Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 5

Harena sy hasahiana loatra

1 Aza miankina amin’izay harenao,

ary aza manao hoe: «Manan-karena ampy aho!»

2 Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao,

mba hanafa-po fanirian’ny fonao;

3 ary aza manao hoe: Zovy moa no Tompoko?

Fa tsy maintsy hosazin’ny Tompo ianao.

4 Aza manao hoe: Efa nanota, ka inona izao no nanjò ahy?

Fa mahari-po ny Tompo.

5 Aza dia afaka ahiahy ny amin’ny fanonerana,

ka manampy ota ny ota.

6 Aza manao hoe: Be famindram-po Andriamanitra,

ka hamela ny heloka maro be.

Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana;

ary mianjera amin’ny mpanota ny fahavinirany.

7 Aza mitaredretra ny hibebaka amin’ny Tompo,

ary aza mangataka andro isan’andro izao,

fa hipoaka tampoka ny hatezeran’ny Tompo,

ka ho levona ianao amin’ny andro hamaliany.

8 Aza miankina amin’izay harena azo tsy an-drariny,

fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin’ny andro mahory.

Fihenjanana sy fahafehezan-tena

9 Aza mikororoka amin’ny rivotra rehetra,

ary aza mandeha amin’ny lalana rehetra,

fa izany no fanaon’ny mpanota miroa lela.

10 Miorena amin’ny fihevitrao

ary aoka ho tokan-teny ianao.

11 Ny mihaino no aoka hahafaingana anao;

fa ny mamaly, aoka hiadana ianao.

12 Raha mahita hevitra ianao, no mamalia ny namanao;

fa raha tsy izany kosa, tampeno amin’ny tananao ny vavanao.

13 Ny voninahitra sy ny henatra, samy ao amin’ny teny;

ary ny lelan’ny olona, dia mampidi-doza azy.

14 Aza mihatsy ny hantsoina ho mpanaratsy;

ary aza mamela-pandrika amin’ny lelanao;

fa mianjera amin’ny mpangalatra ny henatra;

ary misy fanamelohana mafy mahatratra ny miroa lela.

15 Aza diso na be na kely.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 6

1 Aza sakaiza ka hanjary fahavalo,

fa laza ratsy no ho anjaran’ny ratsy fanahy

sy henatra amam-pahafaham-baraka;

toy izany ny mpanota miroa lela.

2 Aza manandra-tena avy amin’ny nahim-ponao,

fandrao baboina ny fanahinao toy ny baboin’ny ombalahy.

3 Hihinana ny ravinao ianao,

handevona ny voankazonao,

ary hazo maina sisa havelanao aminao.

4 Ny fanahy ratsy, mahavery izay manana azy;

ataony fihomehezan’ny fahavalony izy.

Fisakaizana

5 Ny teny mora, mahamaro sakaiza,

ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana.

6 Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao,

nefa iray monja amin’ny arivo no ilao hevitra.

7 Raha te hahazo sakaiza ianao,

fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy,

fa aza malaky matoky azy foana.

8 Satria misy sakaiza manao an’androny,

fa hihataka izy, amin’ny andro mahory anao;

9 misy sakaiza ho tonga fahavalo,

ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra.

10 Misy sakaiza, raha hiara-komana aminao,

fa tsy haharitra ho izany intsony amin’ny andro hahory anao.

11 Amin’ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao,

ka hiresaka mora foana amin’ny ankohonanao.

12 Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy,

ary hiery anao.

13 Halaviro ny fahavalonao,

ary mitandrema tena amin’ny sakaizanao.

14 Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery,

ka nahita rakitra izay nahita azy.

15 Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky;

tsy misy vato-mizàna, azo andanjana ny vidiny.

16 Ody aina ny sakaiza mahatoky;

izay matahotra ny Tompo no mahazo azy.

17 Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina,

satria manahaka azy ny sakaizany.

Fianarana ny fahendrena

18 Anaka, milozoha amin’ny fianarana,

hatramin’ny vao tanora ianao,

dia hahita ny fahendrena ianao, mandra-pahafotsin’ny volonao.

19 Manatòna azy, toy ny mpiasa tany sy ny mpamafy,

ary miandrasa ny vokatsoa avy aminy.

Fa fotoana vitsivitsy no hisahirananao hiasa azy,

ary vetivety foana dia hihinana ny vokany ianao.

20 Sarotra hanihina aoka izany izy raha ny tsy mahalala!

Ka tsy haharitra hiraikitra aminy ny adala.

21 Fa toy ny vato mavesatra fitsapana, manindry azy izy,

ka tsy ela akory dia akifiny erỳ.

22 Satria manamarina ny anarany ny fahendrena:

tsy miseho amin’ny be sy ny maro izy.

23 Mihainoa, anaka, ka raiso ny hevitro,

ary aza ariana ny torohevitro.

24 Ampidiro amin’ny parapaingonyny tongotrao,

ary amin’ny fehivozony ny vozonao.

25 Aondreho hibaby azy ny sorokao,

ary aza sosotra ianao, amin’ny famatorany.

26 Tongava any aminy, amin’ny fonao rehetra,

ary araho ny lalany, amin’ny herinao rehetra.

27 Araho ny diany, ary katsaho izy,

fa hiseho aminao izy ho fantatrao.

Ka rehefa azonao kosa, aza ialana intsony.

28 Satria, hahita ny fiadanana ianao, amin’ny farany;

ary hanjary foto-pifaliana ho anao izy.

29 Ny parapaingony, ho tonga fiarova-mahery ho anao,

ary ny fehivozony ho fitafiana be voninahitra.

30 Fa firavaka volamena no eo an-dohany;

ary lamba tenona Hiasinta no fehilohany.

31 Hotafianao ho akanjom-boninahitra izany,

ary hataonao eo an-dohanao, ho fehiloham-pifaliana.

32 Anaka, raha tianao dia hahazo fahalalana ianao;

ary raha mikely aina ianao, dia ho tonga mahay.

33 Raha mazoto mihaino ianao, hahazo fianarana;

ary raha mampandry sofina, dia ho tonga hendry.

34 Mitoera eo amin’ny fivorian’ny anti-panahy;

izay olon-kendry iraiketo fo.

35 Mazotoa mihaino ny teny rehetra momba an’Andriamanitra,

ary aoka tsy hidify aminao ny foto-kevitry ny fahendrena.

36 Raha mahita olo-manan-tsaina ianao,

vao maraina diatongava eo akaikiny,

ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany.

37 Saintsaino ny didin’ny Tompo,

ereto mandrakariva ny fitsipiny;

fa izy no hankahery ny fonao,

ary ny fahendrena irinao, homena anao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 7

Torohevitra samihafa

1 Aza manao ratsydia tsy hahazo anao ny ratsy.

2 Halaviro izay tsy an-drariny dia hanalavitra anao ny tsy an-drariny.

3 Anaka, aza mamafy amin’izay nosoritan’ny tsy fahamarinana,

raha tsy te-hijinja impito torak’izany ianao.

4 Aza mangataka ny fanapahanaamin’ny Tompo,

na fitoeram-boninahitra amin’ny mpanjaka,

5 Aza mitady hiseho ho marina eo anatrehan’ny Tompo,

na mikendry hiseho ho hendry eo anatrehan’ny mpanjaka.

6 Aza maniry ho tonga mpitsara,

fandrao tsy ampy hery hamongotra ny tsy rariny ianao;

fandrao dia raiki-tahotra eo anoloan’ny manam-pahefana ianao,

ka hilainao hariana ny tsy fiangaranao.

7 Aza manisy ratsy ny mponina rehetra iray tanàna,

ary aza miantoraka eo afovoan’ny vahoaka.

8 Aza fehezina indroany fahotana,

fa na amin’iray aza tsy afa-maina tsy akory ianao.

9 Aza manao hoe: «Hodinihin’Andriamanitra ny hamaroan’ny fanatitra,

ka rehefa manolotra izany amin’Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia horaisiny.»

10 Aza osa amin’ny fivavahanao;

ary aza manao tsirambina amin’ny fanaovam-piantrana.

11 Aza mandatsa ny olona ory fo,

fa misy Iraymanetry sady manandratra koa.

12 Aza mamoron-dainga hamelezana ny rahalahinao;

aza manao izany, hamelezana ny sakaizanao koa.

13 Mitandrema mba tsy hilaza lainga iray akory,

fa ny lainga sesilany tsy mihodina ho soa.

14 Aza be teny raha miaraka amin’ny anti-panahy,

ary aza mamerimberinany teny fivavahanao.

15 Aza mankahala ny asa manasatra;

na ny asa tany naorin’ny Avo Indrindra.

16 Aza manao ny tenanao ho isan’ny mpanota maro be indrindra;

tsarovinao fa tsy ho ela akory ny famaliana.

17 Aoka hanetry mafy tokoa ny fanahinao ianao,

fa afo aman-kankanano sazin’ny mpankahala fihavanana.

18 Aza atakalo vola ny sakaiza,

na volamenan’i Ofira ny rahalahy.

19 Aza mihodina handao vady manan-tsaina sy tsara fo,

fa mihoatra noho ny volamena ny hafinaretana avy aminy.

20 Aza ratsy fitondra ny mpanompo miasa, mahatoky,

na ny mpikarama mahafoy tena hanompo anao.

21 Tiavo ny mpanompo manan-tsaina;

aza mandà ny mandefa azy.

Ny ankizy

22 Manana biby fiompy va ianao, kolikoleo izy,

ary raha mahasoa anao, andraso ao aminao.

23 Manan-janaka lahy va ianao, ampianaro izy;

ary ampanekeo ny jioga izy, hatramin’ny fahazazany.

24 Manan-janaka vavy va ianao, tandremo ny fahadiovany,

ary aza manao tarehy mariadriaka aminy ianao.

25 Ampanambadio ny zanakao vavy dia ho afaka amin’ny raharaha lehibe ianao,

ary lehilahy manan-tsaina no omeo azy.

26 Manam-bady araka ny fonao va ianao, aza misaotra azy,

fa aza manolo-tena ho an’ny vehivavy mifanohitra aminao.

Ny ray aman-dreny

27 Hajao amin’ny fonao rehetra ny rainao;

ary aza manadino ny fijalian-dreninao.

28 Tsarovy fa izy ireo no nahatongavanao teto an-tany,

ka inona no hamalianao izay nomeny anao?

Ny mpisorona

29 Matahora ny Tompo amin’ny fonao rehetra,

ary omeo voninahitra lehibe ny mpisorony.

30 Tiavo amin’ny herinao rehetra Ilay nanao anao,

ary aza mahafoy ny mpandraharahany.

31 Matahora ny Tompo, ary manajà ny mpisorona;

omeo azy ny anjarany, araka ny voadidy hatramin’ny voalohany,

dia ny sorona noho ny ota aman-tsoroka fanomezana,

ny fanatitra masina amam-boaloham-bokatra.

Ny mahantra sy ny mijaly

32 Atsory amin’ny mahantra koa ny tananao,

mba ho feno ny tso-drano azonao.

33 Omeo amin-tarehy tsimintsimina ny velona na iza na iza,

ary aza lavinao tsy hasian-tsoa ny maty.

34 Aza diso mankeo amin’izay mitomany,

ary miaraha ory amin’izay ory.

35 aza hadinoina ny fitsaboana marary,

fa izany asam-pitiavana izany no hitsaran’Andriamanitra anao.

36 Amin’ny asanao rehetra, tsarovy ny hiafaranao,

dia tsy hanota ianao, na oviana na oviana.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 8

Fahamalinana sy fandinihana

1 Aza mifanditra amin’ny olona manam-pahefana,

fandrao dia latsaka eo an-tanany ianao.

2 Aza mifanjihitra amin’ny olona mpanankarena,

fandrao ny lanjam-bolany no entiny miady aminao;

fa efa nahavery olona maro ny volamena,

ary efa navaonany mbamin’ny fon’ny mpanjaka aza.

3 Aza mifanditra amin’ny olona basivava,

ary aza tohofana kitay ny afony.

4 Aza manao vazivazy amin’ny olona ratsy taiza,

fandrao dia afa-baraka ny razanao.

5 Aza mananihany ny olona mivily hiala amin’ny ota;

tsarovy fa mendrika hosazina avokoa isika rehetra.

6 Aza maneso olona amin’ny fahanterany;

fa ny sasany amintsika, efa miha-antitra ihany koa.

7 Aza mifaly raha misy olona maty,

tsarovy fa ho faty avokoa isika

Ny fomba ifandovana

8 Aza manao tsirambina amin’ny tenin’ny hendry,

ary dinidinihonao ny foto-keviny,

fa amin’izy ireny no hahazoanao fianarana,

sy hahaizanao manompo ny lehibe.

9 Aza avela tsy ho henonao ny tenin’ny anti-panahy,

fa izy koa dia mba nahare tamin’ny razany;

ka amin’izy ireny ho hianaranao ny fahendrena,

sy hahaizanao mamaly rehefa ilaina izany.

Fahamalinana

10 Aza mampirehitrany arin’ny mpanota,

fandrao dia levon’ny firedaredan’ny lelafony ianao.

11 Aza mifanandrina amin’ny miavom-bava maneso anao,

fandrao amitsahany ianao, iandrasany vava latsaka.

12 Aza mampisambotra an’izay mahery noho ianao,

ary raha misy nampisamborinao azy ataovy anisan’ny very.

13 Aza miantoka mihoatra noho izay zakanao;

ary raha niantoka ianao manahia ho toy ny handoa.

14 Aza manana ady amin’ny mpitsara,

fa noho ny hajany no hanapahan’ny olonany momba azy.

15 Aza miara-dalana amin’ny olona sahisahy foana,

fandrao tonga enta-mavesatra ho anao izy;

fa ataony araka ny haitraitrany ny zavatra rehetra.

Ka hiara-bery aminy ianao, noho ny hadalany.

16 Aza mifanditra amin’ny olona foizina,

ary aza mamaky ny efitra miaraka aminy;

fa tsinontsinona eo imasony ny ra latsaka,

ka hakapony, lavitra ny vonjy any, ianao.

17 Aza miara-midinika amin’ny adala,

fa tsy mahatam-bava izy, na amin’inona na amin’inona.

18 Aza manao zavatra ilaina afenina eo imason’ny vahiny;

fa tsy mahalala izay mety hataony ianao.

19 Aza mamboraka ny fonao amin’ny olona rehetra,

raha tsy te hahazo valy ratsy ianao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 9

Ny vehivavy

1 Aza saro-piaro ny vady mandry eo ampofoanao;

ary aza mamoha sain-dratsy hahavoa anaoao am-pony.

2 Aza dia mandolotra ny fanahinao amin’ny vadinao,

fa hitsanganany hanohitra ny fahefanao izany.

3 Aza mandeha hifanena amin’ny vehivavy janga,

fandrao tafalatsaka amin’ny famandrihany ianao.

4 Aza mijanona ela miaraka amin’ny mpihira vavy;

fandrao dia voafandriny amin’ny fahaizany ianao.

5 Aza mahari-pijery vehivavy,

fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy ianao.

6 Aza manolo-tena amin’ny vehivavy janga,

fandrao dia very lova ianao.

7 Aza mijerijery atsy amin’arỳ eny an-dalamben’ny tanàna,

ary aza misodisody eny amin’ny fitoerany mangingina.

8 Avilio ny masonao tsy ho amin’ny vehivavy bikàna,

ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa;

fa maro no efa sodokan’ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy,

ka mirehitra hoatra ny afo ny fanirian-dratsiny.

9 Aza miara-mipetrakaamim-behivavy manam-bady,

na oviana na oviana;

aza mandry ilika hiara-mihinana aminy;

aza miara-misotro divay aminy, eo amin’ny fihinanam-be

fandrao tafahodina mankaminy ny fonao,

ka voatariky ny filàn-dratsinao ho amin’ny fahaverezana ianao.

Fifandraisana aman’olona

10 Aza mahafoy ny sakaizanao ela,

fa tsy mahaleo azy ny vaovao.

Na divay vaovao, na sakaiza vaovao,

aoka hihantitra vao hosotroinao an-kafaliana.

11 Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota,

fa tsy fantatrao izay ho faharavàny.

12 Aza mankasitraka ny fahafinaretan’ny mpankahala fivavahana,

tsarovy fa tsy ho afa-maina izy, hatrany amin’ny Seoly.

13 Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hampamono,

dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana ianao.

Ary raha manatona azy ianao, mitandrema tena amin’ny heloka rehetra,

fandrao dia alàny ny ainao.

Fantaro fa mandeha mamaky ny fandrika ianao,

ary mitete eny ambonin’ny nongonongon’ny mandan’ny tanàna.

14 Tandremo araka izay azo atao ny namanao,

ka makà amin’izay hendry.

15 Miresaha amin’ny olona manan-tsaina,

ary ny amin’ny lalàn’ny Avo Indrindra, no ho foto-dresakao rehetra.

16 Aoka ho olo-marina no ho mpiara-mihinana aminao;

ary ny fahatahorana an’Andriamanitra no ataovy voninahitrao.

17 Ny tanan’ny olona kinga no hiderana ny asany,

ary ny tenin’ny mpitondra vahoaka no manambara azy ho hendry.

18 Ny tsaontsaom-bava, dia atahorana ao an-tanànany,

ary ny tsy mihevitra kosa, mihatsy fankahalana azy amin’ny resany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 10

Fitondram-panjakana

1 Ny mpanapaka hendry,

mitana ny vahoakany ao anatin’ny fifehezany;

ary ny fitondran’ny olo-manan-tsaina dia voalamina tsara.

2 Araka ny toetry ny filohan’ny vahoaka ihany

no toetry ny mpandraharahany;

ary araka ny fitondran’ny lehiben’ny tanàna ihany

no toetry ny mponina ao aminy.

3 Ny mpanjaka tsy mahalala, mahavery ny vahoakany,

fa mandroso kosa ny tanàna amin’ny fahiratan-tsain’ny mpitondra.

4 Eo an-tanan’ny Tompo, ny fahefana hanjaka amin’ny tany,

ary amin’ny fotoana mety no ananganany olo-mahay ho eo.

5 Eo an-tanan’ny Tompo ny fahombiazan’ny olona;

Izy no mametraka eo an-kandrin’ny mpitondra ny fahefan-kifehy.

Tohero ny fiavonavonana

6 Na inona na inona natao taminao tsy an-drariny

dia aza mitahiry lolom-po amin’ny namanao,

ary aza manao na inona na inona, amin’izay asa fiafonafonana.

7 Ankahalain’Andriamanitra sy ny olombelona ny fiavonavonana;

ary heloka eo anatrehan’izy roa tonta ny tsy fahamarinana.

8 Mifindra avy amin’ny firenena iray

ho amin’ny firenen-kafa ny fanapahana

noho ny tsy fahamarinana, ny fanevatevana,

ary ny fitsiriritana ny harena.

9 Ahoana ange no iavonavonan’ny vovoka sy lavenona?

fa ny rantsambatany dia asiako fangozohozoana

mandritra ny andro iainany:

10 ny aretina, lava; ny mpanao fanafody, mihomehy;

ary ny mpanjaka anio ho faty rahampitso.

11 Nony maty ny olona,

dia ny olitra sy ny biby aman-kankana no anjarany.

12 Ny fiantombohan’ny fiavonavonana,

dia amin’izay isarahan’ny olona amin’ny Tompo,

sy amin’izay analaviran’ny fo an’Ilay nanao azy.

13 Satria ny fahotana no fiantombohan’ny fiavonavonana,

ary izay miraikitra amin’izany

mampiraraka ny fahavetavetana toy ny orana.

Izany no anirahan’ny Tompo famaizana mahatalanjona,

sy amelezany ny ratsy fanahy fandringanana tanteraka.

14 Aongan’ny Tompo ny seza fiandrianan’ny mpanapaka,

ka ny olona malemy fanahy no apetrany hisolo azy.

15 Fongoran’ny Tompo ny fàkan’ny firenena,

ka ny manetry tena no asosony hisolo azy.

16 Savorovoroin’ny Tompo ny faritanin’ny firenena,

ka enjehiny horavana hatramin’ny fiorenan’ny tany.

17 Maro no lazoiny, dia aringany ny mponina ao;

novonoiny tsy ho amin’ny tany ny fahatsiarovana azy.

18 Tsy mba natao ho an’ny olona, ny fiavonavonana,

na ho an’izay natera-behivavy, ny fahatezerana midaondaona.

Ny olona mendri-kaja

19 Taranaka inona no hajaina? Ny taranak’olombelona.

Taranaka inona no hajaina? Izay matahotra ny Tompo.

Taranaka inona no tsiratsiraina? Ny taranak’olombelona.

Taranaka inona no tsiratsiraina? Izay mandika ny didy.

20 Hajaina eo amin’ny rahalahiny ny mpitondra azy,

toy izany koa eo imason’ny Tompo, izay matahotra azy.

21 Na mpanan-karena, na andriana, na mahantra,

dia ny fahatahorana ny Tompo no voninahiny.

22 Tsy rariny ny maniratsira ny mahantra manam-pahendrena;

tsy mety ny manaja ny mpanota.

23 Manan-kaja avokoa ny lehibe, ny mpitsara, ny be fahefana,

fa tsy misy lehibe noho ny matahotra ny Tompo amin’izy ireo.

24 Ny olona afaka, dia mpanompon’ny andevo hendry,

ary ny olona manan-tsaina, tsy himonjomonjo.

25 Aza mampiady karajia raha hanao ny asanao,

ary aza mirehareha, amin’ny andron’ny fahorianao.

Fanetren-tena sy ny marina

26 Aleo ny olona miasa amin’ny zavatra rehetra

toy izay ny mitsangantsangana sy be rehaka, nefa tsy manan-kanina.

27 Anaka, hajao ny fanahinao, amin’ny halemem-panahy,

ary omeo azy ny haja mendrika azy.

28 Zovy moa no hanao ho marina izay olona manota amin’ny fanahiny?

ary iza no hanaja izay manala baraka ny fiainany?

29 Hajaina ny mahantra noho ny fahaizany,

ary hajaina ny mpanan-karena noho ny hareny.

30 Fa izay hajaina ao anatin’ny fahantrana,

dia hohajaina manao ahoana kosa ao anatin’ny harena?

ary izay afa-baraka ao anatin’ny harena,

dia ho afa-baraka manao ahoana kosa raha ao anatin’ny fahantrana?

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 11

Aza mitsara ivelany

1 Ny fahendren’ny olonamanetry tena hanandratra ny lohany;

ary hampipetraka azy eo afovoan’ny lehibe.

2 Aza midera olona, noho ny hatsaran-tarehiny,

ary aza marikoriko aminy, noho ny amin’ny tarehiny.

3 Amin’ny biby manidina ny renitantely no kely,

nefa ny vokany no voalohan-daharana amin’ny zava-mamy.

4 Aza mirehareha amin’izay fitafiana entinao,

ary aza manandra-tena amin’ny andron’ny voninahitra.

Fa mahagaga ny asan’ny Tompo,

ary miafina ny asany eo amin’ny olombelona.

5 Maro no mpanapaka, tafatombina amin’ny ngorodona;

ary izay tsy noheverin’ny olona kosa, no nitondra satroboninahitra.

6 Maro ny be fahefana, voatototry ny fanalam-baraka,

ary ny olo-manan-daza, voatolotra eo an-tanan’ny hafa.

Mandiniha milamina

7 Aza manome tsiny, alohan’ny famotopotoranao;

mandiniha aloha vao izay no hahazo mananatra ianao.

8 Aza mamaly na inona na inona raha tsy efa nihaino,

ary aza miloa-bava, eny antenantenan’ny tenin’ny hafa.

9 Aza mifanditra amin’izay zavatra tsy anao,

ary aza miara-mipetraka amin’ny mpanota, mba hitsara.

10 Anaka, aza entinao misahana zavatra maro ny fahavitrihanao;

fa raha maro sahanina ianao, tsy hilaozam-pahadisoana.

Raha manenjika zava-maro ianao, tsy hahatratra azy,

ary tsy ho afaka amin’izany ianao mandositra.

11 Misy miasa, misasatra, manao haingana,

nefa vao mainka mihamahantra.

Andriamanitra ihany itokiana

12 Misy tsy manan-kery, miantso vonjy,

tsy ampy tanjaka, ary be fahantrana:

13 fa ny Tompo kosa mitsinjo azy amin’ny maso miantra;

manala azy amin’ny toetrany ambany,

manandratra ny lohany,

ka maro no gaga noho ny aminy.

14 Ny soa sy ny ratsy, ny fahafatesana sy ny fiainana,

ny fahantrana sy ny fananan-karena, dia samy avy amin’ny Tompo.

15 Mipetraka amin’ny marina, ny fanomezan’Andriamanitra

ary mandraikitra fiadanana mandrakizay ny fanambinany.

16 Misy manan-karena noho ny fikajiana amam-pitsitsiana,

ary izao no anjara tamby azony amin’izany:

17 Azony atao ny milaza hoe: «Nahazo fitsaharana aho,

ka ndeha hihinana amin’ny fananako amin’izao.»

Tsy fantany anefa izay fotoana mbola ho lasa;

hamela ny hareny ho an’ny hafa izy, dia ho faty.

18 Aza mivadika ny fanekenao amin’Andriamanitra,

ary miveloma amin’ny fiheverana izany,

ary mihantera amin’ny asanao.

19 Aza gaga amin’izay raharahan’ny mpanota;

mitokia amin’ny Tompo, ary mahareta amin’ny asanao.

Fa zavatra mora foana eo imason’ny Tompo,

ny mampanan-karena vetivety sy indray miserana monja ny mahantra.

20 Ny fanambinan’ny Tompo no valisoa ho an’ny olona tia vavaka;

anatin’ny fotoana mihelina dia ahitana vokatra ny tso-dranony.

21 Aza manao hoe: «Izaho moa mila inona indray?

ary mety hanao ahoana ny fiadanako, amin’ny ho avy?»

22 Aza manao hoe koa: «Efa manana ny ampy aho;

ka loza inona indray no mety hiaretako?»

23 Amin’ny andro iadanana, hadino ny fahoriana;

ary amin’ny andro mahory, tsy tsaroana ny fiadanana.

24 Fa zavatra mora eo imason’ny Tompo,

amin’ny andro ahafatesana, ny mamaly ny olona araka ny lalany.

25 Tapak’andro ijaliana ihany, dia mampanadino ny hasambarana lasa,

ary amin’ny fiafaran’ny olona, dia haharihariny ny asany.

26 Aza manao olona ho sambatra, alohan’ny fahafatesany:

amin’ny zanany no hahafantarana ny olona.

27 Aza ampidirina ao an-tranonao avokoa izao olona rehetra izao,

fa maro ny fandriky ny olona mpamitaka.

28 Sahala amin’ny tsipoy fihaza, ao an-tranony,

ny fon’ny mpiavonavona;

ary sahala amin’ny mpitsikilo no fikendriny ny faharavana.

Mahìna amin’ny ratsy fanahy

29 Manova ny soa ho ratsy izy, mamela-pandrika;

ary asiany pentina izay madio indrindra.

30 Kilalaon’afo iray monja mahatonga arina be;

toy izany koa no itadiavan’ny mpanota am-pitaka ny handatsa-dra.

31 Tandremo ny ratsy fanahy, – fa mioko hanao ratsy izy,-

ka sao dia petahany fahafaham-baraka tsy azo vonoina ianao.

32 Omeo fidirana ho ao aminao ny olon-kafa,

dia azerany ianao amin’ny fananganana tabataba,

ary hahodiny tsy ho tia anao ny ao an-tranonao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 12

Ny soa atao

1 Raha manao soa ianao, fantaro izay hanaovanao azy,

dia hankasitrahin’ny olona ny soa ataonao.

2 Manaova soa amin’ny olona tia vavaka

dia hahita valisoa ianao,

na tsy aminy aza dia amin’ny Tompo kosa.

3 Ny soa atao tsy mba ho an’izay mikiribiby amin’ny ratsy,

na ho an’izay tsy mba manaraka ny fanaovan-tsoa.

4 Ny olona tia vavaka no omeo, fa aza izay mpanotano ampianao.

5 Manaova soa amin’izay voaetry

ary aza manome izay mpankahala fihavanana;

mandava tsy hanome mofo azy, ka aza omenao,

fandrao tonga matanjaka noho ianao izy amin’izany;

fa hovaliany ratsy avo sasaka,

ny soa rehetra nataonao taminy.

6 Ny Avo Indrindra koa, mankahala ny mpanota;

ary hanisy famaliana ny mpankahala ny fivavahana.

7 Ny olona tsara fanahy no omeo, fa aza manampy ny mpanota.

Ny Sakaiza tsara sy ny sakaiza manody

8 Ny sakaizatsy manao izay hahamendrika azy hosazina, amin’ny fanambinana;

ny fahavalo, tsy mamitsaka, amin’ny fahoriana.

9 Raha miadana ny olona, misaona ny fahavalony;

idiran-doza izy, na ny sakaizany aza mihataka.

10 Aza matoky ny fahavalonao, na oviana na oviana;

fa toy ny varahina saron’ny harafesina ny hasomparany.

11 Na mody manetry tena sy manjoko famindra aza izy,

mitandrema sy miarova tena aminy,

dia ho tahaka an’izay mandambolambo fitaratra ianao, ho azy,

ary ho hitanao fa tsy misy harafesina hatramin’ny farany izy.

12 Aza apetraka eo anilanao izy;

fandrao aongany ianao, dia alainy ny fitoeranao;

aza asaina mipetraka eo ankavananao izy,

fandrao dia tadiaviny hitoerana ny fitoeranao,

ka amin’ny farany, nony hahalala ny hamarinan’ny teniko ianao,

dia hanana alahelo amin’ny fahatsiarovana ny teniko.

13 Iza no hangorakaizay mpanao fankatoavana,

voakaikitry ny menarana,

na izay rehetra manatona ny biby masiaka?

14 Torak’izany koa izay manao fikambanana amin’ny mpanota

sy miombona amin’ny fahotany.

15 Miara-mitoetra aminao ora iray izy,

fa raha mihataka ianao, tsy hihazona izy.

16 Ny fahavalo dia malefaka am-bava,

nefa ao am-pony dia izay hamarinany anao an-davaka, no saintsaininy.

Ny ranomaso, mitrahotraho amin’ny masony,

nefa ny ranao no mahaliana azy, raha misy hahazoany mandatsaka azy.

17 Raha tra-doza ianao, dia hahita azy eo anoloanao,

ary hody hamonjy anao izy, kanjo hamingana anao;

18 hihifikifi-doha sy hiteha-tanana izy nony efa izany,

tsy hitsahatra ny hitakoritsika, dia hanao endrika hafa.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 13

Ny mitovy aminao iarahana

1 Izay mikasika ny dity dia voaloto,

ary izay mikambana amin’ny mpiavona, zary manahaka azy.

2 Aza mametraka enta-mavesatra eo an-tsorokao;

ary aza mikambana amin’ny olona mahery sy manan-karena noho ianao,

Fikambanana inona no azon’ny vilany tany sy vilany varahina atao?

Hopohin’ny vilany varahina ny vilany tany, ka ho montsana io.

3 Ny manan-karena manao ny tsy marina ary mangovitry ny hatezerana;

ny mahantra asian-dratsy no miala tsiny.

4 Raha mbola misy soa azonao atao aminy,

ampiasainy ianao,

ary rehefa tsy manan-katao aminy intsony ianao, dia ariany.

5 Raha mbola manana ianao, hiara-mitoetra aminao izy,

hoendahany ny anananao, tsy ahoany akory izany.

6 Misy ilany anao va? Hanangoly anao izy,

hitsiky aminao, hampanantenantena anao,

tsy handala teny soa aminao, ary hilaza aminao hoe: Inona no ilainao?

7 Hozezehiny fanasana ianao,

mandra-panendaka anao indroa na intelo;

ary amin’ny farany, hihomehezany ianao;

raha efa izany hahita anao izy dia hilaozany ianao,

sady hampandihy loha eo anatrehanao izy.

8 Mitandrema sao mety hoangoleny ianao,

ary sao lavo amin’ny fietrena ianao ao anatin’ny fanambinana.

9 Raha ny manam-pahefana no miantso anao, mihemora ianao;

ny vao mainka hanasa anao mafy no hataony.

10 Aza mankeo aminy tampoka, fandrao roahiny ianao;

ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hadino.

11 Aza mihevitra ny hiresaka aminy toy ny mitovy saranga,

ary aza matoky ny resaka be ataony.

12 Fa hotsapainy amin’ny teniny mikararana ianao,

ary hanontaniany, somary asiany hehy.

Olona tsy manana antra izy,

ka tsy hitana ao aminy izay teninao akory.

Ary tsy hitsitsy famelezana na famoretana izy, aminao.

13 Mitandrema, ary mitandrema tsara,

fa miara-mandeha amin’ny faharavanao ianao.

14 Ny zava-boaary miaina rehetra, tia ny mitovy aminy;

ny olombelona rehetra tia ny namany.

15 Ny nofo rehetra miray araka ny karazany;

ary ny olombelona rehetra mikambana amin’izay manahaka azy.

16 Fikambanana inona no mety hisy amin’ny amboadia sy ny zanak’ondry;

toy izany koa ny amin’ny mpanota sy ny olona tia vavaka.

17 Fihavanana inona no mety hananan’ny amboahaolo sy ny amboa?

Fihavanana inona no mety hihavanan’ny mpanan-karena sy ny mahantra?

18 Ny ampondra dia no firembin’ny liona any an’efitra;

toy izany ny mahantra dia firembin’ny mpanan-karena.

19 Halan’ny mpiavonavona, ny fietrena:

toy izany koa halan’ny mpanana ny mahantra.

20 Raha ny manan-karena no mangozohozo, tohanan’ny sakaizany;

fa raha ny ambany kosa no lavo, vao mainka roahin’ny sakaizany.

21 Raha ny mpanana no potraka, maro no mamonjy azy;

manao teny tsy misy heviny izy, ankatoavin’ny olona koa.

Fa raha ny ambany no potraka, vao mainka koa tsinina.

22 Raha miteny ny mpanana, mangina avokoa ny olona rehetra,

sady deraina manakoako hatrany an-danitra ny lahateniny.

Fa raha ny mahantra no miteny, ataony hoe: «Mba iza koa io?»

ary raha manohina izy, alavon’ny olona.

23 Tsara ny harena, raha tsy mikambana amin’ny ota;

ary ratsy ny fahantrana, eo am-bavan’ny mpankahala fivavahana.

24 Ny fon’ny olombelona dia manova endrika azy.

Mahatonga azy ho tsara na ratsy izy.

25 Ny tarehy miramirana, no mariky ny fo faly:

ny asan’ny fieritreretana, no ahitana foto-kevitra mahasoa.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 14

Ny tena hasambarana

1 Sambatra ny olona tsy nanota tamin’ny vavany,

Izay tsy mangan’ny nenina noho ny fahotana!

2 Sambatra izay tsy helohin’ny fanahiny,

ka tsy mba very fanantenana ny Tompo!

Fitsiriritana sy fahihirana

3 Tsy mahasoa ny harena, amin’ny olona kafiry velona;

ary inona no asan’ny harena amin’ny olona be fialonana?

4 Manangona ho an’ny hafa,

izay manangona mahihitra ho an’ny tenany,

ka ny hafa no mivelona amim-piadanana, amin’ny hareny.

5 Amin’iza no halemy fanahy izay loza be amin’ny tenany?

Tsy mba hiadana amin’ny rakitry ny tenany izy.

6 Tsy misy ratsy mihoatra noho izay mifady ny zavatra rehetra,

ary izany no tamby tandrifin’ny haratsiany.

7 Raha misy soa mba ataony, dia tsy fanahy iniana,

ary hihariharian’ny haratsiany no iafarany.

8 Olon-dratsy izay mijery amin’ny maso misy fialonana,

ka mihodivitra sy maneso ny fanahin’olona.

9 Tsy afa-pon’izay anjara tokana ny mason’ny kahihitra,

ary mainan’ny fitsiriritana mandoza ny fanahy.

10 Minia tsy homan-kanina ny maso ratsy

11 Anaka, manaova soa ny tenanao, araka izay anananao,

ary manolora fanatitra mendrika, amin’ny Tompo.

12 Tsarovy fa tsy ela ny fahafatesana,

ary tsy nambara taminao ny didim-paneken’ny Seoly;

ary noana eo anoloan’ny fihinany izy.

13 Manaova soa amin’ny sakaizanao, alohan’ny hahafatesanao,

ary mitsora tanana, hanome azy, araka ny anananao.

14 Aza mifady tsy hanao andro firavoravoana,

ary aza avela hisy latsaka, ny faniriana tsara, na tapany aza.

15 Moa tsy avelanao ho an’ny hafa va, ny vokatry ny fisasaranao?

Moa tsy hotapahina amin’ny filokana na an’iza na iza ny vokatry ny hasasaranao?

16 Manomeza ary mandraisa, ka ampifalio ny fonao,

fa tsy misy hitadiavana izay fiadanana, any amin’ny Seoly.

17 Mihatonta toy ny fitafiana ny nofo rehetra,

ary lalàna navoaka hatramin’ny voalohany: ho faty tokoa ianao.

18 Toy ny ravina maitso eo amin’ny hazo be ravina;

ny sasany ahintsany, ny sasany ampaniriny;

toy izany ny taranaky ny nofo aman-dra;

ny sasany maty, ny sasany vao velona.

19 Levona no hiafaran’ny asa mety levona rehetra,

ary ho lasa miaraka aminy koa izay nanao azy.

Hasambaran’ny hendry

20 Sambatra ny olona misaintsaina ny amin’ny fahendrena,

sy miteny amim-pahaizana mitsara zavatra;

21 izay mieritreritra ny lalany ao am-pony,

ary mandinika ny zava-miafina ao aminy:

22 manenjika azy (fahendrena) mova tsy ny mpihaza,

mihendry ny fidirany.

23 Miondrika hijery eo am-baravarankeliny,

mihaino eo am-baravarany.

24 Miorim-ponenana manolotra ny fonenany indrindra,

manatsatoka ny tsima-dainy eo amin’ny rindriny,

25 Manangona ny lainy, manolotra azy,

ary monina ao an-trano misy ny fahasambarana.

26 Mametraka ny zanany eo ambany fiarovany,

ary mialoka eo ambanin’ny sampany.

27 Ho voaaro amin’ny hafanana izy eo amin’ny alokalony,

ary hiala sasatra ao anatin’ny voninahitra.