Categories
Jeremia

Jeremia 48

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Moaba

1 An’i Moaba.

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Loza ho an’i Nabô, fa rava;

safo-kenatra i Kariataima, fa azo;

safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;

2 tsy misy intsony izay voninahitr’i Moaba!

Any Hesebona no hidinihana ny loza hamelezana azy:

Andeha hofongorantsika eo amin’ny firenena izy!

Ianao koa, ry Madmena, hatao gina;

mandeha manaraka eo aoriana ny sabatra.

3 Injany, avy ao Hôrônaima misy antsoantso hoe:

«Fandringanana sy fandravana lozan-tany re!»

4 Montsana i Moaba;

mandefa antsoantso ny ankizy madinika ao aminy.

5 Eny, fa misy fitomaniana ao amin’eny fiakaran’i Loita,

mitomany ny olona no miakatra eo;

eny, eo amin’ny fidinan’i Hôrônaima,

fitarainam-pahoriana no re.

6 «Mandosira, vonjeo ny ainareo!

Ho tahaka ny anjavidy an-tany foana anie izy.»

7 Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao,

dia ho lasan’ny hafa koa ianao;

ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy

mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.

8 Ho tonga hamely ny tanàna rehetra ny mpandringana,

ka tsy hisy ho afaka aminy izy ireo na iray aza;

ny lohasaha, hosimbana; ary ny tanety, horobaina,

araka ny voalazan’i Iaveh.

9 Omeo elatra i Moaba, fa tokony hidina izy;

horavàna ny tanànany, ka tsy hisy mponina intsony.

10 Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh!

Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!

11 Hatry ny fony mbola zaza i Moaba dia nandry feizay,

niotrika teo amin’ny faikany,

tsy nafindrafindra vilany,

tsy lasana ho any amin’ny fahababoana,

ka dia naharitra ny tsirony, ary tsy niova ny fofony.

12 Koa indro, tonga ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hanirahako mpamindra am-bilany, hamindra vilany azy,

hofoanany ny vilaniny,

ary hovakiny ny sininy.

13 Dia ho menatra i Moaba noho ny amin’i Kamosy

toy ny nahamenaran’ny taranak’i Israely,

noho ny amin’i Betelaizay nitokiany.

14 Ahoana no ahazoanareo milaza hoe: «Mpiady izahay,

lehilahy mahery an’ady izahay?»

15 I Moaba efa rava; ny tanànany efa midona-tsetroka;

ny zatovony voafantina, midina ho any am-pamonoana;

– teny marin’ny mpanjaka.

manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika. –

16 antomotra ny fandravana an’i Moaba;

mimaona fatratra ny loza hanjò azy.

17 Ianareo rehetra mifanakaiky aminy,

samia mitsapa alahelo azy,

ary ianareo rehetra mahalala ny Anarany,

samia milaza hoe:

«Ahoana no dia tapaka ny tehina mafy toy izany,

ny tehim-panjakana kanto toy izany?»

18 Mietre amin’ny voninahitrao dia mipetraha amin’ny tany,

ry mponina, zanaka vavin’i Dibôna;

fa tafakatra hamely anao ny mpandringana an’i Moaba,

ny mandanao efa voazerany.

19 Mijanòna eo an-dalambe, ka mitazàna, ry kala mponina ao Arôera;

anontanio ny lehilahy mandositra, sy ny vehivavy mitsoaka,

ka ataovy hoe: «Inona no mihatra?»

20 «Mangaihay i Moaba, fa voazera;

samia ianareo mitoloko sy mitaraina!

Ambarao any Arnôna,

fa rava i Moaba!»

21 Misy fitsarana tonga,

mihatra amin’ny tany lemaka,

amin’i Helona, amin’i Jasà,

22 amin’i Mefaata, amin’i Dibôna,

amin’i Nabô, amin’i Beta-Deblataima,

23 amin’i Kariataima, amin’i Beta- Gamola,

amin’i Beta-Maona,

24 amin’i Kariota, amin’i Bôsrà,

sy amin’ny tanàna rehetra amin’ny tanin’i Moaba,

na ny lavitra na ny akaiky.

25 Voakapa ny tandrok’i Moaba,

ary tapaka ny sandriny, – teny marin’i Iaveh. –

26 Ataovy doroka izy, fa nitsangan-kanohitra an’i Iaveh.

Aoka i Moaba hihosinkosina amin’ny loany,

ary aoka izy koa ho tonga fihomehezana!

27 Fa moa i Israely tsy fihomehezana taminao va?

Moa nisy nahatratra azy ho naman’ny mpangalatra va?

no dia nihifikifi-doha ianao, isaky ny miteny ny aminy?

28 Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin’ny vatolampiny,

ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina

izay manao ny akaniny eny ambonin’ny hantsana mangotanatana.

29 Efa renay ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona,

ny fisolanàndrany, ny avonavony, ny reharehany,

ary ny hambom-pony.

30 Izaho koa dia mahalala, – teny marin’i Iaveh, –

ny fihoa-bavany sy ny bedibedy foanany,

ary ny asany tsinontsinona.

31 Koa migogogogo aho, noho ny amin’i Moaba;

midradradradra aho, noho ny amin’i Moaba rehetra,

mitsetra ny olona, noho ny amin’ny mponina ao Kir-Heresa.

32 Mihoatra noho ny fitomaniana an’i Jazera no itomaniako anao,

ry tanimboalobok’i Sabamà.

Tafita ny ranomasina ny rantsanao

tafapaka amin’ny ranomasin’i Jazera izy.

Kanjo ny fitoazana anao amam-pitoazana ny voalobokao,

nianjeran’ny mpandringana.

33 Foana ny fifaliana amam-piravoravoana,

eo amin’ny saha voavoly hazo mamoa sy ny tanin’i Moaba;

nataoko tankina ny divay eo amin’ny barìka fandomam-boaloboka;

tsy hosihosena intsony amam-pihobiana maresaka izy;

ny hoby efa tsy hoby intsony.

34 Noho ny antsoantson’i Hesebona re hatrany Eleale;

hatrany Jasà, dia mandefa ny antsoantsony izy ireo;

hatrany Segôra ka hatrany Hôrônaima,

hatrany Eglata-Selisia,

fa mbamin’ny ranon’i Nemrima aza no ho tankina.

35 Tiako hofaranana ny amin’i Moaba, – teny marin’i Iaveh, –

izay miakatra ho eo amin’ny fitoerana avony,

sy manolotra emboka manitra amin’ny andriamaniny.

36 Koa mitaraina hoatra ny sodinany foko,

noho ny amin’i Moaba;

eny, ny foko, noho ny amin’ny mponina ao Kir-Heresa,

mitaraina hoatra ny sodina.

Koa very avokoa izay tombony efa azony.

37 Fa nibory ny loha rehetra,

voaharatra ny somotra rehetra,

misy tetika amin’ny tanana rehetra,

ary misy lasàka koa ny valahana.

38 Eny ambony tafon-trano rehetra sy eny amin’ny kianja ao Moaba,

tsy misy afa-tsy figogogogoana fotsiny;

fa nomontsaniko i Moaba

hoatra ny fanaka tsy ahoan’ny olona intsony,

– teny marin’i Iaveh. –

39 He ity fahatorotoròny! Mba misentoa ianareo.

He ity fiambòhon’i Moaba amin-kenatra!

Tonga fihomehezana i Moaba,

tonga fampitahorana ho an’izay rehetra mifanakaiky aminy izy.

40 Fa izao no lazain’i Iaveh:

Indro izy miezaka hanidina toy ny voromahery,

mamelatra elatra eo ambonin’i Moaba.

41 Azo i Kariota; afaka ny trano mimanda;

ary ny fon’ny mpiady maherin’i Moaba amin’izany andro izany,

dia toy ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.

42 Voaongana i Moaba amin’ny maha-firenena azy,

satria nitsangan-kanohitra an’i Iaveh.

43 Tahotra, lavaka amam-pandrika,

no mitatao anao, ry mponina any Moaba,

– teny marin’i Iaveh. –

44 Izay mandositra ny zava-mahatahotra azy, voan’ny fandrika;

fa hataoko tonga aminy, dia amin’i Moaba,

ny taona famangiana azy, – teny marin’i Iaveh. –

45 Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona

ny mpandositra lany hery;

kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona,

ary misy lelafoavy ao afovoan’i Sehôna;

ka nandevona ny valahan’i Moaba,

sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana.

46 Loza ho anao, ry Moaba!

Very ny vahoaka ao Kamosy;

fa ny zanakao lahy entina atao sesitany,

ny zanakao vavy lasan-ko babo.

47 Mbola hampodiko anefa ny voababo amin’i Moaba,

any amin’ny farandro any, – teny marin’i Iaveh. –

Hatreto ny fitsarana an’i Moaba.

Categories
Jeremia

Jeremia 49

1 Teny mamely ny taranak’i Amôna.

Izao no lazain’i Iaveh:

Tsy manan-taranaka va i Israely?

Tsy manan-kandova va izy?

Ahoana no nangalan’i Melkoma an’i Gada ho azy,

sy nakan’ny vahoakany fonenana eo amin’ny tanànany?

2 Noho izany, indro avy ny andro,

– teny marin’i Iaveh, –

hampikotrokotrohako ao Rabàn’ny taranak’i Amôna

ny akoran’ady.

Dia hanjary antontan-java-drava izy,

ary ny zanany hodorana amin’ny afo;

ary i Israely kosa handova ny an’ireo efa nandova ny azy,

– teny marin’i Iaveh. –

3 Migogogogoa, ry Hesebona, fa voaroba i Hai;

Midradradradrà, ry zanaka vavin’i Rabah,

misikìna lasàka, migogogogoa;

mivoivoiza manaraka ny fefy;

fa nentin-ko sesitany i Melkôma,

mbamin’ny mpisorony ama-mpanapaka miaraka aminy koa.

4 Ahoana ny ireharehanao amin’izay lohasahanao,

– mahavokatra be hoe ny lohasahanao, –

ry zanaka vavy mpiodina,

izay mitoky amin’ny harenao, manao hoe:

«Zovy moa no sahy handroso hamely Ahy?»

5 Indro Aho mitondra ny tahotra hamely anao;

– tenin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika,-

avy amin’izay rehetra manodidina anao;

ka samy horoahina hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo,

sady tsy hisy hamory izay mandositra akory.

6 Rehefa afaka anefa izany, mbola hampodiko

ny voababo amin’ny taranak’i Amôna,

– teny marin’i Iaveh. –

7 Teny mamely an’i Edôma.

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temàna?

Lany hevitra va ireo mahira-tsaina?

Efa levona va ny fahendren’izy ireo?

8 Mandosira, miverena ilalana, mifitsaha ianareo,

ry mponina any Dedana,

fa hahatonga fandravana amin’i Esao Aho,

amin’ny andro hamangiako azy.

9 Raha mpioty voalobokano tonga aminao,

tsy mamela hotsimponina izy, na dia kely aza;

raha mpangalatra tonga alina kosa,

mandroba izy, mandra-pahafa-pony.

10 Fa Izaho no nampiboridana an’i Esao,

sy nampiharihary ny fiereny,

ka tsy afa-miery intsony izy.

Ringana avokoa ny taranany, ny rahalahiny,

ny mifanakaiky aminy,

ka tsy misy intsony izy.

11 Ilaozy ny kambotinao, fa Izaho no hamelona azy,

ary Izaho no aoka hitokian’ny mpitondra tena ao aminao.

12 Satria izao no lazain’i Iaveh:

Indro, fa izay tsy tokony hisotro amin’ity kapoaka ity

dia hisotro marina tokoa;

ka ianao kosa ve ho afa-potsiny?

Tsia, tsy ho afa-potsiny ianao,

fa hisotro azy marina tokoa!

13 Satria, izao no efa nianianako tamin’ny Tenako,

– teny marin’i Iaveh: –

I Bôsrà dia ho fitalanjonana sy fandatsa,

ho tany efitra sady voaozona;

ary ny tanànany rehetra ho rava mandrakizay.

14 Nahazo filazana avy amin’i Iaveh aho,

sady nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hanao hoe:

«Mivoria ianareo, ary mandehana mamely azy,

mitsangàna ianareo mba hiady!»

15 Fa efa nataoko kely bitika ianao eo amin’ny firenena,

ataon’ny olona tsy ho zavatra.

16 Nahasodòka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona

sy ny hambom-ponao,

ianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato,

sady mitoetra eny an-tampon-kavoana.

Nefa na hataonao avo toy ny an’ny voromahery aza ny akaninao,

dia havariko avy any ianao, – teny marin’i Iaveh.-

17 Ho zary fitalanjonana i Edôma:

Ho talanjona avokoa ny mpandalo,

sady hisitrìsitra, mahita ny feriny rehetra.

18 Hanahaka ny nandravana an’i Sôdôma sy i Gômôra

mbamin’ireo tanàna nanodidina azy izy, hoy i Iaveh;

ka tsy hisy olona monina ao,

na hisy zanak’olombelona hipetraka ao.

19 Indro izy, miakatrasahala amin’ny liona

avy ao an-kirihitralan’i Jordany izay misy vilona mandrakariva;

ka hampandosiriko tampoka hiala ao Edôma,

dia ilay voafidiko no hapetrako ao.

Fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy?

ary iza moa no mpiandry ondry hifanandrina amiko?

20 Ka henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh

hamelezana an’i Edôma,

sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny mponina any Temàna:

eny, hotaritarihina hoatra ny ondry malemy izy;

eny, hitanàka mihitsy ny taniny fiandrasana biby fiompy.

21 Mihorohoro ny tany, azon’ny fiezinezin’ny fianjerany,

re hatrany amin’ny Ranomasina Menany feony miantsoantso.

22 Indro izy misondrotra, miezaka manidina toy ny voromahery;

mamelatra ny elany eny ambonin’i Bôsrà;

ary ny fon’ireo mpiady maherin’i Edôma,

amin’izany andro izany,

dia tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.

Tenin’Andriamanitra mamely tanàna maromaro any Siria

23 Teny mamely an’i Damasa.

Very hevitra i Hamata sy i Arfada,

fa nandre filazàn-doza izy,

ka nivarahontsaky ny tahotra,

mova tsy ny ranomasina

misamboaravoara tsy mety mitony.

24 Ketraka i Damasaka nihodina handositra;

azon’ny vadi-po izy;

ny fangirifiriana amam-panaintainana manindry azy,

tahaka ny vehivavy raha miteraka.

25 Zary haolo manao ahoana re ilay tanàna be voninahitra

ilay tanànam-pahafinaretana sy fifaliana.

26 Koa ho lavo eny amin’ny kianjany ny zatovony,

mbamin’ny miaramilany rehetra,

fa ho faty amin’izany andro izany izy ireo,

– teny marin’i Iavehn’ny tafika. –

27 Handrendrika afo ao anatin’ny mandan’i Damasa Aho,

ka handevona ny lapan’i Bena-Hadada izany.

Tenin’Andriamanitra mamely ireo foko arabo

28 Teny mamely an’i Sedarasy ireo fanjakan’i Hasora, izay nasian’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.

Izao no lazain’i Iaveh:

Mitsangàna, mandehana mamely an’i Sedara,

aringano ny taranaky ny Atsinanana!

29 Aoka halaina ny lainy sy ny biby fiompiny!

hoesorina aminy ny ambain-dainy,

mbamin’ny entany rehetra sy ny ramevany!

ary aoka hisy hiantsoantso aminy hoe:

«Misy fangorohoroana hatraiza hatraiza!»

30 Manavota aina ianareo,

mandosira araka izay tratry ny ainareo, mamitsaha,

ry mponina any Hasora! – teny marin’i Iaveh. –

Fa i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna,

namoron-kevitra hamelezana anareo,

nanao fikasana hamelezana anareo,

31 «Mitsangàna, mandehana mamely firenena tsy manana ahiahy,

mandry feizay eo amin’ny fonenany,

– teny marin’i Iaveh, –

dia izay tsy manam-bavahady, na hidy, izay mitoka-monina.

32 Ny ramevany ho babonareo,

ny biby fiompiny, iray dia marenina, ho remby.»

Haeliko any amin’ny rivotra rehetra

ireo olona mihety fihirifana ireo,

ary hahatonga fandravana azy avy hatraiza hatraiza Aho,

– teny marin’i Iaveh. –

33 Ka dia ho zary fieren’amboadia i Hasora,

sy ho tany lao mandrakizay;

tsy hisy olona monina ao,

tsy hisy zanak’olombelona hipetraka ao akory.

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Elama

34 Ny tenin’i Iaveh izay natao tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Elama, tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, nanao hoe:

35 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Indro fa andeha hotapahiko ny tsipìkan’i Elama,

izay fototry ny heriny.

36 Hitondra rivotra efatra ho amin’i Elama Aho,

avy amin’ny lafiny efatry ny lanitra,

dia haeliko amin’ireo rivotra rehetra ireo izy;

ka tsy hisy firenena

tsy ho tongan’ny mpandositra avy ao Elama.

37 Hampangovitra an’i Elama eo anoloan’ny fahavalony Aho,

sy eo anoloan’izay mitady ny ainy.

Hahatonga loza aminy Aho,

dia ny afon’ny fahatezerako mirehitra, –

teny marin’i Iaveh. –

Ary handefa sabatra eo aorian’izy ireo Aho,

mandra-pandringako azy.

38 Hapetrako ao Elama ny seza fiandrianako,

ka haripako avokoa, na mpanjaka na mpanapaka ao,

– teny marin’i Iaveh. –

39 Nefa any amin’ny farandro any,

hampodiko ny voababo tamin’i Elama,

– teny marin’i Iaveh. –

Categories
Jeremia

Jeremia 50

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Babilôna

1 Ny teny notononin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Jeremiampaminany, ny amin’i Babilôna sy ny tanin’ny Kaldeanina.

2 Ambarao any amin’ny firenena, torio izao,

manangàna saina, ka torionareo izao;

aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna.

Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka!

mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.

3 Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy,

ka hataony lao ny taniny,

fa tsy hisy olo-monina intsony;

nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa,

– teny marin’i Iaveh. –

4 Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,

hiverina ny zanak’i Israely,

dia izy sy ny zanak’i Jodà koa miaraka aminy.

Hitomany eny am-pandehanana izy ireo,

ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny.

5 Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy.

«Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika,

amin’ny fanekena mandrakizay,

tsy hohadinoina na oviana na oviana.»

6 Efa andian’ondry nanjiona ny oloko,

narebirebin’ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodòka;

nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy,

ka nanadino ny valany.

7 Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa;

ka hoy ny fahavalony: «Tsy meloka isika!

satria izy ireo efa nanota tamin’i Iaveh,

ilay fonenan’ny fahamarinana;

tamin’i Iaveh, ilay fanantenan’ny razany.»

8 Mandosira, mialà ao afovoan’i Babilôna ianareo,

ary mitsoaha miala ao amin’ny tanin’ny Kaldeanina;

aoka ho toy ny osy lahy, lohalalan’ny andiam-biby fiompy.

9 Fa indro Aho hanainga

sy handefa hamely an’i Babela

ny fitambaran’ny firenena lehibe

avy amin’ny tany any avaratra.

Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any;

ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery

izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.

10 Dia horobaina i Kaldea,

ho voky avokoa izay handroba azy,

– teny marin’i Iaveh. –

11 Eny, mifaliaianareo; eny, miravoravoa ianareo,

ry mpamabo ny lovako;

eny, aoka hifalihavanja hoatra ny omby vavy kely

eny an-tanim-bilona ianareo;

sady haneno toy ny soavaly lahy!

12 Safo-kenatra ny reninareo;

mivoaramenan’ny henatra ilay niteraka anareo.

Indro izy, fa faraidiny amin’ny firenena,

efitra, tany foana, tany karankaina!

13 Noho ny hatezeran’i Israely, tsy honenana intsony izy,

fa ho tonga tany lao;

izay rehetra handalo eo akaikin’i Babela

ho talanjona sy hisitrìsitra avokoa mahita ny feriny.

14 Milahara hamely an’i Babela, manodidina azy, ianareo mitana tsipìka rehetra.

Tofiro izy, aza itsitsian-jana-tsipìka,

fa nanota tamin’i Iaveh.

15 Manaova akoran’ady amin’ny manodidina azy, hatraiza hatraiza;

manandra-tanana izy,

mirodana ny tilikambony, mikoa ny mandany.

Fa famalian’i Iaveh izao:

ampitondray valim-bonoana izy:

toraky ny nataony no ataovy aminy!

16 Aringano ao Babela izay mamafy,

sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny andro fararano.

Eo anatrehan’ny sabatra mpandringana

samia mihodina ho any amin’ny fireneny avy;

samia mandositra ho any amin’ny taniny avy!

17 I Israely dia ondry mania

izay nohazain’ny liona:

ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan’i Asiria;

ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany,

dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela.

18 Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Indro Aho hamangy ny mpanjakan’i Babela sy ny taniny,

toy ny efa namangiako ny mpanjakan’i Asiria.

19 Dia hampodiko ho any amin’ny fonenany indray i Israely

ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy;

ary eny an-tendrombohitr’i Efraima sy i Galaada,

izy no handeha hivoky.

20 Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,

– teny marin’i Iaveh, –

hikaroka izay helok’i Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany,

ary izay fahotan’i Jodà, fa tsy ho hita intsony izany,

satria havelako heloka izay sisa navelako.

Ny nirodanan’i Babilôna ambara ao Jerosalema

21 Miaraka hamely ny tanim-piodinana,

sy hamely ny mponim-panasaziana,

ravao, aringano mifanarakaraka izy,

– teny marin’i Iaveh, –

ka tanteraho avokoa izay nandidiako anao.

22 Fikotrokotrok’ady eny amin’ny tany sy fandringanana be!

23 Ahoana re no naharava sy montsana

ilay fampohazan’ny tany rehetra?

Ahoana i Babela no zary zavatra maharikoriko,

eo afovaon’ny firenena?

24 Nofandrihako tamin’ny tady vavarana ianao, ka voa,

ry Babela, nefa tsy nampoizinao velively izany;

hita ianao ka voasambotra,

satria nila ady tamin’i Iaveh.

25 Novohan’i Iaveh ny firaketam-piadiany;

ka navoakany avy ao ny fitaovam-pahatezerany;

fa ananan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, raharaha

ny tanin’ny Kaldeanina.

26 Avia hamely azy avokoa ianareo any rehetra any,

vohay ny sompiny

ka atokotokoy hoatra ny antontam-bary, dia levòny;

fa aza avela hisy sisa na dia kely aza.

27 Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy.

Loza ho azy fa tonga ny androny,

dia ny fotoana hamangiana azy.

28 Fikiakiak’ireo mandositra, sy ireo mitsoaka

miala amin’ny tanin’i Babela!

Manambara any Siôna ny famalian’i Iaveh Andriamanitsika izy,

dia ny famaliany noho ny amin’ny tempoliny!

Avonavona sy eboebo

29 Antsoy hamely an’i Babela ny mpandefa tsipìka,

mbamin’izay rehetra mpanenjana tsipìka,

mitobia manodidina azy ianareo;

aza misy afa-mandositra!

Valio araka ny asany izy.

Toraky ny nataony rehetra no mba ataony aminy kosa,

fa nitsangana hanohitra an’i Iaveh, hanohitra an’ilay Masin’i Israely.

30 Koa noho izany, ny zatovony ho lavo eny amin’ny kianjany,

ary ny lehilahy mpiadiny rehetra ho ringana avokoa,

amin’izany andro izany, – teny marin’i Iaveh. –

31 Indro Aho manandrina anao, ry ilay mpirehareha!

– tenin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, –

fa tonga ny andronao,

dia ny fotoana hamangiako anao.

32 Handraingiraingy ilay mpirehareha, ho lavo izy,

ka tsy hisy mpanarina;

horehetako afo ny tanànany,

ka ho levon’izany avokoa ny manodidina azy.

I Iaveh mpanavotra an’i Israely

33 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

ampahorîna ny zanak’i Israely

mbamin’ny zanak’i Jodà miaraka aminy koa;

mitana azy avokoa izay nitondra azy ho babo,

fa tsy mety mandefa azy.

34 Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo,

Iavehn’ny tafika no Anaran’izy io;

ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy

mba hampiadana ny tany,

sy hampangovitra ny mponina ao Babela.

35 Sabatra hamely ny Kaldeanina, – teny marin’i Iaveh,-

sy hamely ny mponina ao Babela,

sy hamely ny mpanapaka aman’olon-kendriny!

36 Sabatra hamely ny mpisandoka, ka aoka ho very saina izy!

Sabatra hamely ny maheriny, ka aoka hivadi-po ireny!

37 Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny,

mbamin’ireo fakofakon’olona rehetra izay eo afovoany,

ka aoka ho toy ny vehivavy ireny!

Sabatra hamely ny rakiny, ka aoka horobaina ireny!

38 Faharitana anie no ho amin’ny ranony, ka aoka ho tankina!

Satria tanin-tsampiny

ary eo anatrehan’ireny zava-mampahatahotra ireny,

dia mirebireby izy ireo.

39 Koa ny biby any an’efitraaman’amboadia no honina eo,

ny ostritsa no hiorim-ponenana eo;

fa ny olona tsy hisy honina eo intsony mandrakizay;

tsy hisy mponina intsony eo, amin’ny taona mifandimby.

40 Toy ny tamin’nynandravan’Andriamanitra an’i Sôdôma

sy i Gômôra, mbamin’ireo tanàna manodidina azy,

– teny marin’i Iaveh, –

no tsy hisian’olona monina eo;

ny zanak’olombelona tsy hitoetra eo.

Ny vahoaka any avaratra sy ilay lion’i Jordany

41 Indro misy firenenaavy any avaratra;

firenena lehibe, omba-mpanjaka maro,

no mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.

42 Tsipìka aman-dongy no entiny an-tanana;

olo-masiaka tsy mahalala antra izy.

Mireondreona hoatra ny ranomasina ny feony,

mitaingin-tsoavaly izy,

milahatra hoatra ny olona iray monja,

hamely anao, ry zanaka vavin’i Babela.

43 Nandre izany ny mpanjakan’i Babela

dia niraviravy tanana,

nandry andriran’antsy,

tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.

44 Indro izymiakatra toy ny liona,

avy ao an-kirihitralan’i Jordany, izay misy vilona mandrakariva,

fa tampoka kosa no hampandosirako azy ireo hiala ao,

ka ilay anankiray voafidiko no hapetrako honina ao.

fa iza moa no tahaka Ahy? Zovy no hihantsy Ahy,

ary iza no mpiandry ondry hahafanandrina amiko?

45 Koa henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh hamelezana an’i Babela,

sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny tanin’ny Kaldeanina;

Eny, hotaritarihina hoatra ny ondry osa izy;

ary ho gaga foana amin’izany ny tanim-bilona!

46 Mihorohoro ny tany, rehefa re fa hoe azo i Babela,

ka misy antso re any amin’ny firenena.

Categories
Jeremia

Jeremia 51

I Iaveh mamely an’i Babilôna

1 Izao no lazain’i Iaveh:

Indro hohetsehiko hamely an’i Babela

sy hamely ny mponina amin’i Kaldea

ilay fanahy mpandringana.

2 Ary handefa mpanakororòka hikororòka an’i Babela Aho

ka hataony foana ny tany

fa hiantoraka hamely azy hatraiza hatraiza ireo,

amin’ny andro fahoriana.

3 Aoka ny mpandefa tsipìka hanenjana ny tsipìkany,

hamely ny mpandefa tsipìka

mbamin’izay miedinedina amin’ny akanjo fiarovan-tratrany.

Aza mitsitsy ny zatovony,

aringano avokoa ny tafiny rehetra.

4 Aoka hisy maratra ho faty, lavo amin’ny tanin’ny Kaldeanina,

ary voatrobaka eny an-dalamben’i Babela.

5 Satria i Israely sy i Jodà tsy mba maty vady

manana ny Andriamaniny, Iavehn’ny tafika;

ary ny tanin’ny Kaldeanina feno ny ratsy nataony

tamin’ilay Masin’i Israely.

6 Mandosira lavitra an’i Babilôna ianareo,

ary samia mamonjy ny ainy!

Aoka tsy ho faty noho ny fahotany ianareo

fa andro famalian’i Iaveh izao;

ka hamaly azy araka izay mendrika azy izy.

7 Kapoaka volamenateny an-tanan’i Iaveh i Babela,

nahamamo ny tany rehetra izy;

nisotro ny divainy ny firenena

ka tonga mibedibedy foana ny firenena.

8 Nianjera tampoka anefa i Babela, ka torotoro;

migogogogoa azy; makà diloilo manitra hatao amin’ny feriny;

angamba ho sitrana ihany izy.

9 Efa nitady hanasitrana an’i Babela isika,

nefa tsy sitrana izy;

ka avelao izy, fa andao isika ho any amin’ny tanintsika avy.

Satria mahatakatra ny lanitra ny fitsarana azy,

sy tafapaka hatrany amin’ny rahona.

10 Nahariharin’i Iaveh ny mahamarina ny antsika,

ka andeha isika dia hitantara, any Siôna,

ny asan’i Iaveh Andriamanitsika.

11 Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo!

Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh;

fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy.

Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh

dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.

12 Manangàna faneva hamely ny mandan’i Babilôna,

ataovy mafy ny fahirano; alatsaho ny mpiambina;

manaova otrika!

Fa nanao hevitra i Iaveh,

ka dia manatanteraka izay voalazany hamelezany ny mponina ao Babela.

13 Ry ilay monina amoron’ny rano be,

sady be rakitra ô,

tonga ny fiafaranao; tapitra ny fotoana firembenao.

14 Efa nianiana tamin’ny Tenany i Iavehn’ny tafika, nanao hoe:

Hofenoiko olona hoatra ny valala ianao!

ary hanao hobim-pandresena eo aminao ireny. b

15 Izy no nahary ny tany tamin’ny heriny;

nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny;

ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahalalany.

16 Amin’ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra;

mampiakatra ny rahona avy amin’ny faran’ny tany Izy,

mampamirapiratra hela-baratra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra,

ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fanangonany azy.

17 Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona;

menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny,

satria fitaka foana ny sampiny

fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny.

18 Zava-poana ireny, asa mamitaka foana;

ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.

19 Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba;

fa namorona izao tontolo izao izy;

ary ny anjara lovany

dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika.

Ny marotòn’i Iaveh sy ilay tendrombohitra goavana

20 Ianao no ataoko fampohaza, ataoko fiadiana:

ianao no anorotoroako firenena;

ianao no andravako fanjakana;

21 ianao no anorotoroako ny soavaly ama-mpitaingina azy;

ianao no anorotoroako ny kalesy ama-mpitaingina azy.

22 Ianao no anorotoroako ny lehilahy amam-behivavy,

Ianao no anorotoroako ny anti-dahy sy ny zaza;

ianao no anorotoroako ny zatovo lahy aman-jatovo vavy.

23 Ianao no anorotoroako ny mpiandry ondry sy ny andian’ondriny;

ianao no anorotoroako ny mpiasa tany sy ny omby entiny miasa;

ianao no anorotoroako ny governora ama-mpanjaka.

24 Nefa hafotitro amin’i Babilôna

mbamin’ny mponina rehetra any Kaldea

ny ratsy rehetra nataony tao Siôna

teo imasonareo, – teny marin’i Iaveh. –

25 Indro Aho manohitra anao, ry tendrombohitryny fandravana,

– teny marin’i Iaveh, –

izay mandrava ny tany rehetra;

maninjitra ny tanako hamely anao Aho,

dia manakodia anao avy eny ambony harambato,

sy mahatonga anao ho tendrombohitra kila.

26 Tsy hakana vato fehizoro ianao na vato fanorenana;

fa ho zava-drava mandrakizay,

– teny marin’i Iaveh. –

Madiva ny farany

27 Manangàna saina, amin’ny tany;

mitsofa anjomara, amin’ny firenena;

manokàna firenena hamely azy;

miantsoa hamely azy ny fanjakan’i Ararata

sy Meniary Askeneza.

Manendre ny filohan’ny tafika hamely azy;

mandefasa ny soavaly toy ny valala mitsangam-bolo.

28 Manokàna firenena hamely azy,

dia ireo mpanjakan’i Media, ny kapiteniny ama-mpanapaka,

sy ny tany rehetra izay tapahiny.

29 Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy,

fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela,

mba hanova ny tanin’i Babela

ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.

30 Ireo lehilahy maherin’i Babela nitsahatra tsy niady;

mihiboka ao anaty trano mimanda;

lany ny heriny, tonga toy ny vehivavy izy;

nodorana ny fonenany;

notapahina ny hidim-bavahadiny.

31 Mihorakoraka ny tsimandoa hifanena amin’ny tsimandoa,

ary ny iraka hifanena amin’ny iraka;

hilaza amin’ny mpanjakan’i Babilôna,

fa afaky ny fahavalo ny tanànany avy hatraiza hatraiza.

32 Ny fitàna efa voatana;

ny heniheny doroana amin’ny afo,

ary ny lehilahy mpiady efa kivy erỳ!

33 Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika,

Andriamanitr’i Israely:

Ny zanaka vavin’i Babela dia toy ny famoloana

amin’ny fotoana fanosena azy,

ka kely foana sisa, dia ho tonga aminy,

ny andro fararano.

Famaliana ataon’i Iaveh

34 Nandany ahy, nandevona ahy,

i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babela;

nampitsatoka ahy teo, toy ny vazy foana,

nitelina ahy, toy ny dragona;

nameno ny kibony, tamin’ny nahandroko tsara indrindra,

dia nandroaka ahy.

35 «Hanody an’i Babela anie ny nofoko rotika!»

no holazain’ny mponina ao Siôna;

«hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!»

no ho tenin’i Jerosalema.

36 Koa izao no lazain’i Iaveh:

Indro fa izaho mandray ny adinao, hiandraikitra azy,

ary manatanteraka ny valim-bonoana ho anao:

Ka horitiko ny ranomasiny,

hataoko tankina ny loharanony.

37 Ary i Babela dia ho korontam-bato,

ho fieren’amboadia,

ho fampitahorana sy fanesoana,

tsy hisy mponina.

38 Indray mitrerona hoatra ny liona izy rehetra;

sy mikaonkaona toa zana-diombavy.

39 Dieny mirehidrehitra iny izy, dia hampidinako fisotro,

ka hataoko mamo, mba hanaranany fo amin’ny fifaliana:

dia ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay,

sy tsy hahatsiaro intsony; – teny marin’i Iaveh. –

40 Hampidiniko ho any amin’ny famonoana, toy ny zanak’omby, izy,

toy ny ondralahy aman’osy lahy.

Tononkalo fisaonana an’i Babilôna

41 Manao ahoana no nahafahana an’i Sesàka,

sy nahazoana an’ilay fireharehan’ny tany rehetra?

Nanao ahoana no nahatongavany ho zavatra fampitahorana,

i Babela, eo amin’ny firenena?

42 Nisondrotan’ny ranomasin’i Babela,

nosaforany tamin’ny onjany mirohondrohona.

43 Ny tanànany zary zavatra fampitahorana,

tany lao sy efitra;

tany tsy misy zanak’olombelona mandalo akory.

Famangian’i Iaveh an’ireo sampy

44 Hamangy an’i Bela ao Babela Aho:

Ka izay nateliny, hotosahako avy eo am-bavany,

ary ny firenena, tsy hitanjozotra ho ao aminy intsony.

Ny mandan’i Babela aza, nirodana.

45 Mivoahahiala ao aminy, ry oloko,

ary samia mamonjy ny ainareo,

eo anatrehan’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh.

46 Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra,

noho ny tsahoizay ho re honohono amin’ny tany!

Fa hisy tsaho hitranga amin’ny taona iray,

ary hisy tsaho hafa kosa, amin’ny taona manaraka izay;

dia hisy fifamelezana mafy amin’ny tany,

mpanapaka manao jadona mifanohitra.

47 Koa indro, avy ny andro,

hamangiako ny sampin’i Babela;

dia hangaihay ny taniny rehetra,

ary ho lavo eo aminy avokoa ny voavono ao aminy.

48 Ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy,

hanao hobin-kafaliana, noho ny amin’i Babela;

satria hiantontàn’ireo mpandringana, avy any amin’ny tany avaratra izy,

– teny marin’i Iaveh. –

49 Tsy maintsy ho lavo i Babela, ry ilay maty amin’i Israely,

toy ny nahalavoan’ireo maty eran’ny tany ho an’i Babela.

50 Ianareo nieren’ny sabatra, miaingà,

fa aza mijanona!

Mahatsiarova an’i Iaveh any an-tany lavitra,

ary aoka ho velona ao am-ponareo ny fiheverana an’i Jerosalema!

51 Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka;

safo-kenatra ny tarehinay,

fa ny hafa firenena no tonga,

nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon’i Iaveh.

52 Koa indro avy ny andro, – teny marin’i Iaveh, –

hamangiako ny sampiny,

ka hitoloko eran’ny taniny rehetra ny vonoina ho faty.

53 Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela,

na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo,

dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko,

– teny marin’i Iaveh. –

54 Injany misy horakoraka manako any amin’i Babela any:

loza lehibe any amin’ny Kaldeanina!

55 Fa mandrava an’i Babela i Iaveh,

ka ataony mitsahatra ny tabatabany maresaka;

mirohondrohona hoatra ny ranobe ny onjan’izy ireo,

dia mandefa ny feon’ny firohondrohony.

56 Satria tonga namely azy ny mpandrava, –

namely an’i Babela; –

voasambotra ny mpiady maheriny; tapatapaka ny tsipìkany;

fa Andriamanitry ny famaliana i Iaveh,

dia hamaly marina tokoa izy!

57 Hataoko mamo ny mpanapaka aman’olo-kendriny,

ny governora ama-mpitsarany, ary ny mpiandry maheriny,

ka ho raiki-tory amin’ny torimaso mandrakizay ireo,

dia tsy hifoha intsony, – teny marin’ny Mpanjaka, –

izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika.

Fongotra i Babilôna

58 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:

Efa voafongotra mihitsy ny mandan’i Babela malalaka be;

ary voadotra ny vavahadiny avo be.

Ka dia zava-poana izanyno isasaran’ny vahoaka,

ho an’ny afo no hisasaran’ny firenena, ka lany hery foana amin’izany izy.

Tenin’Andriamanitra mamely an’i Eofrata

59 Didy nomen’i Jeremia mpaminany, an’i Saraiasa zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa fony izy nandeha nankany Babilôna, niaraka tamin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra nanjakany. Fa i Saraiasa no lehiben’ny tao an-dain’ny mpanjaka.

60 Nosoratan’i Jeremia tamin’ny boky iray avokoa, ny loza hanjò an’i Babilôna, dia ireo teny rehetra voasoratra ny amin’ny Babilôna ireo.

61 Ary hoy i Jeremia tamin’i Saraiasa: Rehefa tonga any Babilôna ianao dia tandremo ny mba hamaky ireo teny ireo, dia ataovy hoe:

62 I Iaveh no nilaza ny amin’ity fitoerana ity fa horavana izy, ka tsy hisy honina eto intsony, na olona na biby, fa ho tany maty mandrakizay izy!

63 Ary rehefa tapitra ny famakiako ity boky ity, dia asio vato mifehy aminy, ka atsipazo any afovoan’i Eofrata any izy,

64 sy ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’i Babilôna, sy tsy hifongarany intsony, avy amin’ny loza hahàtrako aminy, fa ho lavo lany hery izy.

Hatreo ny tenin’i Jeremia.

Categories
Jeremia

Jeremia 52

Ny nanjò an’i Jerosalema sy ny soa natao an’i Jôakîna

1 Ary 21 taona i Sedesiasa fony izy tonga mpanjaka; ary 11 taona izy no nanjaka tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amita, zanaka vavin’i Jeremia, avy ao Lobnà.

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nianatra izay rehetra nataon’i Jôakima.

3 Ary noho ny fahatezeran’i Iaveh no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy i Jodà, mandra-panariny azy, tsy ho eo anatrehan’ny tavany. Ary i Sedesiasa dia nidina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna.

4 Tamin’ny taona faha-9 nanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana faha-9, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra; ka nitoby tamin’ny tandrifiny sy nanao manda fanakekezana manodidina azy;

5 ary natao fahirano ny tanàna, hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesiasa.

6 Nony tamin’ny volana faha-4, andro fahasivin’ny volana, dia efa mafy ny mosary tao an-tanàna, ka tsy nisy intsony izay hanin-kohanin’ny vahoakan’ny tany; koa tamin’izay,

7 dia nobangaina ny tanàna, ka vaky nandositra avokoa ny lehilahy mpiady; alina no nivoahany tao an-tanàna, tamin’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny sahan’ny mpanjaka; raha ilay voahodidin’ny Kaldeanina iny ny tanàna, dia nihazo ny lalan’ny tany lemaka izy.

8 Nenjehin’ny miaramila Kaldeanina anefa ny mpanjaka; ka trany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa; dia niparitaka lavitra azy ny miaramilany rehetra.

9 Nosamboriny ny mpanjaka, dia nentina niakatra any amin’ny mpanjakan’i Babilôna, tao Reblà, amin’ny tanin’i Hemata, dia namoaka teny fitsarana momba azy izy.

10 Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imason-drainy ireo zanaka lahin’i Sedesiasa; novonoina tao Reblà koa ny mpanapaka rehetra tamin’i Jodà.

11 Raha efa izany nopotsiriny ny mason’i Sedesiasa, ka nafatony tamin’ny rojo varahina roa izy, ary nentin’ny mpanjakan’i Babilôna nankany Babilôna izy, sy notanany an-tranomaizina mandra-pahafatiny.

12 Tamin’ny volana faha-5, andro faha-10n’ny volana, dia izay taona faha-19 nanjakan’i Nabokodonozora, no tonga tany Jerosalema i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, izay mpandraharahan’ny mpanjakan’i Babilôna;

13 ka nandoro ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny tranon’ny mpanjaka sy ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe rehetra.

14 Ary noravan’ny miaramila Kaldeanina rehetra, nanaraka ny kapitenin’ny mpiambina, ny manda nanodidina an’i Jerosalema.

15 Nentin’i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, ho babo ny sasany tamin’ny olo-mahantra indrindra, mbamin’ny olona sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ireo efa nitsoaka nanatona ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny mpanao taozavatra sisa.

16 Navelan’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ihany anefa ny olo-mahantra sasany tamin’ny tany ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.

17 Novakivakin’ny Kaldeanina ny andry varahina amin’ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny ranomasina varahina sy ny fanambaniny izay tao an-tranon’i Iaveh, dia nentiny nankany Babilôna ny varahina tamin’ireo.

18 Nentiny koa ny vilany, ny lapelina, ny antsy, ny vilia kely, ny kôpy, mbamin’ny fanaka varahina rehetra, fitondra manao ny fanompoana.

19 Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina koa ny tavin-drano, ny fanembohana, ny vilia kely, ny vilany, dia izay vita amin’ny volamena sy ny volafotsy.

20 Ny amin’ny andry roa, ny ranomasina, mbamin’ireo omby varahina 12 nitaingenany sy ny fanambaniny, izay nampanaovin’i Salômôna mpanjaka, tao an-tranon’i Iaveh, dia tsy nisy tokony handanjana ny varahina tamin’ireo fanaka rehetra ireo.

21 Ny amin’ny andry, dia 18 hakiho no haavon’ny andry iray, ary kofehy 12 hakiho no nandrefy azy manodidina, ary voatondro efatra ny hateviny, ary poaka aty izy.

22 Nisy loha andry varahina ny tampony; dimy hakiho no haavon’ny loha andry iray; nisy harato sy ampongabendanitra ny manodidina ny loha andry, ary varahina avokoa izany. Torak’izany koa ny andry faharoa, mbamin’ny ampongabendanitra.

23 Ampongabendanitra 96, no tamin’ny lafiny, ary 100 no isan’ny ampongabendanitra rehetra tamin’ny harato, amin’ny manodidina rehetra.

24 Nalain’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, i Sôfônia mpisorona amin’ny filaharana manarakaraka, ary ny mpiandry varavarana telo lahy.

25 Ny tao an-tanàna koa, nangalany manamboninahitra anankiray, mpifehy ny olo-mpiady, olona fito lahy, anisan’ny mpanolo-tsaina manokan’ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny komandin’ny miaramila, miadidy ny fanoratana ny olona amin’ny tany ho miaramila, ary ankapobem-bahoaka amin’ny tany 60 lahy izay hita tao an-tanàna.

26 Nosamborin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ireo, dia nentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna, any Reblà.

27 Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna ireo, sy nataony maty tao Reblà, amin’ny tanin’i Emata. Toy izany no nitondrana an’i Jodà ho babo, lavitry ny taniny.

28 Izao no isan’ny olona nentin’i Nabokodonozora ho babo: Lehilahy avy amin’i Jodà 3.023, tamin’ny taona faha-7;

29 olona tamin’ny mponina tao Jerosalema, 832, tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Nabokodonozora;

30 lehilahy avy amin’i Jodà 745, nentin’i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, ho babo, tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Nabokodonozora. 4.600 no tontalin’izy rehetra.

31 Tamin’ny taona faha-37 nahababo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, volana faha-12, andro faha-25n’ny volana tamin’ny taona vao nanjakan’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, dia nampitràka ny lohan’i Joasinampanjakan’i Jodà izy io, ka navoakany hiala tao an-tranomaizina.

32 Nanaovany teny be halemem-panahy; nasandrany ho ambony noho ny seza fipetrahan’ireo mpanjaka niaraka taminy tao Babilôna;

33 nasainy novana ny fitafiany tao an-tranomaizina; ary tsy tapaka nihinana teo anatrehany i Joasina, tamin’ny andro rehetra niainany.

34 Ny amin’ny fivelomany, ny fivelomany hatrany hatrany dia ny mpanjakan’i Babilôna no niantoka azy isan’andro, mandra-pahafatiny, tamin’ny andro rehetra niainany.

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 1

FITOMANIANA VOALOHANY

1 Ahoana re no mitoetra manirery ity,

ilay tanàna be olona!

Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena!

izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany,

natao mpandoa hetra.

2 Mitomany amin’alahelo izy, mandritra ny alina,

vonton-dranomaso ny takolany,

tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra;

nivadika taminy ireo namany rehetra,

ka tonga fahavalony.

3 I Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana,

voaheloka hiasa mafy;

mitoetra any amin’ny firenena,

tsy mahita fitsaharana;

tratr’ireo mpanenjika azy, teo an-kadilànana tery.

4 Misaona ny lalan’i Siôna,

fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny.

Rava avokoa ny vavahadiny,

mitaraina ny mpisorony,

miferinaina ny virjininy

ary tra-pahoriana mangidy izy.

5 Ny mpampahory azy mahery,

ny fahavalony miadana;

fa izy nampahorin’i Iaveh,

noho ny hamaroan’ny fahadisoany.

Ny zanany madinika lasan-ko babo,

eo anoloan’ny mpampahory.

6 Afaka amin’ny zanaka vavin’i Siôna

ny voninahitra rehetra;

Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa

tsy mahita vilona

ka mandeha tsy manan-kery,

eo anoloan’ny manenjika azy.

7 Tsaroan’i Jerosalema

amin’ny andron’ny fahoriany amam-pirenireneny

ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany,

hatry ny andro fahagola.

Ankehitriny, rehefa lavon’ny tanan’ny mpampahory azy ny olony,

sady tsy misy mamonjy azy,

dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy

ny fifadiany asa.

8 Nampitombo ny fahotany i Jerosalema,

ka tonga zava-maloto;

mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy,

fa nahita ny fitanjahany;

mandefa feo mitoloko koa izy,

sady miamboho.

9 Miseho eo ambany rambon’akanjony ny lotony;

tsy nitsapa ny farany izy;

ka mahagaga ny nahalavoany;

sady tsy misy mampionona azy

«Iaveh ô, jereo ity fahantrako,

fa mahery ny fahavalo!»

10 Nandroso ny tanany ny mpampahory

naka ny zava-tsoany rehetra;

fa hitany ny firenena,

niditra tao amin’ny fitoerany masina,

dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe:

Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!

11 Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy;

izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina,

izay mampody aina ao aminy.

«Jereo Iaveh ô, zahao

ity fietrena nilatsahako.»

12 Ianareo rehetra izay mandeha amin’ny lalana,

jereo ka mahità,

raha mba misy fahoriana toy izao manjò ahy izao,

dia izaho izay nokapohin’i Iaveh,

tamin’ny andron’ny fahatezerany mirehitra.

13 Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony,

afo mandoro azy;

novelariny fandrika eo anoloan’ny tongotro,

ka nampihemotra ahy;

nahatrany tamiko ny fahoriana

ka reraka mandritra ny andro izao aho.

14 Ny jiogan’ny fahotakodia voafehy, tao an-tanany;

voatambatra ho fehezany ireny,

ka mitambesatra amin’ny vozoko,

nataony mihozohozo ny heriko.

Natolotry ny Tompo eo an-tanan’izay tsy leoko aho.

15 Nalain’ny Tompo avokoa ny mahery rehetra,

izay teto afovoako;

niantso tafika hamely ahy Izy,

nanorotoro ny zatovo lahiko;

nohosihosen’ny Tompo, toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka,

ny virjiny, zanaka vavin’i Jodà.

16 Izany no itomaniako,

ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko;

fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy,

mamelombelona ny aiko.

Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.

17 Mananty tanan-droa i Siôna, …

Tsy misy mampionona azy!

Nantsoin’i Iaveh hamely an’i Jakôba,

ny fahavalony ka manarona azy izy.

Eo afovoan’izy ireo i Jerosalema,

dia zary toa zava-maloto.

18 Tena marina i Iaveh,

satria efa nandà ny didiny aho.

Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa ianareo,

ary mijere ny alaheloko:

ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.

19 Niantso lehilahy mpitia ahy aho, fa nofitahiny;

ny mpisoroko aman-doholona maty ao an-tanàna,

tamin’ilay izy nitady hanina iny hamelomany ny ainy.

20 Iaveh ô, jereo ity fahoriako!

Mangotika ny atiko;

mikorontana ny foko ato anatiko,

fa niodina dia niodina tokoa aho.

Eny ivelany, matin’ny sabatra ny zanako,

ao an-trano, fahafatesana koa!

21 Ren’ny olona ny fitolokoko,

nefa tsy misy mampionona ahy izy.

Raha nandre ny manjò ahy ny fahavaloko rehetra,

dia mifaly izy, satria niasa Ianao.

Hampiavy ny andro voalazanao Ianao,

ka ho tonga toa ahy koa ireo!

22 Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian’ireo,

mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko

noho ny fahadisoako rehetra!

Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 2

FITOMANIANA FAHAROA

1 Ahoana re no nanaronan’ny Tompo rahona,

noho ny fahatezerany

ny zanaka vavin’i Siôna?

Navariny aman-tany avy any an-danitra,

ny hatsarana kanton’i Israely,

tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony,

tamin’ny andro fahatezerany rehetra.

2 Noravan’ny Tompo, tsy nananany antra,

ny fonenan’i Jakôba rehetra.

Narodany tamin’ny hatezerany

ny mandan’ny zanaka vavin’i Jodà.

Nazerany amin’ny tany ireo; nohamavoiny

ny fanjakana ama-mpanjaka.

3 Noho ny fahatezerany mirehitra

notapahiny avokoa ny herin’i Israely;

ny tanany ankavanana, nahemony

teo anoloan’ny fahavalony;

toy ny afo midedadeda

no narehiny teo amin’i Jakôba,

mandevona ny manodidina rehetra.

4 Nanenjan-tsipìka toy ny ataon’ny fahavalo Izy

aty naninjitra ny tanany ankavanana, toy ny mpanani-bohitra;

ka naripany avokoa izay nahafinaritra ny maso;

tamin’ny lain’ny zanaka vavin’i Siôna

naidiny toy ny afo ny fahatezerany.

5 Nanao toy ny fahavalo ny Tompo:

I Israely noravany;

ny lapany noravany avokoa;

ny mandany narodany;

ny fijalian’ny zanaka vavin’i Siôna

notongoaviny fijaliana.

6 Nidirany an-kery ny fefiny, toy ny tanimboly;

noravany ny fitoerany masina.

Nataon’i Iaveh nitsahatra tao Siôna

ny fety aman-tsabatra;

tamin’ny firehetan’ny hatezerany dia nariany amim-panesoana

ny mpanjaka ama-mpisorona.

7 Nanjary sosotra tamin’ny ôteliny ny Tompo

sy madikidiky amin’ny fitoerany masina.

Natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo

ny mandan’ny lapany;

dia nisy nihorakoraka

toy ny amin’ny andro fety tao an-tranon’i Iaveh.

8 Nosainin’i Iaveh ny handrava

ny mandan’ny zanaka vavin’i Siôna,

dia nohenjaniny ny famolaina,

tsy nahemony tsy handrava, ny tanany;

nataony misaona ny manda sy ny manda ivelany,

niara-nitsingidina amin’alahelo ireo.

9 Ny vavahadiny tafalentika amin’ny tany,

novakìny, notapahiny ny hidiny,

ny mpanjakany ama-mpanapaka efa any amin’ny firenena,

tsy misy intsony ny lalàna,

ny mpaminany aza tsy mandray

fahitana avy amin’i Iaveh intsony.

10 Mipetraka mangina amin’ny tany,

ny loholon’ny zanaka vavin’i Siôna;

nasiany vovoka ny lohany;

mitafy lasàka mitanondri-doha amin’ny tany,

ny virjinin’i Jerosalema.

11 Levona azon’ny ranomaso ny masoko,

mangotika ny atiko;

mitsonika amin’ny tany ny atiko,

noho ny ratran’ny zanaka vavin’ny vahoakako,

raha ilay toran’ny harerahana iny

ny ankizy aman-jaza minono,

any amin’ny kianjan’ny tanàna.

12 Hoy izy amin-dreniny:

Aiza no misy mofo sy divay?

dia lavo toy ny voan’ny sabatra izy;

eny amin’ny kianjan’ny tanàna,

ary miala aina eny an-trotroan’ny reniny.

13 Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao,

ry zanaka vavin’i Jerosalema?

Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao,

ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna?

Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao;

iza no hanasitrana anao?

14 Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao,

dia fahitana mpamitaka sy foana:

Tsy naneho ny helokao taminao izy,

mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana,

fa ny nolazainy taminao ho fahitana,

dia teny mandainga sy mandrebireby.

15 Miteha-tanana avokoa ny amin’ny momba anao,

izay rehetra mandeha amin’ny lalana;

misitrîsitra sy mihifikifi-doha

amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.

«Io va ilay tanàna natao hoe: fahatsaran-tarehy lavorary

fifalian’ny tany rehetra?»

16 Misanasana vava mamely anao

ny fahavalonao rehetra;

misitrîsitra mikitro-nify,

manao hoe: «Nolevonintsika izy!

Ity no ilay andro nandrasantsika,

tratrantsika izy, hitantsika izy!»

17 Nataon’i Iaveh izay nokasainy;

notanterahiny ny teniny

izay efa nolazainy hatramin’ny andro taloha;

nandrava Izy fa tsy niantra,

nampifaly ny fahavalo noho ny aminao Izy;

nanandratra ny tandroky ny mpampahory anao Izy.

18 Mitaraina amin’ny Tompo ny fon’izy ireo!

Ry mandan’ny zanaka vavin’i Siôna ô!

Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao,

andro aman’alina;

aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao!

Aza mety mijanona akory.

19 Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina,

hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana;

aidino hoatra ny rano ny fonao,

eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo!

Manandrata tanana aminy,

ho an’ny ain’ny zanakao madinika,

izay lavo toran’ny hanoanana,

eny an-joron-dalana rehetra eny.

20 Iaveh ô, jereo ka diniho:

Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana?

Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve?

Dia ny zanany madinika izay malalany?

Endrey! Mba efa vonoina eo amin’ny fitoerana masin’ny Tompo,

na ny mpisorona na ny mpaminany!

21 Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalambe,

ny ankizy sy ny anti-dahy;

ny virjiniko aman-jatovoko,

lavon’ny sabatra;

namono tamin’ny andron’ny fahatezeranao ianao;

namono tsy nanana antra ianao!

22 Nantsoinao, hoatra ny amin’ny andro fety,

ny fampangorohoroana ahy hatraiza hatraiza;

tamin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh,

tsy nisy afa-nidify na nandositra:

naringan’ny fahavaloko

izay notiaviko sy nobeaziko!

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 3

FITOMANIANA FAHATELO

1 Izaho no ilayolona nahita ny fahoriana

tamin’ny tsora-kazon’ny fahatezerany.

2 Nentiny sy nampandehaniny aho

tamin’ny haizina fa tsy tamin’ny mazava.

3 Izaho irery no asiany

dia asian’ny tanany mandritra ny andro.

4 Ny nofo aman-koditro, nataony korotika;

ny taolako notapatapahiny.

5 Nanorina izay hamelezany ahy izy;

notemerany ny mangerokeroka sy mahasorisorena aho.

6 Nampitoeriny amin’ny maizina,

toy ny efa maty fahagola aho.

7 Nohodidininy tamboho aho, tsy ho afa-mivoaka;

novesarany gadra vy.

8 Na mitaraina sy miangavy aza aho,

tampenany avokoa ny fidiran’ny fivavahako.

9 Notampenany vato voapaika ny lalako;

nakorokorony ny sakeli-dalako.

10 Mova izy amiko tsy ny orsa manotrika

sy ny liona manotrika iny.

11 Naviliny ny lalako, dia noviravirainy aho,

ka nataony fandao!

12 Nanenjika ny tsipìkany izy; dia izaho no napetrany

hokendreny amin’ny zana-tsipìkany.

13 Natanterany ny valahako

ny zanaky ny tranon-jana-tsipìkany;

14 efa fihomehezan’ny vahoakako rehetra aho,

ataony an-kira mandritra ny andro.

15 Novokisany zava-mangidy aho,

nobobòhany absinta.

16 Nampikosohiny fasika ny nifiko;

nasitriny tao anaty lavenona aho.

17 Ny fanahiko voasintona mafy lavitra ny fahatokiana,

ny fifaliana efa hadinoko,

18 ka hoy aho: «Very ny heriko,

mbamin’ny fanantenako an’i Iaveh.»

19 Tsarovinao ny fahoriako amam-pijaliako,

ny absinta aman’afero!

20 Mahatsiaro izany mandrakariva ny fanahiko,

ka reraka ato anatiko izy.

21 Izao no hotsarovako ato anatin’ny foko,

ka dia izany no mba hanantenako.

22 Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika,

fa tsy lany ny famindram-pony.

23 Mihavao isa-maraina izany;

lehibe ny fahamarinanao!

24 I Iaveh no anjarako, hoy ny fanahiko,

koa Izy no hanantenako.

25 Tsara fo i Iaveh amin’izay manantena Azy,

amin’ny fanahy mitady Azy.

26 Tsara ny miandry amim-panginana,

ny famonjen’i Iaveh.

27 Tsara ho an’ny olona ny mitondra

ny jioga hatramin’ny fahatanorany.

28 Aoka hitoetra irery amim-panginana izy,

raha ampitondrain’Andriamanitra an’izany.

29 Aoka hanohoka ny vavany amin’ny vovoka izy;

angamba misy hantenaina!

30 Aoka hanolotra ny takolanyamin’izay mamely azy izy;

aoka hivoky latsa izy!

31 Satria ny Tompo tsy manary mandrakizay;

32 fa raha mampahory Izy, dia mangoraka,

araka ny famindram-pony lehibe;

33 Ary tsy satriny ny manetry,

na mampahory ny zanak’olombelona.

34 Raha hitsakitsahin’ny olona amin’ny tongony,

ny babo rehetra amin’ny tany;

35 raha manana ny rariny no ampandeferin’ny olona,

eo anatrehan’ny Avo indrindra;

36 raha misy mampidi-doza ny olona amin’ny adiny,

moa tsy ho hitan’ny Tompo va izany?

37 Iza moa no niteny, dia tanteraka izany,

raha tsy efa voadidin’ny Tompo?

38 Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va no mivoaka

ny soa sy ny loza?

39 Ka ahoana no itarainan’ny olombelona raha mbola velona izy?

Aoka ny fahotany avy no sampy hitarainany!

40 Aoka isika samy handinika ny lalany sy hamantatra azy,

ka hiverina amin’i Iaveh,

41 amin’Andriamanitra any an-danitra:

Asondroty ny fontsika mbamin’ny tanantsika.

42 Izahay dia efa nanota, efa niodina;

Ianao tsy namela heloka.

43 Nisarona ny fahatezeranao Ianao, dia nejehinao izahay,

novonoinao tsy nanananao antra:

44 Nisarona rahona Ianao,

tsy hisy hidiran’ny fivavahana.

45 Nataonao fakofako amam-paikan-javatra

eo afovoan’ny firenena izahay.

46 Misanasana vava aminay avokoa

ny fahavalonay rehetra;

47 ny tahotra aman-davaka no anjaranay,

sy ny fandravana amam-pandringanana.

48 Ranomaso mandriaka no mijononòka amin’ny masoko,

noho ny fandravana ny zanaka vavin’ny vahoakako.

49 Mitomany tsy mijanona ny masoko,

satria tsy misy hiainana,

50 mandra-pitsinjony sy ijeren’i Iaveh

any an-tampon’ny lanitra.

51 Mampidi-pahoriana amin’ny fanahiko ny masoko,

noho ny amin’ireto zanaka vavin’ny tananako rehetra.

52 Manenjika ahy, hoatra ny fanenjika fody,

ireo mpankahala ahy tsy ahoana tsy ahoana.

53 Nitady hamono ny aiko tao anatin’ny lavaka izy ireo,

dia efa nandatsaka vato hanindry ahy.

54 Nisondrotra mihoatra ny lohako ny rano,

ka hoy aho: «Maty aho!»

55 Iaveh ô, niantso ny Anaranao

tany anaty lavaka lalina aho.

56 Renao ny feoko: «Aza manentsin-tadìny,

amin’ny fisentoako, amin’ny fitarainako!»

57 Tamin’ny andro niantsoako anao, nanatona Ianao,

dia nanao hoe: «Aza matahotra!»

58 Tompo ô, niandraikitra ny adiko Ianao,

namonjy ny aiko.

59 Hitanao, ry Iaveh, ny anaovany an-keriny amiko,

omeo ny rariny aho!

60 Hitanao avokoa ny lolom-pony

sy ny fiokoan’izy rehetra hamely ahy.

61 Renao avokoa, ry Iaveh, ny latsa ataony,

ny fiokoan’izy rehetra hamely ahy,

62 ny resaky ny fahavaloko mbamin’ny fisainany

hamely ahy mandritra ny andro.

63 Jereo, fa na mipetraka izy ireo na mitsangana,

dia izaho no ataony an-kira.

64 Valio araka ny mendrika azy ireo izy, ry Iaveh ô!

araka ny asan’ny tanany.

65 ataovy jamba ny fony;

atokano ho azy ny ozonao.

66 Enjeho an-katezerana izy, ary fongory,

tsy ho etỳ ambanin’ny lanitr’i Iaveh!

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 4

FITOMANIANA FAHEFATRA

1 Ahoana no nihamatroka ny volamena,

nihasimba ny volamena madio,

niely patrana ny vato voahasina,

eny an-joron-dalambe rehetra eny.

2 Ireo zanaka lahin’i Siôna, miendrik’andriana indrindra,

voatombana an-danjam-bolamena madio,

ka ahoana no natao toy ny vilany tany,

asan-tanan’ny mpanefy vilany?

3 Ny amboadia aza manolotra nono amin’ny zanany,

ka mampinono azy;

fa ny zanaka vavin’ny vahoakako kosa nanjary masiaka,

hoatra ny ostritsa any an’efitra.

4 Ny lelan’ny zaza minono tafaraikitra

amin’ny lanilany, azon’ny hetaheta;

mangataka hanina ny ankizy madinika,

nefa tsy nisy olona manome azy.

5 Ireo nihinan-kanim-pỳ fahizay,

dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe;

mandamaka eny amin’ny zezika

ireo nolanjaina mipetraka amin’ny jaky.

6 Fa ny heloky ny zanaka vavin’ny vahoakako tafahoatra

noho ny fahotan’i Sôdôma,

izay noravana indray mihelina monja,

nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.

7 Namirapiratra noho ny oram-panala ny mpanapaka azy,

fotsy noho ny ronono;

mena noho ny voahangy ny tenany;

vato safira ny tarehiny.

8 Ny tavany mainty noho ny fahamaizinana,

ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalam-be,

ny hodiny, miraikitra amin’ny taolany,

maina tahaka ny hazo.

9 Sambatra ireo matin-tsabatra,

noho iretsy matin’ny hanoanana,

izay mihareraka tsikelikely, maratra,

noho ny tsy fisian’ny vokatry ny tany!

10 Nisy vehivavy mora mangoraka,

nefa tanany no nahandro ny zanany

dia nataony hanina izany,

tamin’ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.

11 Nanampatra hatramin’ny fara fahatezerany i Iaveh,

nandefa ny fahatezerany mirehitra;

dia nandrehitra afo tao Siôna izy,

ka levon’izany ny fanorenany.

12 Tsy mba nino ireo mpanjakan’ny tany,

na ny mponina rehetra tamin’izao tontolo izao,

fa ny mpandrafy, ny fahavalo

dia ho tafiditra ny vavahadin’i Jerosalema.

13 Izany no tonga noho ny fahotan’ny mpaminaniny,

sy ny heloky ny mpisorony,

izay nandatsaka tao anatin’ny mandany

ny ran’ny marina.

14 Niraparapa toy ny jambateny an-dalambe izy ireo,

sady nihosin-dra,

hany ka tsy azo nokasihina akory

ny fitafiany.

15 «Mitanilà! Maloto e!» hoy ny antsoantson’ny olona,

«Mitanilà ianareo!

Mitanilà ianareo! Aza mikasika azy.»

Nirenireny atsỳ sy arỳ, ka hoy ny olona any amin’ny firenena:

Aoka tsy hitoetra atỳ ireny!

16 Ny Tavan’i Iaveh vinitra nampihataka azy;

tsy nijery ireny intsony izy.

Ny mpisorona, tsy nasian’ny fahavalo hajany;

ny anti-panahy, tsy nananany antra.

17 Ary isika, nihavizaka ny masontsika,

mbola miandry izay vonjy foana;

eny an-tampon’ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo,

izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.

18 Nitsikilo ny diantsika izy,

nisakana antsika tsy handeha eny amin’ny kianjatsika.

Manantòmotra ny fiafarantsika, tapitra ny androntsika;

eny, efa tonga ny fiafarantsika!

19 Izay nanenjika antsikadia faingam-pandeha,

noho ny voromahery eny an-danitra.

Notanahiny teny an-tendrombohitra isika;

nanaovany otrika tany an’efitra.

20 Ilay fofon’aintsika, ilay voahosotr’i Iaveh,

voasambotra tao an-davak’izy ireo,

dia ilay nataontsika hoe: «Eo ambanin’ny alokalony,

no ho velona any amin’ny firenena isika.»

21 Mifalia sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Edôma,

izay monina any amin’ny tanin’i Hosa!

Horosoana ny kapoaka koa ianao;

ka himamo dia hitanjaka.

22 Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna,

tsy hanesi-tany anao intsony izy.

Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma,

asehony miharihary ny fahotanao.

Categories
Fitomanian’i Jeremia

Fitomanian’i Jeremia 5

FITOMANIANA FAHADIMY

1 Tsarovy ny nanjò anay, ry Iaveh ô,

jereo sy diniho ity fahafaham-barakanay.

2 Ny lovanay, lasan’ny hafa firenena,

ny tranonay, lasan’ny olon-tsy fantatra.

3 Kamboty tsy manan-dray izahay,

toy ny mpitondratena ny reninay.

4 Mividy vola izahay vao misotro ny ranonay,

mikarama vao mahazo kitay.

5 Ny mpanenjika anay mandodona anay avy ao aoriana;

ka reraka, tsy mahita hiainana izahay.

6 Mananty tanana amin’i Ejipta

sy amin’i Asiria izahay, hivoky mofo.

7 Nanota ny razanay, tsy eo intsony anefa izy,

ka izahay ity no mivesatra ny helony.

8 Andevo no manapaka anay,

tsy misy olona manafaka anay amin’ny tanan’ireo.

9 Manao vy very ny ainay hahazoanay hanina

eo anoloan’ny sabatry ny efitra.

10 Mahamay, hoatra ny lafaoro, ny hoditray,

noho ny hamafin’ny hanoanana.

11 Nosavihin’izy ireo ny vehivavy tao Siôna,

mbamin’ny virjiny tamin’ny tanànan’i Jodà.

12 Misy mpanapaka nahanton’ny tanan’izy ireo,

ny tavan’ny anti-panahy tsy nasiany hajany,

13 ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary;

ny ankizy nivembena, mivesatra hazo.

14 Ny loholona nitsahatra tsy nankeny am-bavahady intsony;

ary ny zatovo tsy nitendry ny valihany intsony.

15 Nitsahatra ny fifalian’ny fonay;

niova ho fisaonana ny dihinay.

16 Nianjera ny satroboninahitry ny lohany;

eny, loza ho anay, fa nanota izahay!

17 Izao no antony raha marary ny fonay,

izao no antony raha nihamaizina ny masonay.

18 dia satria lao ny tendrombohitra Siôna,

ka ny amboadia no mikarenjy ao.

19 Ianao, ry Iaveh, dia ao amin’ny fiketrahanao mandrakizay;

ny seza fiandriananao maharitra amin’ny taona mifandimby!

20 Ahoana no dia hanadinoanao anay mandrakizay,

dia handao anay amin’ny andro lava toy izao?

21 Ampivereno aminao izahay, ry Iaveh, dia hiverina,

havaozy ny andronay toy ny fahiny indray.

22 Fa dia narianao tokoa va izahay,

sy ho tezitra tsy an’erany aminay va Ianao?