Mosary lehibe. Ny namonoana ny taranak’i Saola
1 Tamin’ny andron’i Davida nisy mosary naharitra telo taona nifanesy. Ka nanontany ny Tavan’i Iavehi Davida ary hoy i Iaveh: «Avy amin’i Saola sy ny ankohonany, avy amin’ny ra izao; fa namono ny Gabaônita izy.»
2 Dia nampaka ny Gabaônita ny mpanjaka sy nilaza taminy hoe: «Tsy mba isan’ny zanak’i Israely ny Gabaônita, fa avy amin’ny sisan’ny Amôreana. Efa nifanaiky tamin’izy ireo tamim-pianianana ny zanak’i Israely, nefa nitady izay hamelezana azy i Saola noho ny fahazotoany hiaro ny zanak’i Israely sy i Jodà.»
3 Izao no nolazain’i Davida tamin’ny Gabaônita: «Inona no hataoko ho anareo? Ary amin’inona no hanaovako ny fanonerana mba hitsofanareo rano ny lovan’i Iaveh?»
4 Dia hoy ny Gabaônita taminy: «Tsy raharaham-bolafotsy na volamena amin’i Saola sy ny taranany no anay, na mitady ain’olona amin’i Israely izahay.» Ka hoy ny mpanjaka: «Inona àry no tianareo hataoko aminareo?»
5 Ary hoy ny navaliny tamin’ny mpanjaka: «Nandringana anay sy nikasa handevona anay tsy hisy velona intsony eto amin’ny tanin’i Israely rehetra iny lehilahy iny.
6 Ka tolory fito lahy amin’ny taranany izahay mba hahantonay eo anatrehan’i Iaveh, any Gabaàn’i Saola, ilay voafidin’i Iaveh.» Dia hoy ny mpanjaka: «Hatolotro ireo.»
7 I Mifibôseta zanak’i Jônatasy, zanak’i Saola, no notsimbinin’ny mpanjaka, noho ny fianianana tamin’i Iaveh teo anelanelan’izy roa lahy, dia i Davida sy i Jônatasy zanak’i Saola.
8 Nalain’ny mpanjaka izy roa lahy zanak’i Resfà, zanaka vavin’i Aià, izay naterany tamin’i Saola, dia i Armônì sy i Mifibôseta, ary izy dimy lahy zanak’i Mikola, zanakavavin’i Bersabea avy any Molatỳ,
9 dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.
10 Nalain-dResfà zanak’i Aià kosa ny lasàka anankiray ka novelariny teo ambony vato mba ho azy, dia teo izy hatramin’ny fiandohan’ny fijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ireo faty, ka nisakana ny vorona any an-danitra tsy hipetraka aminy raha antoandro, sy ny biby eny an-tsaha raha alina.
11 Nampandrenesina an’i Davida izany nataon-dResfà zanak’i Aià, vaditsindranon’i Saola izany,
12 ka lasa i Davida naka ny taolan’i Saola sy ny taolan’i Jônatasy zanany, tany amin’ny mponina tao Jabesa any Galaada, izay nanala azy tao amin’ny kianjan’i Betsàna, fony izy nahanton’ny Filistinina tao, nony avy nandresy an’i Saola tao Jelbôe ny Filistinina.
13 Dia nentiny avy any ny taolan’i Saola sy ny taolan’i Jônatasy zanany, ary voaangona koa ny taolan’ireroa nahantona.
14 Nalevina tany Selà, amin’ny fasan’i Kisa rain’i Saola, any amin’ny tanin’i Benjamina ny taolan’i Saola sy ny an’i Jônatasy zanany, ary nataon’ny olona avokoa izay rehetra nandidian’ny mpanjaka azy. Ka nony vita izany, dia nionona ny hatezeran’Andriamanitra amin’ny tany.
Ny namelezana ny Filistinina
15 Nisy adin’ny Filistinina sy i Israely indray, ary mba nidina niaraka tamin’ny mpanompony i Davida ary niady tamin’ny Filistinina izy ireo; kanjo trotraka i Davida.
16 Ary i Jesbì-Benôba, ny iray amin’ny zana-dRafà – ny lefony dia lanjana 300 sikla varahina ary sabatra vaovao no voafehy teny aminy – dia efa namoaka teny hamono an’i Davida.
17 Fa tonga namonjy an’i Davida kosa i Abisaia zanak’i Sarvià, ka namono nahafaty an’ilay Filistinina. Nanaovan’ny olon’i Davida fianianana izy tamin’izay, ka nataony hoe: «Tsy hiara-mivoaka aminay hiady intsony ianao, ka tsy hamono ny fanilon’i Israely.»
18 Tatỳ aorian’izany mbola nisy ady tamin’ny Filistinina koa tao Gôba. Tamin’izay no nahafatesan’i Sabokai ilay Hosatita an’i Safà, anankiray amin’ny tarana-dRafà.
19 Mbola nisy ady tamin’ny Filistinina koa tao Gôba, ary i Elkanàna, zanak’i Jaare-Oregima avy any Betleema, no nahafaty an’i Gôliata avy ao Geta, ilay nanan-jaran-defona, hoatra ny voditenon’ny mpanenona.
20 Ary nisy ady koa indray tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy goavam-be anankiray, ka samy enina avy ny rantsan-tananay sy ny rantsan-tongony, dia efatra amby roapolo ny tontaliny; tarana-dRafà koa izy io.
21 Ary naniratsira an’i Israely izy, fa matin’i Jonatàna zanak’i Samaà rahalahin’i Davida.
22 Tarana-dRafà avy any Getà avokoa izy efa-dahy ireo, fa matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony.