Categories
Izaia

Izaia 54

Ho maro anaka i Jerosalema

1 Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka;

mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe,

ry tsy nihetsi-jaza;

fa ny zanak’ilay narianano maro,

noho ny zanak’izay manam-bady, hoy i Iaveh.

2 Halalaho ny itoeran’ny lay,

velaro ny ambaim-ponenanao,

aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao,

ary aoreno mafy ny tsima-day!

3 Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao;

ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao;

ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.

Fitiavan’i Iaveh

4 Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao;

aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao;

fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao;

ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso,

fony mpitondratena.

5 Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao;

I Iavehn’ny tafika no Anarany,

ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely,

Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.

6 Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana,

no ampodian’i Iaveh anao,

hoatra ny vadin’ny fahatanoranao efa nisaorana;

hoy ny Andriamanitrao.

7 Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao,

fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.

8 Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako

vetivety ny Tavako taminao,

fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao,

hoy i Iaveh Mpanavotra anao.

9 Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko,

nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe

tsy hiely intsony amin’ny tany:

toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao

na handrahona anao intsony Aho.

10 Na dia hihataka aza ny tendrombohitra,

ka hihozongozona ny havoana,

ny fitiavako tsy mba hiala aminao,

ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana,

hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.

Ilay Jerosalema vaovao

11 Ry Ikala ory, afotofoton’ny tafio-drivotra,

tsy manam-piononana ô;

indro Aho handatsaka ny vatonao amin’ny antimoanina,

sy hanorina anao eo ambonin’ny safira;

12 hataoko vato tsy leon-doza ny nongonongo-mandanao,

eskarbokla ny vavahadinao,

ary vatosoa avokoa ny manda manodidina anao.

13 Ho mpianatr’i Iaveh avokoa ny zanakao rehetra,

ary ho be fiadanana ny zanakao.

14 Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao;

aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana,

fa tsy manan-katahorana ianao;

ho lavitra anao anie ny fampahatahorana,

fa tsy hanakaiky anao izany.

15 Raha misy miara-mioko, tsy ho avy amiko izany;

fa iza no miara-mioko hamely anao?

Ho lavo eo anoloanao izy.

16 Indro fa Izaho no nahary ny mpanefy,

izay mifofotra ny arina mivaivay,

ka manatsoaka ny fiadiana hamboariny avy ao,

ary Izaho no nahary ny mpandrava mba handringana.

17 Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany,

ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. –

Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh;

izany no fahamarinana ho azony avy amiko.

– Teny marin’i Iaveh. –

Categories
Izaia

Izaia 55

Sakafon’ny mahantra

1 Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano,

na dia ianareo tsy manam-bola aza;

avia mividiana vary, ka mihinàna;

avia hividy tsy amim-bola,

na takalo, hividy divay sy ronono.

2 Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;

sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky?

Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara;

ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.

3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko;

mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo.

Fanekem-pihavanana

Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,

ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.

4 Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin’ny firenena;

ho mpifehy sy mpandidy ny firenena.

5 Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao,

ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo eo aminao,

noho ny amin’i Iaveh Andriamanitrao,

sy ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao.

Akaiky i Iaveh fa lehibe

6 Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy;

miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.

7 aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,

ary ny meloka amin’ny heviny;

ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo;

dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.

8 Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo,

ary ny lalanareo, tsy mba lalako.

– Teny marin’i Iaveh. –

9 Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany,

no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo,

sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

Mandaitra ny Tenin’i Iaveh

10 Tahaka ny ranonorana aman’oram-panala milatsaka

avy any an-danitra ka tsy miverina any,

raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany,

sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,

ka mampahazo voa famafy ny mpamafy,

ary hanina ho an’ny mpihinana;

11 toy izany ny Teniko izay aloaky ny vavako,

tsy miverina amiko foana izy,

fa mahatanteraka izay tiako,

sy mahatontosa izay namoahako azy.

Famaranana ny boky

12 Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo,

ary hoentina amim-piadanana;

amin’ny fahitana anananareo,

ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana,

ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.

13 Ny sipresy no haniry eo amin’izay misy tsilo,

ary ny mirta no hipoitra eo amin’izay misy hery.

Ho voninahitra ho an’i Iaveh izany,

ary tsangam-bato mandrakizay tsy horavana.

Categories
Izaia

Izaia 56

Raisin’i Iaveh ny «Prôzelita»

1 Izao no lazain’i Iaveh:

Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,

fa efa akaiky ny famonjeko,

ary efa hiseho ny fahamarinako.

2 Sambatra ny olona hanao izany,

sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany,

ka hitandrina ny sabata, tsy handika azy,

sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!

3 Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’i Iaveh tsy hanao hoe:

«Hoesorin’i Iaveh marina aho, tsy ho isam-bahoakany,»

ary aoka ny eonòka tsy hanao hoe:

«Indro hazo maina aho!»

4 Fa izao no lazain’i Iaveh amin’ny eonòka:

Izay mitandrina ny sabatako

ka hifidy izay sitrako

ary hifikitra mafy amin’ny fanekeko:

5 dia omeko fahatsiarovana sy anarana,

tsaratsara kokoa noho izay zanaka lahy sy zanaka vavy

ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy;

anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona.

6 Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’i Iaveh

mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony,

izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,

sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,

7 dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina,

sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana,

hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorona aman-tsorony:

fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana

ho an’ny firenena rehetra

8 – teny marin’i Iaveh Tompo –

izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely!

Mbola hamory ny sasany koaAho ho eo aminy,

hanampy ireo efa voavory sahady.

Ireo filoha tsy mendrika

9 Ianareo, biby any an-tsaha rehetra,

avia hihinana;

ary ianareo biby any an’ala rehetra koa!

10 Fa ny mpiambina an’i Israely jamba avokoa,

tsy mahalala na inona na inona;

amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovò;

fa manonofy, mandrimandry, tia torimaso.

11 Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky.

Mpiandry ondry izy ireo,

tsy mety mahalala na inona na inona!

Samy mandeha amin’ny lalany

araka izay mahasoa ny tenany avy,

hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.

12 «Avia ianareo, hoy izy, fa haka divay aho,

ary hiboboka zava-pisotro mahery isika;

ary ny ampitso koa toraky ny anio ihany,

dia ho andro fety lehibe dia lehibe tokoa.»

Categories
Izaia

Izaia 57

1 Lasa tsy hita intsony ny marina

nefa tsy misy misaina ao am-pony;

alaina ny olona tia vavaka,

nefa tsy misy mihevitra akory

fa noesorina ho afaka amin’ny loza ny marina,

2 ka miditra ho amin’ny fiadanana izy!

Mandry ao amin’ny fandriany,

izay nanaraka ny lala-mahitsy.

3 Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody,

ry taranaky ny mpaka vadin’olonasy mpijangajanga!

4 Iza no hanihaninareo?

Iza no isanasanànareo vava

sy itranganareo lela?

Tsy zanaky ny mpanao ratsy va ianareo,

sy taranaka mpandainga?

5 Mirehidrehitra ianareo eo ambanin’ny terebinta,

sy eny ambanin’izao hazo maitso rehetra izao!

Mamono zaza eny an-dohasaha,

ambanin’ny tsefatsefa-karambato!

Hadalan’izay mitoky amin’ny sampy

6 Ny vato kilonjyeny an-dohasahan-driaka, no anjaranao,

izany dia izany no anjaranao!

Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka,

sy notoloranao fanatitra!

Moa tsy maintsy hahafa-po Ahy va izany?

7 Nanorina ny fandrianao,

tany an-tendrombohitra avo sy manerinerina ianao!

Dia niakatra tany ianao hanao sorona.

8 Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolàm-baravarana ianao,

no nametraka ny fahatsiarovanao.

Fa lavitra Ahy ianao miala rako-dambam-pandriana,

miakatra ao sy manitatra ny fandrianao ianao,

ary nandraikitra ny tambinao tamin’izy ireo;

mankamamy ny fifamihinany aminao ianao,

mandoto ny masonao ianao.

9 Miseho eo anatrehan’ny mpanjaka ianao mitondra diloilo:

ataonao betsaka ny zava-manitrao;

alefanao lavitra ny irakao;

mietry hatrany amin’ny Seoly ianao.

10 Reraka noho ny fandehandehananao matetika ianao;

tsy mba nilaza hoe: «Aim-bery foana izany!»

Hitanao fa mbola misy hery ny tananao,

ka izany no tsy ahatsiarovanao marary.

11 Fa iza àry no atahoranao? iza no ahinao,

no dia nivadika amiko ianao,

ka tsy mba mahatsiaro Ahy,

sy tsy asianao raharaha akory Aho?

Moa tsy nangina Aho, ary efa hatry ny ela,

dia hatrizay tsy natahoranao Ahy izay?

12 Izaho no hanambara ny fahamarinanao,

ary ny asanao izay tsy mahasoa anao akory.

13 Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao

ireo antontan’andriamanitrao!

Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo,

hindaosin’ny tsotso-drivotra!

Fa izay matoky Ahy no handova ny tany,

sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.

Tononkalo fanalana alahelo

14 Ary hisy hilaza hoe:

«Savao, savao ny lalana, areno izy,

esory ny misakantsakana rehetra eo amin’ny lalan’ny vahoakako!»

15 Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra,

izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay

sy antsoina hoe ilay Masina:

Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho,

ary koa ao amin’ny olona torotoro fo

sy manetry tena am-panahy,

mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena,

sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.

16 Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho,

na hitahiry fahatezerana mandrakizay;

satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako

ny fanahy sy ny aina izay nataoko.

17 Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho

ary namely azy noho ny fahatezerako,

nefa miery tsy ho hita Aho;

ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!…

18 Hitako ny lalany ary hanasitrana azy Aho;

hitari-dalana azy, ary hamerina aminy

ny fampiononako, ho azy sy ho an’ireo malahelo eo aminy.

19 Izay manisy fiderana eo am-bava dia milaza manao hoe:

«Fiadanana, fiadanana, ho an’ny lavitra sy ny akaiky,

hoy i Iaveh, ary hanasitrana azy Aho!…»

20 Fa ny ratsy fanahy kosa, tahaka ny ranomasina manonja,

izay tsy mety mitony,

ary manakobana tany dilatra amam-potaka ny onjany.

21 Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy,

hoy ny Andriamanitro.

Categories
Izaia

Izaia 58

Fifadian-kanina

1 Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao;

ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao,

ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany,

ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.

2 Mitady Ahy isan’andro isan’andro izy ireo,

samy maniry hahalala ny lalako,

mova tsy ny firenena efa nanaraka ny rariny,

sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory.

Mangataka fitsarana marina amiko izy,

ary maniry hohatonin’Andriamanitra:

3 «Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany,

sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany?»

Amin’ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo;

ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra.

4 Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady,

ary mamely totohondry an-katezerana aza!

Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany,

tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo.

5 Moa izany va no fifadiana ankasitrahako?

Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny?

Ny miondri-doha hoatra ny zozoro,

sy mandry amin’ny lasàka sy lavenona,

dia izany va no antsoina hoe fifadiana,

sy andro ankasitrahin’i Iaveh?

6 Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa:

dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny,

ny mamaha ny fehezan’ny jioga,

ny mandefa ny ampahoriana ho afaka;

ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?

7 Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va;

sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana,

sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,

ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?

8 Amin’izany ny fahazavanao

hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,

ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;

ny fahamarinanao, hialoha lalana anao;

ny voninahitr’i Iaveh ho vodilalanao.

9 Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly;

ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!»

Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga,

ny fanambànana sy ny teny manala baraka;

10 raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,

sy mamoky ny fanahy miferinaina;

hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,

hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:

11 ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay;

sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina;

ary hanome hery ny taolanao.

Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao,

sy ho tahaka ny loharano velona,

tsy manam-paharitana.

12 Ny taranakao hanorina indray ny rava ela;

ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola;

ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga,

mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.

Ny sabata

13 Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata,

amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina,

raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana,

sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina.

Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao

sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;

14 dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany;

sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany,

sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao;

fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.

Categories
Izaia

Izaia 59

Salamo

1 Indro fa tsy ny tanan’i Iaveh no fohy ka tsy mahavonjy,

tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare;

2 fa ny helokareo no nanisy efitra

mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo;

ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany

tsy hihainoany anareo.

3 Satria ny tananareo voaloto tamin’ny ra;

ary ny rantsan-tananareo tamin’ny heloka.

Ny molotrareo miteny lainga;

ny lelanareo milaza teny ratsy.

4 Tsy misy mitory olona ara-drariny,

na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny;

fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany;

torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.

5 Mikotrika atody menaranaizy,

sy manenona tranon-kala:

izay mihinana amin’ny atodiny, ho faty;

ary raha potsirina izany, dia menarana no mivoaka avy ao.

6 Ny tenona ataony tsy azo itafiana;

ary ny taozavany tsy azo irakofana;

fa asa mahameloka ny asany,

ary asa mandoza no ao an-tanany.

7 Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy,

sy mimaona handatsaka ny ra tsy manan-tsiny;

ny heviny dia hevitra mahameloka;

fandravana amam-pandringanana no eo amin’ny alehany.

8 Tsy mahalala ny lalan’ny fiadanana izy;

ary tsy mba misy hitsiny eo amin’ny lalany;

fa lala-miolakolaka no soritany haleha,

ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana.

9 Noho izany, nanalavitra antsika ny fitsarana marina,

ary tsy tonga hatraty amintsika ny fahamarinana.

Miandry ny mazava isika, kanjo ny haizina no indro eo;

miandry ny fahazavan’ny andro, kanjo mandeha amin’ny maizina ihany.

10 Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika,

miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso;

tafintohina amin’ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva;

eo afovoan’ny olona matanjaka isika dia sahala amin’ny olona maty.

11 Manerona hoatra ny orsa avokoa isika;

ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromahailala;

miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy,

miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany.

12 Fa ny fiodinany, efa maro eo anatrehanao;

ary ny fahotanay, mitsangan-ko vavolombelona mamely anay;

eny, eto anatrehanay ny fiodinanay,

ary fantatray ny helokay:

13 dia ny nivadika sy nandà an’i Iaveh,

nihataka nanalavitra ny Andriamanitray,

niteny fampahoriana amam-pikomiana;

namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!…

14 Ka dia nihataka ny rariny,

ary lavitra anay eny ny fahamarinana;

fa tafintohina eo an-kianja malalakany fahamarinana,

ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny:

Sombin’Apôkalipsa

15 Lasana ny fahamarinana,

ka baboina izay mifady ny ratsy.

Hitan’i Iaveh izany ka tsy sitraky ny masony,

ny tsy fisian’ny hitsiny intsony.

16 Hitany fa tsy nisy olonateo,

ary gaga izy fa tsy nisy nanalalana akory.

Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy Azy,

ary ny fahamarinany no nanohana Azy.

17 Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy,

ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany;

ny famaliana no nataony akanjo fiadiana,

ary nihodidina tamin’ny fahasaro-piaro, toy ny amin’ny kapaoty izy.

18 Hifandanja amin’ny asa natao ny valy,

dia hatezerana ho an’ny mpandrafy Azy, valim-bonoana ho an’ny fahavalony,

hanao valim-bonoana amin’ireo nosy Izy.

19 Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh,

ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny;

fa ny fiaviny ho toy ny ony maria,

hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh.

20 Ho avy izy ho Mpanavotraho an’i Siôna,

sy ho an’ny ao amin’i Jakôba, izay hibebaka amin’ny helony;

– teny marin’i Iaveh. –

Tenin’Andriamanitra

21 Ary Izaho kosa,

dia izao no fanekekoamin’izy ireo,

hoy i Iaveh:

Ny Fanahiko izay ao aminao,

sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao,

dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao,

sy eo am-bavan’ny zanakao,

ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao,

hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.

Categories
Izaia

Izaia 60

Hitsangana mamirapiratra i Jerosalema

1 Mitsangàna, ka mamirapiràta! fa miposaka ny fahazavanao;

ary miposaka eo aminao, ny fahazavan’i Iaveh.

2 Indro ny haizina fa manarona ny tany,

ary ny haizim-pito manarona ny firenena;

fa i Iaveh kosa no miposaka eo aminao

ary ny voninahiny miseho eo aminao.

3 Mandroso ho amin’ny fahazavanao ny firenena,

ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanaony mpanjaka.

4 Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo,

izy rehetra mivory mankatỳ aminao;

ny zanakao lahy tamy avy lavitra;

ny zanakao vavy entina an-trotroana.

5 Hahita izany ianao amin’izay ka ho miramirana;

hibitaka sy hiravoravo ny fonao,

fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina;

ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.

6 Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany

mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efahianao;

ny any Sabà rehetra ho avy,

hitondra volamena sy emboka manitra,

ary hitory ny fiderana an’i Iaveh.

7 Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara;

hozakainao ny ondralahin’i Nabaiôta,

hiakatra ho fanatitra ankasitrahina eo ambony ôteliko ireny,

ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitrao.

8 Iza moa ireto manidina hoatra ny rahona,

sy hoatra ny voromahailala ho eo amin’ny tranony?

9 Fa Izaho no antenain’ny nosy;

ary ny sambon’i Tarsisa no ho lohalalana;

hamerina hankatỳ ny zanakao avy lavitra,

mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany,

ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao,

sy ilay Masin’i Israely, satria efa nomeny voninahitra ianao.

10 Ny taranaky ny firenen-kafa, no hanangana ny mandanao,

ary ny mpanjakany ho mpanomponao.

Satria nikapoka anao tamin’ny hatezerako Aho,

fa mamindra fo anao, amin’ny fitiavako kosa.

11 Hivoha lalandava ny vavahadinao,

tsy hirindrina izy na andro na alina,

hampidirina ny haren’ny firenena ho ao aminao,

mbamin’ireo mpanjakany mova tsy ny manotrona ny mpandresy.

12 Fa ho velona ny firenena amam-panjakana tsy hanompo anao,

hofongorana mihitsy izany firenena izany.

13 Ho indray tonga ao aminao ny voninahitr’i Libàna,

ny sipresy, ny platàna, ny boîsa,

handravahana ny fitoerako masina,

dia hataoko be voninahitra ny fitoerana hipetrahan’ny tongotro.

14 Ny zanak’ireo mpampahory anao

ho tonga ao aminao, sady hiondri-doha,

ary izay rehetra naniratsira anao koa hiankohoka amin’ny tongotrao;

ary ianao hantsoina hoe, ny Tanànan’i Iaveh,

ilay Siônan’ilay Masin’i Israely.

15 Ianao izay efa nariana teo

sy nankahalaina ary nanirery,

dia hataoko reharehan’ny taona rehetra,

sy fifalian’ny taranaka rehetra.

16 Hitsentsitra ny rononon’nyfirenena ianao,

sady hitsentsitra ny nonon’ny mpanjaka,

dia ho fantatrao fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao,

ary ilay Maherin’i Jakôba no Mpanavotra anao.

17 Volamena no hampankanesiko atỳ ho solon’ny varahina;

sy volafotsy no havantako atỳ ho solon’ny vy;

sy varahina ho solon’ny hazo;

ary vy ho solon’ny vato;

ny fiadanana no hataoko mpitondra anao,

ary ny fahamarinana no ho mpifehy.

18 Tsy ho re eo amin’ny taninao intsonyizay hoe fampahoriana;

na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin’ny faritaninao;

ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena,

ary ny vavahadinao: i Fiderana.

19 Ny masoandrotsy ho fanazavana anao amin’ny andro intsony;

ary ny fisomambisambin’ny volana tsy hitsilo anao intsony;

fa i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao,

ary ny Andriamanitrao no ho voninahitrao.

20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao,

ary tsy hihataka intsony ny volanao.

Satria i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao

ary ho tapitra ny andron’ny fisaonanao.

21 Tsy hisy afa-tsy olo-marina eo amin’ny vahoakanao,

ary hanana ny tany mandrakizay izy ireo;

dia izy ireo solofo namboleko,

asan’ny tanako, noarîna ho voninahitro.

22 Ny vitsy indrindra ho tonga arivo;

ary ny kely indrindra ho firenena mahery.

Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy.

Categories
Izaia

Izaia 61

Asa anirahana ny mpaminany

1 Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo,

satria voahosotr’i Iaveh aho;

nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra,

hamehy ny ferin’ireo torotoro fo;

hampandre ny babo fa afaka

sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;

2 hitory taom-pahasoavanaanankiray ho an’i Iaveh,

sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika;

hampionona ny tra-pahoriana rehetra.

3 Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna

sy hanasatroka azy ny satroboninahitra

ho solon’ny lavenona,

diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana

akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po;

dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’nyfahamarinana,

volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.

4 Amin’izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela;

hanarina indray ny sisan’izay voafongotra fahiny;

hamboatra ny tanàna simba,

mbamin’ny korontan-javatra rava tamin’ny taona lasa.

5 Ho eo ny vahiny, hiandry ny biby fiompinareo;

ny zanaky ny hafa firenena,

ho mpiasanareo sy mpamboly voalobokareo.

6 Fa ianareo kosa hataon’ny olona hoe:

«mpisoron’i Iaveh.»

sy hantsoin’ny olona hoe: «Mpandraharahan’ny Andriamanitsika.»

Hihinana ny haren’ny firenena ianareo;

hihaingo amin’ny zavatra kanto avy aminy,

ary hitafy ny fiamboniana nananany.

7 Ho solon’ny henatrareo taloha,

dia anjara roa no horaisinareo,

ary ho solon’ny fahafaham-baraka,

dia hifaly amin’ny anjarany avy izy ireo,

ka dia hahazo anjara roa eo amin’ny taniny izy ireo,

dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.

8 Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny,

halako ny fandrobana atao amim-pamadihana;

homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy,

ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.

9 Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena;

ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa.

Izay hahita azy hahalala azy avokoa,

fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.

10 Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho,

ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko,

satria notafiany fitafiam-pamonjena aho,

ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana,

toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany;

toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

11 «Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy,

toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy

no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana,

sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.»

Categories
Izaia

Izaia 62

Tononkalo faharoa fiderana an’i Jerosalema tafatsangana indray

1 Noho ny amin’i Siôna tsy hangina aho,

ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho,

mandra-piposaky ny fahamarinany,

hoatra ny hazavan’ny maraina;

sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny,

hoatra ny fanilo.

2 Hahita ny fahamarinanao ny firenena,

hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra,

ka hantsoina amin’ny anaram-baovaoianao,

izay hofidin’ny vavan’i Iaveh.

3 Ho satroboninahitra eo an-tanan’i Iaveh ianao,

sy ho hamàman’andriana, eo an-tanan’ny Andriamanitsika.

4 Tsy hisy intsony hanao anao hoe «i Nafoy»;

ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe «i Faharinganana.»

Fa ny hiantsoana anao dia hoe «I Ankasitrahiko»;

ary ny taninao «i Vady ampakarina».

Satria i Iaveh hankasitraka anao;

ary ny taninao hahazo vady.

5 Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny,

no hampakaran’ny zanakao anao;

ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra,

no hamalifalianao ny Andriamanitrao.

6 Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema,

no efa nametrahako mpiambina;

ka tsy hangina intsony ireny,

na andro na alina.

7 O ry zareo mpampahatsiaro an’i Iaveh ô,

aza mitsahatra ianareo;

ary aza avelanareo hitsahatra Izy,

mandra-panangany an’i Jerosalema indray,

sy mandra-panaony azy ho fideran’ny tany.

8 I Iaveh efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana

sy tamin’ny sandriny mahery hoe:

«Ny varinao tsy homeko

hohanin’ny fahavalonao intsony,

ary tsy hosotroin’ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao,

vokatry ny fisasaranao.

9 Fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy,

ka hidera an’i Iaveh;

ary izay hioty ny voam-boaloboka ihany no hisotro azy,

eo amin’ny kianjan’ny fitoerako masina».

10 Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo,

areno ny lalan’ny vahoaka.

Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy;

manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.

11 Izao no nambaran’i Iaveh,

hatrany amin’ny faran’ny tany:

«Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe:

Indro, avy ny Mpamonjy anao;

ny valisoa homeny efa eny aminy;

ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.

12 Izy ireo hantsoina hoe: ‹Firenena masina,›

‹Ny navotan’i Iaveh›;

ary ianao kosa hantsoina hoe: ‹Ilay irina›,

‹Tanàna tsy foy› ».

Categories
Izaia

Izaia 63

Tononkalo Apôkalipsa momba ny famalian’Andriamanitra ny nataon’i Edôma

1 Iza moa ity avy any Edôma,

avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra?

Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany,

mijoro amin’ny haben’ny heriny.

– Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana,

sady manan-kery hamonjy.

2 Nahoana no misy mena ity fitafianao,

ary tahaka ny an’izay manosy eo amin’ny famiazam-boaloboka ny akanjonao?

3 Nanosy irery teo amin’ny famiazam-boaloboka aho,

fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko,

ny avy amin’ny firenena.

Dia nanosy azy ireo aho, nentin’ny hatezerako,

ary nanitsakitsaka azy aho nentin’ny fahavinirako;

nipitika tamin’ny akanjoko ny ranony,

ka voalotoko avokoa ny fitafiako.

4 Satria andro famaliana no tato am-poko;

ary efa tonga ny taom-panavotana.

5 Nijery aho fa tsy nisy olon-kanampy;

talanjona aho fa tsy nisy olon-kanohana.

Ka dia ny sandriko no namonjy ahy,

ary ny hatezerako no nanohana ahy.

6 Nentin’ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena;

nataoko leon’ny fahavinirako izy ireo;

ary nataoko nandriaka tamin’ny tany ny rany.

7 Hankalazaiko ny famindram-pon’i Iaveh,

ny fiderana an’i Iaveh,

noho izay rehetra efa nataon’i Iaveh ho antsika,

noho ny hatsaram-pony lehibe amin’ny taranak’i Israely,

izay nasehony azy araka ny fiantràny

sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.

8 Fa hoy Izy: «Eny, oloko izy ireo,

zanaka tsy mba hivadika!»

Ka dia Mpamonjy ho azy ireo Izy.

9 Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy,

ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo.

Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony

dia ny Tenany no nanavotra azy ireo;

nanohana sy nivimbina azy,

nandritra ny andro rehetra fahiny.

10 Izy ireo kosa anefa niodina sy nampalahelo

ny Fanahiny Masina;

ka dia tonga fahavalon’izy ireo Izy tamin’izay,

ary ny Tenany no niady tamin’ireny.

11 Dia nahatsiaro ny andro fahiny, ny andron’i Môizy, ny vahoakany!

Aiza Ilay nitondra niakatra avy tamin’ny ranomasina,

ny mpiandry ny andian’ondriny?

Aiza Ilay nametraka teo amin’izy ireo,

ny Fanahiny Masina,

12 izay nampandeha, teo ankavanan’i Môizy,

ny sandriny be voninahitra,

izay nampisaraka ny rano teo anoloany,

hahazoany anarana mandrakizay;

13 izay nampandeha azy namaky ny hantsana

ka tsy tafintohina,

tahaka ny soavaly mamaky ny tany lava volo,

14 tahaka ny biby fiompy midina ho eny an-dohasaha?

Notarihin’ny fanahin’i Iaveh ho amin’ny fitsaharana izy.

Toy izany no nitarihanao ny vahoakanao,

mba hahazoanao anarana be voninahitra.

15 Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere,

eny amin’ny fonenanao masina sy be voninahitra.

Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao,

ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao?

Niato izany raha ny amiko.

16 Ianao anefa no Rainay;

fa i Abrahama tsy mahalala anay,

ary i Israely tsy mahafantatra anay.

Ianao, Iaveh, no tianay;

Mpanavotra anay no Anaranao, hatrizay ela izay.

17 Nahoana izahay, ry Iaveh ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao,

ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao?

Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao

sy ny fokon’ny lovanao!

18 Ny vahoakanao masina nizaka ny tany andro kely foana;

ny fitoeranao masina efa nohitsakitsahin’ny fahavalony.

19 Izahay hatry ny ela,

no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory,

sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao.

Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina,

– dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!