Categories
Baròka

Baròka 1

I Baròka sy ny fivoriamben’ny Jody tany Babilôna

1 Izao no teny ao amin’ny boky nosoratan’i Baròka zanak’i Neriasa zanak’i Maasiasa zanak’i Sedekiasa zanak’i Sedeì zanak’i Helkiasa, tany Babilôna,

2 tamin’ny taona faha-5, andro faha-7n’ny volana, tamin’ny andro nahafahan’ny Kaldeanina an’i Jerosalema sy nandoroany azy.

3 Ny teny amin’ity boky ity dia novakin’i Baròka tamin’ny sofin’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny sofin’ny vahoaka rehetra izay tonga hihaino izany boky izany;

4 tamin’ny sofin’ireo lehibe sy ireo zanak’andriana, ary tamin’ny sofin’ny loholona sy tamin’ny sofin’ny vahoaka rehetra hatramin’ny kely indrindra, ka hatramin’ny lehibe indrindra, dia izay rehetra nitoetra tany Babilôna akaikin’ny ony Sodi.

5 Nitomany sy nifady hanina ary nivavaka tamin’ny Tompo izy ireo, nandre izany.

6 Nanangom-bola izy ireo araka izay zakany afoy avy, samy araka ny toe-pananany;

7 dia nampitondrainy ho any Jerosalema amin’i Jôakima zanak’i Helkiasa zanak’i Salôma, mpisorona, sy amin’ny mpisorona sasany mbamin’ny vahoaka rehetra niara-nitoetra taminy tany Jerosalema.

8 Azon’i Baròka indray tamin’izay ny fanaky ny tranon’ny Tompo, nentina avy any amin’ny Tempoly, ka nalefany ho any amin’ny tanin’i Jodà, tamin’ny andro faha-10n’ny volana Sivàna, dia ireo fanaka volafotsy nataon’i Sedesiasa zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà;

9 nony efa nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, tao Jerosalema i Jekôniasa, ny mpanapaka, ny antoka, ny lehibe mbamin’ny sarambabem-bahoaka amin’ny tany, ka nentiny ho any Babilôna.

10 Hoy izy ireo: Indro, mampitondra vola ho anareo izahay; izany vola izany ividiano izay hanaovana sorona dorana, sorona fanonerana, emboka manitra; manaova fanatitra koa, ary atolory eo ambonin’ny ôtelin’ny Tompo Andriamanitra.

11 Mivavaha ho an’ny ain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ary mba ho an’ny ain’i Baltasara zanany mba ho toy ny andro any an-danitrany androny eto an-tany;

12 ary homen’ny Tompo hery isika; hampamirapiratany amin’ny masontsika ny mazava; hiaina eo ambanin’ny alokalok’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna isika, sy eo ambanin’ny alok’i Baltasara zanany; ho lava andro hanompoana azy isika, sy hahita fitia eo imasony.

13 Mivavaha koa amin’ny Tompo Andriamanitsika, ho antsika; satria efa nanota tamin’ny Tompo Andriamanitsika isika; ary mbola tsy niala tamintsika mandrak’androany ny hatezerana amam-pahaviniran’ny Tompo.

14 Vakio ity boky ity, izay ampitondrainay anareo, mba hamakiana azy ampahibemaso, ao amin’ny tranon’ny Tompo, amin’ny andro fety sy amin’ny fivoriana.

15 ka ataovy hoe:

Fiaikena heloka

An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana; antsika kosa ny henatra amin’ny tava, araka izao hita anio izao, ho an’ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema,

16 ho an’ny mpanjakantsika sy ny mpanapaka, ho an’ny mpisorontsika mbamin’ny mpaminany, sy ho an’ny razantsika.

17 Nanota teo anatrehan’ny Tompo isika;

18 ary tsy nanaiky Azy. Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika, tsy nanaraka ny didin’ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika.

19 Hatramin’ny andro nitondran’ny Tompo ny razantsika hiala tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka ankehitriny, dia tsy nety hoentin’ny Tompo Andriamanitsika isika, sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony.

20 Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon’izay ozona notononin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely.

21 Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika, araka ny teny rehetra nataon’ireo mpaminany, izay nirahiny hankatỳ amintsika.

22 Dia nandeha isika, samy nanaraka ny fitongilanan’ny fony ratsy avy, mba hanompo andriamani-kafa, sy hanao ny ratsy eo imason’ny Tompo Andriamanitsika.

Categories
Baròka

Baròka 2

1 Izany no nanatanterahan’ny Tompo Andriamanitsika ny teniny, izay voalazany hamelezana antsika, na ny mpitsara izay nitsara an’i Israely, na ny mpanjakantsika ama-mpanapaka antsika, na ny olona rehetra amin’i Israely sy i Jodà.

2 Nandrahonany antsika, fa hahatonga loza lehibe amintsika Izy, dia loza tsy mbola nisy toa azy tatỳ ambanin’ny lanitra rehetra; araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, araka izay efa niseho tokoa tany Jerosalema,

3 fa hoe: samy hihinana ny nofon’ny zanany lahy isika, sy ny nofon’ny zanany vavy avy.

4 Ary napetrany eo ambanin’ny tanan’ny mpanjaka rehetra manodidina antsika izy ireo, mba ho fandatsa sy fitalanjonan’ny firenena rehetra, amin’izay namelezan’ny Tompo antsika.

5 Ka isika natao hanapaka, no tonga mpanoa; satria nanota tamin’ny Tompo Andriamanitsika, tamin’ny tsy nanekentsika ny feony.

6 An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana, fa ny henatra manafotra ny tarehy no antsika sy ny razantsika, araka izao hita izao.

7 Ireo loza rehetra voalazan’ny Tompo ny amin’ny momba antsika, tonga tamintsika avokoa izao.

8 Ary tsy mba nivavaka tamin’ny Tavan’ny Tompo akory isika, hampiverenany antsika hiala amin’ny hevitry ny fontsika ratsy.

9 Koa notandreman’ny Tompo ny loza, ka nampiaviany hanjò antsika; satria marina ny Tompo, tamin’ny asa rehetra nandidiany antsika.

10 Ary isika tsy nihaino ny feony, tsy nitandrina ny didin’ny Tompo, izay nataony teo anoloantsika.

Fitalahoana

11 Ary ankehitriny, ry Tompo, Andriamanitr’i Israely, izay nitondra ny vahoakanao niala tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny tanana mahery, sy tamim-pahagagana amam-pamantarana, tamin’ny fahefana lehibe aman-tsandry nahinjitra, sady nampanan-daza ny Anaranao, araka izao hita anio izao:

12 Nanota izahay, nanao asa manohitra ny fivavahana izahay, nanao ny tsy marina izahay, ry Tompo Andriamanitray, amin’ny mikasika ny didinao rehetra.

13 Aoka mba ho afaka aminay ny hatezeranao, fa efa sisany kely foana izahay eny amin’ny firenena nanelezanao anay!

14 Tompo ô, henoy ny vavakay amam-pifonanay. Vonjeo izahay noho ny amin’ny Tenanao, ary ataovy mahita fitia eo imason’ireo nitondra anay ho babo izahay,

15 mba hahalalan’ny tany rehetra fa Tompo Andriamanitray Ianao, satria ny Anaranao efa voaantso amin’i Israely sy ny taranany.

16 Tompo ô, aoka Ianao hitsinjo avy any amin’ny fonenanao masina, ka hihevitra anay, aoka hanongilan-tsofina sy hihaino anay;

17 sokafy ny masonao, ka jereo: Tsy mba ny maty izay any amin’ny Seoly, izay efa niala tao anatiny ny fanahiny, no manome voninahitra ny Tompo sy mankatò Azy,

18 fa ny velona, izay malahelo noho ny haben’ny loza manjò azy, izay mandeha mitanondrika sady lany hery, izay mavozovozo ny masony sy efa noana ny fanahiny, dia izy io no manome voninahitra Anao, ry Tompo, sy mankatò Anao.

19 Tsy mba noho ny fahamarinan’ny razanay ama-mpanjakany anefa, no anamparanay ny fivavahany eo anatrehanao, ry Tompo Andriamanitray.

20 Fa efa nalefanao hamely anay ny fahatezeranao amam-pahaviniranao, araka ny efa voalazanao tamin’ny vavan’ny mpaminany, mpanomponao; nataonao hoe: Izao no lazain’ny Tompo:

21 Aondreho ny sorokareo sy ny vozonareo, ka manompoa ny mpanjakan’i Babilôna;dia honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo.

22 Fa raha tsy mety mihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitrareo ianareo, amin’ny fanompoana ny mpanjakan’i Babilôna,

23 dia hatsahatro eo amin’ny tanànan’i Jodà sy any ivelan’i Jerosalema, ny hira fifaliana sy ny hira firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny hiran’ny ampakarina, ary ho tonga efitra tsy misy mponina avokoa ny tany rehetra.

24 Tsy nety nihaino ny feonao izahay, amin’ny fanompoana ny mpanjakan’i Babilôna, ka dia notanterahinao ny teninao voatonon’ny vavan’ny mpaminany mpanomponao: nilaza fa ny taolan’ny mpanjakantsika, sy ny taolan’ny razantsika, hoesorina hiala ao am-pasany.

25 Ka indro fa natsipy teny ambonin’ny tany tokoa izany, nahahy tamin’ny hafanan’ny masoandro sy ny hatsiaky ny alina; ary ny razanay dia maty tamin’ny fijaliana mangidy, dia matin’ny hanoanana, ny sabatra, mbamin’ny pesta.

26 Ny trano izay niantsoana ny Anaranao, naetrinao amin’izao toetrany ankehitriny izao, noho ny haratsian’ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà.

27 Izay nataonao taminay, ry Tompo Andriamanitray ô, dia araka ny hatsaram-ponao rehetra, sy araka ny famindram-ponao lehibe rehetra,

28 araka ny nambaranao tamin’ny vavan’i Môizy mpanomponao, tamin’ny andro nandidianao azy hanoratra ny lalànao teo anatrehan’ny zanak’i Israely,

29 nataonao hoe: «Raha tsy mihaino ny feoko ianareo, izao olona zavon-tany be izao dia hampanjariako vitsy dia vitsy, any amin’ny firenena hampielezako azy

30 Fa fantatro fa tsy hihaino Ahy izy ireo satria vahoaka mafy loha izy. Handinika ao am-pony anefa izy, any amin’ny tany fahababoany,

31 ka hahalala fa Izaho no Tompo Andriamaniny ary homeko fo mahalala izy, sy sofina mahahaino.

32 Dia hidera Ahy any amin’ny tany fahababoana izy, sy hahatsiaro ny anarako.

33 Ary handà tsy ho mafy hatoka intsony izy, sy tsy hanaraka ny foto-keviny mamohehatra, satria hahatsiahy ny nanjò ny razany, izay nanota teo anatrehan’ny Tompo.

34 Koa hampodiko izy ho any amin’ny tany efa nianianako nampanantenaina ny razany, dia i Abrahama sy i Isaka ary i Jakôba, ka izy ireo no ho tompon’izany; ary hahamaro azy Aho, ka tsy hihavitsy izy.

35 Hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho, mba ho Andriamaniny Aho, ary mba ho vahoakako izy ireo, ka tsy handroaka an’i Israely vahoakako intsony hiala amin’ny tany efa nomeko azy.»

Categories
Baròka

Baròka 3

1 «Ry Tompo tsitoha Andriamanitr’i Israely ô, fanahy ory sy saina poritra no mitaraina aminao.

2 Mihainoa, ry Tompo, ary mamindrà fo, fa nanota teo anatrehanao izahay,

3 fa Ianao mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay; ary izahay dia maty tsy an-kifody.

4 Ry Tompo tsitoha Andriamanitr’i Israely, henoy ny vavak’ireto maty amin’i Israely sy ny taranak’ireo nanota teo anatrehanao, fa tsy nihaino ny feon’ny Andriamaniny ireny, ka fototr’izao loza mipetraka aminay izao.»

5 Aza tsarovanao intsony ny helokyny razanay, fa ny herinao sy ny Anaranao no tsarovy amin’izao fotoana izao.

6 Satria Ianao no Tompo Andriamanitray, ka hidera Anao izahay, ry Tompo.

7 Izany no nanaovanao ao am-ponay ny fahatahorana Anao, mba hiantsoanay ny Anaranao; dia hideranay Anao atỳ amin’ny fahababoanay; fa nesorinay tao am-ponay ny heloky ny razanay, izay nanota teo anatrehanao.

8 Indreto izahay ankehitriny, atỳ amin’ny fahababoanay, nanelezanao anay, hatao fandatsa, sy fanozona ary onitra, araka ny heloka rehetra nataon’ny razanay, izay nihataka tamin’ny Tompo Andriamanitray.

III NY FAHENDRENA, TOMBON-TSOA NOMENA AN’I ISRAELY

9 Mihainoa, ry Israely, ny lalàm-piainana;

manongilàna sofina, hianatra ny fahamalinana.

10 Ahoana sy ahoana ange, ry Israely, ity ianao

no atỳ amin’ny tanim-pahavalo;

ka reraka atỳ amin’ny tanin’ny firenen-kafa,

sy mandoto tena amin’ny maty,

11 ka atao ho anisan’izay efa tafiditra any amin’ny Seoly?

12 Nandao ny loharanom-pahendrena Ianao,

13 satria, raha nandeha tamin’ny lalan’Andriamanitra ianao,

dia ho nitoetra tamin’ny fiadanana mandrakizay!

14 Fantaro izay misy ny fahendrena,

sy ny hery, ary ny fahazavan-tsaina,

mba ho fantatrao miaraka amin’izany koa

izay misy ny fahazavana ho an’ny maso, sy ny fiadanana.

15 Iza no efa nahita ny toerana misy ny fahendrena;

ary zovy no efa niditra tao amin’ny firaketany?

16 Aiza ny mpanapaka ny firenena,

mbamin’izay nahafolaka ny bibin’ny tany,

17 sy izay nilalao ny voromanidina,

18 sy nanangona volafotsy amam-bolamena,

izay anankinan’ny olombelona ny fitokiany

sady tsy misy farany ny fananany?

Ireo olona manangona vola, sy misahiranaamin’izany,

tsy ho hita soritra akory ny asa nisasarany!

19 Fa lasa izy, nidina any amin’ny Seoly,

ary hafa no mitsangana mandimby azy.

20 Nisy ihany zatovo nahita ny fahazavana,

ka nonina teto ambonin’ny tany,

nefa tsy nahita ny lalan’ny fahendrena izy;

21 na nahalala ny sakeli-dalana akory;

ny zanany koa tsy nahazo an-tsaina azy io;

lavitra ny lalany izy ireo.

22 Tsy re nolazaina tany amin’ny tany Kanaana izy,

na hita tany Temàna.

23 Ireo zanak’i Agaraizay mitady ny fahendren’ny tany,

ireo mpandranto avy any Merà sy Temàna;

ireo mpivaofy fanoharana sy ireo mpikaroka fahamalinana,

tsy misy nahalala izay lalan’ny fahendrena,

na nahatadidy ny sakeli-dalany akory.

24 Ry Israely ô, akory ny halehiben’ny tranon’i Iaveh,

akory ny halalaky ny tany anjakany!

25 Malalaka tsy misy fetra izy,

sady avo tsy hita lany.

26 Tany, hatramin’ny fahiny fahagola, no nitoeran’ireo olo-malaza goavam-be,

ranjanana sy mahay amin’ny ady.

27 Nefa tsy izy ireo no nofidin’Andriamanitra,

ary tsy izy ireo no natorony ny lalan’ny fahendrena.

28 Dia maty izy, fa tsy nanana ny fahalalana marina,

maty izy, noho ny hadalany.

29 Iza no niakatra tany an-danitra, ka nisambotra ny fahendrena

sy nampidina azy avy amin’ny rahona?

30 Iza no nita ny ranomasina, ka nony nahita azy

dia nitondra azy notambazana volamena madio indrindra?

31 Tsy misy olona mahalala ny lalany,

na mba namantatra tsara izay sakeli-dalany akory.

32 Fa Ilay mahalala ny zavatra rehetra no mahalala azy;

Izy no mahita azy amin’ny fahiratan-tsainy,

dia Ilay nanorina ny tany ho mafy mandrakizay,

sy nameno azy ireo biby manan-tongotra efatra;

33 Ilay maniraka ny fahazavana, dia lasa io,

sy miantso azy, dia manaiky amim-pangovitana izy.

34 Ireo kintana mamirapiratra eo amin’ny fitoerany,

ka mifaly erỳ,

35 dia antsoiny ka mamaly hoe: Indreto izahay!

dia mamirapiratra amin-kafaliana ireo, ho an’Ilay nahary azy.

36 Izy no Andriamanitsika

ary tsy misy hafa mitovy aminy.

37 Nahita ny lalan’ny fahendrena rehetra Izy

ka nanome izany ho an’i Jakôba mpanompony,

sy ho an’i Israely olo-malalany.

38 Raha efa izany, dia niseho teto an-tany Izy

ka niresaka tamin’ny olombelona.

Categories
Baròka

Baròka 4

1 Ny fahendrena dia ilay bokin’ny didin’Andriamanitra

sy ny lalàna maharitra mandrakizay.

Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin’ny fiainana,

fa izay mandao azy kosa ho any amin’ny fahafatesana.

2 Miverena, ry Jakôba, sy mifikira aminy,

ary mizora amin’ny fahazavany mamirapiratra.

3 Aza omena ho an’ny hafa ny voninahitrao,

na ho an’ny firenen-kafa ny tombon-tsoanao.

4 Sambatra isika, ry Israely ô,

fa nanambaràna izay sitrak’Andriamanitra!

IV TARAINA AMAM-PANANTENAN’I JEROSALEMA

5 Matokia, ry oloko,

fahatsiarovana an’i Israelyô!

6 Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena,

tsy mba ny haringana;

fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra,

no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory.

7 Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo,

tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony,

fa tsy tamin’Andriamanitra.

8 Nanadino an’Ilay namela anareo ianareo,

dia Andriamanitra mandrakizay,

ary nampalahelo an’Ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema;

9 Fa hitany miantefa aminareo

ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe:

Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna,

fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho.

10 Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy;

sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo.

11 Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo,

fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.

12 Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondratena

sy nilaozan’ny maro be!

Efa lao aho, noho ny fahotan’ireo zanako,

satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra;

13 tsy nasiany raharaha ny didiny,

tsy nandeha tamin’ny lalan’ny didin’Andriamanitra,

ary tsy nanaraka ny lalan’ny fahaiza-manaiky,

araka ny fahamarinana.

14 Aoka ho avy ny mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna!

Tsarovy ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy,

izay nampiharin’ny Mandrakizay tamin’izy ireo.

15 Fa nasainy tonga hamely azy ireo ny firenena avy lavitra,

firenena masiaka, manao teny barbarianina,

16 tsy mahalala manaja ny anti-panahy,

na mangoraka ny ankizy madinika,

fa nifaoka ny malalan’ny mpitondratena

sady namela ahy ho irery voasaraka tamin’ny zanako vavy.

17 Ary hataoko ahoana moa ny famonjy anareo?

18 Ilay nahatonga izany loza izany taminareo,

dia Izy ihany no hanafaka anareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo.

19 Mandehana, anaka, mandehana,

fa izaho tafajanona irery!

20 Nesoriko ny akanjo fitondra amin’ny andro firavoravoana,

fa ny lasàkan’ny fifonako no nitafiako;

hitaraina amin’ny Avo Indrindra aho, mandritra ny andro iainako.

21 Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo,

ary Izy hanafaka anareo amin’ny fahefana

sy amin’ny tanan’ny fahavalonareo.

22 Ilay Mandrakizay no iandrasako ny famonjena anareo,

ka tonga amiko ny hafaliana avy amin’ilay Masina, noho ny famindram-po

hataon’ilay Mandrakizay, Mpamonjy anareo, ho tonga aminareo.

23 Izaho namela anareo handeha tamin-dranomaso amam-pisaonana;

fa Andriamanitra kosa hamerina anareo amiko, amin-kafaliana

sy amim-piravoravoana ho mandrakizay.

24 Toy ny nahitan’ireo mifanolo-bodirindrina

amin’ny Siôna ny fahababoanareo

no hahitanay faingana ny famonjena anareo, amin’Andriamanitra,

izay ho tonga aminareo amim-boninahitra lehibe,

sy amin-daza mamirapiratra ho an’ilay Mandrakizay.

25 Anaka, lefero amim-pahendrena ny fahatezeran’Andriamanitra tonga aminareo.

Ny fahavalonareo nanenjika anareo;

fa vetivetydia ianareo kosa indray no hahita ny faharavàny,

sy hanitsaka ny hatony, amin’ny tongotrareo.

26 Nandia lalana maraorao ny zanako malemilemy indrindra;

notsoahana toy ny andian’ondry norobain’ny fahavalo izy ireo.

27 Matokia, anaka, ary miantsoa ny Tompo;

fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.

28 Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra

no hikatsahanareo azy amin-kafanam-po impolo heny

rehefa tafaverina aminy ianareo.

29 Satria ilay nahatonga loza taminareo,

dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa

amin’ny famonjena anareo.

30 Matokia, ry Jerosalema,

fa hampionona anao Ilay nanome anao ny Anarany.

31 Loza ho an’izay nanisy ratsy anao,

sy nifaly tamin’ny fahavalonao!

32 Idiran-doza izay tanàna naha-andevo ny zanako!

Idiran-doza izay nandray azy ireo ho babo!

33 Toy ny nifaliany tamin’ny faharavanao,

sy nihobiany tamin’ny fahalavoanao,

no halahelovany amin’ny faharinganany.

34 Hesoriko aminy ny hafaliany noho ny hamaroan’ny mponina ao aminy,

dia hiova ho fisaonana ny reharehany.

35 Hisy afo avy amin’ilay Mandrakizay, ho tonga aminy

ho amin’ny andro lava,

ary mandritra ny andro ela

dia ho fonenan’ny fanahy ratsy izy.

36 Mijere miantsinanana, ry Jerosalema,

ka jereo ity hafaliana tonga aminao, avy amin’Andriamanitra.

37 Fa indreny tamy ireo zanakao hitanao nandeha taloha,

tonga izy, tafavory hatrany atsinanana ka hatrany andrefana

amin’ny feon’Ilay Masina,

miravoravo amin’ny voninahitr’Andriamanitra.

Categories
Baròka

Baròka 5

1 Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;

fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra

tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy.

2 Mihodidìna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra,

ataovy eo an-dohanao ny hamamin’ny voninahitr’ilay Mandrakizay.

3 Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao,

amin’ny tany rehetra, ambanin’ny lanitra.

4 Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao:

Fiadanam-pahamarinana, famirapiratam-pitiavam-bavaka.

5 Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoanao,

mitazàna miantsinanana,

ka jereo irerỳ zanakao tafavory noho ny tenin’ilay Masina,

hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,

miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.

6 Mandeha tongotrano nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo;

fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao,

hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.

7 Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa

rehefa mety ho tendrombohitra avo, amam-batolampy fahagola,

ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hamarin-tampona ny tany,

mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana,

ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.

8 Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,

nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa

noho ny didin’Andriamanitra.

9 Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely,

amin’ny fahazavan’ny voninahiny,

hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

Kôpian’ny taratasy nampitondrain’i Jeremia an’ireo hoentin’ny mpanjakan’ny Babilônianina ho babo any Babilôna, milaza amin’izy ireo ny nasain’Andriamanitra ambara aminy.

Categories
Baròka

Baròka 6

1 Noho ny fahotana nataonareo teo anatrehan’Andriamanitra, dia hoentin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna ho babo any Babilôna ianareo.

2 Ka rehefa tonga any Babilôna ianareo, dia hitoetra any taona maro amam-potoana lava, hatramin’ny taranaka fahafito; fa rehefa afaka izany, no hitondra anareo mivoaka avy any amim-piadanana Aho.

3 Ary any Babilôna ianareo dia hahita andriamanitra volafotsy na volamena na hazo, izay entin’ny olona an-tsoroka, sady maharaiki-tahotra ny firenena.

4 Koa mitandrema fa aza mba tahaka an’ireo hafa firenena ianareo, na mba mety ho azon-tahotra an’izany andriamanitra izany.

5 Fa rehefa mahita ny vahoaka be mifanizina eo aloha na avy eo aoriana sy hanome voninahitra an’ireny ianareo, dia izao no lazao ao am-ponareo: «Ianao, ty Tompo, no tsy maintsy hotsaohina!»

6 Fa momba anareo ny Anjeliko, ka izy no miahy ny ainareo.

7 Fa ny lelan’ireoandriamanitraireo, nolamboin’ny mpanao taozavatra; petahana volamena sy volafotsy, nefa fitaka ihany izy, fa tsy mahateny akory.

8 Hoatra ny atao amin’ny zazavavy tia haingo, noraisin’olona ny volamena, dia nanamboarany fehiloha hatao eo an-dohan’ireo andriamanitra ireo.

9 Ny mpisorona aza, sahy maka volamena amam-bolafotsy amin’ny andriamaniny, dia entina ataony amin’izay ilàny azy;

10 ny vehivavy janga ao an-tranonyaza hanomezany. Ravahan’izy ireo amin’ny fitafiana sarobidy, hoatra ny olona, ireo andriamanitra volafotsy, na volamena, na hazo ireo;

11 nefa tsy maharo tena amin’ny harafesina na ny olitra akory.

12 Rehefa avy notafiana akanjo jaky izy ireny, dia tsy maintsy fafàna koa ny tavany, noho ny vovoka ao an-tranony fa mandrakotra azy matevina be.

13 Indro, misy anankiray mitana tehim-panjakana, mova tsy ilay mpanapaka amin’ny faritany izy; nefa tsy hahavono izay manisy ratsy azy.

14 Misyanankirayhafa koa, mitan-tsabatra na famaky amin’ny tanany; nefa tsy mahay miaro tena amin’izay fahavalo ama-mpangalatra velively! Hita mazava amin’izany fa tsy andriamanitra akory ireny;

15 ka aza matahotra azy.

Tahaka ny vilany ananan’olona, rehefa vaky dia zary tsinontsinona; toy izany koa ny andriamanitr’izy ireo.

16 Raha apetrakareo ao an-trano izy ireny, dia fenon’ny vovoka avy amin’ny tongotr’izay miditra ao ny masony.

17 Toy ny fanidy tsara ny varavaran’ny trano maizina, izay asiana ny olona nanisy ratsy ny mpanjaka, na ny olona efa hoentin-kovonoina, no fiaron’ny mpisorona ny tranon’ireo andriamaniny, amin’ny varavarana mafy, amin’ny hidim-baravarana aman-karetsaka, fandrao robain’ny mpangalatra ireny.

18 Mandrehitra lalampy izy ireo, sady ataony maro be noho ny ho an’ny tenany, nefa iretsy andriamaniny tsy afa-mahita iray amin’izany akory.

19 Toy ny anankiray amin’ny sakamandimbin-trano izy ireo, ka ny olona milaza fa ny atiny efa lanin’ny bibikely, mivoaka avy amin’ny tany sy mandevona azy mbamin’ny fitafiany, nefa izy tsy mahatsiaro izany akory.

20 Ny tavany, nanjary maintin’ny setroka mipololotra avy ao an-trano.

21 Ny tenany aman-dohany, anidintsidinan’ny vorondolo aman-tsidintsidina, mbamin’ny voron-kafa; hatramin’ny saka avy no mikarenjy toy izany eo.

22 Ho fantatrareo amin’izany fa tsy andriamanitra akory ireny, ka aza matahotra azy.

23 Ny volamena apetraky ny olona handravahana azy, raha tsy misy manesotra ny harafesina aminy, tsy hainy ampamirapiratina akory, satria tsy mandre na inona na inona aza izy, tamin’ny nandrendrehana azy.

24 Novidin-dafo loatra ireo sampy ireo, nefa tsy misy fofon’aina kely akory.

25 Tsy manan-tongotra izy ireo, fa olona no milanja azy an-tsoroka, ka maneho amin’ny olona izy amin’izany ny tsy fahefany mahamenatra, Aoka hiara-menatra aminy koa izay manompo azy.

26 Raha potraka amin’ny tany izy, tsy afa-miarina ho azy; ary raha atsangan’olona izy, tsy afa-mihetsika ho azy eo; ary raha mirona izy, tsy afa-mijoro ho azy. Toy ny atao eo anatrehan’ny matyny fanatitra atao eo anatrehany.

27 Amidin’ny mpisorona ny sorona aterin’ny olona aminy, ka entiny manasoa ny tenany; ny vadin’ireo no manao omby sira amin’izany, sady tsy mba misy omeny na ny mahantra na ny kilemaina.

28 Na ny vehivavyvao avy niteraka, na izay mbola amin’ny toetra maloto, samy mikasika ny sorony. Koa rehefa fantatrareo amin’izany fa tsy andriamanitra ireny, dia aza atahoranareo.

29 Ary ahoana àry no hiantsoana an’ireny hoe andriamanitra? Fa vehivavy no tonga manolotrany fanatiny amin’ireo andriamanitra volafotsy, na volamena, na hazo ireo.

30 Ny mpisorona, aoan-tempolin’izy ireo, dia mipetraka, ny akanjony rovitra, ny lohany aman-tavany voaharatra; ary ny lohany tsy misatroka.

31 Minaonaona mikiakiaka eo anatrehan’ny andriamaniny izy ireo, mova tsy ny any amin’ny fihinanam-be raha misy maty.

32 Esorin’ny mpisorony ny fitafian’izy ireny, dia atafiny ny vadiny aman-janany.

33 Na asian-dratsy na asian-tsoa, samy tsy hisy voavaliny izany; tsy mahay manangana mpanjaka izy, na manongana azy.

34 Tsy mahay manome harena koa izy, na dia variraiventy aza. Raha misy nanao voady taminy, ka tsy manefa izany, dia tsy mitaraina izy.

35 Tsy hanafaka olona iray akory amin’ny fahafatesana izy, na hanatsoaka ny osa eo an-tanan’ny manam-pahefana.

36 Tsy hampihiratra jamba izy, na hahafaka olona amin’ny fahoriana manjò azy.

37 Tsy hamindra fo ny mpitondratena izy, na hanisy soa ny kamboty.

38 Manahaka ny vatolampy miendaka avy amin’ny tendrombohitra ireny sampy hazo voapetaka volamena sy volafotsy ireny; ka izay manompo azy no hahazo henatra.

39 Ahoana àry no hinoana na hilazana fa andriamanitra ireny?

40 Ny Kaldeanina aza, manala baraka azy ireny; fa nony mahita olona tsy mahateny izy ireo, dia manolotra azy an’i Bela, sady mangataka mba ho afa-miteny ilay moana, mova tsy ny mahare zavatra iny ilay andriamanitra.

41 Ary na dia fantany aza izany, dia tsy mety mahafoy ny sampiny izy; satria tsy manam-pandrenesana ireny.

42 Ny vehivavy mietra tady, mandeha hipetraka eny an-dalam-be eny, mandoro lafarina ratsiratsy foana;

43 nony misy mpandalo mitarika ny iray amin’izy ireo, ka nandry taminy, dia maneso ny namany eo akaikiny izy, fa tsy mba noheverina ho mendrika izany haja izany; ka tsy mba nahita ny randran-jozorony tapaka.

44 Fitaka avokoa izay rehetra atao momba nysampy; ka ahoana no hinoana na hilazana fa andriamanitra izy?

45 Ny mpanao taozavatra ama-mpanefy volamena no nanao azy ireny; tsy mety ho hafa toetra afa-tsy araka izay itiavan’ny mpanao azy izy.

46 Ary ireo namorona azy tsy manana andro lava iainana; ka aiza indray no haharetan’izay asa nataony?

47 Fitaka sy latsa no hany sisa navelany ho an’ny taranany.

48 Nony injay misy ady, na loza hafa, dia miara-midinika ny mpisorona, hahitany izay hieren’izy sy ireo andriamaniny.

49 Ahoana ange no tsy hahalalan’ny olona fa tsy andriamanitra ireo izay tsy maharo tena amin’ny ady, na ny loza hafa?

50 Ho hita any aoriana any fa fitaka fotsiny ireo sampy hazo voapetaka volamena sy volafotsy ireo; hiharihary amin’ny firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra fa tsy andriamanitra izy ireo, fa asan-tanan’olombelona ihany; ary tsy misy ao aminy izay asan’Andriamanitra akory.

51 Amin’iza indray àry no mbola tsy hazava ihany fa tsy andriamanitra ireo?

52 Izy ireo tsy hahatsangana mpanjaka amin’ny tany na oviana na oviana, na hahalatsaka orana amin’ny olombelona.

53 Tsy hahay hitsara ny raharaha momba ny tenany, na haharo amin’ny tsy rariny; satria tsy mahefa na inona na inona, hoatra ny voronkahaka mihevaheva anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy.

54 Ary raha avy izay hianjeran’ny afo amin’ny tranon’ireo andriamanitra hazo, voapetaka volamena sy volafotsy ireo, ny mpisorony ho vaky mandositra sy ho voavonjy; fa izy kosa ho levona toy ny sakamandimby ao afovoan’ny afo.

55 Tsy hahatohitra mpanjakairay na tafika iray akory izy; ka ahoana no anekena sy iheverana azy ho andriamanitra?

56 Tsy afa-mandositra ny mpangalatra aman-jiolahy ireo andriamanitra hazo, voapetaka volafotsy amam-bolamena ireo.

57 Halain’ny olona mahefa noho izy ireo ny volafotsy amam-bolamena sarobidy natafin’ny olona an’ireo; ireo andriamanitra ireo kosa tsy hahavonjy tena!

58 Koa aleo mpanjaka maneho ny heriny, na vilany mahasoa ao an-trano, ampiasain’ny tompony, toy izay izany andriamanitra sandoka izany; na aleo varavaran’ny trano, miaro izay ao aminy, toy izay izany andriamanitra sandoka izany; na aleo andry hazo ao an-tranon’ny mpanjaka, toy izay izany andriamanitra sandoka izany.

59 Ny masoandro amam-pahazavana mbamin’ny kintana izay mamirapiratra sy alefa hahasoa ny olombelona, dia manaiky an’Andriamanitra.

60 Torak’izany koa, ny helatra raha miseho, maha-te-hijery; ny rivotra koa, mifofofofo amin’ny tany rehetra;

61 ary ny rahona koa, rehefa didian’Andriamanitra hitety ny tany rehetra, manatanteraka izay nandidiana azy.

62 Torak’izany koa ny afo, raha irahina avy any ambony handevona ny tendrombohitra mbamin’ny ala, manefa izay nandidiana azy. Fa ny sampy kosa, tsy mba azo ampitahaina amin’ireo zavatra rehetra ireo akory, na amin’ny hatsaran-tarehy, na amin’ny hery.

63 Koa tsy mety ny mihevitra na milaza an’ireo ho andriamanitra, satria tsy mahay manavaka izay rariny izy, na afa-manisy soa ny olombeloa.

64 Koa rehefa fantatrareo àry fa tsy andriamanitra ireny, dia aza matahotra azy.

65 Tsy mahay manozona na mitso-drano ny mpanjaka ireny;

66 tsy maneho famantarana any an-danitra amin’ny firenena, na mamirapiratra hoatra ny masoandro; na mahazava hoatra ny volana.

67 Aleo ny biby, toy izay ireny; satria ny biby mahay mandositra ka hahita fialofana dia hanasoa ny tenany ahay.

68 Koa amin’izany, na avadika atsy na avadika aroa, dia tsy mazava amintsika ny maha-andriamanitra an’ireny; koa aza matahotra azy.

69 Toy ny kiady anaty saham-boatango, tsy maharo na amin’inona na amin’inona, torak’izany koa ny andriamanitra hazon’izy ireo, voasarona volamena amam-bolafotsy.

70 Sahala amin’ny tsilo milobolobo anaty tanimboly izay itaingenan’ny vorona rehetra; na sahala amin’ny faty voatsipy amin’ny toerana maizimaizina, ny andriamanitra hazon’izy ireo, voasarona volamena amam-bolafotsy.

71 Na ny jaky sy ny lamba mena mangatrakatraka izay mihasimba eny amin’izy ireo aza, maneho fa tsy andriamanitra izy. Ary na ny tenan’izy ireo aza, dia ho levona no hiafarany sy hanjary fahafaham-baraka amin’ny tany.

72 Aleo ny olo-marina tsy manan-tsampy, fa tsy mba manan-katahorana ny ho menatra izy.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 1

TENY MIALOHA

1 Ary tamin’ny taona faha-30, volana fahefatra, raha teo amin’ireo babo, teo amoron’ny ony Kobaraaho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy amin’Andriamanitra aho.

2 Tamin’ny andro faha dimin’ny volana nahababo an’i Joasina, mpanjaka tamin’izay,

3 – tonga tamin’i Ezekiela zanak’i Bozì, mpisorona, ny tenin’i Iaveh, tany amin’ny tanin’ny Kaldeanina, amoron’ny ony Kobara, ary mby teo aminy teo ny tanan’i Iaveh.

Fahitana ilay «Fiaran’i Iaveh»

4 Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahonalehibe, aman’afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehi-metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.

5 Ary hitako teo afovoany, ny endri-java-manana aina efatra, ka toy izao no fijery azy: miendrika olombelonaizy.

6 Samy nanan-tarehy efatra ary samy nanana elatra efatra avy izy.

7 Mahitsy ny tongony, ary toy ny faladian’ny zanak’omby ny faladiany, sady nanjelanjelatra hoatra ny varahina voadio ireo.

8 Nisy tanan’olonaavy teo ambanin’ny elany, amin’ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tavany aman’elany avy, izy efatra.

9 Nifanendry ny elany; tsy nihodina izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy.

10 Izao avy no notahafin’ny tarehiny: ny anoloanatarehin’olombelona, ny ankavanana tarehin-diona, azy efatra; ny ankavia tarehin’ombalahy, azy efatra, ary tarehim-boromahery azy efatra.

11 Toy izany ireo tarehiny. Nivelatra teo amboniny, ny elatr’izy ireo; ka ny elany roa avy nifanendry tamin’ny an’ny namany; ary ny elany roa kosa, nanarona ny tenany.

12 Samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy; izay nasain’ny fanahy naleha no nalehany; tsy nihodina izy raha nandeha.

13 Ny fijery an’ireo zava-manana aina ireo, dia tahaka ny vainafo mivaivay; hoatra ny fanilo no fijery azy; mifanaretsaka eny anelanelany eny ny afo, mampanjambena; sady misy tselatra mivoaka avy ao amin’ny afo.

14 Ary nivoivoy nankatsỳ nankarỳ ireo zava-manana aina ireo, tahaka ny tsela-baratra no fijery azy.

15 Dia nibanjina ireo zava-manana aina ireo aho, ka indro nisy kodiarana anankiray teo amin’ny tany, teo anilany, anoloan’ny tavany efatra.

16 Ka ny fijery an’ireo kodiarana ireo, sy ny tarehiny, dia tahaka ny an’ny vaton’i Tarsisa, ary sahala daholo izy efatra; ny fijery azy aman-tarehiny dia hoatra ny kodiarana itsofohan-kodiarana hafa ao afovoany.

17 Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin’ny lafiny efatra, sady tsy miherika eny am-pandehanany.

18 Avo mahatsiravina ny hazo faribolany, sady feno maso avokoa ny manodidina ny faribolan’ireo kodiarana efatra ireo.

19 Raha nandeha ireo zava-manana aina, nandeha teo anilany koa ireto kodiarana; raha misondrotra avy amin’ny tany ireo zavatra ireo, misondrotra koa ny kodiarana.

20 Izay nasain’ny fanahy alehany, no nalehan’izy ireo; fa naingain’ny fanahy izy; ary niara-niainga taminy koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.

21 Ka raha mandeha ireo, mandeha ireto; raha mijanona ireo, mijanona ireto; ary raha misondrotra avy amin’ny tany ireo, misondrotra koa ireto kodiarana; satria tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zava-manana aina.

22 Teo ambonin’ny lohan’ireo zava-manana aina ireo, nisy tahaka ny andohalambo miendri-kristaly mamirapiratra, mivelatra teo ambonin’ny lohany.

23 Ka teo ambanin’io andohalambo io ny elany no nivelatra nifanendry, sady nanana elatra roa avy koa nanarona ny tenany teo an-daniny avy.

24 Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikopakopaky ny elany, ka toy ny firohondrohon’ny rano be, tahaka ny feon’ny Tsitoha, fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin’ny toby; nony nijanona izy, dia avelany milefitra ny elany.

25 Ary nisy naneno re avy ao amin’itsy andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany; nony mijanona izy, dia navelany hilefitra ny elany.

26 Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.

27 Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy.

28 Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 2

Fahitana ny boky

1 Dia hoy Izy tamiko nanao hoe:

«Mitsangàna, ry zanak’olona, fa hiteny aminao Aho».

2 Ary raha niteny tamiko izy, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre an’Ilay niteny tamiko aho.

3 Hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely, ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.

4 Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo no anirahiko anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh, Tompo.

5 Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, – fa taranaka mpiodina izy – dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.

6 Ary ianao, aza matahotra azy, ry zanak’olona, na matahotra izay teniny; fa miaraka amin’ny hery aman-tsilo ianao, sy miara-mitoetra amin’ny maingoka. Aza matahotra izay teniny na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka mpiodina izy.

7 Lazao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino; fa mpiodina izy ireo.

8 Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.

9 Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankatỳ amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy.

10 Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.

Categories
Ezekiela

Ezekiela 3

1 Hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, hano io hitanao eo anoloanao io; hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin’ny taranak’i Israely.»

2 Nosokafako ny vavako dia nafahany ahy io taratasy io;

3 ka hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity taratasy atolotro anao ity ny tsinainao». Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantelyizy tao am-bavako.

4 Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’i Israely, ary lazao aminy ny teniko.

5 Fa tsy ho any amin’ny firenena hafa fiteny, na miboeriboeri-piteny, no anirahako anao; fa ho any amin’ny taranak’i Israely.

6 Tsy ho any amin’ny firenena maro hafa fiteny sy miboeriboeri-piteny, ka tsy ho azonao ny teniny, fa ho amin’izy ireono anirahako anao; hahazo ny teninao izy.

7 Ary tsy hety hihaino anao ny taranak’i Israely, satria tsy mety mihaino Ahy izy, fa henjan-kandrina sy tsy vaky afero avokoa, ny taranak’i Israely.

8 Nefa, indro, efa nataoko mafy hoatra ny tarehiny ny tarehinao, ary mafy hoatra ny handriny, ny handrinao.

9 Nataoko hoatra ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny vatolampy aza. Koa aza matahotra azy, na mangovitra eo anatrehany, fa taranaka miodina izy».

10 Hoy koa Izy tamiko: «Ry zanak’olona, alatsaho am-po avokoa ny teny holazaiko aminao, ary henoy amin’ny sofinao, izy.

11 Mandehana ianao mankany amin’ireo lasan-ko babo, dia any amin’ireo zanaky ny firenenao, ka mitenena aminy; lazao aminy hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo›, na hihaino izy ireo na tsy hihaino».

12 Dia nofaohin’ny Fanahy aho, ka injay nisy feo nikotrokotroka mafyreko tao ivohoko, nanao hoe: «Hankalazaina anie ny voninahitr’i Iaveh ao amin’ny fitoerana fonenany».

13 Reko ny fikapokapoky ny elatr’ireo zava-manana aina, nifandona, sy ny firohondrohon’ny kodiarana teo anilany, ary nisy feon-javatra nikotrokotroka mafy.

14 Nofaohin’ny Fanahy sy nentiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahanano tao amin’ny fanahiko; ary ny tanan’i Iaveh nihazona ahy mafy.

15 Dia tonga tany Tel-Abibaaho, tany amin’ireo babo, nonina teo amoron’ny ony Kobara, sy tany amin’ny tany nonenany; ka nandritra ny hafitoana aho, dia ankona foana teo afovoan’izy ireo.

Ny mpaminany: mpitily

16 Nony afaka hafitoana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

17 «Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.

18 Raha Izaho milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: ‹Ho faty tokoa ianao›; nefa ianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy, dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany.

19 Fa rehefa nananatra an’ilay ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy nety niala amin’ny haratsiany aman-dalan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin’ny helony; fa ianao kosa dia namonjy ny fanahinao.

20 Raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinana sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho ianao tsy nananatra azy dia ho faty amin’ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony kosa tsy hotsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin’ny tananao.

21 Fa raha misy marina nanarinao tsy hanota, ka tsy nanota tokoa, dia ho velona tokoa izy, satria nahazo anatra; ary ianao koa, ho efa namonjy ny fanahinao».

Lasa moana i Ezekiela

22 Teo amiko ny tanan’i Iaveh, ary hoy Izy tamiko: «Mitsangàna ianao, mankanesa any an-tany lemaka, fa any no hitenenako aminao».

23 Nitsangana aho nankany an-tany lemaka, dia indro teo ny voninahitr’i Iaveh, tahaka ilay voninahitra efa hitako tany amin’ny ony Kobara; ka lavo niankohoka terỳ aho.

24 Niditra tato anatiko ny Fanahy, ka nataony mijoro amin’ny tongotra aho; ary niteny tamiko i Iaveh nanao hoe: «Mandehana mirindrin-trano ao aminao.

25 Fa indro ianao, ry zanak’olona, hasiana tady hafatotra, ary tsy ho afa-mivoaka ho any amin’izy ireo.

26 Haraikitro amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao, dia tsy ho mpaniny azy ireo, satria taranaka miodina izy.

27 Rehefa hiteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka hilaza amin’izy ireo ianao hanao hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Izay mety hihaino, aoka hihaino; ary izay tsy mety aoka tsy hihaino; fa taranaka miodina izy ireo.› »

Categories
Ezekiela

Ezekiela 4

Nambara fa hatao fahirano i Jerosalema

1 Ary ianao, ry zanak’olona, makà birikyanankiray, apetraho eo anoloanao, ka manorata sarin-tanàna anankiray eo, dia ny sarin’i Jerosalema.

2 Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandrata tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidinaazy; ary ametraho lohondry vymanodidina azy.

3 Ary ianao makàlapoaly vy; ataovy toy ny manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna io, ka atodiho hanandrina azy ny tavanao; dia hatao fahirano izy; ka hataonao fahirano izy, Aoka ho famantarana ho an’ny taranak’i Israely izany.

4 Ary ataovy ambany mandry ny ilanao havia; ka ataovy eo ny heloky ny taranak’i Israely; ary ny andro handrianao toy izany, dia hitondranao ny helok’izy ireo.

5 Ary araka ny isan’ny andro no nanisako ny taonan’ny helok’izy ireo ho anao; ka dia 390 andro no hitondranao ny heloky ny taranak’i Israely.

6 Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak’i Jodà kosa ianao, 40 andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao.

7 Dia hitodika hanandrina an’i Jerosalema atao fahirano, ny tavanao aman-tsandrinao mihanjaka, ka haminany hamely azy ianao.

8 Ary indro, efa nopetahako tady ianao, mba tsy ho afa-mivadi-mandry, mandra-pahatapitrao ny andron’ny fahiranonao.

9 Makà frômenta, orja, kalamaka, voamena, ampemby ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan’ny andro handrianao amin’ny ilanao, 390 andro no hihinananao azy.

10 Ary 20 siklano lanjan’ny hanin-kohaninao amin’ny indray andro, asio elanelany ny fihinanana azy.

11 Rano kely ihany no hosotroinao, dia ampahenin’ny hina, asio elanelany ny fisotro azy.

12 Toy ny mofo orja no ihinano azy; ary diky no anendaso azy, eo imason’izy ireo.

13 Dia hoy i Iaveh tamiko: «Toy izany no hihinanan’ny zanak’i Israely ny mofony voaloto, any amin’ny firenena handroahako azy.»

14 Ka hoy aho: «Indrisy! Iaveh, Tompo ô, tsy mba voaloto na oviana na oviana ny fanahiko; tsy mba nihinana biby maty, na voaviravira aho, hatramin’ny fahatanorako ka mandraka ankehitriny; ary tsy mbola niditra ny vavako akory izay hena voaloto.»

15 Dia hoy Izy tamiko: «Jereo fa ekeko hosoloina taim-biby ihany ny diky, ka dia eo ambonin’izany no hanendasanao ny mofonao.»

16 Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, indro hotapahiko ny tehina mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan’izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano.

17 Satria, ny hanina amam-pisotro tsy ho ampy; ny tenany, samy hihareraka sy hihalevona avy izy ireo, noho ny haratsiany.»