Categories
Eksaody

Eksaody 31

Ireo mpiasa ao amin’ny tabernakla

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:

2 «Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin’ny anarany i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Jodà.

3 Efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra rehetra hamoronany asa vaovao;

4 hanefeny volamena, volafotsy, varahina,

5 hisokirany vato halatsaka an-tranontranony, handrafetana hazo, ary hanaovana taozavatra isan-karazany.

6 Ary indro nanampiko azy koa i Oôliaba, zanak’i Akisemeka, avy amin’ny fokon’i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon’ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an’izay rehetra nandidiako anao,

7 dia ny trano lay fihaonana, ny fiaran’ny vavolombelona, ny fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra amin’ny trano lay;

8 ny latabatra sy ny fanaka momba azy, ny fanaovan-jiro volamena madio sy ny fanaka rehetra momba azy, ny ôtely fandoroan-java-manitra,

9 ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy sy ny faladiany;

10 ny fanamiana amin’ny fombam-pivavahana, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona, ny fanamiana ho an’ny zanany, amin’ny raharaha-mpisorona,

11 ny zava-manitra fandoro eo amin’ny fitoerana masina. Hotanterahiny avokoa izay rehetra nandidiako anao.»

Fitsaharana andro sabata

12 Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

13 «Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao amin’izy ireo hoe: Aza disoina ny fitandremana ny sabatako fa ho Ahy sy ianareo dia io no famantarana amin’ny taranakareo rehetra hahafantaranareo fa Izaho Iaveh no nanamasina anareo.

14 Hotandremanareo ny sabata, fa zava-masina ho anareo izany. Izay tsy mankamasina azy hoheloin-ko faty; izay manao asa amin’io andro io hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.

15 Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin’ny asa rehetra, dia voatokana ho an’i Iaveh. Koa na zovy na zovy no hanao asa amin’ny andro sabata dia hoheloin-ko faty.

16 Samy hitandrina sy hankalaza ny sabata ny zanak’i Israely mbamin’ny taranaka mandimby azy, ho fanekena mandrakizay.

17 Ho famantarana mandrakizay ho Ahy sy ny zanak’i Israely izany, satria ny andro enina no nanaovan’i Iaveh ny lanitra sy ny tany fa ny andro fahafito nitsaharany sy nialany sasatra.»

Takela-baton’ny lalàna nomena an’i Môizy

18 Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.

Categories
Eksaody

Eksaody 32

5. NIVADIKA I ISRAELY. NOHAVAOZINA NY FANEKEM-PIHAVANANA (Jereo Deter 9,7–10,5)

Ny zanak’omby volamena

1 Nony hitan’ny vahoaka fa efa naharitra ela i Môizy nefa mbola tsy nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aarôna izy, ka nanao taminy hoe: «Ndeha anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.»

2 Ary hoy i Aarôna tamin’izy ireo: «Esory àry ny kavim-bolamena, eny an-tsofin’ny vadinareo aman-janakareo lahy na vavy, ka ento atỳ amiko.»

3 Dia samy nanesotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny avokoa ny olona ka nitondra azy teo amin’i Aarôna.

4 Noraisiny tamin’ny tanan’izy ireo izany, dia namboariny tamin’ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak’omby anidina. Ary hoy izy ireo: «Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.»

5 Nony nahita izany i Aarôna dia nanao ôtely teo anoloan’ilay sary ka niantso hoe: «Hisy fety fankalazana an’i Iaveh rahampitso.»

6 Nifoha vao maraina koa izy ireo nony ampitso, ka nanolotra sorona dorana sy nanatitra sorona fisaorana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary nitsangana hilalao.

Filazan’i Iaveh amin’i Môizy

7 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana midina ianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoaka nentinao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.

8 Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombàny; nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‹Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.› »

9 Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io.

10 Koa ankehitriny avelao Aho, aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.»

Vavak’i Môizy

11 Nifona tamin’i Iaveh Andriamaniny anefa i Môizy ka nanao hoe: «Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin’ny vahoakanao, izay navoakanao avy amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery?

12 Nahoana no dia hahazoan’ny Ejiptianina hilaza hoe: Ny namoahany azy dia hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany. Koa ialao re ny fahatezaranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao.

13 Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny Tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay.»

14 Dia nanenenan’i Iaveh ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany.

Nopotehin’i Môizy ny takela-bato nisy ny Lalàna

15 Ary i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa, voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa.

16 Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasikotra tamin’ny takelaka.

17 Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe: «Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.»

18 Fa hoy ny navalin’i Môizy: «Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany fa feon’olona mihira no reko.»

19 Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra.

20 Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo, nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony, ary nafafiny tao anaty rano ny vovony, ka nampisotroiny ny zanak’i Israely.

21 Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Fa nataon’ity vahoaka ity ahoana ianao no dia notsindrianao heloka be vava toy izao izy?»

22 Hoy i Aarôna namaly azy: «Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko. Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy ity vahoaka ity.

23 Izao no nolazain’izy ireo tamiko: Anaovy andriamanitra izahay hialoha lalana anay, fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray izy na naninona na naninona.

24 Dia hoy aho tamin’izy ireo: Samia àry mahafoy ny azy izay manam-bolamena. Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo, dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.»

Hafanam-pon’ny Levita

25 Dia hitan’i Môizy fa nanarana tsy voafehy intsony ny vahoaka satria nampanaranin’i Aarôna tsy voafehiny, ka efa namela azy ho zary fihomehezan’ny fahavalony izy.

26 Ka dia nijanona teo am-bavahadin’ny toby i Môizy, nanao hoe: «Mbà tonga atỳ amiko izay momba an’i Iaveh.» Ary ny zanak’i Levì rehetra nivory nankeo aminy. Ka hoy izy tamin’ireo:

27 «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Samia ianareo manao ny sabany eo am-balahany avy, ka mandehana mamakivaky ny toby, hatramin’ny vavahadin’ny toby anankiray, ka hatramin’ny anankiray, dia samia mamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny havany avy.»

28 Notanterahin’ny zanak’i Levì ny didin’i Môizy, ka nahafatesana sahabo ho telo arivo ny lehilahy tamin’ny vahoaka androtr’izay.

29 Dia hoy i Môizy: «Samia manokan-tenaamin’i Iaveh ianareo anio, fa efa samy namely ny zanany aman-drahalahiny avy, mba hanomezany tso-drano anareo anio.»

Vavak’i Môizy indray

30 Nony ampitso hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Efa nahavita heloka be vava ianareo, ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’i Iaveh aho, fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.»

31 Dia niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo.

32 Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinaoizay nosoratanao.»

33 Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko.

34 Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.»

35 Nokapohin’i Iaveh ny vahoaka noho ny nanaovany ny zanak’omby izay nataon’i Aarôna.

Categories
Eksaody

Eksaody 33

Nasaina niainga ny vahoaka

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana, miaingà avy eto, ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, ho any amin’ny tany efa nampanantenaiko tamim-pianianana an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba nataoko hoe: Homeko ny taranakao io.

2 Haniraka Anjely eo alohanao Aho, ary handroaka ny Kananeanina, ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.

3 Dia ho any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, fa tsy hiakatra Aho eo afovoanao, satria vahoaka mafy hatoka ianao, ka sao dia haringako eny an-dalana eny.»

4 Nony nandre izany teny mafy izany ny vahoaka dia nisaona tsy nisy nitafy ny fihaingoany intsony.

5 Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: Vahoaka mafy hatoka ianareo, ka raha miakatra Aho eo afovoanareo, na dia indray mipi-maso aza, dia holevoniko ianareo, koa apetraho amin’izao ny fihaingoanareo, dia ho fantatro izay hataoko.»

6 Dia nesorin’ny zanak’i Israely ny fihaingoany, hatreo an-tendrombohitra Horeba.

Ny trano lay

7 Nalain’i Môizy ny trano lay, naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an’i Iaveh dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana teo ivelan’ny toby.

8 Nony injay miainga i Môizy ho ao an-trano lay fihaonana, ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran’ny lay manara-maso an’i Môizy mandra-pidiny ao an-trano lay.

9 Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan’ny trano lay, ary i Iaveh miresaka amin’i Môizy.

10 Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan’ny trano lay ny vahoaka, dia mitsangana ny vahoaka rehetra ary samy miankohoka eo am-baravaran’ny lainy avy.

11 Ary i Iaveh miresaka mifanatrika amin’i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Raha efa izany dia miverina mankany an-toby i Môizy fa i Jôsoe zanak’i Nona, ilay tovolahy mpanompony, tsy niala tao afovoan’ny trano lay.

Vavak’i Môizy

12 Ary hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity vahoaka ity, kanefa izay hirahinao hiaraka amiko mbola tsy lazainao amiko. Nilaza anefa Ianao nanao hoe: Fantatro amin’ny anaranao ianao, efa nahita fitia eo imasoko ianao;

13 koa ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao tokoa àry aho dia mba ampahalalao ahy ny lalanao, ary aoka hahalala Anao aho mba hahitako fitia eo imasonao. Hevero fa vahoakanao ity firenena ity.»

14 Dia hoy ny navalin’i Iaveh: «Ny Tavako no handeha hiaraka aminao, ary homeko fitsaharana ianao».

15 Ka hoy i Môizy: «Raha tsy handeha ny Tavanao dia aza mampiala anay eto.

16 Fa inona moa no hahafantaran’ny olona fa nahita fitia teo imasonao aho sy ny vahoakanao, afa-tsy ny fandehananao miaraka aminay ihany? Izany no hanavaka anay, dia izaho sy ny vahoakanao, amin’ny vahoaka rehetra eto ambonin’ny tany.»

17 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hataoko indray koa izao zavatra angatahinao izao, satria efa nahita fitia teo imasoko ianao, sady fantatro amin’ny anaranao ianao.»

I Môizy any an-tendrombohitra

18 Ary hoy i Môizy: «Mba ataovy mahita ny voninahitrao aho.» Ka hoy ny navalin’i Iaveh:

19 «Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaram-pokorehetra; ary hotononiko eo anatrehanao ny Anaran’i Iaveh; fa mankasitraka izay ankasitrahiko aho ary mamindra fo amin’izay amindrako fo.»

20 Dia hoy i Iaveh: «Tsy afa-mahita ny Tavako ianao, satria tsy afa-mahita Ahy ny olombelona ka mbola ho velona ihany.»

21 Hoy i Iaveh: «Indro misy fitoerana eto akaikiko, ka hijanona eo ambony vatolampy ianao;

22 ary rehefa mandalo ny voninahitro, hataoko ao an-tsefatsefa-bato ianao, dia hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko;

23 izay vao esoriko ny tanako, ka eo ivohoko no hahitanao Ahy, fa ny Tavako tsy hay jerena.»

Categories
Eksaody

Eksaody 34

Havaozina ny fanekem-pihavanana. Ireo takela-bato misy ny Lalàna

1 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova takelaka vato roa tahaka ireo voalohany ka hanoratako ny teny izay efa teo amin’ireo takelaka voalohany notorotoroinao.

2 Aoka ho vonona ho amin’ny ampitso, dia hiakatra ianao raha vao maraina, ho any an-tendrombohitra Sinaia ka hijanona eo anatrehako ao an-tampon’ny tendrombohitra.

3 Aoka tsy hisy olona hiara-miakatra aminao; ary aoka tsy hisy olona hiseho eny an-tendrombohitra Sinaia rehetra eny; ary na ny ondry mbamin’ny omby aza, aoka tsy hihinana eny akaikin’ny tendrombohitra eny akory.»

4 Dia nipaika takelaka vato roa tahaka ireo voalohany i Môizy; ka nifoha maraina koa, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’i Iaveh azy; nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa.

5 Dia nidina tao anatin’ny rahona i Iaveh ka niara-nijanona taminy teo, sy nanonona ny anarana hoe; Iaveh!

Fisehoan’Andriamanitra

6 Ary nandalo teo anatrehany i Iaveh sady niantso hoe: «Iaveh! Iaveh! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana;

7 mitahiry ny fitiany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy ny taranaka fahefatra.»

8 Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy, dia niankohoka,

9 nanao hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka ity. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay.»

Ny fanekem-pihavanana

10 Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»

11 «Tandremo izao andidiako anao izao: Indro horoahiko eo anoloanao ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.

12 Tandremo fandrao manao fanekem-pihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay ndeha hiadianao, sao zary fandrika eo afovoanao ireny.

13 Fa horavanareo ny ôteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserîmany.

14 Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

15 Koa aza manao fanekena amin’ny mponina amin’ny tany, fandrao, rehefa mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny sy manolo-tsorona aminy, dia asainy koa ianao sy hihinana amin’ny sorony;

16 fandrao koa maka ny zanany vavy ho an’ny zanakao lahy ianao, ka nony mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny zanany vavy ireny, dia ho voatariny mbamin’ny zanakao lahy hitolo-tena amin’ny andriamaniny koa.»

17 «Aza manao andriamanitra anidina ho anao.»

18 «Tandremo ny fetin’ny Azima. Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, araka ny nandidiako anao, amin’ny fotoana voafetra amin’ny volana abiba, satria tamin’ny volana abiba no nivoahanao tany Ejipta.»

19 «Ahy ny lahy voalohan-teraka rehetra; toy izany koa, ny lahy voalohan-teraky ny biby ompiana rehetra, na omby na ondry.

20 Zanak’ondry ny hanavotanao ny voalohan-teraky ny ampondra; na hofolahinao ny hatony raha tsy havotanao izy. Havotanao ny lahy matoa rehetra amin’ny zanakao; ary aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra ianao.»

21 «Ny andro enina no hiasanao; fa ny andro fahafito kosa hitsaharanao, na dia amin’ny taom-piasana tany amam-pamoriam-bokatra aza.»

22 «Hankalazainao ny fetin’ny Herinandro, ny voaloham-bokatra amin’ny fijinjam-bary, ary ny fetin’ny fampakaram-bokatra amin’ny faran’ny taona.»

23 «Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra eo anatrehan’i Iaveh Tompo, Andriamanitr’i Israely.

24 Fa handroaka ny firenena eo anoloanao aho, ary hanitatra ny faritry ny taninao. Tsy hisy olona handrebona ny taninao, mandritra ny hiakaranao hiseho eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, intelo isan-taona.»

25 «Tsy hiara-katolotra amin’ny mofo misy lalivay ny ran’ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina mandritra ny alina ho tra-maraina ny sorona amin’ny fetin’ny Paka.»

26 «Atero ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao.»

«Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»

27 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soratinao ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no anaovako fanekena aminao sy amin’i Israely.»

28 Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’i Iaveh tao; tsy nihina-mofo na nisotro rano akory. Ary nosoratan’i Iaveh tamin’ireo takelaka ny tenin’ny fanekem-pihavanana dia ny Teny folo.

Midina avy any an-tendrombohitra i Môizy

29 Nidina avy an-tendrombohitra Sinaia i Môizy, ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahiny tamin’i Iaveh.

30 I Aarôna sy ny zanak’i Israely rehetra nahita an’i Môizy ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, dia natahotra ny hanatona azy izy ireo.

31 Nantsoin’i Môizy ireo, ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin’ny fiangonana ka niresaka tamin’ireo izy.

32 Vao izay vao nanatona koa ny zanak’i Israely rehetra, ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin’i Iaveh tany an-tendrombohitra Sinaia.

33 Nony avy niteny i Môizy dia nosaronany voaly ny tarehiny.

34 Raha niditra eo anatrehan’i Iaveh i Môizy hiresaka aminy dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany. Raha efa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin’ny zanak’i Israely ny didy azony.

35 Hitan’ny zanak’i Israely ny tarehin’i Môizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan’i Môizy, ka dia saronan’i Môizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin’i Iaveh.

Categories
Eksaody

Eksaody 35

Lalàna momba ny fitsaharana sabata

1 Ary novorin’i Môizy ny fiangonan’i Israely rehetra ka nilazany hoe: «Izao no zavatra nodidian’i Iaveh hatao:

2 Ny andro enina no hiasanareo fa ny andro fahafito dia ho andro voatokana eo aminareo, andro fitsaharana amin’ny asa rehetra hankalazana an’i Iaveh. Izay manao taozavatra amin’io andro io dia hohelohin-ko faty.

3 Tsy hisy hampirehetana afo ny tranonareo amin’ny andro sabata.»

Fanangonana ny hoenti-manana

4 Niteny tamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra i Môizy ka nanao hoe: «Izao no nodidian’i Iaveh hatao:

5 Manokàna zavatra hatolotra ho an’i Iaveh amin’ny fanananareo. Na iza na iza mazoto fo dia hitondra zavatra haterina amin’i Iaveh, dia volamena, volafotsy, varahina,

6 jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon’osy,

7 hoditr’ondralahy voasoka mena, hodi-dogaona, hazo akasià,

8 diloilo hatao amin’ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin’ny diloilo fanosorana, sy ny zava-manitra fanembohana,

9 vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.

10 Aoka hanatona izay rehetra manam-pahaizana aminareo hanao izay rehetra nasain’i Iaveh atao:

11 ny Fonenana, ny lainy amam-pirakony, ny masom-bolany, ny hazo fisany, ny barany, ny andriny, ny faladiany;

12 ny fiara mbamin’ny baony, ny fanaovam-panavotana, ny efitra lamba,

13 ny latabatra mbamin’ny baony amam-panaka rehetra momba azy, ny mofo alahatra,

14 ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka aman-dalampy momba azy, ny diloilo hatao amin’ny fanaovan-jiro;

15 ny ôtely fandoroan-java-manitra mbamin’ny baony, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, ny varavarana lamba amin’ny fidirana ho ao amin’ny Fonenana,

16 ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny harato varahina aminy, ny baony, ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy amam-paladiany,

17 ny fefy lamba amin’ny kianja mbamin’ny andriny, ny faladiany ary ny vavahady lamba amin’ny kianja,

18 ny tsimatry ny Fonenana sy ny tsimatry ny kianja mbamin’ny kofehiny,

19 ny fanamiana fitondra raha manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona sy ny fanamian’ireo zanany fitondrany raha manao raharaham-pisoronana.»

20 Nony nirava avy eo anatrehan’i Môizy ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,

21 dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.

22 Samy tonga daholo na lahy na vavy; izay rehetra vonona tsara tao am-pony nitondra fampoehana, masom-bola, peratra, fehin-tanana, fanaka volamena isan-karazany; samy nanolotra fanatitra volamena avokoa izy, natokany ho an’i Iaveh.

23 Izay rehetra nanana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, volon’osy, hoditr’ondralahy voasoka mena, ary hodi-dogaona, dia samy nitondra avokoa.

24 Izay rehetra nanokana fanatitra volafotsy na varahina dia samy nitondra ny azy ho an’i Iaveh. Izay rehetra nanan-kazo akasià hanaovana ny zavatra rehetra momba ny fanompoam-pivavahana dia nanolotra izany.

25 Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin’ny tanany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika.

26 Ny vehivavy rehetra izay voatariky ny fo mazoto sady nanam-pahaizana dia namoly volon’osy.

27 Ny loholona kosa nitondra vato berila ary vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra,

28 zava-manitra aman-diloilo hatao amin’ny fanaovan-jiro sy ny diloilo fanosorana ary ny zava-manitra mamerovero.

29 Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.

Ny mpiasa hanao ny tabernakla

30 Ary hoy i Môizy tamin’ny zanak’i Israely: «Aoka ho fantatrareo fa i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà, no efa nofidin’i Iaveh.

31 Nofenoin’ny fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina ary fahaizana hanao asa samihafa isan-karazany,

32 ny mamorona taozavatra vaovao, ny manefy volamena sy volafotsy ary varahina,

33 ny misokitra vato halatsaka an-tranontranony, ny mandrafitra hazo ary ny mahavita ny asa samihafa rehetra ilam-pahaizana.

34 Efa nataon’Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin’i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana.

35 Samy efa nofenoiny fahaizana hahavitana ny asa rehetra fisokirana sarin-javatra sy ilam-pahaizana, hanenomana jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika, asiana sary samihafa, hanaovana taozavatra samihafa isan-karazany ary hamoronana fomban-taozavatra vaovao.»

Categories
Eksaody

Eksaody 36

1 Koa i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen’i Iaveh fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin’ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian’i Iaveh hanaovana azy.

Natsahatra ny fanomezana

2 Dia nampanalain’i Môizy i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan’i Iaveh fahaizana ny fony, mbamin’izay rehetra notaomin’ny fony amin’izany asa izany mba hahavitany azy.

3 Noraisin’izy ireo teo anoloan’i Môizy ny fanatitra rehetra naterin’ny zanak’i Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitrapo teo amin’i Môizy.

4 Tamin’izay ireo olo-mahay nanao ny asa rehetra momba ny fitoerana masina, samy niato tamin’ny raharaha nataony,

5 ka tonga teo amin’i Môizy nilaza hoe: «Tafahoatra noho izay ilaina ny zavatra aterin’ny olona hahavitana ny asa nodidian’i Iaveh hatao.»

6 Ka dia nandefa teny i Môizy, ka nokabarina tao an-toby ny hoe: «Aza misy olona, na lahy na vavy, misahirana intsony amin’ny zavatra aterina ho an’ny fitoerana masina; notohanana ny olona tsy hanatitra intsony,

7 fa ampy sy manana amby ny zavatra voaangona hanaovana izay hatao rehetra.»

Ny Fonenana

8 Ny olo-mahay rehetra tamin’izay niasa tamin’io raharaha io, no nanao ny Fonenana tamin’ny ambainy folo: rongony madinika mihasina, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, mbamin’ny kerobima no nanaovany azy; asan’ny mpanenona mahay.

9 Valo amby roapolo hakiho no halavan’ny ambainy iray ary efatra hakiho no sakany; mitovy avokoa ny haben’ny ambainy rehetra.

10 Navitrana ho iray ny dimy tamin’ireo ambainy ireo, dia navitrana ho iray koa ny dimy sisa.

11 Nasiana tadivavarana jaky volomparasy ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana voalohany, dia natao toy izany koa ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana faharoa.

12 Tadivavarana dimampolo no natao tamin’ny ambainy voalohany; ary tadivavarana dimampolo koa tamin’ny ambainy farany sisin’ny voavitrana faharoa, ka mifanandrify hatrany ireo tadivavarana ireo.

13 Dia jaigrafy volamena dimampolo no natao hampifanakambana ireo ambainy ireo, ka voatambatra ho iray ihany ny Fonenana.

14 Ambainy volon’osy no natao hanamboarana lay ho ao ambonin’ny Fonenana, ka natao iraika ambin’ny folo ny ambainy.

15 Telopolo hakiho no halavan’ny ambainy iray, ary efatra hakiho no sakan’ny ambainy iray; mitovy avokoa ny haben’ny ambainy iraika ambin’ny folo.

16 Ny dimy tamin’ireo ambainy ireo no nakambana manokana, ary ny enina sisa no nakambana manokana.

17 Nasiana tadivavarana dimampolo ny vavan’ny ambainy, sisin’ny voavitrana anankiray, ary nasiana tadivavarana dimampolo koa ny vavan’ny ambainy farany sisin’ny voavitrana faharoa.

18 Jaigrafy varahina dimampolo no natao hanakambana ny lay manontolo ho iray ihany.

19 Hoditr’ondralahy voasoka mena no natao firakotry ny lay, ary nisy firakotra hodi-dogaona iray koa tambonin’io.

Ny rafitra hazo

20 Natao koa ny hazo fisaka momba ny Fonenana; hazo fisaka tamin’ny hazo akasià, natao mitsangana.

21 Folo hakiho no halavan’ny hazo fisaka iray, ary iray hakiho sy sasany no indrabeny.

22 Lahiny roa mifampikambana no tamin’ny hazo fisaka tsirairay; ary natao toy izany avokoa ny hazo fisaka tamin’ny Fonenana.

23 Natao ny hazo fisaka momba ny Fonenana, hazo fisaka roapolo amin’ny lafiny atsimo, ankavanan’ny Fonenana;

24 ary faladia volafotsy efapolo no natao tao ambanin’ny hazo fisaka roapolo dia faladia roa tao ambanin’ny isan-kazo fisaka amin’ny lahiny roa.

25 Hazo fisaka roapolo koa no natao amin’ny lafin’ny Fonenana faharoa, ilany avaratra,

26 nombana ny faladiany volafotsy efapolo, faladia roa tao ambanin’ny isan-kazo fisaka,

27 hazo fisaka enina no natao amin’ny faran’ny Fonenana lafiny andrefana;

28 ary hazo fisaka roa no natao amin’ny zoron’ny Fonenana ao anatiny,

29 natao roa sosona hatraty ambany ka mikambana ho iray hatrany an-tampony, mipaka amin’ny masom-bola voalohany; nataony toy izany avokoa ny hazo fisaka roa amin’ny zorony roa.

30 Ary nisy koa hazo fisaka valo samy nanana ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy, ambanin’ny isan-kazo fisaka.

31 Dia natao ny barany tamin’ny hazo akasià, dimy ho an’ny hazo fisaka amin’ny lafin’ny Fonenana iray.

32 Barany dimy ho an’ny hazo fisaka amin’ny lafin’ny Fonenana faharoa, barany dimy ho an’ny hazo fisaka amin’ny lafin’ny Fonenana andrefana izay erỳ ivohony.

33 Ny barany afovoany nahatratra ny tendrony roa amin’ny lavan’ny hazo fisaka.

34 Nopetahana takela-bolamena ny hazo fisaka; natao volamena koa ny masom-bola nidiran’ny barany; ary nopetahana volamena koa ny barany.

Ny efitra lamba

35 Ny efitra lamba dia natao tamin’ny Jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, nosoratana sarin-kerobima: asa-mpanenona mahay;

36 ary nanaovana andry efatra amin’ny hazo akasià, nopetaham-bolamena, sy faraingony volamena; ary volafotsy no narendrika natao faladiany efatra.

37 Ny fidirana ho ao amin’ny lay, nanaovana varavarana lamba jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, taozavatra misoratsoratra.

38 Nanaovana andriny dimy mbamin’ny faraingony avy io varavarana lamba io, ary voapetaka takela-bolamena ny koronosin’ireo mbamin’ny anjaka itohizany, ary varahina ny faladiany dimy.

Categories
Eksaody

Eksaody 37

Ny fiaran’ny fanekena

1 Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

2 Nopetahany takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, nasiany tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.

3 Nandrendrika masom-bolamena efatra ho azy izy, nataony tamin’ny tongony efatra: masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray, masom-bolamena roa tamin’ny ilany iray hafa.

4 Nanao bao tamin’ny hazo akasià izy, ary nopetahany takela-bolamena.

5 Natsofony tamin’ireo masom-bola teo amin’ny lanin’ny fiara ny bao hitondrana azy.

6 Nanao fanaovam-panavotana tamin’ny volamena madio izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.

7 Nanao kerobima volamena roa izy, nataony volamena an-tefiny, tao amin’ny tendrony roa amin’ny fanaovam-panavotana.

8 Ny kerobima iray amin’ny tendrony iray ary ny kerobima iray amin’ny tendrony iray hafa, nataony tafahoatra ny fanaovam-panavotana eo amin’ny tendrony roa avy ny kerobima.

9 Nivelatra niakatra ny elatry ny kerobima manaloka ny fanaovam-panavotana ary ny tavany mifanatrika, ary ny tavan’ny kerobima mitodika manatrika ny fanaovam-panavotana.

Ny latabatra hasiana ny mofo hatolotra

10 Hazo akasià koa no nanaovany ny latabatra: roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

11 Nopetahany takela-bolamena madio koa izy, ary nasiany tanjo-miolaka volamena manodidina azy.

12 Nasiany sisiny iray vody voampelatanana manodidina azy, ary io sisiny io nanaovany tanjo-miolaka volamena manodidina.

13 Nandrendrika masom-bolamena efatra izy ary nataony tamin’ny zorony efatra ny masom-bolamena, dia amin’ny tongony efatra.

14 Tao akaikin’ny sisiny ny masom-bola hidiran’ny bao hitondrana ny latabatra.

15 Ny bao dia nataony tamin’ny hazo akasià nopetahana volamena; izany no nitondrana ny latabatra.

16 Nanao fanaka hapetraka eo ambonin’ny latabatra izy, dia ny loviany, ny fitoeran-java-manitra, ny kôpiny ary ny tasiny fanaovam-panatitra araraka; volamena madio no nanaovany an’ireo.

Ny fanaovan-jiro

17 Volamena madio no nanaovany ny fanaovan-jiro; volamena an-tefiny avokoa, na ny fanaovan-jiro na ny tongony aman-tahony; iray aminy koa ny ravim-boniny mbamin’ny bokony sy ny voniny.

18 Rantsany enina no teo an-daniny roa; ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray; ary ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray hafa.

19 Ka ny rantsany voalohany nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; ny rantsany faharoa nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia nisy toy izany avokoa ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.

20 Teo amin’ny tahon’ny fanaovan-jiro nisy ravim-boniny efatra miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny:

21 bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa voalohany, misampana avy amin’ny fanaovan-jiro; bokony iray teo amin’ny rantsany roa manarakaraka avy amin’ny fanaovan-jiro; ary bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa farany avy amin’ny fanaovan-jiro, araka ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.

22 Iray amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony aman-drantsany, fa vongam-bolamena an-tefy iray ihany, volamena madio, no nanaovana azy rehetra manontolo.

23 Volamena madio avokoa no nanaovany ny lalampy fito sy ny hetin-jirony, ary ny fitoeran-davenon-jirony.

24 Volamena madio talenta iray no lany nanaovana ny fanaovan-jiro mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.

Ny menaka fanosorana sy ny zava-manitra

25 Hazo akasià no nanaovany ny ôtely fandoroan-java-manitra; iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, efa-joro mitovy lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony, iray aminy ny tandrony.

26 Nopetahany takela-bolamena madio izy dia ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony; ary asiany tanjo-miolaka volamena manodidina.

27 Nasiany masom-bolamena roa teo ambanin’ny tanjo-miolaka amin’ny rirany roa; nataony teo an-daniny roa ireo, hidiran’ny bao hitondrana azy.

28 Hazo akasià, nopetahany volamena, no nanaovany ny bao.

29 Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.

Categories
Eksaody

Eksaody 38

Ny ôtely hasiana ny sorona dorana

1 Hazo akasià no nanaovana ny ôtely fanaovan-tsorona dorana; dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, fa mitovy ny lafiny efatra, ary telo hakiho ny haavony.

2 Ny zorony efatra nasiany tandrony mivoaka avy amin’ny ôtely, sy nopetahiny takela-barahina ny ôtely.

3 Nataony avokoa ny fanaka momba ny ôtely: ny tavin-davenona, ny lapela, ny tavy, ny fitrebika ary ny fatana; varahina no nanaovany an’ireo fanaka rehetra ireo.

4 Nanaovany karakara varahina ny ôtely, nataony toy ny harato, dia napetrany teo ambanin’ny koronosin’ny ôtely, avy eo ambany ka hatreo amin’ny fisasahany.

5 Nandrendrika masom-bola efatra izy ho eo amin’ny zorony efatra amin’ny karakara varahina, hitsofohan’ny bao.

6 Hazo akasià nopetahany varahina, no nanaovany ny bao.

7 Natsofony tamin’ny masom-bola eo an-daniny roan’ny ôtely ny bao hitondrana azy. Nataony hoboka àty tamin’ny hazo fisaka ny ôtely.

Ny tavy varahina

8 Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy mpivory eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.

Ny nanorenana ny kianja

9 Dia nanao ny kianja izy. Ny fefy lamba tamin’ny lafiny atsimo, ao ankavanana, dia zato hakiho ny halavany; rongony madio mihasina no nanaovana azy;

10 roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.

11 Tamin’ny lafiny avaratra, zato hakiho ny fefy lamba, roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.

12 Tamin’ny lafiny andrefana, dimampolo hakiho ny fefy lamba, folo ny andriny ary folo ny faladiany.

13 Tamin’ny lafiny atsinanana anoloana, dimampolo hakiho koa.

14 Tamin’ny ilany iray, fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho, sy ny andry telo mbamin’ny faladiany telo.

15 Ary tamin’ny ilany iray, – fa samy tamin’ny ilany iray amin’ny vavahadin’ny kianja avy izy, – fefy lamba dimy ambin’ny folo hakiho sy ny andriny telo mbamin’ny faladiany telo.

16 Rongony madinika mihasina avokoa ny lamba rehetra namefy ny kianja;

17 varahina ny faladian’ny andry, volafotsy ny faraingo amin’ny andry sy anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin’ny lohany. Voakambana amin’ny anja-bolafotsy avokoa ny andry amin’ny kianja.

18 Ny lamba varavarana tamin’ny vavahadin’ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny haavony, tahaka ny sakan’ny fefy lamba amin’ny kianja;

19 varahina ny andriny efatra sy ny faladiany efatra; volafotsy ny faraingony sy ny anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin’ny lohany.

20 Varahina avokoa ny tsimatra amin’ny Fonenana sy amin’ny fefin’ny kianja.

Isan’ny vy

21 Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.

22 Ny nanao izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy dia i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, amin’ny fokon’i Jodà;

23 ary ny nanampy azy dia i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika.

24 Ny tontalin’ny volamena nanaovana ny zavatra, izay zavatra rehetra natao momba ny fitoerana masina, dia talenta sivy amby roapolosy sikla telopolo amby fiton-jato, araka ny sikla masina; volamena avy amin’ny fanatitra ireo.

25 Ny volafotsy avy amin’ny olona voaisa tamin’ny fiangonana kosa, nahatratra talenta zato sy sikla dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo, araka ny sikla masina.

26 Bekà iray isan’olona izany na antsasaky ny sikla iray, araka ny sikla masina, isan’olona, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay tratry ny fanisana, dia olona dimampolo amby dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.

27 Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta, talenta iray isam-paladia.

28 Ary ny dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo sikla, nanaovana ny faraingo amin’ny andry, sy ny peta-bolafotsy amin’ny koronosin’ny lohan’ny andry, ary ny anjaka itohizany.

29 Ny varahina naterin’ny olona, nahatratra talenta fitopolo ary sikla efajato amby roa arivo.

30 Ny natao tamin’ireo dia faladia eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ny ôtely varahina mbamin’ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny ôtely, ny faladian’ny fefin’ny kianja sy ny faladian’ny vavahadin’ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin’ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin’ny fefin’ny kianja.

Categories
Eksaody

Eksaody 39

Ny akanjon’ny mpisorona

1 Natao tamin’ny jaky volomparasy, sy jaky mangatrakatraka, ary lamba mena antitra ny fanamiana enti-manao ny fomba-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny fanamiana masina ho an’i Aarôna, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ny efôda

2 Ny efôda dia natao tamin’ny volamena sy ny jaky volomparasy ary rongony madinika mihasina.

3 Nofisahina ho takelany manify ny volamena, dia nohetezana ho kofehy, vao nafehy tamin’ny rongony madinika, tenona misoratsoratra.

4 Nasiana sorony roa hanambatra azy, ka dia voakambana tamin’ny tendrony roa izy.

5 Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

6 Namboarina ny vato berila nalatsaka tamin’ny randram-bolamena, ka nosokirina tamin’ireo toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny anaran’ny zanak’i Israely,

7 dia natao teo ambonin’ny soroky ny efôda ireo, ho vato fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ny saron-tratra

8 Dia natao ny saron-tratra ka vita ara-pahaizana, toy ny nanenomana ny efôda ihany, tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina.

9 Efa-joro mitovy lafiny efatra izy, ary natao roa sosona ny saron-tratra, irain-jehy ny lavany, irain-jehy ny sakany, ary roa sosona izy.

10 Vato efatra andalana no naravaka azy; ny andalana iray dia sardoana, tôpazy, emeraoda, andalana voalohany io;

11 andalana faharoa: eskarbokla, safira, diamondra;

12 andalana fahatelo: ôpala, agata, ametista;

13 andalana fahefatra: krizôlita, berila, jaspa. Samy voahodidina rôzy kely volamena ireo vato ireo avy, teo amin’izay nandatsahana azy.

14 Nifanerana tamin’ny anaran’ny zanak’i Israely ny isan’izy ireo, fa nisy roa ambin’ny folo, toraky ny anaran’ireo, voasikotra toy ny amin’ny fanombohan-kase izy, ka samy nisy anarana iray avy tamin’ny foko roa ambin’ny folo.

15 Teo amin’ny saron-tratra dia nasiana rojo madinika, volamena madio, voarandrana toy ny tady.

16 Ary nanao randram-bolamena roa sy masom-bolamena roa izy, ka ny masom-bola roa dia natao tamin’ny tendrony roa amin’ny saron-tratra.

17 Natsofoka tamin’ny masom-bola roa ny tady volamena roa teo an-tendron’ny saron-tratra.

18 Ary nofeheziny tamin’ny randram-bolamena roa ny tendrony roa amin’ny rojony roa dia napetraka teo amin’ny soroky ny efôda anoloana.

19 Dia nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo an-tendrony roa ambany amin’ny saron-tratra eo amin’ny sisiny anaty manolotra ny efôda.

20 Ary nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo ambanin’ny sorony roa eo amin’ny efôda eo anoloany, akaikin’ny famatorana azy eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda.

21 Dia nafehiny tamin’ny ribà jaky volomparasy amin’ny masom-bolan’ny efôda ny masom-bolan’ny saron-tratra, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda ny saron-tratra, ary tsy ho afa-miala eo amin’ny efôda ny saron-tratra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ny akanjo lava

22 Jaky volomparasy avokoa no nanaovana ny akanjo lavan’ny efôda, asan-tanan’ny mpanenona.

23 Ny vozony, teo afovoan’ny akanjo lavan’ny efôda, dia nataony toy ny an’ny akanjo fiarovan-tratra: nasiany sisiny vita tenona, manodidina io vozona io, mba tsy haharovitra azy.

24 Ary ny moron-tongony nasiany ampongabendanitra jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina;

25 nanao lakolosy kely, volamena madio izy, nampifanelanelaniny tamin’ny ampongabendanitra teo amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mifanelanelana amin’ny ampongabendanitra;

26 lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ny akanjon’ny mpisorona

27 Akanjo anatiny rongony, asan-tanan’ny mpanenona, no natao ho an’i Aarôna sy ireo zanany;

28 ary hamama rongony sy mitra rongony ho fihaingoany, kalisaona fotsy rongony mihasina,

29 ary fehin-kibo rongony mihasina, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, tenon-damasy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Ny diadema

30 Volamena madio no nanaovana ilay takelaka natao diadema masina, dia nosokirina teo, toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh.

31 Ribà jaky volomparasy no namehezana azy hametrahana azy amin’ny hamama avy ao ambony, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

32 Dia vita ny zavatra rehetra momba ny Fonenana, ny trano lay fihaonana; sady tanteraky ny zanak’i Israely araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy avokoa. Izany no nataony.

Natolotra an’i Môizy ny zavatra vita

33 Natolotra an’i Môizy ny Fonenana, ny trano lay mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny jaigrafiny, ny hazo fisany, ny barany; ny andriny, ny faladiany;

34 ny firakotra hoditr’ondralahy misoka mena, ny firakotra hodi-dogaona, ny efitra lamba fisarahana,

35 ny fiaran’ny vavolombelona mbamin’ny baony sy ny fanaovam-panavotana,

36 ny latabatra sy ny fanaka momba azy, mbamin’ny mofo halahatra,

37 ny fanaovan-jiro volamena madio mbamin’ny lalampiny, dia ny lalampy halahatra eo aminy, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny diloilo hatao amin’ny jiro,

38 ny ôtely volamena, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, mbamin’ny varavarana lamba fidirana amin’ny trano lay,

39 ny ôtely varahina, ny karakarany varahina, ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy amam-paladiany, ny fefy lamban’ny kianja mbamin’ny andriny amam-paladiany,

40 ny vavahady lamba fidirana amin’ny kianja, ny kofehiny, ny tsîmany, ary ny fanaka rehetra hoenti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny Fonenana, amin’ny trano lay fihaonana,

41 ny fanamiana hoenti-manao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ny fanamiana masina ho an’i Aarôna mpisorona, sy ny fanamian’ireo zanany, fitondrany amin’ny raharaham-pisoronana.

42 Vitan’ny zanak’i Israely izany asa rehetra izany, araka izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

43 Nodinihin’i Môizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian’i Iaveh. Ka dia nitso-drano azy ireo i Môizy.

Categories
Eksaody

Eksaody 40

Natsangana sy nohamasinina ny tabernakla

1 Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy ka nanao hoe:

2 «Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no hanangananao ny Fonenana, ny trano lay fihaonana.

3 Hapetrakao ao ny fiaran’ny vavolombelona ka hokoboninao amin’ny lamba.

4 Dia hoentinao ny latabatra, ka halahatrao eo amboniny izay tsy maintsy hatao eo; hoentinao ny fanaovan-jiro dia hapetrakao eo amboniny ny lalampiny.

5 Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.

6 Hataonao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny Fonenana, ao amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana.

7 Hapetrakao eo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, ka hasianao rano.

8 Hatsanganao ny kianja manodidina dia hataonao amin’ny kianja ny vavahady lamba.

9 Halainao ny diloilo fanosorana dia hohosoranao ny Fonenana mbamin’izay rehetra ao aminy; hohamasininao izy sy ny fanaka rehetra momba azy, dia ho masina izy.

10 Hanosotra ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ianao, hanamasina ny ôtely, dia ho masina indrindra ny ôtely.

11 Hanosotra ny tavy amam-paladiany ianao dia hanamasina azy.

12 Hasainao handroso ho eo akaikin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana i Aarôna sy ireo zanany, ka hanadio azy amin’ny rano ianao.

13 Raha efa izany dia hatafinao an’i Aarôna ny fanamiana masina ka hohosoranao sy hohamasininao izy dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy.

14 Hasainao handroso koa ireo zanany ka hatafinao azy ny tonîka,

15 dia hohosoranao toy ny nanosoranao an-drainy izy, dia ho mpisorona hanao ny fanompoana Ahy. Izany fanosorana izany no hampahazo azy ny fahefam-pisoronana mandrakizay amin’ny taranany mandimby azy.»

Notanterahina izay nandidian’Andriamanitra

16 Dia nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’i Iaveh azy, dia vitany araka izany.

17 Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany amin’ny taona faharoa, dia voatsangana ny Fonenana.

18 Natsangan’i Môizy ny Fonenana; naorina ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin’ny barany, dia natsangany ny andriny.

19 Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

20 Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.

21 Nentiny tao anatin’ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran’ny vavolombelona, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

22 Napetrany tao an-trano lay fihaonana ny latabatra amin’ny lafiny avaratra amin’ny Fonenana, atỳ ivelan’ny efitra lamba,

23 dia nalahany eo amboniny, teo anatrehan’i Iaveh ny mofo, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

24 Nataony teo an-trano lay fihaonana koa ny fanaovan-jiro, tandrifin’ny latabatra, amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana,

25 dia nametrahany ny lalampy, teo anatrehan’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

26 Napetrany tao an-trano lay fihaonana, anoloan’ny efitra lamba, ny ôtely volamena,

27 dia nandoroany emboka, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

28 Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.

29 Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana, amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

30 Napetrany teo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, dia nasiany rano ho fiafanana;

31 ary nanasa ny tanany sy ny tongony teo i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany.

32 Rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny ôtely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

33 Ary nanangana ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely izy, sy nanantona ny lamba amin’ny vavahadin’ny kianja. Toy izany no nahavitan’i Môizy izany raharaha izany.

Nankeo amin’ny tabernakla i Iaveh

34 Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.

35 Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitr’i Iaveh.

Ny rahona nitari-dalana ny Israelita

36 Nandritra ny andro rehetra nandehanan’ny zanak’i Israely, dia niainga izy ireo raha niakatra niala teo ambonin’ny Fonenana ny rahona,

37 fa tsy niainga kosa izy ireo raha tsy niakatra ny rahona, mandra-pahatongan’ny andro niakaran’ny rahona indray.

38 Fa ny rahon’i Iaveh dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’i Israely rehetra, teo amin’ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany.