Categories
Jeremia

Jeremia 28

Adin’i Jeremia amin’i Hananiasa mpaminany

1 Tamin’izany taona izany ihany, dia tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesisa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko tao an-tranon’i Iaveh, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Hananiasa mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaôna, nanao hoe:

2 «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa notapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.

3 Roa taona sisa, dia haveriko amin’ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’i Iaveh, nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, avy amin’ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilôna.

4 Ary hampodiko amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna, – teny marin’i Iaveh, – fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.»

5 Ary i Jeremia mpaminany namaly an’i Hananiasa mpaminany, teo anatrehan’ny mpisorona sy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, izay tao an-tranon’i Iaveh;

6 ka hoy i Jeremia mpaminany: «Amen! Hataon’i Iaveh anie izany! Hotanterahin’i Iaveh anie ny teny vao avy novinaninao, amin’ny famerenany avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh mbamin’ny babo rehetra, ho amin’ity fitoerana ity indray.

7 Kanefa kosa henoy izao teny holazaiko eto ho ren’ny sofinao sy ny sofin’ny vahoaka rehetra izao:

8 Ireo mpaminany teo alohanao sy talohako, hatramin’ny andro ela, dia efa naminany ady sy loza ary pesta, ho amin’ny tany maro amam-panjakana lehibe

9 Ary izay mpaminany naminany fiadanana kosa, dia ny fahatanterahan’ny tenin’izany mpaminany izany no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin’i Iaveh marina tokoa.»

10 Tamin’izay, nalain’i Hananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany, ka notapahiny.

11 Sady hoy i Hananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra: «Izao no lazain’i Iaveh: Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra raha afaka roa taona.» Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.

12 Nony efa notapahin’i Hananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia, dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

13 «Mandehana ianao, milazà amin’i Hananiasa hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Jioga hazo no notapahinao, fa jioga vy kosa no nataonao hasolo azy.

14 Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Asio jioga vy ny vozon’ireo firenena rehetra ireo, mba hanekeny an’i Nabokodonozora, ka dia hanaiky azy izy ireo efa nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha.»

15 Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hananiasa mpaminany: «Henoy, ry Hananiasa: Tsy nirahin’i Iaveh ianao, ka nataonao izay itokian’ity vahoaka ity amin’ny lainga.

16 Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro esoriko tsy ho eto ambonin’ny tany ianao, dia ho faty ianao satria fiodinana amin’i Iaveh no notorìnao.»

17 Dia maty tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny volana fahafito i Hananiasa mpaminany.

Categories
Jeremia

Jeremia 29

Taratasy ho an’ireo voasesitany

1 Izao no teny voasoratra ao amin’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia mpaminany, avy any Jerosalema, ho any amin’ireo sisan’ny loholonavoababo, ho an’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra, nentin’i Nabokodonozora avy any Jerosalema ho any Babilôna;

2 nony efa niala tany Jerosalema i Jekôniasa mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka, ny eonòka, ny mpanapaka any Jodà sy Jerosalema, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy;

3 taratasy nampitondrainy tamin’ny alalan’i Elàsa, zanak’i Safàna, sy i Gamariasa, zanak’i Helkiasa, izay nirahin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ho any Babilôna, amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hoy ny taratasy hoe:

4 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, amin’ny babo rehetra nasesiko avy any Jerosalema ho any Babilôna.

5 Aoka ianareo hanorina trano, ka hitoetra aminy; hamboly zaridaina, ka hihinana ny vokany;

6 hanambady ka hiteraka zazalahy aman-jazavavy; haka vady ho an’ny zanaka lahinareo, sy hampanambady ny zanaka vavinareo, mba hiterahany zazalahy aman-jazavavy; ka hihamaro amin’ity tany ity ianareo, fa tsy hihavitsy.

7 Mikatsaha soa ho an’ny tanàna nitondrako anareo ho babo, ary mangataha amin’i Iaveh ho azy, fa soa ho anareo ny soa ho azy.

8 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.

9 Satria tsy marina no aminaniany aminareo, amin’ny Anarako; tsy naniraka azy ireo Aho, – teny marin’i Iaveh. –

10 Fa izao no lazain’i Iaveh: Rehefa tapitra ny fitopolo taona, ho an’i Babilôna, no hamangiako anareo sy hanatanterahako ny teniko tsara noho ny aminareo; ka hamerina anareo amin’ity fitoerana ity Aho.

11 Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, – teny marin’i Iaveh, – dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.

12 Hiantso Ahy ianareo, dia ho avy sy hivavaka Amiko ianareo, ary hihaino anareo Aho.

13 Hitady Ahy ianareo, dia hahita Ahy, satria hitady Ahy amin’ny fonareo tokoa ianareo;

14 ka hety ho hitanareo Aho, – teny marin’i Iaveh, – hampodiko ny babo aminareo, ary hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra ianareo sy avy amin’ny fitoerana rehetra nandroahako anareo, – teny marin’i Iaveh, – dia haveriko amin’ity fitoerana nanesorako anareo ity indray.

15 Kanefa, hoy ianareo dia efa nanangana mpaminany ho anayeto Babilôna, i Iaveh.

16 Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ny vahoaka rehetra monina amin’ity tanàna ity, sy ireo rahalahinareo tsy mba lasa nandeha niaraka taminareo ho any amin’ny tany fahababoana.

17 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa halefako hamely an’ireo ny sabatra, ny mosary, ary ny pesta; hataoko toy ny aviavy ratsy tsy azo hanina, noho ny haratsiany loatra, izy.

18 Henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary mbamin’ny pesta ary hataoko fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ho fanozona, figagàna, fihomehezana, fanala baraka eo amin’ny firenena rehetra nandroahako azy;

19 satria izy ireo tsy nihaino ny teniko, – teny marin’i Iaveh, – nefa naniraka ny mpaminany mpanompoko tamin’izy ireo Aho, naniraka azy hatramin’ny vao maraina, nefa tsy nohenoinareo, – teny marin’i Iaveh. –

20 Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo rehetra, babo nalefako avy tany Jerosalema ho any Babilôna!

21 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, ny amin’i Akaba zanak’i Kôliasa, sy i Sedesiasa zanak’i Maasiasa, izay maminany lainga aminareo amin’ny Anarako: Indro izy hatolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hovonoiny eo imasonareo.

22 Izy ireo dia hangalana fomba fanozonana, eo amin’ny babo, avy any Jodà, izay ao Babilôna, toy izao: Aoka ianao hataon’i Iaveh tahaka an’i Sedesiasa sy i Akaba, izay nendasin’ny mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny afo.

23 Satria namoafady tamin’i Israely izy ireo, nijangajanga tamin’ny vadin’ny namany, sy naminany lainga tamin’ny Anarako, izay tsy nandidiako azy, ary mahalala izany Aho, sy vavolombelona Aho, – teny marin’i Iaveh. –

Ny navalin’ilay sesitany ny taratasin’i Jeremia

24 Ary i Semeiàsa, Nehelamita, dia ilazao hoe:

25 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Ianao nandefa taratasy tamin’ny anaranao, ho any amin’ny vahoaka rehetra any Jerosalema, sy i Sôfôniampisorona, zanak’i Maasiasa, mbamin’ny mpisorona rehetra, nilaza hoe:

26 Natsangan’i Iaveh ho mpisorona, hisolo an’i Jôiadà mpisorona ianao, mba hisy mpitandrina ao an-tranon’i Iaveh momba izay olona rehetra manao azy ho nahazo tsindrimandry sy ho mpaminany mba hitananao azy amin’ny boloky na gadra.

27 Ary ankehitriny, ahoana no tsy nisakananao an’i Jeremia, avy any Anatôta, izay maminany aminareo?

28 Fa noho izany, dia nahavatra nampilaza taminay tany Babilôna izy, nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, ka manaova trano ary mitoera ao aminy, mambole amin’ny zaridaina ary mihinàna ny vokany.»

29 Novakin’i Sôfônia mpisorona teo anatrehan’i Jeremia mpaminany izany taratasy izany.

30 Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh manao hoe:

31 Mandefasa iraka, hilaza amin’ny voababo rehetra, hanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Semeiàsa, Nehelamita: Noho i Semeiàsa naminany taminareo, nefa tsy nirahiko, ary lainga no nataony hitokianareo;

32 noho izany dia izao no lazain’i Iaveh: Hamangy an’i Semeiàsa Nehelamita mbamin’ny taranany Aho; tsy hisy amin’ny fianakaviany honina eo amin’ny fireneny; sady tsy mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako izy. – teny marin’i Iaveh, – satria nitory fiodinana amin’i Iaveh izy.»

Categories
Jeremia

Jeremia 30

Fanarenana nampanantenaina an’i Israely tapany avaratra

1 Izao no teny avy amin’i Iaveh, natao tamin’i Jeremia:

2 Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Soraty amin’ny bokyny teny rehetranolazaiko taminao.

3 Fa indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, – hamerenako ny lasan-ko babo tamin’i Israely sy i Jodà vahoakako, ka hampodiako azy indray eo amin’ny tany efa nomeko ny razany, ka hanana azy izy.»

4 Izao no teny nolazain’i Iaveh, ny amin’i Israely sy i Jodà:

5 Izao no lazain’i Iaveh:

Feo mahatsiravina no efa renay;

fahatahorana izao, fa ny fiadanana tsy mba nisy!

6 Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza.

Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako

manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza,

ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?

7 Loza! fa lehibe izany andro izany,

ka tsy misy toa azy!

Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany,

kanefa hoafahana amin’izany izy.

8 Fa hisy toy izao amin’izany andro izany,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika, –

Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany,

ary hotsoahako ny fatoranao;

tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;

9 fa ho mpanaiky an’i Iaveh Andriamaniny izy ireo,

sy an’i Davidampanjakany,

izay hatsangako ho azy.

10 Koa aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko,

– teny marin’i Iaveh, –

ary aza manam-badi-po, ry Israely.

Fa indro Aho hanaisotra anao any an-tany lavitra,

sy ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy.

Dia ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana,

handry feizay, tsy hisy mpanabataba azy.

11 Fa momba anao Aho, – teny marin’i Iaveh, –

hamonjy anao;

hataoko ringana ny firenena rehetra

nampielezako anao.

Fa ianao kosa, tsy mba haringako;

hofaiziko ara-drariny ihany ianao,

fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.

12 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Tsy azo sitranina ny ratranao,

manaintaina ny ferinao;

13 tsy misy olona hisolo vava anao amin’ny adinao,

mba hamehezana ny ferinao,

tsy misy fanafody mahasitrana ho anao.

14 Ny lehilahinaorehetra, nanadino anao,

fa tsy manan-draharaha aminao akory.

Satria nasiako toy ny famely fahavalo ianao,

tamin’ny famaizana lozan-tany,

noho ny habetsahan’ny helokao,

fa efa nitombo be ny fahotanao.

15 Nahoana no mitaraina ianao noho ny faharatranao,

noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao?

Noho ny habetsahan’ny helokao ihany,

sy noho ny nitomboan’ny fahotanao,

no nanaovako izany zavatra izany taminao.

16 Koa izay rehetra mandany anao, holanina;

izay rehetra mampahory anao, ho lasan-ko babo;

izay mamabo anao, hobaboina;

ary izay rehetra mandroba anao, hatolotro horobaina.

17 Fa efa hamehy anao aho,

efa hositraniko amin’ny ferinao ianao,

-teny marin’i Iaveh.-

Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina,

Siôna tsy manam-piahy!

18 Izao no lazain’i Iaveh:

Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba,

ary hamindrako fo ny fonenany;

ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany;

ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany.

19 Hira fiderana no hivoaka avy ao,

sy hobim-piravoravoana.

Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsîna intsony izy;

hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;

20 ho tahaka ny taloha ny zanany;

hiorina mafy eo anatrehako ny fiangonany,

ary hofaiziko avokoa ny mpampahory azy.

21 Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany;

ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy;

hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy;

fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony,

ka mba hanatona Ahy? – teny marin’i Iaveh. –

22 Ary ianareo dia ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo.

23 Indro, ny tafio-drivotr’i Iaveh, ny fahatezerana efa hipoaka:

mivatravatra ny ranonoram-baratra,

miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.

24 Tsy hihemotra ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh,

raha tsy efa niasa sy nanatanteraka ny hevitry ny fony Izy:

ho fantatrareo any am-paran’ny andro any.

Categories
Jeremia

Jeremia 31

1 Amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh, –

Izaho ho Andriamanitry

ny fianakaviana rehetra amin’i Israely,

ary izy ireo ho oloko.

2 Izao no lazain’i Iaveh:

Nahita fitia tany an’efitra ny vahoaka afaka tamin’ny sabatra;

ta-hanome fitsaharana an’i Israely aho.

3 Niseho tamiko tany lavitra tanyi Iaveh.

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao;

izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.

4 Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao,

ry virjinin’i Israely;

hiramarama amin’ny ampongatapakao indray,

ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.

5 Hamboly ny tanimboalobokao indray ianao

any an-tendrombohitr’i Samaria:

izay mamboly, hamboly ka hioty.

6 Fa efa avy ny andro, hiantsoan’ny mpiambina

any amin’ny tendrombohitr’i Efraima hoe:

«Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Siôna,

ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika!»

7 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Mihobia an-kafaliana, ny amin’i Jakôba,

manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay lohan’ny firenena;

ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe:

«Ry Iaveh, vonjeo ny olonao,

dia ny sisa amin’i Israely!»

8 Indro Aho mamerina azy

avy any amin’ny tany avaratra;

manangana azy avy any amin’ny faran’ny tany.

Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa,

ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza;

hanao dia be izy ireo no hiverina atỳ.

9 Hiverina amin-dranomaso izy;

ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina;

eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy,

amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy;

satria efa ray ho an’i Israely Aho,

ary lahimatoako i Efraima.

10 Ianareo, firenena, mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ary torionareo izany, avy amin’ireo nosy lavitra;

ataovy hoe: «Ilay nampiely an’i Israely, dia hanangona azy indray;

ary hiandry azy toy ny fiandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny»;

11 Satria i Iaveh, efa nanavotra an’i Jakôba,

sy nanafaka azy tamin’ny tanan’ny mahery noho izy.

12 Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna.

Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’i Iaveh izy ireo,

ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo,

ho amin’ny ondry aman’omby;

ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny,

ka hitsahatra tsy halazo intsony.

13 Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy,

mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa.

Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany,

halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.

14 Hovokisako ny matavyny fanahin’ny mpisorona;

ary hivoky ny zava-tsoako ny oloko;

– teny marin’i Iaveh. –

15 Izao no lazain’i Iaveh:

Nisy feo re tany Ramà,

dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy;

fa nitomany ny zanany i Rasela

ka mandà tsy hampiononina izy,

ny amin’ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.

16 Izao no lazain’i Iaveh:

Sakano ny feonao tsy hitaraina

ary ny masonao tsy hitomany;

fa hahazo valisoa ny asanao, – teny marin’i Iaveh. –

Hody avy any an-tanim-pahavalo izy ireo.

17 Misy fanantenana ho amin’ny fara andronao,

– teny marin’i Iaveh, –

ary dia hiverina ho amin’ny faritaniny indray ny zanako.

18 Reko ny fitarainan’i Efraima hoe:

«Nofaizanao aho, ka voafay,

toy ny vantotr’ombalahy tsy voafolaka;

avereno aho, dia hiverina,

satria ianao no Iaveh Andriamanitro;

19 Fa nony efa nivily aho, dia nanenina;

ary nony efa nahalala aho, dia nisafo sirana

sady menatra sy nangaihay,

satria mitondra ny fahafaham-barakan’ny fahatanorako aho.»

20 Moa zanaka malalaloatra ho ahy va i Efraima,

zanaka mahazo tombom-pitia?

fa isaky ny miteny mamely azy Aho,

dia mba mahatsiaro azy ihany indray;

ka mangotika ny atiko noho ny aminy?

Eny hamindra fo aminy Aho. – teny marin’i Iaveh. –

21 Manangàna famantaran-dalana, manorena famolaina ho anao,

tandremo ny lalam-be,

ny lalana efa nalehanao.

Miverena, ry virjinin’i Israely,

miverena atỳ amin’ny tanànanao indray.

Mandra-pahoviana no hiriariavanao,

ry zanaka vavy mpiodina?

22 Fa nahary zava-baovao amin’ny tany i Iaveh:

vehivavy hanodidina lehilahy.

Fanarenana nampanantenaina an’i Jodà

23 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Izao teny izao koa no holazaina

any amin’ny tanin’i Jodà, sy amin’ny tanànany,

raha avy izay hampodiako ireo lasan-ko babo tamin’izy ireo:

Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, ry firenen’ny fahamarinana,

ry tendrombohitry ny fahamasinana!

24 Honina ao avokoa i Jodà sy ny tanànany rehetra,

ny mpiasa tany mbamin-dry zareo mitarika ny biby fiompy.

25 Fa ny fanahy mangetaheta, hampisotroiko,

ary ny fanahy reraka, hovokisako.

26 Tamin’izay, dia nahatsiaro aho, ka hitako

fa mamy ny torimaso azoko.

I Israely sy i Jodà

27 Indro, avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hamafazako eo amin’ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà,

masombolin’olombelona sy masombolim-biby.

Ka izao no hitranga: toy ny niambenako azy ireo:

hongotana, hazera, harodana,

horavana ary hampahorina,

28 no hiambenako azy kosa,

haorina sy hambolena, – teny marin’i Iaveh. –

Samy mitondra ny vokatry ny nataony

29 Amin’izany andro izany, tsy hisy intsony hanao hoe:

Ny ray no nihinam-boalobokamaharikivy,

ka ny zanany no madilo nify.

30 Fa samy ho fatin’ny helony avy ny olon-drehetra:

izay mihinam-boaloboka maharikivy, na iza na iza,

dia izy ihany no hadilo nify koa.

Fanekem-pihavanana vaovao

31 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hanaovako fanekena vaovao

amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:

32 ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany,

tamin’ny andro nitantanako azy,

nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,

fanekena nivadihan’izy ireo,

na dia vadiny aza Aho.

33 Fa izao no fanekena

hataoko amin’ny taranak’i Israely,

rehefa afaka izany andro izany, – teny marin’i Iaveh: –

Hataoko ao anatiny ny lalàko,

dia sady hosoratako ao am-pony;

ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho,

ary izy ireo ho oloko.

34 Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,

na olona hampianatra ny rahalahiny,

hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!»

Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, – teny marin’i Iaveh.

Satria havelako ny haratsian’izy ireo

ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Haharitra i Israely

35 Izao no lazain’i Iaveh,

izay manome ny masoandro, hanazava amin’ny antoandro;

sy mametra lalàna harahin’ny volana aman-kintana

hanazava amin’ny alina;

mampanonja ny ranomasina, ka mirohondrohona ny onjany;

– i Iavehn’ny tafika no Anarany: –

36 Raha mitsahatra izany lalàna izany, na oviana na oviana,

eo anatrehako, – teny marin’i Iaveh, –

dia hitsahatra amin’izany koa ny taranak’i Israely,

tsy ho firenena mandrakizay eo anatrehako.

37 Izao no lazain’i Iaveh:

Raha azo refesina ny lanitra ambony,

ka azo takarina ny fanorenan’ny tany ambany,

dia hakìfiko koa ny taranak’i Israely rehetra,

noho izay rehetra efa nataony, – teny marin’i Iaveh. –

38 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hanorenana indray ity tanàna ity, ho an’i Iaveh,

hatramin’ny tilikambon’i Hananeela ka hatramin’ny vavahadin’ny Zorony.

39 Ny tady famolaina hohenjanina mahitsy,

eo amin’ny havoan’i Gareba,

ka hasangodina ho any Gôà.

40 Ny lohasaham-paty aman-davenona rehetra,

mbamin’ny saha rehetra hatramin’ny lohasahan-driaka Sedrôna,

ka hatramin’ny zorom-bavahadin-tSoavaly mitodika atsinanana

dia ho fitoerana masina ho an’i Iaveh,

ary tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.

Categories
Jeremia

Jeremia 32

Saha hovidina, antoky ny hasambaran’i Jodà amin’ny ho avy

1 Teny avy amin’i Iaveh tamin’i Jeremia, tamin’ny taona faha-10 nanjakan’i Sedesiasampanjakan’i Jodà. Taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora kosa izany.

2 Tamin’izany, ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna, nanao fahirano an’i Jerosalema; ary i Jeremia mpaminany, nafahy tao amin’ny kianjan’ny fiambenana, tao amin’ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà.

3 Fa nasain’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà notanana izy, nataony hoe: «Nahoana ianao no maminany manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatolotro ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity, ka ho azony;

4 ary i Sedesisa mpanjakan’i Jodà tsy ho afaka eo an-tanan’ny Kaldeanina, fa hatolotra mihitsy eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hiteny aminy mifanatrika, sy hifankahita maso aminy.

5 Dia hoentina any Babilôna i Sedesiasa, ary hitoetra any, mandra-pamangiko azy, – teny marin’i Iaveh.- Raha miady amin’ny Kaldeanina ianareo, tsy hahomby tsy akory.»

6 Ary hoy i Jeremia: Ny tenin’i Iaveh tonga tamiko nanao hoe:

7 «Indro ho avy atỳ aminao i Hananeela zanak’i Seloma rahalahin-drainao, hanao hoe: ‹Vidio ny sahako ao Anatôta, fa manana ny rariny hanavotanaoazy ianao, ka azonao vidina.› »

8 Dia tonga tatỳ amiko tokoa tao amin’ny kianja fiambenana araka ny tenin’i Iaveh i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ka nanao tamiko hoe: «Mba vidio ny sahako ao Anatôta, amin’ny faritanin’i Benjamina, fa manana ny rariny handoavanao sy hanavotanao azy ianao, ka mba vidio àry.» Fantatro tamin’izany fa tenin’i Iaveh izany.

9 Ka novidiko tamin’i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ilay saha ao Anatôta, ary nolanjaiko ny vola ho azy, sikla volafotsy fito ambin’ny folo.

10 Dia nosoratako ny fanekena sady nasiako tombokase, sy nangalako vavolombelona, vao nolanjaiko tamin’ny mizàna ny vola.

11 Manaraka izany, nalaiko ny fanekem-pividianana, dia ilay anankiray efa voaisy tombokase, ilay misy ny famarafarana sy ny fepetra, sy ilay anankiray mivelatra koa.

12 Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.

13 Ary izao no didy nomeko an’i Baròka, teo anatrehan’ireo:

14 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: «Raiso ireto fanekena ireto, dia ity fanekem-pividianana voaisy tombon-kase, sy ity fanekena mivelatra koa, ka ataovy ao anaty siny tany mba haharitra ela.

15 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanimboaloboka amin’ity tany ity ny olona.»

16 Nony voatolotro an’i Baròka zanak’i Nerià ny fanekem-pividianana, dia izao no vavaka nataoko tamin’i Iaveh:

17 «Eny iky, ry Iaveh Tompo ô,

Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany,

tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra,

tsy misy zavatra tsy hainao atao.

18 Ianao no mamindra fo amin’ny arivony

sy mamaly ny heloky ny ray,

eo an-kibon’ny zaza mandimby azy,

ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery,

izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika,

19 lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny asa;

ny masonao ajerinao

ny lalan’ny taranak’i Adama rehetra,

mba hamalianao azy, araka ny lalany avy,

sy araka ny vokatry ny asany avy.

20 Ianao no nanao famantarana amam-pahagagana

tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany,

eo amin’i Israely sy eo amin’ny olona,

ka nampahalaza ny Anaranao, araka izao hitanay anio izao.

21 Ianao no nanatsoaka an’i Israely olonao,

tany amin’ny tany Ejipta,

tamin’ny famantarana amam-pahagagana,

tamin’ny tananao mahery aman-tsandry nahinjitra,

ary tamin’ny fandatsahana fampahatahorana lehibe;

22 ka nanome azy ireo ity tany ity,

izay efa nianiananao tamin’ny razany homena azy,

tany tondra-dronono aman-tantely.

23 Dia tonga teto izy ireo, ka nandray azy hozakainy;

kanefa tsy nihaino ny feonao izy,

na nandeha araka ny lalànao;

ary izay rehetra nandidianao azy hataony, dia tsy nataony,

ka nentinao hanjò azy izao loza rehetra izao.

24 Indro ny tovon-tany hanafahana ny tanàna,

efa mahatakatra azy,

ary ny tanàna efa hatolotra

eo an-tanan’ny Kaldeanina izay mamely azy,

amin’ny sabatra, ny mosary sy ny pesta;

dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany Ianao.

25 Ary Ianao, ry Iaveh Tompo ô, nanao tamiko hoe:

Vidio vola io saha io ho anao, ka asio vavolombelona;

ary ny tanàna ity voatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina!…»

26 Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

27 Izaho no Iaveh Andriamanitry ny nofo rehetra;

moa amiko va hisy zavatra tsy azo atao?

28 Koa izao no lazain’i Iaveh:

Indro ity tanàna ity, hatolotro eo an-tanan’ny Kaldeanina,

sy eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka ho azony.

29 Hiditra amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina izay mamely azy;

ka handrendrika ity tanàna ity izy, dia handoro azy

mbamin’ny trano nanaterana emboka manitra

ho an’i Baala teo ambonin’ny tafony,

sy nandrarahany fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa,

mba hampahatezitra Ahy.

30 Satria ny zanak’i Israely aman-janak’i Jodà,

tsy nanao afa-tsy izay ratsy teo imasoko,

hatramin’ny fahatanorany;

ary ny zanak’i Israely tsy nanao afa-tsy izay hampahatezitra Ahy

tamin’ny asan’ny tanany, – teny marin’i Iaveh. –

31 Fa ity tanàna ity tsy nanao afa-tsy izay hampirehitra

ny hatezerako amam-pahavinirako,

hatramin’ny andro nanorenany azy ka mandraka androany,

mba hanesorako azy tsy ho ao anatrehako;

32 noho ny ratsy rehetra nataon’ny zanak’i Israely

sy ny zanak’i Jodà mba hampahatezitra Ahy,

dia izy ireo, ny mpanjakany, ny mpanapaka azy, ny mpisorony ama-mpaminaniny,

ny lehilahy amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema.

33 Ny lamosiny no natodiny Ahy, fa tsy ny tavany;

ary nony mba nampianatra azy Aho,

nampianatra azy hatramin’ny vao maraina,

dia tsy nihaino izy, mba hahazoany ny fampianarana.

34 Ary nametraka ireo fahavetavetany tao an-trano

fiantsoana ny anarako, handotoany azy.

35 Nanorina ny fitoerana avon’i Baala

tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinôma izy,

ka mandeha amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy ho an’i Môlôka:

nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany

na zavatra mby tao an-tsaiko velively;

nanao izany fahavetavetana izany izy

hampanota an’i Jodà.

36 Koa ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely

ny amin’ity tanàna lazainareo hoe:

«Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna,

amin’ny sabatra, ny mosary, ny pesta, izy.»

37 Indro hangoniko izy ireo avy any amin’ny tany rehetra

nandroahako azy

azon’ny hatezerako amam-pahavinirako

sy fisafoahako mafy;

haveriko amin’ity fitoerana ity indray izy,

ary hataoko mandry feizay eto.

38 Izy ireo dia ho oloko;

ary Izaho ho Andriamaniny.

39 Homeko fo iray izy

ary hampombaiko lalana iray

mba hatahorany Ahy mandrakariva,

hiadanan’izy mbamin’ny taranany mamdimby azy.

40 Hanao fanekena mandrakizay aminy Aho,

mba tsy hihatahako aminy

tsy manao soa aminy intsony,

ary halatsako ao am-pony ny fahatahorany Ahy,

mba tsy hihatahany Amiko.

41 Hataoko fifaliana ho Ahy ny manao soa aminy,

ka hamboleko marina tokoa amin’ity tany ity izy ireo,

amin’ny foko rehetra sy amin’ny fanahiko rehetra.

42 Satria izao no lazain’i Iaveh:

Toy ny nitondrako ireo loza lehibe rehetra ireo,

hanjò ity vahoaka ity,

no hampidirako amin’izy ireo koa

ny soa rehetra lazaiko momba azy.

43 Mbola hividy saha amin’ity tany ity ny olona,

izay lazainareo hoe: tany lao

tsy misy olona na biby intsony,

efa natolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina.

44 Hovidin’ny olona vola ny saha

dia hanaovana fanekena izany,

hasiana tombokase sy hangalana vavolombelona

eo amin’ny tanin’i Benjamina,

sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema sy eo amin’ny tanànan’i Jodà,

eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra sy ny tanànan’i Sefelah,

ary amin’ny tanànan’i Negeba;

satria hampodiko ireo lasan-ko babo,

– teny marin’i Iaveh. –

Categories
Jeremia

Jeremia 33

Fampanantenana hafa hanorenana an’i Jerosalema sy i Jodà

1 Tonga fanindroany tamin’i Jeremia indray ny tenin’i Iaveh, raha mbola voafahy teo amin’ny kianjan’ny fiambenana izy, nanao hoe:

2 Izao no tenin’i Iaveh izay manao izany,

dia i Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy,

– Iaveh no Anarany: –

3 Antsoy Aho dia hamaly anao,

haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.

4 Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely,

ny amin’ireo trano eto amin’ity tanàna ity,

mbamin’ireo tranon’ny mpanjakan’i Jodà

izay nazera hanatrehana ny milina fiadiana sy ny sabatra;

5 ary koa ny amin’ireo amin’ny fatin’olona,

izay hovonoiko noho ny fahatezerako amam-pahavinirako,

ary noho ny amin’ny haratsian’izy ireo

ka hanafenako ny tavako amin’ity tanàna ity:

6 Indro asiako bandy ny feriny,

sy tsaboiko izy, mba ho sitrana;

ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.

7 Hampodiko ny babo tamin’i Jodà sy ny babo tamin’i Israely,

ka haoriko ho tahaka ny taloha indray.

8 Hodioviko izy ho afaka amin’ny haratsiany rehetra

izay nanotany tamiko.

Havelako izy amin’ny helony rehetra

izay nanevatevany Ahy,

izay niodinany tamiko.

9 Ary ny anaran’ity tanàna ity ho Ahy

dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra,

any amin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany,

izay handre ny soa rehetra hataoko aminy;

ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny,

mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra

homeko azy ireo.

10 Izao no lazain’i Iaveh:

Eto amin’ity tany ity, izay lazainareo hoe;

«Efitra tsy misy olona na biby»,

eo amin’ny tanànan’i Jodà,

mbamin’ny araben’i Jerosalema,

izay efa lao monina tsy misy olona,

na mponina, na biby,

11 dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana,

ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina,

ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika,

fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»;

ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh.

Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity,

mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.

12 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Eto amin’ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby,

sy eo amin’ny tanànany rehetra dia hisy fialofana

ho an’ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny.

13 Eo amin’ny tanànan’ny tendrombohitra

sy eo amin’ny tanànan’i Sefelah

sy eo amin’ny tanin’i Benjamina sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema,

ary eo amin’ny tanànan’i Jodà,

dia mbola hizoran’ny biby fiompy

eo ambanin’ny tanan’izay manisa azy, hoy i Iaveh.

Fanorenana ny ho avy

14 Indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hanatanterahako ny teny soa nolazaiko

momba ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà.

15 Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,

hampitsimoka solofo marinaho an’i Davida Aho,

izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.

16 Amin’izany andro izany i Jodà hovonjena;

ary i Jerosalema handry feizay,

ka hantsoina hoe: «Iaveh-fahamarinantsika».

17 Fa izao no lazain’i Iaveh:

I Davida tsy ho diso zanaka lahy na oviana na oviana

hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny taranak’i Israely.

18 Ireo Levita mpisorona koa,

tsy ho diso lehilahy na oviana na oviana eo anatrehako,

hanolotra sorona dorana, hampanetona ny fanatitra,

ary hanao ny sorona isan’andro isan’andro.

19 Ary ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Jeremia, toy izao:

20 Izao no lazain’i Iaveh:

Raha mahafoana ny fanekeko amin’ny andro,

sy ny fanekeko amin’ny alina, ianareo,

ka efa tsy amin’ny fotoany intsony, ny andro sy ny alina:

21 amin’izany, dia ho foana ny fanekeko tamin’i Davida mpanompoko,

ka tsy hanan-janaka lahy hanjaka eo amin’ny seza fiandrianany izy,

sy ny fanekeko amin’ireo Levita mpisorona,

manao fanompoana Ahy.

22 Toy ny tafiky ny lanitra, tsy azo isaina,

sy toy ny fasika any amin’ny ranomasina tsy azo afàtra,

no hampitomboako ny taranak’i Davida mpanompoko,

sy ireo Levita manao ny fanompoana Ahy.

23 Ary ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Jeremia, toy izao:

24 Tsy hitanao va ny lazain’ity vahoaka ity ataony hoe:

«Efa narian’i Iaveh ny fianakaviana roa nofidiny!»

Manamavo ny vahoakako izy izany

ka ataony ho tsy firenena intsony aza izy eo anatrehan’izy ireo.

25 Izao no lazain’i Iaveh:

Raha tahiny Aho tsy nanao fanekena amin’ny andro sy ny alina

sy tsy nandahatra ny lalàna arahin’ny lanitra sy ny tany.

26 dia amin’izany Aho vao hanary ny taranak’i Jakôba sy i Davida mpanompoko,

ka ho tsy amin’ny taranany intsony ny hangalako filohany

ho an’ny taranak’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba!

Fa hampodiko ireo lasan-ko babo ary hangoraka azy ireo Aho.

Categories
Jeremia

Jeremia 34

Ny fiafaran’i Sedesiasa

1 Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetraamin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:

2 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatolotro ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity ka hodorany.

3 Ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tanany, fa ho voasambotra marina tokoa ianao sy ho voatolotra eo an-tanany; ny masonao, hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babilôna, izy hiteny mifanatrika aminao, ary ianao handeha ho any Babilôna.

4 Henoy anefa ny tenin’i Iaveh, ry Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà! Izao no lazain’i Iaveh aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,

5 fa ho faty amim-piadanana, ary toy ny nandoroan’ny olona zava-manitra ho an’ireo razanao, izay mpanjaka talohanao, no handoroany izany ho anao koa; sady hitomany anao ny olona, hanao: «Indrisy! ry tompo!» satria Izaho efa nilaza izany, – teny marin’i Iaveh. –

6 Dia nolazain’i Jeremia Mpaminany, tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà tao Jerosalema, izany teny rehetra izany.

7 Tamin’izany ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna niady tamin’i Jerosalema sy tamin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay mbola nahatohitra ihany, tamin’i Lakisa sy tamin’i Azeka, fa ireo no hany sisa tamin’ny tanànan’i Jodà, tamin’ny tanàna mimanda.

Ny raharaha fanafahana an’ireo mpanompo

8 Teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia taorian’ny nanaovan’i Sedesiasa mpanjaka fanekenatamin’ny vahoaka rehetra tao Jerosalema,

9 hitory fahafahana ho azy ireo mba handefasan’izy ireo ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny avy, dia ny lehilahy na vehivavy Hebrio, ka tsy hisy olona hitana ny Jody rahalahiny ao amin’ny fanompoana intsony.

10 Samy nanaiky avokoa ny mpanapaka sy ny vahoaka niditra tamin’izany fanekena izany, ny handefa ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny ho afaka ka tsy hitana azy ao amin’ny fanompoana intsony, sady nanaiky izy ireo no nandefa tokoa.

11 Kanjo niova hevitra izy tatỳ aorianafa naverina indray ny mpanompo na lahy na vavy izay efa nalefany ho afaka, ka notereny hilatsaka ho ankizy lahy sy ho ankizy vavy indray.

12 Koa tonga tamin’i Jeremia ny teny avy amin’i Iaveh nanao hoe:

13 Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nanao fanekena tamin’ny razanareo Aho, fony Aho nitondra azy ireo nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nahandevozana, nanao hoe:

14 «Samia ianareo mandefa ny Hebrio rahalahinyizay namidy taminy avy, rehefa afaka ny fito taona; enin-taona no hanompoany anao, dia halefanao ho afaka izy hiala ao aminao»; tsy nihaino Ahy anefa ny razanareo na nanongilan-tsofina akory.

15 Fa ianareo kosa androany efa nody, ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin’ny nitorianareo fahafahana samy handefa ny namany avy; efa nanao fanekena teo imasoko ianareo tao amin’ny trano iantsoana ny Anarako.

16 Kanjo niova hevitra indray ianareo ity, ka manevateva ny Anarako, samy mamerina ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny izay efa nalefanareo sy navelanareo hizaka tena avy ianareo, sy nanery azy ho tonga ankizy lahy aman’ankizy vavy indray.

17 Koa izao no lazain’i Iaveh: Tsy nihaino Ahy ianareo fa tsy nitory fahafahana ho an’ny rahalahiny sy ho an’ny namany avy; koa indro Izaho kosa mitory fahafahana ho anareo. – teny marin’i Iaveh. – Halefako ianareo ho amin’ny sabatra sy ny pesta ary ny mosary, sady hataoko zavatra fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.

18 Ary ireo olona nivadika ny fanekena fa tsy nanatanteraka ny tenin’ny fanekena nataony teo anatrehako, hataoko tahaka ny vantotr’ombalahynosasahina roa handehanany eo anelanelan’ny tapany avy,

19 dia ny filohan’i Jodà, ny filohan’i Jerosalema, ny eonoka ama-mpisorona mbamin’ny vahoaka, rehetra amin’ny tany namaky teo anelanelan’ny tapaky ny vantotr’ombalahy.

20 Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mitady ny ainy izy ireo, hohanin’ny voromanidina amam-bibin’ny tany ny fatiny.

21 I Sedesiasa mpanjakan’i Jodà sy ireo loholona ao aminy hatolotra eo an-tanan’ny fahavalony, eo an-tanan’ireo mitady ny ainy, eo an-tanan’ny tafik’i Babilôna izay efa lasa niala taminareo.

22 Indro manome didy Aho, – teny marin’i Iaveh – hampiverina azy hamely ity tanàna ity indray, dia hiady aminy izy ka hahafaka azy sy handoro azy, ary hataoko zary efitra tsy misy mponina ny tanànan’i Jodà

Categories
Jeremia

Jeremia 35

Ny ohatra nomen’ireo Rekabita

1 Ny teny avy amin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia, tamin’ny andron’i Jôakimampanjakan’i Jodà, nanao hoe:

2 Mandehana ianao mankany amin’ny fianakavian’i Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon’i Iaveh amin’ny efitrano anankirayizy ireo, ka tolory divay hosotroiny.

3 Koa dia nalaiko i Jezoniasa zanak’i Jeremia zanak’i Habsaniasa, mbamin’ireo rahalahiny sy ireo zanany rehetra ary ny fianakavian-dRekabita rehetra;

4 ka nampidiriko tao an-tranon’i Iaveh, tamin’ny efitranon’i Hanàna, zanak’i Jegdeliasa, olon’Andriamanitra, anilan’ny efitranon’ireo loholona sy ao ambonin’ny efitranon’i Maasiasa, zanak’i Seloma mpiandry varavarana.

5 Narosoko teo anoloan’ny zanaky ny fianakavian’ny Rekabita siny feno divay mbamin’ny kapoaka, dia hoy aho taminy: «Misotroa divay ianareo.»

6 Fa hoy kosa izy ireo: «Tsy mba misotro divay izahay: satria izao no didy napetrak’i Jônadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: ‹Aza misy misotro divay, na ianareo na ny zanakareo mandrakizay;

7 ary aza manorina trano, na mamafy voan-javatra, na mamboly voaloboka, na manana izany akory; fa aoka hitoetra an-day amin’ny andro rehetra iainanareo, mba ho velona mandritra ny andro maro amin’ny tany izay ipetrahanareo toy ny vahiny ianareo.›

8 Koa notandremanay ny tenin’i Jônadaba zana-dRekaba razanay, tamin’ny zavatra rehetra nandidiany anay, ka dia tsy misotro divay na oviana na oviana, na ny tenanay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy, na ny zanakay vavy;

9 tsy manao trano hitoerana izahay; tsy manan-tanimboaloboka, na saha, na tany voafafy, izahay;

10 ary mitoetra an-day izahay, manaiky izahay, ary ny ataonay rehetra dia araka izay nandidian’i Jônadaba razanay, anay.

11 Nony avy izay nanafihan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna an’izao tany izao, dia hoy izahay: ‹Andeha isika hialoka any Jerosalema, eo anatrehan’ny tafiky ny Kaldeanina sy ny tafik’i Siria›, ka dia nitoetra teto Jerosalema izahay.»

12 Dia tonga tamin’i Jeremia ny teny avy amin’i Iaveh, nanao hoe:

13 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema hoe: Tsy mba hety handray fampianarana amin’ny fihainoana ny teniko va ianareo? – teny marin’i Iaveh. –

14 Voatandrina ny tenin’i Jônadaba zana-dRekaba; norarany tsy hisotro divay ny zanany, dia tsy nisotro izy ireo noho ny fanekeny ny didin-drainy, mandraka androany; ary izaho niteny taminareo koa, niteny hatramin’ny vao maraina aza, nefa tsy nihaino Ahy ianareo!

15 Nirahiko tany aminareo ny mpaminany rehetra, mpanompoko, sady nirahiko hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: Samia miala amin’ny lalan-dratsinareo avy ianareo; hatsarao ny fitondran-tenanareo; aza mandeha manaraka andriamani-kafa mba hanompo azy; dia honina amin’ny tany nomeko anareo, dia ny tenanareo sy ny razanareo, ianareo; kanefa tsy nanongilan-tsofina ianareo, na nihaino Ahy akory.

16 Eny, ny taranak’i Jônadaba zana-dRekaba, nitandrina ny didy napetraky ny razany taminy; fa ity vahoaka ity kosa, tsy mba mihaino Ahy!

17 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’i Jodà sy amin’ny mponina rehetra ao Jerosalema, ny loza rehetra voalazako ny amin’izy ireo; satria niteny tamin’izy ireo Aho, fa tsy nohenoiny; ary niantso azy Aho, fa tsy novaliany.

18 Ary hoy i Jeremia tamin’ny fianakavian’ny Rekabita: «Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Noho ianareo nanaiky ny didin’i Jônadaba razanareo, sy nitandrina ny didiny rehetra, ary nanatanteraka izay rehetra nasainy nataonareo,

19 noho izany dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Na oviana na oviana tsy ho lany zanaka lahy hitsangana eo anatrehako i Jônadaba zana-dRekaba».

Categories
Jeremia

Jeremia 36

Horonan-taratasy tamin’ny taona 605-604

1 Tamin’ny taona fahefatra, nanjakan’i Jôakimazanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, dia izao no teny avy any amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia:

2 Mangalà horonan-taratasyianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an’i Israely sy i Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin’ny andro nitenenako taminao, hatramin’ny andron’i Josiasa ka mandraka androany.

3 Fa angamba dia hohenoin’ny taranak’i Jodà ny loza rehetra kasaiko hatao aminy, mba hiovany, hialany amin’ny lalan-dratsiny avy, ka hamelako ny helony amam-pahotany.

4 Dia niantso an’i Baròka zanak’i Nerià, i Jeremia, ka ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamin’i Jeremia, dia nosoratan’i Baròka tamin’ny horonan-taratasy araka ny nanononany azy.

5 Raha efa izany, nanome didy an’i Baròka i Jeremia, nanao hoe: «Izaho ity, voasakana, ka tsy afa-mankany an-tranon’i Iaveh.

6 Ka mandehana àry ianao, ary vakio ao amin’ny horonan-taratasy nosoratanao, araka izay nanononako azy, ny tenin’i Iaveh mba ho ren’ny vahoaka ao an-tranon’i Iaveh amin’ny andro fifadian-kanina; vakio izany ho ren’izay rehetra an’i Jodà izay tonga avy any an-tanànany.

7 Angamba ho tonga eo anatrehan’i Iaveh ny fifonany, ary hiova hiala amin’ny lalan-dratsiny avy izy; fa lehibe ny hatezerana amam-pahavinirana nolazain’i Iaveh hahatra amin’ity vahoaka ity.»

8 Dia nataon’i Baròka zanak’i Nerià avokoa, izay nandidian’i Jeremia mpaminany azy; novakiny tao an-tranon’i Iaveh, tao amin’ny horonan-taratasy ny tenin’i Iaveh.

9 Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana fahasivy, dia nisy fifadian-kanina nantsoina teo anatrehan’i Israely hataon’ny olona rehetra ao Jerosalema, sy ny olona rehetra tonga tao Jerosalema, avy any amin’ny tanànan’i Jodà.

10 Ary novakin’i Baròka tamin’izay, tao amin’ny boky ny tenin’i Iaveh, tao an-tranon’i Iaveh, amin’ny efitranon’i Gamariasa, zanak’i Safàna, mpanoratra, teo amin’ny kianja ambony, anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh, mba ho ren’ny vahoaka rehetra.

11 Nandre ny tenin’i Iaveh rehetra, tao amin’ny boky, i Mikea zanak’i Gamariasa zanak’i Safàna;

12 ka dia nidina nankany an-tranon’ny mpanjaka, tao amin’ny efitranon’ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia i Elisama mpanoratra, i Dalaiasa zanak’i Semeiàsa, i Elinatana zanak’i Akobôra, i Gamariasa zanak’i Safàna, i Sedekiasa zanak’i Hananiasa, mbamin’ny lehibe rehetra.

13 Ary nambaran’i Mikea tamin’izy ireo avokoa, ny teny reny tamin’ny namakian’i Baròka azy tao amin’ny boky ho ren’ny sofin’ny vahoaka.

14 Tamin’izay ireo lehibe rehetra, naniraka an’i Jodì zanak’i Nataniasa zanak’i Selemiasa zanak’i Kosi, ho any amin’i Baròka, hilaza aminy hoe: «Raiso ny horonan-taratasy izay namakianao teny teo an-tsofin’ny vahoaka, ary mankanesa atỳ ianao.» Dia noraisin’i Baròka zanak’i Nerià ilay horonan-taratasy ka nankany amin’izy ireo izy.

15 Ary hoy ireo taminy: «Mipetraha ianao ka vakio izany ho ren’ny sofinay.» Dia namaky izany teo an-tsofin’izy ireo i Baròka.

16 Nony efa nandre izany teny rehetra izany izy ireo dia nifampijery tamin-tahotra, ka nanao tamin’i Baròka hoe: «Tsy maintsy ambaranay amin’ny mpanjaka avokoa izany teny rehetra izany.»

17 Ary nanontany an’i Baròka izy ireo, nanao hoe: «Lazao aminay izay nanoratanao izany teny rehetra izany avy tamin’ny vavany.»

18 Ka hoy i Baròka taminy: «Nanonona am-bava izany teny rehetra izany izy; ka nosoratako tao amin’ny boky tamin’ny ranomainty.»

19 Dia hoy ireto lehibe tamin’i Baròka: «Mandehana miery ianao sy i Jeremia, ka aoka tsy hisy olona hahalala izay misy anareo.»

20 Raha efa izany, izy ireo namela ilay horonan-taratasy tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra, dia niditra tao amin’ny mpanjaka, tao amin’ny kianja, sy nilaza teo an-tsofin’ny mpanjaka io raharaha rehetra io.

21 Nirahin’ny mpanjaka i Jodì haka ilay horonan-taratasy, dia noraisiny tao amin’ny efitranon’i Elisama, mpanoratra, dia novakiny teo an-tsofin’ny mpanjaka sy teo an-tsofin’ny lehibe rehetra nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka.

22 Ny mpanjaka izany nipetraka tao an’efitrano ririnina tamin’ny volana fahasivy; ary voarehitra afo teo anoloany ny fatana.

23 Vao toko telo na efatra no voavakin’i Jodì, dia notapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsipìkan’nympanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin’ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon’ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo.

24 Tsy mba natahotra na nandriatra ny fitafiana akory ny mpanjaka sy ireto mpanompony rehetra izay nandre izany teny rehetra izany.

25 Efa nihanta mafy tamin’ny mpanjaka anefa i Elnatàna sy i Dalaiasa ary i Gamariasa, mba tsy handoro ilay horonan-taratasy; fa tsy nohenoiny izy ireo.

26 Raha efa izany dia nodidian’ny mpanjaka i Jeremiely zanak’andriana, sy i Zaraiasa zanak’i Ezriely, ary i Selemiasa zanak’Abdeely, hisambotra an’i Baròka mpanoratra, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin’i Iaveh izy ireo.

27 Ary natao tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh, taorian’ny nandoran’ny mpanjaka ny horonan-taratasy, mbamin’ny teny nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy, dia toy izao:

28 «Mandehana maka horonan-taratasy hafa indray ianao; ka soraty ao avokoa ireo teny voalohany, tao amin’ilay horonan-taratasy voalohany, nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà.

29 Ary lazao amin’i Jôakima mpanjakan’i Jodà, hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao nandoro iny horonan-taratasy iny, sady nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny fa hoe ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity, ary hataony tsy hisy olona na biby intsony eto?

30 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà: Tsy hisy amin’ny fianakaviany na iray aza hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, sady hatsipy any ivelany ny fatiny hasian’ny hainandro, amin’ny antoandro, sy ny hatsiaka amin’ny alina.

31 Hafotitro hamely azy mbamin’ny taranany sy ny mpanompony rehetra, ny helony; ary hataoko mihatra aminy, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, ary amin’ny olona amin’i Jodà, ny loza rehetra nolazaiko taminy, fa tsy nohenoiny Aho.»

32 Dia naka horonan-taratasy hafa indray i Jeremia, natolony an’i Baròka mpanoratra, zanak’i Nerià, ka nosoratan’i Baròka araka ny nanononan’i Jeremia azy ny teny rehetra tamin’ilay boky nodoran’i Jôakima mpanjakan’i Jodà tamin’ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy.

Categories
Jeremia

Jeremia 37

Fitsarana ankapobeny an’i Sedesiasa

1 I Sedesiasa zanak’i Josiasa no nanjaka nandimby an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima; i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna no nanangana azy ho mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.

2 Kanefa na izy, na ny mpanompony, na ny ankapobem-bahoaka tao amin’ny tany, dia samy tsy nihaino ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany.

Nila hevitra tamin’i Jeremia i Sedesiasa, nony niato kely ny fahirano tamin’ny 588

3 Nirahin’i Sedesiasa, mpanjaka, i Jokaly zanak’i Selemiasa, sy i Sôfôniasa zanak’i Maasiasa mpisorona, ho any amin’i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: «Mba mifonà ho anay amin’i Iaveh Andriamanitsika.»

4 I Jeremia nifanerasera teo afovoan’ny vahoaka ihany, ary mbola tsy natao an-tranomaizina.

5 Ny tafik’i Faraônakosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeanina nanao fahirano an’i Jerosalema, nony nandre izany, dia nanalavitra an’i Jerosalema.

6 Dia tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

7 Izao no teny hataonareo amin’ny mpanjakan’i Jodà naniraka anareo hanontany amiko: Ny tafik’i Faraôna izay efa nivoaka hamonjy anareo, dia hiverina ho any amin’ny taniny any Ejipta indray;

8 ary ny Kaldeanina kosa hiverina atỳ ary hiady amin’ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy.

9 Izao no lazain’i Iaveh: Aza mamita-tena foana ianareo, ka manao hoe: «Handeha tokoa ho any lavitra antsika any ny Kaldeanina»;

10 fa tsy handeha akory izy ireo. Ary na dia horesenareo aza ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay miady aminareo, ka tsy hisy afa-tsy ny maratra no sisa aminy, dia samy mbola hitsangana ao an-dainy avy ihany ireo, ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.

11 Tamin’ny nialan’ny tafiky ny Kaldeanina tao Jerosalema noho ny amin’ny tafik’i Faraôna,

12 dia nivoaka avy ao Jerosalema koa i Jeremia, hankany amin’ny tanin’i Benjamina, mba handray ao izay anjarany eo amin’ny vahoaka.

13 Kanjo nony mby eo am-bavahadin’i Benjamina izy, indro ny kapitenin’ny mpiambina, atao hoe Jeriasa zanak’i Selemiasa, zanak’i Hananiasa, nisambotra an’i Jeremia mpaminany, nanao hoe: «Miandany amin’ny Kaldeanina ianao.»

14 Fa hoy i Jeremia: «Tsy marina izany, tsy miandany amin’ny Kaldeanina aho.» Tsy nihaino izany akory anefa i Jeriasa, fa nosamboriny ihany i Jeremia, dia nentiny nankany amin’ny lehibe.

15 Ary nisafoaka tamin’i Jeremia ny lehibe; nikapoka azy izy ireo ary nandatsaka azy an-tranomaizina, tao amin’ny tranon’i Jonatàna mpanoratra, fa nataony tranomaizina izany.

16 Nony efa tafiditra tao an-davaka ambanin’ny andohalambo i Jeremia, sady efa nitoetra tao andro maro,

17 vao nanirahan’i Sedesiasa nesorina tao. Dia nanontany mangingina tao an-tranony izy nataony hoe: «Moa misy teny avy amin’i Iaveh?» Ka hoy ny navalin’i Jeremia: «Eny!» sady nampiany hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»

18 Hoy koa i Jeremia tamin’i Sedesiasa mpanjaka: «Inona no ratsy nataoko taminao na tamin’ireo mpanomponao na tamin’ity vahoaka ity, no dia nalatsakareo an-tranomaizina aho?

19 Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilôna;

20 koa ankehitriny, masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mba henoy! Ho tonga anie ny fitarainako eo anatrehanao: aza dia averina any an-tranon’i Jonatàna mpanoratra aho, ho faty any.»

21 Dia nanome teny i Sedesiasa mpanjaka, hitana an’i Jeremia ao an-kianjan’ny tranomaizina sy hanome azy mofo iray lehibe isan’andro avy any amin’ny araben’ny Mpanao mofo, mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Izany no nitoeran’i Jeremia tao amin’ny kianjan’ny tranomaizina.