Ny niandohan’ireo antoko telo lehibe
1 I Adama, i Seta, i Enôsa,
2 i Kainàna, i Malaleela, i Jareda,
3 i Henoka, i Matosale, i Lameka,
4 i Nôe, i Sema, i Kama, i Jafeta.
Ireo taranak’i Jafeta
5 Zanak’i Jafeta: i Gômera, i Magôga, i Madaia, i Javàna, i Tobala, i Mosaoka, ary i Tirasa.
6 Zanak’i Gômera: i Aseneza, i Rifata, ary i Tôgorim.
7 Zanak’i Javàna: i Elisà, i Tarsisa, i Setima, ary i Dôdanima.
Ireo taranak’i Kama
8 Zanak’i Kama: i Kosa, i Mesraima, i Fota, i Kanaana.
9 Zanak’i Kosa: i Sabà, i Hevilà, i Sabata, i Regmà ary i Sabatakà. Zanak’i Regmà: i Sabà sy i Dadàna.
10 I Kosa niteraka an’i Nemrôda; izy ity no nanomboka nanam-pahefana teto ambonin’ny tany.
11 I Mesraima niteraka ny Lodima, ny Anamima, ny Laabima, ny Neftohìma,
12 ny Fetrôsima, ny Kaslihima izay niavian’ny Filistinina, sy ny Kaftôrima.
13 I Kanaàna niteraka an’i Sidona, lahimatoany, sy i Heta,
14 ary koa ny Jeboseanina, ny Amôreana, ny Jerzeseanina,
15 ny Heveanina, ny Arakeanina, ny Sineanina,
16 ny Aradianina, ny Samareanina, ny Hamateanina.
Ireo taranak’i Sema
17 Zanak’i Sema: i Elama, i Asora, i Arfaksada, i Loda, i Arana, i Hosa, i Hola, i Getera ary i Mosaoka.
18 I Arfaksada niteraka an’i Sale, ary i Sale niteraka an’i Hebera.
19 Roa no zanaka lahy naterak’i Hebera: ny anaran’ny anankiray dia Falega, fa tamin’ny androny no nizarana ny tany; ary ny anaran’ny rahalahiny kosa dia Jektàna.
20 Ny naterak’i Jektàna dia i Elmôdada, i Salefa, i Asarmota, i Jare,
21 i Adôrama, i Hozala, i Deklà,
22 i Hebala, i Abimaela, i Sabà,
23 i Ofira, i Hevilà ary i Jôbada. Izy rehetra ireo dia zanaka lahin’i Jektàna.
Hatramin’i Sema ka hatramin’i Abrahama
24 I Sema, i Arfaksada, i Sale,
25 i Hebera, i Falega, i Regao,
26 i Seroga, i Nakôra, i Tare,
27 i Abrama, izay hoe: Abrahama.
28 Zanak’i Abrahama; i Isaaka sy i Ismaely.
29 Ka izao no taranak’ireo:
Ny Ismaelita
I Nabaiôta, zanak’i Ismaely lahimatoa, i Sedara, i Abdeela, i Mabsana,
30 i Masmà, i Domà, i Masà, i Hadada, i Temà,
31 i Jetora, i Nafisa, i Kedmà. Ireo no zanaka lahin’i Ismaela.
32 Zanaka lahin’i Setorà, vaditsindranon’i Abrahama: ny naterany dia i Zamrama, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaoka, ary i Soe. Zanak’i Jeksàna: i Sabà sy i Dadàna.
33 Zanak’i Madiàna: i Efah, i Efera, i Henoka, i Abidà, ary i Eldaà. Izy rehetra ireo dia zanak’i Setorà.
I Isaaka sy i Esao
34 I Abrahama niteraka an’i Isaaka. Zanak’i Isaaka: i Esao sy i Jakôba.
35 Zanak’i Esao: i Elifaza, i Rahoela, i Jehosa, i Ihelona ary i Kôre.
36 Zanak’i Elifaza: i Temàna, i Omara, i Sefè, i Gatàna, i Seneza, i Tamnà;
37 Zanak’i Rahoela: i Nahata, i Zarà, i Samà, ary i Mezà.
I Seira
38 Zanak’i Seirà: i Lôtàna, i Sobala, i Sebeôna, i Anà, i Sisôna, i Esera, ary i Disàna.
39 Zanak’i Lôtàna: i Hôri, sy i Hômama. Anabavin’i Lôtàna: i Thamnà.
40 Zanak’i Sobala: i Aliàna, i Manahata, i Ebala, i Sefà, ary i Omana. Zanak’i Sebôna: i Aià sy i Anà. Zanak’i Anà: i Disona.
41 Zanak’i Disona: i Hamràna, i Esebàna, i Jetràna, ary i Karàna.
42 Zanak’i Esera: i Balaàna, i Zavàna ary i Jakàna. Zanak’i Disàna: i Hosa sy i Aràna.
Ireo mpanjakan’i Edôma
43 Ireto no mpanjaka efa nanjaka tany amin’ny tany Edôma, talohan’ny nisian’ny mpanjaka nanjaka tamin’ny zanak’i Israely: i Bela, zanak’i Beôra, ary Denabà no anaran-tanànany.
44 Maty i Bela, ka i Jôbaba zanak’i Zare avy any Bôsrà no nanjaka nandimby azy.
45 Maty i Jôbaba, ka i Hosama avy any amin’ny tanin’ny Temanita no nanjaka nandimby azy.
46 Maty i Hosama, ka i Hadada zanak’i Badada no nanjaka nandimby azy; izy no nandresy ny Madianita tany amin’ny tanin’i Moaba. Avita no anaran-tanànany.
47 Maty i Hadada, ka i Semlà, avy any Masrekà no nanjaka nandimby azy.
48 Maty i Semlà, ka i Saola avy any Rohôbôta, amoron’ny Ony, no nanjaka nandimby azy.
49 Maty i Saola ka i Balanàna zanak’i Akobôra no nanjaka nandimby azy.
50 Maty i Balanàna ka i Hadada no nanjaka nandimby azy; Fao no anaran-tanànany, ary ny anaran’ny vadiny dia Meetabela, zanaka vavin’i Matreda, zanaka vavin’i Mezaaba.
Ireo loham-pianakavian’i Edôma
51 Ary maty i Hadada. Ny loham-pirenen’i Edôma dia ireto: i Tamnà loham-pirenena, i Alvà loham-pirenena, i Jeteta loham-pirenena,
52 i Ohôlibamà loham-pirenena, i Elà loham-pirenena,
53 i Finôna loham-pirenena, i Seneza loham-pirenena, i Temàna loham-pirenena, i Nabasa loham-pirenena,
54 i Magdiela loham-pirenena, i Hirama loham-pirenena. Ireo no loham-pirenen’i Edôma.