Categories
1Tantara

1Tantara 11

Ny nanosorana an’i Davida

1 Ary nivory teo amin’i Davida tany Hebrôna i Israely rehetra nanao hoe: «Indro fa taolanao sy nofonao izahay.

2 Taloha fony mbola nanjaka aza i Saola, dia efa nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra ianao. Ary hoy i Iaveh Andriamanitrao taminao: ‹Ianao no ho mpiandry an’i Israely vahoakako, ary ianao no ho mpanapaka an’i Israely vahoakako.› »

3 Dia tonga teo amin’ny mpanjaka, tany Hebrôna, ny loholon’i Israely rehetra, ary i Davida nanao fanekena tamin’izy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, tany Hebrôna, ary izy ireo nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’i Samoela.

Ny nahazoana an’i Jerosalema

4 Dia nandeha i Davida mbamin’i Israely rehetra hamely an’i Jerosalema, izany hoe i Jebosa; tao ny Jeboseanina mponina tamin’ny tany.

5 Fa hoy ny mponina tao Jebosa tamin’i Davida: «Tsy ho tafiditra eto ianao.» Afak’i Davida ihany anefa ny trano mimandan’i Siôna: izany no tanànan’i Davida.

6 Ary hoy i Davida: «Na iza na iza handresy voalohany ny Jeboseanina dia izy no ho lehibe sy filohany.» Ary i Jôaba zanak’i Sarvià no niakatra voalohany, ka izy no tonga lehibe.

7 Dia nitoetra tao anatin’ny trano mimanda i Davida, ka izany no niantsoana azy hoe: tanànan’i Davida.

8 Nanorina ny tanàna tamin’ny manodidina hatrany i Melao sy ny eny akaiky eny izy, ary i Jôaba namboatra ny sisa tamin’ny tanàna.

9 Koa nandroso nihalehibe ihany i Davida, ary nomban’i Iavehn’ny tafika izy.

Ireo mahery fon’i Davida

10 Ireo no lehiben’ny lehilahy mahery izay tao amin’i Davida, ka nanampy azy niaraka tamin’i Israely rehetra nandritra ny andro nanjakany, sady efa nampanjaka azy izy araka ny tenin’i Iaveh ny amin’i Israely.

11 Dia izao no isan’ny lehilahy mahery tao amin’i Davida: i Jesbôama, zanak’i Hakamonì, lehiben’ny Telopolo lahy: izy no nampandihy ny lefony tamin’ny olona telon-jato lahy, izay novonoiny tamin’ny indray mandeha monja.

12 Ny manarakaraka azy dia i Eleazara, zanak’i Dôdô, i Ahôhita; anisan’izy telo lahy mahery izy.

13 Izy no nomba an’i Davida tany Fesy-Domima, ary nivory teo ny Filistinina mba hiady; nisy toerana anankiray feno orja teo, ary vaky nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny vahoaka.

14 Lasa nankeo afovoan’ny saha izy ireo, niaro azy sy nandresy ny Filistinina, dia nanao famonjena lehibe i Iaveh.

15 Nisy telo lahy tamin’ireo kapiteny telopolo lahy nidina nankany amin’i Davida teo amin’ny vatolampy, tany an-johin’i Odolama, ary ny tobin’ny Filistinina tamin’izay dia tafaorina tao amin’ny lohasahan’i Refaima.

16 Tao amin’ny trano mimanda i Davida tamin’izay ary nisy antoko-miaramilan’ny Filistinina tany Betlehema.

17 Nanam-paniriana i Davida ka nanao hoe: «Iza no mba hampisotro ahy rano avy amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema?»

18 Niaraka tamin’izay ireo teo lahy ireo dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina ka nanovo rano teo amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema, dia noraisiny sy nentiny nankeo amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izany i Davida, fa nataony fanatitra araraka ho an’i Iaveh izany, ary hoy izy:

19 «Sanatria raha hanao izany aho! Ra aman’ain’ireo olona ireo ve, ka dia hosotroiko? Fa ny ainy no nataony vy very, hitondrany an’ity!» Dia tsy nety nisotro izy. Izany no nataon’izy telo lahy mahery ireo.

20 I Abisaï, rahalahin’i Jôaba lehiben’ny Telopolo lahy, dia nampandihy ny lefony tamin’ny lehilahy telon-jato, ka nahafaty an’ireo, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy.

21 Amin’izy telopolo lahy faharoa, dia izy no malaza indrindra, ka lehiben’izy ireo, nefa tsy nahomby an’irerỳ telopolo lahy voalohany izy.

22 I Banaiasa zanak’i Jôiadà zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela. Izy no namely ireo Ariela roalahy avy any Moaba. Indray andro nisy oram-panala izay, dia nidina izy ka namely ilay liona tao amin’ny lavaka famorian-drano.

23 Izy no nahafaty ny Ejiptianina anankiray, izay dimy hakiho no halavany, ary nisy lefona sahala amin’ny voditenon’ny mpanenona tao an-tanan’ny Ejiptianina. Nitondra tehina izy nankany aminy ary ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptianina no nosarihiny, dia novonoiny tamin’ny lefony indrindra izy.

24 Izany no nataon’i Banaiasa zanak’i Jôiada, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy mahery izy.

25 Nalaza noho izy telopolo lahy izy. Nataon’i Davida isan’ny mpanolo-tsaina azy manokana izy.

26 Lehilahy mahery tamin’ny foloalindahy: i Asaela rahalahin’i Jôaba, i Elkanàna zanak’i Dôdô, avy any Betlehema;

27 i Samôta avy any Arôry, i Helesa avy any Falôna,

28 i Irà zanak’i Aksesa avy any Tekôe, i Abiesera, avy any Anatôta;

29 i Sobokay Hosatita, i Ilaì Ahôlita,

30 i Maharay avy any Netôfa, i Heleda zanak’i Baanà, ary i Netofà;

31 i Etay, zanak’i Ribaì avy any Gabaàn’ny taranak’i Benjamina, i Banaia avy any Faratôna.

32 I Horay avy any amin’ny lohasahan’i Gaasa, i Abilae avy any Arabà, i Azmaveta avy any Baorima, i Eliaba avy any Salabôna,

33 i Bene-Asema avy any Gezôna, i Jonatàna zanak’i Sage avy any Arara;

34 i Ahiama zanak’i Sakara avy any Arara;

35 i Elifala zanak’i Ora,

36 i Hefera avy any Mekerà;

37 i Ahià avy any Felôna, i Hesrao avy any Karmela;

38 i Naaraỳ zanak’i Asbaỳ, i Joela rahalahin’i Natàna, i Mibohara zanak’i Agaraỳ;

39 i Sekela Ammônita, i Naaraỳ avy any Berôta, mpitondra fiadian’i Jôaba zanak’i Sarvià;

40 i Irà, avy any Jetera, i Gareba avy any Jetera;

41 i Oria Heteanina, i Zabada zanak’i Oholỳ,

42 i Adìna, zanak’i Sirà Robenita, lehiben’ny Robenita, ary telopolo lahy niaraka taminy,

43 i Hanàna zanak’i Maakà, i Jôsafata avy any Matàna;

44 i Ozia avy any Astarôta, i Samà sy i Jehiela zanak’i Hôtama avy any Arôera;

45 i Jedihela zanak’i Sarỳ, i Jôhà Tosaita, rahalahiny;

46 i Eliela avy any Mahoma, i Jeribaỳ sy i Jôsaiasa zanak’i Elnaema, i Jetmà Moabita, i Eliela sy i Obeda ary i Jasiela avy any Masôbià.

Categories
1Tantara

1Tantara 12

Ireo mpiady voalohany nomba an’i Davida

1 Fony i Davida tsy maintsy mbola nitoetra lavitra ny tavan’i Saola zanak’i Kisa, dia ireto no tonga nankeo aminy tao Sikelega; anisan’ny mahery nanampy azy nandritra ny ady izy ireo.

2 Mpandefa tsipìka zatra manavia manavanana raha mandefa vato, zatra mandefa zana-tsipìka amin’ny tsipìkany; avy amin’ny rahalahin’i Saola, amin’i Benjamina:

3 i Ahisera no lohany, dia i Jôasa zanak’i Samaà any Gabaà, i Jaziela sy i Faleta zanak’i Azmôta, i Barakà, i Jehò avy any Anatôta;

4 i Samaiasa avy any Gabaôna, lehilahy mahery isan’ny telopolo lahy sy lehiben’ny telopolo lahy, i Jeremia, i Jeheziela, i Johanàna, i Jôzabada avy any Gederà;

5 i Elozay, i Jerimota, i Baalià, i Samaria;

6 i Safatià avy any Harofa, i Elkanà, i Jesià, i Azareela, i Jôesera ary i Jesbaama zanak’i Kôre;

7 i Joela sy i Zabadià zanak’i Jerôhama avy any Gedôra.

8 Tamin’ny Gadita, nisy lehilahy mahery nanatona an’i Davida tany amin’ny toerana mimanda, tany an’efitra; mpiantafika zatra ady, mahay mampiasa ampinga aman-defona, miendriky ny liona, faingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra.

9 I Ezera no lohany, i Obdiasa no faharoa,

10 i Eliaba no fahatelo, i Maamanà no fahefatra,

11 i Jeremia no fahadimy, i Etì no fahenina,

12 i Eliela no fahafito, i Johanàna no fahavalo,

13 i Elzebada no fahasivy, i Jeremia no fahafolo, i Makabanay no faharaika ambin’ny folo.

14 Taranak’i Gada izy ireo, lehiben’ny foloalindahy, ny iray kely indrindra aminy maharesy zato lahy; ary ny iray lehibe indrindra, maharesy arivo lahy.

15 Izy ireo no nita an’i Jordany, tamin’ny volana voalohany, fony izy nihoatra ny morony rehetra, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin’ny lohasaha na any atsinanana na any andrefana.

16 Nisy nanatona an’i Davida tany amin’ny toerana mimanda kosa ny taranak’i Benjamina sy i Jodà.

17 Nivoaka hitsena azy ireo i Davida sady niteny, nanao taminy hoe: «Raha hevi-pihavanana no ahatongavanareo atỳ amiko, mba hanampy ahy, dia hitongilana aminareo ny foko hikambanantsika; fa raha hamadika sy hanolotra ahy amin’ny fahavaloko kosa, nefa tsy misy an-keriny nataon’ny tanako, dia ny Andriamanitry ny razantsika no aoka hijery sy hamaly izany.»

18 Ary i Amasaì, lehiben’ny telopolo lahy, dia nosaronan’ny Fanahy, ka nanao hoe: «Anao izahay, ry Davida, ary momba anao, ry zanak’i Isaia! Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’izay manampy anao.» Dia noraisin’i Davida izy ireo, ary nomeny toerana tamin’ny lehiben’ny antokon’ny miaramila.

19 Nisy lehilahy sasany tamin’i Manase nikambana tamin’i Davida fony izy niaraka tamin’ny Filistinina nandeha hiady amin’i Saola. Nefa tsy nanampy ny Filistinina izy, ninian’ny andrian’ny Filistinina nalefa nody i Davida, fa hoy izy: «Ny lohantsika no mety hahita loza hiverenany amin’i Saola tompony.»

20 Raha niverina tany Sikelega izy dia nisy olona avy amin’i Manase, nanatona azy: i Ednasa, i Jôzabada, i Jedihela, i Mikaela, i Jôzadaba, i Eliò ary i Sabataì, tomponarivo amin’i Manase ireny.

21 Nanampy an’i Davida hamely ny andian-jirika izy ireo, fa samy lehilahy mahery ka tonga lehibe tamin’ny foloalindahy.

22 Koa isan’andro isan’andro no nisy olona tao amin’i Davida hamangy azy, mandra-pahatongany ho tafika lehibe toy ny tafik’Andriamanitra.

Ireo mpiady nampanjaka azy

23 Izao no isan’ny lehiben’ny lehilahy hary fiadiana hoenti-miady, tonga nanatona an’i Davida, tany Hebrôna, mba hamindra ny fanjakan’i Saola aminy araka ny didin’i Iaveh:

24 Tamin’ny taranak’i Jodà, 6.800 lahy mitondra ampinga aman-defona, hary fiadiana mba hiady.

25 Tamin’ny taranak’i Simeôna, 7.100 lahy, samy lehilahy mahery an’ady.

26 Tamin’ny taranak’i Levì, 4.600 lahy.

27 Ary i Jôiadà lehiben’ny taranak’i Aarôna, ary 3.700 lahy no niaraka taminy.

28 Ary i Sadôka zatovo mahery mbamin’ny fianakavian-drainy, dia filohany 22.

29 Avy amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahin’i Saola, 3.000 lahy; fa ny ankabeazan’ireo, hatramin’izay, mbola niraiki-po tamin’ny fianakavian’i Saola ihany.

30 Tamin’ny taranak’i Efraima, 20.800, samy lehilahy mahery sy malaza any amin’ny fianakavian-drainy avy.

31 Avy amin’ny antsasa-pokon’i Manase 18.000, voatendry tamin’ny anaranyno avy hampanjaka an’i Davida.

32 Avy tamin’ny taranak’i Isakara izay nahafantatra ny andro hahalalana ny tokony hataon’i Israely, 200 lahy samy lohany, mbamin’ny rahalahiny rehetra ambany fahefany.

33 Avy amin’i Zabolôna, 50.000, samy azo alefa amin’ny tafika, vonon-kiady, efa hary fiadiana tsara mihitsy, mba hilahatra hiady amin’ny fo tsy miroahana.

34 Avy amin’i Neftalì, filohany 1.000; ary 37.000 mitondra ampinga sy lefona, no niaraka taminy.

35 Avy amin’ny Danita 28.600 lahy vonon-kiady.

36 Avy amin’i Asera 40.000, samy azo alefa amin’ny tafika sy vonon-kiady.

37 Ary ny avy any an-dafin’i Jordany, amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, 120.000 lahy, hary fitaovana enti-miady tsara mihitsy.

38 Ireo lehilahy mpiady rehetra ireo, izay samy nahay nilahatra hiady avokoa, dia tonga tao Hebrôna, tamin’ny fo mahitsy hanangana an’i Davida ho mpanjaka amin’i Israely rehetra: ary i Israely sisa rehetra koa, dia niray fo torak’izany hanangana an’i Davida ho mpanjaka.

39 Hateloana izy ireo no nitoetra tao niaraka tamin’i Davida, dia nihinana sy nisotro, fa efa nanomana vatsy ho azy ny rahalahiny.

40 Ary na dia izay nitoetra anilany aza hatramin’i Isakara sy i Zabolôna ary i Neftalì samy nampitondra hanina, nentin’ny ampondra aman-drameva mbamin’ny omby sy ny mole, dia lafarina, ampempan’aviavy maina amam-boaloboka maina, divay, diloilo, omby aman’ondry sesehena, satria nisy fifaliana tamin’i Israely.

Categories
1Tantara

1Tantara 13

Ny namerenana ny fiara avy any Kariatiarima

1 Ary i Davida niara-nihevitra tamin’ny tomponarivo sy ny tompon-jato ary ny mpifehy rehetra,

2 ka hoy i Davida tamin’ny fiangonan’i Israely rehetra hoe: «Raha ataonareo ho mety, sy raha toa hevitra avy amin’ny Andriamanitsika, dia handeha isika haniraka faingana any amin’ny rahalahintsika sisa rehetra, any amin’ny tanin’i Israely rehetra sy any amin’ny mpisorona mbamin’ny Levita ao amin’ny tanànany misy tany fiandrasany biby, mba hikambana amintsika izy,

3 sy hitondrantsika ho atỳ amintsika indray ny fiaran’Andriamanitra, fa tsy nahoantsika akory izany tamin’ny andron’i Saola.»

4 Nasain’ny fiangonana rehetra natao izany, satria noheverina ho tsara teo imason’ny vahoaka rehetra izany.

5 Koa novorin’i Davida i Israely rehetra, hatramin’ny Sihoraany Ejipta, ka hatrany amin’ny hadilalan’i Emata, haka ny fiaran’Andriamanitra avy any Kariatiarima.

6 Dia niakatra i Davida mbamin’i Israely rehetra, nankany Baalà, izany hoe i Kariatiarima izay any Jodà, mba hampiakatra avy any ny fiaran’Andriamanitra, ny fiaran’i Iaveh izay mipetraka eo ambonin’ny kerobima, izay fiantsoana ilay Anarana.

7 Napetrany teo ambony sarety vaovao ny fiaran’Andriamanitra dia nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba: i Ozà sy i Ahiao nitarika ny sarety;

8 i Davida sy i Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan’Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin’ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona aman’anjomara.

9 Nony tonga teo am-pamoloan’i Kidôna, dia naninjitra ny tanany hihazona ny Fiara i Ozà, fa nisolafaka ny omby.

10 Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh, ka nokapohin’i Iaveh izy, noho izy naninji-tanana tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Ozà.

11 Nahatezitra an’i Davida ny nikapohin’i Iaveh an’i Ozà toy izany, ary io toerana io dia nantsoina mandrak’androany hoe Ferets-Ozà.

12 Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izay andro izay, ka nanao hoe: «Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran’Andriamanitra ho ao amiko?»

13 Ka tsy notarihin’i Davida ho ao aminy, ao an-tanànan’i Davida ny fiara, fa nasainy nentina tany an-tranon’i Obededôma, any Geta.

14 Dia nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obededôma tao an-tranony, ny fiaran’Andriamanitra; ary nambinin’i Iaveh ny ankohonan’i Obededôma mbamin’ny ananany rehetra.

Categories
1Tantara

1Tantara 14

I Davida ao Jerosalema; ny lapany sy ireo zanany

1 Ary i Hirama mpanjakan’i Tira, nandefa iraka tany amin’i Davida nitondra hazo sedera sy tambato ary mpandrafitra, hanao trano ho azy.

2 Dia fantatr’i Davida, fa efa nampiorina azy ho mpanjaka amin’i Israely i Iaveh, satria voasandratra ny fanjakany, noho i Israely vahoakany.

3 Mbola naka vady koa i Davida tany Jerosalema ka mbola niteraka zazalahy aman-jazavavy.

4 Izao no anaran’ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoà, Sôbada, Natàna, Nôga,

5 Salômôna, Jebahara, Elisoa,

6 Elifata, Nefega, Jafia,

7 Elisamà, Baniadà ary Elifata.

Ny nandresena ny Filistinina

8 Ren’ny Filistinina fa hoe voahosotra ho mpanjaka amin’i Israely rehetra i Davida; dia niakatra hitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida ka dia nivoaka hanoloana an’ireo izy.

9 Nony tonga ny Filistinina dia nirotsaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaima.

10 Nanontany an’Andriamanitra i Davida nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ka hoy i Iaveh taminy: «Miakara, ary hatolotro eo an-tananao izy.»

11 Dia niakatra nankany Baala-Farasìna izy ireo ka nandresy azy tao i Davida. Ary hoy i Davida: «Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko, toy ny amakian’ny rano ny fefiloha.» Izany no nanaovana ny anaran’io fitoerana io hoe: Baala-Farasìna.

12 Nilaozan’irerỳ tao ny andriamaniny, ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.

13 Nirotsaka indray ny Filistinina teny amin’ny lohasaha.

14 Dia nanontany an’Andriamanitra i Davida, ka hoy Andriamanitra taminy: «Aza miakatra manaraka azy fa mivilia azy, ary hivarina aminy ianao avy eo amin’ny lafiny misy ny balsamie.

15 Ka rehefa mandre fingodongodon’olona any an-tendron’ny balsamie ianao, miroata hiady amin’izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistinina.»

16 Dia nataon’i Davida izay nandidian’Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gabaôna ka hatrany Gazera izy ireo.

17 Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’i Iaveh natahotra azy ny firenena rehetra.

Categories
1Tantara

1Tantara 15

Ny nanomanana ny hamindrana toerana ny fiara

1 Ary i Davida nanao trano ho azy tao an-tanànan’i Davida, dia nanomana fitoerana ho an’ny fiaran’Andriamanitra, ka nanorin-day ho azy.

2 Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»

3 Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely rehetra hampiakatra ny Fiaran’i Iaveh ho ao amin’ny fitoerany, izay efa nomaniny ho azy.

4 Novorin’i Davida ny taranak’i Aarôna sy ny Levita;

5 tamin’ny taranak’i Kaata: i Oriela lehibe sy ny rahalahiny, 120;

6 tamin’ny taranak’i Merarì: i Asaià lehibe sy ny rahalahiny, 220;

7 tamin’ny taranak’i Gersôma: i Joela lehibe sy ny rahalahiny, 130;

8 tamin’ny taranak’i Elisafàna: i Semeiàsa lehibe sy ny rahalahiny, 200;

9 tamin’ny taranak’i Hebrôna: i Eliala lehibe sy ny rahalahiny, 80;

10 tamin’ny taranak’i Oziela: i Aminadaba lehibe sy ny rahalahiny, 112.

11 Nantsoin’i Davida ny mpisorona Sadôka sy i Abiatara, ary ny Levita, i Oriela, i Asaiasa, i Joela, i Semeiàsa, i Eliala ary i Aminadaba.

12 Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.

13 Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.»

14 Dia nanamasin-tena ny mpisorona sy ny Levita, mba hampiakatra ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

15 Ary ny taranak’i Levì, dia nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny baony, araka ny nandidian’i Môizy, araka ny tenin’i Iaveh.

16 Nasain’i Davida notendren’ny lehiben’ny Levita ny rahalahiny mpihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha, ny harpa, ny kipantsona, hampaneno azy amin’ny feo mikarantsana sy maneho hafaliana.

17 Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià;

18 naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.

19 I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpihira, dia nitondra kipantsona varahina, hampanenoina.

20 I Zakaria, i Oziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Maasiasa, ary i Banaiasa nanana valiha alamota.

21 I Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, i Jehiela ary i Ozazio, nanana harpa amin’ny «octave», hitari-kira.

22 I Koneniasa, lehiben’ny Levita momba ny fitondrana ny fanaka no nitarika ny fitondrana, fa nahay izany izy.

23 I Barakiasa sy i Elkanà, no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.

24 I Sebeniasa, i Jôsafata, i Natanaely, i Amasa, i Zakaria, i Banaiasa, ary i Eleazara mpisorona, no nitsoka anjomara teo alohan’ny Fiaran’Andriamanitra, i Obededôma sy i Jehiasa no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.

Ny fombam-pivavahana namindrana toerana ny fiara

25 Dia niainga i Davida sy ny loholon’i Israely ary ny tomponarivo, hampiakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tao an-tranon’i Obededôma tamin’ny fifaliana.

26 Rehefa nomban’Andriamanitra fanampiana ny Levita izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia namono ombalahy enina sy ondralahy enina natao sorona ny olona.

27 Nitafy kapaoty bisosa i Davida; torak’izany koa ny Levita rehetra nitondra ny Fiara, ny mpihira ary i Koneniasa izay nitarika ny fitondrana ny Fiara, eo amin’ny mpihira; ary i Davida nitafy ny efôda rongony madinika.

28 I Israely rehetra no indray nampakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana, tamin’ny feon’anjomara amana bingona mbamin’ny kipantsona.

29 Nony tonga hatrany an-tanànan’i Davida, ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanakavavin’i Saola, ka nony nahita an’i Davida nitsinjaka sy nandihy izy, dia nikizaka azy tao am-pony.

Categories
1Tantara

1Tantara 16

1 Nony efa voampiditra ny fiaran’Andriamanitra sy efa napetraka tao afovoan’ny lay naorin’i Davida ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.

2 Nony vitan’i Davida ny fanolorana ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny Anaran’i Iaveh izy.

3 Ary ny olona rehetra tamin’i Israely na lahy na vavy, dia nizarany mofo iray avy, sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray.

Ny ataon’ny Levita eo anoloan’ny fiara.

4 Nisy Levita sasany notendren’i Davida hitoetra eo anatrehan’ny fiaran’i Iaveh mba hanao ny fanompoana amin’ny fangatahana, fankalazana sy fiderana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely;

5 dia i Asafa filohany, i Zakaria faharoa, dia i Jahiela, i Semiramôta, i Jehiela, i Matatiasa, i Eliaba, i Banaiasa, i Obededôma ary i Jehiela, izay nanan-java-maneno, lokanga, harpa, ary i Asà nampaneno ny kipantsona,

6 i Banaisa sy i Jaziela mpisorona nitsoka anjomara lalandava, teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’Andriamanitra.

7 Tamin’izay andro izay no voalohany nanapahan’i Davida, fa ny feon’i Asafa sy ny rahalahiny no hankalazana an’i Iaveh:

8 «Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany,

ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.

9 Manaova hira fanajana Azy, mihirà Salamo fanajana Azy.

Torio ny fahagagana rehetra nataony.

10 Ataovy rehareha ny Anarany masina,

aoka ho faly ny fon’izay mitady an’i Iaveh.

11 Katsaho i Iaveh sy ny heriny,

tadiavo lalandava ny tavany.

12 Tsarovy ny zava-mahatalanjona nataony,

ny fahagagany sy ny fitsaràn’ny vavany,

13 ry taranak’i Israely mpanompony,

ry terak’i Jakôba, ianareo olom-boafidiny.

14 Izy, Iaveh no Andriamanitsika,

mahazo ny tany rehetra ny fitsaràny.

15 Tsahivo mandrakariva ny fanekeny,

ny teny nataony ho an’ny taranaka arivo mandimby.

16 Fanekena nifanaovany tamin’i Abrahama,

ny fianianana nataony ho an’i Isaaka,

17 izay naraikiny ho lalàna tamin’i Jakôba,

ary ho fanekem-pihavanana mandrakizay ho an’i Israely,

18 nataony hoe: ‹Homeko anao ny tany Kanaana,

ho anjara lovanao.›

19 Fony mbola mora isaina ianareo,

vitsy isa, sady vahiny tamin’ny tany,

20 nivezivezy nifindra firenena izy ireo,

avy amin’ny fanjakana iray ho amin’ny vahoaka hafa,

21 tsy navelany hampahory azy,

fa izy ireo aza namaizany mpanjaka:

22 aza mitendry ireo voahosotra,

aza manisy ratsy ny mpaminaniko.

23 Mihirà ho an’i Iaveh, ry mponina amin’ny tany rehetra,

torio isan’andro ny famonjeny.

24 Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny

ary amin’ny vahoaka rehetra ny fahagagany.

25 Fa lehibe i Iaveh ka mendrika hoderaina indrindra,

ary mahatahotra mihoatra ireo andriamanitra rehetra Izy;

26 fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia sampy.

Ary i Iaveh no nanao ny lanitra;

27 fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan’ny Tavany,

ary hery aman-kafaliana no eo amin’ny fonenany.

28 Omeo an’i Iaveh, ry fianakaviam-pirenena,

omeo an’i Iaveh ny voninahitra sy ny fahefana;

29 omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany.

Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany;

mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.

30 Mangovita eo anatrehany, ry mponina amin’ny tany rehetra,

ary izao tontolo izao, voaarina, tsy mba hivembena.

31 Aoka hifaly ny lanitra,

ary aoka hiravo ny tany!

Aoka holazaina eram-pirenena ny hoe: ‹Mpanjaka i Iaveh!›

32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina,

mbamin’izay rehetra eo aminy!

Aoka hisomebiseby ny saha, mbamin’izay rehetra eo aminy!

33 Ary aoka hanandra-peo fifaliana ny hazo an’ala,

eo anatrehan’i Iaveh fa avy hitsara ny tany Izy.

34 Miderà an’i Iaveh fa tsara Izy,

fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

35 Lazao hoe: ‹Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay!

angony izahay ary tsoahy avy eo amin’ny firenena,

mba hankalazanay ny Anaranao masina

sy hanaovanay ho reharehanay ny fiderana Anao.›

36 Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely,

Hatramin’ny mandrakizay, ka ho mandrakizay.»

Ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Amen!» sy hoe: «Miderà an’i Iaveh!»

37 Dia navelan’i Davida teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh i Asafa mbamin’ireo rahalahiny, mba hanao tsy tapaka ny fanompoana eo anoloan’ny Fiara, araka ny anjara raharahany isan’andro.

38 Toy izany koa i Obededôma mbamin’ireo rahalahiny 68, i Obededôma zanak’i Iditona ary i Hosa, ho mpiandry varavarana.

39 Toy izany koa i Sadaoka mpisorona, mbamin’ireo mpisorona rahalahiny, teo anoloan’ny Fonenan’i Iaveh teo amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna,

40 mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh izay nandidiany an’i Israely.

41 Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

42 Niaraka tamin’ireo, dia niaraka tamin’i Hemàna sy i Iditona, dia nisy anjomara aman-kipantsona ho an’ireo tsy maintsy mampaneno azy, mbamin’ny zava-maneno hampiarahina amin’ny hiran’Andriamanitra. Ny zanak’i Iditona niadidy ny varavarana.

43 Samy nody tany an-tranony avy ny vahoaka rehetra, ary i Davida koa nody hitso-drano ny ankohonany.

Categories
1Tantara

1Tantara 17

Ny faminanian’i Natàna

1 Rehefa niorina tao an-tranony i Davida dia hoy i Davida tamin’i Natàna mpaminany: «Izaho ity mitoetra an-trano sedera; nefa ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ao anaty lay!»

2 Ary hoy i Natàna namaly an’i Davida: «Ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra.»

3 Ny alin’izay ihany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’Andriamanitra nanao hoe:

4 Mandehana lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no tenin’i Iaveh: Tsy ianao no hanao trano hitoerako.

5 Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny andro nampiakarako an’i Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako.

6 Nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ny anankiray amin’ireo mpitsara an’i Israely izay nasaiko hamahana ny vahoakako, nanao hoe: Nahoana ianao no tsy manao trano sedera ho Ahy?

7 Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Tany an-tanim-bilona teo aorian’ny ondry, no nangalako anao mba ho andriana amin’i Israely vahoakako;

8 nomba anao tamin’izay rehetra nalehanao Aho, nandringana ny fahavalonao rehetra teo anoloanao Aho, ary nataoko malaza toy ny anaran’ireo lehibe eto ambonin’ny tany ny anaranao.

9 Nanokan-toerana ho an’i Israely vahoakako Aho, dia nampiorina azy eo; ka efa monina eo aminy izy ary tsy hisy hanabataba azy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy toy ny taloha intsony,

10 dia toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara tamin’i Israely vahoakako. Naetriko avokoa ny fahavalonao rehetra, ary milaza aminao mialoha Aho, fa hananganan’i Iaveh trano ianao.

11 Rahatrizay tapitra ny andronao, ka ho lasa any amin’ny razanao ianao, dia hasandratro ny taranakao mandimby anao, iray amin’ny terakao, ary hohamafisiko ny fanjakany.

12 Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho hanamafy ny fanjakany ho mandrakizay.

13 Ho toy ny ray ho azy Aho, ary ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ka tsy hesoriko aminy ny famindram-poko, toy ny nanesorako izany tamin’ilay nanjaka talohanao.

14 Hampitoeriko mandrakizay ao an-tranoko sy amin’ny fanjakako izy, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandrianany.

15 Dia niteny tamin’i Davida i Natàna araka izany teny rehetra izany sy io fahitana rehetra io.

Vavak’i Davida

16 Ka tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! Ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin’izao aho?

17 Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin’ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry i Iaveh Andriamanitra ô!

18 Koa inona indray no ho azon’i Davida lazaina aminao, ny amin’ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao.

19 Iaveh ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny Fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo.

20 Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa hafa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

21 Aiza eto ambonin’ny tany izay firenena hafa, manahaka an’i Israely vahoakanao, izay nahatongavan’Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao Anarana amin’ny fahagagana aman’asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan’ny vahoakanao, izay navotanao tamin’i Ejipta.

22 Fa nataonao vahoakanao mandrakizay i Israely vahoakanao, ka Ianao Iaveh no tonga Andriamaniny.

23 Ary ankehitriny, ry Iaveh, aoka haharitra mandrakizay ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny amin’ny fianakaviany, ary tanteraho araka ny teninao.

24 Aoka haharitra izany, ary aoka hankalazaina mandrakizay ny Anaranao; ka aoka holazain’ny olona hoe: I Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, dia Andriamanitra ho an’i Israely! Ary aoka ho tsara orina eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.

25 Fa Tenanao, ry Andriamanitra ô, no efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa hanorin-trano ho azy, ka izany no nahasahian’ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.

26 Koa ankehitriny, ry Iaveh, Ianao no Andriamanitra, ary nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao.

27 Sitrakao ny hitso-drano ny fianakavian’ny mpanomponao ankehitriny, haharetany mandrakizay eo anatrehanao, fa izay tsofinao rano, ry Iaveh ô, dia voatso-drano mandrakizay.

Categories
1Tantara

1Tantara 18

Ireo fandresen’i Davida

1 Tatỳ aorian’izany, nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Geta mbamin’ny tanàna momba azy.

2 Nandresy ny Moabita izy, ka tonga mpanompo manatitra hetra ho an’i Davidany Moabita.

3 Resin’i Davida koa i Adarezera mpanjakan’i Sobà eny akaikin’i Hamata, tamin’izy teny an-dalana nandeha hampiorina ny fanjakany amin’ny ony Eofrata.

4 Kalesy 1.000, mpitaingin-tsoavaly 7.000, miaramila an-tongotra 20.000, no nosamborin’i Davida taminy, notraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy, fa ny soavaly amin’ny kalesy zato ihany no navelany.

5 Tonga namonjy an’i Adarezera mpanjakan’i Sobà ny Sirianina avy any Damasa, fa noresen’i Davida ny 22.000 lahy tamin’ny Sirianina.

6 Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka dia tonga mpanompo nanatitra hetra ho an’i Davida ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena tamin’izay rehetra nalehany.

7 Nalain’i Davida ny ampinga volamena teny amin’ny mpanompon’i Adarezera, ka nentiny nankany Jerosalema.

8 Varahina be dia be koa no nalain’i Davida tao Tebata sy i Kona tanànan’i Adarezera, ary izany no nanaovan’i Salômôna ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina.

9 Nony ren’i Tôhò, mpanjakan’i Hamata, fa hoe: resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Adarezera, mpanjakan’i Sobà,

10 dia naniraka an’i Adôrama zanany, hankany amin’i Davida mpanjaka izy, hiarahaba sy hankalaza azy, noho ny niadiany tamin’i Adarezera sy nandreseny azy, satria niady tsy tapaka i Tôhò sy i Adarezera, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina isan-karazany izy.

11 Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh izany, mbamin’ny volafotsy amam-bolamena, nalainy tamin’ny firenena rehetra, dia i Edôma, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina ary i Amaleka.

12 Resin’i Abisaia zanak’i Sarvià tao amin’ny Lohasahan-tSira ny Edômita 18.000,

13 ary nametrahany miaramila mponina tao Edôma, ka dia tonga mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena tany amin’izay rehetra nalehany.

Zava-dehibe nataon’ireo manamboninahitra

14 Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.

15 I Jôaba zanak’i Sarvià no nifehy ny miaramila; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana;

16 i Sadôka zanak’i Akitoba, sy i Abimeleka zanak’i Abiatara, no mpisorona, i Sosa no mpanoratra;

17 i Banaiasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ireo zanak’i Davida no voalohan-daharana eo anilan’ny mpanjaka.

Categories
1Tantara

1Tantara 19

1 Tatỳ aorian’izany, maty i Naasa, mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ary ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

2 Ka hoy i Davida: «Hampiseho fankasitrahana amin’i Hanòna, zanak’i Naasa aho, fa nampiseho fankasitrahana tamiko irainy.» Dia nandefa iraka hanony azy noho ny amin-drainy izy. Nony tonga tany amin’i Hanòna tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amôna, ireto mpanompon’i Davida hanony alahelo azy,

3 dia hoy ny mpifehy ny taranak’i Amôna tamin’i Hanòna: «Mba ataonao ho fanajana an-drainao va no nanirahan’i Davida hanony alahelo anao? Tsy ny hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nahatongavan’ireo mpanompony ireo atỳ aminao?»

4 Izay i Hanòna dia nisambotra ireo mpanompon’i Davida, ka ny somony noharatany, ny akanjony nofolònana hatreo am-balahana, vao nalefany nody izy.

5 Fa nisy nandeha nilaza ny nanjò an’ireo lehilahy ireo tamin’i Davida, ka naniraka olona hitsena an’ireo izy, fa nangaihay loatra ireo lehilahy ireo, ary izao no nasain’ny mpanjaka nolazaina tamin’izy ireo: «Mitoera any Jerikô ianareo, mandra-panirin’ny somotrareo, vao modia.»

6 Fantatry ny taranak’i Amôna, fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’i Davida izy, dia nandefa talenta volafotsy arivo i Hanòna sy ny taranak’i Amôna hanakaramany kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly tany amin’ny Sirianina, any Mesôpôtamia, sy tany amin’ny Sirianina any Maakà sy any Sobà.

7 Kalesy 32.000, mbamin’ny mpanjakan’i Maakà sy ny vahoakany no nokaramainy, ka tonga nitoby tao akaikin’ny Medabà izy ireo. Ny taranak’i Amôna niala tany an-tanànany avy, dia nivory sy nandroso hiady.

8 Nony ren’i Davida izany, nalefany hamely an’ireo i Jôaba mbamin’ny tafika rehetra, lehilahy mahery.

9 Dia nivoaka ny taranak’i Amôna, ka nilahatra hiady teo am-bavahadin’ny tanàna; iretsy mpanjaka tonga kosa nitokana teny an-tsaha.

10 Nony hitan’i Jôaba fa samy nisy vava ady teo anoloany sy teo ivohony, dia antokony iray tamin’izay voafantina tamin’i Israely no nofidiny sy nalahany hifanatrika amin’ny Sirianina,

11 ary nomeny hoentin’i Abisaia rahalahiny kosa ny vahoaka sisa, ka nalahany hifanatrika tamin’ny taranak’i Amôna.

12 Hoy izy: «Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia handeha hamonjy ahy ianao, fa raha mahery noho ianao ny taranak’i Amôna, dia hovonjeko ianao.

13 Mahereza, aoka hiady amin-kerim-po isika, ho an’ny firenentsika sy ho an’ireo tanànan’ny Andriamanitsika, ary aoka i Iaveh hanao izay heveriny ho tsara eo imasony.»

14 Dia nandroso niady tamin’ny Sirianina i Jôaba sy ny vahoaka niaraka taminy ka nandositra teo anoloany ireny.

15 Nony nahita ny Sirianina nandositra ny taranak’i Amôna, dia mba nandositra teo anoloan’i Abisaia rahalahin’i Jôaba koa izy, ka niditra tany an-tanàna indray. Dia niverina tany Jerosalema i Jôaba.

16 Rehefa hitan’ny Sirianina fa resy teo anatrehan’i Israely izy, dia naniraka olona haka ny Sirianina tany an-dafin’ny ony izy; ary i Sôfàka komandin’ny tafik’i Adarezera no nitarika azy.

17 Vao nandre izany vaovao izany i Davida dia namory an’i Israely rehetra ka nita an’i Jordany, nandroso hitsena azy sy nandahatra ny hamelezana azy ireo; ary nandahatra ny tafiny hiady amin’ny Sirianina i Davida. Izy ireo no nanomboka ny ady taminy, kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina.

18 Ka matin’i Davida ny soavaly tamin’ny kalesy 7.000 ary ny miaramila an-tongotra 40.000, tamin’ny Sirianina; matiny mbamin’i Sôfàka, komandin’ny tafika.

19 Nony hitan’ireo tompomenakelin’i Adarezera fa resy eo anatrehan’i Israely izy, dia nanao fanekem-pihavanana tamin’i Davida izy ireo, ka tonga mpanompony. Ary tsy nety namonjy ny taranak’i Amôna intsony ny Sirianina.

Categories
1Tantara

1Tantara 20

1 Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby tamin’ny fotoana fiaingan’ny mpanjaka handeha hiady, dia nitarika tafika tsy anerany i Jôaba, ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amôna, sy tonga nanao fahirano an’i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Noresen’i Jôaba i Rabà, sady noravany.

2 Dia nesorin’i Davida ny satrok’andriana teny an-dohan’ny mpanjakany, ary talenta iray no lanjan’ny volamena hita tao aminy, sady nisy vatosoa anankiray koa, natao teny an-dohan’i Davida.

3 Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany, ka noriatiny tamin’ny tsofa aman-dapìka vy sy famaky. Sady nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida mbamin’ny vahoakany rehetra.

4 Tatỳ aorian’izany nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gazera. Tamin’izay no nahafatesan’i Sabokai Hosatita, an’i Safaì isan-taranak’i Rafà, ka voaetry ny Filistinina.

5 Dia nisy ady tamin’ny Filistinina koa, izay nahafatesan’i Elkanàna zanak’i Jaira, an’i Lakmì rahalahin’i Gôliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny voditenon’ny mpanenona ny zarany.

6 Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak’i Rafà koa izy.

7 Naniratsira an’i Israely izy, ka matin’i Jonatàna, zanak’i Samaà, rahalahin’i Davida.

8 Tarana-dRafà tao Geta ireo lehilahy ireo, ary matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony izy ireo.