Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 11

Ireo vadin’i Salômôna

1 Afa-tsy ny zanaka vavin’i Faraôna, maro koa ny vehivavy hafa firenena tian’i Salômôna, dia ny Moabita, ny Amônita, ny Edômita, ny Sidonianina, ny Heteanina,

2 ary amin’ireo firenena nilazan’ny Tompo tamin’ny zanak’i Israely hoe: «Ianareo tsy handeha amin’ireny, izy ireny tsy handeha aminareo, satria tsy maintsy havilin’ireny ny fonareo mankamin’ny andriamaniny», kanjo raiki-pitia tamin’ireo i Salômôna.

3 700 no vadiny andriambavy, ary 300 ny vaditsindranony, ka ireo vadiny ireo no nampivily ny fony.

4 Fa nony tamin’ny fahanteran’i Salômôna, dia natongilan’ny vadiny ho amin’ny andriamani-kafa ny fony, ka tsy mba an’i Iaveh Andriamaniny manontolo, toy ny an’i Davida rainy, ny fony,

5 fa nanaraka an’i Astarte andriamani-bavin’ny Sidonianina i Salômôna, sy an’i Melkôma, fahavetavetan’ny Amônita.

6 Koa nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh i Salômôna, fa tsy mba nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh, tahaka an’i Davida rainy.

7 Tamin’izany nanorina toerana avo i Salômôna teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema, ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Moaba, sy ho an’i Môlôka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.

8 Nanao toy izany koa izy ho an’ny vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro zava-manitra sy nanatitra sorona ho an’ny andriamanitr’izy ireo.

9 Dia tezitra tamin’i Salômôna i Iaveh noho ny nivilian’ny fony niala tamin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay efa niseho taminy indroa,

10 sady efa nandrara azy ny amin’izany, mba tsy hanarahany andriamani-kafa, nefa tsy nitandrina ny didin’i Iaveh izy.

11 Ka hoy i Iaveh tamin’i Salômôna: «Noho izao fitondran-tenanao izao, ka tsy mba nitandrina ny fanekeko sy ny lalàko izay nandidiako anao ianao, dia hotsoahako marina tokoa eo an-tananao ny fanjakana, ka homeko ny mpanomponao.

12 Tsy hataoko amin’ny andronao anefa izany, noho ny amin’i Davida rainao, fa rehefa mby amin’ny zanakao vao hoendahako aminy izy.

13 Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako, fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin’i Davida mpanompoko, sy noho ny amin’i Jerosalema izay voafidiko.»

Ireo fahavalon’i Salômôna avy any ivelany

14 Nananganan’i Iaveh fahavalo i Salômôna, dia i Adada Edômita, tamingam-panjakan’i Edôma.

15 Tamin’ny andro niadian’i Davida tamin’i Edôma, raha niakatra handevina ny maty i Jôaba filohan’ny tafika, dia namono ny lehilahy rehetra tany Edôma.

16 Ary nitoetra tany enim-bolana i Jôaba mbamin’i Israely rehetra, mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany Edôma.

17 Tamin’izany i Adada niara-nandositra tamin’ny Edômita sasany, izay isan’ny mpanompon-drainy, mba ho any Ejipta. Mbola zazalahy tanora i Adada fahizay.

18 Nony niala tany Madiàna izy, dia nankany Faràna, ary naka olona avy tao Faràna hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ka nomen’izy io trano i Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany.

19 Nahita fitia teo imason’i Faraôna tokoa i Adada, fa nomeny ho vadiny aza ny rahavavin’ny vadiny, dia ny rahavavin’i Tafnesa mpanjakavavy.

20 Nitera-dahy taminy ny rahavavin’i Tafnesa, dia i Genobata, izay notazan’i Tafnesa tao an-tranon’i Faraôna, dia nipetraka tao an-tranon’i Faraôna i Genobata teo afovoan’ny zanak’i Faraôna.

21 Nony ren’i Adada, tany Ejipta, fa hoe nody mandry any amin’ny razany i Davida, ary maty koa i Jôaba filohan’ny tafika, dia hoy izy tamin’i Faraôna: «Avelao aho hody any amin’ny taniko.»

22 Fa hoy i Faraôna taminy: «Inona no tsy mahampy ny ilainao, no dia maniry hody any amin’ny taninao ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Tsy inona tsy inona akory fa avelao ihany aho mba handeha.»

23 Nananganan’Andriamanitra fahavalo hafa koa i Salômôna dia i Razôna, zanak’i Eliadà, izay nandositra niala tao amin’i Adarezera tompony, mpanjakan’i Sobà.

24 Namory olona homba azy izy, ka tonga lehiben’ny andiam-pireneny fony i Davida namono ny antoko miaramilan’ny tompony. Dia nankany Damasy i Razôna ka niorim-ponenana tao, dia nanjaka tao Damasa.

25 Nandritra ny andro rehetra niainan’i Salômôna izy, dia nitsangan-ko fahavalon’i Israely, nanampy ny ratsy nafitsok’i Adada, ary nankahala an’i Israely. Nanjaka tamin’i Siria izy.

Fikomian’i Jerôbôama

26 Nanainga tanana tamin’ny mpanjaka, i Jerôbôama, zanak’i Nabata, Efrateanina, avy any Sareda izy; ary vehivavy mpitondra tena atao hoe Sarvà no reniny ary mpanompon’i Salômôna izy.

27 Izao no nahatonga azy hikomy amin’ny mpanjaka: Nanorina an’i Melao sy nanampina ny banga tamin’ny tanànan’i Davida rainy i Salômôna.

28 Ary io Jerôbôama io dia lehilahy matanjaka sy mahery fo, ka hitan’i Salômôna ny fahavitrihan’io zatovo io amin’ny raharaha, ka nataony mpitandrina ny mpanao fanompoana rehetra tamin’ny taranak’i Josefa.

29 Tamin’izany andro izany, raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany, avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao; izy roa lahy ihany tany an-tsaha tamin’izay.

30 Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy, ka notriatriariny ho 12,

31 dia hoy izy tamin’i Jerôama: «Raiso ho anao ny tapatapany folo, fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Indro, hendahako avy eo an-tanànan’i Salômôna ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo,

32 fa ny foko iray ihany no sisa azy, noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema, tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.

33 Ary ny anton’izany dia noho izy ireo efa nandao Ahy ka niankohoka teo anatrehan’i Astarte, andriamanibavin’ny Sidonianina, sy teo anatrehan’i Melkôma, andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary noho izy ireo tsy nandeha tamin’ny lalako, mba hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didy amam-pitsipiko, tahaka ny nataon’i Davida rain’i Salômôna.

34 Amin’ny andro rehetra hiainany anefa, tsy hanatsoahako eo am-pelatanany akory ny fanjakana na tapany aza, fa hampaharetiko ho Andriana izy noho ny amin’i Davida mpanompoko, izay nofidiko, sy nitandrina ny didy aman-dalàko.

35 Fa rehefa mby an-tanan’ny zanany vao hesoriko ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo.

36 Homeko foko iray ny zanany mba hananan’i Davida mpanompoko, faniloeo anatrehako mandrakariva, any Jerosalema izay tanàna voafidiko hametrahako ny Anarako.

37 Halaiko ianao, ka hanjaka amin’izay rehetra irin’ny fanahinao, ary ho mpanjaka amin’i Israely.

38 Raha manaraka izay rehetra andidiako anao ianao, ka mandeha amin’ny lalako, sy manao izay mahitsy eo imasoko, mitandrina ny lalàna aman-didiko, tahaka ny nataon’i Davida mpanompoko, dia homba anao Aho, hanao trano maharitra ho anao, tahaka ny nataoko tamin’i Davida Mpanompoko ary homeko anao i Israely.

39 Fa ny taranak’i Davida kosa haetriko noho ny fivadihany; tsy ho mandrakizay anefa izany.»

40 Notadiavin’i Salômôna hovonoina i Jerôbôama; fa nitsoaka nandositra nankany Ejipta amin’i Sesàka, mpanjakan’i Ejipta, i Jerôbôama ka nonina tany Ejipta mandra-pahafatin’i Salômôna.

Fiafaran’ny fanjakany

41 Ny sisa amin’ny asanataon’i Salômôna, ny zavatra rehetra nataony sy ny fahendreny, moa tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny Asan’i Salômônava?

42 Efapolo taona no andro nanjakan’i Salômôna tao Jerosalema tamin’i Israely rehetra.

43 Dia nody mandry any amin’ny razany i Salômôna ka nalevina tao an-tanànan’i Davida rainy. Ary i Rôbôama zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 12

Fihaonam-be tao Sikema

1 Nankany Sikema i Rôbôama, fa tonga tany Sikema i Israely rehetra hampanjaka azy.

2 Nony nandre izany i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany lavitra an’i Salômôna mpanjaka, ka nitoetra tany Ejipta i Jerôbôama,

3 dia nampanalain’ny olona. Tamin’izay i Jerôbôama sy ny fiangonan’i Israely rehetra, dia nanatona ka niteny tamin’i Rôbôama nanao hoe:

4 «Irainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa ianao kosa ankehitriny, dia hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny jioga mavesatra nanindriany anay, dia hanompo anao izahay.»

5 Ary izao no nolazainy taminy: «Mandehana aloha ianareo, hateloana, vao miverina atỳ amiko indray.» Dia lasa ny vahoaka.

6 Ary nila hevitra tamin’ny zokiolona i Rôbôama mpanjaka, dia tamin’ireo nitoetra teo anatrehan’i Salômôna rainy, fony fahavelony, ka nanao hoe: «Inona no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?»

7 Dia niteny taminy izy ireo nanao hoe: «Raha izao ianao no mety hanampy ny vahoaka, raha mamonjy azy sy manome valin-teny ary manao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.»

8 Navelan-dRôbôama anefa ny hevitra nomen’ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra,

9 ka hoy izy tamin’ireo: «Inona no hevitra omenareo havaly izany vahoaka izany amin’ity teniny hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay!»

10 Dia namaly ireto tovolahy indray nihira taminy, ka nanao hoe: «Izao no havalinao ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Irainao nampahavesatra ny jiogany, fa ianao kosa hamaivano aminay izany. Izao no holazainao azy ireo: Lehibe noho ny valahan’ikaky ny ankikeliko,

11 ka izao àry: Ikaky nampitondra jioga mavesatra anareo, fa izaho kosa vao mainka hanavesatra an’izany aminareo; kotopia no namaizan’ikaky anareo, fa maingokakosa no hamaizako anareo.»

12 Nony tamin’ny andro fahatelo, dia nanatona an’i Rôbôama i Jerôbôama sy ny vahoaka, araka ny tenin’ny mpanjaka hoe: «Miverena atỳ amiko indray raha afaka hateloana.»

13 Teny mafy no navalin’ny mpanjaka ny vahoaka. Navelany ny hevitra nomen’ny zokiolona, fa araka ny hevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe:

14 «Ikaky nampahavesatra ny jioganareo, fa izaho kosa vao mainka hanavesatra ny jioganareo; kotopia no namaizan’ikaky anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo.»

15 Koa dia tsy nihaino ny vahoaka àry ny mpanjaka; ary izany no fomba nalahatr’i Iaveh, hahatanterahan’ilay nolazain’i Iaveh tamin’i Jerôbôama, zanak’i Nabata, tamin’ny alalan’i Ahiasa avy ao Silao.

16 Nony hitan’i Israely rehetra fa tsy nohenoin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny navalin’ny vahoaka ny mpanjaka:

«Manana anjara amin’i Davida moa izahay?

Tsy manan-dova amin’ny zanak’i Isayakory izahay!

Koa samia ho any an-dainao, ry Israely!

fa ianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao.»

Dia lasa i Israely nankany an-dainy.

17 Fa ny zanak’i Israely nonina tamin’ny tanànan’i Jodà, no sisa nanjakan-dRôbôama.

18 Naniraka an’i Adôrama, lehiben’ny mpamory hetra, i Rôbôama mpanjaka, tamin’izay; fa notorahan’i Israely rehetra vato io, ka maty. Izay i Rôbôama mpanjaka vao niakatra tamin’ny kalesy anankiray faingana, handositra ho any Jerosalema.

19 Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandrak’androany.

Fisarahana ara-panjakana

20 Nony ren’i Israely rehetra fa hoe tafaverina avy any Ejipta i Jerôbôama, dia naniraka olona hiantso azy ho eo amin’ny fivoriana izy, ka nampanjakainy tamin’i Israely rehetra, ka tsy nisy nanaraka ny tranon’i Davida afa-tsy ny fokon’i Jodà irery ihany.

21 Vao tonga tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny tranon’i Jodà rehetra sy ny fokon’i Benjamina, dia miaramila 180.000 voafantina, hiady amin’ny tranon’i Israely, ka hampody ny fanjakana indray amin-dRôbôama zanak’i Salômôna.

22 Kanjo, tonga tamin’i Samaiasa olon’Andriamanitra ny tenin’Andriamanitra nanao hoe:

23 «Mitenena ianao amin-dRôbôama zanak’i Salômôna mpanjakan’i Jodà sy amin’ny taranak’i Jodà sy i Benjamina ary amin’ny vahoaka sisa, ka ataovy hoe:

24 Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny zanak’i Israely, rahalahinareo. Samia mody any an-tranonareo avy ianareo, fa dia Izaho no nahatongavan’izao zavatra izao.» Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka samy nody, nanaraka ny tenin’i Iaveh.

25 I Sikema any amin’ny tendrombohitr’i Efraima no naorin’i Jerôbôama, dia nonina tao izy. Niala tao indray izy dia nanorina an’i Fanoela.

Fisarahana ara-pivavahana

26 Ary hoy i Jerôbôama anakampony: «Mba mety ho tafaverina amin’ny tranon’i Davida ihany ny fanjakana izao.

27 Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’i Iaveh any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.»

28 Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: «Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely, ity no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.»

29 Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa, tany Dana.

30 Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Dana hivavaka amin’ny anankiray amin’ireo ny vahoaka.

31 Nanao trano ho an’ny fitoerana avo i Jerôbôama, ary namorona mpisorona nalainy tamin’ny vahoaka fa tsy isan’ny taranak’i Levì.

32 Nisy fety noforonin’i Jerôbôama tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro faha 15-n’ny volana ho fanahafana ny fety fanao any amin’i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony, ary nampitoeriny tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany.

33 Dia niakatra teo amin’ny ôtely nataony tany Betela izy, tamin’ny andro faha 15-n’ny volana fahavalo, izay volana nofidin’ny tenany. Ary namorona fety ho an’ny zanak’i Israely izy, ka niakatra teo amin’ny ôtely handoro ny fanatitra.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 13

Fanozonana ny ôtely tao Betela

1 Raha mbola nitoetra teo amin’ny ôtely handoro ny sorona i Jerôbôama, dia indro nisy olon’Andriamanitra avy any Jodà, tonga tany Betela, noho ny tenin’i Iaveh.

2 Nanao antso nihatra tamin’ny ôtely izy io, noho ny tenin’i Iaveh, ka nanao hoe: «Ry ôtely! Ry ôtely! Izao no lazain’i Iaveh: Hisy zaza lahy hateraka ho an’ny tranon’i Davida, ka ny anarany hatao hoe: I Josiasa; ny mpisoron’ny fitoerana, izay mandoro ny sorona eo amboninao, no hovonoina hatao eo amboninao; ary taolan’olona no hodorana eo amboninao!»

3 Androtr’izay ihany, dia nanome famantarana izy nanao hoe: «Izao no famantarana fa i Iaveh no niteny: Indro fa hitresaka ny ôtely ary hiely ny lavenony eo amboniny.»

4 Nony ren’i Jerôbôama mpanjaka ny tenin’ity olon’Andriamanitra, niantso amin’ny ôtely tao Betela dia naninjitra ny tanany avy eo ambony ôtely izy, ka nanao hoe: «Sambory ilay io.» Kanjo maina terỳ ny tanany izay nahinjiny hanondro azy, ka tsy azony navonkina intsony.

5 Ary nitresaka tokoa ny ôtely, sady niely ny lavenona avy eo amin’ny ôtely araka ny famantarana nomen’ity olon’Andriamanitra noho ny tenin’i Iaveh.

6 Niteny ny mpanjaka ka nilaza tamin’ity olon’Andriamanitra hoe: «Mampionòna an’i Iaveh Andriamanitrao, ka mivavaha ho ahy mba hivonkonan’ny tanako hankatỳ amiko indray.» Nampionona an’i Iaveh ity olon’Andriamanitra ka azon’ny mpanjaka navonkina hankany aminy ny tanany izay tonga toy ny taloha ihany indray.

7 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ity olon’Andriamanitra: «Handeha ianao hiara-midina amiko ao an-trano hahazo aina, dia mba hotolorako fanomezana koa.»

8 Fa hoy ity olon’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka: «Na dia omenao ny antsasaky ny tranonao aza aho, dia tsy hiara-miditra aminao, sady tsy hihina-mofo na hisotro rano amin’ity fitoerana ity aho,

9 satria izao no didy nomena ahy tamin’ny tenin’i Iaveh: Aza mihina-mofo na misotro rano, ary aza ny lalana nalehanao no hiverenanao.»

10 Dia lasa izy ka lalan-kafa no nombany, fa tsy ny lalana nalehany ho any Betela no niverenany.

Ilay olon’Andriamanitra sy ilay mpaminany

11 Ary nisy kosa mpaminany antitra anankiray nonina tany Betela; ka tonga ny zanany namisavisa taminy ny zavatra rehetra nataon’ilay olon’Andriamanitra tao Betela androtr’iny; nambarany tamin-drainy koa ny teny nolazain-dralehilahy tamin’ny mpanjaka.

12 Dia hoy ny rainy tamin’izy ireo: «Aiza no lalana nalehany?» Fa hitan’ireto zanany kosa ny lalana nomban’ilay olon’Andriamanitra izay tonga avy tany amin’i Jodà.

13 Ka hoy indray izy tamin’ny zanany: «Asio lasely ny ampondrako.» Dia nasian’ireo lasely ny ampondrany ka nitaingenany.

14 Lasa izy nanaraka ilay olon’Andriamanitra ka nahita azy nipetraka teo ambanin’ny terebinta, dia hoy izy taminy: «Ianao va izany olon’Andriamanitra avy any Jodà izany?» Ary hoy ny navalin-dralehilahy: «Izaho no izy.»

15 Ka hoy ilay mpaminany: «Andeha hiaraka amiko ho any an-trano, mba hihina-mofo kely.»

16 Fa hoy ny navaliny: «Tsy azoko atao ny miara-miverina aminao, na miara-miditra aminao, tsy hiara-mihina-mofo na misotro rano aminao amin’ity fitoerana ity aho,

17 satria izao no voalaza tamiko tamin’ny tenin’i Iaveh: Aza mihina-mofo any, na misotro rano any, ary aza ny lalana nombanao fony nandroso ianao no hiverenanao.»

18 Dia hoy izy taminy: «Izaho koa anie mpaminany toa anao ihany, ary nisy Anjely niteny tamiko, noho ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy, mba hihina-mofo sy hisotro rano.» Laingany anefa izany.

19 Dia niara-niverina taminy ilay olon’Andriamanitra, ka nihina-mofo sy nisotro rano tao an-tranony.

20 Mbola nipetraka teo amin’ny latabatra izy ireo, dia tonga tamin’ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin’i Iaveh,

21 ka niteny mafy tamin-dralehilahy avy any Jodà izy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandà ny tenin’i Iaveh, ka tsy nitandrina ny didy nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao,

22 ary noho ianao niverina, ka nihina-mofo sy nisotro rano tamin’ny toerana nandraran’i Iaveh anao hoe: Aza mihina-mofo any, na misotro rano any, dia tsy hiditra am-pasan-drazana ny fatinao.»

23 Nony avy nihina-mofo sy nisotro izy, dia nasian’ilay mpaminany antitra lasely ny ampondrany mba ho azy, dia ho an’ity mpaminany naveriny.

24 Rehefa lasa ilay olon’Andriamanitra dia nifanehatra tamin’ity liona anankiray, izay namono nahafaty azy. Raha mbola niampatra teo an-dalana teo ny fatiny, dia nijanona teo anilany ilay ampondra, ary nipetraka teo akaikin’ny faty koa ilay liona.

25 Ary indro fa nisy olona nandalo ka nahita ity faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nitoetra teo akaikin’ny faty, ka nilaza izany, nony tonga teo amin’ny tanàna nonenan’ilay mpaminany antitra izy ireo.

26 Nony nandre izany ity mpaminany namerina ilay olon’Andriamanitra tany an-dalana, dia hoy izy: «Ilay olon’Andriamanitra nandà ny tenin’i Iaveh izay, fa natolotr’i Iaveh ny liona izy, ka noviravirainy, sy nasiany ho faty, araka ny teny voalazan’i Iaveh taminy.»

27 Dia hoy izy tamin’ireo zanany: «Asio lasely ny ampondra.» Nony voaisin’ireo lasely ny ampondra,

28 dia nandeha izy, ka nahita ity faty niampatra teo an-dalana, mbamin’ny ampondra sy ny liona nijanona teo anilan’ilay faty. Ny liona tsy nihinana ny faty, tsy namiravira ity ampondra.

29 Noaingan’ilay mpaminany ny fatin’ilay olon’Andriamanitra, nataony teo ambonin’ny ampondrany, dia nentiny; ary niverina tany an-tanànany ity mpaminany antitra, hitomany sy handevina azy.

30 Nataony tao amin’ny fasany ny faty, dia nitomanian’izy ireo izy, nataony hoe: «Indrisy! ry rahalahiko!»

31 Nony avy nandevina azy izy, dia nanao tamin’ireto zanany hoe: «Raha avy izay hahafatesako, dia aleveno amin’ny fasana ilevenan’ity olon’Andriamanitra ity aho, ka ataovy eo anilan’ny taolany ny taolako.

32 Fa ho tanteraka tokoa ny teny nantsoiny, araka ny tenin’i Iaveh, mihatra amin’ny ôtely any Betela sy amin’ny tranon’ny fitoerana avo rehetra izay ao amin’ny tanànan’i Samaria.»

33 Taorin’izany zava-niseho izany, mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama, fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka, ihany izy, ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy.

34 Nampisy fahotana momba ny tranon’i Jerôbôama izany ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin’ny tany.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 14

Tohin’ny fanjakan’i Jerôbôama voalohany (931-910)

1 Tamin’izany andro izany, dia nandraiki-narary i Abià zanak’i Jerôbôama,

2 ka hoy i Jerôbôama tamin’ny vavy: «Raha sitrakao, mitsangàna ka manovà endrika, mba tsy ho fantatra ho vadin’i Jerôbôama ianao, dia mankanesa any Silao. Indro fa ao i Ahiasa mpaminany, ilay nilaza tamiko ny hanjakako amin’ity firenena ity.

3 Mitondrà mofo folo sy mofomamy ary tantely iray tavoara, dia midira ao aminy, fa hambarany aminao izay tsy maintsy hahazo ny zaza.»

4 Dia nanao araka izany ny vadin’i Jerôbôama, niainga izy, nankany Silao, dia niditra tao an-tranon’i Ahiasa. Tsy nahajery intsony i Ahiasa fahizany, fa efa nanjavona azon’ny fahanterana ny masony.

5 Efa nilazan’i Iaveh anefa i Ahiasa, nataony hoe: «Indro tamy ny vadin’i Jerôbôama mba hahazo teny indraimbava aminao ny amin’ny zanany, fa marary izy, ka izao sy izao no holazainao azy. Hody ho hafa izy rehefa tonga.»

6 Nony ren’i Ahiasa ny fingadongadon’ny tongony, ilay nandingana ny varavarana iny izy, dia hoy izy; «Mandrosoa, ry vadin’i Jerôbôama, nahoana ianao no mody ho olon-kafa? Voatendry hitondra hafatra mafy aminao aho.

7 Mandehana lazao amin’i Jerôbôama hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nanandratra anao avy amin’ny vahoaka aho, ka nanangana anao ho filohany amin’i Israely vahoakako.

8 Nendahako tamin’ny tranon’i Davida ny fanjakana, ka nomeko anao. Kanjo ianao tsy mba nanao tahaka an’i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny didiko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony rehetra, ary tsy nanao afa-tsy izay mahitsy eo imasoko;

9 fa nanao ratsy mihoatra izay talohanao rehetra ianao, andriamani-kafa sy sarin-javatra anidina no lasa nataonao hampahatezitra Ahy, fa Izaho kosa nailikao any ivohonao!

10 Noho izany, indro kosa Aho hitarika ny loza ho amin’ny tranon’i Jerôbôama, haringako avokoa ny lehilahy izay an’i Jerôbôama, na ny andevo na ny olona afaka, amin’i Israely, hataoko hoatra ny famafa diky ny famafa ny tranon’i Jerôbôama mandra-pahalevony tsy misy intsony.

11 Ka ny tamingan’i Jerôbôama maty an-tanàna hohanin’ny alika; ary izay maty an-tsaha hohanin’ny voromanidina; satria efa niteny i Iaveh.

12 Ary mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao, ary raha vao miditra ao an-tanàna ny tongotrao, dia ho faty ny zaza.

13 Hitomany azy i Israely rehetra, dia halevina izy, satria izy irery no mba tamingan’i Jerôbôama ho voapetraka am-pasana, satria izy irery no tamingan’i Jerôbôama nahitana soa vitsivitsy teo imason’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

14 Ary i Iaveh hanangana mpanjaka amin’i Israely, izay handringana ny taranak’i Jerôbôama, amin’izany andro izany.

15 Adre! Sahady lahy! Hataon’i Iaveh toy ny fihozongozon’ny volotara ao anaty rano, no famely an’i Israely; hotsoahany amin’ity tany soa nomeny ny razany ity i Israely, ka haeliny any an-dafin’ny ony, satria efa nanao aseraha ho azy izy, ka nampahatezitra an’i Iaveh.

16 Hanolotra an’i Israely izy noho ny fahotan’i Jerôbôama, izay nataon’ny tenany sy izay nampanaoviny an’i Israely.»

17 Dia nitsangana ny vadin’i Jerôbôama ka niainga nandeha izy, dia tonga tany Tersà. Ilay nandingana ny tokonam-baravaran-trano iny izy, dia maty ny zaza.

18 Nalevina izy ary nitomanian’i Israely rehetra, araka ny tenin’i Iaveh, izay nolazainy tamin’ny alalan’i Ahiasa mpaminany mpanompony.

19 Ny sisa tamin’ny zavatra nataon’i Jerôbôama, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.

20 22 taona no andro nanjakan’i Jerôbôama. Dia nody mandry any amin’ny razany izy. Ary i Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan-dRôbôama (931-913)

21 I Rôbôama zanak’i Salômônananjaka tamin’i Jodà. Efa 41 taona izy vao nanjaka tao Jerosalema, tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany; Naamà Amônita no anaran-dreniny.

22 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh i Jodà, ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ny fahotana nataony, mihoatra noho izay nataon’ny razana.

23 Fa nanorina fitoerana avo ho azy koa izy ireo, mbamin’ny tsangam-bato sy aseraha teny ambonin’ny tanety avo rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny.

24 Efa nisy hatramin’ny manolo-tena ho mpijangajanga aza tamin’ny tany. Dia narahiny avokoa ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

25 Tamin’ny taona fahadimin’ny nanjakan-dRôbôama, dia niakatra namely an’i Jerosalema i Sesàka, mpanjakan’i Ejipta.

26 Nobaboiny ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, dia lasany daholo. Nalainy avokoa ny ampinga volamena rehetra nataon’i Salômôna.

27 Ary ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireny, ka nataony teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazakaizay miambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka.

28 Ka isaky ny mankao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia nentin’ny mpiambina izany, vao naveriny ho any an’efitranon’ny mpihazakazaka indray.

29 Ny zavatra sisanataon-dRôbôama, mbamin’izay rehetra vitany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

30 Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.

31 Ary nody mandry any amin’ny razany i Rôbôama, ka nalevina tao akaikin’ny razany tao an-tanànan’i Davida. Ny anaran-dreniny dia Naamà Amônita, ary i Abiama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 15

Fanjakan’i Abiama tany Jodà (913-911)

1 Tamin’ny taona faha-18nanjakan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, no nahatongavan’i Abiama ho mpanjakan’i Jodà.

2 Ary telo taona no nanjakany teo Jerosalema. Maakà, zanaka vavin’i Abesalôma no anaran-dreniny.

3 Nandeha tamin’ny fahotan-drainy rehetra, izay nataony teo alohany izy, ary tsy mba an’i Iaveh, toy ny fon’i Davida rainy, ny fony manontolo.

4 Noho ny amin’i Davida anefa, i Iaveh Andriamaniny dia nanome faniloazy tao Jerosalema ihany, fa nanangana ny zanany handimby azy, sady nampaharitra an’i Jerosalema.

5 Satria i Davida nanao izay mahitsy teo imason’i Iaveh fa tsy mba nivily tamin’ny didy rehetra azony taminy, nandritra ny andro rehetra niainany, afa-tsy tamin’ny raharahan’i Oria, Heteanina, ihany.

6 Niady i Rôbôama sy i Jerôbôama tamin’ny andro rehetra niainany.

7 Ny sisatamin’ny asan’i Abiama, mbamin’izay rehetra nataony, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Niady i Abiama sy i Jerôbôama.

8 Ary nody mandry any amin’ny razany i Abiama, ka nalevina ao an-tanànan’i Davida. I Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan’i Asà tany Jodà (911-870)

9 Tamin’ny taona faharoapolon’ny nanjakan’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely, no nahatongavan’i Asà ho mpanjakan’i Jodà.

10 41 taona no nanjakany tao Jerosalema, ary Maakà, zanaka vavin’i Abesalôma no anaran-dreniny.

11 Nanao izay mahitsyeo imason’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy i Asà.

12 Nofoanany tamin’ny tany ny manolo-tena ho mpijangajanga, ary nariany avokoa ny sampy nataon-drainy.

13 I Maakà reniny aza, naongany amin’ny maha-renin’ny mpanjaka azy, satria nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny vetaveta, dia nodorany tao amin’ny ranon-driaka Sedrôna.

14 Nefa tsy dia foana ny fitoerana avo, na dia an’i Iaveh aza ny fon’i Asà manontolo, tamin’ny andro rehetra niainany.

15 Nampidirany ho eo an-tranon’i Iaveh ny zavatra natokan-drainy sy ny zavatra natokan-tenany, dia volafotsy sy volamena ary kapoaka.

16 Niady nandritra nyandro rehetra niainany i Asà sy i Baasà mpanjakan’i Israely.

17 Niakatra hamely an’i Jodà i Baasà, mpanjakan’i Israely, ary nanorina an’i Ramà izy, mba hisakana ny vahoakan’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.

18 Nalain’i Asà kosa ny volafotsy sy volamena sisa rehetra tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan’ny mpanompony; dia nalefan’ny mpanjaka Asà ireo, ho any amin’i Ben-Hadada zanak’i Tabremôna, zanak’i Heziôna, mpanjakan’i Siria nonina tao Damasa, hanao hoe:

19 «Aoka hisy fanekena, toy ny tamin-draiko sy tamin-drainao, amiko sy aminao. Ary indro aho mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao, ka andeha tsoahy ny fanekeko tamin’i Baasà, mpanjakan’i Israely, mba hialany atỳ amiko.»

20 Dia nohenoin’i Ben-Hadada i Asà mpanjaka, ka nirahiny ny filohan’ny tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka noreseny avokoa i Ahiôna, i Dana, i Abela-Bety-Maakà, mbamin’ny Kenerôta rehetra sy ny tanin’i Neftalì rehetra.

21 Nony nandre izany i Baasà, dia nitsahatra tsy nanorina an’i Ramà, fa nitoetra tao Tersà izy.

22 Ary nasain’i Asà nantsoina avokoa i Jodà rehetra, tsy nisy nataony afaka na iray aza, dia nentiny ny vato aman-kazo nanamboaran’i Baasà an’i Ramà, ka izany no nanorenany an’i Gabaàn’i Benjamina sy i Masfà.

23 Ny sisatamin’ny asa vitan’i Asà, mbamin’ny herim-po nasehony sy izay rehetra nataony ary ny tanàna naoriny, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Narary tongotra anefa izy nandritra ny andron’ny fahanterany.

24 Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà ka nalevina teo akaikin’ny razany, tao an-tanànan’i Davida. Ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan’i Nadaba tamin’i Israely

25 Tamin’ny taona faharoan’i Asà, mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely i Nadaba zanak’i Jerôbôama; ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.

26 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa nandeha tamin’ny lalan-drainy sy tamin’ny fahotan-drainy izay nampanaoviny an’i Israely.

27 Nanao teti-dratsy nanohitra azy i Baasà, zanak’i Ahiasa, amin’ny taranak’i Isakara, ka namely azy teo Gebetôna izay an’ny Filistinina; fa nanao fahirano an’i Gebetôna i Nadaba sy i Israely rehetra tamin’izay.

28 Dia matin’i Baasà izy, tamin’ny taona fahatelon’i Asà mpanjakan’i Jodà, ka dia izy no nanjaka nandimby azy.

29 Nony tonga mpanjaka izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian’i Jerôbôama, ka tsy nasiany niangana rehefa mety ho olona velona koa tamin’ny fianakavian’i Jerôbôama, fa naringany daholo araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’ny alalan’i Ahiasa mpanompony, avy any Silao,

30 noho ny fahotan’i Jerôbôama izay nataony sy izay nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezerany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’izany.

31 Ny sisa tamin’ny asa nataon’i Nadaba mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

32 Niady ihany i Asà sy i Baasà mpanjakan’i Israely tamin’ny andro rehetra niainany.

Fanjakan’i Baasà tamin’i Israely (909-886)

33 Tamin’ny taona fahatelon’i Asà mpanjakan’i Jodà, dia tonga mpanjaka tamin’i Israely rehetra tao Tersà kosa i Baasà zanak’i Ahiasa, ary 24 taona no nanjakany.

34 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ary nandeha tamin’ny lalan’i Jerôbôama sy tamin’ny fahotana nampanaoviny an’i Israely.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 16

1 Ary tonga tamin’i Jehoa, zanak’i Hananì, ny tenin’i Iaveh namely an’i Baasà, nanao hoe:

2 «Nasandratro avy amin’ny vovoka ianao, ary natsangako ho mpanjakan’i Israely oloko, kanjo ny lalan’i Jerôbôama no nalehanao, ary i Israely oloko nampanotanao, mba hampahatezitra Ahy amin’ny fahotan’izy ireo.

3 Noho izany, indro, hofongorako kosa i Baasà sy ny tranony, ary hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ny tranonao.

4 Ka ny tamingan’i Baasà maty an-tanàna, hohanin’ny alika, ary ny tamingany maty an-tsaha, hohanin’ny voromanidina.»

5 Ny sisa tamin’ny asan’i Baasà, mbamin’izay nataony, sy ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

6 Ary nody mandry any amin’ny razany i Baasà, ka nalevina ao Tersà. I Elà zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.

7 Ary ny tenin’i Iaveh dia nampitondraina tamin’ny alalan’i Jehoa, mpaminany, zanak’i Ananì, hihatra amin’i Baasà sy ny tranony noho ny ratsy rehetra nataony teo imason’i Iaveh, nampahatezerany Azy tamin’ny asan’ny tanany, sy nanahafany ny tranon’i Jerôbôama, ary noho izy namono izany fianakaviana izany koa.

Fanjakan’i Elà tamin’i Israely (886-885)

8 Tamin’ny taona faha-26-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, dia tonga mpanjakan’i Israely tany Tersà, i Elà zanak’i Baasà, ary roa taona no nanjakany.

9 Niteti-dratsy hamely azy i Zambrì mpanompony, lehiben’ny antsasaky ny kalesiny. Ka raha ilay nisotro sy nimamo iny izy, tao Tersà, amin’ny tranon’i Arsà, lehiben’ny ankohonany ao Tersà,

10 dia niditra i Zambrì, ka namono ary nahafaty azy, tamin’ny taona faha-27-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, ary nanjaka nandimby azy izy.

11 Nony tonga mpanjaka sy tafapetraka tamin’ny seza fiandrianany izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian’i Baasà, ka tsy nasiany lahy iray nitsangana, na ny mpianakavinyna ny sakaizany.

12 Toy izany no namongoran’i Zambrì ny fianakavian’i Baasà rehetra, araka ny tenin’i Iaveh, izay nolazainy tamin’ny lalan’i Jehoa mpaminany nihatra tamin’i Baasà

13 noho ny fahotana rehetra nataon’i Baasà sy i Elà zanany, sy nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezerany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.

14 Ny sisa tamin’ny asan’i Elà, mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

Fanjakan’i Zambrì tamin’i Israely (885)

15 Tamin’ny taona faha-27-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, no nanjakan’i Zambrì, hafitoana, tao Tersà. Tamin’izay ny vahoaka, dia nitoby tandrifin’i Gebetôna izay an’ny Filistinina,

16 ary ny vahoaka mbola nitoby teo ka nandre ny vaovao hoe «Miteti-dratsy i Zambrì, sady efa matiny aza ny mpanjaka!» Ka androtr’izay ihany i Israely rehetra teo an-toby, dia nanangana an’i Amrì, filohan’ny tafika, ho mpanjakan’i Israely.

17 Dia niakatra avy any Gebetôna i Amrì sy i Israely rehetra niaraka taminy ka tonga nanao fahirano an’i Tersà.

18 Nony hitan’i Zambrì fa afaka ny tanàna, dia lasa niditra ao amin’ny trano mimandan’ny tranon’ny mpanjaka izy, ka nodorany aman-trano tao ny tenany. Toy izany no nahafatesany,

19 noho ny fahotana nataony, tamin’ny nanaovany izay ratsy teo imason’i Iaveh sy nandehanany tamin’ny lalan’i Jerôbôama ary tamin’ny fahotana nataon’i Jerôbôama hampanota an’i Israely.

20 Ny sisa tamin’ny asan’i Zambrì, mbamin’ny teti-dratsy nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

21 Nizara ho antokony roa ny vahoaka amin’i Israely tamin’izay, ny antsasaky ny vahoaka moa nomba an’i Tebnì, zanak’i Gineta hampanjaka azy, ary ny antsasany nomba an’i Amrì.

22 Resin’ny nomba an’i Amrì ny nomba an’i Tebnì, zanak’i Gineta, ka dia maty i Tebnì, ary i Amrì no nanjaka.

Fanjakan’i Amrì tamin’i Israely (885-974)

23 Tamin’ny taona faha-31-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, dia tonga mpanjakan’i Israely kosa i Amrì, ary 12 taona no nanjakany.

24 Nony nanjaka enin-taona tao Tersà izy, dia novidiny tamin’i Somera talenta volafotsy roa, ny tendrombohitr’i Samaria, ka nanorin-trano teo ambonin’ny tendrombohitra izy, ary nataony hoe Samaria, avy amin’ny anaran’i Somera tompon’ny tendrombohitra, ny anaran’ny tanàna naoriny.

25 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh i Amrì, sady nanao ratsy mihoatra izay rehetra talohany izy.

26 Nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izy, sy tamin’ny fahotana nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.

27 Ny sisa tamin’ny asan’i Amrì mbamin’izay nataony aman-kerim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

28 ary nody mandry any amin’ny razany i Amrì, ka nalevina ao Samaria. I Akaba zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.

Fiandohan’ny fanjakan’i Akaba (874-853)

29 Tamin’ny taona faha-38-n’i Asà mpanjakan’i Jodà no tonga mpanjakan’i Israely kosa i Akaba zanak’i Amrì, ary 22 taona no nanjakan’i Akaba zanak’i Amrì, tao Samaria, tamin’i Israely.

30 Nanao izay ratsy eo imason’ny Tompo mihoatra noho izay rehetra teo alohany, i Akaba zanak’i Amrì.

31 Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany.

32 Nanangana ôtely ho an’i Baala izy, tao amin’ny tranon’i Baala nataony tao Samaria;

33 sady nanao aserah koa i Akaba. Nanao izay nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely i Akaba mihoatra noho ny mpanjakan’i Israely rehetra talohany.

34 Fahavelony dia nanorina an’i Jerikô, i Hiela avy any Betela, kanjo ny ain’i Abirama lahy matoany, no sazin’ny nanorenany ny fotony, ary ny ain’i Segoba zanany faralahy, no sazin’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’i Iaveh izay nolazainy tamin’ny alalan’i Jôsoe zanak’i Nona.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 17

Fanambaràna mialoha ny hain-tany

1 Ary i Elia, Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada, nilaza tamin’i Akaba hoe: «Velona i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany! Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.»

Teo amin’ny ranon-driaka Karita

2 Dia tonga tamin’i Elia ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

3 «Mialà eto ianao, ka mandehana miantsinanana, ary miere ao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany.

4 Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao, ary goaika no efa nodidiako hamelona anao any.»

5 Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin’i Iaveh, ka lasa nonina tao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany.

6 Nitondran’ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva, ary nisotro rano teo an-dranon-driaka.

Tao Sareftà. Fahagagana nitomboan’ny lafarina sy ny menaka

7 Nony afaka kelikely anefa, dia ritra ny ranon-driaka, fa tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany,

8 ka tonga taminy ny tenin’i Iaveh, ka nanao hoe:

9 «Miaingà ianao ka mankanesa any Sareftà, izay an’i Sidona, dia mitoera any; indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray.»

10 Dia niainga izy, ka nankany Sareftà. Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: «Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko!»

11 Dia nandeha naka rano ravehivavy. Nantsoiny izy ary nataony hoe: «Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho, raha sitrakao.»

12 Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarina eran-tanan’ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay.»

13 Fa hoy i Elia taminy: «Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankatỳ amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao ianao.

14 Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pahavin’ny andro handatsahan’i Iaveh ranonorana eto ambonin’ny tany.»

15 Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia, ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa.

16 Ny lafarina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

Ny nananganana ho velona ny zanak’ilay vehivavy maty vady

17 Tatỳ aorian’izany kosa, nandraiki-narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy dia mafy ny aretina, ka efa tsy nisy fofon’aina intsony taminy.

18 Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»

19 Ary hoy ny navaliny azy: «Atolory ahy ny zanakao.» Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny tany amin’ny efitrano ambony nitoerany, sy nampandriny teo am-parafarany.

20 Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»

21 Ary niampatra intelo tamin’ny zaza izy, sady niantso an’i Iaveh nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô! mifona aminao re aho, mba ampodio aminy indray ny ain’ity zaza ity!»

22 Nohenoin’i Iaveh ny feon’i Elia, ka nody taminy indray ny ain’ilay zaza, dia tonga velona indray izy.

23 Ary noraisin’i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon’i Elia hoe: «Inty fa velona ny zanakao.»

24 Ka hoy ravehivavy tamin’i Elia: «Fantatro amin’izao fa olon’Andriamanitra tokoa ianao, ka marina ny tenin’i Iaveh ao am-bavanao.»

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 18

Fihaonan’i Elia sy i Abdiasa

1 Nony afaka andro maro dia tonga tamin’i Elia ny tenin’i Iaveh tamin’ny taona fahatelo, nanao hoe: «Mandehana miseho eo anatrehan’i Akaba, ka handatsaka ranonorana eo ambonin’ny tany Aho.»

2 Dia niainga i Elia hiseho eo anatrehan’i Akaba.

Mafy ny mosary tao Samaria,

3 ka nampiantso an’i Abdiasa lehiben’ny tranony i Akaba. Ary i Abdiasa kosa dia natahotra an’i Iaveh,

4 fa fony i Jezabela nandringana ny mpaminanin’i Iaveh, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany.

5 Ary hoy i Akaba tamin’i Abdiasa: «Mandehana mitety ny tany, mankany amin’ny loharano aman-dranon-driaka rehetra, fa angamba hisy ahitra, ka hovelomintsika ny soavaly sy mole, ka tsy hamonoantsika ny biby fiompintsika.»

6 Dia nizara dia, hitetezana ny tany, izy roa lahy: i Akaba moa nandeha samy irery tamin’ny lalana iray, i Abdiasa kosa nandeha samy irery tamin’ny lalana iray.

7 Nony mby teny an-dalana i Abdiasa, indro i Elia nifanena taminy: Niankohoka tamin’ny tany i Abdiasa, nony nahalala azy, ka nanao hoe: «Ianao va ity, ry Elia, tompoko?»

8 Dia hoy ny navaliny azy: «Eny, izaho ity, mandehana ilazao ny tomponao fa hoe ao i Elia.»

9 Fa hoy izy: «Inona no heloka nataoko no dia atolotrao eo an-tanan’i Akaba ity mpanomponao, hovonoiny?

10 Fa velona i Iaveh Andriamanitrao, tsy misy firenena na fanjakana tsy nanirahan’ny Tompo olona hitady anao, ary raha nilaza ny olona nanao hoe: tsy atỳ i Elia, dia nasainy nianiana ny fanjakana sy ny firenena fa hoe: Tsy nahita anao.

11 Ianao anefa ity ankehitriny, manao hoe: Mandehana lazao amin’ny tomponao manao hoe: ao i Elia!

12 Ary rehefa handao anao aho izao, dia hoentin’ny Fanahin’i Iaveh ianao any amin’izay tsy fantatro, dia izaho hampandre an’i Akaba, nefa ianao tsy ho hitany, ka hovonoiny ho faty aho. Hatry ny fony kely anefa ny mpanomponao no efa natahotra an’i Iaveh.

13 Tsy mba nisy nilaza tamin’ny tompoko va ny nataoko tamin’ilay namonoan’i Jezabela ny mpaminanin’i Iaveh? Fa nanafina mpaminanin’i Iaveh zato lahy aho, nataoko dimampolo avy, any amin’ny zohy, novelomiko mofo sy rano.

14 Ianao anefa ity ankehitriny manao hoe: Mandehana ilazao ny tomponao fa hoe: Ao i Elia, ka dia hovonoiny aho.»

15 Fa hoy kosa i Elia: «Velona i Iavehn’ny tafika izay itoerako eo anatrehany! Anio aho hiseho eo anatrehan’i Akaba.»

I Elia sy i Akaba

16 Lasa nitsena an’i Akaba i Abdiasa sy nilaza ny vaovao taminy, ka dia nankeo anatrehan’i Elia i Akaba.

17 Vao nahita an’i Elia i Akaba dia hoy i Akaba taminy hoe: «Atỳ va ianao, ry ilay mpanakorontana an’i Israely?»

18 Namaly i Elia nanao hoe: «Tsy izaho no mpanakorontana an’i Israely, fa ianao indrindra sy ny fianakavian-drainao, amin’ny nandaozanareo ny didin’i Iaveh sy nandehananareo manaraka an’i Baala.

19 Koa ankehitriny, maniraha olona hamory an’i Israely rehetra ao amiko, any an-tendrombohitra Karmela, mbamin’ny mpaminanin’i Baala 450 sy ny mpaminanin’i Astarte 400, izay mihinana amin’ny latabatr’i Jezabela.»

Ny sorona tao Karmela

20 Dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.

21 Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.

22 Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka: «Izaho irery no sisa amin’ny mpaminanin’i Iaveh, fa misy 450 kosa izy no mpaminanin’i Baala.

23 Koa omena ombalahy roa izahay, ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy, dia horaisiny sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo; ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo koa.

24 Raha efa izany kosa, hiantso ny Anaran’ny andriamanitrareo ianareo; izaho kosa hiantso ny Anaran’i Iaveh. Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.» Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe: «Tsara izany!»

25 Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala: «Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha, fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.»

26 Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran’i Baala izy, hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe: «Ry Baala ô, valio izahay!» Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teoanoloan’ny ôtely nataony izy ireo.

27 Nony nitataovovonana ny andro, nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe: «Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy, ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny: matory angamba izy, ka dia hifoha.»

28 Dia niantso mafy tokoa izy ireo sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony mandra-piloa-dra ny tenany.

29 Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsina kely akory.

30 Izay i Elia vao nanao tamin’ny vahoaka hoe: «Manatòna ahy ianareo.» Nony nanatona azy ny vahoaka, dia namboariny ny ôtelin’i Iaveh izay efa voarava.

31 Naka vato 12 i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba, ilay niharan’ny tenin’i Iaveh hoe: «I Israely no ho anaranao.»

32 Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny Anaran’i Iaveh. Raha efa izany nasiany hady manodidina ny ôtely sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana;

33 dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy, ka napetrany teo ambony kitay hazo.

34 Ary hoy izy: «Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.» Dia hoy izy: «Ataovy fanindroany indray izany.» Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona. Fa hoy indray izy: «Ataovy fanintelony koa izany.» Dia nanao izany fanintelony ny olona.

35 Ka nikorotsaka nanodina ny ôtely ny rano, dia nasainy nofenoina rano koa ny hady.

36 Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao, ary izaho no mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.

37 Mihainoa ahy, ry Iaveh ô, mihainoa ahy! mba hahafantaran’ity vahoaka ity, fa Ianao Iaveh Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.»

38 Dia latsaka tamin’izay ny afon’i Iaveh, ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany, ary ritrany ny rano tamin’ny hady!

39 Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe: «I Iaveh ihany no Andriamanitra, i Iaveh ihany no Andriamanitra!»

40 Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.

Ny nitsaharan’ny hain-tany

41 Ary hoy i Elia tamin’i Akaba: «Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan’ny orana.»

42 Dia niakatra hihinana sy hisotro i Akaba, fa i Elia kosa niakatra ho any an-tampon’i Karmela, sady niondrika tandrifin’ny tany, no nanao ny tarehiny tao anelanelan’ny lohaliny,

43 ary nilaza tamin’ny mpanompony hoe: «Miakara kely, tazano ny arỳ amin’ny ranomasina.» Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe: «Tsy misy na inona na inona.» Ary hoy i Elia: «Miverena koa impito.»

44 Nony tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy: «Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina.» Ka hoy i Elia: «Mandehana lazao amin’i Akaba hoe: ‹Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran’ny orana anao.› »

45 Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, dia latsaka ny ranonoram-be ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela.

46 Ary teo amin’i Elia ny tanan’i Iaveh ka nisikina izy, dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba, hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 19

Teny an-dalana ho any Horeba

1 Nolazain’i Akaba tamin’i Jezabela avokoa ny nataon’i Elia, sy ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin’ny sabatra.

2 Ka naniraka olona ho any amin’i Elia, i Jezabela, hilaza aminy hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain’izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao.»

3 Nony nahita izany i Elia, dia lasa niainga hamonjy ny ainy. Ka nony tonga tao Bersabea izay an’i Jodà izy, navelany tao ny mpanompony,

4 fa izy kosa nandroso lalana indray andro tany an’efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: «Aoka izay! alao amin’izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.»

5 Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ilay kofafambohitra. Fa indro nisy Anjely nanohitra azy kosa, nanao taminy hoe: «Miarena ianao, hihinana.»

6 Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara; ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.

7 Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’i Iaveh, nanohina azy, sy nanao taminy hoe: «Miarena ianao fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao.»

8 Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany, ho any Horeba tendrombohitr’Andriamanitra.

Ny nihaonany tamin’Andriamanitra

9 Nony mby tany izy niditra tao anaty zohy, dia nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Maninona atỳ ianao, ry Elia?»

10 Ka hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»

11 Ary hoy i Iaveh: «Mivoaha ianao, ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’i Iaveh, fa indro handalo i Iaveh.» Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan’i Iaveh; nefa tsy tao amin’ny rivotra i Iaveh. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany i Iaveh.

12 Nanarakaraka ny horohoron-tany nisy afo koa, nefa tsy tao amin’ny afo i Iaveh. Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy.

13 Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny, ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy. Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe: «Maninona atỳ ianao, ry Elia?»

14 Ary hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»

15 Fa hoy i Iaveh taminy: «Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasa; ka rehefa mby any ianao, hosory ny mpanjakan’i Siria, i Hazaela,

16 hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsì, ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safata, avy any Abela Mehôlà.

17 Ka izay ho afa-mandositra ny sabatr’i Hazaela dia hovonoin’i Jehoa, ary izay ho afa-mandositra ny sabatr’i Jehoa dia hovonoin’i Elisea.

18 Hamela 7.000 lahyao amin’i Israely anefa Aho, dia ireo rehetra tsy nandohalika tamin’i Baala, ireo rehetra tsy nanoroka an’io tamin’ny vavany.»

Fiantsoana an’i Elisea

19 Nony niala teo i Elia, dia nahita an’i Elisea, zanak’i Safata niasa tany. Omby efatra amby roapolo tsiroaroa no teo alohany, ka teo amin’ny faha laharana 12 izy. Nanatona azy i Elia sady natsipiny taminy ny kapaotiny.

20 Nilaozan’i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an’i Elia izy, nanao hoe: «Aoka handeha hanoroka an’idada sy ineny aho, dia hanaraka anao.» Ary hoy i Elia taminy: «Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?»

21 Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin’ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 20

Natao fahirano i Samaria

1 Ary i Benadaba mpanjakan’i Siria, namory ny tafiny rehetra; mpanjaka 32 no niaraka taminy, sady nisy soavaly aman-kalesy maro koa. Dia niakatra izy ary nanao fahirano an’i Samaria dia namely azy.

2 Nandefa iraka nankao an-tanàna, ao amin’i Akaba, mpanjakan’i Israely izy, hilaza aminy hoe: «Izao no tenin’i Benadaba:

3 ‹Ahy ny volafotsy sy volamenanao, ahy ny vadinao sy ny zanakao tsara indrindra.›

4 Dia izao no navalin’ny mpanjakan’i Israely: ‹Eny, ry mpanjaka tompoko ô, anao aho sy izay rehetra ananako, araka ny voalazanao.› »

5 Fa niverina indray ny iraka, nilaza hoe: «Izao no lazain’i Benadaba: Nampilaza taminao aho hoe: Atolory ahy ny volafotsy sy ny volamenanao, mbamin’ny vady aman-janakao.

6 Kanjo rehefa halefako ho atỳ aminao rahampitso toy izao ny mpanompoko dia hisava ny tranonao sy ny tranon’ny mpanomponao izy, dia horaisin’ny tanany sy hoentiny avokoa izay rehetra sarobidy eo imasonao.»

7 Ary nantsoin’ny mpanjakan’i Israely ny loholona rehetra amin’ny tany, ka hoy izy: «Fantaro sy zahao fa mitady hampidi-doza amintsika io lehilahy io, nangataka ny vady aman-janako, mbamin’ny volafotsy sy volamenako, ka tsy nandà izany aho.»

8 Dia hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra tamin’i Akaba: «Aza mihaino na manaiky akory.»

9 Ka dia hoy i Akaba namaly ny irak’i Benadaba: «Izao no lazao amin’ny mpanjaka tompoko: Izay rehetra nanirahanao hangatahina tamiko tamin’ny voalohany dia hataoko, fa ny amin’izao zavatra izao kosa, tsy azoko atao.» Dia niverina ny iraka nitondra izany valy izany taminy.

10 Naniraka olona i Benadaba hilaza amin’i Akaba hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho raha ho ampy eran-tanan’ilan’ny isan’olona manaraka ahy akory ny vovok’i Samaria.»

11 Fa izao kosa no navalin’ny mpanjakan’i Israely nataony hoe: «Lazao aminy hoe: Aoka izay mbola mitafy ny fiadiany, tsy hirehareha toy ny efa nametraka ny azy.»

12 Niara-nisotro tamin’ireo mpanjaka, tao an-trano rantsan-kazo i Benadaba no nandre izany valin-teny izany; ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «Milahara hiady ianareo.» Dia nilahatra hamely ny tanàna izy ireo.

Fandresen’ny Israelita

13 Fa indro kosa nisy mpaminany nanatona an’i Akaba, mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Izao no tenin’i Iaveh: Hitanao ireo vahoaka be rehetra ireo: Indro hatolotro eo an-tananao anio, dia ho fantatrao fa i Iaveh Aho.»

14 Ary hoy i Akaba: «Amin’iza?» Dia hoy ny navaliny: «Izao no lazain’i Iaveh: Amin’ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany.» Ka hoy i Akaba: «Iza no hamely aloha?» Ary hoy ny navaliny: «Ianao ihany.»

15 Dia nampanaovin’i Akaba matso ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany, ka nisy 232 ny isany. Nanarakaraka azy ireo dia nampanaoviny matso koa ny zanak’i Israely rehetra, ka 7.000 no isany.

16 Dia nivoaka hamely izy ireo, nony nitataovovonana ny andro, ary i Benadaba mbamin’ireo mpanjaka 32 nanampy azy dia mbola nisotro sy nimamo tao an-trano rantsan-kazo tamin’izany.

17 Ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany no nivoaka voalohany. Ary naniraka hanontany i Benadaba, ka nilaza hoe: «Misy olona nivoaka avy any Samaria.»

18 Dia hoy izy: «Raha avy hihavana izy ataovy sambo-belona; raha avy hiady izy ataovy sambo-belona.»

19 Rehefa tafavoaka ny tanàna ny mpanompon’ny lehiben’ny isam-pizaran-tany mbamin’ny foloalindahy nanaraka aorian’ireo,

20 dia samy nahafaty lehilahy iray avy izy ireo, ka rafitra nandositra ny Sirianina, nefa nenjehin’i Israely. Niara-nandositra an-tsoavaly tamin’ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa i Benadaba mpanjakan’i Siria.

21 Nivoaka ny mpanjakan’i Israely; nasiany avokoa ny soavaly sy ny kalesy, ka nasiany tamin’ny fandresena mafy ny Sirianina.

Zava-nitranga anelanelan’ady

22 Tamin’izay nanatona ny mpanjakan’i Israely indray ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: «Ndeha, matanjaha tsara dieny izao ka diniho sy fantaro izay hataonao fa ho avy hamely anao indray ny mpanjakan’i Siria rehefa miherina ny taona.»

23 Ary hoy ny mpanompon’ny mpanjakan’i Siria taminy: «Andriamanitry ny tendrombohitra, ny Andriamanitr’i Israely; ka izany no nahareseny antsika. Fa aoka ange hiadiantsika an-tany lemaka izy, raha tsy ho resintsika mihitsy izy é!

24 Izao no ataovy: Samy esory amin’ny toerany avy ny mpanjaka, ka manamboninahitra no apetraho hisolo azy.

25 Ary manangàna tafika sahala amin’ilay teo, misy soavaly toraky ny teo, ary kalesy toraky ny teo koa. Amin’izay dia hiadiantsika eny an-tany lemaka ireny, ka tsy maintsy resintsika mihitsy.» Narahiny ny torohevitr’izy ireo, ka dia nanao araka izany tokoa izy.

Fandresen’i Afeka

26 Nony niherina ny taona, nampanao matso ny Sirianina indray i Benadaba dia niakatra nankany Afeka, hiady amin’i Israely.

27 Fa nampanaovina matso koa ny zanak’i Israely, dia nandray vatsy izy ka hihaona amin’ny Sirianina. Nitoby tandrify azy ny zanak’i Israely ka sahala amin’ny andian’osy roa toko kely izy ireo, fa ireto Sirianina nanenika ny tany.

28 Ary nisy olon’Andriamanitra anankiray nanatona ka nilaza tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ny Sirianina, nanao hoe: Andriamanitry ny tendrombohitra i Iaveh, fa tsy mba andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao avokoa ireo vahoaka be ireo, ka ho fantatrareo fa i Iaveh Aho.»

29 Hafitoana izy ireo nitoby nifanatrika teo ihany. Fa nony tamin’ny andro fahafito rafitra ny ady, dia nahafatesan’ny zanak’i Israely miaramila an-tongotra 100.000 ny Sirianina tamin’ny andro iray.

30 Ny sisa indray nandositra tao Afeka, tao an-tanàna, ary nianjeran’ny manda ny lehilahy 17.000 sisa.

Efa nandositra i Benadaba ka dia nandehandeha tao an-tanàna nifindrafindra efitrano,

31 ka hoy ny mpanompony taminy: «Indro fa efa renay fa mpanjaka antra olona ny mpanjakan’ny tranon’i Israely, ka aoka hosikinanay lasàka ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Israely izahay, sao mba mitsitsy ny ainao izy.»

32 Dia nosikinany lasàka izy, nasiany mahazaka ny lohany, ary nankany amin’ny mpanjakan’i Israely izy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Benadaba, mpanomponao: Aoka mba ho sitrakao ny hitsitsy ny aiko!» Ka hoy ny navalin’i Akaba: «Mbola velona va izy? Rahalahiko izy.»

33 Noraisin’ireo olona ireo ho fambara tsara izany teny izany, ka novonjeny nosamborina faingana izany teny izanynataony hoe: «Rahalahinao i Benadaba.» Dia hoy i Akaba: «Mandehana alao izy.» Nony tonga teo aminy i Benadaba, dia nasainy niakatra ho amin’ny kalesiny.

34 Ary hoy i Benadaba taminy: «Hampodiko aminao ny tanàna nalain’ikaky tamin-drainao, ary hanao lalana ho anao any Damasa ianao tahaka ny nataon’ikaky tany Samaria.» Ka hoy i Akaba: «Ary izaho kosa handefa anao rehefa manao fanekem-pihavanana amiko ianao.» Dia nanao fanekena taminy izy, ka nalefany handeha.

Mpaminany manameloka an’i Akaba mpanjaka

35 Ary ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ny namany, ao amin’ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: «Masìna ianao, vonoy aho!» Tsy nety namono azy anefa ilay lehilahy.

36 Ka hoy izy taminy: «Noho ianao tsy nihaino ny feon’i Iaveh, dia indro hovonoin’ny lionaianao, raha vao miala eto amiko.» Dia niala teo aminy ilay lehilahy dia nifanehitra tamin’ny liona, ka novonoiny.

37 Dia nahita lehilahy hafa indray izy, ka nanao taminy hoe: «Masìna ianao, vonoy aho!» Ary nasian-dralehilahy izay izy, ka naratrany.

38 Nandeha tamin’izay ity mpaminany, dia nipetraka teny amin’ny lalana halehan’ny mpanjaka, ary niova endrika izy fa nasiany bandy teo ambony masony.

39 Nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina tamin’ny mpanjaka izy nanao hoe: «Nivoaka teo afovoan’ny ady ny mpanomponao ary indro fa nisy lehilahy anankiray nitsoaka, nitondra olona anankiray teo amiko, nataony hoe: Hazòny ralehilahy ity, fa raha lasa io, ny ainao no manefa, na handoa talenta volafotsy iray ianao.

40 Kanjo ny mpanomponao mbola variana tatsỳ sy taroa, ilay olona lasa!» Dia hoy ny mpanjakan’i Israely taminy: «Izany no hitsarana anao, ianao ihany no namoaka ny teny fitsarana.»

41 Niaraka amin’izay kosa nesorin’ity mpaminany ny bandy teo ambony masony, ka fantatry ny mpanjakan’i Israely fa isan’ny mpaminany izy.

42 Dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandefa teo am-pelatananao ny olona nasaiko natao anatema, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny vahoakanao no hisolo ny vahoakany.»

43 Nanjombona sady sosotra ny mpanjakan’i Israely no nandeha nody, dia tonga tany Samaria.