Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 1

Fiarahabana sy fisaorana an’Andriamanitra

1 I Paoly Apôstôlin’i Jesoa Kristy, noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Timote rahalahy, mamangy ny Eglizin’Andriamanitra izay any Kôrinty, mbamin’ny olona masina rehetra eran’i Akaia manontolo:

2 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

3 Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra,

4 Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.

5 Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa.

6 Raha azom-pahoriana izahay, dia ho fanalana alahelo sy famonjena anareo izany; ary raha alàna alahelo izahay, dia ho fanalana alahelo anareo koa izany, fa mahatonga anareo handefitra tsara ireny fahoriana entinay ireny ihany.

7 Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.

8 Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, ny amin’ny fahoriana nanjò anay tany Azia, fa novesarana tsy eran’aina sy tafahoatra ny zakanay izahay, ka efa tsy nanampò izay ho velona intsony;

9 fa toa efa renay ao amin’ny tenanay ny didim-pahafatesana mba tsy hitokianay amin’ny tenanay intsony, fa amin’Andriamanitra izay manangana ny maty.

10 Izy no nanafaka anay tamin’izao fahafatesana efa hamely izao, sy manafaka anay ankehitriny, ary mbola antenainay hanafaka any aoriana koa,

11 indrindra fa raha manampy anay amin’ny fivavahana koa ianareo; dia ho maro ny mpisaotra noho ny fahasoavana azonay, satria maro no nangataka nahazoanay azy.

Ny antony nanovan’i Paoly ny diany

12 Fa izao no voninahitray: ny kônsiansinay no vavolombelona fa tamim-pahatsoram-po sy tamin-kitsim-po teo anatrehan’Andriamanitra, ary tsy tamin’ny fahendren’ny nofo, fa tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra, no nitondranay tena tamin’izao tontolo izao, fa indrindra taminareo.

13 Izay vakinareo sy fantatrareo tsara ihany no soratanay aminareo; ary manantena aho fa ho fantatrareo hatramin’ny farany

14 (sady maro aza no efa mahalala anay tsara); fa izahay moa voninahitrareo, ianareo koa ho voninahitray toy izany, amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.

15 Noho izany fahatokiana izany, tao aloha dia nikasa hankatỳ aminareo aho mba hahazoanareo soa indroa:

16 hihazo any aminareo aho aloha rehefa mankany Masedônia, ary ho any aminareo indray rehefa miverina avy any, dia ianareo no hanatitra ahy any Jodea.

17 Ka moa niovaova hevitra foana va aho raha nanao izany hevitra izany? Sa araka ny nofo no anaovako fikasana, ka dia misy «eny» sy «tsia» ato amiko?

18 Araka ny mahamarina fa mahatoky Andriamanitra no tsy maha- «eny» sy «tsia» ny teninay taminareo.

19 Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa, izay notorinay sy i Silvano ary i Timote taminareo, tsy nisy «eny» sy «tsia,» fa «eny» ihany no tao aminy.

20 Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny «eny», ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana «Amen», mba ho voninahitr’Andriamanitra.

21 Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy, fa Andriamanitra, Izay naha-voahosotra antsika,

22 sy nanisy tombokase antsika, ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

23 Ary mianiana amin’ny fanahiko aho, sy miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona fa fitsitsiako anareo no mbola tsy nankanesako atỳ Kôrinto indray;

24 tsy dia hoe hanao jadona amin’ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara ianareo.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 2

1 Ny tsy hiverina indray any aminareo amin’alahelo àry no hevitra tapaka tao am-poko;

2 satria raha mampalahelo anareo aho, iza indray àry no hampifaly ahy, afa-tsy izay nampalaheloviko ihany?

3 Hany antony nanoratako toy izany taminareo, dia ny mba tsy hahazoako alahelo amin’ireo tokony hifaliako, rehefa tonga aho, satria matoky anareo rehetra aho fa raisinareo ho fifalianareo rehetra koa ny fifaliako.

4 Eny, tamim-pahoriana lehibe, sy tamin’alahelo nahahontsa ny foko, ary tamin-dranomaso be no nanoratako taminareo, tsy ny mba hampalahelo anareo anefa, fa ny mba hahafantaranareo ny haben’ny fitiavako anareo.

5 Raha nisy nahatonga alahelo, dia tsy izaho no nampalaheloviny, fa ianareo rehetra no mba nisy nampalahelovany anareo ihany (tsy te hamely azy mafy loatra aho).

6 Ampy ho an’izany olona izany ny famaizana efa nataon’ny maro aminareo,

7 ka dia ny mamela sy mampifaly azy aza no tokony hataonareo izao, fandrao dia reraky ny alahelo tafahoatra indray izy.

8 Koa mihanta aminareo aho mba ho amim-pitiavana lehibe no handraisanareo azy.

9 Izaho no manoratra aminareo koa anie, dia ny mba hitsapako anareo, na hanaiky ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo na tsia e.

10 Izay avelanareo heloka dia avelako koa; fa raha ny amiko, izay heloka navelako, raha mba nisy navelako, dia noho ny aminareo, sy teo imason’i Kristy no namelako azy,

11 mba tsy ho voan’ny teti-dratsin’i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.

Resaka aserana: Fandraharahan’ny Apôstôly

12 Nony tonga tany Trôasy hitory ny Evanjelin’i Kristy aho, na dia novohana varavarana tao amin’ny Tompo aza.,

13 dia tsy nandry ny fanahiko, satria tsy hitako tao i Tito rahalahiko; ka nanao veloma ny olona aho, dia lasa nankany Masedônia.

14 Fa hisaorana anie Andriamanitra Izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin’i Kristy Jesoa sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.

15 Fa hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay, na amin’izay voavonjy, na amin’izay very: amin’ny sasany moa, fofom-pahafatesana hahafaty; fa amin’ny sasany kosa, fofom-piainana hahavelona.

16 Zovy àry no tandrifiny hahavita asa toy izany?

17 Fa tsy mba toy ny sasany izay mampifaho ny tenin’Andriamanitra izahay, fa tsy misy famahony sy araka ny nanomezan’Andriamanitra azy no itorianay azy eo anatrehan’Andriamanitra, ao amin’i Kristy.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 3

1 Moa midera tena indray va izahay? Sa mila taratasy tahaka ny sasany filazan-tsoa anay na ho any aminareo, na avy any aminareo?

2 Ianareo no taratasinay voasoratra ato am-ponay, sady fantatra sy vakin’ny olon-drehetra.

3 Eny, miseho miharihary fa ianareo no taratasin’i Kristy, nampanoratiny anay, tsy tamin’ny ranomainty, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona; ary tsy tamin’ny takela-bato fisaka fa tamin’ny takela-nofo kosa, dia ny fonareo izany.

4 Ary Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin’ny alalan’i Kristy.

5 Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatratoy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana.

6 Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin’ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin’ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin’ny fanahy, satria ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona.

7 Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin’ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan’i Môizy ny zanak’i Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,

8 tsy mainka va fa ny fandraharahàm-panahy no hohodidinim-boninahitra?

9 Eny, raha ny fandraharahana ny fanamelohana aza nisy voninahitra, dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana;

10 ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an’ilay voalohany, raha oharina amin’ny an’ity ankehitriny ambony lavitra.

11 Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra ity maharitra.

12 Noho izahay manana izany fanantenana izany àry, dia sahy tokoa izahay,

13 ka tsy mba manao tahaka an’i Môizy izay nanarona ny tavany mba tsy hahitan’ny zanak’i Israely tao aminy ny hahataperan’ny fandraharahana mandalo.

14 Fa toa nihajamba ny sain’izy ireo, satria mandraka ankehitriny dia tsy nesorina taminy, fa mbola ao ihany, izany saron-tava izany raha mamaky ny tenin’ny fanekena taloha izy, fa ao amin’i Kristy ihany moa no anesorana izany.

15 Mandraka ankehitriny, isaky ny vakina ny tenin’i Môizy, dia toa misy sarona manarona ny fon’izy ireo;

16 fa rehefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona.

17 Ary tsy iza izany Fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no misy ny fahafahana.

18 Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovan’Izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 4

1 Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany, araka ny famindram-po natao taminay;

2 sanatriavinay ny zava-mahamenatra atao an-katakonana; tsy mandeha an-kafetsena izahay, na manampoka ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay tsotra izao ny marina, ka tonga mendrika hitokian’ny olon-drehetra eo anatrehan’Andriamanitra izahay.

3 Matoa misy miafina ny Evanjelinay, dia amin’izay manary tena no iafenany,

4 izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izaomba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.

5 Fa tsy tenanay no torinay, fa i Kristy Jesoa Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin’i Jesoa.

6 Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.

Fijalijaliana sy fanantenana eo amin’ny fandraharahana

7 Siny tanyanefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin’Andriamanitra ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay.

8 Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorîna, nefa tsy mamoy fo;

9 enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro;

10 entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa.

11 Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty.

12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.

13 Noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe:Nino aho, ka niteny,dia mino koa izahay, ka miteny.

14 Satria fantatray fa Izay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo.

15 Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.

16 Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.

17 Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;

18 fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 5

1 Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.

2 Koa misento ao anatin’ity izahay, fa maniry mafyhitafy ny tranonay avy any an-danitra,

3 raha mbola hita mitafy anefa izahay, fa tsy mitanjaka.

4 Satria raha mbola amin’ity trano lay ity koa izahay, dia misento, fa maniry ny tsy hoendahana, fa hitafy ny hafa koa ambonin’ity, mba hatelin’ny fiainana ny mety maty.

5 Ary tsy iza no namboatra antsika ho amin’izany, fa Andriamanitra Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy ihany.

6 Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana

7 (satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana),

8 dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana, mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.

9 Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.

10 Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.

Asa fandraharahana ataon’ny Apôstôly

11 Koa noho ny fanananay fahatahorana ny Tompo no itadiavanay hampiaiky ny olona; fa Andriamanitra moa dia mahalala anay mazava, ary ianareo koa dia ataoko fa mahalala anay ao amin’ny kônsiansinareo.

12 Tsy midera tena aminareo izahay, fa manome anareo izay ho azonareo hararaotina mba hireharehanareo ny aminay, sy hahazoanareo mamaly izay mitady voninahitra amin’ny fisehoana fotsiny, fa tsy amin’ny ao am-po;

13 dia izao: very saina moa izahay, ho an’Andriamanitra; mitombin-tsaina kosa indray, ho anareo.

14 Fa terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra;

15 ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay maty sy nitsangana ho azy ireo.

16 Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofointsony izahay; ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay; dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny.

17 Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.

18 Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana;

19 satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.

20 Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!

21 Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 6

1 Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo;

2 fa hoy izy:Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho; ary tamin’ny androm-pamonjena, namonjy anao Aho: indro, ankehitriny no fotoana tsara; indro, ankehitriny no androm-pamonjena

3 sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,

4 fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana,

5 amin’ny kapoka, amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina;

6 ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,

7 toriteny marina, ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;

8 na omem-boninahitra na alàm-baraka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;

9 sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona; ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory;

10 ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.

Famborahana hetsi-po sy fampitandremana

11 Ry Kôrintianina ô! misokatra aminareo ny vavanay, ary malalaka koa ny fonay.

12 Ny ato anatinay tsy mba ety ho anareo, fa ny ao am-ponareo no nataonareo ety,

13 ka mbà mamaly toy izany, fa zanaka no itenenako ianareo: mba halalaho koa ny fonareo.

14 Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina?

15 Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Na inona no iombonan’ny mpino amin’ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan’ny Tempolin’Andriamanitra sy ny sampy?

16 Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe:Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.

17 Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;

18 dia horaisiko ianareo, ka Izaho ho Rainareo, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 7

1 Noho isika manana ireo teny fampanantenana ireo àry, ry malala, dia aoka isika hanadio tena ho afaka amin’ny lotom-panahy amam-batana rehetra, ary hanatanteraka ny fanamasinan-tena amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.

2 Ataovy omby anay ny fonareo. Fa izahay tsy nanisy ratsy olona, na nanimba olona, na nanambaka olona, na iza na iza.

3 Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany, fa vao eo aho no nilaza fa ao am-ponay ianareo, ka miara-maty sy miara-belona isika.

4 Ianareo no itokiako indrindra, ianareo no reharehako lehibe; ka feno fanalana alahelo aho, ary vonton-kafaliana tokoa, na dia ao anatin’ny fahorianay rehetra aza.

I Paoly any Masedônia, arahin’i Tito

5 Fa hatramin’ny nahatongavanay tany Masedônia, dia tsy nisy hiainan’ny nofonay, fa nozoin’izao fahoriana rehetra izao izahay: dia ady teo ivelany, sy tahotra tato anatiny.

6 Nefa kosa, Andriamanitra ilay mpanafaka alahelo ny ory dia nanafaka alahelo anay tamin’ny nahatongavan’i Tito,

7 ary tsy tamin’ny nahatongavany ihany, fa tamin’ny fanalana alahelo azony taminareo koa, satria notantarainy taminay ny fanirianareo, ny fitomanianareo, ary ny fitiavanareo ahy, ka hafaliana moa izany no ahy tamin’izany!

8 Koa na dia nampalahelo anareo tamin’ny taratasikoaza aho, dia tsy manenina amin’izany intsony, na dia efa nanenina ihany aza; fantatro fa nampalahelo anareo vetivety ihany tokoa izany taratasy izany,

9 nefa faly aho ankehitriny, tsy noho ianareo nalahelo, fa noho ny alahelonareo nampibebaka anareo; satria alahelo araka an’Andriamanitra ny anareo, ka tsy faty antoka ho anareo avy aminay izany na dia kely aza:

10 fa ny alahelo araka an’Andriamanitra dia miasa hahatonga fibebahana mahavonjy, ka tsy anenenana; fa ny alahelon’izao tontolo izao no miasa hahatonga fahafatesana.

11 Ary akory izato vokatr’izany alahelonareo araka an’Andriamanitra izany! Fa he izato fahazotoana tongany aminareo! endrey izany fanamarinana ny tenanareo! Eny, fahatezerana re izany! tahotra re izany! faniriana re izany! zotom-po re izany! famaizana re izany! Fatratra mihitsy ny nampisehoanareo fa nadio ianareo ny amin’izany raharaha izany!

12 Koa raha nanoratra taminareo aho, dia tsy noho ilay nanisy ratsy, na noho ilay nasian-dratsy, fa ny mba hihariharian’ny fahazotoanareo hahafa-po anay eo anatrehan’Andriamanitra.

13 Dia izany àry no nanafaka alahelo anay. Sady vao mainka niampy indray izany fanalana alahelo izany, noho ny hafalianay nandre ny hafalian’i Tito, fa namelombelona ny fanahiny ianareo rehetra.

14 Ary na mba nirehareha ny aminareo eo anatrehan’i Tito koa aza aho, dia tsy nahamenatra ahy izany, satria noho izahay samy nilaza ny marina taminareo mandrakariva, dia marina ny reharehako ny aminareo tamin’i Tito.

15 Ary raha mahatsiahy ny nanekenareo azy izy, sy ny nandraisanareo azy tamin-tahotra aman-kovitra lehibe, dia vao mainka tsaroany miraikitra mafy aminareo ny fony.

16 Faly aho, fa mahazo matoky anareo amin’ny zavatra rehetra.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 8

Antony tokony hahafoizana

1 Mampandre anareo izahay, ry kristianina havana, fa izao no fahasoavan’Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia.

2 Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy, dia feno hafaliana izy ireo; ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy, dia nahafoy harena be tamin-katsoram-po izy.

3 Vavolombelona aho fa an-tsitrapo tokoa no nahafoizany araka izay zakany, eny mihoatra noho izay zakany aza,

4 fa niangavy mafy taminay izy mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany.

5 Koa dia sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena amin’ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.

6 Izany no niangavianay an’i Tito mba hanatanteraka izany fahasoavana izany atỳ aminareo, noho izy efa nanomboka izany rahateo.

7 Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra, dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona, ary amin’ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.

8 Tsy didy omeko anefa izany, fa fanararaotako ny zotom-pon’ny sasany hoenti-mitsapa ny hamarinan’ny fitiavanareo.

9 Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.

10 Torohevitra fotsiny no omeko etoana, ary ampy anareo izany, satria ianareo ihany no voalohany nanomboka sy namorona ity hevitra ity aza, hatramin’ny taona itsy.

11 Koa tanteraho àry ny asa ankehitriny, ary aoka tsy ho latsaka noho ny hafanam-ponareo nikasa azy ny fanatanterahanareo azy araka izay anananareo.

12 Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.

13 Satria tsy mety raha ny sasany, alàm-pahoriana, ianareo, tra-pahoriana; fa ny fitoviana ihany e.

14 Amin’izao fotoana izao aloha, ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’izy ireo; dia toy izany koa, ny ambim-bavan’izy ireono hameno ny tsy anananareo kosa; ary amin’izany dia hisy fitoviana, araka ny voasoratra hoe:

15 Ny nanangona be tsy nanana ambiny; ny nanangona kely, tsy nanana tsy ampy.

Hafatrafatra ho an’ireo solontena

16 Hisaorana anie Andriamanitra, fa nalatsany ao am-pon’i Tito koa ho anareo izany fahazotoana izany;

17 satria sady nanaiky ny fiangavianay izy no nazoto rahateo koa; ka an-tsitrapo tokoa no nankanesany any aminareo.

18 Sady nirahinay hiaraka aminy koa ilay havana iray finoana izay malaza amin’ny Eglizy rehetra amin’ny fitoriana ny Evanjely,

19 sy efa voatendrin’ny Eglizy koa hiray dia aminay amin’izao fahasoavana iasanay izao, mba ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay.

20 Izahay no manao izany koa, dia ny mba tsy hahazoan’ny olona manome tsiny anay amin’izao famoriam-be ikezahanay izao,

21 satria tsy ny soa eo imason’Andriamanitra ihany no kendrenay, fa ny soa eo imason’ny olombelona koa.

22 Nalefanay hiaraka amin’izy ireo koa aza ilay havanay iray finoana izay efa hitanay matetika fa mazoto amin’ny zavatra maro, sady vao mainka mazoto kokoa indray amin’izao, noho ny haben’ny fitokiany anareo.

23 Raha ny amin’i Tito aloha, dia namako sy mpiara-miasa amiko ho anareo izy; ary ny amin’ireo havana iray finoana kosa indray, dia iraky ny Eglizy sy voninahitr’i Kristy.

24 Koa asehoy aminy eo anatrehan’ny Eglizy ny mariky ny fitiavanareo azy, ary aza manome tondro maso anay, fa voalazanay tamin’izy ireo ho reharehanay ianareo.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 9

1 Raha ny amin’ny fiantrana ho an’ny olomasina, dia ambiny fotsiny no anoratako aminareo,

2 fa efa fantatro rahateo ny zotom-ponareo, ary ataoko rehareha aza ny aminareo amin’ny Masedôniana: «Efa vonona hatramin’ny taon’itsy i Akaia» hoy ny filazàko tamin’izy ireo; ka efa namporisika ny maro izany fahazotoanareo izany.

3 Nirahiko ihany anefa ireo rahalahy ireo, mba tsy ho foana ny reharehako ny aminareo amin’izany, fa mba ho vonona araka ny efa voalazako tokoa ianareo.

4 Tandremo fa raha misy Masedôniana miara-tonga amiko anie, ka mahita anareo mbola tsy vonona, dia henatra lehibe no ahy e – aoka ihany tsy hatao hoe ho anareo, – noho izao fitokiako fatratra anareo izao!

5 Koa nataoko fa ilaina ny nangataka ireo havana iray finoana hialoha anay ho atỳ aminareo, mba hampamonona rahateo ny fiantrana nampanantenainareo, sady haha-tena fiantrana azy tokoa, fa tsy ho fahihirana.

Soa ho azo avy amin’ireo fanomezana

6 Ary izao no izy: izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.

7 Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fampanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.

8 Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,

9 araka ny voasoratra hoe:Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.

10 Ilay manomeny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny,no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombony vokatry ny fahamarinanareo;

11 dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.

12 Satria ny fanaovana izany asa masina izany, dia sady hahatondraka izay ilain’ny olo-masina no hahabe ny fisaorana an’Andriamanitra koa.

13 Eny, ho hitan’ny maro amin’izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa ianareo, ka hankalaza an’Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin’i Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin’ny soanareo.

14 Ary hivavaka ho anareo koa izy, fa tia sy mankamamy anareo erỳ, noho ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminareo.

15 Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezanytsy haim-bava lazaina.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 10

Famaliany ny fiampangana azy hoe malemy

1 Ary ny tenako, izaho Paoly, mihanta aminareo noho ny halemem-panahy sy ny hatsaram-pon’i Kristy, dia izaho izay manetry tena aminareo, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa nony tsy eo.

2 Aoka re aho mba tsy ho voatery ho sahy tokoa rehefa tonga; fa lalina loatra anie izato fikasako hanampatra fahasahiana amin’ny olona sasany izato e, dia amin’ireo manao anay ho mandeha ara-batana!

3 Na dia mandeha anatin’ny vatana aza izahay, dia tsy miady ara-batana;

4 satria tsy fiadiana ara-batana no iadianay, fa mahery araka an’Andriamanitra handrava manda.

5 Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.

6 Vonon-kamay ny tsy mpanaiky rehetra izahay, rehefa tontosa ny fanekenareo.

7 Dinihonareo tsara izay hitan’ny masonareo. Raha misy manao azy ho an’i Kristy, aoka izy handinika ao am-pony fa tahaka ny maha an’i Kristy azy no maha an’i Kristy anay koa;

8 ary na dia mbola hireharehako bebe ihany aza ny fahefana nomen’i Kristy anay, tsy hanonganana anareo, fa hananganana anareo, dia tsy hahazo henatra amin’izany aho.

9 Tsy te hiseho ho toy ny olona te hampatahotra anareo foana amin’ny taratasy aho;

10 fa ny taratasiny, hoy ny olona, no mavesatra sy mahery; kanjo nony tonga tokoa izy, ny tenany malemy foana; ny teniny tsinontsinona;

11 ka aoka izay olona miteny izany hahalala tsara fa ho sahala amin’ny teninay an-taratasy ihany, raha tsy eo izahay, ny asanay rehefa tonga izahay.

Famaliany ny fiampangana azy hoe be hambo

12 Izahay tsy mba sahy mampitovy na mampitaha ny tenanay amin-dry zareo sasany midera tena; satria hadalana mihitsy ny azy manohatra ny tenany amin’ny tenany, sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany.

13 Izahay kosa tsy mba mirehareha diso ohatra, fa araka ny ohatra voafetra nofaritan’Andriamanitra ho anjara hiasanay ihany, dia ny ohatra noferany nahatongavany anay hatrany aminareo;

14 fa tsy mihoatra ny faritry ny anjaranay izahay, hoatra ny raha tsy tonga hatrany aminareo, fa tonga hatrany aminareo tokoa izahay tamin’ny Evanjelin’i Kristy.

15 Tsy mirehareha ivelan’ny ohatra izahay, ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany; fa izao no antenainay: rehefa mitombo ny finoanareo, dia hitombo ao aminareo hatrany hatrany izahay, araka ny voafaritra ho anjaranay;

16 ka hitory ny Evanjely any an-koatry ny faritaninareo koa aza amin’izany; nefa tsy hihoatra any amin’ny anjaran’ny sasany, ka hirehareha amin’ny asan’ny sasany.

17 Izao ihany e:izay mirehareha aoka hirehareha ao amin’ny Tompo,

18 satria tsy izay midera tena, fa izay derain’ny Tompo, no tena olona voazaha toetra.