Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 11

1 Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.

Ny fitafian’ny vehivavy

2 Midera anareo aho, fa sady mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo no mitana tsara ny fampianarako, araka ny nanomezako azy anareo.

3 Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ny lehilahy lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.

4 Ny lehilahy rehetra mivavaka na maminany, dia manala baraka ny lohany raha misaron-doha;

5 fa ny vehivavy rehetra mivavaka na maminany kosa, dia manala baraka ny lohany raha tsy misaron-doha, satria hoatra ny voaharatra izy amin’izany.

6 Raha tsy hisaron-doha ny vehivavy, dia aoka hihety izy; ary raha mahamenatra azy ny mihety na mihara-bolo, dia aoka hisaron-doha izy.

7 Ny lehilahy no tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy,

8 satria tsy ny vehivavy no niavian’ny lehilahy, fa ny lehilahy no niavian’ny vehivavy;

9 ary tsy ny lehilahy no natao ho an’ny vehivavy fa ny vehivavy no natao ho an’ny lehilahy.

10 Izany no mahamety ny hananan’ny vehivavy sarim-pahefan’ny lehilahyeo amin’ny lohany, noho ny amin’ny Anjely.

11 Noho ny lahatry ny Tompo anefa, dia tsy misy vehivavy raha tsy eo ny lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy eo ny vehivavy;

12 satria ny vehivavy moa nalaina avy amin’ny lehilahy; ny lehilahy, ateraky ny vehivavy; fa ny zavatra rehetra kosa avy amin’Andriamanitra.

13 Ianareo ihany no aoka hitsara: manendrika ny vehivavy va ny mivavaka amin’Andriamanitra tsy misaron-doha?

14 Na izao fombantsika olombelona izao aza, moa tsy maneho amintsika va fa raha lehilahy no lava volo dia henatra ho azy izany?

15 fa raha vehivavy kosa no lava volo dia voninahitra ho azy izany, satria ny volo no natao ho saron-dohany.

16 Ary raha ady hevitra no tadiavin’ny sasany, dia tsy mba fombantsika izany, na fomban’ny Eglizin’Andriamanitra.

Ny «Fanasan’ny Tompo»

17 Tsy izany ihany no andidiako anareo, fa mba misy tsy iderana anareo, dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy.

18 Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo, dia misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany;

19 satria tsy maintsy misy an-daniny maro eo aminareo, mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.

20 Ka raha miangona ianareo, dia tsy mba ny Fanasan’ny Tompointsony no haninareo,

21 fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo, ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo!

22 Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manazimba ny tranon’Andriamanitra, ka sahy manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsia, tsy hidera anareo amin’izany velively aho!

23 Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa dia nandray mofo,

24 ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: «Raiso ary hano, Vatako ity ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.»

25 Toy izany koa, nony efa nihinana, dia noraisiny ny kalisy ary hoy Izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo»

26 Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.

27 Koa na zovy na zovy mihinana ny mofo, na misotro amin’ny kalisin’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin’ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo.

28 Aoka àry handini-tena ny olona, izay vao hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kalisy;

29 fa izay mihinana sy misotro tsy amim-pamantarana ny Vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ny tenany.

30 Izany no mahabe marary sy farofy eo aminareo, ary maro aza no maty.

31 Raha mitsara tena isika, dia tsy hotsaraina;

32 Ary isika no tsaraina sy faizin’ny Tompo, dia ny mba tsy hanamelohana antsika miaraka amin’izao tontolo izao.

33 Aoka àry hifampiandry ianareo, ry kristianina havana, raha miangona ho amin’ny fanasana.

34 Ary raha misy noana, aoka hihinana any an-tranony izy, mba tsy ho fanamelohana anareo no hiangonanareo.

Ny zavatra sisa dia halahatro rehefa tonga aho.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 12

Ireo fanomezana ara-panahy na «karisma»

1 Ary ny amin’ny fanomezam-pahasoavana, ry kristianina havana, dia tsy tiako ny tsy hahalalanareo izany.

2 Fantatrareo fa fony mbola Jentily ianareo, dia nentina tany amin’ny sampy moana, araka izay nitondrana anareo tany.

3 Koa mampahafantatra anareo aho, fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka hanao hoe: «Anatema i Jesoa» ary tsy misy afa-milaza hoe: «I Jesoa no Tompo,» raha tsy amin’ny Fanahy Masina.

Maro samy hafa ny «karisma» fa misy firaisany

4 Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;

5 maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany;

6 ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.

7 Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro.

8 Fa ny anankiray omen’ny Fanahy teny fahendrena, ny anankiray teny fahalalana, araka io Fanahy io ihany;

9 ny anankiray finoana, araka io Fanahy io ihany; ny anankiray fahazoa-manasitrana, mbola avy amin’io Fanahy io ihany koa;

10 ny anankiray, ny manao fahagagana; ny anankiray, ny maminany; ny anankiray, ny mahafantatra ny fanahy samihafa; ny anankiray ny miteny fiteny samihafa, ary ny anankiray, ny mandika teny.

11 Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin’ny isan’olona, araka ny sitrapony.

Fanoharana amin’ny vatana

12 Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy.

13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.

14 Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro.

15 Raha ny tongotra hanao hoe: «Tsy isan’ny vatana aho, satria tsy tanana,» dia izany ve no tsy haha-isan’ny vatana azy?

16 Ary raha ny sofina hanao hoe: «Tsy isan’ny vatana aho, satria tsy maso,» dia izany ve no tsy haha-isan’ny vatana azy?

17 Raha maso avokoa ny vatana, inona indray no ho fandrenesana? Ary raha fandrenesana avokoa, inona indray no ho fanamboloana?

18 Rantsam-batana maro anefa no efa nalahatr’Andriamanitra eo amin’ny vatana, araka izay itiavany azy avy.

19 Ka raha rantsam-batana iray ihany izy rehetra, aiza izay vatana?

20 Koa maro àry ny rantsam-batana, fa iray ihany ny vatana.

21 Ny maso tsy mahazo manao amin’ny tanana hoe: «Tsy mila anao aho» ny loha tsy mahazo milaza amin’ny tongotra hoe: «Tsy mila anareo aho.»

22 Fa ny rantsam-batana izay miseho ho malemilemy kokoa aza no vao mainka ilaintsika kokoa;

23 ary ny rantsam-batana izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa aza no omentsika voninahitra bebe kokoa. Koa ny tsy misy hajany ao amintsika no hajaintsika kokoa;

24 fa izay mendrika rahateo tsy mila izany. Satria tamin’ny nanaovan’Andriamanitra ny vatana, dia izay kely voninahitra kokoa no nalahany homena voninahitra bebe kokoa,

25 mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifanasoa avokoa ny rantsam-batana rehetra.

26 Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny rantsam-batana rehetra.

27 Ianareo no Vatan’i Kristy, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.

28 Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.

29 Moa Apôstôly izy rehetra? Moa mpaminany izy rehetra? Moa mpampianatra izy rehetra?

30 Moa manao fahagagana izy rehetra? Moa miteny fiteny samihafa tsy fantatra izy rehetra? Moa mandika teny izy rehetra?

Antsa fiderana ny fitiavana

31 Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao lalana tsara indrindra hatoroko anareo izao.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 13

1 Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho.

2 Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho.

3 Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.

4 Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;

5 tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;

6 tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;

7 manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.

8 Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato.

9 Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika;

10 ka rehefa tonga ny feno dia foana ny tapany.

11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony lehilahy aho dia nialako ny fanahin-jaza.

12 Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.

13 Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 14

Ambaratongan’ny «karisma,» hanasoavana ny be sy ny maro

1 Miezaha mitady ny fitiavana; fa maniria koa ny zava-panahy, fa indrindra ny faminaniana.

2 Fa izay miteny amin’ny teny tsy fantatra, dia tsy miteny amin’ny olona fa miteny amin’Andriamanitra, satria tsy misy mahalala izay lazainy, fa fanahy no itenenany zava-miafina.

3 Ary izay maminany kosa, dia miteny amin’ny olona ka mahasoa ny fanahiny, mankahery azy, ary manala alahelo azy.

4 Izay miteny amin’ny teny tsy fantatra dia mahasoa ny tenany ihany; fa izay maminany kosa dia mahasoa ny Eglizy.

5 Koa tiako ny hitenenanareo rehetra amin’ny fiteny tsy fantatra, nefa aleoko aza ny haminanianareo; satria ny maminany no ambony noho ny miteny amin’ny teny tsy fantatra, afa-tsy raha adika ny teniny, mba hahazoan’ny Eglizy soa.

6 Hevero ange, ry kristianina havana: raha mankany aminareo aho, ka fiteny tsy fantatra no itenenako, fa tsy fanambaràna, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana no itenenako aminareo, inona no soa ho vitako aminareo?

7 Raha tsy feo miavakavaka mazava no avoaky ny zavatra tsy manana aina, toy ny sodina na lokanga, ahoana no hahafantarana izay hira atao, na amin’ny sodina, na amin’ny lokanga?

8 Ary raha feo hafahafa no avoaky ny trômpetra, zovy no hioman-kiady?

9 Mba toy izany koa ianareo: raha tsy teny mazava no avoaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahalalana izay lazainareo? Dia hiteny amin’ny rivotra ianareo.

10 Na maro samihafa aza ny fitenin’ny olona amin’izao tontolo izao, dia tsy misy manam-peo tsy misy heviny na dia iray aza.

11 Nefa raha tsy mahalala ny hevitry ny feo aho, dia ho mpiberoberoka foana amin’ilay miteny aho.

12 Koa aoka ianareo izay fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana, mba ny hampandrosoana ny Eglizy no hotadiavinareo hananana be indrindra.

13 Noho izany, aoka izay miteny amin’ny teny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.

14 Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy fantatra aho, dia mivavaka ihany ny fanahiko, fa ny saiko no tsy mahazo vokatra.

15 Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa.

16 Fa raha mivavaka amin’ny fanahy fotsiny ianao, hataon’ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly «Amen» ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao?

17 Ianao hahavita fisaorana kanto tokoa, fa ny hafa no tsy hahazo soa.

18 Misaotra an’Andriamanitra aho, fa miteny amin’ny teny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho;

19 nefa ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy hampianarako ny hafa amin’ny saiko, toy izay hanao teny iray alina amin’ny teny tsy fantatra.

20 Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.

21 Voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe:Amin’ny olona hafa fiteny, sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; ary na dia amin’izany aza, dia mbola tsy hihaino Ahy ihany izy,hoy ny Tompo.

22 Koa ny fiteny tsy fantatra àry, dia famantarana amin’ny tsy mino, fa tsy amin’ny mino; ary ny faminaniana kosa no amin’ny mino, fa tsy amin’ny tsy mino.

23 Raha vory ny mpiangona rehetra, ka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra izy rehetra, ary miditra kosa ny tsy mahay sy ny tsy mino, moa tsy holazainy hoe very saina ianareo?

24 Fa raha samy maminany daholo kosa, no miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ny anatra ataon’izy rehetra izy, sady hotsarain’izy rehetra;

25 voaseho miharihary ny zava-takona ao am-pony, ka hiankohoka hitsaoka an’Andriamanitra izy, ary hilaza faeo aminareo tokoa Andriamanitra!

Ny «karisma» sy ny fitsipika harahina

26 Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra.

27 Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia aoka ho roa na telo raha dia be, ka hifandimby; ary aoka hisy iray mandika teny.

28 Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka hangina izy eo amin’ny Eglizy, ka hiteny amin’ny tenany sy amin’Andriamanitra.

29 Ary ny amin’ny mpaminany kosa, dia aoka ho roa na telo no hiteny, fa ny sisa kosa hamantatra.

30 Raha misy mahazo fanambaràna anefa amin’izay mipetraka, dia aoka hangina ny voalohany;

31 satria mahazo mifandimby maminany ianareo rehetra, mba hahazoan’ny rehetra fianarana sy famporisihana.

32 Ary ny fanahy mampaminany dia zakain’izy mpaminany,

33 satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.

34 Araka ny fanao amin’ny Eglizin’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrify azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan’ny Lalàna koa izany.

35 Raha misy zavatra sasany tiany hofotorana, dia aoka ho any an-trano izy no hanontany ny lahy; fa mahamenatra raha vehivavy no hiteny ao am-piangonana.

36 Moa ianareo va no niavian’ny tenin’Andriamanitra, sa dia ao aminareo ihany no tongany?

37 Raha misy manao azy ho mpaminany, na manana ny Fanahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo izay soratako ho anareo,

38 ka raha tsy te-hahalala izy, dia aoka tsy hahalala.

39 Koa amin’izany àry, ry kristianina havana, maniria mafy ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra;

40 fa indrindra: aoka hatao amim-pahamendrehana sy filaminana avokoa ny zavatra rehetra.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 15

Misy ny fitsanganan’ny maty

1 Ampahatsiaroviko anareo, ry kristianina havana, ny Evanjely notoriko taminareo, izay noraisinareo, sy niorenanareo,

2 ary hahazoanareo famonjena, raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo.

3 Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;

4 dia nalevina Izy, sy nitsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina;

5 ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo.

6 Manaraka izany dia niseho tamin’ny havana iray finoana tsy omby dimanjato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry.

7 Raha efa izany, dia niseho tamin’i Jakôba izy, vao tamin’ny Apôstôly rehetra.

8 Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.

9 Fa ambany indrindra amin’ny Apôstôly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apôstôly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin’Andriamanitra aho;

10 saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.

11 Koa izany àry no torìnay, na izaho na izy ireo; ary izany koa no ninoanareo.

12 Raha torina ho nitsangan-ko velona àry i Kristy, ahoana ity ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan’ny maty?

13 Raha tsy misy ny fitsanganan’ny maty, na dia i Kristy aza tsy nitsangana avy any amin’ny maty;

14 ary raha tsy nitsangana avy any amin’ny maty i Kristy, dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo!

15 Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra, satria tombotomboka foana no nilazanay an’Andriamanitra ho nanangana an’i Kristy avy any amin’ny maty, nefa tsy natsangana izy tsinona, raha marina fa tsy mitsangana ny maty.

16 Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangana avy any amin’ny maty, raha tsy mitsangana ny maty.

17 Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo;

18 ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy.

19 Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra, raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.

20 Tsy izany anefa, fa efa nitsangana avy any amin’ny maty tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;

21 satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, ka dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty;

22 ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,

23 fa manaraka ny laharany avy: i Kristy no santatra, dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.

24 Rehefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra sy amin’ny Ray ny fanjakana, rehefa levony avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.

25 Satria tsy maintsy manjaka Izyambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.

26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efanampanekeny ho eo ambanin’ny tongony.

27 Ary rehefa nataony hoe:Nampanekena ny zavatra rehetra, dia fantatra mazava fa tsy anisan’izany izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra.

28 Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.

29 Raha tsy izany, ahoana ny amin’ireny atao batemy ho an’ny maty ireny? Raha tsy mitsangana velively ny maty, nahoana ireny no atao batemy ho azy?

30 Ary ahoana no dia anaovanay vy very ny ainay mandrakariva?

31 Marina amin’ny reharehako ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika noho ny aminareo, ry kristianina havana, raha tsy isan’andro aho no toa ho faty ihany e!

32 Raha araka izay hevitr’olombelona fotsiny no niadiako tamin’ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy mitsangana ny maty,aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e!

33 Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.

34 Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an’Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany.

Ny fomba hitsanganan’ny maty

35 Fa hisy hanao hoe: «Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?»

36 Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray.

37 Ary raha mamafy ianao, tsy ny tenan’izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa;

38 dia vao Andriamanitra no manome tena azy araka izay tiany; samy omeny tena manaraka ny karazany avy ny voa rehetra.

39 Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an’ny olona, hafa ny an’ny biby; hafa ny an’ny vorona, hafa ny an’ny hazandrano.

40 Misy tenan-javatra any an-danitra, misy tenan-javatra etỳ an-tany, fa hafa noho ny an’ny ny etỳ an-tany ny famirapiratry ny tenan-javatra any an-danitra;

41 hafa ny famirapiratry ny masoandro, hafa ny famirapiratry ny volana, hafa ny famirapiratry ny kintana; ary na ny samy kintana aza, samy manana ny famirapirany.

42 Toy izany koa ny fitsanganan’ny maty; mety lo izy no afafy, fa tsy mety lo no atsangana;

43 tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana;

44 vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana.

Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy; izany no voasoratra hoe:

45 i Adama lehilahy voalohany, natao aina mahavelona;fa i Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona.

46 Tsy ny ara-panahy anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy.

47 Avy amin’ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin’ny lanitra kosa ny Olona faharoa, ka lanitra.

48 Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra.

49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.

50 Fa izao indrindra no dia lazaiko, ry kristianina havana; tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra, ary tsy handova ny tsy fahalòvana ny fahalòvana.

51 Indro, milaza zava-miafina aminareo aho: tsy hody mandry avokoa isika rehetra, fa hovana isika rehetra.

52 Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika.

53 Fa ity mety lo ity, tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana; ary ity mety maty ity, hitafy ny tsy fahafatesana.

Antsa fandresena sy famaranana

54 Ary rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe:Efa noresena ny fahafatesana ka levona.

55 Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao?

56 Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin’ny fahotana.

57 Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

58 Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.

Categories
1Kôrintianina

1Kôrintianina 16

FAMARANANA

1 Ary ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo, toy ny nasaiko nataon’ny Eglizy rehetra any Galasia.

2 Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro.

3 Ka rehefa tonga aho, dia hanendry olona ianareo hampitondraiko taratasy hanatitra ny fiantrànareo any Jerosalema., dia samia ianareo manokan-javatra any an-tranony, sy mandatsa-drakitra araka izay azony atao avy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola rehefa tonga aho.

4 Ary raha mendrika ny fankanesako any aza izany, dia hiaraka amiko izy ireo.

5 Ho any aminareo aho rehefa namaky an’i Masedônia, fa hamaky an’i Masedônia aho.

6 Ary angamba hitoetoetra any aminareo aho, na handany ny ririnina any aza, dia ianareo no hanatitra ahy any amin’izay halehako rehetra any.

7 Tsy dia ny hamangy anareo toy ny mandalo fotsiny no kasaiko amin’ity, fa ny hitoetra elaela no antenaiko, raha sitrapon’ny Tompo.

8 Hijanona ao Efezy anefa aho, hatramin’ny Pantekôty,

9 satria varavarana lehibe no mivoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.

10 Rehefa tonga atỳ aminareo i Timote, ataovy izay tsy hananany tahotra eo aminareo, fa manao ny asan’ny Tompo toa ahy izy.

11 Koa aoka tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Atero izy ho tonga soa aman-tsara atỳ amiko, fa miandry azy mbamin’ny havana iray finoana sasany aho.

12 Ary ny amin’i Apôlô havantsika, dia niangavy mafy taminy aho mba hiara-mandeha amin’ny havana iray finoana sasany hankany aminareo izy, saingy tsy mbola sitrany ny handeha ankehitriny, fa rehefa misy hahafahany dia ho avy ihany izy.

13 Miambena, mahareta amin’ny finoana, misehoa ho lehilahy, ary mahereza fo.

14 Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.

15 Izao koa no hafatra ataoko aminareo, ry kristianina havana: fantatrareo fa ry i Stefanasy, dia voaloham-bokatra tany Akaia, sady nanokan-tena hanampy ny olona masina,

16 ka aoka ianareo hanaiky amim-panajana ny olona mendrika toy ireny, sy izay rehetra miara-miasa sy misasatra amin’ny asa toy izany.

17 Faly aho noho ny nahatongavan’i Stefanasy sy i Fôrtonato ary i Akaîko, fa ireo no nanao izay tsy efanareo.

18 Namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy ireo; ka mahaiza manaja ny olona toy ireny.

19 Manao veloma anareo ny Eglizy rehetra atỳ Azia; manao veloma anareo indrindra ao amin’ny Tompo i Akilasy sy i Prisila mbamin’ny Eglizy izay ao an-tranony.

20 Manao veloma anareo ny havana rehetra iray finoana. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.

21 Izaho Paoly, manao veloma anareo, amin’ny sora-tanako.

22 Raha misy tsy tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia aoka ho voaozona izy! Maran-Atha(Tamy ny Tompontsika).

23 Ho ao aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo.

24 Ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa. Amen.