Categories
2Piera

2Piera 1

Fiarahabana

1 I Simôna Piera, mpanompo sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy, mamangy an’izay nahazo ny finoana sarobidy toa anay, noho ny fahamarinan’i Jesoa Kristy Andriamanitra Mpamonjy antsika:

2 Hitombo ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy i Jesoa Tompontsika

Soa lehibe ataon’Andriamanitra

3 Ny herin’Izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka, fa Izy no nampahalala antsika tsara an’Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy ny fahatsaràny;.

4 dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao.

5 Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy asio fahalalana;

6 ny fahalalana asio fahalalana onony; ny fahalalana onony asio fandeferana; ny fandeferana asio fitiavam-bavaka;

7 ny fitiavam-bavaka asio fitiava-namana; ny fitiava-namana asio fitiavana an’Andriamanitra.

8 Fa raha manana avokoa ireo zavatra ireo ianareo, sady manam-be, dia tsy havelan’ireo ho malaina na tsy hahavokatra ho amin’ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika.

9 Fa izay tsy manana an’ireo kosa dia jamba sy tsy mahajery lavitra ary manadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny.

10 Koa amin’izany, ry kristianina havana, mikeleza aina kokoa mba handraikitra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo amin’ny fanaovan-tsoa; fa raha manao izany ianareo, dia tsy hivaona na oviana na oviana.

11 Ary amin’izany dia homena fidirana malalaka amin’ny fanjakan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika ianareo.

Asan’Apôstôly nataon’i Piera

12 Noho izany, hazoto mampahatsiaro anareo an’izany zavatra izany mandrakariva aho, na dia efa mahalala sy miorina mafy amin’ny fahamarinana efa ao aminareo aza ianareo.

13 Ataoko fa raha mbola amin’ity tranolay ity koa aho, dia adidiko ny mamoha anareo amin’ny fananarana,

14 satria fantatro fa akaiky ny hialako amin’ny tranolaiko araka izay nambaran’i Jesoa Kristy Tompontsika tamiko,

15 ka hanao izay zakako aho, mba hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva rehefa lasa aho.

16 Fa tsy nanaraka angano tsara lahatra foana izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery amam-pahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany tokoa.

17 Endrey izany haja amam-boninahitra nomen’Andriamanitra Ray Azy, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’ny voninahitra lehibe nanao hoe: «Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra.»

18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.

Ny teny faminaniana

19 Ary mafy orina kokoa ho antsika amin’izany ny Soratra faminaniana, izay tsara raha dinihinareo, fa toy ny jiro manazava ao amin’ny toerana maizimaizina izany, mandra-pipoaky ny andro, sy iposahan’ny kintana fitarikandro ao am-ponareo.

20 Fantaro tsara anefa fa tsy avy amin’ny fisainan’olona fotsiny ny faminaniana rehetra ao amin’ny Soratra Masina;

21 satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana nentin’ny sitrapon’ny olona, fa ny Fanahy Masina no nampiteny ny olo-masin’Andriamanitra izay notsindriany.

Categories
2Piera

2Piera 2

Ireo mpampianatra sandoka

1 Ary toy ny nisian’ny mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka fahiny, no hisian’ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an’ny tenany.

2 Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin’izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina.

3 Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.

Ireo anatry ny lasa

4 Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;

5 matoa tsy namindra fo tamin’izao tontolo izao fahiny Izy, afa-tsy tamin’i Nôe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony Izy nahatonga safodrano tamin’izao tontolo ratsy fanahy izao;

6 matoa nohelohiny hofongorana sy hanjary lavenona ny tanànan’i Sôdôma sy i Gômôra, ary nataony ho anatry ny mpanao ratsy atỳ aoriana;

7 ary matoa Izy namonjy an’i Lôta olo-marina, izay nijaly noho ny haratsiam-pitondràn-tenan-dry zareo tsy misoro-doza,

8 (fa ory loatra ny fanahin’io olo-marina io mahita sy mandre isan’andro ny fandikàn’izy ireo ny Lalàna, fony izy niara-nitoetra taminy):

9 dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,

10 indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana.

Ny sazy ho avy

Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory,

11 nefa na ny Anjely izay mahery kokoa sy ambony fahefana aza, tsy mitsara sy tsy miteny ratsy azy ireo eo anatrehan’ny Tompo.

12 Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin’ny fahalotoany izy ireo:

13 izany no ho valin’ny faharatsiany. Ny mahafinaritra azy ireo dia ny fy sendra isan’andro, ka feno tsiny amam-pondro izy; ataony fifaliana ho azy ny mamitaka anareo, amin’ny fiaraha-mihinam-py aminareo.

14 Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.

15 Niala tamin’ny lalan’i Balaama zanak’i Bôsôra, izay nankasitraka ny tambin’ny tsy fahamarinana,

16 nefa nahazo anatra noho ny fivadihany ity mpaminany, fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, nisakana ny hadalany.

17 Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin’ny tadio, ka haizina mainty be no miandry azy.

18 Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana.

19 Ampanantenainy fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon’ny fahalotoana, satria izay resy dia andevon’izay naharesy azy.

20 Ary raha olona efa niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao, noho ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr’izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.

21 Satria aleo tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalana masina nampianarina azy.

22 Tanteraka amin’ireny ilay ohabolana marina hoe:Ny alika miverina amin’ny loany, ary ny kisoa voasasa, mihosim-potaka indray.

Categories
2Piera

2Piera 3

Ny Andron’ny Tompo: Ny Mpaminany sy ny Apôstôly

1 Ry malala, ity no fanindroan’ny epistôla nosoratako ho anareo; ary izy roa dia samy entiko mampifoha ny sainareo mahitsy hitadidy tsara,

2 mba hahatsiarovanareo ny zavatra nambaran’ny mpaminany masina rahateo, mbamin’ny didin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika nampianarin’Apôstôlinareo.

Ireo mpampianatra sandoka

3 Fantaro tsara aloha fa any am-parany any, dia hisy mpaniratsira fetsy ratsy, izay hanaraka ny danin’ny kibony,

4 ka hilaza hoe: «Aiza ity fampanantenany hoe ho avy? Fa hatrizay nahafatesan’ny razana izay, tsy misy miova ny zavatra rehetra, fa toy ny hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ihany.»

5 Odian’izy ireo tsy fantatra fa hatramin’ny voalohany dia efa nisy tokoa ny lanitra, ary toy izany koa ny tany, izay niseho avy amin’ny rano sy natao tamin’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra,

6 ary rano ihany koa no efa nandravana an’izao tontolo izao fahizany, tamin’ny nanasaforany azy.

7 Ary raha ny amin’ny lanitra sy ny tany ankehitriny, dia mbola ny tenin’Andriamanitra ihany koa no mitana sy mitahiry azy hodorana amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.

8 Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala:amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.

9 Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.

10 Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.

Fiderana an’Andriamanitra

11 Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao, ho toy inona no tokony ho fahamasinan’ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,

12 amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny Andron’ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?

13 Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovaoisika, izay hanjakan’ny fahamarinana.

14 Amin’ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo, mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo.

15 Minoa fa ny haelan’ny fandeferan’ny Tompontsika dia ho an’ny famonjena anareo, toy ny nanoratan’i Paoly havana malalantsika taminareo koa, araka ny fahendrena nomena azy.

16 Toy izany koa no ataony amin’ny epistolany rehetra izay ilazany ny amin’izany zavatra izany; misy teny saro-pantarina anefa amin’ireny, izay aolan’ny sasany kely fahalalana sy ratsy orina, toy ny ataony amin’ny Soratra hafa koa, ka tonga fahaverezana ho azy.

17 Izao àry, ry malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy, ka hiala amin’izay niorenanareo.

18 Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy mandrakizay. Amen.