Categories
1Joany

1Joany 1

Ny Teny tonga nofo: fomba ifandraisana amin’ny Ray sy ny Zanaka

1 Izay efa nisy hatramin’ny voalohany, sy efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain’ny tananay, dia ny Teny fiainana; –

2 fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelony izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray sy naseho taminay. –

3 eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa, mba hanananareo fikambanana aminay koa; ary ny fikambananay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanany.

4 Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.

Mandeha ao amin’ny Fahazavana

5 Izao no teny renay taminy, sy ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy misy haizina akory ao aminy.

6 Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina.

7 Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.

Antoka voalohany: miala amin’ny fahotana

8 Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina.

9 Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.

10 Raha milaza antsika ho tsy nanota isika, dia mampandainga Azy isika, ary tsy ao anatintsika ny teniny.

Categories
1Joany

1Joany 2

1 Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.

2 Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.

Antoka faharoa: manatanteraka ny didy, indrindra ny fitiavana

3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika.

4 Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina.

5 Fa izay mitandrina ny didiny no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa; ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika.

6 Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.

7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy efa ela, izay efa azonareo hatramin’ny voalohany; ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.

8 Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo, izay hita marina amin’i Kristy sy aminareo, fa efa misava ny haizina, ary miposaka sahady ny fahazavana marina.

9 Izay milaza azy ho ao amin’ny fahazavana, nefa mankahala ny namany, dia mbola ao amin’ny haizina ihany.

10 Izay tia ny namany no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fanafintohinana ao aminy.

11 Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony.

Antoka fahatelo: mitandrin-tena amin’izao tontolo izao

12 Manoratra ho anareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny Anarany.

13 Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo.

14 Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.

15 Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny.

16 Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.

17 Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Antoka fahefatra: Mitandrin-tena amin’ireo mpanohitra an’i Kristy

18 Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.

19 Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra.

20 Fa ianareo kosa dia voahosotr’ilay Masina, ka mahalala ny zavatra rehetra.

21 Tsy noho ianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho ianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina.

22 Iza no mandainga raha tsy izay mandà fa i Jesoa no Kristy? Ary ny antikristy dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.

23 Izay rehetra mandà ny Zanaka, dia tsy manana ny Ray koa; fa izay manaiky ny Zanaka ihany no manana ny Ray.

24 Koa aoka hitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany. Fa raha mitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany, dia mitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.

25 Ary ny zavatra nampanantenainy antsika dia ny fiainana mandrakizay.

26 Nanoratra izany ho anareo aho, ny amin’ireo manangoly anareo.

27 Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.

28 Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rehefa miseho izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin’ny andro hahatongavany.

29 Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina dia zanany nateraka avy aminy.

Categories
1Joany

1Joany 3

Miaina araka ny maha zanak’Andriamanitra

1 Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy.

2 Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.

Antoka voalohany: miala amin’ny fahotana

3 Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka Azy.

4 Izay rehetra manota dia mandika ny lalàna, satria ny ota dia fandikana ny lalàna.

5 Fantatrareo anefa fa Izy no niseho dia mba hanala ny fahotana; ary tsy mba misy ota ao aminy.

6 Izay rehetra mitoetra ao aminy, dia tsy mba manota; ary izay manota dia tsy mba nahita Azy na nahalala Azy.

7 Anaka, aza mety hofitahin’olona ianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa Azy marina koa.

8 Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.

9 Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra, sady nateraka avy amin’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.

10 Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.

Antoka faharoa: manatanteraka ny didy, indrindra ny fitiavana

11 Satria araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika,

12 fa tsy mba hanahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay ratsy ka namono nahafaty ny rahalahiny. Ary ahoana moa no namonoany azy? – Dia satria ratsy ny asany, fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.

13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’izao tontolo izao ianareo.

14 Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, satria tia namana. Izay tsy tia kosa mitoetra ao amin’ny fahafatesana.

15 Izay rehetra mankahala ny namany dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.

16 Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namana koa isika.

17 Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny namany mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?

18 Anaka, aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.

19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra.

20 Fa raha manameloka antsika ny fontsika dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra.

21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.

22 Ary na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika.

23 Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika.

24 Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.

Categories
1Joany

1Joany 4

Antoka fahatelo: mitandrin-tena amin’ireo mpanohitra an’i Kristy sy izao tontolo izao

1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.

2 Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin’Andriamanitra: ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa Kristy dia avy amin’Andriamanitra.

3 Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesoa, dia tsy mba avy amin’Andriamanitra, fa fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa tonga eo amin’izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.

4 Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.

5 Avy amin’izao tontolo izao izy ireny, ka izany no anaovany fitenin’izao tontolo izao, sy ihainoan’izao tontolo izao azy.

6 Fa izahay kosa dia avy amin’Andriamanitra, ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay; izany no ahafantarantsika izay fanahin’ny fahamarinana, sy izay fanahin’ny hadisoan-kevitra.

Loharano voalohany: ny fitiavana

7 Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.

8 Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.

9 Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.

10 Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.

11 Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika.

12 Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.

13 Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika.

14 Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.

15 Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.

16 Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

17 Ary izao no mahalavorary ny fitiavana ao amintsika: hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana, satria nanahaka Azy tamin’ity fiainana ity.

18 Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.

19 Aoka ho tia an’Andriamanitra àry isika, fa Izy no efa tia antsika taloha.

20 Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny namany, dia mpandainga izy; satria, raha ny namany hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?

21 Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.

Categories
1Joany

1Joany 5

1 Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia nateraka avy amin’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa.

2 Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny.

3 Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny,

4 satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika.

Loharano faharoa: ny Finoana

5 Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?

6 Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.

7 Fa misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka.

8 Misy telo koa no manambara ety an-tany], dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo ireo.

9 Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra Izay lehibe lavitra; ary ny fanambaràn’Andriamanitra, dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.

10 Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an’Andriamanitra, satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.

11 Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.

12 Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.

Famenony

13 Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.

Fivavahana ho an’ny mpanota

14 Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.

15 Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.

16 Raha misy mahita ny namany manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana; tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.

17 Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra, fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.

Famintinana ny Taratasy

18 Fantatsika fa izay rehetra nateraka avy amin’Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay nateraka avy amin’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.

19 Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.

20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.

21 Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.