Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 11

Tantaran’i Atalia (841-835)

1 Nony hitan’i Atalia renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.

2 Fa i Jôsabàzanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okoziasa naka an’i Jôasa zanak’i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona, ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy.

3 Enin-taona no nieran’izy sy i Jôsabà tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.

4 Tamin’ny taonafahafito, i Jôiadà naniraka haka ny tompon-jaton’ny Karianinasy ny mpihazakazaka ary nasainy nanatona azy ao an-tranon’i Iaveh. Nanao fanekena tamin’izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon’i Iaveh izy, dia nasehony azy ity zanaky ny mpanjaka.

5 Raha efa izany, dia izao no baiko nomeny azy ireo: «Izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miditra hanao fanompoana amin’ny andro sabata, mba hiambina ny tranon’ny mpanjaka,

6 ny ampahatelony eo am-bavahady Sora, ny ampahatelony eo am-bavahadin’ny mpiambina, – dia hiambina ny tranon’i Iaveh mba hiaro ny fidirana ao.

7 Ny roa toko sisa aminareo, izay rehetra miala fanompoana amin’ny andro sabata kosa mba hiambina ao amin’ny tranon’i Iaveh ao akaikin’ny mpanjaka,

8 dia hanemitra manodidina ny mpanjaka samy hitam-piadiana avy, ka raha misy miditra ny laharana, dia vonoy ho faty, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo na mivoaka izy na miditra.»

9 Notanterahin’ny tompon-jato avokoa ny didy nomen’i Jôiadà mpisorona azy. Samy naka ny olom-peheziny avy izy ireo, na ny milatsaka amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, na ny miala amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, dia nankany amin’i Joiadà mpisorona.

10 Natolotry ny mpisorona ny tompon-jato ny lefona aman’ampinga izay an’i Davida mpanjaka, sy nipetraka tao an-tranon’i Iaveh.

11 Samy nitam-piadiana ny mpihazakazaka dia nilahatra hatramin’ny lafin-trano ao ankavanana, ka hatramin’ny lafiny havia, akaikin’ny ôtely, sy akaikin’ny trano, hany ka voahodidiny ny mpanjaka.

12 Naroson’ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany, ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»

13 Nony nandre ny fihahohahon’ny mpihazakazaka sy ny vahoaka i Atalia dia nankao amin’ny vahoaka izy, ao an-tranon’i Iaveh.

14 Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazoaraka ny fanao. Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe: «Teti-dratsy! Teti-dratsy!»

15 Tamin’izay i Jôiadà mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy ary nilaza taminy hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharanareo hivoaka ny trano, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza.» Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: «Aza vonoina eto an-tranon’i Iaveh izy.»

16 Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, dia nandeha tamin’ny lalana fidiran-tsoavaly ho ao amin’ny lapan’ny mpanjaka ravehivavy, ka teo no namonoana azy.

17 Nampanaovan’i Jôiadà fanekena tamin’i Iaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka, ny tsy maintsy haha-vahoakan’i Iaveh azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.

18 Ny vahoaka rehetra tamin’ny tany dia niditra tao amin’ny tranon’i Baala ka noravany; ny ôtely aman-tsary nomontsaniny, ary i Matàna mpisoron’i Baala novonoiny teo anoloan’ny ôtely. Nony nametraka mpiambina tao amin’ny tranon’i Iaveh

19 i Jôiadà mpisorona, dia nalainy avokoa ny tompon-jato, ny Karianina, ny mpihazakazaka, mbamin’ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia niditra tao an-dapan’ny mpanjaka tamin’ny vavahadin’ny mpihazakazaka, ka nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka i Jôasa.

20 Nifaly avokoa ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, nandry feizay ny tanàna, ary novonoina tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny mpanjaka i Atalia.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 12

Ny nanjakan’i Jôasa tany Jodà (835-796)

1 Vao fito taona i Jôasa dia tonga mpanjaka.

2 Tamin’ny taona fahafiton’ny nanjakan’i Jehò no vao tonga mpanjaka i Jôasa ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià, avy any Bersabea.

3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh i Jôasa tamin’ny andro rehetra nanoloran’i Joiadà mpisorona fampianarana azy.

4 Nefa kosa ny fitoerana avo, mbola tsy foana, ary notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.

5 Ary hoy i Jôasa tamin’ny mpisorona: «Ny volan’ny fitoerana masina rehetra izay aterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh dia ny vola fandoan’ny isan’olona, ny vola avotry ny olona araka ny fanombanana azy avy, ary ny vola rehetra aterin’ny olona samy araka ny fahazotoany avy, ao an-tranon’i Iaveh,

6 dia aoka horaisin’ny mpisorona samy avy amin’ny olom-pantany avy, ary aoka hamboatra ny banga amin’ny trano izy ireo amin’izay rehetra hita fa misy banga.»

7 Kanjo, indro fa tamin’ny faha-23 taona nanjakan’i Jôasa, dia mbola tsy voavoatry ny mpisorona ihany ny banga amin’ny trano,

8 ka dia niantso an’i Jôiadà mpisorona sy ny mpisorona hafa i Jôasa mpanjaka nilaza tamin’izy ireo hoe: «Nahoana no tsy amboarinareo ny banga amin’ny trano? Koa ankehitriny, aza raisinareo intsony ny vola amin’ny olom-pantatrareo, fa atolory hanamboarana ny banga amin’ny trano.»

9 Dia nanaiky ny tsy handray vola amin’ny vahoaka intsony ny mpisorona, ka tsy azy intsony ny hanamboatra ny banga amin’ny trano.

10 Koa naka vata anankiray i Jôiadà mpisorona nasiany loaka ny sarony, napetrany teo anilan’ny ôtely ankavanan’ny fidirana ho ao an-tranon’i Iaveh, dia nataon’ny mpisorona mpiandry varavarana tao ny vola rehetra naterin’ny olona tao an-tranon’i Iaveh.

11 Nony hitan’izy ireo fa efa misy betsaka ny vola ao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisorona lehibe hamehy sy hanisa ny volarehetra izay ao an-tranon’i Iaveh.

12 Dia napetrak’izy ireo eo an-tanan’izay mpanao ny asa, izay voatendry hikarakara ny tranon’i Iaveh, ny vola voalanja, ka ireo no nanome azy ho an’ny mpandrafitra sy ny mpanao taozavatra, izay niasa tamin’ny tranon’i Iaveh,

13 ny mpandrafitra vato, ny tambato; nanome izany koa izy ireo hividianana hazo amam-bato voapaika, hanamboarana ny banga amin’ny tranon’i Iaveh mbamin’ny lany rehetra hanamafisana ny trano.

14 Nefa tsy mba nanaovana fitoeran-drano volafotsy, na antsy, na kapoaka, na trômpetra, na fanaka volamena na fanaka volafotsy, hatao ao an-tranon’i Iaveh ny vola naterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh,

15 fa nomena an’ireo nampanao ny raharaha ihany, hoentiny manamboatra ny tranon’i Iaveh.

16 Tsy nampamoahina ny olona nametrahana ny vola homena izay nampanao ny asa, satria nanaraka ny rariny izy.

17 Ny vola tamin’ny sorona noho ny ota sy ny sorona noho ny heloka dia tsy mba naterina tao an-tranon’i Iaveh fa an’ny mpisorona.

18 Tamin’izany, niakatra namely an’i Geta, i Hazaela, mpanjakan’i Siria, ka nahafaka azy. Dia nikasa hiakatra hamely an’i Jerosalema izy.

19 Fa nalain’i Jôasa mpanjakan’i Jodà kosa ny zava-boahasina rehetra izay nohamasinin’ny razany, Jôsafata, Jôrama, Okoziasa mpanjakan’i Jodà, sy izay nohamasinin’ny tenany, mbamin’ny volamena rehetra izay tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an’i Hazaela mpanjakan’i Siria avokoa izany, dia lasa lavitra an’i Jerosalema izy io.

20 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôasa mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

21 Nikomy taminy ny mpanompony ary nanao teti-dratsy, dia nasiany tao an-tranon’i Melô amin’ny fidinan’i Selà Jôasa.

22 I Jôsakara zanak’i Semaata sy i Jôsabada zanak’i Somera, mpanompony, no namely azy, ka dia maty izy. Nalevina tao amin’ny razany tao an-tanànan’i Davida izy; ary i Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 13

Ny nanjakan’i Jôakaza tamin’i Israely (814-798)

1 Tamin’ny faha-23taona nanjakan’i Jôasa zanak’i Okoziasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria kosa i Jôakaza zanak’i Jehò. Ary 17 taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, nanahaka ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, fa tsy niala tamin’izany.

3 Ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh dia natolony teo an-tanan’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela mandrakariva izy.

4 Nitaraina tamin’i Iaveh i Jôakaza, dia nihaino azy i Iaveh, fa hitany ity fahorian’i Israely, tamin’ny nampijalian’ny mpanjakan’i Siria azy,

5 ka nanome mpamonjy ho an’i Israely i Iaveh. Nony afaka tamin’ny tanan’ny Sirianina ny zanak’i Israely dia nonina teo amin’ny lainy toy ny taloha indray.

6 Kanefa izy ireo tsy mba niala tamin’ny fahotan’ny tranon’i Jerôbôama, izay nampanota an’i Israely, fa nizotra tamin’izany, ary na ny aseraha aza, mbola nitsangana tao Samaria.

7 Fa izao ihany no vahoaka àry fiadiana navelan’i Iaveh ho an’i Jôakaza: mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, miaramila an-tongotra iray alina, fa naringan’ny mpanjakan’i Siria izy ireo, ka nampanjariany toy ny vovoka fanitsaky ny tongotra.

8 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôakaza mbamin’izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

9 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôakaza ka nalevina tao Samaria, dia i Jôasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Jôasa tamin’i Israely (798-783)

10 Tamin’ny faha-37 taona nanjakan’i Jôasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tany Samaria kosa i Jôasa zanak’i Jôakaza; 16 taona no nanjakany.

11 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa tsy nisy nialany na dia iray aza na fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely, fa nanaraka izany.

12 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôasa, mbamin’izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany tamin’i Amasiasa, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

13 Dia nody mandry amin’ny razany i Jôasa, ary i Jerôbôama no nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany; ka nalevina tao Samaria amin’ny mpanjakan’i Israely i Jôasa.

Ny nahafatesan’i Elisea

14 Ary i Elisea nararin’ny aretina izay hahafaty azy, ka nidina nankany aminy i Jôasa mpanjakan’i Israely, dia nitomany teo ambonin’ny tavany nanao hoe: «Ry ikaky ô, ry ikaky ô! kalesin’i Israely ama-mpitaingin-tsoavaliny!»

15 Ka hoy i Elisea taminy: «Mangalà tsipìka aman-jana-tsipìka.» Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.

16 Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Ataovy ambonin’ny tsipìka ny tananao.» Nony nanao ny tanany ambonin’ny tsipìka izy, dia napetrak’i Elisea teo ambonin’ny tanan’ny mpanjaka ny tanany, ka hoy izy:

17 «Vohay ny varavarankely tandrifin’ny atsinanana», dia namoha izy; ary hoy i Elisea: «Mandefasa zana-tsipìka iray»; ka nandefa zana-tsipìka iray izy; dia nataon’i Elisea hoe: «Zana-tsipìkan’ny famonjena avy amin’i Iaveh iny, dia zana-tsipìkan’ny famonjena hamelezana ny Sirianina. Fa hamely ny Sirianina ao Afeka ianao, mandra-paharingany.»

18 Ary hoy indray i Elisea: «Raiso ny zana-tsipìka.» Dia nandray izy. Ary hoy i Elisea tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Tifiro ny tany», ka nitifitra intelo izy dia nitsahatra.

19 Fa tezitra taminy ity olon’Andriamanitra ka nanao taminy hoe; «Tokony ho nitifitra indimy na inenina ianao, ary amin’izany, dia ho namely ny Sirianina mandra-paharingany mihitsy, fa izao dia intelo monja no hamelezanao azy.»

20 Maty i Elisea ka nalevina. Tamin’ny fitsingerenan’ny taom-baovao dia nisisika tamin’ny tany ny andian-jirika Moabita.

21 Ary nisy nandevina olona kosa, ka indro tazany ny anankiray tamin’ireny jirika ireny, ka natsipiny tao am-pasan’i Elisea ny fatiny. Fa vao nitehika tamin’ny taolan’i Elisea ny fatin-dralehilahy, dia nody taminy ny ainy, ka nijoro tamin’ny tongony.

Ireo fandresena ny Arameanina

22 Tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Jôakaza dia nampahory an’i Israely i Hazaela mpanjakan’i Siria.

23 Namindra fo tamin’izy ireo anefa i Iaveh ka niantra azy; nitodika azy Izy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba; tsy te-handringana azy ireo Izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak’ankehitriny.

24 Ary maty i Hazaela mpanjakan’i Siria, ka i Benhadada zanany no nanjaka nandimby azy.

25 Nalain’i Jôasa zanak’i Jôakaza teo an-tanan’i Benhadada zanak’i Hazaela ireo tanàna nalain’i Hazaela tamin’ny adin’izy sy i Jôakaza rainy. Namely azy intelo i Jôasa dia azony indray ny tanànan’i Israely.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 14

Ny nanjakan’i Amasiasa tany Jodà (796-781)

1 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôasa, zanak’i Jôakaza mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka i Amasiasa zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Jodà.

2 Efa 25 taona izy fony vao nanjaka ary 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jôadàna avy any Jerosalema.

3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, nefa tsy dia tahaka an’i Davida rainy, fa tahaka izay rehetra nataon’i Jôasa rainy ihany no nataony.

4 Ny fitoerana avo anefa tsy mbola foana, mbola notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.

5 Nony azony mafy teo an-tanany ny fanjakana dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy.

6 Fa tsy novonoiny ny zanak’ireo mpamono, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay misy ny didy nomen’i Iaveh izao: «Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa samy vonoina noho ny fahotany ihany avy.»

7 Nandresy Edômitairay alina tao amin’ny Lohasahan-tSira izy, nananika nahafaka an’i Selàdia nomeny anarana hoe Jektehela io mandrak’androany.

8 Tamin’izany i Amasiasa nandefa iraka tany amin’i Jôasa zanak’i Jôakaza zanak’i Jehò mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Avia, ary aoka hifankahita mifanatrika isika.»

9 Ary i Jôasa mpanjakan’i Israely naniraka hamaly an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà: «Ny tsilo ao amin’i Libàna no naniraka hilaza tamin’ny hazo sedera ao amin’i Libàna hoe: Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy; ka ny biby dia ao amin’i Libàna nandalo nanosihosy ny tsilo.

10 Nandresy ny Edômita marina ianao, ka dia nisandratra ny fonao. Mireharehà ary mijanòna any aminao. Nahoana ianao no dia mihitsoka amin’ny loza; ka ho lavo ianao, dia ny tenanao sy i Jodà miaraka aminao?»

11 Tsy nihaino azy anefa i Amasiasa, ka dia niakatra i Jôasa mpanjakan’i Israely, ary nifankahita nifanatrika tao Bethsamesa izay an’i Jodà izy sy i Amasiasa mpanjakan’i Jodà.

12 Resy teo anoloan’i Israely i Jodà ka samy nandositra ho any an-dainy avy.

13 Ary i Jôasa mpanjakan’i Israely nisambotra an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, zanak’i Jôasa zanak’i Okoziasa, tao Bethsamesa; nankany Jerosalema izy ka nahabanga ny mandan’i Jerosalema efajato hakiho, hatramin’ny vavahadin’i Efraima ka hatreo am-bavahady an-jorony.

14 Naka ny volamena amam-bolafotsy rehetra hita tao an-tranon’i Iaveh sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka izy, ary olona natao antoka koa, vao niverina ho any Samaria.

15 Ny sisa amin’ny asan’i Jôasa mbamin’izay rehetra nataony sy ny niadiany tamin’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

16 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôasa ka nalevina tao Samaria ao amin’ny mpanjakan’i Israely. I Jerôbôama zanany no nanjaka nandimby azy.

17 I Amasiasa zanak’i Jôasa mpanjakan’i Jodà kosa, dia mbola velona 15 taona, taorian’ny nahafatesan’i Jôasa zanak’i Jôakaza mpanjakan’i Israely.

18 Ny sisa tamin’ny asan’i Amasiasa moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

19 Nisy firaisan-tetika hikomy taminy, tany Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, nefa nisy olona nirahina hanaraka azy any Lakisa ka novonoina tany izy;

20 dia nentina tamin’ny soavaly izy, nalevina tao Jerosalema ao amin’ny razany, amin’ny tanànan’i Davida.

21 Ka i Azariasaizay 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà ka natsangany ho mpanjaka handimby an’i Amasiasa rainy.

22 Nanorina indray an’i Elata izy sy nampody azy mba ho an’i Jodà indray, rehefa nody mandry any amin’ny razany ny mpanjaka.

Ny nanjakan’i Jerôbôama faharoa tamin’i Israely (783-743)

23 Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà no nanjakan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa mpanjakan’i Israely tany Samaria. Nanjaka 41 taona izy.

24 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa tsy nisy nialany ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay nampanota an’i Israely.

25 Izy no nampody ny sisin-tanin’i Israely, ho araka ny faritany taloha, hatramin’ny hadilalan’i Emata ka hatramin’ny Ranomasin’i Arabah, araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely nolazainy tamin’ny alalan’ny mpanompony Jônasa mpaminany zanak’i Amatì, avy any Gety-Kefera.

26 Fa hitan’i Iaveh ny fahoriana mangidy indrindra nanjò an’i Israely, izay tsy nisy afa-namonjy an’i Israely, na olona manambady, na olona afaka, na olona iza na iza.

27 Tsy mbola naraikitr’i Iaveh anefa ny hamono ny anaran’i Israely eo ambanin’ny lanitra, ka ny tanan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa no namonjen’i Iaveh azy ireo.

28 Ny sisa tamin’ny asan’i Jerôbôama izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany sy nampodiany an’i Damasa sy i Etama izay an’i Jodà taloha, mba ho an’i Israely, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

29 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jerôbôama dia eny amin’ny mpanjakan’i Israely, ka i Zakariasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 15

Ny nanjakan’i Azariasa tany Jodà (781-740)

1 Tamin’ny taona faha-27nanjakan’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka kosa i Azariasa zanak’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà.

2 Vao 16 taona izy, dia tonga mpanjaka, ary 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelià, avy ao Jerosalema.

3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, araka izay rehetra nataon’i Amasiasa rainy.

4 Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana; notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.

5 Ary i Iaveh namely ny mpanjaka, ka boka hatramin’ny andro nahafatesany izy, ka nitoetra tamin’ny trano manirery. Fa i Joatama zanaky ny mpanjaka no nanapaka tao an-trano sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.

6 Ny sisa tamin’ny asan’i Azariasa mbamin’izay rehetra nataony moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

7 Ary nody mandry any amin’ny razany i Azariasa, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida. I Joatama zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Zakariasa tamin’i Israely (743)

8 Tamin’ny taona faha-38nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria kosa i Zakariasa zanak’i Jerôbôama. Enim-bolana no nanjakany.

9 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh toy ny nataon’ny razany izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely.

10 Nikomy taminy i Seloma zanak’i Jabesa ary namely nahafaty azy teo anatrehan’ny vahoaka, dia nanjaka nandimby azy izy.

11 Ny sisa tamin’ny asan’i Zakariasa, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.

12 Izany no tenin’i Iaveh nolazainy tamin’i Jehò hoe: «Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ny zanakao hatramin’ny taranaka fahefatra.» Ka tanteraka izany.

Ny nanjakan’i Seloma tamin’i Israely (743)

13 Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Oziasa mpanjakan’i Jodà no vao tonga mpanjaka kosa i Seloma zanak’i Jabesa, ary iray volana no nanjakany tao Samaria.

14 Fa niakatra avy any Tersà, i Manahema zanak’i Gadì, ary nony tonga tao Samaria dia namely nahafaty an’i Seloma zanak’i Jabesa tao Samaria ihany izy, ka nanjaka nandimby azy.

15 Ny sisa tamin’ny asan’i Seloma mbamin’izay fikomiana nataony, dia indro fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.

16 Tamin’izany, i Manahema dia niala tao Tersà ary namely an’i Tapsà sy ny mponina ao aminy mbamin’ny faritaniny; noho izy tsy namoha vavahady azy, no namelezany azy, ary notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka rehetra.

Ny nanjakan’i Manahema tamin’i Israely (743-738)

17 Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Azariasa tamin’i Jodà no vao tonga mpanjaka tamin’i Israely kosa i Manahema zanak’i Gadì. Fola taona no nanjakany tao Samaria.

18 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa nandritra ny andro niainany, tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely.

19 Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.

20 I Israely, dia ny mpanan-karem-be rehetra, no nampandoavin’i Manahema izany vola izany, dimampolo sikla avy, homeny ny mpanjakan’i Asiria. Ka dia niverina ny mpanjakan’i Asiria, fa tsy niato teo amin’ny tany.

21 Ny sisa tamin’ny asan’i Manahema, mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

22 Ary nody mandry any amin’ny razany i Manahema, ka i Faseià zanany, no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Faseià tamin’i Israely (738-737)

23 Tamin’ny taona faha-50 nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà, no vao nanjakan’i Faseià zanak’i Manahema tamin’i Israely tao Samaria kosa. Roa taona no nanjakany.

24 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely.

25 Nioko taminy i Faseà, zanak’i Romeliasa, manamboninahitra lefiny, ary namono azy mbamin’i Argoba sy i Arie tao Samaria, tao amin’ny trano avon’ny tranon’ny mpanjaka, ary nisy 50 lahy tamin’ny taranaky ny Galaadita nomba azy. Namono an’i Faseià izy, dia nanjaka nandimby azy.

26 Ny sisa tamin’ny asan’i Faseià mbamin’izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.

Ny nanjakan’i Faseà tamin’i Israely

27 Tamin’ny taona faha-52 nanjakan’i Azariasa mpanjakan’i Jodà, no vao nanjaka i Faseà, zana-dRomeliasa, tamin’i Israely, tao Samaria. Roapolo taona no nanjakany.

28 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, fa tsy niala tamin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izay nampanota an’i Israely.

29 Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.

30 Nikomy tamin’i Faseà zana-dRomeliasa, i Osea zanak’i Elà, ka namono nahafaty azy, ary nanjaka nandimby azy, tamin’ny faha-20 taona nanjakan’i Joatamazanak’i Oziasa.

31 Ny sisa tamin’ny asan’i Faseà, mbamin’izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny Mpanjakan’i Israely.

Ny nanjakan’i Joatama tany Jodà (740-736)

32 Tamin’ny faha-2 taona nanjakan’i Faseà zanak’i Romeliasa mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka kosa i Joatama zanak’i Oziasa mpanjakan’i Jodà.

33 25 taona izy fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany, tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosà, zanak’i Sadaoka.

34 Nanao izay mahitsy teo imason’i Iaveh izy, sahala tsara ny nataon’izy sy i Oziasa rainy.

35 Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana, notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo. I Joatama no nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh.

36 Ny sisa tamin’ny asan’i Joatama mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

37 Nanomboka tamin’izany andro izany ny nampandehanan’i Iaveh an’i Rasôna mpanjakan’i Siria sy i Faseà zana-dRomeliasa hanafika an’i Jodà.

38 Ary nody mandry any amin’ny razany i Joatama ka nalevina tao an-tanànan’i Davida rainy, ao amin’ny razany. I Akaza zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 16

Ny nanjakan’i Akaza tany Jodà (736-716)

1 Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Faseà zana-dRomeliasa no vao nanjaka kosa i Akaza, zanak’i Joatama mpanjakan’i Jodà.

2 Roapolo taonai Akazafony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny tahaka an’i Davida rainy izy;

3 fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely; ny zanany lahy aza, nampamakiany ny afo, araka ny fahavetavetan’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

4 Nanaterany sorona aman-java-manitra avokoa teny amin’ny fitoerana avo sy teny amin’ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny.

5 Tamin’izay no niakaran-dRasôna mpanjakan’i Siria, sy i Faseà zana-dRomeliasa, hanafika an’i Jerosalema. Nanao fahirano an’i Akaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy.

6 Tamin’izany fotoana izany ihany koa no nahazoan-dRasôna indray an’i Elata ho ambany fahefan’ny Sirianina, kanoroahiny hiala tao Elata ny Jody, fa ny Sirianina no nakao Elata dia monina ao mandrak’androany.

7 Nandefa iraka tany amin’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria, i Akaza nanao hoe: «Mpanomponao sy zanakao aho, ka miakara hanafaka ahy amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Siria, sy ny tanan’ny mpanjakan’i Israely, fa nitsangan-kamely ahy izy ireo.»

8 Ary nalain’i Akaza ny volafotsy sy volamena hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nampitondrainy ho fanomezana ny mpanjakan’i Asiria.

9 Nohenoin’ny mpanjakan’i Asiria izy, ka niakatra namely an’i Damasa ny mpanjakan’i Asiria; ary nony azony, nentiny ho babo ho any Kira ny mponina, ary novonoiny ho faty i Rasôna.

10 Nankany Damasa i Akaza mpanjaka hitsena an’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria. Nony nahita ity ôtely tao Damasa i Akaza mpanjaka, dia nampitondra ny môdelin’ny ôtely sy ny toetr’endriny araka izay nahavitana azy manontolo ho an’i Oriasa mpisorona.

11 Ka naorin’i Oriasa mpisorona ny ôtely, ary nataon’i Oriasa mpisorona mitovy indrindra amin’ny môdely nampitondrain’i Akaza mpanjaka, avy any Damasa, nataony vita mandra-pahatongan’i mpanjaka avy any Damasa.

12 Nony tonga avy any Damasa ny mpanjaka, dia nahita ny ôtely. Nanatona ny ôtely ny mpanjaka dia niakatra teo;

13 nodorany teo ny sorona dorany sy ny fanatiny, nararany ny fanatiny araraka, ary naidiny teo ambonin’ny ôtely ny ran’ny sorom-pihavanana.

14 Ilay ôtely varahina teo anatrehan’i Iaveh, nafindrany hiala eo anoloan’ny trano, mba tsy ho eo anelanelan’ny tranon’i Iaveh sy ny ôtely vaovao, dia nataony eo anilan’ity ôtely vaovao, eo avarany.

15 Ary izao koa no didy nomen’i Akaza mpanjaka an’i Oriasa mpisorona: «Doroy eo ambonin’ny ôtely lehibe ny sorona dorana ny maraina, ny fanatitra hariva, ny sorona dorana amam-panatitry ny mpanjaka, ny sorona dorana amam-panatitry ny vahoaka rehetra; araraho eo ny fanatiny araraka ary aidino eo ny ra rehetra avy amin’ny sorona dorana sy ny ra rehetra avy amin’ny sorona. Fa ny amin’ny ôtely varahina, dia raharahako ny manapaka ny aminy.»

16 Notanterahin’i Oriasa mpisorona avokoa izay rehetra nodidian’i Akaza mpanjaka.

17 Fanampin’izany, dia novakin’i Akaza mpanjaka koa ny panoa sy ny tongony ary nesoriny ny tavindrano teo amboniny; nampidininy ny ranomasina avy teo ambonin’ireo omby varahina nibaby azy, ka nataony teo ambony lampivato,

18 ary nafindrany toerana tao an-tranon’i Iaveh ny trano hevan-tsabatanaorina tao amin’ny trano, mbamin’ny fidiran’ny mpanjaka teo ivelany, noho ny henany ny mpanjakan’i Asiria.

19 Ny sisa tamin’ny asan’i Akaza mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

20 Ary nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina ao an-tanànan’i Davida ao amin’ny razany. I Ekeziasa zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 17

Ny nanjakan’i Osea tamin’i Israely (732-724)

1 Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Akaza mpanjakan’i Jodà, no vao nanjaka tamin’i Israely tao Samaria i Osea zanak’i Elà. Sivy taona no nanjakany.

2 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, saingy tsy dia tahaka ireo mpanjakan’i Israely talohany.

3 Niakaran’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria notafihina i Osea, ka tonga mpanompon’io nandoa hetra ho azy izy.

4 Vaky tamin’ny mpanjakan’i Asiria ho nanao teti-dratsy anefa i Osea fa naniraka olona tany amin’i Soà, mpanjakan’i Ejipta, sady tsy nandoa hetra intsony ho an’ny mpanjakan’i Asiria, isan-taona, ka nasain’ny mpanjakan’i Asiria nosamborina sy nogadrana, dia nalatsaka an-tranomaizina.

Ny nakana an’i Samaria (721)

5 Notetezin’ny mpanjakan’i Asiria avokoa ny tany, dia niakatra hamely an’i Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona.

6 Nony tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Osea dia azon’ny mpanjakan’i Asiriai Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria i Israely namponeniny tany Halà, teo amoron’i Habôra, ony any Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda.

Fandinihana ny naharava ny fanjakan’i Israely

7 Izany no tonga, dia noho ny zanak’i Israely nanota tamin’i Iaveh Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, avy teo ambanin’ny fahefan’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa.

8 Narahin’izy ireo ny fombam-pivavahan’ireo firenena izay noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely, sy ny fomba noforonin’ny mpanjakan’i Israely.

9 Nosarontsaronan’ny zanak’i Israelyny zavatra tsy mety nataony tamin’i Iaveh Andriamaniny. Nanorina fitoerana avo tamin’ny tanànany rehetra izy, hatramin’ny tilikambon’ny mpiambina, ka hatramin’ny tanàna mimanda.

10 Nasiany tsangam-bato sy aseraha avokoa teny amin’ny havoana rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny;

11 dia teny izy no nandoro zava-manitra amin’ny fitoerana avo rehetra, toy ny firenena izay nataon’i Iaveh babo teo anoloan’izy ireo, ary nanao zava-dratsy nampahatezitra an’i Iaveh.

12 Koa nanompo sampy izy ireo, nefa izany no nilazan’i Iaveh taminy hoe: «Aza manao izany ianareo.»

13 Nitsangan-ko vavolombelona anefa i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an’i Israely sy i Jodà nanao hoe: «Miverena avy amin’ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo.»

14 Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino an’i Iaveh Andriamaniny.

15 Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinonaizy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka.

16 Nafoiny avokoa ny didin’i Iaveh Andriamaniny; fa zanak’omby anidina roa no nataony ho azy, sy aseraha no nataony ho azy, ny tafiky ny lanitra rehetra no niankohofany, ary i Baala no notompoiny.

17 Nampandehaniny hamaky ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy. Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. Ary nikezaka hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ka nampahatezitra azy.

18 Dia tezitra indrindra tamin’i Israely i Iaveh, ka noesoriny tsy ho eo imasony izy. Ny fokon’i Jodà irery no sisa,

19 ary na i Jodà indray aza, tsy dia nitandrina ny didin’i Iaveh Andriamaniny, fa nanaraka ny fombam-pivavahana noforonin’i Israely ihany koa.

20 Ka dia narian’i Iaveh avokoa ny taranak’i Israely; nampahoriny sy natolony teo an-tanan’ny mpamabo izy ireo, mandra-pandroaka azy lavitra ny Tavany.

21 Satria niendaka niala tamin’ny fianakavian’i Davida i Israely, fa nanangana an’i Jerôbôama zanak’i Nabata ho mpanjaka, ary i Jerôbôama nampiala an’i Israely tamin’i Iaveh sy nampanao fahotana lehibe azy ireo.

22 Ary nandroso tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jerôbôama ny zanak’i Israely, fa tsy niala tamin’izany,

23 mandra-pandroakan’i Iaveh azy lavitra ny Tavany, araka izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony rehetra, ka dia lasan-ko babo any Asiria lavitra ny taniny i Israely mandrak’androany.

Fiavian’ny Samaritanina

24 Olona nasain’ny mpanjakan’i Asiria ho avy any Babilôna sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin’ny tanànan’i Samaria, hisolo ny zanak’i Israely, ka dia ireny no nahazo an’i Samaria, sy nonina tamin’ny tanànany.

25 Fony vao nanomboka nonina tany izy ireny, dia tsy natahotra an’i Iaveh, ka nandefasan’i Iaveh liona hamono azy.

26 Ary nisy nanao filazana tamin’ny mpanjakan’i Asiria nanao hoe: «Tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany any ireo firenena nataonao sesitany sy namponeninao any amin’ny tanànan’i Samaria, ka nandefasany liona; ka indro fa namono azy ireo, satria tsy mahalala ny fomba fanompoana ny andriamanitry ny tany.»

27 Ka dia izao no didy nomen’ny mpanjakan’i Asiria: «Maniraha mpisorona anankiray amin’ireo nentinareo ho babo avy any, dia izay no aoka handeha honina any, hampianatra azy ireo ny fomba fanompo ny andriamanitry ny tany any.»

28 Dia tonga ny anankiray amin’ireo mpisorona, nentin-ko babo avy any Samaria, ka nonina tao Betela, sy nampianatra azy ireo ny tsy maintsy ataony hanajany an’i Iaveh.

29 Kanjo isam-pirenena mbola samy nanao ny andriamaniny avy koa, sy nametraka azy tao amin’ny fitoerana avo naorin’ny Samaritanina, tamin’izay tanàna nipetrahany avy isam-pirenena.

30 Ny olona avy any Babilôna nanao an’i Sokôta-Benôta, ny olona avy any Kota nanao an’i Nergela, ny olona avy any Emata nanao an’i Asimà;

31 na any Avah, nanao an’i Nebahaza sy i Tartàka, ny avy any Sefarvaima nandoro ny zanany tamin’ny afo ho fanajana an’i Adrameleka sy i Anameleka andriamanitr’i Sefarvaima.

32 Nanaja an’i Iaveh izy ireo, ka nanangananympisoronaamin’ny fitoerana avo,mpisoronaavy amin’ny vahoaka rehetra, ka nanatitra sorona ho azy ireo tao amin’ny tranon’ny fitoerana avo ireny.

33 Koa araka izany, dia sady nanaja an’i Iaveh izy ireo, no nanompo ny andriamaniny, araka ny fanaon’ny firenena nangalana azy avy koa.

34 Mandrak’androany, dia mbola manaraka ny fomba taloha ihany izy ireo: tsy dia matahotra an’i Iaveh izy, ary tsy dia manaraka ny lalàna amam-pitsipiny, na ny lalàna aman-didy nomen’i Iaveh ny zanak’i Jakôba, izay nantsoiny hoe Israely.

35 Sady nanaovan’i Iaveh fanekem-pihavanana izy ireo, nomeny didy hoe: «Aza matahotra andriamani-kafa na miankohoka eo anatrehany, na manompo ireny, na manatitra sorona amin’ireny.

36 Fa i Iaveh Andriamanitrareo izay nitondra anareo niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe sy tamin-tsandry nahinjitra, Izy no atahory, eo anatrehany no iankohofy, ary Izy no anatero sorona.

37 Tandremo ny didy amam-pitsipiny, mbamin’ny lalàny aman-didy nosoratany ho anareo, araho mandrakariva izany, ary aza matahotra andriamani-kafa.

38 Aza manadino ny fanekem-pihavanana nataoko taminareo, ary aza matahotra andriamani-kafa,

39 fa i Iaveh Andriamanitrareo no atahory, dia hamonjy anareo amin’ny tanan’ny fahavalonareo rehetra Izy.»

40 Tsy nanaiky izany anefa izy ireo; fa ny fombany taloha ihany no narahiny;

41 koa araka izany dia natahotra an’i Iaveh ireo firenena ireo no sady nanompo ny sarin-javatra tao aminy koa, ary ataon’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrak’androany izay nataon-drazany.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 18

Filazana mialoha ny fanjakan’i Ezekiasa (716-687)

1 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Osea, zanak’i Elà mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka kosa i Ezekiasa zanak’i Akaza mpanjakan’i Jodà.

2 25 taonaizy fony vao nanjaka, ary sivy 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny reniny dia natao hoe Abì, zanak’i Zakariasa.

3 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, araka izay rehetra nataon’i Davida rainy.

4 Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon’i Môizy; fa hatramin’izay, mbola nandoroan’ny zanak’i Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe i Nohestàna.

5 I Iaveh Andriamanitr’i Israely no nitokiany, koa dia tsy nisy tahaka azytamin’ny mpanjakan’i Jodà rehetra, na ny tatỳ aoriany, na ny tany alohany.

6 Nifikitra tamin’i Iaveh izy, ka tsy mba nivily niala taminy, fa nitandrina ny didy nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

7 Dia nomban’i Iaveh izy, ka nahomby tamin’izay rehetra nataony.

Niodina tamin’ny mpanjakan’i Asiria izy, dia afaka tsy nanompo an’io intsony.

8 Nandresy ny Filistinina hatrany Gazà izy, ka nandrava ny taniny, hatramin’ny tilikambon’ny mpiambina, ka hatramin’ny tanàna mimanda.

Fampahatsiarovana ny nakana an’i Samaria

9 Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa mpanjaka, izay taona fahafito nanjakan’i Osea, zanak’i Elà, mpanjakan’i Israely, no niakaran’i Salmanazara mpanjakan’i Asiria hamely an’i Samaria sy nanaovany fahirano azy.

10 Nony afaka telo taona, dia afany ny tanàna, dia tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Ezekiasa, izay taona fahasivy nanjakan’i Osea, mpanjakan’i Israely, no nahafahana an’i Samaria.

11 Dia nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria i Israely, ka namponeniny tao Halà, teo amoron’i Habôra, onin’i Gôsàna, ary teny amin’ny tanànan’i Meda,

12 satria tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, ary tsy misy nohenoiny na narahiny izay rehetra nodidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh.

Fanafihan’i Senakeriba

13 Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Ezekiasa, dia niakatra hamely ny tanàna mimanda rehetra an’i Jodà, i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nahafaka an’ireny.

14 Ary i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà naniraka hilaza amin’ny mpanjakan’i Asiria tany Lakisa hoe: «Efa diso aho, fa mialà ianao, dia hoentiko izay hampitondrainao ahy.» Dia talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telopolo no nasain’ny mpanjakan’i Asiria naloan’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà.

15 Ka nomen’i Ezekiasa avokoa ny volafotsy hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka.

16 Tamin’izany andro izany, novakin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ny varavarana aman-tolàm-baravaran’ny tempolin’i Iaveh, izay efa nopetahan’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà takela-bolamena, ary nomeny ny mpanjakan’i Asiria ny volamena.

Ny nanirahana ny komandy mpandroso divay

17 Ary ny mpanjakan’i Asiria naniraka ny jeneraliny ambony indrindra sy ny lehiben’ny eonoka, ny komandy mpandroso divay, mbamin’ny miaramila maro koa, avy any Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa mpanjaka, any Jerosalema. Nony tonga tao izy, dia nijanona teo anilan’ny lakan-dranon’nyfarihy ambony, amin’ny lalana mankamin’ny sahan’ny mpamotsy lamba,

18 ka niantso ny mpanjaka. Ary i Eliasima zanak’i Elkiasa lehiben’ny tao an-dapa no nivoaka nankeo amin’izy ireo, mbamin’ny Sobnà mpanoratra, i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry boky.

19 Dia hoy ilay komandy mpandroso divay tamin’izy ireo: «Lazao amin’i Ezekiasa hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria: Inona izato toky ianteheranao?

20 Niteny ianao, – teny tsy misy fotony, – nanao hoe: Manan-tsaina aman-kery hoenti-miady aho! Fa ankehitriny kosa dia matoky an’iza ianao no dia miodina amiko?

21 Indro fa volotara vaky no itokianao ankehitriny, dia i Ejipta, ka izay mitehina aminy voatsindrony sy voatrobany avokoa, fa izany tokoa i Faraôna mpanjakan’i Ejipta ho an’izay rehetra matoky azy.

22 Angamba ianareo hanao amiko hoe: I Iaveh Andriamanitray no itokianay. Kanefa raha Izy, moa tsy efa nofoanan’i Ezekiasa va ny ôteliny amam-pitoerana avony, ary efa noalazainy tamin’i Jodà sy i Jerosalema fa hoe: Eo anoloan’ity ôtely eto Jerosalema ity no hiankohofanareo.

23 Koa ankehitriny aoka hanao fanekena amin’ny tompoko mpanjakan’i Asiria ianao, dia omeko soavaly roa arivo, raha mahita mpitaingin-tsoavaly hitaingina izany! Hataonao ahoana moa no fanohitra ny lehibe anankiray amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra aza?

24 Fa noho ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly no itokianao an’i Ejipta.

25 Nefa ankehitriny moa tsy avy amin’i Iaveh va no niakarako hamely ity fitoerana ity ho rava? Fa hoy i Iaveh tamiko: Miakara hamely io tany io, ka ravao izy.»

26 Dia hoy i Eliasima zanak’i Helkiasa sy i Sobnà ary i Jôahe tamin’ny komandy mpandroso divay: «Aoka ho teny Arameaninano hiresahanao amin’ny mpanomponao, fa hainay izany, fa aza fiteny jodaikano iresahanao aminay, ka azon’ny sofin’ny vahoaka izay eo ambony manda.»

27 Fa namaly ny mpandroso divay ambony indrindra nanao hoe: «Moa amin’ny tomponao sy aminao va no nasain’ny tompoko hilazana izany teny izany, fa tsy amin’ireo olona mipetraka eo ambony manda, mba hihinanany ny dikiny sy hisotroany ny ditsany miaraka aminareo?»

28 Tamin’izay dia nandroso ny mpandroso divay ambony indrindra, ka niantso tamin’ny feo avo tamin’ny fiteny jodaika dia nanao izao teny izao hoe: «Henoinareo ny tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria!

29 Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’i Ezekiasa ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin’ny tanany izy tsy akory.

30 Aza manaiky hampatokin’i Ezekiasa an’i Iaveh ianareo, saingy ilazany hoe: Tsy maintsy hovonjen’i Iaveh tokoa isika, ka tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria ity tanàna ity.

31 Aza mihaino an’i Ezekiasa fa izao no lazain’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pihavanana amiko ka maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviavinareo, samy hisotro ny rano ao am-pantsakanareo,

32 mandra-piaviko hitondra anareo ho any amin’ny tany tahaka ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka, tany misy ôliva tsara, diloilo sy tantely, ka ho velona ianareo fa tsy ho faty. Koa aza mihaino an’i Ezekiasa, fa vohony omeny anareo no ilazany hoe: Hovonjen’i Iaveh isika.

33 Moa ny andriamanitry ny firenena, samy nahavonjy ny taniny avy, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?

34 Aiza ny andriamanitr’i Etama sy i Arfada? Aiza ny andriamanitr’i Sefarvaima sy i Anah ary i Avah? Moa nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tanako va ireny?

35 Iza amin’ireo andriamanitry ny tany rehetra no efa nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, no hoe i Iaveh hahavonjy an’i Jerosalema amin’ny tanako?»

36 Nangina ny vahoaka, fa tsy namaly azy na dia indraimbava aza, satria efa nomen’ny mpanjaka teny hoe: «Aza misy mamaly ianareo.»

37 Dia nankao amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry boky; voatriatra ny fitafian’izy ireo, ary nolazainy taminy ny tenin’ny mpandroso divay ambony indrindra.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 19

Fanontaniana an’i Izaia mpaminany

1 Vao nandre ny filazana izany i Ezekiasa mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lasàka ary nankao an-tranon’i Iaveh,

2 dia naniraka an’i Eliasima lehiben’ny tao an-dapa sy i Sobnà mpanoratra, samy mitafy lasàka, ho any amin’ny Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa.

3 Hoy izy ireo taminy hoe: «Izao no lazain’i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fanalam-baràka izao andro izao, fa ny zaza efa mby amin’ny hivoahany avy ao an-kibon-dreniny; nefa ny hery hiterahana azy tsy misy.

4 Angamba ho ren’i Iaveh Andriamanitrao ny teny rehetra nolazain’ny mpandroso divay ambony indrindra, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony, haniratsira an’Andriamanitra velona, ka iny dia hofaizina noho ny teniny efa ren’i Iaveh Andriamanitrao. Ka ny fivavahana no asondroty hamonjy izay mbola sisa.»

5 Dia nankany amin’i Izaia ny mpanompon’i Ezekiasa mpanjaka,

6 ka hoy i Izaia tamin’izy ireo: «Izao no holazainao amin’ny tomponareo, izao no lazain’i Iaveh: Aza mivadi-po amin’ny teny efa renao sy naniratsiran’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Asiria Ahy,

7 fa indro Aho hanisy fanahy ao anatiny, izay handrenesany vaovao fotsiny, dia hiverenany any amin’ny taniny, ka hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny izy.»

Ny niaingan’ny komandy mpandroso divay

8 Dia lasa niverina ny mpandroso divay ambony indrindra ka nihaona tamin’ny mpanjakan’i Asiria niady tany Lobnà, fa efa reny ny nialan’ny tompony avy tao Lakisa.

9 Nisy vaovao ren’ny mpanjakan’i Asiria ny amin’i Tarakà, mpanjakan’i Etiôpia, dia nolazaina taminy fa hoe: «Indro niainga hiady aminao izy.»

Taratasin’i Senakeriba ho an’i Ezekiasa

Ary nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa indray izy nanao hoe:

10 «Izao no lazaonareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà: Aza mety harebirebin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.

11 Indro efa renao ihany ny nataon’ireo mpanjakan’i Asiria tamin’ny tany rehetra, tamin’ny nanaovany anatema azy ka ianao indray ve no ho voavonjy?

12 Moa nahavonjy azy va ny andriamanitr’ireo firenena noravan’ny razako, dia i Gôsàna, i Haràna, i Resefa, mbamin’ny taranak’i Edena, tany Telasara?

13 Aiza avy ny mpanjakan’i Emata, ny mpanjakan’i Arfada, ny mpanjakan’ny tanàna Serfavaima, i Anah ary i Avah?»

14 Nony voarain’i Ekeziasa ny taratasy teny an-tanan’ireo iraka dia novakiny. Raha efa izany niakatra nankao an-tranon’i Iaveh i Ezekiasa ka namelatra io teo anatrehan’i Iaveh.

15 Nivavaka teo anatrehan’i Iaveh i Ezekiasa nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.

16 Ry Iaveh ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa; ry Iaveh ô, ahirato ny masonao, ka mijere. Henoy ny tenin’i Senakeriba izay naniraka haniratsira an’Andriamanitra velona.

17 Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa ny mpanjakan’i Asiria dia nandrava ny firenena, namoana ny taniny,

18 ary nanipy ny andriamaniny tao amin’ny afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka nataony levona.

19 Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra.»

Tenin’i Izaia mpaminany

20 Dia naniraka tany amin’i Ezekiasa i Izaia zanak’i Amôsa hilaza hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nohenoiko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria.

21 Ka izao no teny notononin’i Iaveh namelezany azy:

Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao

ny virjiny zanaka vavin’i Siôna:

mihifikifi-doha eo ivohonao

ny zanaka vavin’i Jerosalema.

22 Fa iza izato notsiratsirainao sy nalanao baraka?

Zovy izato notoherinao amim-peo mihiaka,

sy ami-maso misolanandrana ambony?

Nanohitra ny Masin’i Iaveh ianao…!

23 Naniratsira ny Tompo tamin’ny irakao ianao.

Ka hoy ianao: Tamin’ny kalesiko marobe,

no niakarako tany an-tampon-tendrombohitra,

tany an-tendron’i Libàna.

Hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sederany,

ny tsara indrindra amin’ny sipresiny;

ho tonga any an-tampony indrindra aho,

dia any amin’ny alany, izay toa saha be hazo mamoa.

24 Nihady aho, dia nisotro

ranom-pirenena hafa;

ary ny faladiako dia handrìtako

ny onin’i Ejipta rehetra.

25 Tsy efa renao vafa hatry ny ela

no nanaovako izany zavatra izany,

ary efa nokasaiko fahataloha izany?

Ankehitriny no ataoko izay hahatanterahany;

hampanjarianao ho korontan-javatra rava

ny tanàna mimanda.

26 Tsy manan-kery ny mponina amin’ireny,

fa raiki-tahotra sy mivarahotsaka izy,

ka tonga toy ny ahitra any an-tsaha,

sy ny zava-maitso milenodenoka,

toy ny ahitra maitso eny an-tafon-trano,

sy ny vary maty fotsy,mainaalohan’ny fahamasahany.

27 Kanjo kosa, hitako avokoa na ny fipetrakao,

na ny fivoakanao sy ny fiditrao,

na ny hatezeranao amiko.

28 Fa noho ianao tezitra amiko,

ary efa tafasandratra ho ren’ny sofiko

ny fiavonavonanao,

dia hasiako ny masom-biko ny oronao;

hasiako ny sakam-bavan-tsoavaly ny molotrao;

dia hampiverina anao amin’ny lalana niavianao.

29 Ary izao kosa no famantarana ho anao: Vokatra avy amin’ny voa mihintsana no hohanin’ny olona amin’ity taona ity; izay maniry ho azy no hohaniny amin’ny taona faharoan’ity, fa amin’ny taona fahatelo kosa hamafy ianareo dia hijinja, hamboly voaloboka dia hihinana ny vokatra avy aminy.

30 Ny voavonjy amin’ny taranak’i Jodà, ny sisa tafajanona, dia mbola haniry faka ao ambany, ka hamoa eo ambony.

31 Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema, ary hisy afaka avy amin’ny tendrombohitr’i Siôna. Ka izany no ho vitan’ny zotom-pitian’i Iavehn’ny tafika.

32 Koa noho izany dia iza no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria:

Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy,

na handefa zana-tsipìka aminy,

na hanandratra ampinga tandrify azy;

33 fa hiverina amin’ny lalana niaviany,

ka tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy,

– teny marin’i Iaveh.

34 Hiaro ity tanàna ity Aho, hamonjeko azy

Noho ny amin’ny tenako, sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.

Ny naharesen’i Senakeriba sy ny nahafatesany

35 Ny alin’izay ihany, dia nivoaka ilay Anjelin’Andriamanitra namono lehilahy 185.000 tao amin’ny tobin’ny Asirianina, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.

36 Dia noravan’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria ny toby, ka lasa izy niverina dia nitoetra tany Niniva.

37 Ary raha ilay niankohoka teo an-tranon’i Nesraoka andriamaniny iny izy, dia novonoin’i Adramelaka sy i Sarasara zanany lahy tamin’ny sabatra, ka nandositra nankany amin’ny tany Ararata ireo. Dia i Asaradòna zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 20

Ny nahararian’i Ezekiasa sy ny nahasitranany

1 Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ka tonga tao aminy i Izaia zanak’i Amôsa nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Ataovy izay hafatrao amin’ny ankohonanao, fa efa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»

2 Dia nitodika nankany amin’ny rindrina kosa i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh nanao hoe:

3 «Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehan’ny tavanao aho, tamim-pahamarinana sy tamin’ny fo mahitsy, ary nanao izay tsara teo imasonao!» Sady nirotsaka be dia be ny ranomason’i Ezekiasa.

4 Tsy mbola lasa nivoaka hatrany amin’ny kianja afovoany akory i Izaia, dia tonga taminy ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

5 «Miverena ianao, ka lazao amin’i Ezekiasa mpanapaka ny vahoakako hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Davida rainao: Reko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao, ka indro sitraniko ianao; ao anatin’ny hateloana dia hiakatra ao an-tranon’i Iaveh ianao,

6 hampiako 15 taona ny andronao. Hovonjeko amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria ianao sy ity tanàna ity, hiaro ity tanàna ity Aho, noho ny amin’ny Tenako sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.»

7 Dia hoy i Izaia: «Makà ampempan’aviavy.» Dia nalaina izany, dia napetaka tamin’ny boiboika dia sitrana i Ezekiasa.

8 Efa niteny tamin’i Izaia i Ezekiasa nanao hoe: «Inona no famantarana ny fanasitranan’i Iaveh ahy, sy hiakarako any an-tranon’i Iaveh ao anatin’ny hatelona?»

9 Ary hoy i Izaia: «Izao no famantarana ho anao avy amin’i Iaveh, hahalalanao fa ho tanterahin’i Iaveh ny teny voalazany: handroso ambaratonga folo va ny aloka sa hihemotra ambaratonga folo?»

10 Ka hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Zavatra kely ny handrosoan’ny aloka ambaratonga folo, fa aoka hihemotra ambaratonga folo izy.»

11 Tamin’izay nangataka tamin’i Iaveh ny mpaminany ka nahemony ambaratonga folo ny aloka teo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia teo amin’ny ambaratonga efa nidinany.

Irak’i Merodaka-Baladàna

12 Tamin’izany andro izany ihany koa, no nampitondran’i Merôdàka-Baladànazanak’i Baladàna mpanjakan’i Babilôna taratasy sy fanomezana ho an’i Ezekiasa, satria reny fa hoe narary i Ezekiasa.

13 Faly tamin’ireo iraka i Ezekiasa, ka naneho tamin’ireo ny trano rehetra fitahirizan-java-tsoany, dia ny volafotsy sy ny volamena, ny zava-manitra sy menaka sarobidy, ary ny trano fitahirizam-piadiany, mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketana: tsy nisy tsy nasehon’i Ezekiasa tamin’izy ireo, na ny tao an-tranony, na ny tamin’ny taniny.

14 Fa tonga tao amin’i Ezekiasa mpanjaka kosa i Izaia mpaminany, ka nanao taminy hoe: «Ahoana no nolazain’ireny olona ireny, ary avy aiza moa izy ireny no tonga tatỳ aminao?» Dia hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Avy amin’ny tany lavitra izy, dia avy any Babilôna.»

15 Ary hoy ny mpaminany: «Inona avy no hitany tao an-tranonao?» Ka hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Hitany avokoa izay tato an-tranoko rehetra, tsy misy tsy nasehoko azy ny tao amin’ny firaketako.»

16 Dia hoy i Izaia tamin’i Ezekiasa: «Henoy ny tenin’i Iaveh:

17 Indro, ho avy ny andro hitondran’ny olona ho any Babilôna, izay rehetra ao an-tranonao sy izay nangonin’ny razanao hatramin’izao andro izao, tsy hisy hijanona amin’izany, na inona na inona, hoy i Iaveh.

18 Ary ny zanakao izay naloaky ny kibonao izay naterakao, dia hangalany hatao eonoka any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»

19 Dia hoy ny navalin’i Ezekiasa tamin’i Izaia: «Tsara ny tenin’i Iaveh notononinao.» Dia hoy indray izy hoe: «Eny satria homba ahy amin’ny andro hiainako ny fiadanana sy ny hatezàna.»

Famaranana ny tantaran’ny nanjakan’i Ezekiasa

20 Ny sisa tamin’ny asan’i Ezekiasa, ny herim-po nasehony, ny nanaovany ny kamory aman-dakan-drano mbamin’ny nitarihany rano ho ao an-tanàna, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà.

21 Ary nody mandry any amin’ny razany i Ezekiasa ka i Manase zanany no nanjaka nandimby azy.