Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany?

I Iavehn’ny tafika,

Izy no Mpanjakan’ny voninahitra!

– Selà

Categories
Salamo

Salamo 25

SALAMO 25 (Volgata 24)

1 Salamon’i Davida.

Ianao, ry Iaveh, no anandratako ny fanahiko,

ry Andriamanitra ô!

2 Ianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho,

aoka tsy hifalian’ny fahavaloko aho!

3 Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena Anao;

izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.

4 Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho;

ampianaro ny sakeli-dalanao aho.

5 Tariho amin’ny fahamarinanao aho,

ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao;

Ianao no antenaiko mandritra ny andro.

6 Tsarovy ny famindram-ponao, ry Iaveh,

sy ny hatsaram-ponao, fa mandrakizay ireny.

7 Aza tsarovanao ny fahotan’ny fahatanorako, na ny hadisoako,

fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho,

noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.

8 Tsara sy mahitsy fo i Iaveh;

izany no anoroany lalana ny mpanota.

9 Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy,

mampianatra ny manetry tena ny lalanyIzy.

10 Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh

amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.

11 Noho ny Anaranao, ry Iaveh,

dia hamela ny heloko Ianao fa lehibe izy.

12 Iza no olona matahotra an’i Iaveh?

Hampianarin’i Iaveh azy ny lalana tokony hofidiny.

13 Mandry amim-piadanana ny fanahiny,

ary hanana ny taniny ny taranany.

14 Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy.

Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.

15 Mitodika any amin’i Iaveh mandrakariva ny masoko,

fa Izy no hanafaka ny tongotro amin’ny fandrika harato.

16 Jereo aho, ka amindrao fo,

fa manirery aho, ka mahantra.

17 Mihalehibe ny fahorian’ny foko,

afaho amin’ny fahaporetako aho!

18 Jereo ny fahoriana amam-pijaliako;

ary avelao ny fahotako rehetra.

19 Jereo ity hamaroan’ny fahavaloko,

sy izato halozan’ny fankahalany ahy.

20 Arovy ny fanahiko, ary vonjeo aho;

aoka tsy ho menatra aho, fa Ianao no nametrahako ny fitokiako.

21 Haharo ahy anie tsy fananan-tsiny amam-pahitsiana,

fa Ianao no antenaiko.

22 Ry Andriamanitra ô, afaho i Israely

amin’ny fahoriany rehetra.