Categories
1Makabeo

1Makabeo 1

I Aleksandra sy ireo mpandimby azy

1 I Aleksandra, zanakalahin’i Filipo, Masedôniana, avy amin’ny tanin’i Setima, rehefa naharesy an’i Dariosa, mpanjakan’ny Persa sy ny Meda, sy tonga mpanjaka nisolo azy, ary efa nanjaka tamin’i Gresy, aloha,

2 dia niantafika imbetsaka sy nahazo trano mimanda maro ary namono mpanjakan’ny tany.

3 Tongany hatrany amin’ny faran’ny tany, ka firenena maro no nahazoany babo, ary nangina teo anatrehany ny tany.

4 Nisondrotra ny fony ka nibohibohy; namory tafika mahery tokoa izy,

5 ka nampanaiky tany amam-pirenena sy mpanjaka maro izay nanjary mpandoa hetra ho azy,

6 dia nilamaka tao am-pandriana izy, ka nanandindona azy ny ho faty,

7 ka nantsoiny hanatona azy ny manamboninahiny ambony laharana, namany hatramin’ny fahatanorany, dia nozarainy tamin’ireo ny fanjakany, dieny mbola velona izy.

8 Roa ambin’ny folo taona no nanjakan’i Aleksandra, dia niambohoizy.

9 Samy naka ny anjara fanapahany teo amin’ny zarataniny avy ny manamboninahiny.

10 Samy nisatroka ny satro-panjakana izy ireo, mbamin’ny zanany nandimby azy taorian’ny nahafatesany, nandritra ny taona maro, ary nampitomboiny be ny loza eto an-tany.

I Antiôkosy Epifana sy ny nidiran’ny «helenista» tao amin’i Israely.

11 Nisy solofom-paharatsianaanankiray nivoaka avy amin’ireo mpanjaka ireo, dia i Antiôkosy Epifana, zanak’i Antiôkosy mpanjaka, izay natao antoka tany Rôma, sy tonga mpanjaka tamin’ny faha-137 taonan’ny fanjakan’ny Grika.

12 Tamin’izany andro izany, nisy taranaka mpivadikaavy amin’i Israely ka nitarika ny hafa betsaka koa, nanao hoe: «Andeha isika hikambana amin’ireo firenena manodidina antsika, fa nidiran-doza maro isika, hatrizay nitokanantsika lavitra an’ireo izay.

13 Ary nataony ho mety harahina izany teny izany.

14 Ka ny sasany tamin’ny vahoaka dia rototra nanatona ny mpanjaka, ka nomeny lalana hanaraka ny fanaon’ny firenena.

15 Nanorina toerana fanaovana asa tenamampatanjaka tao Jerosalema, araka ny fanaon’ny firenena, izy ireo.

16 Nofoanan’izy ireo ny marika amin’ny famoranaazy, dia nialany amin’izay ny fanekena masina, ary tafakambana tamin’ny firenena sy nivaro-tena hanao ny ota izy.

I Antiôkosy Epifana mandrava ny Tempoly sy manenjika ny Jody manaraka ny Lalàna

17 Nony efa nataon’i Antiôkosy, fa tafaorina tsara ny fanapahany, dia izay hanjakany amin’i Ejipta no noheveriny, mba hahatonga azy ho mpanjaka amin’ny fanjakana roa.

18 Ka dia niditra tany Ejipta izy nitondra tafika lehibe, nomban-kalesy aman’elefanta sy mpitaingin-tsoavaly, mbamin’ny sambo maro be.

19 Namely an’i Ptôlemea mpanjakan’i Ejipta izy, nefa raiki-tahotra teo anoloany io ka nitsoaka nandositra, ary vahoaka be no niampatrampatra maty.

20 Nalain’ny Sirianina ny tanàna mimanda, teo amin’ny tany Ejipta; ary nofaohin’i Antiôkosy ny babo eran’i Ejipta.

21 Rehefa avy nandresy an’i Ejipta i Antiôkosy, tamin’ny taona faha-143, dia niverina, ka i Israely indray no nalehany hasiana.

22 Nony tafakatra tao Jerosalema nomban-tafika lehibe izy,

23 dia sahy niditra nisolantsolana teo amin’ny fitoerana masina, nalainy tao avokoa, ny ôtely volamena, ny fanaovan-jiron’ny fanazavana, mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny latabatra fandaharana ny mofo, kôpy aman-tasy sy vilia tasiaka volamena, ny efitra lamba, ny fehiloha aman-kaingo volamena tamin’ny rindrina anoloan’ny tempoly; nendahany hatraiza hatraiza ny peta-bolamena.

24 Nalainy koa ny volamena sy volafotsy mbamin’ny kapoaka sarobidy, mbamin’ny rakitra miafinaazony nokarohina. Nentiny avokoa izany rehetra izany, dia niditra any amin’ny taniny izy,

25 rehefa avy namono olona betsaka sy namoaka teny diso vala.

26 Ka fisaonana lehibe no teo amin’ny Israelita, tamin’izay fitoerana rehetra nonenany.

27 Velon-taraina ny lehibe aman-doholona, niraviravy tanana ny zatovovavy aman-jatovolahy, nihasimba ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy.

28 Ny vao nampaka-bady, re nidradradradra, ny avy nampakarina, namarin-dranomaso nipetraka ao amin’ny efitra fampakaram-bady.

29 Ny tany nihorohoro toy ny matahotra noho ny amin’ny mponina ao aminy, ary ny tamingan’i Jakôba safo-kenatra avokoa.

30 Roa taona taorian’izany, nandefa mpamory hetra ho any amin’ny tanànan’i Jodà, ny mpanjaka. Dia tonga tao Jerosalema izy, nitondra miaramila betsaka.

31 Ary nosaroroiny tamin’ny teny malefaka ny mponina, ka nandray azy tsy amin’ahiahy.

32 Kanjo nony inona dia nodainany tampoka ny tanàna ka nasiany tamin’ny loza mafy, ary nahafatesana betsaka ny Israelita.

33 Nobaboiny ny tanàna, nodorany tamin’ny afo, nazerany ny trano, noravany ny manda manodidina.

34 Nentiny ho babo ny zaza amam-behivavy ary nofaohiny koa ny biby fiompy.

35 Raha efa izany, nohodidinin’ny Sirianina manda lehibe sy mafy ny tanànan’i Davida, sady nasiany tilikambo mafy dia mafy,

36 nataony trano mimanda, ho azy ireo. Dia taranak’olon-dratsy, tsy nanam-pinoana na lalàna, no napetrany tao; niorina mafy teo izy ireo.

37 Fiadiana amam-pitaovana betsaka no navozeziny tao; nangoniny koa ny babo azony tao Jerosalema ka tao no nametrahany azy; loza nipetraka ho an’ny tanàna izy ireo.

38 Io manda io, dia toy ny fandrika voatsangana hamely ny fitoerana masina, sy toy ny fahavalo mahatahotra ho an’i Israely nandritra izany fotoana rehetra izany.

39 Nararak’izy ireo teo amin’ny manodidina ny tempoly ny ra tsy manan-tsiny, ka nolotoiny ny fitoerana masina.

40 Noho ny amin’izy ireo, nandositra niala tao Jerosalema ny mponina, ka tonga fonenan’ny olon-kafa; ka zary fivahiniana ho an’izay teraka tao anatiny, ny tanàna; fa nilaozan’ny zanany.

41 Ny fitoerana masina tonga foana toa tany efitra, ny fetiny niova ho andro fisaonana, ny sabatany ho fahafaham-baraka, ary ny voninahiny ho fandatsana azy.

42 Araka ny voninahiny no nitomboan’ny fietreny, ary ny fahalehibeazany zary fisaonana.

43 Namoaka didy tamin’ny fanjakany manontolo i Antiôkosy mpanjaka, mba hiraisan’izy rehetra ho vahoaka tokana, fa samy hanary ny lalàny manokana.

44 Nanaraka ny didin’ny mpanjaka avokoa ny firenena.

45 Nanaiky hanaraka ny fombam-pivavahany koa ny Israelita ankamaroany; ka nanao sorona tamin’ny sampy sy nandoto ny sabata.

46 Nisy iraka nampitondrain’ny mpanjaka taratasy ho an’i Jerosalema sy ho an’ny tanàna hafa amin’i Jodà, nandidy azy ireo hanaraka ny fomban’ny olona hafa firenena amin’ny tany,

47 hampitsahatra eo amin’ny tempoly ny sorona doranasy ny sorona amam-panatitra araraka,

48 hametaveta ny sabata sy ny fety,

49 handoto ny fitoerana masina sy ireo masina,

50 hanangana ôtely, hazo masina, tempolin-tsampy, hanolotra kisoa amam-biby maloto hafa hatao sorona;

51 hamela ny zanany lahy tsy hoforàna, handoto tena amin’ny loto amam-pametavetana isan-karazany, mba hahatonga azy hanadino ny lalàna sy hanova ny didy rehetra.

52 Ka na zovy na zovy tsy hankatò ny didin’ny mpanjaka Antiôkosy, dia hoheloin-ko faty.»

53 Toy izany no taratasy naeliny eran’ny fanjakany manontolo, sady nanendry olona hitandrina ny vahoaka rehetra izy;

54 nandidy ireo tanànan’i Jodà koa izy, mba samy hanatitra sorona isan-tanàna.

55 Be ny Jody no nikambana tamin’ny Sirianina, dia izay rehetra nanary ny lalàna; nanao ny ratsy tamin’ny tany izy ireo;

56 ka hany herin’ny Israelita tsy nivadika, dia nandositra eny amin’ny fitoerana takona sy amin’izao karazam-pierena rehetra izao.

57 Tamin’ny andro faha-15n’ny volana Kasleo, taona 145, dia naoriny teo ambony ôtelin’ny sorona dorana, ny fahavetavetana lozan-tany. Nanorenany ôtelykoa teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, eny amin’ny manodidina.

58 Ary nandoro emboka teny am-baravaran’ny trano sy teny amin’ny kianja izy ireo.

59 Raha mahita ny bokin’ny lalàna eny ho eny izy, rovitiny aloha dia dorany.

60 Izay nahitana bokin’ny fanekena, ary izay niseho ho mbola miraikitra amin’ny lalàna, na zovy na zovy, dia novonoina ho faty, noho ny didin’ny mpanjaka.

61 Toy izany no tsy nitondrany roa an’i Israely, ka indray andro isam-bolana, dia novonoiny eny amin’ny tanàna ny Israelita izay trany nandika izany.

62 Ny faha-25n’ny volanaizy ireo dia nanatitra sorona teo amin’ilay ôtely naorina teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana.

63 Araka ny lalàna koa, izay vehivavy nampamora ny zanany dia novonoina ho faty, nahantona teo am-bozony ny zanany;

64 norobaina ny tao an-tranony ary natao maty izay nanao ny fandidiana.

65 Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerim-po sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin’izay maloto. Naleony maty toy izay handoto tena amin’ny hanina,

66 sy hametaveta ny fanekena masina; ka dia maty izy ireny.

67 Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’i Israely fahizany.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 2

I Matatiasy sy ireo zanany lahy

1 Tamin’izany andro izany no nisehoan’i Matatiasy, zanak’i Joanyzanak’i Simeôna, mpisorona avy amin’ireo zanak’i Jôariba, tao Jerosalema, izay nonina tany Modìna.

2 Nanan-janaka dimylahy izy, dia i Joany natao hoe Gadia,

3 i Simôna nantsoina hoe Tasì,

4 i Jodasa natao hoe Makabeo,

5 i Eleazara natao hoe Abarôna, ary i Jonatasa natao hoe Apfosa.

6 Nahita ity fanevatevana izay nataon’ny olona any amin’i Jodà sy i Jerosalema i Matatiasy, ka nanao hoe:

7 «Indrisy, nahoana ange ity izaho no teraka hahita ny faharavan’ny fireneko sy ny faharavan’ny tanàna masina, ka no dia hijanom-poana eto; kanefa izy ity, efa mby an-tanan’ny fahavalo,

8 ny fitoerany masina efa anjakan’ny hafa firenena? Ny tempoliny, tonga toy ny fonenan’olona tsy valahara;

9 ny fanaka sarobidy, izay voninahitra ho azy, lasan-ko babo; ny zanany madinika naripaka teny amin’ny arabeny, ny sabatry ny fahavalo mandavo ireo zatovony.

10 Firenena iza moa no tsy nandova ny fanjakany sy tsy nanana ny anjara babony teto aminy?

11 Ny haingony rehetra nesorina taminy; nahazaka tena izy nefa tonga andevo.

12 Ny zavatra masina sy kanto ary be voninahitra rehetra nananantsika, voarava sy voavetan’ny firenena avokoa.

13 Ka nahoana àry ity isika no mba velona foana ihany?»

14 Tamin’izay i Matatiasy, mbamin’ireo zanany, dia nandrovitra ny fitafiany, niakanjo malailay, ary nanao fisaonana mafy.

Fitsapana tamin’ny sorona tao Modìna

15 Dia tonga tao Modìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manamboninahitry ny mpanjaka, nomena raharaha hanery ny olona hivadika.

16 Israelita maro be no nomba azy ireo; ary i Matatiasy sy ireo zanany dia nivory ihany koa.

17 Niteny tamin’i Matatiasy ireo irak’i Antiôkosy, ka hoy izy taminy: «Ianao eto an-tanàna no lohany indrindra, voahaja sy mahamena-maso mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy.

18 Koa ianao no aoka hanatona voalohany, hanatanteraka ny didin’ny mpanjaka toraky ny efa nataon’ny firenena rehetra, sy ny lehilahy amin’i Jodà, mbamin’ireo tafajanona any Jerosalema, dia ho anisan’ny sakaizan’ny mpanjaka avokoa ianao sy ny ankohonanao, samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro ianao mbamin’ireo zanakao.»

19 Ary i Matatiasy namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe: «Na dia hanaiky an’i Antiôkosy avokoa aza ny firenena rehetra anatin’ny fanjakany, ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan’ny razany, sy hanaraka an-tsitrapo ny didiny,

20 izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken’ny razanay.

21 Sanatria anay ny hanary ny lalàn’Andriamanitra amam-pitsipiny!

22 Tsy hanaiky ny didin’ny mpanjaka izahay, ka hiala amin’ny fombam-pivavahana, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.»

23 Vao tapitra izay teniny izay, dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason’ny olona rehetra teo hanao sorona, araka ny didin’ny mpanjaka, teo amin’ny ôtely natsangana tao Modìna.

24 Nony nahita izany i Matatiasy, dia tezitra sady niontana ny fony; navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany, ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin’ny ôtely izy.

25 Novonoiny niaraka tamin’izay koa ilay manamboninahitry ny mpanjaka, nanery hanao sorona, sady nazerany ny ôtely.

26 Toy izany no nirehetan’ny zotom-pony hiaro ny lalàna, toy ny nataon’i Fineaizay namono an’i Zambrì, zanak’i Salôma.

27 Dia nandeha eran’ny tanàna i Matatiasy, niantso tamim-peo avo hoe: «Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena, samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa.»

28 Izay izy mbamin’ireo zanany, dia nandositra nankany an-tendrombohitra; nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna.

Fitsapana momba ny sabata, tany an’efitra

29 Nisy Jody maro be koa, izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna ka nidina tamin’izay ho any an’efitra,

30 mba honina any, dia izy mbamin’ny vady aman-janany, sy ny biby fiompiny koa, satria efa nandifotra azy ireo loatra ny loza nanjò azy.

31 Nilazana ny manamboninahitry ny mpanjaka mbamin’ireo miaramila tao Jerosalema, amin’ny tanànan’i Davida, fa nisy olona nandika ny didin’ny mpanjaka, lasa nidina any an’efitra, amin’ny toerana fierena miafina.

32 Niaraka tamin’izay, dia lasa maro izy ireo nanenjika azy. Nony trany izy, dia nitoby teo an-tandrifiny, nivonon-kamely azy amin’ny andro sabata.

33 Hoy izy taminy: «Aoka izay amin’izao. Mivoaha ianareo, tanteraho ny didin’ny mpanjaka, dia ho velona ianareo.»

34 Hoy ny navalin’ny Jody: «Tsy hivoaka izahay, ary tsy hankatò ny didin’ny mpanjaka, fa ho fandikana ny andro sabata izany.»

35 Niaraka tamin’izay dia nandraikitra ny ady taminy ny Sirianina.

36 Tsy namaly azy na nitora-bato azy iray akory, na nanampina ny fiereny izy ireo.

37 «Aoka isika ho faty avokoa amin’ny fahatsoram-pontsika, hoy izy ireo! Ny lanitra sy ny tany no vavolombelona mahita anay, fa vonoinareo tsy an-drariny izahay.»

38 Dia nasian’ny miaramila tamin’ny andro sabata izy ireo, ka maty avokoa izy mbamin’ny vady aman-janany sy ny biby fiompiny, sahabo ho arivo no isan’ny olona.

Fiasan’i Matatiasy sy ny antokony

39 Nalahelo mafy i Matatiasy sy ireo sakaizany nandre izany vonoana izany.

40 Ary izy ireo nifampilaza hoe: «Raha samy manao toy izany nataon’ny rahalahintsika izany avokoa isika, ka tsy miady amin’ny firenena mba hiaro ny aintsika sy ny satam-pirenentsika dia hofongoran’izy ireo vetivety eto ambonin’ny tany isika.»

41 Koa izao no fikasana nataon’izy ireo, tamin’izay andro izay: «Na iza na iza tonga hiady amintsika amin’ny andro sabata, dia hasiantsika, fa tsy hety hovonoiny fotsiny, toy ny nataon’ireo rahalahintsika tao am-piereny isika.»

42 Tamin’izay nisy antokon’ny Asideaninatonga nomba azy koa, ka ny anisan’ireo dia lehilahy mahery amin’i Israely, dia izay rehetra niraiki-po tamin’ny lalàna avokoa.

43 Nanatona azy ireo koa izay rehetra nitady ho afaka amin’ny loza nanjo, ka nampitombo ny heriny.

44 Nony efa nahavonona tafika toy izany izy ireo, dia nasiany tamin’ny hatezerany ireo mpivadika, ary tamin’ny fahavinirany ireo tsy mpivavaka; any amin’ny firenena no nandosiran’izay sisa afaka nitady vonjy.

45 Notetezin-dry i Matatiasy mbamin’ireo zanany ny tany, ka noravany ny ôtely,

46 noforàny an-keriny ny zazalahy rehetra hitany tsy voafora teo amin’ny tanin’i Israely,

47 ary nenjehiny ireo izay nobontsinin’ny fiavonavonana. Nahomby ny raharaha nokendreny noho ny fitarihany azy.

48 Ny lalàna no antony niadiany dia ny hiaroazy amin’ny herin’ny mpanompo sampy sy ny herin’ny mpanjaka; ary tsy nimalo teo anatrehan’ny mpanota izy ireo.

Didim-pananan’i Matatiasy sy ny nahafatesany

49 Nony nipaka ny fara andron’i Matatiasy, dia hoy izy tamin’ireo zanany: «Ankehitriny, manjaka ny fiavonavonana, ary mamely ny famaizana, ka andron’ny fandravana sy fahatezerana mirehitra izao.

50 Ka aoka ianareo, anaka, hanampatra ny fahazotoanareo hiaro ny lalàna, ary afoizo ho an’ny faneken’ny razantsika ny ainareo.

51 Tsarovy ny asa nataon’ny razantsika tamin’ny androny, ary hahazo voninahitra sy anarana tsy mety maty ianareo.

52 Moa va tsy niseho ho nahatoky i Abrahama tamin’ny fizahan-toetra, ary moa ve tsy nekena ho fahamarinana ho azy ny finoany?

53 Nitandrina ny didy i Josefa tamin’ny andron’ny fahoriany, ka tonga tompon’i Ejipta izy.

54 Nirehi-pahazotoana hiaro ny zòn’Andriamanitra i Finea razantsika, ka nahazo antoka ny fisoronana masina.

55 Nahatanteraka ny teny nomeny i Jesosa, ka tonga mpitsara tamin’i Israely.

56 Nitsangan-ko vavolombelona nilaza teo anatrehan’ny fiangonana i Kaleba, ka nahazo zaratany anankiray teo amin’ny tany.

57 Ny fitiavam-bavak’i Davida no nahazoany seza fiandrianana ho amin’ny taona mandrakizay.

58 Ny nirehetan’ny fahazotoan’i Elia hiaro ny lalàna no nipaohana azy any an-danitra.

59 Ny toky nananan’i Ananiasa sy i Azariasa ary i Mizaelano namonjena azy tamin’ny lelafo.

60 Ny tsy fananana tsiny ny namonjena an’i Danielatamin’ny vavan’ny liona.

61 Diniho amin’izay, eran’ny taona rehetra, fa tsy mba resy izay rehetra nanantena azy.

62 Aza matahotra izay rahom-bavan’olona mpanota, fa mivarin-ko amin’ny fahalòvana aman-kankana ny voninahiny.

63 Anio izy manandra-tena, ary rahampitso izy tsy ho hita intsony, satria miverin-ko amin’ny vovony izy; ka levona foana ny fisainany.

64 Koa matanjaha sy mahereza fo ianareo anaka, hiaro ny lalàna, fa izy no hanananareo voninahitra.

65 Indro i Simôna rahalahinareo, fantatro fa lehilahy tsara torohevitra izy, ka mihainoa azy mandrakariva, fa dia hanjary ray ho anareo izy.

66 Aoka i Jodasy Makabeo, lehilahy mahery sy be herim-po hatramin’ny fahatanorany, no ho lohan’ny tafikareo sy hitarika ny ady amin’ny firenena.

67 Ataovy homba anareo izay rehetra mitandrina ny lalàna, ary mamalia ny ratsy natao tamin’ny firenenareo.

68 Valio ny nataon’ny firenenatamin’i Israely, ary tandremo ny didin’ny lalàna.»

69 Nony avy nitso-drano azy ireo izy, dia nangonina any amin’ny razany.

70 Tamin’ny taona faha-146izy no maty, ary tao amin’ny fasan-drazany ao Modìna izy no nalevin’ireo zanany ary nisaona azy tamin’ny fisaonana lehibe i Israely.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 3

3. I JODASA MAKABEO, FILOHAN’NY JODY (166-160 talohan’i Jesoa Kristy)

Fiderana an’i Jodasy Makabeo

1 Dia nitsangana nandimby azy i Jodasy zanany, atao hoe Makabeo.

2 Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin’izay rehetra nanatona homba an-drainy, niady an-kafaliana ny adin’i Israely.

3 Nampitatra ny voninahitryny fireneny izy, niakanjo fiarovan-tratra toy ny lehilahy mahery izy, namehy teo am-balahany ny fiadiany enti-miady dia nandrafitra ady, niaro ny tobin’i Israely tamin’ny sabany.

4 Teo am-pikarohana izy, dia toy ny liona, sy nanahaka ny liona tanora mierona amin’ny rembiny.

5 Nenjehiny ny mankahala ny fivavahana, nokarohiny hatrany am-piereny tany, ary nodorany amin’ny afo izay nanabataba ny fireneny.

6 Nihemotra tsiravina teo anatrehany ny mpankahala ny fivavahana, nivadi-po avokoa izay rehetra mpanao ratsy; ary ny tanany nanatanteraka soa aman-tsara ny fanafahana ny fireneny.

7 Ny asa nataony nampiditra alahelo mangidy tamin’ny mpanjaka maro, sy hafaliana tamin’i Jakôba; ary ny fahatsiarovana azy, hankalazaina mandrakizay.

8 Nitety ny tananàn’i Jodà izy nandringana an’izay mankahala ny fivavahana, ka namily ny hatezerana tsy ho an’i Israely.

9 Tonga nalaza hatrany am-paran’ny tany ny anarany, ary nangonina izay efa teo am-bavan’ny fahafatesana.

Fahombiazan’i Jodasy Makabeo

10 Namory miaramila mpanompo sampy i Apôlôniosy, dia tafika lehibe, nalainy tany Samaria, hiady amin’i Israely.

11 Vao nilazana izany i Jodasy dia nandeha hamely azy, naharesy azy izy, dia namono nahafaty azy; maro ny fahavalo maty, ary ny sisa nandositra.

12 Ka nobaboin’ny Jody ny fananany, ary nalain’i Jodasy ny sabatr’i Apôlôniosy, dia izay no nanaovany mandrakariva tamin’ny ady hatramin’izay.

13 Nony ren’i Serôna filohan’ny tafiky ny Sirianina, fa hoe: nahavory olona betsaka i Jodasy, dia natokon’ireo Jody tsy nivadika, momba azy amin’ny ady, dia hoy izy:

14 «Hamelon-tantara ny anarako aho, dia hahazo voninahitra amin’ny fanjakana, hiady amin’i Jodasy sy ireo momba azy izay naniratsira ny didin’ny mpanjaka.»

15 Dia nanafika fanindroany tokoa izy; tafik’olona maro mpankahala ny fivavahana no niakatra niaraka taminy, mba hanampy azy, hamely ny zanak’i Israely.

16 Nony mby akaikin’ny fiakaran’i Betorôna izy ireo, dia nandroso nitsena azy i Jodasy nomba-miaramila vitsy foana.

17 Raha nahita ny tafika tamy hamely azy ny miaramilany, dia nanao tamin’i Jodasy hoe: «Hataontsika vitsy kely ireto ahoana no fiady amin’ireo vahoaka be loatra ireo? Indrindra fa isika dia efa reraka avy nifady hanina androany.»

18 Fa hoy i Jodasy namaly azy ireo: «Zavatra mora foana ny hangenjàn’ny olona vitsy kely eo am-pelatanany ny vahoaka maro be; tsy misy hafa amin’ny Andriamanitry ny lanitra, ny mamonjy amin’ny maro na amin’ny vitsy.

19 Satria ny fandresena amin’ny ady tsy avy amin’ny hamaroan’ny mpiady, fa avy any an-danitra no iavian’ny hery.

20 Izy ireo mandroso hamely antsika, feno avona amam-pankahalana ny fivavahana, mba hamono antsika mbamin’ny vady aman-janatsika sy handroba antsika.

21 Fa isika kosa miady hiaro ny aintsika sy ny lalàntsika.

22 Koa homontsanin’Andriamanitra eo anoloantsika ireo; ka aza matahotra an’ireo ianareo.»

23 Vao nitsaha-niteny izy, dia niantoraka tampoka tamin’izy ireo, ka resy i Serôna sady nahita ny tafiny montsana teo imasony.

24 Nenjehin’i Jodasy nitsontsorika ny fidinan’i Betôrôna, hatrany amin’ny tany lemaka izy; 800 lahy no maty tamin’ny miaramilany, ary ny sisa nandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina.

25 Izay vao niely ny tahotra an’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, dia tsiravina ny firenena manodidina.

26 Tonga hatrany amin’ny mpanjaka ny lazany, ary niresaka ny adin’ny Jodasy avokoa izay vahoaka.

Ny nitondran’i Lisiasy nisolo toerana.

27 Nisafoakan’ny hatezerana i Antiôkosy mpanjaka, nandre izany vaovao izany, nanome didy izy sy namory ny miaramila rehetra teo amin’ny fanjakany, izay tafika lehibe dia lehibe.

28 Nosokafany ny firaketany dia nomeny ny karamany amin’ny herintaona ny miaramilany, sady nandidy izy hatao vonona amin’izay rehetra hilana azy izy ireo.

29 Hitany tamin’izay anefa fa tsy ampy ny vola tao am-batany, sady kely ny hetra avy amin’ny faritany, noho ny fikorontanana sy ny loza nampidiriny tamin’ny tany, tamin’ny nitadiavany hamongorana ny lalàna efa narahina hatramin’ny fahagolan-tany.

30 Natahorany sao toraka izay efa nahazo azy matetika, ka tsy hanan-kandoavana ny lany sy hanomezam-be izy, fa efa fanaony taloha ny mitobatoba be loatra, sy mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany aza.

31 Noho izany fahasahiranany mafy izany, tapa-kevitra ny ho any Persa izy hamory hetra amin’ireo faritany ireo sy hanangom-bola be.

32 Ka dia i Lisiasy lehilahy ambony sy anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka, no napetrany hatramin’ny ony Eofrata ka hatramin’ny sisin-tanin’i Ejipta,

33 sy hikarakara an’i Antiôkosa zanany, mandra-piveriny.

34 Napetrany aminy ny antsasaky ny miaramilany sy ny elefanta, ary nomeny didy izy hanatanteraka ny hevitra voakasany rehetra, indrindra ny amin’ny mponina any Jodà sy Jerosalema.

35 Tsy maintsy handefa tafika i Lisiasy mbamin’izay sisa ao Jerosalema, ary hanafoana ny fahatsiarovana azy, amin’izany toerana izany,

36 dia hamponina taranak’olon-kafa firenena eo amin’ny taniny rehetra, ka ireo no hizarany ny taniny amin’ny filokàna.

37 Raha efa izany, nentiny homba azy ny antsasaky ny miaramilany, dia niala tao Antiôkia renivohitra ny mpanjaka tamin’ny taona faha-147, nita ny ony Eofrata dia namaky ny tany avo.

I Gorjiasy sy i Nikanôra nitarika ny tafik’i Siria tany Jodea

38 I Ptôlemeazanak’i Dôrimena sy i Nikanôraary i Gorjiasykapiteny mahay, sady sakaizan’ny mpanjaka, no nofidin’i Lisiasy,

39 ary miaramila an-tongotra 40.000 sy an-tsoavaly 7.000 no nalefany hiaraka amin’izy ireo hiantafika any amin’ny tanin’i Jodà sy handrava azy, araka ny didin’ny mpanjaka.

40 Dia niainga izy ireo, mbamin’ny miaramilany rehetra, ka nony tonga tany, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka, akaikin’i Emaosa.

41 Vao nandre ny fahatongavany ireo mpandranto teo amin’ny tany, dia nitondra volafotsy sy volamena betsaka ary parapaingo koa nentiny nankao amin’ny tobin’ny Sirianina hividiananay ny zanak’i Israely hataony andevo. Nikambana tamin’io tafika io koa ny miaramilan’i Siria sy ny teo amin’ny tanin’ny Filistinina.

42 Hitan’i Jodasy sy ireo rahalahiny, fa nihamafòtaka ny raharaha sady efa mitoby eo amin’ny sisin-tany ny tafiky ny fahavalo; fantany koa ny didy nomen’ny mpanjaka mampandringana sy mampamongotra ny fireneny,

43 ka dia nifampilaza izy ireo hoe: «Atsangano indray ny firenentsika rava; ary miadia ho an’ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika.»

44 Dia nivory ny fiangonana, hioman-kiady sy hivavaka hangata-pitsimbinana amam-pamindram-po.

45 Ary i Jerosalema dia tsy nisy mponina, fa toy ny efitra; ny zanany tsy nisy niditra na nivoaka teo; ny fitoerana masina voahosihosy, ny trano mimanda dia tanan’ny zanaky ny firenena hafa, fonenan’ny firenena izy. Niala teo amin’i Jakôba ny hafaliana, ary tsy re intsony ny filiotra amana harpa.

Fivorian’ny Jody tany Mispà

46 Nony tafavory izy ireo, dia nankao Masfà tandrifin’i Jerosalema, fa nisy fitoeram-pivavahana ho an’i Israely tao fahiny.

47 Tamin’izany andro izany, izy ireo nifady hanina, nisamboritra lasàka, nanisy lavenona ny lohany, ary nandriatra ny fitafiany.

48 Novelariny ny bokin’nylalàna izay nokarohin’ny firenena hanoratany ny sarin-tsampiny,

49 nentiny ny fitafiam-pisoronana, ary nasainy nanatona ny Nazareanina efa nahatapitra ny fotoan’ny voadiny;

50 dia niantso tamim-peo avo nitaraina tamin’ny lanitra izy nanao hoe: «Inona no hataonay amin’ireto olona ireto, ary aiza no hitondranay azy?

51 Ny fitoeranao masina efa voahosihosy sy voaloto, ny mpisoronao dia ao anatin’ny fisaonana aman-kenatra.

52 Ary indreto tafavory hamely anay ny firenena mba hamongotra anay; fantatrao ny fikasany hamely anay.

53 Hataonay ahoana no fahaleo azy ireo, raha tsy vonjenao izahay?»

54 Dia nitsoka trômpetraizy ireo, ary nandefa feo fitarainana mafy.

55 Nanaraka izany, nanendry mpifehy ny vahoaka i Jodasy, tomponarivo, tompon-jato, tompon-dimampolo, tompom-polo.

56 Ary izay vao avy nanorin-trano, na nampaka-bady, na namboly voaloboka, mbamin’izay natahotra, dia nilazany mba hody any an-tranony avy araka ny lalàna.

57 Raha efa izany dia niainga ny tafika, ka nandeha nitoby teo atsimon’i Emaosy.

58 Ary hoy i Jodasy: «Misikìna ianareo, ary samia mitomban-dahy, mivonòna ho amin’ny rahampitso maraina, hiady amin’ireo firenena tafakambana hamono antsika ireo, dia isika sy ny fitoerana masintsika.

59 Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty mitam-piadiana toy izay mahita ny loza manjò ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika voaloto.

60 Ary na inona na inona sitrapon’ny lanitra dia aoka ho tanteraka izany.»

Categories
1Makabeo

1Makabeo 4

Ny ady tao Emaosy

1 Nitondra miaramila 5.000 i Gorjiasy, sy mpitaingin-tsoavaly voafantina 1.000,

2 ka niainga alina hanatona ny tobin’ny Jody sy hamely azy tampoka; ny miaramilaavy amin’ny trano mimandan’i Siôna no nitari-dalana azy.

3 Nony nandre izany i Jodasy dia niainga izy sy ireo lehilahy mahery, hamely ny tafiky ny mpanjaka izay ao Emaosy,

4 fony mbola tafaely tany ivelan’ny toby ny miaramila.

5 Dia tonga tamin’ny alina, tao an-tobin’i Jodasy, i Gorjiasy, nefa tsy nahita olona, ka lasa nikaroka azy ireo tany an-tendrombohitra, fa hoy izy: «Nandositra antsika izy ireo.»

6 Vao nipoaka ny andro, dia niseho teo amin’ny tany lemaka i Jodasy nitondra miaramila 3.000; izy ireo anefa tsy mba nanana izay fitaovananiriny, na ny hiarovany tena na ny hamelezany.

7 Raha nahita ny tobin’ny firenena voaaro mafy izy ireo, ny miaramila misarona amin’ny fiarovan-tratra, ny miaramila an-tsoavaly misafo eny manodidina azy, izay samy zatra ady avokoa,

8 dia hoy i Jodasy tamin’ireo miaramila momba azy: «Aza matahotra izay hamaroan’ireo, na mivadi-po amin’izay famelezany,

9 fa tsarovy ny namonjena ny razantsika tao amin’ny Ranomasina Mena, fony izy nenjehin’i Faraôna nomban-tafika lehibe.

10 Koa ankehitriny miantsoa mitaraina amin’ny lanitra isika, ary matokia fa hamindra fo amintsika Izy, hahatsiaro ny fanekeny tamin’ny razantsika ary handrava io tafika io anio eo imasontsika Izy;

11 dia ho fantatry ny firenena rehetra fa manana olon-kanafaka sy hamonjy azy i Israely.»

12 Tamin’izay nanopy ny masony ireo hafa firenena, ka nahatazana azy ireto tamy hamely azy,

13 dia nivoaka ny toby hiady. Notsofin’ireo nomba an’i Jodasy niaraka tamin’izay, ny trômpetra;

14 dia rafitra ny ady, ka resy ny firenena sy nandositra teny amin’ny tany lemaka,

15 lavon-tsabatra avokoa ny vodilalana, ary nenjehin’ny jody hatrany Gazàra, sy hatrany amin’ireo tany lemak’i Jodea sy i Azota azy i Jamnià, ka nahafatesany efa ho 3.000lahy.

16 Izay i Jodasy sy ny tafiny, vao niverina nijanona tsy nanenjika intsony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka:

17 «Aza liana ny hamabo ianareo, fa mbola misy ady miandry antsika.

18 Ato an-tendrombohitra akaikintsika ato izao i Gorjiasy sy ny miaramilany, ka tohay mafy aloha ny fahavalontsika, reseo izy, vao izay no hahazo maka ny babony tsy aman-tahotra ianareo.»

19 Mbola miteny eo i Jodasy no indro niseho ny antoko-miaramilan’i Gorjiasy nivoaka avy ao an-tendrombohitra.

20 Hitan’ireo fa ny namany nandositra, ny toby nodoran’ny Jody, satria tazana ny setroka maneho izay natao.

21 Raiki-tahotra mafy izy nahita izany; nony tazany koa amin’izay ny tafik’i Jodasy, nilahatra teo amin’ny tany lemaka, voaoman-kiady,

22 dia nandositra any amin’ny Filistinina avokoa izy rehetra.

23 Fa i Jodasy kosa niverina nandraoka ny babo tao an-toby, ka volamena sy volafotsy betsaka mbamin’ny lamba jaky volomparasy sy jaky mena mangatrakatraka ary harem-bevava no nentiny.

24 Hira no nataonynony nody, fiderana ny Tompo no nasondrony ho any an-danitra: Fa tsara Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

25 Nahazo famonjena lehibe i Israely tamin’izany andro izany.

Fanafihana voalohany nataon’i Lisiasy

26 Nilaza ny nanjò rehetra tamin’i Lisiasy ireo hafa firenena izay afa-nandositra,

27 ka nalahelo sady kivy io, nony nandre izany vaovao izany, fa ny fikasany hamely an’i Israely maty afo, ary ny didin’ny mpanjaka tsy tanteraka.

28 Tamin’ny taona manaraka, namory tafika iray indray i Lisiasa, miaramila an-tongotra voafantina 60.000, ary an-tsoavaly 5.000, hoenti-mandresy ny kirin’ny Jody.

29 Dia nandroso nankany Jodea izy ireo, ka niorin-toby teo akaikin’i Betorôna. Ary nandeha hanohitra azy i Jodasy, nitarika miaramila 10.000.

30 Nony nahita ity tafika mahatahotra izy, dia nivavaka nanao hoe: «Ry Mpanafaka an’i Israely ô, isaorana Ianao, Ianao ilay nanorotoro ny herin’ilay lehilahy goavana be, tamin’ny tanan’i Davida mpanomponao, sy nanolotra ny tobin’ny Filistinina teo an-tanan’i Jônatasy zanak’i Saola, sy ny dekàny.

31 Fiazo eo an-tanan’i Israely vahoakanao io tafika io; ary aoka hifanaritaka izy ireo mbamin’ny miaramilany an-tongotra sy an-tsoavaly.

32 Ataovy raiki-tahotra izy, ketraho ny hasahiany be ebo; ary aoka ny fahareseny hampikorontana azy.

33 Ataovy lavon’ny sabatr’ireto tia Anao izy ireo, ary aoka izay rehetra mahalala ny Anaranao hanao hira fierana Anao avokoa.»

34 Dia natombok’izy ireo ny ady, ka nisy 5.000 lahy tamin’ny tafik’i Lisiasy no niampatra teo anoloan’i Jody.

35 Nony hitan’i Lisiasy ity fiparitaky ny tafiny, sy izato fahasahian’ny miaramilan’i Jodasy, izay nitomban-ko velona na ho faty amim-boninahitra, dia nody ho any Antiôkia izy, ka naka miaramila tamin’ny hafa firenena; ny hiverina ho any Jodea indray no nampoiziny rehefa nampitomboiny ny miaramilany.

Nanadiovana ny Tempoly sy nitokanana azy

36 Ary hoy kosa i Jodasy sy ireo rahalahiny: «Efa resy ity ny fahavalontsika, ka ndeha amin’izao hiakatra hanadio ny tempolysy hitokana azy indray.»

37 Dia nivory ny tafika manontolo, ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna.

38 Nony hitan’izy ireoity fitoerana masina foana, ny ôtely voaloto, ny varavarana may, ny hazo madinika maniry tao amin’ny kianja, toy ny anaty ala na eny an-tendrombohitra, ary ny efitrano voarava,

39 dia norovitiny ny fitafiany, nigogogogo tamim-pisaonana mafy izy, nohosenany lavenona ny lohany,

40 nahohony tamin’ny tany ny tarehiny, ary raha niara-naneno nikarantsana ny trômpetra, dia nandefa fitarainana tamin’ny lanitra izy ireo.

41 Tamin’izay, dia nakan’i Jodasy antokony iray ny foloalindahy hiady amin’ny Sirianinatao amin’ny trano mimanda mandra-panadio ny fitoerana masina.

42 Raha efa izany, nifidy mpisorona tsy manan-tsiny, miraiki-po amin’ny lalàn’Andriamanitra izy,

43 dia nodiovin’izy ireo ny fitoerana masina, ary notateriny any am-panariana ondana ny vato voaloto.

44 Nifampihevitra ny amin’izay tokony hanaovana ny ôtelin-tsorona dorana izay efa voaloto,

45 ka nahita hevitra tsara izy, dia ny handrava an’io; fandrao mahatonga fahafaham-baraka ho azy, noho izy efa voaloton’ny Jentily, dia noravany ny ôtely,

46 ary napetrany teo amin’ny tendrombohitry ny tempoly amin’ny fitoerana mety tsara ny vato, mandra-pahatongan’izay mpaminany, hanapaka izay tokony hanaovana azy.

47 Dia naka vato tsy voapaika, araka ny lalàna, izy ireo ary nanangana ôtely anankiray vaovao, araka ny marik’ilay taloha.

48 Naoriny indray ny fitoerana masinambamin’ny atin’ny tempoly, ary nohamasininy ny kianja.

49 Nanao fanaka vaovao indray izy; dia napetrany tao amin’nytempoly indray ny fanaovan-jiro, ny ôtely fandoroan-java-manitra, ny latabatra.

50 Nodorany hanetona eo ambony ôtely ny emboka, nampirehetiny ny lalampy teo amin’ny fanaovan-jiro, ary notsilovin’ireo ny tempoly.

51 Napetrany teo ambony latabatra ny mofo, ary nahantony ny efitra lamba.

Nony vitan’izy ireo ny asa rehetra nataony,

52 dia nifoha maraina koa izy, tamin’ny andro faha-25n’ny volana faha-9, izay volana atao hoe Kasleo, tamin’ny taona faha-148,

53 ka nanatitra sorona, araka ny lalàna, teo ambonin’ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.

54 Tamin’ny volana sy ny andro nandotoan’ny firenena ny ôtely indrindra no nanamasinana azy indray, tamin’ny hiran’ny Salamo, sy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga sy kipantsona.

55 Indray nihohoka ny vahoaka, dia nitsaoka ary niandrandra ny lanitra, nisaotra an’Ilay nanambina azy.

56 Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokananany ôtely, ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana sy ny sorom-pisaorana amam-piderana.

57 Noravahany fehiloha aman’ampinga be renty ny anoloan’ny tempoly, namboariny koa ny fidirana amin’ny tempoly sy ny efitrano sady nasiany varavarana.

58 Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin’ny vahoaka, ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena.

59 Ary i Jodasy nifanara-kevitra tamin’ireo rahalahiny mbamin’ny fiangonan’i Israely rehetra, dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny ôtely, amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona, miantomboka amin’ny faha-25n’ny volana Kasleo.

60 Tamin’izany fotoana izany ihany, izy ireo nanorina teo amin’ny tendrombohitra Siônamanda avo manodidina, sy tilikambo mafy, mba tsy hahazoan’ny firenena manosihosy ny fitoerana masina intsony, toy ny efa nataony teo aloha.

61 Nametraka miaramila iray toko tao i Jodasy hiambina sy hiaro azy. Nohamafisina koa i Betsora, mba hananan’ny vahoaka fiarovana tandrifin’i Idomea.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 5

Famelezana ny Idomeanina sy ny Amônita

1 Nisafoaka mafy ireo firenena manodidina, nony nandre fa hoe voavoatra indray ny ôtely ary vita nody amin’ny toerany taloha indray ny fitoerana masina.

2 Koa nanapa-kevitra izy ireo fa handringana ny taranak’i Jakôba nitoetra teo aminy izy, ary niantombohany namonoana maro izy sy nenjehiny

3 Ny taranak’i Esao tao Idomea amin’ny tanin’ny Akrabatànaaloha, no niadian’i Jodasy fa namely ny zanak’i Israely; nataony resy dia resy tokoa ireo, ka naetriny sy nangalany babo.

4 Tsaroany koa ny haratsiam-pon’ny taranak’i Beana, izay nitsangan-ko fandrika aman-doza ho an’ny vahoaka, nanao otrika hahavoa azy teny an-dalana;

5 ka notemerany tao anatin’ny tilikambony ireo, dia nataony fahirano sy nataony anatemaary nodorany ny tilikambony mbamin’izay rehetra tao anatiny.

6 Raha efa izany, nankany amin’ny Amônita indray izy, ka sehatra tafika iray lehibe sy vahoaka maro, fehin’i Timoteo.

7 Niadiany imbetsaka ireo, ka montsana teo anatrehany ary resy mihitsy.

8 Nalainy ny tanàna Jazera mbamin’ny vohitra momba azy; dia niverina nankany Jodea izy.

9 Nitambatra ireo firenena any Galaada hamely ny Israelita monina eo amin’ny faritaniny, handringanany azy, fa lasa nialoka tao amin’ny mandan’i Datemàna kosa ireo.

10 Nampitondra taratasy tany amin’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny izy nanao hoe: «Nitambatra hamely anay ho levona ireo firenena manodidina anay.

11 Efa miomana ho avy haka ny manda ialofanay izy ireo izao ary i Timoteono filohan’ny tafiny.

12 Ka avia hanafaka anay amin’ny tanan’izy ireo, fa efa nahafatesana maro be sahady izahay.

13 Ireo rahalahinay nonina teo amin’ny tanin’i Tobadia voavono avokoa; nentin’ny fahavalo ho babo ny vady aman-janany, lasany ny fananany, efa ho 1.000 lahy no matiny tao.»

14 Mbola vakina eo ny taratasin’izy ireo, no nisy iraka hafa, rovi-pitafiana koa, tonga avy any Galilea, nitondra izao vaovao izao:

15 «Nitambatra handringana anay ny olona avy any Ptôlemaisa, Tira, Sidona, ary avy any Galilean’ny hafa firenena manontolo.»

16 Nony nandre izany teny izany i Jodasy sy ny vahoaka, dia nisy fivoriana lehibe, handinihana izay tokony hataony ho an’ireo rahalahiny tra-pahoriana sy asian’izany fahavalo izany.

17 Hoy i Jodasy tamin’i Simôna rahalahiny: «Mifidiana miaramila ka mandehana manafaka ny rahalahinao any Galilea, fa izaho sy i Jônatasy rahalahiko kosa, ho any Galaada.»

18 Dia i Josefa zanak’i Zakaria sy i Azariasa samy mpifehy vahoaka no navelany teo Jodea miaraka amin’ny miaramila sisa hiambina,

19 sy nomeny didy hoe: «Entonareo ity vahoaka ity, nefa aza mandrafitra ady amin’ny firenena mandra-piverinay.»

20 Telo arivo lahy no notendrena hiaraka amin’i Simôna ho any Galilea, ary 8.000 kosa no hiaraka amin’i Jodasy ho any Galaada.

Famelezana an’i Galilea sy i Galaada

21 Koa nankany Galilea i Simôna dia niady imbetsaka tamin’ny firenena, resy teo anoloany ny firenena,

22 ka nenjehiny hatrany amin’ny vavahadin’i Ptôlemaisa. Sahabo ho 3.000 lahy no maty tamin’ny firenena, sady nentiny ny babo tamin’ireo.

23 Nangoniny avokoa ny Jody tany Galilea sy Arbatà, mbamin’ny vady aman-janany sy izay rehetra nananany dia nentiny ho any Jodea tamin-kafaliana lehibe.

24 Ry i Jodasy Makabeo sy i Jônatasa rahalahiny kosa nita an’i Jordany dia nandroso lalan-kateloana tany anaty efitra.

25 Nifanojo tamin’ny Nabateanaizy ireo, ka noraisin’ireo tamim-pihavanana sy nitantarany ny manjò an’ireo rahalahiny any Galaada hoe:

26 «Maro amin’izy ireo no voatana mihiboka ao Bôsorà, Bôsòra, Alimà, Kasfôra, Makedà ary Karnaima, tanàna lehibe samy mimanda;

27 misy koa mihiboka amin’ny tanàna hafa any Galaada. Ny fahavalony dia efa mioman-kananika ireo manda ireo rahampitso sy hahazo azy ary handringana azy rehetra ireo amin’ny indray andro monja.»

28 Dia niova lalana i Jodasy; ny lalana mankany anaty efitra no nomban’izy sy ny tafiny; ka niseho tampoka teo anoloan’i Bôsôra izy: nalainy ny tanàna, novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra avokoa ny lahy tamin’ny mponina, nentiny daholo ny babo avy aminy, ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

29 Niala teo tamin’ny alina izy, ka nandroso hatrany amin’ny mandan’i Datemàna.

30 Nony maraina, nanopy ny masony izy ireo, ka nahatazana vahoaka tsy tambo isaina nitondra tohatra sy fitaovana hoenti-manafaka ny manda, ary niady tamin’ny Jody.

31 Rehefa hitan’i Jodasy fa efa rafitra ny ady, ary efa niakatra hatrany an-danitra ny akoran’ny mponina niaraka tamin’ny feon-trômpetra, mbamin’ny horakoraka be,

32 dia hoy izy tamin’ny miaramilan’ny tafiny: «Miadia anio ho an’ny rahalahinareo!»

33 Dia nandroso, nizara telo toko, teo ivohon’ny fahavalo izy, dia nampaneno ny trômpetra, sady nivavaka nanao antso mafy.

34 Vantany vao fantatry ny tafik’i Timoteo fa i Makabeo izay, dia rifatra nandositra teo anoloany izy ireo, ka nataony nisy ra mandriaka sy resy mihitsy; sahabo ho 8.000 no lehilahy maty tamin’izy ireo androtr’izay.

35 Avy ao i Jodasy, dia nihodina nankany Masfà; nasiany io dia azony, ka novonoiny ny lahy rehetra tamin’ny mponina, nentiny ny babo taminy, ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

36 Nandroso nandroso ihany izy, ka azony avokoa i Kasfôna, i Makedà, i Bôsôra, mbamin’ny tanàna hafa any Galaaditida.

37 Taorian’izany, namory tafika hafa indray i Timoteo, dia lasa nitoby teo an-tandrifin’i Rafôna, an-dafin’ny mason-driaka.

38 Naniraka hizaha io tafika io i Jodasy ka izao no filazana natao taminy: «Nitambatra tamin’ny miaramilan’i Timoteo avokoa ny firenena manodidina antsika, ka tonga tafika iray lehibe dia lehibe izy.

39 Nosisihiny vola hanampy azy koa ny Arabo sasany, naoriny erỳ an-dafin’ny riaka ny tobiny, ary efa vonona ny hiady aminao izy izao». Dia nandroso hitsena azy ireo i Jodasy.

40 Ary hoy i Timoteo tamin’ireo lehiben’ny tafiny: «Rehefa tonga eo amin’ny rano mandeha i Jodasy mbamin’ny miaramilany, raha mita izy handroso voalohany ho etỳ amintsika, tsy hahatohitra azy ianareo, fa ho resiny mihitsy isika.

41 Fa raha matahotra ny hita kosa izy, miorin-toby eny an-dafin’ny ony, mità ho eny aminy, fa handresy azy isika.»

42 Nony mby teo amin’ny rano mandeha i Jodasy, nasainy niato teo amoron-drano ny mpanoratry ny tafika, ka nomeny didy hoe: «Aza avela hisy mijanona, fa aoka handroso ho eny amin’ny ady avokoa ny olona.»

43 Dia nandroso nanatona ny fahavalo izy ka nita voalohany, narahin’ny vahoaka rehetra. Torotoro teo anoloany avokoa ny Jentily; narian’izy ireo ny fiadiany rehetra, dia nandositra tao amin’ny tempoly ao Karnaimaizy.

44 Fa azon’ny Jody ny tanàna, ka nodorany ny tempoly mbamin’izay rehetra tao aminy, dia voaetry i Karnaima, ary tsy nahaleo an’i Jodasy intsony ny fahavalo.

45 Nangonin’i Jodasy tamin’izay ny Israelita rehetra tany Galaada, hatramin’ny kely indrindra, ka hatramin’ny lehibe indrindra, mbamin’ny vady aman-janany sy ny ananany, izay zavon-tany, hoentiny ho any amin’ny tanin’i Jodà.

46 Dia tonga teo Efrôna, tanàna lehibe manapaka ny vavalalana ho amin’ny tany, sy voamanda mafy; ary tsy nisy azo iviliana na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, fa tsy maintsy mamaky eo afovoany.

47 Nihiboka tao ny mponina, sady notampenany vato ny vavahady. Nandefa tenim-pihavanana tamin’izy ireo i Jodasy nanao hoe:

48 «Aoka mba hahazo mamaky ny taninareo izahay hankanesanay any amin’ny taninay; tsy hisy olona hahatonga faty antoka ho anareo; fa tsy misy angatahinay afa-tsy ny handalo fotsiny ihany.» Tsy nety namoha azy anefa izy ireo.

49 Ka nasain’i Jodasy nilazana ny miaramila, mba samy haka toerana amin’izay nisy azy avy.

50 Dia samy naka toerana ny lehilahy mpiantafika; ka nananika ny tanàna mandritra ny andro sy mandritra ny alina, dia natolotra teo an-tanany ny tanàna.

51 Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny lahy rehetra, noravany tsy nasiany niangana ny tanàna, nentiny ny babo teo aminy, ary faty no nodiaviny namaky azy.

52 Raha efa izany, nita an’i Jordany ny Jody, dia tonga teo amin’ny tany lemaka lehibe, tandrifin’i Betsàna.

53 Nijanona tany amin’ny vodilalana i Jodasy nampandroso ny mpitaredretra hahatratra ny namany, namporisika ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny, mandra-pahatongany any amin’ny tanin’i Jodà.

54 Dia niakatra tao an-tendrombohitra Siôna, tamim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo, sy nanatitra sorona dorana, fa tonga soa aman-tsara, tsy nisy maty na dia iray aza, tamin’izy rehetra.

Fahavoazana tao Jamnià

55 Raha mbola tany amin’ny tany Galaada i Jodasy mbamin’i Jônatasa rahalahiny, ary tany Galilea anoloan’i Ptôlemaisa koa i Simôna rahalahiny,

56 dia ren’i Josefa zanak’i Zakaria, sy i Azariasa, samy lohan’ny tafika, ny herim-po lehibe nafitsok’izy ireo sy ny ady nataony.

57 Ka nifampilaza izy hoe: «Ndao koa isika mba hampaneho laza ny anarantsika, ka andeha hiady amin’ireo firenena manodidina antsika.»

58 Dia nomeny didy ny miaramila amin’ny tafiny, ka nandroso hamely an’i Jamnià izy ireo.

59 Ary nivoaka ny tanàna i Gôrjiasa mbamin’ny miaramilany, ka nandroso hitsena azyhiadiany aminy.

60 Resy i Josefa sy i Azariasa, ka nenjehina hatreo amin’ny sisin-tanin’i Jodea, nahafatesana 2.000 lahy ny vahoakan’i Israely, tamin’izay andro izay. Ny vahoakan’i Israely no voan’izany faharesena lehibe izany.

61 dia noho izy tsy nihaino an’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, fa nataony ho fanehoan-kerim-po izany.

62 Kanefa izy ireo tsy mba isan-taranak’ireo olonaizay nametrahana ny famonjena an’i Israely.

Fahombiazana tany Idomea sy Filistia

63 I Jodasy mahery fo, mbamin’ireo rahalahiny, nahazo voninahitra lehibe, teo anatrehan’i Israely rehetra sy ny firenena rehetra, izay nanonona ny anarany.

64 Nivory nanodidina azy ny olona hiarahaba azy.

65 Nanaraka izany, niainga indray i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny, hiady amin’ny taranak’i Esao, eo amin’ny tany atsimo; azony i Hebrôna mbamin’ny tanàna momba azy, noravany ny mandany, nodorany ny tilikambo teo amin’ny manda manodidina azy.

66 Nony avy nangorona ny lainy izy dia nankany amin’ny tanin’ny Filistinina sy namaky an’i Marezà.

67 Tamin’izany andro izany nisy mpisorona maro, maty an’ady fa te-hanampatra ny herim-po fotsiny, ka mba nisosoka niady, tsy amim-pahamalinana, koa.

68 Raha efa izany, nizotra ho any Azota tamin’ny Filistinina i Jodasy, noravany ny ôtelin’ireny, nodorany ny sarin-tsampy voasokitr’ireny, ary nony efa nobaboiny ny tanànany, dia niverina ho amin’ny tanin’i Jodà izy.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 6

Ny nahafatesan’i Antiôkosy Epifana

1 Tamin’izany i Antiôkosy mpanjaka nitety ireo faritany avo. Nony reny fa any Persa any amin’i Elimaida, misy tanàna anankiray malaza amin-karena, be volafotsy sy volamena,

2 manan-tempoly be zava-tsarobidy, misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra, fiadiana navelan’i Aleksandra zanak’i Filipo, mpanjakan’i Masedoanina, ilay nanjaka voalohany tamin’ny Grika,

3 dia nankany izy, ka nitady haka hamabo ny tanàna; kanjo tsy nahomby izy, fa fantatr’ireo tompon-tanàna ny fikasany.

4 Nitsangan-kiady aminy ireo, dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin’alahelo lehibe, hiverina ho any Babilôna.

5 Tamin’izay nisy iraka tonga tany Persa nilaza taminy ny faharesen’ireo miaramila niditra tamin’ny tanin’i Jodà,

6 fa hoe: «Nony nandroso nitondra tafika lehibe dia lehibe i Lisiasy, dia voatery handositra teo anoloan’ny Jody, ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin’ny fiadiana mbamin’ny miaramila sy ny babo azony tamin’ny tafika resy;

7 noravany ny fahavetavetana natsanganateo ambonin’ny ôtely, tany Jerosalema, nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly; toy izany koa no nataony tany Betsora, anankiray amin’ny tanànany.»

8 Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka, dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany, ka nidaboka teo amin’ny fandriany, sy nandraiki-nararin’alahelo, fa tsy tanteraka ny faniriany.

9 Andro maro izy teo ihany, ary nihonaka lava tamin’ny fahorian-tsainy lalina. Nony nataony fa efa antomotra ny fahafatesany, dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe:

10 «Ny torimaso nandao ny masoko, ary ny alahelo mandreraka ny foko,

11 ka hoy aho anakampo: Alahelo lehibe manao ahoana ity mahazo ahy, ary hantsan-dàlina manao ahoana ity nilatsahako izao? Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin’ny fanjakako teo iny!

12 Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao, ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony, ny mponina rehetra tany Jodea.

13 Koa fantaro fa noho izany no niharan’izao loza izao amiko, ary indro aho ho faty amin’alahelo lehibe, atỳ an-tanin’olon-kafa.»

Ny naha mpanjaka an’i Antiôkosy faha-5

14 Dia niantso an’i Filipo, anankiray amin’ireo sakaizany izy, ka nanendry azy hitondra ny fanjakany manontolo.

15 Nomeny azy ny satroboninahiny, ny akanjony, ny fitomboka, nasainy nampianatra an’i Antiôkosy zanany sy hanabe azy hitondra ny fanjakana.

16 Dia maty teo amin’izany toerana izany i Antiôkosy mpanjaka, tamin’ny taona faha-149.

17 Rehefa nandre ny nahafatesan’ny mpanjaka i Lisiasy, dia natsangany hanjaka handimby azy i Antiôkosy zanany, izay notezainy hatramin’ny fahazazany sy nomeny anarana hoe Eopatôra.

Ny nanaovan’i Jodasy Makabeo fahirano an’i Jerosalema

18 Ny miaramila tao amin’ny manda dia namahy an’i Israely tao amin’ny manodidina ny fitoerana masina, nataony lalandava izay hahasosotra azy ary nitsangan-ko tohan’ny firenena.

19 Tapa-kevitra ny handrava azy i Jodasy ka namory ny vahoaka rehetra hanao fahirano azy.

20 Dia nivory izy rehetra, nanao fahirano azy, tamin’ny taona faha-150, ary nanorina tilikambo fanipazam-bato sy milina hamelezana azy, izy ireo.

21 Afa-nandositra anefa ny sasany tamin’izay nafahy rano, sady nisy Israelita maromaro mankahala ny fivavahanakoa, nikambana tamin’izy ireo.

22 Ka nandeha nankany amin’ny mpanjaka, nilaza taminy hoe: «Miandry mandra-pahoviana ianao vao hanome rariny anay, sy hamaly ny ratsy natao tamin’ny rahalahinay?

23 Nilatsaka an-tsitrapo tamin’ny fanompoana an-drainao izahay, nanefa izay nolazainy sy nanatanteraka ny didiny izahay.

24 Noho izany dia tonga fahavalonay ny zanaky ny vahoakanay; izay rehetra aminay tafalatsaka eo an-tanany dia voavono avokoa, ny lovanay norobainy.

25 Ary tsy taminay ihany izy no naninji-tanana, fa tamin’ireo tany mifanolotra aminay rehetra koa.

26 Jereo ange: efa mitoby eo anoloan’ny mandan’i Jerosalema izy izao, mba hanafahany azy, ary efa nohamafisiny koa ny tempoly, ary i Betsora koa.

27 Ka raha tsy sakananao faingana mialoha izy, dia handroso eo ihany, ka tsy ho azonao tohaina intsony.»

Famelezan’i Antiôkosy sy i Lisiasy – Ady tao Bety Zakaria

28 Nentin-katezerana ny mpanjaka, nony nandre izany, ka nantsoiny avokoa ny sakaizany, ny mpitari-tafiny, mbamin’ireo mpifehy ny mpitaingin-tsoavaly.

29 Nisy miaramila mpikarama koa, tonga teo aminy, avy amin’ny fanjakana hafa sy amin’ny nosin-dranomasina.

30 Izao no isan’ny tafiny: miaramila an-tongotra 100.000, an-tsoavaly 20.000, ary elefanta zatra ady 32.

31 Nandroso nihazo any Idomea izy ireo, dia niorin-toby teo anoloan’i Betsora, niady naharitra ela izy, sady nanorina milina fiadiana, fa nivoaka nandoro azy ny Jody naneho herim-po lehibe.

32 Tamin’izay, nialan’i Jodasy ny manda ka lasa izy nitoby tao Bety Zakaria, tandrifin’ny tobin’ny mpanjaka.

33 Nifoha maraina koa ny mpanjaka, nasainy niainga tampoka nihazo ny lalana mankany Bety Zakaria ny tafiny, ka dia nivonon-kamely sy nampaneno trômpetra ny miaramila.

34 Norosoany ranom-boaloboka amam-boaroihazo, teo imasony ny elefanta, mba hamporisika azy hiady.

35 Nozarainy hatao anelanelan’ny isan-tokony avy ireo biby ireo, ka isan’elefanta dia notronin’ny miaramila 1.000 miakanjo fiarovan-tratra, makarakara vy, misatroka satroka varahina, ary mpitaingin-tsoavaly 500 voafantina, nilahatra teo anilany.

36 Ireo an-tsoavaly ireo dia raikitra ho eo amin’izay misy ity biby mandrakariva, izay alehan’io no alehan’ireo koa, fa tsy misaraka aminy na oviana na oviana ireo.

37 Eo ambonin’ny isan’elefanta, nisy tilikambo hazo mafy, ho fiarovana azy. Mifatotra manodidina ny tenany, amin’ny anjan-koditra, ka mpiady roa amby telopolo lahy, miady ao amin’io tilikambo io, no entin’ny elefanta iray, afa-tsy ny mpiandry azy.

38 Ny mpitaingin-tsoavaly sisa, dia nalahatr’izy ireo, ho eo an-daniny roa, amin’ny tafika, mba hanahirana ny fahavalo sy hiaro ny antoko-miaramilany.

39 Nony mitaratra amin’ny ampinga volamena sy varahina ny tanamasoandro, dia mamirapiratra ny tendrombohitra tarafin’ireo kosa, ka manjopiaka hoatra ny fanilo afo.

40 Ny laniny iray amin’ny tafiky ny mpanjaka nivelatra teo amin’ny tendrombohitra avo, ny laniny iray kosa teo amin’ny lohasaha, ary nandroso tamim-pandeha matotra sy milahatra tsara izy ireo.

41 Nivadi-po avokoa ny olona tamin’ny akoralavan’izany vahoaka izany, sy ny firodorodon’ny diany, ary ny fikitrakitran’ny fiadiany. Fa tena tafika maro indrindra sy mahery tokoa izany.

42 Dia nandroso nitondra ny tafiny hiady i Jodasy, ka 600 lahy no nitsingidina tamin’ny tafiky ny mpanjaka.

43 Ary i Eleazara, natao hoe koa i Abarôna, nahatazana iray tamin’ireo elefantan’andriana, sady avo mihoatra noho ny namany.

44 Noheveriny fa tao ny mpanjaka, ka nahafoy ny ainy izy hamonjy ny fireneny, sy hamelon-tantara tsy maty ny anarany mandrakizay.

45 Niezaka an-kasahiana nanatona an’io izy, namaky ny antoko-miaramila, namono ny teo ankavanany sy teo ankaviany; ka nisava nankeo an-daniny roa teo anoloany ny fahavalo.

46 Dia nitsorofoka tao ambanin’ny elefanta izy, dia notrobarany io ka matiny, fa nidaraboka tamin’ny tany teo amboniny kosa ny elefanta, ka maty teo i Eleazara.

47 Nahita ny herin’ny fanjakana sy izato fimamamàman’ny miaramila anefa ny Jody, ka nihataka teo anoloany.

Ny nahazoana an’i Betsora sy nanaovan’ny Sirianina fahirano an’i Siôna

48 Niakatra ho ao Jerosalema tamin’izay ny miaramila tamin’ny tafiky ny mpanjaka, hitsena ny Jody: dia niorin-toby hamely an’i Jodea sy ny tendrombohitra Siônany mpanjaka.

49 Nanaovany fanekem-pihavanana ny tao Betsora dia nivoaka ny tanàna izy ireo, fa efa tsy nisy hanina hoenti-mihiboka ho azy ireo ao an-tanàna, satria taona fampitsaharana ny tanytamin’izay.

50 Izany no nahazoan’ny mpanjaka an’i Betsora sy nametrahany miaramila hiambina azy.

51 Niorin-toby teo anoloan’ny fitoerana masina izy, naharitra andro maro, ka nanangana tilikambo fandefasam-bato, milina fiadiana, milina fandefasan-java-maranitra mirehitra mbamin’ny vato, maingoka fandefasan-jana-tsipìka, ary antsamotady.

52 Ireo nafahy rano koa nanao milina hanoherana ny an’ireto namahy rano, ka nampaharitra ela ny nanoherany azy.

53 Nefa tsy nisy hanina tao amin’ny magazày, satria taona faha-7 ny tamin’izay, ary ny sisa napetraka hotahirizina, lanin’ny Israelita izay nandositra tany Jodea, teo anoloan’ny firenena.

54 Ka Jody vitsy foana sisa tafajanona tao amin’ny fitoerana masina, fa nihahaka samy nody any aminy avy izy, satria nandroso nandroso teo ihany ny hanoanana.

Ny namelan’ny mpanjaka ny Jody hanaraka ny fivavahany

55 Tamin’izany i Filipo, ilay notendren’i Antiôkosy mpanjaka, fony izy mbola velona, hanabe sy hampanjaka an’i Antiôkosy zanany,

56 no tonga avy any Persa sy Media, nomban’ny miaramila nanaraka ny mpanjaka, ka nitady handray ny raharaham-panjakana ho eo an-tanany.

57 Nony nahare izany vaovao izany i Lisiasa dia tsy nisy nahadòdoka azy intsony afa-tsy ny hiala eo ihany. Hoy izy tamin’ny mpanjaka sy ny lehiben’ny tafika ary ny miaramila: «Isika ity mihena an-toerana isan’andro, ny hanina kely sisa ananantsika, ny toerana ataontsika fahirano voamanda, kanefa ny raharaham-panjakana izao tokony horaharahaintsika.

58 Koa ankehitriny, ndao hifandray tanana amin’ireo olona ireo, manaova fanekem-pihavanana aminy sy amin’izy rehetra iray firenena;

59 ekeo ny hahazoany manao toe-piainana araka ny lalàny toy ny taloha, fa noho ny amin’ireo lalàna ireo, izay notadiavintsika hofoanana ihany, no nahatezitra azy sy nahavitany izao zavatra rehetra izao.»

60 Sitraky ny mpanjaka sy ny mpifehy izany teny izany, ka naniraka olona hanao raharaham-pihavanana amin’izy ireo izy, ary nanaiky izany izy.

61 Nankatoavin’ny mpanjaka sy ny mpifehy tamim-pianianana ny fanekena, ka dia nivoaka ny manda ireo natao fahirano.

62 Kanjo nony tafiditra tao an-tendrombohitra Siôna ny Mpanjaka, ka nahita izato manda, dia nivadìhany ny fianianana nataony, ka nanome didy handrava ny manda manodidina izy.

63 Izay izy dia niainga maika dia maika hiverina ho any Antiôkia, izay nahitany an’i Filipo, efa tonga tompon’ny tanàna, ka niady taminy izy, dia azony ny tanàna.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 7

Tonga mpanjaka i Demetriosa voalohany, ary naniraka an’i Bakidesa sy i Alsima tany Jodea

1 Tamin’ny taona faha-151, nitsoaka avy ao an-tanànan’i Rôma i Demetriosazanak’i Seleokosa, ka teo amin’ny tanàna anankiray amoron-dranomasina no nitodiany nomban’olona vitsivitsy, ary teo izy naka ny anarana hoe mpanjaka.

2 Vao tafiditra teo amin’ny fanjakan’ny razany izy, dia nosamborin’ny miaramila i Antiôkosy sy i Lisiasy, hoentiny mankany aminy.

3 Nony nampandrenesina izany izy, dia hoy izy: «Aza atao mahita tava an’ireo aho.»

4 Ka dia novonoin’ny miaramila ireo, ary i Demetriosa nipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

5 Tamin’izany, nirohotra nankao aminy avokoa ny olona tsy marina sy mpankahala ny fivavahana tamin’i Israely, notarihin’i Alsima, izay naniry ho mpisorona lehibe.

6 Nampangain’izy ireo tamin’ny mpanjaka ny vahoaka, nataony hoe: «Novonoin’i Jodasy sy ireo rahalahiny ny sakaizanao, ary noroahiny tamin’ny taninay izahay.

7 Koa ankehitriny, maniraha izay olona mahatoky anao, handeha hizaha ny fanimbana rehetra nataony taminay, sy tamin’ny faritanin’ny mpanjaka, ary hamay ny meloka mbamin’izay rehetra manampy azy.»

8 Dia nofidin’ny mpanjaka tamin’ireo sakaizany i Bakidesa governoran’ny tany any an-dafin’ny ony, lehilahy ambony indrindra teo amin’ny fanjakana, sy niraiki-po amin’ny mpanjaka; ka io no nirahiny miaraka amin’i Alsima, mpankahala ny fivavahana,

9 izay nomeny toky hahazo ny laharam-pisoronana ambony indrindra, sy nodidiany hamaly ny ratsy nataon’ny zanak’i Israely.

10 Nony nandeha izy ireo, ka tonga tany amin’ny tanin’i Jodà nitondra tafika lehibe, dia nandefa iraka nitondra tenim-pihavanana ho any amin’i Jodasy mbamin’ireo rahalahiny hamitahana azy.

11 Saingy tsy nohenoin’izy ireto ny teniny noho izy tonga nomban-tafika lehibe.

12 Nanatona an’i Alsima sy i Bakidesa anefa, ny antoko-mpampiana-dalàna anankiray

13 mba hitady izay rariny, ary ny Asideanina izay lohalaharana teo amin’ny zanak’i Israely koa, nila fihavanana tamin’izy ireo; fa hoy izy:

14 «Mpisorona taranak’i Aarôna no miaraka amin’ny tafika ka tsy mety hanisy ratsy antsika io.»

15 Dia nanao tenim-pihavanana tamin’izy ireo tokoa io, sady nianiana izy hoe: «Tsy mihevitra akory ny hanisy ratsy anareo na ny sakaizanareo izahay.»

16 Ka natoky izany izy ireo, kanjo nasain’io nosamborina ny 60 tamin’izy ireo, ka nasainy novonoina tamin’ny indray andro ihany, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:

17 «Nanely ny nofo sy nandatsaka ny ran’ireomasinao manodidina an’i Jerosalema izy ireo, ary tsy nisy olona handevina an’ireny akory.»

18 Koa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka rehetra, fa tsy misy intsony izay rariny sy hitsiny amin’izy ireo, hoy ny olona, satria ny fanekena amam-pianianana nataony, nivadihany.

19 Niala tao Jerosalema i Bakidesa dia nandeha nitoby teo Bezeta, nasainy nosamborina ny maro tamin’ireo niendaka tsy hiandany aminy intsony, mbamin’ny sasantsasany tamin’ny vahoaka, dia novonoiny ary navariny tao amin’ilay lava-drano lehibe ny fatin’izy ireo.

20 Ary napetrak’i Bakidesa tamin’i Alsima ny tany, sady namelany miaramila hiaro azy io, dia niverina ho any amin’ny mpanjaka izy.

21 Nanao izay tratry ny ainy i Alsima hahazo ny fahefam-pisoronana.

22 Nivory teo aminy avokoa ireo mpanabataba ny fireneny, dia nahazo nitana ny tanin’i Jodà, ary nampidi-doza lehibe tamin’i Israely.

23 Nony hitan’i Jodasy ny loza nafitsok’i Alsima sy ireo mpiandany aminy tamin’ny zanak’i Israely, izay mangidy noho izay nataon’ny Jentily aza,

24 dia nitety ny tany Jodea manontolo izy, ka namay ny mpivadika sy nisakana azy tsy hiely any ambanivohitra.

25 Nony hitan’i Alsima fa tonga nahery i Jodasy sy ny namany, ka tsy hahaleo an’ireo izy, dia niverina ho any amin’ny mpanjaka izy, sady niampanga azy ireo ho nanao ratsy lozan-tany.

I Nikanôra tany Jodea – Ady tao Kafarsalamà

26 Dia nirahin’ny mpanjaka i Nikanôra, iray amin’ireo jeneraliny malaza indrindra, sy feno fahasosorana amam-pankahalana an’i Israely, sady nomeny didy handringana ny vahoaka.

27 Nony tonga tany Jerosalema i Nokanôra nitondra tafika, dia nandefa tenim-pihavanana tamin’i Jodasy sy ireo rahalahiny hisaroroany azy.

28 «Aoka re, hoy izy, tsy hisy ady aminareo sy amiko; mba te ho avy aho miaraka amin’olona vitsivitsy hahita tava anareo amim-pihavanana.»

29 Dia tonga teo amin’i Jodasy izy, ka nifampiarahaba, sy naneho fisakaizanateo izy roalahy, kanjo iretsy fahavalo izany, efa vonon-kisambotra an’i Jodasy.

30 Nisy nampandre an’i Jodasy kosa anefa, fa fikendrena hamadika no nankanesan’i Nikanôra teo aminy, ka natahotra izy, sady nihataka tsy nety nihaona taminy intsony.

31 Fantatr’i Nikanôra tamin’izay fa vaky ny tetikadiny, ka rafitra niaraka tamin’izay, teo akaikin’i Kafarsalamà, ny adin’izy sy i Jodasy.

32 Nahafatesana sahabo ho 5.000 lahy ny tafik’i Nikanôra, ary nandositra nankao an-tanànan’i Davida ny sisa.

Ny nanambanana ny Tempoly

33 Taorian’izany, niakatra tao an-tendrombohitra Siôna i Nikanôra, ka nivoaka avy eo amin’ny fitoerana masina ny mpisorona sasantsasany nomban’ny maro tamin’ny loholon’ny vahoaka, hiarahaba azy tamim-pihavanana, sy haneho aminy ny sorona dorana, natolotra ho an’ny mpanjaka.

34 Izy kosa anefa namazivazy sy namingavinga azy, nandoto azy, nanao teny avonavona taminy,

35 ary nanao izao fianianana izao tamin-katezerana: «Raha tsy atolotra ho eo an-tananko miaraka amin’izay i Jodasy sy ny tafiny, dia hodorako ity trano ity, raha vao tafaverina amim-piadanana aho.»

36 Sady nivoaka an-katezerana izaitsizy izy. Ka dia niditra ny mpisorona, nitsangana teo anoloan’ny ôtely sy ny fitoerana masina, nanao tamin-dranomaso hoe:

37 «Ianao, ry Tompo, no nifidy ity trano ity, hametrahanao ny Anaranao, mba ho trano fivavahana amam-pitarainana ho an’ny vahoakanao.

38 Koa valio ny ratsy nataon’iny lehilahy iny, mbamin’ny tafiny; aoka ho lavon-tsabatra izy ireo. Tsarovy ny teny manevateva ny fivavahana nataony, ka aza avela hiaina ireo.»

Andron’i Nikanôra Adasà

39 Niala teo Jerosalema i Nikanôra dia lasa nitoby teo akaikin’i Betsora, ary nisy antoko-miaramila Sirianina iray tonga nitsena azy.

40 I Jodasy kosa nitoby teo akaikin’i Adasà, nomba-miaramila 3.000, dia nivavaka nanao hoe:

41 «Ireo nirahin’ny mpanjakan’ny Asirianina dia nanevateva Anao, ry Tompo, ka tonga ny Anjelinao namono ny 185.000 tamin’izy ireo.

42 Koa aringano torak’izany koa ity tafika eto anatrehanay ity anio, mba hoeken’ny sisa rehetra fa nanao teny manevateva ny fitoerana masina izy, ka tsarao araka ny haratsiam-panahiny.»

43 Dia rafitra ny adin’ireo tafika tamin’ny andro faha-13n’ny volana Adara, ka montsana mihitsy ny miaramilan’i Nikanôra ary ny tenany aza no nitsingidina voalohany teo amin’ny ady.

44 Rehefa nahita an’i Nikanôra nitsingidina ny miaramila, nariany ny fitafiany, dia vaky nandositra izy.

45 Nenjehin’ny Jody lalana indray andro izy ireo hatrany Adasà ka hatrany akaikin’i Gazàra, ary nampitatatata ny trômpetra avy ato aoriana.

46 Ny olona avy amin’ny tanàna manodidina rehetra tany Jodea nivoaka nanarona ny Sirianina, dia niverina nifanehatra izy samy izy, ka lavon-tsabatra avokoa tsy nisy afa-nandositra na dia iray aza.

47 Nendahan’ireo, ireto resy, nobaboiny izay nananany, ny lohan’i Nikanôra notapahiny mbamin’ny tanany havanana, izay nahinjiny tamim-pireharehana, ka nentiny sy nahantony nanatrika an’i Jerosalema.

48 Feno hafaliana ny vahoaka ary nankalazainy toy ny androm-pifaliana lehibe izany andro izany.

49 Dia naraikitra hankalazaina isan-taona izany andro izany amin’ny faha-13n’ny volana Adara.

50 Ary nandry feizay kelikelyny tanin’i Jodà.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 8

Fiderana ny Rômanina

1 Ary nisy ren’i Jodasy nilaza ny amin’ny Rômanina: «Mahery an’ady izy ireo, hoy ny olona taminy, manisy soa an’izay rehetra mifikitra miandany aminy izy, manao fihavanana amin’izay rehetra manatona azy izy, ary mahery an’ady izy.»

2 Notantarain’ny olona taminy ny adiny sy ny herim-po nasehony tamin’ny adiny tamin’ny Galata, izay nampanekeny azy sy tongany mpandoa hetra ho azy,

3 ny nataony rehetra tany amin’ny tany Espania, mba hahazoany ny tany fihadiam-bolamena sy volafotsy hita tany, mbamin’ny nampanekeny izany tany rehetra izany, noho ny fahamalinana amam-paharetany,

4 nefa lavitra dia lavitra azy ireo izany tany izany. Nataony toy izany koa ny mpanjaka avy tany am-para vazantany tonga nanafika azy; dia nandresy azy ireo izy, sy nataony nitondra faisana, ary ny sisa dia mandoa hetra ho azy isan-taona.

5 Resiny an’ady avokoa i Filipo sy i Persea mpanjakan’ny Seteanina mbamin’izay nandray fiadiana hamely azy, ka nampanekeny azy.

6 Resin’izy ireo koa i Antiôkosy Lehibe mpanjakan’i Asia, izay tonga hiady taminy, nitondra elefanta 120, mpitaingin-tsoavaly, kalesy, ary tafika lehibe dia lehibe.

7 Nataony sambo-belona ilay io dia notereny hanao fanekena handoa hetra be dia be ho azy, izy mbamin’ny dimbiny, sady hametraka olona ho antoka, sy hahafoy ny ilany amin’ny fanjakany,

8 dia ny tany India, Media, Lidia, ary ny ilany amin’ireo faritany tsara indrindra; ka nony noraisiny avy aminy ireo, dia natolony ho an’i Eomena mpanjaka.

9 Nanao fikasana hamely sy handrava azy ireo, ry zareo tany Gresy; fa nony nandre izany ny Rômanina,

10 dia naniraka jeneraly iray monja hamely azy, dia niady taminy izy ireo, ka be no matiny; nobaboiny ny vadiny aman-janany, norobainy ny fananany, nampanekeny ny taniny, noravany ny mandany ary nandevoziny mandraka androany ny mponina.

11 Ny fanjakana hafa rehetra, mbamin’ny nosy nanohitra azy, noravany sy nampanekeny avokoa.

12 Fa izay sakaizany sy izay mametraka ny fitokiany aminy kosa, dia itsimbinany fihavanana. Tonga tompon’ny fanjakana eo akaikiny sy any lavitra azy izy, ary matahotra azy avokoa izay mandre ny anarany.

13 Izay rehetra tiany hampiana sy homem-panjakana, dia manjaka; izay tiany halam-pahefana kosa, dia alàny; firenena mahery izy.

14 Na dia izany rehetra izany aza, tsy mba misy misatroka diadema izy, na mitafy jaky hanambony tena foana.

15 Namorona parlemanta izy ireo, ka misy 320 lahy izy, miara-midinika isan’andro mikarakara tsy tapaka izay hahasoa ny vahoaka mba hiadanany.

16 Lehilahy iray no ametrahany ny fahefana isan-taona hanapaka ny taniny rehetra, dia samy manaiky izany lehilahy iray izany izy rehetra, ary tsy mba misy fitsiriritana na fialonana eo amin’izy ireo.

Fifanekem-pihavanan’ny Jody tamin’ny Rômanina

17 Ary i Jodasy nifidy an’i Eopôlema zanak’i Joany, zanak’i Akôsa, sy i Jasôna zanak’i Eleazara, ka naniraka an’ireo ho any Rôma, hanao raharaham-pihavanana amam-pisakaizana amin’izy ireo,

18 ary mba hanafahany azy amin’ny jioga, satria hitany ny fanandevozan’ny fanjakana Grika an’i Israely.

19 Dia lasa nankany Rôma ireo, nandeha lalan-davitra dia lavitra. Nony tafiditra tao amin’ny parlemanta izy, dia nandaha-teny toy izao:

20 «Naniraka anay ho atỳ aminareo i Jodasy Makabeo sy ireo rahalahiny mbamin’ny Jody, hanao fanekem-pihavanana amam-piadanana aminareo ary mba hosoratana ho isan’ireo mpihavana aman-tsakaizanareo izahay.»

21 Noraisina tsara izany fangatahana izany,

22 ka izao no kôpian’ny fanekena nosoratan’ny Rômanina tamin’ny takela-barahina sy nalefany ho any Jerosalema hapetraka any, ho tsangam-baton’ny fanekena amam-pihavanana:

23 Hoambinina mandrakizay anie ny Rômanina sy ny firenena Jody, na ambony ranomasina na an-tanety! Ho lavitra azy anie ny sabatra amam-pahavalo!

24 Raha manana ady aloha ny Rômanina na ny iray amin’ireo mpihavana aminy, ao anatin’izao fanjakany manontolo izao,

25 dia hanampy azy amim-jotom-po tokoa, araka izay azony atao amin’izany fotoana izany ny firenena Jody.

26 Ka izay miady amin’izany, tsy homeny na hamononany vary, na fiadiana na vola, na sambo. Izany no sitrapon’ny Rômanina; ary hotanterahin’ny Jody ny zavatra nekeny, nefa tsy handray na inona na inona izy.

27 Torak’izany koa, raha manana ady aloha ny firenena Jody, dia hiara-miady aminy, amin’ny fony tokoa, araka izay azony atao amin’izany fotoana izany ny Rômanina;

28 ka ny miaramila mpanampy tsy hiantoham-bary na fiadiana, na vola, na sambo. Izany no sitrapon’i Rôma ka izay nekeny dia hotanterahiny tsy misy fitaka.

29 Izany no zavatra tapaka natao tao amin’ny faneken’ny Rômanina sy ny firenena Jody.

30 Any aoriana, raha misy te-hanampy na hanala amin’izany izy roa tonta, dia azony atao araka izay tiany izany, ka tsy maintsy tòvina izay nanampy na nalana.

31 Ary intyny amin’ny fampahoriana nataon’i Demetriosa mpanjaka azy ireo, dia efa nanoratra ho any amin’io izahay, nanao hoe: «Nahoana no vesaranao jioga ny Jody, sakaizanay sy mpihavana aminay?

32 Koa raha mbola ampangain’izy ireo aminay indray ianareo, dia hanohana ny rariny ananany sy hiady aminao ambony ranomasina sy an-tanety izahay.»

Categories
1Makabeo

1Makabeo 9

Ady tao Berea sy ny nahafatesan’i Jodasy Makabeo

1 Nony ren’i Demetriosa fa resy tamin’ny ady i Nikanôra sy ny tafiny dia nalefany ho any Jodea indray i Bakidesa sy i Alsima, nitondra ny vazan-tafika havanana.

2 Ny lalana mankany Galgalà no nombany dia niorin-toby tao Malsalôta, izay any amin’ny faritanin’i Arbela izy ireo; azony io tanàna io ary namonoany maro be ny mponina.

3 Tamin’ny volana voalohany, taona faha-152, dia nalahany teo anoloan’i Jerosalema ny miaramilany.

4 Raha efa izany dia nangoron-day izy, dia nankany Berea, nitondra miaramila 20.000 sy mpitaingin-tsoavaly 2.000.

5 I Jodasy kosa niorin-toby tao Eleasà, omba-miaramila voafantina 3.000.

6 Raiki-tahotra mafy izy ireo, nony nahita ireto fahavalo maro be, ka maro no nitsoaka mangingìna niala teo an-toby; 800 lahy sisa tafajanona.

7 Hitan’i Jodasy fa nitsoaka ny miaramilany, ary ny ady efa antomotra, torotoron’ny alahelo ny fony, fa ny fotoana hamoriana ny momba azy tsy misy, ka tsaroany reraka ny tenany.

8 Kanefa izao no nolazainy tamin’ireto sisa tafajanona teo aminy: «Andeha handroso hamely ny fahavalontsika, raha mbola afaka hiady aminy koa isika.»

9 Notohain’izy ireo tsy hanao izany anefa izy, nataony hoe: «Tsy leontsika ka ndeha aloha hanavotra aina sy hiverina ho any amin’ireo rahalahintsika, vao ho avy indray hiady amin’ny fahavalontsika isika.»

10 Fa hoy i Jodasy tamin’izy ireo: «Sanatria ahy izay hanao izany, ka hiamboho handositra! Raha tonga ny fotoana anjarantsika, aoka ho faty amin-kerim-po isika, ho an’ny rahalahintsika, ary aza asiana pentina ny voninahitsika.»

11 Dia nivoaka ny toby ny tafiky ny Sirianina hitsena azy ireo: nizara roa toko ny an-tsoavaly, ny mpandefa antsamotady sy mpandefa tsipìka teo aloha, ny mahery indrindra no loha laharana;

12 I Bakidesa teo amin’ny vazan-tafika havanana, ary nandroso tamin’ny feon-trômpetra teo an-daniny avy, ny antokony.

13 Ry i Jodasy koa, tatsy an-daniny, nampaneno trômpetra, ka nihorohoro ny tany, azon’ny firohondrohon’ny tafika roa tonta, dia rafitra ny ady, ka naharitra hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva.

14 Nony hitan’i Jodasy fa teo amin’ny vazan-tafika havanana i Bakidesa sy ny miaramila mahay indrindra, dia novoriny hanodidina azy ny miaramila mahery fo rehetra,

15 ka noreseny ny vazan-tafika havanan’ny Sirianina, dia notanahiny hatrany an-tendrombohitra Azota.

16 Kanjo hitan’ireo vazan-tafika havia fa resy ny vazan-tafika havanana, ka nifontenany narahiny avy ato aoriana i Jodasy sy ny namany.

17 Nihanangotraka ny ady, ka samy be maty, izy roa tonta.

18 Maty koa i Jodasy dia vaky nandositra ireo namany.

Ny nandevenana an’i Jodasy Makabeo

19 Dia nentin’i Jônatasy sy i Simôna, i Jodasy rahalahin’izy ireo, ka nalevina tao amin’ny fasan-drazany ao Modìna.

20 Nitomanian’i Israely rehetra izy sy nigogogogoany mafy ary naharitra andro maro no nisaonany azy,

21 sy nanaovany hoe: «Ahoana re no dia nahafaty an’ilay mahery, an’ilay nanafaka an’i Israely!»

22 Ny tantaran’i Jodasy sisa, sy ny adiny hafa, sy ny herim-po hafa nasehony ary ny antom-boninahiny, dia tsy voasoratra, satria maro loatra.

I JONATASA TONGA FILOHAN’NY JODY SY MPISOROM-BE (160-142 talohan’i Jesoa Kristy)

Ny nandresen’ny antoko grika – I Jônatasy tonga filohan’ny mpanohitra

23 Nony efa maty i Jodasy, dia nitrangatranga eran’ny tanin’i Israely manontolo ny mpankahala ny fivavahana ary niarin-doha ny mpanao ny tsy marina rehetra.

24 Nisy mosary lehibe tamin’izany andro izany, ka nivadika tamin’izy ireo mbamin’ny tany aza.

25 Ny olona mpankahala ny fivavahana no nofidin’i Bakidesa sy notendreny hitondra ny tany.

26 Nokarohin’ireo ny sakaizan’i Jodasy ka nony mahita izy, entiny any amin’i Bakidesa, dia faizin’io sy ataony fihomehezana kosa.

27 Ary lalina loatra ny fahoriana nanjò an’i Israely, fa tsy mbola nisy toy izany hatramin’izay andro tsy nisian’ny mpaminanyteo amin’i Israely.

28 Ka nivory izay rehetra sakaizan’i Jodasy nilaza tamin’i Jônatasy hoe:

29 «Hatrizay nahalasanan’i Jodasy rahalahinao izay, tsy misy lehilahy toa azy intsony, nitsangan-kanohitra ny fahavalontsika Bakidesa, mbamin’ireo rehetra mankahala ny firenentsika.

30 Ka dia ianao no fidinay anio ho lehibenay hisolo azy, sy ho komandinay amin’ny adintsika.»

31 Dia noraisin’i Jônatasy ny fanapahana tamin’izany andro izany, ary nitsangana izy nisolo an’i Jodasy rahalahiny.

I Jônatasa tany an’efitra Tekôe – Fotoana nahalatsa-dra betsaka tao Medabà

32 Vao nandre ny nifidianana an’i Jônatasy i Bakidesa dia nitady hamono azy.

33 Nony nandre izany fikasana izany i Jônatasy sy i Simôna rahalahiny, mbamin’izay rehetra nomba azy, dia nandositra tany an’efitr’i Tekôe, sy nitoetra teo akaikin’ny rano amin’ny lava-drano Asfara.

34 Ren’i Bakidesa izany, tamin’ny andro sabata, ka dia niainga izy, mbamin’ny tafiny rehetra, any an-dafin’i Jordany.

35 Nirahin’i Jônatasy i Joany rahalahiny noho izy mpifehy ny vahoaka, ho any amin’ny Nabeteana sakaizany, hiangavy aminy mba havelany hapetraka any aminy ny entany, izay be tokoa.

36 Kanjo nivoaka avy ao Medabà, ny taranak’i Jambrì, ka nisambotra an’i Joany mbamin’ny entana rehetra dia nandeha, nitondra izany babo rehetra izany.

37 Andro vitsivitsy tatỳ aorian’izany, dia nisy tonga nilaza tamin’i Jônatasy sy i Simôna rahalahiny, fa hoe: «Manao fampakaram-bady malaza ny taranak’i Jambrì, ka avy any Nadabata no avoaka amim-boninahitra lehibe razazavavy, izay zanaky ny andriandahy lehibe anankiray, avy any Kanaana.»

38 Tsaroan’izy ireo tamin’izay, i Joany rahalahiny, ka niakatra izy dia nitampify takon’ny tendrombohitra.

39 Nanopy ny masony izy ireo nitsirika, ka injay reny nisy nigorodondròdona be ihany, dia indreny nisy andian’olona maro be, notsenain’ny mpanambady, izay nandroso, otronin’ireo rahalahiny aman-tsakaizany ary nomban’ny feon’amponga tapaka aman-java-maneno, mbamin’ny forongo be dia be.

40 Nahita izany ireto nomba an’i Jônatasy dia niroatra avy ao am-panotrehany, niantoraka tamin’izy ireo hamono azy: maty tamin’ny famelezany ny maro tamin’ireo, nandositra any an-tendrombohitra ny sisa, ary nobaboin’ny Jody izay teny aminy.

41 Ka niova ho fisaonana ny fampakaram-bady, ary ho fidradradradràna, ny feo fifalian’ny mozikany.

42 Nony avy namaly ny namonoana ny rahalahiny i Jônatasy sy i Simôna, dia nihataka ho any amin’ny henihenin’i Jordany izy.

Ny nitana an’i Jordany

43 Nilazana izany i Bakidesa ka tonga hatrany amoron’i Jordany tamin’ny andro sabata nitondra tafika lehibe.

44 Dia hoy i Jônatasy tamin’ireo namany: «Mitsangàna ankehitriny, miadia hiaro ny aintsika! Fa tsy tahaka ny omaly sy afak’omaly intsony ity.

45 Indro, fahavalomitam-piadiana avokoa no eo anoloantsika sy eo ivohontsika, ranon’i Jordany sy ala aman-keniheny avokoa no eo anindrantsika manodidina, ka tsy misy azo andosirana.

46 Fa ny lanitra no itarainako, hahafahanareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo.» Dia rafitra ny ady.

47 Naninji-tanana hikapa an’i Bakidesa i Jônatasy fa nihilana nianòtra io, nisoroka an’izany,

48 ka nivikina niroboka an’i Jordany i Jônatasy mbamin’ireo namany, dia nita nilomano, nefa tsy nita nanenjika azy ny Sirianina.

49 Nisy 1.000 lahy no maty ny nomba an’i Bakidesa androtr’izay.

Nanorina tanàna mimanda maro i Bakidesa. Maty i Alsima

Niverina ho any Jerosalema ilay io,

50 dia nanorina tanàna mimanda any Jodea; ny manda eo akaikin’i Jerikô, i Emaosa, i Betôrôna, i Betela, i Tamnatà, i Farà, i Tefona, nasiany manda avo, sy vavahady ary hidiny,

51 dia nametrahany miaramila mpiandry, hiady amin’i Israely.

52 Nohamafisiny ny tanàna Betsora sy Gazàra, ary ny trano mimanda dia nametrahany miaramila sy hanina fitahiry.

53 Nalainy ho antoka ny zanaky ny lohandohany amin’ny tany, dia notanany ho sambo-belona, tao amin’ny trano mimandan’i Jerosalema.

54 Tamin’ny taona faha-153, tamin’ny volana faharoa, nodidian’i Alsima hareza ny rindrin’ny kianja anatinyao amin’ny fitoerana masina, ka nandrava ny asa nataon’ny mpaminanyizy tamin’izay, ary efa nanomboka nanjera sahady.

55 Nokapohin’Andriamanitra i Alsima tamin’izany andro izany ka tsy afa-niteny intsony izy, na dia indraimbava aza, tsy afa-nanome didy ny amin’ny raharaha tao an-tranony akory izy.

56 Dia maty tamim-pijaliana fatratra i Alsima tamin’izany andro izany.

57 Nony nahita ity Alsima maty i Bakidesa dia niverina ho any amin’ny mpanjaka, ka nandry feizay ny tanin’i Jodà, nandritra ny roa taona.

Ny nanafihana an’i Betbasi

58 Tamin’izay nifampidinika ny Jody nivadika rehetra, nanao hoe: «Miadana sy mandry feizay ity ry i Jônatasy sy ny namany, ka ndao hohafarantsika i Bakidesa, fa indray alina monja ireo dia azony avokoa.»

59 Dia lasa tokoa izy ireo nifanaraka tamin’io.

60 Ka niainga i Bakidesa nitondra tafika lehibe, sady nandefa taratasy mangingina izy, ho any amin’ireo rehetra mpiandany aminy any Jodea, mba hisamboran’ireo an’i Jônatasy sy ny namany; kanjo tsy nahavoa ireo, fa fantatr’ireto ny heviny.

61 Ary tamin’ireo mponina amin’ny tany izay lohan’ny teti-dratsy dia 50 lahy no nosamboriny ka novonoiny.

62 Raha efa izany, niainga i Jônatasy sy i Simôna mbamin’ireo nomba azy, nankany Betbasì, any an’efitra; namboariny izay rava tamin’io, dia nasiany manda.

63 Ren’i Bakidesa izany, ka novoriny ny miaramilany rehetra, nantsoiny koa ny momba azy amin’i Jodea,

64 dia tonga niorin-toby teo akaikin’i Betbasì izy, sy nanao fahirano io tanàna io, naharitra andro betsaka, sady nandrafitra milina.

65 Fa navelan’i Jônatasy tao an-tanàna kosa i Simôna rahalahiny, ka nivoaka tany an-tsaha izy, vao niverina nitondra miaramila vitsivitsy.

66 Nasiany tao an-dainy aloha i Odôaresa mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanak’i Faserôna, ary dia nandroso namely ny mpanao fahirano sy niady taminy tamin’ny miaramila be ihany.

67 Ry i Simôna sy ny namany koa, tatsy an-daniny, nivoaka sy nandoro ny milina fiadiana.

68 Nifandafaran’izy ireo i Bakidesa ka nataony vaky nandositra ny tafiny ary fahoriana lalina no nampitondrainy azy, fa maty afo ny hevitra nokendreny sy ny fanafihany.

69 Loza ny hatezerany tamin’ireo Jody izay mpankahala ny fivavahana, nanome hevitra azy ho tonga atỳ amin’ny taniny, ka namonoany maro be izy ireo; dia nanapa-kevitra hody any amin’ny taniny izy.

70 Fantatr’i Jônatasy izany, ka nandefa iraka izy hanao raharaham-pihavanana aminy, sy hifanaraka ny amin’ny hamerenana ny sambo-belona aminy.

71 Noraisin’i Bakidesa izy ireo, nekeny ny hevitra naposany taminy, nifanekeny tamin’i Jônatasy tamim-pianianana ny tsy hanisy ratsy aminy, raha mbola velona koa izy;

72 naveriny taminy ny sambo-belona azony taloha teo amin’ny tanin’iJodà, dia lasa nody any amin’ny taniny izy, ka tsy niverina ho eo amin’ny tanin’i Jodà intsony.

73 Koa nivalona ny sabatra teo amin’i Israely; ary niorim-ponenana tao Makmasai Jônatasy, dia nanomboka nitsara ny vahoakasy nanesotra ny mpankahala ny fivavahana teo amin’i Israely.

Categories
1Makabeo

1Makabeo 10

Ny teti-pihavanana nataon’i Aleksandra Balasa – Ny nanendreny an’i Jônatasy ho mpisorom-be

1 Tamin’ny taona faha-160, niainga hanafika i Aleksandra, ilay zanak’i Antiôkosy, sy natao hoe Epifana, ka nahazo an’i Ptôlemaisa; noraisin’ny mponina izy, dia tonga mpanjaka.

2 Nony ren’i Demetriosa mpanjaka izany, namory tafika lehibe dia lehibe izy, dia nandroso hamely an’io.

3 Niaraka tamin’izany, nandefa taratasy misy tenim-pihavanana i Demetriosa ho any amin’i Jônatasy, sady nampanantena hanandratra azy amin’ny voninahitra.

4 «Manaova fanekem-pihavanana aminy faingana isika, hoy izy, alohan’ny hanaovany amin’i Aleksandra, hanohitra antsika.

5 Fa hotsarovany ny ratsy rehetra nataontsika taminy sy tamin’ny rahalahiny ary tamin’ny fireneny.»

6 Nomeny fahefana izy haka miaramila, hanao fiadiana, hilaza azy ho mpihavana aminy, ary nodidiany haverina aminy ny olona voatana ho antoka tao amin’ny trano mimanda.

7 Nankany Jerosalema niaraka tamin’izay i Jônatasy, namaky ity taratasy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, sy teo anatrehan’izay tao amin’ny trano mimanda.

8 Raiki-tahotra mafy izy ireo, nandre fa hoe: nomen’ny mpanjaka fahefana hamonona tafika i Jônatasy.

9 Natolotr’ireo tao amin’ny trano mimanda an’i Jônatasy ny antoka, dia natolotr’io amin’ny fianakaviany kosa izy ireo.

10 Niorim-ponenana tao Jerosalema i Jônatasy dia nanomboka namboatra sy nanavao ny tanàna.

11 Nandidy ny mpiasa izy handrafitra ny manda indray, sy hanisy vato efa-joro manodidina ny tendrombohitra Siôna hanamafy azy. Notanterahina izany didy izany.

12 Nitsoaka tamin’izay ireo hafa firenena, izay tao amin’ny tanàna mimanda nataon’i Bakidesa,

13 samy nandao ny fonenany avy izy ireo, ka nody any amin’ny taniny avy.

14 Ny sasantsasany foana tamin’ireo nahafoy ny didy aman-dalàna no nijanona tao Betsora, izay tonga fialofany.

15 I Aleksandra mpanjaka kosa, tamin’izany, dia nahare ny zavatra natolotr’i Demetriosa an’i Jônatasy; notantarain’ny olona taminy koa ny ady nataony, ny herim-po nafitsok’izy mbamin’ireo rahalahiny ary ny loza niaretany; ka hoy izy:

16 «Hahita lehilahy toy izany indray va isika? Ka ndeha ataovintsika tonga sakaiza sy mpihavana amintsika izy.»

17 Dia nanoratra taratasy toy izao izy, nalefany ho any aminy:

18 «I Aleksandra mpanjaka, miarahaba an’i Jônatasy rahalahiny.

19 Nahare ny aminao izahay, fa hoe ianao dia lehilahy manam-pahefana sady vonon-kihavana aminay.

20 Noho izany, dia manendry anao izahay anio, ho mpisorona lehibe amin’ny firenena sy manome anao ny anaram-boninahitra hoe sakaizan’ny mpanjaka; – niaraka tamin’izany nampitondra akanjo jaky sy satroboninahitra volamenaho azy izy; – koa aoka hiray hevitra aminay amin’ny raharahanay sy haharitra amin’ny fihavanana aminay.»

21 Dia niakanjo ny fanamiana masina i Jônatasy tamin’ny volana fahafiton’ny taona faha-160, tamin’ny fetin’ny Tabernakla, ary namonona tafika izy, sady nanao fiadiana betsaka.

Taratasin’i Demetriosa voalohany ho an’i Jônatasy

22 Nalahelo mafy i Demetriosa nony nandre izany zavatra izany.

23 Hoy izy: «Naninona ity isika no i Aleksandra indray no nialoha antsika nahazo fihavanana tamin’ny Jody, hanamafìsany ny fahefany?

24 Izaho koa mba handefa teny hitaona azy, sy hanolotra voninahitra ambony amam-panomezana ho azy, mba ho tonga mpanampy ahy izy.»

25 Dia nandefa taratasy toy izao ho any aminy izy: «I Demetriosa mpanjaka miarahaba ny firenena Jody.

26 Notananareo tsara ny fanekena natao taminay, tohizinareo ny fihavanana aminay, ary tsy mikambana amin’ny fahavalonay ianareo; nandre izany izahay ka faly noho izany.

27 Ary amin’izao, dia mahareta miraiki-po aminay fa hovalianay soa izay ataonareo ho anay.

28 Homenay fanafahana sy tombon-tsoa betsaka ianareo.

29 Hatramin’izao ankehitriny izao afahako ianareo, ary ny Jody rehetra dia alako tsy handoa hetra na haban-tsiraamam-pehilohafanome ny mpanjaka;

30 ny ampahatelon’ny vokatry ny tany, sy ny antsasaky ny vokatry ny hazo mamoa, izay anjarako, dia afoiko ho anareo, izao mason’andro anio izao; ary amin’izao sisa izao, na amin’ny fotoana inona, na amin’ny fotoana inona, dia tsy mampandoa na inona na inona intsony aho, na amin’ny tanin’i Jodà, na amin’ny faritany teloany Samaria sy Galilea izay voakambana aminy.

31 Tiako ho tanàna masina sy afaka i Jerosalema mbamin’ny faritaniny, ny fahafolon-karenany sy ny zavatra tsy maintsy aloany.

32 Afoiko koa ny fahefako amin’ny trano mimanda ao Jerosalema, ka omeko ny mpisorona lehibe, hametrahany izay olona hofidiny hiambina azy.

33 Ny Jody rehetra nentin-ko babo avy amin’ny tanin’i Jodà ho any amin’ny fanjakako manontolo, dia alefako ho afaka tsy mandoa avotra; sitrako ny hahafoizan’ny olon-drehetra ho azy ny hetra na dia ny amin’ny biby aza.

34 Ny fety lehibe rehetra, ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny andro voatendry, ny hateloana mialoha na manaraka ny fety lehibe, dia ho andro fanafahana amam-pahafahana ho an’ny Jody rehetra eto amin’ny fanjakako.

35 Ka tsy misy mahazo manenjika ny iray amin’izy ireo, na mitory azy amin’ny fitsarana, na inona na inona raharaha.

36 Hisy Jody hatramin’ny 30.000, halatsaka amin’ny tafiky ny mpanjaka, ka homena karama, toraky ny miaramila rehetra karamain’ny mpanjaka. Hapetraka ao amin’ny tanàna mimanda lehibe, an’ny mpanjaka, ny sasany amin’izy ireo;

37 ary maro no horaisina amin’ny raharaham-panjakana ilàna olo-mahatoky; fanampin’izany, izy miaramila iray laharana eo ihany no hangalana ny lehibe hifehy azy, sady samy hanao toe-piainana araka ny lalàny izy, araka ny efa nandidian’ny mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.

38 Ny faritany telo amin’i Samaria nakambana amin’i Jodea dia hakambana sy hisaina ho iray aminy, ka tsy hanaiky fahefana hafa afa-tsy ny an’ny mpisorona lehibe.

39 Ary i Ptôlemaisa mbamin’ny faritaniny dia homekoho an’ny fitoerana masina ao Jerosalema, hiantohana ny lany amin’ny fombam-pivavahana atao ao.

40 Ary izaho koa manome volafotsy 15.000 sikla, isan-taona, alaina amin’ny volam-panjakana amin’izay tanàna mety.

41 Ny ambiny rehetra tsy naloan’ny mpamory sahala amin’ny taona taloha, dia haloany amin’ny ho avy hanaovana ny fanompoana amin’ny tempoly.

42 Fanampin’izany, ny volafotsy 5.000 sikla nesorin’ny lehibe isan-taona tamin’izay nilaina ao amin’ny fitoerana masina, ka nalainy tamin’ny vola voatendry ho azy, dia hafoy ho azy, fa an’ny mpisorona manao ny fanompoana ao izany.

43 Na iza na iza nialoka tao amin’ny fitoerana masina ao Jerosalema na tao anatin’ny mandany manodidina, mbola ananan’ny fanjakana hetra na ananan’olona trosa hafa, dia afaka izy miaraka amin’ny fananany rehetra, eto amin’ny fanjakako.

44 Ny lany amin’ny fanaovana na fanamboarana ny fitoerana masina koa, dia halaina amin’izay miditra ho an’ny mpanjaka.

45 Fanampin’izany, ny lany amin’ny fanaovana ny mandan’i Jerosalema sy fanamafisana ny manodidina azy koa, halaina amin’izay miditra ho an’ny mpanjaka; torak’izany koa ny fananganana ny mandan’i Jodea.»

Nolavin’i Jônatasy ny hihavana amin’i Demetriosa

46 Nony nandre ireo teny ireo i Jônatasy sy ny vahoaka dia tsy nino izany sady tsy nety nanaiky izany; satria tsaroany ny loza lehibe nafitsok’i Demetriosa tamin’i Israely sy ny voina nampiaviany taminy.

47 Ka dia tapa-kevitra izy ireo fa homba an’i Aleksandra, ka ny fanekem-pihavanana avy aminy no tsaratsara kokoa teo imason’izy ireo, ka dia nijanona ho mpikambana aminy mandrakariva izy.

48 Namory tafika lehibe i Aleksandra mpanjaka, ka nandroso hamely an’i Demetriosa.

49 Dia rafitra ny adin’ireto mpanjaka roa lahy, ka vaky nandositra ny tafik’i Demetriosa ka nenjehin’i Aleksandra;

50 fa resiny sady niadiany tamin-kerim-po mandra-pahafatin’ny masoandro, ary maty androtr’izay koa i Demetriosa.

Ny nanambadian’i Aleksandra an’i Kleopatra. I Jônatasy nataony jeneraly sy governoram-paritany

51 Nandefa ambasadaoro ho any amin’i Ptôlemea mpanjakan’i Ejipta i Aleksandra, nohafarany hilaza aminy hoe:

52 «Tafiditra eto amin’ny fanjakako aho, ary tafapetraka amin’ny seza fiandrianan’ny razako; nahazo ny fanjakana indray aho tamin’ny nandreseko an’i Demetriosa, ary mahazo mahazaka ny taninay.

53 Nandrafitra ady taminy aho, dia naharesy azy, izy sy ny tafiny; ka tafasandratra eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

54 Ary ankehitriny aoka hihavana isika; omeo ahy ho vadiko ny zanakavavinao, dia ho vinantonao aho, ary hanome anao sy azy izay fanatitra mendrika anao.»

55 Izao no navalin’i Ptôlemea mpanjaka: «Sambatra ny andro nidiranao ho eo amin’ny tanindrazanao, sy nipetrahanao eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany!

56 Ary ny amin’ny zavatra nosoratanao, dia hotanterahiko!

Ary amin’izao dia hataoko ho anao izay nosoratanao, fa tongava hitsena ahy any Ptôlemaisa, mba hifankahita tava isika, dia hataoko vinantoko ianao, araka ny faniriana voalazanao.»

57 Koa niala tany Ejipta i Ptôlemea sy i Kleopatra zanany vavy, dia nankany Ptôlemaisa tamin’ny taona faha-162.

58 Tonga nitsena azy i Aleksandra mpanjaka, dia nomeny ho vadin’io i Kleopatra zanany vavy, ka tao Ptôlemaisa no natao malaza sy manetriketrika araka ny fanaon’ny mpanjaka ny fampakarana.

59 Nanoratra taratasy tany amin’i Jônatasy koa i Aleksandra mpanjaka, niantso azy hihaona aminy.

60 Dia nankany Ptôlemaisa tamim-boninahitra lehibe i Jônatasy, ka nihaona tamin’ireo mpanjaka roa lahy tao, volafotsy sy volamena ary fanatitra betsaka no natolony azy ireo sy ny tandapany, ka nahazo sitraka tamin’izy ireo.

61 Nikambana hamely azy tamin’izay ny olona ratsy fanahy sasany tamin’i Israely, olona mpankahala fivavahana niampanga azy; fa tsy nohenoin’ny mpanjaka.

62 Vao mainka nasain’ny mpanjaka nesorina aza ny fitafiana teny amin’i Jônatasy, dia nasainy nampiakanjoina jaky izy. Nony tanteraka izany didy izany, dia nasain’ny mpanjaka nipetraka teo anilany izy,

63 ary hoy izy tamin’ireo lehiben’ny tandapany: «Mandehana ianareo mivoaka miaraka aminy, ho ao afovoan’ny tanàna, ka lazao ampahibemaso, fa tsy misy olona mahazo mitsangan-kitaraina hamely azy, na amin’inona na amin’inona, ary tsy misy mahazo manorisory azy akory, na inona na inona fialan-tsiny ataony.»

64 Nony nahita azy nomem-boninahitra ampahibemaso sy nampitafina jaky, ireo mpiampanga azy, dia nitsoaka avokoa izy rehetra.

65 Mbola nampian’ny mpanjaka indray aza izany voninahitra izany, fa nosoratany ho isan’ireo filohany amin’ny sakaizany izy, sady nataony jeneraly sy governoram-paritany.

66 Dia niverina ho any Jerosalema tamim-piadanana amam-piravoravoana i Jônatasy.

I Demetriosa faha-2. I Apôlôniosy governoran’i Sele-Siria resin’i Jônatasy

67 Tamin’ny taona faha-165, tonga tao amin’ny tanindrazany avy any Kreta, i Demetriosa zanak’i Demetriosa.

68 Nankararirary an’i Aleksandra mpanjaka loatra izany vaovao izany, ary niverina ho any Antiôkia izy.

69 I Apôlôniosy governora tao Sele-Siria no nalain’i Demetriosa ho jeneraly ary namory tafika lehibe ilay io, ka tonga nitoby teo akaikin’i Jamnià. Teo izy naniraka tany amin’i Jônatasy, mpisorona lehibe, hilaza hoe:

70 «Ianao dia ianao irery izao no mitsangan-kanohitra anay; ka tonga famazivazy sy fandàtsan’ny olona aho, noho ny aminao. Ahoana no dia ahasahianao manao ny tenanao ho mahaleo tena eo anatrehanay, ao an-tendrombohitra ao?

71 Koa ankehitriny, raha matoky ny herinao tokoa ianao, midìna ho etỳ aminay atỳ amin’ny tany lemaka dia hifanao eo isika, fa momba ahy ny tanàna mafy amin’ny morontsiraka.

72 Fotory ary fantaro ny amiko sy ny amin’ireo manampy ahy, iza aho, iza ireo. Fa milaza izy ireo, fa tsy hahajanona eo anoloanay ianao, satria indroa ny razanao no vaky nandositraany amin’ny tanin’izy ireo.

73 Ary izao, dia tsy ho tantinao akory ny hafitsoky ny mpitaingin-tsoavaliko, sy ny tafika maro dia maro atỳ amin’ny tany lemaka, izay tsy misy vato na vatolampy, na toerana azo andosirana akory.»

74 Nentin-katezerana mafy i Jônatasy, raha nandre ny tenin’i Apôlôniosy, ka nifidy miaramila 10.000, dia niala tao Jerosalema, ary i Simôna rahalahiny koa tonga nihaona taminy, hanohana azy.

75 Dia lasa nitoby teo akaikin’i Jôpeizy ireo, nihidy teo anoloan’izy ireo ny tanàna, fa tao ny miaramilan’i Apôlôniosy, ka dia ny manao fahirano an’io no natombony.

76 Tsiravina ny mponina, ka novohainy ny vavahady, dia lasan’i Jônatasy i Jôpe.

77 Vao nilazana izany i Apôlôniosy dia nalahany hiady ny an-tsoavaly 3.000 sy ny miaramila maro;

78 ka nizotra tamin’ny hitsin’i Azota, toy ny ndeha hihataka izy; ary tamin’izay indrindra ihany anefa, dia nandroso ho eo amin’ny tany lemaka, fa nana-mpitaingin-tsoavaly nankany Azota izy, ka rafitra ny adin’ny tafika roa tonta.

79 Nametraka mpitaingin-tsoavaly 1.000 teo ivohony amin’ny fitoerana miafina i Apôlôniosy;

80 nefa nilazana i Jônatasy fa misy otrika eo ivohony. Nanodidina ny miaramilany ireo mpitaingin-tsoavaly, ka nandefa zana-tsipìka namely ny miaramilany, hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro.

81 Kanefa nahatoa azy tsara araka ny nandidian’i Jônatasy azy, ny miaramilany, fa nihareraka kosa ny soavalin’ireo mpitaingin-tsoavaly.

82 Dia nampandrosoin’i Simôna tamin’izay ny miaramilany, hamely ny antoko-miaramila an-tongotra, fa efa lany hery ny mpitaingin-tsoavaly, ka resiny sy vaky nandositra terỳ ny Sirianina.

83 Niparitaka teo amin’ny tany lemaka ny mpitaingin-tsoavaly, ary niditra tao Azota ny mpandositra, dia nitsofoka tao Bety-Dagôna, tempolin-tsampin’izy ireo, mba hahita fialofana ao.

84 Nodoran’i Jônatasy i Azota mbamin’ireo tanàna manodidina azy, nony avy namaboany; nodorany koa ny tempolin’i Dagôna mbamin’izay rehetra nialoka tao.

85 Sahabo ho 8.000 no isan’ny matin-tsabatra sy levon’ny afo tamin’izay.

86 Nony avy teo i Jônatasy dia tonga nitoby teo akaikin’i Askalôna, ka tonga nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao.

87 Izay vao niverina ho any Jerosalema i Jônatasy mbamin’ny miaramilany, nitondra babo sarobidy.

88 Nony nandre izany zava-niseho izany i Aleksandra mpanjaka, dia nomeny voninahitra vaovao indray i Jônatasy.

89 Nampitondrainy jaigrafy volamenaizy, tahaka izay fanome ny havan’ny mpanjaka, ary nomeny azy ho fananany i Akrôna mbamin’ny faritaniny.