Categories
1Tantara

1Tantara 21

Fanisana ny vahoaka

1 Ary nitsangan-kamely an’i Israely i Satana ka namoky an’i Davida hanisa an’i Israely.

2 Dia hoy i Davida tamin’i Jôaba sy ny mpifehy vahoaka: «Mandehana isao i Israely hatrany Bersabea ka hatrany Dana, dia manaova filazana amiko, mba hahalalako ny isany.»

3 Fa hoy ny navalin’i Jôaba: «Hotongavin’i Iaveh injato toy izao anie ny hamaroan’ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan’ny tompoko an’izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin’i Israely?»

4 Fa ny tenin’ny mpanjaka nanohitra an’i Jôaba no nahery; ka dia niainga i Jôaba nitety an’i Israely rehetra, ary niverina tao Jerosalema.

5 Natolotr’i Jôaba an’i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 1.100.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Israely rehetra, ary 470.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Jodà.

6 Fa i Levì sy i Benjamina tao amin’izy ireo, tsy mba nanaovany fanisana, satria nolavin’ny sain’i Jôaba ny didin’ny mpanjaka.

Ny pesta sy ny famelan’Andriamanitra

7 Tsy sitrak’Andriamanitra izany raharaha izany, ka dia nokapohiny i Israely.

8 Dia hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Efa nanao fahotana lehibe aho tamin’izao nataoko izao, koa ankehitriny mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa tena nanao toy ny adala tokoa aho.»

9 Niteny tamin’i Gada, mpahitan’i Davida, i Iaveh, nanao hoe:

10 «Mandehana milaza amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Zavatra telo no ataoko eo anoloanao, ka ny iray no fidio dia hataoko aminao.»

11 Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh:

12 Mifidiana ianao: telo taona mosarena, sa telo volana hanosen’ny fahavalonao anao sy hahavoazan’ny sabatry ny fahavalonao anao, sa telo andro hitoeran’ny sabatr’i Iaveh sy ny pesta amin’ny tany, ka hahavita fandringanana eran’ny tanin’i Israely ny Anjelin’i Iaveh? Hevero amin’izao izay valy homeko an’izay naniraka ahy.»

13 Ary hoy i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon’ny tanan’i Iaveh aho, fa be famindram-po indrindra Izy, fa tsy ho azon’ny tanan’olombelona aho!»

14 Ka dia nandefa pesta hamely an’i Israely i Iaveh, ka nahafatesana 70.000 ny olona amin’i Israely.

15 Ary naniraka Anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery i Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy Izy tamin’ilay Anjely nandrava: «Aoka izay! Avonkino amin’izay ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.

16 Nony natopin’i Davida ny masony, dia hitany ilay Anjelin’i Iaveh teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra voatsoaka natondrony nanandrify an’i Jerosalema. Niankohoka i Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo.

17 Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian’ikaky no aoka hasian’ny tananao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana!»

Ny nananganana ny ôtely

18 Dia nasain’ilay Anjelin’i Iaveh nilazan’i Gada i Davida hiakatra hanangana ôtely ho an’i Iaveh, ao am-pamoloan’i Ornàna Jeboseanina.

19 Ka niakatra araka ny teny nolazain’i Gada tamin’ny Anaran’i Iaveh i Davida.

20 Niherika i Ornàna ka nahita ilay Anjely dia niery izy sy ireo zanany efa-dahy; nively vary tamin’izay i Ornàna.

21 Nony tonga teo akaikin’i Ornàna i Davida, nijery i Ornàna ka nahita an’i Davida, dia niala teo am-pamoloana izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.

22 Dia hoy i Davida tamin’i Ornàna: «Afoizo ho ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, fa hanorenako ôtely ho an’i Iaveh; afoizo ho ahy amin’izay tokom-bidiny marina haloa vola, hialan’ny aretina mandringana ny vahoaka.»

23 Ary hoy i Ornàna tamin’i Davida: «Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany.»

24 Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.»

25 Koa nomen’i Davida volamena lanjan’enin-jato sikla i Ornàna ho vidin’ny tokotany.

26 Dia nanangana ôtely teo i Davida, ho an’i Iaveh, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an’i Iaveh, ary i Iaveh namaly azy tamin’ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin’ny ôtely nisy ny sorona dorana.

27 Dia niteny tamin’ilay Anjely i Iaveh, ka nampidirin’io tamin’ny tranony ny sabany.

28 Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa nihaino azy i Iaveh tao amin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina, dia nanatitra sorona tao izy.

29 Ilay tabernaklan’i Iaveh nataon’i Môizy tany an’efitra sy ny ôtelin’ny sorona dorana, dia teo amin’ny fitoerana avo tany Gabaôna fahizay.

30 Tsy tohan’i Davida anefa ny nankeo anoloan’izany ôtely izany, hanaja an’Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr’ilay Anjelin’i Iaveh.

Categories
1Tantara

1Tantara 22

1 Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i IavehAndriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»

Fiomanana hanorenana ny tempoly

2 Dia nasain’i Davida novorina ny vahiny teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendry tambato hipai-bato, hanaovana ny tranon’Andriamanitra izy.

3 Novononin’i Davida koa izao: Vy betsaka hanaovam-pantsika ho an’ny lela-varavarana sy ny faraingo, ary varahina betsaka tsy hita lanja intsony,

4 hazo sedera tsy hita isa, fa nanateran’ny Sidonianina sy ny Tirianina hazo sedera sesehena, i Davida.

5 Hoy i Davida: «I Salômôna, zanako, mbola tanora sy malemy, ary ny trano hatao ho an’i Iaveh dia tsy maintsy ho kanto indrindra mba hahazo laza amam-boninahitra amin’ny tany rehetra, ka tiako ny mamonona zavatra ho azy.» Dia nahavonona be tokoa i Davida talohan’ny nahafatesany.

6 Ary i Davida niantso an’i Salômôna zanany, ka nandidy azy hanao trano ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

7 Izao no lazain’i Davida tamin’i Salômôna: «Anaka, zava-nokendreko ny hanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitra.

8 Saingy tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Nandatsaka ra be ianao sady nanao ady lehibe, ka tsy hanao trano amin’ny Anarako, satria be ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo imasoko.

9 Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan’ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salômôna no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana i Israely amin’ny androny.

10 Izy no hanao trano ho an’ny Anarako; ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy Aho, ary hohamafisiko mandrakizay amin’i Israely ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

11 Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Iaveh, mba hiadana ianao, ary hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitrao, araka ny efa nilazany anao.

12 Ho sitrak’i Iaveh ihany anie, ny hanome fahendrena amam-pahazavan-tsaina anao, rehefa hanome fahefana anao amin’i Israely izy, mba hankatoavanao ny lalàn’i Iaveh Andriamanitrao.

13 Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.

14 Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an’ny tranon’i Iaveh: talenta volamena 100.000, talenta volafotsy 1.000.000, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao.

15 Ary indro mby eto aminao ny mpiasa be dia be, tambato, mpahay vato aman-kazo, olo-mahay amin’izao karazan’asa rehetra izao.

16 Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie i Iaveh.»

17 Nandidy ny lehibe rehetra amin’i Israely koa i Davida hanampy an’i Salômôna zanany, ka hoy izy:

18 «Tsy momba anareo va i Iaveh Andriamanitrareo, ary moa tsy efa nomeny fandriam-pahalemana eo amin’ny manodidina rehetra va ianareo? Fa ny mponina amin’ny tany efa natolony teo an-tanako; ary ny tany efa nampanekena teo anoloan’i Iaveh, sy teo anoloan’ny vahoakany.

19 Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»

Categories
1Tantara

1Tantara 23

Sokajin’ny Levita sy ny anjara asany

1 Nony efa tratra antitra sy feno andro i Davida, dia i Salômôna zanany no natsangana ho mpanjaka tamin’i Israely.

2 Novoriny avokoa ny lehibe tamin’i Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita,

3 dia nisaina ny Levita hatramin’ny telopolo taona no miakatra, ka 38.000 no isan’ny vatan-dehilahy tsirairay avy.

4 Ary hoy i Davida: «Aoka ny 24.000 amin’izy ireo, hiadidy ny raharaha ao an-tranon’i Iaveh, ny enina arivo ho mpanoratra sy mpitsara,

5 ny 4.000 ho mpiandry varavarana, ary ny 4.000 ho mpidera an’i Iaveh amin’ny zava-maneno nataoko hankalazana Azy.»

6 Nozarain’i Davida ho antokony araka ny zanak’i Levỳizy ireo dia: i Gersôna, i Kaata, i Merarỳ.

7 Ny Gersônita, dia i Leedàna, sy i Semeià.

8 Zanaka lahin’i Leedàna: i Jahiela filohany, i Zetama sy i Joela, telo izy.

9 Zanaka lahin’i Semeià: i Salômita, i Hoziela ary i Aràna, telo izy. Ireo no loham-pianakaviana, avy amin’i Leedàna.

10 Zanaka lahin’i Semeià: i Leheta, i Zizà, i Jaosa ary i Barià, izy efatra ireo no zanaka lahin’i Semeià.

11 I Leheta no lohany, i Zizà no faharoa, i Jaosa sy i Barià vitsy zanaka lahy, ka nisaina ho antokony iray araka ny fianakaviany.

12 Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna, ary i Oziela, efatra izy.

13 Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay.

14 Ny amin’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra kosa, dia nisaina anatin’ny fokon’i Levỳ ihany ny zanany.

15 Zanaka lahin’i Môizy: i Gersôma sy i Eleazara.

16 Zanaka lahin’i Gersôma: i Soboela filohany.

17 Ny zanaka lahin’i Eliezera, dia i Rohobià, filohany. Tsy nanan-janaka lahy hafa i Eliezera, nefa maro dia maro ny zanakalahin-dRohobià.

18 Zanaka lahin’i Isaara: i Salômita filohany.

19 Zanaka lahin’i Hebrôna: i Jeriao filohany, i Amariasa faharoa, i Jahaziela fahatelo ary i Jekmaama fahefatra.

20 Zanaka lahin’i Oziela: i Mika filohany, i Jesià faharoa.

21 Zanaka lahin’i Merarì: i Moholì sy i Mosì.

22 Zanaka lahin’i Moholì: i Eleazara sy i Kisa, Maty tsy nitera-dahy i Eleazara, fa vavy ihany, ary nalain’ny zanak’i Kisa, rahalahiny, ho vady ireo.

23 Zanaka lahin’i Mosì: i Moholì, i Edera ary i Jerimota, telo lahy izy.

24 Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taonano ho miakatra.

25 Fa hoy i Davida: «I Iaveh Andriamanitr’i Israely efa nanome fitsaharana ny vahoakany, ka honina mandrakizay eto Jerosalema.

26 Ary ny Levita efa tsy hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra, fanaovana ny fanompoana momba azy intsony.»

27 Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.

28 Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin’ny taranak’i Aarôna, amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, ny amin’ny momba ny kianja aman’efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh;

29 ny amin’ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin’ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamàtra rehetra.

30 Anjarany ny tonga miseho isa-marain-tsy hariva hankalaza sy hidera an’i Iaveh,

31 sy hanatitra ny sorona dorana rehetra amin’i Iaveh, amin’ny andro sabata na amin’ny voalohan’ny volana, na amin’ny fety, araka ny isany voadidy hatao mandrakariva eo anatrehan’i Iaveh.

32 Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

Categories
1Tantara

1Tantara 24

Sokajin’ny mpisorona

1 Ny amin’ny taranak’i Aarôna, dia izao no antokony, zanaka lahin’i Aarôna: i Nadaba, i Abiò, i Eleazara sy i Itamara.

2 I Nadaba sy i Abiò, maty talohan-drainy, tsy nitera-dahy, ary i Eleazara sy i Itamara nanao ny raharahan’ny fisoronana.

3 I Davida, i Sadôka taranak’i Eleazara, sy i Akimeleka taranak’i Itamara, dia nizarazara ny taranak’i Aarôna ho antokotokony arakaraka ny fanompoany.

4 Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak’i Itamara, ny taranak’i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana 16 ny tamin’ny taranak’i Eleazara, ary loham-pianakaviana 8 ny tamin’ny taranak’i Itamara.

5 Samy natao tamin’ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin’ny taranak’i Eleazara na ny tamin’ny taranak’i Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin’ny momba an’Andriamanitra.

6 I Semeiàsa zanak’i Natanaely mpanoratra, anankiray tamin’ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan’i Sadôka mpisorona, sy i Akimeleka zanak’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita; amin’ny filokana maka fianakaviana iray avy amin’i Eleazara, dia iray avy amin’i Itamara.

7 Azon’i Joiariba ny loka voalohany, an’i Jedeià ny faharoa,

8 an’i Harima ny fahatelo, an’i Seôrima ny fahefatra,

9 an’i Melkià ny fahadimy, an’i Maimàna ny fahenina,

10 an’i Akôsa ny fahafito, an’i Abià ny fahavalo,

11 an’i Jesoà ny fahasivy, an’i Sekeniaò ny fahafolo,

12 an’i Eliasiba ny faha-11, an’i Jakima ny faha-12,

13 an’i Hopfà ny faha-13, an’i Isbaaba ny faha-14,

14 an’i Belgà ny faha-15, an’i Emera ny faha-16

15 an’i Hezira ny faha-17, an’i Afresa ny faha-18,

16 an’i Feteià ny faha-19, an’i Hezekiela ny faha-20,

17 an’i Jakina ny faha-21, an’i Gamola ny faha-22,

18 an’i Dalajao ny faha-23, an’i Maziao ny faha-24.

19 Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon’i Iaveh, araka ny fandaharana nomena azy, tamin’ny alalan’i Aarôna, rainy, araka ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely azy.

20 Izao kosa ny amin’ny filohan’ny Levita sisa: tamin’ny taranak’i Amrama i Sobaela, tamin’ny taranak’i Sobaela i Jehedeià;

21 tamin’ny taranak’i Rohobià i Jesiasa filohany;

22 tamin’ny Isaarita i Salemôta, tamin’ny taranak’i Salemôta i Jahata.

23 Zanaka lahin’i Hebrôna: i Jerià no voalohany, i Amariasa faharoa, i Jahaziela fahatelo, i Jekmaàna fahefatra.

24 Zanaka lahin’i Oziela: i Mikà, tamin’ny taranak’i Mikà i Samira.

25 Rahalahin’i Mikà: i Jesià, zanak’i Jesià i Zakariasa.

26 Zanaka lahin’i Merarỳ: i Moholỳ sy i Mosỳ; zanaka lahin’i Merarỳ tamin’i Oziao zanany: i Saama, i Zakora ary i Hebrỳ.

27 Avy amin’i Moholỳ, i Eleazara izay tsy nitera-dahy;

28 avy amin’i Kisa, ny zanaka lahin’i Kisa: i Jerameela.

29 Zanaka lahin’i Mosỳ: i Moholỳ, i Edera ary i Jerimota.

30 Ireo no taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak’i Aarôna rahalahiny, dia nanao ny filokànateo anatrehan’i Davida mpanjaka sy i Sadôka, sy i Akimeleka, mbamin’ireo loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin’ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra.

Categories
1Tantara

1Tantara 25

Ireo mpihira

1 Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.

2 Amin’ny zanaka lahin’i Asafa: i Zakora, i Josefa, i Natanià ary i Asarelà, ireo no zanaka lahin’i Asafa, tarik’i Asafa, naminany araka ny didy avy amin’ny mpanjaka.

3 Amin’i Iditona, ny zanaka lahin’i Iditona: i Godohiasa, i Sorỳ, i Jereiasa, i Hasabiasa, i Matatiasa, ary i Semeià, enina izy araka ny didin’i Iditona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hankalaza an’i Iaveh.

4 Amin’i Hemàna, ny zanaka lahin’i Hemàna: i Boksiao, i Mataniaò, i Ozilea, i Soboela, i Jerimota, i Hanaiasa, i Hananỳ, i Eliata, i Gedeltỳ, i Rômentiezera, i Jesbakasà, i Melotì, i Otira, ary i Mahaziôta.

5 Izy rehetra ireo dia zanaka lahin’i Hemàna, izay mpahitan’ny mpanjaka, amin’ny tenin’Andriamanitra, hankalaza ny fahefany. Zazalahy 14 sy zazavavy telo no nomen’Andriamanitra an’i Hemàna.

6 Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin’ny rainy avy, hanao ny hira ao an-tranon’i Iaveh, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, eo ambany fifehezan’i Davida sy i Asafa ary i Iditona sy i Hemàna.

7 Ny isan’izy ireo, mbamin’ny rahalahiny, izay efa nianatra nihira ho an’i Iaveh, izay rehetra efa nahay tsara, dia 288.

8 Filokana no nataon’izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin’ny anjara raharahany.

9 Ny loka voalohany, amin’ireo an’i Asafa, dia nahazo an’i Josefa; ny faharoa, an’i Godoliasa; izy mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanany lahy: 12;

10 ny fahatelo, an’i Zakora mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

11 ny fahefatra an’i Isarì mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

12 ny fahadimy an’i Nathanià, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

13 ny fahenina an’i Boksiao mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

14 ny fahafito an’i Israely mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

15 ny fahavalo an’i Jesaiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

16 ny fahasivy an’i Mataniasa, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

17 ny fahafolo an’i Semeiàsa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

18 ny faha-11, an’i Azareela mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

19 ny faha-12, an’i Hasabiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

20 ny faha-13, an’i Soboela mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

21 ny faha-14, an’i Matatiasa, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

22 ny faha-15, an’i Jerimota mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

23 ny faha-16, an’i Hananiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

24 ny faha-17, an’i Jesbakasà mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

25 ny faha-18, an’i Hananì mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

26 ny faha-19, an’i Melotì mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

27 ny faha-20, an’i Eliatà, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

28 ny faha-21, an’i Otira mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

29 ny faha-22, an’i Gedeltì, mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

30 ny faha-23, an’i Mahaziôta mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12;

31 ny faha-24, an’i Rômentiezera mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny: 12.

Categories
1Tantara

1Tantara 26

Ireo mpiandry varavarana

1 Izao avy no antokon’ny mpiandry varavarana:

Tamin’ny Kôreita: i Meselemià zanak’i Kôre, avy amin’ny zanak’i Asafa.

2 Zanaka lahin’i Meselemià: i Zakariasa lahimatoa, i Jadihela faharoa, i Zabadiasa fahatelo, i Jatanaela fahefatra;

3 i Elama fahadimy, i Johanàna fahenina, i Eliôenaì fahafito.

4 Zanaka lahin’i Obededôma: i Semeiàsa lahimatoa, i Jôzabada faharoa, i Jôahà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaely fahadimy,

5 i Amiela fahenina, i Isakara fahafito, i Folatì fahavalo: fa nohasoavin’Andriamanitra i Obededôma.

6 I Semeiàsa zanany lahy niteraka zazalahy, izay samy tonga filohany tamin’ny fianakavian-drainy, fa lehilahy mahery fo izy ireo.

7 Zanaka lahin’i Semeiàsa: i Otnì, i Rafaely, i Obeda, i Elzabada mbamin’ireo rahalahiny, samy lehilahy mahery fo, ary i Eliò sy i Samakiasa.

8 Ireo rehetra ireo, dia samy zanak’i Obededôma; 62 izy mbamin’ny zanany aman-drahalahiny no avy amin’i Obededôma, samy lehilahy matanjaka sy be herim-po amin’ny fanompoana.

9 Nanan-janaka aman-drahalahy i Meselemià, izay samy lehilahy mahery fo; 18 izy.

10 Amin’ny taranak’i Merarì, i Hosananan-janaka, dia i Semrì filohany; tsy mba lahimatoa izy nefa natsangan-drainy ho lohany,

11 I Helkiasa faharoa, i Tabeliasa fahatelo, i Zakariasa fahefatra. 13 izy no tontalin’ny zanaka aman-drahalahin’i Hosa.

12 Ireo antokon’ny mpiandry varavarana ireo, ny filohan’izany lehilahy izany, dia samy nanan-draharaha tamin’ny fanompoana tao an-tranon’i Iaveh, teo an’ilan’ireo rahalahiny.

13 Nanao filokàna ny amin’ny isam-baravarana avy izy, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany avy.

14 Ka azon’i Selemiasa ny loka ny amin’ny lafiny atsinanana. Dia natao ny loka ho an’i Zakariasa zanany izay mpanolo-tsaina hendry, ka ny amin’ny lafiny avaratra no azony.

15 Ny amin’ny lafiny atsimo, azon’i Obededôma, ary ny trano fitahirizana, an’ny zanany.

16 Ny amin’ny lafiny andrefana, akaikin’ny vavahady Sikaleketa amin’ny lalana miakatra, azon’i Sefima sy i Hosa: nifanandrify ny antoko-mpiambina.

17 Nisy Levita enina any atsinanana, efatra isan’andro any avaratra, efatra isan’andro any atsimo, efatra tamin’ny trano fitahirizana, tsiroaroa;

18 amin’ny lafin’ny trano fanampiny, any andrefana: efatra tamin’ny lalana, roa tamin’ny trano fanampiny.

19 Toy izany no nanokotokoana ny mpiandry varavarana, amin’ny taranak’i Kôreita sy ny taranak’i Merarỳ.

Asa hafa hataon’ny Levitika

20 Ny Levita rahalahin’ireo, no tonian’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra, sy ny rakitr’ireo zavatra voahasina.

21 Amin’ny taranak’i Ledàna, izany hoe: ny taranaky ny Gersônita avy amin’i Ledàna loham-pianakavian’i Ledàna Gersônita, dia i Jehiela;

22 ny zanak’i Jehiela, i Zatàna sy i Joela rahalahiny no tonian’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.

23 Tamin’ny Amramita, ny Isaarita, ny Hebrônita ary ny Ozihelita,

24 dia i Soboela zanak’i Gersôna zanak’i Môizy, no toniany ambony indrindra amin’ny rakitra.

25 Tamin’ireo rahalahiny avy amin’i Eliezera, izay nanan-janaka an’i Rahabià, izay nanan-janaka an’i Isaiasa, izay nanan-janaka an’i Jôrama, izay nanan-janaka an’i Zekri, izay nanan-janaka an’i Selemita,

26 dia i Selemita mbamin’ireo rahalahiny no tonian’ny rakitr’ireo zavatra masina rehetra, izay natokan’i Davida mpanjaka sy ny loham-pianakaviana, mbamin’ny tomponarivo sy tompon-jato, ary ny filohan’ny tafika.

27 Ny babo azo tamin’ny ady no nanokanan’izy ireo izany hoenti-miahy ny tranon’i Iaveh.

28 Ny zavatra rehetra natokan’i Samoela mpahita, i Saola zanak’i Kisa, i Abnera zanak’i Nera, i Jôaba zanak’i Sarvià sy ny olon-kafa na iza na iza dia teo am-pelatanan’i Selemita mbamin’ireo rahalahiny avokoa.

29 Tamin’ny Isaarita, dia i Koneniasa mbamin’ireo zanany no voatendry ho amin’ny raharaha ivelany amin’i Israely, ho mpanoratra sy mpitsara.

30 Tamin’ny Hebrônita, dia i Hasabiasa mbamin’ireo rahalahiny samy lehilahy mahery fo, 1.700 no isany, no nifehy an’i Israely teny an-dafin’i Jordany any andrefana, amin’ny raharaha rehetra momba an’i Iaveh sy ny fanompoana ny mpanjaka.

31 Tamin’ny Hebrônita dia i Jerià no lohany. Ny amin’ny Hebrônita araka ny tetiarana isam-pianakaviana dia nisy fikarohana natao tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida ka nahitana lehilahy mahery teo amin’izy ireo tao i Jazera any Galaada,

32 mbamin’ny rahalahiny, lehilahy maherin’ny 1.700, samy loham-pianakaviana. Ary notendren’i Davida mpanjaka izy ireo hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, amin’ny raharahan’Andriamanitra rehetra sy ny raharahan’ny mpanjaka.

Categories
1Tantara

1Tantara 27

Fandaminana ny tafika sy ny fiainam-bahoaka

1 Ny zanak’i Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tomponarivo, tompon-jato, manamboninahitra amin’ny fanompoana ny mpanjaka, amin’ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin’ny taona, 24.000 no isan’ny antokony iray, – dia ireto:

2 I Jerôbôama zanak’i Zabdiela, no lohan’ny antokony voalohany ho amin’ny volana voalohany, 24.000 no isan’ny antokony.

3 Isan-taranak’i Faresa izy, ary nifehy ny lehibe rehetra isan-tokony, amin’ny volana voalohany.

4 I Dôdià Ahôhita no lohan’ny antokony amin’ny volana faharoa, i Makelôta andriandahy no isan’ny lehibe tamin’ny antokony; 24.000 no isan’ny antokony.

5 I Banaiasa zanak’i Jôiadà filohany no lohan’ny antokony fahatelo, ho amin’ny volana fahatelo, ary 24.000 no isan’ny antokony.

6 Io no ilay Banaiasa lehilahy mahery amin’ny Telopolo lahy, sady mpitarika ny Telopolo lahy. I Amizabada zanany dia mpifehy tamin’ny antokony.

7 I Asaela rahalahin’i Jôaba no fahefatra ho amin’ny volana fahefatra, ary i Zabadiasa zanany no manarakaraka azy, 24.000 no isan’ny antokony.

8 I Samaòta filohany, Izrahita no fahadimy, ho amin’ny volana fahadimy ary 24.000 no isan’ny antokony.

9 I Hirà, zanak’i Aksesa avy any Tekôe no fahenina ho amin’ny volana fahenina, ary 24.000 no isan’ny antokony.

10 I Helesa, Falônita, isan-taranak’i Efraima no fahafito, ho amin’ny volana fahafito, ary 24.000 no isan’ny antokony.

11 I Sobokay, Hosatita, amin’ny fianakavian’i Zarahita no fahavalo ho amin’ny volana fahavalo, ary 24.000 no isan’ny antokony.

12 I Abiezera avy any Anatôta isan-taranak’i Benjamina no fahasivy, ary 24.000 no isan’ny antokony.

13 I Maraì avy any Netofà amin’ny fianakavian’i Zarahita no faha-10, ho amin’ny volana faha-10, ary 24.000 no isan’ny antokony.

14 I Banaiasa avy any Faratôna, isan-taranak’i Efraima no faha-11, ary 24.000 no isan’ny antokony.

15 I Holdaì avy any Netofà, amin’ny fianakavian’i Otoniela, no faha-12, ho amin’ny volana faha-12, ary 24.000 isan’ny antokony.

16 Izao kosa no lohan’ny fokon’iIsraely: amin’ny Robenita, i Eliezera zanak’i Zekri; amin’ny Simeônita, i Safatiasa zanak’i Maakà;

17 amin’ny Levita: i Hasabiasa zanak’i Kamoela; amin’ny fianakavian’i Aarôna, i Sadôka;

18 amin’i Jodà, i Eliò rahalahin’i Davida; amin’i Isakara, i Amrì zanak’i Mikaela;

19 amin’i Zabolôna, i Jesmaiasa zanak’i Abdiasa; amin’i Neftalì, i Jerimota zanak’i Osriela;

20 amin’i taranak’i Efraima: i Osea zanak’i Ozazio; amin’ny antsasam-pokon’i Manase, i Joela zanak’i Fadaiasa;

21 amin’ny antsasam-pokon’i Manase any Galaada, i Jadô zanak’i Zakariasa; amin’i Benjamina, i Jasiela zanak’i Abnera;

22 amin’i Dana, i Ezriela zanak’i Jerôhama. Ireo no lohan’ny fokon’i Israely.

23 Tsy nisain’i Davida ny hatramin’ny roapolo taona no midina, satria efa nolazain’i Iaveh fa hampitombo an’i Israely ho tahaka ny kintana amin’ny lanitra Izy.

24 Efa nanomboka ny fanisana i Jôaba zanak’i Sarvià, fa tsy nahatapitra izany, satria azon’ny hatezeran’i Iaveh noho izany i Israely ka ny isa efa hita dia tsy voasoratra ao amin’ny rejistry ny tantaran’i Davida mpanjaka.

25 I Asmota zanak’i Adiela no tonian’ny rakitry ny mpanjaka, i Jonatàna zanak’i Oziasa no amin’ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin’ny zana-bohitra na amin’ny tilikambo;

26 i Ezrỳ zanak’i Keloba no amin’ny mpiasa any an-tsaha, miasa ny tany;

27 i Semeià avy any Ramà no amin’ny tanimboaloboka; i Zabdiasa avy any Safama no amin’ny divay voavory any amin’ny tanimboaloboka;

28 i Balanàna avy any Gederà no amin’ny ôliva sy ny aviavy any amin’ny Sefelà; i Jôasa no amin’ny diloilo voavory;

29 i Setraì avy any Sarôna no amin’ny omby andrasana any Sarôna; i Safàta zanak’i Adlì no amin’ny omby eny an-dohasaha;

30 i Obila Ismaelita no amin’ny rameva, i Jadiasa avy any Merônata no amin’ny ampondravavy;

31 i Jaziza Agarenianina no amin’ny ondry. Ireo rehetra ireo no tonian’ny fananan’i Davida mpanjaka.

32 I Jonatàna, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; i Jahiela, zanak’i Hakamonì, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka.

33 I Akitôfela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka, ary i Kosaì, Arkeanina, dia sakaizan’ny mpanjaka;

34 manarakaraka an’i Akitôfela dia i Jôiadà, zanak’i Banaiasa, sy i Abiatara. I Jôaba no komandin’ny tafiky ny mpanjaka.

Categories
1Tantara

1Tantara 28

Hafatrafatr’i Davida momba ny Tempoly

1 Novorin’i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin’i Israely, dia ny lohan’ny foko, ny lehiben’ny antokony manompo ny mpanjaka, ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny tonian’ny fananana sy ny biby fiompin’ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin’ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.

2 Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka nanao hoe:

«Mihainoa ahy, ry rahalahiko amam-bahoakako! Izaho efa nikendry ny hanao trano fitsaharana ho an’ny fiaran’ny Faneken’i Iaveh sy ho fandiavan-tongotry ny Andriamanitsika, sady namonona no ho enti-manao izany.

3 Fa hoy Andriamanitra tamiko: ‹Tsy hanao trano ho an’ny Anarako ianao, fa lehilahy mpiady ary mpandatsa-dra.›

4 Nofidin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin’i Israely mandrakizay. Satria i Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ny taranak’i Jodà, ny ankohonan’ny raiko no nofidiny ho mpanjaka, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin’i Israely.

5 Tamin’ny zanako rehetra kosa, – fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, – i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.

6 Hoy Izy tamiko: I Salômôna zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary toy ny ray ho azy Aho.

7 Hohamafisiko ho mandrakizay ny fanjakany, raha mifikitra amin’ny fanarahana ny didiko amam-pitsipiko, tahaka ny amin’izao anio izao, izy.

8 Ary ankehitriny, eto imason’i Israely rehetra, fiangonan’i Iaveh, sy eto anatrehan’ny Andriamanitsika, izay mandre antsika, dia araho sy tandremo tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo rehetra, mba hanananareo ity tany soa ity, sy hamindranareo azy ho lovan’ny fara mandimby anareo mandrakizay.

9 Ary ianao, ry Salômôna, zanako, mahalalà ny Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo mazava sy amin’ny fanahy mazoto, fa i Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hety ho hitanao Izy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.

10 Diniho àry izao, fa nofidin’i Iaveh ianao, hanao trano ho fitoerany masina, ka mahereza sy miasà.»

11 Dia nomen’i Davida an’i Salômôna zanany ny mariky ny alo-baravarana, ny trano, ny efitry ny rakitra, ny efitra ambony, ny efitra anatiny miray amin’io, ny efitry ny fanoneram-pahotana,

12 mbamin’ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan’ny tranon’i Iaveh sy ny efitra rehetra amin’ny manodidina, ho an’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina,

13 ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita, ho an’ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

14 Ny mariky ny fanaka volamena, mbamin’ny lanjan’ny volamena hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana; ny mariky ny fanaka volafotsy rehetra, mbamin’ny lanjany hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana;

15 ny lanjan’ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampy volamena momba azy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro sy isan-dalampy momba azy; ary ny lanjan’ny fanaovan-jiro volafotsy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro;

16 ny lanjan’ny volamena hanaovana ny latabatry ny mofo alahatra, isan-databatra; ny volafotsy hanaovana ny latabatra volafotsy;

17 ny mariky ny fitrebika, ny jôgy, ny kôpy volamena madio, ny siny volamena, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny; ny siny volafotsy, mbamin’ny lanjany avy isan-tsiny;

18 ny môdelin’ny ôtelin’ny zava-manitra hatao amin’ny volamena voadio, araka ny lanjany; ny môdelin’ny kalesin’Andriamanitra, ny kerobima volamena mivelatra elatra manarona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh.

19 «Izany rehetra izany», hoy i Davida, «ny asa rehetra amin’izany marika izany, dia nampahafantarin’i Iaveh ahy, tamin’ny soratra nosoratan’ny tanany, tonga atỳ amiko.»

20 Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

21 Indreo homba anao ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan’asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.»

Categories
1Tantara

1Tantara 29

Ireo fanatitra

1 Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: «I Salômônazanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy osa, ary ny asa hatao dia lehibe, fa tsy lapa ho an’olombelona ity, fa ho an’i Iaveh Andriamanitra.

2 Nanao izay tratry ny aiko aho namonona izay hanaovana ny tranon’Andriamanitra, dia volamena hanaovana ny fanaka volamena, volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, varahina hanaovana ny fanaka varahina, vy hanaovana ny fanaka vy, hazo hanaovana ny fanaka hazo, vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony, vato fanao ravaka sy samihafa volo, vato soa isan-karazany, ary vato marbra ankabetsahany.

3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitra, izay volamena sy volafotsy ananako dia omeko hatao amin’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’izay rehetra nomaniko hanaovana ny fitoerana masina,

4 dia talenta volamena 3.000, ny volamena avy any Ofira; talenta volafotsy voadio 7.000, hapetraka amin’ny atin’ny rindrin’ny efitrano;

5 ny volamena hanaovana fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana fanaka volafotsy, mbamin’izay asa samihafa rehetra hataon’ny tanan’ny mpanao taozavatra. Iza àry no mba mazoto hanome fanatitra an-tsitrapo koa anio, ho an’i Iaveh?»

6 Dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo ny loham-pianakaviana, ny loham-pokon’i Israely, ny tomponarivo, ny tompon-jato ary ny tonian-draharahan’ny mpanjaka.

7 Ka izao no nomeny hanaovana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra: talenta volamena 5.000, darìka10.000, talenta volafotsy 10.000, talenta varahina 18.000, talenta vy iray 100.000.

8 Izay nanam-bato soa, nanolotra izany teo am-pelatanan’i Jahiela Gersônita, ho rakitry ny tranon’i Iaveh.

9 Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.

10 Dia nisaotra an’i Iaveh teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida, ka hoy i Davida: «Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie Ianao, ry Iaveh, Andriamanitr’i Israely rainay.

11 Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra!

12 Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.

13 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.

14 Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.

15 Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.

16 Ry Iaveh Andriamanitray ô, izao harena rehetra novononinay hanaovan-trano ho Anao, ho an’ny Anaranao masina izao, dia ny tananao no iaviany, Anao ny zavatra rehetra.

17 Fantatro, ry Andriamanitra ô, fa mandinika ny fo Ianao, ary tia ny hitsim-po, ka an-tsitrapo no nanaovako izao fanatitra rehetra izao amin’ny fahitsian’ny foko; ary amin-kafaliana koa ankehitriny no ahitako ny vahoakako etoana, samy manolotra an-tsitrapo ny fanatiny ho Anao.

18 Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban’ny hevitra ao am-pon’ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony.

19 I Salômôna zanako, omeo fo mazava hitandrina ny didinao amam-pitsipikao sy lalànao, mba hanarahany azy rehetra, sy hanaovany ny lapa izay efa namononako zavatra.»

20 Ny fiangonana rehetra koa nilazan’i Davida hoe: «Samia ianareo misaotra an’i Iaveh Andriamanitrareo.» Ka dia nisaotra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, ny fiangonana rehetra, sady niondrika izy ireo, sy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh sy teo anatrehan’ny mpanjaka.

Ny nanandratana an’i Salômôna sy ny nahafatesan’i Davida

21 Ny ampitson’izany andro izany, dia namono zavatra natao sorona ho an’i Iaveh izy ireo, sy nanolotra sorona dorana ho an’i Iaveh: ombalahy arivo, ondralahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra araraka fanao, ary sorona hafa be dia be, ho an’i Israely rehetra.

22 Nihinana sy nisotro teo anatrehan’i Iaveh tamin-kafaliana lehibe izy ireo, tamin’izay andro izay. I Salômôna zanak’i Davida nantsoiny ampahibemaso fanindroany ho mpanjaka sy nohosorany ho mpanapaka teo anatrehan’i Iaveh, ary i Sadôka koa nohosorany ho mpisorona.

23 Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.

24 Nanoa an’i Salômôna mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny lehilahy mahery rehetra, hatramin’ireo zanak’i Davida mpanjaka rehetra.

25 Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.

26 Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida zanak’i Isaia.

27 Efapolo taona no andro nanjakany tamin’i Israely: fito taona izy nanjaka tao Hebrôna, ary 33 taona tao Jerosalema.

28 Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy harena amam-boninahitra izy vao maty, ary i Salômôna zanany no nanjaka nandimby azy.

29 Ny asan’i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia indro fa voasoratra ao amin’ny tantaran’i Samoela mpahita sy amin’ny tantaran’i Natàna mpaminany, ary amin’ny tantaran’i Gada mpahita, mbamin’ny zava-drehetra momba ny fanjakany, sy ny asa nataony tamin-kerim-po sy ny fiovaovan-toetra nahazo azy sy nahazo an’i Israely sy ny fanjakana rehetra an-tany hafa.