Categories
Fahendrena

Fahendrena 5

1 Amin’izay hitsangana amim-pitokiana lehibe ny marina, eo anoloan’izay nanenjika azy, sy nanamavo ny fisasarany.

2 Raha hahita izany izy ireo dia hihavatràvatra amim-pivadiham-po mahatsiravina; ho àna foana amin’ny fanehoana ny famonjena;

3 hifampiteny izy sady henika ny nenina sy hitoloko amim-pangitaham-po mafy hanao hoe:

«Indro ilay nataontsika fihomehezantsika fahiny, sy izay nokendren’ny fandatsantsika!

4 Adala isika nanao ny toe-piainany ho hadalana, sy ny hiafarany ho fahafaham-baraka!

5 Kanjo indro, ny tenany eo amin’ny zanak’Andriamanitra, ary ny anjarany eo amin’ny olo-masina!

6 Koa maniasia isika lavitry ny lalan’ny fahamarinana; tsy namirapiratra tamintsika ny fahazavan’ny fahamarinana; ary tsy niposaka tamintsika ny masoandro.

7 Niala liana teny amin’ny lalan’ny tsy fahamarinana amam-pahaverezana isika, nizotra tamin’ny tany efitra tsy misy lalana isika, ka tsy nahalala ny lalan’ny Tompo.

8 Nahasoa antsika inona ny avonavona? Inona no soa azontsika tamin’ny harena aman-draharaha?

9 Ireny zavatra rehetra ireny dia nandalo toy ny aloka, toy ny hahohaho lasa nihelina;

10 toy ny sambo mamaky rano manonja, ka tsy mety ho hita akory izay dian’ny nalehany, na ny mariky ny montsìfany ao afovoan’ny rano;

11 na toy ny voromanidina mamakivaky ny rivotra, ka tsy misy hita akory izay dian’ny nalehany; fa mikopaka elatra mamely ny rivotra maivana izy, manao an’ezaka mafy mamaky azy, manori-dalana eo izy manakopaka ny elany, nony inona dia tsy hita velively izay dian’ny nolalovany.

12 Na tahaka ny zana-tsipìka efa nalefa amin’izay kendrena, ka miverina amin’izay nisy azy teo indray ny rivotra nalehany; dia tsy hita intsony ny toerana nolalovany.

13 Toy izany koa isika, fa teraka isika ary izao tapitra ny aintsika; tsy mba mana-mariky ny hatsaram-panahy haseho akory isika, ary mbola eo anatin’ny tsy fahamarinantsika isika dia efa voaesotra».

14 Marina izany fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy dia tahaka ny volo malemy entin’ny rivotra, tahaka ny fanala maivana aelin’ny ranonoram-baratra, tahaka ny setroka ahahaky ny tsio-drivotra, tahaka ny fahatsiarovana ny vahiny indray andro mihelina.

15 Fa ny marina kosa velona mandrakizay; ny valisoany eo amin’ny Tompo; ary ny Tsitoha no miahy azy ireo.

16 Ka dia horaisiny avy eo an-tanan’ny Tompo ny fanjakana tsara indrindra aman-tsatroboninahitra mamirapiratra; fa hiaro azy ireo amin’ny tanany ankavanana Izy, ary hosaronany amin’ny sandriny toy ny amin’ny ampinga.

17 Handray ny zotom-pony ho fiadiana izy, ary ny zava-boaary homeny fiadiana, hoentiny mamaly ny fahavalony.

18 Hitafy ny fahamarinana ho fiarovan-tratra izy, ary handray ny fitsarana marina ho fiarovan-doha.

19 Handray ny fahamasinana ho ampinga tsy lai-piadiana izy.

20 Hanao sabatra maranitra izy amin’ny hatezerany tsy azo ifonana, ary hiaraka aminy hiady amin’ny adala avokoa izao tontolo izao.

21 Hitsoriaka ny hela-baratra mikendry tsara, ary avy amin’ny rahona ny zana-tsipìka avy amin’ny tsipìka voahenjana mafy dia hanidina hiantefa amin’izay nikendrena azy.

22 Handefa havandra mivatravatra ny hatezerany toa milina fandefasam-bato; hisamboaravoara hamely azy ny ranomasina, ary ny ony hivarina mafy erỳ aminy.

23 Hitsangan-kamely azy ireo, ny fifofofofon’ny herin’Andriamanitra ary ampihahaka azy toy ny tadio; ka dia hovan’ny tsy fahamarinana ho efitra ny tany; ary haongan’ny faharatsiana, ny seza fiandrianan’ny mahery.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 6

Tokony hotadiavin’ny mpifehy rehetra ny fahendrena

1 Koa mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara; mihainoa ny fampianarana, ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany.

2 Mampandria sofina, ianareo manapaka ny sarambabem-bahoaka, ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be.

3 Fantatro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery, ary ny Avo Indrindra no nanome anareo ny fahefana, dia izy no handinika ny asanareo, sy hizaha toetra ny hevitrareo.

4 Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany tsy mbola nitsara ara-drariny, na nitandrina ny lalàna, na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra;

5 dia hiantefa aminareo Izy mahatsiravina sy tampoka fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy.

6 Ny madinika, avela helokaamim-pamindram-po, fa ny manam-pahefana kosa faizana mafy.

7 Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra, ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso; fa samy noarîny ny lehibe sy ny kely, ary samy ahîny na ireto na iretsy.

8 Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.

9 Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena, ka tsy ho lavo ianareo.

10 Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana, hohamarinina; ary izay mianatra azy hanan-kavaly.

11 Koa aoka hankamaminareo ny teniko; aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

Manaiky ho hita ny fahendrena

12 Ny fahendrena dia mamirapiratra, tsy mety matroka hatsarana; mora mahita azy ny olona raha tia azy izy, ary mora mahazo azy raha mitady.

13 Mitsena an’izay mitady azy izy, ary miseho aminy voalohany.

14 Izay mifoha maraina koa hitady azy, tsy mananosarotra, fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.

15 Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary, ary ny miari-tory noho ny aminy, dia ho afaka ahiahy vetivety;

16 mandeha mivezivezy atsy amin’arỳ izy, mitady an’izay mendrika azy, miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana, ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

17 Fa ny fiandohan’ny fahendrena mahatoky dia ny faniriana ny fampianarana.

18 Ary ny miahy ny fianarana kosa mitarika ho amin’ny fitiavana, ny fitiavana mampitandrina ny lalàny, ny fitandremana ny lalàny ahazoana antoka ny tsy fahafatesana mandrakizay,

19 ary ny tsy fahafatesana mandrakizay ahazoan-toerana eo akaikin’Andriamanitra.

20 Noho izany, ny faniriana ny fahendrena, mampahazo fanjakana,

21 koa raha maminareo, ry mpanjakan’ny vahoaka, ny seza fiandrianana aman-tehim-panjakana; hajao ny fahendrena mba hanjaka mandrakizay.

Hohazavain’i Salômôna ny fahendrena

22 Fa ny hoe inona no fahendrena, ary inona no fiaviany, dia hasehoko izao, ary tsy hafeniko aminareo ny misterin’Andriamanitra. Hatomboko hatrany amin’ny fiandohan’ny nahariana ny zavatra, hasehoko mazava izay rehetra momba azy, ary tsy hivily hiala amin’ny marina aho.

23 Lavitra ahy ny hiara-dalana amin’ny fialonana mandevona! fa tsy mba manana anjara amin’ny fahendrena io, na dia kely aza.

24 Ny habetsahan’ny hendry dia famonjena ny tany; ary ny mpanjaka hendry dia fanambinana ny vahoakany.

25 Koa raiso àry ny fampianarana amin’ny teniko, dia hahita soa amin’izany ianareo.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 7

Olombelona fotsiny i Salômôna

1 Izaho koa dia olombelona mety maty toy ny hafa rehetra, ary avy amin’ilay voalohan-dahy natao tamin’ny tany.

2 Ny amin’ny nofoko dia tao an-kibon’ineny no niforonako, nihamafy tamin’ny ra, mandritra ny folo volana, avy amin’ny faharian’ny lehilahy mandritra ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso.

3 Izaho koa raha vao teraka dia niaina tamin’ny rivotra iaraha-manana amin’ny betsaka, latsaka tamin’ny tany itoviana, ary tomany toy ny an’ny hafa rehetra ihany koa, no feo voalohany nalefako.

4 Nobiazina tanaty lamban-jaza sy tamim-pitandremana tsy hita isa aho.

5 Tsy nisy mpanjaka nanam-piandoham-piainana hafa noho izany.

6 Fa fomba tokana ihany, amin’ny olona rehetra,

no idirana sy ialana amin’ny fiainana.

7 Noho izany, nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina; niantso aho, ka tonga tamiko ny fanahin’ny fahendrena.

8 Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatroboninahitra; ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin’izany.

9 Tsy nampitoviko taminy, ny vato sarobidy indrindra; fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin’izao tontolo izao miolotra aminy, ary tsy maintsy atao fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy.

10 Tiako noho ny hasalamana aman-katsaran-tarehy izy, naleoko manana azy toy izay manana ny fahazavana, satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony.

11 Tonga tamiko miaraka aminy, ny soa rehetra; ary harena tsy hita lany no eo an-tanany.

12 Ka dia nifaly tamin’izany soa rehetra izany aho, fa entin’ny fahendrena miaraka aminy ireny; tsy nahalala anefa aho fa Izy no loharanon’ireny.

13 Ny manaraka azy tsy nataoko an-kifonofono, ary ambarako ny hafa tsy amim-pialonana; ka tsy afeniko ny rakitra ao aminy.

14 Fa rakitra tsy manam-paharitana ho an’ny olombelona izy; manana anjara amin’ny fihavanana amin’Andriamanitra izay mampiasa azy, fa ny toetra tsara avy amin’ny fianarana dia mampahita sitraka aminy.

15 Homen’Andriamanitra ahy anie, ny hiteny momba azy, araka ny faniriako, sy ny hahita hevitra mendrika ny fanomezana noraisiko. Fa Izy no mitarika ny fahendrena, sy mitari-dalana ny hendry.

16 Eo an-tanany isika, dia isika sy ny tenintsika, mbamin’ny fahiratan-tsaina amam-pahaiza-manao.

17 Izy no nahazoako fahalalana marina ny zavatra, nampahafantariny ahy ny firafitr’izao tontolo izao mbamin’ny toetra manokana ananan’ny foto-javatra avy,

18 ny fiandohany amam-piafarany, ary ny elanelan’ny fotoana, ny fitsingerenan’ny masoandro ara-potoana, ny fifandimbiasan’ny andro,

19 ny fitsingerenan’ny taona amam-pitoeran’ny kintana,

20 ny fomban’ny biby amam-pahaizan’ny tsy manan-tsaina. ny herin’ny fanahy amam-pisainan’ny olombelona, ny karazan-java-maniry samihafa mbamin’ny hasin’ny fakany.

21 Ny zava-miafina sy ny miharihary dia nianarako ho hay avokoa; fa ny fahendrena mpamorona ny zava-drehetra no nampianatra ahy izany.

Fiderana ny fahendrena

22 Fa ao aminy dia misy fanahymanan-tsaina, masina, tokana, maro asa, tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka, tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly, tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona, manao soa,

23 tsara fo ho an’ny olombelona, tsy manam-piovana, matoky, miadana, mahefa ny zavatra rehetra, mitandrina ny zavatra rehetra, maninteraka ny fanahy rehetra, ny manan-tsaina, ny madio, ary ny faran’izay maranitra indrindra.

24 Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny fahendrena, maninteraka sy misisika amin’ny zavatra rehetra izy, noho ny hadiovany.

25 Fofon’ain’ny herin’Andriamanitra izy, zavatra avy amin’ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany, ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.

26 Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay izy, fitaratry na fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina, ary endriky ny hatsaram-pony.

27 Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra, tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra, mirotsaka amin’ny fanahy izay masina rehetra amin’ny taona mifandimby, ka mahatonga azy ho sakaizan’Andriamanitra sy ho mpaminany.

28 Fa tsy misy tian’Andriamanitra

afa-tsy izay miara-monina amin’ny fahendrena.

29 Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy, sy noho ny filantoan’ny kintana. Raha ampitahaina amin’ny mazava, mbola ihoarany;

30 satria ny mazava, dimbiasan’ny alina; fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny fahendrena.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 8

1 Ny fahendrena mahatratra amim-pahefana ny fara vazantany hatramin’ny ilany iray ka hatramin’ny ilany iray hafa, ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.

Ao amin’ny fahendrena ny soa rehetra

2 Hatramin’ny fahatanorako aho no efa tia sy nikatsaka azy, nitady azy ho vady, ary raiki-pitia ny hatsaran-tarehiny.

3 Maneho ny voninahitry ny fiaviany izy, amin’ny fiarahany monina amin’Andriamanitra, ary tia azy ny Tompon’ny zavatra rehetra.

4 Satria izy no nampiditra ny olona amin’ny fahalalan’Andriamanitra, sy mifidy eo amin’ny asany.

5 Raha soa faniry amin’ity fiainana ity ny harena, inona no harem-be mihoatra noho ny fahendrena izay mahavita ny zavatra rehetra?

6 Raha ny fahiratan-tsaina no mitarika amin’ny lahasa, iza no mpamorona ny zava-misy rehetra, mihoatra noho ny fahendrena?

7 Tia fahamarinana va ny olona? Ny asan’ny fahendrena no mahavokatra ny hatsaram-panahy, mampianatra ny fahononana sy ny fahamalinana izy, ary ny fahamarinana sy ny faherezana, dia izay zava-mahasoa indrindra ny olombelona amin’ity fiainana ity.

8 Maniry fahalalana lasa lavitra va ny olona? Mahalala ny lasa sy mahavinany ny ho avy ny fahendrena, mahatakatra ny oha-teny saro-pantarina sy mahavaofy ny teny mifono, mahafantatra mialoha ny marika amam-pamantarana, mahalala ny zavatra tonga amin’ny fotoany sy amin’ny fotoan’androny.

Ilain’ny mpifehy tsy azony avela ny Fahendrena.

9 Izany no nahatapa-kevitra ahy haka azy ho namana amin’ny fiainako; fa fantatro fa izy dia ho mpanolo-tsaina ahy amin’ny soa rehetra; ary ho fanalana alahelo ahy amin’ny ahiahy amam-pahoriako.

10 Izy no hahazoako voninahitra eo amin’ny fivoriana, sy haja eo amin’ny anti-panahy, na mbola tanora aza aho.

11 Ho fantatry ny olona ny fahiratan-tsaiko amin’ny fitsaran-javatra, ka hitolagaga eo anatrehako ny lehibe.

12 Mangina aho, hiandry ahy hiteny izy ireo; miteny aho, ho any amiko ihany ny mason’izy rehetra; ary lava teny aho, hitampim-bava izy ireo.

13 Izy no hahazoako tsy fetezana ho faty, ary amelako fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny taranaka.

14 Hitondra vahoaka aho, ary hanaiky ahy ny firenen-kafa.

15 Hatahotra ahy ny mpanjaka atahorana, raha vao mandre ny lazako izy ireo; ho malemy fanahy aho, eo amin’ny vahoakako, ary ho mahery fo amin’ny ady.

16 Hiala sasatra eo anilany aho, raha mody ao an-tranoko; fa ny fiarahana aminy tsy mba misy ngidiny, ny mifankahazo aminy tsy mahavokatra fahasorisorena, fa fifaliana amam-piravoravoana ihany.

Hangataka Fahendrena i Salômôna

17 Mandinidinika izany hevitra izany aho samy irery, ary nieritreritra tao am-poko, fa hoe: tsy fetezana ho faty no vokatry ny firaisana amin’ny fahendrena;

18 Fahafinaretana mendrika no avy amin’ny fifankatiavana aminy; harena tsy manam-paharitana no avy amin’ny asan’ny tanany; fahiratan-tsaina no azo amin’ny fifankahazoana tsy tapaka aminy; ary voninahitra no azo amin’ny fiaraha-miresaka aminy: ka nandeha nankatsỳ, nankarỳ, nitady ny hahazoako azy ho namana aho.

19 Fahizany aho mbola zaza tsara toe-tena, sady tsara koa ny fanahy noraisiko ho anjarako;

20 na izao ahay: efa tsara rahateo aho, ka dia tonga anaty vatana tsy misy loto.

21 Fantatro anefa fa tsy afa-kahazo fahendrena aho, raha tsy omen’Andriamanitra, – ary efa fahiratan-tsaina sahady ny fahalalana izay iavian’io fanomezana io,- ka dia niteny tamin’ny Tompo aho, sy niantso Azy, ary amin’ny foko tokoa, no nilazako taminy hoe:

Categories
Fahendrena

Fahendrena 9

Vavaka fangatahana ny fahendrena.

1 «Ry Andriamanitry ny razana, Tompon’ny famindram-po ô, izay nanao izao rehetra izao, tamin’ny teninao,

2 ary nanangana ny olombelona noho ny fahendrenao, mba hanjaka amin’ny zava-boaary rehetra nataonao,

3 sy hifehy an’izao tontolo izao araka ny fahamasinana sy ny fahamarinana, ary hampiasa ny fahefana araka ny fahitsiam-po,

4 omeo ahy ny fahendrena izay mitoetra eo anilan’ny seza fiandriananao, ary aza ariana tsy ho anisan’ny zanakao aho.

5 Fa izaho dia mpanomponao ary zanaky ny ankizivavinao, olona osa, fohy andro iainana, ary tsy mahafantapantatra loatra ny fitsarana aman-dalàna.

6 Na ny lavorary indrindra amin’ny zanak’olombelona aza, raha tsy manana ny fahendrena avy aminao dia isaina ho tsinontsinona.

7 Ianao nifidy ahy hanjaka amin’ny vahoakanao, sy hitsara ny zanakao lahy aman-janakao vavy.

8 Sady nandidy ahy hanorina tempolyeo amin’ny tendrombohitrao masina sy ôtely ao an-tanàna fonenanao, araka ny mariky ny tabernakla masina hatramin’ny voalohany.

9 Eo aminao ny fahendrena izay mahalala ny asanao, izay efa teo, raha nanao izao rehetra izao Ianao, ka mahalala izay voasitraka eo imasonao sy izay marina araka ny didinao.

10 Iraho avy any an-danitrao masina izy, iraho avy any amin’ny seza fiandrianan’ny voninahitrao izy, mba homba ahy amin’ny asako, sy hahalalako izay sitrakao.

11 Fa mahalala sy mahafantatra ny zavatra rehetra izy, ka dia hitari-dalana ahy amim-pahamalinana amin’ny asa ataoko, ary hiaro ahy noho ny voninahiny.

12 Dia ankasitrahinao ny asako; hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny aho; ary ho mendrika ny seza fiandrianan’ny raiko.

13 Fa iza moa ny olombelona, afa-kahalala izay hevitr’Andriamanitra? na zovy no hahatakatra izay sitrapon’ny Tompo?

14 Miroahanahana ny hevitry ny olombelona, ary anjoanjo ihany ny eritreritray.

15 Satria vesaran’ny vatana mety lo ny fanahy, ary vizanin’ny fonenany tany ny saina maro hevitra.

16 Zara raha mahavinavina ny eto an-tany izahay; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; koa zovy àry no hahatakatra izay any an-danitra?

17 Zovy no nahalala izay sitraponao, raha tsy nomenao ny fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony?

18 Izany no nahahitsy lalana an’izay eto an-tany, ka nahalalan’ny olombelona izay sitrakao, ary namonjena azy ireo tamin’ny fahendrena».

Categories
Fahendrena

Fahendrena 10

Hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy.

1 Ny fahendrena no niaro ny voalohan-dahy noforonin’Andriamanitra, mba ho rain’ny olombelona rehetra, dia ilay tokana noarîna.

2 Nanatsoaka azy tamin’ny fahotany izy, sy nanome fahefana azy, hitondra ny zava-boaary rehetra.

3 Nihataka taminy, noho ny hatezerany, ilay tsy marina, ka very tamin’ny fisafoahana nahafaty rahalahy.

4 Raha avy izay nahasafodrano ny tany noho ny olona tsy marina, dia ny fahendrena no namonjy azy ireo, ka izy no nitari-dalana ny marinatambonin’ny hazo tsy misy vidiny.

5 Nony tafaharo tamin’ny heloka niraisany, ny firenen-tsamihafa, fantatry ny fahendrena ilay marina, ka notahiriziny tsy hanan-tsiny teo anatrehan’Andriamanitra, sy narovany tsy ho resin’ny fitiavan-janaka.

6 Tamin’ny nandringanana ny ratsy fanahy, novonjen’ny fahendrena ny marinaizay nandositra ny afo nidina tamin’ny tanàna dimy.

7 Mba ho vavolombelon’ny haratsian’izy ireny, mbola mivoa-tsetroka izany tanàna nidiran-doza izany; mamoa tsy amin’ny fotoana ny hazo ao; ary misy andry siramijoro ao, tsangam-baton’ny fanahy anankiray tsy nino.

8 Nataon’izy ireny tsirambina ny fahendrena, ka sady maty antoka ny tsy nahalalany ny soa izy ireo, no namela tsangam-baton’ny hadalany ho an’ny velona, mba tsy ho very tadidy ny heloka nataony.

9 Nefa nafahan’ny fahendrena tamin’ny loza kosa ny mpanaraka azy.

10 Izy no nitarika tamin’ny lala-mahitsy, an’ilay marinanandositra ny hatezeran’ny rahalahiny; naneho tamin’io ny fanjakan’Andriamanitra, sy nanome azy ny fahalalana ny zava-masina; nampanan-karena azy tamin’ny asa nisasarany; ary nampahavokatra ny asa nataony.

11 Novonjeny tamin’ny mpampahory mahidy izy, ka nataony nahazo harena;

12 Nambenany tamin’ny fahavalony izy, ary narovany tamin’ny namela-pandrika taminy; nomeny fandresena tamin’ny ady mafy izy, mba hampahafantarany azy fa mahery noho ny zavatra rehetra ny fitiavam-bavaka.

13 Ny marina namidy voladia tsy nafoiny, fa narovany tamin’ny fahotana; niara-nidina taminy tao an-davaka izy,

14 tsy nandao azy tamin’ny fatorana; mandra-panomeny azy ny tehim-panjakana, sy ny fanapahana an’ireo mpampahory azy; ireo niampangany olo-marina nataony vaky lainga; ary izy kosa nomeny laza mandrakizay.

Ny Eksaody nialana tany Ejipta.

15 Novonjeny tamin’ny firenena nampahory azy, ny vahoaka masina aman-taranaka tsy manan-tsiny.

16 Niditra tamin’ny fanahin’ilay mpanompon’Andriamanitraizy, ary nifanandrina tamin’ireo mpanjaka mahatahotra, tamim-pamantarana amam-pahagagana.

17 Ny marina nomeny ny tambin’ny asany, notarihiny tamin’ny lalana nofafazany fahagagana izy ireo, nitsangan-ko alokalonyizy, nony andro, ary ho fahazavany, toy ny kintana, nony alina.

18 Nentiny namaky ny ranomasina Mena izy, ary notarihiny lalana namakivaky ny rano be.

19 Nosaforany tao ny fahavalon’izy ireo dia naloan’ny hantsana lalina avy ao aminy izy ireo.

20 Noho izany namabo ny tsy mpivavaka ny marina, dia nihira ny Anaranao masina, ry Tompo, sy niara-nankalaza ny tananao niady ho azy ireo.

21 Fa mampiloa-bava ny moana ny fahendrena, ary mampahay mandahatra ny lelan’ny zaza.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 11

1 Ny tanan’ny mpaminany masinaanankiray no nanambinan’ny fahendrena ny asany.

2 Nomba lalana mamaky efitra tsy misy mponina izy ireo, ary nanangan-day tamin’ny tany tsy misy lalana.

3 Voatohitr’izy ireo ny fahavalony, ary novaliany faty ny rafilahiny.

4 Nangetaheta izy ka niantso Anao, dia nomena rano avy amin’ny haram-bato mideza, sy fanalana hetaheta avy amin’ny vato.

Ny rano nahavery ny Ejiptianina ary nahavonjy an’i Israely.

5 Ny nahazo an’ireo fahavalony ho famaizana azy, nanjary fitahianaho azy ireo tamin’ny fahoriany kosa.

6 Satria tamin’ilay voaloton’ny ra maloto iny ny ranon’ilay ony tsy mety ritra,

7 ho sazin’ilay didy nampamono ny zaza, dia rano ankabetsahana kosa no nomenao ny olonao, nefa zavatra tsy azo nampoizina velively akory izany.

8 Ka nasehonao azy tamin’ny hetaheta nahazo azy ireo tamin’izany ny hamafin’ny famaizana amelezanao ny mpanohitra Anao.

9 Taorian’izany fijaliana izany, na dia voasazy tamim-pamindram-po ihany aza izy dia nahalala ny hamafin’ny fampijaliana ahatra amin’ny tsy mpivavaka, tsaraina amin-katezerana.

10 Ny sasany nofaizinao, toy ny fananatry ny ray, ny sasany kosa nasianao, toy ny fanameloky ny mpanjaka sarotiny.

11 Niharam-pijaliana avokoa, na ny tao na ny tsy tao.

12 Alahelo roa sosonano nahazo azy ireo, ary nisento izy nahatsiaro ny zava-nitranga.

13 Satria nony reny fa ny fampijaliana midona aminy, nody soa ho an’ny mpandositra, dia fantany fa ao ny tanan’ny Tompo.

14 Fa ilay natonony fahizay sy nariany tamim-paniratsirana, dia nigagany, tamin’ny faran’ny zava-nitranga, nony voan’ny hetaheta hafa lavitra noho ny an’ny marina izy ireo.

Tsy nivatravatra tamin’ny Ejiptianina Andriamanitra

15 Mba ho valin’ny hevitra adala, vokatry ny haratsian’izy ireo, izay nampirebireby azy sy nitarika azy hivavaka amim-biby mandady tsy manan-tsaina sy amin’ny biby ratsy foana, dia nandefasanao biby kentrina maro be izy ireo, ho famaizana azy;

16 mba hampahafantatra azy fa izay nanotan’ny olona no enti-mamay azy koa.

17 Tsy sarotra amin’ny tananao mahefa ny zavatra rehetra, izay nahary izao tontolo izao tamin’ny zavatra tsy nisy endrika, ny maniraka orsa na liona maro be hamely azy ireo,

18 na biby vao noarîna, romotra sy tsy fantatra, miaina amim-pofona mirehitra, mandefa fofon’aina setroka maimbo, na mandefa tselatra mahatahotra, amin’ny masony,

19 afa-mamono mahafaty tsy amin’ny famelezana maharàtra ihany, fa amin’ny fijerena azy fotsiny koa mampahatsiravina ambony ihany.

20 Ary na tsy izany aza, nety maty tamin’ny fofona fotsiny izy ireny, enjehin’ny fahamarinana, ka foanan’ny fofon’ain’ny herinao. Fa nalaminao an-danjany ny zavatra rehetra, ka miditra an’isany sy an-tsipiriany avokoa.

Antony tsy nampivatravatra an’Andriamanitra

21 Fa tohanan’ny fahefana ambony indrindra mandrakariva ny didinao, ka zovy no hahatohana ny herin’ny sandrinao?

22 Zava-madinika indrindra manindry mizàna, izao tontolo izao eo anoloanao, ando maraina indray mitete latsaka amin’ny tany.

23 Noho Ianao mahefa ny zavatra rehetra anefa, no iantranao azy rehetra, sy tsy ijerenao ny fahotan’ny olombelona mba hibebahany.

24 Satria tianao avokoa ny zava-boaary, ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory.

25 Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao, na haharetany raha tsy nampisînao?

26 Mamela azy rehetra anefa Ianao satria Anao ny zavatra rehetra, ry Tompo tia ny fanahin’ny olona.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 12

1 Fa ao amin’ny zavatra rehetra ny fanahinao tsy azo angolena,

2 ka izany no amaizanao izay lavo amin’ny sazy antonony, ary raha manota izy, anarinao sy tsininao mba hialany amin’ny haratsiany, sy hinoany anao, ry Tompo.

Tsy nivatravatra tamin’i Kanaana Andriamanitra

3 Efa halanao ny mponina talohateo amin’ny taninao masina,

4 satria nifototra tamin’ny asan’ny fankatoavana maharikoriko,

5 sy tamin’ny fomba manohitra ny fivavahana, ary namono zaza tamin-kalozana, nihinana nofon’olona sy nisotro ra. Ireo nampianarina fomba vetaveta maizimaizina,

6 ireo ray aman-dreny mpamono olona tsy mana-mpiaro, dia nokasainao naringan’ny tanan’ny razanay,

7 mba handraisan’io tany nomenao haja noho ny hafa rehetra io, an’ireo zanak’Andriamanitra ho voanjo mendrika.

8 Noho ny maha-olombelona azy ireo anefa, nanao famindram-po Ianao, ka fanenitra no nalefanao, ho toy ny lohalalana amin’ny tafikao, hamono azy tsikelikely.

9 Tsy dia noho ny tsy fahazoanao mamono ireo tsy mpivavaka ireo, amin’ny ady milamina, amin’ny tanan’ny marina; na mandringana azy indray maka monja, amin’ny biby masiaka; na amin’ny didy mafy;

10 fa tamin’ny nanaovanao ny fitsarànao mandroso miandalandalana, dia nomenao fotoana hibebahany izy, na dia fantatrao aza fa taranaka ratsy izy ireo, ary hatramin’ny fahaterahany no efa ratsy ka tsy hiova hevitra na oviana na oviana,

11 satria taranaka voaozona hatramin’ny niandohany.

Antony tsy nampivatravatra Azy

Tsy noho ny tahotrao olona akory koa, no nanehoanao famindram-po amin’ny fahotan’izy ireo.

12 Satria zovy moa no ho afa-milaza aminao hoe: Inona ity nataonao? Zovy no ho afa-manohitra ny fitsarànao? Zovy no hitaraina hamely anao, hisolo vava ny olon-dratsy? Zovy no hanome tsiny Anao mamono ny firenena nataonao? Zovy no hitsangan-kandahatra hiaro aminao ny olona mpanohitra ny fivavahana?

13 Fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany, izay mitandrina ny zavatra rehetra, mba hanehoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.

14 Tsy misy mpanjaka mpanao jadona efa nitsangan-kanohitra Anao, mba hiaro izay nofaizinao.

15 Kanefa noho Ianao marina, dia alaminao amim-pahamarinana ny zavatra rehetra, ary heverinao ho zavatra mifanohitra amin’ny fahefanao, ny manameloka izay tsy mendrika famaizana.

16 Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana; ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra, no itondranao azy rehetra amim-pamindram-po.

17 Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao; ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.

18 Fehezin’ny sitraponao ny herinao, ka mitsara amin-kamoram-po Ianao, ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe; satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.

Fianarana halaina amin’ny moramora ataon’Andriamanitra

19 Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao fa tokony ho antra olona ny marina; sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.

20 Satria notsimbininao sy namindranao fo no famay ny fahavalon’ny mpanomponao, nefa mendri-kovonoin-ko faty izy ireny, ka nomenao andro amam-potoana hibebahana amin’ny haratsiany.

21 Fitsimbinana manao ahoana koa no hitsaranao ny zanakao, fa ny razan’izy ireo no efa nandray taminao fianianana amam-panekena nomban’ny fampanantenana tsara indrindra!

22 Koa raha faizanao izahay, dia kapohinao inarivo mihoatra noho izany ny fahavalonay, mba hampianaranao anay hihevitra ny hamoram-ponao, raha mitsara izahay; ary hanantena ny indrafonao, raha tsaraina izahay.

Avy namindra fo Andriamanitra dia mihenjana

23 Koa ny zavatra ratsy vetaveta nataony no nampijalianao ny olon-tsy marina izay nandany ny androny tamin’ny fahadalana.

24 Satria izy ireo dia efa nandroso loatra tamin’ny lalan’ny hadisoana, ka nanao ho andriamanitra ny biby ratsy indrindra; fa nety ho voafitaka tahaka ny zaza tsy vory saina izy ireo.

25 Ka noho izany dia tahaka ny fanao amin’ny zaza tsy vory saina, no famaizana maivana foana nalefanao hamely azy ireo.

26 Fa izay tsy nety tamin’ny famaizana maivana foana, dia hiharan’ny sazy tandrifin’ny ho avy amin’Andriamanitra.

27 Ireo nataony ho Andriamanitra no namay azy ireo, ka nifoabaka erỳ tamin’izany fijaliany izany; izay vao fantany Ilay niniany tsy ho fantatra taloha, ary nekeny fa Andriamanitra marina Izy. Izany no niharan’ny fanamelohana faran’izay mafy tamin’izy ireo.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 13

Fivavahana amin’ny zavatra eny amin’ny lanitra sy ny voa-Janahary.

1 Tena toetra adala ny an’ny olona rehetra tsy nahalala an’Andriamanitra, ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an’Ilay misy ho azy, ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an’ilay mpanao azy.

2 Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika, ny fanilon’ny lanitra, ny faribolan’ny kintana, ny rano mirimorimo, no nataony ho Andriamanitra mitondra izao rehetra izao.

3 Raha renoky ny hatsaran-tarehin’ireo izy ka nanao ny zava-boaary ho Andriamanitra dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo, fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an’ireny.

4 Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagàny, aoka ho fantany amin’izany ny halehiben’ny fahefan’Izay nanao an’ireny.

5 satria ny fahamboniana sy ny hatsaran-tarehin’ny zava-boaary, dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahàfan’izy roa tonta.

6 Nahazo tsiny kely anefa izy ireo, satria naniasia ihany angamba izy, tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra amam-paniriany hahita Azy.

7 Mandinika ny asany izy ireo, ka izany no fototry ny fikarokarohany, ary matoky foana ny fisehoan-javatra fa aoka izany ny hatsaran-tarehin’izay hitany.

8 Amin’izany anefa tsy afa-tsiny kosa izy ireo,

9 satria, raha nahazo fahalalana ampy izy, mba hahalalany an’izao tontolo izao, dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?

Fivavahana amin’ny sampy

10 Mahantra loatra anefa izy, fa zava-tsy manana aina no nanankinany ny fanantenany, izy izay miantso ny asan-tanan’olombelona ho Andriamanitra; dia ny volamena amam-bolafotsy voatefy amim-pahaizana, ny sarim-biby na vato izay tsy ahoan-tsy ahoana, asan-tanana fahataloha.

11 Indro misy mpahay taozavatra mikapa hazo maro atao zavatra; endahany amim-pahanginana avokoa ny hodiny; dia amboariny amim-pahaizana, ary amoronany fanaka mahasoa momba ny fivelomana.

12 Nony vita ny ataony, alainy izay sisa eo, ka andrahoany hanina, hialany hanoanana.

13 Ary ny ambiny farany, tsy azo atao na inona na inona intsony, fa vailanina sy tonontononana be ihany, dia raisiny, kapakapainy ho fanalana andro, ary noho ny fahaizany miasa, dia manisy endrika azy izy, ka ataony sarin’olona na omeny endri-biby tsinontsinona.

14 hosorany loko mena mivaivayizy, lokoiny menamena ny ivelany rehetra, ary saronany loko ny panda rehetra.

15 Raha efa izany dia anomanany fonenana mendrimendrika izany, apetrany manolotra ny rindrina sy homboany amin’ny vy.

16 Tandremany tsara fandrao miongana, fa fantany fa tsy mahay mamonjy ny tenany ilay andriamaniny, satria sary vongana foana mila tohana ihany io.

17 Kanefa mivavaka amin’io izy ny amin’ny momba ny fananany, na ny fanambadiany, na ny zanany, ary tsy mahamenatra azy akory izany hoe: miteny amin’ny zavatra tsy manana aina.

18 Mangataka fahasalamana amin’izay tsy manan-kery izy; ary fiainana amin’izay maty, ary vonjy amin’izay tsy mahefa na inona na inona; mangataka ho tsara dia, amin’izay tsy afaka manetsika ny tongony.

19 Mba ho azo antoka ny filàny tombony, ny raharaha iandraiketany, ny fahavanonan’ny asany; mangataka tanjaka izy amin’izay osa tanana indrindra.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 14

1 Indro misy iray koa, mihevitra ny hiondrana ho eny ambony ranomasina, ka miomana fa handeha eny ambonin’ny onja misamboaravoara: hazo mora vakynoho ny sambo mitondra azy no antsoiny;

2 fa ny sambo dia noho ny fanirian-kahazo vola no nahitana azy, ary ny fahaizan’ny mpanao taozavatra no nandrafetana azy.

3 Ny fitondranao anefa, Ray ô, no mitondra azy, Ianao izay nanori-dalana eny amin’ny ranomasina, sy lala-mahatoky mamakivaky ny onjan-drano.

4 Ka tamin’izany Ianao dia nampiseho fa mahay manafaka amin’ny loza rehetra mba hahazoan’ny olona rehetra miondrana, na dia tsy mahay mitondra sambo aza izy.

5 Tsy tianao hitoe-poana ny asan’ny fahendrenao; ka noho izany dia manankina ny ainy amin’ny hazo malia ny olombelona, mamakivaky ny onjan-drano amin’ny zahatra, tsy maty fo aman’aina.

6 Ary fahiny, raha ringana ireo Rapeto be avonavona, ny fanantenan’izao tontolo izao kosa, afa-nandositra tamin’ny lakana, sady nentin’ny tananao, ka namela loharanon-taranakaho an’izao tontolo izao.

7 Fa ny hazo, anaovan-javatra mety, dia voatso-drano.

8 Fa ny sampy asan-tanan’olombelona kosa, voaozona mbamin’izay nanao azy: ity moa voaozona noho ny nanamboarany an’io; irỳ kosa noho izy zavatra mety levona, nefa mitondra ny Anaran’Andriamanitra;

9 fa samy halan’Andriamanitra na ny mpanohitra ny fivavahana, na ny zavatra fanoherany ny fivavahana.

10 Ka samy hosaziny, ny asa atao sy ny mpanao.

11 Noho izany, hosavana ny sampin’ny firenena fa zava-boaarin’Andriamanitra izy, nefa zary fahavetavetana, fanafintohinana ho an’ny fanahin’ny olombelona, fandrika mahavoa ny tongotry ny adala.

Ny nanombohan’ny fanompoan-tsampy

12 Satria ny hevitra hanao sampy dia fototry ny nisarahan’ny olona tamin’Andriamanitra, ary ny mamorona an’izany no nitarika ny fahafatesana.

13 Tsy nisy ireny tamin’ny voalohanyary tsy hisy mandrakariva akory koa.

14 Ny fahadalan’ny olona no nampiditra izany tamin’izao tontolo izao; ary efa raikitra ao an-tsain’Andriamanitra ny famongorana izany efa akaiky.

15 Misy ray vonton’alahelo haingan-doatra, ka nanamboatra sarin’ny zanany izay nalaky nalaina taminy; ary raikitra nanome haja hoatra ny andriamanitra izany zanany maty izany; ary ao amin’ny ankohonany dia nanangana fombam-pivavahana sy seremônia izy.

16 Ary niharaikitra tsikelikely izany fomba manohitra ny fivavahana izany, ka tonga voatandrina hoatra ny lalàna, ary noho ny didin’ny mpanapaka, dia nohajain’ny olona ny sary.

17 Raha tsy afa-manaja azy eo anoloany ny olona, fa lavitra loatra no onenany, sarin’ny endriny lavitra no natao, ka ny sarin’ny mpanjaka hajainy hita maso no noforonina, hanomezana fanajana azy tsy eo amin-kafanam-po, toy ny raha eo izy.

18 Ary ny nampandroso ny fomban-tsampy dia satria izay tsy mahalala ny mpanjaka mba voatariky ny hambon’ny mpanao sary.

19 Satria nila sitraka tamin’ny tompo be fahefana izy ity ka mandany ron-doha amin’izay hahakanto ny sary.

20 Dia sodoky ny hakanton’ny taozavatra ny sarambabem-bahoaka, ka nataony ho andriamanitra ilay efa nohajainy ho olombelona tato ho ato.

21 Fandrika ho an’ny velona raha ny olona azon’ny fahoriana na teren’ny mpanao jadona, niantso ny vato aman-kazo amin’ny anarana tsy azo iombonana.

Vokatry ny fanompoan-tsampy

22 Tsy vitan’ny hoe mivaona fotsiny ny fahalalan’izy ireo an’Andriamanitra;

fa noho ny fifanoherana mafy mahazo ny tenany

avy amin’ny tsy fahalalany koa,

dia nantsoiny amin’ny anarana hoe fiadanana izany loza izany.

23 Nankalazainy ny fomban-tsampy famonoana ny zanany, na ny fombam-pivavahana atao an-tsokosoko, ary mitolo-batana amin’ny fahavetavetana diso ohatra fanao amin’ny fomba hafahafa izy:

24 tsy nahalala menatra intsony izy na amin’ny toe-piainany, na amin’ny fanambadiany. Ny iray mamono ny iray hafa, amin’ny famadihana, na manitsaka azy amin’ny fakam-badin’olona.

25 Hany hita hatraiza hatraiza dia ra amam-bonoana olona, halatra amam-pitaka, fanisihana amam-pivadihana, fikomiana amam-pianianan-tsy to,

26 fanenjehana ny tsara fanahy, fanadinoana ny soa noraisina avy amin’ny olona, fahalotoan’ny fanahy, heloka mifanohitra amin’ny fomban’olona, tsy faharetana amin’ny fanambadiana, fakam-badin’olona sy fahavetavetana.

27 Satria ny fanompoan-tsampy tsy azo tononina dia fototra amam-piaviana ary anton’ny ratsy rehetra.

28 Hafaliana tsy misy fotony no lalaon’izy ireo, ary lainga no valin-teny avy amin’ny andriamaniny. Milomano amin’ny haratsiana izy, ary mianiana tsy tò mora foana.

29 Fa sampy tsy manana aina no ianteherany, ka tsy heveriny hahitan-doza akory, izay fianianana tsy marina ataony.

30 Hanjò azy anefa ny sazy tandrifin’izany heloka roa sosona izany; satria niraikitra tamin’ny sampy izy, ka ratsy fihevitra an’Andriamanitra; ary nianiana tamim-pihatsarambelatsihy manohitra ny fahamarinana izy, ka notsiratsirainy amin’izany ny lalàna masina indrindra.

31 tsy avy amin’ny herin’ny sampy nianianany izany,

fa sazy tandrifiny havaly ny mpanota,

ka tsy maintsy mihatra mandrakariva amin’ny fivadihan’ny mpanohitra ny fivavahana.