Categories
1Piera

1Piera 1

Fiarahabana

1 I Piera, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, mamangy ny mpivahiny izay miely any Pônto, Galata, Kapadosy, Azia ary Bitinia, dia ny olom-boafidy,

2 araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!

Ny famonjena ny kristianina

3 Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,

4 hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,

5 dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.

6 Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,

7 ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.

8 Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,

9 sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

Fanantenan’ny mpaminany

10 Izany famonjena izany no zavatra nokatsahiny sy nokarohin’ny mpaminany izay naminany ny fahasoavana voatendry ho anareo.

11 Nohadihadian’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany.

12 Ary nambara tamin’izy ireo fa izany no nomena horaharahainy, dia tsy mba ho azy ireo fa ho anareo; ary ireo olona nitory ny Evanjely taminareo ankehitriny, tamin’ny Fanahy Masina nirahina avy any an-danitra, no nampandre anareo izany zavatra izany, izay irin’ny Anjely hojerena.

Fitandremana tsara

13 Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.

14 Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filàn-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo;

15 fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin’ny fitondran-tenanareo rehetra,

16 araka ny voasoratra hoe:Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho,

17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy, no antsoina hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo, mandritra ny andron’ny fivahiniana etỳ,

18 satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy,

19 fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,

20 dia ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, no efa voatendry, fa tamin’izao andro farany izao, no vao naseho, noho ny aminareo.

21 Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra, Izay nanangana Azy avy any amin’ny maty, sy nanome voninahitra Azy, ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.

Ny fitiavana

22 Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;

23 fa efa nateraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety lo, fa amin’ny voa tsy mety lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay.

24 Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra; nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny;

25 fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorina taminareo.

Categories
1Piera

1Piera 2

Ny fahatsorana

1 Koa esory avokoa ny faharatsiana rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy,

2 maniria fatratra ny rononom-panahytsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena,

3 rehefa nandramanareo fa mamy ny Tompo.

Ny fisoronana vaovao

4 Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;

5 ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

6 Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe:Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna, dia vato voafidy sy sarobidy, ary izay mino azy tsy hangaihay.

7 Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an’izay tsy mino kosa dia:Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro,

8 ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina;fa tafintohina amin’ny teny izy ireo satria tsy nanaiky, sady izany rahateo no nanendrena azy.

9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:

10 dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha, fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny, ary tsy nahazo famindram-po koa taloha, fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny.

Ny tokony hataon’ny kristianina eo amin’ny tsy mpino

11 Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.

12 Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.

Amin’ireo manam-pahefana

13 Koa, noho ny Tompo, dia maneke ny lehibe rehetra voatendrin’ny olona: na ny mpanjaka, satria ambony izy,

14 na ny mpifehy, satria nirahiny hamay ny manao ratsy, sy hidera ny manao soa izy.

15 Fa izany no sitrapon’Andriamanitra, mba hanampenanareo ny vavan’ny adala sy tsy mahalala anareo, amin’ny asa soa ataonareo.

16 Olona afaka ianareo, nefa aoka ny fahafahana tsy hoenti-manarona ny ratsy, fa manaova toy ny mpanompon’Andriamanitra.

17 Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.

Amin’ireo tompo sarotiny

18 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo, amin-tahotra sy fanajana lehibe, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.

19 Fa zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ny fiaretan’ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny noho ny fitiavana Azy.

20 Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy ianareo ka miaritra ny kapoka valin’izany? Fa raha manao soa ianareo no ampahorîna, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.

21 Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:

22 dia Izy, Ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava hilaza fitaka velively;

23 Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;

24 Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.

25 Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

Categories
1Piera

1Piera 3

Ao amin’ny fanambadiana

1 Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vadiny, na dia tsy amin’ny fitorian-teny aza,

2 rehefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana.

3 Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba,

4 fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason’Andriamanitra.

5 Fa toy izany no firavaky ny vehivavy masina fahiny izay nanantena an’Andriamanitra sy nanaiky ny vadiny;

6 tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany ianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo.

7 Ianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana ianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo.

Amin’ny samy iray finoana

8 Farany, miraisa saina ianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpiray tam-po, mifamindrà fo, manetre tena.

9 Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.

10 Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy,

11 aoka hiala amin’ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy.

12 Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo.

Raha misy fanenjehana

13 Ary iza no hahavita ratsy aminareo, raha mikely aina hanao soa ianareo?

14 Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory.

15 I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.

16 Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy.

17 Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.

Nitsangan-ko velona i Kristy ary nidina tany ambanin’ny tany

18 Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.

19 Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,

20 dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano.

21 Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,

22 dia Ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.

Categories
1Piera

1Piera 4

1 Koa noho i Kristy efa nijaly tamin’ny nofo ho antsika àry, dia raiso hofidina izao hevitra izao: izay nijaly tamin’ny nofo dia nitsahatra tamin’ny ota.

2 mba tsy handaniany ny andro sisa hiainany amin’ny nofo, araka ny danin’ny kibon’olombelona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.

3 Ampy ny nanarahanareo ny fanaon’ny Jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin’ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra.

4 Gaga izy ireo izao, fa tsy miara-manaram-po aminy amin’ny ratsy ianareo, ka manozona no ataony.

5 Nefa hampamoahin’Ilay vonon-kitsara ny velona sy ny maty izy.

6 Fa izany no nitoriana ny Evanjely tamin’ny maty koa, dia mba ho velona araka an’Andriamanitra izy amin’ny fanahy, rehefa notsaraina araka ny fomban’ny olona amin’ny nofo.

Efa akaiky ny farandro

7 Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.

8 Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro.

9 Mifampiantranoa, ka aza asiana monjomonjo.

10 Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.

11 Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.

Famintinana ny taratasy

12 Ry malala, aza gaga amin’izany toa afonirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita;

13 fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.

14 Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin’Andriamanitra.

15 Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;

16 fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza, noho izany anarana izany.

17 Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?

18 Ary raha saika tsy voavonjy ny marina, inona no hanjò ny tsy mivavaka sy ny mpanota?

19 Koa izay miaritra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanolotra ny fanahiny amin’ny fanaovan-tsoa, ho Azy Mpahary tsy mivadika.

Categories
1Piera

1Piera 5

Hafatra ho an’ireo zokiolona

1 Mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy, ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:

2 fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po;

3 tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry;

4 ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

5 Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.

6 Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny;

7 apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.

8 Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.

9 Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.

10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.

11 Ho Azy irery anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay Amen.

12 Amin’ny alalan’i Silvanoizay havana iray finoana mahatoky fantatro tsara fa ahy, no anoratako ho anareo ireo teny vitsivitsy ireo mba hilaza aminareo sy hampatoky anareo fa ny fahasoavan’Andriamanitra marina tokoa no iorenanareo.

13 Manao veloma anareo ny Eglizin’i Babilôna, voafidy toa anareo, sy i Marka zanako.

14 Mifampiarahabà amin’ny fifanoroham-pitiavana.

Ho ao aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanana.