Categories
1Samoela

1Samoela 21

1 Koa i Davida moa nitsangana dia lasa nandeha, fa i Jônatasy kosa niditra nankany an-tanàna.

Ny nijanonan’i Davida tany Nobe

2 Lasa nankany Nobe amin’i Akimeleka mpisorona i Davida ka taitra mafy i Akimeleka nitsena an’i Davida nanao taminy hoe: «Nahoana ity ianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?»

3 Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akimeleka mpisorona: «Nomen’ny mpanjaka didy aho, nataony hoe: Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha nanirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any Ananona any ny olona momba ahy.

4 Ary amin’izao kosa inona no vonona eo am-pelatananao izao? Omeo mofo dimy aho eto an-tanako na izay sendra hita».

5 Ary hoy ity mpisorona namaly an’i Davida hoe: «Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona».

6 Ka hoy i Davida namaly ny mpisorona nanao hoe: «Hatramin’ny nandehanako hateloana izay no efa nifady vehivavy izahay, sady masina koa ny kapaoky ny olona miaraka amiko, ka na tsy masina aza ny dia, ny amin’ny momba ny kapaoka kosa dia voahasina».

7 Dia nomen’ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan’i Iaveh mba hosoloina ny mofo mafana amin’ny fotoana fanesorana azy.

8 Tao indrindra ny lehilahy anankiray amin’ny mpanompon’i Saola tamin’izay andro izay, fa voahazona teo anatrehan’i Iaveh; I Dôega Edômita no anarany, ary lehiben’ny mpiandry ny ondrin’i Saola izy.

9 Ary hoy i Davida tamin’i Akimeleka: «Tsy misy lefona na sabatra va ato aminao? Fa tsy naharay ny sabatro na ny fiadiana hoentiko akory aho fa maika ny raharaha nandidian’ny mpanjaka ahy».

10 Dia hoy ny navalin’ny mpisorona: «Ny sabatr’i Gôliata, ilay Filistinina, izay novonoinao tao amin’ny lohasahan’ny Terebinta no ao, indro mifono ny lamba kapaoty ao ivohon’ny efôda ao izy. Ka raha tianao hoentina iny, dia ento, fa tsy misy afa-tsy iny eto.» Ary hoy i Davida: «Tsy misy hoatra an’iny, ka omeo ahy iny.»

I Davida tany amin’ny Filistinina

11 Nitsangana i Davida ary androtr’izay ihany dia nandositra lavitra an’i Saola, ka tany amin’i Akisa mpanjakan’i Geta no nalehany.

12 Ary hoy ny mpanompon’i Akisa taminy: «Tsy io va no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy io va no nanaovana hira arahim-pandihizana hoe:

‹Arivoarivo no matin’i Saola,

Ary alinalina no matin’i Davida?› »

13 Nieritreritra ny amin’izany teny izany i Davida, ka raiki-tahotra mafy an’i Akisa mpanjakan’i Geta.

14 Dia nody adala teo anatrehan’izy ireo sy niseho ho very saina teo am-pelatanany izy: noveleziny, nataony langoroany ny lela vavahady; ary navelany hitsororoka amin’ny somony ny ranon’iviny.

15 Ka hoy i Akisa tamin’ny mpanompony: «Hitanareo fa adala io lehilahy io, ka ahoana no nitondranareo azy atỳ amiko?

16 Tsy ampy olona adala ato amiko angaha no itondranareo an’io, hanondrana eto anatrehako? Io ve dia tokony hiditra izay tranoko akory?»

Categories
1Samoela

1Samoela 22

Manomboka fiainana mivezivezy i Davida

1 Niala teo i Davida ka nandositra tany amin’ny zohin’i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa.

2 Ary niangona teo aminy avokoa ny nampahorîna, ny ananan’olon-trosa, ny manana alahelo rehetra, ka tonga filohan’ireo izy, ary nisy sahabo ho efajato lahy no teo aminy.

3 Avy eo i Davida dia nankany Masfà any Moaba, ka nanao tamin’ny mpanjakan’i Moaba hoe: «Raha sitrakao, aoka homena malalaka hihataka aty aminao ny ray aman-dreniko, mandra-pahafantatro izay hanaovan’Andriamanitra ahy».

4 Dia nentiny ho eo anatrehan’ny mpanjakan’i Moaba izy ireo, ka nonina teo aminy, mandritra ny fotoana rehetra nipetrahan’i Davida tao amin’ny fitoerana mimanda.

5 Hoy ny mpaminany Gada tamin’i Davida nanao hoe: «Aza mitoetra amin’ny fitoerana mimanda ianao, fa mandehana miverina any amin’ny tanin’i Jodà.» Dia lasa i Davida nankany amin’ny ala Hareta.

Ny namonoana an’ireo mpisoron’i Nobe

6 Ren’i Saola fa hoe hita i Davida sy ny olona niaraka taminy. Tamin’izay i Saola nipetraka tao Gabaà, tambanin’ny tamariska teo an-kavoana, nitana lefona teny an-tanany; ary nilahatra nanodidina azy ny mpanompony rehetra.

7 Niteny tamin’ny mpanompony nilahatra teo anoloany i Saola nanao hoe: «Mihainoa, ianareo Benjaminita: Moa ve ny zanak’i Isaï hanome anareo rehetra saha aman-tanimboaloboka koa, hanao anareo rehetra ho tomponarivo aman-tompon-jato,

8 no dia iray tetika hamely ahy ianareo rehetra, ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa nanao fanekena tamin’ny zanak’i Isaï ny zanako, sady tsy nisy malahelo ahy amin’izany ianareo na nampandre ahy, fa ny zanako nampiodina ny mpanompoko tamiko, hamelarany fandrika amiko, araka izao ataony ankehitriny izao?»

9 Dia hoy i Dôega ilay Edômita lehiben’ny mpanompon’iSaola namaly azy: «Hitako tonga tany Nobe, tao amin’i Akimeleka zanak’i Akitoba, ny zanak’i Isaï.

10 Ary i Akimeleka nanontany an’i Iaveh ho azy, sy nanome vatsy azy, sady nanome azy ny sabatr’i Gôliata Filistinina».

11 Nampiantsoin’ny mpanjaka i Akimeleka mpisorona, zanak’i Akitoba, mbamin’ny fianakavian-drainy rehetra dia ireo mpisorona tany Nobe.

12 Dia nankany amin’ny mpanjaka izy rehetra ireo, ka hoy i Saola: «Henoy, ry zanak’i Akitoba.» Ary hoy ny navalin’io: «Inty aho tompoko!»

13 Hoy i Saola taminy: «Nahoana ianao sy ny zanak’i Isaï no niray tetika hamely ahy? Fa nanome mofo sy sabatra azy ianao, ary nanontany an’Andriamanitra ho azy mba hikomiany amiko sy hamelarany fandrika amiko toy izao ankehitriny izao?»

14 Fa namaly ny mpanjaka i Akimeleka ka nanao hoe: «Iza moa amin’ny mpanomponao rehetra no tahaka an’i Davida, mahatoky indrindra, vinanton’ny mpanjaka, mpanolo-tsaina anao, sady manan-kaja ao an-tranonao?

15 Ary moa vao androany va aho no nanomboka nanontany an’Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy izany! Ka aoka re ny mpanjaka tsy handidy ny mpanompony, amin’izao zavatra mety hahatratra ny ankohonan’ikaky rehetra izao, fa tsy mahalala na kely na be amin’izany velively akory ny mpanomponao».

16 Hoy ny mpanjaka: «Hovonoina ianao, ry Akimeleka, dia ianao sy ny ankohonan-drainao rehetra!»

17 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo miaramila mpanotrona azy nitsangana teo akaikiny: «Mihodìna ka vonoy ny mpisoron’i Iaveh! fa momba an’i Davida ny tanan’ireo; nahalala azy ho mandositra ireo, nefa tsy nilaza izany tamiko akory». Tsy nety naninjitra ny tanany hamely ny mpisoron’i Iaveh anefa ny mpanompon’ny mpanjaka.

18 Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Dôega: «Mihodìna, ianao ka vonoy ny mpisorona!» Dia nihodina i Dôega ilay Edômita ka izy no mamono ny mpisorona, ary olona valopolo lahy samy manao efôda rongony no matiny tamin’izay andro izay.

19 Nasian’i Saola tamin’ny lelan-tsabatra koa i Nobe, tanàna-mpisorona, ka matin’ny sabatra avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika na zaza minono, na omby na ampondra na ondry.

20 Anankiray ihany tamin’ny zanak’i Akimeleka zanak’i Akitoba no afa-nandositra; Abiatara no anarany, ary nandositra tany amin’i Davida izy.

21 Nambaran’i Abiatara tamin’i Davida ny namonoan’i Saola ny mpisoron’i Iaveh.

22 Ka hoy i Davida tamin’i Abiatara: «Efa fantatro androtr’izay ihany fa i Dôega Edômita izay tao tamin’izay dia tsy maintsy hilaza amin’i Saola. Koa izaho no antony namonoana ny fianakavian-drainao rehetra.

23 Mijanòna atỳ amiko, ary aza matahotra, fa izay mitady ny aiko mitady ny ainao koa, ka ho tsara ambina ianao eto anilako.»

Categories
1Samoela

1Samoela 23

I Davida tany Keilà

1 Ary nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida hoe: «Indreo ny Filistinina mamely an’i Keilà, sady mamabo eny am-pamoloana.»

2 Dia nanontany an’i Iavehi Davida nanao hoe: «Handeha hamely izao Filistinina izao va aho?» Ary hoy ny navalin’i Iaveh an’i Davida: «Mandehana fa handresy ny Filistinina ianao sy hanafaka an’i Keilà.»

3 Hoy anefa ny olon’i Davida taminy: «Indro fa atỳ Jodà aza isika ity matahotra, ka mainka izany hoe ho any Keilà hiady amin’ny miaramilan’ny Filistinina!»

4 Dia nanontany an’i Iaveh indray i Davida, ka hoy i Iaveh namaly azy: «Mitsangàna ianao, midìna any Keilà, fa hatolotro eo an-tananao ny Filistinina».

5 Dia nandeha i Davida nankany Keilà niaraka tamin’ny olona momba azy, ka niady tamin’ny Filistinina. Nahorony ny biby fiompiny, ary nandresy azy mafy dia mafy izy. Izany no namonjeny ny mponina tao Keilà.

6 Fony i Abiatara zanak’i Akimeleka nandositra tany amin’i Davida any Keilà, dia nidina izy nitondra ny efôda eo an-tanany.

7 Nisy nilaza tamin’i Saola fa hoe nankany Keilà i Davida, ka hoy i Saola hoe: «Natolotr’Andriamanitra eo an-tanako izy, fa nanao izay mahatafahidy azy izy nankany amin’ny tanàna misy vavahady sy hidiny».

8 Ka nantsoin’i Saola ny olona rehetra hiantafika hidina any Keilà sy hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.

9 Fa rehefa fantatr’i Davida kosa fa niomana hanisy ratsy azy i Saola, dia hoy izy tamin’i Abiatara mpisorona: «Ento atỳ ny efôda.»

10 Dia hoy i Davida: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, nandre ny mpanomponao fa mioman-ko avy atỳ Keilà i Saola mba handrava ny tanàna noho ny amiko.

11 Ka moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tanany va aho? Ary moa hidina va i Saola araka ny ren’ny mpanomponao? Ho sitrakao anie ny hanambara izany amin’ny mpanomponao, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely!» Dia hoy i Iaveh namaly: «Hidina izy.»

12 Ary hoy i Davida: «Moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tanan’i Saola va aho sy ny oloko?» Ka hoy i Iaveh: «Hatolony azy ianao.»

13 Dia niainga i Davida sy ny olony, sahabo ho enin-jato lahy, ka niala tao Keilà, ka dia nandeha nankatsỳ nankarỳ nanao anjoanjo tany. Nony ren’i Saola fa hoe nandositra niala tao Keilà i Davida dia niato tsy nandeha izy.

14 Nonina tany an’efitra i Davida tao amin’ny fitoerana mimanda, dia nitoetra tao amin’ny tendrombohitra amin’ny efitr’i Zifa. Nitady azy isan’andro i Saola, fa tsy natolotr’Andriamanitra teo an-tanany izy.

I Davida tany Zifa, novangian’i Jônatasy

15 Fantatr’i Davida fa niainga niantafika hanala ny ainy i Saola ary i Davida nitoetra tao amin’ny efitr’i Zifa, any anaty ala.

16 Dia niainga nankany amin’i Davida tany an’ala i Jônatasy zanak’i Saola. Nankahery ny tanany ao amin’Andriamanitraizy ka nanao taminy hoe:

17 «Aza matahotra fa ny tanan’i Saola raiko tsy hahazo anao. Ianao hanjaka amin’i Israely, ary izaho no ho lefitrao manaraka anao, fantatr’i Saola raiko tsara izany».

18 Dia nanao fanekem-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh izy roa lahy; ka i Davida nijanona tany an’ala ary i Jônatasy niverina nody any aminy.

I Davida saika azon’i Saola

19 Ary niakatra nankany amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifianina, ka nilaza hoe: «Miery any aminay i Davida ao amin’ny fitoerana mimanda any an’ala, amin’ny havoan’ny Hakilà, atsimon’ny tany lava volo.

20 Koa araka ny fanirian’ny fanahinao rehetra dia midìna, ry mpanjaka, fa anay ny manolotra azy eo an-tanan’ny mpanjaka».

21 Dia hoy i Saola: «Hotahin’i Iaveh anie ianareo noho izao famindram-ponareo amiko izao.

22 Ary miangavy anareo aho, mandehana tilio tsara indray aloha, fantaro ka zahao avokoa ny toerana alehany sy ny olona nahita azy tao, fa konjolahy anie izy izay, hono!

23 Ka zahao sy fantaro avokoa ny toerana rehetra fiereny, dia miverena atỳ amiko mitondra fanoroana izany mazava, dia handeha miaraka aminareo aho. Fa raha eto amin’ny tany koa iny dia hokarohiko amin’ny arivon’i Jodàrehetra.»

24 Koa dia niainga ireo nankany Zifa hialoha an’i Saola. Fa i Davida sy ny olony izany efa nankany amin’ny efitr’i Maona, amin’ny tany lemaka, atsimon’ny tany lava volo.

25 Ary niainga i Saola sy ny olony hikaroka. Nony nandre izany i Davida dia nidina tao amin’ny haram-bato, ka nitoetra teo an’efitr’i Maona i Davida. Nandre izany i Saola, dia nanenjika an’i Davida tany amin’ny efitr’i Maona.

26 I Saola moa nandeha tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray, i Davida sy ny olony kosa tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray. Niezaka i Davida mba tsy ho tratran’i Saola, ka i Saola sy ny olony kosa nanodidina an’i Davida sy ny olony hisambotra azy ireo.

27 Dia inty nisy iraka anankiray tonga nanatona an’i Saola nanao hoe: «Avia faingana ianao fa mananika ny tany ny Filistinina!» Ka natsahatr’i Saola ny fanenjehana an’i Davida, ka lasa hifanena amin’ny Filistinina izy. Izany no nanaovana io toerana io hoe Sela-Hamaklekôty.

Categories
1Samoela

1Samoela 24

I Davida mitsimbina an’i Saola

1 Ary teo i Davida dia niakatra hipetraka tao amin’ny fitoerana mimanda ao Engadi.

2 Nony tafaverina avy nanenjika ny Filistinina i Saola dia nisy tonga nilaza taminy hoe: «Indro i Davida any an’efitr’i Engadi.»

3 Dia naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony, hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia.

4 Tonga tamin’ny valan’ondry izay tao amoron-dalana izy ary nisy zohy tao ka nidiran’i Saola hiavela; nefa i Davida sy ny olony, izany, nipetraka tao amin’ny faravody zohy.

5 Ary hoy ny olon’i Davida taminy: «Inty no andro nolazain’i Iaveh taminao hoe: Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy izay sitrakao.» Dia nitsangana i Davida ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin’i Saola.

6 Nitepotepo mafy ny fon’i Davidataorian’izany, noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin’i Saola.

7 Ka hoy izy tamin’ny olony: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie, ny hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko, izay voahosotr’i Iaveh, ka hamely azy amin’ny tanako, satria izy no ilay voahosotr’i Iaveh.»

8 Izany no nisakanan’i Davida ny olony sy tsy namelany azy hiantoraka amin’i Saola. Dia nitsangana i Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany.

9 Izay i Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy ary rafitra niantsoantso an’i Saola nanao hoe: «Ry mpanjaka tompoko ô!» Niherika nijery i Saola, dia niondrika tamin’ny tany i Davida ka niankohoka.

10 Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe: «Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe: ‹Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida?›

11 Kanefa indro nahita maso ianao androany izay nanoloran’i Iaveh anao teo an-tanako androany tao an-johy, ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao. Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ny tompoko aho, fa voahosotr’i Iaveh izy.

12 Jereo kely ange, ry ikaky, jereo ity sisin-kapaotinao eto an-tanako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Ianao kosa manenjika ny aiko hanala azy amiko!

13 Ka aoka i Iaveh no hitsara ahy sy ianao ary aoka i Iaveh no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy hamely anao.

14 Ny ratsy fanahy no iavian’ny haratsiam-panahy, hoy ny ohabolana fahagola, koa tsy hamely anao ny tanako.

15 Hanenjika an’iza moa no dia niaingan’ny mpanjakan’i Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty ve? parasy ve?

16 Aoka i Iaveh hitsara ahy sy ianao, ary hanapaka ny amintsika. Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy izy, ka hanafaka ahy amin’ny tananao ny didim-pitsaràny.»

17 Nony vitan’i Davida ny filazana izany teny izany tamin’i Saola, dia hoy i Saola: «Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô!» Sady nanandra-peo i Saola ary nitomany.

18 Hoy izy tamin’i Davida: «Marina noho izaho ianao, fa soa no nataonao tamiko, nefa ratsy kosa no navaliko anao.

19 Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany fa nanolotra ahy eo an-tananao i Iaveh, nefa ianao kosa tsy nahafaty ahy.

20 Raha misy olona mifanena amin’ny fahavalony, moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara izy va? Hovalian’i Iaveh soa anie ianao, noho izay nataonao tamiko androany izay.

21 Ary ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka ianao, ary ho tafatoetra eo an-tananao ny fanjakan’i Israely.

22 Koa mianiàna amiko, amin’i Iaveh, fa tsy handringana ny fara aman-dimbiko any aoriako ianao, ary tsy hamono ny anarako eo amin’ny taranaky ny raiko.»

23 Dia nianiana izany tamin’i Saola i Davida. Ary i Saola lasa nody any an-tranony, ary i Davida sy ny olony nankany amin’ny toerana mimanda.

Categories
1Samoela

1Samoela 25

Ny nahafatesan’i Samoela

1 Ary maty i Samoela ka nivory i Israely rehetra dia nitomaniany izy sy naleviny tao amin’ny fonenany, any Ramà.

Tantaran’i Nabala sy i Abigaila

Tamin’izany dia nitsangana i Davida ary nidina nankany an’efitr’i Faràna.

2 Tany Maona nisy lehilahy anankiray, ary tany Karmela ny fananany. Mpanan-karem-be izy: telo arivo ny ondriny ary arivo ny osiny, ary tao Karmela izy tamin’izay noho ny fanetezana ny ondriny.

3 Nabala no anaran-dralehilahy io, ary Abigaila no anaran’ny vadiny; ravehivavy dia hendry tokoa sy tsara tarehy, fa ralehilahy kosa sady henjana no ratsy fiaina; taranak’i Kaleba izy io.

4 Ren’i Davida tany an’efitra fa nanety ny ondriny i Nadaba.

5 Naniraka zatovo folo lahy i Davida ary hoy i Davida tamin’ny zatovo nanao hoe: «Miakara any Karmela ianareo, dia mankanesa ao amin’i Nabala, ka miarahabà azy amin’ny anarako.

6 Ary izao no lazao aminy: Ho ela velona anie ianao! Ho ao aminao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny ankohonanao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny zavatra rehetra anananao anie ny fiadanana.

7 Ary ankehitriny reko fa mby ao aminao ny mpanety. Ary ny mpiandry ondrinao dia nitoetra tany aminay, ka tsy nisy nampalahelovanay azy, tsy nisy nalainy taminy nandritra ny andro rehetra nitoerany tany Karmela.

8 Anontanio ny mpanomponao, fa holazainy aminao izany. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo lahy fa andro fifalianaizao ahatongavanay izao. Mba omeo amin’izay mety ho hitan’ny tananao, ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»

9 Nony tonga ny zatovon’i Davida naveriny tamin’i Nabala izany teny rehetra izany, tamin’ny anaran’i Davida, dia niala sasatra izy.

10 Ary izao no navalin’i Nabala an’ireto mpanompon’i Davida nataony hoe: «Iza moa i Davida ary zovy ny zanak’i Isaï? Maro ny mpanompo milefa miala amin’ny tompony ankehitriny.

11 Ary ny mofoko mbamin’ny ranoko amam-biby fiompiko novonoiko ho an’ny mpanety ondriko ve, ka halaiko homena izay olona tsy fantatro niaviany?»

12 Dia niverina ilalana ny mpanompon’i Davida, ka nody, ary nony tonga izy, dia naveriny taminy izany teny rehetra izany.

13 Ka hoy i Davida tamin’ny olony: «Samia ianareo manisy ny sabany amin’ny etrany avy.» Dia samy nanisy ny sabany tamin’ny etrany avy izy ireo, ary i Davida koa nanisy ny sabany tamin’ny etrany, ary sahabo ho efajato lahy no niaraka nanaraka an’i Davida, fa roan-jato lahy kosa nipetraka niandry ny entana.

14 Nisy mpanompo anankiray nitondra ny vaovao tamin’i Abigaila nanao hoe: «Indro fa naniraka olona avy any an’efitra i Davida hiarahaba ny tompolahintsika, kanjo niantraika tamin’ireny izy.

15 Tsara anefa ny nataon’ireny olona ireny taminay, tsy nisy nampalahelovany anay, tsy nisy nalaina taminay nandritra ny andro rehetra niarahanay dia taminy, dieny mbola tany an-tsaha izahay.

16 Izy ireo no mandanay andro aman’alina, nandritra ny andro rehetra niarahanay taminy, teo am-piandrasana ondry.

17 Koa ankehitriny, fantaro sy zahao izay tokony hataonao, fa efa voafofo hasiana ratsy ny tompontsika sy ny ankohonany rehetra; raha izy tokoa dia zana-Belialaka tsy azo iresahana».

18 Niaraka tamin’izay i Abigaila dia naka mofo roan-jato, divay roa siny hoditra, ondrilahy voavoatra dimy, lango dimy vata, vaingam-boaloboka maina zato, ary vaingan’aviavy maina roan-jato, nasampiny tamin’ny ampondra ireo,

19 dia hoy izy tamin’ireto zatovony: «Mandehana eo alohako ianareo, fa aorianareo aho manaraka». Tsy nilaza na inona na inona tamin’i Nabala vadiny anefa izy.

20 Nony nidina nitaingina ampondra tamin’ity toerana anankiray voasaron-kazo tao amin’ny tendrombohitra izy dia indro i Davida sy ny olony nidina teo an-tandrifiny koa, ka nifanena tamin’izy ireo izy.

21 I Davida nilaza hoe: «Sasa-poana aho niaro ny ananan’iny lehilahy iny any an’efitra, ka tsy nisy nalaina izay rehetra ananany, nefa valiany ratsy ity ny soa nataoko.

22 Hoentin’i Iaveh amin’ny ngidiny indrindra anie ny fahavalon’i Davida. Tsy hasiako miangana, rehefa mety ho an’i Nabala, mandra-pahamaraina ny andro, na dia lehilahy iray aza».

23 Vao nahita an’i Davida i Abigaila dia nidina faingana tamin’ny ampondra, niankohoka teo anatrehan’i Davida, ary nihohoka tamin’ny tany mihitsy,

24 vao niantoraka teo an-tongony, nanao hoe: «Aoka ho ahy, tompoko, aoka ho ahy ny tsiny! Avelao mba hiteny eo amin’ny sofinao ity ankizivavinao; ary henoy ny tenin’ny ankizivavinao.

25 Aoka ny tompoko tsy hihevitra akory an’iny olon’i Beliala iny, an’i Nabala, fa araka izay ambaran’ny anarany ihany ny toeny: ilay adala no anarany, ary misy hadalana ao aminy. Ary ny amiko ankizivavinao, tompoko, dia tsy mba nahita ny olon’ny tompoko izay nirahinao aho.

26 Koa ankehitriny, tompoko, toy ny maha-velona an’i Iaveh, toy ny maha-velona ny fanahinao, dia narovan’i Iaveh tsy handatsa-dra ianao, na hamaly faty amin’ny tananao. Ary ankehitriny aoka ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy ny tompoko no hanahaka an’i Nabala.

27 Izao fanatitra entin’ny mpanomponao amin’ny tompoko izao, dia raiso ary aoka hozaraina amin’ny zatovo manaraka ny tompoko.

28 Avelao ny heloky ny ankizivavinao fa trano mafy orina no hataon’i Iaveh tokoa ho an’ny tompoko, satria manohana ny adin’i Iaveh ny tompoko. Ary tsy hisy ratsy ho hita ao aminao mandritra ny andro rehetra hiainanao.

29 Raha misy olona mitsangan-kanenjika anao sy hitady ny ainao: ny ain’ny tompoko ho voafehy ao amin’ny fehezan’ny velonaao amin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny ain’ny fahavalonao kosa ho voatsipiny eny lavitra eny, amin’ny foitran’antsamotady.

30 Rehefa tanterak’i Iaveh amin’ny tompoko ny soa rehetra nambarany momba ny tenanao ka ho voatsangany ho filohany amin’i Israely ianao,

31 dia tsy hotsindronin’ny nenina ianao, na hampijalin’ny fony ny tompoko, avy amin’ny fandatsahan-dra tsy misy antony sy famaliam-paty ho an’ny tena. Ary rehefa asian’i Iaveh soa ny tompoko mba tsarovy ny ankizivavinao».

32 Dia hoy i Davida tamin’i Abigaila: «Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay naniraka anao hitsena ahy androany! Hankalazaina anie ny fahendrenao lehibe!

33 Ary hankalazaina anie ianao, izay niaro ahy tsy handatsa-dra foana sy tsy hamaly faty amin’ny tanako amin’ity andro ity.

34 Fa raha tsy izany, toy ny maha-velona an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy tonga faingana hitsena ahy ianao, dia nataoko tsy misy miangana ny an’i Nabala na lehilahy iray aza, mandra-pahazavan’ny andro».

35 Ary noraisin’i Davida teny an-tanan’i Abigaila ny zavatra nateriny ho azy, ka hoy izy taminy: «Miakara amim-piadanana ho any an-tranonao, jereo fa nihaino ny feonao ary nampahazo toky ny tavanao aho».

36 Dia nody tany amin’i Nabala i Abigaila ka inty izy nanao fanasana tao an-tranony, toy ny fanasan’ny mpanjaka, ary faly ny fon’i Nabala, ary mamo loatra izy. Tsy nilaza kely na be taminy ny vavy mandra-pahazavan’ny andro.

37 Nony maraina anefa, efa nahatsiaro tamin’ny hamamoany i Nabala, dia notantarain’ny vavy taminy izany zavatra izany, ka nihotakotaka nila hahafaty azy ny fony dia nanjary toy ny vato izy.

38 Ary sahabo ho hafoloana taorian’izany, dia nasian’i Iaveh i Nabala ka maty.

39 Nony ren’i Davida fa maty i Nabala dia hoy izy: «Hisaorana anie i Iaveh izay nahafa-tondromaso ahy, tamin’ny naniratsiran’i Nabala ahy, sady niaro ny mpanompony tsy hahavita ratsy. Fa ny lohan’i Nabala ihany no nataon’i Iaveh nifoteran’ny ratsy nataony». Tatỳ aoriana, naniraka olona i Davida hilaza amin’i Abigaila ny hakany azy ho vady.

40 Nony tonga tany Karmela amin’i Abigaila ny mpanompon’i Davida, dia niteny taminy hoe: «Nirahin’i Davida ho atỳ aminao izahay, ny amin’ny hakany anao ho vady».

41 Nitsangana ravehivavy, dia niankohoka tamin’ny tany, vao niteny hoe: «Indro fa ny ankizivavinaodia toy ny mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon’ny tompoko».

42 Nitsangana niaraka tamin’izay i Abigaila nitaingina ampondra ary ny dimy tamin’ny zazavaviny nomba azy; nanaraka ny irak’i Davida izy ka dia tonga vadiny.

43 Nanambady an’i Akinôamaavy any Jezraela koa i Davida, ka vadiny avokoa izy roa vavy.

44 Fa i Saola anefa nanome an’i Mikola zanany vavy, vadin’i Davida, ho vadin’i Faltì avy any Galima, zanak’i Laisa.

Categories
1Samoela

1Samoela 26

I Davida mbola mitsimbina an’i Saola

1 Tonga tao amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifeanina, ka nilaza hoe: «Miery any amin’ny havoan’i Hakilà ao atsinanan’ny tany lava volo i Davida».

2 Dia nitsangana i Saola, ka nidina nankany an’efitr’i Zifa, mbamin’ny telo arivo lahy, voafantina tamin’i Israely, hitady an’i Davida, any an’efitr’i Zifa.

3 Nitoby teo amin’ny havoan’i Hakilà i Saola ao atsinanan’ny tany lava volo, eo amoron-dalana, ary i Davida nitoetra tany an’efitra. Nony tazany fa tamy hitady azy any an’efitra i Saola,

4 dia naniraka mpitsikilo i Davida ka nahalala fa tonga tokoa i Saola.

5 Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana nitobian’i Saola. Hitan’i Davida ny toerana nandrian’i Saola sy i Abnera zanak’i Nera lehiben’ny miaramilany; tao afovoan’ny toby i Saola no nandry ary nitoby nanodidina azy ny vahoaka.

6 Koa niteny tamin’i Akimeleka Heteanina sy tamin’i Abisaï zanak’i Sarvià sy rahalahin’i Jôaba, i Davida ka nanao hoe: «Iza no manaiky hiara-midina amiko, ho any an-toby, ho any amin’i Saola?» Dia hoy i Abisaï namaly azy: «Izaho no hiara-midina aminao.»

7 Alina no nahatongavan’i Davida sy i Abisaï tany amin’ny vahoaka; ary inty i Saola nandry tao afovoan’ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin’ny tany teo anilan’ny ondany; I Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.

8 Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida: «Voahidin’i Iaveh eo an-tananao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany».

9 Fa hoy i Davida tamin’i Abisaï: «Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tanana amin’ny voahosotr’i Iaveh, ka afa-maina tsy ho voasazy?»

10 Ary hoy i Davida: «Marina fa velona i Iaveh, koa dia i Iaveh ihany no hamely azy, na ho tapitra andro izy ka maty, na hirotsaka amin’ny ady izy ka maty;

11 fa aoka harovan’i Iaveh tsy haninji-tanana amin’ny voahosotr’i Iaveh aho! Koa ankehitriny ny lefona eo anilan’ny ondany sy ny siny fitoeran-drano no alao, dia ndao isika handeha».

12 Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan’ny ondan’i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan’i Iaveh torimaso nandrenoka azy izy ireo.

13 Niampita teny an-dafy i Davida, ka nijanona lavitra teo an-tampon’ny tendrombohitra nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta.

14 Ary i Davida niantso ny vahoaka sy i Abnera zanak’i Nera nanao hoe: «Tsy hamaly va ianao, ry Abnera?» Dia hoy i Abnera namaly: «Zovy moa ianao, miantso atỳ amin’ny mpanjaka?»

15 Ary hoy i Davida tamin’i Abnera: «Tsy lehilahy va ianao? Ary iza no toa anao amin’i Israely? Koa nahoana ianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy anankiray tamin’ny vahoaka tonga teny hamono ny mpanjaka tomponao.

16 Tsy mety mihitsy izany nataonao izany. Fa marina tokoa fa velona i Iaveh, koa dia ny maty no tandrify anao, satria ianareo tsy niambina ny tomponareo, ilay voahosotr’i Iaveh. Jereo ange izao: nankaiza àry ny lefon’ny mpanjaka, sy ny siny fitoeran-drano, teo anilan’ny ondany?»

17 Fantatr’i Saola ny feon’i Davida, ka hoy izy: «Feonao va izany, ry Davida zanako ô!» Dia hoy i Davida namaly: «Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko!»

18 Sady nampiany hoe: «Nahoana ny tompoko no manenjika ity mpanompony? Fa nanao inona aho? Inona no ratsy nataon’ny tanako?

19 Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Iaveh no nanesika anaohamely ahy, aoka hankasitrahiny ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara-toerako amin’ny lovan’i Iaveh, nanao hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.

20 Koa ankehitriny, aoka ny rako tsy ho latsakaamin’ny tany lavitra ny tavan’i Iaveh! Fa ny mpanjakan’i Israely ity no niainga hitady izay parasy anankiray, mova tsy ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra!»

21 Dia hoy i Saola: «Nanota aho, miverena re, ry Davidazanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Nanao toy ny adala aho, ka nahavita ratsy lehibe».

22 Namaly i Davida hoe: «Indro ny lefona, ry mpanjaka. Ny iray amin’ny zatovonao no aoka haka azy etỳ.

23 Samy hovalian’i Iaveh araka ny fahitsiany amam-pahamarinany avy; fa efa natolotr’i Iaveh teo an-tanako ianao androany, nefa tsy nety naninjitra ny tanako tamin’ny voahosotr’i Iaveh aho.

24 Ary indro fa toy ny nahasarobidy ny ainao teo imasoko androany, no mba hahasarobidy ny aiko eo imason’i Iaveh koa, ka hanafahany ahy amin’ny tebiteby rehetra».

25 Dia hoy i Saola tamin’i Davida: «Hambinina anie ianao, ry Davida zanako. Marina fa ho vanona tsara ny raharaha iandraiketanao».

Dia nanohy ny diany i Davida; ary i Saola nody any aminy.

Categories
1Samoela

1Samoela 27

Ny niafenan’i Davida tany Geta

1 Ary hoy i Davida anakampony: «Mbola ho fatin’ny tanan’i Saola ihany aho, indray andro any, ka ny mandositra faingana any amin’ny tanin’ny Filistinina no mety amiko indrindra, mba hitsaharan’i Saola tsy hitady ahy intsony amin’ny faritan’i Israely rehetra, dia ho afaka amin’ny tanany aho».

2 Koa niainga i Davida sy izy enin-jato lahy nomba azy, nankany amin’i Akisa, zanak’i Maôka mpanjakan’i Geta.

3 Dia nitoetra teo amin’i Akisa, tany Geta i Davida sy ny olony, samy nomban’ny fianakaviany avy, ary nomba an’i Davida izy roa vavy, dia i Akinôama avy any Jezraela, sy i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala.

4 Nilazana i Saola fa nandositra tany Geta i Davida ka dia tsy nandeha hanjòhy azy intsony izy.

I Davida nofehezin’ny Filistinina

5 Hoy i Davida tamin’i Akisa: «Raha mba nahita fitia eo imasonao ihany aho, dia aoka homena ahy ny fitoerana anankiray honenako ao amin’ny anankiray amin’ny tanàna any an-tsaha, satria aiza ka dia hiara-monina aminao, eto amin’ny renivohi-panjakanao ny mpanomponao?»

6 Dia nomen’i Akisa azy androtr’izay ihany i Sikelega; noho izany dia an’ny mpanjakan’i Jodà i Sikelega mandraka androany.

7 Herintaona sy efa-bolana no andro nipetrahan’i Davida tany amin’ny tanin’ny Filistinina.

8 Niakatra i Davida sy ny olony ary nanafika ny Gesorianina sy ny Gerzianina ary ny Amalesita, fa olona nonina any ankilan’i Sora ka hatrany amin’ny tany Ejipta izy ireo izany ela izany.

9 Noravan’i Davida mihitsy ny tany fa ny olona tsy nasiany miangana na lahy na vavy, ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, mbamin’ny fitafiana, nobaboiny avokoa, vao niverina tany amin’i Akisa izy.

10 Ary hoy i Akisa: «Taiza no nanafika ianareo androany?» Dia namaly i Davida: «Tany amin’ny Negeban’i Jodà, tany amin’ny Negeban’i Jerameelita ary tany amin’ny Negeban’i Kineanina».

11 Fa ny olona no tsy nasian’i Davida miangana, ho enti-mankany Geta, na lahy na vavy, dia hoy izy anakampo: «Fandrao manao filazana mamely antsika ireo, manao hoe: Izao sy izao no nataon’i Davida». Ary toy izany mandrakariva no nataony, tamin’ny andro rehetra nitoerany tany amin’ny tanin’ny Filistinina;

12 ka natoky an’i Davida i Akisa, fa hoy izy: «Nanao izay hampangidy hoditra azy amin’i Israely vahoakany izy, ka ho mpanompoko mandrakizay».

Categories
1Samoela

1Samoela 28

Ny Filistinina nanafika an’i Israely

1 Tamin’izany andro izany nangonin’ny Filistinina ho tafika iray ihany ny antoko-miaramilany rehetra hiady amin’i Israely. Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Fantaro fa ho avy miaraka amiko any an-toby ianao sy ny olonao».

2 Ary hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akisa: «Koa ho hitanao ny hafitsoky ny mpanomponao». Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Ary izaho kosa hanangana anao ho mpiambina ny tenako mandrakizay».

I Saola sy ilay vehivavy mpamoha angatra tao Endôra

3 Efa maty i Samoelaka nitomanian’i Israely rehetra ary naleviny tany Ramà tao amin’ny tanànany. Ary efa noroahin’i Saola hiala amin’ny tany ny olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy.

4 Nony tafangona ny Filistinina dia tonga nitoby tao Sonama; ary i Israely rehetra novorin’i Saola ka nitoby tao Jelbôe.

5 Raiki-tahotra sy nivadi-po mafy i Saola, nony nahita ity tobin’ny Filistinina.

6 Nanontany an’i Iaveh i Saola, nefa tsy namaly azy i Iaveh, na tamin’ny nofy, na tamin’ny Orima, na tamin’ny mpaminany.

7 Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony; «Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hanontany azy aho». Ka hoy ny mpanompony taminy: «Any Endôramisy vehivavy mpamoha angatra».

8 Dia nanova tarehy sy nitafy fitafiana hafa i Saola, ka niainga narahin’olona roa lahy. Alina no tonga tany amin’ilay vehivavy izy ireo ka hoy i Saola taminy:

«Lazao amiko mialoha izay ho avy, amin’ny fiantsoana ny maty anankiray, ary asaovy miakatra mankatỳ amiko izay hotononiko aminao».

9 Fa namaly azy ravehivavy: «Indro fa fantatrao ihany ny nataon’i Saola, dia ny nandroahany hiala amin’ny tany izay olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy, ka nahoana ianao no dia mamela-pandrika hahafaty ny aiko?»

10 Nianiana taminy, tamin’i Iaveh, i Saola nanao hoe: «Marina fa velona i Iaveh. Koa tsy hampidi-doza aminao akory izao zavatra izao».

11 Dia hoy ravehivavy: «Iza àry no asaiko miakatra mankatỳ aminao?» Ka hoy ny navaliny: «I Samoela no asaovy miakatra mankatỳ amiko».

12 Vao nahita an’i Samoela ravehivavydia nidradradradra mafy, ary hoy ravehivavy tamin’i Saola hoe: «Ahoana no namitahanao ahy? Ianao no Saola».

13 Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Aza matahotra; fa inona no hitanao?» Dia hoy ravehivavy tamin’i Saola: «Andriamanitra miakatra avy amin’ny tanyno hitako.»

14 Ka hoy izy taminy: «Manao ahoana ny endriny?» Ary hoy ny navaliny: «anti-dahy io miakatra io, ary mihodidina amin’ny kapaoty izy.» Fantatr’i Saola fa i Samoela izay, ka tafaondrika tamin’ny tany terỳ izy, dia niankohoka.

15 Ary hoy i Samoela tamin’i Saola: «Ahoana no manabataba ahy ianao amin’ny fampiakarana ahy?» Dia namaly i Saola nanao hoe: «Poritra loatra aho: ny Filistinina miady amiko, ary Andriamanitra nihataka tamiko, fa tsy namaly ahy Izy, na tamin’ny mpaminany, na tamin’ny nofy. Niantso anao aho, mba hampahalala ahy izay tsy maintsy ataoko.»

16 Ary hoy i Samoela: «Ahoana no anontanianao ahy, nefa i Iaveh efa nihataka taminao, sy efa tonga fahavalonao?

17 Nataon’i Iaveh izao araka izay efa nolazainy rahateo tamin’ny alalako; efa notsoahan’i Iaveh teo am-pelatananao ny fanjakana, ka nomeny ny namanao, dia i Davida.

18 Satria tsy nihaino ny feon’i Iaveh ianao, fa tsy nanao tamin’i Amaleka araka ny firehitry ny hatezerany; ka izany no nanaovan’i Iaveh toy izao taminao androany.

19 Mainka hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina aza i Israely sy ianao. Rahampitso ianao sy ny zanakao dia ho any amiko, ary ny tobin’i Israely hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina.»

20 Dia lavo nitsingidina tamin’ny tany, niaraka tamin’izay, i Saola; fa ny tenin’i Samoela nahatsiravina azy indrindra; ny heriny koa efa tsy nisy intsony, satria tsy nanendry hanina izy, indray andro sy indray alina maninjitra.

21 Nankeo amin’i Saola ilay vehivavy, ka nahita azy very hevitra efa izay tsizy, ka dia nanao taminy hoe: «Efa nihaino ny feonao ny ankizivavinao ary nanao vy very ny aiko aho, tamin’ny nanekeko ny teny nolazainao tamiko.

22 Koa ankehitriny, mba henoy kosa ny tenin’ny ankizivavinao: aoka mba horosoako sombi-mofo kely ianao; mihinàna amin’izany hahazoanao tanjaka ho eny amin’ny dia hotohizanao.»

23 Tsy nety anefa izy, fa hoy izy: «Tsy hihinana aho.» Nanery azy teo niaraka tamin-dravehivavy ireto mpanompony, dia nanaiky ny fiambezoan’izy ireo ihany izy. Nitsangana avy eo amin’ny tany, dia nipetraka tamin’ny saofà izy.

24 Nanan-janak’omby matavy tao aminy ravehivavy, ka novonoiny faingana izay, dia naka lafarina izy, nandity azy, ka nandotra azy ho mofo tsy misy lalivay.

25 Ary narosony teo anoloan’i Saola sy teo anoloan’ny mpanompony ireo, ka dia nihinana izy ireo. Izay vao nitsangana izy ireo, ka lasa iny alina iny ihany.

Categories
1Samoela

1Samoela 29

I Davida noroahin’ireo filohan’ny Filistinina

1 Ary namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistinina, fa nitoby teo anilan’ny loharano ao Jezraela kosa i Israely.

2 Raha nandroso nitarika ny an-jatony sy ny an’arivony ireo andrian’ny Filistinina, ary i Davida sy ny olony kosa namindra terỳ amin’ny vody lalana, niaraka tamin’i Akisa, dia hoy ireo filohan’ny Filistinina:

3 «Ahoana ireto Hebrio?» Ary hoy i Akisa namaly an’ireo filohan’ny Filistinina: «Tsy io va no Davida mpanompon’i Saola mpanjakan’i Israely, ka efa andro maro sy taona maro izay izy no tatỳ amiko, nefa tsy mbola nahita izay tsininy aho na dia kely aza, hatrizay nifindrany ho atỳ amintsika izay ka mandraka androany.»

4 Tezitra tamin’i Akisa anefa ireo filohan’ny Filistinina ka hoy ny filohan’ny Filistinina taminy hoe: «Alefaso iny lehilahy iny, aoka izy hiverina any amin’ny tany namponenanao azy any, fa aoka tsy hiara-midina amintsika ho any amin’ny ady, fandrao dia tonga fahavalontsika izy rehefa miady. Satria inona indray àry no hahazoany sitraka amin’ny tompony fa tsy amin’ny fanolorany aminy ny lohan’ireto lehilahy ireto.

5 Ary moa tsy io Davida io indrindra va no nihiràna tamim-pandihizana hoe:

Matin’i Saola ny arivoarivo;

ary matin’i Davida ny alinalina.»

6 Dia nantsoin’i Akisa i Davida, ka nilazany hoe: «Marina fa velona i Iavehka dia olo-marina ianao, sady sitrako eo imasoko izay rehetra ataonao amiko eto an-toby, satria tsy mbola nahita ratsy taminao aho hatrizay nahatongavanao tatỳ amiko, ka mandraka androany. Nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao.

7 Koa miverena ary mandehana amim-piadanana mba tsy hanao izay mety hahasosotra ny andrian’ny Filistinina.»

8 Dia hoy i Davida tamin’i Akisa: «Fa inona no nataoko; ary inona no hitanao tamin’ny mpanomponao, hatrizay nitoerako teto aminao ka mandraka androany, no dia tsy hahazo mandeha hiady amin’ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko aho?»

9 Ary hoy i Akisa namaly an’i Davida: «Fantatro fa tsara tamiko ianao hoatra ny Anjelin’Andriamanitra, fa ny filohan’ny Filistinina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika amin’ny ady izy.

10 Koa mifohaza maraina koa ianao, mbamin’ireo mpanompon’ny tomponao, izay niaraka taminao, samia mifoha maraina ianareo, ka raha mazava ny andro dia mandehana».

11 Nifoha maraina koa i Davida sy ny olony mba hiainga maraina hiverina any amin’ny tanin’ny Filistinina, ary ny Filistinina kosa niakatra nankany Jezraela.

Categories
1Samoela

1Samoela 30

Ny nandresen’i Davida ny Amalesita

1 Nony tonga tao Sikelega i Davida mbamin’ny olony, tamin’ny andro fahatelo, dia efa notafihin’ny Amalesita i Negeba sy i Sikelega: nasiany i Sikelega ka nodorany;

2 ny vehivavy sy ny olon-drehetra trany tao nobaboiny avokoa, na ny kely na ny lehibe, ary tsy nisy novonoiny izy fa nentiny ho babo, dia lasa nandeha izy.

3 Nony tonga tao an-tanàna i Davida sy ny olony, dia hitany fa voadoro ny tanàna, ary ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy lasan-ko babo.

4 Ary samy nanandra-peo nitomany i Davida sy ireto olona niaraka taminy, mandra-pahalanin’ny heriny tsy nahatomany intsony.

5 lasan-ko babo mbamin’izy roa vavy, vadin’i Davida, dia i Akinôama avy any Jezraela, sy i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala.

6 Niferin’aina mafy i Davida, fa nanao teny hitora-bato azy ny antoko-miaramilany, satria samy nahatsiaro mangidy mafy loatra tao am-pony ny vahoaka noho ny amin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa nampahery ny tenany tamin’i Iaveh Andriamaniny, i Davida.

7 Hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona zanak’i Akimeleka: «Ento atỳ amiko ny efôda». Dia nentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efôda;

8 ka nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hanenjika izany jirika izany va aho? Hahatratra azy va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Enjeho, fa hahatratra azy marina tokoa ianao sady hanafaka.»

9 Dia niainga i Davida sy izy enin-jato lahy izay niaraka taminy. Nony tonga teo amin’ny ranon-driaka Besôra izy ireo, dia niato ny mpitaredretra tamin’izy ireo.

10 Nanohy ny dia fanenjehany niaraka tamin’ny efajato lahy i Davida, fa ny roan-jato lahy nijanona noho izy efa reraka tsy nahatafita ny ranon-driaka Besôra.

11 Ary nahita lehilahy Ejiptianina anankiray tany an-tsaha izy ireo ka nentiny tao amin’i Davida. Ary nomeny mofo izy dia nihinana ary nampisotroin-drano,

12 norosoana ampempan’aviavy maina iray didy, sy voaloboka maina roa takelaka. Nony efa nihinana izy, dia nody ny ainy, fa hateloana andro sy hateloana alina izy, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.

13 Hoy i Davida taminy: «An’iza ianao, ary avy aiza?» Ka hoy ny navaliny: «Andevo Ejiptianina lasan-ko mpanompon’ny Amalesita anankiray aho, saingy narary, ka narian’ny tompoko, efa hateloana izay.

14 Nanafika an’i Negeban’ny Keretianina sy ny faritanin’i Jodà mbamin’i Negeban’i Kaleba izahay, ary nodorany i Sikelega».

15 Dia hoy i Davida taminy: «Manaiky hitarika ahy ho any amin’izany jirika izany va ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Mianiàna amiko amin’Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao, na hanolotra ahy eo an-tanan’ny tompoko, dia hitarika anao ho any amin’izany jirika izany aho.»

16 Nony nitarika azy izy, dia indreo ny Amalesita, miely eran’ny tany, mihinana sy misotro, ary mandihy, fa nahazo babo betsaka tamin’ny tanin’ny Filistinina sy ny tanin’i Jodà.

17 Nasian’i Davida izy ireo, hatramin’ny takarivan’izay ka hatramin’ny ampitso hariva, tsy nisy hafa-nandositra afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingin-drameva, dia nitsoaka.

18 Ka azon’i Davida indray izay rehetra voababon’ny Amalesita, ny vadiny roa voavonjy.

19 Ny olony, tsy nisy tsy azon’izy ireo, na kely na lehibe, na zanany lahy na zanany vavy, na ny zavatra, na inona na inona nalaina taminy: dia nentin’i Davida nody avokoa izany.

20 Koa nalain’i Davida ny biby fiompy na ny madinika na ny vaventy; dia nandeha teo alohan’izany andiam-biby fiompy izany izy ireo nanao hoe: «Itony no babon’i Davida».

21 Niverina i Davida nankany amin’izy roan-jato lahy izay reraka loatra ka tsy afa-nanaraka an’i Davida ka najanona tao amin’ny ranon-driaka Besôra, dia nitsena an’i Davida sy ny vahoaka izay niaraka taminy izy ireo. Nanatona azy ireo i Davida dia niarahaba azy tamim-pitiavana.

22 Fa rehefa mety ho lehilahy sompatra sy faikany tamin’ny olona niaraka tamin’i Davida dia niteny kosa nanao hoe: «Satria tsy mba tafaraka tamintsika ireo dia tsy mba homentsika amin’ny babo azontsika afa-tsy ny vady aman-janany isany avy ihany; ka aoka hoentiny izany ary handeha any izy».

23 Nefa hoy kosa i Davida: «Aza manao toy izany, ry rahalahy, amin’ny zavatra nomen’i Iaveh antsika, satria niaro antsika izy sy nanolotra eo an-tanantsika ny jirika tonga hamely antsika.

24 Ka iza no hanaiky anareo amin’izany raharaha izany? Tsy maintsy atao sahala ny anjaran’izay nidina hiady, sy ny an’izay nijanona tamin’ny entana: hiara-mizara daholo».

25 Dia natao araka izany hatramin’izay andro izay ka atỳ aoriana, dia nataon’i Davida lalàna sy fitsipika izany mandraka androany.

26 Nony tafaverina tany Sikelega i Davida dia nampanaterany ho an’ny loholon’i Jodà, sakaizany, ny babo azony, nataony hoe: «Iny fanatitra ho anareo, avy amin’ny babo azo tamin’ny fahavalon’i Iaveh;

27 dia ho an’ny ao Betela, an’ny ao Ramôtan’i Negeba, an’ny ao Jetera,

28 an’ny ao Arôera, an’ny ao Sefamôta, an’ny ao Estamao,

29 an’ny ao Karmela, an’ireo ao amin’ny tanànan’ny Jerameelita, an’ireo ao amin’ny tanànan’ny Kineanina,

30 an’ny ao Arama, an’ny ao Kôra-Asàna, an’ny ao Ataka,

31 an’ny ao Hebrôna, ary ho an’ny any amin’ny tany rehetra nalehan’i Davida sy ny olony».