Categories
2Samoela

2Samoela 1

I Davida nandre ny nahafatesan’i Saola

1 Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida ka hatramin’ny andro roa i Davida no nipetraka tao Sikelega.

2 Tamin’ny andro fahatelo, inty nisy lehilahy anankiray, avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola, ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany, ary nony mby teo amin’i Davida izy dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.

3 Hoy i Davida taminy: «Avy aiza ianao?» Ary hoy ny navaliny azy: «Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho».

4 Dia hoy i Davida taminy: «Ka nanao ahoana avy? Tantarao amiko kely hoe». Ary hoy izy: «Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka, ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka, ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany».

5 Hoy i Davida tamin’ity zatovo, nilaza izany zava-baovao izany taminy: «Ahoana no ahafantaranao fa maty i Saola sy i Jônatasy?»

6 Ary izao no navalin’ilay zatovo nilaza ny vaovao taminy: «Sendra tany an-tendrombohitra Jelbôe aho, no inty i Saola nitehinatamin’ny lefony teo, efa saika tratry ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly mihitsy;

7 niherika izy ka nahatazana ahy dia niantso ahy, sy nolazaiko hoe: ‹Inty aho.›

8 Ary hoy izy tamiko: ‹Iza moa ianao?› Ka hoy aho namaly azy: ‹Amalesita aho.›

9 Dia hoy izy tamiko: ‹Avia atỳ akaikiko ary vonoy ho faty aho; fa efa fanina aho ity, nefa ny aiko manontolo mbola ato amiko.›

10 Dia nanatona azy aho, ka namono azy satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy rehefa resy. Koa nalaiko ny satrok’andriana teny an-dohany sy ny fehin-tanana teny amin’ny sandriny, dia indreto nentiko nankatỳ amin’ny tompoko.»

11 Dia noraisin’i Davida ny fitafiany, ka notriarinyary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.

12 Nanao ny fombam-pisaonana azy ireo izy, nitomany sy nifady haninamandra-paharivan’ny andro, nisaona an’i Saola sy i Jônatasy zanany ary ny olon’i Iaveh sy ny tranon’i Israely, satria lavon-tsabatra izy ireo.

13 Ary hoy i Davida tamin’ity zatovo nilaza ny vaovao taminy: «Avy aiza no tany fiavianao?» Hoy ny navaliny azy: «Izaho dia zanaky ny olona hafa firenena, dia olona Amalesita.»

14 Ary hoy i Davida taminy: «Nahoana ianao no dia tsy natahotra ny haninji-tanana hamono ny voahosotr’i Iaveh?»

15 Sady niantso ny anankiray tamin’ny tovolahy i Davida ka nanao hoe: «Avia, vonoy io.» Dia nasiany, ka maty.

16 Ary hoy i Davida taminy: «Aoka ny ranao ho eo an-dohanao, satria vavanao ihany no niampanga anao, fony ianao nanao hoe: ‹Izaho no namono ny voahosotr’i Iaveh.› »

Sentosenton’i Davida malahelo an’i Saola sy i Jônatasy

17 Noventesin’i Davida ity hira fisaonana an’i Saola sy i Jônatasy zanany ity,

18 ka nasainy nampianarina ny zanak’i Jodà izany. Io ilay hira hoe: Tsipìka. Indro fa voasoratra ao amin’ny Bokin’ny Marinaizany:

19 Moa levona teny amin’ny tamponao va

ny famirapiratr’i Israely?

Ahoana no nahalavoan’ny mahery?

20 Aza ambaranareo any Geta izany,

na torinareo any amin’ny araben’i Askalôna,

fandrao mifaly amin’izany ny zanaka vavin’i Filistinina,

fandrao mibita-kafaliana ny zanaka vavin’ny tsy mifora.

21 Ianareo tendrombohitra Jelbôe,

aza misy ando aman’orana intsony eo aminareo

na saha fisantaram-bokatra!

Fa teo no nahararaka an-tany ny ampingan’ny mahery.

22 Ny ampingan’i Saola tsy mba diloilo no nahosotra azy

fa ny ran’ny maratra sy ny tavin’ny mahery;

ny tsipìkan’i Jônatasy tsy lasa nihemotra na oviana na oviana

ary ny sabatr’i Saola tsy nody maina.

23 Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy,

fony fahavelony, ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka.

Mailaka noho ny voromahery izy,

mahery noho ny liona.

24 Mitomania an’i Saola, ry zanaka vavin’i Israely,

fa notafiany jaky tao anatin’ny fahafinaretana ianareo;

noravahany volamena ny fitafianareo!

25 Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?

Voagorobaka teo amin’ny havoanao i Jônatasy!

26 Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko!

Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka;

mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.

27 Ahoana no nahalavoan’ny mahery?

Ahoana no nahafatesan’ny mpiady?

Categories
2Samoela

2Samoela 2

Ny nanosorana an’i Davida tany Hebrôna

1 Taorian’izany dia nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hiakatra any amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Jodà va aho?» Dia hoy ny navalin’i Iaveh azy: «Miakara.» Hoy i Davida: «Aiza no hiakarako?» Ary i Iaveh namaly hoe: «Any Hebrôna.»

2 Dia niakatra tany i Davida mbamin’ny vadiny roa, i Akinôama avy any Jezraela sy i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala.

3 Nampiakatra ny olona teo aminy mbamin’ny fianakaviany koa i Davida ka nonina tamin’ny tanàna momba an’i Hebrôna izy ireo.

4 Dia tonga ny lehilahy amin’ny Jodà ka tao no nanosorany an’i Davida ho mpanjaka amin’ny fokon’i Jodà.

Hafatra ho an’ny olona tao Jabesa

Nisy nilaza tamin’i Davida fa ny olona any Jabesa any Galaada, no nandevina an’i Saola.

5 Ka dia nandefa iraka ho any amin’ny olona any Jabesa any Galaada i Davida hilaza aminy hoe: «Hotahin’i Iaveh anie ianareo, noho ny nanefanareo izany adidim-pitiavana izany amin’i Saola tomponareo, dia tamin’ny nandevenanareo azy.

6 Ary ankehitriny haneho hatsaram-po sy fahamarinana aminareo anie i Iaveh! Ary izaho koa hamaly soa anareo tamin’ny nanaovanareo an’izany.

7 Ary amin’izao hankeherezina anie ny tananareo, ka ho lehilahy mahery ianareo! Fa maty izay i Saola tomponareo, ary izaho no natsangan’ny fokon’i Jodà ho mpanjakany.»

I Abnera mametraka an’i Isbôseta ho mpanjakan’i Israely

8 Tamin’izany kosa i Abnera zanak’i Nera, lehiben’ny foloalindahin’i Saola, dia naka an’i Isbôseta, zanak’i Saola, ka rehefa nentiny nankany Mahanaîma izy,

9 dia natsangany ho mpanjaka amin’i Galaada, amin’ny Asorita, amin’i Zesraela, amin’i Efraima, amin’i Benjamina ary amin’i Israely rehetra.

10 Efa efapolo taona i Isbôseta zanak’i Saola fony izy nanjaka tamin’i Israely ary roa taona no nanjakany. Ny fokon’i Jodà irery ihany no nomba an’i Davida.

11 Ary fito taona sy enim-bolana no andro nanjakan’i Davida tao Hebrôna tamin’ny fokon’i Jodà.

Adin’i Jodà sy i Israely. Ady tao Gabaôna

12 Nivoaka avy ao Mahanaîma i Abnera zanak’i Nera, mbamin’ny mpanompon’i Isbôseta zanak’i Saola hamely an’i Gabaôna.

13 Niainga i Jôaba zanak’i Sarvià, mbamin’ny mpanompon’i Davida, ka tafahaona teo amoron’ny kamorin’i Gabaôna izy ireo; ny iray niorin-dasy teo amin’ny lafin’ny kamory anankiray, ny iray kosa tao amin’ny lafiny anankiray hafa.

14 Dia hoy i Abnera tamin’i Jôaba: «Aoka kely hitsangana ny tovolahy hikatroka eto anatrehantsika.» Ary namaly i Jôaba hoe: «Aoka hitsangana izy.»

15 Dia nitsangana izy ireo ka nandroso nitovy isa, roa ambin’ny folo tamin’i Benjamina sy amin’i Isbôseta zanak’i Saola, roa ambin’ny folo avy amin’ny mpanompon’i Davida.

16 Samy nisavika ny tandrifiny tamin’ny lohany izy ireo, dia nanindrona ny lanivoan’ny namany tamin’ny sabatra ka indray niankarapoka. Ary natao hoe Helkat-Hatsorimany anaran’io toerana io, any Gabaôna izany.

17 Rafitra mafy ny ady tamin’izany andro izany, ary resin’ny mpanompon’i Davida i Abnera sy ny lehilahy amin’i Israely.

18 Teo daholo tamin’izay izy telo lahy zanak’i Sarvià dia i Jôaba sy i Abisaia ary i Asaela. Faingan-tongotra hoatra ny iray amin’ny gazela any an-tsaha i Asaela.

19 Ka nanenjika an’i Abnera i Asaela ary tsy nivily tsy hanjòhy an’i Abnera na hiankavanana na hiankavia.

20 Dia niherika i Abnera, ka nanao hoe: «Ianao ve ity, ry Asaela?» Ary novaliany hoe: «Izaho ity!»

21 Hoy i Abnera taminy: «Mivilia amin’ny ankavanana, na amin’ny ankavia, ka ny iray amin’ireny tovolahy ireny samborina ka entina ny babo aminy.» Tsy nety nivily hiala aminy anefa i Asaela.

22 Ka hoy i Abnera taminy fanindroany hoe: «Mivilia tsy hanenjika ahy! Hataoko inona moa izay hamono anao hitsingidina amin’ny tany e? Ary ataoko ahoana no fanandratra ny tavako eo imason’i Jôaba rahalahinao?»

23 Fa tsy nety nivily i Asaela. Tamin’izay dia nasian’i Abnera tamin’ny antse-defona ny kibony, ary niboroaka tamin’ny lamosiny ny lefona, ka nitsingidina teo, maty teo no ho eo izy. Niato avokoa izay rehetra tonga teo amin’ny toerana nahalavoany sy nahafatesan’i Asaela.

24 Ary i Jôaba sy i Abisaia nanenjika an’i Abnera ary tamin’ny nilentehan’ny masoandro izy no tonga teo amin’ny havoan’i Amah izay eo atsinanan’i Giaka, amin’ny lalana mankany an’efitr’i Gabaôna.

25 Nitambatra indray nanaraka an’i Abnera ny taranak’i Benjamina ka nony tafakambana ho antoko miaramila iray ihany izy, dia niato teo an-tampon’ny havoana anankiray.

26 Ary niantso an’i Jôaba, i Abnera ka nanao hoe: «Hanao rapa-dango mandrakizay va ny sabatra? tsy fantatrao va fa hangidy no hiafaran’izany? Hiandry mandra-pahoviana ianao vao hilaza amin’ny vahoaka ny tsy hanenjika ny rahalahiny?»

27 Dia hoy ny navalin’i Jôaba: «Marina fa velona i Iaveh! Koa raha tsy niteny ianao dia ho tsy nitsahatra ny hanenjika ny rahalahiny avy ny vahoaka alohan’ny rahampitso maraina.»

28 Dia notsofin’i Jôaba ny trômpetra ka nijanona ny vahoaka rehetra tsy nanenjika an’i Israely intsony izy, ary tsy nanohy ny ady intsony.

29 I Abnera sy ny olony, nony nandeha nandritra ny alina tamin’ny Tany lemaka dia nita an’i Jordany ary namaky an’i Bitrona tontolo, dia tonga tany Mahanaîma.

30 I Jôaba kosa nitsahatra tsy nanenjika an’i Abnera, fa namory ny vahoaka rehetra; 19 lahy tamin’ny mpanompon’i Davida ary i Asaela no latsaka.

31 Ary enimpolo sy telon-jato lahy no matin’ny mpanompon’i Davida, tamin’ny lehilahy amin’i Benjamina sy ny olon’i Abnera.

32 Dia nentin’izy ireo i Asaela ka naleviny tao amin’ny fasan-drainy izay ao Betlehema. Ary nandeha nandritra ny alina manontolo i Jôaba sy ny olony, ka vao nazava ratsy ny andro dia tonga tany Hebrôna izy.

Categories
2Samoela

2Samoela 3

1 Naharitra ela ny adin’ny fianakavian’i Saola sy ny fianakavian’i Davida. I Davida nandroso nihanahery, fa ny fianakavian’i Saola kosa nihaosa miandalandalana.

Ireo zanak’i Davida teraka tany Hebrôna

2 Niteraka lahy maro i Davida tao Hebrôna; i Amôna naterak’i Akinôama avy any Jezraela no lahimatoa.

3 I Keleabanaterak’i Abigaila avy any Karmela, ilay novinadin’i Nabala, no lahiaivo; i Absalôna, zanak’i Maakà, zanaka vavin’i Tolmaia, mpanjakan’i Gesora, no fahatelo;

4 i Adoniasy zanak’i Hagita, no fahefatra; i Safatià zanak’i Abitala, no fahadimy.

5 Ary i Jetraama naterak’i Eglà vadin’i Davida, no fahenina. Ireo no zazalahy naterak’i Davida tao Hebrôna.

Rava ny fihavanan’i Abnera sy i Isbôseta

6 Tamin’ny andro niadian’ny fianakavian’i Saola sy ny fianakavian’i Davida, dia nihamahery i Abnera tao amin’ny tranon’i Saola.

7 Ary nisy vaditsindranon’i Saolaanankiray natao hoe Resfà zanaka vavin’i Aià; ary hoy i Isbôseta tamin’i Abnera hoe:

8 «Ahoana no nandeha tamin’ny vaditsindranon’Ikaky ianao?» Ka tezitra mafy i Abnera noho ny tenin’i Isbôseta ka namaly hoe: «Lohan’alikaanisan’i Jodà va aho? Amin’izao, mampiseho fitiavana ny tranon’i Saola, rainao, sy ny rahalahiny aman-tsakaizany aho, ary tsy nanolotra anao ho eo an-tanan’i Davida ka dia izao ianao no manìny ahy amin’ny hadisoana tamin’iny vehivavy iny?

9 Hoentin’Andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie i Abnera raha tsy hataoko amin’i Davida araka izay nianianan’i Iaveh taminy,

10 fa hoesoriny amin’ny fianakavian’i Saola ny fanjakana ka hatsangany amin’i Israely sy i Jodà hatrany Dana ka hatrany Bersabeany seza fiandrianan’i Davida.»

11 Tsy nahavaly an’i Abnera i Isbôseta, na indraimbava aza, fa natahotra azy.

I Abnera nifampiraharaha amin’i Davida

12 Dia nandefa iraka nankany amin’i Davida i Abnera hilaza aminy, amin’ny anarany, hoe: «An’iza ny tany?Manaova fanekena amiko, dia homba anao ny tanako hampihodina an’i Israely rehetra hankaminao.»

13 Ary novaliany hoe: «Tsara izany; hanao fanekena aminao aho, fa zavatra iray loha no angatahiko aminao, dia ny tsy hahitanao ny tavako raha tsy entinao atỳ amiko i Mikola zanaka vavin’i Saola rehefa ho avy ianao hifankahita tava amiko.»

14 Dia nandefa iraka ho any amin’i Isbôseta zanak’i Saola i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikola vadiko izay nampakariko notakalozako hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato.»

15 Ka nampanalain’i Isbôseta i Mikola tany amin’i Faltiela vadiny, zanak’i Laïsa,

16 ary nanaraka azy ny lahy, nandeha sy nitomany avy ao aoriana, hatreo Batorima, fa nony mby teo, dia hoy i Abnera taminy: «Mandehana miverina.» Ka dia niverina izy.

17 Nisy dinidinika nataon’i Abnera tamin’ny loholon’i Israely, ka hoy izy tamin’izy ireo: «Efa ela no nanirianareo an’i Davida ho mpanjakanareo,

18 koa misikìna àry ankehitriny, fa i Iaveh nilaza tamin’i Davida hoe: Amin’ny tanan’i Davida, mpanompoko, no hanafahako an’i Israely vahoakako amin’ny tanan’ny Filistinina, sy amin’ny tanan’ny fahavalony rehetra.»

19 Ary niresaka tamin’i Benjamina koa i Abnera, ary lasa i Abnera hilaza ho henon’i Davida any Hebrôna izay noheverin’i Israely sy ny taranak’i Benjamina rehetra ho mety.

20 Dia tonga tany amin’i Davida, tany Hebrôna i Abnera, nomban’olona roapolo lahy. Ary nanao fanasana ho an’i Abnera sy ho an’ny olona nanaraka azy i Davida.

21 Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: «Hitsangana aho ka hiainga hamory an’i Israely rehetra ho atỳ amin’ny mpanjaka tompoko, ary hanao fanekena aminao izy, ka hanjaka amin’izay rehetra irin’ny fonao ianao.» Dia nalefan’i Davida i Abnera ka nandeha amim-piadanana.

Ny namonoana an’i Abnera

22 Fa indreto kosa tamy ny mpanompon’i Davida sy i Jôaba avy nitoha ka nitondra babo betsaka niaraka taminy. Tsy teo amin’i Davida tao Hebrôna intsony i Abnera, fa efa nalefany handeha ka nandeha tamim-piadanana izy.

23 Dia tonga i Jôaba sy ny antokon’olona rehetra niaraka taminy, ka nisy nilaza tamin’i Jôaba hoe: «Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera zanak’i Nera, fa nalefany ka lasa nandeha tamim-piadanana izy!»

24 Dia nankao amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nanao hoe: «Inona no nataonao? Tonga teto aminao i Abnera, ka nahoana no nalefanao sy navelanao handeha? Fantatro anefa i Abnera zanak’i Nera.

25 Fa ny hamitaka anao no nahatongavany tatỳ ary hitsikilo ny fanaonao sy hahalala ny ataonao rehetra!»

26 Nony avy eo amin’i Davida i Jôaba dia naniraka olona hanara-dia an’i Abnera, ka avy amin’ny famorian-drano any Sira no nitondrany azy miverina; tsy fantatr’i Davida velively anefa izany.

27 Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.

28 Ren’i Davida izany, tatỳ aoriana, ka hoy izy: «Tsy manan-tsiny mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh aho sy ny fanjakako, ny amin’ny ran’i Abnera zanak’i Nera.

29 Fa amin’ny lohan’i Jôaba sy ny ankohonan-drainy rehetra anie izany: ka tsy ho tapaka eo amin’ny fianakavian’i Jôaba ny marary mitsi-dra na boka, na mampandihy ampelana lavon-tsabatra, na tsy ampy hanina.»

30 Dia toy izany no namonoan’i Jôaba sy i Abisaia rahalahiny an’i Abnera, noho ny namonoany an’i Asaela rahalahiny tany Gabaôna tamin’ny ady.

31 Ary hoy i Davida tamin’i Jôaba sy ny vahoaka rehetra teo aminy: «Triaro ny fitafianareo, misikìna lasàka, ary aoka hisaona eo alohan’i Abnera ianareo.» Dia nandeha teo aorian’ny tranovorona i Davida mpanjaka.

32 Tao Hebrôna no nalevina i Abnera. Nitomany tamin’ny feo avo ny mpanjaka teo amin’ny fasan’i Abnera, ary nitomany koa ny vahoaka rehetra.

33 Nanao hira fisaonana an’i Abnera ny mpanjaka nanao hoe:

«Toy ny fahafatin’adala va no tokony ho nahafatesan’i Abnera?

34 Tsy nifatotra ny tananao,

tsy nigadra ny tongotrao,

Fa toy ny fahavalon’olona sehatra ny olon-dratsy ny nahalavo anao!»

Dia nanohy nigogogogo nitomany an’i Abnera ny vahoaka rehetra;

35 ary nanatona an’i Davida nampihinan-kanina azy ny vahoaka rehetra, raha mbola antoandro ny andro; nefa nianiana i Davida nanao hoe: «Hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha hanendry hanina na zavatra hafa na inona na inona, alohan’ny maty masoandro!»

36 Hitan’ny vahoaka rehetra tsara izany, ka nankasitrahiny, toy ny nankasitrahany an’izay rehetra nataon’ny mpanjaka koa.

37 Fantatry ny vahoaka rehetra sy i Israely rehetra, tamin’izany andro izany fa tsy mba avy amin’ny mpanjaka velively ny namonoana an’i Abnera, zanak’i Nera.

38 Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: «Tsy fantatrareo va fa mpifehy ary lehilahy ambony amin’i Israely no maty androany?

39 Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak’i Sarvià ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian’i Iaveh anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!»

Categories
2Samoela

2Samoela 4

Ny namonoana an’i Isbôseta

1 Nony ren’ny zanaka lahin’i Saola fa hoe maty i Abnera, tao Hebrôna, dia niraviravy tanana izy ary kivy ratsy i Israely rehetra.

2 Roa no lehiben’ny antokon’olon’ny zanaka lahin’i Saola, dia i Baanà ny anankiray, ary i Rekaba ny anankiray, samy zanak’i Remôna avy ao Berôta amin’ny taranak’i Benjamina. Fa natao isan’i Benjamina koa i Berôta,

3 ary ny Berôtita dia nandositra nankany Getaima, ka mbola monina any mandrak’androany.

4 I Jônatasy zanak’i Saola, dia nanan-janaka malemy tongo-droa. Dimy taona io zaza io, no tonga avy any Jezraela, ny filazana ny amin’i Saola sy i Jônatasyhoe maty, ka nentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; noho ny firotorotoan’izy io loatra teny am-pandosirana anefa dia potraka ny zaza ka nalemy tongotra. Mifibôsetano anarany

5 Ary tonga i Rekaba sy i Baanà zanak’i Remôna avy any Berôta, ka nony tamin’ilay andro nigaingaina iny indrindra, dia niditra tao an-tranon’i Isbôseta izay nandrinandry niala sasatratamin’ny misasaka andro.

6 Nony niroso hatreo afovoan-trano haka vary izy ireo, dia nasiany tamin’ny kibony izy. Ary i Rekaba sy i Baanà rahalahiny dia nitsoriaka an-tsokosoko.

7 Ilay nandry teo am-parafarany, tao an’efitra fandriany iny i Isbôseta, no niditra tao an-trano izy ireo, dia novonoiny ho faty izy, ka notapahiny ny lohany, dia nentiny, ary nandeha mandritra ny alina manontolo izy, namaky ny Tany lemaka.

8 Nentiny tany amin’i Davida tany Hebrôna ny lohan’i Isbôseta, dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Indro ny lohan’i Isbôseta zanak’i Saola, fahavalonao, izay nitady ny ainao. Namalian’i Iaveh faty an’i Saola sy ny taranany androany ny mpanjaka tompoko.».

9 Ary hoy ny navalin’i Davida tamin’i Rekaba sy i Baanà rahalahiny, zana-dRemôna, avy any Berôta: «Velona i Iaveh, izay nanafaka ahy tamin’ny loza rehetra!

10 Ny olona tonga tao amiko hilaza ny vaovao hoe indro fa maty i Saola, ary nihevitra fa nitondra zava-baovao tsara, nefa nasaiko nosamborina sy novonoina ho faty tany Sikelega ho valin’ny vaovao tsara nentiny,

11 ka mainka raha olona ratsy fanahy no namono olona tsy manan-tsiny, any an-tranony, eo am-pandriany, tsy maintsy hitaky eo amin’ny tananareo ny rany aho sy hamongotra anareo amin’ny tany!»

12 Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo i Davida; ary notapahin’izy ireo ny tongony aman-tanany, ka nahantony teo amoron’ny farihy any Hebrôna. Raha efa izany dia nalainy ny lohan’i Isbôseta sy naleviny tao amin’ny fasan’i Abnera ao Hebrôna.

Categories
2Samoela

2Samoela 5

Fanosorana an’i Davida ho mpanjakan’i Israely

1 Ary tonga amin’i Davida tany Hebrôna ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe: «Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay.

2 Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»

3 Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavananatamin’izy ireo tany, teo anatrehan’i Iaveh, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.

4 Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka, ary efapolo taona no andro nanjakany.

5 Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana, ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra 33 taona.

Ny nahazoana an’i Jerosalema

6 Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema, hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany. Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: «Tsy ho tafiditra atỳ ianao, fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.» Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.

7 Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna: ny tanànan’i Davida izany.

8 Ary hoy i Davida tamin’izany andro izany: «Na iza na iza hamely ny Jeboseanina, ka hihazo amin’ny lalan-drano…Fa ny mandringa sy ny jamba koa dia mankahala ny ain’i Davida.» Izany no niavian’ilay fitenenana hoe: tsy ho tafiditra an-trano ny jamba sy ny mandringa.

9 Dia niorim-ponenana teo amin’ny toerana mimanda i Davida, ka nataony hoe: Tanànan’i Davida izany. Ary nanorina trano tamin’ny manodidina i Davida hatrany Melaô, mbamin’ny ao anatiny koa.

10 Nandroso niha-ambony hatrany hatrany i Davida, ary nomba azy i Iaveh Andriamanitry ny tafika.

11 Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.

12 Dia fantatr’i Davida fa naraikitr’i Iaveh ho mpanjakan’i Israely izy, ary ny fanjakany koa nasandrany, noho i Israely vahoakany.

Ireo zanak’i Davida tao Jerosalema

13 Naka vaditsindrano sy vady koa i Davida, tany Jerosalema, nony tonga avy any Hebrôna izy, ka niteraka zazalahy aman-jazavavy indray i Davida.

14 Ireto no anaran’ireo naterany tany Jerosalema:

15 Samoà, Sôbaba, Natàna, Salômôna, Jebahara,

16 Elisoa, Nefega, Jafia, Elisamà, Eliodà, ary Elifaleta.

Fandresena ny Filistinina

17 Ren’ny Filistinina fa hoe nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida ka niakatra nitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida, ka nidina nankao amin’ny toerana mimanda.

18 Nony tonga ny Filistinina dia nihahaka teny amin’ny lohasahan’i Refaima.

19 Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ary hoy i Iaveh tamin’i Davida: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.»

20 Dia nankany Baala-Farasimai Davida ka namely azy tao i Davida, ary hoy izy: «Novakin’i Iaveh teo anoloako toy ny amakian’ny rano ny fefiloha, ny fahavaloko.» Izany no nanaovana an’io toerana io hoe: Baala-Farasima.

21 Navelan’izy ireo tao ny sampiny, ka nentin’i Davida sy ny olony.

22 Niakatra indray ny Filistinina, ka nihahaka teo amin’ny lohasahan’i Refaima.

23 Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, sy novaliany hoe: «Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy dia hirotsaka aminy, avy arỳ amin’ny balsamie, ianao,

24 ka nony injay mahare fingodongodonan’olona any an-tendron’ny balsamie ianao dia mameleza faingana, fa amin’izay i Iaveh no hivoaka eo alohanao hamely ny tafiky ny Filistinina.»

25 Dia nanao araka izany i Davida, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ka nandresy ny Filistinina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.

Categories
2Samoela

2Samoela 6

Ny Fiaran’ny Fanekena tany Jerosalema

1 Namory ny olona voafantina rehetra amin’i Israely indray i Davida, dia telo alin-dahy.

2 Dia nitsangana i Davida ka niainga izy narahin’ny vahoaka rehetra izay tafavory manodidina azy, ka nankany Baala-Jodàmba hampiakatra avy any ny Fiaran’Andriamanitra izay fiantsoana ilay Anarana, ny Anaran’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka eo ambonin’ny Kerobima.

3 Napetrany teo ambony sarety vaovao ny Fiaran’Andriamanitra ary nentiny avy tao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana; ka i Ozà sy i Akiaô zanak’i Abinadaba, no nitarika ny sarety vaovao.

4 Ary nentiny avy ao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana, mbamin’ny Fiaran’Andriamanitra. I Akiaô no nandeha teo aloha.

5 I Davida sy ny taranak’i Israely rehetra, izany, nandihy teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny feon-java-maneno isan-karazany, natao tamin’ny hazo sipre, ny harpa, ny valiha, ny ampongatapaka, ny sistra, ary ny kipantsona.

6 Nony tonga teo am-pamoloan’i Nakôra izy ireo, dia naninjitra ny tanany nankamin’ny Fiaran’Andriamanitra i Ozà sy nandray azy, fa nisolifaka ny omby.

7 Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh ka nasian’Andriamanitra teo no teo ihany noho ny fikoropany foana, dia maty teo anilan’ny Fiaran’Andriamanitra izy.

8 Nahatezitra an’i Davida ny namelezan’i Iaveh an’i Ozà toy izany; ary io toerana io dia nantsoina mandrak’androany hoe: Ferets-Ozà.

9 Natahotra an’i Iaveh i Davida tamin’izany andro izany, ka hoy izy: «Hanao ahoana ny hankanesan’ny Fiaran’i Iaveh any amiko?»

10 Koa i Davida tsy nety nandray ny Fiaran’i Iaveh ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, fa nasain’i Davida nentina nankany an-tranon’i Obededôma, any Geta, ny Fiara.

11 Dia nipetraka tao an-tranon’i Obededôma any Geta telo volana ny Fiaran’i Iaveh, ka nambinin’i Iaveh i Obededôma sy ny ankohonany rehetra.

12 Nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida mpanjaka nanao hoe: «Nambinin’i Iaveh ny ankohonan’i Obededôma sy ny ananany rehetra, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra.» Dia niainga nandeha i Davida, ka nampiakatra ny Fiaran’Andriamanitra avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida, nomba-mpanotrona maro niravoravo.

13 Nony namindra inenina ny mpitondra ny Fiaran’i Iaveh, dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.

14 Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.

15 Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny Fiaran’i Iaveh.

16 Nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanak’i Saola, nony niditra ny tanànan’i Davida ny Fiaran’i Iaveh, ary nahita ity Davida mpanjaka mitsinjaka sy mandihy teo anatrehan’i Iaveh izy, ka nikizaka azy tao am-pony.

17 Nony tafiditra ny Fiaran’i Iaveh ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay nasain’i Davida natsangana ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh i Davida.

18 Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’i Iavehn’ny tafika izy.

19 Dia samy nomeny mofomamy iray sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra, ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy. Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.

20 Raha ilay nody hitso-drano ny ankohonany iny i Davida, dia nivoaka hitsena an’i Davida i Mikola zanak’i Saola, sy nanao hoe: «Endrey izany voninahitry ny mpanjakan’i Israely androany, tamin’izy nanary lambateo anatrehan’ny ankizy vavin’ny mpanompony, tahaka ny fanary lamban’ny olom-poana!»

21 Fa hoy kosa ny navalin’i Davida tamin’i Mikola: «Teo anatrehan’i Iaveh izay nifidy ahy noho ny rainao sy ny ankohonany rehetra, ka nanangana ahy ho andriana tamin’ny vahoakany, tamin’i Israely, teo anatrehan’i Iaveh no nandihizako.

22 Mbola hanetry tena noho izany aza aho, sy ho olona tsinontsinona eo imasoko, ary eo anatrehan’ny ankizy vavy antsoinao, eo amin’izy ireo aho dia ho be voninahitra.»

23 Ary tsy nanan-janaka mandra-pahafatiny i Mikola zanaka vavin’i Saola.

Categories
2Samoela

2Samoela 7

Faminanian’i Natàna

1 Nony efa niorina tsara tao an-tranony ny mpanjaka sady nomen’i Iaveh fandriam-pahalemana tamin’ny fahavalony rehetra nanodidina azy,

2 dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natànampaminany: «Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!»

3 Ka hoy i Natàna, namaly ny mpanjaka: «Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao i Iaveh.»

4 Ny alin’izay ihany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

5 «Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao ve no hanao trano hitoerako?

6 Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.

7 Ary mandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’ny zanak’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ireo mpifehy an’i Israely vahoakako, nanaovako hoe: Nahoana ianareo no tsy manao trano sedera ho Ahy?

8 Koa ankehitriny, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida, hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Tany an-tanim-bilona tao aorian’ny ondry no nangalako anao ho andriana amin’ny vahoakako, amin’i Israely, ary izay nalehanao nombako anao avokoa;

9 ny fahavalonao rehetra naringako teo anoloanao, ny anaranao nataoko malaza toy ny anaran’olo-malaza ambonin’ny tany.

10 Nanokan-toerana ho an’ny vahoakako, ho an’i Israely Aho, dia nampiorina azy eo, ka efa monina ao aminy izy, ary handry tsy amin’ahiahy, fa tsy hampahorian’ny zanaky ny faharatsiana toy ny taloha intsony,

11 sy toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara hifehy an’i Israely vahoakako. Nanome anao fialan-janona tamin’ny fahavalonao rehetra Aho; ary lazain’i Iaveh aminao fa hananganany trano ianao.

12 Rehefa tapitra ny andronao, ka mandry amin’ny razanao ianao; dia hatsangako ny taranakaomanaraka anao, izay haloaky ny kibonao, ary hamafisiko ny fanjakany.

13 Izay no hanorina trano ho an’ny Anarako, ary hohamafisiko ho mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.

14 Ho toy ny ray ho azy Aho, ary izy dia ho toy ny zanaka ho Ahy. Raha manao ratsy izy, dia hofaizako amin’ny tsora-kazon’olombelona, sy ny kapoky ny zanak’olombelona.

15 Ny famindram-poko anefa tsy mba hiala aminy, toy ny nanesorako izany tamin’i Saola, izay nalako teo anoloanao.

16 Fa ho azo antoka ny faharetan’ny tranonao, sy ny fanjakanao eo anatrehanao mandrakizay ary hiorina mandrakizay ny seza fiandriananao.»

17 Nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa izany teny sy fahitana rehetra izany.

Vavak’i Davida

18 Dia tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: «Zinona moa aho, Iaveh Tompo ô! Ary zinona moa ny mpianakaviko no nentinao ho tonga amin’izao aho?

19 Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Iaveh Tompo, fa niteny Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao koa, hatrany amin’ny andro aoriana any. Arakaraka ny lalàn’ny olombelona izany ataonao amiko izany, Iaveh Tompo ô!

20 Inona indray àry no azon’i Davida lazaina aminao? fantatrao ny mpanomponao, ry Iaveh Tompo!

21 Ary noho ny teninaosy araka ny sitraponao no nanaovanao izany raharaha lehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao izany ny mpanomponao.

22 Fa endrey izany halehibeazanao, ry Iaveh Tompo ô! Fa tsy misy tahaka Anao, tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

23 Aiza izay firenena eto ambonin’ny tany tahaka ny vahoakanao, tahaka an’i Israely, fa Andriamanitra no tonga hanavotra azy, mba ho vahoakany, hahalaza ny Anarany, hanao zava-dehibe ho Anao, ary hanao famantarana ho an’ny taninao, tamin’ny nandroahanao ireo firenena mbamin’ny andriamaniny teo anoloan’ny vahoakanao izay navotanao tamin’i Ejipta.

24 Nataonao mafy orina i Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay, ka Ianao, ry Iaveh, dia efa tonga Andriamaniny.

25 Koa ankehitriny, ry Iaveh Tompo ô, tano ny teny voalazanao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany, tano mandrakizay izany ary tanteraho araka ny teninao;

26 dia hankalazaina anie ny Anaranao, ka hatao hoe: Iavehn’ny tafika no Andriamanitra amin’i Israely. Ary aoka ho voaorina mafy eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.

27 Fa tenanao, ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe: Hanorenako trano ianareo. Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.

28 Koa ankehitriny, ry Iaveh Tompo, Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao. Efa nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao,

29 ka aoka ho sitrakao ny hitahy ny fianakavian’ny mpanomponao, mba haharetany mandrakizay eo anatrehanao. Fa Ianao, Iaveh Tompo, no niteny, ka amin’ny fitahianao dia ho voatahy mandrakizay ny fianakavian’ny mpanomponao.»

Categories
2Samoela

2Samoela 8

Ireo ady nataon’i Davida

1 Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr’izy ireo teo an-tanany.

2 Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin’ny tany ireo, dia norefesiny tamin’ny kofehy, ka nandrefy indroan’ny kofehy izy, novonoiny ny eran’ny kofehy, novelominy ny eran’ny kofehy. Dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita, ka nanatitra hetra ho azy.

3 Teny an-dalana, fony izy ndeha hampody ny fanjakany eo amoron’ny ony Eofrata, dia resin’i Davida koa i Hadadezerazana-dRohoba, mpanjakan’i Sobà.

4 Ary miaramila an-tsoavaly 1.700, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin’i Davida taminy; ny soavalin-kalesy notraingoin’i Davida avokoa, fa ny mpitarika kalesy zato sisa no notanany.

5 Tonga namonjy an’i Hadadezera mpanjakan’i Sobà koa ny Sirianina avy any Damasa, ka noresen’i Davida ny roa alina tamin’ny Sirianina.

6 Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka tonga mpanompon’i Davida nanatitra hetra ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.

7 Nalain’i Davida ny ampinga volamena tao amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema;

8 varahina be dia be koa no azon’i Davida mpanjaka, tao Bete sy i Berôta, tanànan’i Hadadezera.

9 Nony ren’i Taohò mpanjakan’i Hamata, fa hoe resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Hadadezera,

10 dia nirahin’i Taohò ho any amin’i Davida mpanjaka, i Jôrama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an’i Hadadezera, fa niady lava tamin’i Hadadezera i Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tanan’i Jôrama.

11 Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin’ny firenena rehetra nohitsahin’ny tongony,

12 dia i Siria, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina, i Amaleka; ary ny avy tamin’ny babo azony tamin’i Hadadezera zanak’i Rohoba, mpanjakan’i Sobà.

13 Nahazo laza i Davida fony izy niverina avy nandresy ny Sirianina18.000, teo amin’ny Lohasahan-tSira.

14 Nametrahany miaramila mponina tao Edôma, nametrahany miaramila avokoa i Edôma tontolo, ka dia mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.

Fitondrana ny fanjakana

15 Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.

16 I Jôaba, zanak’i Sarvià, no nifehy ny miaramila; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana;

17 I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;

18 i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’nyKeretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.

Categories
2Samoela

2Samoela 9

Hatsarampon’i Davida tamin’ilay zanak’i Jônatasy

1 Ary hoy i Davida: «Mbola misy olona amin’ny fianakavian’i Saola va, mba hasiako soa noho ny amin’i Jônatasy?»

2 Nisy mpanompon’ny fianakavian’i Saola anankiray izay kosa, atao hoe Sibà, dia nantsoina hankeo amin’i Davida izy io, ka hoy ny mpanjaka taminy: «Ianao va no Sibà?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mpanomponao!»

3 Ka hoy ny mpanjaka: «Tsy misy olona amin’ny fianakavian’i Saola intsony va, ka hanisy soa azy aho tahaka an’Andriamanitra?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Mbola misy zanaka lahin’i Jônatasy anankiray ao; fa malemy ny tongony roa.»

4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Aiza izy izay?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Indro izy ao an-tranon’i Makira, zanak’i Amiela, any Lôdabara.»

5 Dia nampanalain’i Davida mpanjaka tany an-tranon’i Makira zanak’i Amiela tany Lôdabara izy.

6 Nony tonga teo amin’i Davida i Mifibôseta zanak’i Jônatasy zanak’i Saola, dia niondrika tamin’ny tany sy niankohoka. Ka hoy i Davida: «Mifibôseta!» Ary hoy ny navaliny: «Inty ny mpanomponao.»

7 Dia hoy i Davida taminy: «Aza matahotra, fa te hanisy soa anao aho, noho ny rainao i Jônatasy. Ny tanin’i Saola rainao haveriko aminao avokoa; ary ianao hihinana amin’ny latabatro mandrakariva.»

8 Niankohoka izy, sady nanao hoe: «Zinona moa ny mpanomponao no itodihanao ny alika maty tahaka ahy?»

9 Dia nantsoin’ny mpanjaka i Sibà mpanompon’i Saola, ka hoy izy taminy: «Atolotro ny zanaky ny tomponao avokoa izay rehetra nananan’i Saola sy ny ankohonany.

10 Ka ianao sy ny zanakao lahy mbamin’ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy, dia hanatitra ny vokatra hiveloman’ny zanaky ny tomponao, ary i Mifibôseta zanaka lahin’ny tomponao, dia hihinana eo amin’ny latabatro mandrakariva.» Nanan-janaka lahy 15, sy mpanompo 20, i Sibà.

11 Ary hoy i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Hataon’ny mpanomponao avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka tompoko, ny mpanompony.»

I Mifibôseta dia nihinana teo amin’ny latabatr’i Davida, toy ny iray amin’ny zanaky ny mpanjaka.

12 Nanan-janaka lahy iray mbola tanora atao hoe i Mika, i Mifibôseta; ary mpanompony avokoa izay rehetra nitoetra tao an-tranon’i Sibà.

13 Nonina tany Jerosalema i Mifibôseta, fa nihinana teo amin’ny latabatry ny mpanjaka mandrakariva izy; ary nikolepaka ny tongony roa.

Categories
2Samoela

2Samoela 10

Faniratsirana an’ireo nirahin’i Davida

1 Tatỳ aorian’izany, maty ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ka dia i Hanòna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

2 Ary hoy i Davida: «Hampiseho fankasitrahana amin’i Hanòna zanak’i Naasa aho, toy ny nampisehoan-drainy fankasitrahana tamiko.» Dia nampitondra fitsapana alahelo azy noho ny amin-drainy i Davida tamin’ny alalan’ny mpanompony. Nony tonga tany amin’ny tanin’i Amôna ny mpanompon’i Davida,

3 dia hoy ny filohan’ny taranak’i Amôna tamin’i Hanòna tompony: «Moa heverinao ho fanajana an-drainao no nanirahan’i Davida mpanala alahelo atỳ aminao? Moa tsy ny hizaha sy hisafo ny tanàna va, mba handravany azy no nanirahan’i Davida ny mpanompony ho atỳ aminao?»

4 Dia nosamborin’i Hanòna ny mpanompon’i Davida, ka ny somony noharatany sasaka; ny akanjo nofolonany hatreo amin’ny foto-peny, vao nalefany izy ireo hody.

5 Nisy nampandre izany an’i Davida, dia naniraka olona hitsena azy ireo izy fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo, ka izao no nasain’ny mpanjaka nambara taminy: «Mitoera any Jerikô aloha, mandra-panirin’ny somotrareo, vao mody ianareo»

Voalohany nanafihana ny Amônita

6 Fantatry ny taranak’i Amôna, fa hankahalan’i Davida azy ny nataony ka ny taranak’i Amôna dia naniraka olona haka miaramila hokaramaina avy amin’ny Sirianina any Beta-Rohoba sy amin’ny Sirianina any Sobà, dia miaramila an-tongotra 20.000, ary any amin’ny mpanjakan’i Maakà koa 2.000 lahy, ary any olona ao Tôba 12.000 lahy.

7 Ren’i Davida izany, ka mba nalefany kosa i Jôaba sy ny miaramila rehetra, lehilahy voafantina.

8 Dia nivoaka ny taranak’i Amôna, ka nilahatra hiady teo anoloan’ny vavahady; ny Sirianina avy any Sobà sy Rohoba mbamin’ny lehilahy avy any Tôba sy Maakà kosa nitokana teny an-tsaha.

9 Nony hitan’i Jôaba fa samy nisy vava ady teo anoloany sy teo ivohony, dia antokony iray tamin’izay voafantina tamin’i Israely no nofidiny hilahatra mifanatrika amin’ny Sirianina,

10 fa ny vahoaka sisa rehetra kosa nomeny hotarihin’i Abisaia rahalahiny, izay nampilahatra azy ireo hanoloana ny taranak’i Amôna.

11 Ary hoy izy: «Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia handeha hamonjy ahy ianao, fa raha mahery noho ianao kosa ny taranak’i Amôna dia handeha hamonjy anao aho.

12 Mahereza ary samia mitomban-dahy isika miady ho an’ny firenentsika sy ho an’ny tanànan’ny Andriamanitsika; dia aoka i Iaveh hanao izay ataony ho mety.»

13 Dia nandroso namely ny Sirianina i Jôaba sy ny vahoaka momba azy, ka nandositra teo anoloany ireny.

14 Nony hitan’ny taranak’i Amôna fa nandositra ny Sirianina, dia nandositra teo anoloan’i Abisaia koa izy ireo, ka niditra tao an-tanàna indray. Dia niverina i Jôaba nony avy namely ny taranak’i Amôna, ka niditra tany Jerosalema.

Ny nandresena an’ireo Sirianina

15 Nony hitan’ny Sirianina ny nahareseny teo anatrehan’i Israely dia nikambana izy ireo.

16 Ary nisy olona nirahin’i Hadarezerahaka ny Sirianina izay tany an-dafin’ny ony, ka tonga tao Helama izy ireo; ary i Sobàka, lehiben’ny tafik’i Hadarezera no nitarika azy.

17 Novorin’i Davida i Israely rehetra, nony nandre izany izy, ka nita an’i Jordany izy, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra hiady amin’i Davida ny Sirianina, ka dia izy no nanomboka ny ady taminy.

18 Kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina, ka matin’i Davida ny an-kalesy 700, sy an-tsoavaly 40.000 tamin’izy ireo; nasiany koa i Sobàka lehiben’ny tafik’izy ireo, ka maty teo izy.

19 Hitan’ny mpanjaka rehetra fehezin’i Hadarezera fa resy teo anatrehan’i Israely izy, ka nanao fanekem-pihavanana tamin’i Israely izy, dia nanompo azy ary tsy sahy namonjy ny taranak’i Amôna intsony ny Sirianina.