Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 1

1 Nony maty i Akaba dia niodina tamin’i Israely i Moaba.

2 Ary i Okoziasa potraka avy eny am-baravarankely makarakara, teo amin’ny efitranony ambony, any Samaria, ka narary. Nandefa iraka izy, ary nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo manontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarôna raha ho sitrana amin’ity aretiko ity aho.»

3 Fa hoy kosa ny Anjelin’i Iaveh tamin’i Elia Tesbita: «Mitsangàna ianao, ka miakara hitsena ny iraky ny mpanjakan’i Samaria, dia izao no lazao amin’izy ireo: Moa ny tsy fisian’Andriamanitra any amin’i Israely va no andehananareo hanontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarôna?

4 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: Tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao fa ho faty tokoa.» Dia lasa i Elia.

5 Niverina ho any amin’ny mpanjaka ireto irany, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Fa nahoana no miverina ianareo?»

6 Ary hoy ny navalin’ireo taminy: «Nisy lehilahy niakatra nitsena anay, nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Moa ny tsy fisian’Andriamanitra ao amin’i Israely va no anirahanao hanontany amin’i Beela-Zeboba andriamanitr’i Akarona? Noho izany, tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao, fa ho faty mihitsy.»

7 Dia hoy i Okoziasa tamin’izy ireo: «Manao ahoana no endriky ny lehilahy izay niakatra nitsena anareo izay, sy nilaza izany teny izany taminareo?»

8 Ka hoy izy ireo: «Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany.» Dia hoy i Okoziasa: «I Elia Tesbita izay.»

9 Niaraka tamin’izay, nirahiny ho any aminy ny mpifehy dimampolo anankiray mbamin’ny dimampolo fehiny. Dia niakatra io mpifehy io, nankeo amin’i Elia, ka indro izy nipetraka teo an-tampon-tendrombohitra, ary hoy izy taminy hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô! midìna ianao, hoy ny mpanjaka.»

10 Fa izao no navalin’i Elia an’ity mpifehy dimampolo: «Raha olon’Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao.» Dia milatsaka avy any an-danitra ny afo nandoro azy io sy ny dimampolo fehiny.

11 Naniraka mpifehy dimampolo hafa indray anefa ny mpanjaka, nomban’ny dimampolo fehiny. Ka dia niteny io mpifehy io nanao tamin’i Elia hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, hoy ny mpanjaka.»

12 Fa hoy ny navalin’i Elia tamin’izy ireo: «Raha olon’Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy any an-danitra ny afo handoro anao sy ny dimampolo fehinao.» Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra, ka nandoro an’io sy ny dimampolo fehiny.

13 Mbola naniraka mpifehy dimampolo fahatelo io, ka rehefa tonga dia nandohalika teo anatrehan’i Elia, ary niteny taminy tamim-pitarainana hoe: «Ry olon’Andriamanitra ô, mihanta aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain’ireto dimampolo lahy mpanomponao.

14 Indro fa efa nilatsaka ny afo avy any an-danitra sy nandoro azy roa lahy mpifehy dimampolo talohako, mbamin’ny dimampolo fehiny, fa ankehitriny kosa, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko.»

15 Dia hoy ilay Anjelin’i Iaveh tamin’i Elia: «Miaraha midina amin’io, ary aza matahotra eo anatrehany.» Koa niainga izy, ka niara-nidina taminy ho any amin’ny mpanjaka,

16 ary nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandefa iraka hanontany an’i Beela-Zeboba, andriamanitr’i Akarôna: Moa tsy misy Andriamanitra any amin’i Israely izay azo anontaniana ny teniny? -Koa noho izany, dia tsy hidina hiala eo am-parafara niakaranao ianao, fa ho faty mihitsy.»

17 Dia maty i Okoziasa araka ny tenin’i Iaveh izay nolazain’i Elia, ka i Jôrama no tonga mpanjaka nandimby azy, tamin’ny taona faharoan’i Jôrama, mpanjakan’i Jodà, zanak’i Jôsafata, fa tsy nanana zanaka izy.

18 Ny sisa tamin’ny asan’i Okoziasa mbamin’izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 2

Ny nanalàna an’i Elia, izay nodimbiasan’i Elisea

1 Nony nampakarin’i Iaveh ho any an-danitra amin’ny tafio-drivotra i Elia, dia niara-nandeha avy any Galgalài Elia sy i Elisea.

2 Ary hoy i Elia tamin’i Elisea: «Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho tafahatra any Betela aho.» Fa hoy kosa ny navalin’i Elisea: «Velona i Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao mihitsy aho!» Dia nidina nankany Betela izy ireo.

3 Ary nivoaka nankeo amin’i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Betela, ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va fa halain’i Iaveh anio ny tomponao, avy eo ambonin’ny lohanao?» Dia hoy ny navaliny: «Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina ianareo.»

4 Ary hoy i Elia taminy: «Ry Elisea ô! mijanòna eto, raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho any Jerikô aho.» Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh, ary velona ny ainao, tsy handao anao aho!» Dia tonga tany Jerikô izy ireo.

5 Ary nanatona an’i Elisea ireo zanaky ny mpaminany tao Jerikô, ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va fa halain’i Iaveh anio ny tomponao, avy eo ambonin’ny lohanao?» Dia hoy ny navaliny: «Mahalala izany ihany koa aho, fa mangina ianareo.»

6 Ary hoy i Elia taminy: «Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho any Jordany aho.» Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao aho!» Koa niara-nandeha izy roa lahy.

7 Nisy dimampolo lahy tamin’ny zanaky ny mpaminany nanaraka azy, ary nipetraka eny lavitra eny tandrify azy, ary izy roa lahy dia nijanona teo amoron’i Jordany.

8 Dia nalain’i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin’ny tany maina.

9 Nony tafita izy ireo dia hoy i Elia tamin’i Elisea: «Angataho izay tianao hataoko aminao, alohan’ny hangalana ahy aminao.» Ary hoy ny navalin’i Elisea: «Ny mba hahazo anjara roa amin’ny fanahinao.»

10 Ka hoy i Elia: «Mangataka zava-tsarotra ianao; kanefa raha mahita ahy ianao amin’ny hangalana ahy hiala aminao, dia ho tonga aminao izany; fa raha tsy izany kosa dia tsy ho tonga izany.»

11 Mbola nanohy ny diany sady niresaka eny izy ireo; dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy, ka niakatra ho any an-danitra tamin’ny tafio-drivotra i Elia.

12 Sady nijery i Elisea no niantso hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! Kalesin’i Israely sy mpitaingin-tsoavaliny!» dia tsy nahita azy intsony izy. Tamin’izay nalainy ny fitafiany, notriariny roa,

13 ary noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy. Raha efa izay dia teo amin’i Jordany izy dia nijanona teo amorony.

14 Noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: «Aiza i Iaveh Andriamanitr’i Elia? Aiza Izy?» Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita i Elisea.

15 Nahatazana azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay any Jerikô tandrify azy, ka nanao hoe: «Mipetraka ao amin’i Elisea ny fanahin’i Elia.» Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,

16 ary nanao taminy hoe: «Indro dimampolo lahy mahery fo eto amin’ny mpanomponao, ka aoka handeha hitady ny tomponao izy ireo, fa angamba nofaohin’ny fanahin’i Iaveh izy ka natsipiny any amin’ny tendrombohitra anankiray.» Fa hoy ny navaliny: «Aza maniraka ianareo.»

17 Nefa mbola noteren’izy ireny mafy ihany ka safo-kenatra aza izy, ka nanao hoe: «Iraho izy.» Dia nirahin’izy ireo izy dimampolo lahy, ka nikaroka hateloana, nefa tsy nahita azy.

18 Nony tafaverina teo amin’i Elisea ireo, fa nitoetra tao Jerikô izy, dia hoy izy tamin’ireo: «Tsy efa nilazako va ianareo fa hoe: Aza mandeha.»

Zava-mahagaga roa nataon’i Elisea

19 Ary hoy ny olona tao an-tanàna, tamin’i Elisea: «Araka izao hitan’ny tompoko izao, dia tsara honenana ity tanàna ity, saingy ratsy rano, sady tsy mahavokatra ny tany.»

20 Ka hoy izy: «Itondray lovia vaovao aho, asio sira ao anatiny.» Dia nitondran’ny olona izany izy.

21 Nandeha nankany amin’ny fiandohan’ny rano sy nanipy sira tao izy nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Indro ataoko mahasalama ireto rano ireto, ka tsy hisy fahafatesana na tsy fahavokarana hiseho avy ao intsony.»

22 Dia mahasalama ny rano mandrak’androany araka ny teny nolazain’i Elisea.

23 Niakatra avy tao izy dia nankany Betela; ary raha mbola niakatra teny an-dalana izy, dia nisy ankizy lahy madinika nivoaka avy ao an-tanàna, naniratsira azy hoe: «Miakara ry ilay sola, miakara, ry ilay sola»;

24 dia niherika nijery an’ireo izy, ka nanozona azy tamin’ny Anaran’i Iaveh. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny 42 tamin’ireo ankizy ireo.

25 Avy ao izy dia nankany an-tendrombohitra Karmela; avy ao indray dia niverina ho any Samaria.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 3

Teny mialoha ny nanjakan’i Jôrama tamin’i Israely (852-841)

1 Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folon’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jôrama zanak’i Akaba, ary roa ambin’ny folo taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy aman-dreniny tsy akory, satria nesoriny ilay tsangam-baton’i Baala nataon-drainy.

3 Fa nikiry tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata nampanota an’i Israely izy, ka tsy nialany izany.

Fanafihan’i Israely sy i Jodà an’i Moaba

4 Ary nanana biby fiompy i Mesàmpanjakan’i Moaba, ka nandoa zanak’ondry 100.000 sy ondralahy 100.000, mbamin’ny volony koa, ho an’ny mpanjakan’i Israely.

5 Nony maty anefa i Akaba dia niodina tamin’ny mpanjakan’i Israely ny mpanjakan’i Moaba.

6 Koa nivoaka avy tao Samaria i Jôrama mpanjaka, tamin’izany andro izany, nampanao matso an’i Israely rehetra.

7 Niainga nandeha izy, ka nampilaza tamin’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà hoe: «Niodina tamiko ny mpanjakan’i Moaba ka mba hiaraka amiko hiady amin’i Moaba va ianao?» Ary hoy ny navalin’i Jôsafata: «Eny handeha aho, fa ny tenako dia toy ny tenanao ihany, ny oloko dia toy ny olonao, ny soavaliko toy ny soavalinao.»

8 Dia hoy koa izy: «Iza no lalana hombantsika?» Ka hoy i Jôrama: «Ilay lalan’ny efitr’i Edôma.»

9 Dia niainga ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Jodà ary ny mpanjakan’i Edôma. Nony nandeha lalan-kafitoana izy ireo, dia tsy nisy rano ho an’ny tafika sy ny biby nomba azy,

10 ka hoy ny mpanjakan’i Israely: «Indrisy, ny hanolotra azy eo an-tanan’i Moaba no niantsoan’i Iaveh an’ireto mpanjaka telo ireto!»

11 Fa hoy kosa i Jôsafata: «Tsy misy mpaminanin’i Iaveh va eto, azontsika anontaniana amin’i Iaveh?» Dia namaly ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Eto ihany i Elisea zanak’i Safata ilay nampidina rano tamin’ny tanan’i Elia.»

12 Ka hoy i Jôsafata: «Ao amin’izy iny ny tenin’i Iaveh.» Dia nidina nankany aminy ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, ary ny mpanjakan’i Edôma.

13 Dia hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Mba mitady inona atỳ amiko koa ity ianao? Any amin’ny mpaminanin-dreninao aleha.» Fa hoy ny mpanjakan’i Israely taminy: «Tsia, fa ny hanoloran’i Iaveh an’ireto mpanjaka telo ireto eo an-tanan’i Moaba no niantsoany azy.»

14 Ary hoy i Elisea: «Velona i Iavehn’ny tafika izay itsanganako eto anatrehany, fa raha tsy ny fanajako an’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, dia tsy nasiako raharaha akory ianao, na nojereko akory aza.

15 Fa izao, angalao mpitendry harpa aho.» Ary nony nitendry ilay mpitendry harpa, dia nanindry an’i Elisea ny tanan’i Iaveh,

16 ka hoy izy: «Izao no lazain’i Iaveh: Manaova lavadavaka amin’ity lohasaha ity.

17 Fa izao no lazain’i Iaveh: Tsy hahita rivotra ary tsy hahita ranonorana ianareo, nefa ho feno rano ity lohasaha ity, ka hisotro ianareo, dia ianareo sy ny biby fiompianareo ary ny bibinareo.

18 Mbola zavatra kely eo imason’i Iaveh anefa izany: hatolony eo an-tananareo i Moaba,

19 ka horavanareo ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa indrindra rehetra, hokapainareo ny hazo mamoa rehetra, hotampenanareo ny loharano rehetra, ary hataonareo kila hotohoto amin’ny vato ny tanimboly soa rehetra.»

20 Nony maraina, tamin’ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia indro tonga tokoa ny rano, tamin’ny lalan’i Edôma, ka feno rano ny tany.

21 Nony ren’ny Moabita rehetra fa niakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nantsoiny ny lehilahy rehetra mahetra ny etran-tsabatra ary mihoatra noho izy ireo aza, ka naka toerana hiadiana teo amin’ny sisin-tany izy.

22 Nifoha maraina koa izy ireo, ary nony notarafin’ny masoandro ny rano, dia mena tahaka ny ra no nahitany ny rano tandrify azy.

23 Ka hoy izy: «Ra io!» Nifandringana ireo mpanjaka ireo, nifamely izy samy izy, ka babony amin’izao, ry Moabita ô!

24 Dia nandroso ho any amin’ny tobin’i Israely izy ireo. Kanjo nitsangana i Israely namely ny Moabita, izay vaky nandositra teo anoloany. Dia nitsofohany nasiana hatrany amin’ny taniny i Moaba.

25 Noravany ny tanànany, samy nanipy vato iray tamin’ny tanimboly soa rehetra dia nataony tototra; notampenany ny loharano rehetra; nokapainy ny hazo mamoa rehetra, ary tsy nisy tavela na inona na inona tao Kir-Karoseta afa-tsy ny vato, fa voahodidin’ny mpandefa antsamotady sy nasiany.

26 Nony hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa tsy tantiny ny ady, dia naka fiton-jato lahy mitan-tsabatra voatsoaka homba azy izy hanavatsava hatrany amin’ny mpanjakan’i Edôma, nefa tsy afa-nanao izany izy ireo.

27 Tamin’izay izy naka ity zanany lahimatoa, efa natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho sorona dorana teo ambony manda. Tezitra nisafoaka terỳ i Israely ka nilaozany teo ny mpanjakan’i Moaba fa niverina ho any amin’ny taniny izy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 4

Ny menak’ilay mpananotena

1 Nisy vehivavy anankiray vadin’ny iray amin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisea, nanao hoe: «Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an’i Iaveh ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.»

2 Dia hoy i Elisea taminy: «Inona no azoko atao ho anao? Lazao hoe izay anananao ao an-trano.» Ary hoy ny navalin-dravehivavy: «Tsy manana na inona na inona ao an-trano ny ankizy vavinao afa-tsy diloilo iray tavoara monja.»

3 Ka hoy izy: «Mandehana mindran-tavoara amin’ny mifanolo-bodirindrina aminao rehetra, dia tavoara foana, ka aza atao vitsy loatra.

4 Ary rehefa tafiditra ianao, dia mirindrìna aman-trano ao, ianao sy ny zanako, ka aidino amin’izay tavoara rehetra eo ny diloilo, ary isaky ny misy feno dia atokany.»

5 Dia nandao azy ravehivavy; ary nirindrina aman-trano tao izy sy ireo zanany, ka ireo zanany moa nitondra ny tavoara nankeo aminy, izy kosa nampidina ny diloilo.

6 Rehefa feno ny tavoara dia hoy izy tamin-janany: «Mbola itondray tavoara aho.» Fa hoy ny navalin’ny zanany: «Tsy misy tavoara intsony.» Dia nitsahatra ny diloilo.

7 Koa lasa nilaza izany tamin’ilay olon’Andriamanitra izy ary hoy izy: «Mandehana amidio ny diloilo hanefanao ny trosan’olona aminao, dia hivelomanao sy ny zanakao ny sisa.»

I Elisea mamonjy ilay vehivavy Sonamita sy ny zanany

8 Indray andro i Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo.

9 Ary hoy ravehivavy tamin’ny lahy: «Indro fantatro fa olo-masin’Andriamanitra iny mpandalo eto amintsika matetika iny.

10 Ka handeha isika hanao efitrano kely avomanolotra ny rindrina, ho azy, dia hasiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga amintsika izy.»

11 Dia tonga tao Sonama i Elisea indray andro ka nipetraka tao amin’ilay efitrano avo sy nandry tao.

12 Ary hoy izy tamin’i Giezỳ mpanompony: «Antsoy ilay vehivavy Sonamita.» Dia nantsoin’i Giezỳ ka nandroso nankeo anatrehany.

13 Ary hoy i Elisea tamin’i Giezỳ: «Lazao azy kely izao: Indro nikarakara anay tamin’izao zavatra rehetra izao ianao, ka inona kosa no mety hatao ho anao? Tianao va ny hiresahako amin’ny mpanjaka na amin’ny filohan’ny tafika mba ho anao?» Dia hoy ny navalin-dravehivavy: «Efa monina eto amin’ny fireneko aho.»

14 Ary hoy i Elisea: «Ka inona àry no hatao ho azy?» Dia hoy ny navalin’i Giezỳ: «Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra.»

15 Ary hoy i Elisea: «Antsoy àry izy.» Dia nantsoina izy ka nijanona teo am-baravarana;

16 ka hoy i Elisea taminy: «Raha afaka herintaona amin’izao fotoana izao dia hisafosafo zazalahy ianao.» Fa hoy izy: «Tsia, aza dia laingainao ny ankizivavinao, ry olon’Andriamanitra tompoko.»

17 Ary nanana anaka ravehivavy, ka tera-dahy nony afaka herintaona tamin’izany fotoana izany, araka ny voalazan’i Elisea taminy.

18 Dia nihalehibe ny zaza. Ary indray andro, nankany amin-drainy tany amin’ny mpijinja vary izy,

19 ka nanao tamin-drainy hoe: «Izany an-dohako! Izany an-dohako!» Dia hoy rainy tamin’ny mpanompony: «Ento any amin-dreniny izy.»

20 Nony nentin’ny mpanompo sy nateriny tany amin-dreniny ilay zaza, dia nipetraka teo am-pofoan-dreniny mandra-pitataovovonana ny andro ary tamin’izay dia maty izy.

21 Niakatra nampandry azy teo amin’ny farafaran’ilay olon’Andriamanitra ravehivavy, dia narindriny aman-trano tao ny zaza, ary nivoaka izy,

22 dia niantso ny lahy, nanao hoe: «Aza mahafady, alefaso mankatỳ amiko kely ny anankiray amin’ny mpanomponao sy ny anankiray amin’ny ampondra vavy, hankanesako faingana amin’ilay olon’Andriamanitra, dia hiverina aho.»

23 Fa hoy ny lahy: «Nahoana no hankanesanao any anio? Tsy tsinam-bolana izao, tsy andro sabata akory?» Dia hoy ny navalin-dravehivavy: «Aza manana ahiahy.»

24 Dia nasainy nasiana lasely ny ampondra vavy, ary hoy izy tamin’ny mpanompony: «Tariho lalana aho ka miaingà ary aza mampijanona ahy any an-dalana, raha tsy efa izaho no efa nilaza taminao.»

25 Dia lasa izy, nankany amin’ilay olon’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Vao nahatazana azy teny lavidavitra teny ity olon’Andriamanitra dia nanao tamin’i Giezỳ mpanompony hoe: «Indry ilay vehivavy Sonamita,

26 ka mandehana faingana, tsenao izy, ary ilazao hoe: Tsara ihany va ianao? Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zanakao?» Dia hoy ny navalin-dravehivavy: «Eny.»

27 Nony vao tonga tany amin’ity olon’Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia namihina ny tongony. Nanatona hanifika azy i Giezỳ, fa hoy ny olon’Andriamanitra: «Avelao izy, fa difotr’alahelo ny fony, ary nafenin’i Iaveh tamiko izany, fa tsy nampahalalainy ahy.»

28 Dia hoy ravehivavy: «Moa ve nangata-javatra tamin’ny tompoko aho? Tsy izao va no nataoko: Aza laingainao aho?»

29 Ary hoy i Elisea tamin’i Giezi: «Misikìna ianao, ento eny an-tananao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin’olona aza miarahaba azy; raha arahabain’olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.»

30 Fa hoy ny renin’ny zaza: «Velona i Iaveh! ary velona koa ny fanahinao! ka tsy ilaozako ianao.» Koa nitsangana i Elisea dia nanaraka azy.

31 Nialoha azy ireo i Giezi nametraka ny tehina tamin’ny tavan’ilay zaza nefa tsy nisy feo na famantaran’ny naharenesany. Ka niverina hitsena an’i Elisea izy, nilaza izany taminy, nanao hoe: «Tsy nahatsiaro akory ny zaza.»

32 Nony tonga tao an-trano i Elisea, indro maty ilay zaza ary nandry teo am-parafarany.

33 Nony tafiditra izy dia nirindrina aman-trano tao izy roa lahy ary nivavaka tamin’i Iaveh i Elisea.

34 Dia niakatra nandry teo ambonin’ilay zaza i Elisea: ny vavany nataony tamin’ny vavany, ny masony nataony tamin’ny masony, ny tanany nataony tamin’ny tanany, ny tenany niampatra teo amboniny, ka nihanafana ny tenan’ny zaza.

35 Dia niala teo izy sy nandehandeha eran’ny trano, izay vao niakatra indray niampatra teo ambonin’ny zaza, ka nievina impito ny zaza, dia nihiratra ny mason’ny zaza.

36 Dia niantso an’i Giezỳ i Elisea nanao hoe: «Antsoy ilay Sonamita.» Nony nantsoiny izy dia nankao amin’i Elisea, ka hoy i Elisea taminy: «Raiso ny zanakao.»

37 Nandroso niankohoka tamin’ny tongony ravehivavy sady nihohoka tamin’ny tany, vao nandray ny zanany sy lasa nivoaka.

Ilay vilany nisy poizina

38 Niverina nankany Galgalà i Elisea, ary nisy mosary tamin’ny tany. Nipetraka teo anatrehany ny zanaky ny mpaminanytamin’izany, ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, dia mahandroa ro ho an’ny zanaky ny mpaminany.»

39 Ny iray tamin’izy ireo kosa nivoaka hitsongo anana tany an-tsaha, ka nahita sarisarim-boaloboka maniry ho azy dia nioty voatavomontan’ala tamin’io izy nahafeno ny lambany. Nony tafaverina izy dia notetehiny madinika tao anaty vilany nisy ny hanina ireny, nefa tsy nahalala izany izy ireo.

40 Kanjo nony noloarana hohanin’izy ireo izany, vao nihinana izy ireo, dia nikiakiaka nanao hoe: «Misy mahafaty ao am-bilany, ry olon’Andriamanitra ô!» ka tsy afa-nihinana izy ireo.

41 Dia hoy i Elisea: «Itondray lafarina aho.» Ary narotsany tao am-bilany izany, dia hoy izy: «Arosoy amin’izao hohanin’ny olona.» Izay vao tsy nisy nampaninona intsony tao am-bilany.

Fampitomboana mofo

42 Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’ity olon’Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany; ka hoy i Elisea: «Omeo ny olona hohaniny.»

43 Fa hoy ny navalin’ny mpanompony: «Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan’ny olona zato?» Fa hoy i Elisea: «Omeo ireo olona ireo hohaniny; fa izao no lazain’i Iaveh: Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany.»

44 Dia norosoana izy ireo ka nihinana, nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny tenin’i Iaveh.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 5

Ny nahasitrana an’i Naamàna

1 I Naamàna, komandin’ny tafiky ny mpanjakan’i Siria dia lehilahy manam-pahefana sy tò teny eo amin’ny tompony, fa izy no namonjen’i Iaveh ny Sirianina; nefa boka izany lehilahy matanjaka sy mahery fo izany.

2 Fahizay kosa nisy Sirianina nanao andiany ka nivoaka, ary nitondra zazavavy kely anankiray avy amin’ny tanin’i Israely, izay tonga mpanompon’ny vadin’i Naamàna.

3 Ary hoy io tamin’ny tompovaviny: «Raha mba any amin’ilay mpaminany any Samaria mantsy ny tompoko lahy, dia hositranin’ny mpaminany amin’ny habokany tokoa!»

4 Ka lasa i Naamàna nilaza izany tamin’ny tompony, nanao hoe: «Izao sy izao avy no nolazain’ilay zazavavy kely, avy amin’ny tanin’i Israely.»

5 Dia hoy ny mpanjakan’i Siria: «Mankanesa any, ary hampitondraiko taratasy ny mpanjakan’i Israely.» Dia lasa izy, sady nitondra talenta volafotsyfolo, sy volamena 6.000 sikla, ary akanjo impolo miova.

6 Nateriny tamin’ny mpanjakan’i Israely ilay taratasy misy manao hoe: «Rehefa tonga etỳ aminao àry ity taratasy ity, dia indro hofantarinao fa nirahiko ho atỳ aminao i Naamàna mpanompoko, mba hositraninao amin’ny habokany.»

7 Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: «Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan’ilay iny olona ho atỳ amiko hositraniko amin’ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.»

8 Vao nandre i Elisea olon’Andriamanitra fa hoe: notriarin’ny mpanjakan’i Israely ny fitafiany, dia naniraka izy hilaza amin’ny mpanjaka hoe: «Nahoana ianao no nandriatra ny fitafianao? Aoka hankatỳ amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany eto amin’i Israely.»

9 Dia nandeha i Naamàna mbamin’ny soavaly aman-kalesiny, ka nijanona teo am-baravaran’ny tranon’i Elisea.

10 Olona no nirahin’i Elisea hilaza aminy hoe: «Mandehana mandro impito ao Jordany, fa hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.»

11 Tezitra i Naamàna, ka lasa niombotra nanao hoe: «Indro aho nanao anakam-po hoe: hivoaka hankatỳ amiko izy, ny tenany hiseho eo anatrehako hiantso ny anaran’i Iaveh Andriamaniny sy hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny fery, dia hahasitrana ilay boka.

12 Tsy tsara noho ny ranon’i Israely rehetra va i Abàna sy i Farfara onin’i Damasa? Tsy mahazo mandro ao amin’ireo va aho, ka hadio?» Dia nihodina izy ka lasa niombotra an-katezerana.

13 Fa nanatona kosa ireo mpanompony, ka niteny taminy nanao hoe: «Ry ikaky ô, na zava-tsarotra aza no nasain’ny mpaminany nataonao moa tsy ho nataonao ihany va? Ka mainka fa izao fotsiny no nataony taminao: Mandroa dia hadio ianao!»

14 Nidina izy ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’ny olon’Andriamanitra ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ka nadio izy.

15 Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: «Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra hafa-tsy eto amin’i Israely ihany! Koa ankehitriny dia aoka handray ny fanatitra avy amin’ny mpanomponao ianao.»

16 Fa hoy i Elisea: «Velona i Iaveh izay itoerako eo anatrehany, ka dia tsy handray mihitsy aho.» Mbola nanery azy handray ihany i Naamàna, nefa tsy nety izy.

17 Ka hoy i Naamàna: «Rehefa tsy mety ianao, dia avelao kosa ny mpanomponao mba homena tany zakan’ny mole roa, satria tsy tian’ny mpanomponao intsony ny manatitra sorona dorana na sorona, amin’andriamani-kafa, afa-tsy amin’i Iaveh ihany.

18 Fa aoka havelan’i Iaveh ny mpanomponao amin’izao ihany: raha miditra ao an-tranon-dRemôna ny tompoko mba hivavaka ao sy mitehina amin’ny tanako izy, dia mba miankohoka ao amin’ny tranon-dRemôna koa aho; i Iaveh anie hamela ny mpanomponao amin’izany hiankohofako ao amin’ny tranon-dRemôna izany.»

19 Dia hoy i Elisea taminy: «Mandehana amim-piadanana!» Dia nilaozan’i Naamàna izy.

20 Vao lasa kelikely izy, dia hoy kosa i Giezi mpanompon’i Elisea olon’Andriamanitra anakampony: «Mitsimbina an’i Naamàna Sirianina ny tompoko, ka tsy nandray avy amin’ny tanany ny zavatra nentiny. Velona i Iaveh! fa hihazakazaka hanaraka azy aho, ka hahazo zavatra aminy.»

21 Dia rafitra nanaraka an’i Naamàna i Giezi. Vao nahatazana azy nihazakazaka nanaraka azy i Naamàna, dia nidina niala tamin’ny kalesiny hitsena azy, ka nanao hoe: «Tsara ihany daholo va?»

22 Dia hoy i Giezi; «Tsara daholo ihany. Nirahin’ny tompoko aho hilaza aminao hoe: Indro fa misy tovolahy roa lahy amin’ny zanaky ny mpaminany, vao tonga atỳ amiko avy any amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka raha sitrakao, mba omeo talenta volafotsy iray sy fitafiana indroa miova kely ho azy ireo.»

23 Ary hoy i Naamàna: «Aoka re ho talenta roa no horaisinao.» Sady nanery azy izy no nanisika tao anaty lasàka roa ny talenta roa mbamin’ny fitafiana indroa miova, dia napetrany tamin’ny mpanompony roa lahy izay hoentiny eo alohan’i Giezỳ.

24 Nony tonga tao amin’ny havoana, nalain’i Giezi teny an-tanan’ireo izany, napetrany tao an-trano, dia nandefa ireo olona ireo izy ka lasa ireo.

25 Dia lasa niseho teo anatrehan’ny tompony izy, ka hoy i Elisea taminy; «Avy taiza ity ianao, ry Giezi?» Dia hoy izy namaly hoe: «Tsy taiza tsy taiza ny mpanomponao.»

26 Fa hoy i Elisea taminy: «Tsy niaraka taminao va ny fanahiko, tamin’ilay nilaozan-dralehilahy ny kalesiny hitsena anao? Moa va izao no fotoana fandraisam-bola, na fandraisam-pitafiana, na ôliva, na voaloboka, na ondry, na omby na mpanompo lahy sy vavy?

27 Koa hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan’i Naamàna!» Dia niala teo anatrehan’i Elisea i Giezi ka fotsy hoatry ny oram-panala izy azon’ny habokana.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 6

Ilay famaky very ka hita

1 Ary hoy ny zanaky ny mpaminany tamin’i Elisea: «Ety loatra ho anay ny toerana hipetrahanay eto anatrehanao.

2 Ka aoka hankany Jordany izahay dia haka sakamandimby iray avy, hanaovanay trano hitoeranay any.» Dia hoy ny navaliny: «Mandehana àry.»

3 Fa hoy kosa ny anankiray tamin’izy ireo: «Aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao koa ianao.» Ary namaly izy hoe: «Handeha aho»; ka dia lasa niaraka taminy izy.

4 Nony tonga tany Jordany izy ireo, dia nikapa hazo.

5 Kanjo latsaka tany anaty rano ny lela famakin’ny anankiray tamin’izy ireo, tamin’ny nikapany sakamandimby ka nikiaka indray niantso izy nanao hoe: «Indrisy, tompoko! sady zavatra nindramina iny.»

6 Ary hoy ity olon’Andriamanitra; «Taiza no nahalatsahany?» Dia natorony azy ny toerana. Ka nanapaka tapa-kazo iray i Elisea natsipiny tamin’io toerana io, dia nitsinkafona ilay lela famaky.

7 Ary hoy izy: «Raisonao izy.» Dia natsotrany ny tanany ka noraisiny.

I Elisea mambabo antoko-miaramila Arameanina

8 Niady tamin’i Israely ny mpanjakan’i Siria. Nivory nidinika tamin’ny mpanompony izy ka niteny hoe: «Any Ananona sy Ananona no hitobiako.»

9 Fa naniraka hilaza amin’ny mpanjakan’i Israely ny olon’Andriamanitra hoe: «Tandremo fandrao mandalo any Ananona ianao, fa midina any ny Sirianina.»

10 Dia naniraka olona ho any amin’ny toerana voalaza sy natoron’ny olon’Andriamanitra ny mpanjakan’i Israely, ka niambina tsara teny, tsy indray mandeha na indroa ihany.

11 Nahavelona ahiahy ny fon’ny mpanjakan’i Siria izany fihetsi-miaramila izany, ka niantso ny mpanompony izy, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: «Tsy tianareo hambara amiko va izay momba ny mpanjakan’i Israely eto amintsika?»

12 Fa namaly kosa ny iray tamin’ireo mpanompony nanao hoe: «Tsy iza tsy iza, ry mpanjaka tompoko ô, fa i Elisea mpaminany ao amin’i Israely ihany, no milaza amin’ny mpanjakan’i Israely, na dia izay teny lazainao ao an’efitrano fandrianao aza.»

13 Ka hoy ny mpanjaka: «Mandehana zahao izay itoerany, hanirahako hisambotra azy.» Dia nisy nilaza taminy hoe: «Indro izy, any Dôtàna.»

14 Koa nandefa soavaly aman-kalesy ary miaramila betsaka, antokony iray, ho any izy; dia tonga alina tany ireo, ka notemerany ny tanàna.

15 Nifoha maraina koa kosa ny mpanompon’ny olon’Andriamanitra, ka nivoaka, ka indro antoko-miaramila anankiray manodidina ny tanàna omban-tsoavaly aman-kalesy. Ary hoy ilay mpanompo tamin’i Elisea hoe: «Indrisy tompoko, ahoana no hataontsika?»

16 Fa hoy ny navaliny: «Aza matahotra na inona na inona, fa be noho ny momba azy ny momba antsika.»

17 Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.

18 Nony nirotsaka ho eo amin’ity olon’Andriamanitra ny Sirianina, nivavaka tamin’i Iaveh kosa i Elisea nanao hoe: «Raha sitrakao, asio fahajambana io firenena io.» Dia nasian’i Iaveh fanjambana ireo, araka ny tenin’i Elisea.

19 Ka hoy i Elisea taminy: «Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna, fa izaho arahina, dia hitarika anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo.» Ary tany Samaria no nitarihany azy ireo,

20 ka nony tafiditra tao Samaria izy, dia hoy i Elisea: «Iaveh ô, sokafy ny mason’ireto olona ireto, mba hahitany.» Nosokafan’i Iaveh ny mason’izy ireo dia nahita, ka indro fa tao afovoan’i Samaria izy.

21 Nony nahita azy ireo kosa ny mpanjakan’i Israely, dia nilaza tamin’i Elisea hoe: «Hasiako amin’izao ve, hasiako amin’izao ve, ry ikaky ô?»

22 Fa namaly i Elisea hoe: «Aza mamely. Izay azonao babotamin’ny sabatra aman-tsipìkanao no asio, fa ireto kosa rosoy mofo sy rano hohaniny sy hosotroiny, dia aoka izy handeha ho any amin’ny tompony.»

23 Koa nasain’ny mpanjakan’i Israely nanaovana fanasana lehibe izy ireo, dia nihinana sy nisotro, vao nalefany handeha ho any amin’ny tompony. Izay dia tsy niverina tamin’ny tanin’i Israely intsony ny mpitoha ady Sirianina.

Voan’ny mosary i Samaria nafahy rano

24 Taorian’izany, novorin’i Benhadadampanjakan’i Siria ny tafiny rehetra, dia niakatra nanao fahirano an’i Samaria izy.

25 Nisy mosary lehibe tao Samaria, ary indro fa mafy loatra no nanaovana fahirano azy ka lafo volafotsy valopolo sikla ny loham-boriky iray, ary volafotsy dimy sikla, ny taim-boromahailala ampahefatry ny kaba.

26 Nony nandalo teny ambonin’ny manda kosa ny mpanjakan’i Israely, dia nisy vehivavy anankiray nitaraina taminy hoe: «Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko ô!»

27 Dia hoy izy: «Raha i Iaveh tsy mamonjy anao, amin’inona no azoko amonjena anao? Amin’ny vokatry ny famoloana sa amin’ny famiazam-boaloboka?»

28 Hoy koa ny mpanjaka taminy: «Maninona ianao?» Dia hoy ilay vehivavy: «Ravehivavy ity no nanao tamiko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, fa ny ahy kosa hohanintsika rahampitso.

29 Ary efa nandrahoinay sy nohaninay ny zanako. Nony ampitso anefa nilazako izy nataoko hoe: Aiza ny zanakao hohanintsika? Kanjo efa nafeniny ny zanany!»

30 Nony nandre ny tenin’io vehivavy io ny mpanjaka, dia nandrovitra ny fitafiany raha ilay nandalo teny ambony manda iny izy, ary hitan’ny vahoaka, ka indro ambanin’ny fitafiany, nitafy lasàka manolo-koditra azy izy.

31 Ary hoy ny mpanjaka: «Hataon’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tafajanona eo amin’ny tenany ihany anio ny lohan’i Elisea zanak’i Safata.»

Ambaran’i Elisea fa hitsahatra haingana ny fitsapana

32 Ary dieny mbola nipetraka tao an-tranony i Elisea, ary nipetraka teo aminy koa ny loholona, dia naniraka olona avy ao aminy ny mpanjaka. Tsy mbola tonga tao amin’i Elisea akory anefa ilay iraka, dia hoy i Elisea tamin’ny loholona: «Fantatrareo va fa naniraka olona hanala amiko ny lohako ilay zanaky ny mpamono olona iny? Tandremo fa rehefa tonga ny iraka, dia akatòny ny varavarana, tereo amin’ny varavarana izyInjay re manaraka any aoriany koa ny fingadongadon’ny tongotry ny tompony.»

33 Mbola niteny tamin’ireo izy, dia tafidina nankeo aminy sahady ilay iraka, ka nanao hoe: «Indro avy amin’i Iaveh izao loza izao, ka inona intsony no azoko antenaina amin’i Iaveh?»

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 7

1 Fa hoy i Elisea: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo. Izao no lazain’i Iaveh: Rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana.»

2 Fa namaly an’ity olon’Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany, ka nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Dia hoy i Elisea: «Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao.»

Foana olona ny lasin’ny Amôreana

3 Teo anoloan’ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: «Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?

4 Raha ny hankao an-tanàna no fidintsika, dia ao an-tanàna ny mosary ka ho faty ao isika; raha mijanona eto indray, ho faty ihany koa. Koa andeha hitsoboka any an-tobin’ny Sirianina: Mamelona antsika moa izy, dia velona isika, mamono kosa izy dia ho faty isika.»

5 Dia niainga izy nony takariva, nankany an-tobin’ny Sirianina; ka tonga teo amin’ny fidiran’ny tobin’ny Sirianina izy, ka indro fa tsy nisy olona teo.

6 Fa tao an-tobin’ny Sirianina, dia nampandrenesan’i Iaveh fingodongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Injao fa nanamby ny fanjakan’ny Heteanina sy ny mpanjakan’ny Ejiptianina ho tonga hamely antsika ny mpanjakan’i Israely.»

7 Dia niainga izy ireo, ka iny takariva iny ihany dia rifatra nandositra, nilaozany teo ny lainy, ny soavaliny, ny ampondrany, dia ny tobiny araka izay nanorenana azy ka nitsoaka namonjy ny ainy izy.

8 Nitsofoka tamin’ny lay anankiray ireto boka efa-dahy, nony tonga tao amin’ny fidiran’ny toby, ary rehefa nisotro sy nihinana dia naka volafotsy sy volamena amam-pitafiana, ka nandeha nanafina azy. Niverina indray izy nitsofoka tamin’ny lay hafa, naka zavatra sy nanafina koa.

Nitsahatra ny fanafihana sy ny mosary

9 Izay izy ireo vao nifampilaza hoe: «Tsy mety izao ataontsika izao, fa andro filazan-java-tsoa mahafaly anio, ka raha mangina isika ka miandry mandra-pahazavan’ny andro, dia hahazo sazy. Ka avia àry handeha isika hilaza amin’ny ao an-tranon’ny mpanjaka.»

10 Dia niainga izy ireo, ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna, ary izao no filazàna nataony: «Nitsofoka tany an-tobin’ny Sirianina izahay, ka indro tsy misy olona, na feon’olona akory, fa soavaly mifatotra, ampondra mifatotra, ary lay amin’ny toetra nananganana azy no hany ao.»

11 Rafitra nihoby ny mpiambim-bavahady, sady nitondra ny vaovao tany anatin’ny tranon’ny mpanjaka.

12 Nifoha mbola alina ny mpanjaka, dia nilaza tamin’ny mpanompony hoe: «Tiako hambara aminareo izay ataon’ny Sirianina amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka niala tamin’ny tobiny izy; niery any an-tsaha any, sy nifampilaza hoe: Rehefa tafavoaka ny tanàna ireny, dia hataontsika sambo-belona, ka hidirantsika ny tanàna.»

13 Dia niteny ny iray tamin’ny mpanompony nanao hoe: «Aoka ny dimy amin’ny soavaly sisa velona eto an-tanàna no halaina, – fa indreo izy ka toy ny be sy ny maro amin’i Israely tafajanona ao, indreo izy fa tahaka ny be sy maro amin’i Israely izay mandroso ho faty, – ka alefaontsika hizaha izany.»

14 Dia nalaina ny kalesy roa mbamin’ny soavaliny, ka nandefa ny olona hanaraka ny dian’ny tafiky ny Sirianina, ny mpanjaka, nanao hoe: «Mandehana ianareo mizaha azy.»

15 Koa nandeha nanaraka azy hatrany Jordany ireo; ary indro ny lalam-be rehetra dia rakotry ny fitafiana amam-panaka narian’ny Sirianina, tamin’ny fikoropahany nandositra. Nony niverina ny iraka dia nilaza izany tamin’ny mpanjaka.

16 Nivoaka namabo ny tobin’ny Sirianina ny vahoaka, ka sikla iray dia nahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, sikla iray dia nahazo orja indroan’ny famarana, araka ny tenin’i Iaveh.

17 Ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany no napetrany niambina ny vavahady, kanjo voahosihosin’ny tongotry ny vahoaka io manamboninahitra io; ka maty, araka ilay teny voalazan’ny olon’Andriamanitra, tamin’ny mpanjaka nidina tany aminy.

18 Izany tokoa, satria raha niteny tamin’ny mpanjaka ny olon’Andriamanitra nanao hoe: «Iray sikla dia hahazo orja indroan’ny famarana, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran’ny famarana, rahampitso toy izao, eo am-bavahadin’i Samaria,»

19 dia namaly ny olon’Andriamanitra kosa ilay manamboninahitra nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany, na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Ary i Elisea efa nanao hoe: «Indro fa ho hitan’ny masonao izany, fa tsy mba hihinananao.»

20 Dia tanteraka taminy izany, fa voahosihosin’ny tongotry ny vahoaka tao am-bavahady izy, ka maty.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 8

Fiafaran’ny tantaran’ilay Sonamita

1 Ilay vehivavy maty anaka novelomin’i Elisea, dia efa nilazany hoe: «Miaingà ianao, ka mandehana mitoetra any amin’izay azonareo itoerana any, ianao sy ny fianakavianao. Fa efa nanafatra ny mosary I Iaveh, ka tamy tokoa ny mosary, sady haharitra fito taonaamin’ny tany.»

2 Koa niainga ravehivavy hanao araka ny voalazan’ny olon’Andriamanitra, ary lasa nandeha izy sy ny ankohonanay, ka nitoetra fito taona tany amin’ny tanin’ny Filistinina.

3 Nony afaka fito taona, tafaverina avy any amin’ny tanin’ny Filistinina ravehivavy ka nandeha hitaraina amin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany.

4 Ny mpanjaka kosa, niresaka tamin’i Giezi mpanompon’ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: «Mba tantarao amiko kely ny zava-dehibe nataon’i Elisea.»

5 Mbola niresaka tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nananganan’ny tompony olona iray amin’ny maty teo izy, no inty ilay vehivavy renin’ny zaza maty novelomin’i Elisea, nanomboka nitalaho tamin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany, ka hoy i Giezỳ: «Ry mpanjaka tompoko ô: inty eto ilay vehivavy, indro eo koa ilay zanany maty novelomin’i Elisea.»

6 Dia nanontanian’ny mpanjaka ravehivavy, ka nitantara izany taminy; dia nomen’ny mpanjaka eonòka anankiray izy, nataony hoe: «Asaovy averina aminy avokoa ny saha rehetra, hatramin’ny nialany tatỳ, ka mandrak’ankehitriny.»

I Elisea sy i Hazaela avy any Damasa

7 Nankany Damasa i Elisea: ary narary i Benhadada mpanjakan’i Siria, ka nilazan’ny olona izy, natao hoe: «Tonga eto ilay olon’Andriamanitra.»

8 Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hazaela: «Mitondrà fanomezana ianao, mandehana mitsena ilay olon’Andriamanitra, ary izy no anontanio izay tenin’i Iaveh, ataovy hoe: Mbola ho velona amin’ity aretina ity va aho?»

9 Nandeha nitsena azy i Hazaela ary nentiny niaraka taminy hatao fanatitra ho azy izay zava-tsoa indrindra tao Damasa, dia entan-drameva efapolo. Nony tonga izy, dia niseho teo anatrehany, nanao hoe: «Irahin’i Benhadada mpanjakan’i Siria zanakao aho, hiteny hoe: Ho velona aorian’ity aretina ity va aho?»

10 Ary hoy i Elisea taminy: «Mandehana, lazao azy hoe: Ho velona marina tokoa ianao. Nefa nasehon’i Iaveh amiko fa ho fatymihitsy izy.»

11 Dia nibanjina an’i Hazaela ity olon’Andriamanitra, ka nohandrininy teo io, hany ka nahamenatra azy; dia nitomany ny olon’Andriamanitra.

12 Ka hoy i Hazaela: «Nahoana no mitomany ny tompoko?» Dia hoy ny navalin’i Elisea: «Satria tsinjoko ny ratsy hataonao amin’ny zanak’i Israely. Hodoranao amin’ny afo ny tanànany mimanda: hovonoinao amin’ny sabatra ny tovolahy ao aminy, hotorotoroinao ny ankizy madinika, ary hotatahanao ny kibon’ny vehivavy bevohoka.»

13 Fa hoy i Hazaela: «Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany?» ary namaly i Elisea: «Efa nasehon’i Iaveh tamiko fa ho mpanjakan’i Siria ianao.»

14 Nony niala teo amin’i Elisea i Hazaela dia niverina nankao amin’ny tompony, ka nanontaniany hoe: «Ahoana no nolazain’i Elisea taminao?» Ary namaly izy hoe: «Izao no nolazainy: ‹Ho velona marina tokoa ianao.› »

15 Ny ampitson’izay naka firakofana anankiray i Hazaela natsobony tamin’ny rano, dia nasarony ny tavan’ny mpanjaka, ka maty io; ary i Hazaela no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Jôrama tany Jodà

16 Tamin’ny taonafahadimin’ny nanjakan’i Jôramazanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, raha mbola mpanjakan’i Jodà i Jôsafata, no vao nanjakan’i Jôrama zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

17 Efa 32 taona izy fony tonga mpanjaka, ary valo taona no nanjakany tao Jerosalema.

18 Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanakavavin’i Akabano vadiny, ka nanao ratsy eo imason’i Iaveh izy.

19 Tsy naringan’i Iaveh anefa i Jodà noho ny amin’i Davida mpanompony, araka ny fampanantenany hanome azy jirotsy tapaka eo amin’ny taranany.

20 Tamin’ny androny no nialan’i Edôma tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà, fa nanangana mpanjaka ho azy.

21 Ka nankany Seirài Jôrama nomban’ny kalesy rehetra; nifoha mbola alina izy namono ny Edômita manodidina azy, sy ny lehiben’ny kalesy, ary nandositra nankany an-dainy ny vahoaka.

22 Nitsoaka tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà intsony i Edôma, mandrak’androany. Tamin’izany fotoana izany ihany koa, no nitsoaka ho afaka i Lobnà.

23 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôrama mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

24 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôrama, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida; dia i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Okoziasa tany Jodà (841)

25 Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Jôrama, zanak’i Akaba, mpanjakan’i Israely, no vao nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama, mpanjakan’i Jodà.

26 Efa roa amby roapolo taona i Okoziasa, fony tonga mpanjaka, ary herintaona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Atalia, zanak’i Amrì, mpanjakan’i Israely.

27 Nandeha tamin’ny lalan’ny taranak’i Akaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh toy ny taranak’i Akaba fa vinanton’ny taranak’i Akaba izy.

28 Niara-nandeha tamin’i Jôrama, zanak’i Akaba izy, hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tany Ramôta, any Galaada. Voaratran’ny Sirianina i Jôrama,

29 ka niverina ho any Jezrahela hampitsabo tena amin’ny ratra namelezan’ny Sirianina azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Nidina i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba ao Jezrahela fa narary izy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 9

Mpianatr’i Elisea manolotra an’i Jehò ho mpanjaka

1 Ary niantso ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany i Elisea mpaminany, ka nanao hoe: «Misikìna ianao; raiso eo an-tananao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramôta any Galaada.

2 Rehefa tonga any ianao, zahao i Jehò zanak’i Jôsafata zanak’i Namsì, ka rehefa tafahàtona eo anilany dia asaovy mitsangana avy eo amin’ireo rahalahiny izy, dia ento mankany an’efitrano mangingìna,

3 ary raiso ny tavoara misy diloilo, aidino amin’ny lohany, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Hosorako ho mpanjakan’i Israely ianao. Dia vohay ny varavarana ka mandosira fa aza mijanonjanona.»

4 Dia nandeha ilay zatovo, mpanompon’ny mpaminany, ho any Ramôta, any Galaada.

5 Nony tonga izy, indreo ny lehiben’ny tafika mipetraka eo, ka hoy izy: «Ry Komandy ô, misy teny kely holazaiko aminao.» Ary hoy i Jehò: «Amin’iza aminay ireto?» Dia namaly izy: «Aminao, Komandy.»

6 Koa nitsangana nankao an-trano i Jehò, ary ilay zatovo kosa sady nanidina ny diloilo tamin’ny lohany no nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Hosorako ho mpanjakan’i Israely vahoakan’i Iaveh ianao.

7 Hamely ny tranon’i Akaba tomponao ianao, ary hampanodiaviko an’i Jezabela ny ran’ny mpaminany mpanompoko, sy ny ran’ny mpanompon’i Iaveh rehetra.

8 Haringanany tranon’i Akaba rehetra, hofongorako ny lahy rehetra izay an’i Akaba, na ny mpanompo olona na ny olona afaka amin’i Israely,

9 ka hampanahafiko ny tranon’i Jerôbôamazanak’i Nabata sy ny an’i Baasàzanak’i Ahià, ny tranon’i Akaba.

10 Hohanin’ny alika eo amin’ny sahan’i Jezrahela i Jezabela, ary tsy hisy olona handevina azy.» Dia novohan’ilay zatovo ny varavarana, ka lasa nandositra izy.

I Jehò atsangana ho mpanjaka

11 Fa i Jehò nivoaka nankao amin’ny mpanompon’ny tompony, ka hoy ireo taminy hoe: «Tsara ihany daholo va? Fa ahoana no nalehan’ilay adala iny tao aminao?» Dia hoy ny navalin’izy ireo: «Samy fantatrareo ihany, na ralehilahy na ny teniny.»

12 Fa namaly izy ireo nanao hoe: «Lainga izany, fa ambarao aminay izany!» ary hoy izy hoe: «Izany sy izany no nolazainy tamiko, nataony hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Hosorako ho mpanjakan’i Israely ianao.»

13 Niaraka tamin’izay samy nandray ny kapaotiny avy izy ireo sy nanao azy teo ambanin’i Jehò, teo an-tampon’ny ambaratonga; dia notsofiny ny anjomara, ka hoy izy: «I Jehò no mpanjaka!»

I Jehò manomana ny fakàna ny fahefana

14 Nanao teti-dratsy i Jehò zanak’i Jôsafata, zanak’i Namsì, hamely an’i Jôrama. I Jôrama sy i Israely rehetra tamin’izany, dia niaro an’i Ramôta any Galaada, tsy ho azon’i Hazaela mpanjakan’i Siria,

15 saingy niverina nankany Jezrahela i Jôrama mpanjaka hampitsabo tena amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy, tamin’izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ka hoy i Jehò: «Raha maniry izany àry ianareo, aza misy mitsoaka eto an-tanàna ny olona, ka handeha hilaza izany any Jezrahela.»

16 Dia niakatra teo amin’ny kalesiny i Jehò, ka niainga nankany Jezrahela, fa nandry tany i Jôrama, ary nidina namangy an’i Jôrama any koa i Okoziasa mpanjakan’i Jodà.

17 Tazan’ny mpitily nitoetra tao an-tampon’ny tilikambon’i Jezrahela kosa ny niavian’ny antoko-miaramilan’i Jehò ka nolazainy hoe: «Mahatazana antoko-miaramila aho.» Ary hoy i Jôrama: «Makà mpitaingin-tsoavaly anankiray, iraho hitsena azy ireo ka hanontany hoe: Fihavanana va izao?»

18 Dia nandeha nitsena an’i Jehò ny mpitaingin-tsoavaly, ka nanao hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: Fihavanana va izao?» Fa namaly i Jehò nanao hoe: «Mampaninona anao izay fihavanana? Fa avia atỳ aoriako ianao!» Nampandre izany ny mpitily nanao hoe: «Lasa tafapaka teny aminy ny iraka, nefa tsy niverina.»

19 Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany i Jôrama; ka tonga teny izy ary nanao hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: Fihavanana va izao?» Fa namaly i Jehò nanao hoe: «Mampaninona anao izay fihavanana? Avia atỳ aoriako ianao!»

20 Koa nampandre izany ny mpitily nanao hoe: «Lasa tafapaka teny aminy ny iraka nefa tsy niverina. Sahala amin’ny fitarik’i Jehò zanak’i Namsì ny fitariny, fa nitarika toy ny olona adala izy.»

21 Dia hoy i Jôrama: «Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly.» Dia natao tamin’ny kalesy ny soavaly. Nivoaka samy tamin’ny kalesiny avy, i Jôrama mpanjakan’i Israely, sy i Okoziasa, mpanjakan’i Jodà, nivoaka nitsena an’i Jehò, ka nifanena taminy tao amin’ny sahan’i Nabôta, any Jezrahela.

Ny namonoana an’i Jôrama

22 Raha nahita an’i Jehò i Jôrama, dia nanao taminy hoe: «Fihavanana va izao, ry Jehò?» Fa namaly kosa i Jehò: «Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan’i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony?»

23 Dia nampihodina ny kalesiny i Jôrama, nitsoaka nandositra, sady nilaza tamin’i Okoziasa hoe: «Fivadihana ity, ry Okoziasa.»

24 Fa noraisin’i Jehò teo an-tanany kosa ny tsipìkany, nasiany i Jôrama teo anelanelan’ny sorony; tafagorobaka tamin’ny fony ny zana-tsipìka, ka nitambotsotra tao anaty kalesiny tao i Jôrama.

25 Ary hoy i Jehò tamin’i Badakera lefiny: «Raiso io, atsipazo ao anatin’ny sahan’i Nabôta ao Jezrahela, satria tsarovy ilay izaho sy ianao niara-nitaingin-tsoavaly nanaraka an’i Akaba iny, ka nitenenan’i Iaveh izao teny nihatra taminy izao hoe:

26 Marina fa toy ny nahitako omaly ny ran’i Nabôta sy ny ran-janany, – teny marin’i Iaveh izao, dia hataoko todîn’izany ianao ato amin’ity saha ity ihany, – teny marin’i Iaveh izao; koa raiso io, atsipazo amin’ny saha araka ny tenin’i Iaveh.»

Ny namonoana an’i Okoziasa

27 Raha nahita izany i Okoziasa mpanjakan’i Jodà, dia nandositra tamin’ny lalan’ny tranon’ny zaridaina. Fa nenjehin’i Jehò izy sady nataony hoe: «Asio ao anaty kalesiny ao ihany koa iny.» Dia nasian’ny olona izy, teo amin’ny fiakaran’i Gavera, akaikin’ny Jeblaama. Nandositra nankany Magedao izy, dia maty tao.

28 Nentin’ny mpanompony tamin’ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka naleviny tao am-pasany, tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida.

29 Tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Jôrama, zanak’i Akaba, no nahatongavan’i Okoziasa ho mpanjakan’i Jodà.

Ny namonoana an’i Jezabela

30 Dia niditra tao Jezrahela i Jehò. Raha nandre izany i Jezabela dia notentenany ny masony, noravahany ny lohany, ka nitsidika teo am-baravarankely izy.

31 Nony niditra ny vavahady i Jehò dia hoy izy: «Fihavanana va izao, ry Zamrì, mpamono tompo?»

32 Niandrandra tany am-baravarankely izy, dia nanao hoe: «Iza no momba ahy?» Eonòka roa na telo no nitsirika azy,

33 dia nataony hoe: «Azerao atỳ ambany izy io!» Dia nazeran’ireo izy, ka nifantsitsìtra tamin’ny rindrina sy ny soavaly ny rany, ary nohosen’i Jehò tamin’ny tongony izy.

34 Raha efa izany dia niditra izy ary nihinana sy nisotro ka nanao hoe: «Mandehana tsiriho ilay vehivavy voaozona dia aleveno, fa zanaky ny mpanjakaizy.»

35 Dia nandeha handevina azy izy ireo, kanjo ny karandohany sy ny tongony amam-pelatanany sisa tratrany teo.

36 Ka niverina nilaza izany tamin’i Jehò izy, fa hoy izy: «Izany no tenin’i Iaveh notononiny tamin’ny alalan’i Elia Tesbita, nataony hoe: Hohanin’ny alika ao amin’ny sahan’i Jezrahela ny nofon’i Jezabela, ary hanahaka ny zezika eo ambonin’ny tany ao amin’ny sahan’i Jezrahela ny fatin’i Jezabela, ka tsy ho azo lazaina akory hoe: I Jezabela ity.»

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 10

Ny namongorana ny fianakavian’ny mpanjakan’i Israely

1 Nisy zanak’i Akaba fitopolo lahy tany Samaria, ka nanoratra taratasy i Jehò nampitondrainy tany Samaria ho an’ny lehiben’i Jezrahela, dia ny loholona, ary ho an’ny tonian’ny fikarakarana ny zanak’i Akaba, ary izao no teniny:

2 «Raha vao tonga atỳ aminareo ity taratasy ity, – satria mbola eo aminareo ny zanaky ny tomponareo, eo aminareo koa ny kalesy aman-tsoavaly mbamin’ny tanàna mimanda sy ny fiadiana,

3 dia zahao izay tsara sy mety indrindra amin’ny zanaky ny tomponareo ka apetraho ao amin’ny seza fiandrianan-drainy, ary miadia ho an’ny tranon’ny tomponareo.»

4 Fa raiki-tahotra mafy izy ireo, ka nilaza hoe: «Indro fa mpanjaka roa aza tsy nahatohitra azy, ka hataontsika ahoana no fanohitra?»

5 Dia naniraka olona ny lehiben’ny tao an-dapa, ny komandin’ny tanàna, ny loholona mbamin’ny toniany, hilaza amin’i Jehò hoe: «Mpanomponao izahay, ka izay rehetra holazainao no hataonay, fa tsy hanangana olona ho andriana izahay na iza na iza; izay sitraky ny fonao no ataovy.»

6 Dia nanoratra taratasy fanindroany ho any amin’izy ireo i Jehò nanao hoe: «Raha momba ahy sy mihaino ny feoko ianareo, alao ny lohan’ireo lehilahy, zanaky ny tomponareo, ka tongava atỳ amiko atỳ Jezrahela rahampitso toy izao.» Tao amin’ny lehiben’ny tanàna, izay nitaiza azy, izy fitopolo lahy, zanaky ny mpanjaka.

7 Ka nony tonga tany amin’izy ireo ny taratasy, novonoiny avokoa izy fitopolo lahy, ary nataony an-tsobiky ny lohany, dia nalefany ho any amin’i Jehò, tany Jezrahela.

8 Dia nampandre azy izany ny iraka, nanao hoe: «Nentiny ny lohan’ny zanaky ny mpanjaka»; ka hoy izy: «Ataovy roa toko mifanongoa ao anoloan’ny vavahady izany, mandra-pahamarain’ny andro.»

9 Nony maraina, dia nivoaka izy ary niseho teo anatrehan’ny vahoaka rehetra izy nanao hoe: «Marina ianareo; indreo fa nikomy tamin’ny tompoko aho sy namono nahafaty azy, fa iza kosa no namono an’ireto rehetra ireto?

10 Aoka ho fantatrareo àry fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’i Iaveh, izay notononin’i Iaveh ny amin’ny taranak’i Akaba, ary notanterahin’i Iaveh izay nolazainy tamin’ny alalan’i Elia mpanompony.»

11 Dia novonoin’i Jehò avokoa izay sisa rehetra tamin’ny tranon’i Akaba, tao Jezrahela, na ny olom-baventiny rehetra, na ny havany ama-mpisorony rehetra, ka tsy nasiany niangana na dia iray aza.

Ny namongorana ny andriana teo amin’i Jodà

12 Raha efa izany dia nitsangana izy ary niainga nankany Samaria. Nony mby teo amin’ny trano anankiray fivorian’ny mpiandry ondry teny an-dalana izy,

13 dia nahita ireo rahalahin’i Okoziasa i Jehò ka nanao hoe: «Iza ianareo?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Rahalahin’i Okoziasa izahay, ary midina hamangy ny zanaka lahin’ny mpanjaka, sy ny zanaka lahin’ny andriambavy.»

14 Ka hoy i Jehò: «Ataovy sambo-belona ireo.» Dia nataony sambo-belona ireo, ka novonoiny tao an-davaka famorian-dranon’ilay trano fivoriana; 42 lahy no isany, ary tsy nasian’i Jehò niangana ireo na dia iray aza.

I Jehò sy i Jônadaba

15 Nony niala teo izy, dia nifanena tamin’i Jônadaba, zanak’i Rekaba, izay tonga hitsena azy, ka niarahaba azy sy nanao taminy hoe: «Mba tsotra tahaka izany foko aminao izany va ny fonao?» Dia namaly i Jônadaba hoe: «Izany indrindra.» «Raha izany àry», hoy i Jehò, «tolory tanana aho.» Dia natolotr’i Jônadaba azy ny tanany, ka nasain’i Jehò niakatra ho eo anilany teo ambony kalesy izy, nataony hoe:

16 «Andeha hiaraka amiko, ary ho hitanao ny zotom-poko ho an’i Iaveh.»

17 Dia toy izany no nitondrany azy teny amin’ny kalesiny. Nony mby tany Samaria, dia novonoin’i Jehò avokoa izay tamingan’i Akaba sisa rehetra, ka nataony fongotra mihitsy araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’i Elia.

Ny namongorana ny mpino an’i Baala sy nandravana ny tempoliny

18 Nony efa izany, nivorin’i Jehò ny vahoaka rehetra, ka hoy izy taminy: «Kely no nanompoan’i Akaba an’i Baala, fa fatratra no hanompoan’i Jehò azy.

19 Koa ankehitriny vorio hankatỳ amiko avokoa ny mpaminanin’i Baala rehetra sy ny mpanompony rehetra, ary ny mpisorony rehetra: aza misy tsy tonga na dia iray aza, fa hanatitra sorona lehibe amin’i Baala aho, ka tsy hovelomina izay tsy tonga na iza na iza.» Kanjo hafetsena no nanaovan’i Jehò izany, handringanana ny mpanompon’i Baala. Hoy i Jehò:

20 «Lazao ampahibemaso fa hisy fivoriana manetriketrika hankalazana an’i Baala.» Dia nolazaina ampahibemaso izany.

21 Nandefa iraka tany amin’i Israely rehetra i Jehò, ka tonga avokoa ny mpanompon’i Baala rehetra tsy nisy nijanona ka tsy tonga, na dia iray aza. Niditra tao an-tranon’i Baala izy ireo, ka feno ny tranon’i Baala hatrany aloha ka hatrany aoriana.

22 Ary hoy i Jehò tamin’ny mpiambina ny trano fitahirizana akanjo: «Amoahy akanjo avokoa ny mpanompon’i Baala rehetra.» Dia namoaka akanjo ho azy ireo izy.

23 Ary tamin’izay dia tonga tao an-tranon’i Baala i Jehò niaraka tamin’i Jônadaba zanak’i Akaba, ka hoy izy tamin’ny mpanompon’i Baala: «Karohy ary zahao, mba tsy hisy mpanompon’i Iaveh ato aminareo, fa ny mpanompon’i Baala ihany.»

24 Rehefa tafiditra izy ireo hanatitra sorona sy sorona dorana, dia nametraka valopolo lahy tao alatrano Akora i Jehò nanao hoe: «Raha misy olona mitsoaka amin’ireo olona apetrako eo an-tananareo ireo, dia hisolo aina azy izay nandefa azy.»

25 Vao tapitra ny fanaterana ny sorona dorana, dia hoy i Jehò tamin’ireo mpihazakazakasy manamboninahitra: «Midira, vonoy ireo, ka aza asiana iray tafavoaka!» Dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireo; narian’ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra teo ireo; dia niditra tao amin’ny fitoerana masin’ny tranon’i Baala izy,

26 ka navoakany nodorana ny tsangam-bato tao an-tranon’i Baala,

27 nomontsamontsaniny ny tsangam-baton’i Baala ary nazerany koa ny tranon’i Baala ka nataony trano fivoahana ka mbola tao mandrak’androany.

Ny nanjakan’i Jehò tamin’i Israely (841-814)

28 Nofongoran’i Jehò ao amin’i Israely i Baala.

29 Nefa tsy niviliany nialany ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, na ny zanak’omby volamena izay tao Betela sy ao Dana.

30 Ary hoy i Iaveh tamin’i Jehò: «Noho ianao nanatanteraka tokoa izay mahitsy eo imasoko sy nanao tamin’ny tranon’i Akaba araka izay rehetra tao am-poko, ny zanakao hatramin’ny taranaka fahefatra kosa, dia hitoetra eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely.»

31 Tsy notandreman’i Jehò anefa ny handeha amin’ny fony rehetra araka ny lalàn’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama izay nampanota an’i Israely izy.

32 Tamin’izany andro izany no niantombohan’ny nanabangan’i Iaveh ny tanin’i Israely. Noresen’i Hazaela hatraiza hatraiza ny Israelita tamin’ny sisin-tanin’i Israely;

33 hatrany Jordany any amin’ny fiposahan’ny masoandro, dia ny tany Galaada rehetra, ny Gadita, ny Robenita, ny Manasita, hatrany Arôera, amin’ny ranon-driaka Arnôna, ka hatrany Galaada sy Basàna.

34 Ny sisa amin’ny asan’i Jehò mbamin’izay rehetra nataony sy ny herim-pony nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

35 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jehò ka nalevina tao Samaria.

36 I Jôakaza zanany no nanjaka nandimby azy. 28 taona no andro nanjakan’i Jehò tamin’i Israely tany Samaria.