Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 21

Ny nanjakan’i Manase tany Jodà (687-642)

1 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka, ary 55 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hafsibà.

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nanaraka ny fahavetavetan’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

3 Naorina indray ny fitoerana avo noraran’i Ezekiasa rainy, nanangana ôtely ho an’i Baala izy, nanao aseraha anankiray tahaka ny nataon’i Akaba mpanjakan’i Israely, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanompo ireny.

4 Nanorenany ôtely ny tranon’i Iaveh izay nolazain’i Iaveh hoe: «Ao Jerosalema no hametrahako ny Anarako.»

5 Otely ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra no nataony tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’i Iaveh.

6 Nampamakiany ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh hampahatezerany azy.

7 Ny sampin’i Astarte nataony, napetrany tao amin’ny trano izay nolazain’i Iaveh tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Ato amin’ity trano ity, sy eto Jerosalema izay nofidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra, no hametrahako ny Anarako mandrakizay.

8 Tsy hampandehandeha ny tongotr’i Israely hiala amin’ity tany nomeko ny razany ity intsony Aho, raha tahiny mba mikely aina ihany izy hanaraka izay rehetra nandidiako azy, sy ny lalàna rehetra nandidian’i Môizy mpanompoko azy.»

9 Kanjo tsy nety izy ireo, ary nampivily azy i Manase ka nanao ratsy mihoatra noho ireo firenena rehetra naringan’i Iaveh teo anoloan’i zanak’i Israely.

10 Ary tamin’izay, dia niteny i Iaveh tamin’ny vavan’ny mpaminany mpanompony nanao hoe:

11 «Noho i Manase mpanjakan’i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amôreana teo alohany, ary noho izy nampanota an’i Jodà tamin’ny sampiny,

12 dia izao kosa no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hahatonga loza ho any amin’i Jerosalema sy i Jodà, ka izay rehetra handre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.

13 Hohenjaniko amin’i Jerosalema ny famolain’i Samaria sy ny pilaon’ny fianakavian’i Akaba. Hamoaka an’i Jerosalema Aho ho toy ny lovia izay faohina sy ahohoka rehefa avy nofaohina.

14 Hafoiko ny lovako sisa, fa hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony, ka ho tonga sambotra sy babon’ny fahavalony:

15 satria nanao izay ratsy eo imasoko izy, ka nampahatezitra Ahy, hatramin’ny andro nivoahan’ny razany tany Ejipta ka mandrak’ankehitriny.»

16 Afa-tsy ny fahotany izay nampanotany an’i Jodà, nitarihany azy hanao ratsy eo imason’i Iaveh, dia nandatsaka ra tsy manan-tsiny be koa i Manase, ka feno izany i Jerosalema hatrany an-tendrony ilany, ka hatrany an-tendrony ilany iray koa.

17 Ny sisa* tamin’ny asan’i Manase, mbamin’izay rehetra nataony, sy ny fahotana vitany, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

18 Ary nody mandry any amin’ny razany i Manase ka nalevina tao an-tanimbolin’ny tranony, dia tao amin’ny tanimbolin’i Ozà. I Amôna zanany no nanjaka nandimby azy.

Ny nanjakan’i Amôna tany Jodà (642-640)

19 22 taona i Amôna fony tonga mpanjaka, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Mesalemeta, zanak’i Harosa, avy any Jetebà.

20 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, tahaka ny nataon’i Manase rainy,

21 fa nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan-drainy izy; nanompo ny sampy notompoin-drainy izy, ary niankohoka teo anatrehan’ireny.

22 Nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy, ary tsy nandeha tamin’ny lalan’i Iaveh.

23 Nikomy tamin’i Amôna ny mpanompony ka namono ny mpanjaka tao an-tranony.

24 Novonoin’ny vahoakan’ny tany kosa anefa izay rehetra nikomy tamin’i Amôna mpanjaka, ary i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoakan’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.

25 Ny sisa tamin’ny asan’i Amôna, mbamin’izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

26 Tao amin’ny fasany ao amin’ny tanimbolin’i Ozà no nalevina izy; ary i Josiasa zanany no nanjaka nandimby azy

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 22

Filazalazana ny nanjakan’i Josiasa (640-609)

1 Valo taona i Josiasa fony tonga mpanjaka, ary 31 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Ididà zanak’i Adaia avy any Besekata.

2 Nanao izay mahitsy teo imason’i Iaveh izy, ary nandeha tamin’izay rehetra nalehan’i Davida rainy, sady tsy nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

Ny nahitana ny Bokin’ny lalàna

3 Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josiasa mpanjaka, dia naniraka an’i Safàna, mpanoratra, zanak’i Aslia zanak’i Mesolama, ny mpanjaka ho any amin’ny tranon’i Iaveh, nanao hoe:

4 «Miakara any amin’i Helkiasa mpisorona lehibe, asaovy ataony an-tanana ny vola naterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh, noraisin’ny mpiandry varavarana avy tamin’ny vahoaka.

5 Hapetraka eo an-tanan’izay mandraharaha ny asa, dia izay voatendry ho mpitandrina amin’ny tranon’i Iaveh izany, ka homen’ireo ho an’izay miasa amin’ny asan’ny tranon’i Iaveh, hanamboatra ny banga amin’ny trano,

6 dia ny mpandrafitra, sy ny manevra, ny mpandrafi-bato, hividianana hazo amam-bato voapaika hanamboarana ny trano.

7 Aza ampamoahina ny amin’ny vola natolotra teo an-tanany anefa izy ireo, fa manaraka ny rariny.»

8 Tamin’izay i Helkiasa mpisorona lehibe nilaza tamin’i Safàna mpanoratra hoe: «Hitako tao an-tranon’i Iaveh ny bokin’ny lalàna.» Ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky ka novakiny.

9 Raha efa izany, nandeha hilaza ny toe-draharaha amin’ny mpanjaka i Safàna mpanoratra, ka nanao hoe: «Efa nalain’ny mpanomponao avokoa ny vola hita tao an-trano, ka napetrany eo an-tanan’izay mandraharaha ny asa, izay voatendry ho mpitandrina ao amin’ny tranon’i Iaveh.»

10 Izao koa no nampandrenesin’i Safàna mpanoratra ny mpanjaka: «Misy boky nomen’i Helkiasa mpisorona ahy»; sady novakiny teo anatrehan’ny mpanjaka.

Ny nanontaniana an’i Holdà mpaminany vavy

11 Nony nandre ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany,

12 sady nanome didy an’i Helkiasa mpisorona, sy i Ahikama zanak’i Safàna, sy i Akobôra zanak’i Mikà, sy i Safàna mpanoratra, ary i Asaiasa mpanompon’ny mpanjaka hoe:

13 «Mandehana ianareo manontany amin’i Iaveh ho ahy sy ny vahoaka mbamin’i Jodà rehetra, ny amin’ny teny ato amin’ity boky vao hita ity, fa nirehitra mafy amintsika ny fahatezeran’i Iaveh, noho ny tsy naneken’ny razantsika ny tenin’ity boky ity, amin’ny fanatanterahana izay rehetra nandidiana antsika.»

14 Dia nandeha i Helkiasa mpisorona, i Ahikama, i Akorôba, i Safàna, ary i Asaiasa nankany amin’i Holdà mpaminany vavy vadin’i Seloma, zanak’i Tekoà, zanak’i Araasa mpitahiry ny fitafiana; tao Jerosalema amin’ny faritry ny tanàna faharoa izy no mipetraka. Nony efa niteny taminy izy ireo,

15 dia hoy izy tamin’izy ireo: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Lazao amin’ny lehilahy naniraka anareo hankatỳ amiko, ataovy hoe:

16 Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho hahatonga loza ho etỳ amin’ny fitoerana ity sy amin’ny mponina ao aminy, araka ny teny rehetra ao amin’ny boky novakin’ny mpanjakan’i Jodà.

17 Satria nafoiny Aho, fa andriamani-kafa no nanolorany zana-manitra, hampahatezerany Ahy amin’ny asan-tanany rehetra; dia nirehitra amin’ity fitoerana ity ny hatezerako, ka tsy ho azo tohaina.

18 Lazao amin’ny mpanjakan’i Jodà izay naniraka anareo hanontany amin’i Iaveh, ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny amin’ny teny efa renao,

19 noho ianao natahotra sy nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny nandrenesanao izay tononiko hanjò ity fitoerana ity sy ny mponina ao aminy, fa hoe ho tonga fitairana sy fanozona izy, ary noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao kosa Aho. – teny marin’i Iaveh:

20 Ka indro hangoniko any amin’ny razanao ianao, hangonina amim-piadanana ianao any amin’ny fasanao, fa tsy mba hahita ny loza rehetra hampidiriko amin’ity fitoerana ity ny masonao.» Dia nitondra izany valiny izany ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 23

Novakina amim-pomba manetriketrika ny lalàna

1 Ary ny mpanjaka naniraka hamory ny loholon’i Jodà sy i Jerosalema rehetra ho ao aminy.

2 Dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, ny mponina ao Jerosalema rehetra, ny mpisorona, ny mpaminany sy ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, ka novakiny teo anatrehan’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekem-pihavanana izay hita tao an-tranon’i Iaveh.

3 Nitsangana teo amin’ny lampihazony mpanjaka, ka nanao ny fanekem-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh, nanaiky hanaraka an’i Iaveh sy hitandrina ny didy amam-pitsipiny ary ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fankatoavana ny tenin’izany fanekena izany, izay voasoratra ao amin’io boky io. Ary nankatò izany koa ny vahoaka rehetra.

Fanamboarana ara-pivavahana tany Jodà

4 Dia nandidy an’i Helkiasa mpisorona lehibe, sy ny mpisorona amin’ny ambaratonga faharoa ary ny mpiandry varavarana, ny mpanjaka, hamoaka ho eo ivelan’ny tempolin’i Iaveh ny fanaka rehetra natao ho an’i Baala, sy i Astarte mbamin’ny tafiky ny lanitra rehetra; nodorany tany ivelan’i Jerosalema any amin’ny sahan’i Sedrôna ireny, ary nasainy nentina ho any Betela ny vovony.

5 Noroahiny ny mpisoron-tsampynotendren’ny mpanjakan’i Jodà handoro zava-manitra amin’ny fitoerana avo, tany amin’ny tanànan’i Jodà sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ireo nanatitra zava-manitra ho an’i Baala, ho an’ny masoandro amam-bolana, ho an’ny famantarana 12, ary ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.

6 Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny aserah, navoakany any ivelan’i Jerosalema tany amin’ny lohasahan-driaka Sedrôna dia nodorany tany amin’ny lohasahan-driakan’i Sedrôna, ary nony nataony nanjary vovoka, dia nafafiny teny amin’ny fasan’ny zana-bahoaka izany vovoka izany.

7 Noravany ny tranon’ireo olona nanolo-tena hijangajanga izay nitoetra tao an-tranon’i Iaveh, izay nanenoman’ny vehivavy lay ho an’i Astarte.

8 Nampanalainy ny mpisorona rehetra tany amin’ny tanànan’i Jodà, nolotoiny ny fitoerana avo nandoroan’ny mpisorona zava-manitra, hatrany Gabaà ka hatrany Bersabea, noravany ireo fitoerana avo teo am-bavahady, dia ilay teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Jôsoe lehiben’ny tanàna, sy ilay teo ankavian’ny vavahadin’ny tanàna.

9 Tsy niakatra teo amin’ny ôtelin’i Iaveh ao Jerosalema anefa ny mpisoron’ny fitoerana avo, fa nihinana mofo tsy misy lalivay teo afovoan’ireo rahalahiny ihany izy ireo.

10 Nolotoin’ny mpanjaka koa i Tôfeta, ilay teo an-dohasahan’ny taranak’i Enôma mba tsy hisy hampandeha ny zanany lahy na vavy hamaky ny afo, ho fanajana an’i Môlaoka intsony.

11 Nofoanany ny soavaly natokan’ny mpanjakan’i Jodà ho an’ny masoandro teo amin’ny fidirana mankao an-tranon’i Iaveh, akaikin’ny efitranon’i Natàna-Meleka eonòka, izay tanatin’ny fanampin-trano; nodorany tamin’ny afo ireo kalesy ho an’ny masoandro.

12 Noravany ireo ôtely teo ambony tafon’ny efitrano avon’i Akaza, nataon’ny mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny nataon’i Manase teo amin’ny kianja roa amin’ny tranon’i Iaveh; ary avy eo izy dia nandeha faingana nanary ny vovoka avy amin’ireny tao amin’ny lohasahan’i Sedrôna.

13 Nolotoin’ny mpanjaka ireo fitoerana avo tandrifin’i Jerosalema, amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra Fahaverezana, naorin’i Salômôna mpanjakan’i Israely, ho an’i Astarte fahavetavetan’ny Sidonianina sy ho an’i Kamosa fahavetavetan’ny zanak’i Amôna;

14 nazerany ny tsangam-baton-tsampy, nokapainy ny aserah, ary nofenoiny taolan’olona ny fitoerana nitoerany.

Mitatra any amin’ny Fanjakana any avaratra ny fanamboarana

15 Torak’izany koa ny ôtely tany Betela, ny fitoerana avo nataon’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ilay nampanota an’i Israely; nodorany ny fitoerana avo, noravany izany ôtely izany mbamin’ny fitoerana avo, nodorany ny fitoerana avo, nataony nanjary vovoka, ary nodorany ny aserah.

16 Nony nitodika i Josiasa ka nahita irerỳ fasana teny an-tendrombohitra, dia nampanalainy ny taolana tao am-pasana, nodorany teo ambony ôtely, nandotoany azy, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’ilay olon’Andriamanitra izay efa nilaza izany rahateo.

17 Hoy izy tamin’izay: «Tsangam-baton’iza, itsy hitako itsy?» Ka hoy ny olona tao an-tanàna: «Io no fasan’ilay olon’Andriamanitra, avy any Jodà, nanambara rahateo izao zavatra nataonao tamin’i ôtely eto Betela izao.»

18 Dia hoy izy: «Avelao izany fa aza misy manetsika ny taolany.» Ka noho izany dia navela tsy voakasika ny taolany, sy ny taolan’ilay mpaminany avy any Samaria.

19 Nofoanan’i Josiasa koa ny trano rehetra teny amin’ny fitoerana avo, amin’ny tanànan’i Samaria, nataon’ny mpanjakan’i Israely, ka nampahatezitra an’i Iaveh. Tsy misy hivoasana amin’ny nanaovany an’i Betela no nanaovany azy.

20 Novonoiny teo ambony ôtely daholo ny mpisoron’ny fitoerana avo izay teo; sady nandorany taolan’olona koa teo, vao niverina nankany Jerosalema izy.

Fankalazana ny Paka

21 Izao no didynomen’ny mpanjaka ny vahoaka rehetra: «Mankalazà ny Paka, ho fanajana an’i Iaveh Andriamanitrareo, araka ny voasoratra amin’ity bokin’ny fanekena ity.»

22 Ary tsy mbola nisy nahatoraka an’izany, ny fankalazana ny fetin’ny Paka, hatramin’ny andron’ny Mpitsara nitsara an’i Israely, na tamin’ny andro rehetra nanjakan’ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Jodà.

23 Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josiasa no nankalazana izany Paka izany tao Jerosalema ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh.

Famaranana momba ny fanamboarana ara-pivavahana

24 Nofoanan’i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin’ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin’ny tanin’i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna, voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Helkiasa mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh.

25 Tsy nisy mpanjaka talohany nitodika tahaka azy amin’i Iaveh amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ary ny heriny rehetra, araka ny lalàn’i Môizy rehetra, ary tatỳ aoriana tsy nisy nitovy taminy.

26 Kanefa tsy nionona i Iaveh tamin’ny firehetan’ny fahatezerany mafy, satria nirehitra tamin’i Jodà ny fahatezerany, noho ny fihatsiana nampahatezeran’i Manase Azy.

27 Fa hoy i Iaveh: «Hoesoriko hiala eo anatrehan’ny Tavako koa i Jodà, tahaka ny nanesorako an’i Israely, ary hariako ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity, sy ity trano nolazaiko hoe: Ho ao ny Anarako.»

Ny niafaran’ny fanjakan’i Josiasa

28 Ny sisa tamin’ny asan’i Josiasa mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

29 Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekaompanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraônaizy dia matiny tao Magedao.

30 Maty izy no nitondran’ny mpanompony azy tao anaty kalesy, avy any Magedao, ka nentiny tao Jerosalema dia naleviny tao amin’ny fasany. Ary i Jôakaza zanak’i Josiasa no nalain’ny vahoakan’ny tany, dia nohosorany sy natsangany ho mpanjaka hisolo an-drainy.

Ny nanjakan’i Jôakaza tany Jodà (609)

31 23 taona i Jôakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy any Lobnà.

32 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh tahaka izay rehetra nataon’ny razany izy.

33 Nogadrain’i Faraôna Nekao tany Reblà amin’ny tany Emata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema intsony, ary nampandoaviny hetra talenta volafotsy zato, sy talenta volamena iray ny tany.

34 I Eliasimazanak’i Josiasa no natsangan’i Faraôna Nekao ho mpanjaka, hisolo an’i Josiasa rainy, ary novany hoe i Jôakimany anarany. Fa i Jôakaza izay nosamboriny kosa dia nankany Ejipta ka maty tany.

35 I Jôakima dia nanome volafotsy sy volamena ho an’i Faraôna, fa nampandoaviny hetra ny tany, hanomezana ny tontalim-bola nodidian’i Faraôna haloa; koa samy nampandoa volafotsy sy volamena ny vahoakan’ny tany avy izy ireo araka izay voafetra ho anjarany.

Ny nanjakan’i Jôakima tany Jodà (609-598)

36 25 taona i Jôakima fony voa nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Zebidà zanak’i Fadaiasa avy any Rimà.

37 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh tahaka izay rehetra nataon’ny razany izy.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 24

1 Fony fahavelony dia lasa niantafika i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ka nanoa azy telo taona i Jôakima; fa niodina taminy indray izy.

2 Nalefan’i Iavehhamely an’i Jôakima ny antoko-miaramila Kaldeanina, ny antoko-miaramila Sirianina, ny antoko-miaramila Moabita, ary ny antoko-miaramila Amônita, ka ny nandefasany an’ireo hamely an’i Jodà, dia ny mba handravany azy, araka ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.

3 Lahatr’i Iaveh tokana ihany no nahatongavan’izany tamin’i Jodà mba hanesorany azy tsy ho eo anatrehan’ny Tavany, noho ny fahotana rehetra nataon’i Manase,

4 sy noho ny ra tsy manan-tsiny nalatsany be loatra ka nataony feno ra tsy manan-tsiny i Jerosalema, koa tsy nety namela izany i Iaveh.

5 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôakima mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?

6 Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôakima, ka i Joasina zanany no nanjaka nandimby azy.

7 Tsy nivoakaavy tany amin’ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta, fa lasan’ny mpanjakan’i Babilôna avokoa izay an’ny mpanjakan’i Ejipta, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, ka hatramin’ny ony Eofrata.

Filazalazana ny nanjakan’i Joasina (598)

8 18 taona i Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Nohestà zanak’i Elnatàna avy ao Jerosalema.

9 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh araka izay rehetra nataon-drainy izy.

Sesitany voalohany

10 Niakatra hamely an’i Jerosalema ny mpanompon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna tamin’izany, ka natao fahiranony tanàna.

11 Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony no tonga teo anoloan’ny tanàna koa i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna.

12 Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.

13 Nongoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon’i Iaveh sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon’i Salômôna, mpanjakan’i Israely, tao an-tranon’i Iaveh, araka izay efa voalazan’i Iaveh rahateo.

14 Nentina ho babo avokoa i Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin’ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin’ny tany ihany no sisa tafajanona.

15 Nentina ho any Babilôna i Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilôna ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka rehetra, ny eonòkany, ny olo-malaza amin’ny tany.

16 Fanampin’izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin’ny mpanao taozavatra sy mpanefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin’ny mpanjakan’i Babilôna ho babo any Babilôna daholo.

17 Ary ny natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka hisolo an’i Joasina, dia i Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe i Sedesiasa ny anarany.

Filazalazana ny fanjakan’i Sedesiasa tany Jodà (598-587)

18 21 taonai Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy ao Lobnà.

19 Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa naka tahaka izay rehetra nataon’i Jôakima.

20 Nihatra tamin’i Jerosalema sy i Jodà izany, noho ny hatezeran’i Iaveh, mandra-panesorany azy hiala eo anatrehan’ny Tavany.

Ary niodina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Sedesiasa.

Categories
2Mpanjaka

2Mpanjaka 25

1 Tamin’ny taona fahasivynanjakan’i Sedesiasa, tamin’ny volana fahafolo, andro fahafolon’ny volana, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny rehetra; dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy.

2 Natao fahiranohatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Sedesiasa ny tanàna.

3 Tamin’ny andro fahasivin’ny volana, nony efa mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy mofo intsony ho an’ny vahoakan’ny tany,

4 dia nobangaina ny tanàna, dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady, nihazo ny lalan’ny vavahady anelanelan’ny manda roa, akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ny Kaldeanina amin’izany manodidina ny tanàna eo. Ny lalana mankamin’ny Arabah no nalehan’ny mpanjaka.

5 Nenjehin’ny tafiky ny Kaldeaninany mpanjaka, ka tratrany teo an-tany lemak’i Jerikô; dia niparitaka lavitra azy ny tafiny rehetra.

6 Nony voasambotr’izy ireo ny mpanjaka dia nentiny niakatra ho any Reblà, amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy ireo.

7 Ny zanaka lahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Raha efa izany dia nopotsirin’i Nabokodonozora ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.

Fandrobana an’i Jerosalema. Sesitany faharoa

8 Tamin’ny volana fahadimy, andro fahafiton’ny volana, taona faha-19 nanjakan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, dia tonga tao Jerosalema i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina mpanompon’ny mpanjakan’i Babilôna.

9 Nodorany ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe.

10 Ary noravan’ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay niaraka tamin’ny kapitenin’ny mpiambina, ny manda mamaritra manodidina an’i Jerosalema.

11 Nentin’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ny mpilefa nitolo-tena tamin’ny mpanjakan’i Babilôna, ary ny vahoaka be sisa rehetra,

12 fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan’ny kapitenin’ny mpiambina ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.

13 Nopotehin’ny Kaldeanina ny andry varahina izay tao an-tranon’i Iaveh, mbamin’ny fanambanim-pitoeran-drano ary ny ranomasina varahina izay tao an-tranon’i Iaveh, ka nentiny ho any Babilôna ny varahina.

14 Nentiny koa ny vilany, ny sotron’afo, ny antsy, ny kapoaka, mbamin’ny fanaka varahina rehetra, nenti-nanao ny fanompoana.

15 Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina koa ny fanembohana sy ny tasy, ny zavatra volamena sy ny zavatra volafotsy.

16 Ny amin’ny andry roa sy ny ranomasina, ary ny fanambanim-pitoeran-drano nataon’i Salômôna tao amin’ny tranon’i Iaveh, dia tsy nisy fotony intsony ny handanjana ny varahina amin’ireo fanaka rehetra ireo.

17 Ny andry iray dia 18 hakiho ny haavony, ary teo amboniny dia nisy koronosy varahina, ary telo hakiho ny haavon’ny koronosy, ary nisy harato sy voan’ampongabendanitra nanodidina ny koronosy, ka varahina avokoa izany rehetra izany; torak’izany koa ny andry faharoa mbamin’ny harato aminy.

18 Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, sy i Sôfônia mpisorona ambaratonga faharoa, ary mpiandry varavarana telo lahy.

19 Azony tao an-tanàna ny manamboninahitra anankiray mpifehy ny lehilahy mpiady, ny olona dimy lahy isan’ny mpanolo-tsaina manoloana ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny filohan’ny tafika, miadidy ny fandatsahana ny olona amin’ny tany ho miaramila, ary 60 lahy amin’ny vahoakan’ny tany, izay hita tao an-tanàna.

20 Nony azon’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ireo, dia nentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilôna tany Reblà.

21 Ka novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna nataony maty tany Reblà any amin’ny tany Emata.

Toy izany no nitondrana an’i Jodàho babo lavitry ny taniny.

I Godoliasa, mpifehy an’i Jodà

22 Ny amin’ny vahoaka tafajanona tany amin’ny tanin’i Jodà, navelan’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna kosa, dia i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna no notendreny ho mpanapaka azy.

23 Ren’ny lehiben’ny isan-toko-miaramila, dia izy sy ny olom-peheziny avy, fa hoe i Godoliasa no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka, dia tonga nanatona an’i Godoliasa tany Masfà izy ireo: i Ismaela zanak’i Nataniasa; i Johanàna, zanak’i Karea; i Saraiasa zanak’i Tanehometa avy ao Netôfa, ary i Jezoniasa zanak’ilay Maakatianina, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.

24 Ka tamim-pianianana no nilazan’i Godoliasa tamin’izy ireo sy tamin’ireo olom-peheziny hoe: «Aza misy atahoranareo akory raha ny amin’ny mpanompon’ny Kaldeanina, fa monena amin’ny tany, manompoa ny mpanjakan’i Babilôna, fa izany no hanasoa anareo.»

25 Kanjo nony tamin’ny volana fahafito, tonga i Nataniasa zanak’i Elisamà, isam-pianakavian’ny mpanjaka, nomban’olona folo lahy, ka namono nahafaty an’i Godoliasa mbamin’ireo Jody sy Kaldeanina teo aminy tany Masfà.

26 Ka ny vahoaka rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, mbamin’ireo lehiben’ny isan-toko-miaramila, dia niainga ka lasa nitsoaka nankany Ejipta fa natahotra ny Kaldeanina.

Tafarina i Joasina mpanjaka

27 Tamin’ny taona faha-31 nahalasan-ko babo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana faha-12, andro faha-27n’ny volana, dia nasandratr’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, ny lohan’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, ka nesoriny tao an-tranomaizina tamin’ny taona nahatongavany ho mpanjaka.

28 Nanaovany teny soa izy, nataony ambonin’ny seza fiandrianan’ireo mpanjaka teo aminy tany Babilôna ny seza fiandrianany,

29 nasainy nosoloina ny fitafianytany an-tranomaizina, ary nihinan-kanina mandrakariva teo anatrehany izy, tamin’ny andro niainany rehetra.

30 Ny amin’ny fivelomany, dia ny fivelomany lalandava, dia ny mpanjaka no niantoka izany isan’andro tamin’ny andro rehetra niainany.