Categories
1Tesalônisianina

1Tesalônisianina 1

Fiarahabana

1 Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonika, izay ao amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo:

2 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana.

Fisaorana an’Andriamanitra sy fiderana ny Tesalônisianina

Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,

3 ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo, ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;

4 fa fantatray, ry havana malalan’Andriamanitra, fa olom-boafidy ianareo,

5 satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fampiekena tanteraka; sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.

6 Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,

7 ka tonga fakan-tahaka ho an’ny mpino rehetra any Masedônia sy Akaia kosa indray.

8 Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo, fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.

9 Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atỳ aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,

10 sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany ho velona, dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

Categories
1Tesalônisianina

1Tesalônisianina 2

Fihetsik’i Paoly teo amin’ny Tesalônisianina

1 Tenanareo no mahalala, ry kristianina havana, fa tsy foana ny fidiranay atỳ aminareo;

2 fa nony avy nampahorîna sy nalàm-baraka tany Filipy izahay, araka ny fantatrareo rahateo, dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatỳ aminareo, tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka.

3 Fa tsy mba avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny,

4 fa araka ny nankasitrahin’Andriamanitra ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy, tsy toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.

5 Satria tsy mba nanao teny fandokàna na oviana na oviana izahay, araka ny fantatrareo; na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona),

6 na nitady voninahitra tamin’olombelona, na taminareo izany, na tamin’ny hafa;

7 ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana, noho ny maha Apôstôlin’i Kristy anay, dia naleonay nanetry tena teo aminareo, mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.

8 Fa noho ny fitiavanay anareo, dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa aza, satria efa tonga maminay loatra ianareo.

9 He, tsaroanareo, ry kristianina havana, ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman’alina izahay no nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza.

10 Ianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa, fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny teo imasonareo izay mino ny fitondran-tenanay;

11 hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy, araka ny hitanareo;

12 fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.

Ny finoana amam-paharetan’ny Tesalônisianina

13 Noho izany, dia tsy tapaka ny misaotra an’Andriamanitra koa izahay, satria tamin’ny nandraisanareo ny tenin’Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo, araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra izay miasa ao anatinareo efa mino.

14 Fa ianareo, ry kristianina havana, dia efa nanahaka ny Eglizin’Andriamanitra any Jodea, izay ao amin’i Kristy Jesoa, satria sahala amin’izao nanjò anareo tamin’ny iray firenena aminareo izao koa no nanjò azy ireo tamin’ny Jody,

15 dia ny Jody izay namono nahafaty an’i Jesoa Tompo sy ny mpaminany; nanenjika anay, tsy ankasitrahin’Andriamanitra, manohitra ny olona rehetra;

16 ary mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentily hahazoanay famonjena, hany ka mihafeno hatrany hatrany ny lanjan’ny fahotany; sady efa tsy anerany loatra ny fahatezeran’Andriamanitra aminy.

Ahiahin’i Paoly Apôstôly

17 Ary izahay, ry kristianina havana, vao tafasaraka am-batana fa tsy am-po taminareo vetivety foana, dia naniry mafy hahita anareo indray,

18 ka indray maka na indroa aza dia efa nikasa ny hankatỳ aminareo mihitsy izahay, indrindra fa izaho Paoly, nefa nosakanan’i Satana.

19 Fa iza moa no fanantenanay, sy fifaliana aman-tsatroboninahitray? Tsy ianareo va izany, eo anatrehan’i Jesoa Tompontsika amin’ny andro hahatongavany?

20 Eny, tsy iza fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.

Categories
1Tesalônisianina

1Tesalônisianina 3

Ny nanirahana an’i Timote tany Tesalonika

1 Dia tsy naharitra intsony izahay, ka naleonay nitoetra irery tany Atenina,

2 fa nalefanay i Timote rahalahinay sy mpandraharahan’Andriamanitra amin’ny Evanjelin’i Kristy hankahery fo anareo sy hamporisika anareo haharitra amin’ny finoanareo,

3 sao misy mihontsina akory amin’izao fahoriana izao nefa izao no anjarantsika, araka ny efa fantatrareo rahateo.

4 Fa fony mbola teo aminareo ihany izahay no efa nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy ampahorîna, ary hitanareo izao fa tanteraka tokoa izany.

5 Hany ka tsy naharitra terỳ aho, fa naniraka mpampitsapa ny finoanareo, sao dia nasian’ny mpaka fanahy ianareo ka ho very foana ny fisasaranay.

Fisaorana an’Andriamanitra amin’ny vaovao azo

6 Kanjo ankehitriny, nony tonga avy tatỳ aminareo i Timote, dia nolazainy tsara tatỳ aminay avokoa ny amin’ny finoanareo, ny fitiavanareo, ny fahatsiarovanareo anay tsara mandrakariva, ny fanirianareo hahita anay, toy ny anirianay hahita anareo,

7 ka noho izany rehetra izany, ry kristianina havana, dia afaka alahelo ny aminareo izahay, teo amin’ny fahaterena amam-pahorianay rehetra, noho ny finoanareo;

8 velona terỳ izahay izao, mahita anareo maharitra tsara ao amin’ny Tompo.

9 Fisaorana manao ahoana re no azonay avaly an’Andriamanitra, noho ny aminareo sy noho ny hafaliana tanteraka tsaroanay noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitra!

10 Endrey, izany fangatahanay an-kafanam-po lehibe andro aman’alina hahita tava anareo, sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo!

11 Enga anie ka ny Tenan’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompontsika no hanitsy lalana anay ho atỳ aminareo;

12 ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!

13 Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.

Categories
1Tesalônisianina

1Tesalônisianina 4

Hafatrafatra: fahamasinana sy fitiavana

1 Farany, ry kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.

2 Efa fantatrareo, araka ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Tompo,

3 fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra: dia ny hifadianareo ny fijangajangana,

4 sy ny hahaizanareo tsirairay avy, manana ny fanaky ny tenanareoamin’ny fahamasinana sy fananan-kaja,

5 fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,

6 ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;

7 satria tsy ho amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.

8 Koa izay manamavo izany didy izany, dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an’Andriamanitra, Izay nanome ny Fanahiny Masina ho ao aminareo.

9 Ny amin’ny fifankatiavan’ny mpiray tam-po amin’ny finoana, dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo, satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia,

10 sady efa manao izany rahateo amin’ny havana rehetra iray finoana eran’i Masedônia ianareo. Miangavy aminareo anefa izahay, ry kristianina havana, mba handroso kokoa mandrakariva amin’izany.

11 Mahaiza miaina amim-piadanana, sy manatanteraka tsara ny raharahanareo, ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo,

12 mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany, sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.

Ny velona sy ny maty amin’ny fiavian’ny Tompo

13 Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.

14 Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa.

15 Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;

16 fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;

17 raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.

18 Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

Categories
1Tesalônisianina

1Tesalônisianina 5

Fivononana amin’ny hiavian’ny Tompo

1 Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry kristianina havana, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,

2 satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.

3 Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.

4 Ianareo anefa, ry kristianina havana, dia tsy mba ao amin’ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;

5 fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory.

6 Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.

7 Fa ny alina no fatorian’izay matory, ary ny alina no fimamoan’izay mimamo.

8 Koa aoka isika an’ny andro kosa hifady ary hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.

9 Satria tsy ny ho an’ny fahatezerana no nanendren’Andriamanitra antsika, fa ny hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,

10 izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy, na mahatsiaro na matory isika.

11 Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo, ary mifamporisiha handroso, araka ny efa ataonareo rahateo.

Zavatra vitsivitsy takin’ny fiaraha-monina ao amin’ny ankohonana

12 Mangataka anareo koa izahay, ry kristianina havana, mba hanaja izay miasa ao aminareo, sy mifehy anareo ao amin’ny Tompo, ary izay mananatra anareo.

13 Noho ny asan’izy ireo, manàna fitiavana azy lehibe koa, ary mihavàna tsara aminy ianareo.

14 Mangataka aminareo koa izahay, ry kristianina havana: anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin’ny olon-drehetra.

15 Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza, fa ny soa ho an’ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva.

16 Mifalia mandrakariva;

17 mivavaha lalandava;

18 ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.

19 Aza mamono ny Fanahy;

20 aza manamavo ny faminaniana,

21 fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;

22 fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.

Vavaka farany sy fanaovam-beloma

23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.

24 Tsy mivadika Ilay niantso anareo, ka Izy ihany koa no hanefa izany.

25 Mivavaha ho anay, ry kristianina havana!

26 Mampanao veloma ny rahalahy rehetra amin’ny fanorohana masina izahay.

27 Mihanta aminareo amin’ny Anaran’ny Tompo aho, mba vakio amin’ny rahalahy rehetra ity taratasy ity.

28 Ho ao aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen.