Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 35

Ny lalàna sy ny sorona

1 Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro,

2 ary ny miraikitra amin’ny didy,

dia manolotra sorom-pihavanana.

3 Ny misaotra dia manao fanatitra lafarina tsara indrindra;

4 ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.

5 Ny ankasitrahin’ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy;

ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.

6 Kanefa aza miseho foan-tanana eo anatrehan’ny Tompo ianao,

7 fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.

8 Manatavy ny ôtely ny fanatitra marina;

ary miakatra eo anatrehan’ny Tompo ny fofony manitra.

9 Mahafinaritra ny soron’ny olo-marina;

ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an’izany.

10 Manomeza voninahitra ny Tompo, amin’ny fo mahafoy be;

ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.

11 Amin’ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika ianao,

ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.

12 Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao,

amin’ny fo mahafoy be, araka izay azon’ny tananao.

13 Fa manome valy ny Tompo,

ka hamerina impito hoatry ny nataonao.

Manao ny rariny Andriamanitra

14 Aza mitady hanangoly azy amin’ny fanatitra,

fa tsy horaisiny akory izany,

15 ary aza miantehitra amin’izay fanatitra tsy marina;

fa mpitsara ny Tompo,

ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy.

16 Tsy mizaha tavan’olona hamono antoka ny mahantra Izy,

ary mihaino ny vavak’izay ampahorîna.

17 Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho,

na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy.

18 Tsy mirotsaka eo amin’ny takolany va ny ranomason’ny mpitondratena,

19 ary moa tsy mipoaka ny fidradradradrany

mamely an’izay mampitomany azy?

20 Horaisina tsara izay manaja an’Andriamanitra

araka ny fomba ankasitrahiny,

ary tafasondrotra hatrany amin’ny rahona ny fivavahany.

21 Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry teny,

fa tsy hionona izy, raha tsy tonga amin’Andriamanitra izany;

tsy hitsahatra izy, raha tsy efa nojeren’ny Avo Indrindra;

dia hitsara araka ny rariny ny Tompo, ka hamoaka fitsarana.

22 Tsy hampiandry akory ny Tompo,

tsy handefitra intsony Izy, amin’ny mpampahory;

mandra-panorotorony ny valahan’ireo olona tsy miantra ireo,

23 sy hanaovany famaliana ny firenena;

mandra-pandringany ny ankamaroan’ireo mpiteny ratsy an’Andriamanitra,

sy hanapatapahany ny tehim-panjakan’ny mpankahala fivavahana;

24 mandra-pamaliny ny olona, araka ny asany,

sy hamaliany ny asan’ny olona araka ny heviny;

25 mandra-pandrainy eo an-tanany ny adin’ny vahoakany,

sy hampifaliany azy amin’ny famindram-pony.

26 Tsara tamin’ny fotoana nampahoriana an’i Israely ny famindram-po,

toy ny rahona mitondra orana, amin’ny fotoana main-tany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 36

Vavaka hahafahan’i Israely sy hiarenany

1 Mamindrà fo aminay,

ry Tompo Andriamanitr’izao rehetra izao, ka jereo:

2 ary arotsahy amin’ny firenena rehetra ny fampahatahoranao.

3 Atsangano hamely ny firenen-kafa ny tananao,

ary aoka ho tsaroan’ny ainy ny herinao.

4 Araka ny nanehoanao ny fahamasinanao teo anatrehan’izy ireo namay anay,

no anehoy ny fahalehibeazanao eo imasonay,

mamay ny mpampahory anay.

5 Ary aoka ho fantatr’izy ireo, tahaka ny nahafantaranay,

fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo!

6 Avereno indray ny famantarana, ataovy indray ny fahagagana,

7 ankalazao ny tananao sy ny sandrinao ankavanana.

8 Hetseho ny haviniranao, arotsaho ny hatezeranao,

9 aringano ny mpankahala, fongory ny fahavalo.

10 Hafaingano ny fotoana, ary tsarovy ny fianianana;

ka aoka hankalazaina ny asanao lehibe!

11 Aoka holevonin’ny afo mahamay izay sendra afa-nandositra,

ary ho hitan’izay mampahory ny vahoakanao ny fahaverezana.

12 Montsàny ny lohan’ny lehiben’ny fahavalo,

izay manao hoe: «Tsy misy afa-tsy isika ihany!»

13 Angony avokoa ny fokon’i Jakôba

ka avereno aminy indray ny lova

toy ny tamin’ny voalohany.

14 Tompo ô, mamindrà fo amin’ny vahoakanao,

izay antsoina amin’ny Anaranao,

sy amin’i Israely izay nataonao toy ny lahy matoa.

15 Iantrao ny tanàna misy ny fitoeranao masina,

dia i Jerosalema fitoerana fitsaharanao.

16 Fenoy ny teny tò avy aminao i Siôna

ary ny voninahitrao, ny vahoakanao.

17 Mitsangàna ho vavolombelona

miaro an’ireo zava-boaarinao hatramin’ny voalohany

ary tanteraho ny fampanantenana nataonao tamin’ny Anaranao.

18 Valio soa ireto olona manantena Anao,

ary aoka ho hita fa tò ny teny ny mpaminaninao.

Henoy, Tompo ô, ny vavak’izay mitalaho aminao.

19 araka ny tso-dranon’i Aarôna tamin’ny vahoakanao,

ary aoka ho fantatry ny mponina rehetra eto an-tany,

fa Ianao no Tompo Andriamanitra amin’ny taona rehetra.

Mahaiza mamantatra

20 Mandray hanina isan-karazany ny vavony,

nefa misy hanina tsaratsara kokoa noho ny hafa.

21 Fantatry ny lanilany amin’ny tsirony ny henan-java-dia;

ary fantatry ny fo manan-tsaina toy izany koa ny teny mamitaka.

22 Mahatonga alahelo ny fo ratsy,

nefa mitandrin-tena aminy ny olona mahalala zavatra.

Vehivavy hofidina

23 Raisin’ny vehivavy izao karazam-bady rehetra izao,

nefa misy zazavavy tsaratsara kokoa noho ny hafa.

24 Mahamiramirana endrika ny hatsaran-tarehim-behivavy,

ary mihoatra noho ny fanirian’ny lehilahy fatratra indrindra.

25 Raha hita eo amin’ny lelany koa ny hatsaram-po

aman-kalemem-panahy,

dia tsy anisan’ny zanak’olombelona tsotra izao intsony ny vadiny.

26 Efa nahazo ny fototry ny hareny ny olona mahazo vady,

izay manana mitovy aminy sy andry hiankinany.

27 Eo amin’izay tsy misy fefy, dia lasan-ko fandrobana ny tany:

eo amin’izay tsy misy vehivavy,

ny lehilahy dia misento mirenireny.

28 Zovy moa no hatoky ny jiolahy mailaka

izay mitety tanàna ombieny ombieny?

Toy izany ny lehilahy tsy manam-ponenana;

fa izay aharivan’ny andro no andriany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 37

Sakaiza sandoka

1 Ny sakaiza rehetra samy milaza hoe: «Izaho koa sakaizanao»;

nefa misy sakaiza amin’ny anarany fotsiny.

2 Moa va tsy alahelo mila hahafaty,

raha namana aman-tsakaiza no mivadika ho fahavalo?

3 Ry hevi-dratsy ô, nivoaka avy aiza ianao,

mba hanototra fitaka ny tany?

4 Ny mpinamana mifaly amin’ny fifalian’ny sakaizany;

kanjo mivadika mamely azy izy amin’ny andro mahory.

5 Misy namana miombona alahelo amin’ny sakaizany,

mba hahavoky ny kibony.

Kanjo ny ampingany no raisiny, nony manoloana ny ady.

6 Aza manadino ny sakaizanao ao am-ponao;

ary aza manary ny fahatsiarovana azy,

ao anatin’ny harem-be.

Mpanolo-tsaina

7 Samy manoro hevitra avokoa ny mpanoro hevitra;

nefa misy manoro hevitra mikendry ny soa ho an’ny tenany.

8 Mitandrema tena amin’ny mpanoro hevitra,

ary ataovy izay hahalalanao izay mety hahasoa azy aloha; –

fa ny soa ho an’ny tenany no hanoroany hevitra. –

Mba tsy hilokàny ny aminao,

9 sy tsy hanaovany hoe: «Tsara ny lalanao»;

dia hihataka manandrify anao izy hizaha izay hanjò anao.

10 Aza maka hevitra amin’ny olona manao jery vilana anao,

ary afeno an’izay mialona anao ny fikasanao.

11 Aza maka hevitra amin’ny vehivavy, ny amin’ny rafiny;

amin’ny kanosa, ny amin’ny ady;

amin’ny mpivarotra, ny amin’ny takalo;

amin’ny mpividy, ny amin’ny varotra;

amin’ny mpialona, ny amin’ny fankasitrahana;

amin’ny olona tsy mangoraka, ny amin’ny asa fiantrana;

amin’ny kamo, ny amin’ny asa hatao na inona na inona;

amin’ny mpikarama ao an-trano, ny amin’ny famitan-javatra;

amin’ny mpanompo kamo, ny amin’ny lahasa lehibe;

aza miankina amin’ireo olona ireo, amin’ny hevitra iray akory.

12 Fa aoka ho matetika ianao no ao amin’ny olona tia vavaka,

izay fantatrao ho mpitandrina ny didy,

manana fo araka ny fonao,

ary hiaraka ory aminao, raha lavo ianao.

13 Manaraka izany dia aoka hifikitra amin’izay hevitry ny fonao ianao,

fa tsy misy olona mahatoky toa azy, ho anao.

14 Fa indraindray ny fon’ny olombelona milaza zavatra betsaka

mihoatra noho ny tily fito voapetraka hitily eo amin’ny havoana.

15 Ary amin’izany rehetra izany, mangataha amin’ny Avo Indrindra,

mba hitari-dalana anao mazava tsara.

Ny tena fahendrena sy ny fahendrena sandoka

16 Mialoha ny asa rehetra ny teny:

mialoha ny asa atao rehetra ny fandinihana.

17 Zavatra efatra no miseho ho mariky ny fiovaovan’ny fo:

18 ny tsara sy ny ratsy, ary ny fiainana sy ny fahafatesana,

ka ny lela mandrakariva no tompon’ireny.

19 Misy olona malina sy mpampianatra ny maro,

nefa tsy vanon-ko inona, raha ho an’ny tenany.

20 Maharikoriko ny olona mihambohambo ho hendry amin’ny teniny:

tsy hanan-kohanina no hiafarany.

21 Fa tsy momba azy ny fankasitrahan’ny Tompo,

satria tsy manam-pahendrena akory izy.

22 Misy hendry izay hendry ho an’ny tenany;

ary ny vokatry ny fahalalany dia azo antoka eo amin’ny molotra.

23 Ny olona hendry dia mampianatra ny fireneny,

ary azo antoka ny vokatry ny fahalalany.

24 Feno fanambinana ny olona hendry,

ary mitory azy ho sambatra izay rehetra mahita azy.

25 Voafetra ihany ny isan’ny andro iainan’ny olombelona;

fa ny andron’i Israely tsy hita isa.

26 Ny hendry dia tonga mahatoky eo amin’ny vahoakany,

ary ny anarany ho velona mandrakizay.

Fahalalana onony

27 Anaka, ny fanahinao no ilao hevitra amin’izay fomba fiainanao,

fantaro izay manimba azy, ka aza omena azy izany.

28 Fa ny zavatra rehetra na inona na inona

tsy mahasoa ny olona rehetra na iza na iza

ary tsy dia samy mahita fiadanana amin’ny zavatra rehetra avy.

29 Aza dia tsy mety afa-diana eo anoloan’izay hanim-py,

ary aza dia mianjera ihany amin-kalianana, amin’ny nahandro,

30 fa ny fihinanan-doatra mitarazo faharisarisana;

ary ny tsy fahalalana onony mitarika amin’ny areti-mandalo aza.

31 Nahafaty olona maro ny tsy fahalalana onony,

fa ny mifady no manalava ny andro iainany.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 38

Fitsaboana sy aretina

1 Omeo ny dokotera ny haja tandrify azy, noho ny filanao azy;

fa izy ihany koa dia noarîn’ny Tompo.

2 Fa ny Avo Indrindra no iavian’ny fahasitranana;

ary na ny mpanjaka aza andraisany fanatitra.

3 Manandratra ny lohany ny fahaizan’ny dokotera,

ka igagana izy, eo anatrehan’ny lehibe.

4 Ny Tompo mampahavokatra ny tany ny fanafody avy amin’ny tany,

ary ny olona manan-tsaina tsy mba manao izany tsy ho zavatra.

5 Moa tsy dia ny hazo anankirayva no nahamamy ny rano mangidy,

mba ho fantatry ny olona rehetra ny hasiny?

6 Nomeny fahaizana ny olona

hahazoany voninahitra amin’ny fanomezany mahagaga.

7 Amin’izany fanomezana izany no ampahazoan’ny olona ny fahasitranana

sy hanafahany ny fanaintainana.

8 Izany no anaovan’ny mpanao fanafody zavatra miharoharo,

ka vantany vao vita ny asany,

dia miely eto ambonin’ny tany ny fahasalamana avy aminy.

9 Anaka, raha marary ianao, aza manao ny torohevitro ho tsinontsinona,

fa mangataha amin’ny Tompo, dia hositraniny ianao.

10 Fadio ny fandikan-dalàna, ahitsio ny tananao,

ary diovy ny fonao amin’ny ota rehetra.

11 Atero ny emboka amam-panatitra lafarina;

ary mamonoa sorona matavy, tahaka ny efa raikitra fa ho faty ianao.

12 Raha efa izany ampandrosoy ny dokotera,

fa izy koa dia noarîn’ny Tompo,

ary aoka tsy hanalavitra anao izy, fa mila azy ianao.

13 Misy ihany izay ahombiazan’ny tanany,

14 fa hangataka amin’ny Tompo koa izy ireny,

mba hoekeny ny hampahazoany ny fitsaharana,

amam-pahasitranana hahalava andro fiainana ny marary.

15 Aoka izay manota eo imason’ny Mpahary azy,

no ho latsaka eo an-tanan’ny dokotera!

Fisaonana

16 Anaka, itomanio ny maty,

ary aoka ho rafitra migogogogoianao

toy ny olona mijaly mafy.

Manaraka izany, ataovy amin’ny vatanyizay fikarakarana tandrify azy,

ary aza atao tsirambina ny fandevenana azy.

17 Mamoròna ranomaso mangidy, mandefasa sento mafy,

ary manaova fisaonana, araka ny sahaza azy,

indray andro na indroa andro, mba tsy hisian’ny vava ratsy.

18 Raha efa izany, mionòna ianao, mba hampisava ny alahelo,

fa mety hiavian’ny fahafatesana ny alahelo,

ary mandreraka ny hery rehetra ny alahelon’ny fo.

19 Rehefa entina ny maty, tokony hiara-dasa aminy koa ny alahelo;

tahaka ny fiainan’ny mahantra, mifanohitra amin’ny fony.

20 Aza avela hianjadian’ny alahelo ny fonao,

roahy izy, tsarovy ny hiafaranao.

21 Aza manadino izao: tsy misy fiverenana intsony;

ny maty tsy hosoavinao; ary ny tenanao hasianao ratsy.

22 Tsarovy fa toy ny didy nahatra taminy izay hahatra aminao,

ny ahy omaly; ny anao anio.

23 Rehefa mitsahatra ny maty,

avelao hitsahatra koa ny fahatsiarovana azy;

ary mionòna ianao ny aminy, amin’ny fahalasanan’ny fanahiny.

Asa tanana

24 Ny fahendren’ny mpanoratra

dia azo noho ny fananana andro malalaka,

ary izay tsy manan-draharaha himasoana, dia tonga hendry.

25 Ahoana no hahatonga hendry ny mitondra ny angadin’omby,

izay maniry ny hampiasa ny fanindronana ho solon’ny lefona,

mampandroso ny ombiny, sy tafaharo asa amin’ireny,

ary tsy mahay miresaka afa-tsy amin’ny zanak’ombalahy.

26 Ny hanoritra asa no ilofosany amin’ny fony rehetra,

ny hampahazo vilona ny vantotr’ombivaviny no karakarainy fatratra.

27 Manao toy izany koa rehefa mety ho mpandrafitra sy mpanorina trano,

izay manohy ny raharahany andro aman’alina;

mbamin’ny mpisikotra marika amin’ny fitomboka:

ny hahasamihafa ny endri-javatra no ikelezany aina;

ny hahavita ny sary marina tsara no ilofosany tokoa,

ary ny hahatomombana ny asany no karakarainy fatratra.

28 Torak’izany ny mpanefy mipetrakaeo akaikin’ny riandriany,

sy mibanjina ny vy mbola akorany;

ny fofon’afo mampitsonika ny nofony;

nefa miaritra izy tsy mihontsana amin’ny hafanan’ny fatam-panefeny;

ny fikatrokatroky ny tantanana mankarenina ny sofina;

ary ny masony nifantoka amin’ny môdelin’ny fanaka;

ny hahalavorary ny asany no ilofosany amin’ny fony tokoa,

ny hahalambolambo azy lavorary tsara no karakarainy fatratra.

29 Torak’izany koa ny mpanao tanimanga,

mipetraka eo amin’ny asany,

sy manodina ny kodiarana amin’ny tongony:

ny asany ihany no ahiny lalandava

ary ny hahavitany izay siny voafetra no ikelezany aina mafy.

30 Ny tanany no mamolavola ny tanimanga,

ary eo anoloan’ny tongony no hanalemeny azy;

izay hahatsara ny varinesiny no ilofosany amin’ny fony tokoa,

izay hahadio ny lafaorony no karakarainy fatratra.

31 Ny tanana no ampoizin’ireo olona ireo hahavitana ny zavatra rehetra;

ary samy manam-pahaizana ny amin’ny asany avy izy ireo.

32 Raha tsy misy azy ireo ny olona dia tsy hahorina tanàna iray akory,

tsy hankany amin’ny tany hafa, na handeha hivahiny.

33 Kanefa izy ireo tsy mba ilaina eo amin’ny fivoriana

fakàn-kevitry ny vahoaka

na hahazo laza eo amin’ny fivoriana;

tsy mba hanam-pahaizana ny fanekena momba ny rariny,

tsy mba hahazo toerana eo amin’ny sezan’ny mpitsara;

tsy hivaofy ny rariny sy ny hitsiny;

ary tsy mba ho hita mamoaka oha-teny.

34 Izy ireo anefa no fototry ny zavatra ilaina momba izao fiainana izao,

ary ny asany momba ny raharahany no anaovany fivavahana.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 39

Ny mpanora-dalàna

1 Hafa noho izany izay mampiasa ny sainy,

sy mandinika ny lalàn’ny Avo Indrindra.

Mikatsaka ny fahendren’ny taloha rehetra izy,

ary ny androny malalaka dia atokany hisainana ny faminaniana.

2 Mitahiry ao an-tsainy ny filazan’ny olo-malaza izy,

ary mahatakatra ny oha-teny miolakolaka.

3 Mikaroka ny hevi-miafina amin’ny ohabolana izy,

ary mihevitra ny oha-teny misy ankamantatra.

4 Manao raharaha eo amin’ny lehibe izy;

ary miseho eo anatrehan’ny mpanapaka.

Mivahiny any an-tanin’ny firenen-kafa izy,

fa te hahalala ny soa sy ny ratsy eny amin’ny olona eny.

5 Mazoto fo tokoa izy ny mandeha vao maraina

hanatona ny Tompo nanao azy:

mivavaka eo anatrehan’ny Avo Indrindra izy;

manoka-bava hanao fivavahana,

ary mifona noho ny fahotany.

6 Raha izany no sitrapon’ny Tompo, izay lehibe,

dia ho feno fanahin’ny fahazavan-tsaina izy;

ka hamafy mikararana ny tenim-pahendrena,

ary hanome saotra ny Tompo, amin’ny fivavahany.

7 Ho hainy taritina ny fahamalinana amam-pahaizany,

ary hianatra ny misterin’Andriamanitra izy,

8 Hitory ny fahaizan’ny fampianarana izy,

ary hirehareha amin’ny lalàn’ny faneken’ny Tompo.

9 Maro no hidera ny fahazavan-tsainy,

ary tsy ho very tadidy na oviana na oviana izy;

tsy ho levona ny fahatsiarovana azy,

ary haharitra amin’ny taona mifandimby ny anarany.

10 Ny fireneny hitory ny fahendreny;

ary ny fiangonana hankalaza ny fiderana azy.

11 Raha mbola velona izy, mijoro ho malaza noho ny arivo hafa ny anarany;

ary rehefa hitsahatra indray izy, vao mainka hitombo ny voninahiny.

Miderà an’Andriamanitra

12 Mbola iriko ny hamoaka ny vokatry ny fandinihako,

satria feno toy ny volana eo amin’ny fenomanany aho.

13 Mihainoa ahy, ianareo zanaka tia vavaka, ary mitomboa

hoatra ny rôzy amoron’ny ranovelona:

14 aoka handraraka, hoatra ny emboka, ny fofonareo manitra;

ataovy mivelatra hoatra ny lisy ny voninareo.

Alefaso ny hanitrareo, ary mihirà hira fiderana,

ka mankalazà ny Tompo, noho ny asa rehetra nataony.

15 Omeo voninahitra ny anarany;

ataovy antso avo ny fiderana azy,

amin’ny hiran’ny vavanareo sy ny valihanareo,

ary ankalazao izy ataovy hoe:

16 Tsara dia tsara avokoa ny asan’ny Tompo,

ary ho tanteraka amin’ny fotoany izay rehetra efa nalahany.

17 Tsy mety ny milaza hoe: «Inona itony? Inona no asan’itony?»

fa samy hotadiavina amin’ny fotoany avy ny zavatra rehetra.

Tamin’ny teniny no niangonan’ny rano, toy ny antontan-javatra iray ihany,

ary ny tenin’ny vavany iray ihany no nisian’ny fiangonan-drano.

18 Noho ny didiny dia tonga izay tiany;

ary tsy misy mahasakana ny famonjena irahiny.

19 Eo anatrehany avokoa ny asan’ny nofo rehetra,

ary tsy misy afa-miery amin’ny masony.

20 Mahatratra hatramin’ny mandrakizay

ka hatramin’ny mandrakizay ny fijeriny,

ary tsy misy zava-mahagaga eo anatrehany.

21 Tsy mety ny milaza hoe: «Inona itony? Inona no asan’itony?»

fa noarîny hanan-toniany avokoa ny zavatra rehetra.

22 Tondraka hoatra ny ony ny fitahian’ny Tompo,

ary manondraka ny tany hoatra ny safodrano.

23 Manampatra ny hatezerany ho anjaran’ny firenena, toy izany koa izy,

tahaka ny nanaovany ny tany mando tsara ho tanin-tsira.

24 Mahitsy ny lalany ho an’ny olo-masina,

ary toy izany koa dia antom-pahalavoana ho an’ny ratsy fanahy izany.

25 Ny soa noarîna ho an’ny tsara, hatramin’ny voalohany,

ary toy izany koa ny loza ho an’ny ratsy fanahy.

26 Izao no zavatra ilaina indrindra, hiveloman’ny olombelona,

ny rano, ny afo, ny vy, ny sira,

ny lafarinam-bazaha, ny ronono, ny tantely,

ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ary ny fitafiana.

27 Zava-tsoa ireo zavatra ireo, ho an’ny olona tia vavaka;

fa miova ho loza kosa izy ho an’ny mpanota.

28 Misy rivotra hanaovana famaliana,

ka ny loza avy aminy no avoakany amin’ny fisafoahany.

Hanampatra ny heriny izy, amin’ny andro fandravana,

dia hampitony ny hatezeran’Ilay nanao azy.

29 Ny afo aman-kavandra, ny mosary mbamin’ny pesta,

dia zava-noarîna ho famaizana avokoa ireny;

30 torak’izany koa ny nifin’ny biby masiaka,

ny maingoka sy ny menarana,

mbamin’ny sabatra mpandringana mampidi-doza ny ratsy fanahy.

31 Mifaly amin’ny didin’ny Tompo ireo zava-boaary ireo;

eto ambonin’ny tany ireny vonon-ko amin’izay ilana azy,

ka rehefa tonga ny fotoana, tsy diso manatanteraka ny didiny izy.

32 Izany no naharetako tsara, tamin’ny hevitro, hatramin’ny voalohany,

ka nony efa nandinika aho, dia nanao azy an-tsoratra:

33 Tsara avokoa ny asan’ny Tompo;

ka ataony vonona amin’izay ilany azy ny zavatra rehetra ilaina.

34 Tsy misy tokony hilazana hoe: «Ity ratsiratsy kokoa noho itsy»;

fa samy ho fantatra ho tsara avokoa izy, amin’ny fotoany.

35 Ary ankehitriny, mihirà, amin’ny fo rehetra sy amin’ny vava,

ka misaora ny Anaran’ny Tompo.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 40

Ory ny olombelona

1 Ny olona rehetra dia voadidy hiharam-pahoriana lehibe;

ary jioga mavesatra no manindry ny zanak’olombelona,

hatramin’ny andro nivoahany tao an-kibon-dreniny,

ka hatramin’ny andro handevenana azy ao an-kibon’ny reny iombonany.

2 Ny manabataba ny hevitr’izy ireo sy mampatahotra ny fony

dia ny fiheverana ny zavatra ampoiziny, ny tahotra ny fahafatesana.

3 Hatramin’ny olona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao amin’ny voninahitra

ka hatramin’ny ory mipetraka amin’ny tany sy eo ambony lavenona;

4 hatramin’izay mitafy sy manao satroboninahitra,

ka hatramin’ny fadiranovana mitafy vorokitsay,

5 dia samy azon’ny hatezerana, fialonana, fitabatabana, tebiteby,

fahatahorana ny fahafatesana, hasarotam-po amam-pifandirana:

ary amin’ny fotoana ialana sasatra eo am-pandriana aza,

korontanin’ny torimaso amin’ny alina ny heviny.

6 Vao miala sasatra kely, tsy ampy toy inona akory izy,

dia kotranin’ny nofy miaraka amin’izay:

mihevitra azy ho mandry tsy aman’afo amin’ny antoandro izy,

ary tsiravina amin’ny fahitan’ny sainy,

mova tsy ny olona mandositra raha hiady.

7 Amin’ny fotoanaahafahany dia tafafoha izy,

ka gaga noho ny tahotahony foana.

8 Toy izany no manjò ny nofo rehetra,

hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby,

ary ny an’ny mpanota aza mbola mihoatra im-pito noho izany.

9 Ny pesta, ny vonoana olona, ny tsy fifanarahana, ny sabatra,

ny antambo, ny mosary, ny fandringanana mbamin’ny loza hafa,

10 dia noarîna hamely ny mpanota avokoa,

ary ny amin’izy ireo koa no nahatongavan’ny safodrano.

11 Izay rehetra avy amin’ny tany dia miverina amin’ny tany;

toy ny iverenan’izay avy amin’ny rano ho any amin’ny ranomasina.

Teny fandinika samihafa

12 Ny fanatitra aman-karena rehetra azo tsy an-drariny, ho levona,

fa ny hitsim-po haharitra mandrakizay.

13 Ny haren’ny tsy marina, ho ritra tahaka ny riaka;

sy toy ny kotrokorana mafy, manakoako mandritra ny orana.

14 Hifaly ny olona mahalala malala-tanana,

fa hiharam-pahoriana tanteraka kosa ny mpivadika.

15 Ny taranaky ny ratsy, tsy mba mitsimoka sampana maro;

ary ny faka maloto dia eo ambony vatolampy mideza.

16 Ny volotara maniry eo akaikin’ny rano sy amoron’ny ony,

no ongotana alohan’ny zava-maitso hafa rehetra.

17 Ny fanirian-tsoa dia toy ny saha voatahy,

ary ny fanaovan-tsoa mitoetra mandrakizay.

Teny fandinika

18 Mamy ny fiainan’ny olona mahavita tena sy ny mpiasa:

fa mamy noho izy roa tonta ireo ny fiainan’izay mahita rakitra.

19 Ny zanaka maro sy ny fanorenan-tanàna mampaharitra anarana,

tombanana mihoatra azy roa tonta ireo anefa ny vehivavy tsy misy tsiny.

20 Mahafaly ny fo ny divay sy ny zava-maneno,

fa mihoatra noho izy roa tonta indray ny fitiavana ny fahendrena.

21 Andrenesana feo manga ny sodina sy ny harpa:

fa mihoatra noho izy roa tonta ireo ny vava maniry soa.

22 Hafinaretan’ny masonao ny hasoam-bika sy ny hatsaran-tarehy,

fa mihoatra noho izy roa tonta ireo, ny zava-maitso eny an-tsaha.

23 Tafahaona indraindray ny sakaiza sy ny namany,

fa mihoatra noho izy roa indray ny vehivavy sy ny vadiny.

24 Ny rahalahy sy ny vonjy dia ho an’ny andro mahory,

fa manafaka mihoatra noho izy ireo indray ny asam-pitiavana.

25 Ny volamena sy ny volafotsy mahamatotra ny fandeha,

fa ny fahamalinana atao, ambony mihoatra noho ireo.

26 Ny harena aman-kerim-po manandratra ny fo,

fa ny fahatahorana ny Tompo no ambony noho ireo.

tsy manan-java-mahory ny olona raha eo aminy ny tahotra ny Tompo;

raha eo Izy tsy mila izay hiantso vonjy akory.

27 Toy ny zaridaina voatahy ny fahatahorana ny Tompo;

ary noravahan’ny Tompo voninahitra tsy misy toa azy izy.

Mpangataka

28 Anaka, enga anie ka tsy ho velon-kangataka ianao;

aleo maty toy izay mangataka.

29 Raha misy olona tafalatsaka hanandrandra ny fihinanan’ny sasany,

tsy azo isaina ho fiainana akory ny fiainany.

Fa mandoto ny fanahiny amin’ny hanin’olon-kafa izy,

nefa zavatra hofadin’ny olona mahita fianarana sy tsara taiza izany.

30 Eo am-bavan’ny olona tsy manan-kenatra, mahafinaritra ny mangataka;

nefa mandoro hoatra ny afo ao an-kibony.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 41

Fahafatesana

1 Akory ity hangidin’ny fahatsiarovana anao, ry fahafatesana,

ho an’ny velona am-piadanana ao anatin’ny hareny;

ho an’ny olona afaka ahiahy, sy ambinina amin’ny zavatra rehetra;

sady mbola afa-mankafy ny hafaliana amin’ny fihinanana.

2 Ry fahafatesana ô, mahafinaritra ny fanapahanao,

ho an’ny tsy manana, ho an’izay efa lany hery,

ho an’ny antitra efa vesaran’ny taona sy sahiran’ny ahiahy tsy hita isa,

ho an’ny tsy mionona amin’ny anjarany sy manary toky.

3 Aza matahotra ny fanapahan’ny fahafatesana:

tsarovy ireo mialoha anao, sy izay ho avy any aoriana any.

4 Fanapahana nahatran’ny Tompo amin’ny nofo rehetra izany;

ary haninona ianao no hiodina amin’ny sitrapon’ny Avo Indrindra?

na velona folo taona ianao, na zato taona, na arivo taona;

any amin’ny Seolymampaninona izay halavan’ny andro niainana.

Ny hanjò ny ratsy fanahy

5 Zanaka ratsy loatra ny zanaky ny mpanota,

izay miantrano matetika any amin’ny fonenan’ny mpankahala fivavahana.

6 Ho rava no alehan’ny lovan’ny zanaky ny mpanota,

ary fahafaham-baraka no miraikitra amin’ny taranany.

7 Faniratsirana no atolotry ny zanaka ny ray mpankahala fivavahana,

satria noho io ihany no nilatsahany amin’ny fahafaham-baraka.

8 Loza ho anareo, ry olona mpankahala fivavahana,

izay mahafoy ny lalàn’Andriamanitra Avo Indrindra!

9 Amin’ny nahaterahanareo, dia teraka ho an’ny fanozonana ianareo,

ary amin’ny fahafatesanareo, dia ny fanozonana no ho anjaranareo.

10 Izay rehetra avy amin’ny tany dia miverina amin’ny tany;

toy izany koa ny mpankahala fivavahana avy amin’ny fanozonana,

ka mankany amin’ny faharavana.

Henatra

11 Malahelo ny olona noho ny amin’ny vatany,

fa ny anara-maharikorikon’ny mpanota ho foana.

12 Tandremo tsara ny anaranao, fa haharitra ho anao izany

mihoatra noho ny rakitra volamena lehibe an’arivony.

13 Ny andro iainana amim-piadanana azo isaina,

fa ny anarana soa kosa maharitra mandrakizay.

14 Anaka, tandremo amim-piadanana ny fampianarako:

Fahendrena afenina, rakitra tsy hita;

Inona no ho asan’izy ireo?

15 Aleo olona manafina ny hadalany,

toy izay olona manafina ny fahendreny.

16 Koa manàna henatra amin’ny zavatra holazaiko izao.

fa tsy tsara ho fitahiry avokoa ny henatra rehetra,

ary tsy tsarain’ny olona araka ny marina avokoa ny zavatra rehetra.

17 Manàna henatra ny amin’ny fijangajangana,

eo anatrehan’ny ray aman-dreninao,

ary ny amin’ny lainga eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny manam-pahefana;

18 ny amin’ny heloka eo anatrehan’ny mpitsara sy ny mpifehy,

ny amin’ny fandikana ny lalàna, eo anatrehan’ny fiangonana sy ny vahoaka;

ny amin’ny tsy fahamarinana, eo anatrehan’ny namana aman-tsakaiza;

ny amin’ny halatra eo anatrehan’ny tany ama-monina.

19 Amin’ny anaran’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fanekeny,

ataovy henatra ny mitehin-kiho eo ambonin’ny mofo;

ny mihatsy eso amin’ny fandraisana amam-panomezana;

20 ny mangina eo anatrehan’izay miarahaba anao;

ny mijery vehivavy janga;

21 ny mampiamboho ny tavanao amin’ny havana;

ny maka ny anjarany sy ny fanomezana azy,

ary ny mitily vehivavy manam-bady;

22 ny mivarilena amin’ny ankizy vavinao,

ka aza mijanona eo akaikin’ny fandriany;

aoka ho menatra ny manao teny maharary eo anatrehan’ny sakaizanao ianao

ary aza mandatsa rehefa avy nanome.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 42

1 Aoka ho menatra ny manambara ny zavatra renao ianao,

sy milaza ny zavatra miafina.

Dia hanan-karena marina ianao amin’izay,

ary hahazo sitraka eo anatrehan’ny olona rehetra.

2 Aza menatra amin’ireto zavatra ireto,

ary aza resin-kenatra olona, ka manao fahotana:

Aza menatra ny lalàn’ny Avo Indrindrasy ny fanekeny,

ny teny fanamarinana ny mpankahala fivavahana,

3 ny miresaka amin’ny namana sy ny mpandalo,

ny manome soa kely ny sakaizanao,

4 ny mampiasa mizana marina sy vato marina,

ny hahazo be na kely,

5 ny tsy mifidifidy olona amin’ny varotra sy amin’ny mpivarotra,

ny mamay mafy ny zanakao,

ny mikapoka hatramin’ny manao loa-dra, ny mpanompo ratsy fanahy.

6 Amin’ny vehivavy ratsy fanahy, mety ny fitomboka,

ary rehefa misy ny tana-maro, hidio am-panalahidy ny zavatra.

7 Isao sy lanjao izay atolotrao ny olonao;

ary ataovy an-tsoratra izay omenao sy izay raisinao.

8 Aza menatra ny mananatra ny adala sy ny ketrina,

mbamin’ny anti-panahy mifanditra amin’ny zatovo.

Dia ho tena vita fianarana tokoa ianao amin’izany,

sady hankatoavin’ny olona rehetra.

Mampitebiteby ray ny zanaka vavy

9 Ahiahy takona mahazo ny rainy ny zazavavy,

ary tsy ahitany torimaso ny fiahiany azy;

raha mipetraka ho mpitovo izy sao hihoatra ny taonan’ny fahatanorany,

raha tafakambana amin’ny vadiny, sao halan-dralehilahy;

10 mbola virjiny izy, mety ho voakojikojy,

ka hanana anaka ao an-tranon-drainy;

manam-bady indray sao hivadika amin’ny lalàm-panambadiana;

miara-mipetraka aminy izy sao hitoetra ho momba.

11 Amin’ny zazavavy maditra manaova fitandremana mafy,

fandrao ianao ataony fihomehezan’ny fahavalonao,

fanoharan’ny ao an-tanàna, ambetin-dresaky ny vahoaka,

ary alany baraka eo afovoan’ny vahoaka rehetra.

Ny vehivavy

12 Aza ataonao zavatra loatra rehefa mety ho olona tsara tarehy,

ary aza mipetraka eo amin’ny vehivavy;

13 fa ny fitafiana no ivoahan’ny kalalao,

ary ny vehivavy kosa, ny haratsiam-behivavy.

14 Aleo lehilahyratsy fanahy toy izay vehivavy mpanejokejo,

fa mahasafo-kenatra sy mahafa-baraka ny vehivavy.

1. EO AMIN’NY ZAVA-BOAARY

15 Hotsahiviko izao ny asan’ny Tompo,

ary hotoriko izay hitako.

Ny tenin’ny Tompono nahavitana ny asany rehetra.

16 Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra,

asan’ny Tompo, feno ny voninahiny izy.

17 Ny olo-masinydia tsy nataon’ny Tompo mahavatra

ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany,

izay naorin’ny Tompo Tsitoha mafy,

mba ho mafy orina izao tontolo izao amin’ny voninahiny.

18 Tsapainy ny halalin’ny ranomasina sy ny fon’ny olombelona;

ary fantany ny heviny saro-pantarina indrindra.

Fa manana ny fahalalana rehetra ny Tompo;

ary hitany ny famantaram-potoana.

19 Manambara ny lasa sy ny ho avy Izy,

ary mampiharihary ny dian’ny zava-miafina.

20 Tsy misy hevitra miafina aminy,

tsy misy teny takona azy.

21 Noravahany ny asa lehiben’ny fahendreny:

talohan’ny taona rehetra Izy, ary haharitra mandrakizay;

tsy nampiana na inona na inona ny tenany,

tsy nanesorana na inona na inona,

ary tsy nila mpanolo-tsaina na iza na iza Izy.

22 Endrey, ny hatsaran-tarehin’ny asany rehetra!

ary ilay banjinin’ny olona amin’ireny anefa dia kilalaon’afo fotsiny.

23 Velona daholo ny zavatra rehetra ary maharitra mandrakizay,

ho amin’izay rehetra ilana azy;

ary manaiky ny Mpahary ny zavatra rehetra.

24 Mikambana tsiroaroaavy izy,

ny iray tandrifin’ny iray,

ary tsy nisy nataony mankamin’ny faharavana.

25 Fa ny anankiray dia antoky ny fahasambaran’ny anankiray:

iza no mety ho afa-po amin’ny fijerena ny voninahitry ny Tompo?

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 43

Ny masoandro

1 Ny reharehan’ny havoana,

dia ny habakabaka amin’ny famirapiratany madio;

ary ny endriky ny lanitra dia fahitam-boninahitra.

2 Ny masoandro, raha mipoaka izy,

mankalaza ny Tompo amin’ny fiposahany;

zava-boaary mahagaga izy, asan’ny Tompo Avo Indrindra.

3 Mitatao vovonana izy, manamaina ny tany;

iza no mahatanty ny firehitry ny hafanàny?

4 Mamelona ny afon’ny memy ny mpiasa amin’ny asa ataony;

fa manafana ny tendrombohitra intelo mihoatra noho izany ny masoandro.

Mampirehitra ny etona amin’ny rivotra izy;

ary mampanjambena ny maso, rehefa mamirapiratra ny tsirim-pahazavany!

5 Lehibe ny Tompo nanao azy,

ary didiny no ihazakazahany amin’ny fandehany.

Ny volana

6 Ny volana koa, manaraka mandrakariva ny ora voatendry ho azy,

ka manondro ny fotoana amin’ny taona, sy manambara ny ho avy.

7 Ny volana no famantarana ny fotoan’ny fety;

mihena ny fahazavany, rehefa fenomanana izy.

8 Avy aminy no ahazoan’ny volana ny anarany,

mahagaga ny fitombony, amin’ny fiovaovany samihafa.

Izy no lain’ny toby eny amin’ny havoan’ny lanitra,

mamirapiratra eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy.

Ny kintana

9 Ny hatsaran-tarehin’ny lanitra dia ny famirapiratan’ny kintana,

haingo mamirapiratra eny amin’ny havoan’ny Tompo.

10 Maharitra amin’ny filaharany ireny, araka ny didin’ny Masina,

ary tsy sasatry ny fiaretany tory izy.

Ny avana

11 Jereo ny avana, ka isaory Ilay nanao azy,

fatratra ny hatsaran-tarehiny, amin’ny famirapiratany.

12 Mandrefy ny lanitra, amin’ny faribolany mamirapiratra izy;

ny tanan’ny Avo Indrindra no nanenjana azy.

Ireo zava-mahagaga eo amin’ny voaary

13 Noho ny didiny no irotsahan’ny oram-panala,

sy mihamateti-piavy ny hela-baratra, mpanatanteraka ny fitsaràny.

14 Noho izany misokatra ny firaketany,

ary manidina toy ny vorona ny rahona.

15 Noho ny fahefany, dia omeny hery ny rahona,

ary milatsaka toy ny sila-bato ny havandra.

16 Mampihorohoro ny tany ny feon’ny kotrok’orana,

ary raha miseho izy, dia mihozongozona ny tendrombohitra.

17 Amin’ny sitrapony no itsofan’ny rivotra avy atsimo,

ifofofofoan’ny rivotra avy avaratra sy isafoahan’ny tadio.

mandatsaka oram-panala, toy ny vorona mirotsaka amin’ny tany izy;

dia midina toy ny andiam-balala mipetraka izany.

18 Ka ny maso migaga ny hatsaran’ny hafotsiany,

ary ny fo talanjona amin’ny fivarimbariny.

19 Mandatsaka ny fanala toy ny sira amin’ny tany izy,

dia hamafisin’ny hatsiaka, ho toy ny tsilo maranitra izy.

20 Rehefa mifofofofo ny rivotra mangatsiaka avy avaratra,

mihamafy ho ranomandry ny rano;

ka mivelatra tsy mihetsika manarona ny rano miangona izany ranomandry izany

ary manamafy ny rano toy ny akanjo fiarovan-tratra.

21 Mandevina ny tendrombohitra sy mandoro ny efitra ny Tompo,

ary mandrehitra ny zava-maitso, toy ny afo.

22 Izany loza rehetra izany dia ny rahona tamy faingana no fanafodiny aminy,

ny ando tonga no mampionona ny olona amin’ny hafanana mahamay.

23 Nofolahiny ny hantsanaaraka ny hevitra nokasainy,

ary namboleny eny ny nosy.

24 Tantarain’ireo mandeha ambony ranomasina ny zava-mahatahotra eny,

ka talanjona foana isika mandre ny fitantarany azy.

25 Fa ao no misy ny zava-boaary hafahafa sy mahagaga,

dia biby isan-karazany, sy karazam-bibiben-dranomasina.

26 Noho ny Tompo no izoran’ny zavatra rehetra tsara ho amin’izay hiafarany,

ary ny teniny no aharetan’ny zavatra rehetra.

27 Mahazo milaza be izahay, kanefa tsy hahatakatra azy,

fa izao ihany no ventin-teninay: Izy no zavatra rehetra.

28 Raha te hidera Azy izahay dia aiza no hahitanay hery hanaovana izany?

Mahefa ny zavatra rehetra Izy, ary ambony noho ny asany rehetra.

29 Ny Tompo dia mahatahotra, lehibe indrindra,

ary mahagaga ny fahefany.

30 Amin’ny fiderana ny Tompo, ankalazao araka izay azonao atao Izy,

fa mbola ambonimbony kokoa mandrakariva.

Mba hankalaza Azy angony avokoa ny herinareo,

ary aza miketraka, fa tsy hahatakatra Azy ianareo.

31 Iza no nahita Azy, ka hahalaza Azy?

Zovy no afa-midera Azy, araka ny tena izy?

32 Mbola betsaka no lehibe kokoa aza ny zava-mahagaga miafina,

satria zava-bitsy foana no hitantsika amin’ny asany.

33 Ny Tompo no nanao ny zavatra rehetra;

ary manome ny fahendrena ho an’ny olona tia vavaka Izy.

Categories
Ekleziastika

Ekleziastika 44

2. EO AMIN’NY TANTARA (1Mak 2,51-64; Heb 11)

Fiderana ireo razana malaza

1 Ataovintsika izao ny fiderana ny olo-malaza,

sy ny razan’ny karazantsika.

2 Nanao zava-mahagaga be voninahitra amin’izy ireo ny Tompo;

naneho ny fahalehibeazany hatramin’ny voalohany Izy.

3 Izy ireo dia mpanjaka teo amin’ny fanjakany;

lehilahy malaza noho ny fahefany,

mpanolo-tsaina feno fahendrena,

manambara ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny faminaniany;

4 Mpitarika ny vahoaka tamin’ny toroheviny amam-pahamalinany,

mpampianatra ny vahoaka, nanoro azy tamin’ny teny maneho fahendrena;

5 olona nianatra ny fahaiza-mamoron-kira masina,

sady nandatsaka an-tsoratra tantara mirindra;

6 mpanan-karena, nanam-pananana be,

nonina tao an-tranony tamim-piadanana:

7 Izany olona rehetra izany dia nohajain’ny niara-belona taminy,

samy voninahitry ny fotoana niainany avokoa.

8 Ny sasany tamin’izy ireo, namela anarana,

ka azo atao ny mitantara ny fiderana azy.

9 Ny sasany kosa dia tsy misy ahatsiarovana azy intsony;

fa levona toy ny tsy nisy akory;

nanjary toy ny tsy teraka akory,

ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy.

10 Ireo voalohany dia olona tia vavaka,

ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.

11 Raikitra ho anjaran’ny taranany ny hasambarana

ary misy lova azo antoka ho an’ny zanany.

12 Maharitra tsy mivadika amin’ny fanekena ny taranany;

mbamin’ny zanany koa noho ny amin’izy ireo.

13 Maharitra mandrakizay ny taranany,

ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.

14 Ny vatany nalevina tamim-piadanana

ary ny anarany velona amin’ny taona mifandimby.

15 Ny vahoaka mankalaza ny fahendreny;

ary ny fiangonana mitory fiderana azy.

I Enôka

16 Sitraky ny Tompo i Enôka ka nafindra;

ohatra amin’ny fivalozana, ho an’ny taranaka.

I Nôe

17 Hita fa lavorary sady marina i Nôe;

izy no avotra ho an’ny olombelonatamin’ny andron’ny fahatezerana,

hany ka mbola nisy sisa tavela tamin’ny tany,

tamin’ny nahatongavan’ny safodrano.

18 Nisy fanekena mandrakizay natao taminy,

mba tsy handringana ny nofo rehetra amin’ny safodrano intsony.

I Abrahama

19 Raza-malazan’ny firenena maroi Abrahama,

ary tsy nisy olona nitovy voninahitra taminy.

20 Nitandrina ny lalàn’ny Avo Indrindra izy,

ary nanao fanekena taminy.

Naoriny tamin’ny nofonyizany fanekena izany;

ary niseho ho mahatoky izy tamin’ny fizahan-toetraazy.

21 Ka dia nanome toky azy tamim-pianianana Andriamanitra

fa amin’ny taranany no hitahiana ny firenena;

nomeny toky fa hohamaroiny toy ny vovoky ny tany izy

sy hasandrany toy ny kintana ny taranany,

ary homeny ho lovany ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina,

hatramin’ny ony ka hatramin’ny faran’ny tany.

I Isaaka sy i Jakôba

22 Nohamafisiny toy izany tamin’i Isaaka koa noho ny amin’i Abrahama,

ny fitahiana ny firenena rehetra, sy ny fanekena.

23 Raha efa izany dia nataony mipetraka teo an-dohan’i Jakôbaizany fitahiana izany

ka nataony anton’ny fitahiany ny olona izy;

nomeny ho lovany ny tany;

24 natokotokony maro izany,

dia nozarainy tamin’ny foko roa ambin’ny folo.