Categories
1Timote

1Timote 1

Fiarahabana

1 Izaho Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy, araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy i Jesoa Kristy fanantenantsika,

2 mamangy an’i Timote, tena zanako amin’ny finoana: fahasoavana, famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika!

Ireo mpampianatra sandoka manambana

3 Mampahatsiahy anao aho, fa fony aho ndeha ho any Masedônia, dia nangataka anao hitoetra ao Efezy, mba handidy ny sasany tsy hanao fampianarana tsy izy,

4 na hikatsaka anganongano aman-tetiarana tsy hita lany, izay vao mainka mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny asan’Andriamanitra miorina amin’ny finoana;

5 Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony;

6 fa efa nivilian’ny sasany izany, ka nilaozany nankany amin’ny bedibedy foana;

7 mihambo ho mpampiana-dalàna izy ireny, nefa tsy mahalala izay lazainy sy itompoany ho marina akory.

Ny tena anjara asan’ny Lalàna

8 Fantatsika fa tsara ny Lalàna, raha ampiasain’ny olona araka ny antony marina,

9 sy heveriny tsara fa tsy natao ho an’ny olo-marina izy, fa ho an’ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona,

10 ny mpijangajanga, ny mpiray samy lehilahy, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, mbamin’ny hafa rehetra manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana marina,

11 atoron’ny Evanjelin’ny voninahitr’Andriamanitra sambatra, izay napetraka tamiko.

I Paoly sy ny fiantsoan’Andriamanitra azy

12 Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika Izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,

13 dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana;

14 fa nony nomban’ny finoana amim-pitiavana izay ao amin’i Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika.

15 Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy;

16 fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho ao amin’ny fiainana mandrakizay.

17 Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

I Timote sy ireo andraikiny

18 Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana marony aminao taloha, mba ho araka izany ny hiadianao ny ady tsara,

19 sy amim-pitanana ny finoana sy ny kônsiansy tsara izay efa narian’ny sasany, ka rendrika ny amin’ny finoana terỳ izy ireny;

20 anisan’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro an’i Satana, mba hofaizana tsy hiteny ratsy.

Categories
1Timote

1Timote 2

Ny vavaky ny Fiangonana

1 Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,

2 ho an’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.

3 Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika,

4 Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.

5 Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,

6 izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,

7 ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.

8 Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.

Ny tokony hataon’ny vehivavy

9 Toy izany koa ny vehivavy, mitondra fitafiana mendrika, miravaka am-pahamaotonana sy fahendrena; tsy randram-bolo, na volamena, na vato soa, na fitafiana sarobidy no atao,

10 fa asa soa araka ny mety amin’ny vehivavy mpivavaka.

11 Aoka hangina ny vehivavy raha ampianarina, ka hanaiky tsara;

12 fa tsy avelako hampianatra ny vehivavy, na handidy ny lehilahy, fa hangina ihany.

13 Satria i Adama no natao voalohany, vao i Eva;

14 ary tsy i Adama no voafitaka, fa ny vehivavy voafitakano tonga nanota;

15 nefa hovonjena ihany izy, noho ny fiterahan-jaza, raha tahiny maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamarinana amam-pahalalana onony.

Categories
1Timote

1Timote 3

Ny tokony ho toetran’ny Pretra

1 Tena marina izao teny izao: raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy.

2 Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,

3 tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola,

4 mahay mitondra ny ankohonany, sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary;

5 fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitondra ny Eglizin’Andriamanitra?

6 Tsy zazavao amin’ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.

7 Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa, fandrao dia afa-baraka sy voan’ny fandriky ny demony.

Ny tokony ho toetry ny Diakra

8 Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana,

9 mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio;

10 ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rehefa hita fa tsy manan-tsiny.

11 Toy izany koa ny vadiny, dia aoka ho olona manaja tena, tsy mpifosa, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.

12 Aoka ny Diakra ho olona tsy nanambady afa-tsy indray mandeha, sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.

13 Fa izay mahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa.

Ny Fiangonana sy ny mistery fototry ny fivavahana

14 Manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza,

15 satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.

16 Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarininatao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.

Categories
1Timote

1Timote 4

Ireo mpampianatra sandoka

1 Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony,

2 izay haelin’ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamarikyny vy mahamay ny fieritreretany;

3 handrara tsy hanambady izy, ary hampifady ny hanina nataon’Andriamanitra horaisin’ny mpino sy ny mpahalala ny marina amim-pisaorana.

4 Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa.

5 satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana.

6 Izany no ampianaro ny havana iray finoana, dia ho mpandraharaha tsaran’i Kristy Jesoa ianao, mivelona amin’ny teny finoana mbamin’ny fampianarana tsara efa narahinao.

7 Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavy; ary mampiasà ny tenanao amin’ny fivavahana.

8 Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin’ny fiainana ankehitriny, na amin’ny fiainana ho avy.

9 Eny, teny marina tokoa izany, ka tokony hoekena amim-pitokiana,

10 fa izany indrindra no ikelezanay aina sy iadianay, dia noho izahay manantena an’Andriamanitra velona. Mpamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ny mpino.

11 Izany àry no zavatra handidianao sy hampianarinao.

12 Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.

13 Mandra-piaviko, milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana.

14 Aza atao an-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.

15 Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.

16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Categories
1Timote

1Timote 5

Ireo mpino amin’ny ankapobeny

1 Aza anarina mafy loatra ny anti-dahy, fa anaro toy ny ray izy; ary ny tovolahy, toy ny rahalahy;

2 ny anti-bavy, toy ny reny; ny tovovavy, toy ny anabavy, amim-pahadiovana tanteraka.

Ireo mpitondra tena

3 Omeo voninahitra ny mpitondratena, izay tena mpitondratena tokoa.

4 Fa raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy kosa, dia aoka ho ireo aloha no hianatra hanaja ny fianakaviany, ka hamaly babena ny ray aman-dreniny, fa izany no sitrak’Andriamanitra.

5 Ny hoe mpitondratena tokoa, dia honjohonjon’izy irery no sisa, Andriamanitra no hany antenainy, ka maharitra amin’ny fangatahana amam-pivavahana andro aman’alina izy;

6 fa izay manaram-po amin’ny fahafinaretana foana, dia toa velona, nefa maty tenany.

7 Izany àry no andidio azy ireo, mba tsy hananany tsiny;

8 fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza.

9 Ny soratanaho isan’ny mpitondratena dia aoka tsy ho latsaka ny enimpolo taona, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha,

10 tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.

11 Fa aza mandray ny mpitondratena tanora satria rehefa voan’ny filan’ny nofo ka tofoka an’i Kristy ireny, dia te hanambady indray,

12 ka meloka, fa nivadika ny teny napetrany voalohany;

13 sady midonana-poana koa ireny, ka rafitra ny hitety trano, dia tsy midonana-poana fotsiny, fa be taria, misafo ny an’olona, miresaka ny tsy tokony horesahina.

14 Koa tiako aza hanam-bady ireny mbola tanora ireny, mba hanan-janaka, sy hitondra ny tokantranony; ary tsy hanome basy hamelezan’ny fahavalo vava ratsy.

15 satria efa nisy lasa nivily sahady hanaraka an’i Satana.

16 Raha misy mpino manan-kavana mpitondratena, dia aoka izy no hamelona azy, mba tsy hahavaky tratra ny Eglizy, sy hahazoany mamelona izay tena mpitondratena.

Ireo Pretra

17 Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,

18 fa hoy ny Soratra Masina hoe:Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary;ary koa:Ny mpiasa dia mendrika ny tambiny.

19 Aza mandray teny fiampangana Pretra,raha tsy misy vavolombelona roa na telo;

20 ka izay manota, dia anaro eo anatrehan’ny olona rehetra, mba hampatahotra ny sasany koa.

21 Mihanta aminao eo anatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary ny Anjely voafidy aho, mba tsy hanananao olon-tiana, na hasianao fiangarana kely akory, ny fitandremana izany zavatra izany.

22 Aza malaky mametra-tananaamin’iza na iza, ary aza miombona ota amin’olona, fa tahirizo madio ny tenanao.

23 Aza dia tsy misotro afa-tsy rano, fa mba misotroa divay kely koa, noho ny ambavafonao sy ny fahosaosanao matetika.

24 Ny fahotan’ny sasany dia miharihary ka mialoha ny fitsarana; fa ny an’ny sasany kosa, dia manaraka ato aoriana;

25 toy izany koa ny asa tsara: misy miharihary, misy tsy toy izany aloha, nefa tsy ho azo afenina lalandava.

Categories
1Timote

1Timote 6

Ireo mpanompon’olona

1 Ny mpanompo rehetra ao ambany jiogan’ny sasany, dia aoka hanao ny tompony ho mendrika hohajaina tokoa, mba tsy ho voateny ratsy ny Anaran’Andriamanitra sy ny fampianarany.

2 Ary raha mpino no tompon’izy ireo, dia havana iray finoana ihany ka aoka tsy hoesoiny, fa vao mainka hotompoiny tsaratsara kokoa aza, satria tsy iza fa havana iray finoana malalany ihany no tompoiny.

Ny tena mpampianatra sy ny mpampianatra sandoka

Tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona izany.

3 Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny teny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,

4 dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ady hevitra aman’ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,

5 fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena.

6 Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban’ny fianinana;

7 satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin’izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto:

8 koa rehefa manan-kohanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin’izany.

9 Fa izay te hanan-karena, dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.

10 Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.

Fiangaviana mafy an’i Timote

11 Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.

12 Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.

13 Izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty:

14 tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika,

15 izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.

16 Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.

Endriky ny mpanan-karena kristianina

17 Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;

18 ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra,

19 dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.

Fiangaviana farany sy fanaovam-beloma

20 Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,

21 izay narahin’ny sasany ka nampihataka azy tamin’ny finoana.

Ho ao aminareo anie ny fahasoavana!