Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 1

Fiarahabana sy fisaorana an’Andriamanitra

1 I Paoly voaantso ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Sôstena rahalahy

2 mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty, dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy:

3 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

4 Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:

5 fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;

6 ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo,

7 dia tsy latsa-danja noho ny hafa ianareo amin’ny fahasoavana rehetra, hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

8 Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.

9 Eny, mahatoky Andriamanitra Izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

Fitsitokotokoana teo amin’ny mpino

10 Mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, ry kristianina havana, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo.

11 Reko tamin-dry i Klôe anie ny aminareo e, fa hoe misy fifandirana ao aminareo;

12 izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe: «Izaho an’i Paoly, ny sasany kosa manao hoe: ‹Izaho an’i Apôlô, na izaho an’i Sefasy›, na ‹izaho an’i Kristy!› »

13 Voazarazara va i Kristy? Ary i Paoly va no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana ho anareo, sa tamin’ny anaran’i Paoly no natao Batemy ianareo?

14 Misaotra an’Andriamanitra aho, fa tsy nisy nataoko Batemy ianareo, afa-tsy i Krisposy sy i Kaiosy,

15 mba tsy hisy hahazo milaza fa natao Batemy tamin’ny anarako.

16 Nataoko Batemy ihany koa ny fianakavian’i Stefanasy, fa tsy hitako izay nataoko Batemy afa-tsy ireo.

Ny fahendren’izao tontolo izao sy ny fahendren’ny kristianina

17 Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.

18 Fa hadalana ny fampianarana ny amin’ny Hazofijaliana ho an’izay very, ary herin’Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy,

19 satria voasoratra hoe:Hofoanako ny fahendren’ny hendry; ary holaviko ny fahaizan’ny mahay.

20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr’izao tontolo izao?Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?

21 Fa noho ny fahendren’Andriamanitra, dia tsy nahalala an’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao, ka dia ny hadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjena an’izay mino.

22 Fa ny Jody mila famantarana; ny Jentily mitady fahendrena;

23 ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;

24 fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso, na Jody na Jentily.

25 Fa izay toa fahadalàn’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.

26 Jereo, ry kristianina havana, izato ianareo voaantso e: tsy firy no hendry araka ny nofo, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana!

27 fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;

28 ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,

29 mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.

30 Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,

31 mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 2

1 Fony aho tonga tany aminareo koa, ry kristianina havana, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrenano nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo.

2 Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho tany aminareo, indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.

3 Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo;

4 sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny herin’Andriamanitra azy ho marina,

5 mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.

6 Mitory fahendrenaamin’izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany, na an’ny mpanapak’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;

7 fa fahendren’Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika;

8 ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanapak’izao tontolo izao satria raha nahalala izy, dia tsy ho namàntsika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny Hazofijaliana;

9 fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»

10 Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.

11 Iza àry no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.

12 Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany.

13 Tsy mba amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no ilazanay an’izany, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin’ny teny ara-panahy koa.

14 Tsy azon’ny olona ara-batanaanefa ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin’ny Fanahy no hany amantarana izany.

15 Fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zavatra rehetra, sady tsy azon’olona tsaraina.

16 Satriazovyàryno nahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy?Fa isika manana ny hevitr’i Kristy.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 3

1 Ary izaho, ry kristianina havana, dia tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin’ny olona ara-panahy, fa toy ny amin’ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin’i Kristy.

2 Ronono no nomeko hosotroinareo, fa tsy ventin-kanina mahery, satria tsy mbola nahazaka izany ianareo, sady tsy mbola mahazaka ankehitriny aza, noho ianareo mbola ara-batana.

3 Fa fialonana amam-pifandirana no hita ao aminareo, ka moa tsy ara-batana sy araka ny fanaon’olombelona va izany?

4 Raha ny iray hanao hoe: «Izaho an’i Paoly,» ny iray kosa hanao hoe: «Izaho an’i Apôlô,» moa tsy olombelona ihany va ianareo amin’izany?

Ny tena anjara asan’ny mpitory teny

Fa inona àry i Apôlô, ary inona koa i Paoly?

5 Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen’ny Tompo azy avy.

6 Izaho moa namboly, i Apôlô kosa nanondraka; fa Andriamanitra ihany no nampaniry.

7 Samy tsinontsinona na izay mamboly na izay manondraka; fa Andriamanitra Izay mampaniry ihany no Izy.

8 Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy.

9 Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra; ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.

10 Noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenanatoy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny;

11 satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa, afa-tsy izay efa vita, dia i Jesoa Kristy.

12 Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin’io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan’ny olona tsirairay avy;

13 ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana:

14 maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy;

15 may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin’ny afo.

16 Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?

17 Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.

Fananarana maromaro

18 Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry.

19 Satria ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: «Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy»;

20 ary koa hoe: «Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry,ary fantany fazava-poana izany.»

21 Koa aza misy manao olona ho reharehany,

22 fa anareo ny zavatra rehetra, na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao, na ny fiainana ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;

23 ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 4

1 Aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra.

2 Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.

3 Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain’ny andron’ny olona; fa na izaho aza tsy mitsara tena.

4 Satria tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany, fa ny Tompo no mpitsara ahy.

5 Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.

6 Ary noho ny aminareo, ry kristianina havana, dia nahodiko mankamin’ny tenako sy i Apôlô izany zavatra izany, hianaranareo ao amin’ny tenanay tsy hanao mihoatra noho izay voasoratra, mba tsy hoentim-piavonavonana ianareo hanandratra ity, nefa hanetry an’iry kosa.

7 Fa zovy moa no manambony anao noho ny hafa? Ary inona no anananao ka tsy noraisinao? Ary raha nandray ianao, nahoana no dia mirehareha toy ny tsy nandray iny?

8 Efa voky sahady mantsy ianareo izany e! Efa manan-karena sahady à! Efa manjaka lavitra anay! Enga anie ka ho izany tokoa ianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo.

9 Fa izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan’izao rehetra izao, na Anjely, na olombelona.

10 Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy! Izahay osa, fa ianareo no matanjaka; izahay faneso, ianareo kosa fanaja.

11 Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana,

12 ary misasatra miasa amin’ny tananay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka;

13 mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao.

Fandevilevena

14 Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.

15 Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy, dia tsy maro ray ianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.

16 Koa mihanta aminareo aho, aoka ho mpaka tahaka ahy ianareo, toy ny nianarako an’i Kristy koa.

17 Fa izany ihany no nanirahako ho etỳ aminareo an’i Timote, zanako malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo, mba hampahatsiaro anareo izay lala-nodiaviko ao amin’i Kristy, sy izay fampianarana fanaoko hatraiza hatraiza amin’ny Eglizy rehetra.

18 Misy mirehareha satria ataony fa tsy ho tonga any aminareo intsony aho;

19 ho avy faingana anefa aho, raha sitraky ny Tompo, ka tsy ny fitenin-dry zareo mirehareha no ho hitako, fa ny asa vitany,

20 satria ny fanjakan’Andriamanitra tsy teny foana fa asa atao.

21 Inona àry no tianareo? Tsora-kazo ve no hoentiko mankany aminareo, sa fitiavana sy halemem-panahy?

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 5

II. NISY NIRAY AMIN’OLON-TSY HENY

1 Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atỳ aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny Jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!

2 Izany ve ka ianareo indray no miavonavona e! ny tenanareo tsy malahelo amin’izany akory; ilay nanao izany tsy noesorinareo tsy ho eo aminareo koa!

3 Izaho, na dia tsy teo aminareo am-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an’ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany.

4 Koa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo, omban’ny herin’i Jesoa Tompontsika:

5 dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.

6 Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erỳ! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarìna manontolo?

7 Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo, sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo, satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika.

8 Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.

9 Nanoratra taratasytaminareo aho, nilaza fa tsy tokony hifanerasera amin’ny mpijangajanga ianareo.

10 Tsy dia ny mpijangajangan’izao tontolo izao anefa, na ny kahihitra, na ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy, no antsoiko amin’izany, satria raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

11 Fa hany noheveriko, dia ny tsy hiharoharoanareo amin’izay mitondra ny anarana hoe havana iray finoana, nefa mpijangajanga, na kahihitra, na mpanompo sampy, na mpifosa, na mpimamo, na mpanao an-keriny; fadio na ny miara-komana amin’ny olona toy izany aza.

12 Moa raharahako va ny mitsara izay any ivelany? Ary moa tsy izay ao anaty va no mety hotsarainareo?

13 An’Andriamanitra ny mitsara ny any ivelany.Roahy tsy ho ao aminareo intsony ilay mpanao ratsy.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 6

1 Adre! hay aminareo dia misy manana ady amin’ny namany, ka sahy mangataka fitsarana amin’ny olona tsy marina, fa tsy amin’ny olona masina!

2 Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo?

3 Tsy fantatrareo va fa hitsara ny Anjely aza isika? Ka mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao!

4 Koa raha ady momba ny zavatr’izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, na izay farany ambany amin’ny Eglizy aza ve tsy ho azonareo tendrena ho mpitsara amin’izany?

5 Hampahamenatra anareo no ilazako izany. Hay, dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray aza, mba afa-mamboatra ny adin’ny rahalahiny?

6 Fa havana iray finoana, ka dia hanana ady amin’ny havana iray finoana, sady eo anatrehan’ny mpitsara tsy mpino indray!

7 Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin’ny namanareo, satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny? Tsy aleo ve mandefitra sy ambakaina aza?

8 Kanjo inona, ianareo indray no manao ny tsy rariny, ianareo indray no manambaka, nefa tsy iza ireny, fa havanareo iray finoana ihany!

9 Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra ianareo, fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona,

10 na mpanao asam-pijangajangana amin’ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra, na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.

11 Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.

12 Tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy àry mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy misy avelako hanandevo ahy na inona na inona.

13 Ny hanina, ho an’ny kibo; ny kibo ho an’ny hanina, ary izy roroa, samy holevonin’Andriamanitra. Fa ny vatana kosa tsy mba ho an’ny fijangajangana, fa an’ny Tompo; ary ny Tompo, ho an’ny vatana.

14 Efa nanangana ny Tompo ho velona Andriamanitra, ka hanangana antsika amin’ny heriny koa.

15 Tsy fantatrareo va fa rantsam-batan’i Kristy ny vatanareo? Ka rantsam-batan’i Kristy ve dia halaiko hatao rantsam-batan’ny vehivavy janga e? Sanatria izany!

16 Tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga, dia tena iray aminy? araka ny Soratra hoe:Ho nofo iray izy roroa.

17 Ary izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.

18 Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra.

19 Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo?

20 Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 7

1 Ny amin’ireo zavatra nosoratanareo tamiko, dia tsara raha tsy mikasi-behivavy ny lehilahy.

2 Mba hanalavirana ny fijangajanga anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny.

3 Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin’ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa.

4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy.

5 Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;

6 tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka.

7 Satriko aza manao tahaka ahy avokoa ny olona rehetra; nefa samy manana izay fanomezana manokana nomen’Andriamanitra azy avy moa, ka ny iray toy izao, ny iray kosa toy izany.

8 Izao no lazaiko amin’ny tsy manam-bady sy ny vehivavy maty vady: Tsara aminy ny mitoetra toa ahy;

9 nefa raha tsy mahafehy tena izy, dia aoka hanambady, satria aleo manam-bady toy izay maimay.

10 Izao kosa no andidiako an’izay manambady, tsy izaho anefa fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy;

11 ary raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady izy, na hody amin’ny lahy; toy izany koa ny lahy: aoka tsy handroaka ny vavy izy.

12 Ary izao no ambarako amin’ireo sisa, izaho anefa fa tsy ny Tompo: Raha misy havana iray finoana manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy;

13 ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy;

14 satria ny lahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vavy; ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny lehilahy koa; fa raha tsy izany dia haloto ny zanakareo, nefa masina izy izao.

15 Raha ny tsy mpino no miala, dia aoka hiala izy, fa amin’izany tsy voafehy intsony ny havana iray finoana na ny lehilahy na ny vehivavy satria ho amin’ny fiadanana no niantsoan’Andriamanitra antsika.

16 Fa inona no ahafantaranao, ravehivavy, fa hahavonjy ny vadinao ianao? Na inona no ahafantaranao, ralehilahy, fa hahavonjy ny vadinao ianao?

17 Izao anefa: samia ihany mandeha araka ny anjara nomen’ny Tompo azy avy, sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy; sy araka ny fitsipika omeko ny Eglizy rehetra.

18 Voafora va no nantsoina? Aoka izy tsy hitady hiova ho tsy voafora. Tsy voafora va no nantsoina? Aoka izy tsy hitady hoforàna.

19 Ny famorana, tsinontsinona; ny tsy famorana koa tsinontsinona; fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra ihany no tena zavatra.

20 Koa samia àry mipetraka amin’izay toetra niantsoan’Andriamanitra azy avy.

21 Mpanompo va ianao no nantsoina? Aoka tsy hampaninona anao izany; fa na mahazo miavo-tena aza ianao, aleo ihany manararaotra ny toetra niantsoana anao;

22 Satria ny mpanompo voaantso ao amin’ny Tompo dia olona afaky ny Tompo; ny olona afaka voaantso indray mpanompon’i Kristy ihany koa.

23 Efa voavidy sarotra ianareo, ka aza mety ho andevon’olona.

24 Samia àry, ry kristianina, mipetraka eo anatrehan’Andriamanitra amin’izay toetra niantsoana azy avy.

25 Ny amin’ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho, fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny Tompo mba ho azo itokiana.

26 Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo; eny, tsara amin’ny olona ny mitoetra toy izao ihany.

27 Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao? Aza mitady vady.

28 Tsy manota anefa ianao na dia hanam-bady aza; tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza, saingy ho zoim-pahoriana amin’ny nofo kosa izy ireny, ka iriko tsy ho voan’izany ianareo.

29 Izao no hevitro, ry kristianina havana: fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana;

30 ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana;

31 ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao

32 ka tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo;

33 fa ny lehilahy izay manam-bady kosa, miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy.

34 Toy izany koa ny vehivavy: izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy.

35 Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona.

36 Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanambady.

37 Fa raha misy kosa tsy voatery, fa mahazo manaraka malalaka ny safidiny, ka nikasa mafy tao am-pony sy nanapa-kevitra hitana ny zanany vavy virjiny, dia manao tsara izy.

38 Koa tsara ny ataon’izay mampanam-bady ny zanany vavy, fa tsaratsara kokoaindray no ataon’izay tsy mampanambady azy.

39 Voafehy ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa afa-manambady izay tiany izy rehefa maty ny lahy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.

40 Sambatra kokoa anefa izy raha mipetraka amin’izao. Izany no hevitro: ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 8

Endrik’izany ara-pisainana

1 Ny amin’ny hena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika ihany, fa samy manam-pahalalana isika rehetra. Ny fahalalana anefa mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso.

2 Raha misy manao ny tenany ho mahalala zavatra, dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany akory izy.

3 Fa raha misy tia an’Andriamanitra kosa dia fantany io.

4 Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja.

5 Na dia maro aza no antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra maro sy Tompo maro),

6 iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.

Raha araka ny fitiavana

7 Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra, fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany, ka nony mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy, dia voaloto ny kônsiansiny, satria mbola malemy.

8 Raha izay hanina fotsiny aloha dia tsy mampaninona antsika amin’Andriamanitra akory, fa mihinana isika, tsy mahazo tombony; tsy mihinana koa, tsy maty antoka.

9 Tandremo anefa sao manafintohina ny malemy izany fahafahanareo izany.

10 Satria, raha ianao efa mahalala izao, no hitan’ny olona mipetraka eo amin’ny tempolin-tsampy, moa ny kônsiansin’izay mbola malemy va tsy hampihinana azy ny hena naterina tamin’ny sampy?

11 Ka very ny malemy noho ny fahalalanao, dia ny havana iray finoana nahafoizan’i Kristy ny ainy.

12 Ary raha manota amin’ny havanao toy izany ianao, sy manimba ny kônsiansiny mbola malemy, dia manota amin’i Kristy.

13 Koa raha izay hanina foana no hanafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena mandrakizay aho, mba tsy hanafintohina ny havako.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 9

Ohatra omen’i Paoly

1 Tsy olona afaka va aho? Tsy Apôstôly va aho? Tsy nahita an’i Jesoa Tompontsika va aho? Moa ianareo tsy asako ao amin’ny Tompo?

2 Na tsy Apôstôly aza aho ho an’ny sasany, dia Apôstôly ho anareo tokoa, satria ianareo no tombokase maha-Apôstôly ahy ao amin’ny Tompo.

3 Izany no avaliko izay manadina ahy.

4 Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?

5 Moa tsy mahazo mitondra anabavymiaraka aminay va izahay, tahaka ny ataon’ireo Apôstôly sasany, sy ny havan’ny Tompo, ary i Sefasy?

6 Sa, izaho irery sy i Barnabe ihany no tsy afa-mitsahatra amin’ny asa.

7 Zovy no mpiantafika miantoka ny fivelomany? Zovy no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny voany? Zovy no mpiandry omby aman’osy tsy mivelona amin’ny rononony?

8 Moa araka ny hevitr’olombelona fotsiny ve no ilazako izany, sa mba lazain’ny Lalàna ihany koa izany?

9 Fa izao no voasoratra amin’i Lalàn’i Môizy:Aza mamatotra ny vavan’ny omby mively vary.Ny omby ve no ahoan’Andriamanitra,

10 sa noho izahay indrindra no nilazany an’izany? Eny, noho izahay tokoa no nanoratana izany; satria izay miasa tany, tsy maintsy miasa amim-panantenana; ary izay mively vary, tsy maintsy mively amim-panantenana ny anjarany koa.

11 Ka raha namafy ny zava-panahy taminareo izahay, dia zava-dehibe ve raha mba mijinja ny anananareo araka ny nofo kosa?

12 Ary raha ny hafa aza afaka miombona amin’ny anananareo, tsy mainka va fa izahay? Tsy nampiasa izany fahefana izany anefa izahay, fa mihafy amin’ny zavatra rehetra mba tsy hanampontsampona ny Evanjelin’i Kristy.

13 Tsy fantatrareo va fa izay manao ny raharaha masina dia mivelona amin’ny zavatry ny Tempoly, ary izay manompo ao amin’ny ôtely, dia miombona amin’ny ôtely?

14 Toy izany koa no nandidian’ny Tompo fa izay mitory ny Evanjely, dia hahazo fivelomana amin’ny Evanjely.

15 Izaho anefa dia sady tsy nampiasa izany fahefana izany no tsy nanoratra ity ho toy ny hitaky izany hatao amiko. Aleoko maty, toy izay ny voninahitroamin’izany no hofoanan’olona.

16 Raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.

17 Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany.

18 Inona àry no valisoa azoko? Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin’ny Evanjely.

19 Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanompon’iza n’iza akory, dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa, mba hahazoako olona maromaro kokoa.

20 Tamin’ny Jody aho dia Jody, mba hahazoako ny Jody;

21 tamin’izay ambanin’ny Lalàna aho, dia nanao toy ny ambanin’ny Lalàna (na dia tsy ambanin’ny Lalàna aza), mba hahazoako izay ambanin’ny Lalàna; tamin’izay tsy manan-dalànaaho, dia toy ny tsy manan-dalàna (na dia tsy olona tsy manan-dalàna amin’Andriamanitra aza aho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy), mba hahazoako ny tsy manan-dalàna;

22 tamin’ny malemy aho, dia hoatra ny malemy, mba hahazoako ny malemy. Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra.

23 Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany, mba hananako anjara aminy.

24 Tsy fantatrareo va fa maro no indray mihazakazaka ao amin’ny tany fifanalana hazakazaka, nefa iray monja no mahazo loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.

25 Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra; nefa satroboninahitra mora levona no tadiaviny, fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika.

26 Raha izaho àry, dia mihazakazaka aho, nefa tsy manao mosalahy; mikapoka koa, nefa tsy toy ny mikapo-drivotra;

27 fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 10

Raha araka ny fahamalinana sy ny anatra omen’ny lasa teo amin’i Israely

1 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa tambanin’ny rahona ny razantsika rehetra; namaky ny ranomasinaizy rehetra;

2 ary natao batemy tamin’i Môizy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra;

3 hanina ara-panahy iray ihany no nohanin’izy rehetra;

4 ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin’izy rehetra, satria nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka Azy izy ireo, ary i Kristy izany vatolampy izany.

5 Tsy sitrak’Andriamanitra anefa ny ankabeazan’izy ireny, fa lambam-bary tany an’efitra.

6 Ary izany zavatra izany dia tonga mba ho anatra ho antsika, mba tsy hitsiriritra ny ratsy isika, toy ny nitsiriritan’ireny,

7 mba tsy ho tonga mpanompo sampy ianareo, toy ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe:Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao;

8 mba tsy hijangajanga isika, tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo sy roa alina izy no maty indray andro monja.

9 Eny, aoka isika tsy haka fanahy an’i Kristy, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny bibilava izy ireny;

10 ary aoka ianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin’ireny, ka matin’ny Anjely mpandringana izy ireny.

11 Nozoin’izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr’izao andro farany izao.

12 Koa aoka àry izay manao ny tenany ho mijoro tsara, hitandrina sao lavo.

13 Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.

Tsy azo atao ny mifanaraka amin’ny fanompoan-tsampy

14 Noho izany, ry malala, halaviro ny fanompoan-tsampy.

15 Miteny aminareo toy ny amin’ny olona manan-tsaina aho, ka tsaraonareo izay lazaiko.

16 Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?

17 Satria iray ihany ny mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.

18 Jereo ange i Israely araka ny nofo e: moa tsy mpiombona amin’ny ôtely va, ireo mihinana amin’ny fanatitra atao sorona?

19 Inona àry no lazaiko? Moa mba zavatra ihany va ny hena naterina tamin’ny sampy; na moa mba zavatra koa va ny sampy?

20 Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa;

21 tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.

22 Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika? Mahery noho Izy va isika?

Ny tokony hatao momba ny hena atolotra ny sampy

23 Tsy misy fady ny zavatra rehetra nefa tsy àry mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy fady ny zavatra rehetra, nefa tsy àry mahasoa fanahin’olona avokoa izy rehetra.

24 Aza misy mitady ny ho an’ny tenany, fa ny ho an’ny namana.

25 Hano avokoa izay amidy any an-tsena, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana,

26 satria an’Andriamanitra daholo ny tany sy ny zavatra rehetra ao aminy.

27 Raha misy tsy mpino manasa anareo, ka te handeha ianareo, dia hano izay arosony anareo, ary aza manontany akory noho ny fieritreretana.

28 Fa raha misy manao aminareo hoe: «Natao fanatitra tamin’ny sampy io,» no aza mihinana, noho ilay nilaza sy noho ny kônsiansy.

29 Ny kônsiansy antsoiko amin’izany, dia tsy ny anao, fa ny an’ny hafa; satria ahoana no hifehezan’ny kônsiansin’olon-kafa ny fahafahako?

30 Raha misaotra koa aho no mihinana, ahoana no hanomezan-tsiny ahy amin’ny zavatra anaovako fisaorana?

Famaranana

31 Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.

32 Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny Jentily, na ny Eglizin’Andriamanitra,

33 fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra aho, ka tsy mitady ny ho an’ny tenako, fa ny ho an’ny be sy ny maro, mba ho voavonjy izy rehetra.