Categories
Fahendrena

Fahendrena 15

Tsy mpanompo sampy i Israely

1 Fa Ianao, ry Andriamanitray ô, no tsara fo, mahatoky, mahari-po, ka mitondra ny zavatra rehetra amim-pamindram-po.

2 Na dia manota aza izahay, dia Anao ihany; mahalala ny fahefanao; tsy te hanota anefa izahay, satria fantatray fa isainy amin’ireo Anao izahay.

3 Ny mahalala Anao dia fahamarinana lavorary, ary ny mahalala ny fahefanao, no fototry ny tsy fetezana ho faty.

4 Tsy voasodoka izahay na tamin’ny zavatra noforonin’ny mpahay zavatra mamohehatra na tamin’ny endri-javatra voafotetaky ny loko samihafa volo, zava-poana nataon’ny mpanoso-doko;

5 ny fijery azy manetsika ny filàn-dratsin’ny adala, izay mety ho raiki-pitia amin’ny endri-javatra tsy misy aina.

6 Fa efa raiki-po amin’ny ratsy izy ireo, ka tandrifin’ny fanantenana toy izany na izy manao, na ireo tia sy mivavaka amin’izany.

Hadalan’ireo manamboatra sampy

7 Satria indro misy mpanefy vilany anankiray, mikezaka mandity tanimanga malemy: samy fasian-javatra ampiasaintsika avokoa aloha no ataony, ka tanimanga iray ihany no namoronany fasian-javatra fanao amin’ny zavatra misy hajany sy fasian-javatra fanao amin’ny zavatra tsy misy hajany, ka tsy avahany akory na hatao inona na hatao inona avy izany: fa ny mpanefy vilany ihany no hanapaka izany.

8 Manaraka izany, asa fanoherana ny fivavahana no ataony, fa ilay tanimanga ihany no amoronany andriamanitra tsy izy, dia izy izay natao tamin’ny tany fahiny, sy mbola hiverina faingana amin’ny tany nangalana azy, rehefa avy izay hitakiana aminy ny fanahy nampindramina azy.

9 Samy tsy ahiny akory anefa, na ny heriny mihalany, na ny hafohin’ny andro iainany; fa maninana an’ireo manefy volamena sy volafotsy izy; maka tahaka an’ireo mpanefy varahina izy, ary hataony ho voninahiny, ny manao endri-javatra manodòka.

10 Manahaka ny lavenona ny fony, ambany noho ny tany ny fanantenany; ary latsa-danja noho ny tanimanga ny ainy.

11 Satria izy tsy nahalala ilay nanao azy, izay nampiditra fanahy miasa ao aminy, sy nametraka fofon’aina taminy.

12 Nataon’izy io ho filalaovana ny fisiantsika; ary ho tsena fivoriana hitadiavana tombom-barotra ny fiainantsika; fa tsy maintsy manao izay rehetra mety hihariana, hoy izy, na dia amin’ny heloka aza.

13 Satria fantany tsara fa izay meloka indrindra amin’izy rehetra, dia izy izay sady manao fasian-javatra malia no namorona sampy koa amin’ny tany iray ihany.

Hadalan’ny Ejiptianina: sampy ivavahany izao rehetra izao

14 Kanefa samy adala dia adala avokoa, ary latsa-danja noho ny fanahin-jaza aza, ireo fahavalon’ny vahoakanao, izay manindry azy amin’ny fahoriana.

15 Satria nataon’izy ireo ho andriamanitra avokoa ny sampin’ny firenena, izay tsy afa-mampiasa ny masony hijery na ny vavorony hiaina rivotra, na ny sofiny hihaino, na ny rantsan-tanany hitsapa, ary tsy afa-mamindra ny tongony.

16 Olombelona no nanao azy ireny; izay nampindramina fofon’aina no namorona azy. Tsy olombelona mahavita andriamanitra mitovy amin’ny tenany akory.

17 Satria noho izy mety maty dia zavatra tsy manana aina ihany no mety vitan’ny tanany mankahala ny fivavahana. Ambony noho ireo zavatra ivavahany izy, fa izy manana aina ahay; ary ireo tsy nanana na oviana na oviana.

18 Anaovan’izy ireo fombam-pivavahana izay biby maharikoriko indrindra, sy ratsy amin’ny biby rehetra raha ny hadalana no hitsarana azy, ka tsy misy soa kely akoryao aminy mety hampitia azy toy ny endriky ny biby hafa;

19 ka mihataka amin’ny fiderana amam-pisaorana an’Andriamanitra.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 16

I Ejipta sy i Israely; ireo biby ratsy sy ny papelika.

1 Ka dia zava-boaary ihany koa no nanasaziana azy ireo an-drariny, sy nampijaliana azy tamin’ny biby sesehena.

2 Ary ho solon’izany loza izany kosa, dia soa no nomenao ny vahoakanao, dia nanafa-po ny fahalianany fatratra Ianao, ka nanamboatra sakafo mahagaga ho azy, nanome papelika hohaniny.

3 hany ka ireo sasany moa na dia lian-kihinana aza, raha nahita ny biby kely nalefa hamely azy fa ratsy endrika, dia naloiloy ity zavatra nahaliana azy andavanandro aza, fa ireto sasany kosa, avy niari-kanoanana kelikely foana, dia indro nankatelina hanim-baovao.

4 satria tsy maintsy nampijalian’ny mosary tsy azony andosirana ireo voalohany, ireo mpampahory; ireto an-daniny kosa, hanehoana fotsiny ihany ny fijaliana manjò ny fahavalony.

I Ejipta sy i Israely; valala sy bibilava varahina.

5 Ary tokoa izany, satria raha avy izay niaretan’ireto ny fisamontotry ny biby masiaka sy nahafatesany tamin’ny kaikitry ny menarana miolikolika, tsy naharitra hatramin’ny farany ny hatezeranao; fa kelikely foana ihany no nitebiteben’izy ireo, ho fananarana azy,

6 dia nahazo mari-pamonjenaizy, mba hampahatsiaro azy ny didin’ny lalànao,

7 satria izay nitodika tany amin’izany dia sitrana, tsy noho ny zavatra hitan’ny masony anefa, fa noho Ianao, Mpamonjy ny olona rehetra.

8 Sady naneho tamin’ny fahavalonay koa Ianao tamin’izany, fa Ianao no mahafaka amin’ny loza rehetra.

9 Satria, izy ireo moa, matin’ny kaiki-balala mbamin’ny moka, ka tsy hita izay azo natao hamonjena ny ainy, fa mendrika azy ny hosaziana toy izany.

10 Ny zanaka kosa, tsy resin’ny kaiki-menarana be poizina, fa tonga namonjy sy nanasitrana azy ny indrafonao.

11 Mba hahatsiarovan’izy ireo indray ny teninao, no naharatra azy sy nahasitrana azy faingana indray, fandrao tonga hadinony daholo izany, ka very anjara amin’ny soa ataonao izy.

12 Tsy ahitra na fanafody no nahasitrana azy, fa ny teninao, ry Tompo, izay mahasitrana ny zavatra rehetra;

13 satria manam-pahefana hamelona sy hamono Ianao; mitondra ho eo am-bavahadin’ny fonenan’ny maty Ianao, dia mamerina avy any indray.

14 Ny mamono no hain’ny olombelona noho ny haratsiam-panahiny; fa ny mamerina ny fanahy efa tafavoaka, na manafaka ny fanahy efa voarain’ny Seoly dia tsy hainy.

I Ejipta sy i Israely; rano, havandra, orana, afo.

15 Ny mandositra ny tananao anefa, dia tsy azo atao.

16 Ry zareo mpanohitra fivavahana izay mihambo ho tsy mahalala anao, dia nokapohin’ny herin’ny sandrinao: rano be tsy fahita sy havandra, aman’orana tsy miantra no nampijaly azy, ary afo no nandevona azy.

17 Ny mahagaga indrindra dia izao: teo anatin’ny rano mamono ny zavatra rehetra, dia vao mainka nidedadeda ny afo; fa miady manampy ny marina izao rehetra izao.

18 Mbetika mihamalefaka ny lelafo, mba tsy hahalevona ny biby nalefa hamely ny mpanohitra ny fivavahana, ka ho fantany amin’ny fahitana an’izany, fa tanahin’ny fitsaran’Andriamanitra izy ireo.

19 Mbetika nidedadeda ao afovoan’ny rano izy; ka filelalela mahery noho izay antonona ny afo ny azy amin’izany, mba handevona ny vokatra rehetry ny firenena tsy tia fivavahana.

20 Hafa lavitra amin’izany kosa ny amin’ny vahoakanao fa novokisanao hanin’Anjely fa tsy miasa akory dia nomenao mofo voavoatra avy any an-danitramisy izay fankafizana rehetra, anandramana ny tsiro rehetra.

21 izany zava-pihinana avy aminao izany dia maneho ny halemem-panahinao amin’ny zanakao, ary izany mofo izany izay nifanaraka amin’izay irin’ny olona mihinana azy, dia nanjary izay tian’izy io.

22 Maharitra tsy miempo amin’ny herin’ny afo, ny oram-panala aman-dranomandrymba hahafantaran’izy ireo fa ny afo izay mirehitra ao amin’ny havandra, sy manjelanjelatra anatin’ny orana, dia mandevona ny vokatry ny fahavalony;

23 fa tsy nahalala intsony ny heriny, nony avy eo, mba hamelomany ny marina kosa.

24 Satria ny zava-boaary izay manaiky Anao, Mpahary azy, dia manampatra ny heriny hampijaly ny ratsy fanahy; fa milefaka kosa hampahita soa an’izay matoky Anao.

25 Ka noho izany dia nety nilefitra hanaraka izany fiovana rehetra izany ny zava-boaary, ka nanaiky ny didin’ny fahasoavanao, mpamelona ny zavatra rehetra, araka ny sitrapon’izay nanam-pilana avy:

26 mba hahalalan’ny zanakao tianao, ry Tompo, fa tsy ny voankazo samihafa karazana no mamelona ny olona, fa ny teninao no mitahiry an’izay mino Anao.

27 Satria izay mahatoha ny herin’ny afomandevona, dia miempo moramora, nony vao notanîn’ny tanamasoandro kely foana:

28 hampianarana ny olona rehetra fa tokony hialoha ny masoandro, amin’ny fisaorana Anao, sy fitsaohana Anao, alohan’ny andro miposaka.

29 Fa ny amin’ny tsy mankasitraka kosa, dia hiempo toy ny ranomandry ririnina ny fanantenany sy handeha toy ny rano foana.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 17

I Ejipta sy i Israely: haizina sy hazavana

1 Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao; ka mivily ny hevitry ny fanahy tsy nahita fianarana.

2 Nony nitompoan’ny ratsy fanahy ny hevitra hoe: afa-mampahory ny firenena masina, dia voatanan’ny haizinasy voasaron’ny alina lava izy ireo. Ary tafahitsoka tao an-tranony izy ireo, ka niampatra teo, niery ny fitondranao tsy manam-piatoana.

3 Nony nihevitra izy fa ho afa-miery mbamin’ny fahotany miafina, dia tafahahaka tao ambanin’ny sarona mikitroky ny fanadinoana, azon-tahotra mahatsiravina ary nivadi-po tamin’ny matoatoa.

4 Ny fitoerana mangingina nihibohany, tsy naharo azy amin’ny tahotra: nisy feo mampihoron-koditra nikotrokotroka manodidina azy, ary nisy matoatoa niseho taminy tamin’endrika malahelo indrindra.

5 Tsy nisy afo afa-nanome hazavana ary ny lelafo manjopiakan’ny kintana tsy afa-nanazava izany alina mahatsiravina izany.

6 Indraindray ihany no nisehoan’ny afo mivongana tamin’afo mirehitra ho azy, nampihoron-koditra; ka nivadi-po izy nahita izany zavatra tsy hita fototra izany, ka vao mainka noheveriny ho mahatsiravina kokoa aza ireo zavatra niseho ireo.

7 tankina ny fahaiza-mahatsikaikin’ny mpanao fankatoavana, ary vaky terỳ ny maha-hosoka foana ny fahendrena nohamboin’izy ireo.

8 Nihambo ho mahay mandroaka ny tahotra aman-korohoro amin’ny fon’ny marary izy ireo; kanjo ny tenany indrindra ity no mararin’ny tahotra mahatsikaiky:

9 satria na tsy nisy zava-mahatahotra tokony hampitahotra azy akory aza, ny fiseran’ny biby, sy ny fisiokan’ny menarana fotsiny, dia nahatsiravina azy

10 ka efa ho fatin’ny tahotra izy; ary tsy tohany ny mijery izany rivotra tsy azon’iza na iza ialana.

11 Fa saro-tahotra ny ratsy; ny tenany no nitsangan-ko vavolombelona hanamelo-tena; teren’ny fieritreretany dia ampitomboiny fihevitra mandrakariva ny loza.

12 Satria ny tahotra tsy inona akory, fa fanariana ny fahazoa-mamonjy tena, mety ho avy amin’ny fisainana.

13 Satria kely ny toky anatin’ny fo, dia mainka matahotra mafy ny olona tsy mahalala izay iavian’ny fahoriany.

14 Izy ireo àry tamin’izany alina tsy anefana na inona na inona, alina nivoaka avy any amin’ny fanambanin’ny Seoly tsy mahefa inona, dia samy azon-torimaso ihany,

15 dia mbetika mikofokofoka noho ny matoatoa mampitahotra mbetika mivarahontsana azon’ny fahareraham-po, fa nirotsaka tampoka taminy sy tsy nampoiziny ny fivadiham-po.

16 Tahaka izany koa ny hafa rehetra na iza na iza dia samy lavo tsy nanan-kery avokoa samy voatana, toa voahiboka an-tranomaizina tsy misy hidiny.

17 Na mpiasa tany, na mpiandry ondry, na mpiasa revo tamin’ny lahasa mafy tany an-tsaha, samy tratry ny loza avokoa, latsaka an-katerena tsy azo nialana; fa samy voahazon’ny gadran’ny haizim-pito daholo.

18 Ny rivotra mifofofofo, ny hiran’ny vorona tsara feo teny amin’ny sampan-kazo mikitroka, ny firohondrohon’ny ranobe mandriana;

19 ny fikotrokotroky ny vato mikodia, ny firodorodon’ny biby tsy hita maso mifalihavanja, ny finaonaonan’ny biby masiaka, ny ako miverimberina tany amin’ny lavaky ny tendrombohitra, samy nahatoran’ny tahotra azy avokoa.

20 Fa izao rehetra izao nohazavain’ny fahazavana mamirapiratra, ka samy nanao ny asany tsy voasembantsembana avokoa.

21 Izy ireo kosa, voasaron’alina mavesatra, tandindon’ny haizim-pito tsy maintsy mandray azy; nefa navesatra taminy noho ny haizim-pito aza ny tenan’izy ireo.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 18

1 Tamin’izany, nisy fahazavana lehibe kosa, namirapiratra tamin’ny olonao masina; nandre ny feony ny Ejiptianina, fa tsy nahita tava azy; ary na inona na inona fijaliany dia nolazainy ho sambatra izy.

2 Ary noho izy ireo, na dia efa tsy nitondrana roa aza, tsy mba namaly ratsy dia nisaorany, ary nifonany tamin’ny nitondrany azy ho fahavalo.

3 Ho solon’izany haizina izany kosa, ny olonao masina dia nomenao andry afo, mpitari-dalana amin’ny lalana tsy fantatra, masoandro tsy mahamay, amin’ny fivahiniany be voninahitra.

4 Rariny ho an-dry zareo ny tsy manan-kazavana, sy ny hosaronan’ny haizim-pito, izay handraisan’izao tontolo izao ny hazavana tsy manam-piovana avy amin’ny lalànao.

I Ejipta sy i Israely; ilay Mpandringana

5 Nikasa handringana ny zanak’ireo olonao masina izy ireo; narian-ko faty ary novonjena indray kosa ny iray tamin’ireny; dia ny ankamaroan’ny zanany nalainao tamin’ny famaizanao azy, ary izy rehetra, indray nosaforanao onja mirimorimo avokoa.

6 Nahalala izany alina izanymialoha, ny razanay, mba hahafantarany izay fampanantenananinoany, ka hananany herim-po bebe kokoa.

7 Koa nandrasan’ny vahoakanao, ny famonjena marina, sy ny fandringanana ireo fahavalony.

8 Toraky ny namelezanao ny fahavalonay no nanandratanao anay kosa tamin’ny niantsoanao anay ho aminao.

9 Eny tokoa fa ireo tia vavaka zanaky ny olona masinamoa nanatitra ny sorony mangingina, ka niara-nanao fanekena masina hoe: hiara-misalahy ny masina amin’ny soa sy amin’ny loza hitranga – nihira sahady ny hira masin’ny razanay.

10 Fa ho valin’ny feony kosa, dia nanakoako ny sakalahim-peon’ny fahavalo, ary re ny figogogogoana noho ny zanaka nitomaniana;

11 sazy iray namaizana ny mpanompo sy ny tompo; ary sahala ny fijaliana nahazo ny vahoaka sy ny mpanjaka.

12 Karazam-pahafatesana iray monja no nampisy tao amin’izy rehetra, maty tsy hita isa, ka tsy nahasahana ny fandevenana intsony, ny velona. Fa ny taranany filohany indrindra, no indray ringana vetivety foana.

13 Nandà tsy hinoizy noho ny amin’ny ody ratsiny, kanjo nony avy izay nandringanana ny lahimatoa, dia niaiky izy fa zanak’Andriamanitraizany vahoaka izany.

14 Tamin’izay raha ilay saronan’ny fanginana lehibe ny tany manontolo, dia nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny,

15 dia niezaka avy any an-tampon’ny lanitra ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra toy ny mpiady tsy azo ifonana, avy any amin’ny seza fiandrianany, nankeo afovoan’ilay tany voatolotra ho amin’ny fandringanana,

16 nitondra ny didinao tsy azo ovana, toy ny sabatra maranitra; dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza, nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin’ny tany.

17 Niaraka tamin’izay nisy fahitana tamin’ny nofy mahatsiravina, nampitebiteby azy, ka tahotra tsy nampoizina no nahazo azy ireo.

18 Niongana atsỳ sy arỳ izy ireo, saiky maty, ka nanambara ny anton’ny mahafaty azy.

19 Fa efa nanambara izany taminy ireo nofy nampitebiteby azy mba tsy hahafatesany tsy mahalala izay antony namelezana azy mafy toy izany.

20 Nihatra tamin’ny marina koa, ny famelezan’ny fahafatesana; fa nisy fandringanana ny maro tany an’efitra, kanefa tsy naharitra ela ny fahatezeranao.

21 Fa nisy lehilahy tsy manan-tsiny, niady faingana hiaro ny meloka; nandray fiadina momba ny raharahany nataony, dia ny vavaka sy ny emboka fanonerana, ka nanohana ny fahatezeran’Andriamanitra, sy mampitsahatra ny loza; nampiseho fa mpanomponao izy.

22 Nandresy izany fikomiana izany izy, tsy amin’ny tanjaky ny vatany, na ny herin’ny fiadiana, fa ny teny no nampilefahany an’ilay namay azy, tamin’ny nampahatsiarovany azy ny fianianana natao tamin’ny razana sy ny fanekena.

23 Efa lavo nifanongoa be ihany, ny maty tamin’izany, no nitsangan-kanelanelana izy, nanoha ny hatezerana, ka nanampin-dalana ny mpandringana tamin’izay sisa velona.

24 Fa teo amin’ny akanjo mirebarebaamin’ny tany, izao tontolo izao; ny anarana be voninahitryny razana dia voasikotra ary teo amin’ny satroboninahinyteo an-dohany ny fiandriananao.

25 Ka hihemotra ny Mpandringana nahita izany famantarana izany, satria ampy na ny fitsapan’ny hatezeranao ihany aza.

Categories
Fahendrena

Fahendrena 19

I Ejipta sy i Israely; ny Ranomasina Mena

1 Fa fahatezerana tsy misy famindram-po kosa, no nanenjika ny ratsy fanahy, hatramin’ny farany; satria fantatr’Andriamanitra mialoha, izay ho fitondran-tenany,

2 fa rehefa halefany handeha ny marina, sady hododonany sy hangatahiny mafy hiala faingana aza, dia hanenenany indray izany, ka ny hanenjika an’ireo no hataony.

3 Ary tokoa fa mbola tsy tapitra akory ny fisaonana, mbola nigogogogo teo amin’ny fasan’ireo maty izy, dia rafitra nanao hevi-pahadalana hafa indray, ka nenjehiny toy ny mpandositra, ireo efa nitalahoanyhandeha hiala lavitra.

4 Nisy hery tsy azo tohanana nitarika azy ho amin’izany fiafarana izany, ka rariny izany, sady nampanadino azy izay vao nanjò azy mba ho feno lanja ny sazy hefainy, izay mbola tsy ampy tamin’ny fijaliany taloha.

5 Ka ny vahoakanaomoa, nita soa aman-tsara tamim-boninahitra, izy ireokosa nahazo fahafatesana hafahafa.

6 Satria, niova toetra avokoa ny zava-boaary manontolo, nanaraka ny didy manokana nomena azy, mba ho voatahiry tsy ho azon’ny loza na inona na inona ny zanakao.

7 Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin’ny alony; niseho teo amin’izay nisy rano taloha, ny tany; nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena, ary niova ho tanimbolin-java-maitso, ny rano be nisamboaravoara.

8 Nandalo teto izy ireo, firenena iray manontolo, voaaron’ny tananao, nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona, toy ny soavaly eny an-tanim-bilona,

9 toy ny zanak’ondry mifalihavanja, nankalaza Anao izy ireo, ry Tompo, Ianao Mpanafaka azy ireo

Soa avy amin’ny zava-boaary nomen’Andriamanitra an’i Israely.

10 Satria mbola tsaroan’izy ireo ny zavatra nitranga, tamin’izy nitoetra tany an-tany hafa: fa ho solon’ny biby hafa, dia moka no foy navoakan’ny tany; ary sahona no foy navoakan’ny ony, solon’ny hazandrano.

11 Tatỳ aoriana kosa, fampisiam-borona mahatalanjona indray no hitany, raha ilay nentin-kalianana dia nangata-kanina matsiro iny izy ireo;

12 fa nisy papelika niakatra avy any anilan’ny ranomasina any mba hanafa-diana azy.

I Ejipta meloka noho i Sôdôma.

13 Ary ny sazy nihatra tamin’ny mpanota, nefa tsy diso fambara mialohadia ny henatra mafy erỳ. Niaritra fijaliana tandrifin’ny helony, izy ireny.

14 Fa fankahalana maharikoriko loatra, no nasehony tamin’ny vahiny. Nisy olon-kafa tsy nety nandray olona izay tsy nifankahalala taminy akory; fa izy ireokosa nampanjary mpanompo ny vahiny izay efa nanisy soa azy.

15 Mainka indray aza, dia azo heverina ho metimety kokoa ny an’irerỳ voalohany satria nataony fahavalo no fihevitra an’ireo vahiny noraisiny;

16 fa ireto kosa nandray ny vahoakanao, nanaovany andro fifaliana, ka nandrasany hiray fileovana aminy, fa tatỳ aoriana kosa nataony tototry ny fijaliana mangidy izy ireo.

17 Ka dia namely azy ireo kosa ny fahajambana, toa an-dry zareo nitangorona tamin’ny varavaran’ny marina, nony voasarona haizina mikitroka izy ireny, ka samy nikaroka ny fidirana amin’ny varavarana.

Nihasoa ny zava-boaary tamin’ny Eksaody.

18 Fa niova toetra ny zavatra voaarytahaka ny feo amin’ny psalteriôna miova ba, nefa maharitra tsy miova faneno. izany mety ho hita mazava tamin’ny zava-niseho fahizany.

19 Ny biby an-tanety nanjary anaty rano; ary ireo nilomano kosa lasa an-tanety.

20 Ny afo tonga nanan-kery tao anatin’ny rano mihoatra noho ny heriny andavanandro, ary ny rano namalona ny toetrany mahafaty afo.

21 Etsy an-daniny kosa, tsy tratry ny lelafo ny nofon’ny biby malemilemy tafaely manodidina azy, ary tsy nampiempoiny ilay hanina avy any an-danitra, izay sahala amin’ny fanala mivongana sy mora miempo toa azy.

Famaranana.

22 Nankalaza ny vahoakanao, tamin’ny zavatra rehetra, Ianao ry Tompo; nomenao voninahitra izy, fa tsy mba notsiratsirainao; ary novonjenao tamin’ny toerana amam-potoana rehetra.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika SASINY NATAON’NY MPANDIKA TENY

SASINY NATAON’NY MPANDIKA TENY

Maro sady lavorary ny fianarana azontsika tamin’ny lalàna sy ny mpaminany ama-mpanoratra sasany nanaraka azy, izay efa nahazoan’i Israely dera ara-drariny amin’ny fahalalana amam-pahendrena. Ary satria, tsy hoe mahazo fahalalana fotsiny, izay mamaky izany, fa tonga afa-manasoa ny hafa any ivelany koa, izay mianatra izany amim-pahazotoana, ka dia voatarika hamorona boky momba ny fampianarana ny fitsipi-pitondran-tena tsara amam-pahendrena koa i Jesò, raibeko, izay efa nilozoka mafy tamin’ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany mbamin’ny bokin’ny razantsika hafa; sady efa nahazo fahaizana fatratra amin’izany izy; koa izay maniry hianatra dia hilozoka amin’ity boky ity sy handroso hatrany hatrany amin’ny toe-piainana mifanaraka amin’ny lalàna.

Koa mamporisika anareo aho, hamaky azy amin-kamoram-po sy fitandremana; ary aoka mba handefitra ianareo amin’ny pejy sasany raha sendra misy teny vitsy toa tsy voadikanay tsara, na dia nataonay tamim-pitandremana tsara aza, ny fandikana azy, satria mba mihalefy ny teny hebrio, rehefa hadika ho fiteny hafa. Tsy amin’ity boky ity ihany no hahitana izany kilema izany; fa amin’ny lalàna sy ny mpaminany mbamin’ny boky masina hafa koa, dia tsy mba vitsy foana tsy akory ny hevitra tsy mitovy, raha ampitahaina ny dikany sy ny tena izy.

Nankany Ejipta aho tamin’ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan’i Everjeta, ka hitako, tamin’ny nitoerako tany, fa tsy mitovy velively amin’ny antsika ny fahalalana momba ny fivavahana any. Ka dia nataoko fa ilaina indrindra ny mikarakara sy misasatra kely ihany amin’ny fandikana io boky io. Noho izany dia nandany alina betsaka ary nikely aina mafy tokoa aho, tamin’iny fotoana iny amin’io asa io, mba hahatomombana azy tsara, sy hamoaka azy mba ho an’ireo mipetraka any an-tany hafa koa, izay maniry hahazo fahaizana sady vonon-kampifanaraka ny toe-piainany amin’ny lalàn’ny Tompo.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 1

Mistery ny fahendrena

1 Ny fahendrenarehetra dia avy amin’ny Tompo;

ao aminy mandrakizay izy.

2 Iza no mahisa ny fasika amin’ny ranomasina,

ny fiteten’ny ranonorana, ary ny andro efa lasa?

3 Zovy no mahatakatra ny haavon’ny lanitra sy ny haben’ny tany,

sy ny halalin’ny hantsan’ny fahendrena?

4 Voaary talohan’ny zavatra rehetra, ny fahendrena,

ary ny fahazavan’ny saina hatramin’ny mandrakizay.

5 Ny loharanon’ny fahendrena,

dia ny tenin’Andriamanitra

any an-tampon’ny lanitra,

ary ny lalàny, dia ny lalàna mandrakizay.

6 Iza no nanambaràna ny foto-pahendrena?

Zovy no nahalala ny heviny lalina?

7 Iza no nilazana sy nanehoana ny fahalalana ny fahendrena,

ary zovy no mahazo an-tsaina ny hasarobidin’ny lalàny?

8 Iray ihany no hendry, hany atahorana indrindra,

mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, dia ny Tompo.

9 Izy no nahary azy;

nahita Azy ka nampahalala azy;

10 nandrotsaka azy tamin’ny asany rehetra Izy,

sy amin’ny nofo rehetra, araka ny ambaratongam-panomezany.

Notolorany be izay tia Azy.

Tahotra an’Andriamanitra

11 Ny fahatahorana ny Tompo, dia haja amam-boninahitra,

ary fifaliana amam-pehiloha firavoravoana.

12 Ny fahatahorana ny Tompo mampiravoravo ny fo,

mampahazo fisariadriaka aman-kafaliana sy andro lava.

13 Izay matahotra ny Tompo,

hahita soa amin’izany amin’ny farany,

ary hahazo sitraka izy, amin’ny andro hahafatesany.

Ny fitiavana an’Andriamanitra no fahendrena be voninahitra;

omen’Andriamanitra fahendrena izay olona isehoany,

mba hahabanjinany Azy.

14 Ny fahatahorana an’Andriamanitra, no fiandohan’ny fahendrena;

miara-miforonaamin’ny olo-marina,

hatrany an-kibon-dreniny izy.

15 Mamboatra fonenana mandrakizay ho azy,

ao amin’ny olombelona izy,

ary honina tsy hiala ao amin’ny taranany.

16 Ny fahendrena feno tanteraka, dia ny matahotra ny Tompo;

vokisany ny vokany izay manana azy.

17 Fenoiny zava-paniry ny tranony rehetra,

ary fenoiny ny vokany ny fitoeram-bokany.

18 Ny fehilohan’ny fahendrena, diany fahatahorana ny Tompo;

mampandroso fiadanana sy mahavokatra famonjena izy.

19 Nahita azy ny Tompo, dia namosaka azy,

ary samy fanomezan’Andriamanitra izy roa ireo.

Mampiboiboika be ny fahalalana sy ny fahazavan’ny saina izy,

sa mankalaza ny voninahitr’izay manana azy.

20 Ny foto-pahendrena dia ny fahatahorana ny Tompo,

ary ny sampany dia ny andro lava iainana.

21 Mandroaka ny fahotana ny fahatahorana ny Tompo,

ary mampidify ny hatezerana izay mifikitra aminy.

Faharetana sy fahafehezan-tena

22 Tsy azo hamarinina ny olona tsy marina sy foizina,

fa mitarika ny famongorana azy afonafon’ny hatezerany.

23 Miandry hatramin’ny fotoana ny olona mandefitra,

ka miverina aminy indray ny firavoravoany.

24 Afeniny hatramin’ny fotoana mety ny teniny,

ka tantarain’ny olo-mahatoky ny fahamalinany.

Fahendrena sy hitsim-po

25 Ny raki-pahendrena, misy foto-kevi-pahamalinana,

fa ny fitiavana an’Andriamanitra kosa,

dia fahavetavetana amin’ny mpanota.

26 Maniry fahendrena va ianao? Tandremo àry ny didy,

dia homen’ny Tompo anao izany.

27 Fa ny fahendrena amam-pahalalana,

dia ny fahatahorana ny Tompo;

ary ny ankasitrahiny,

dia ny fahamarinana aman-kalemem-panahy.

28 Aza mandà tsy hanana ny fahatahorana ny Tompo;

ary aza fo miefitrefitra no anatonanao Azy.

29 Aza mihatsaravelatsihy eo imason’ny olombelona;

ary tandremo ny molotrao.

30 Aza manandra-tena ianao, fandrao dia miongana;

ka hanafo-kenatra ny tenanao ianao.

Fa ny Tompo hanambara izay afeninao,

ka handronjina anao ho eo afovoan’ny fivoriana,

noho ianao tsy nilozoka tamin’ny fahatahorana ny Tompo,

ka feno fitaka ny fonao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 2

Tahotra an’Andriamanitra eo amin’ny fitsapana

1 Anaka, raha mandroso ianao hanompo ny Tompo,

omany ho amin’ny fizahan-toetra ny fanahinao.

2 Ahitsio ny fonao, ka mahareta,

ary aza mikoropaka foana amin’ny andron’ny fahoriana.

3 Miraiketa amin’Andriamanitra ianao, ka aza misaraka aminy,

mba hitomboanao ho amin’izay hiafaranao.

4 Ekeo avokoa izay manjò anao,

ary mandefera amin’ny fifandimbiasan’ny fietrenao.

5 Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin’ny afo;

ary ny olona ankasitrahin’Andriamanitra kosa,

amin’ny memin’ny fietrena.

6 Matokia an’Andriamanitra ary Izy hanarina anao;

mizora amin’ny lala-mahitsy, ary manantenà Azy.

7 Miandrasa ny famindram-pony, ianareo matahotra ny Tompo,

ary aza mivily lalana, fandrao dia levona ianareo.

8 Matokia Azy, ianareo matahotra ny Tompo,

dia tsy ho very valisoa ianareo.

9 Manantenà, ianareo matahotra ny Tompo, ny hasambarana,

ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po.

10 Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro;

iza no nanantena ny Tompo, ka nahazo henatra na oviana na oviana?

Zovy no naharitra tsy niala tamin’ny fahatahorana Azy, ka mba nilaozana?

iza no niantso Azy, ka latsa no hany azony?

11 Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo,

ary mamela heloka sy mamonjy amin’ny andro mahory Izy.

12 Loza ho an’ny fo ketraka sy ny tanana osa

sy ny mpanota miroa lalana!

13 Loza ho an’ny fo kanosa, fa tsy matoky an’Andriamanitra izy!

ka tsy mba hahazo fiarovana.

14 Loza ho anareo manary faharetana!

Hanao ahoana ianareo, amin’ny andro hamangian’ny Tompo?

15 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba mandà tsy hihaino ny teniny,

ary izay tia Azy, mitandrina ny lalàny, tsy mivadika!

16 Izay matahotra ny Tompo, mitady izay sitrany,

ary izay tia Azy mivoky ny lalàny.

17 Izay matahotra ny Tompo, mamboatra ny fony,

ary mampaharitra ny fanahiny amim-panetren-tena eo anatrehany,

18 manao hoe: «Ho lavo eo an-tanan’ny Tompo izahay,

fa tsy eo an-tanan’ny olombelona;

satria, araka ny haben’ny fahefany no haben’ny famindram-pony koa.»

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 3

Adidy amin-dray aman-dreny

1 Anaka, henoy aho, rainareo,

ary ataovy izay hahazoanareo ny famonjena.

2 Fa sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;

ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany izy.

3 Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;

4 ary fanangonan-karena ny manaja ny reny.

5 Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany,

ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.

6 Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,

izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.

7 Izay matahotra ny Tompo, manaja ny ray aman-dreniny,

ary manompo toy ny tompony izay nahitany masoandro.

8 Hajao ny rainao, na amin’ny asa, na amin’ny teny,

mba hirotsahan’ny tso-dranony aminao,

9 fa ny tso-dranon-dray mampiorina mafy ny tranon-janany,

ary ny ozon-dreny kosa mamongotra izay efa miorina.

10 Aza mirehareha amin’ny fahafaham-barakan-drainao;

fa tsy mety hahazoanao voninahitra ny henatra mahazo azy:

11 satria ny voninahitry ny rainy no iavian’ny hajan’ny olombelona;

ary ny reny voatevateva dia henatra ho an’ny zanany.

12 Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,

ary aza mampalahelo azy, amin’ny andro iainany.

13 Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,

ary aza manatsinontsinona azy, rehefa be indrindra ny tanjakao.

14 Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;

ary hisolo toerana ny fahotanao, ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.

15 Fa hotsarovan’ny Tompo ianao, amin’ny andron’ny fahoriana;

ka ho toy ny ranomandry amin’ny andro tony,

no ho fahalevon’ny fahotanao.

16 Izay mahafoy ny rainy, manahaka ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra,

ary ozonin’Andriamanitra izay mampahatezitra ny reniny.

Fanetren-tena

17 Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao,

dia ho tian’ny olona izay ankasitrahin’Andriamanitra ianao.

18 Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena

dia hahita sitraka amin’Andriamanitra ianao;

19 fa lehibe ny fahefan’Andriamanitra,

ary ankalazain’ny manetry tena Izy.

20 Aza mitady izay sarotra loatra ianao,

ary aza mikaroka izay tsy tratry ny herinao ianao.

21 Izay andidiana anao no tsy maintsy heverinao,

fa tsy manana inon-katao amin’ny zava-miafina ianao.

22 Aza milozoka amin’izay ambin-draharaha,

fa ny naseho anao aza izao, efa tafahoatra

noho ny azon’ny sain’olombelona fantarina.

23 Efa nampivaona olona maro be ny fahadisoan-keviny

ka nampivaona ny hevitr’izy ireo, ny hambo mahameloka.

24 Izay tia zava-mampidi-doza, hahita loza amin’izany,

ary ny fo mafy mianjera amin’ny loza, amin’ny farany.

25 Ny fo mafy ho tototry ny fahoriana,

ary ny mpanota, manovona ota ny ota.

Fiavonavonana

26 Tsy lai-panafody ny loza mahazo ny mpiavonavona;

fa efa latsa-paka ao aminy ny tsirin’ny fahotana.

27 Ny fon’ny olona manan-tsaina, misaintsaina ny fanoharana,

ny mahita sofina mitandrina no fanirian’ny hendry.

Fitiavana ny mahantra

28 Ny rano mamono ny afo midedadeda indrindra;

ary ny fiantrana manonitra ny fahotana.

29 Izay mamaly ny soa natao, mitsinjo ny ho avy,

ka hahita fiankinana izy, amin’ny andro mahory.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 4

1 Anaka, aza manala fivelomana ny mahantra;

ary aza mampiandry maso ny tsy manana.

2 Aza mampahory ny fanahin’ny noana;

ary aza mampitombo fahoriana ny olona tsy manana.

3 Aza vao mainka mahatezitra ny fo misafoaka;

ary aza milasilasy fanome ny mahantra.

4 Aza atositosika ny mpangataka ory,

azy aza iambohoan-tava ny mahantra.

5 Aza miamboho tsy mijery ny malahelo

ary aza avela hisy antony hanozonany anao;

6 fa raha manozona anao amin’ny fahorian’ny fony izy,

dia hohenoin’Ilay nanao azy ny fangatahany.

7 Ataovy mahafinaritra ny be sy ny maro ianao;

ary aondreho ny handrinao eo anoloan’ny lehibe.

8 Henoy teny ny mahantra;

ary omeo valy amin-kamoram-po izy hahafinaritra azy.

9 Afaho amin’ny tanan’ny mpampahory azy, izay ampahoriana;

ary aza osa foana raha mitsara ianao.

10 Aoka ho toy ny ray amin’ny kamboty ianao,

ho toy ny vady amin’ny renin’izy ireo,

dia ho toy ny zanaky ny Avo indrindra ianao;

ary ho tianao mihoatra noho ny reninao izy.

Fahendrena, manabe

11 Manandratra ny zanany ny fahendrena,

ary miahy an’izay mikatsaka azy izy.

12 Izay tia azy, tia fiainana;

ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana.

13 Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany,

ary amin’izay rehetra hidirany dia hitsofan’ny Tompo rano azy avokoa.

14 Izay manompo azy manompo ny Masina,

ary izay tia azy, tia ny Tompo.

15 Izay mihaino azy, hitsara ny firenena;

ary izay manatona azy honina feizay.

16 Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany,

ary ny taranany, hitana ny fananana azy.

17 Satria amin’ny voalohanyizy,

miara-mandroso amin’ny lalan-tsarotra miaraka aminy;

mampiavy tahotra aman-korohoro aminy izy;

mampijaly azy amin’ny fifehezana mafy,

mandra-pitsapany azy, amin’ny didiny.

18 Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin’ny lala-mahitsy indray izy,

ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafina aminy.

19 Raha mania anefa izy, dia ilaozany,

sy avelany hahita loza.

Fitandremana ny henatra olona

20 Tandremo ny fotoana, ary fadio ny ratsy,

ka aza misy tokony hahazoanao henatra amin’ny tenanao.

21 Misy henatra mitarika ny ota;

ary misy henatra mitarika voninahitra amam-pahasoavana.

22 Fadio izay henamaso olona, hanimba ny fanahinao,

ary aza dia menatra hahitanao fahaverezana.

23 Aza mitàn-teny amin’ny fotoam-pamonjena

ary aza manafim-pahendrena, mba hireharehana foana.

24 Fa amin’ny fiteny no hahalalana ny fahendrena,

ary amin’ny tenin’ny lela, no isehoan’ny fahaizana.

25 Aza manohitra ny marina

fa menara noho ianao tsy ampy fahalalana.

26 Aza menatra ny hiaiky heloka

ary aza manoha ny fandehan’ny ony.

27 Aza manaiky izay olona adala,

ary aza resin-kenamason’izay olo-manam-pahefana.

28 Miadia miaro ny marina, mandra-pahafatinao,

ary ny Tompo Andriamanitra hiady hiaro anao.

29 Aoka ianao tsy ho mafy teny,

na ho kamo aman-kanosa amin’ny asanao.

30 Aoka tsy ho toy ny liona ianao ao an-tranonao,

na ho be haitraitra eo amin’ny mpanomponao.

31 Aoka ny tananao tsy hitsotra raha handray,

nefa hihemotra kosa nony hanome.