Categories
2Makabeo

2Makabeo 11

I Lisiasy manafika voalohany

1 Andro vitsy foana taorian’izay, i Lisiasy mpiahy sy havan’ny mpanjaka, sady solon’andriana teo amin’ny fanjakana, dia nahatsiaro mangirifiry tamin’ilay zava-nidona teo,

2 ka namory miaramila sahabo ho 80.000, mbamin’ny an-tsoavaly rehetra, dia niroso hamely ny Jody, nanantena mihitsy fa hamponina ny Grika ao amin’ny tanàna masina,

3 sy hampandoa hetra ny Tempoly, toraky ny fitoerana masin’ny firenena masina, ary hivarotra isan-taona ny fiandrianan’ny mpisoronalehibe;

4 tsy noheveriny akory tamin’izany izay fahefan’Andriamanitra fa ny miaramilany an-tongotra alinalina, sy ny an-tsoavaly arivoarivo, ary ny elefantany valopolo no nireherehany fatratra.

5 Nony tafiditra an’i Jodea izy, dia nanatona an’i Betsora, tanàna sarotra hatonina, sahabo ho dimy stady raha eo Jerosalema, ka nanery azy mafy.

6 Vao nandre i Makabeo sy ny namany fa hoe: ataon’i Lisiasy fahirano ny trano mimanda, dia nivavaka tamim-pisentoana aman-dranomaso tamin’ny Tompo izy narahin’ny vahoaka rehetra mba haniraka Anjely tsara hamonjy an’i Israely.

7 Dia i Makabeo no nandray fiadiana voalohany sy namporisika ireto sisa hanao vy very ny ainy miaraka aminy hamonjy ireo rahalahiny.

8 Niroso tamin-kafanam-po sy herim-po avokoa izy rehetra; ary mbola teo am-pahatazànana an’i Jerosalema ihany izy, dia indro nisy mpitaingin-tsoavalyniseho teo alohany, nampandihy fiadiana volamena.

9 Ka dia niara-nisaotra an’Andriamanitra mpamindra fo izy rehetra, sady samy vonon-kiady tsy hoe amin’ny olona ihany, fa amin’ny biby faran’izay masiaka koa, ary hamaky ny manda vy aza.

10 Nandroso tamim-pilaharana hiady izy ireo, nanam-panahy avy any an-danitra, ary ny Tompo nangoraka azy.

11 Niantoraka toy ny liona tamin’ny fahavalo, ka miaramila an-tongotra 11.000, sy an-tsoavaly 16.000 no natsingidiny tamin’ny tany,

12 ary ny sisa nataony vaky nandositra. Ny ankabeazany nandositra efa voaratra sy nanary fiadiana; ny tenan’i Lisiasy aza tsy nahavonjy ny ainy, afa-tsy tamin’ny lositra mahamenatra.

Fihavanana tamin’ny Jody. Taratasy efatra fifanekena

13 Nefa noho izy nanan-tsaina ihany, dia nandinika ity fahareseny, ary fantany fa tsy azo resena ny Hebrio, satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra no miara-miady aminy,

14 ka dia naniraka ho any amin’izy ireo izy, hanolotra fihavanana araka izay famarafarana marina rehetra, ka dia nanolo-tena amin’izay hampanaiky ny mpanjaka ny tokony hihavanany amin’izy ireo.

15 Tsy nikendry afa-tsy ny soa ho an’ny vahoaka i Makabeo ka nanaiky ny hevitra rehetra naposak’i Lisiasy, satria neken’ny mpanjaka avokoa ny famarafaram-panekenanalefan’i Makabeo an-tsoratra tany amin’i Lisiasy momba ny Jody.

16 Toy izao no teny amin’ny taratasy nosoratan’i Lisiasy ho an’ny Jody:

17 «I Lisiasy manoratra ho an’ny Jody: Arahaba! Voatolotr’i Joany sy i Absalôma izay nirahinareo ho atỳ amiko ny fanekena nosoniavinareo ka dia nangataka izy ireo ny hanatanteraka ny zavatra ao amin’ny fanekena.

18 Ary efa nampahafantariko ny mpanjaka, izay rehetra tsy maintsy alefa mankany aminy, ka nekena izay azo ekena.

19 Koa raha mbola maharitra koa ny fankasitrahanareo ny fanjakana, dia hikely aina aho izao sisa izao hanao izay hiadananareo.

20 Ny amin’ny andinidininy sasany dia nohazavaiko tamin’ny irakareo sy ny ahy, ka dia hifampidinika aminareo izy ireo.

21 Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, andro faha-24n’ny volana Diôskôrinta.»

22 Toy izao kosa no ao amin’ny taratasin’ny mpanjaka:

«I Antiôkosy mpanjaka manoratra ho an’i Lisiasy rahalahiny: Arahaba!

23 Rehefa voafindra any amin’ireo andriamanitra ny rainay, ny irinay dia ny hifotoran’izay eto amin’ny fanjakanay amin’ny fikarakarana ny raharahany tsy hisy mpanelingelina;

24 ary efa renay fa ny Jody dia tsy manaiky ny fomba grika, fa aleony ihany ny fombany manokana, ka mangataka izy, araka izany, havela hiaina araka ny lalàny.

25 Koa noho ny fanirianay ny tsy hisy fitabatabana amin’izany firenena izany intsony, dia mandidy ny hamerenana ny tempoly amin’izy ireo izahay, sy ny hamelàna azy hanaraka ny fomban-drazany.

26 Koa tsara raha maniraka ho any amin’izy ireo ianao, sy mandray tanana azy, mba hahazoany toky sy hifotorany amin’ny fanaovana ny raharaha fanaony, rehefa fantany ny hevitray.»

27 Toy izao no ao amin’ny taratasin’ny mpanjaka ho an’ny firenena Jody: «I Antiôkosy mpanjaka, maniry fiadanana ho an’ny parlemantan’ny Jody sy ny Jody hafa.

28 Raha salama tsara ianareo, dia mifanaraka amin’ny irinay izay; izahay koa dia salama tsara.

29 Nampandrenesin’i Menelasaanay, ny fanirianareo hiverina sy hanao ny raharaha fanaonareo.

30 Koa izay miroso hatramin’ny andro faha-30n’ny volana Ksantìka, dia hahazo mitoetra feizay sy amim-piadanana.

31 Ka aoka ny Jody hihinana izay fihinany sy hanaraka ny lalàny tahaka ny taloha, ka aza misy omena soketa noho izay diso nataony tsy amim-pahalalana.

32 Naniraka an’i Menelasa aho, hanome toky hiadananareo.

33 Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, andro faha-15n’ny volana Ksantìka.»

34 Ny Rômanina koa nampitondra taratasyho an’ny Jody, araka izao:

«I Kointosa Memiosa sy i Titosa Manliosa, iraky ny Rômanina, maniry fiadanana ho an’ny Jody.

35 Ireo zavatra efa neken’i Lisiasy havan’ny mpanjaka, taminareo, dia ekenay aminareo koa.

36 Ary ny amin’ireo nataony ho tsy maintsy alefa hodinihin’ny mpanjaka, rehefa voadinikareo tsara, dia aza angatahana andro, fa maniraha olona ho atỳ aminay hampandrosoinay ao amin’ny mpanjaka, araka ny mety hatao ho anareo, fa ho any Antiôkia izahay.

37 Ka faingàna dia alefaso handeha ny irakareo, mba hahalalanay izay irinareo koa.

38 Ho salama tsara anie ianareo. Tamin’ny taona faha-148, faha-15n’ny volana Ksantìka.»

Categories
2Makabeo

2Makabeo 12

Famaizana an’i Jôpe sy i Jamnià

1 Nony vita ny fanekena, i Lisiasy niverina nankany amin’ny mpanjaka ary ny Jody nandroso niasa ny taniny.

2 Kanefa ireo jeneraly teo amin’ny tany, i Timoteo sy i Apôlôniosa zanak’i Gena, mbamin’i Herônima sy i Demôfôna, nanampy ireo koa i Nikanôra governoran’i Sipra, dia tsy namela azy ireo handry feizay, na hiaina amim-piadanana.

3 Tamin’izany, nanao heloka be vava ny mponina tao Jôpe. Nasain’izy ireo niakatra teo amin’ny lakan-drafitra nomanin’izy ireo, ny Jody nonina teo aminy, mbamin’ny vady aman-janany,

4 Mova tsy ny tsy nanam-pankahalana azy ireo akory izy, fa hevitra niarahan’ny tao an-tanàna rehetra notapahina no nanaovany an’izany. Ny Jody araka ny faniriany te-hihavana, dia nanaiky tsy nanana ahiahy kely akory. Kanjo nony tonga teny afovoany izy ireo, dia nalentiny, nisy 200 mahery no isany raha dia kely.

5 Vao nandre ny halozana natao tamin’ireo olona iray firenena aminy i Jodasy, dia nomeny teny ireo namany, ka nony avy niantso an’Andriamanitra mpitsara marina izy,

6 dia niroso hamely ny mpamono ireo rahalahiny: nodorany alina ireo trano tao an-tseranana, notsoloany koa ny sambo, ary novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ireo nitady fialofana tao.

7 Nilaozany ny tanàna, fa nihidy, nefa ny hiverina handrava ny tanànan’ny Jôpita manontolo no fikasany.

8 Reny koa fa ny olona ao Jamnià, mikasa hanao toy izany amin’ny Jody monina ao aminy,

9 ka nasiany torak’izany tamin’ny alina koa, ny mponina tao Jamnià; nodorany ny seranana mbamin’ny sambo, ka tazana hatrany Jerosalema ny hazavana avy amin’ny fandoroana, nefa 240 stady no elanelany.

Famelezana ny Galaadita

10 Nony avy eo izy, ka efa lasa sivy stady, ndeha hamely an’i Timoteo, dia nisy Arabo nirotsaka tamin’i Jodasy; 5.000 izy no miaramila an-tongotra, ary 500 ny an-tsoavaly.

11 Mafy ny ady, nefa nahery i Jodasy sy ny namany, noho ny fanampian’Andriamanitra; nony resy ireo mpifindrafindra, dia nangataka tamin’i Jodasy hanolotra ny tanany havanana amin’izy ireo, sady nanome toky hanome azy biby fiompy sy hanampy azy amin’ny zavatra sasany.

12 Hitan’i Jodasy fa be tokoa no zavatra azon’ireo anampiana azy, ka dia nekeny ny hanao fihavanana aminy; nony avy nifandray tanana, dia nody ho any an-dainy izy ireo.

13 Taorian’izany i Jodasy nananika tanàna mafy anankiray voahodidina manda sy voaisy tetezan-kady azo engaina, ary onenan’olona samy hafa firenena; Kaspina no anarany.

14 Nitoky tamin’ny hamafin’ny mandany sy ny habetsahan’ny hanina nananany ny nafahirano, ka nanao toetry ny tsy mahalala fomba, naniratsira an’i Jodasy sy ny namany, nanonona teny fanaratsiana an’Andriamanitra aza sy fankahalana ny fivavahana.

15 I Jodasy sy ny namany kosa, niantso ilay Tompo ambony indrindra amin’izao tontolo izao, izay nampianjera ny mandan’i Jerikô, tsy tamin’ny milina fandonana manda na milina hafa, tamin’ny andron’i Jôsoe, vao niantoraka tamin’ny manda, mova tsy ny liona mitroatra.

16 Nony azony, araka ny sitrapon’Andriamanitra ny tanàna, dia vonoana olona maro, hoatra ny fatim-balala no nataony tao, ka hoatra ny feno ny ra nandriaka tao ilay kamory eo akaiky, misy roa stadyny habeny.

Ady tao Karniôna

17 Avy eo izy, dia nandeha 750 stady, ka nahatratra an’i Karaksa, izay nonenan’ny Jody atao hoe Tobianina.

18 Tsy hitan’izy ireo tao amin’izany tany izany i Timoteo; fa lasa niala teo izy, satria tsy nahavatra nanao na inona na inona teo, fa toerana anankiray izay no nametrahany miaramila mpiandry tany maro dia maro.

19 Ny roa tamin’ireo jeneralin’i Makabeo anefa, dia i Dositeo sy i Sôsipatera nandeha nananika io tanàna mimanda io, ka namono ny olona navelan’i Timoteo tao, nisy 10.000 mahery ny isany.

20 I Makabeo kosa tetsy an-danany, nampilahatra ny tafiny araka ny antokony, ary nasainy notarihiny ireo antokony ireo, dia nandroso hamely an’i Timoteo izay nitondra miaramila an-tongotra 120.000, sy an-tsoavaly 2.500.

21 Nony ren’i Timoteo fa tamy i Jodasy dia nasainy nentina ny zaza amam-behivavy mbamin’ny fananany ho ao amin’ny fitoerana anankiray, atao hoe Karniôna, fa fitoerana tsy azo anihina sy sarotra hatonina io, satria èty ny lalana faleha amin’io faritany io.

22 Vao niposaka ny antokony voalohany momba an’i Jodasa, dia nivadi-po ny fahavalo, fa niseho nahatsiravina tamin’izy ireo ny fahefan’ilay mahita ny zavatra rehetra, ka vaky nandositra izy, ny sasany nankatsỳ, ny sasany nankarỳ, hany ka izy samy izy ihany no nifandratra sy nifanatrobaka tamin’ny sabatry ny tenany.

23 Nilozoka nanenjika azy ireo i Jodasa, nasiany avokoa ireo olona meloka ireo, ka nahafatesany hatramin’ny 30.000.

24 Ny tenan’i Timoteo aza, latsaka eo an-tanan’ny miaramilan’i Dôsiteo sy i Sôsipatera ka nitalaho tamin-kafetsen-dratsy tamin’izy ireo, handefa azy soa aman-tsara, nilaza fa eo am-pelatanany ny havana sy ny rahalahin’ny ankabeazan’izy ireo, ka raha maty izy, dia tsy hananana antra koa ireo.

25 Nomeny toky tamin’ny teny lava teo izy ireo fa tapa-kevitra ny handefa ireo olona ireo izy, sady tsy haninomaninona azy akory, hany ka dia nalefan’ny Jody izy, mba hamonjeny an’ireo rahalahiny.

26 I Jodasa kosa tamin’izany, niroso nankao Kariniôna sy amin’ny fitoera-masin’i Atargatisa, ka nahafaty 25.000 tao.

Nony niverina dia nandalo an’i Efrôna sy i Sitapôlisy

27 Avy nandresy sy nandripaka ireo fahavalo ireo i Jodasa, dia nitondra ny tafiny hamely an’i Efrôna, tanàna mafy onenan’olona maro samy hafa firenena; zatovo matanjaka avokoa, voalahatra eo anoloan’ny manda, no niaro azy tamin-kerim-po; ary milina aman-java-manitra sesehena no efa niatrana teo amin’ny tanàna.

28 Nefa, nony avy niantso ny Tsitoha Ilay manorotoro amin’ny fahefany ny herin’ny fahavalo, ny Jody, dia azony ny tanàna ary 25.000n-dahy tamin’ireo nonina tao, no nataony niampatra amin’ny tany.

29 Niala tao izy, dia nandroso hamely ny tanànan’ny Sita, 600 stady avy ao Jerosalema.

30 Nilaza anefa ireo Jody nonina tao, fa tsara no nitondran’ny mponina azy, ary nahazo fanampiana tamin’izy ireo aza izy, tamin’ny andron’ny tsy fananany;

31 ka dia nisaotra ny Sitapôlitanina, ry i Jodasy mbamin’ireo nomba azy, sady namporisika azy ireo hanohy ny fitiavany an’ireo iray razana aminy, amin’ny ho avy koa. Raha efa izany, dia niditra tao Jerosalema izy ireo, tamin’ny fotoana efa hiantombohan’ny fetin’ny Herinandro.

Ady tamin’i Gôrjiasa

32 Taorian’ny Pantekôty izy ireo nandroso hamely an’i Gôrjiasa izay komandy tao Idomea;

33 ka nivoaka io, nitondra miaramila an-tongotra 3.000 sy an-tsoavaly 400.

34 Rafitra ny ady, ary tamin’izay, nisy potraka vitsivitsy ny Jody.

35 Nisy lehilahy mahery anankiray atao hoe Dôsiteo mpitaingin-tsoavaly tamin’ny antokon’i Basenoro nisambotra an’i Gôrjiasa, dia nitarika azy tamin’ny kapaotiny sy nifaoka azy mafy, fa ny hahazo sambo-belona an’io olona voaozona io no niriny: kanjo niantoraka tamin’i Dôsiteo ity mpitaingin-tsoavaly Trasa anankiray, dia nanapaka ny sorony, ka afa-nandositra tany Maresài Gôrjiasa.

36 Tamin’izany kosa efa niady ela ny miaramilan’i Esdrina ka reraky ny havizanana, koa nitaraina tamin’ny Tompo i Jodasa mba hiseho ho mpanampy azy ireo, sy ho filohany amin’ny ady.

37 Izay, dia noventesiny tamim-peo avo amin’ny tenin-drazany ny akoran’ady sy ny hira, ka nirotsaka tampoka tamin’ny miaramilan’i Gôrjiasa izy, nataony vaky nandositra ireo.

Sorona ho an’ireo nody mandry

38 Nanaraka izany, novorin’i Jodasa ny tafiny, dia nentiny ho ao an-tanànan’i Odolama, ary tonga ny andro fahafito amin’ny herinandro, ka nandio tena araka ny fanao izy ireo, dia nankalaza ny sabata teo amin’izany toerana izany.

39 Nony ampitso, tonga araka ny tsy maintsy ataony i Jodasa sy ny namany naka ny vatan’ireo novonoina halevina ao amin’ny havany, amin’ny fasan-drazany.

40 Isam-batan’olona tamin’izy ireo, samy nahitany tao ambanin’ny akanjo, zava-masina avy amin’ny sampin’i Jamnià, sy andraran’ny lalàna ny Jody. Ka niharihary tamin’izy rehetra fa izany no antony nahafatesan’ireo.

41 Dia izy rehetra no indray nisaotra ny Tompo, mpitsara marina izay mampiharihary ny zava-miafina.

42 Raha efa izany, dia nanomboka nivavaka izy ireo nangataka mba havela tokoa ny fahotana natao; i Jodasa ilay mahery fo kosa, namporisika ny vahoaka hiaro tena ho tsy voalotom-pahotana fa he ity hita maso ny vokatry ny fahotan’izay maty.

43 Raha efa izany, nampanao vokatra izy, ka nahavory drakma 2.000 nampanateriny hanaovana sorona fanonerana any Jerosalema. Asa soa sy mendrika, avy amin’ny fiheverana ny fitsanganana amin’ny maty, izany.

44 Satria, raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty, ny miaramila maty an’ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an’ny maty.

45 Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an’izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 13

Antiôkosy faha-5 sy i Lisiasy. Fampijaliana an’i Menelasa

1 Tamin’ny taona faha-149, ren’i Jodasy sy ny namany fa tamy hamely an’i Jodea i Antiôkosy Eopatôra mitondra miaramila maro;

2 ary i Lisiasy mpiahy ama-mpandraharahany koa, nanaraka azy; izy roa lahy samy nitarika tafika grika, izay nisy miaramila an-tongotra 110.000, an-tsoavaly 5.300, elefanta 22, ary kalesy misy antsy lava 300.

3 Nikambana tamin’izy ireo koa i Menelasa sady namporisika an’i Antiôkosy tamim-pihatsarambelatsihy lozan-tany, tsy mba ho famonjena ny tanindrazany anefa, fa noho ny fanantenany haverina amin’ny voninahiny indray.

4 Kanjo kosa, nampirehetin’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, tamin’io tsy misoro-doza io, ny fahatezeran’i Antiôkosa, fa nasehon’i Lisiasy tamin’ny mpanjaka fa i Menelasa no fototr’izao loza rehetra izao, ka nasain’i Antiôkosy nentina any Bereaizy io, dia hovonoina any araka ny fanao amin’izany fitoerana izany.

5 Fa nisy tilikambo anankiray tao, 50 hakiho ny haavony, feno lavenona voaisy milina mihodina eny an-tampony, ka hatrizay hatrizay, dia nampisisika ao anaty lavenona.

6 Ao no famarinan’ny vahoaka ao Berea ny olo-meloka nanao halatra sakrilezy, na diso tamin’ny heloka bevava sasany hafa koa.

7 Toy izany no nahafatesan’i Menelasa, ilay mpivadika ny lalàna, ary rariny loatra ny tsy nandevenana azy.

8 Fa nanota imbetsaka tamin’ny ôtely izy, izay madio ny afo aman-davenona, ka tao anaty lavenona izy no tojo ny fahafatesana.

Vavaka sy fahombiazan’ny Jody nankany Modìna

9 Dia nandroso ny mpanjaka; feno hevitra barbarianina ny sainy, vonon-kamely mafy ny Jody mihoatra noho ny nataon-drainy izy.

10 Vao nahalala izany i Jodasa dia nandidy ny vahoaka hiantso ny Tompo andro aman’alina mba hovonjeny amin’izao indray koa ireto olona

11 efa hoesorina amin’ny lalàna, amin’ny tanindrazany, amin’ny tempoly masina; ary mba tsy havelany ho latsaka eo am-pelatanan’ny firenena mankahala ny fivavahana ity vahoaka vao teo no nahita hiainana.

12 Nony efa niara-nivavaka toy izany sy nitaraina tamin’ny Tompo mpamindra fo izy rehetra, nanao an-dranomaso sy nifady hanina, sady nandohalika tsy tapaka nandritra ny hateloana, dia namporisihin’i Jodasy izy ireo ary nasainy niomana mba ho vonona.

13 Ka niresaka manokana tamin’ny loholona izy aloha, dia nanapa-kevitra ny tsy hiandry ny mpanjaka, hitondra ny tafiny hiditra an’i Jodea, sy hahafaka an’i Jerosalema, fa hiroso miaraka amin’izay sy hamita ny raharaha amin’ny fanampian’ny Tompo.

14 Koa nankininy tamin’ny Nahary an’izao tontolo izao, izay ho anjara fiafaran’ny Jody, dia namporisihiny ny namany hiady amin-kerim-po hatramin’ny fahafatesana, ho an’ny lalàna, ho an’ny tempoly, ho an’ny tanàna masina ary ho an’ny tanindrazana amam-pirenena, dia notarihiny ho eo amin’ny manodidina an’i Modìna ny tafiny.

15 Izao aloha no baiko nomeny: «Fandresena amin’ny alalan’Andriamanitra,» vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin’ireo zatovo mpiady izy, dia namely tamin’ny alina ny lain’ny mpanjaka, nahafaty 4.000 lahy izy tao an-toby; fanampin’ireo koa ny lehibe indrindra tamin’ny elefanta, mbamin’ny miaramila nentiny tao amin’ny tilikambo.

16 Hany ka nataony safotry ny fivadiham-po amam-pifanaritahana ny tao an-toby, vao nialany tamim-pahombiazana tanteraka.

17 Fa vita tomombana ny natao, vao nazava ratsy ny andro, noho ny fiarovana nomban’ny Tompo an’i Jodasy.

I Antiôkosy mandrary fihavanana amin’ny Jody

18 Nony nahatsapa ny herim-pon’ny Jody toy izany ny mpanjaka, dia izay hahazoana an-kafetsena ny tanàna indray no nandramany.

19 Niroso hamely an’i Betsora tanàna mimanda mafy an’ny Jody izy, kanjo voatosika, tsy nahomby, resy.

20 Nandefasan’i Jodasy izay nilainy ireo nafahirano tamin’izany.

21 I Radôkôsa isan’ny tafiky ny Jody kosa anefa nilaza ny zava-miafina tamin’ny fahavalo; natao ny famotorana dia azo izy, ka natao an-tranomaizina.

22 Nifandrindra fanindroany tamin’ireo nafahirano ny mpanjaka, ka nanolotra tanana azy ireo, sy nandray ny azy, dia nihataka;

23 namely ny mpiadin’i Jodasy izy fa resy. Nandre anefa izy fa nikomy any Antiôkia, i Filipo ilay navelan’i Epifana ho lohan’ny raharaha, ka niraviravy tanana izy; nomeny teny soa ny Jody, nekeny sy nianianany ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, nihavana sy nanatitra sorona izy, nohajainy ny tempoly, noraharahainy tamin-kalemem-panahy ny fitoerana masina,

24 ary noraisiny tsara i Makabeo sady napetrany ho governoran’ny miaramila hatrany Ptôlemaisa ka hatrany amin’ny Gerenianina.

25 Kanjo nony tonga tao Ptôlemaisa ny mpanjaka, nasehon’ny mponina tao ny fahasosorany noho ny fanekena, fa nahatezitra azy izany, sy tsy tiany akory ny hanatanteraka ny zavatra tapaka ao aminy.

26 Ka niakatra teo amin’ny fipetrahan’ny mpitsara i Lisiasy niaro ny fanekena araka izay azo atao, dia nitaona sy nandamina tsara ny fon’ny olona, vao niainga ho any Antiôkia. Toy izany no nalehan’ny famelezana sy fihatahan’ny mpanjaka.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 14

Teny fanelanelanana nataon’i Alsima mpisorom-be

1 Nony afaka telo taona, ren’i Jodasa sy ny namany fa hoe: niondrana avy ao amin’ny fitodian-tsambon’i Tripolìi Demetriosa zanak’i Seleokosa, nitondra miaramila maro sy andian-tsambo,

2 ka nahalasa ny tany, sy namono an’i Antiôkosy mbamin’i Lisiasy mpiahy azy.

3 Nisy anankiray izay atao hoe Alsima izay efa tonga mpisorona lehibe teo aloha, saingy nandoto tena an-tsitrapo, tamin’ny andron’ny fikorontanana, ka nahalala fa tsy misy azony anantenana famonjena intsony sy tsy misy azony anatonana ny ôtely masina intsony,

4 ka tonga nihaona tamin’ny mpanjakaDemetriosa izy, tamin’ny taona faha-150, nanolotra izao ho azy: satrok’andriana volamena iray mbamin’ny sampan-drofia iray ary koa sampan’ôliva vitsivitsy, araka ny fanatitra fanao amin’ny tempoly; ary tsy nanao afa-tsy izany izy aloha, tamin’io andro io.

5 Nahita fotoana azon’ny haratsiam-panahiny hararaotiny anefa izy, dia tamin’ny niantsoan’ny mpanjaka azy ho ao amin’ny fivorian’ny mpanolo-tsaina sy nanontaniany azy ny amin’ny toetra aman-kevitry ny Jody.

6 Ka hoy ny navaliny: «Ireo Jody atao hoe Asideanina, tarik’i Makabeo, no mpamelona ady amam-pikomiana, ary tsy zakany raha mandry feizay ny fanjakana.

7 Ka noho izany, rehefa voaongana tamin’ny voninahitro lovako amin’ny razako aho, izany hoe, tamin’ny fiandrianan’ny mpisorona lehibe, dia tonga teto,

8 ary velom-paniriana marina hanohana ny hajan’ny mpanjaka aho aloha; manaraka izany, mikendry izay mba hiadanan’ny iray tanindrazana amiko aho; fa loza loatra no manjò ny firenena manontolo, azon’ny hasahian’ireo olona ireo loatra.

9 Ary ianao, ry mpanjaka, rehefa fantatrao izany rehetra izany izao, ataovy izay hamonjena ity taninay amam-pirenenany tra-pahoriana; araka ny hamoram-po izay mahatonga anao ho mora mifankahazo amin’ny olona rehetra.

10 Fa raha velona koa i Jodasy, tsy mety ho vita ny mampandry feizay ny fanjakana indray.»

11 Vao niteny toy izany izy, ny sakaizan’ny mpanjaka sisa izay nankahala an’i Jodasy vao mainka koa nampirehitra fatratra ny hatezeran’i Demetriosa.

12 Nantsoin’io niaraka tamin’izay i Nikanôra, izay efa nifehy ny antokon’ny elefanta, dia nasainy nandeha;

13 nomeny teny an-tsoratra hampamono an’i Jodasy, hampiparitaka ireo namany ary hametraka an’i Alsima ho mpisorona lehibe amin’ny Tempoly mendrika hohajaina.

14 Nanao andiany nivory nanaraka an’i Nikanôra avokoa ireo Jentily nandositra niala tamin’i Jodea teo anoloan’i Jodasy, matoky marina fa ny voina aman-doza manjò ny Jody, dia hody soa ho azy ireo kosa.

I Nikanôra nody nisakaiza tamin’i Jodasy

15 Nony ren’ny Jody ny hiavian’i Nikanôra sy hamelezan’ny Jentily dia nihosim-bovoka izy, sy nivavaka tamin’Ilay nanorina ny vahoakany ho mandrakizay sy niaro tsy tapaka ny lovany, tamin’ny famantarana miharihary.

16 Vao nobaikoin’ny lehibeny izy dia niainga niaraka tamin’izay, ka nandraikitra ady tamin’ny fahavalo tao am-bohitr’i Desao.

17 I Simôna rahalahin’i Jodasy no nandrafitra ny ady tamin’i Nikanôra, nefa tratry ny fisehoan’ny fahavalo tampoka ka voan’ny faharesena kely ihany izy.

18 I Nikanôra anefa nandre ny herim-pon’i Jodasy sy ny namany mbamin’ny fahasahiana niadian’izy ireo ho an’ny tanindrazany, ka natahotra ny hanankina ny raharaha amin’ny fitsarana amin’ny ady.

19 Dia nirahiny i Pôsidôniosa sy i Teôdôty ary i Matatiasa hanolotra ny tanany amin’ny Jody sy handray ny azy.

20 Nony ela no nandinihan’ny jeneraly ny fanekena naposaka dia nambarany tamin’ny tafika rehetra, ka rehefa niharihary fa miray hevitra avokoa izy rehetra no vao nekena ny hifampiraharahana.

21 Nisy andro anankiray notendrena hihaonan’izy roa lahy samy lohany mitokana, dia nankao i Jodasy ary sezam-boninahitra no napetraka ho azy ireo.

22 Nisy miaramila mitam-piadiana anefa, napetrak’i Jodasy tao amin’ny fitoerana tsara rahateo, fandrao misy famadihana tampoka avy amin’ny fahavalo. Tsara resaka izy ireo.

23 Nitoetra andro vitsivitsy tao Jerosalema i Nikanôra, tsy nanao ny tsy marina na dia kely aza, nalefany hody avokoa ny vahoaka nivorynitsitokotoko.

24 Nifankahazo toy ny sakaiza fatratra tamin’i Jodasy izy ary voasintona hiraiki-po aminy mihitsy aza.

25 Notarihiny hanam-bady izy mba hiteraka; dia nanambady tokoa i Jodasy ka nivelona tamim-piadanana sy niarana tamin’ny fiainana.

I Alsima mandrehitra ny fifankahalana ary i Nikanôra mandrahona hamely ny Tempoly

26 Nahita ity fisakaizana nanjaka tamin’izy ireo i Alsima, ka nokôpiaziny ny fanekena natao, dia lasa izy nankany amin’i Demetriosa nilaza taminy fa manao hevitra mifanohitra amin’izay hanasoa ny fanjakana i Nikanôra, satria i Jodasy fahavalon’ny fanjakana indray no notendreny hisolo azy.

27 Nisamontitra ny mpanjaka tamin’izay; nentanin’ny endrikendrik’ilay tsy misoro-doza io izy, ka nanoratra ho an’i Nikanôra nilaza ny tsy fankasitrahany velively ny fanekena natao, sy nandidy azy handefa faingana an’i Makabeo migadra, ho any Antiôkia.

28 Nivarahontsaka foana i Nikanôra no nandray izany taratasy izany; mafy aminy loatra ny hamadika ny fanekena efa raikitra, sady tsy nanao ny tsy marina na dia kely aza i Jodasy.

29 Tsy azony atao anefa ny manohitra ny mpanjaka ka dia izay fotoana tsara hanatanterahany ny didiny, amin’ny tetik’ady, no notadiaviny.

30 I Makabeo kosa tetsy an-daniny nahita fa niolonolona taminy i Nikanôra ary nihanangatsiaka ny fifankahazoany taminy andavanandro; dia nahalala fa tsy fambara tsara velively izany fangatsiaham-po izany, ka namory ny maro tamin’izay momba azy izy dia nihataka tamin’i Nikanôra.

31 Vao hitan’i Nikanôra fa voasingotry ny herim-pikasan’i Jodasy izy, dia nankao amin’ny Tempoly mendrika hohajaina sy masinaizy, raha nanatrika ilay sorona fanao iny ireo mpisorona, ka nandidy azy ireo hanolotra izany lehilahy izany aminy.

32 Nony nilaza marina tamim-pianianana ireo fa tsy nahalala izay misy ny lehilahy tadiaviny akory, dia naninji-tanana tamin’ny tempoly i Nikanôra,

33 sady nianiana nanao hoe: «Raha tsy atolotrareo ahy migadra i Jodasy, ity fitoerana masin’Andriamanitra ity hofongorako hitovy amin’ny tany, ny ôtely horavako, ary tempoly kanto ho an’i Bakosa no hatsangako eto.»

34 Avy niteny izany izy, dia lasa. Ny mpisorona kosa tetsy an-daniny nanangan-tanana niandrandra ny lanitra, niantso ilay niady ho an’ny firenentsika izay ela izay, nanao hoe:

35 «Tompo ô, tsy mila na inona na inona Ianao, nefa sitrakao ho eto afovoanay ny tempoly honenanao.

36 Koa ankehitriny, ry Tompo masina amin’ny fahamasinana rehetra, arovy tsy ho voan’ny loto na inona na inona ity fonenana vao avy nodiovina ity.»

Ny nahafatesan-dRazisa

37 Ary nampangaina tamin’i Nikarôna ity olona anankiray atao hoe Razisa, anankiray amin’ny loholon’iJerosalema, lehilahy tia ny iray tanindrazana aminy izy io, sady tsara laza indrindra, ka natao hoe rain’ny Jody, noho ny soa nataony.

38 Fa tamin’ny andro tany aloha, izay tsy maintsy ho nihatahana tsy hifankazahoana akory amin’ny mpanompo sampy, dia nahatarika fiampangana azy ho manaraka ny fivavahan’ny Jody ary tamim-paharetana tsy azo nohozongozonina no nanaovany vy very ny tenany aman’ainy ho an’ny fivavahan’ny Jody.

39 Tian’i Nikanôra ny haneho famantaran’ny fankahalany ny Jody, ka miaramila 500 lahy mahery no nirahiny hisambotra azy;

40 satria tsy nisalasalany akory fa fahavoazana lehibe ho an’ny Jody ny fisamborana azy.

41 Efa ho azon’io antoko-miaramila io ny tilikambo, efa hidirany an-keriny ny efitra fidirana ary efa nahazo baiko handoro azy sy hanakila ny varavarana izy ireo; kanjo nony efa ndeha hisambotra an-dRazisa izy, niantoraka tamin’ny sabany izy,

42 fa naleony maty amim-boninahitra toy izay voasambotry ny tanan’olo-meloka, sy iharan’ny fanevatevana tsy mendrika ny fiandrianany.

43 Nikorapaka loatra anefa izy, ka tsy voa tamin’ny faritra mety hahafaty ny tenany; nony nahita ity vahoaka nibosesika teo amin’ny varavarana izy, nihazakazaka tamin-kerim-po nankany an-tampon’ny manda, dia nivarina an-kasahiana teo amin’ny vahoaka.

44 Nisava niaraka tamin’izay izy rehetra, ka nisy fitoerana nanjary foana teo, dia teo afovoan’io izy no nianjera.

45 Mbola velona izy ary nirehitra ny fony, ka niarina, nanorika tamin’ny tenany rehetra ny ra, ary na dia voaratra mahatsiravina aza izy dia nihazakazaka namakivaky ny vahoaka nitsangana eo ambonin’ny vatolampy anankiray, nijoro teo,

46 ary efa lany ra mihitsy dia noraotiny ny tsinainy ka natsipiny tamin’ny tanany tao amin’ny vahoaka, dia nangataka tamin’ny Tompon’ny aina amam-panahy izy, mba hamerina izany aminy, indray andro any; toy izany no nahafatesany.

Categories
2Makabeo

2Makabeo 15

Fanevatevan’i Nikanôra an’Andriamanitra

1 Ren’i Nikanôra tamin’izany fa naka toerana any akaikin’i Samaria i Jodasy sy ny namany, ary nikasa hamely azy tsy amin’ahiahy izy amin’ny andro sabata.

2 Nilazan’ireo Jody noterena hanaraka azy izy, nataony hoe: «Aza mamono azy ireo, amin’ny fomba masiaka sy barbarianina toy izany, fa omeo voninahitra ny andro izay efa nohajaina sy nohamasinin’Ilay mitondra izao rehetra izao.»

3 Tamin’izay ity tsy misoro-doza fatin-tany nanontany raha misy Tompo any an-danitra nandidy ny hankalazana ny andro sabata.

4 Ka hoy ireo namaly azy: «Tsy iza fa ny Tompo Andriamanitra velona, ilay Tompo lehibe indrindra any an-danitra, dia Izy no nandidy ny hankalazana ny andro fahafito.»

5 Fa hoy kosa izy: «Izaho koa dia tompo lehibe indrindra eto an-tany ary mandidy handray fiadiana sy hanao ny fanompoana ny manjaka.» Kanjo tsy nahazo nanatanteraka ny fikasan-dratsiny izy.

Famporisihan’i Jodasy sy nofy azony

6 Raha mbola nentanin’ny fitokiany feno avona teo i Nikanôra ka nihevitra hanangana fahatsiarovana ny indray namaboany an’i Jodasy sy ny namany,

7 i Makabeo kosa tsy nitsahatra ny nitoky tamin’ny fanantenana lavorary ny hahazo fanampiana avy amin’ny Tompo.

8 Namporisika ireo nomba azy izy tsy hatahotra ny famelezan’izay firenena, fa hahatsiaro ny vonjy nomen’ny Lanitra azy ireo taloha, hatoky fa Ilay mahefa ny zavatra rehetra, dia mbola hanome azy fanampiana amam-pandresena amin’izany fotoana izany.

9 Nankahereziny izy ireo, tamin’ny teny nalainy tamin’ny lalàna sy ny mpaminany, mbamin’ny fampahatsiarovany azy ny ady efa voatohany, ka nataony feno harisihana mirehitra izy ireo.

10 Nony avy namelona ny herim-pon’ireo indray izy, dia nomeny ny baikony, nasehony azy koa ny famitahan’ny Jentily sy ny fivadihany amin’ny fianianany.

11 Rehefa voahenjany tsirairay avy izy, tsy tamin’ny toky avy amin’ny ampinga aman-defona ihany fa tamin’ny toky avy amin’ny teny soa indrindra, dia notantarainy taminy koa ity nofy mendrika hinoanasy tena fahitana masina ity, izay nahafaly azy rehetra.

12 Izao no hitany: I Oniasa mpisorona lehibeilay lehilahy mpanao soa mora hatonina, malemy fanahy, kanto raha handaha-teny, nikely aina hatramin’ny fahazazany amin’ny fanarahana ny hatsaram-panahy rehetra; naninji-tanana nivavaka ho an’ny firenena Jody manontolo, no nahitany azy.

13 Nanaraka izany, niseho taminy torak’izany koa, izany lehilahy anankiray be fahamendrehana noho ny hamaroan’ny taonany, sy ny tarehiny mahate-hanaja; mahatalanjona ny fijery azy, ary voahodidina fiandrianana mahamena-maso indrindra izy.

14 I Oniasa no niteny ka nanao taminy hoe: «Ity no Jeremia, mpaminanin’Andriamanitra, sakaizan’ny rahalahiny, mazoto mivavaka ho an’ny firenena sy ny tanàna masina.»

15 Raha efa izany, naninjitra ny tanany havanana i Jeremia, nanolotra sabatra volamena an’i Jodasa ka hoy izy teo am-panolorana izany:

16 «Raiso ity sabatra masina ity, famonjen’Andriamanitra ity, ary amin’ity no hanorotoroanao ny fahavalonao.»

Fahavononan’ny mpiady

17 Izany teny mendrika avy amin’i Jodasa izany, izay mety hitarika ny olona hahery fo sy hampitomban-dahy ny tovolahy, dia nampirehitra azy ireo, ka tapa-kevitra tsy hiaro tena fotsiny eo an-toby fa hiantoraka an-kasahiana amin’ny fahavalo, hikiry amin’ny ady, ary hamita ny raharaha, fa ambanan-doza ity ny tanàna, ny fivavahana, ny tempoly.

18 Tamin’izany ady izany, tsy dia noheveriny loatra izay vady aman-janaka, na rahalahy aman-kavana, fa ny nahìny mafy sy voalohany indrindra dia ny tempoly masina.

19 Tsy latsaka noho izany koa ny tebitebin’ireo vahoaka tafajanona tao an-tanàna; nanahy izay hiafaran’ny ady efa ho rafitra any ivelany izy ireo.

20 Raha ny olona rehetra nitaintaina amin’izay hiafaran’ny ady efa antomotra, raha ny fahavalo nivory nilahatra hiady ary ny elefanta efa voalamina amin’ny toerana mety sy ny mpitaingin-tsoavaly teo amin’ny vazan-tafika,

21 i Jodasy kosa, nahita ity vahoaka sesehena, izato hasamihafan’ny fiadiany, izatsy tarehy mahatsiravin’ny elefanta izay voalahatra tsara tokoa, ka nanangan-tanana nanandrandra ny lanitra, niantso ny Tompo manao fahagagana, satria fantany fa tsy avy amin’ny herin’ny fiadiana ny fandresena; fa Andriamanitra no manapaka izany sy manome izany an’izay mendrika azy.

22 Izao no vavaka nataony: «Ry Tompo lehibe indrindra, Ianao tamin’ny andron’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, no naniraka ny Anjelinao sy nandringana miaramila 185.000, tamin’ny tobin’i Senakeriba;

23 koa ankehitriny, ry Tompon’ny lanitra lehibe indrindra, iraho indray ny Anjelinao soa eo anoloanay handrotsaka tahotra amam-badi-po.

24 Ny herin’ny sandrinao anie no hamely an’ireo tonga hamely ny vahoakanao masina, sady miteny ratsy an’Andriamanitra.» Izany no teny nataony.

Faharesen’i Nikanôra sy ny nahafatesany

25 Tamin’izany i Nikanôra sy ny tafiny, nandroso tamin’ny feon-trômpetra aman-kiran’ady.

26 I Jodasy sy ny momba azy kosa nandrafitra ny ady tamim-piantsoana sy fivavahana.

27 Niady tamin’ny tanany izy, ary nivavaka tamin’Andriamanitra tao am-pony, ka 35.000, raha dia kely, no natsingidiny tamin’ny tany; dia faly sy ravo izy ireo tamin’ny vonjy miharihary avy amin’Andriamanitra.

28 Nony vita ny ady, raha ilay niparitaka an-kafaliana iny izy ireo, dia indro hitany niampatra teo koa i Nikanôra nitafy ny akanjo fiadiany;

29 ka hoby sy hahohaho be ihany no nisaorany an’ilay Tompo lehibe indrindra tamin’ny tenin-drazany.

30 Ary i Jodasy ilay nanolo-tena manontolo, vatana amam-panahy, hiaro ny iray tanindrazana aminy, sy nitahiry ny fitiavan’ny hatanorany ho an’ny iray firenena aminy, nandidy ny hanapahana ny lohan’i Nikanôra, mbamin’ny tanany miray amin’ny sandriny, sy ny hitondrana izany any Jerosalema.

31 Nankany koa ny tenany, nantsoiny ny iray firenena aminy mbamin’ny mpisorona dia nankao anoloan’ny ôtely izy; nampanalainy izay ao amin’ny trano mimanda,

32 dia nasehony azy ireo ny lohan’i Nikanôra mbamin’ny tanana nahinjitr’io mpiteny ratsy an’Andriamanitra io tamim-pireharehana, amin’ny fonenana masin’ny Tsitoha.

33 Raha efa izany, notapahiny ny lelan’i Nikanôra mpankahala ny fivavahana, nasainy nomena, voatetika, ho sakafon’ny voromanidina, ary nasainy nahantona tandrifin’ny tempoly, ny tambin’ny hadalany.

34 Fisaorana ny Tompo be voninahitra no nasandratry ny olona rehetra ho any an-danitra, nanao hoe: «Hisaorana anie Ilay niaro ny fonenany tsy voakasi-doto!»

35 Nahanton’i Jodasa teo amin’ny trano mimanda ny lohan’i Nikanôra ho famantarana miharihary sy mety hitan’ny olon-drehetra ny vonjy avy amin’ny Tompo.

36 Nifanarahan’ny olona ny hamoaka didy ampahibemaso mba tsy hamela izany andro izany tsy hankalazaina,

37 fa hankalaza ny andro faha-13n’ny volana faha-12 atao hoe Adara, amin’ny teny siriaka, dia ny omalin’ny andro atao hoe andron’i Mardokea.

Famaranan’ny mpamintina ny tantara

38 Toy izany ny zavatra nitranga momba an’i Nikanôra ary satria hatramin’izany andro izany dia nipetraka ho fananan’ny Hebrio ny tanàna, dia taperiko eo koa ny tantarako.

39 Raha vita amim-pahaizana sy voaforon’ny saina tsara ny filaharan’ny zavatra, dia izany koa no nokendreko; ary raha tsy lavorary sy ratsiratsy aza izy, dia izay no hany azoko natao.

40 Satria toy ny hoe samy tsy tsara ny misotro divay fotsiny, na rano fotsiny, fa ny divay miharo amin’ny rano no tsara sy miteraka fahafinaretana maharavo; toy izany koa ny fahaizana mandahatra ny tantara no mahafinaritra ny sofin’izay mamaky ny tantara, ka dia faranako eto izy.