I Gôliata mihatsy ny tafika israelita
1 Ary namory ny miaramilany ny Filistinina mba hiantafika ka tafangona tao Sokao, izay an’i Jodà, dia nitoby tao Efasa-Domina anelanelan’i Sokao sy i Azeka.
2 Nivory koa i Saola sy ny lehilahy amin’i Israely ka niorin-dasy tao amin’ny lohasahan’ny Terebinta, ary nilahatra tandrifin’ny Filistinina.
3 Ny Filistinina moa teo am-pita amin’ny tendrombohitra iray, ary i Israely kosa teo am-pita amin’ny tendrombohitra iray, ka ny lohasaha no nanelanelana azy roa tonta.
4 Tamin’izay dia nivoaka avy teo amin’ny tobin’ny Filistinina ity mpiady anankiray, Gôliata no anarany, ary avy any Geta: enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.
5 Satroka valala mihoatra no nanarona ny lohany ary fiarovan-tratra varahina mihelakelaka no nentiny, ary dimy arivo siklavarahina ny lanjan’ny fiarovan-tratra.
6 Kiraro varahina no teo an-tongony, lefom-pohy varahina no tao anelanelan’ny sorony;
7 tahaka ny voditenon’ny mpanenona no haben’ny zaran-defony, vy lanjana enin-jato sikla ny lela lefona, ary nandeha teo alohany ny mpitondra ampinga.
8 Nitsatoka izy, dia niantso ny antokon’i Israely ka niteny tamin’ny feo avo nanao hoe: «Ahoana ange no nivoahanareo hilahatra hiady? Moa tsy Filistinina aho, ary ianareo kosa moa tsy mpanompon’i Saola? Koa mifidiana lehilahy anankiray ianareo, hidina hikatroka amiko.
9 Ka raha izy no mahery eo am-piadiana amiko ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay, fa raha izaho kosa no mandresy sy mahafaty azy dia ho ambany fahefanay ianareo sy ho mpanomponay».
10 Mbola nanohy ihany io Filistinina io nanao hoe: «Lasa izay ny fihaikako ny miaramilan’i Israely anio, ka amoahy lehilahy anankiray aho dia hikatroka izahay!»
11 Nivadi-po sy raiki-tahotra mafy i Saola sy i Israely rehetra, nony nandre izany tenin’ilay Filistinina izany.
Ny nahatongavan’i Davida tany an-dasi-miaramila
12 Ary i Davida dia zanak’ilay Efrateanina, tany Betlehema any Jodà, atao Isaï, izay nanan-janaka valo lahy. Ary lehilahy efa anti-panahy ihany izy sy efa nandroso fahanterana tamin’ny andron’i Saola.
13 Lasa nanaraka an’i Saola tany amin’ny ady ny telo lahy zokiny tamin’ny zanak’i Isaï; ary izao no anaran’ireo zanany telo lahy lasa tany amin’ny ady: Eliaba no lahimatoa, Abinadaba no lahiaivo, ary Samà no fahatelony.
14 I Davida no faralahy. Izy telo lahy zokiny nanaraka an’i Saola,
15 ary i Davida kosa dia nivoivoy avy tany amin’i Saola hiandry ny ondrin-drainy any Betlehema.
16 Nanatona marain-tsy hariva ilay Filistinina, ary niseho nandritra ny efapolo andro.
17 Ary hoy i Isaï tamin’i Davida, zanany; «Ento ho an’ny rahalahinao ity lango iray efaha ity, sy ireto mofo folo ireto ka mandehana faingana mankany an-toby amin’ny rahalahinao.
18 Ento koa ireto frômazy folo ireto, ho an’ny mpifehy arivony. Dia hamangy ny rahalahinao ianao, hizahanao raha tsara ihany izy, ary mitondrà famantarana avy any aminy.
19 Ao amin’ny lohasahan’ny terebinta i Saola sy izy telo lahy ary ny lehilahy rehetra amin’i Israely miady amin’ny Filistinina».
20 Nifoha maraina koa i Davida, dia navelany tamin’ny mpiandry anankiray ny ondriny, noraisiny ireto vatsy ka nandeha araka ny nandidian’i Isaï azy izy.
Tamin’ny nahatongavany tao amin’ny fitobiana indrindra dia nivoaka avy eo an-toby ndeha hilahatra hiady ny tafika, ka velona ny akoran’ady.
21 Samy nilahatra ny Israelita sy ny Filistinina, nifanatrika ny tafika roa tonta.
22 Navelan’i Davida teo amin’ny mpiambina entana ny entany teny aminy, dia nihazakazaka nankeny amin’ny miaramila izy. Avy hatrany dia nanontany ny rahalahiny ny toe-pahasalamany.
23 Mbola niresaka amin’ireo rahalahiny eo i Davida, no inty ilay mpiady, Gôliata no anarany, ilay Filistinina avy any Geta nitsoaka avy eo amin’ny laharan’ny Filistinina, sy niteny tahaka ny teo aloha ihany ary ren’i Davida izany.
24 Raha mahita io lehilahy io i Israely rehetra, dia mihataka teo anatrehany, raiki-tahotra mafy loatra.
25 Hoy ny Israelita anankiray nanao hoe: «Jereo kely ity lehilahy mandroso eto! Hihaika an’i Israely no androsoany. Ka izay lehilahy mahafaty an’io dia sady homen’ny mpanjaka harem-bevava no homeny ny zanany vavy ho vady, ary tsy hampandoaviny hetra ny tranon-drainy eo amin’i Israely».
26 Dia hoy i Davida tamin’ireo olona teo anilany: «Ahoana sy ahoana avy ange no hatao amin’izay mahafaty io Filistinina io, ka mahafa-tondromaso an’i Israely? Zinona izay Filistinina; ilay tsy mifora io no dia hanala baraka ny tafiky ny Andriamanitra velona!»
27 Dia naverin’ny olona taminy ilay teny teo nataony hoe: «Izany sy izany no hatao amin’izay mahafaty an’io».
28 Nirehitra tamin’i Davida ny fahatezeran’i Eliaba zokiny lahimatoa, nony nandre azy niteny tamin’ireo olona ireo izy, ka hoy izy: «Fa inona moa no nidinanao atỳ? Ary iza no namelanao ireny ondry vitsy ireny, any an’efitra? Fantatro moa raha ny avonavonao sy ny haratsiam-ponao, ny hizaha ny ady fotsiny no nidinanao tatỳ!»
29 Hoy ny navalin’i Davida: «Fa naninona re aho izao e? Moa tsy teny tsotra izao no nataoko?»
30 Izay dia niala teo aminy izy, ka ny hafa indray no nitenenany ireo teny teo ihany, ary novalian’ny olona toy ny teo ihany koa.
31 Nony nandre ny teny nolazain’i Davida ny olona, dia nambarany tamin’i Saola izany, ka nampanalaina izy.
I Davida manolo-tena hamaly ny fihatsiana
32 Ary izao no nolazain’i Davida tamin’i Saola: «Aza misy mamoy fo ny olona fa handeha hiady amin’io Filistinina io ny mpanomponao».
33 Fa hoy i Saola tamin’i Davida: «Tsy azonao atao ny mandroso hihaona amin’io Filistinina io mba hiady aminy, fa ianao mbola zaza, izy efa lehilahy mpiady hatramin’ny fahatanorany».
34 Ary hoy i Davida tamin’i Saola: «Raha niandry ny ondrin-drainy tany an-tsaha ny mpanomponao, ka nisy liona na orsa tonga naka iray tamin’ny andian’ondry,
35 dia rafitra nanenjika azy aho sy nikapoka azy ka naka ny ondry teny am-bavany, ary raha nitsangana hamely ahy izy, nohazoniko amin’ny valanoranony, nokapohiko dia novonoiko ho faty.
36 Efa samy novonoin’ny mpanomponao ihany ny liona sy ny orsa, ka ho tahaka ny iray amin’ireny koa ilay Filistinina, ilay tsy mifora io; fa efa naniratsira ny tafiky ny Andriamanitra velona».
37 Dia hoy koa i Davida: «I Iaveh izay efa namonjy ahy tamin’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io». Ka hoy i Saola tamin’i Davida: «Andeha àry, ary homba anao anie i Iaveh».
38 Dia nampiakanjoin’i Saola an’i Davida ny akanjony, nasatrony ny lohany ny satroka valala mihoatra, nasalony azy ny fiarovan-tratra,
39 nafehin’i Davida teo ambonin’ny akanjo fiadiany koa ny sabatr’i Saola, dia nanandrana namindra izy, fa mbola tsy nanandrana na oviana na oviana. Hoy i Davida tamin’i Saola: «Tsy afa-mamindra amin’ireto fiadiana ireto aho, fa tsy mba zatra amin’itony». Dia nesorin’i Davida ireny.
Ady samy irery
40 Ny tehiny no noraisiny teny an-tanany, vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin’ny rian-driaka sy nataony tao an-kitapo fitondran’ny mpiandry ondry, kotra fasiana haza; ary ny antsamotadiny no nataony an-tanana, dia nandroso nanatona an’ilay Filistinina izy.
41 Nanatona an’i Davida tsikelikely ity Filistinina, nialohàn’ny lehilahy nitondra ny ampingany.
42 Nijery ilay Filistinina ka nahita an’i Davida, ary naneso azy, fa tanora kely, mena volo ary tsara tarehy.
43 Hoy ilay Filistinina tamin’i Davida: «Fa izaho angaha alika, no tehina no hankanesan’ialahy atỳ amiko?» Dia nanozona an’i Davida amin’ireo andriamaniny ilay Filistinina.
44 Ary hoy ilay Filistinina tamin’i Davida hoe: «Mankanesa etỳ amiko ange ialahy, raha tsy omeko ny voromanidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon’ialahy e!»
45 Fa hoy kosa ny navalin’i Davida an’ilay Filistinina: «Ianao manatona ahy amin’ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Iavehn’ny tafika, ny Andriamanitry ny foloalindahin’i Israely, izay notsiratsirainao.
46 Anio dia hatolotr’i Iaveh eo an-tanako ianao, ka hasiako ianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voromanidina any an-danitra sy ny bibin’ny tany ny fatin’ny tafiky ny Filistinina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra Israely;
47 ary ho fantatr’izao vahoaka rehetra izao fa tsy sabatra na lefona no amonjen’i Iaveh, fa Azy ny ady, ka efa natolony eo an-tananay ianareo.»
48 Nitsangana ilay Filistinina dia niainga nandroso hitsena an’i Davida, dia nohazakazahin’i Davida nohatonina teo amin’ny laharan’ny miaramila kosa izy,
49 ka natsofok’i Davida tao anatin’ny kotrany ny tanany, notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin’ny antsamotady. Nahavoa ilay Filistinina tamin’ny handriny izy, sady niletra tamin’ny handriny ny vato, ka lavo niankohoka tamin’ny tany izy.
50 Nahomby noho ilay Filistinina izany i Davida tamin’ny antsamotady iray sy ny vato iray, dia novonoiny ho faty ilay Filistinina. Tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.
51 Nihazakazaka i Davida dia niato teo akaikin’ilay Filistinina, ary nalainy ny sabany, notsoahany tamin’ny tranony, ka namonoany azy, sy nanapahany ny lohany.
52 Nony hitan’ny Filistinina fa maty ilay olo-maheriny, dia vaky nandositra izy ireo. Ary nitsangana ny lehilahy amin’i Israely sy i Jodà sady nanakora ary nanenjika ny Filistinina hatrany amin’ny fidirana ao Geta, sy hatrany am-bavahadin’i Akarôna. Niampatrampatra teny an-dalana ny fatin’ny Filistinina hatrany Saraima ka hatrany Geta sy Akarôna.
53 Avy nanenjika ny Filistinina ny zanak’i Israely dia namabo ny tobiny.
54 Ary ny lohan’ilay Filistinina nalain’i Davida sy nampitondrainy any Jerosalema, ary ny fiadiany napetrany tao an-dainy.
I Davida avy nandresy naseho an’i Saola
55 Nony efa nahita an’i Davida nandroso hiady amin’ilay Filistinina i Saola dia nanontany an’i Abnera, lehiben’ny foloalindahy hoe: «Zanak’iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera?» Ary hoy i Abnera: «Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka.»
56 Ka hoy ny mpanjaka: «Anontanio kely àry na zanak’iza na zanak’iza iny zazalahy iny.»
57 Nony niverina avy namono an’ilay Filistinina i Davida, dia nalain’i Abnera ka nentiny nankeo anatrehan’i Saola; ny lohan’ilay Filistinina dia teny an-tanany.
58 Dia hoy i Saola taminy: «Zanak’iza moa ianao, ry zatovo?» Ary hoy i Davida namaly hoe: «zanak’i Isaï mpanomponao any Betlehema.»