Fahanteran’i Davida sy teti-dratsin’i Adoniasa
1 Efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Davida, ka na norakofan-damba aza tsy nahatsiaro hafanana intsony.
2 Ary hoy ny mpanompony taminy: «Aoka hitadiavana zazavavy virjiny ny mpanjaka tompoko, hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka sy hitaiza azy, ary handry eo amin’ny tratranao, ka dia hafana ny mpanjaka tompoko.»
3 Dia nitady zazavavy tsara tarehy eran’ny tanin’i Israely rehetra ny olona, ka nahita an’i Abisaga Sonamita, ary nentina tao amin’ny mpanjaka io.
4 Tsara tarehy tokoa razazavavy, sady nitaiza sy nanompo ny mpanjaka, nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
5 Ary i Adoniasa nanandra-tena, ka nanao anakampo hoe: «Izaho no ho mpanjaka.» Ary nanomana kalesy aman-tsoavaly ho azy izy, ary olona 50 lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
6 Ary ny rainy tsy mbola mba nampalahelo azy na oviana na oviana tamin’ny andro niainany nanao hoe: «Nahoana ianao no manao toy izao?» Sady tsara tarehy tokoa moa i Adoniasa, ary nateraky ny reniny izy nanaraka an’i Absalôma.
7 Nisy resadresaka natao tamin’i Jôaba, zanak’i Sarvià sy tamin’i Abiatara mpisorona, fa rafitra niandany tamin’i Adoniasa izy ireo.
8 Tsy mba nety nikambana tamin’i Adoniasa kosa i Sadôka mpisorona, i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, i Natàna mpaminany, i Semeià, i Reia, mbamin’ny lehilahy maherin’i Davida.
9 Ary i Adoniasa namono ondry sy omby ary zanak’omby matavy, teo akaikin’ny vaton’i Zoheleta anilan’i En-Rogela, ka nanasa ny rahalahiny rehetra, zanaky ny mpanjaka, mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà mpanompon’ny mpanjaka.
10 Samy tsy nasainy anefa na i Natàna mpaminany, na i Banaiasa, na ny lehilahy mahery, na i Salômôna rahalahiny.
Firaisan-tetik’i Natàna sy i Betsabea
11 Ka hoy i Natàna tamin’i Betsabea renin’i Salômôna: «Tsy renao va fa efa tonga mpanjaka i Adoniasa zanak’i Hagita, nefa tsy mahalala izany akory i Davida tompontsika?
12 Koa etsy ange avelao homeko hevitra ianao ankehitriny hamonjenao ny ainao sy ny ain’i Salômôna zanakao.
13 Mandehana midira ao amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: ‹Ry mpanjaka tompoko ô: tsy efa nianiana tamiko mpanomponao va ianao, nanao hoe: I Salômôna zanakao hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako? Ka ahoana àry no i Adoniasa indray ity no tonga mpanjaka?›
14 Ary indro fa ilay mbola miteny amin’ny mpanjaka iny ianao, dia hiditra avy aorianao koa aho, ka hanamarina ny teninao.»
15 Dia nankao amin’ny mpanjaka tao an’efitranony, i Betsabea; efa antitra dia antitra ny mpanjaka, ary i Abisaga Sonamita nanompo azy teo.
16 Niondrika i Betsabea, dia niankohoka teo anatrehany, ka hoy ny mpanjaka: «Inona no ilainao?»
17 Dia hoy ny navaliny azy: «Tompokolahy ô, i Iaveh Andriamanitrao no efa nianiananao tamin’ny mpanompovavinao hoe: I Salômôna zanakao no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako.
18 Kanjo ankehitriny, indro fa i Adoniasa no tonga mpanjaka; kanefa ianao tsy mahalala izany akory, ry mpanjaka tompoko.
19 Izy efa namono omby aman-janak’omby matavy mbamin’ny ondry betsaka; efa nasainy avokoa ny zanaka lahin’ny mpanjaka sy i Abiatara mpisorona, ary i Jôaba filohan’ny tafika, fa i Salômôna mpanomponao tsy mba nasainy.
20 Ny mason’i Israely rehetra anefa izao, ry mpanjaka tompoko ô, dia samy manandratra anao, hanambara izay hipetraka handimby anao, eo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tompoko.
21 Fa raha tsy izany, rehefa mody amin’ny razany ny mpanjaka tompoko, dia hatao olo-meloka izaho sy i Salômôna zanako.»
22 Mbola niteny amin’ny mpanjaka ao Betsabea, dia indro tonga koa i Natàna mpaminany.
23 Ka nambara tamin’ny mpanjaka hoe: «Indro i Natàna mpaminany.» Dia niditra nanoloana ny mpanjaka izy, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,
24 ary hoy i Natàna hoe: «Ry mpanjaka tompoko ô, ianao angaha efa nilaza hoe: I Adoniasa no hanjaka handimby ahy, sy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako?
25 Fa nidina androany izy izao, ka namono omby aman-janak’omby matavy sy ondry be dia be; nasainy avokoa ny zanaka lahin’ny mpanjaka sy ny filohan’ny tafika ary i Abiatara mpisorona. Indro mihinana sy misotro eo anatrehany ireo izao, ka manao hoe: Ho ela velona anie i Adoniasa mpanjaka!
26 Samy tsy nasainy anefa na izaho mpanomponao na i Sadôka mpisorona, na i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, na i Salômôna mpanomponao.
27 Ka moa ve avy amin’ny mpanjaka tompoko no hisehoan’izany zavatra izany, fa tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka handimby ny mpanjaka tompoko eo amin’ny seza fiandrianany?»
I Salômôna tendren’i Davida sy hosorana ho mpanjaka
28 Ary namaly i Davida mpanjaka nanao hoe: «Asaovy mankatỳ i Betsabea.» Dia niditra teo anatrehan’ny mpanjaka ravehivavy ary nandroso ho eo anatrehan’ny mpanjaka.
29 Ka nanao izao fianianana izao ny mpanjaka: «Ho velona anie i Iaveh, izay nanafaka ahy tamin’ny loza rehetra,
30 dia hotanterahiko anio ilay fianianana nataoko tamin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely hoe: I Salômôna zanakao lahy hanjaka handimby ahy ary hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako hisolo ahy.»
31 Koa niondrika nihohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny mpanjaka i Betsabea, dia nanao hoe: «Ho velona mandrakizay anie ny tompoko Davida mpanjaka!»
32 Ary hoy i Davida mpanjaka: «Asaovy mankatỳ i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany, ary i Banaiasa zanak’i Jôiadasa.» Nony niditra nankeo anatrehan’ny mpanjaka ireo,
33 dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo: «Ento miaraka aminareo ny mpanompon’ny tomponareo, ka ampitaingeno ny mole vaviko i Salômôna zanako, dia ento miditra mankany Gihôna.
34 Rehefa mby any, i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin’i Israely, ary ianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!
35 Raha efa izany, miakara manaraka azy ianareo, fa ho avy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako izy, ka hanjaka hisolo ahy, satria izy no tendreko ho filohan’i Israely sy i Jodà.»
36 Dia namaly i Banaiasa zanak’i Jôiadasa ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: «Amen! Ho toy izany koa anie no didin’i Iaveh Andriamanitry ny mpanjaka tompoko!
37 Ho toy ny nomban’i Iaveh ny mpanjaka tompoko anie no hombàny an’i Salômôna koa ary hasandrany ho ambony noho ny seza fiandrianan’i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan’i Salômôna!»
38 Dia nandeha i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany, ary i Banaiasa zanak’i Jôiadasa mbamin’ny Keretianina sy ny Feletianina; nasainy nitaingina ny mole vavin’i Davida mpanjaka i Salômôna, dia nentiny nankany Gihôna.
39 Ary i Sadôka mpisorona, naka ny tandroka misy diloilo tao amin’ny taberbakla, dia nanosotra an’i Salômôna, ary nitsoka anjomara ny olona, ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»
40 Raha efa izany, dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra. Nitsoka sodina ny vahoaka sy nifaly indrindra, ka nahavaky ny tany ny horakoraka avy amin’izy ireo.
Tahotr’i Adoniasa
41 Ren’i Adoniasa sy ireo nasainy rehetra, izay teo aminy, izany, tamin’ilay nanapitra ny fihinanam-beny iny izy. Ary hoy i Jôaba nandre ny feon’anjomara: «Tabataba inona izato avy amin’ny tanàna mihotakotaka?»
42 Mbola miteny eo izy, no indro tonga i Jônatasy zanak’i Abiatara mpisorona. Hoy i Adoniasa taminy: «Mandrosoa fa lehilahy mahery fo ianao, ka mpitondra zava-baovao tsara.»
43 Dia namaly i Jônatasy, ka nanao tamin’i Adoniasa hoe: «Eny lahy, izany tokoa, fa nanangana an’i Salômôna ho mpanjaka i Davida mpanjaka tompontsika.
44 Nirahin’ny mpanjaka hiaraka aminy i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, mbamin’ny Keretianina sy ny Feletianina, ka nampitaingenan’ireo ny mole vavin’ny mpanjaka izy.
45 Nohosoran’i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ho mpanjaka izy, tany Gihôna; dia niakatra avy eny tamim-piravoravoana izy ireo, ka mihotakotaka ny tanàna, ary ny tabataban’izany ilay renareo teo.
46 Ary efa nipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana aza i Salômôna;
47 ary ny mpanompon’ny mpanjaka aza, efa avy nisaotra an’i Davida mpanjaka tompontsika, nanao hoe: Hataon’ny Andriamanitrareo malaza noho ny anaranao anie ny anaran’i Salômôna, ary hasandrany ho ambony noho ny seza fiandriananao ny seza fiadrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka.
48 Ary niteny toy izao aza ny mpanjaka nanao hoe: ‹Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa nanome ahy mpandimby eo amin’ny seza fiandrianako Izy androany, hahazoako mahita maso an’izany.› »
49 Raiki-tahotra mafy izy rehetra nasain’i Adoniasa ka tafatsangana dia samy lasa nandeha amin’izay nalehany avy.
50 I Adoniasa natahotra an’i Salômôna ka nitsangana, dia nandeha namikitra tamin’ny tandroky ny ôtely.
51 Ary nisy nilaza izany tamin’i Salômôna nanao hoe: «Indro, i Adoniasa matahotra an’i Salômôna mpanjaka, ary indro izy namikitra amin’ny tandroky ny ôtely, nanao hoe: Aoka hianiana amiko i Salômôna mpanjaka anio, fa tsy hamono ny mpanompony amin’ny sabatra.»
52 Dia hoy i Salômôna: «Raha miseho ho lehilahy mahery izy, dia tsy hisy latsaka amin’ny tany na dia singam-bolony iray aza, fa raha misy heloka hita aminy kosa, dia ho faty izy.»
53 Ary naniraka olona hampidina azy hiala teo amin’ny ôtely i Salômôna; ka tonga niankohoka teo anatrehan’i Salômôna mpanjaka izy, dia hoy i Salômôna taminy hoe: «Mandehana any an-tranonao.»