Categories
2Makabeo

2Makabeo 1

TARATASY VOALOHANY

1 «Ho an’ireo Jody rahalahiny any Ejipta: Arahaba! Ny Jody rahalahiny ao Jerosalema sy ny amin’ny tanin’i Jodà maniry fiadanana tsara!

2 Hanasoa anareo anie Andriamanitra, ary hahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama, i Isaaka, sy i Jakôba, mpanompony mahatoky.

3 Ianareo rehetra anie samy homeny fo mitsaoka Azy sy manatanteraka ny sitrapony amin-jotom-po sy fankasitrahana.

4 Hosokafany ho an’ny lalàny amam-pitsipiny anie ny fonareo, ary hasiany fiadanana.

5 Hihaino ny vavakareo anie Izy sy hihavana aminareo indray ka tsy handao anareo amin’ny andron’ny fahoriana.

6 Ary izahay atỳ izao dia mivavaka ho anareo.

7 Tamin’ny andro nanjakan’i Demetriosa, taona faha-169, nanoratra ho anareo izahay Jody, tanatin’ny fahoriana mangidy indrindra izay tonga tamin’izany taona izany, dia hatramin’ny nivadihan’i Jasôna mbamin’ny mpiandany aminy, tsy hiaro ny tany masina sy ny fanjakana.

8 Nodoran’ny olona ny varavaran’ny tempoly, nalatsany ny ra tsy manan-tsiny. Nivavaka tamin’ny Tompo izahay tamin’izany, ary nohenoina ny vavakay, ka dia nanatitra ny sorona sy ny lafarina tsara indrindra izahay, sady nandrehitra ny jiro sy nandahatra ny mofo.

9 Koa ankehitriny manoratra ho anareo indray izahay, mba hankalazanareo ny andron’ny fetin’ny Tabernaklafanao amin’ny volana Kasleo.»

10 Amin’ny taona faha-188.

Fiarahabana

«Ny atỳ Jerosalema sy Jodea, ny parlemanta sy i Jodasamanoratra ho an’i Aristôbôla, mpanolo-tsain’i Ptôlemea mpanjaka, isan’ny fianakavian’ny mpisorona voahasina, sy ho an’ny Jody any Ejipta: Arahaba! Fiadanana!

Fisaorana an’Andriamanitra tamin’ny nanasaziany an’i Antiôkosy

11 Novonjen’Andriamanitra tamin’ny loza lehibe izahay, ka misaotra Azy indrindra, dia izahay vonon-kiady amin’ny mpanjaka.

12 Fa Andriamanitra mihitsy no nanosika an’ireo nilahatra hamely ny tanàna masina.

13 Satria rehefa lasa nankany Persa ny filohan’ny fahavalo nitondra tafika toa tsy ho azo resena, dia voavono izy ireo tao amin’ny fitoerana masin’i Naneanoho ny hafetsen’ireo mpisoron’i Nanea.

14 Tonga tao amin’io fitoerana io i Antiôkosy mbamin’ireo sakaizany, mody hoe hanambady ny andriamanibaviny, kanjo nikendry ny hahazo ny rakitra ao ho haren’ny ampakarina.

15 Narantirantin’ny mpisoron’i Nanea ireo rakitra ireo, ka ny tenan’i Antiôkosy no niditra tao anatin’ny fitoerana masina, nomban’ny mpanaraka azy vitsy foana.

16 Vao tafiditra ny Tempoly i Antiôkosy, dia nohidin-dry zareo ny Tempoly, ary novohainy ny varavara-miafina teo amin’ny valin-drihana, nanjerany vato, ka namonoany ity filoha mbamin’ireo nanaraka azy, dia norasarasainy, ka natsipiny tany amin’ny olona tany ivelany ny lohan’izy ireo.

17 Hisaorana amin’ny zavatra rehetra anie ny Andriamanitsika, izay nanolo-ko faty ireo mpankahala ny fivavahana.

Ny afo masina voatahiry tamin’ny fomba mahagaga

18 Ka rehefa hankalaza ny fanadiovana ny Tempoly, amin’ny andro faha-25n’ny volana Kasleo, dia nataonay fa ilaina ny milaza izany aminareo, mba hankalazanareo koa ireo andro fetin’ny Tabernakla, sy ny andron’ny afo, izay nirehitra nony nanatitra sorona i Nehemia, rehefa avy nandrafitra indray ny Tempoly sy ny ôtely.

19 Satria fony nentina tany Persa ny razantsika dia nangalan’ireo mpisorona tia vavaka tamin’izany andro izany, ny afon’ny ôtely, ka nafeniny mangingina tao amin’ny lava-pantsakana maina anankiray, ary fatratra ny nanafenany azy tao, ka tsy nisy nahalala izany toerana izany ny olona rehetra.

20 Nony afaka taona betsaka tatỳ aoriana, rehefa izany no sitrak’Andriamanitra, dia nalefan’ny mpanjakan’i Persa ho any Jodea i Nehemia, ka nasainy nikaroka ilay afo ny taranak’ireo mpisorona nanafina azy. Nolazain’ireo taminay anefa, fa rano marihitra no hitany fa tsy ny afo.

21 Ka nasainy nanovozana sy nitondrana tao aminy izany. Raha efa izany, nony efa nataony teo ambonin’ny ôtely ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona, dia nasain’i Nehemia nofafazan’ny mpisorona tamin’izany rano izany ny kitay hazo mbamin’izay teo amboniny.

22 Notanterahina izany didy izany, ary nony inona, ka tonga ny fotoana namirapiratan’ny masoandro, izay voatakon’ny rahona hatramin’izay, dia nisy afo nivaivay lehibe nirehitra, ka gaga avokoa ny olona rehetra!

23 Dia nihalevona teo ny sorona, dia nanao fivavahana ny mpisorona narahin’izay rehetra nanatrika teo, ka i Jônatasy no nitarika, ary ny sisa rehetra hatramin’i Nehemia koa niray feo taminy.

24 Toy izao izany fivavahana izany: Tompo ô, Tompo ô, Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra, mahatahotra sy mahery, marina sy miantra,

25 hany mpanjaka sy tsara fo, hany mazava fo sy marina tokana, mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, izay manafaka an’i Israely amin’ny loza rehetra, sy nanao ny razanay ho olom-boafidinao, sady nanamasina azy,

26 raiso ity sorona ity, ho an’i Israely vahoakanao, tano ny lovanao, ary hamasino izy.

27 Vorio ireo mihahaka avy atỳ aminay, afaho ireo manompo any amin’ny firenena, topazo fijery antra ireo esoina sy ankahalaina, mba ho fantatry ny firenena fa Ianao no Andriamanitray.

28 Faizo izay mampahory sy maniratsira anay amim-pireharehana.

29 Aoreno eo amin’ny fitoerana masina, araka ny voalazan’i Môizy, ny vahoakanao.»

30 Fanampin’izany, nanao hira ireo mpisorona.

31 Nony levona ny sorona, nasain’i Nehemia nararaka tamin’ny vato lehibe ny rano sisa.

32 Vita izany dia nisy afo nirehitra teo, ka nony notarafin’ny tsirim-pahazavana avy eo amin’ny ôtely ny rano, dia levona.

33 Niely ny filazana izany zava-niseho izany, dia nilazana ny mpanjakan’i Persa fa teo amin’ny fitoerana nanafenan’ny mpisorona nentin-ko babo ny afo masina dia nahitana rano, ary io rano io no nanamasinan-dry i Nehemia ny sorona.

34 Dia nasain’ny mpanjaka nofefena sy nataony masina izany fitoerana izany, ary izany no nanamarinany ny zava-niseho.

35 Nizaràny fanomezana maro samihafa izay mpahita fitia aminy.

36 Neftara, izany hoe fanadiovana, no niantsoan’ireo naman’i Nehemia izany fitoerana izany, fa Neftaia kosa, hoy ny maro miantso azy.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 2

Nafenin’i Jeremia ny zava-masina momba ny fivavahana

1 Hita tao amin’ny fitahirizan-taratasim-panjakana, ny nandidian’i Jeremiaan’ireo nasesitany, haka ny afo masina araka ny voalaza, sy ny namporisihan’ny mpaminany an’ireo voasesitany,

2 tamin’ny nanolorany azy ny bokin’ny lalàna anankiray mba tsy hanadino ny didin’ny Tompo sy tsy hirebireby saina amin’ny fahitana ny sampy volamena sy volafotsy mbamin’ny ravaka itafian’ireny.

3 Anisan’ny teny toy izany nolazainy tamin’izay ireny, dia ny namporisika azy tsy hampanalavitra ny fony na oviana na oviana ny lalàna.

4 Hita tao anatin’izany taratasy izany koa, ny nampitondran’ny mpaminany niaraka taminy, ny tabernakla, sy ny fiara, araka ny didy azony tamin’Andriamanitra, sy ny nankanesany amin’ny tendrombohitra nanihin’i Môizy sy nitazanany ny lovan’Andriamanitra.

5 Nony mby teo, nahita trano mitarehin-johy i Jeremia, ka napetrany tao ny tabernakla sy ny fiara mbamin’ny ôtely fandoran-java-manitra, dia notampenany ny vavan’io.

6 ary ny sasany tamin’ireo namany niverina hanisy marika famantarana ny làlana, nefa tsy nahazo nahita an’io.

7 Fantatr’i Jeremia izany, ka nomeny tsiny ireo: «Tsy maintsy miafina hatrany hatrany izany fitoerana izany, hoy izy taminy, mandra-pahatongan’ny hamorian’Andriamanitra ny vahoakany, sy hamindrany fo aminy.

8 Amin’izay vao hambaran’ny Tompo ireo zava-masina ireo, sady hiseho ny voninahitry ny Tompo, mbamin’ny rahona, toy ny nisehoany tamin’ny andron’i Môizy, sy fony i Salômôna nanao fivavahana mba ho voahasina amim-boninahitra ny tempoly.»

9 Voatantara ao koa fa izany mpanjaka manana ny fahendrena izany, dia nanatitra ny soron’ny fitokanana amam-pahavitan’ny fitoerana masina.

10 Ary toy ny nivavahan’i Môizy tamin’ny Tompo, ka nilatsaka avy any an-danitra ny afo sy nandevona ny sorona, toy izany koa nivavaka i Salômôna, dia nilatsaka ny afo avy any an-danitra nandevona ny sorona.

11 Hoy i Môizy: «Satria tsy mba nohanina ny sorona noho ny ota, dia nolevonin’ny afo.»

12 Ary toy izany no nankalazan’i Salômôna ny fitokanana nandritra ny havaloana.

Ny tahirim-bokin’i Nehemia

13 Koa dia samy hita voatantara ireo zavatra ireo àry, na amin’ny taratasy fitahiry na amin’ny taratasy fitadidian’i Nehemia; hita ao koa ny nanorenan’i Nehemia fitahirizam-boky, sy nanangonany tao ny boky momba ny mpanjaka, ny mpaminany, sy ny an’i Davida, mbamin’ny taratasin’ny mpanjakan’i Persa, momba ny fanomezan’izy ireo.

14 Toy izany koa i Jodasa nanangona ny boky rehetra niely patrana nandritra ny ady niadiantsika, ka eo an-tananay izany izao.

15 Ka raha misy ilanareo amin’izany, maniraha olona hitondra azy ho atỳ aminareo.

Fanasana hankalazana ny fitokanana

16 Koa amin’izany rehefa hankalaza ny fetin’ny fanadiovana izahay dia mampitondra ity taratasy ity ho atỳ aminareo; mety tokoa ny hankalazanareo izany andro izany.

17 Andriamanitra izay efa namonjy ny vahoakany rehetra, sy efa namerina ho azy rehetra ny lova, ny fanjakana, ny fisoronana, ny fanamasinana,

18 araka ny voalazany tamin’ny lalàna, dia antenaintsika fa hamindra fo amintsika vetivety foana sy hamory antsika avy amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra, ho ao amin’ny fitoerana masina;

19 satria ny tenantsika efa nesoriny tamin’ny loza lehibe, ary ny tempoly efa nodioviny.

2. SASIN-TENIN’NY MPANORATRA

20 Ny tantaran’i Jodasy Makabeosy ireo rahalahiny, ny nanadiovana ny Tempoly mendrika hohajaina sy ny nitokanana ny ôtely,

21 ary koa, ny ady tamin’i Antiôkosy Epifana sy i Eopatôra zanany,

22 ny fanampiana malaza avy amin’ny lanitra an’ireo niady tamim-boninahitra hiaro ny fivavahan’ny Jody, fa na dia vitsy isa aza izy ireo dia azony indray ny tany manontolo, nataony vaky nandositra ireo barbarianina sesehena;

23 voaveriny ny fitoerana masina malaza eran’izao tontolo izao, voaoriny indray ny lalàna notadiavin’ny sasany hofoanana, fa nomba azy ny fitahiana rehetra avy amin’ny Tompo:

24 boky dimy no nitantaran’i Jasônaavy any Sirena an’izany rehetra izany; fa boky iray kosa no handramanay hanafohezana azy.

25 Satria nodinihinay ny habetsahan’ny isa ao aminy sy ny fahasahiranana mahazo an’izay te-hamaky hatrany ny filazan’ny tantara, noho ny habetsahan’ny zavatra lazaina ao.

26 Koa nikendry mafy izahay, mba hanjary mahafinaritra ny raharaha ho an’izay hianina amin’ny famakiana fotsiny, mora ho an’izay te-handatsaka amin’ny fitadidiana ny zava-niseho, ary mahasoa ho an’ny be sy ny maro tsy an-kanavaka.

27 Ho anay izay niandraikitra izany asa fanafohezana izany, tsy dia zavatra mora fa asa nilam-pitsembohana sy fiaretan-tory izany.

28 Tsy latsaka noho ny an’izay mandahatra ny fanasanaary mitady hanasoa ny hafa ny hasarotany; kanefa mba ho mendrika ny hankasitrahan’ny maro anay, dia hizaka an-kafaliana izany asa mavesatra izany.

29 Ka ny filazana marina ny zavatra tantaraina tsirairay avy, dia avelanay ho anjaran’ny mpamorona ny tantara, fa ny fitsipika momba ny ventin-teny no hikelezanay aina harahina kosa.

30 Ny mahazo ny rafitra rehetra momba ny trano, dia adidin’ny tompo-mariky ny trano vao atao avokoa, fa ny mihevitra ny momba ny fampihaingoana azy kosa no tsy maintsy imasoan’izay miandraikitra ny handravaka sy hanoso-doko azy; ary torak’izany indrindra no anay izao, araka ny hevitro.

31 Anjaran’ny manao ny tantara ny mamotopototra izay lazainy, ny milaza ny antonanton’ny zavatra rehetra, ny misahirana amin’ny momba ny andinindininy madinika indrindra aza;

32 fa izay tsy mikendry afa-tsy ny hanoratra ny fotopotony kosa, dia tokony homen-dalana mba tsy hanampò afa-tsy ny handahatra amin’ny teny fohy; fa tsy mba ny filazana feno ny zava-niseho no imasoany.

33 Hatombokay amin’izao àry ny fitantaranay, fa tsy hampianay intsony izay voalaza izay, fa hadalana raha alohan’ny hilazana ny tantara, lava teny; nefa amin’ny tena tantara, fohy teny.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 3

3. TANTARAN’I HELIODORO

1 Raha mbola tao anatin’ny fandriam-pahalemana tanteraka ny mponina tao amin’ny tanàna masina, sady mbola voatandrina tsara ny lalàna, noho ny fitiavam-bavak’i Oniasampisorona lehibe sy ny fankahalany ny ratsy,

2 na ny tenan’ireo mpanjaka aza nety nanaja ny fitoerana masina, sy nandravaka ny tempoly tamin’ny fanomezana kanto;

3 hany ka i Seleokosampanjakan’i Asia aza no niantoka ny lany rehetra amin’ny fanaovana ny sorona, avy amin’ny zavatra niditra ho azy.

4 Nisy Simôna anankiray izay anefa, avy amin’ny firenen’i Benjamina, voatendry ho mpanapaka ny Tempoly, rafitra niady tamin’ny mpisorona lehibe, amin’ny momba ny fitandremana ny tsena ao an-tanàna.

5 Tsy afa-nandresy an’i Oniasa izy, ka lasa nankany amin’i Apôlôniosa zanak’i Trasea, governoran’i Sele-Siria sy i Fenesia momba ny foloalindahy tamin’izany andro izany.

6 Nolazainy tamin’io fa ny andro firaketana ao Jerosalema dia feno vola mihoa-pampana, misy harena tsy hita pesipesenina, tsy mifanentana velively amin’ny lany amin’ny zavatra ilaina hanaovana sorona, ary azo afindra ho eo an-tanan’ny mpanjaka avokoa izany rakitra izany.

7 Nony tafaresaka tamin’ny mpanjaka i Apôlôniosa, nampandrenesiny azy izany harena voalaza taminy izany, ka nanendry an’i Heliodoroizay voatendry hitondra ny raharaham-panjakana ny mpanjaka, dia naniraka sy nanome teny an’io haka izany harena voalaza izany.

8 Niainga niaraka tamin’izay i Heliodoro mody hoe hizahazaha ny tanànan’i Sele-Siria sy i Fenesia, kanjo ny hanatanteraka ny hevitry ny mpanjaka no tena fotony.

9 Nony tonga tao Jerosalema i Heliodoro, nandray azy tamim-pitiavana ny mpisorona lehibe tao an-tanàna; dia notantarainy ny zavatra reny; nasehony ny antony nahatongavany; ary nanontaniany na marina tokoa ny zavatra reny, na tsia.

10 Ka nasehon’ny mpisorona lehibe taminy, fa zavatra napetraky ny mpitondratena sy ny kambotyno ao amin’ny rakitra;

11 ny sasany koa an’i Hikàna zanak’i Tobia, lehilahy manan-kaja indrindra; ary tsy izay nolazain’i Simôna mpanendrikendrika mankahala fivavahana akory no tena toe-javatra, fa ny tontalin’ny harena ao dia talenta volafotsy 400, sy talenta volamena 200;

12 sady tsy azo atao velively ny mamabo ny an’ireo natoky noho ny fahamasinan’io fitoerana io, sy noho ny fiambonian’ny tempoly, tsy azo inaikanaikana, hajaina eran’izao tontolo izao.

Taitra ny tanàna

13 Nilaza mihitsy anefa izy io, noho ny didy azony tamin’ny mpanjaka, fa tsy maintsy hoentina ho any an-trano firaketan’ny mpanjaka izany vola izany.

14 Koa rehefa noferany ny fotoan’andro, dia handeha hiditra izy hizaha izany harena izany, alohan’ny hanapahany izay hanaovany azy; ka tabataba lehibe no velona tao an-tanàna manontolo noho izany.

15 Niankohoka teo anoloan’ny ôtely ny mpisorona, nitondra ny akanjony fisoronana, niandrandra ny lanitra, nivavaka amin’Ilay nanao ny lalàna momba ny zavatra napetraka, mba hitahirizany tsy misy afaka izany harena izany ho an’izay nametraka azy.

16 Voatsindrona lalina indrindra ny fo, raha nijery ity tarehin’ny mpisorona lehibe, fa niseho tamin’ny endriny sy ny fiovan’ny tarehiny, ny fanahiana nanjò ny fanahiny.

17 Ny fahatrotrahana niseho tamin’ny tenany manontolo sy ny fangovitry ny vatany koa dia nampiharihary ny fahorian’ny fony, teo imason’ny olona rehetra.

18 Nidodododo nanao andiany ny mponina nivoaka ny tranony, dia niara-nivavaka avokoa, mba tsy hihatra amin’ny fitoerana masina izato fanalam-baraka.

19 Ny lalam-be rakotry ny vehivavy, voatafy malailay ny tratrany; izay zazavavy nihibokadia nidodododo koa, ny sasany nankeny amin’ny manda, ny sasany kosa nijery teo am-baravarankely,

20 samy nanandra-tanana mankany an-danitra nandefa fitarainana.

21 Nampangorakoraka ny hareraham-pon’ireto vahoaka nifanjevo, sy ny fanahian’ity mpisorona lehibe feno tebiteby.

22 Ny Jody tamin’izany nitaraina tamin’ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra, hitahiry tsy hahafahana, sady tsy hisy hahakasika azy, ny zavatra napetraka mba ho an’izay nametraka azy.

23 I Heliodoro kosa efa nanatanteraka ny fikasany.

Sazin’i Heliodoro

Tamin’izy mbamin’ny mpanaraka azy efa mby teo akaikin’ny trano firaketana,

24 no nanaovan’ny Tompon’ny fanahy sy mpanapaka ambonin’ny fahefana rehetra fampisehoana lehibe, hany ka izay rehetra sahy nankeo, azon’ny herin’Andriamanitra, tsy nanan-kery hahavita na inona na inona, sady nivadi-po avokoa.

25 Niseho teo imason’izy ireo ity soavaly taingenan’olona mahatsiravina, ary voarakotra lamba sarobidy, miezaka mirimorimo, nampitsikaroka ny tongony anoloana, teo ambonin’i Heliodoro; ary toa fiadiana volamena no hita teny amin’ilay mpitaingin-tsoavaly.

26 Niaraka tamin’izay koa indreo niseho taminy ny zatovo roa lahy, feno herim-po, namirapira-pahazavana lehibe, nitondra akanjo kanto loatra; teo an-daniny avy izy no nijoro, dia nikapoka azy tsy an-kijanona, nataony vely kary.

27 Niankarapoka tampoka tamin’ny tany i Heliodoro sady voahodidin’ny haizim-pito, dia notakonina natao teo amin’ny filanjana anankiray,

28 ka ilay lehilahy, vao avy niditra tao amin’ny efitrano nisy ny rakitra voalaza, notronin’ny mpihazakazaka sy ny mpiambina mitam-piadiana rehetra, dia indro nobetaina tsy nahazaka tena, hita maso ho nidonan’ny herin’Andriamanitra.

29 Dieny mbola teo ihany izy, nianjeran’ny kapoky ny herin’Andriamanitra, miampatra tsy mahateny, mamoy fo sy tsy manan-kamonjy intsony;

30 ny Jody kosa nisaotra ny Tompo, fa nomeny voninahitra ny fitoerana masina, ary ny tempoly izay vao teo no teo no feno fivadiham-po sy fikorontanana, tonga feno hafaliana amam-piravoravoana, noho ny fanehoana nataon’ny Tompo tsitoha.

31 Niaraka tamin’izay, ny sasany tamin’ireo naman’i Heliodoro nangataka tamin’i Oniasa hivavaka amin’ny Avo indrindra sy hamelona an’itsy mitsitra eroa, efa tsy misy afa-tsy aina kely foana.

32 Ary ny mpisorona lehibe natahotra fandrao ny mpanjaka hihevitra ny Jody ho nitady hamono an’i Heliodoro, ka dia nanolotra sorona ho an’ny ain-dralehilahy.

33 Mbola manolotra ny sorona fifonana eo ny mpisorona, dia niseho tamin’i Heliodoro indray ireo zatovo, nitondra ny akanjony teo ihany, ary nitsangana izy no nilaza taminy hoe: «Omeo fisaorana lehibe i Oniasa mpisorona lehibe, fa noho izy ihany no amelan’ny Tompo anao ho velona.

34 Fa ianao kosa, rehefa nofaiziny toy izao, torio amin’ny olona rehetra ny fahefan’Andriamanitra lehibe.» Nony voalazany ireo teny ireo, dia lasa tsy hita intsony izy.

Ny nibebahan’i Heliodoro

35 Nanatitra sorona ho an’ny Tompo i Heliodoro sy nanao voady lehibe tamin’Ilay namelona ny ainy. Raha efa izany, nanome toky an’i Oniasa fa hihavana aminy izy; dia niverina niaraka tamin’ny miaramilany, ho any amin’ny mpanjaka.

36 Ary nataony tsara laza tamin’ny olona rehetra, ny asan’Andriamanitra lehibe hitany maso.

37 Nanontanian’ny mpanjaka an’i Heliodoro, izay olona tokony hirahina ho any Jerosalema indray, ka izao no navaliny azy:

38 «Raha manana fahavalo na rafilahy amin’ny fanjakana ianao, dia izay irahina any, fa ho kotiky ny kapoka izy, vao ho tafaverina atỳ aminao, raha tahiny ka mba afaka ihany; fa misy hery avy amin’Andriamanitra marina amin’io fitoerana io.

39 Ilay manana ny fonenany any an-danitra no miambina io fitoerana io, dia asiany sy ataony levona mihitsy.»

40 Izany no zava-nitranga momba an’i Heliodoro, sy ny nahatanana ny rakitra masina.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 4

Zava-dratsy nataon’i Simôna

1 Io Simôna voalaza teo io, ilay mpitati-bolana ny amin’ny rakitra sy ny tanindrazany, io no nilaza ratsy an’i Oniasa: «Izy io, hoy izy, no namoky an’i Heliodoro, izy no fototry ny loza rehetra.»

2 Sahiny nolazaina ho mpanohitra ny fanjakana, ilay mpanao soa ny tanàna, sy mpiaro ny mpiray tanindrazana aminy, ary mpitandrina mahatoky ny lalàna.

3 Lasa lavitra loatra izany fandrafiana izany, fa vonoana olona aza no vitan’ny iray amin’ny mpiandany amin’i Simôna.

4 Ka nony nodinihin’i Oniasa ny loza avy amin’izany fifampiandaniana izany, sy ny hatezeran’i Apôlôniosy governoran’ny miaramilan’i Sele-Siria sy i Fenisia, izay namporisika ny haratsian’i Simôna, dia lasa izy nankany amin’ny mpanjaka;

5 tsy ny hiampanga ny mpiray tanindrazana aminy no nokendreny, fa ny soa ankapobe sy manokana ho an’ny vahoakany rehetra.

6 Satria hitany fa tsy misy azo andaminana izany toe-javatra izany sy hampiala an’i Simôna amin’io zava-mahameloka efa natombony io, afa-tsy ny fanelanelanan’ny mpanjaka ihany.

I Jasôna mpisorom-be mampiditra ny Helenisma

7 Nony maty anefa i Seleokosy, ka i Antiôkosy, natao hoe Epifana, no nandimby azy, dia nanao izay hisazohany ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe i Jasôna rahalahin’i Oniasa.

8 Lasa izy niresaka tamin’ny mpanjaka nampanantena azy talenta volafotsy 360 sy talenta 80 avy amin’ny zavatra niditra hafa koa.

9 Nampanantena koa izy, ny hanao fanekena an-tsoratra fa hanome talenta 150 koa indray, raha omena alalana izy mba hanorina trano fampianarana asafampahatanjahan-tena, hisy fitoerana voatokana ho an’ny zatovolahy, miankina amin’ny fahefany ihany sy voalahatra araka ny heviny, ary handatsaka ny mponina ao Jerosalema ho isam-bahoakan’i Antiôkosy.

10 Neken’ny mpanjaka avokoa izany. Vao lasan’i Jasôna ny fahefana, dia rafitra nampiditra ny fomba grika teo amin’ny mpiray tanindrazana aminy izy.

11 Nofoanany ny fanafahana nomen’ny mpanjaka nentin’ny halemem-panahy ho an’ny Jody, noho ny nataon’i Joany, zanak’i Eopôlema, izay nalefa ho ambasadaoro hanao fanekem-pihavanana sy fisakaizana amin’ny Rômanina; dia noravany ny sata ara-dalàna, fa ny fomba manohitra ny lalàna no naoriny.

12 Fahafinaretana ho azy, ny nanorina trano fampianarana asa fampahatanjahan-tena, teo ampototry ny Akrôpôlamihitsy, sy nanabe ny zaza avo firazanana indrindra nampanaoviny satroka be sofina.

13 Nandroso fatratra ny fanarahana ny fomba grika, ary hita nifanarototra ny olona hanaraka ny fomban’ny firenen-kafa, voatariky ny haratsiana mihoa-pampana nananan’i Jasôna, lehilahy mpankahala ny fivavahana, fa tsy mpisorona lehibevelively akory,

14 ka ny mpisorona, efa tsy naneho fahazotoana kely akory, amin’ny fanompoana eo amin’ny ôtely intsony; ny tempoly notsiratsirainy, ny sorona nataony tsirambina, fa ny ho isan’ny hanao izay asa tena, raràn’ny lalàna, any an-tokotany fanaovana asa tenano nahamaika azy, raha vao re ny fiantsoana hanao antsipibe.

15 Tsy nasiany raharaha akory ny raharaha be voninahitra teo amin’ny taniny, fa ny ambony tamin’ny Grika no nataony ho zava-dehibe.

16 Noho izany, nidiran-doza lehibe izy, ary ireo indrindra izay narahiny toe-piainana, sy notadiaviny hotahafina amin’ny zavatra rehetra aza no nahitany fahavalo ama-mpampahory.

17 Fa tsy afa-potsiny akory izay mandika ny didin’Andriamanitra; ho hita anefa izany amin’ny zavatra mbola hanaraka.

18 Tamin’ny nanaovana ilay lalao fanao isan-dimy taona tany Tira, izay natrehin’ny mpanjaka,

19 dia nandefa mpizaha, isam-bahoakan’i Antiôkia, avy ao Jerosalema, i Jasôna olo-meloka, nampitondrainy drakmavolafotsy 300, hanaovan-tsorona amin’i Herkola: ireo nitondra azy mihitsy no nangataka mba tsy hanaovan-tsorona izay tsy fanao, izany vola izany, fa hoenti-manentsina ny lany amin’ny zavatra hafa.

20 Ka ireo drakma 300 ireo, dia nokendren’ilay nandefa azy hanaovan-tsorona ho fanajana an’i Herkola, nefa nolanîna tamin’ny fanaovan-tsambo misy fivoy intelo miantoana, araka ny fanirian’ireo nitondra azy.

I Antiôkosy Epifana hobina ao Jerosalema

21 Nony nirahina ho any Ejipta i Apôlôniosy zanak’i Menestea, tamin’ny nisehoan’i Ptôlemea Filometora mpanjaka, dia ren’i Antiôkosy fa tsy tia azy, io mpanjaka io, koa nitady hiaro tena aminy mialoha izy, ka nankany Jôpe, dia tany Jerosalema indray nony avy ao.

22 Fatratra ny nandraisan’i Jasôna sy ny tao an-tanàna azy, fa notsilovin’ny fanilo sy narahin’ny hoby no niakarany; dia nentiny ho any Fenisia koa ny foloalindahiny.

I Menelasa tonga mpisorom-be

23 Nony afaka telo taona, nirahin’i Jasôna i Menelasa rahalahin’ilay Simôna teo ambony, hanatitra ny vola tamin’ny mpanjaka sy hanefa ny fandoa amin’ny fanoratana raharaha lehibe amin’ny bokim-panjakana.

24 Kanjo i Menelasa nitady fitahiana tamin’ny mpanjaka sy nanome voninahitra azy tamin’ny nanaovany fihetsiky ny olona ambony, ary nanao izay hanomezana ny tenany ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe; nanolotra talenta volafotsy 300, mihoatra noho ny nataon’i Jasôna.

25 Nony voarainy tamin’ny mpanjaka ny taratasy fananganana azy ho mpisorona lehibe, dia niverina ho any Jerosalema izy, tsy nanana na inona na inona nahamendrika azy ny fisoronana, tsy nitondra afa-tsy ny toetry ny mpanapaka masiaka sy ny haromotan’ny biby dia.

26 Noho izany i Jasôna izay efa namitaka ny rahalahiny, dia mba nofitahin’ny hafa kosa indray, ka hany heriny nandositra tany amin’ny tanin’ny Amônita.

27 Ny amin’i Menelasa kosa, nahazo ny fahefana izy, nefa tsy nahatanteraka ny vola nampanantenainy ny mpanjaka tamin’izany,

28 na dia efa nitaky aza i Sôstraty komandin’ny Akrôpôla, tompon’adidy amin’ny fandraisan-ketra; ka dia samy voantso ho any amin’ny mpanjaka izy roa lahy.

29 I Menelasa moa nametraka an’i Lisimàka rahalahiny ho mpisorona lehibe, misolo azy; i Sôstraty kosa nametraka an’i Kôratesy governoran’i Sipra ho solony.

Ny namonoana an’i Oniasa

30 Nandritra ireo zava-niseho ireo, dia mba niodina kosa ny mponina tao Tarsa sy Malasa, satria natolotra natao fanomezana ho an’i Antiôkida, vaditsindranon’ny mpanjaka ireo tanàna roa ireo.

31 Ka niainga faingana ny mpanjaka, hanaketraka izany fikomiana izany; fa i Andrônika, iray amin’ireo mpifehy ambony no navelany hisolo azy.

32 Hitan’i Menelasa fa manambina azy ny toe-javatra ka nalainy ny kapoaka volamenavitsivitsy tao amin’ny tempoly nomeny an’i Andrônika, ary ny sasany hafa koa azony namidy tany Tira sy tamin’ireo tanàna manodidina.

33 Nony fantatr’i Oniasa marina izany heloka vao nataon’i Menelasa izany indray, dia nandefa faniniana azy izy, rehefa tafahataka tao amin’ny toerana fialofana tany Dafne, akaikin’i Antiôkia.

34 Koa nalain’i Menelasa mangingina kosa i Andrônika, ary notereny hamono an’i Oniasa. Dia nankany amin’i Oniasa i Andrônika, nanao hafetsena, nanolotra ny tanany havanana taminy, tamim-pianianana; raha efa izany, na dia nampiahiahy aza, nahatarika azy hivoaka avy ao amin’ny fialofany, dia novonoiny niaraka tamin’izay izy, tsy nasiany raharaha akory izay rariny.

35 Tamin’izany, tsy ny Jody ihany, fa betsaka koa tamin’izay hafa firenena no tezitra tamin’ny famonoana tsy an-drariny an’izany lehilahy izany.

36 Ka nony tonga avy any Silisia ny mpanjaka, na ny Jody tao Antiôkia na ireo Grika mankahala ny fanovana an-keriny koa, dia samy tonga tao aminy, noho ny amin’ny namonoana tsy an-drariny an’i Oniasa.

37 Tafalatsaka lalina tao am-pon’i Antiôkosy ny alahelo an’i Oniasa; nangoraka azy mafy izy, ka nirotsaka ny ranomasony nahatsiahy ny fahononan-tena amam-pitondran-tena hendry fatratra nataon’ity maty.

38 Noho ny hatezerany, nasainy nesorina niaraka tamin’izay ny jaky teny amin’i Andrônika, dia norovitina ny fitafiany, notaritarihina eran’ny tanàna izy, ary naongany teo amin’ny toerana nanatanterahany tamin-kasahiana ny famonoana an’i Oniasa ihany, ilay tsy mifaditrovana, ka dia nasian’ny Tompo tamin’ny sazy tandrify azy izy.

Ny nahafatesan’i Lisimàka nandritra ny fikomiana

39 Ary nisy hala-javatra masina betsaka nataon’i Lisimàka niray tetika tamin’i Menelasa tao an-tanàna, ka niodina tamin’i Lisimàka ny vahoaka, nony efa be sahady no tafahahaka ny kapoaka volamena.

40 Nony nahita ity vahoaka nikomy sy izato fo mirehi-pahatezerana i Lisimàka, dia nomeny fiadiana ny lehilahy sahabo ho telo arivo, ka rafitra namely an-keriny, notarihin’olona anankiray atao hoe Tiràna, lehilahy sady be taona no tsy latsa-paharatsiana koa.

41 Vao nahalala ny famelezan’i Lisimàka anefa ny olona, dia ny sasany naka vato, ny sasany kosa langilangy, misy aza nandroaka lavenona hitany teo, nafafiny tamim-pihorakorahana tamin’ny andanin’i Lisimàka.

42 Ka betsaka no naratrany tamin’ireo mpiandany aminy, maro no matiny ary ny sisa rehetra nataony vaky nandositra, ary ilay mpamotsifotsy ny zavatra masina, dia novonoiny teo akaikin’ny trano firaketan’ny Tempoly.

I Menelasa nafahana, nandoavam-bola

43 Raha efa izany, natomboka ny famotorana momba izany zavatra izany hamelezana an’i Menelasa.

44 Nony tonga tao Tira ny mpanjaka, dia nasehon’ny olona telo lahy, nirahin’ny loholona, taminy, ny fahamarinan’ny fiampangany.

45 Hitan’i Menelasa fa resy izy, ka nampantenainy vola be i Ptôlemea zanak’i Dôrimena, mba hampahazo fitia azy amin’ny mpanjaka.

46 Dia notarihin’i Ptôlemea ho eo ambanin’ny lavarangana manodidina ny mpanjaka, mody hoe haka hatsiatsiaka, kanjo voaovany ny fikasany.

47 Nolazain’ny mpanjaka ho tsy diso araka ny fiampangana nitoriana azy i Menelasa, nefa diso marina tokoa izy io nanao ny heloka rehetra, fa nohelohiny ho faty kosa iretsy fadiranovana, nefa na dia teo anatrehan’ny Sita aza no nitondran’ireo ny fitarainany, dia ho nampodiny tsy manan-tsiny,

48 ka dia niaritra izany fanamelohana tsy marina izany, tsy misy hataka andro akory, ireto olona mitolo-tena niaro ny tanàna sy ny vahoaka ary ny zavatra masina.

49 Hatramin’ny Tirianina avy no tezitra tamin’izany ka nanao fandevenana kanto ho an’ireto novonoina.

50 Fa i Menelasa kosa, noho ny fitiavam-bolan’ny manam-pahefana, dia tafajanona tamin’ny voninahiny ihany, sady nitombo hasomparana aman-kalozana tamin’ny mpiray tanindrazana aminy.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 5

I Menelasa sy i Jasôna

1 Takaikin’izany andro izany, nandamina fanafihana an’i Ejipta fanindroany indray i Antiôkosy.

2 Ary tamin’izany, eran’ny tanàna naharitra sahabo ho 40 andro, dia nisy mpitaingin-tsoavaly, niseho nihazakazaka teny amin’ny habakabaka, nitena akanjo volamena sy nitondra lefona toy ny andian-tafika;

3 dia nisy kosa antokon-tsoavaly voalahatra hiady, famelezana amam-pikarohan’ny an-daniny avy, firefodrefotr’ampinga aman-defona sesehena, sabatra notsoahana tamin’ny tranony, longy natoraka, fanjelajela-piadiana, mbamin’ny fiarovan-tratra isan-karazany.

4 Ka noho izany samy nivavaka avokoa ny olona rehetra, mba ho fambara tsara ho azy izany fisehoana izany.

5 Nisy tsaho tsy marina niely fa hoe maty i Antiôkosy, ka naka miaramila tsy latsaka ny 1000 i Jasôna, dia tonga namely tampoka ny tanàna. Niezaka namonjy ny manda ny mponina nefa afany ihany ny tanàna, ka niery tao amin’ny trano mimanda i Menelasa.

6 Nianjadian’i Jasôna tsy nananany antra akory ny mpiray tanindrazana aminy, tsy noheveriny fa ny andro iray naharesena ny mpiray tanindrazana amin’ny tena, no andro very mampalahelo indrindra; fahavalo no nataony ho nahazoam-pandresena, fa tsy olona iray tanindrazana aminy.

7 Sady tsy afa-nahazo ny fahefana anefa izy, no nahazo henatra tamin’ity teti-dratsy nataony, ka heriny nandositra nankany amin’ny tanin’ny Amônita.

8 Izao no niafaran’ny fiainany mahameloka: voaporitra tao amin’i Aretasa mpanjakan’ny Arabo izy, nandositra nifindrafindra tanàna, nenjehin’ny olon-drehetra, nankahalaina ho mpandika lalàna, fanozona ho mpamono tanindrazana ama-mpiray tanindrazana, noroahina tamim-pahafaham-baraka hatrany Ejipta.

9 Nanesi-tany olona betsaka handao tanindrazana izy, ka mba maty tany an-tanin’olon-kafa kosa indray, nony efa nankany Lasedemôna nanantena hahita fialofana tany, noho ny maha-iray niaviana.

10 Nampiampatra olona betsaka tamin’ny tany tsy nisy mpandevina izy, ka mba tsy nisy mpisaona koa, na mpikarakara levenana, na nalevina am-pasan-drazana akory.

Norobain’i Antiôkosy Epifana ny Tempoly

11 Nony avy izay nahalalan’ny mpanjaka izany zava-niseho izany, dia nataony fa efa niendaka i Jodea. Ka niala tany Ejipta izy, nisafoaka toa biby masiaka, naka ny tanàna tamim-piadiana.

12 Nodidiany ny miaramila hamono tsy hananana antra akory izay azon’ny tanany sy hamono izay miakatra any ambony tafon-trano.

13 Zatovolahy sy anti-dahy no novonoina toy izany, lehilahy lehibe sy zaza amam-behivavy no maty toy izany, zatovovavy sy zaza minono no novonoin-ko faty toy izany.

14 Valo alina no isan’ny olona nahita loza tamin’izany hateloana izany: ny 40.000 maty novonoina; ny torak’izay kosa namidy ho andevo.

15 Tsy mbola afa-pon’izany halozana izany anefa izy, fa mbola sahiny nitsofohana indray koa ny tempoly, ilay masina indrindra amin’ny tany rehetra, ka i Menelesy mpamadika ny lalàna aman-tanindrazany no mpitarika azy.

16 Nalain’io tamin’ireto tanany maloto ny zavatra masina, notsoahany ny fanomezana napetraky ny mpanjaka sasany, hampitombo voninahitra amam-piamboniana io fitoerana io, ka napetrany eo an-tanana tsy voahasina.

17 I Antiôkosy izany nobohizin’ny fiavonavonana tao am-pony, tsy nandinika fa noho ny fahotan’ny mponina no nahatezitra ny Tompo amin’ny andro fohy ihany, ka izany no namiliany ny masony tsy hijery izany fitoerana izany.

18 Fa raha tahiny kosa tsy meloka tamin’ny fahotana be dia be izy ireo, dia ny tenany kosa hatramin’ny vao tonga izy no tsy maintsy ho voakapoka sy voasakana amin’izao hasahiany izao, tahaka an’i Heliodoro nirahin’ny mpanjaka hizaha ny rakitra.

19 Tsy noho izany fitoerana izany anefa no nifidianan’Andriamanitra ny vahoaka fa noho ny vahoaka no nifidianany an’izany fitoerana izany.

20 Ka noho izany sady niara-nidiran-doza tamin’ny vahoaka izany fitoerana izany no nanana anjara tamin’ny soa avy amin’ny Tompo koa, nanaraka izany; haolo izy aloha noho ny hatezeran’ny Tsitoha, vao naverina tamin’ny voninahiny lehibe indrindra, nony nihavana tamin’ny vahoakany indray ny Tompo ambony indrindra.

Mpiasam-panjakana nampahory vahoaka

21 Talenta 1.800 no nongoahan’i Antiôkosy avy ao amin’ny tempoly, dia niverina faingana ho any Antiôkosy izy; ka azon’ny fiavonavonana izy dia nieritreritra noho ny firehetan’ny fony tafahoatra fa hahazo miantsambo amin’ny tany maina, sy ho afa-mampamindra amin’ny ranomasina.

22 Nametraka mpanao raharaha hampahory ny vahoaka izy, dia tao Jerosalema i Filipo avy any Frijia, masiaka noho ilay nametraka azy;

23 tao Garizimai Andrônika, ary afa-tsy ireo, i Menelasa izay ratsy lavitra noho ny hafa nanandra-tena an’avonavona ho ambony noho ny iray tanindrazana aminy,

24 nanao an-dolompo tamin’ireo Jody tia tanindrazana. Fanampin’izany, nalefan’i Antiôkosy koa i Apôlôniosy tsivalahara nitondra tafika nisy miaramila 22.000 nomeny didy hamono ny lehilahy rehetra ampy taona, sy hivarotra ny zaza amam-behivavy.

25 Nony tonga tao Jerosalema i Apôlôniosy, nody niseho ho havana, nijanona tsy naninon-tsy naninona, mandra-pahatongan’ny andro masina sabata; kanjo vao hitany variana manamasina io ny Jody, dia nasainy nandray fiadiana ny miaramilany.

26 Ka izay rehetra nivoaka hizaha, nasainy novonoina avokoa; dia niara-nitety tao an-tanàna izy sy ny miaramilany namono olona maro ho faty.

27 Ary i Jodasy Makabeo, izy no fahafolony nihataka nankany an’efitra nanao teo-piainan’ny biby dia tany an-tendrombohitra niaraka tamin’ireo namany, tsy nihinana afa-tsy ny zava-maitso, na oviana na oviana, mba tsy handoto ny tenany.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 6

Nahazo toerana ny fanompoan-tsampy

1 Andro vitsivitsy taorian’izany, dia naniraka anti-dahy anankiray avy any Atena ny mpanjaka, hanery ny jody handao ny fivavahan-drazany sy hisakana azy tsy hiaina araka ny lalàn’Andriamanitra,

2 ary handoro ny tempolin’i Jerosalema hanokana azy ho an’i JopiteraOlimpianina, ary ny tempoly any Garizima, ho an’i Jopitera Mpandray vahiny, araka ny toetry ny mponina amin’izany tany izany.

3 Namohehatra sy tsy hay leferina mihitsy, ny nidiran’izany loza izany, na dia ho an’ny ankapobem-bahoaka aza;

4 satria ny tempoly nataon’ny Jentily karandahy sy karam-bavy, feno filerana amam-pahavetavetana, niray tamim-behivavy teo amin’ny kianja masin’ny Tempoly ny lehilahy, sady nitondra ny zavatra voarara, ho eo;

5 ny ôtely aza rakotra sorona natao tamin’ny zavatra maloto, voararan’ny lalàna.

6 Tsy azo natao intsony ny mankalaza ny sabata, na ny fety fanaon’ny razantsika, na ny milaza teny fotsiny hoe Jody aza.

7 Voatery ny Jody ka nangidy taminy izany, ny ho any amin’ny sorona fanao isam-bolana, amin’ny andro nahaterahan’ny mpanjaka; amin’ny fetin’ny Bakanala, noterena izy hamindra any an-dalambe, voaisy fehiloha liera, ho fanajana an’i Bakosa.

8 Nisy didy navoaka noho ny famokisana nataon’i Ptôlemea mba hampihatra izany hevitra izany ihany koa amin’ny Jody ao amin’ny tanàna grika manolotra azy, sady hanao sorona;

9 ary nasaina novonoina ho faty izay mandà tsy hanaraka ny fanao grika. Ka mampalahelo loatra ny zavatra niseho hitan’ny maso.

10 Ohatra, nisy vehivavy roa namora ny zanany, dia nosamborina nahantona tamin’ny nonony ny zanany, notaritarihina ampahibemaso eran’ny tanàna, dia navarina avy eny an-tampon’ny manda.

11 Nisy koa niara-nankany amin’ny zohy akaiky, hankalaza an-tsokosoko ny andro sabata, fa voampanga tamin’i Filipo, ka nodorana tao, tsy sahy niaro tena akory, noho ny fanajana sy fahamasinan’izany andro izany.

Soa avy amin’ny fanenjehana

12 Mihanta amin’izay hahazo ity boky ity eo an-tanany aho, mba tsy hety ho sanganehana noho izany loza izany; fa aoka hino izy, fa tsy ho fandravana fa ho famaizana ny firenentsika no nisian’ireo fanenjehana ireo.

13 Raha tsy avelan’Andriamanitra hitoetra ela tsy voasazy ny mpanota, fa ampidinina faingana amin’izy ireo ny famaizana, dia mariky ny fahatsaram-po lehibe izany.

14 Ary tokoa, fa raha hamay ny firenen-kafa ny Tompo lehibe indrindra, dia andrasany amim-pandeferana izy hahatratra ny fara fetran’ny faharatsiana; fa tsy toy izany kosa no ataony ho tokony hitondrana antsika

15 mba tsy hisy tokony hamaliany ratsy ny nataontsika, rehefa hahatratra ny fara fetrany ny fahotantsika.

16 Hany ka tsy manala ny famindram-pony amintsika Izy na oviana na oviana; tsy mahafoy ny vahoakany Izy, na mamay azy amin’ny fahoriana aza.

17 Ampy ho anay ny mampahatsiaro izany zava-marina izany, ary manaraka izany teny vitsivitsy izany, dia tokony hiverina amin’ny filazanay ny tantara izahay.

Ny nanaovana martiry an’i Eleazara

18 I Eleazara iray amin’ireo mpampiana-dalàna ambony. izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrika andriana indrindra, dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa.

19 Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijalianaizy;

20 toy ny tsy maintsy androsoan’izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina, noho ny fitiavana ny aina.

21 Nifankahazo tamin’i Eleazara hatry ny ela kosa, ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany, ka nalainy mangingina izy, novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka;

22 satria rehefa vitany izany, dia ho afaka amin’ny fahafatesana izy, ka hahita soa amin’ny famindram-po ataon’izy ireo noho ny fisakaizany taminy efa ela be.

23 Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany, ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy ny toe-piainana mendrika indrindra narahiny hatramin’ny fahazazana, ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy; ka noho izany ny handefasana azy faingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.

24 «Tsy mety tokoa, hoy izy, raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra; fandrao dia heverin’ny zatovo maro fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa i Eleazara nony efa sivy folo taona.

25 Amin’izany izy ireo, noho ny fanafenako hevitra, sy noho ny sisam-piaina-mandalo, dia ho diso lalana; ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako.

26 Ary na ho afaka amin’ny sazin’olombelona fe ankehitriny aza aho, tsy ho afa-mandositra ny tanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra, na velona aho na maty.

27 Noho izany, raha amin-kerim-po no handaozako ity fiainana ity ankehitriny, dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay,

28 ary ohatra ambony no havelako harahin’ny tanora amin’ny fahafatesana an-tsitrapo sy amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina.» Vao avy niteny izany izy, dia nizotra nankao amin’ny fiasana famonoana.

29 Noheverin’izay nitondra azy hankeny ho hadalana ny teny vao notononiny, ka novany ho halozana ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo.

30 Nony efa ho fatin’ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe: «Ny Tompo manana ny fahalalana masina no mahita fa rehefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho, dia miaritra fampijaliana mafy amin’ny nofoko, asiana ny langilangy; fa amin’ny fanahiko kosa, mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako Azy.»

31 Toy izany no namoizany ny ainy ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po sy tsangam-baton’ny hatsaram-panahy, tsy ho an’ny tanora ihany, fa ho an’ny vahoaka rehetra koa.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 7

Ny nanaovana martiry azy fito mirahalahy

1 Nisy koa olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin’ny mpanjaka hoterena hihinan-kena kisoa, noraran’ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin’ny kotopia aman-kozatr’omby.

2 Niteny tamin’ny anaran’izy rehetra ny iray taminy nanao hoe: «Inona no tadiavinareo ary inona no tianareo ho fantatra avy aminay? Vonon-ko faty izahay, toy izay hamadika ny lalàn’ny razanay.»

3 Nisafoaka ny mpanjaka, ka nandidy ny hanokoana ny lapoaly amam-bilany. Vantany vao nafana mahamay ireo,

4 dia io niteny tamin’ny anaran’izy rehetra io no nasainy notapahina ny lelany, nohodirana ny lohany, no tapahina eo imason’iretsy rahalahiny sisa sy ny reniny ny tongotra aman-tanany.

5 Nony voabory manontolo toy izany io, nasainy natao teo akaikin’ny afo mbola miaina ihany sy nendasina teo amin’ny lapoaly. Ilay mihahaka lasan-davitra eo ny fofona avy eo amin’ny lapoaly, izy mirahalahy avy mbamin’ity reniny kosa nifamporisika samy ho faty an-kerim-po.

6 «Mahiratra ny Tompo Andriamanitra, hoy izy ireo, ary mangoraka antsika marina tokoa Izy, araka ny voalazan’i Môizy, ao amin’ny tononkira milaza an-kitsiloha mananatra an’i Israely hoe: Hamindra fo amin’ny mpanomponyIzy.»

7 Toy izany no nahafatesan’ilay voalohany, dia nampandrosoina hampijaliana ny faharoa. Nohodirana mbam-bolony aloha ny lohan’io, dia nanontaniana izy raha mety hihinana hena kisoa, alohan’ny hampijaliana azy amin’ny rantsam-batany rehetra.

8 Namaly io tamin’ny tenin-drazanynanao hoe: «Tsia,» ka dia niaritra fampijaliana torak’ilay voalohany koa izy.

9 Hoy izy nony efa ho tapitra ny ainy: «Ianao tsy misoro-doza izao manala anay amin’ny fiainana ankehitriny; fa ilay Mpanjakan’izao tontolo izao kosa, hanangana anay ho amin’ny fiainana mandrakizay; fa maty noho ny tsy fivadihana amin’ny lalàny izahay.»

10 Nanarakaraka io, nampijalina indray ny fahatelo. Vao nasain’ny mpanompo nataony, dia natrangany niaraka tamin’izay ny lelany, nahinjiny tsy aman-tahotra ny tanany,

11 ary nolazainy an-kerim-po mahate-hidera izao: «Ny Lanitra no nahazoako ireto rantsam-batako ireto, ary avy aminy no antenaiko hahazoana an’ireto indray, indray andro any.»

12 Na ny tenan’ny mpanjaka, na ireo nanotrona azy, dia samy gaga avokoa tamin’ny herim-pon’io tovolahy io, fa tsy nahoany akory izay fijaliana.

13 Maty io dia fijaliana torak’ireo ihany koa no nahatra tamin’ny fahefatra.

14 Hoy izy, nony efa hiala aina: «Sambatra izay matin’ny tanan’olombelonamanam-panantenana avy amin’Andriamanitra, fa hatsangany amin’ny maty! Fa raha ianao kosa, dia tsy mba ho amin’ny fiainana ny fitsangananao amin’ny maty.»

15 Nentina indray ny fahadimy, dia nampijaliana. Fa nibanjina ny mpanjaka io, ka nanao hoe:

16 «Na dia olona mety maty aza ianao, dia manam-pahefana amin’ny olombelona, sy manao izay tianao. Aza ataonao anefa, fa afoin’Andriamanitra ny firenenay.

17 Fa ianao kosa hahita ny fahefany lehibe, sy ny hampijaliany anaombamin’ny firenenao.»

18 Nanarakaraka an’io, dia nentina ny fahenina. Hoy izy nony efa ho faty: «Aza mamita-tena foana ianao, fa izahay ihany no nitarika izao hanjò ny tenanay, noho ny nanotanay tamin’Andriamanitra ihany, ka niharan’ny loza mahatalanjona.

19 Ianao anefa aza mihevitra ny ho afa-potsiny rehefa sahy niady tamin’Andriamanitra.»

20 Mahagaga mihoatra izay azo lazaina, sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny, fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja; nefa notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po.

21 Samy namporisihiny tsirairay avy izy ireo tamin’ny fitenin-drazanyary feno hevitra mendrika indrindra izy, ka ny halemem-behivavy tao aminy, dia notohanany herim-pon-dehilahy.

22 Dia hoy izy tamin’izy ireo: «Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko; tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo; tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan’ny vatanareo.

23 Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao, izay namorona ny olombelona hatramin’ny nahaterahany, sy manapaka ny fiavian’ny zavatra rehetra, dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony, satria noho ny fitiavanareo ny lalàny no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny.»

24 Nataon’i Antiôkosy fa tsiratsiraina izy, ary noheveriny ho fanazimbana azy ireo teny ireo. Raha mbola velona ihany ilay faralahy, dia sady namporisihiny io no nampanantenainy tamim-pianianana, fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mahafoy ny lalàn’ny razany, dia horaisiny ho sakaiza ary homeny raharaha ambony.

25 Tsy nasian-drazazalahy raharaha akory anefa ireo fanolorana ireo; ka ny reniny no nantsoin’ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra mahavonjy an’ity zatovo.

26 Namporisihiny ela ravehivavy vao nanaiky hitaona an-janany.

27 Nihilana teo aminy izy no sady nanaraby an’itsy mpanjaka masiaka, ka dia niteny tamin’ny fitenin-drazany hoe: «Mamindrà fo amiko anaka, izaho nitondra anao sivy volana tato an-kiboko, nampinono anao telo taona, nikarakara anao, namelona sy nanabe anao hatramin’izao taonanao izao.

28 Ka mihanta aminao aho jereo ny lanitra sy ny tany, diniho izay rehetra eo aminy, ary fantaro fa Andriamanitra no nahary izany tamin’ny tsinontsinona, ary toy izany no nahazoan’ny taranak’olombelona fisiana.

29 Aza matahotra ity mpamono, mbà mendrika an’ireo rahalahinao, ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin’ny rahalahinao, raha mby amin’ny andro famindram-po.»

30 Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy: «Fa inona no andrasanareo? Tsy ekeko ny didin’ny mpanjaka, ny didin’ny lalàna nomen’i Môizy ny razanay no ekeko.

31 Ary ianao izay fototr’izao loza rehetra mamely ny Hebrio izao, dia tsy ho afa-mandositra ny sandrin’Andriamanitra.

32 Fa izahay nijaly, dia noho ny fahotanay,

33 ary ny Tomponay izay velona, na maneho vetivety ny hatezerany aminay aza hahafaizany sy hananarany anay, dia mbola hihavana amin’ny mpanompony indray.

34 Fa ianao kosa, ry ilay mpankahala ny fivavahana sy mahavanon-doza indrindra amin’ny olombelona rehetra, aza dia tafahoatra miavonavona foana, na mitoky foana manao hevi-dravina, raha manainga tanana hamely ny mpanompon’Andriamanitra,

35 fa ianao akory tsy mbola afa-nandositra ny fitsaran’Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra sy mitandrina azy rehetra.

36 Ny rahalahinay izao, vao avy niaritra fampijaliana mandalo, dia nahazo ny fihavanan’Andriamanitraho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ianao kosa amin’ny fitsaran’Andriamanitra, dia hivesatra ny sazy tandrifin’ny fiavonavonanao.

37 Raha ny amiko kosa, torak’ireo rahalahiko koa, dia afoiko ny aiko amam-batako noho ny lalàn’ny razako ary ihantako Andriamanitra mba hiantra faingana ny vahoakany, fa hitondra anao amin’ny fijalianaamam-pangirifiriana kosa, hiekenao fa Izy irery no Andriamanitra;

38 ary enga anie ka hianina amiko sy amin’ireo rahalahiko ny fahatezeran’ny Tsitoha, izay mirehitra amin’ny firenenany manontolo an-drariny.»

39 Nentin-katezerana loatra ilay mpanjaka ka nasiany mafy noho ireo taloha aza ity, fa tsy zakany izany vingavingain’olona.

40 Toy izany no nahafatesan’ity zazalahy madio tsy voalotom-panompoan-tsampy akory sy nametraka ny fitokiany rehetra tamin’ny Tompo.

41 Farany, dia maty nanarakaraka ireo zanany koa ireniny.

42 Ampy ireo ny amin’ny fisoronana sy ny halozan’i Antiôkosy safatsiroa aman-tany.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 8

I Jodasy Makabeo manomboka ny ady masina

1 Tamin’izany i Jodasy Makabeo sy ireo namany, dia niditra an-tsokosoko tamin’ny tanàna, niantso ny havany hiaraka aminy, sy nandray izay tsy nivadika tamin’ny fivavahana Jody, hikambana aminy, ka nahavory miaramila sahabo ho enina arivo.

2 Nitalaho tamin’ny Tompo izy ireo hitsinjo ity vahoakany, hosihosen’ny olona rehetra, hangoraka ity tempoliny lotoin’ny mpankahala ny fivavahana,

3 hiantra izato tanàna ravana, efa hitovy tantana amin’ny tany; hihaino ny feon’ny ra nalatsaka, izay mitaraina aminy.

4 hahatsiaro ny namonoana tsy an-drariny an’ireo zaza tsy manan-tsiny sy ny faniratsirana nafitsoka ny Anarany, ka haneho ny fankahalany an’ireo ratsy fanahy.

5 Nony nahazo miaramila betsaka tarihiny i Makabeo, dia tsy azon’ny firenena noresena izy, satria efa niova ho famindram-po ny hatezeran’ny Tompo.

6 Nosovohiny tampoka ny tanàna amam-bohitra, dia nodorany, ary notanany ireo fitoerana tsara indrindra, ka nataony resy ny fahavalo betsaka.

7 Ny alina indrindra no nofidiny, handreseny moramora kokoa amin’izany karazam-pandresena izany. Niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny herim-pony.

Ireo hetsika voalohany

8 Tsy ela dia hitan’i Filipo, ny fandrosoan’ity lehilahy mbamin’ny fandresena mihamatetika azony, ka nanoratra izy ho any amin’i Ptôlemea, komandin’ny miaramilan’i Sele-Siria sy i Fenesia, mba hamonjy ny mpanjaka amin’ny raharahany.

9 Tsy niandry i Ptôlemea fa raikitra nanao ny raharaha teo no ho teo, ka naniraka an’i Nikanôra zanak’i Patrôkla, iray amin’ireo sakaizan’ny mpanjaka voalohandohany nitondra miaramila 20.000, fara fahakeliny, avy amin’ny firenen-tsamihafa, handringanany ny firenen’ny Jody manontolo; nomeny azy ho mpanampy koa i Gôrjiasa, jeneraly zatra fatratra amin’ny zavatra momba ny ady.

10 Natoky mihitsy i Nikanôra fa hahavonona talenta2.000 ho an’ny mpanjaka amin’ny vidim-babo halaina ao amin’i Jodea izay tetin’ny hetra haloa amin’ny Rômanina.

11 Dodona erỳ izy nandefa fiantsoana amin’ny tanàna amoron-dranomasina, ho tonga hividy andevo Jody, sady nampanantena fa hataony talenta iray amin’izy ireo ny sivy folo aminy, tsy nofisiny akory izay famaliana avy amin’ny Tsitoha vao hanjò azy.

12 Vao nandre ny dian’i Nikanôra i Jodasy dia nampandrenesiny an’ireo namany fa akaiky ny fahavalo.

13 Ka ny sasany, raiki-tahotra sy tsy ampy finoana ny fahamarinan’Andriamanitra, dia nitsoaka nandositra any an-tany hafa;

14 ny sasany nivarotra izay sisa teo an-tanany rehetra, sady nivavaka tamin’ny Tompo koa hanafaka azy amin’i Nikanôra mpankahala ny fivavahana, izay efa nivarotra azy sahady, talohan’ny haharaiketan’ny ady;

15 na dia tsy noho ny amin’izy ireo aza, dia noho ny fiheverana ny fanekena natao tamin’ny razany ahay, ary noho ny Anarany masina sy lehibe efa voaantso tamin’izy ireo.

16 Novorin’i Makabeo ny sisa tafajanona taminy, nisy 6.000 lahy no isany, dia namporisihiny tsy hatahotra, na hihorohoro amin’izay hamaroan’ny firenena tamy hamely azy tsy an-drariny, fa hiady amin-kerim-po,

17 ka hany hatrehina, dia ny fandoroana tsy mendrika nafitsok’ireo ny fitoerana masina, ny fanazimbazimbana ny tanàna noravany, mbamin’ny fanafoanana ny fomba nentin-drazana.

18 «Izy ireo, hoy izy, mitoky amin’ny fiadiana sy ny fikatrohana amin-kasahiana; fa isika kosa, mametraka ny fitokiantsika amin’Andriamanitra, Tompon’ny zavatra rehetra, mahay manakorontana ireo tamy hamely antsika sy izao tontolo izao aza, amin’ny baiko iray monja.»

19 Dia novisavisainy teo anatrehan’izy ireo ny ohatry ny fiarovan’Andriamanitra fahataloha; ny naharingana ny miaramila 18.000 tamin’ny andron’ny Senakeriba;

20 tamin’ny ady tamin’ny Galata, tany Babilônia, 8.000 lahy monja no isan’ny nikatroka, nampiana Masedôniana 4.000, voasokera mafy dia mafy izy ireto; nefa nahafaty fahavalo 120.000, izy 8.000 lahy, noho ny vonjy azony avy amin’ny lanitra sady nahazo vokatsoa be vava.

21 Nony avy nanome toky azy ireo, tamin’izany fampahatsiarovana izany izy, sy namonoan-ko faty azy ireo ho an’ny lalàna aman-tanindrazana, dia nozarainy ho antokony efatra ny tafiny.

22 Napetrany hitarika isan-tokony avy i Simôna sy i Josefa ary i Jônatasy rahalahiny; nomeny miaramila 15.000 avy.

23 Fanampin’izany, nandidy an’i Eleazara izy hanao famakiana ny boky masina; raha efa izany, nomeny ny baiko hoe: «Vonjin’Andriamanitra.», dia nitarika ny antokony voalohany izy namely an’i Nikanôra.

24 Tonga namonjy azy ny Tsitoha ka matiny ny fahavalo mihoatra ny 9.000, naratrany sy noboriany ny ankabeazan’ny miaramilan’i Nikanôra nataony vaky nandositra avokoa.

25 Nalainy koa ny volan’ireo izay tonga hividy azy. Efa lasa lavitra ihany izy nanenjika ny mpandositra,

26 vao niverina, fa voasakan’ny fotoana, satria andro mialoha ny sabata tamin’izay; izany no tsy nanohizany ny fanenjehana azy.

27 Ka nangoniny ny fiadian’ny fahavalo, nobaboiny izay teny aminy, dia nankalaza ny sabata izy, nisaotra inarivo sy nidera ny Tompo, izay namonjy azy tamin’izany andro izany, fa efa nanapa-kevitra haneho taminy ny fiandohan’ny famindram-pony.

28 Nony lasa ny sabata, nizarany tamin’ny babo ireo niharan’ny fanenjehana, ny kamboty sy ny mpitondratena, vao nozarainy tamin’ny samy izy mbamin’ny zanany ny sisa.

29 Vita izany dia rafitra niara-nivavaka izy ireo, nitalaho tamin’ny Tompo mpamindra fo, hihavana tanteraka amin’ny mpanompony indray.

I Timoteo sy i Bakidesa samy resy

30 Mihoatra ny 20.000n-dahy no matiny koa, tamin’ny miaramila niady fehin’i Timoteo sy i Bakidesaary azony tamin-kerim-po ireo trano mimanda avo. Nozarainy roa mitovy ny babo betsaka azony: ny iray toko azy; ny iray toko an’ireo nenjehina, ny kamboty, ny mpitondratena ary ny antitra koa.

31 Nangoniny ny fiadiana, dia napetrany tamim-pilaminana tao amin’ny fitoerana mety; ary nentiny ho any Jerosalema ny babo sisa.

32 Novonoiny ho faty i Filarka, izay nomba an’i Timoteo, lehilahy ratsy fanahy loatra izy izany, nahavita ratsy be tamin’ny Jody.

33 Raha mbola nankalaza ny fandreseny tao amin’ny renivohiny izy, ry Kalistena mbamin’ny sasany hafa kosa izay nandoro ny varavarana masin’ny tempoly dia nandositra tao an-trano kely anankiray; ka dia nodorany tao ireo, sy nomeny ny valy tandrifin’ny fametavetany ny zavatra masina.

I Nikanôra nandositra sy niaiky

34 I Nikanôra ilay jiolahy safatsiroa, izay nampiavy mpandranto 1.000, hividy ny Jody aminy,

35 dia voaetrin’ireto nataony osa noho izy, noho ny vonjy avy amin’ny Tompo, ka nendahany ny fitafiam-boninahitra teny aminy, dia namakivaky ny saha toy ny mpandositra izy tsy nisy mpanotrona, ary niditra tao Antiôkia honjohonjon’izy irery, sady nivarilavo fa namoy ny tafiny.

36 Ilay izy nampanantena hanefa ny sisan’ny hetra haloa amin’ny Rômanina, amin’ny vidim-babo avy any Jerosalema teo iny indrindra, no nilaza ampahibemaso fa manana an’Andriamanitra ho mpiaro azy ny Jody, ka tsy mety maratra izy amin’izany; satria mankatò ny lalàna nandidiany azy izy ireo.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 9

Ny niafaran’i Antiôkosy Epifana

1 Takaikin’izany andro izany, no nahatongavan’i Antiôkosy, tamin-kenatra, avy any amin’ny tanin’i Persa.

2 Fa niditra tao amin’ny tanàna atao hoe Persepolisa izy, dia nanandrana ny handroba ny tempoly, sy hampahory ny tanàna; kanjo niroatra ny vahoaka, ka nandray fiadiana, dia indro i Antiôkosy nataon’ny mponina vaky nandositra, dia lasa niverina afa-baraka.

3 Tao amin’ny faritanin’i Ekbatànaizy no nandre ny nanjò an’i Nikanôra sy ny tafik’i Timoteo.

4 Nirehitra ny hatezerany ka ny hamaliany ny fanaikan’ireo nanery azy handositra amin’ny famelezana ny Jody no noheveriny; nobaikony handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ny mpitarika mba hahafaingana ny dia. Nenjehin’ny famalian’ny any ambony anefa izy, fa nilaza tamim-piavonavonana hoe: «Vao tonga ao Jerosalema aho, dia hataoko fasan’ny Jody io tanàna io.

5 Kanjo nasian’ny Tompo Andriamanitr’i Israely, mahita ny zavatra rehetra, tamin’ny fery tsy lai-panafody, maha-tsy te-hijery.» Vao avy nanonona io teny io izy dia nahatsiaro fanaintainana lozan-tany tao an-kibony, sy fangirifiriana nanotikotika tao anatiny.

6 Famaizana marina izany, fa nandrotika ny kibon’ny sasany tamin’ny fampijaliana maro sy mafy mihoa-pampana izy.

7 Tsy nety nionona tamin’ny fiavonavonany anefa izy fa mbola feno rehareha, dia naneho ny hatezerany mirehitra amin’ny Jody, nandidy ny hanafaingana ny dia izy, fa injay nidaboka tampoka avy ao amin’ny kalesy, izay nikodiadia nikotrokotroka, sady loza ny hamafin’ny fianjerany, fa mangana avokoa ny rantsam-batany rehetra;

8 ka indro, ilay vao teo no nanao ny tenany ho mpandidy ny onjan-dranomasina noho ny reharehany tafahoatra ny an’ny olona, ilay nihevitra handanja ny haavon’ny tendrombohitra amin’ny mizàna, fa tafatsingidina amin’ny tany, ka nolanjaina tamin’ny filanjana, naneho miharihary teo imason’ny olon-drehetra ny fahefan’Andriamanitra.

9 Kankana be dia be no nivoaka tamin’ny vatan’ity mpankahala ny fivavahana, mbola velona ny tenany dia niraraka ompana ny nofony tamim-pijaliana lozan-tany; fofon-javatra lo no nivoaka nankararirary ny tafika manontolo;

10 ka ilay toa hanakatra ny kintana eny an-danitra teo iny, tsy nisy nahazaka azy intsony ankehitriny, fa tsy toha izany hamaimboana izany.

11 Voa lalina loatra izy tamin’izany, ka izay vao nihemotra tamin’ny fiavonavonany makadiry sy nahalala ny tenany azon’ny kapok’Andriamanitra izay nampitombo ny fanaintainany hatrany hatrany;

12 ary hatramin’ny tenany avy, no tsy nahatanty ny hamaimbony intsony, ka hoy izy: «Rariny mihitsy ny manaiky an’Andriamanitra; ary raha izay mety maty foana, tsy tokony hirehareha hifaninana amin’Andriamanitra.»

13 Nivavaka tamin’ny Tompo ambony indrindra, izay tsy tokony hamindra fo aminyintsony anefa, ilay tsy misoro-doza io;

14 nampanantena izy, fa holazainy ho tanàna afaka, ny tanàna masina, izay nidodododoany taloha hampitovina tantana amin’ny tany sy hatao fasan’ny mponina ao;

15 hampitoviny saranga amin’ny Atenianinaavokoa ny Jody izay notombanany ho tsy mendrika hanam-pasana, sy nokendreny hatao sakafon’ny vorona mpihaza amam-biby masiaka;

16 hampihaingoana amin’ny fanomezana kanto ny Tempoly masina izay namaboany taloha sady haverina aminy avokoa sy hampiany aza ny fanaka masina rehetra, hosahaniny amin’izay miditra ho an’ny tenany, ny lany amin’ny sorona;

17 fanampin’izany, hilatsaka ho Jodyny tenany, ary hitety ny tany misy mponina rehetra izy hanambara ny fahefan’Andriamanitra.

Taratasin’i Antiôkosy ho an’ny Jody

18 Tsy nitony anefa ny fijaliany fa ny fitsarana masin’Andriamanitra efa nihatra taminy, ka nony hitany fa tsy antenaina intsony ny amin’ny toetrany, dia nanoratra taratasy ho an’ny Jody izy, ka fitarainana no fomba nandaharany azy, ary izao no teny ao:

19 «I Antiôkosy mpanjaka sy jeneraly, manoratra ho an’ny Jody, vahoakany tsara indrindra, Arahaba! Fahasalamana! Fiadanana tanteraka!

20 Raha salama tsara ny tenanareo mbamin’ny zanakareo, raha mandroso araka ny fanirianareo ny raharahanareo, dia manome voninahitra lehibe indrindra an’Andriamanitra amin’izany aho, ary mametraka ny fitokiako amin’ny lanitra.

21 Izaho izao, mandry tsy manan-kery intsony eto am-pandriana dia mahatsiaro amim-pitiavana ny mari-boninahitra amam-pitiavana noraisiko taminareo. Tamin’ny niverenako avy tany amin’ny tanin’i Persa, notsindrian’aretina lozan-tany aho, ka nataoko fa ilaina ny himasoako amin’izay hiadanan’ny olona rehetra.

22 Tsy dia manary toky ny amiko aho tsy akory amin’izany fa vao mainka matoky mafy ny ho sitrana amin’izao aretina izao.

23 Fa izao no noheveriko: fony ikaky hiady tany amin’ny faritany ambony, dia notendreny izay ho dimbiny,

24 mba ho fantatr’izay eo amin’ny fanjakana ny nametrahana ny raharaha, ka tsy ho very hevitra izy raha avy izay loza tsy nampoizina na izay tsahotsaho ratsy;

25 heveriko manampy izany koa fa ireo mpanjaka mifanolotra sy ireo andriandahy mifanakaiky amin’ny fanjakana, mitsikilo ny toe-draharaha, sy miandry izay hitranga, ka dia notendreko ho mpanjaka i Antiôkosy zanako ilay efa napetrako tamin’ny ankabeazany aminareo, tamim-panafatrafarana fony aho nitety ireo faritany ambony; ary io nadika eo ambany io ny taratasynampitondraiko azy.

26 Koa mangataka aminareo sy mihanta aminareo, mba hahatsiaro ny soa nataoko, na tamin’ny ankapobeny, na tamin’ny tsirairay avy, sy mba samy hahatana ny fitiavanareo ahy sy ny zanako.

27 Satria matoky marina aho fa noho izy feno halemem-panahy sy antra olona, dia hahatanteraka ny hevitro sy hiseho ho mora aminareo.»

28 Koa tany an-tanin’olon-kafa, tany an-tendrombohitra tamim-pahafatesana mahamenatra no nahafatesan’io mpamono olona sy mpanevateva an’Andriamanitra io, azon’ny fijaliana mahatsiravina toraky ny nafitsoky ny hafa.

29 I Filipo namany fahazaza, no nampitondra ny vatany, saingy natahotra an’i Antiôkosy tanora ka nihataka nankany Ejipta, amin’i Ptôlemea Filometora.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 10

Ny nandiovana ny Tempoly

1 Tamin’izany, azon’i Makabeo sy ny namany indray ny tempoly sy ny tanàna, noho ny fanampian’ny Tompo.

2 Noravany ny ôtely natsangan’ny hafa firenena teo an-kianja mbamin’ny hazo masina.

3 Raha efa izany, nodioviny ny tempoly dia nanangana ôtely hafa izy, ary namelona afo tamin’ny vato kilonjy izy, dia naka tamin’izany afo izany, ka nanatitra sorona, sy nandoro ny emboka hanetona, fa roa taona izay no niatoany, dia narehiny ny jiro, napetrany teo ambony latabatra ny mofo alahatra.

4 Vita izany dia nihohoka tamin’ny tany izy nivavaka tamin’ny Tompo, mba tsy hampidi-doza toy izany aminy intsony; nangataka izy mba hofaizany araka ny mety, raha mbola manota ihany, fa hatolony amin’ireo firenena mpankahala ny fivavahana sady barbarianina.

5 Tamin’ny andro faha-25n’ny volana Kasleo no nandotoan’ireo hafa firenena ny tempoly, ary sendra io andro io koa no nanadiovana azy.

6 Ary nanao fety nandritra ny havaloana toraka ny fanao amin’ny tabernakla izy ireo, nahatsiaro fa vao andro vitsy talohan’izay, dia tany an-tendrombohitra, tao anaty zohy ireo no nitoetra tamin’ny fetin’ny Tabernakla, toy ny biby dia.

7 Ka dia nitondra tirsa sy sampan-kazo aman-tsampan-drofia izy ireo, sady nanao hira fankalazana an’ilay nitondra azy soa aman-tsara hanadio ny tempoly.

8 Ary nataony didy voaantso ampahibemaso ary lalàna, ny hankalazan’ny firenena Jody rehetra isan-taona izany andro izany.

Naetry i Ptôlemea Makrôna

9 Toy izany àry no andinidiniky ny nahafatesan’i Antiôkosy ilay natao hoe Epifana;

10 Dia indro asehonay kosa izao ny momba an’i Antiôkosy Epatôra, zanak’io mpankahala ny fivavahana io, hotantaranay fohifohy ny loza vokatry ny ady.

11 Nony tonga teo amin’ny seza fiandrianana izy, dia nametraka an’i Lisiasa anankiray izay, ho lohan’ny raharaha; ary io koa no voatendry ho komandy ambony indrindra amin’ny tafika any Sele-Siria sy Fenisia.

12 Fa i Ptôlemea natao hoe koa Makrôna no voalohany nanaraka ny rariny tamin’ny Jody, noho ny hamafin’ny nanjò azy ireo ary nikely aina hitondra azy amim-piadanana.

13 Kanjo izany indrindra no niampangan’ireo sakaizan’ny mpanjaka azy teo anatrehan’i Epatôra, sady isak’izao misy zavatra kely izao, reny antsoina hoe mpamadika ihany izy, noho izy nandao an’i Sipra izay napetrak’i Filometora taminy sy niandany tamin’i Antiôkosy Epifana, ka tsy nanana afa-tsy fiandrianana tsy misy hajany intsony, dia nanary toky izy, ka namono tena tamin’ny poizina.

I Gorjiasy namely ny trano mimandan’ny Idomeanina

14 Ary i Gorjiasy izay tonga lehiben’ny miaramila tamin’ireo faritany ireo, dia naka miaramila hafa firenena, sy nanararaotra mandrakariva izay azony iadiana amin’ny Jody.

15 Ny Idomeanina, tompon’ireo trano mimanda tsara koa tetsy andanina, nanorisory ny Jody; noraisiny ireo natosika hiala ao Jerosalema; nataony izay hahavelona ny ady.

16 Ry i Makabeo sy ny namany, nony avy nivavaka sy nangataka tamin’Andriamanitra hanampy azy, dia niroatra namely ireo trano mimanda, nataon’ny Idomeanina.

17 Nanihiny tamin-kerim-po ireo, ka azony terỳ; natosiny avokoa izay niady teo ambony manda, novonoiny daholo izay rehetra sehatra ny tanany, tsy latsaky ny 20.000 ny isan’ny maty.

18 Nisy 1000 lahy koa raha dia kely no nialoka tao amin’ny tilikambo roa mafy dia mafy, nanana izay ilainy rehetra hanohanana ny fahirano.

19 I Simôna sy i Josefa mbamin’i Zakea sy ny namany, ampy isa tsara, no navelan’i Makabeo hampikoy an’ireo, dia lasa nankany amin’izay nisy nahamaika izy.

20 Kanjo lian-karena loatra ny miaramilan’i Simôna ka nanaiky hosisihan’ny sasany tao anatin’ny tilikambo vola, dia nandray 70.000 drakmaka navelany nandositra ny sasany taminy.

21 Nony nolazaina tamin’i Makabeo izany zava-niseho izany, novoriny ny filohan’ny vahoaka, dia nampangainy ireo olona ireo, fa namidy amam-bola ny rahalahiny, satria nalefany handeha ny fahavalo nitam-piadiana hamelezana azy.

22 Raha efa izany nasainy novonoin-ko faty ireo mpamadika ireo, dia afany niaraka tamin’izay ireo tilikambo roa.

23 Fatratra ny nitondrany ny raharahan’ny ady, ka mihoatra noho ny 20.000n-dahy no matiny tamin’ireo trano mimanda roa ireo.

I Jodà mamely an’i Timoteo ary maka ny tanàna Gazàra

24 I Timoteoilay resin’ny Jody teo aloha kosa namory miaramila betsaka hafa firenena sy naka mpitaingin-tsoavaly betsaka tany Asia, dia nandroso haka an’i Jodea tamin’ny ady indray.

25 Nony mby akaiky izy, ny mivavaka tamin’Andriamanitra no nataon’i Makabeo sy ny namany; nohosenany lavenona ny lohany, nosikinany lasàka ny valahany;

26 niankohoka teo am-pototry ny ôtelyizy, nangataka tamin’ny Tompo homba azy ireo, sy ho fahavalon’ireo fahavalony ary ho rafin’ireo rafiny, sy hanohitra an’ireo manohitra azy, araka ny fampanantenan’ny lalàna.

27 Vita ny fivavahany dia noraisiny ny fiadiany, ka nivoaka ny tanàna izy sy lasa lavitra ihany; efa mby teo akaikin’ny fahavalo vao nijanona.

28 Vao nazava ny andro, dia rafitra ny adin’izy roa tonta; ireto ankilany moa, fanampin’ny herim-pony dia ny fangatahana tamin’ny Tompo no antoky ny fahombiazany amam-pandreseny; iretsy andaniny kosa tsy naka mpitarika azy tamin’ny ady afa-tsy ny fisafoahany.

29 Nony efa mafy indrindra ny ady, indreo niseho teny an-danitratamin’ny fahavalo ireto olona dimy lahy mamirapiratra nitaingin-tsoavaly voaisy sakam-bavany volamena, ary tonga nitarika ny Jody.

30 Nataon’ny roa tamin’izy ireo teo afovoany i Makabeo, dia nambenany tsy haratra, nosaronany tamin’ny fiadiany; niaraka tamin’izay, dia nalefany ny zana-tsipìka sy ny varatra, nojanjanany ny fahavalo, izay efa jenjina sy nivadi-po ka lavo nifanaritaka.

31 Miaramila an-tongotra 20.500, sy an-tsoavaly 600 no maty tamin’izany.

32 I Timoteo nandositra tao an-tanàna anankiray mafy dia mafy atao hoe Gazàra, notapahin’i Sereasa.

(Jereo 1Mak 13,43-48)

33 Fa i Makabeo sy ny namany kosa, nanao fahirano azy tamin-kafanam-po sy hafaliana nandritra ny hefarana.

34 Nitoky tamin’ny hamafin’ny tanàna ny nafahirano, ka tsy nitsahatra ny niteny ratsy an’Andriamanitra sy namoaka vava fankahalana ny fivavahana.

35 Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy 20 tamin’ny miaramilan’i Makabeo nirehi-pahatezerana tamin’izany fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda sy namono izay teo anoloany rehetra, tamin-kerim-po, toy ny liona.

36 Dia niakatra koa ny sasany ka namely ny nafahirano tandrifiny, nodorany ny tilikambo, ary nandrehitra kitay hazo izy nandorany velona an’ireo mpiteny ratsy an’Andriamanitra; ny hafa kosa namaky ny vavahady sy nanokatra lalana hidiran’ny tafika sisa, izay nahazo ny tanàna.

37 Trany niery tao amin’ny lavaka famorian-drano anankiray i Timoteo ka novonoiny ho faty, toy izany koa i Seresa, rahalahiny sy i Apôlôfàna.

38 Nony vita izany asan-kerim-po izany, dia nanao hira fiderana amam-pankalazana izy ireo, nisaotra ny Tompo izay nanao zava-dehibe ho an’i Israely, sy nanome fandresena azy.