Categories
Izaia

Izaia 44

Tso-drano ho an’i Israely

1 Ary ankehitriny, mihainoa, ry Jakôba mpanompoko

sy ianao, ry Israely voafidiko.

2 Izao no lazain’i Iaveh, izay nanao anao,

sy namorona anao hatrany am-bohoka, sady namonjy anao:

«Aza matahotra, ry Jakôba mpanompoko,

ry Israeliko, izay nofidiko!

3 Fa handatsaka rano amin’ny tany mangentana Aho;

sy sakeli-drano eo amin’ny tany karankaina.

Handatsaka ny fanahiko amin’ny taranakao Aho,

sy ny fitahiako amin’ny solofonao.

4 Dia haniry eo amin’ny ahi-maitso izy,

tahaka ny hazomalahelo amoron’ny rano mandeha.

5 Ny iray hilaza hoe: An’i Iaveh aho!

ny iray kosa hiantso ny anaran’i Jakôba ho fiarovana;

ny hafa indray hanoratra amin’ny tanany hoe: An’i Iaveh!

ary halainy ho fanampin’anarana, ny anaran’i Israely.»

Tokana ihany mihitsy Andriamanitra

6 Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely

sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika:

«Izaho no voalohany, ary Izaho no farany,

ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

7 Iza no tahaka Ahy? – aoka hiteny izy;

aoka hilaza izy sy hampiseho izany! –

hatrizay nanorenako ny karazan’olombelon’ny andro fahagola.

Aoka hambarany àry ny zavatra ho avy sy izay tsy maintsy ho tonga!

8 Aza taitra na matahotra foana ianareo!

Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho,

sy efa nilaza izany taminao? – Ianareo no vavolombeloko!-

Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va?

Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»

Fanarabiana ny fanompoan-tsampy

9 Zava-poana avokoa ny mpanao sampy,

ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra.

Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny,

tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.

10 Iza no namorona andriamanitra sy nanao sampy anidina,

mba tsy hahazoany soa na inona na inona?

11 Ho menatra avokoa ny mpivavaka aminy;

fa olombelona ihany ny mpanao azy!

Aoka hivory avokoa izy, ka hiseho!…

Hangovitra sy ho indray menatra avokoa izy rehetra.

12 Ny mpanefy vy miasa amin’ny fandraka,

ataony amin’ny arina mivaivay ny taozavatra,

amboariny amin’ny tantanana,

foromporoniny amin’ny sandry matanjaka izy.

Kanefa noana izy, ka indro tsy manan-kery;

tsy misotro rano, ka indro reraka.

13 Ny mpanao taozavatra amin’ny hazo manenjana ny kofehy,

manoritra ny endri-javatra amin’ny pensily,

manamboatra azy amin’ny fandraka,

mandrefy azy amin’ny kômpà.

Manao azy hanana endrik’olona,

ilay endrika tsara, izay endriky ny olombelona,

mba hamponenany azy ao an-trano.

14 misy olona mandeha hikapa sedera;

maka sena sy aoka izy;

mifidy amin’izay hazo any an’ala;

na mamboly sedera hampanirian’ny ranonorana.

15 Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany.

16 Ny antsasany dorany tamin’ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: «Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan’ny afo aho izany!»

17 Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!»

18 Tsy mahalala na mahafantatra na inona na inona izy ireo, fa voatentina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony koa, ka tsy mahazo an-tsaina.

19 Ary tsy mieritreritra ao am-pony izy,

tsy mba manan-tsaina na manam-pahalalana ka hanao anakampony hoe: Efa nodorako tamin’ny afo ny antsasany, efa nanendy mofo tamin’ny vain’afo aho, efa nanatsatsika hena aho, dia nihinana; ka ny sasan’izany va hanaovako fahavetavetana, hiankohofako eo anatrehan’izay vatan-kazo foana!

20 Voky lavenona izy; mivoana entin’ny fony voafitaka izy. Tsy hamonjy ny fanahiny izy, na hilaza hoe: «Moa tsy lainga va izay eto an-tanako?»

Fanambaràn’Andriamanitra

21 Tsarovy izany zavatra izany, ry Jakôba,

ry Israely ô, fa mpanompoko ianao!

Izaho namorona anao mba ho mpanompoko ianao;

tsy hanadino anao Aho, ry Israely!

22 Efa nolevoniko toy ny zavona ny fahadisoanao;

ary toy ny rahona ny fahotanao;

ka miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.

23 Mihobia an-kafaliana, ry lanitra, fa efa vitan’i Iaveh izany.

Mirohondrohòna, ry fanambanin’ny tany!

Ataovy maresaka ny fifaliana, ry tendrombohitra,

mbamin’ireo ala sy hazo rehetra eo aminareo:

fa I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba,

sy naneho ny voninahiny eo amin’i Israely!

Hira fifaliana

24 Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao,

izay namorona anao hatrany am-bohoka:

Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra,

Izaho irery no mamelatra ny lanitra,

sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?

25 Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga,

mahabedibedy foana ny mpimasy,

mampikoy ny olon-kendry,

ary manova ny fahaizany ho fahadalana.

26 Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko,

sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako;

ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!»

ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe:

«Hatsangana indray anie izy ireo!»

Hamboariko indray izay rava aminy.

27 Izaho no milaza amin’ny hantsana hoe:

«Tankìna! Hataoko ritra ny oninao.»

28 Ny amin’i Sirosy dia milaza Aho manao hoe:

«Mpiandry ondriko izy;

hanatanteraka ny sitrapoko manontolo izy,

hilaza amin’i Jerosalema hoe:

‹Haorina indray anie ianao!›

Sy amin’ny tempoly hoe: ‹Hatsangana indray anie ianao!› »

Categories
Izaia

Izaia 45

Tenin’Andriamanitra manasoa an’i Sirosy

1 Izao no lazain’i Iaveh, amin’ilay voahosony, amin’i Sirosy,

izay notantanako tamin’ny tanany havanana,

mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany,

sy hamaha ny fehikibon’ireompanjaka,

ary hamoha ny varavarana eo anoloany,

mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy:

2 «Izaho handeha eo alohanao,

handravona ny lalana mikitoantoana,

hanorotoro ny vavahady varahina,

ary hanapatapaka ny hidy vy.

3 Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona,

mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh,

Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.

4 I Jakôba mpanompoko, sy i Israely voafidiko,

no niantsoako anao tamin’ny anaranao;

sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala Ahy ianao.

5 Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa;

tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho!

Nampisikina anao Aho, fony ianao mbola tsy nahalala Ahy;

6 mba hahafantaran’ny olona, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany

fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!»

Fanambaràna famonjena

Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.

7 Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina;

manao ny fiadanana sy mahary ny loza;

Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.

8 Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony;

ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana toy ny ranonorana!

Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena,

ka hampitsimoka ny fahamarinana, miaraka amin’izany!

Izaho Iaveh no maharyireo zavatra ireo.

Tsy refesi-mandidy i Iaveh

9 Loza ho an’izay miady hevitraamin’ilay namorona azy,

nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy.

Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe:

«Inona ity ataonao?»

Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»

10 Loza ho an’izay manao amin-dray anankiray hoe: «Nahoana no niteraka ianao?»

na amin’ny vehivavy iray hoe: «Nahoana no velom-bao ianao?»

11 Izao no lazain’i Iaveh,

ilay Masin’i Israely sy izay namorona azy:

«Sahinareo va ny hanontany ahy ny amin’ny ho avy,

dia ny hanome didy Ahy ny amin’ny zanako sy ny asan’ny tanako?

12 Izaho no nanao ny tany,

sy nahary ny olona eo amboniny;

izaho no namelatra ny lanitra tamin’ny tanako,

izaho no mandidy ny tafika rehetra aminy.

13 Izaho no nanangana azyio, tamin’ny fahamarinako,

ka mandravona ny lalany rehetra;

Izy no hanangana ny tanànako indray,

sy hampody ny oloko voababo,

tsy amin’avotra na fanatitra,»

hoy i Iavehn’ny tafika.

Hanaraka an’i Iaveh ireo tsy mpino

14 Izao no lazain’i Iaveh:

«Ny vokatra azon’i Ejipta, ny tombony azon’i Etiôpia,

sy ny Sabeanina olona lava tsanganana,

dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao,

fa izy ireo dia hanaraka anao;

ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao,

ary hifompona aminao, hanao hoe:

Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa.

Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!»

15 Marina tokoa fa Andriamanitra miafina Ianao,

ry Andriamanitr’i Israely mpamonjy ô!

16 Menatra sy mangaihay avokoa izy rehetra,

lasa mandeha amin-kenatra ny mpanao sampy.

17 Fa i Israely kosa novonjen’i Iaveh amin’ny famonjena mandrakizay;

tsy ho menatra na hangaihay intsony ianareo,

amin’ny taona ho avy.

Miharihary ny asan’i Iaveh

18 Fa izao no lazain’i Iaveh,

Izay nahary ny lanitra,

Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany,

sy nahavita ary nampiorina azy,

ka tsy nataony zava-mifanjevo foana,

fa nataony fonenana:

«Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!

19 Tsy niteny tao amin’ny mangingina Aho,

tao amin’ny toerana maizimaizina amin’ny tany.

Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakôba Aho nanao hoe:

Aoka hitady foana anie ianareo!

Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina,

manambara ny fahamarinana.»

I Iaveh no Andriamanitry ny olona rehetra

20 Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona,

ry sisan’ny firenena izay afaka.

Tsy mahalala na inona na inona

izay mitondra ny sampy hazony,

sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.

21 Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy;

ary aoka hiara-misaina avokoa izy!

Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany,

sy manambara izany hatramin’ny ela?

Tsy izaho Iaveh va?

Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho;

Izaho no Andriamanitra marina,

ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.

22 Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo,

ianareo rehetra mponina amin’ny tany,

fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.

23 Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho;

ny marina no aloaky ny vavako,

dia ny teny iray, izay tsy hofoanana;

Ny lohalika rehetra handohalika amiko,

ary ny lela rehetra hianiana amiko.

24 Izao no hilazan’ny olona ahy: Amin’i Iaveh irery

no mitoetra ny fahamarinana sy ny hery!

Hanatona azy ny olona; fa ho menatra kosa

izay rehetra tezitra taminy.

25 Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’i Iaveh avokoa,

ny taranak’i Israely rehetra.

Categories
Izaia

Izaia 46

Hirodana i Bela

1 Mirodana i Bela, miletsy i Nebô;

ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entanany sariny.

Ireo sampy izay nentinao dia ataingina

toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.

2 Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy;

tsy nahavonjy ny entana izy;

lasan-ko babo mbamin’ny tenany aza.

3 «Mihainoa ahy, ry taranak’i Jakôba,

mbaminareo sisa rehetra amin’ny taranak’i Israely;

ianareo izay nataoko an-tsangory hatry ny fony vao teraka,

nentiko hatrany an-kibon-dreninareo.

4 Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo,

fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo.

Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo;

hanohana anareo sy hanafaka anareo.»

Tsy misy mitovy amin’i Iaveh

5 Hampitahainareo amin’iza Aho, ary ataonareo sahala amin’iza?

Hampitahafinareo amin’iza Aho ka hitovy izahay?

6 Izy ireo dia maka volamena ao an-kitapony,

mandanja volafotsy amin’ny mizàna,

ary manakarama mpanao anidina, hanao andriamanitra amin’izany,

dia miankohoka sy mivavaka.

7 Lanjainy io, tohanany,

dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany;

ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy.

Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy,

na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.

I Iaveh no tompon’ny ho avy

8 Mihevera izany, ary misehoa ho lehilahy;

ampoizy izany, ry mpiodina;

9 tsarovinareo ny zavatra lasa, tamin’ny andro taloha.

eny, Izaho dia Andriamanitra, ary tsy misy hafa.

10 Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko,

Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany,

sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela;

Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako,

ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra;

11 izay miantso ilay voromaheryavy any Atsinanana,

dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra.

Efa niteny Aho, ka hanatanteraka!

Efa nikasa Aho, ka hanefa izany!

12 Mihainoa ahy, ianareo olona madî-po,

izay lavitry ny fahamarinana.

13 Ampanakaikeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy;

ary ny famonjekotsy ho ela;

hanome famonjena an’i SiônaAho,

sy ny voninahitro ho an’i Israely.

Categories
Izaia

Izaia 47

Fitomaniana an’i Babilôna

1 Midìna, mipetraha amin’ny vovoka,

ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna;

mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana,

ry zanaka vavin’ny Kaldeanina;

fa ianao tsy hantsoina intsony hoe:

Ikala kiankianina, Ikala miangetsana.

2 Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina.

Esory ny voalinao;

akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao,

fa hita ny ony.

3 Aoka hiharihary ny fitanjahanao, aoka ho hita ny fahamenaranao!

Fa hamaly faty Aho, ka tsy misy olona hananako antra. –

4 Ny Anaran’ny Mpanavotra antsika dia Iavehn’ny tafika,

ilay Masin’i Israely! –

5 Mipetraha tsy miteny, midira ao amin’ny maizina,

ry zanaka vavin’ny Kaldeanina;

fa ianao tsy hantsoina intsony hoe:

ilay tompovavin’ny fanjakana.

6 Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho,

ka navelako hozimbaina ny lovako,

dia natolotro ho eo an-tananao izy.

Tsy nanananao antra izy;

nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.

7 Ary hoy ianao: «Tompovavy ho amin’ny mandrakizay aho!»

ka dia tsy mba nandinika izany akory ianao,

na mba nitsapa izay hiafaran’izany rehetra izany.

8 Fa ankehitriny, mihainoa, ry ilay nihantahanta,

izay nipetraka tsy nanana ahiahy akory,

sy nilaza tao am-ponao hoe:

«Izaho ity, dia izaho irery ihany!

tsy ho mpitondratena na oviana na oviana aho,

na hofoanana anaka!»

9 Kanjo ireo zava-droa ireo ho indray mianjera aminao,

tampoka, indray andro monja,

dia ny fahafoanana anaka, sy ny fananoantena,

ho tonga aminao tanteraka an-tsakany sy an-davany izany,

na dia eo aza ny hamaroan’ny odinao,

na dia eo aza ny herin’ny fankatoavanao.

10 Fa nitoky tamin’ny hafetsenao ratsy ianao,

nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy!»

Ny fahendrena amam-pahaizanao,

dia izany no nanodòka anao

raha ianao nanao anakampo hoe:

«Izaho ity, dia izaho irery ihany!»

11 Indro, ho tonga aminao ny loza,

tsy azonao sakanana;

hianjera aminao ny antambo,

tsy azonao ahodivitra,

ary hanjò anao ny faharavana tampoka,

tsy nampoizinao velively akory.

12 Aoka àry ianao haharitra amin’ny fankatoavanao,

sy amin’ireo odinao marobe,

izay nanarananao fo hatramin’ny fahatanoranao.

Soa mba mety hahita soa amin’izany ianao;

sao mba mety hampahatahotra, ianao!

13 Efa nisasatra tamin’ny fanontaniana betsaka ianao;

ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo,

izay mpandrefy ny lanitra,

sy mpandinika ny kintana,

izay manambara, isaky ny tsinam-bolana,

ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao.

14 Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary;

hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy,

amin’ny herin’ny lelafo;

fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity

na afo hitaninana eo anoloany!

15 Ho toy izany aminao ireo nanasaranao tena,

ireo nifampiraharahanao, hatramin’ny hatanoranao:

samy mipariaka amin’izay alehany avy izy,

fa tsy misy hamonjy anao!

Categories
Izaia

Izaia 48

I Iaveh irery no miasa sady Tompon’ny ho avy

1 Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba,

ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely;

nateraky ny loharanon’i Jodà,

mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh,

ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely,

nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.

2 Fa maka ny anarany amin’ny tanàna masina izy ireo,

sy miankina amin’ny Andriamanitr’i Israely,

izay mitondra Anarana hoe: Iavehn’ny tafika.

3 Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin’ny ela;

naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso;

ary tampoka Aho dia nanao,

ka tanteraka ireo zavatra ireo.

4 Noho ny fahalalako fa ianao dia mafy hatoka,

ary anjam-by ny vozonao,

sy varahina ny handrinao,

5 dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany;

nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany,

fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany;

ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»

6 Efa nandre izany ianao;

jereo fa tanteraka avokoa izy;

fa ianareo kosa, tsy hanambara izany va ianareo?

Ankehitriny mampandre anao zava-baovaoAho,

dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.

7 Vao izao no noarîna izany, fa tsy taloha;

hatramin’izao anio izao, tsy mbola nandre izany ianao,

fandrao lazainao hoe: «Indro fa efa fantatro ihany izany.»

8 Tsy mbola nandre izany ianao,

tsy nahalala izany ianao;

tsy mbola nandre izany velively ny fonao.

Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra,

ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe

mpivadika.

9 Noho ny Anarako, dia manindry ny hatezerako Aho,

ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao Aho,

mba tsy hamongorana anao.

10 Indro fa nandrendrika anao Aho,

nefa tsy nahazo volafotsy;

ary nizaha toetra anao tamin’ny memin’ny fahoriana Aho.

11 Noho ny fitiavako ny Tenako, dia noho ny

fitiavako ny Tenako no hanaovako izany;

satria ahoana no hanazimbana ny Anarako?

Tsy hafoiko ho an’ny hafa ny voninahitro.

Olon-tian’i Iaveh i Sirosy

12 «Mihainoa Ahy, ry Jakôba,

sy ianao, ry Israely, izay nantsoiko;

Izaho dia izaho ny voalohany, izaho koa no farany.

13 Ny tanako ihany no nanorina ny tany,

ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra;

izaho no miantso azy ireo,

dia tonga miaraka amin’izay izy.

14 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa:

Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany?

Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela,

ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. –

15 Izaho dia Izaho ihany no niteny sady niantso azy;

nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.

16 Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao:

Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho;

hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho;

– Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo,

maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»

Ny nokasain’i Iaveh hanaovana an’i Israely

17 Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao,

ilay Masin’i Israely:

«Izaho Iaveh, Andriamanitrao,

mampianatra anao mba hahitanao soa;

mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.

18 Enga anie ka hihaino ny teniko ianao,

dia ho tahaka ny ony ny fiadananao;

ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;

19 ho tahaka ny fasika ny taranakao;

dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao;

tsy hoesorina ny anarany,

na hovonoina eo anatrehako.»

Hira nialana avy ao Babilôna

20 «Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira ny Kaldeanina,

amin’ny hobin-kafaliana!

Torio izany, ataovy antso avo koa,

ampandreneso hatrany am-paran’ny tany!

Lazao hoe: I Iaveh efa nanavotra

an’i Jakôba mpanompony!

21 Tsy mangetaheta ireo any amin’ny efitra nitondrany azy;

fa mampiboiboika rano avy amin’ny vatolampy Izy ho an’ireo;

mampitresaka ny vatolampy Izy, dia migororoana ny rano.

Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy i Iaveh.»

Categories
Izaia

Izaia 49

Hira faharoan’ilay Mpanompon’i Iaveh

1 Mihainoa ahy, ry Nosy;

mitandrema ianareo, ry firenena lavitra!

I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka,

efa nilaza ampahibemaso ny anarako,

hatrany an-kibon’i neny.

2 Nataony sabatra maranitra ny lelako;

nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho;

nataony zana-tsipìka maranitra aho,

nafeninyteo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.

3 Ary hoy Izy tamiko: «Mpanompokoianao, ry Israely,

izay hataoko reharehako.»

4 Dia hoy kosa aho: «Foana ny nisasarako;

zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko;

fa ao amin’i Iaveh ny rariny ananako,

ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.»

5 Ary ankehitriny miteny i Iaveh,

izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony,

hampody an’i Jakôba aminy indray,

ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.

– Ary mahazo voninahitra eo imason’i Iaveh aho,

ary Andriamanitro no heriko. –

6 Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana

ny maha-Mpanompoko anao,

hanangana ny firenen’i Jakôba indray,

sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;

fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,

mba hitaran’ny famonjeko

hatramin’ny faran’ny tany.»

Ny nodiana tantaraina an-kira

7 Izao no lazain’i Iaveh,

ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely;

amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka,

mpanompon’ny mpanapaka masiaka:

«Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana;

ary ny mpanapaka, ka hiankohoka,

noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky,

sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»

8 Izao no lazain’i Iaveh:

«Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho,

ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena;

niaro anao Aho,

ary nanangana anao ho faneken’ny firenena,

hanandratra indray ny tany, hizara ny loza nosimbana;

9 hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe: ‹Mivoaha!›

sy amin’izay ao anatin’ny aizina hoe:

‹Mankanesa atỳ amin’ny mazava;›

hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana,

ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra;

10 tsy ho noana izy na hangetaheta,

tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro.

Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo,

sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.

11 Hataoko lalana ny tendrombohitra rehetra;

ary hasandratra indray ny lalako.

12 Indreo ny sasany avy lavitra,

indreo ny sasany avy any avaratra sy avy any andrefana,

ary indreo koa ireo avy any amin’ny tanin’ny Sinima.

13 Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany!

Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra!

Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany,

sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»

14 Hoy Siôna: «Nafoin’i Iaveh aho;

hadinon’ny Tompo aho!» –

15 Hanadino ny taizany va ny vehivavy,

ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony?

Na hanadino aza ny reny,

Izaho tsy mba hanadino anao!

16 Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanakoianao;

eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.

17 Ny zanakao, tamy faingana;

ry zareo nanimba sy nandrava anao, manalavitra anao.

18 Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo,

fa mivory avokoa izy ireo, manatona anao izy ireo.

Velona Aho, – teny marin’i Iaveh, –

dia hihaingoanao, toy ny firavaka, ireo rehetra ireo;

ary hisikinanao toy ny sikin’ny ampakarina.

19 Fa ny tanànanao rava, ny efitrao, ny taninao foana,

ireo rehetra ireo dia tsy ho ampy

amin’izay ho an’ny mponina eo aminao;

ary izay nandany anao, lasa lavitra!

20 Amin’izany, hiteny eo an-tsofinao

ireo zanakao nesorina taminao, hanao hoe:

«Ety loatra aho amin’ity tany ity,

ka omeo fitoerana hahazoako honenana aho;

ka ataovy izay hahazoako tany honenana.»

21 Ary ianao kosa hanao anakampo hoe:

«Iza no niteraka ireto ho ahy?

Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho,

noroahina sy nisaorana aho;

ary ireto kosa, iza no nitaiza azy?

Indro Aho nitoetra irery;

ka taiza ireto?»

22 Izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Indro Aho hanandratra ny tanako amin’ny firenena,

ary hanangana ny fanevako amin’ny vahoaka;

dia hoentiny miverina eo an-tanany ny zanakao lahy;

ary hoentiny miverina eny an-tsorony, ny zanakao vavy.

23 Mpanjaka lahyno ho mpitaiza anao

ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao;

hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo,

ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao;

dia ho fantatrao fa Iaveh Aho,

ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.

24 Fa moa alaina amin’ny mahery va ny rembiny,

ary mety ho afaka hitsoaka va ny marina lasan-ko babo?

25 Izao no lazain’i Iaveh:

Halaina aminy na ny sambotry ny mahery aza,

ary ho afaka aminy ny babon’ny mpanao an-keriny.

Fa ny mpandrafy anao, dia Izaho no hiady aminy,

ny zanakao, dia Izaho no hamonjy azy ireo.

26 Hataoko mihinana ny nofonyny mpampahory anao;

hidoroka amin’ny ran’ny tenany,

hoatra ny amin’ny divay vaovao;

dia ho fantatry ny nofo rehetra

fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao,

ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!

Categories
Izaia

Izaia 50

Vonon-kamonjy hatrany Andriamanitra

1 Izao no lazain’i Iaveh:

Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao,

nisaorako azy?

Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo?

Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany,

no nivarotana anareo;

noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.

2 Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona?

Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly?

Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy?

Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka?

Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina,

zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony,

fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.

3 Azoko tafiana fahamaintisana ny lanitra,

sy saronana amin’ny lamba fisaonana.

A – Tenin’ilay Mpanompon’i Iaveh

4 Nomen’i Iaveh Tompo,

ny lelan’ny mpianatra aho,

mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko.

mamoha isa-maraina izy;

mamoha ny sofiko izy,

mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.

5 Nosokafan’i Iaveh Tompo ny sofiko,

ary tsy mba nanohitra aho,

na nihemotra akory,

6 Natolotrotamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;

ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;

ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.

7 Fa i Iaveh Tompo namonjy ahy,

ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;

ka ny tavako nataoko manahaka ny afovato,

ary fantatro fa tsy ho menatra aho.

8 Akaiky ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy?

Aoka hifanatrika isika!

Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankatỳ amiko! –

9 I Iaveh Tompo namonjy ahy: Ka iza no hanameloka ahy?

He! ho kotikotika hoatra ny voro-damba izy rehetra,

ho lanin’ny kalalao!

B – Famporisihana hanaraka an’ilay Mpanompo

10 Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh,

sy mihaino ny feon’ny Mpanompony?

Na iza na iza mandeha amin’ny maizina,

sy tsy manana fahazavana,

aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh,

sy hiankina amin’ny Andriamaniny!

11 Fa ianareo rehetranampirehitra afo kosa,

sy mandray zana-tsipìka mirehitra ho fiadiana,

mandehana amin’ny lelafonareo,

sy eo afovoan’ny zana-tsipìka narehitrareo!

Izao no hanjò anareo avy amin’ny tanako;

hampandrina amin’ny fahoriana ianareo!

Categories
Izaia

Izaia 51

Famonjena ny zanak’i Abrahama

1 Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny marina,

izay mitady an’i Iaveh.

Diniho ny vatolampy nanendahana anareo;

sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.

2 Diniho i Abrahama rainareo;

sy i Sarà, izay niteraka anareo;

fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy.

dia notahiko sy nohamaroiko.

3 Satria efa nampionona an’i Siôna i Iaveh,

ka nampiononiny ny rava rehetra teo;

novany ho tahaka an’i Edena ny efitra teo;

ary ho zaridainan’i Iavehny tany foana tao.

Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao,

mbamin’ny hira fisaorana amam-peo mozika.

Hitsara an’izao tontolo izao i Iaveh

4 Mihainoa ny feoko, ry vahoakako,

manongilàna sofina, ry fireneko!

fa hamoaka lalàna Aho,

ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena.

5 Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko:

ary hitsara ny firenena ny sandriko;

manantena Ahy ny nosy,

ary matoky ny sandriko izy.

6 Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo,

dia ampidino ho amin’ny tany ny fijerinareo;

fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka;

ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana;

ny mponina eo aminy ho levona torak’izany koa;

fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay;

ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.

7 Mihainoa Ahy, ianareo mahalala ny fahamarinana,

ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao.

Aza matahotra izay latsan’olombelona;

na mivadi-po amin’izay fanaratsian’izy ireo.

8 Fa holanin’ny kalalao, hoatra ny fitafiana izy ireo,

ary hokotehin’ny tsindoha, hoatra ny volon’ondry.

Fa ny fahamarinako kosa haharitra mandrakizay;

ary ny famonjeko hihatra amin’ny taona rehetra.

Mifoha i Iaveh

9 Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery,

ry zandrin’i Iaveh!

Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha,

tahaka ny tamin’ny taona fahiny.

Tsy Ianao va no nitetika an-dRahabaho potipotika,

sy nitomboka ilay dragonaho gorobaka?

10 Tsy Ianao va no nahamaina ny ranomasina,

dia ny rano tao amin’ny hantsam-be.

Ka nanao ny fanambanin’ny ranomasina

ho lalana nalehan’ny navotana?

11 Koa hiverina ny navotan’i Iaveh;

dia hiditra ao Siôna amin’ny hobim-pifaliana;

firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;

ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana;

Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana.-

Mpankahery tapitra ohatra i Iaveh

12 Izaho dia Izaho no mampionona anareo;

fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty,

zanak’olombelonamihelina hoatra ny ahitra;

13 ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao,

izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany;

mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro,

eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka

rehefa mioman-kandrava anao Izy.

Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?

Ny famonjena

14 Vetivety foana, dia ho voavaha izay mitanondrika;

tsy ho faty ao an-davaka izy;

ary tsy ho diso hanina.

15 Izaho dia Iaveh Andriamanitrao,

izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany;

Iavehn’ny tafika no anarany.

16 Nataoko tao am-bavanao ny teniko,

ary noalofako tamin’ny aloky ny tanako ianao,

mba hamboly lanitra sy hanorina tany,

ary hilaza amin’i Siôna hoe: «Vahoakako ianao!»

Mifoha i Jerosalema

17 Mifohaza, mifohaza,

miarena ianao, ry Jerosalema,

izay efa nisotro ny kapoakan’ny hatezerana,

avy amin’ny tanan’i Iaveh;

izay efa nisotro sy nandany

ny kapoaka mahajenjina!

18 Tsy nisy nitari-dalana azy, na iray aza,

ny zanany naterany rehetra.

Tsy nisy nitantana azy, na iray aza,

ny zanaka notezainy rehetra.

19 Loza roa no namely anao: –

iza moa no hanao teny mangoraka anao? –

Dia ny fandravana amam-pandringanana,

ny mosary sy ny sabatra,

– hataoko ahoana no fampionona anao? –

20 Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka

eny an-joron-dalana rehetra eny,

mova tsy ny antilôpa voan’ny fandrika harato,

jenjin’ny hatezeran’i Iaveh

sy ny fandrahonan’ny Andriamanitrao.

21 Koa mihainoa izao, ry Ikala fadiranovana,

jenjina, fa tsy amin-divay!

22 Izao no lazain’i Iaveh Tomponao

sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany:

Indro efa noesoriko teny an-tananao,

ny kapoaka mahajenjina,

ny kapoakan’ny fahatezerako;

tsy hisotro izany intsony ianao, izao sisa izao.

23 Hataoko eo an-tanan’ny mpanenjika anao izany,

dia amin-dry zareo nanao taminao hoe:

«Miondreha handehananay!»

Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany,

sy toy ny lalam-be ho an’ny mpandeha!

Categories
Izaia

Izaia 52

1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna!

Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety,

ry Jerosalema tanàna masina ô!

Fa ny tsy miforasy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.

2 Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna ianao;

mipetraha ianao, ry Jerosalema;

vahao ny fatorana amin’ny vozonao,

ry voababo, zanaka vavin’i Siôna.

Ny antony nahababo ny vahoaka

3 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo;

ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo!

4 Fa izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Ny honina any no nidinan’ny vahoakako tany Ejipta fahiny;

ary tatỳ aoriana dia nampahorin’i Asora,

tsy ahoan-tsy ahoana izy.

5 Koa ankehitriny, inona no hataoko eto?

– teny marin’i Iaveh –

fa nobaboina tsy an-drariny ny vahoakako?

Ny mpifehy azy masiaka, manerona;

– teny marin’i Iaveh,-

ary ny anarako, tevatevaina tsy an-kijanona, isan’andro.

6 Koa indro, hahalala ny Anarako kosa ny vahoakako;

eny, ho fantany amin’izany andro izany,

fa Izaho miteny hoe: «Inty aho!»

Mifoha i Iaveh, mifoha i Jerosalema

7 Endrey izany hatsaran’nytongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra,

izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana;

ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena;

ilay milaza amin’i Siôna hoe:

«Manjaka ny Andriamanitrao!»

8 Ny feon’ny mpitilinao! Manandra-peo izy ireo,

miara-mihoby an-kafaliana,

satria hitany maso

ny fiverenan’i Iaveh ao Siôna.

9 Miaraha mihoby an-kafalina,

ry Jerosalema rava!

Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany,

sy efa nanavotra an’i Jerosalema.

10 Nasehon’i Iaveh ny sandrin’ny fahamarinany,

hiharihary eo imason’ny firenena rehetra.

Ary ny faran’ny tany rehetra,

hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika.

11 «Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo;

aza mikasika izay maloto.

Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo,

izay mitondra ny fanak’i Iaveh.

12 Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo,

ary tsy handositra no ho fandehanareo;

fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo,

ary ny Andriamanitr’i Israelyno ho vodilalanareo!»

Hira fahefatr’ilay Mpanompon’i Iaveh

13 Indro fa hambinina ny Mpanompoko,

hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.

14 Toy ny nigagan’ny maro nahita azy,

– fa rava endrika loatra izy,

ka ny tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony;

ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, –

15 no hampiontanany firenena maro.

Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka,

satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy,

sy handre ny tsy mbola reny.

Categories
Izaia

Izaia 53

1 «Iza no nino, izay renay,

ary iza no nanehoana ny sandrin’i Iaveh?»

2 Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo,

tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina;

tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika;

na bika namelona ny fitiavantsika.

3 Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy,

olona ory sady zatra ny fijaliana;

hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava;

natao faneso sy tsy nahoantsika velively.

4 Marina tokoa fa ny aretintsikano nentiny,

ary ny fahoriantsika no nivesarany;

ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy,

nokapohin’Andriamanitra sy naetry.

5 Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika,

notorotoroina noho ny helotsika;

nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana;

ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.

6 Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika,

samy nanaraka ny lalany avy isika;

ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa

ny helotsika rehetra.

7 Vonoina Izy, ary mandefitra,

tsy niloa-bava akory Izy;

tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina,

tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy;

tsy miloa-bava akory.

8 Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsaràna;

ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra,

fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy,

ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako?

9 Natao iray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy;

ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty,

nefa tsy mba nanao ny tsy marina,

ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.

10 Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana,

nefa rehefa voaatitry ny fanahinyny sorom-panonerana,

dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana,

ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.

11 Noho ny fijalian’ny fanahiny,

dia hahita Izy, ka ho afa-po.

Ilay marina, mpanompoko, noho ny fijaliany,

hanamarina olona betsaka,

ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.

12 Noho izanyhomeko anjara eo amin’ny lehibeIzy,

ary hiara-mizara babo amin’ny mahery;

satria nanolotra ny ainy ho faty izy,

sady natao ho isan’ny mpanao ratsy:

ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro,

sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.