Categories
Izaia

Izaia 64

1 Tahaka ny afo mampirehitra ny hazo maina,

tahaka ny afo mampangotraka ny rano;

mba hampahafantaranao ny fahavalonao, ny Anaranao,

ka hangovitan’ny firenena eo anatrehanao,

2 amin’ny fahavitanao zava-mahatahotra, tsy azo nampoizina;

endrey raha midina Ianao dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!-

3 zavatra izay mbola tsy re tsaika akory!

Tsy mbola nisy sofina nandre, tsy nisy maso nahita,

izay andriamanitra hafa manao toy izany,

ho an’ny manantena azy, afa-tsy Ianao.

4 Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana,

izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao.

Fa izao tezitra Ianao, ary meloka izahay;

– sady efa ela no toy izany: hovonjena va izahay?

5 Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto;

ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto.

Malazo toy ny ravina avokoa izahay,

ary ny helokay, mipaoka anay toy ny rivotra.

6 Tsy nisy olona niantso ny Anaranao,

nifoha mba hifikitra aminao.

Fa nafeninao taminay ny Tavanao,

ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.

7 Fa ankehitriny, Iaveh ô, Rainay Ianao;

tanimanga izahay, ary Ianao no ilay nanefy anay;

asan-tananao avokoa izahay rehetra.

8 Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh,

ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay.

Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!

9 Ireo tanàna masina, tonga efitra;

i Siôna zary efitra,

i Jerosalema, tany maty.

10 Ny tranonay masina sy be voninahitra,

izay nankalazan’ny razanay ny fiderana Anao,

efa nodoran’ny afo,

ary ny zavatra maminay rava avokoa.

11 Ka dia mbola hahatsindry fo ihany va Ianao

amin’izany rehetra izany, ry Iaveh?

Mbola hangina ihany va Ianao sy hampijaly anay mafy indrindra?

Categories
Izaia

Izaia 65

Fanesoana ny fanompoan-tsampy-Toriteny momba ny farandro

1 Nekeko hotadiavin’izaytsy nangataka ahy aho,

nety ho hitan’ireo tsy nitady ahy aho;

Hoy aho: «Inty aho, Inty aho!»

tamin’ny firenena izay tsy nitondra ny anarako.

2 Namela-tanana tontolo andro aho,

mankamin’ny vahoaka niodina,

mankamin’ireo mizotra amin’ny lalan-dratsy,

araka izay sitraky ny sainy;

mankamin’ny vahoaka mihaika ahy,

3 tsy an-kijanona sy manatrika,

izay manao sorona eny amin’ny zaridaina,

mandoro emboka eny ambony biriky;

4 mitoetra any anaty fasana,

ary mandany ny alina any am-pierena,

mihinana hena kisoa,

mbamin’ny hanina maloto eo an-doviany;

5 manao hoe: «Mihataha ianao!

Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho!»

Ireny dia setroka eo am-bavoroko,

afo mirehitra mandrakariva.

6 Indro fa voasoratra eo anatrehako:

Tsy hangina aho mandra-pamaliko,

mandra-pamaliko ao an-tratran’ireny,

7 ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo,

hoy i Iaveh,

ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra,

sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana;

hafatrako ao an-tratrany,

ny valin’ny fitondran-tena nataony.

8 Izao no lazain’i Iaveh:

Raha misy ranom-boaloboka eo amin’ny sampahony,

dia hoy ny olona mahita azy: «Aza simbàna,

fa misy fitahiana ao;»

toy izany koa no hataoko, noho ny amin’ny mpanompoko,

mba tsy handrava azy rehetra.

9 Hamoaka taranaka avy amin’i Jakôba Aho,

sy mpandova ny tendrombohitro, avy amin’i Jodà,

ka ny voafidiko no hahazo azy,

ary ny mpanompoko no honina eo.

10 Ary i Sarôna no hatao vala ho an’ny ondry,

ary ny lohasahan’i Akora no hatao tany fiandrasana omby,

ho an’ny oloko, izay nitady Ahy.

11 Fa ianareo kosa izay nahafoy an’i Iaveh,

sy nanadino ny tendrombohitro masina,

fa mamela-databatra ho an’i Gada,

ary mameno kapoaka ho an’i Menì,

12 atolotro ho an’ny sabatra ianareo,

ka hiondrika hovonoina avokoa.

Satria miantso Aho, tsy novalianareo,

niteny Aho, fa tsy nohenoinareo;

fa izay ratsy eo imasoko no nataonareo,

ary izay tsy sitrako no nofidinareo.

13 Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo ho noana;

ny mpanompoko hisotro, fa ianareo hangetaheta.

Ny mpanompoko hiravoravo, fa ianareo hangaihay;

14 ny mpanompoko hihira noho ny hafalian’ny fony,

ianareo kosa hikiakiaka noho ny fahorian’ny fonareo;

sy hidradradradra noho ny fangitakitaky ny fanahinareo;

15 ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko;

ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo;

fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.

16 Na iza na iza te-hotahina eto an-tany,

dia hitady hotahin’ny Andriamanitry ny fahamarinana;

ary na iza na iza hianiana eto an-tany,

hianiana amin’ny Andriamanitry ny fahamarinana.

Fa ny fahoriana taloha hohadinoina,

sy ho lasa tsy ho hitan’ny maso intsony.

17 Fa indro mahary lanitra vaovao

sy tany vaovao Aho,

ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony,

na ho mby ao an-tsaina akory aza.

18 Aoka hifaly kosa ianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay,

noho izay efa hoarîko:

fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana,

sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.

19 Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho,

sy ho ravoravo amin’ny vahoakako.

Ka tsy misy ho re ao intsony,

na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.

20 Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana,

na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny;

fa mbola maty tanora ihany ny maty amin’ny fahazato taonany,

ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.

21 Hanao trano izy, dia izy no honina ao;

hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.

22 Fa tsy hanao trano honenan’ny hafa izy,

na hamboly hihinanan’ny sasany.

Fa hanahaka ny an’ny hazo ny andron’ny oloko;

ary hahatonta ny asan’ny tanany ireo voafidiko.

23 Tsy hanasa-tena foana intsony izy;

na hiteraka ho faty tampoka foana;

fa ho taranaka ambinin’i Iaveh izy ireo

mbamin’ny solofony miaraka aminy.

24 Alohan’ny hiantsoany dia hamaly aho;

mbola hiteny izy, dia efa ekeko ny teniny.

25 Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-miraotra vilona,

ny menarana hihinam-bovoka;

ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby;

ary ny tany no hiveloman’ny bibilava.

Ary tsy hisy ratsy na fanimbana hatao,

eo amin’ny tendrombohitro masina manontolo, hoy i Iaveh.

Categories
Izaia

Izaia 66

Tenin’Andriamanitra

1 Izao no lazain’i Iaveh:

Ny lanitra no seza fiandrianako;

ary ny tany no fitoeran-tongotro.

Ka trano inona no hataonareo ho Ahy,

ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?

2 Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa;

ka izany no nahatonga azy ho misy;

– teny marin’i Iaveh.-

Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena

sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.

Tsy azo afangaro ny fivavahana

3 Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona;

izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika;

izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa;

izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy.

Tahaka ny ifidianany ny lalany,

sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,

4 toy izany koa aho hifidy ny fampahoriana azy

sy hampianjera amin’izy ireo ny zavatra atahorany,

satria miantso Aho, fa tsy nisy namaly;

niteny Aho, fa tsy nohenoin’izy ireo;

izay ratsy eo imasoko no nataony;

ary izay tsy sitrako no nofidiny.

Tononkalo Apôkalipsa

5 Mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ianareo izay mangovitra amin’ny teniny:

Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo,

sady nandroaka anareo noho ny amin’ny Anarako, nanao hoe:

«Aoka hasehon’i Iaveh ny voninahiny,

mba hahitanay ny fifalianareo!»

Kanefa izy ireo no ho menatra.

6 Injany misy kotroka sy hahohaho avy any amin’ny tanàna,

ary horakoraka avy ao an-tempoly!

dia ny feon’i Iaveh,

mandoa ny karaman’ireo fahavalony izany.

7 Mbola tsy nihetsi-jaza izy, dia efa niteraka;

mbola tsy nanaintaina akory, dia efa velon-jazalahy!

8 Zovy no mba efa nandre izay toy izany,

zovy no mba efa nahita izay tahaka izany.

Misy tany iray teraka indray andro va?

na firenena iray natao indray niteraka?

no vao nihetsi-jaza i Siôna

dia niteraka ireo zanany?

9 Hanokatra ny fiterahana va Aho, ka tsy hampiteraka?

hoy i Iaveh;

sa Izaho izay mampiteraka indray no hisakana tsy hiteraka?

hoy ny Andriamanitrao

10 Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo,

ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy.

Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa,

ianareo nitomany azy;

11 mba hinonoanareo sy hivokisanareo,

amin’ny nonon’ny fampiononany;

ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana,

ny hafenoan’ny voninahiny.

12 Satria izao no lazain’i Iaveh:

Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony,

sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka;

ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina,

ary hosafosafoina eo am-pofoana.

13 Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo,

no hanalako alahelo anareo,

ka dia ho afaka alahelo ao Jerosalema ianareo.

14 Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo,

ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo.

Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy,

sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany.

15 Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo;

ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio,

hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana,

sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda.

16 Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana,

ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra;

ary maro no ho voagorobak’i Iaveh.

Fanoherana ny fivavahana amin’ny sampy

17 Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly,

eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany,

izay mihinana hena kisoa

sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy,

dia hiara-devona avokoa, – teny marin’i Iaveh.-

18 Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo!

Lahateny momba ny farandro

Tonga ny fotoana hamoriana

ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra.

Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,

19 ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho.

Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena,

any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka,

Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra,

tsy mbola nandre ny lazako akory,

na nahita ny voninahitro;

dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo.

20 Ny rahalahinao rehetra dia naverin’izy ireo,

avy amin’ny firenena rehetra,

ho fanatitra ho an’i Iaveh;

haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana,

mitaingina mole aman-drameva,

ho ao amin’ny tendrombohitro masina,

ho any Jerosalema, hoy i Iaveh,

toy ny itondran’ny zanak’i Israely ny fanatitra

ao anaty lovia, any an-tranon’i Iaveh.

21 Ary misy halaiko aza amin’izy ireo,

ho mpisoronasy Levita, hoy i Iaveh.

22 Fa tahaka ny lanitra vaovao,

sy ny tany vaovao efa hoarîko,

haharitra eo anatrehako, – teny marin’i Iaveh,-

no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.

23 Isaky ny voalohan’ny volana isaky ny voalohan’ny volana,

sy isan-tsabata isan-tsabata,

ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra,

hoy i Iaveh.

24 Ary rehefa nivoaka izy ireo,

dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko;

fa ny kankan’irenytsy ho faty

ny afony tsy hovonoina,

ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.

Categories
Jeremia

Jeremia 1

Lohateny

1 Tenin’i Jeremia zanak’i Helkiasy, iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.

2 Natao taminy ny tenin’i Iaveh tamin’ny andron’i Josiasa, zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona faha-13 nanjakany;

3 sy tamin’ny andron’i Jôakima, zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny farany taona faha-11, nanjakan’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema, tamin’ny volana faha-5.

Ny niantsoana an’i Jeremia

4 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

5 «Efa fantatro talohan’ny namoronana anao

tao am-bohoka ianao,

ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao,

dia efa nohamariniko;

notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.»

6 Dia hoy izy:

«Indrisy, Iaveh Tompo ô,

tsy mahay miteny aho fa zaza.»

7 Fa hoy Iaveh tamiko:

«Aza manao hoe: ‹Zaza aho›,

fa handeha ho any amin’izay rehetra anirahako anao ianao,

ary hilaza izay rehetra handidiako anao.

8 Aza manana izay tahotra akory ianao

eo anatrehan’izy ireo,

fa momba anao hamonjy anao Aho,»

– teny marin’i Iaveh! –

9 Dia naninjitra ny tanany i Iaveh,

ka nanendry ny vavako, ary hoy i Iaveh tamiko:

«Indro ataoko eo am-bavanao ny teniko;

10 ary indro aho anio manendry anao,

ho eo amin’ny firenena amam-panjakana,

hanongotra sy hanjera,

hamery sy handrava,

hamboly sy hanorina.»

11 Dia izao no tenin’i Iaveh natao tamiko:

«Inona no hitanao, ry Jeremia?»

Ary hoy aho:

«Mahita rantsan’ny amandieaho.»

12 Ka hoy i Iaveh tamiko:

«Nahita tsara ianao, fa mahatsiaro

ny tenikoaho, hanatanterahako azy.»

13 Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

«Inona no hitanao?»

Ary hoy aho:

«Mahita vilany mangotrakaaho;

ary avy any amin’ny lafiny avaratra no iaviany.»

14 Ka hoy i Iaveh tamiko:

«Avy any avaratra no hiroatan’ny loza

hanjò ny mponina rehetra amin’ny tany.

15 Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra

amin’ny fanjakana any avaratra,

– teny marin’i Iaveh. –

Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany

eo am-pidiran’ny vavahadin’i Jerosalema,

eo anoloan’ny mandany rehetra manodidina,

ary eo anoloan’ny tanànan’i Jodà rehetra.

16 Dia hamoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy ireo Aho,

noho ny haratsiany rehetra, fa nandao Ahy izy ireo,

dia nanolotra emboka tamin’andriamani-kafa,

ary nivavaka tamin’ny asan-tanany.

17 Fa ianao kosa: misikìna,

mitsangàna ary lazao aminy

izay rehetra handidiako anao.

Aza mangovitra eo anatrehany,

fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao.

18 Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda,

andry vy ary manda varahina,

eo anatrehan’ny tany rehetra,

eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà,

sy ny mpanapaka eo aminy,

eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.

19 Hiady aminao izy ireo,

nefa tsy hahefa na inona na inona aminao,

satria momba anao Aho,

hamonjy anao Aho; – teny marin’i Iaveh.-»

Categories
Jeremia

Jeremia 2

Toriteny tany am-piandohana: nivadika tamin’Andriamanitra i Israely

1 Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2 «Mandehana, ataovy antso avo ho ren’i Jerosalema

izao teny izao:»

Izao no lazain’i Iaveh:

«Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko,

fony ianao mbola tanora,

ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady;

dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra,

tany amin’ny tany tsy famafazana.

3 Fahizany i Israely dia ilay zavatra voatokana ho an’i Iaveh,

dia ilay voaloham-bokany,

ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka,

ka nozoin-doza, – teny marin’i Iaveh. –

4 Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry taranak’i Jakôba,

mbaminareo rehetra, fianakavian’ny taranak’i Israely.»

Izao no lazain’i Iaveh:

5 «Inona no tsy marina, hitan’ny zanakareo tamiko,

no dia nihataka tamiko izy,

ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?

6 Izy ireny tsy mba nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh,

izay nitondra antsika niakatra avy any amin’ny tany Ejipta,

nitari-dalana antsika tany an’efitra,

tany amin’ny tany ngàzana sady vaky hentana,

tany amin’ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana,

tany amin’ny tany tsy falehan’olona,

tsy onenan’olona?›

7 Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa

no nitondrako anareo,

mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy.

Kanjo nony tafiditra ianareo nolotoinareo ny taniko,

ary nataonareo fahavetavetana ny lovako.

8 Ny mpisorona tsy nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh?›

ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy:

ny mpitondra, nivadika tamiko;

ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala,

ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.

9 Koa mbola hifandahatra aminareo Aho –

teny marin’i Iaveh, –

ary hifandahatra amin’ny zanaky ny zanakareo.

10 Fa mità àry eny amin’ireo nosin’i Setimaka mijere;

maniraha ho any Sedara, ka mandiniha tsara;

dia jereo raha mba misy izay toy izao any.

11 Moa misy firenena manakalo ny andriamaniny va?

– nefa ireny aza tsy Andriamanitra akory!…

Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny,

amin’izay tsy mahasoa na inona na inona!

12 Talanjòna amin’izany, ry lanitra,

mangovita sy mangorohoroa mafy ianareo,

– teny marin’i Iaveh. –

13 Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako:

Nafoiny Aho,

Izaho loharanon’ny rano velona,

ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra,

tsy mahatan-drano

14 Andevo va i Israely? Ompikely va izy?

Ka ahoana àry no itondrana azy toy ny babo?

15 Mierona hamely azy ny liona tanora,

sy miloa-peo mafy,

ka mahatonga ny taniny ho lao.

Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony.

16 Ny taranak’i Nôfa sy i Tafnesaavy

no nanabory ny lohanao.

17 Izany no mahazo anao,

moa tsy dia noho ianao nahafoy an’i Iaveh Andriamanitrao,

tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana?

18 Ary ankehitriny, inona no ataonao any amin’ny lalana mankany Ejipta,

handeha hisotro ny ranon’i Nila?

Ary inona ny ataonao eny amin’ny lalana mankany Asiria,

handeha hisotro ny rano amin’ny Ony?

19 Ny haratsianao no mamely anao,

ary ny fiodinanao no manafay anao.

Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana,

ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao,

sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory,

– teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. –

20 Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny jioganao,

sy nanitosanao ny fatoranao,

ka nanaovanao hoe: ‹Tsy hanompo intsony aho!›

Teny amin’ny havoana manerinerina rehetra,

sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra teny,

no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.

21 Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka

tsara indrindra,

avy amin’ny fototra tena tsara avokoa.

Ka ahoana no dia niovanao amiko,

ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana?

22 Eny, na dia handro amin’ny sirahazo aza ianao,

ka hataonao betsaka ny siravondrona,

mbola ho voaloto eo anatrehako ihany ianao noho ny fahotanao,

– teny marin’i Iaveh. –

23 Ahoana no hilazanao hoe: ‹Tsy nandoto tena aho,

tsy nandeha nanaraka an’ireo Baala aho?›

Zahao ny dian-tongotrao ao amin’ny Lohasaha,

ka mieke ny nataonao!

Rameva vavy faingan-tongotra, mifanapaka mankatsy mankarỳ ny diany,

24 ampondra vavy dia, zatra efitra:

manimbolo ny rivotra izy, noho ny firehetan’ny filàny;

iza no hahasakana azy tsy hiarana amin’izay iriny?

Tsy hisasatra akory izay rehetra mitady azy,

fa mahita azy amin’ny volany.

25 Tandremo mba tsy hiala kapa ny tongotrao,

ary mba tsy ho maina ny tendanao!

Nefa hoy ianao: ‹Tsy hisy antony tsinona!

Tsia, fa ny hafa tiako,

ka hanaraka an’ireny aho!›

26 Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana

no fangaihain’ny taranak’i Israely,

dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny,

ny mpisorony ama-mpaminaniny,

27 izay manao amin’ny hazo hoe: ‹Ianao no raiko›;

sy amin’ny vato hoe: ‹Ianao no niteraka ahy.›

Fa ny lamosina no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany,

ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy:

‹Mitsangàna, ka vonjeo izahay!›

28 Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao?

Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao

amin’ny andron’ny fahorianao.

Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao,

ry Jodà.

29 Ahoana no ifandaharanareo amiko?

Nefa efa niodina tamiko avokoa ianareo,

– teny marin’i Iaveh.-

30 Ny nikapohako ny zanakareo, foana;

fa tsy nahazo anatra tamin’izany akory izy ireo;

ny zavatrareo nandevona ny mpaminaninareo,

hoatra ny liona mpandripaka.

31 Taranaka ahoana re ianao izany e!

Diniho ny tenin’i Iaveh:

Moa tany efitra ho an’i Israely va Aho,

moa tany maizim-pito va?

Nahoana ny vahoakako no manao hoe:

‹Efa afaka izahay,

ka tsy hiverina aminao intsony?›

32 Manadino ny firavany va ny zazavavy,

sy manadino ny fehinkibony ny fofom-bady?

Ny vahoakako kosa anefa nanadino Ahy,

hatramin’ny andro efa tsy hita isa!

33 Akory izany fahaizanao mandamina ny lalanao

raha hitady fitia!

Noho izany na ny heloka aza,

ataonao zatra ny lalanao.

34 Hatreny amin’ny rambon-dambanao eny,

no ahitana ny ran’olo-mahantra tsy manan-tsiny;

tsy azonao manamy trano izy ireo,

nefa izany zava-drehetra izany no namonoanao azy.

35 Dia hoy ianao: ‹Tsy manan-tsiny aho;

efa afaka tokoa ny fahatezerany tamiko.›

Indro hifandahatra aminao Aho,

amin’ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho!

36 Mba maika loatra ianao hanova ny lalanao!

Hataon’i Ejipta mahazo henatra ianao,

toy ny nahazoanao henatra tamin’i Asiria.

37 Avy any ianao dia hiverina,

miloloha tanana;

satria nolavin’i Iaveh ry zareo itokianao,

ka tsy hahomby ianao miankina amin’ireo.»

Categories
Jeremia

Jeremia 3

Fibebahan’i Israely

1 Teny fanao ny hoe: Raha misy lehilahy misao-bady,

ary rehefa nilaozany io,

dia tonga vadin’olon-kafa ravehivavy;

moa hiverina aminy indray va ralehilahy io?

Tsy ho tena voaloto mihitsy va izany tany izany?

Ary ianao, dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro,

– teny marin’i Iaveh, –

ka hiverina amiko indray va ianao?

2 Andrandrao amin’ny havoana ny masonao, ka jereo:

Taiza no tsy nandotoana anao?

Nipetraka eny an-dalambe eny ianao mba ho azy ireo,

mova tsy ny Arabo any an’efitra!

Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao,

dia efa nandotoanao ny tany;

3 ka voasakana ny oram-pararano

tsy nisy ny oran-dohataona.

Nefa handrim-behivavy janga ny anao,

ka tsy nety nahalala menatra ianao.

4 Ary ankehitriny kosa izao manko no lazainao amiko:

«Ry Raiko ô, ianao ilay sakaizan’ny fahatanorako.

Ho tezitra mandrakariva va izy,

hitahiry fahatezerana mandrakizay va izy?

5 Izany no lazainao,

nefa mbola manao ratsy ihany ianao,

sady mahatanteraka izany.»

Antsoina hibebaka i Israely any Avaratra

6 Izao no lazain’i Iaveh tamiko,

tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka:

«Hitanao va ny nataon’i Israelympiodina?

Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy,

sy teny ambany hazo maitso rehetra teny

ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»

7 Dia hoy aho: «Hiverina amiko izy,

rehefa avy nanao izany rehetra izany!»

Kanjo tsy niverina izy.

I Jodà, mpivadika, rahavaviny, dia nahita izany koa.

8 Ary hitako fa izany fitolorana tena amin’ny hafa izany,

no nisaorako an’i Israely mpiodina,

sy nanomezako azy taratasy fisaorana:

nefa tsy natahotra akory i Jodà, mpivadika, rahavaviny,

fa lasa nitolo-tena tamin’ny hafa mbamin’izy koa aza.

9 Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany,

ary nitolo-tena hiraiki-po tamin’ny vato aman-kazo izy.

10 Ary na izany rehetra izany koa aza i Jodà mpivadika, rahavaviny,

tsy niverina tamiko, tamin’ny fony rehetra,

fa tamim-pitaka fotsiny, – teny marin’i Iaveh.-

11 Ary hoy i Iaveh tamiko:

I Israely ilay mpiodina no niseho ho marinaihany,

raha miolotra amin’i Jodà ilay mpivadika.

12 Koa mandehana,

ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo,

amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe:

Miverena, ry Israely mpiodina, – teny marin’i Iaveh –

Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo,

fa mamindra fo Aho – teny marin’i Iaveh –

ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.

13 Mieke anefa ny hadisoanao,

satria niodina tamin’i Iaveh Andriamanitrao ianao,

ka nandehandeha foana tany amin’ny tany hafa,

teny ambany hazo maitsonao teny,

fa tsy nihaino ny feoko ianareo, – teny marin’i Iaveh. –

Ilay vahoaka mesianîka ao Siôna

14 Miverena, ry zaza mpiodina, – teny marin’i Iaveh, –

fa Izaho no Tomponareo;

ary halaiko ianareo, ny iray ao amin’ny tanàna iray,

ary ny roa amin’ny fianakaviana iray;

ka hoentiko any Siôna.

15 Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo,

izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.

16 Ary rehefa mitombo

sy mihamaro amin’ny tany ianareo,

amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, –

amin’izany tsy hisy intsony ny hilaza hoe:

«Ny fiaran’ny faneken’i Iaveh!»

tsy ho mby ao an-tsaina akory izany,

tsy hisy hahatsiaro na ho manina an’izany intsony,

na hanao anankiray hafa indray.

17 Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe:

«ny seza fiandrianan’i Iaveh!»

Ary ny firenena rehetra hivory

ao Jerosalema,

amin’ny Anaran’i Iaveh,

fa tsy hanaraka

ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.

18 Amin’izany andro izany, hiara-mandeha

ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely,

ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra,

ho ao amin’ny tany nomeko ho lovan’ny razanareo.

Tohin’ny tononkalo momba ny fivavahana

19 Ary izaho nanao hoe:

Ahoana no hametrahako anao, eo amin’ireo zanako,

sy homeko tanim-pahafinaretana ianao,

dia izay soa indrindra eo amin’ny firenena mba ho lovanao?

ary hoy Aho: «Hiantso ahy hoe Raiko, ianao,»

sady tsy hitsahatra ny hanaraka Ahy.

20 Kanefa kosa, toy ny ivadihan’ny vehivavy amin’ny sakaizany

no niodinanareo tamiko,

ry taranak’i Israely, – teny marin’i Iaveh. –

21 Misy feo mihahohaho any amin’ny fitoerana avo,

dia fitomanian’ny zanak’i Israely mifona;

fa nanimba ny lalany izy ireo,

nanadino an’i Iaveh Andriamaniny. –

22 Miverena, ry zaza mpiodina,

fa hositraniko ny fiodinanareo. –

Indreto izahay manatona Anao,

fa Ianao no Iaveh Andriamanitray.

23 Eny, zava-poana teny amin’ny havoana

teny an-tendrombohitra ny horakoraka

mankalaza ny sampy.

Fa amin’i Iaveh Andriamanitsika ihany

no misy ny famonjena an’i Israely.

24 Efa levon’ny fahavetavetan’ny sampy ny fahatanorantsika,

ny vokatry ny fisasaran’ny razantsika,

ny ondry aman’ombiny,

ny zanany lahy aman-janany vavy.

25 Aoka isika handry eo amin’ny fahafaham-barakantsika,

sy horakofan’ny henatra isika;

fa samy efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitsika,

na isika na ny razantsika,

hatramin’ny fahatanorantsika ka mandrak’androany;

sady tsy nihaino

ny feon’i Iaveh Andriamanitsika.

Categories
Jeremia

Jeremia 4

1 Raha te-hiverina ianao, ry Israely,

– teny marin’i Iaveh –

dia miverena amiko.

Ka raha esorinao tsy ho eo anatrehako ny fahavetavetanao,

dia tsy hirenireny foana intsony ianao!

2 Ary raha ianao mianiana hoe: Velona i Iaveh! ka amim-pahamarinana

sy hitsiny ary rariny no ianiananao,

dia holazain’ny firenena, fa Izy no hanambina azy ireo

ary Izy no hireharehan’izy ireo.

3 Fa izao no lazain’i Iaveh

amin’ny olona ao Jodà sy Jerosalema:

Asao ny tany vaonareo,

ary aza mamafy amin’ny tsilo.

4 Miforà ho an’i Iavehianareo,

ary ny fonareo no forao,

ry olona ao Jodà, sy ry mponina ao Jerosalema,

fandrao hipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako,

ka handoro, ary tsy hisy olona hamono azy,

noho ny haratsian’ny ataonareo.

Fanafihana avy any Avaratra

5 Torio any Jodà, ary ambarao any Jerosalema,

lazao, mitsofa anjomara ao amin’ny tany,

ary manaova antso avo, ka lazao hoe:

Mivoria ianareo, ary andao hiditra amin’ny tanàna mimanda!

6 Manangàna saina, manandrify an’i Siôna,

mandosira ianareo, aza miatoato akory!

Fa avy any Avaratra Aho dia hahatonga loza

amin’antambo lehibe.

7 Misy lionamiantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny,

ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day,

niala tamin’ny fitoerany

hampanjary efitra ny taninao;

ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.

8 Noho izany misikìna lamba malailay ianareo;

mitomania sy midradradradrà;

fa ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh,

tsy nihodivitra antsika.

9 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, –

ny mpanjaka ama-mpifehy ho rera-po,

ny mpisorona hiraviravy tanana,

ary ny mpaminany ho kepoka foana.

10 Ary hoy aho: «Indrisy, Iaveh Tompo ô,

nofitahinao izany ity firenena ity,

sy i Jerosalema, fony ianao nanao hoe:

‹Hahazo fiadanana ianareo›;

kanjo sabatra ity, no hamono mahafaty!»

11 Amin’izany andro izany, dia hilazana

ity firenena ity sy i Jerosalema hatao hoe:

Misy rivo-mahamay avy any amin’ny havoana any an’efitra,

eo amin’ny lalana mankany amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako,

ka tsy hikororohana na hanadiovana;

12 rivotra mahery noho ny mahapaoka mololo no tonga mankamiko.

Ary amin’izao dia izaho kosa indray no hamoaka

ny teny fitsarana momba azy ireo.

13 Indro izy miakatra toy ny rahona;

tahaka ny tadio ny kalesiny;

miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny.

Loza ho antsika fa ringana isika ity!

14 Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao,

mba hovonjena ianao;

mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao

ao am-ponao?

15 Fa misy feo avy any Dana, ka manambara,

hatrany an-tendrombohitr’i Efraimaizy no milaza ny loza ho avy.

16 Ampandreneso ny firenena izany;

ambarao azy ireo ny lozan’i Jerosalema.

Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra,

manao akoralava hamely ny tanànan’i Jodà.

17 Hoatra ny mpiandry saha izy ireo manodidina an’i Jerosalema,

satria niodina tamiko izy, – teny marin’i Iaveh. –

18 Izany no tamby,

valin’ny fitondran-tena aman’asa ratsinao;

izany no vokatry ny haratsiam-panahinao, ka mangidy!

Eny, mihatra amin’ny fo izany!

19 Ny kiboko re! ny kiboko re!

mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana!

Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho,

fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara,

ny akoran’ady.

20 Fandravana mitongoa fandravana no ambara;

fa rava ny tany rehetra.

Rava tampoka ny laiko,

raha indray mihelina monja ny trano laiko.

21 Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva,

sy handrenesako ny feon’anjomara?…

22 Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako!

Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo;

zaza tsy misy saina,

sy tsy manam-pahalalana izy,

ka ny manao ratsy no mahakinga azy;

fa ny manao soa tsy fantany akory.

23 Mijery ny tany aho,

ka inty izy tsy misy endrika sady foana;

nijery ny lanitra aho, ka tsy nanam-pahazavana intsony izy.

24 Mijery ny tendrombohitra aho, ka mihozongozona izy;

ary ny havoana rehetra mivembena avokoa.

25 Mijery aho, ka indro ny olona tsy nisy teo;

ary ny voromanidina rehetra efa nandositra.

26 Mijery aho, ka ny sahan-kazo mamoa zary efitra;

ary ny tanànany rehetra, rava avokoa eo anatrehan’i Iaveh.

27 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Ho lao ny tany rehetra,

kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy.

28 Noho izany ny tany misaona,

ary ny lanitra any ambony mihamainty,

satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany,

ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.

29 Vao re ny feon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka,

dia vaky nandositra avokoa ny tanàna;

mitsofoka any anaty ala,

mananika ny vatolampy ny olona.

Nilaozany avokoa ny tanàna,

tsy misy mponina intsony.

30 Inona indray no hataonao, ry ilay noravana?

Na dia hiakanjo jaky aza ianao,

ka hiravaka haingo volamena

sy hitentina ny manodidina ny masonao,

dia foana ny fanaovanao izay hahatsara tarehy anao;

fa manamavo anao ireo lehilahinao,

ny ainao no tadiaviny halàna.

31 Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza,

tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany,

dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna;

fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe:

«Loza no manjò ahy, maty ny aiko,

azon’ireo mpamono olona!»

Categories
Jeremia

Jeremia 5

Anton’ny fanafihana

1 Tetezo ny lalana ao Jerosalema,

ka jereo, fotory;

savao eny amin’ny kianjany

raha sendra mahita olona iray ao ianareo,

raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny

sy mitady ny hitsiny,

dia hamindra fo amin’ny tanàna aho.

2 Na dia amin’ny teniny manao hoe: «Velona i Iaveh!» aza,

dia mianiana tsy tò izy.

3 Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao?

Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy;

nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy;

nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany,

tsy nety nibebaka izy.

4 Ary hoy aho kosa nanao hoe: «Ny ankizy ihany izany.

Manao tahaka ny adala izy, fa tsy mahalala ny lalan’i Iaveh izy ireo,

sy ny lalàn’ny Andriamaniny.

5 Ka ry zareo lehibe no halehako, ireo no hitenenako;

Fa ireo no mahalala ny lalan’i Iaveh,

sy ny lalàn’ny Andriamaniny…»

Kanjo ireo koa, samy efa nanapaka jioga

sy nanito fatorana avokoa!

6 Noho izany ny liona avy any an’ala mamely azy;

ny amboadia avy any an’efitra mandringana azy;

ny pantera mamitsaka eo anoloan’ny tanànany,

ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa;

satria efa maro ny hadisoany,

ary efa betsaka ny fiodinany.

7 Ahoana ange no hamindrako fo aminao?

Ny zanakao, nahafoy Ahy,

sady mianiana amin’izay tsy Andriamanitra.

Izaho namoky azy, izy kosa nitolo-tena tamin’ny hafa;

mandeha manao andiany, ho any an-tranon’ny vehivavy janga.

8 Lahin-tsoavaly tsara fahana mikarenjy izy ireo,

ka samy maneno amin’ny vadin’ny namany avy.

9 Koa tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany!

– teny marin’i Iaveh, –

ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako?

10 Aniho ny mandany ka ravao,

fa aza levonina avokoa;

esory ny sakeliny,

fa tsy an’i Iaveh ireny!

11 Satria efa nivadika tamiko,

ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà,

– teny marin’i Iaveh. –

12 Efa nandà an’i Iaveh izy, ka nanao hoe:

«Tsy misy Izy,

ka tsy hisy loza hanjò antsika;

tsy hahita sabatra na mosary isika.

13 Ny mpaminany, rivotra foana,

fa tsy misy miteny ao anatin’izy ireo»;

ka ny tenan’izy ireo ihany no aoka hozoin’izany.

14 Noho izany, izao koa no lazain’i Iaveh,

Andriamanitry ny tafika:

«Noho izany vava ataonao izany,

indro ny teniko hataoko toy ny afo no eo am-bavanao;

ary ity vahoaka ity ho kitay hazo;

ka holevonin’izany afo izany.

15 Inty Aho mitondra hamely anareo

firenena iray avy lavitra,

ry taranak’i Israely, – teny marin’i Iaveh;

firenena mahery izy io, firenena fahagola,

firenena tsy hainao fiteny,

ary tsy fantatrao izay lazainy.

16 Fasana misokatra ny tranon-jana-tsipìkany;

lehilahy mahery avokoa izy.

17 Holanìny ny haninao amam-bokatrao;

holanìny ny zanakao lahy aman-janakao vavy;

holanìny ny ondry aman’ombinao;

holanìny ny voalobokao aman’aviavinao;

horavany amin’ny sabatra ny tanànanao mimanda

izay nitokianao.»

Fanampiny roa

18 «Nefa na dia amin’izany andro izany aza,

– teny marin’i Iaveh, –

tsy dia hofongorako avokoa ianareo.

19 Ary raha tahiny ianareo manao hoe:

Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay?

Izao no lazainao aminy:

Toy ny nahafoizanareo ahy,

hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo,

no hanompoanareo olon-kafa,

eo amin’ny tany tsy anareo.»

Raha misy mosary

20 «Ambarao izao amin’ny taranak’i Jakôba

ary torio amin’i Jodà araka izao teny izao:

21 Henoinareo àry izao, ry firenena adala sy tsy misy fo,

mana-maso izy fa tsy mahita;

manan-tsofina fa tsy mandre!

22 Tsy hatahotra Ahy va ianareo, – teny marin’i Iaveh;

tsy hangovitra eo anatrehako va ianareo?

Izaho no nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina,

dia fefy mandrakizay tsy hihoarany!

Mitopatopa ny onjany, fa tsy afaka izy;

mirohondròhona izy, fa tsy afa-mihoatra azy.

23 Fa ity vahoaka ity manana fo maditra sy miodina;

mihataka izy dia lasa.

24 Fa tsy mba manao anakam-po hoe:

Aoka isika hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika,

izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha orana

sy ny fara orana, amin’ny fotoany avy,

sady mitandrina ho antsika ireo herinandro

voatendry ho fararano.

25 Ny helokareo no nanakorontana izany filaminana izany;

ny fahotanareo no nanala izany soa izany taminareo.»

Iverenana ny lohahevitra

26 «Fa misy ratsy fanahy amin’ny vahoakako;

mamitsaka toy ny mpamandri-borona mijoko izy,

mamela-pandrika izy, ka mahazo olona.

27 Toy ny tranom-borona feno vorona,

no mahafeno fitaka ny tranony.

Amin’izany izy, tonga lehibe sy manan-karena;

28 mihamatavy mandimandina izy ireo.

Mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy izy;

tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an’ny

kamboty…nefa ambinina ihany!

tsy manome hitsiny ny mahantra.

29 Tsy hasiako saziny va izany heloka izany?

– teny marin’i Iaveh;

ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako!…

30 Zava-betaveta sy mahatsiravina

no atao amin’ny tany.

31 Ny mpaminany, maminany lainga,

ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo;

ary ny vahoakako mankasitraka izany!

Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»

Categories
Jeremia

Jeremia 6

Fanafihana indray

1 Mandosira, ry taranak’i Benjamina,

hiala ao afovoan’i Jerosalema.

Mitsofa anjomara any Tekoà,

ary manangàna famantarana any Betakarema!

Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.

2 Ilay tsara tarehy, sy fatra-piangola,

ilay zanaka vavin’i Siôna, horavako!

3 Tonga mitondra ny andian’ondriny ho ao aminy, ireo mpiandry ondry,

ka hanorina ny lainy manodidina azy;

dia samy homam-bilona amin’ny faritaniny avy.

4 Atombohy ny adyhamelezana azy;

mitsangàna, andeha isika hananika azy amin’izao antoandro be izao!

Loza ho antsika fa efa mirerarefa ny andro,

efa mandroso ny aloky ny hariva.

5 Mitsangàna andeha hanaovantsika latsaka alina,

dia horavantsika ny lapany!

6 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Kapao ny hazony;

manaova tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema;

io no tanàna hovaliana,

fa tsy misy afa-tsy faharatsiana ao anatiny.

7 Toy ny fantsakana mampiboiboika ny ranony izy,

mampiboiboika ny faharatsiany.

An-keriny amam-pandravana no hàny re ao;

fery aman-dratra no eo anatrehako eo mandrakariva.

8 Mihatsarà ianao, ry Jerosalema

fandrao ialàn’ny fanahiko ianao,

ka ataoko zary efitra,

tany tsy onenana.

9 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Hotsimponina hoatra ny fitsimpona voaloboka,

izay sisa amin’i Israely.

Averimbereno eo ny tananao,

toy ny ataon’ny mpioty amin’ny rantsam-boaloboka.

10 Iza no hitenenako, ary zovy no hiangaviako hihainoany ahy?

Indro fa tsy voafora ny sofin’izy ireo,

ka tsy mahahaino izy.

Indro fa tonga fahafaham-baraka ho azy ireo ny tenin’i Iaveh,

ka tsy ankasitrahiny kely akory.

11 Izaho anefa, efa feno ny fahatezeran’i Iaveh,

ka sasatra ny mitana izany.

Aidino amin’ny ankizy eny an-dalambe izany,

sy eo amin’ny fivorian’ny zatovo!

Fa samy hosamborina avokoa na lahy na vavy,

na ny antitra sy ny efa ela niainana.

12 Ny tranony ho lasan’ny hafa;

ny sahany mbamin’ny vadiny torak’izany koa.

Fa haninji-tanana

amin’ny mponina amin’ny tany Aho, – teny marin’i Iaveh. –

13 Satria hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe

samy manao filàna tsy marina avokoa;

hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona

samy mamitaka avokoa.

14 Ataotaony foana ny fitsaboana ny ferin’ny zanaka vavin’ny vahoakako,

lazainy hoe: «Fiadanana! Fiadanana!»

nefa tsy misy fiadanana tsinona.

15 Homenàriny izy, fa nanao fahavetavetana;

nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy,

ary tsy mba valahara!

Koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo;

ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy, hoy i Iaveh.

16 Izao no lazain’i Iaveh:

«Mitoera eny amin’ny lalana ianareo, ka mijere;

anontanio izay lalana faleha taloha,

izay lalan’ny famonjena ka iny aleha,

dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.»

Kanjo izao no navalin’izy ireo: «Tsy handeha amin’izany izahay.»

17 «Nametraka mpitily teo anilanareo Aho:

Ka tandremo ny feon’ny anjomara!»

Kanjo namaly izy nanao hoe: «Tsy hotandremanay izany!»

18 Koa mihainoa ianareo, ry firenena;

aoka ho fantatrareo ny hanjò azy, ry fivorian’ny firenena;

19 Mihainoa, ry tany:

Indro fa misy loza entiko

hamely ity vahoaka ity,

dia ny vokatry ny hevi-dratsiny;

satria tsy nihaino ny teniko izy ireo;

sady nandà ny lalàko.

20 Mampaninona Ahy izay emboka manitra avy any Sabà,

sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra?

Tsy sitrako ny sorona doranareo;

tsy mamiko ny soronareo.

21 Koa izao no lazain’i Iaveh:

«Indro Aho hanisy vato fanafintohinana amin’ity vahoaka ity,

ka samy ho tafintohina eo ny ray sy ny zanany;

hiara-maty eo ny mponina sy ny manakaiky azy.»

22 Izao no lazain’i Iaveh:

«Indro misy firenena tamy avy any amin’ny tany avaratra;

misy firenena lehibe miainga

avy any am-paran’ny tany.»

23 Ka izy ireo dia mahay mandefa zana-tsipîka aman-defona;

olona masiaka tsy manana indrafo;

mirohondrohona hoatra ny ranomasina ny feony;

mitaingin-tsoavaly izy,

vonon-kiady, toa olona iray monja,

hamely anao, ry zanaka vavin’i Siôna.

24 Vao nandre azy tamy izahay,

dia niraviravy tanana, velon-tebiteby,

azom-panaintainana, hoatra ny vehivavy miteraka.

25 Aza mivoaka ho any an-tsaha,

na mandeha eny an-dalambe,

fa mitan-tsabatra ny fahavalo,

misy fangorohoroana manodidina.

26 Ry zanaka vavin’ny vahoakako, misikìna lamba malailay;

mihosena amin’ny lavenona;

manaova fisaonana, toy ny fisaonana zanaka lahy tokana;

midradradradrà mafy

fa tonga tampoka amintsika ny mpandringana.

27 Nanangana anao eo amin’ny vahoakako Aho,

ho mpitaiza toetrasy ho trano mimanda,

mba hahalalanao sy hizahanao toetra ny lalany.

28 Mpiodina raha samy mpiodina izy rehetra;

mamafy fanendrikendrehana;

varahina sy vy izy ireo;

ary samy efa simba avokoa.

29 Levon’ny afo ny tafoforana; lany ny firaka;

diovina ka diovina koa,

nefa tsy mihataka hiala eo ny ratsy fanahy.

30 Volafotsy farany, hoy ny olona:

satria efa nataon’i Iaveh ao amin’ny fanarian-javatra izy ireo.

Categories
Jeremia

Jeremia 7

a) Famelezana ny Tempoly

1 Izao no teny nataon’i Jeremia, tamin’ny anaran’i Iaveh, dia toy izao:

2 Mitsangàna eo am-bavahadin’ny tranon’i Iaveh, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe:

«Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo rehetra

lehilahy amin’i Jodà,

izay miditra amin’ireto vavahady ireto, hivavaka amin’i Iaveh.

3 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely:

Ahitsio ny lalanareo aman’asanareo,

dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo.

4 Aza matoky ny teny laingan-dry zareo manao hoe:

Ity no tempolin’i Iaveh,

Tempolin’i Iaveh, Tempolin’i Iaveh!

5 Fa raha ahitsinareo ny lalanareo aman’asanareo;

raha tsarainareo marina

ny adin’ny olona amin’ny namany,

6 raha tsy ampahorînareo ny vahiny,

sy ny kamboty ama-mpitondratena;

ary tsy mandatsa-dra marina amin’ity tany ity ianareo,

na manaraka andriamani-kafa,

hampidi-doza aminareo,

7 dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo;

amin’ny tany efa nomeko ny razanareo

hatramin’ny andro taloha ka hatramin’ny mandrakizay.

8 Kanefa ny itokianareo dia teny lainga,

tsy mahasoa anareo velively akory!

9 Aiza ka dia avy mandainga, mamono olona, maka vadin’olona,

mianian-tsy tò, manemboka an’i Baala,

ary manaraka andriamani-kafa

tsy fantatrareo ianareo!

10 dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray,

eto amin’ity trano iantsoana ny Anarako ity,

ka manao hoe: ‹Ho afaka isika!›

Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton’izany.

11 Moa zohy fieren’nympangalatra eo imasonareo va,

ity trano iantsoana ny Anarako ity?

Izaho koa mba nahita izany, – teny marin’i Iaveh. –

12 Mandehana mankany amin’ilay nitoerako any Silô,

izay namponenako ny Anarako fahiny,

ka zahao ny nanaovako azy,

noho ny haratsian’i Israely vahoakako.

13 Ary ankehitriny rehefa nanatanteraka izany rehetra izany ianareo,

– teny marin’i Iaveh, – ary rehefa niteny taminareo Aho,

fa niteny taminareo hatry ny vao maraina Aho,

nefa tsy nohenoinareo,

ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,

14 dia ataoko amin’ity trano ity izay niantsoana ny Anarako,

izay ametrahanareo ny fitokianareo,

dia ity fitoerana izay efa nomeko anareo sy ny zanakareo,

izay nataoko tamin’i Silô;

15 ka hoesoriko eo anatrehako ianareo,

toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra,

dia ny taranak’i Efraima rehetra.»

b) Ireo andriamani-kafa

16 «Ary ianao aza mifona ho an’ity vahoaka ity;

aza manandratra fitarainana na fivavahana ho azy,

ary aza miambezo amiko,

fa tsy hihaino anao Aho.

17 Tsy hitanao va ny ataon’izy ireo, eny an-tanànan’i Jodà,

sy eny an-dalamben’i Jerosalema?

18 Ny zanaka manangon-kitay;

ny ray mandrehitra afo;

ny vehivavy mametafeta koba,

hanaovana mofo ho an’ny mpanjaka vavin’ny lanitra,

sy hanidina fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa,

mba haniratsirana Ahy.

19 Moa Izaho va no tsiratsirainy, – teny marin’i Iaveh, –

fa tsy ny tenany ihany, ka tsy maintsy hangaihay tava izy amin’izany?»

20 Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo:

«Indro haidina amin’ity tany ity, ny hatezerako

amam-pahavinirako,

dia amin’ny olona sy ny biby,

amin’ny hazo eny an-tsaha sy ny vokatry ny tany;

ary hirehitra izany, ka tsy ho faty.»

d) Fivavahana, nefa ivadihana

21 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely:

«Anampio ny soronareo ny sorona doranareo

ka hano ny henan’izany;

22 fa tsy misy nolazaiko tamin’ny razanareo,

na nandidiako azy ireo,

tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

ny amin’ny sorona dorana sy ny sorona.

23 Fa ny amin’ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy:

Mihainoa ny feoko;

ary Izaho no Andriamanitrareo,

ary ianareo no vahoakako;

mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo,

mba ho sambatra ianareo.»

24 Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina,

fa nandeha araka ny saim-pantany,

nanaraka ny hamafin’ny fo ratsiny;

nihemotra izy fa tsy nandroso.

25 Hatramin’ny andro nivoahan’ny razanareo

tany Ejipta, ka mandrak’androany,

dia naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra ho any aminareo aho,

naniraka azy vao maraina isan’andro aho;

26 kanefa izy ireo tsy nihaino Ahy,

tsy nanongilan-tsofina;

fa nanamafy ny hatony,

nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.

27 Holazainao aminy izany rehetra izany, nefa tsy hihaino anao izy;

hiantsoantso azy ireo ianao, nefa tsy hamaly anao izy.

28 Ka dia izao no holazaiko azy ireo:

«Ity no firenena tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny,

sady tsy nety nino anatra;

very ny fahamarinana, fa tsy eo am-bavany intsony.»

e) Fanompoan-tsampy indray; sesitany ho avy

29 Harato ny volonao, dia ario;

ka miventesa hira fisaonana eny amin’ny havoana,

satria nakifik’i Iaveh sy nolaviny,

ny taranaka mahatezitra azy.

30 Fa nanao izay ratsy imasoko ny taranak’i Jodà,

– teny marin’i Iaveh, –

nametraka ny fahavetavetany

eo amin’ny trano fiantsoana ny Anarako

mba handotoany azy;

31 ary nanorina ireo fitoerana avo any Tôfeta,

amin’ny lohasahan’ny zanak’i Hinôma,

handoroany amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy;

nefa zavatra tsy mba nodidiako izany,

na mba noheverin’ny saiko akory.

32 Noho izany, indro tamy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

izay tsy hanaovana hoe Tofeta

na lohasahan’ny zanak’i Hinôma intsony,

fa hoe «Lohasaha famonoana» kosa,

ary any Tofeta aza no handevenana, noho ny hateren’ny tany!

33 Ka ny fatin’ity firenena ity

dia hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany,

ary tsy hisy handroaka ireny akory.

34 Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà,

sy eny an-dalamben’i Jerosalema

ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana,

ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina;

fa hanjary efitra ny tany.