Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 11

Tonga voatery hidera ny tenany i Paoly

1 Enga anie ka mba handefitra hadalana kely amikoianareo! Eny, mahay mandefitra ahy tokoa ianareo.

2 Manana fahasaro-piaron’Andriamanitra ny aminareo aho, satria natolotro ho fofom-badin’ny Lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy, mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio.

3 Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.

4 Fa raha ohatra ka ireo vahinytonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay, na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo, na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo, dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy.

5 Fa angaha misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apôstôly ambony indrindraireo?

6 Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa, araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin’ny zavatra rehetra.

7 Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo, ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo?

8 Ny an’ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho, mba hoentiko miasa atỳ aminareo.

9 Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza, dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny havana iray finoana avy any Masedônia no nanome izay nilaiko. Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo, ary mbola hotandremako koa aza izany.

10 Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy, marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran’i Akaia manontolo izany.

11 Nahoana àry? Noho ny tsy fitiavako anareo ve? Andriamanitra no mahalala.

12 Fa izay ataoko dia mbola hataoko ihany, mba tsy hahita fialan-tsiny ry zareo mitady hevitra hampiharihary azy ho tahaka anay ihany amin’izay ireharehany.

13 Apôstôly sandoka anie izy ireny e, mpiasa mamitaka, mpaka endriky ny Apôstôlin’i Kristy!

14 Ary aza gaga amin’izany ianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny Anjelin’ny mazava koa;

15 ka tsy mahagaga na maka ny endriky ny mpandraharahan’ny fahamarinana aza ny mpandraharahany. Fa ny hiafarany no ho araka ny asany ihany.

16 Hoy indray aho: aza misy manao ahy ho adala; tsy maninona anefa, raiso toy ny adala ihany aho, raha sitrakareo, mba hahazoako mirehareha kelikely koa.

17 Eny, izao holazaiko izao, dia tsy araka ny Tompo no ilazako azy, fa hoatra ny adala aho amin’izao fahasahiako mirehareha izao.

18 Be àry no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho;

19 sady hendry koa ianareo, ka mandefitra an-tsitrapo amin’ny adala.

20 Eny, mandefitra tokoa ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.

21 Menatra aho no milaza, fa izahay no nalemy.

Izay sahin’ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa.

22 Hebrio va izy ireo? izaho koa; Israelita va izy? izaho koa; taranak’i Abrahama va izy? izaho koa;

23 mpandraharahan’i Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho, eny mihoatra noho izy aho amin’izany, dia amin’ny fisasarana manan-tombo, amin’ny tranomaizina manan-tombo, amin’ny kapoka manan-tombo lavitra, amin’ny fahafatesana matetika.

24 Indimy aho, nokapohin’ny Jody inefapolo latsaka iray avy;

25 intelo nokapohina rotsakazo; indray maka, notoraham-bato; intelo, vaky sambo; indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina.

26 Tany am-pivahiniana imbetsaka, matetika no saiky nidiran-doza, dia loza tamin’ny ony, loza tamin’ny jiolahy, loza tamin’ny iray firenena amiko, loza tamin’ny Jentily, loza tao an-tanàna, loza tany an’efitra, loza tany amin’ny ranomasina, loza tamin’ny havana sandoka;

27 tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin’ny fiaretan-tory matetika, tamin’ny hanoanana aman-ketaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana.

28 Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany, eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra.

29 Iza no malemy ka tsy malemy koa aho? zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho?

30 Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha.

31 Ary Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay isaorana mandrakizay, no mahalala fa tsy mandainga aho.

32 Tany Damasy, ilay governora voatendrin’i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanànan’i Damasy mba hisamborana ahy;

33 fa nampidinina an-tsobika avy teo am-baravarankely, nanaraka ny manda aho, ka afaka teo am-pelatanany.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 12

1 Mety ve ny mirehareha e? Tsy mahasoa izany, nefa aoka holazaiko ihany ny tsindrimandry sy ny fanambaràna avy amin’ny Tompo.

2 Misy olona anankiray fantatroao amin’i Kristy, efa efatra ambin’ny folo taona lasa izay, nakarina hatrany amin’ny lanitra fahatelo; Tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana izany: Andriamanitra no mahalala.

3 Ary fantatro fa io olona io, na tao amin’ny vatana izany, na tsy tao amin’ny vatana, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala,

4 dia nakarina tany am-Paradisa ka nandre teny tsy hay tenenina, tsy azon’ny olombelona ambara;

5 ny amin’io olona io no hireharehako; fa ny amin’ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany.

6 Na dia hirehareha aza anefa aho, dia tsy hiendrik’adala, fa ny marina ihany no holazaiko; nefa hahatam-bava aho, fandrao misy mihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko, na reny avy amiko.

7 Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho, dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko, dia anjelin’i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako.

8 Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo, mba hanalany an’io amiko,

9 fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.

10 Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baraka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.

11 Nisarin’adala aho, fa efa nasesikareo. Ianareo indrindra no tsy maintsy nidera ahy, noho izaho tsy latsaka noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo, na amin’inona na amin’inona, na dia tsinontsinona aza aho.

12 Fa teo aminareo no nisehoan’ny famantarana ny maha-Apôstôly ahy, dia tamin’ny faharetana amin’ny fahoriana rehetra, tamin’ny famantarana amam-pahagagana, sy tamin’ny hery maro.

13 Inona moa no mahalatsa-danja anareo noho ny Eglizy sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ny hadisoako amin’io.

14 Indro fanintelony izao no vonon-ko any aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; satria tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ny tenanareo; ary tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an’ny zanany.

15 Ho ahy, dia sitrako mihitsy ny handany sy holaniana manontolo ho an’ny fanahinareo, na dia ho arakaraka ny fitombon’ny fitiavako anareo aza no ho fihenan’ny fitiavanareo ahy.

16 Eny, tsy nahavaky tratra anareo tokoa aho: nefa hafetseko, hono, izany, mba hahazoako anareo am-pitaka!

17 Endrey, moa nandraisako vola aman-karena taminareo va, ireo nirahiko tany aminareo?

18 Nangataka an’i Tito hankany aminareo aho, ary naniraka ilay havana hafa iray finoana hiaraka taminy koa: moa i Tito nandray zavatra taminareo? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy lalana iray ihany va no nombanay?

Ahiahin’i Paoly sy tebitebiny

19 Heverinareo angamba fa fialan-tsiny hatrany no lazainay aminareo. Ehe, eo anatrehan’Andriamanitra sy ao amin’i Kristy no itenenanay; ary fanasoavana ny fanahinareo avokoa ny zavatra rehetra lazainay, ry malala.

20 Izao no atahorako: raha avy izay hahatongavako, sao dia tsy ho araka ny tiako no ahitako anareo; ary noho izany sao dia tsy ho araka ny tianareo koa no ahitanareo ahy. Sao dia fifandirana, fifampiandaniana, lolom-po, fifanoherana, fifosana, fanendrikendrehana, fiavonavonana, fikotranana no hitako aminareo.

21 Sao ity aho tonga any aminareo, ka aetrin’ny Andriamanitro indray noho ny aminareo, dia ho latsa-dranomaso noho ireo mpanota maro mbola tsy ho nibebaka tamin’ny fahalotoana amam-pijangajangana ary fijejojejoana nataony.

Categories
2Kôrintianina

2Kôrintianina 13

1 Indro, fanintelon’ny hankanesako atỳ aminareo izao. Aryhotapahina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny zavatra rehetra.

2 Efa voalazako, fony aho tany aminareo fanindroany sady averiko rahateo indray, amin’izao maha-tsy eo aminareo ahy izao, fa rehefa tafaverina amin’izao aho, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny sisa rehetra.

3 Satria tadiavinareo rahateo ny hahitana famantarana fa miteny ato anatiko i Kristy, dia Izy izay tsy nalemy aminareo, fa vao mainka manan-kery aza hamay ao aminareo.

4 Fa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana aza Izy noho ny fahalemena, dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Toy izany koa izahay, na dia malemy ao aminy aza, dia hiara-belona aminy koa; ka hahery ao aminareo, noho ny herin’Andriamanitra.

5 Diniho ny tenanareo na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; tsapao ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va, fa ao amin’ny tenanareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo?

6 Manantena aho fa raha izahay, dia ho fantatrareo tokoa fa olona voazaha toetra izahay.

7 Ary mangataka amin’Andriamanitra izahay, mba tsy hanao ratsy na inona na inona ianareo; tsy hoe mba hisehoanay ho olona voazaha toetra, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia hoheverina ho olona tsy voazaha toetra aza izahay;

8 Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa ny hampandroso ny marina ihany.

9 Hafaliana ho anay, raha izahay no malemy, fa ianareo kosa no mahery; ary izao indrindra aza no angatahinay amin’ny fivavahanay, dia ny hahatongavanareo amin’ny fara fahalavorariana.

10 Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny tsy mbola eo aminareo aho, fandrao dia voatery hanao mafy loatra aho, rehefa tonga, noho ny fahefana nomen’ny Tompo ahy, ho fananganana fa tsy ho fandravana.

Hafatrafatra. Veloma; Firariana farany.

11 Farany, ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.

12 Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olo-masina rehetra.

13 Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina!