Fiarahabana
1 Izaho anti-dahy, mamangy an’Itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako araka ny marina – ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa, –
2 noho ny fahamarinana izay mitoetra ao amintsika sy ho ao amintsika mandrakizay:
3 ho ao amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana, avy amin’Andriamanitra Ray, sy i Jesoa Kristy Zanaky ny Ray!
Ny didy fitiavana
4 Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
5 Ary ankehitriny mihanta aminao aho, Tompokovavy, – tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany – aoka hifankatia isika.
6 Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin’ny fitiavana.
Ireo mpanohitra an’i Kristy
7 Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.
8 Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.
9 Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra; fa izay mitoetra amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10 Raha misy olona tonga ao aminareo, ka tsy mitondra izao fampianarana izao, dia aza mandray azy ao an-tranonareo na miarahaba azy akory.
11 Fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.
Famaranana
12 Manan-javatra maro hosoratana aminareo aho fa tsy tiako atao an-taratasy na amin’ny ranomainty izany, fa ho any aminareo aho, ka dia hiteny mifanatrika aminareo, mba ho feno ny hafalianareo.
13 Manao veloma anao ny zanaky ny rahavavinaovoafidy.