Categories
Jeremia

Jeremia 18

I Jeremia ao amin’ilay mpanefy vilany tanimanga

1 Ny teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, toy izao:

2 «Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefytanimanga, ary any Aho hampandre anao ny Teniko.»

3 Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy nanao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny.

4 Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.

5 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh toy izao:

6 «Moa aho tsy mahazo manao aminareo,

toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely?

– teny marin’i Iaveh. –

Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy,

ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.

7 Matetika Aho miteny ny amin’ny firenena iray,

ny amin’ny fanjakana iray

hoe: hongotana, hazera, horavana.

8 Nefa kosa raha ny firenena nolazaiko hasiana,

mba miverina miala amin’ny haratsiany,

dia hanenenakony loza nokasaiko hamelezana azy.

9 Matetika Aho miteny amin’ny firenena iray,

na amin’ny fanjakana iray,

hoe: haorina sy hambolena.

10 Kanjo raha manao izay ratsy eo imasoko izany firenena izany,

tsy mahahaino ny feoko,

dia hanenenako ny soa nolazaiko hatao azy.

11 Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà,

sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe:

Izao no lazain’i Iaveh:

Indro Aho mamorona loza hanjò anareo,

sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo.

Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy,

sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.

12 Izy ireo anefa manao hoe: ‹Tsinontsinona izany!

Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany,

sy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy ihany.› »

I Israely manadino an’i Iaveh

13 Noho izany izao no lazain’i Iaveh:

«Manontania ny firenena ianareo:

Iza no mbola nahare izay zavatra toy izany?

Fahavetavetana mahatsiravina no nataon’ny virjinin’Israely.

14 Hitsahatra tsy ho eo amin’ny vatolampy

eny an-tany lemaka, va

ny oram-panalan’i Libàna?

Hita ritra va ny rano avy lavitra,

ka mangatsiatsiaka sy mandeha?

15 Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy;

ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra,

ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany,

dia amin’ny lalana fahataloha,

handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;

16 Mba hahatonga ny taniny ho lao,

sy ho zavatra fandatsa mandrakizay;

dia hitanàka izay rehetra handalo ao,

ary hikifi-doha.

17 Toy ny fanelin’ny rivotra avy atsinananano anelezako azy,

eo anoloan’ny fahavalony.

Ny lamosiko fa tsy ny Tavako no hasehoko azy ireo,

amin’ny andro hiharan’ny loza aminy.»

Tetika hamonoana an’i Jeremia

18 Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika

hamely an’i Jeremiaisika;

fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona,

na ny hevitra ao amin’ny hendry,

na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany!

Andeha hasiantsika amin’ny vavantsikaizy,

ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»

19 Atongilano amiko, ny sofinao, ry Iaveh,

ary henoy ny feon’ireo mandrafy ahy!

20 Dia ratsy va no havaly ny soa,

no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo?

Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao,

hiteny aminao mba ho azy ireo,

hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!

21 Koa amin’izany atolory ho amin’ny mosary ny zanany,

ary afoizo ho amin’ny lelan-tsabatra izy ireo!

Aoka ny vehivavy ao aminy ho faty anaka sy ho faty vady;

aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin’ny pesta;

ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin’ny ady!

22 Aoka ny fidradradradrany ho re avy ao an-tranony,

rehefa tonganao tampoka

ao aminy, ny andian-jirika mitondra fiadiana.

Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo;

sady efa nanafim-pandrika eo anoloan’ny tongotro.

23 Ary fantatrao avokoa, ry Iaveh ô,

ny fiokoan’izy ireo hamonoany ahy.

Aza mamela ny helony;

aza vonoina eo imasonao ny fahotany;

fa aoka hitambotsitra eo anatrehanao izy,

ary hasianao amin’ny andro fahatezeranao.

Categories
Jeremia

Jeremia 19

Siny vaky sy fifandonana tamin’i Fasora

1 Izao no voalazan’i Iaveh: Mandehana mividy tany ho anao; ary ento hiaraka aminao,

2 ny loholona amin’ny vahoaka, sy ny loholona amin’ny mpisorona, dia mivoaha ho any amin’ny lohasahan’i Ben-Hinômaizay ao amin’ny fidiran’ny vavahadin’ny Fanefem-bilany, ka torio eo ny teny holazaiko aminao.

3 Ataovy hoe:

Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo,

mpanjakan’i Jodà sy mponina ao Jerosalema.

Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Indro hoentiko ho amin’ity fitoerana ity ny loza

hampangintsingintsina ny sofin’izay mandre azy:

4 satria izy ireo efa nahafoy ahy,

sy nanova fenitra ity fitoerana ity,

fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa,

izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà;

sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty.

5 Nanorina ireo fitoerana avo ho an’i Baala izy,

handoroany ny zanany amin’ny afo

ho sorona dorana ho an’i Baala.

Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany;

na mba niditra tao an-tsaiko velively.

6 Noho izany indro tamy ny andro,

– teny marin’i Iaveh, –

tsy hiantsoana ity fitoerana ity intsony hoe:

Tôfeta na lohasahan’i Ben-Hinôma

fa hoe lohasaha famonoana kosa.

7 Hofoanako amin’ity fitoerana ity

ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema;

hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy,

sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy;

ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany.

8 Ary ity tanàna ity dia hataoko

zavatra figagàna sy fihomehezana;

ka na iza na iza handalo akaiky azy, hitolagaga,

sady hihomehy noho ny fahamangànana rehetra mahazo azy.

9 Hataoko mihinana ny nofon’ny zananylahy

sy ny nofon’ny zanany vavy izy;

ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy;

fa latsaka an-katerena amam-pahoriana mafy izy

azon’ny afitsoky ny fahavalony

sy izay mitady ny ainy azy.

10 Raha efa izany, montsàny eo imason’ireo olona tafaraka aminao ny siny,

11 ka lazao aminy hoe:

Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika:

Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity,

toy ny fanamòntsana ny vilanin’ny mpanefy,

izay tsy azo atambatra intsony;

ka any Tôfeta no handevenana

noho ny tsy fisian’ny tany handevenana.

12 Izany no hataoko amin’ity firenena ity,

– teny marin’i Iaveh, – sy amin’ny mponina ao aminy,

rehefa hataoko tahaka an’i Tôfeta ity tanàna ity.

13 Ny trano ao Jerosalema

sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà,

ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto;

dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony,

ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra

sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.

14 Tonga avy any Tôfeta, izay nanirahan’i Iaveh haminaniany i Jeremia, ka dia nitsangana teo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh ary nilaza tamin’ny vahoaka rehetra hoe:

15 «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»

Categories
Jeremia

Jeremia 20

1 Nandre an’i Jeremia nanonona izany faminaniana izany i Fasora mpisorona zanak’i Amera, izay mpitandrinaambony ny tranon’i Iaveh.

2 Ary nikapoka an’i Jeremia mpaminany i Fasora, nampamatotra azy amin’ny bolokyhazo, tao amin’ny vavahady Avon’i Benjamina izay ao amin’ny tranon’i Iaveh.

3 Ny ampitso dia nasain’i Fasora notsoahana amin’ny boloky hazo i Jeremia, ka hoy i Jeremia taminy: «Tsy i Fasora intsony no iantsoan’i Iaveh anao, fa i Magôra-Misabiba.»

4 Satria izao no lazain’i Iaveh:

«Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana,

ianao sy ny sakaizanao.

Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony,

ary ianao hahita maso an’izany.

I Jodà rehetra koa hatolotro

ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna,

ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo,

ary hovonoiny amin’ny sabatra.

5 Hatolotro avokoa ny harena amin’ity tanàna ity,

ny vokany rehetra aman-java-tsoany rehetra,

ary ny rakitra rehetra an’ny mpanjakan’i Jodà,

hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony;

ka hobaboiny, halainy,

hoentiny mankany Babilôna.

6 Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao,

ho lasan-ko babo ianareo;

ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao;

any no handevenana anao,

dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra,

izay naminanianao lainga.»

Sombin’ireo «fiaikena» amin’ny Tompo

7 Ry Iaveh ô, notarihinao aho, ka voatarika,

Nosamborinao, ka nahery Ianao.

Zavatra fihomehezana aho isan’andro;

maneso ahy avokoa ny olona rehetra.

8 Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo,

manambara loza sy fandringanana,

ka ny tenin’i Iaveh tonga

fandatsàna sy fihomehezana ahy isan’andro.

9 Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho,

tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!…

dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko,

voahidy ao anatin’ny taolako;

nanao izay hihazonana azy aho

nefa tsy nahatana azy.

10 Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe:

Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza!

Torio izy, andeha hotorintsika izy!

Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko,

manao andry maso ny diako:

Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika,

ka dia hamaly faty azy isika.

11 I Iaveh anefa no momba ahy, toy ny lehilahy mahery;

ka hitambotsitra ireo mpanenjika ahy,

fa tsy haharesy.

Ny tsy hahombiazany hahasafo-kenatra azy

amin’ny fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina.

12 Ry Iavehn’ny tafika, Ianao izay mizaha toetra ny marina,

izay mahita ny voa sy ny fo,

hahita ny famalianao an’ireo aho,

fa Ianao no nanankinako ny adiko.

13 Mihirà ho an’i Iaveh, miderà an’i Iaveh,

fa manafaka ny fanahin’ny ory,

amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Izy.

14 Ho voaozona anieny andro nahaterahako!

Tsy hotahina anie ny andro niterahan’i neny ahy!

15 Ho voaozona anie ny olona nitondra teny tamin’ikaky,

sy nanao hoe: Tera-dahy ianao!

ka nahafeno hafaliana azy!

16 Aoka izany olona izany ho toy ny tanàna

noravan’i Iaveh, ka tsy nanenenany!

Aoka izy, ny maraina, handre ny fitarainan’ny olon-dresy,

ary ny mitataovovonana, ny akoralavan’ny mpandresy!

17 noho izy tsy namono ahy hatrany am-bohoka,

hahatonga an’i neny ho fasako,

na ho voatana ao an-kibony mandrakizay aho!

18 Nahoana aho no nivoaka avy ao an-kibony,

hahita fijaliana amam-pahoriana,

sy handany ny androko amin’ny fahafaham-baraka!

Categories
Jeremia

Jeremia 21

Valy nomena an’ireo irak’i Sedesiasa

1 Izao no teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia, raha nirahin’i Sedesiasa mpanjaka, ho any aminy, i Fasora zanak’i Melkiasa sy i Sôfôniasa mpisorona, zanak’i Maasiasa, hanao aminy hoe:

2 «Masìna ianao, manontania an’i Iaveh ho anay, fa miady aminay i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna; angamba i Iaveh hanao indray ho anay ireo asany mahagagalehibe rehetra, mba hialan’ilay io aminay.»

3 Dia hoy ny navalin’i Jeremia azy ireo: Lazao amin’i Sedesiasa, ataovy hoe:

4 Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Indro, ny fiadiana eny an-tananareo, entinareo miady any ivelan’ny manda, amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina, izay manao fahiranoanareo, dia hataoko miverina any aoriana sy hangoniko eo afovoan’ny tanàna;

5 ary izaho hiady aminareo amin’ny tanana ahinjitra sy sandry mahery amim-pahatezerana, fisafoahana sy fahavinirana mafy.

6 Hasiako avokoa ny mponina amin’ity tany ity, na olona na biby, ka ho fatin’ny pesta mafy.

7 Manaraka izany, – teny marin’i Iaveh, – hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory.

8 Dia lazao amin’io vahoaka io hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro ataoko eo anoloanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana.

9 Izay mbola hitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin’ny sabatra na ny mosary na ny pesta; izay hivoaka hanatona ireo Kaldeaninana manao fahirano anareo kosa dia ho velona ary hanana ny ainy ho babony.

10 Satria hahatonga loza, fa tsy soa amin’ity tanàna ity, no nitodihan’ny Tavako azy, – teny marin’i Iaveh, – dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy, ka hodorany ho levona amin’ny afo.

Sarobabay amin’ny taranaky ny mpanjaka

11 Ary lazao amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà hoe:

Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo.

12 ry taranak’i Davida:

Izao no lazain’i Iaveh:

Manaova fitsarana marina, hatramin’ny maraina;

afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna,

fandrao mipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako,

ka hirehitra tsy ho azon’olona vonoina,

noho ny haratsian’ny ataonareo.

13 Ary izao kosa no momba anao, ry mponina ao an-dohasaha,

ry vatolampin’ny tany lemaka, – teny marin’i Iaveh, –

ianao izay manao hoe: Zovy moa no hidina atỳ aminay,

sy hiditra atỳ amin’ny fierenay?

14 Hanasazy anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho,

– teny marin’i Iaveh, –

handrehitra afo amin’ny alanyAho,

ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Categories
Jeremia

Jeremia 22

1 Izao no lazain’i Iaveh: Midìna ho any an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà,

2 ka lazao eny izao teny izao, ataovy hoe:

«Henoy ny tenin’i Iaveh, ry mpanjakan’i Jodà,

izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

dia ianao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao,

izay miditra amin’ireto vavahady ireto.»

3 Izao no lazain’i Iaveh:

«Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo;

afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna:

ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena;

dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy,

na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.

4 Raha tanterahinareo tsara izao teny izao:

ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

hiditra amin’ny vavahadin’ity trano ity,

mitaingina kalesy aman-tsoavaly

dia izy, ny mpanompony amam-bahoakany.

5 Fa raha tsy mihaino izany teny izany kosa ianareo,

dia mianiana amin’ny Tenako Aho, – teny marin’i Iaveh, –

fa ho rava no halehan’ity lapa ity.»

6 Satria izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà:

«Tahaka an’i Galaadaianao amiko,

tahaka ny tampon’i Libàna,

nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.

7 Efa manomana mpandrava hamely anao Aho,

ka samy mitondra ny fiasàny avy izy ireo;

hokapainy ny sederanao voafantina,

dia hatsipiny amin’ny afo.

8 Firenena maro no handalo amin’ity tanàna ity,

ka hifampilaza hoe:

Nahoana no dia nataon’i Iaveh tahaka izao ity tanàna lehibe ity?

9 Ary hataon’ny olona hoe:

Satria nahafoy ny faneken’i Iaveh Andriamaniny izy ireo,

ka niankohoka teo anatrehan’ny andriamani-kafa

sy nanompo ireny.»

Mamely an’i Jôakaza

10 Aza itomaniana ilay maty

ary aza igogogogoana izy io;

fa ilay lasanano itomanio dia itomanio,

fa tsy hiverina intsony izy,

tsy hahita intsony ny tany nahaterahany!

11 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Ny amin’i Seloma zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà,

izay nanjaka nisolo toerana an’i Josiasa rainy,

sy efa niala tamin’ity fitoerana ity:

Tsy hiverina atỳ intsony izy,

12 fa ho faty any amin’ny tany nitondrana azy ho babo,

ka tsy hahita ity tany ity intsony.

Mamely an’i Jôakima

13 Mila loza izaymanorina ny tranony tsy amin’ny rariny,

sy ny rihany tsy amin’ny hitsiny;

izay mampiasa maina ny namany,

tsy mandoa ny karamany,

14 sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho,

sy efitrano malalaka;

dia asiany varavarankely betsaka,

ataony tafo sedera,

ary hosorany loko mena mivaivay.

15 Noho ianao adalan-tsedera va no maha-mpanjaka anao?

Moa tsy nisotro sy nihinana va ny rainao?

Nanao ny hitsiny sy ny rariny izy,

ary tamin’izany dia tsara ny zavatra rehetra taminy;

16 nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy,

ka amin’izany tsara ny zavatra rehetra.

Moa tsy izany va no fahalalana Ahy,

– teny marin’i Iaveh? –

17 Fa ny masonao amam-ponao

tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao,

mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy

sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny,

hanatanterahana izany.

18 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh,

ny amin’i Jôakima, zanak’i Josiasa,

mpanjakan’i Jodà

Tsy hitomaniana izy hatao hoe

Indrisy, ry rahalahy, indrisy, ry anabavy.

Tsy hitomaniana izy hatao hoe

Indrisy, tompoko! Indrisy, ry mpanjaka!

19 Halevina toy ny fandevina ampondraizy

hotaritarihina sy hariana

any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.

Mamely an’i Jôakîna

20 Miakara any Libàna, dia miantsoa mafy

manandrata feo any Basàna!

Miantsoa mafy any an-tampon’i Abarima,

fa torotoro avokoa ireo lehilahinao.

21 Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana

nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho!

Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany:

tsy nihaino ny feoko ianao!

22 Fa hoentin’ny rivotra handrasany ny mpiandry anao

ary ho lasan-ko babo ny lehilahinao

ka dia hangaihay sy ho safo-kenatra ianao,

noho ny haratsianao rehetra.

23 Ianao izay mitoetra any Libàna,

sy manao ny akaninao any amin’ny sedera,

endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao,

fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!

24 Velona Aho, – teny marin’i Iaveh, –

Na ho peratra eo an-tanako ankavanana aza

I Jekôniasazanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà

dia hombotako hiala eo izy.

25 Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady ny ainao ianao,

ho eo an-tanan’ireo mampangovitra anao eo anoloany;

ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna,

ho eo an-tanan’ny Kaldeanina.

26 Hatsipiko ianao sy ny reninao

niteraka anao,

ho any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo

ka any ianao no ho faty.

27 Fa ny tany hirìny hiverenana, dia tsy hiverenany.

28 Moa vilany famingavinga sy torotoro ve

ity lehilahy ity, Jekôniasa,

sa fanaka efa tsy misy tia intsony?…

Nahoana no noroahina izy sy ny taranany,

sy natsipy any an-tany

tsy fantany?

29 Ry tany ô, ry tany ô, ry tany ô,

henoy ny tenin’i Iaveh!

30 Izao no lazain’i Iaveh:

Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka,

ho lehilahy tsy mahomby amin’ny androny!

Fa amin’ny taranany tsy hisy hahavanona

ny mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

hanjaka indray amin’i Jodà.

Categories
Jeremia

Jeremia 23

Ilay mpanjakan’ny ho avy

1 Loza ho an’ny mpiandry manary sy manahaka

ny ondry eo amin’ny kijanako, – teny marin’i Iaveh! –

2 Koa izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely,

ny amin’ireo mpiandry miandry ny vahoakako:

Ny ondriko dia nahahakareo, naronjindronjinareo;

tsy niahy azy ireo ianareo.

Koa indro Aho kosa mba hiahy, hamelezako anareo,

ny haratsian’ny nataonareo, – teny marin’i Iaveh. –

3 Ary Izaho dia hanangona izay sisa amin’ny ondriko,

avy eny amin’ny tany rehetra nandroahako azy,

dia haveriko ho eo amin’ny kijanany izy;

ka hitombo sy hihamaro.

4 Ary hanangana mpiandry izay hiandry azy Aho;

ka tsy hanan-tahotra na vadi-po intsony izy;

sady tsy hisy diso tsy eo, na dia iray aza,

– teny marin’i Iaveh. –

5 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hananganako ho an’i Davida solofo marina;

hitondra ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.

6 Amin’ny androny, i Jodà hovonjena;

i Israely handry feizay;

ary izao no anarana hanononana azy:

Iaveh-fahamarinantsika.

7 Noho izany, indro avy ny maraina, – teny marin’i Iaveh, –

izay tsy hanaovana intsony hoe: Velona i Iaveh,

izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra

avy any amin’ny tany Ejipta;

8 fa hoe: Velona i Iaveh,

izay nitondra sy nampody

ny firenena taranak’i Israely,

avy any amin’ny tany avaratra

sy ny tany rehetra nandroahako azy.

Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.

Boky kely milaza ny toetran’ireo mpaminany sandoka

9 Ho an’ireo mpaminany:

Ny foko torotoro ato anatiko;

ny taolako rehetra mipararetra;

izaho hoatra ny olona mamo

hoatra ny olona leon-divay,

eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.

10 Fa feno fijangajangana ny tany;

noho ny fanozonana dia misaona ny tany;

maina ny kijana any an’efitra.

Ny idodododoan’ireo dia ny ratsy;

ny heriny dia ny tsy rariny.

11 Hatramin’ny mpaminany ama-mpisorona aza no olona tsy voahasina,

ary hitako hatrao an-tranoko aza ny haratsiany,

– teny marin’i Iaveh. –

12 Koa ny lalan’izy ireo hanjary

fitoerana malama ao amin’ny maizina, ho azy ireo;

haronjina sy ho lavo eo izy;

satria hampidi-doza aminy Aho,

amin’ny taona hamangiako azy, – teny marin’i Iaveh.-

13 Tamin’ireo mpaminanin’i Samaria Aho nahita fahadalana,

fa naminany tamin’ny anaran’i Baala izy ireo,

ka nampaniasia an’i Israely vahoakako.

14 Tamin’ireo mpaminanin’i Jerosalema kosa anefa

nahita zava-mahatsiravinaAho,

fa izy ireo maka vadin’olona sy mandeha araka ny lainga,

mankahery ny tanan’ny ratsy fanahy,

mba tsy hisy miverina avy amin’ny haratsiany izy ireo.

Amiko izy rehetra, tonga tahaka an’i Sôdôma;

ary ny mponina ao Jerosalema tahaka an’i Gômôra.

15 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

ny amin’ny mpaminany:

Dia efa hampihinana zava-mangidy azy ireo Aho,

sy hampisotro rano voaisy poizina azy!

Satria avy amin’ny mpaminanin’i Jerosalema

no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.

16 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

«Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany

maminany aminareo,

mitarika anareo ho amin’ny zava-poana izy ireo;

ny fahitana avy ao am-pony no ambarany,

fa tsy izay aloaky ny vavan’i Iaveh.

17 Izay manamavo Ahy ilazany hoe:

Izao no voalazan’i Iaveh: Hiadana ianareo,

ary izay rehetra manaraka ny haratsian’ny fony, ataony hoe:

Tsy hisy loza hanjò anareo.

18 Fa zovy moa no nanatrika ny fisainan’i Iaveh,

ka nahita sy nandre ny teniny?

Iza no efa nanongilan-tsofina nihaino ny teniny, ka nandre izany?»

19 Indro ny tafio-drivotr’i Iaveh; ny fahatezerana efa hipoaka;

mitambolibolina ny tadiony

ka mihantona amin’ny lohan’ny tsy tia fivavahana.

20 Tsy hihemotra ny hatezeran’i Iaveh

raha tsy efa vitany sy tanterany ny hevitry ny fony.

Ho fantatrareo mazava izany, amin’ny andro farany.

21 Izaho tsy naniraka ireo mpaminany;

nefa nihazakazaka izy!

Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!

22 Raha nanatrika ny fisainako izy,

dia ny teniko ho nambarany tamin’ny vahoakako;

ka ho namerina azy hialaamin’ny lalan-dratsiny izy,

sy amin’ny faharatsian’ny ataony.

23 Moa Andriamanitry ny akaiky ihany va Aho,

teny marin’i Iaveh, –

fa tsy mba Andriamanitra amin’ny lavitra koa?

24 Misy olona mahay miery amin’ny fierena va,

ka tsy ho hitako? – teny marin’i Iaveh-

Ny lanitra sy ny tany,

moa tsy manerana azy va Aho? – teny marin’i Iaveh.-

25 Reko ny lazain’ireo mpaminany ireo,

izay maminany lainga amin’ny Anarako,

manao hoe: «Nanonofy aho; nanonofy aho!»

26 Mandra-pahoviana?… Moa kendren’ireo mpaminany ireo,

izay maminany lainga,

ireo mpaminany ny fitaky ny fony ireo,

27 moa ampoiziny va ny tsy hahatadidiavan’ny vahoakako Ahy,

noho ny nofy ifampilazan’izy samy izy avy,

toy ny nanadinoan’ny razany ny Anarako,

nosoloiny an’i Baala?

28 Aoka ny mpaminany nanonofy

hilaza izany nofy izany;

ary izay manana ny teniko,

hilaza marina ny teniko.

Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary?

– teny marin’i Iaveh. –

29 Moa ny teniko va, tsy tahaka ny afo,

– teny marin’i Iaveh, –

sy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy?

30 Koa hiaviako ireo mpaminany ireo,

izay mifangalatra ny teniko samy ho azy avy.

31 Indro hiaviako ireo mpaminany ireo,

– teny marin’i Iaveh, –

izay mampipelipelika ny lelany manao hoe:

«Teny marin’i Iaveh!»

32 Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga,

– teny marin’i Iaveh, –

izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako,

amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony.

Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho.

Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy,

– teny marin’i Iaveh. –

33 Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona,

no manontany anao manao hoe:

«Inona izao no mavesatra ho an’i Iaveh?»

dia valio hoe: «Ianareo no izany mavesatra izany,

ary hariako ianareo.» – teny marin’i Iaveh. –

34 Ary izay mpaminany, na mpisorona, na sarambaben’olona,

hanao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,»

dia hovangiako io olona io mbamin’ny ankohonany.

35 Izao no ifampilazanareo aminareo isany,

sy amin’ny havanareo avy:

«Ahoana no navalin’i Iaveh?» ary: «Ahoana, hoy i Iaveh?»

36 fa tsy haverinao intsony kosa ny hoe:

«Mavesatra ho an’i Iaveh!»

Fa ny tenin’ny olona ihany no havesatra aminy avy;

satria ianareo mamadika ny tenin’Andriamanitra velona,

dia i Iavehn’ny tafika, Andriamanitsika.

37 Izao no holazainareo amin’ny mpaminany:

«Ahoana no navalin’i Iaveh taminao? Ahoana hoy i Iaveh?»

38 Fa raha ataonao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,»

dia izao kosa no lazain’i Iaveh:

«Noho ianareo nilaza ny teny hoe:

Mavesatra ho an’i Iaveh,

rehefa naniraka tany aminareo anefa Aho hilaza aminareo hoe:

Aza manao hoe: Entan’i Iaveh intsony;

39 noho izany, Izaho kosa dia tena hanadino anareo mihitsy,

sy hanary anareo tsy ho eo anatrehan’ny Tavako,

dia ianareo mbamin’ny tanàna nomeko

anareo sy ny razanareo;

40 ary ataoko tonga aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay,

ny henatra mandrakizay,

izay tsy hohadinoina na oviana na oviana.»

Categories
Jeremia

Jeremia 24

Aviavy roa harona

1 Nampitazanin’i Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan’ny Tempolin’i Iaveh; ny nahatongavan’izany, dia taorian’ny nitondran’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, ny lehiben’i Jodà, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilôna.

2 Ny iray tamin’ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.

3 Ary hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Jeremia?» Dia hoy ny navaliko azy: «Aviavy; ka ny aviavy tsara moa, tsara dia tsara; ny ratsy kosa, ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.»

4 Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh manao hoe:

5 «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely:

Tahaka ny fijery an’ireto aviavy tsara ireto

no ho fijeriko amim-pitiavana ny voababo amin’i Jodà,

izay nalefako avy amin’ity fitoerana ity,

ho any amin’ny tanin’ny Kaldeanina.

6 Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy,

ka hampodiko ho amin’ity tany ity;

haoriko izy, ka tsy horavako intsony;

hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.

7 Homeko fo hahalalany Ahy izy,

hahafantarany fa i Iaveh Aho;

ary ho Andriamaniny Aho; ho vahoakako izy;

satria hiverina amiko amin’ny fony rehetra izy.

8 Ary toy ny ataon’ny olona amin’ireo aviavy ratsy ireo,

izay tsy azo hanina akory, noho ny haratsiany loatra,

– izao no tenin’i Iaveh –

no hataoko amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà,

ny mpanapaka mbamin’izay sisa any Jerosalema,

ireo izay mitoetra amin’ity tany ity,

ary ireo monina any amin’ny tany Ejipta.

9 Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo,

any amin’ny fanjakana rehetra amin’ny tany,

ho fandatsa ho ambentinteny, ho fihomehezana, ho fanozonana,

any amin’ny tany rehetra handroahako azy.

10 Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta

dia hirahiko hanjò azy,

mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin’ny tany,

izay nomeko azy sy ny razany.»

Categories
Jeremia

Jeremia 25

4. I BABILÔNA, LOZA IRAHIN’I IAVEH

1 Teny tonga tamin’i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin’ny taona faha-4 nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, taona voalohany nanjakan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.

2 Teny notononin’i Jeremia momba ny vahoaka rehetra any Jodà, mbamin’ny mponina rehetra any Jerosalema nataony hoe:

3 Hatramin’ny taona faha-13 nanjakan’i Josiasa zanak’i Amôna, mpanjakan’i Jodà, ka mandrak’androany, dia efa 23 taonaizay, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh tamiko, sy nitenenako taminareo ka niteny taminareo hatramin’ny maraina aho; kanefa tsy nihaino ianareo.

4 Nirahin’i Iaveh taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahiny hatramin’ny maraina; kanefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory, Hoy izy:

5 Samia ianareo miverina miala amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny haratsian’ny asanareo avy, dia honina amin’ny tany nomen’i Iaveh anareo sy ny razanareo, amin’ny taona mifandimby ianareo.

6 Aza mandeha manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy; ary aza mampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, dia tsy hampidi-doza aminareo akory Aho.

7 Tsy nihaino ahy anefa ianareo, – teny marin’i Iaveh – ho fampahatezerana Ahy tamin’ny asan-tananareo, ary ho loza ho anareo.

8 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Noho ianareo tsy nihaino ny teniko,

9 dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, – teny marin’i Iaveh, – hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.

10 Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.

11 Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70taona.

12 Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, – teny marin’i Iaveh, – ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.

13 Hataoko mihatra amin’izany tany izany avokoa ny teny voalazako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra amin’ity boky ity.

Fampisehoan’Andriamanitra ilay kapoaka

Ny novinanin’i Jeremia hamelezana ny firenena rehetra.

14 Fa hampanompoin’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan’ny tanany avy.

15 Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.

16 Hisotro amin’izany izy ireo, dia handraingiraingy sy ho very saina eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoan’izy ireo.»

17 Noraisiko ny kapoaka teny an-tanan’i Iaveh, nampisotroiko ny firenenarehetra nanirahan’i Iaveh ahy, dia i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Jodà,

18 ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao.

19 I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra,

20 ny vahoaka mifangaro rehetra; ny mpanjaka rehetra amin’ny Otsa, ny mpanjaka rehetra amin’ny tanin’ny Filistinina, i Askalôna, i Gazà, i Akarôna, mbamin’ny sisa any Azota;

21 I Edôma, i Moaba, mbamin’ny taranak’i Amôna;

22 ny mpanjaka rehetra any Tira, ny mpanjaka rehetra any Sidona, mbamin’ny mpanjakan’ny nosy any an-dafin’ny ranomasina;

23 I Dedana, i Temà, i Boza, mbamin’ireo rehetra miharatra fihirifana;

24 ny mpanjaka rehetra any Arabia, ny mpanjaka rehetra amin’ireo firenena mifangaro monina any an’efitra;

25 ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin’ny mpanjaka rehetra any Media;

26 ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesàkano hisotro manaraka ireo.

27 Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Misotroa ianareo, mimamoa, mandoava, ary mianjerà tsy hiarina intsony, eo anoloan’ny sabatra halefako ho eo afovoanareo.»

28 Ary raha mandà tsy handray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy ireo, lazao aminy hoe: «Izao no tenin’i Iaveh: Hisotro ianareo!

29 Fa jereo ange ny tanàna iantsoana ny Anarako ho fiarovana azy no nampihàrako voalohany ny loza; ka ianareo indray ve no ho afaka? Tsy ho afaka ianareo, fa hantsoiko hamely ny mponina rehetra amin’ny tany, ny sabatra,» – teny marin’i Iaveh.

30 Ary ianao haminany izany zavatra rehetra izany amin’izy ireo, ka hilaza aminy hoe:

«Mitrena any ambony i Iaveh

nampikotrokotroka ny feony izy any amin’ny fonenany masina,

mitrena mafy mamely ny taniny;

akoran’ny mpioty voaloboka no alefany,

manohitra ny mponina rehetra amin’ny tany.

31 Re hatrany am-paran’ny tany, ny horakoraka;

satria i Iaveh mampamoaka ny firenena rehetra,

mifandahatra amin’ny nofo rehetra eo amin’ny fitsarana,

manolotra ny ratsy fanahy amin’ny sabatra,

– teny marin’i Iaveh. –

32 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Indro ny loza hitety ny firenen-tsamihafa.

Misy tafio-drivotra mahery, hiposaka avy any am-paran’ny tany.

33 Ka amin’izany andro izany, hisy izay novonoin’i Iaveh,

hatramin’ny faran’ny tany iray, ka hatramin’ny farany iray koa;

tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny,

fa ho toy ny zezika eo ambonin’ny tany.

34 Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna,

mihosinkosena amin’ny vovoka, ianareo lehiben’ny ondry,

fa tapitra amin’ny famonoana ny andronareo;

hamely anareo Aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy ianareo.

35 Ny mpiandry ondry tsy hanan-kandosirana;

ny lehiben’ny ondry tsy hanan-kialofana.

36 Re ny fitarainan’ny mpiandry ondry,

ary ny fidradradradran’ny lehiben’ny ondry,

fa nosimban’i Iaveh ny tany fiandrasana azy.

37 Ny any an-tsaha tsy misy tabataba dia rava

avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh!

38 Mandao ny fiereny toy ny liona mandao ny lobolobony izy;

ny tanin’izy ireo efa hovana ho efitra,

eo anoloan’ny hatezeran’ny mpandrava,

eo anoloan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.»

Categories
Jeremia

Jeremia 26

I Jeremia samborina sy tsaraina, fa niteny momba ny hamelezana ny Tempoly

1 Tamin’ny niandohan’nynanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’izao teny izao, avy amin’i Iaveh, ho amin’i Jeremia.

2 Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetraizay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.

3 Angamba hihaino ihany izy, ka samy hiverina hiala amin’ny lalan-dratsiny avy; dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy, noho ny haratsian’ny ataony.

4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: ‹Raha tsy manaiky Ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna nataoko eo anoloanareo;

5 tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko, irahiko ho any aminareo, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, kanefa tsy nohenoinareo,

6 dia hataoko tahaka an’i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ity tanàna ity.› »

7 Ren’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra ny nilazan’i Jeremia ireo teny ireo, tao an-tranon’i Iaveh.

8 Nony tapitra voalazan’i Jeremia avokoa izay nasain’i Iaveh nolazaina amin’ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: «Ho faty ianao!

9 Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’i Iaveh hoe: ‹Ho tahaka an’i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity?› » – Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’i Iaveh i Jeremia.

10 Nony nandre izany zavatra izany ny loholon’i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon’ny mpanjaka izy, nankao an-tranon’i Iaveh, ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady Vaovaoamin’ny tranon’i Iaveh.

11 Dia hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: «Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity, araka ny efa ren’ny sofinareo.»

12 Fa niteny tamin’ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe: «I Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.

13 Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana anareo.

14 Ary ny amiko, dia inty aho, eto an-tananareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.

15 Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»

16 Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra, tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany: «Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity, satria tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.»

17 Ary ny sasany tamin’ny loholona amin’ny tany, nitsangana nilaza tamin’ny olona rehetra vory teo, nanao hoe: Tamin’ny andron’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà,

18 i Mikeaavy any Môresheta dia naminany, ka nilazatamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe:

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Hasaina toy ny tanimboly i Siôna;

hanjary antontan-java-drava i Jerosalema

ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly.

19 Ka moa namono azy va i Ezekiasa sy i Jodà rehetra? Tsy natahotra an’i Iaveh ahay va izy ireo? Tsy nifona tamin’i Iaveh va izy? Dia nanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana azy ireo, hampidi-doza amin’ny fanahintsika?

20 Nisy lehilahy anankiray koa, naminany tamin’ny Anaran’i Iaveh, dia i Oria, zanak’i Semeià, avy any Kariatiarima; izay novinanin’i Jeremia indrindra no novinaniny, hanjò an’ity tanàna ity, sy ity tany ity.

21 Nandre ny teniny i Jôakima mpanjaka, mbamin’ny lehilahy maheriny rehetra sy ny mpanapaka rehetra, ka nitady hamono azy ny mpanjaka. Nahare izany i Oria, ka natahotra, dia nandositra tany Ejipta.

22 Fa naniraka olona ho any Ejipta i Jôakima mpanjaka, dia i Elnatàna zanak’i Akobôra, ary olon-kafa koa niaraka taminy, ho any Ejipta.

23 Ka nalain’ireo hiala tany Ejipta i Oria, dia nentiny teo amin’i Jôakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin’ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin’ny fasan’ny ankapobem-bahoaka.

24 Fa ny tanan’i Ahikama zanak’i Safàna kosa dia nanohana an’i Jeremia. Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.

Categories
Jeremia

Jeremia 27

Asa ambaran’ny hoe jioga sy hafatra ho an’ireo mpanjaka any andrefana.

1 Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny natao avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia.

2 Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Manaova fatorana sy jioga ianao, ka ataovy eo ambony vozonao.

3 Dia ampanatero izany ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma, ny mpanjakan’i Moaba, ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ny mpanjakan’i Tira, ary ny mpanjakan’i Sidona, amin’ny alalan’ireo iraka izay tonga tatỳ Jerosalema ho any amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà:

4 Ka omeo teny hafatra ho an’ny tompony izy ireo ataovy hoe: Izao no holazainareo amin’ny tomponareo:

5 Izaho no nanao tamin’ny heriko aman-tsandriko nahinjitra ny teny sy ny olona mbamin’ny biby eto ambonin’ny tany, ary manome azy ho an’izay tiako.

6 Koa ankehitriny, efa natolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko, ireto tany rehetra ireto; nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha aza, hanompo azy.

7 Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.

8 Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, – teny marin’i Iaveh, – mandra-pandringako azy amin’ny tanany.

9 Ary ianareo, aza mihaino ireo mpaminaninareo, na mpimasinareo, na ny nofinareo, na ny fambarànareo, na ny mpanao fankatoavanareo, izay milaza aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo.

10 Fa lainga no vinanìn’ireo aminareo, sy handroahako anareo ka haharingana anareo.

11 Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna sy hanompo azy, dia havelako handry feizay eo amin’ny taniny, – teny marin’i Iaveh, – ka hiasa azy, sy honina eo aminy.

12 Ary i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà koa, efa nilazako izany teny rehetra izany, nataoko hoe: Ampidiro ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

13 Nahoana ianareo, dia ianao sy ny vahoakanao, no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, araka ny voalazan’i Iaveh hanjò ny firenena tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babilôna?

14 Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo; fa lainga no vinanìny aminareo.

15 Tsy naniraka azy ireo Aho, – teny marin’i Iaveh, – fa maminany lainga amin’ny Anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia ianareo mbamin’ireo mpaminany maminany aminareo.

16 Ary ny mpisorona mbamin’io vahoaka rehetra io dia nitenenako toy izao: Izao no tenin’i Iaveh: Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminaninareo, izay maminany aminareo manao hoe: Indro fa vetivety foana, dia hampodina avy any Babilôna ny fanakyny tranon’i Iaveh, fa lainga no vinanìny aminareo.

17 Aza mihaino ireo ianareo, fa maneke ny mpanjakan’i Babilôna, dia ho velona ianareo. Nahoana no dia hatao tonga lao ity tanàna ity?

18 Raha mpaminany izy ireo ka ao aminy tokoa ny tenin’i Iaveh, aoka izy hifona amin’i Iavehn’ny tafika mba tsy ho lasa any Babilôna ny fanaka sisa tavela ao an-tranon’i Iaveh sy ao an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà ary ao Jerosalema.

19 Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, ny amin’ireo andry, ranomasina, fototra mbamin’ny fanaka sisa tafajanona amin’ity tanàna ity,

20 izay tsy nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fony izy nitondra ho babo, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny lehiben’i Jodà sy i Jerosalema rehetra.

21 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo fanaka sisa ao an-tranon’i Iaveh, sy ao an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà ary ao Jerosalema:

22 Hoentina any Babilôna koa ireo, sady hitoetra any, mandra-piavin’ny andro hamangiako azy, – teny marin’i Iaveh, – ka dia hampiakatra azy sy hampody azy amin’ity fitoerana ity indray Aho.