Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 21

Tsy nanaiky hivarotra ny tanimboalobony i Nabôta

1 Taorian’izany zavatra izany, tao Jezrahela kosa, dia nanana tanimboaloboka anankiray i Nabôta avy ao Jezrahela, ary teo akaikin’ny lapan’i Akaba mpanjakan’i Samaria izany.

2 Ka niteny tamin’i Nabôta i Akaba nanao hoe: «Avelao mba ho ahy ny tanimboalobokao, hataoko fambolena anana, fa akaiky dia akaiky ny tranoko; tanimboaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony, na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao.»

3 Fa hoy i Nabôta namaly an’i Akaba: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie ny hanome ny lova avy amin’ny razako!»

I Akaba sy i Jezrahela

4 Nody tany an-tranony i Akaba, nanjombona sy sosotra noho ity teny nolazain’i Nabôta avy any Jezrahela taminy hoe: «Tsy omeko ny lovako avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafara izy, nampiamboho ny tavany ary tsy nihinan-kanina.

5 Fa nankeo aminy kosa i Jezabela vadiny, ka nanao taminy hoe: «Nahoana no manjombona ny fanahinao ary tsy homan-kanina ianao?»

6 Ary hoy ny navaliny azy: «Niteny tamin’i Nabôta avy any Jezrahela aho, nanao taminy hoe: Avelao hovidiko vola ny tanimboalobokao, na hotakalozako tanimboaloboka hafa, raha aleonao izany. Fa hoy izy hoe: Tsy omeko anao ny tanimboaloboko.»

7 Dia hoy i Jezabela vadiny taminy: «Moa ianao va no tompon’ny fanjakana amin’i Israely ankehitriny? Koa miarena, hano ny hanina, ary aoka hifaly ny fonao, fa tenako no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabôta avy ao Jezrahela.»

Ny namonoana an’i Nabôta

8 Dia nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Akaba izy, nasiany tombokasen’ny mpanjaka, nalefany ho any amin’ny loholona sy ny andriambaventy ao an-tanàna miara-monina amin’i Nabôta.

9 Ary izao no nosoratany ao amin’ny taratasy: «Miantsoa andro fifandian-kanina ka apetraho eo alohan’ny vahoaka i Nabôta;

10 ary manangàna olon’i Belialaroa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.»

11 Nanao araka izay nanirahan’i Jezabela holazaina aminy araka izay voasoratra amin’ny taratasy nampitondrainy azy, ny olona tao an-tanànan’i Nabôta, ny loholona sy andriambaventy nonina tao an-tanànany.

12 Niantso andro fifadian-kanina izy, napetrany teo alohan’ny vahoaka i Nabôta,

13 ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak’i Beliala. Ary niampanga an’i Nabôta teo anatrehan’ny vahoaka ireo olon’i Beliala nanao hoe: «Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta!» Dia nentin’izy ireo nankany ivelan-tanàna izy, notoraham-bato ka maty.

14 Dia naniraka tany amin’i Jezabela izy ireo, nilaza hoe: «Notoraham-bato i Nabôta ka maty.»

15 Nony ren’i Jezabela fa notoraham-bato i Nabôta ka maty, dia hoy izy tamin’i Akaba: «Mitsangana ka alao ho anao ny tanimboalobok’i Nabôta avy any Jezrahela izay nolaviny tsy hamidy vola taminao, fa efa tsy velona intsony i Nabôta, fa efa maty izy.»

16 Rehefa ren’i Akaba fa hoe maty i Nabôta, dia niainga izy, nidina nankany amin’ny tanimboalobok’i Nabôta avy ao Jezraela haka izany ho azy.

Ambaran’i Elia ny fanamelohan’Andriamanitra

17 Fa tonga tamin’i Elia Tesbita kosa ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

18 «Mitsangàna ianao, ka midìna hihaona amin’i Akaba mpanjakan’i Israely, manjaka ao Samaria. Ao an-tanimboalobok’i Nabôta ao izy izao, fa nidina nankany haka izany ho azy.

19 Ka mitenena aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Moa tsy namono va ianao sy naka lovan’olona koa? Dia hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Eo amin’ny toerana nilelafan’ny alika ny ran’i Nabôta ihany no hilelafan’ny alika ny ran’ny tenanao koa.»

20 Ary hoy i Akaba tamin’i Elia: «Azonao va aho, ry ilay fahavaloko?» Ka hoy ny navaliny: «Azoko ianao, satria nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ianao.

21 Indro aho hahatonga loza aminao: hataoko mafana ianao, haringako ny lehilahy rehetra an’i Akaba na ny andevo, na ny olona afaka, amin’i Israely,

22 ka dia hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôama zanak’i Nabata sy ny tranon’i Ahiasa, ny tranonao, satria mihaika Ahy hitezitra ianao, sady nampanota an’i Israely.»

23 I Jezabela koa, nasian’i Iaveh teny hoe: «Hohanin’ny alika eny akaikin’ny hadin’i Jezrahela i Jezabela.»

24 Izay an’ny tranon’i Akabaka maty an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary ny maty an-tsaha kosa, hohanin’ny voromanidina.

25 Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an’i Akaba hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, satria i Jezabela vadiny no namporisika azy.

26 Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin’ny nandehanany amin’ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon’ny Amôreana, izay noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

Fanenenan’i Akaba

27 Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy.

28 Ka dia tonga tamin’i Elia Tesbita ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

29 «Efa hitanao va ny nanetren’i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin’ny androny kosa aho fa amin’ny andron-janany vao hahatonga loza amin’ny tranony aho.»

Categories
1Mpanjaka

1Mpanjaka 22

Nanapaka hevitra i Akaba hanafika an’i Ramôta any Galaada

1 Nandry feizayny tany nandritra ny telo taona, fa tsy niady i Siria sy i Israely.

2 Nony tamin’ny taona fahatelo, nidina nankany amin’ny mpanjakan’i Israely, i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

3 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’ny mpanompony; «Fantatrareo va fa antsika i Ramôta any Galaada, no tsy manao na inona na inona isika mba hanatsoaka azy eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria?»

4 Dia hoy izy tamin’i Jôsafata: «Mba hiaraka amiko hamely an’i Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Hahazo ahy ny hahazo anao, ary hihatra amin’ny oloko ny hihatra amin’ny olonao, ary hihatra amin’ny soavaliko ny hihatra amin’ny soavalinao.»

Ireo mpaminany sandoka manambara fandresena

5 Ary tamin’izay i Jôsafata niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: «Miangavy anao aho, mba hanontany ny tenin’i Iaveh ankehitriny.»

6 Dia novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminany tokony ho 400 lahy, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Handeha hamely an’i Ramôta any Galaada va aho, sa tokony hijanona?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Mandehana fa atolotry ny Tompo eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

7 Nefa hoy i Jôsafata: «Moa tsy misy mpaminanin’i Iaveh intsony va eto, azontsika anontaniana koa?»

8 Dia hoy ny mpanjakan’i Israely namaly an’i Jôsafata: «Mbola misy lehilahy anankiray ihany eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh, dia i Mikea, zanak’i Jemlà; nefa halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa loza ihany.» Ka hoy i Jôsafata: «Aza manao izany, ry mpanjaka.»

9 Izay ny mpanjakan’i Israely vao niantso eonoka anankiray, nilazàny hoe: «Asaovy mankatỳ miaraka amin’izay i Mikea zanak’i Jemlà.»

10 Tamin’izany ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, samy efa tafapetraka eo amin’ny seza fiandrianany, sy samy efa niakanjo ny akanjony avy, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, samy naminany teo anatrehan’izy ireo.

11 I Sedesiasa zanak’i Kanaàna nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny Sirianina, mandra-paharingany.»

12 Ny mpaminany rehetra koa naminany torak’izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada, ka maharese, satria hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

I Mikea mpaminany manambara faharesena

13 Ary ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Indro fa iray teny avokoa ny mpaminany izao, samy milaza soa ho an’ny mpanjaka, ka mba ampifanaraho amin’ny azy ireo tsirairay avy koa ny teninao, mbà milaza soa.»

14 Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»

15 Nony tonga teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mandehana, maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany!»

16 Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin’ny Anaran’i Iaveh, afa-tsy ny marina ihany?»

17 Dia hoy ny navalin’i Mikea: «Indreny i Israely rehetra hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»

18 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Tsy efa voalazako taminao va? Tsy mba maminany soa ho ahy io, fa ny loza ihany.»

19 Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.

20 Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba mba hiakarany any Ramôta any Galaada hahafaty azy any? Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao.

21 Tamin’izay dia tonga ny fanahy, nitoetra teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Fa hoy i Iaveh taminy: Hataonao ahoana?

22 Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho, ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan’ny mpaminany rehetra. Dia hoy i Iaveh: Hanambaka azy ianao, sady hahomby amin’izany, ka mivoaha àry, ataovy izany.

23 Koa indro, i Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminaninao rehetra eo ireo. Ary i Iaveh efa nanonona loza hanjò anao.»

24 Fa nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaàna, ka namely ny takolak’i Mikea ary nanao hoe: «Fa taiza leity no nivoahan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny amin’ialahy a?»

25 Ary hoy ny navalin’i Mikea: «Ho hitanao izany, amin’ilay andro handehananao isan’efitrano hierenao.»

26 Dia hoy ny mpanjakan’i Israely: «Raiso i Mikea ka ento any amin’i Amôna governoran’ny tanàna sy amin’i Jôasa zanaky ny mpanjaka,

27 lazao hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity ka mofom-pahoriana aman-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa aman-tsara.»

28 Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»

Ny nahafatesan’i Akaba tany Ramôta any Galaada

29 Dia niakatra nankany Ramôta any Galaada ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

30 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Hanao fitafiana hafa aho no handroso any amin’ny ady, fa ianao kosa ny akanjonao ihany entina.» Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan’i Israely, ka nandroso tany amin’ny ady.

31 Ary nisy didy nomen’ny mpanjakan’i Siria an’ireo 32 lahy, lehiben’ny an-kalesiny nataony hoe: «Aza mamely na ny kely na ny lehibe fa ny mpanjakan’i Israely ihany.»

32 Nony nahatazana an’i Jôsafata ny lehiben’ny kalesy, dia nanao hoe: «Iny tokoa ny mpanjakan’i Israely»; sady nitodika nanatrika azy izy hamely azy. Niantso mafy i Jôsafata.

33 Ka nony hitan’ny lehiben’ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’i Israely io, dia nivily niala taminy.

34 Tamin’izay nisy kosa lehilahy anankiray, nandefa kitoatoa ny zana-tsipìkany, ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely, teo anelanelan’ny fikatonan’ny ankanjom-piadiana sy ny fiarovan-tratrany. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpampandeha kalesiny: «Ahodino ka ento miala eto amin’ny ady aho, fa voa.»

35 Ary nihamafy ny ady tamin’izany andro izany; notohanana ihany ny mpanjaka, hitsangana teo ambony kalesiny, tandrifin’ny Sirianina, ary maty izy nony hariva; ny ra tamin’ny ratrany, niraraka tao anaty kalesy.

36 Nony efa ho faty ny masoandro, niely eran’ny toby izao antsoantso izao; «Samia mody any an-tanànany avy, samia mody any amin’ny taniny avy!»

37 Toy izany no nahafatesan’ny mpanjaka. Nentina ho any Samaria izy, dia nalevina tany Samaria ny mpanjaka.

38 Nony nosasana tao am-parihin’i Samaria ny kalesy dia nolelafin’ny alika ny ran’i Akaba, ary nandro teo ny vehivavy janga araka ny teny voalazan’i Iaveh.

Famaranana ny fanjakan’i Akaba

39 Ny sisa tamin’ny asan’i Akaba, mbamin’izay rehetra nataony, ny trano ivoara naoriny, ny tanàna rehetra naoriny, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

40 Nody mandry any amin’ny razany i Akaba, ary i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan’i Jôsafata tany Jodà (870-848)

41 Tamin’ny taona fahefatr’i Akaba mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Jôsafata zanak’i Asà ho mpanjakan’i Jodà.

42 35 taona i Jôsafata, fony tonga mpanjaka, ary 25 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Azobà, zanak’i Salaia.

43 Nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Asà rainy izy, sady tsy nivily tamin’izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.

44 Saingy ny fitoerana avo tsy rava, ny vahoaka mbola nanohy ny fanateran-tsorona aman-java-manitra eny amin’ny fitoerana avo.

45 Ary i Jôsafata nihavana amin’ny mpanjakan’i Israely.

46 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôsafata, ny herim-po nasehony, ny ady nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

47 Nofongorany hialaamin’ny tany ny mpijangajanga sisa izay nijanona teo, tamin’ny andron’i Asà rainy.

48 Tsy nisy mpanjaka tany Edôma fahizay, fa governora no solo-mpanjaka.

49 Nanao sambon’i Tarsisa folo i Jôsafata mba hankany Ofira haka volamena, nefa tsy nankany izy, fa fefika tao Asiôngabera ny sambo.

50 Dia hoy i Okoziasa zanak’i Akaba tamin’i Jôsafata: «Avelao ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao eny an-tsambo.» Nefa tsy nety i Jôsafata.

51 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, ka nalevina ao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida rainy, dia i Jôrama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

I Okoziasa mpanjakan’i Israely (853-852) sy i Elia mpaminany

52 Tamin’ny taonafaha 17-n’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà no vao tonga mpanjakan’i Israely tany Samaria i Okoziasa zanak’i Akaba, ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.

53 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, dia nandeha tamin’ny lalan-drainy ary tamin’ny lalan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay nampanota an’i Israely.

54 Nanompo an’i Baala izy, ary niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tahaka izay rehetra nataon-drainy ihany.