Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 3

1 Teo am-pandriako aho, nony alina,

nitady ilay malalan’ny fanahiko;

nitady azy aho, fa tsy nahita…

2 Ka hoy aho anakampoko: «Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna,

ny lalam-be sy ny kianja,

hitady ilay malalan’ny foko.»

Dia nitady azy aho fa tsy nahita.

3 Tojo ahy ny mpiambina izay misafo ny tanàna:

– Mba hitanareo va ilay malalan’ny foko? –

4 Vao tafahoatra an’ireo kely foana aho,

dia nahita an’ilay malalan’ny foko.

Nohazoniko izy, fa tsy navelako nandeha,

mandra-pampiditro azy any an-tranon’i neny,

sy any amin’ny efitranon’ilay nahitako masoandro.

Mpampakatra

5 Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra,

noho ny gazela sy ny serfa vavy eny an-tsaha,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

TONONKALO FAHATELO

6 Iza izatomiakatra avy any an’efitra,

tahaka ny setroka mijoalajoala,

manitra mira aman’emboka,

mbamin’ny zava-manitra rehetra avy amin’ny mpandranto?

7 Iny eny, ny filanjàn’i Salômôna;

otronin-dehilahy mahery enimpolo,

avy eo amin’ireo lehilahy maherin’i Israely;

8 samy mitan-tsabatra avokoa,

ary zatra ady.

Samy eny am-balahany avy, ny sabany,

hampisava ny fahatahorana amin’ny alina.

9 Nanao filanjana ho azy i Salômôna mpanjaka,

tamin’ny hazo avy any Libàna.

10 Nataony volafotsy ny andriny,

volamena ny fiankinana, jaky ny fipetrahana;

amborodao ny eo afovoany,

asam-pitiavana avy amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.

11 Mivoaha, ry zanaka vavin’i Siôna, jereo i Salômôna mpanjaka,

misatroka ny satroboninahitra, nasatro-dreniny azy

amin’ny andro ampakarany vady,

amin’ny andro ifalian’ny fony.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 4

1 Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao.

Masom-boromahailala ny masonao saronan’ny voalinao;

ny volonao toy ny andian’osivavy,

miantsampitsampy eny ankisolosolon’ny tendrombohitr’i Galaada.

2 Ny nifinao, toy ny andian’ondrivavy voahety,

miakatra avy any amin’ny fampandroana azy,

samy manana anaka kambana,

ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.

3 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao,

ary mahafinaritra ny vavanao;

tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka ny takolakao,

alokalofan’ny voalinao.

4 Tahaka ny tilikambon’i Davida ny vozonao,

izay nataony trano fitahirizam-piadiana,

ka ihantonan’ampinga arivo,

dia ny ampingan’ny mahery rehetra.

5 Tahaka ny zanaky ny gazela ny nononao roa,

tahaka ny kambana roa zanaky ny gazela iray,

izay mihinana eny amin’ny lisy.

6 Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro,

sy hahalasanan’ny aloka

dia ho eny an-tendrombohitry ny mira aho,

sy ho eny amin’ny havoan’ny emboka.

7 Fa tsara tarehy indrindra ianao, ry malalako,

sady tsy misy panda aminao!

8 Avia, hiaraka amiko, avy any Libàna, ry fofom-badiko,

avia hiaraka amiko, avy any Libàna!

Topazo maso avy eny an-tampon’i Amàna,

avy eny an-tampon’i Sanirasy i Hermôna,

avy any amin’ny lavaky ny liona,

sy ny tendrombohitry ny leoparda.

9 Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofom-badiko,

efa lasanao ny foko tamin’ny masonao indray mijery monja,

tamin’ny singam-boahangy eo amin’ny fehivozonao!

10 Endrey izany hamamin’ny fitiavanao, ry havako voafofo,

endrey izany hatsaran’ny fitiavanao mihoatra noho ny divay;

ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon’ny hanitrao!

11 Mitete tantely ny molotrao, ry voafofo;

ny tantely sy ny ronono dia ao ambany lelanao,

ary sahala amin’ny fofon’i Libàna, ny fofon’ny fitafianao.

12 Ny anabaviko voafofo dia tanimboly voahidy,

loharano voahidy, fantsakana voaisy tombokase.

13 Ny tsirinao dia alan’ampongabendanitra,

misy sipresy sy narda,

14 narda sy safrana,

kanela sy sinamôma,

mbamin’ny hazo rehetra misy emboka,

mira sy aloesy,

mbamin’ny hazo rehetra mahavokatra diloilo manitra tsara indrindra.

15 Loharanon’ny zaridaina,

fantsakan-drano velona,

sakeli-drano mandeha avy any Libàna.

Ampakarina

16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra, avia ry rivotra avy any atsimo!

Mitsofa eo an-tanimboliko, hitetevan’ny hazo mahavokatra dity manitra.

Aoka hiditra ao an-tanimboliny ny malalako,

ka hihinana amin’ireo voankazony tsara tarehy!

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 5

Mpampakatra

1 Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo,

efa nioty ny mirako aman-java-manitra aho;

efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho…!

efa nisotro ny divay aman-drononoko aho…!

Mihinàna, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, ianareo olon-tiako!

Ny Ampakarina

2 Matory aho, nefa mahatsiaro ny foko…

Injay ny feon’ny malalako! Mandondòna izy:

– Vohay aho, ranabavy, ry sakaizako,

ry voromahailalako, ry ahy tsy misy pentina;

fa vonton’ny ando ny lohako,

kotsan’ny andon’ny alina ny voloko voalantolanto.

3 Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana no fiakanjo indray?

Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy indray.

4 Ny malalako mampidi-tanana amin’ny loaky ny hidim-baravarana,

ka nangoraka azy ny foko.

5 Dia nitsangana aho namoha ny malalako,

ary nitete mira ny tanako,

ny mira tsara indrindra avy amin’ny rantsan-tanako,

nihanaka teo amin’ny famohan-karetsaka.

6 Namoha trano ny malalako aho;

kanjo nanjavona ny malalako; nandositra izy.

Tsy nahatsiaro tena aho raha niteny tamiko izy.

Nitady azy aho, nefa tsy nahita;

niantso azy, nefa tsy novaliany.

7 Nifanehatra tamiko ny mpiambina,

dia ireo izay nisafo ny tanàna alina;

ka nokapohiny nataony mangana aho;

nendahan’ireo mpiambina ny manda ny lambako.

8 Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema,

raha mahita ny malalako ianareo,

ahoana no holazainareo aminy…?

– Mararim-pitia aho. –

Antoko-mpihira

9 Inona no ihoaran’ny malalanao noho ny malala hafa,

ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy?

Inona no ihoaran’ny malalanao, noho ny malala hafa,

no dia miangavy anay toy izao ianao?

Ampakarina

10 Ny malalako dia mandina sy menamena,

notsongaina tamin’ny iray alina.

11 Volamena madio ny lohany;

malefaka hoatra ny sampam-palafa ny volony milantolanto,

sady mangilohilo toy ny goaika.

12 Ny masony tahaka ny voromahailala amoron-tsakeli-drano,

mandro amin’ny ronono,

mipetraka amin’ny morona,

13 Ny takolany tahaka ny kisahasahan-kazo mitete dity manitra,

sy toritory fambolena hazo manitra:

lisy ny molony,

izay mitete mira faran’izay madio.

14 Ny tanany dia anja-bolamena,

voaisy vatosoa avy any Tarsisa:

ny tratrany taozavatra ivoara kanto indrindra,

voaisy safira betsaka.

15 Ny ranjony andry vatosanga,

miorina amin’ny faladia volamena madio.

Ny tarehiny tahaka an’i Libàna,

bikana toy ny hazo sedera.

16 Mamy dia mamy ny vavany,

ary mahatehotia avokoa ny tenany.

Toy izany ny malalako, toy izany ny olon-tiako,

ry zanaka vavin’i Jerosalema.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 6

Antoko-mpihira

1 Lasa nankaiza ny malalanao,

ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy?

Nitodika nankaiza ny malalanao,

hiarahanay aminao hitady azy?

Ampakarina

2 Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako,

dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra,

hiandry ondry any an-tanimboliny,

sy hioty lisy any.

3 An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako;

miandry ny ondriny any amin’ny lisy izy.

Mpampakatra

4 Ry malala, tsara tarehy tahaka an’i Tirsà ianao;

ary mahafinaritra tahaka an’i Jerosalema,

fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila.

5 Avilio tsy hijery ahy ny masonao

fa mampitebiteby ny foko.

Ny volonao tahaka ny andian’osy

miantsampitsampy eny ankisolosolon-tendrombohitr’i Galaada.

6 Ny nifinao tahaka ny andian’ondry,

miakatra avy any amin’ny fampandroana;

samy manana anaka kambana;

ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.

7 Ny takolakao tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka

alokalofan’ny voalinao.

8 Misy mpanjaka vavy enimpolo, vaditsindrano valopolo,

ary zatovo vavy tsy hita isa:

9 fa iray monja no voromahailalako, ahy tsy misy pentina;

vavy tokan’ny reniny,

zokim-pitian’ilay nahitany masoandro.

Ireo zatovo vavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra;

ireo mpanjaka vavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy:

10 Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana

tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro,

fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?

11 Nidina tany an-tsahan’ny noaie aho

hizaha ny ahitra eny an-dohasaha,

hizaha raha mitsimoka ny voaloboka,

raha mamòny ny ampongabendanitra.

12 Tsy fantatro, fa nentin’ny fitiavako aho niakatra

nitaingina ny kalesin’ny vahoakako be voninahitra.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 7

Antoko-mpihira

1 Miverena, miverena ry Solamita.

Miverena, miverena, mba hijerenay anao.

Mpampakatra

Ahoana ianareo no mijery ny Solamita

tahaka ny dihy any Makanaima.

Antoko-mpihira

2 Endrey izany hatsaran’ny tongotrao misy kapa,

ry zanaka vavin’andriandahy!

Ny filefitry ny valahanao tahaka ny rado,

asan-tanan’ny mpahay zavatra.

3 Ny foitra dia kôpy kivorivory

tsy ilaozan-divay voaisy zava-manitra.

Ny kibonao toa varimbazaha mitoby,

voahodidina lisy.

4 Ny nononao roa toa zana-tserfavavy roa,

zanaka kamban’ny gazela iray.

5 Ny vozonao tahaka ny tilikambo ivoara;

ny masonao tahaka ny kamorin’iHesebona,

anilan’ny vavahadin’ity tanàna be mponina.

Ny oronao tahaka ny tilikambo any Libàna,

izay manatrika ny ilan’i Damasa.

6 Ny lohanao mipetraka eo amboninao tahaka an’i Karmela,

ny volon-dohanao tahaka ny jaky mena;

voasinton’ny fiolikoliny ny mpanjaka.

Mpampakatra

7 Soa loatra ity ianao, mahafinaritra ity ianao,

ry fitiavako ao anatin’ny fahafinaretana.

8 Ny tsangananao manahaka ny fototr’andrendry,

ary ny nononao, no toy ny sampahony.

9 Ka hoy aho: Hananika ny fototr’antrendry aho,

dia handray ny sampahony.

Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka;

ny hanitry ny fofon’ainao, ho toy ny an’ny pôma;

10 ary ny vavanao ho toy ny divay voafantina…!

Ampakarina

Izay mitsororoka moramora ho an’ny malalako,

mitsoriaka eo amin’ny molotry ny matory.

11 An’ny malalako aho,

ary atỳ amiko no alehan’ny faniriany.

12 Avia, ry malalako, andeha isika ho any an-tsaha;

andeha isika handry any amin’ny vohitra any.

13 Ho any an-tanimboaloboka, vao maraina isika,

ka ho hitantsika raha mitsiry ny voaloboka,

raha mivelatra ny tsiriny,

raha mamòny ny ampongabendanitra;

ary homeko anao ny fitiavako.

14 Mamerovero ny hanitry ny mandragora,

ary ao am-bavahadintsika avokoa ny voankazo tsara indrindra,

na ny vaovao na ny tranainy:

notahiriziko ho anao izany, ry malalako.

Categories
Tononkira dia Tononkira

Tononkira dia Tononkira 8

1 Endrey naninona re no tsy anadahiko ianao,

nitsentsitra ny nonon’ineny?

fa raha tojo anao eny ivelany eny aho, dia hanoroka anao,

nefa tsy hahazo fanesoana amin’izany.

2 Hitondra anao hiditra ao an-tranon’i neny aho,

dia hampianatra ahy ianao;

ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra,

dia ny ranon’ny ampongabendanitra.

3 Ny tanany ankavia manondana ahy,

ary ny ankavanany manohona ahy.

Mpampakatra

4 Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema,

aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako,

raha tsy efa sitrapony.

Antoko-mpihira

5 Iza ity vehivavy, miakatra avy any an’efitra,

mitehina amin’ny malalany?

Mpampakatra

Teo ambanin’ny hazo pôma no namohazako anao,

teo no torontoronina anao ireninao.

Teo izy no torontoronina anao, tao izy no nampahita masoandro anao.

6 Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho,

sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao;

fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,

tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro,

mirehitra toy ny afo ny firehetany,

dia lelafon’i Iaveh.

7 Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana,

ny ony koa tsy mahasafotra azy.

Tenin’olon-kendry

Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza

dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.

Teny manindrona roa

8 Manan-jandry vavy kely

tsy mbola misy nono izahay;

ka hataonay ahoana re ity zandry vavinay

raha avy izay andro angatahan’ny olona azy?

9 Raha manda izy,

dia asianay lohamanda volafotsy;

raha varavarana izy,

dia hotampenanay hazo fisaka sedera.

Ampakarina

10 Manda aho,

ary toy ny tilikambo ny nonoko;

ka dia toy ny efa nahita fihavanana aho eo imasony.

Antoko-mpihira

11 Nanan-tanimboaloboka tao Baala Hamôna i Salômôna,

napetrany tamin’ny mpiandry voly ny tanimboaloboka.

Ary ny solom-bokatra aloa ho azy,

dia arivo sikla isan’olona.

Ampakarina

12 Ny tanimboaloboka izay ahy kosa, dia anaranako fo:

ny arivo sikla no anao anie, ry Salômôna,

ary ny roan-jato kosa, an’ny mpiandry ny voany.

Mpampakatra

13 Eh, ianao izay mitoetra eny amin’ny zaridaina,

manongilana sofina hihaino ny feonao ny namana,

mba ampandreneso izany aho!

Ampakarina

14 Mihazakazaha, ry malalako,

manahafa ny gazela

na ny zana-tserfa vavy,

eny an-tendrombohitry ny hazo mitete dity manitra!

Categories
Fahendrena

Fahendrena 1

Tadiavo Andriamanitra ary andosiro ny fahotana.

1 Tiavonareo ny fahamarinana, ianareo izay mpitsara eto an-tany; aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo, ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy;

2 fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy, ary miseho amin’izay matoky Azy.

3 Satria ny hevi-dratsy, mampisaraka amin’Andriamanitra, ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy miampanga ny adala.

4 Ny fahendrena tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy, ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana.

5 Ny Fanahy Masina, mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy, manalavitra ny hevitra tsy misy saina, ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka.

6 Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena, ka tsy avelany ho afa-potsiny ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony. Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany, Mpamantatra marina ny fony, ary mandre ny teniny.

7 Fa manerana an’izao tontolo izaony Fanahin’ny Tompo, ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra, ka reny daholo izay lazain’ny olona.

8 Ka izay manao resaka mifanohitra amin’ny fivavahana tsy afa-miery dia tsy hohadinoin’ny fitsarana mpankafay ny ratsy.

9 Fa hanaovana famotorana ny hevitra kasain’ny tsy mpivavaka, ary ho tonga hatrany amin’ny Tompo ny fisamonin’ny teniny, mba hosazina amin’ny ratsy nataony izy.

10 Ny sofina saro-piaro, mandre ny zavatra rehetra, ary tsy miery aminy ny fimonomononana;

11 koa fadio ny fimonomononana tsy mahasoa, ary arovy ny lelanao tsy hiteny ratsy an’Andriamanitra, fa ny teny an-tsokosoko indrindra raha haloaky ny vava tsy maintsy sazina, ary ny vava mandainga, hampahazo fahafatesana ny fanahy.

12 Ka aza dia mitady faty amin’ny fitondran-tena miavona; na mihantsy fahaverezana, amin’ny asan-tananareo.

13 Fa tsy nanaony fahafatesanaAndriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona.

14 Noarîny ho amin’ny fiainana ny zavatra rehetra, ka mahasoa ny zava-boaarin’izao tontolo izao; tsy misy foto-pahalevonana ao aminy, ary tsy mba manjaka eto ambonin’ny tany ny fahafatesana.

15 Satria tsy mety maty ny fahamarinana.

Ny fiainana araka ny hevitry ny ratsy fanahy.

16 Fa ny ratsy fanahy no miantso ny fahafatesanaamin’ny fihetsiketsehany sy ny feony; ataony sakaizany ilay io ka fatra-pitia azy izy ireo, dia manao fanekena aminy, ka dia mendrika tokoa ny mba azy.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 2

1 Tamin’ny faniasiavan’ny sainy no nifampilazan’izy ireo hoe: «Sady fohy no be fahoriana ny andro iainantsika; ary rehefa tonga ny fara andron’ny olombelona, tsy misy fanafodiny intsony, sady tsy misy fantatra izay olona mahafaka amin’ny fonenan’ny maty.

2 Sendrasendra no nahatonga antsika ho misy; ka aorian’ity fiainana ity ho tonga toy ny mbola tsy nisy akory isika, ny fofon’aina ao amin’ny vavorontsika dia setroka, ary kilalaon’afo mitselatra amin’ny fitepotepon’ny fontsika ihany koa ny hevitra.

3 Ka vao maty io dia hirara-ko levona ny vatantsika; dia hisava toy ny rivotra foana ny fanahy.

4 Hivarina tsikelikely amin’ny fanadinoana ny anarantsika, ary tsy misy olona hahatsiaro ny asantsika. Ny andro iainantsika handalo toy ny dian’ny rahona, hisava toy ny zavona roahin’ny tsirim-pahazavan’ny masoandro, sy hampifintinin’ny hafanana hanjary ranonorana.

5 Fihelenan’ny aloka ny andro iainantsika; tsy misy fiverenany ny fahataperany, voapetaka ny tombokase, dia tsy misy mampody intsony.

6 Koa avia, aoka isika hiarana amin’ny soa ankehitriny; miarana amin’ny zava-boaary araka ny firehitry fahatanorantsika,

7 aoka isika himamo amin’ny divay kanto sy amin’ny zava-manitra, ary aza avela ho lany foana ny vonin’ny lohataona.

8 Manaova fehiloha bokom-bonin-drôzy, dieny mbola tsy malazo izy.

9 Aoka tsy hisy amintsika izao, ho diso ny filibantsika, asiontsika hatraiza hatraiza ny marika fampahatsiarovana ny firavoravoantsika; fa izany no mba anjarantsika, izany no mba efa tapaka ho antsika.

10 Ampahoriontsika ny marina izay mahantra, aza tsitsina ny mpitondratena, aza hajaina akory izay volofotsin’ny antitra ela niainana.

11 Aoka ny herintsika no ho lalàn’ny fitsaràntsika; fa tsy hatao ho vanon-ko inona akory izay osa foana.

12 Koa ifanakano ny marina, satria manahirana antsika izy, manohitra ny fomba fanaontsika, manìny antsika amin’ny fandikàntsika ny lalàna, ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin’izay nampianarina antsika.

13 Mihambo ho manana ny fahalalana an’Andriamanitra izy, ary hataony hoe zanak’Andriamanitra ny anarany.

14 Faniniana ny hevitsika izy ho antsika ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza;

15 satria tsy mba tahaka ny an’ny olon-kafa ny toe-piainany ary ny lalany hafahafa.

16 Araka ny heviny isika dia faikan-java-maloto foana, ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto; ny anjaran’ny marina, torìny ho tsara miafara; ary mirehaka ho manana an’Andriamanitra ho Rainy izy.

17 Aoka hozahantsika raha marina ny filàzany, aoka hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialana amin’ity fiainana ity.

18 Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina, dia harovan’Andriamanitra izy, ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony.

19 Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe: hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany!

20 Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka izy, satria araka ny filàzany dia hoahìn’Andriamanitra izy».

Diso hevitra ny ratsy fanahy

21 Izany no hevitr’izy ireo; diso hevitra anefa izy; fa jamban’ny haratsiany.

22 Tsy mahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana; ary tsy mino fa hisy valisoa ho an’ny fanahy madio.

23 Satria noarîn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin’ny tenany:

24 Fa fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao;

25 dia hanandrana izany, ry zareo izay azy.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 3

Ny miandry ny olo-marina sy ny olon-dratsy.

1 Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.

2 Hoatry ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, ary hoatry ny loza ny fiàlany amin’izao fiainana izao,

3 ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika; kanjo ao anatin’ny fiadananaizy.

4 Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona, ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.

5 Rehefa afaka ny fijaliana maivanafoana dia handray valisoa lehibe izy: fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika Azy.

6 Notsapainy toy ny volamena atao amin’ny memy izy, ka nankasitrahiny, toy ny sorona dorana lavorary.

7 Amin’ny andro hamalian-tsoa azy, hamirapiratra izy ireo; tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.

8 Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.

9 Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina; hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy, satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.

10 Hihatra amin’ny ratsy fanahy kosa ny sazy tandrifin’ny hevi-dratsiny; fa izy naniratsira ny olo-marina, sady nihataka tamin’ny Tompo.

11 Fa na zovy na zovy manary ny fahendrena amam-pananarana dia voatendry ho amin’ny loza: foana ny fanantenany, tsy mahavokatra ny fisasarany, tsy misy tombony ny asany;

12 adalany vadiny, feno haratsiana ny zanany; ary voaozona ny taranany.

Aleo momba toy izay ratsy taranaka

13 Noho izany sambatra ny vehivavy momba, tsy misy panda, tsy azon’ny fahalotoana ny fandriany! Fa hahazo ny vokany izy, amin’ny andro hamangiana ny fanahy.

14 Sambatra koa ny eonòka, tsy mbola nahalala heloka ny tanany, sady tsy namoron-kevi-dratsy manohitra ny Tompo! Fa handray ny valisoa voafantina izy, noho ny tsy fivadihany; ary hahazo anjara soa indrindra izy ao an-tranon’ny Tompo.

15 Satria ny fanaovana asa soa, mahavokatsoa be voninahitra, ary ny fàkan’ny fahamalinana tsy mba maty.

16 Fa ny zanaky ny mpanera vadin’olonakosa, tsy hahafantatra ny fara androny, ary ny taranaky ny fiterahana meloka ho foana.

17 Raha lava ny andro iainany, dia hatao tsinontsinona izy ireo, ary ny fahanterana hiafarany, tsy hisy hajany.

18 Raha malaky maty izy, tsy hanam-panantenana na fiononana amin’ny fitsarana.

19 Fa ratsy miafara mandrakariva ny taranaka tsy marina.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 4

1 Aleo ny momba, manan-katsaram-panahy; fa maharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy, satria fantatr’Andriamanitra sy ny olombelona izy.

2 Raha eo imaso izy, alain’ny olona tahaka; rehefa tsy eo intsony malahelo azy ny olona; voasatroboninahitra any amin’ny mandrakizay izy, fa nahazo fandresena tamin’ny ady tsy mahaloto.

3 Fa ny taranaka maron’ny ratsy fanahy kosa tsy vanon-ko inona; zazasary no fototra iaviany, ka tsy ho latsaka lalina ny fakany; ary tsy ho fanorenana mahatoky no hiorenany.

4 Na ho maro sampana maitso vetivety aza izy, noho izy tsy miorina mafy amin’ny tany, dia ho voahozongozon’ny rivotra izy ary ho voaongotry ny ranonoram-baratra mahery.

5 Ny sampany, ho folaka an-dantony; ny voany tsy ho vanon-ko inona, fa maisatra tsy fihinana, ary tsy azo atao na inona na inona.

6 Satria ny zaza teraka avy amin’ny torimaso maloto dia vavolombelon’ny helo-drainy aman-dreniny raha avy izay hamotorana an’ireo.

Ny olo-marina folaka an-dantony

7 Ny marina kosa na maty alohan’ny fotoana aza, mahita fitsaharana.

8 Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin’ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan’ny taona.

9 Fa ny fahamalinana no solon’ny volo fotsy ho an’ny olombelona; ary ny toe-piainana tsy misy tsiny no taonan’ny fahanterana.

10 Noho izy nahafaly an’Andriamanitra dia tiany, ary raha niara-belona tamin’ny mpanota izy dia voafindra.

11 Nesorina izy, fandrao simban’ny hasomparana ny sainy, na ovan’ny hafetsen-dratsy ny fanahiny.

12 Fa mahatakona ny soa, ny fanangolena avy amin’ny haratsiam-panahy, ary manimba ny saina tsotra ny fandrebireben’ny fitongilanan-dratsy.

13 Anatin’ny andro vitsy no nahatongavany amin’ny fahalavorariana, ka lalan-davitra no afany.

14 Fa nankasitrahin’ny Tompo ny fanahiny, ka izany no nanafainganany ny nanesorany azy teto amin’ny tsy fahamarinana.

15 Mahita izany ny vahoaka ka tsy mahalala izay antony, fa tsy mandatsaka an-tsainy izy hoe ny fahasoavana amam-pamindram-pon’Andriamanitra momba ny olom-pinidiny ary miahy ny olo-masiny Izy.

16 Ny marina maty anefa manameloka ny ratsy fanahy mbola velona; ary ny fahatongavan’ny tanora faingana amin’ny fahalavorariana manameloka ny olona tsy marina tratra antitra.

17 Hahita ny fiafaran’ny hendry izy ireo, fa tsy ho fantany ny hevitr’Andriamanitra ny aminy, na ny antony nampandrian’ny Tompo feizay azy.

18 Hahita izy ireo, ka hihomehy, fa mba hihomehezan’ny Tompo kosa izy,

19 ary raha efa izany dia hanjary faty tsy misy hajany izydia ho anisan’ny maty ho afa-baraka mandrakizay. Ny Tompo hanorotoro azy, ary hataony tsy manan-kalahatra izy, dia havariny; hohozongozoniny amin’ny fanorenany, ho ringana avokoa hatramin’ny farany, ho azom-pahoriana izy, ary ho faty ny fahatsiarovana azy.

Ny marina sy ny tsara fanahy eo amin’ny fitsarana

20 Ho tonga izy amim-pivadiham-po noho ny fieritreretany ny fahotany, ary hitsangana eo anatrehany ny helony hiampanga azy.