Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 15

1 Izany no ataon’izay matahotra ny Tompo,

ary izay miraikitra amin’ny lalàna, hahazo ny fahendrena.

2 Izy hitsena azy toy ny reny,

ary handray azy toy ny vady virjiny.

3 Hamahana azy mofom-pahazavan-tsaina,

ary hampisotro azy ranom-pahendrena.

4 Koa dia hiankina aminy izy, ka tsy hiletsy,

hiraikitra aminy ka tsy hahazo henatra.

5 Hasandrany eo anatrehan’ny namany izy,

ary hampiloa-bava azy eo amin’ny fivoriana.

6 Fifaliana, fehiloha firavoravoana,

ary anarana mandrakizay no ho anjarany.

7 Ny adala tsy mba hahazo azy (fahendrena)

ary ny mpanota tsy hahita azy akory.

8 Mihataka lavitra ny olona mpiavona izy,

ary ny olona fandainga tsy mihevitra azy akory.

9 Tsy ankasitrahina ny fiderana an’Andriamanitra

eo am-bavan’ny mpanota,

satria tsy mba ampitondrain’ny Tompo izany.

10 Fa tononin’ny fahendrena ny fiderana,

ka ankasitrahin’ny Tompo izy.

Fahafahan’ny olombelona

11 Aza manao hoe: «Ny Tompo no anton’ny niviliako.»

fa izay halany, tokony tsy hataonao.

12 Aza manao hoe: «Izy no nampivily ahy.»

fa tsy mila izay mpanota akory Izy.

13 Halan’ny Tompo ny fahavetavetana rehetra,

ary izay matahotra Azy, tokony tsy ho tia an’izany koa.

14 Tamin’ny voalohany, nahary ny olombelona Izy,

ary namela azy eo an-tanan’ny fisainany.

15 Raha sitraponao dia hitandrina ny didy ianao,

miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.

16 Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,

azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.

17 Eo anoloan’ny olombelona, ny fiainana sy ny fahafatesana,

ka izay fidiny dia homena azy.

18 Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;

sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.

19 Ny masony, dia eo amin’izay matahotra Azy,

ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.

20 Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,

tsy misy olona nomeny lalana hanota.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 16

Ozona ho an’ny ratsy fanahy

1 Aza maniry zaza maro tsy mahasoa,

ary aza mba atao fifalianao, izay zanaka mpankahala fivavahana.

2 Raha mihamaro izy, aza mifaly amin’izany,

raha tsy eo amin’izy ireo ny fahatahorana ny Tompo.

3 Aza manantenaazy ho ela velona

ary aza mahazo toky akory amin’izay fanambinana azony.

Aleo tokana toy izay arivo.

aleo maty tsy miteraka toy izay mamela zanaka mpankahala fivavahana.

4 Fa ny olona manan-tsaina anankiray

hahabe mponina ny tany iray,

fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.

5 Maro ny ohatra amin’izany efa hitan’ny masoko,

ary mbola misy aza mafimafy kokoa noho izany,

efa ren’ny sofiko.

6 Mirehitra eo amin’ny fivorian’ny mpanota, ny afo;

ary mirehitra eo amin’ny vahoaka mpiodina

ny fahatezeran’Andriamanitra.

7 Tsy navelan’ny Tompo ny helok’ireo Rapeto fahiny,

izay nitoky tamin’ny herin’ny tenany, ka nikomy taminy.

8 Tsy nitsitsy an’ireo niara-nonina tamin’i Lôta izy,

fa halany ireny, noho ny fiavonavonanysahy loatra.

9 Tsy nananany indrafo, ny vahoaka voatolotra haringana,

izay indray nofongorana tamin’ny fahotany.

10 Nofongorany torak’izany koa,

ny miaramila an-tongotra enina hetsy,

izay niara-nikambana noho ny fahamafisan’ny fony.

11 Raha iray no mafy hatoka,

dia mahagaga loatra raha ho afa-maina izy.

Satria samy avy amin’ny Tompo ny indrafo sy ny hatezerana;

mahery mamela heloka Izy, ary manampatra ny hatezerany koa.

12 Araka ny haben’ny famindram-pony, no hamafin’ny famaizany.

Hotsarainy araka ny asany ny olona.

13 Tsy ho afa-mandositra miaraka amin’ny halany, ny mpanota,

ary tsy hampiato ny andrasan’ny olona tia vavaka.

14 Hanampatra ny famindram-pony rehetra Izy,

ka samy handray araka ny asany tsirairay avy.

Valin’ny atao

15 Aza manao hoe: «Hiafina amin’ny mason’Andriamanitra aho,

ka iza moa no hihevitra ahy, any ambony any?

Ho hadino ao anaty vahoaka ao aho;

satria zinona moa aho, ao anatin’izao zava-boaary tsy hita lany izao?»

16 Jereo ange ny lanitra sy ny lanitry ny lanitr’Andriamanitra,

ny hantsana sy ny tany mihozongozona raha tsidihiny.

17 Ny tendrombohitra sy ny fanambanin’ny tany,

indray mihorohoro raha jereny,

18 Tsy mieritreritra izany anefa ny fon’ny olombelona,

ary zovy moa no mamotopototra izay lalany?

19 Tsy tratry ny mason’ny olombelona ny tafio-drivotra:

ary miafina koa ny ankabeazan’ny asan’Andriamanitra.

20 Iza no hilaza amintsika ny asan’ny fahamarinany,

ary iza no hiandry izany?

Lavitra loatra ny lalàn’ny famaliana!

21 Izany no hevitry ny olona tsy manan-tsaina;

hadalana no hany eretin’ny adala maniasia.

Ny olombelona eo amin’ny zava-boaary

22 Mihainoa Ahy, anaka, ary mianara ny fahendrena,

ka aoka hotandreman’ny fonao ny teniko.

23 Hamosaka aminao fampianarana voalanja

tamin’ny mizana Aho,

ary hampahafantatra anao fahaizana marina.

24 Maharitra araka ny nandaminany azy

hatramin’ny voalohany ny asan’Andriamanitra

ary efa navakavahany, hatramin’ny nahariany azy, ny antsinjarany.

25 Nasiany ravaka haharitra mandrakizay ny asany;

ary nataony hamirapiratra amin’ny taona mifandimby ny tsara indrindra.

Tsy mahatsiaro noana na hasasarana ireny,

ka tsy mba manapaka ny anjara asany.

26 Tsy misy mandona ny mifanakaiky aminy izy,

ary manaraka ny didin’Andriamanitra mandrakariva.

27 Manaraka izany, nitsinjo ny tany ny Tompo,

dia nomeny azy ny zava-tsoany.

28 Nofenoiny biby isan-karazany ny vohony,

ary ao anatiny kosa no tsy maintsy hiverenan’ireny.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 17

1 Nataon’Andriamanitra tamin’ny tany ny olombelona,

ary asainy hiverina amin’ny tany izy.

2 Andro voaisa fotoa-manam-petra no naraikiny ho an’ny olombelona,

ary nomeny fahefana amin’ny zavatra rehetra etỳ an-tany izy.

3 Nomeny hery araka ny toetrany izy,

ary nataony mitovy endrika aminy.

4 Nasiany fahatahorana azy ny nofo rehetra,

ary nomeny fanjakana amin’ny biby amam-borona izy.

5 Ny olombelona dia nomeny fahalalana, lela, maso,

sofina, ary fo hihevitra.

6 Nofenoiny fahaizana amam-pahalalana izy;

ary nampahalalainy ny tsara sy ny ratsy.

7 Nataony tao am-pon’izy ireo ny masony,

hanehoany amin’izy ireo, ny halehiben’ny asany;

8 mba hiderany ny Anarany masina,

amin’ny fitoriany ny zava-mahagaga amin’ny asany;

9 Nomeny azy ireo koa ny fahaizana,

ary nampanana azy ny lalàn’ny fiainana Izy.

10 Nanao fanekena mandrakizay tamin’izy ireo Izy,

ary nanambara ny didiny taminy.

11 Ny mason’izy ireo nibanjina ny famirapiratan’ny voninahiny;

ny sofiny nandre ny fikarantsan’ny feony mahatalanjona.

12 Ary izao no nolazainy taminy:

«Mitandrema tena ianareo amin’ny tsy fahamarinana rehetra»;

dia samy nomeny didy ny amin’ny namany avy izy ireo.

Andriamanitra mpitsara

13 Eo anatrehany mandrakariva ny lalan’izy ireo;

tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.

14 Ny firenena tsirairay, samy nanendreny mpitondra avy,

fa i Israely kosa dia anjaran’ny Tompo.

15 Eo anatrehany toy ny masoandro ny asan’ireo rehetra;

ary todihiny maso lalandava ny lalany.

16 Tsy miafina aminy ny tsy fahamarinan’izy ireo,

ary eo anoloan’ny Tompo avokoa ny fahotany.

17 Toy ny tombokaseho azy ny asam-pitiavan’ny olombelona;

ary tahiriziny hoatra ny anakandriamaso ny soa ataon’ny olona.

18 Raha efa izany dia hitsangana izy, ka hamaly azy ireo araka ny asany,

ary hampianjera amin’ny lohany, araka ny tandrifiny.

19 Izay mibebaka anefa, dia ekeny ny hiverenany,

ary izay very fanantenana, alany alahelo.

Mivaloza

20 Mitodiha ny Tompo ianao, ka mialà amin’ny fahotana;

mivavaha eo anoloan’ny Tavany, ary ampahavitsio ny ratsy natao.

21 Miverena amin’ny Avo Indrindra, mialà amin’ny tsy fahamarinana,

ary ankahalao mafy izay vetaveta.

22 Iza no hidera ny Avo Indrindra, any amin’ny Seoly,

hisolo ny velona, sy izay nanome voninahitra azy?

23 Ny olona efa maty tsy mahazo miderafa toy ny tsinontsinona izy,

fa ny velona sy ny salama no midera ny Tompo.

24 Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo!

sy ny fangoraham-pony an’izay mibebaka aminy!

25 Fa tsy mety hisy ao amin’ny olombelona avokoa ny zavatra rehetra;

tsy mba hoe tsy mety maty ny zanak’olombelona.

26 Inona no mamirapiratra kokoa noho ny masoandro?

Ary mihamaizina anefa izy.

Toy izany ny ratsy fanahy, mihevitra ny nofo aman-dra.

27 Ny masoandro, mamangy ny tafiky ny kintana eny an-danitra ambony,

fa ny olombelona dia vovoka sy lavenona ihany avokoa.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 18

Lehibe Andriamanitra

1 Ilay velona mandrakizay, no nahary ny zavatra rehetra tsy an-kanavaka.

2 Ny Tompo irery no marina.

3 Tsy misy olona nataony hahatanisa ny asany.

Ary zovy no mahaseho ny halehibeazany?

4 Iza no mahalaza ny fahefana tsitoha izay ao amin’ny fiandrianany?

Zovy koa no hahavisavisa ny famindram-pony?

5 Tsy misy hanalana tsy misy hampiana,

tsy azo takarina ny asa mahagaga ataon’ny Tompo.

6 Rehefa tapitra mikaroka ny olombelona,

vao eo amin’ny manomboka ihany;

ary nony mijanona izy, tsy hitany izay hoheverina.

Tsinontsinona ny olombelona

7 Inona koa ny olombelona, ary mahasoa amin’inona izy?

Inona no hasambarany, ary inona no lozany?

8 Ny isan’ny andro iainan’ny olombelona dia zato taona raha betsaka.

9 Toy ny rano indray mitete nalaina tamin’ny ranomasina

sy toy ny vongam-pasika iray,

ny isan’ny taonany vitsy, miolotra amin’ny andro mandrakizay.

10 Izany no anton’ny andeferan’ny Tompo amin’ny olombelona,

sy androtsahany ny famindram-pony amin’izy ireo.

11 Hitany sy fantany fa mahonena ny fiafaràny,

izany no hamelany heloka amin-kalalaham-po.

12 Ny olombelona manao famindram-po amin’ny namany,

fa Andriamanitra kosa, manao famindram-po mahazo ny nofo rehetra.

Mananatra Izy, mamay Izy, manoro Izy,

ary mamerina ho ao am-bala, toy ny mpiandry ondriny.

13 Mamindra fo amin’izay mandray ny famaizana Izy,

sy amin’izay malaky manatanteraka ny didiny.

Ny fomba enti-manome

14 Anaka, aza arahin-datsa ny soa ataonao,

na teny mampalahelo ny fanomezanao rehetra.

15 Moa ny ando tsy mampangatsiatsiaka ny hafanan’ny rivotra?

Toy izany koa ny teny soa, mihoatra noho ny fanomezana,

16 Tsy hitanao va fa tsara mihoatra noho ny fanomezana ny teny?

Ny olona mahafinaritra manambatra azy roa ireo.

17 Ny adala manao teny maharary,

ary ny fanomezan’ny mpialona, mahamaina ny maso.

Mandiniha, tsinjovy ny ho avy

18 Mandiniha, alohan’ny hitenenanao,

mitandrema ny fahasalamanao alohan’ny aretina.

19 Mandiniha tsara alohan’ny fitsarana,

dia hahazo sitraka ianao amin’ny fotoan’ny famotorana.

20 Manetre tena alohan’ny hahararianao,

ary miverena amin’Andriamanitra, raha tafalatsaka amin’ny ota.

21 Aza mety hosakanan’inona na inona,

tsy hanefa ny voadinao amin’ny fotoana mety

ary aza miandry ny efa ho faty, vao manefa ianao.

22 Miomàna aloha, vao manao voady,

fa aza manao toy ny olona maka fanahy an’Andriamanitra.

23 Mihevera ny fahatezerana, amin’ny andro farany,

dia amin’ny fotoana famaliana, hanodinan’Andriamanitra ny tavany.

24 Amin’ny fotoana ananam-be, mihevera ny andron’ny hanoanana.

Amin’ny andro ananan-karena, mihevera ny fahantrana amana mosary.

25 Miovaova ny fotoana hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva:

faingana toy izany ny fiovana rehetra eo anatrehan’Andriamanitra.

26 Ny olon-kendry, mitandrin-tena amin’ny zavatra rehetra;

amin’ny andron’ny fahotana izy, miaro tena tsy ho diso.

27 Rehefa mety ho olona manan-tsaina dia mahalala ny fahendrena;

sady manome haja an’izay nahita azy.

28 Izay mahafantatra ny lahatenin’ny hendry

dia olona hendry koa ny tenany,

ka mamafy ny foto-kevitra lavorary.

Mahafeheza tena

29 Aza mety hoentin’ny fitsiriritanao,

ary fehezo ny fanirianao.

30 Raha avelanao hanaram-po amin’ny fitsiriritany ny fanahinao,

dia hataony fihomehezan’ny fahavalonao ianao.

31 Aza ataonao foto-kafalianao ny habetsahan’ny hanim-py,

ary aza mandraikitra fikambanana amin’izany.

32 Aza mampahantra tena, misambotra hanaovam-pihinanam-be,

ary raha tsy misy na inona na inona, amin’ny kitapom-bolanao.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 19

1 Ny mpiasa manaram-po amin’ny divay, tsy mba hanan-karena;

izay tsy mikarakara ny kely ananany ho latsaka vetivety amin’ny faharavana.

2 Mampiavona ny olona manan-tsaina ny divay sy ny vehivavy,

ary tsy malina izay miraikitra amin’ny vehivavy janga.

3 Ho rembin’ny olitra sy ny kankana ireny,

ary ho fongotra ny fanahy meloka.

Aza basy vava

4 Izay malaky minomino foana, dia olona maivan-tsaina,

ary manota amin’ny fanahiny, izay latsaka amin’izany hadisoana izany.

5 Izay minia mifaly amin’ny lahateny adala, hohelohina,

6 ary izay mankahala ny habasiam-bava, miaro tena amin’ny loza.

7 Aza mitati-teny na oviana na oviana,

dia tsy ho faty antoka na oviana na oviana ianao.

8 Aza milaza izany, na amin-tsakaiza na amim-pahavalo,

ary aza manambara izany, afa-tsy raha hahadiso anao, tokana.

9 Fa raha reny ianao, hitandrin-tena izy aminao,

ary mbola any ny andro, hisehoany ho fahavalonao.

10 Raha mandre resaka be vava ianao, ento maty izany,

aza manana ahiahy, tsy hampipoaka anao izany.

11 Raha misy tenyiray tsy maintsy hotanany, dia mijaly ny adala,

toy ny vehivavy mihetsi-jaza.

12 Sahala amin’ny zana-tsipìka tafatsatoka amin’ny fe,

ny teny iray amin’ny fon’ny adala.

Hamarino izay heno

13 Anontaniony sakaizanao, fa angamba tsy nanao ihany izy;

ary raha nanao ihany izy, dia tsy mba hanao izany intsony.

14 Anontanio ny sakaizanao, fa angamba tsy nilaza izany izy,

ary raha nilaza izany izy, dia tsy mba hamerina intsony.

15 Anontanio ny sakaizanao, fa matetika misy endrikendrika,

ka aza mino izao lazain’ny olona rehetra izao ianao.

16 Misy mba diso ihany, nefa tsy fanahy iniana;

ary zovy moa no tsy nanota tamin’ny lelany?

17 Anontanio ny sakaizanao, alohan’ny handrahona azy,

ary miraiketa ianao amin’ny fitandreman’ny lalàn’ny Avo Indrindra.

Ny tena fahendrena sy ny sandoka

18 Ny fahendrena rehetra, dia ao amin’ny fahatahorana ny Tompo;

ary ao amin’ny fahendrena rehetra, ny fanatanterahana ny lalàna.

19 Ny fahendrena, tsy mba ny fahaiza-manao ratsy;

ary ny fahamalinana tsy mba hita amin’ny torohevitry ny mpanota.

20 Misy fahaizana tokony hankahalaina,

ary misy hadalana izay tsy inona fa tsy fahampian’ny fahendrena.

21 Aleo olona kely fahiratan-tsaina matahotra an’Andriamanitra

toy izay olona be fahazavan-tsaina mandika ny lalàna.

22 Misy mahay tokoa nefa mandika ny rariny,

ary misy mandainga amin’ny ady atsangany

mba hampamoaka fitsarana araka ny iriny.

23 Misy ratsy fanahy mandeha manjoko azon’ny alahelo,

ary feno fitaka ny fony.

24 Manondri-doha izy, marenina ilany izy,

ary nony vao tsy jerijerena izy dia ialohany ianao.

25 Ka raha tsy afa-manota izy, noho ny fahosana,

dia hanao ratsy nony vao mahita hanaovana.

26 Ny tarehiny no hahalalana ny olona,

ary ny endrika asehony no hahalalana ny hendry.

27 Ny fitafian’ny olona, ny fitsikin’ny molony,

ary ny fandehan’ny olona no manambara ny toetrany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 20

Fanginana sy fitenenana

1 Misy anatra tsy tandrifin’ny tokony hanaovana azy,

ary misy mangina, maneho fahamalinana.

2 Aleo mananatra, toy izay mirehi-katezerana ao am-po,

ary izay mitsotra, dia hierem-patiantoka.

3 Sahala amin’ny eonòka maniry handoto zazavavy,

izay mamoaka fitsarana, manao am-bohoka fotsiny.

Endrey, mba tsara loatra raha anarina ny maneho fanenenana!

fa amin’izany no ahafahanao amin’ny fahotana iniana atao.

4 Misy miseho ho hendry, amin’ny fanginana;

ary misy tonga mahadikidiky

noho ny tsy fahalalany onony amin’ny fitenenana.

5 Misy mangina, fa tsy mahita havaly;

misy mangina fa mahalala ny fotoana mety.

6 Ny hendry mangina, mandra-pisin’ny fotoana mety;

fa ny mahery vava sy tsy mihevitra kosa, mihoatra an’izany.

7 Izay mampitombo teny, hankahalaina,

ary izay manaram-po loatra hanjary hahadikidiky.

Misy zavatra mifanohitra

8 Misy olona mahita zavatra mahasoa azy amin’ny fahoriana,

ary ny fanambinana tsy nampoizina tonga loza ho azy.

9 Misy fanomezana, tsy ahazoana ninoninona

ary misy fanomezana valiana avo sasaka.

10 Misy toe-draharaha be voninahitra, mampiditra fatiantoka;

ary misy manandratra ny lohany, avy amin’ny fietrena.

11 Misy mividy zavatra betsaka mora vidy foana,

izay mandoa izany im-pito hoatra ny vidiny.

12 Izay hendry am-pitenenana dia tiavin’ny olona,

fa very maina ny teny malefaka ataon’ny adala.

13 Tsy ahazoanao ninoninona ny fanomezan’ny adala,

satria tsy mba tokana ny masony fa maro.

14 Kely fanome izy, ary be fanadidy,

ary miloa-bava toy ny mpiantso kabary.

Anio izy mampisambotra, rahampitso izy mitaky,

maharikoriko ny olona toy izany.

15 Hoy ny adala: Tsy manan-tsakaiza aho;

ary tsy sitraky ny olona ny soa ataoko;

ratsy vava izay mihinana ny mofoko. –

16 Impiry sy olona firy akory, no manao azy ho fihomehezana!

Teny diso toerana

17 Aleo lavo amin’ny gorodona toy izay lavon’ny lela;

izany no mahatonga faingana ny faharavan’ny ratsy fanahy.

18 Ny olona mahasosotra, dia angano ivelan’ny fotoana,

tsy afaka am-bavan’ny olona ratsy taiza.

19 Tsy raisin’ny olona ny foto-kevitra aloaky ny vavan’ny adala,

satria tsy mba lazainy amin’ny fotoana mety aminy.

20 Misy tsy afa-manota, noho ny tsy fananany,

ary main’ny fitsaharany, dia tsy manam-panenenana izy.

21 Misy manary tena, noho ny henatra tsy an-drariny,

ary latsaka am-paharavana noho ny fijerin’ny adala.

22 Misy mampanantena be ny sakaizany, noho ny henatra tsy an-drariny,

ka mahatonga azy ho fahavalonymaimaim-poana.

Ny lainga

23 Manisy pentina mahamenatra amin’ny olona ny lainga:

eo am-bavan’ny olona ratsy taiza mandrakariva izy.

24 Aleo mpangalatra toy izay olona manao ny lainga ho raharahany;

samy faharavana no ho anjaran’izy roa tonta.

25 Ny fomban’ny mpandainga manala baraka;

ary ny henatry ny mpandainga, dia momba azy hatrany hatrany.

Ambony ny hendry fa mety ho azon-doza

26 Izay hendry amin’ny teniny, dia misandratra fanajana,

ary ny olona malina, mahazo sitraka amin’ny lehibe.

27 Izay miasa ny taniny hanangom-bary miavosa be,

izay mahazo sitraka amin’ny lehibe, mahazo fanalana ny hadisoany.

28 Ny fanatitra amam-panomezana, mahajamba maso ny hendry;

ary misakana ny tsiny, toy ny fehivavam-biby.

29 Fahendrena miafina, harena tsy hita:

inona no asan’izy roa ireo?

30 Aleo olona manafina ny hadalany,

toy izay olona manafina ny fahendreny.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 21

Fahotana samihafa

1 Anaka, manota va ianao? Aza manao izany intsony.

2 Mandosira toy ny eo anatrehan’ny bibilava,

eo anatrehan’ny fahotana;

fa raha manatona azy ianao, hokaikeriny.

Nifin-diona ny nifiny,

ka mahafaty ny olombelona.

3 Tahaka ny sabatra roa lela, ny fandikan-didy rehetra,

tsy azo sitranina ny ratra afitsony.

4 Mandrava harena ny fandrahonana amam-panevatevana,

izany no naharava ny tranon’ny mpiavonavona.

5 Ny fangatahan’ny mahantra,

miakatra avy amin’ny molony ho amin’ny sofin’ny mpanana;

fa ho tonga faingana amin’ny mpiavonavona, ny fitsarana azy.

6 Izay mankahala anatra, manara-dia ny mpanota,

fa izay matahotra an’Andriamanitra mitodika Azy amin’ny fo tsotra.

7 Ny olona mahery am-bavany dia efa manambara tena mbola lavitra any;

fa ny olona manan-tsaina, mahalala raha diso izy.

8 Ny olona manao trano amin’ny vola tsy azy,

dia tahaka izay manangom-batoho amin’ny ririnina.

9 Ny andiam-pahavalo, dia tahaka ny antontan-drongony,

ka ho rembin’ny afo no hiafarany.

10 Vita ngorodom-bato ny lalan’ny mpanota,

fa ny hantsan’ny Seoly no any am-parany.

Ny hendry sy ny adala

11 Izay mitandrina ny lalàna, mamolaka ny heviny;

ary ny vokatra faran’ny fahatahorana ny Tompo, dia ny fahendrena.

12 Izay tsy ampy fahakingana tsy ho vita fianarana;

nefa misy fahakingana miteraka fahoriana be mangidy.

13 Be hoatra ny rano tondraka, ny fahaizan’ny hendry,

ary loharanon’aina ny toroheviny.

14 Toy ny vilany vaky ny fon’ny adala,

ka tsy mahatam-pahalalana, na dia iray aza.

15 Raha tsy manan-tsaina no mandre teny maneho fahendrena,

dia mankalaza izany izy, ary mampitombo azy koa aza.

Fa raha ny mpanaram-batana kosa no mandre izany, halany izany,

ary ariany any ivohony.

16 Ny lahatenin’ny adala, toy ny entana fitondra mivahiny;

fa amin’ny molotry ny manan-tsaina no misy ny mahafinaritra.

17 Ilaina eo am-piangonana, ny vavan’ny olon-kendry,

ary saintsainina ao am-po ny teniny.

18 Ny fahendrena dia trano rava ho an’ny adala,

ary ny fahaizan’ny adala, dia teny tsy mifandray akory.

19 Amin’ny adala ny fampianarana, toy ny gadra amin’ny tongotra,

sy famatorana amin’ny tanana ankavanana.

20 Ny adala mitokalakàlaka erỳ, raha mihomehy,

fa ny olon-kinga kosa mitsiky kely foana tsy re.

21 Amin’ny olona manan-tsaina

ny fampianarana sahala amin’ny firavaka volamena

sy fehi-tanana amin’ny tanana ankavanana.

22 Raha miditra an-trano, ny adala manao dia faingana,

fa ny olon-kendry kosa miahotra toa tsy sahy eo am-pidirana.

23 Ny adala miondrika hanarangarana ny ao an-trano, eo am-baravarana,

fa ny olona tsara taiza kosa, mijanona any ivelany.

24 Tsy fahaiza-miaina ho an’ny olona, ny mihaino ao am-baravarana;

ka mahatezitra ny manan-tsaina, ny asa mahamenatra toy izany.

25 Ny molotry ny adala, tsy manonona afa-tsy hadalana;

fa ny tenin’ny olon-kendry kosa, voalanja amin’ny mizana.

26 Ny fon’ny adala dia eo am-bavany,

fa ny fon’ny hendry kosa, dia ny vavany.

27 Raha manozona ny fahavalony ny ratsy fanahy,

dia manozona ny tenany ihany.

28 Mandoto tena ny mpitati-bolana,

ka ankahalain’ny olona rehetra manatona azy.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 22

Ny kamo

1 Sahala amin’ny vato feno maloto ny kamo,

ka akorain’ny olona rehetra ny fahafaham-barakany.

2 Sahala amin’ny vongan-taim-biby ny kamo,

ka izay mandray azy manifikifi-tanana.

Ny zaza ratsy taiza

3 Ny zazalahy ratsy taiza, dia henatra ho an’ny rainy niteraka azy.

ny zazavavy torak’izany, latsaka an-tany ho fanimbana azy.

4 Ny zazavavy malina hahazo vady;

fa izay ahazoan-kenatra kosa, mampalahelo ny rainy.

5 Ny vehivavy tsy valahara, henatra ho an-drainy sy ny vadiny,

ka samy hanamavo azy izy roa tonta ireo.

6 Sahala amin’ny mozika amin’ny fisaonana,

ny lahateny tsy amin’ny fotoana,

fa ny tsora-kazo amam-pamaizana, dia fahendrena amin’ny fotoana rehetra.

Fahendrena sy hadalana

7 Ny mampianatra adala, dia mamitrana vilany tany vaky,

(milaza zavatra amin’ny tsy mihaino)

dia mamoha olona rendrika lalina amin’ny torimaso.

8 Miteny amin’ny olona matory ny miresaka amin’ny adala,

farany izy vao hanontany hoe: Ahoana hoe a?

9 Itomanio ny maty, fa tsy manam-pahazavana,

itomanio ny adala, fa tsy manan-tsaina.

Ny maty itomanio moramora, satria mahazo fitsaharana,

fa ny fiainan’ny adala no ratsy noho ny fahafatesana.

10 Ny fisaonanany maty, maharitra hafitoana;

fa ny an’ny adala sy ny mpankahala fivavahana,

mandritra ny andro iainany.

11 Aza lava resaka amin’ny adala,

ary aza miara-mandeha amin’ny olona tsy misy saina.

mitandrema tena aminy, raha tsy te-hahazo hasosorana,

dia tsy ho voaloton’ny fifandraisana aminy ianao.

Mihodivira aminy, dia hahita fitsaharana ianao,

sy tsy hahazo alahelo amin’ny fahitana ny hadalany.

12 Inona no mavesatra noho ny firaka?

ary inona no anaran-kafa azo omena azy, afa-tsy ny hoe adala?

13 Ny fasika, ny sira, ny vongam-by,

dia mora entina kokoa noho ny olona tsy manan-tsaina.

14 Ny fitambaran’ny hazon-tafo tsara rafitra,

tsy mba hosarahin’ny horohoron-tany:

toy izany ny fo miraikitra amin’ny fikasana voahevitra tsara,

tsy mba hanan-tahotra, na avy aza ny fotoana sarotra.

15 Ny fo miankina amin’ny hevi-pahendrena,

dia toy ny lalotra voaharo fasika amin’ny rindrina voalama.

16 Tsy maharitra ny rivotra ny arofanina an-tampon’ny avo,

tsy mahatoha ny tahotra toy izany koa ny fo saro-tahotra mbamin’ny fikasany.

Ny fisakaizana

17 Ny maneritery maso, mampilatsa-dranomaso;

ny maneritery fo, manetsika alahelo.

18 Ny mitora-bato ny vorona, mampandositra azy,

ny mandatsa ny sakaiza amin’ny soa natao taminy,

manapaka ny fihavanana.

19 Manatsoaka sabatra hamely ny sakaizanao va ianao?

Aza manary toky:

fa mbola mety hisy ihany ny hiverenany.

20 Niloa-bava hamely ny sakaizanao va ianao?

Aza matahotra:

mbola azo atao ny mihavana indray.

Fa raha latsa ny amin’nysoa natao kosa,

na ny eso an’avonavona;

na ny fanambaràna ny zava-miafina, na ny famelezan’ny lela mamitaka,

dia mampandositra ny sakaiza rehetra izany.

21 Aza mivadibadika amin’ny sakaizanao ao anatin’ny fahantrany,

mba hiarahanao miarana aminy, amin’ny fanambinana azy.

Aza mandao azy amin’ny andro fitsapana azy,

mba hanananao anjara amin’ny fananana ho tonga aminy.

22 Misondrotra alohan’ny afo, ny etona avy amin’ny memy sy ny setroka;

mipoaka alohan’ny fandatsahan-dra koa ny teny manala baraka.

23 Tsy hahamenatra ahy ny miaro ny sakaizako;

ary tsy hiery aho eo anatrehany.

24 Ka raha avy izay manjò ahy, amin’ny ataony,

izay handre izany dia hitandrin-tena aminy avokoa.

Mailo sy mitandrina

25 Iza no hanisy fiambenana eo amin’ny vavako,

sy fitomboka malina eo amin’ny molotro;

mba tsy ho lavo aho noho ny amin’ireo,

ka tsy ho verin’ny lelako?

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 23

1 Tompo ô, ry Ray sy Tompo tokan’ny aiko,

aza afoinao ho amin’ny hevitry ny molotro aho,

ary aza avelanao aho hahita izay hahalavo ahy eo!

2 Iza no hampahatsiaro kotopia ny hevitro,

fifehezan’ny fahendrena ny foko,

ka tsy hitsimbina ahy amin’ny hadalako,

sy tsy hamela ahy hiarana amin’ny fahotana;

3 fandrao dia mitombo ny hadalako,

sy mihamaro ny fahotako,

ka lavo eo ny fahavaloko amin’ny momba ahy.

4 Ry Tompo, Ray sy Andriamanitry ny aiko,

aza omena fanarana-maso aho,

5 ary avilio hiala amiko ny fanirian-dratsy.

6 Aoka tsy hahazo ahy, ny filan’ny nofo amam-panaranam-batana,

ary aza atolotra amin’ny fanahy tsy maotona aho.

Fianianana

7 Anaka, henoy ny fifehezan’ny vava,

fa izay hitandrina izany, tsy ho voafandrika.

8 Ho voafandriky ny molony ny mpanota,

hahita izay hahalavo azy eo, ny mpifosa sy ny mpaniratsira.

9 Aza manazatra ny vavanao hanao fianianana;

ary aza mihazatra hanonona ny Anaran’Ilay Masina.

10 Fa toy ny mpanompo asiana fampijaliana matetika

tsy mety ho afa-dratra;

toy izany izay mianiana sy manonona tsy an-kijanona

ny Anaran’ny Masina,

tsy mety ho afaka amin’ny fahotana.

11 Mampitombo ny tsy fahamarinana ny olona mahery mianiana,

ka tsy hialan-kotopia ny tranony,

raha nanao izay mahameloka azy izy dia ao aminy ny fahotany;

raha tsy ahoany izany dia avo sasaka ny fahotany.

Raha manao fianianana tsy marina izy tsy havela heloka,

fa ho tototra famaizana ny tranony.

Teny maloto

12 Misy teny miantso ny fahafatesana;

tsy hisy izany anie, eo amin’ny lovan’i Jakôba!

Lavitra ny olona tia vavaka izany rehetra izany;

tsy mba miditra amin’izany fahotana izany izy.

13 Aza manazatra ny vavanao amin’ny fomba fiteny ambany ratsy,

fa mitarika amin’ny fiteny mahameloka izany.

14 Tsarovy ny rainao sy ny reninao,

raha mitoetra eo amin’ny lehibe ianao,

fandrao raha manadino azy eo anatrehan’ireo ianao,

tonga manao hadalana, noho ny fahazarana,

ka hanjary maniry ny tsy ho nateraka akory,

sy manozona ny andro nahaterahanao.

15 Ny olona zatra amin’ny fiteny ambany ratsy foana,

tsy mba hahatratra ny fahendrena, na oviana na oviana.

Vehivavy janga

16 Roa karazana ny olona mitombo fahotana;

ary ny fahatelo miantso ny fahatezerana.

Ny olona mirehitra ny fanirian-dratsy, hoatra ny afo midedadeda,

tsy maty mandra-pahalevony.

Izay tsy madio amin’ny nofon’ny tenany,

tsy hijanona mandra-pirehitry ny afo:

17 Mamy avokoa ny hanina, amin’ny mpanaram-batana,

ka tsy hijanona izy mandra-pahafatiny.

18 Ny olona mandao ny fandrian’izy mivady,

dia manao anakampo hoe: «Iza no hahita ahy?

Ny haizina manarona, ny rindrina manakona ahy;

ary tsy misy olona mitazana ahy; ka inona no hatahorako?

Ny Avo Indrindra, tsy hahatsiaro izay fahotako akory.»

19 Tsy manan-tahotra ny mason’ny olombelona,

tsy fantany fa ny mason’ny Tompo

mamirapiratra inarivo hoatry ny masoandro,

ka voajeriny avokoa ny lalan’ny olombelona,

ary takany hatrany amin’ny fitoerana maizina.

20 Fantatry ny Tompo, talohan’ny nahariana azy, izao tontolo izao;

ary mbola fantany koa rehefa tanteraka ireny.

21 Hofaizina eny an-dalamben’ny tanàna ny mpaka vadin’olona;

ary amin’ny fotoana tsy nampoiziny akory no hahavoazany.

Tenin’ny fahendrena

22 Torak’izany koa ny vehivavy nandao ny vadiny,

sy niteraka mpandova amin’ny firaisana amin’olon-kafa.

23 Satria voalohany, nandika ny lalàn’ny Avo Indrindra izy;

manaraka izany meloka tamin’ny vadiny izy;

farany nanao fijangajangana izy,

sy niteraka zaza, avy amin’ny ran’olon-kafa.

24 Hoentina eo anatrehan’ny fiangonana izy;

ary ny famaizana hitsidika ny zanany.

25 Ny zanany tsy handatsa-paka,

ary ny sampany tsy hitondra voa.

26 Hamela fahatsiarovana voan’ny fanozonana izy;

ary ny fanalam-baraka azy, tsy ho faty na oviana na oviana.

27 Dia ho fantatr’izay ho avy any aoriana

fa tsy misy tsara noho ny fahatahorana ny Tompo;

tsy misy mamy noho ny mitandrina ny didiny.

Voninahitra lehibe ny manaraka ny Tompo;

manalava andro iainana, ny miraikitra aminy.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 24

1 Midera ny tenany ny fahendrena,

ary manome voninahi-tena eo amin’ny vahoakany izy.

2 Miloa-bava eo amin’ny fiangonan’ny Avo Indrindra izy,

ary manome voninahi-tena eo anatrehan’ny fiandrianany, hoe:

3 «Nivoaka avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra aho,

ary nanarona ny tany, sahala amin’ny rahona.

4 Nonina tany amin’ny avo aho;

ary ny seza fiandrianako, dia eo an-tampon’ny andry rahona.

5 Izaho irery no nahatety ny faritra manodidina ny lanitra,

ary nitsangantsangana tany amin’ny halalin’ny hantsana.

6 Tanatin’ny onjan-dranomasina sy tambonin’ny tany rehetra,

tamin’ny vahoaka rehetra, sy tamin’ny firenena rehetra

dia nampiasa ny fahefako aho.

7 Teny amin’izy rehetra aho, nitady ny fitoerana ho fitsaharako,

sy izay tany tsy maintsy honenako.

8 Tamin’izay, nampitondra didy tamiko Ilay Mpahary ny zavatra rehetra;

ary nampijanona ny laiko Ilay nahary ahy,

ka nanao tamiko hoe: ‹Monena amin’i Jakôba,

aoka ho amin’i Israely ny lovanao.›

9 izaho dia efa noarîna hatramin’ny voalohany,

talohan’ny taona rehetra,

ary tsy hitsahatra ny ho misy aho, hatramin’ny mandrakizay.

10 Nanao ny fandraharahanateo anatrehany aho,

teo amin’ny tabernakla masina,

ka dia nanana fonenan-draikitra tao Siôna aho.

11 Nampijanona ahy toy izany koa izy tao amin’ny vohitra malala,

ka dia ao Jerosalema no fipetrahan’ny fanjakako.

12 Nandatsa-paka aho teo amin’ny vahoaka be voninahitra,

teo amin’ny anjaran’ny Tompo, teo amin’ny lovany.

13 Nisondrotra toy ny sedera eny Libàna aho,

sy tahaka ny sipresa, eny an-tendrombohitra Hermôna.

14 Nisondrotra toy ny antrendry eny amoron-drano aho,

sy tahaka ny rôzy eny Jerikao;

tahaka ny fototr’ôliva tsara eny amin’ny tany lemaka,

ary nisondrotra tahaka ny platàna.

15 Nandefa fofona manitra tahaka ny kanela sy ny ditin-kazo manitra aho,

ary nandraraka fofona mamerovero, toy ny mira voafantina,

toy ny galbanôma, ny ôniksa, ny stakta,

ary tahaka ny eton’emboka eo amin’ny tabernakla.

16 Namelatra ny rantsako toy ny terebinta aho,

ary ny sampako dia sampan’ny voninahitra amam-pahasoavana.

17 Nandefa tsiry mahafinaritra,

toy ny foto-boaloboka aho,

ary voam-boninahitra aman-karena no avy amin’ny voniko.

Renin’ny fitiavana madio, ny fahatahorana an’Andriamanitra,

ny fahaizana ary ny fanantenana masina aho.

18 Avia atỳ amiko ianareo rehetra maniry ahy,

ka mivokisa amin’ny voako ianareo.

19 Fa mamy noho ny tantely ny fahatsiarovana ahy,

ary noho ny toho-tantely, ny fananana ahy.

20 Izay mihinana ahymbola ho noana,

izay misotro ahy mbola hangetaheta.

21 Izay mihaino ahy tsy ho menatra mandrakizay,

ary na iza na iza, raha izaho no entiny miasa, tsy mba hanota.»

Ny fahendrena sy ny lalàna

22 Izany rehetra izany dia ny bokin’ny faneken’Andriamanitra Avo Indrindra, lalàna nomen’i Môizy,

ho lovan’ny fiangonan’i Jakôba.

23 Izany lalàna izany no mahatondraka ny fahendrena tahaka an’i Fisôna,

tahaka an’i Tigra, amin’ny fotoan’ny voankazo vao.

24 Mandefa onjam-pahalalana tahaka an’i Eofrata izy,

tahaka an’i Jordany amin’ny taom-pijinjana.

25 Mampiboiboika ny fahaizana, tahaka ny Onyizy;

tahaka an’i Gehôna, amin’ny fotoam-piotazam-boaloboka.

26 Ny voalohany nianatra azy, tsy nahatapitra ny fahalalana azy;

ary ny farany, tsy mbola nahatakatra azy.

27 Fa malalaka noho ny ranomasina ny sainy,

ary lalina noho ny hantsana lehibe ny fisainany.

28 Ary izaho dia nisononoka toy ny lakan-drano avy amin’ny ony,

tahaka ny tetezan-drano manondraka tanimboly mahafinaritra.

29 Hoy aho: «Hanondraka ny tanimboliko aho,

handena ny kisahasahako,

ary indro fa tonga ony ny lakan-dranoko,

tonga ranomasina ny oniko.»

30 Koa mbola maniry hampamirapiratra ny fahendrena

hoatra ny mazava atsinanana aho

sy hampahalala ny foto-kevitra any lavitra any.

31 Mbola iriko koa ny hampiely ny fampianarana,

hoatra ny faminaniana,

sy hamela azy ho lovan’ny taranaka any aoriana any.

32 Fantaro fa tsy miasa ho an’ny tenako irery aho,

fa ho an’izay rehetra mitady ny fahendrena.