Categories
2Tantara

2Tantara 1

I Salômôna nomen’Andriamanitra ny fahendrena

1 Niorina mafy tamin’ny fanjakana i Salômôna zanak’i Davida; nomba azy i Iaveh Andriamaniny, ka nanandratra azy ho amin’ny ambaratonga ambony indrindra.

2 Ary nisy didy nomen’i Salômôna ho an’i Israely rehetra, dia ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny mpitsara, ny filohany rehetra teo amin’i Israely ary ny loham-pianakaviana.

3 Ka niara-niakatra tamin’ny fiangonana rehetra i Salômôna ho any amin’ny fitoerana avo any Gabaôna. Fa tao ny trano lay fihaonan’Andriamanitra nataon’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, tany an’efitra;

4 ny fiaran’Andriamanitra kosa efa nafindran’i Davida, avy any Kariatiarima ho any amin’ny fitoerana namboariny ho azy; satria efa nanangan-day ho azy tany Jerosalema izy.

5 Ilay ôtely varahina nataon’i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, dia tany koa, teo anoloan’ny tabernaklan’i Iaveh. Nitady an’i Iaveh tany i Salômôna sy ny fiangonana.

6 Dia tao ihany, teo ambonin’ilay ôtely varahina, teo anoloan’i Iaveh, akaikin’ny trano lay fihaonana, no nanoloran’i Salômôna sorona dorana arivo.

7 Nony alina, niseho tamin’i Salômôna Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Angataho izay tianao homeko anao.»

8 Dia hoy ny navalin’i Salômôna an’Andriamanitra: «Hatsaram-po lehibe no nasehonao tamin’i Davida raiko, ary izaho ny nampanjakainao handimby azy.

9 Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko, fa efa nataonao mpanjaka amin’ny vahoaka maro toy ny vovo-tany aho.

10 Omeo fahendrena amam-pahazavan-tsaina aho hahaizako ny tokony hataoko eo anatrehan’ny vahoakanao. Fa iza no hahay mitsara ny vahoakanao, dia izao vahoaka be dia be izao?»

11 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: «Satria izany no ao am-ponao, fa tsy vola aman-karena no nangatahinao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangatahinao ny ho lava fiainana aza, fa ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina no nangatahinao ho anao, hitsaranao ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;

12 koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin’ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany.»

13 Avy tao amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna sy tao amin’ny trano lay fihaonana i Salômôna, dia nody tany Jerosalema, ary nanjaka tamin’i Israely.

14 Nanangona kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly i Salômôna, ka nanan-kalesy 1.400, sy mpitaingin-tsoavaly 12.000 izay napetrany tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy, sy tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.

15 Ny volafotsy amam-bolamena tany Jerosalema, nataon’ny mpanjaka ankabetsahana tahaka ny vato; ny sedera nataony maro toy ny amontana maniry eny an-tany lemaka.

16 Avy any Ejipta no niavian’ny soavalin’i Salômôna, antokony iray tamin’ny mpandranton’ny mpanjaka no nandeha naka azy amin’andiany, araka ny vidiny efa nifanekena:

17 volafotsy 600 sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary 150 sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak’izany ihany koa no nitondran’izy ireo ho an’ny mpanjakan’ny Heteanina rehetra sy ny mpanjakan’i Siria.

Fiomankomanana farany. I Hora mpanjakan’i Tira

18 Nikasa hanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh sy lapa ho an’ny tenany i Salômôna.

Categories
2Tantara

2Tantara 2

1 Nanisa olona 70.000 i Salômôna hitondra ny entana, 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3.600 hitandrina an’ireo.

2 Naniraka tany amin’i Hirama mpanjakan’i Tira i Salômôna, hilaza hoe: Ataovy amiko ny nataon’i Davida raiko, izay nampanateranao sedera hanaovany trano hipetrahany.

3 Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.

4 Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.

5 Fa iza aza moa no hahay manao trano ho Azy, fa ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy? Ary iza moa aho no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny mba handoroana zava-manitra eo anatrehany ihany?

6 Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky, ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin’ireo olona mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Jodà sy Jerosalema, efa nomanin’i Davida raiko.

7 Ampanatero hazo sedera sy sipresa ary santala avy any Libàna aho; satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libàna ny mpanomponao. Ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao,

8 mba hamonona hazo betsaka ho ahy, fa ho lehibe sy tsara higagàna ny trano hataoko.

9 Ary indro fa izao no homeko ho sakafon’ny mpanomponao mpikapa hazo, izay hikapa ny hazo: varimbazaha 20.000 kora, orja 20.000 kora, divay 20.000 bata, diloilo 20.000 bata.

10 Dia izao no navalin’i Hirama mpanjakan’i Tira tao amin’ny taratasy nampitondrainy an’i Salômôna: «Noho ny fitiavan’i Iaveh ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.»

11 Ary hoy i Hirama: Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, malina, mazava saina, izay hanao trano ho an’i Iaveh ary trano-mpanjaka ho an’ny tenany.

12 Koa ankehitriny dia indro irahiko ho atỳ aminao Ingahy Hirama, lehilahy mahay zavatra sady manan-tsaina,

13 zanaky ny vehivavy taranak’i Dàna sy ny lehilahy Tirianina, mahay miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, ary vato aman-kazo, jaky mena, jaky volomparasy, lamba mena antitra, rongony madinika, mahay sary sokirina isan-karazany, mahavita zavatra araka izay marika aseho azy, na inona na inona, hiara-kiasa amin’ireo olo-mahay zavatra atỳ aminao, mbamin’ireo olo-mahay zavatra tamin’i Davida tompoko rainao.

14 Ary ankehitriny ny varimbazaha sy ny orja, mbamin’ny diloilo aman-divay, voalazan’ny tompoko, dia aoka hampitondrainy ny mpanompony.

15 «Ary dia hikapa hazo any Libàna, araka izay rehetra ilainao, izahay, sy handefa azy ambony zahatra amin’ny ranomasina hatrany Jôpe, dia ianao kosa no hampiakatra azy eo ho any Jerosalema.»

Ireo asa natao

16 Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.

17 Ka nalainy tamin’ireo ny 70.000 hitondra entana, ny 80.000 hipai-bato eny an-tendrombohitra, ary ny 3.600 nataony mpitandrina hampiasa ny vahoaka.

Categories
2Tantara

2Tantara 3

1 Dia natombok’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh tao Jerosalema, amin’ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an’i Davida rainy, dia amin’ny toerana efa voaoman’i Davida teo amin’ny famoloan’i Ornàna, Jebôseanina.

2 Tamin’ny andro faharoan’ny volana faharoa, taona fahefatra nanjakany, no nanombohany hanao izany.

3 Toy izao no fototra nanorenan’i Salômôna ny tranon’Andriamanitra; Enimpolo hakiho, araka ny hakiho fandrefesana talohany lavany; ary roapolo hakiho ny sakany.

4 Ny lavarangana fidirana izay eo anoloan’ny halavan’ny trano dia roapolo hakiho ny lavany, araka ny sakan’ny trano, ary roapolo amby zato hakiho ny haavony; nopetahan’i Salômôna volamena madio ny atiny.

5 Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy nasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina.

6 Nopetahany vato soa ny trano handravahana azy, ary ny volamena dia avy any Parvaima.

7 Nopetahany volamena ny trano, dia ny sakamandimby, ny tolàna, ny rindrina, ny varavarana, ary nasiana kerobima nosokirina ny rindrina.

8 Dia nataony ny efitrano masina indrindra: roapolo hakiho araka ny sakan’ny trano ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Nopetahany volamena madio io, nahalaniana talenta volamena enin-jato,

9 ary dimampolo sikla ny lanjan’ny hombo volamena. Ny efitrano ambony nopetahany volamena koa.

10 Nanao kerobima roa, taozavatra voasikotra, tao amin’ny efitrano masina indrindra, ary nopetahany volamena ireo.

11 Roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin’ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;

12 ny elatra anankiray amin’ny kerobima faharoa dimy hakiho, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray.

13 Dia roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo, mivelatra. Nijoro tamin’ny tongony izy, ary manatrika ny trano ny tarehiny.

14 Jaky volomparasy, jaky mena, lamba mena antitra ary rongony madinika no nataony salobona, ka nasiany kerobima vita amborodara.

15 Nanao andry roa teo anoloan’ny trano izy, dimy amby telopolo hakiho avy no haavony, dimy hakiho ny loha andry tao an-tampony.

16 Nanao tongalika, toy ny ao amin’ny loha andry; ary nanao voan’ampongabendanitra zato izy, nataony teo amin’ny tongàlika.

17 Dia natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. Ilay teo ankavanany nataony hoe Jakîna ary ny eo ankavia, i Booza.

Categories
2Tantara

2Tantara 4

1 Nanao ôtely varahina anìdina i Salômôna, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.

2 Nanao ranomasina anìdina izy: folo hakiho ny haben’ny vavany ary boribory izy manontolo; dimy hakiho ny haavony, ary kofehy telopolo hakiho no maharefy azy manodidina.

3 Nisy sarin’omby folo isaky ny iray hakiho manodidina azy, teo ambanin’ny molony, voalahatra roa an-dalana izy ka nahodidina ity ranomasina hatrany. Ireo omby ireo, dia indray natao anìdina tamin’ity ranomasina.

4 Nipetraka tambonin’ny omby 12 io ranomasina io; ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana; ny ranomasina nitaingina teo amboniny, ary ny tapa-batany aoriana rehetra, dia tao ampovoany.

5 Vody voampelatanana ny hateviny, tahaka ny an’ny kôpy ny molony, toy ny vonin-disy, ary rano 3.000 bata no laniny.

6 Nanao tavin-drano folo izy, ho fidiovana; ny dimy nataony teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia; ireo natao fanasana ny zavatra hatolotra ho sorona dorana. Ny ranomasina natao fidiovan’ny mpisorona.

7 Nanao ny fanaovan-jiro volamena folo, araka ny voadidy momba azy izy, ka napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia.

8 Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia. Nanao kôpy volamena zato izy.

9 Nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe mbamin’ny vavahady izy.

10 Napetrany teo amin’ny havanana, eo amin’ny atsinanana somary atsimo ilay ranomasina.

11 Ary i Hirama nanao ny vilany, ny sotron-davenona sy ny kôpy.

Dia vitan’i Hirama ny asa nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra:

12 ny andry roa, ny boriboriny mbamin’ny loha andry, izay eo an-tampon’ny andry, ny harato roa manarona ny boriboriny roa amin’ny loha andry, teo an-tampon’ny andry,

13 ny voan’ampongabendanitra an-dalana roa isan-karato, hanaronana ny boribory roa amin’ny loha andry eo ambonin’ny andry.

14 Nanao ny tongotra, mbamin’ny tavin-drano tambonin’ny tongotra izy,

15 ary ny ranomasina, mbamin’ireo omby 12 tambaniny,

16 ny vilany, ny sotron-davenona, ny fitrebika. Nanao ireo fanaka rehetra ireo Ingahy Hirama ho an’i Salômôna mpanjaka, ho an’ny tranon’i Iaveh: varahina manganohano ireo zavatra ireo.

17 Tao amin’ny tany lemak’i Jordany amin’ny tany be tanimanga, anelanelan’i Sokôta sy i Saredà, no nampanaovan’ny mpanjaka anìdina azy.

18 Be dia be ireo fanaka rehetra nataon’i Salômôna ireo, ka tsy notsapaina ho fantatra marina izay lanjan’ny varahina.

19 Ary nataon’i Salômôna ny fanaka rehetra ho an’ny tranon’Andriamanitra, dia ny ôtely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.

20 Ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny volamena madio, hampirehetina eo anoloan’ny fitoerana masina, araka ny lalàna,

21 ny voniny, ny lalampiny, ny hetin-jiro volamena, volamena madio indrindra,

22 ny antsy, ny kôpy, ny tasy, ny fanembohana, volamena madio, ny lela varavarana volamena, hanaovana ny varavarana ao anatin’ny trano, ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ary hanaovana ny varavaran’ny trano ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny tempoly.

Categories
2Tantara

2Tantara 5

1 Toy izany no nahavitan’ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna amin’ny tranon’i Iaveh. Dia nalain’i Salômôna ny zavatra rehetra natokan’i Davida rainy, sy ny volafotsy amam-bolamena mbamin’ny fanaka rehetra ka nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.

Nafindra toerana ny fiara

2 Tamin’izay dia novorin’i Salômôna tany Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lohan’ny isam-poko rehetra, ary ny loham-pianakavian’ny zanak’i Israely, hamindra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna.

3 Koa nivory teo amin’ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’i Israely hanao ny fety, izay natao tamin’ny volana fahafito.

4 Nony tonga ny loholon’i Israely rehetra, dia nentin’ny taranak’i Levì ny fiara.

5 Nafindrany ny fiara mbamin’ny trano lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra tao amin’ny lay, ka ny mpisorona taranak’i Levì no nitondra azy.

6 I Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia samy teo anoloan’ny fiara avokoa. Namono omby sy ondry natao sorona izy ireo ary tsy azo isaina na tombanana fa maro loatra.

7 Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.

8 Ny elatr’ireo kerobima nivelatra tambonin’ny fitoeran’ny fiara dia nanaloka ny fiara mbamin’ny baony teo amboniny.

9 Lava be ny bao, ka hita ny lohany, raha eo anoloan’ny fitoerana masina lavidavitry ny fiara, fa raha any ivelany no tsy tazana izy. Dia tao mandrak’androany ny fiara.

10 Tao anatin’ny fiara, dia tsy nisy afa-tsy ny takelaka roa napetrak’i Môizy tao, tany Horeba, fony i Iaveh nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta.

Raisin’Andriamanitra ny Tempoliny

11 Tamin’ny fotoana nivoahan’ny mpisorona avy tao amin’ny fitoerana masina, – fa ny mpisorona rehetra nanatrika teo dia samy nanamasina ny tenanyavokoa fa tsy voatana ny filaharan’ny isan-tokony,

12 ny Levita mpihira rehetra, i Asafa, i Hemàna, i Iditona, mbamin’ny zanany aman-drahalahiny, samy nitafy rongony madinika, dia nitsangana teo atsinanan’ny ôtely, nitondra kipantsona sy valiha ary harpa, ary teo anilany ny mpisorona 120, samy nitsoka trômpetra;

13 nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.

14 Ka tsy afa-nijanona tao hanao ny fanompoana ireo mpisorona, noho ny rahona, fa nameno ny tranon’Andriamanitra ny voninahitr’i Iaveh.

Categories
2Tantara

2Tantara 6

1 Tamin’izay dia hoy i Salômôna: «Tian’i Iaveh ny mitoetra eo amin’ny haizina.

2 Ary nanao trano aho, ka ho fonenanao izy, ary toerana mba hitoeranao mandrakizay.»

Tenin’i Salômôna tamin’ny vahoaka

3 Raha efa izany, dia nitodika ny fiangonan’i Israely ny mpanjaka ary nitso-drano azy, ary ny fiangonan’i Israely rehetra dia tafatsangana. Dia hoy izy:

4 «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa ny vavany nilaza tamin’i Davida raiko, ary ny tanany nanatanteraka ilay nolazainy hoe:

5 Hatramin’ny andro namoahako ny vahoakako tany amin’ny tany Ejipta, tsy nisy tanàna nofidiko, teo amin’ny fokon’i Israely rehetra, hanaovan-trano hitoeran’ny Anarako, ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka an’i Israely vahoakako;

6 fa i Jerosalema no nofidiko hitoeran’ny Anarako, ary i Davida no nofidiko hanjaka amin’i Israely vahoakako.

7 Nihevitra hanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely i Davida raiko,

8 fa hoy i Iaveh tamin’i Davida raiko: ‹Noho ianao nihevitra hanao trano ho an’ny Anarako, dia zavatra soa ny nanananao izany hevitra izany.

9 Tsy ianao anefa no hanao ny trano, fa ny zanakao naloaky ny kibonao no hanao ny trano ho an’ny Anarako.›

10 Ary notanterahin’i Iaveh ny teny voalazany, fa nisandratra handimby an’i Davida raiko aho, sy mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely, araka ny efa voalazan’i Iaveh, sady efa nanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

11 Efa napetrako tao ny fiara misy ny faneken’i Iaveh, dia ny fanekena nataon’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely.»

Vavak’i Salômôna ho an’ny tenany

12 Dia nankeo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh i Salômôna nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra, sady namelatra ny tanany.

13 Fa nanao lampihazo varahina i Salômôna, dia natsangany teo afovoan’ny kianja: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. Niakatra teo izy, dia nandohalika nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra, sy nanandratra ny tanany hanandrandra ny lanitra,

14 ary nanao hoe:

«Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany; mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony rehetra Ianao.

15 Toy ny nitandremanao ny teninao tamin’i Davida raiko, mpanomponao, fa notanterahin’ny tananao ny efa voalazan’ny vavanao, araka izao hita anio izao.

16 Ary ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tanteraho noho ny fitiavanao an’i Davida mpanomponao raiko, ny teny nataonao taminy hoe: ‹Tsy ho lany taranaka eo anatrehako ianao, fa hisy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely mandrakizay, raha tany ny taranakao mitandrina ny lalana alehany ka mizotra amin’ny lalàko toy ny fandehananao eo anatrehako.›

17 Koa aoka àry ho tanteraka, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny teny nataonao tamin’i Davida mpanomponao.

18 «Fa moa dia marina va fa miara-monina amin’ny olombelona etỳ an-tany Andriamanitra? Indro fa ny lanitra aza, mbamin’ny lanitry ny lanitra tsy omby Anao, ka mainka fa ity trano nataoko ity!

19 Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pitarainan’ny mpanomponao, amim-pihainoanao ny antsom-pifaliana amam-pangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao,

20 ary ny masonao ataovy mihiratra andro aman’alina amin’ity trano ity, dia eto amin’ity fitoerana voalazanao hametrahana ny Anaranao ity, dia henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao eto amin’ity fitoerana ity.»

Vavaka ho an’ny vahoaka

21 «Henoy ny fitarainan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha hivavaka eto amin’ity fitoerana ity. Mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra; mihainoa dia mamelà heloka.

22 «Raha misy olona manota amin’ny namany, ka asaina hanao fianianana izy, koa tonga mianiana eo anoloan’ny ôtelinao, eto amin’ity trano ity,

23 dia mihainoa azy any an-danitra Ianao, manefà ary mitsarà ireo mpanomponao ireo, ka manameloha ny meloka manatsingerina amin’ny lohany izay nataony, ary hamarino ny tsy manan-tsiny, mamaly azy araka ny fahamarinany.

24 «Nony resy eo anatrehan’ny fahavalo i Israely vahoakanao, noho ny nanotany taminao, raha miverina aminao indray izy sy manome voninahitra ny Anaranao, raha manao fivavahana sy fifonana aminao ao anatin’ity trano ity,

25 dia mihainoa azy Ianao any an-danitra, avelao ny fahotan’i Israely vahoakanao, ary ampodio amin’ny tany nomenao azy sy ny razany izy.

26 «Nony nihantona ny andro, fa tsy misy ranonorana, noho ny nanotany taminao, raha mivavaka eto amin’ity fitoerana ity izy sy manome voninahitra ny Anaranao, sady miala amin’ny fahotany satria nampahorinao:

27 mihainoa azy Ianao any an-danitra, avelao ny fahotan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, amin’ny fanoroana azy ny lalana tsara tokony halehany; ary alatsaho amin’ny tany nomenao ho lovan’ny vahoakanao, ny ranonorana.

28 «Nony tonga amin’ny tany ny mosary, nony misy ny pesta, nony misy ny roly, ny niela, ny valala, ny hasila, nony ataon’ny fahavalo fahirano ao amin’ny taniny sy eo am-bavahadiny ny vahoakanao, na misy loza inona na misy aretina inona,

29 raha misy olona iray, raha i Israely rehetra vahoakanao, manao vavaka amam-pifonana, ary samy mahalala ny fijaliany amam-pahoriany avy ny olona, ka mamelatra ny tanany manandrify ity trano ity,

30 dia mihainoa azy ianao any an-danitra amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ka mamelà heloka; samy valio araka ny lalany rehetra avy izy, Ianao mahalala ny fony, fa Ianao irery no mahalala ny fon’ny zanak’olombelona rehetra,

31 mba hatahorany Anao eo am-pizorana amin’ny lalanao mandritra ny andro rehetra hiainany eo ambonin’ny tany nomenao ny razany.

32 «Ny amin’ny vahiny, tsy anisan’i Israely vahoakanao, fa avy an-tany lavitra, noho ny Anaranao lehibe, ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, nony tonga hivavaka eto amin’ity trano ity izy,

33 dia mihainoa azy Ianao any an-danitra amin’ny fitoeran’ny fonenanao; tanteraho izay rehetra angatahin’izany vahiny izany aminao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny Anaranao, hatahorany Anao tahaka an’i Israely vahoakanao, ary hahalalany fa antsoina amin’ity trano nataoko ity ny Anaranao.

34 «Nony hivoaka hiady amin’ny fahavalo ny vahoakanao manaraka ny lalana andefasanao azy, raha mivavaka mitodika ity tanàna nofidinao ity sy ity trano nataoko ho an’ny Anaranao ity,

35 dia henoy any an-danitra ny vavaka amam-pifonany, ary omeo ny rariny izy.

36 «Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao, dia manolotra azy amin’ny fahavalony, ary ny mpandresy hitondra azy ho babo any an-tany lavitra na akaiky,

37 raha mieritreritra ao am-pony izy nony mby any amin’ny tany nahababo azy, ka miverina aminao, sy manolotra fifonana aminao, any amin’ny tany nahababo azy, manao hoe: Nanota izahay, nanao ratsy izahay, nahavita heloka izahay,

38 raha miverina aminao amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra izy, any amin’ny tany nahababo azy, izay nitondrana azy babo, ka mivavaka aminao mitodika atỳ amin’ny tany nomenao ny razany, atỳ amin’ny tanàna nofidinao sy atỳ amin’ny trano nataoko ho an’ny Anaranao,

39 mihainoa Ianao any an-danitra any amin’ny fitoeran’ny fonenanao, ny vavaka amam-pifonany, omeo rariny izy, ary avelao ny fahadisoan’ny vahoakanao, izay nataony taminao.»

Famaranana ny vavaka

40 «Ary ankehitriny, ry Andriamanitra ô, aoka hahiratan’ny masonao sy hohenoin’ny sofinao ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity!»

41 «Ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitra, aoka hitsangana Ianao ho any amin’ny fitoerana fitsaharanao, dia Ianao sy ny fiaran’ny herinao! Aoka hitafy famonjenany mpisoronao, ry Iaveh Andriamanitra, ary aoka hiarana amin’ny hasambarana ny olonao masina.

42 Aza atosi-bohon-tanana ny tavan’ny voahosotrao, ry Iaveh Andriamanitra ô, fa tsarovy ny fahasoavana nomena tamin’i Davida mpanomponao.»

Categories
2Tantara

2Tantara 7

Fitokanana ny Tempoly

1 Nony tapitra ny vavak’i Salômôna, dia nodoran’ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin’ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitr’i Iaveh.

2 Ka tsy afa-niditra tao an-tranon’i Iaveh ny mpisorona, fa feno ny voninahitr’i Iaveh ny tranony.

3 Nahita ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitr’i Iaveh teo ambonin’ny trano ny zanak’i Israely rehetra, ka niankohoka tamin’ny tany tamin’ny lampivato, niankohoka nidera an’i Iaveh nanao hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.»

4 Dia nanolotra sorona teo anatrehan’i Iaveh ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra.

5 Omby 22.000, sy ondry 120.000, no novonoin’i Salômôna mpanjaka natao sorona. Toy izany no nanaovan’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny fitokanana ny tranon’Andriamanitra.

6 Ny mpisorona nitsangana tamin’ny fitoerany avy, mbamin’ny Levita koa nitondra ny zava-manenon’i Iaveh izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana an’i Iaveh hoe: Fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, raha mankalaza an’i Iaveh tamin’ny alalan’izy ireo izy. Nitsoka trômpetra tandrifin’ireo, ny mpisorona, ary tafatsangana i Israely rehetra.

7 Nohamasinin’i Salômôna ny afovoan’ny kianja, eo anoloan’ny tranon’i Iaveh, fa teo no nanolorany ny sorona dorana mbamin’ny saboran’ny sorom-pihavanana, satria tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny sabora, ny ôtely varahina nataony.

8 Hafitoana no nankalazan’i Salômôna ny fetytamin’izany, dia izy mbamin’i Israely rehetra, vahoaka zavon-tany hatrany amin’ny hadilalan’ny Emata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta.

9 Nony tamin’ny andro fahavalo, dia nanao ny fivoriana famaranana ny fety izy, fa hafitoana no nanaovany ny fitokanana ny ôtely, ary hafitoana no nanaovany ny fety.

10 Ary tamin’ny andro faha-23n’ny volana fahafito, dia nampodin’i Salômôna ho any an-dainy avy ny vahoaka; samy faly sy ravoravo avokoa, noho ny soa nataon’i Iaveh tamin’i Davida, tamin’i Salômôna ary tamin’i Israely vahoakany.

Fampitandreman’Andriamanitra

11 Vitan’i Salômôna ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka, sady efany soa aman-tsara izay rehetra noheverin’ny sainy hatao tao amin’ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka.

12 Ary niseho taminy i Iaveh nony alina, ka nanao taminy hoe: «Efa nohenoiko ny vavakao, ary efa nofidiko ho trano fanateran-tsorona ity fitoerana ity.

13 Koa nony hampihantona ny andro Aho ka tsy hisy ranonorana, nony asaiko handevona ny tany ny valala, na haniraka ny pesta ho ao amin’ny vahoakako,

14 raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.

15 Ary ankehitriny dia hahiratan’ny masoko sy hohenoin’ny sofiko ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity.

16 Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao ity trano ity, hitoeran’ny Anarako mandrakizay, ary ho eo mandrakariva ny masoko sy ny foko.

17 Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao, ka manaraka an’izay rehetra nandidiako anao, sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko,

18 dia hataoko mafy orina ny seza fiandrianan’ny fanjakanao, araka ny efa nifanekeko tamin’i Davida rainao, nataoko hoe: Tsy ho lany taranaka hanjaka eo amin’i Israely ianao na oviana na oviana.

19 Fa raha mivily kosa ianareo, ka mahafoy ny didy aman-dalàko, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa, sy miankohoka eo anatrehan’ireny;

20 dia hofongorako amin’ny taniko izay nomeko azy izy ireo; ity trano nohamasiniko ho an’ny Anarako ity, hariako tsy ho eo anatrehako, sy hataoko zary fandatsa sy fanarabin’ny olona any amin’ny firenena rehetra.

21 Ka ity trano ity izay efa voasandratra avo erỳ, hanjary fitalanjonan’izay rehetra handalo azy, sy hataony hoe: Naninona re no dia nataon’i Iaveh toy izao ity tany sy ity trano ity?

22 Dia hamaly ny olona hanao hoe: Satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izay namoaka azy tany amin’ny tany Ejipta, ary nifikitra tamin’andriamani-kafa, niankohoka teo anatrehan’ireny, ary nanompo ireny, ka izany no nampianjerany an’izao loza rehetra izao taminy.»

Categories
2Tantara

2Tantara 8

Famaranana: Famitana ny fanorenana ny Tempoly

1 Nony afaka ny roapolo taona, ka efa vitan’i Salômôna ny tranon’i Iaveh sy ny tranony,

2 dia naoriny indray ireo tanàna nomen’i Hirama azy, ka zanak’i Israely no namponeniny tao.

3 Notafihin’i Salômôna, i Emata-Sobà, ka azony.

4 Dia nanorina an’i Tadmora tany an’efitra izy, mbamin’ireo tanàna fitahirizana rehetra any amin’ny faritanin’i Etama.

5 Naoriny koa i Betôrôna ambony sy i Betôrôna ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady ary karetsaka hazo.

6 I Baalata mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Salômôna, ny tanàna rehetra ho an’ny kalesy, ny tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin’izay rehetra tian’i Salômôna naorina tany Jerosalema sy tany Libàna ary tany amin’ny tany rehetra nanapahany.

7 Ny vahoaka rehetra sisa tavela, tamin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jebôseanina izay tsy isan’i Israely,

8 dia ny taranak’ireo, izay nandimby azy nipetraka tamin’ny tany, ka tsy naringan’ny zanak’i Israely, no nalain’i Salômôna ho mpanao fanompoana, mandrak’androany.

9 Fa tsy mba nisy nandevozin’i Salômôna nampanaovina ny raharahany ny zanak’i Israely, na dia iray aza; fa izy ireo kosa no miaramilany sy mpifehy ny manamboninahiny ary komandin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly.

10 250 no lehiben’ny komadaoron’i Salômôna mpanjaka, niandraikitra ny fanapahana ny vahoaka.

11 Nasain’i Salômôna niakatra avy any an-tanànan’i Davida, ny zanaka vavin’i Faraôna, ho ao amin’ny trano nataony ho azy, fa hoy izy: «Tsy hitoetra ao an-tranon’i Davida mpanjakan’i Israely ny vadiko, satria masina izany fitoerana izany, izay efa nidiran’ny fiaran’Andriamanitra.»

12 Tamin’izany i Salômôna dia nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh izay naorina teo anoloan’ny fidirana.

13 Ka izay voadidin’ny lalàn’i Môizy dia nateriny isan’andro sy isan-tsabata; ary amin’ny voalohan’ny volana, sy amin’ny fety intelo isan-taona: dia ny fetin’ny azima, ny fetin’ny herinandro, ary ny fetin’ny tabernakla.

14 Notendreny, araka ny nandaharan’i Davida rainy azy, ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany, sy ny Levita ho amin’ny anjara raharahany, hankalaza an’i Iaveh sy hanao fanompoana eo anoloan’ny mpisorona, araka ny fandaharana ny andro isany, ary ny mpiandry varavarana ho an’ny isam-baravarana araka ny antokony avy, fa toy izany no nandaharan’i Davida, olon’Andriamanitra, azy.

15 Tsy nihatahana ny didin’ny mpanjaka momba ny mpisorona sy ny Levita, na amin’ny zavatra inona na amin’ny zavatra inona, indrindra fa ny amin’ny momba ny rakitra.

16 Toy izany no efa nahavoavoatra ny asa rehetra nataon’i Salômôna hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’i Iaveh ka hatramin’ny nahavitany. Dia vita ny tranon’i Iaveh.

Voninahitr’i Salômôna

17 Tamin’izay i Salômôna dia nankany Asiôngabera sy Ailata eo amoron’ny ranomasina, any amin’ny tanin’i Edôma.

18 Ary nampanaterin’i Hirama sambo sy mpanompo mahay ranomasina ho azy, ny mpanompony. Dia niara-nandeha tamin’ny mpanompon’i Salômôna ireo, ho any Ofira, dia naka talenta volamena 450 ireo, nentiny ho any amin’i Salômôna mpanjaka.

Categories
2Tantara

2Tantara 9

1 Rehefa nandre ny lazan’i Salômôna ny mpanjakavavin’i Sabà, dia tonga tao Jerosalema izy, hizaha toetra an’i Salômôna amin’ny ankamantatra, narahin’ny kalesy maro be sy rameva nitondra zava-manitra, volamena be dia be, ary vato soa koa. Nandroso ho any amin’i Salômôna izy, dia nolazainy tamin’ny vahoaka izay rehetra tao am-pony.

2 Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniany, fa tsy nisy niafina tamin’ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana na dia iray aza.

3 Ka nony hitan’ity mpanjakavavin’i Sabà ny fahendren’i Salômôna sy ny trano nataony,

4 ny sakafo teo ambony latabany, ny efitranon’ny mpanompony; ny efitrano amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony, ny mpandroso divay ao aminy amam-pitafian’ireo, ary ny ambaratonga fiakarany ho ao an-tranon’i Iaveh, dia talanjona foana teo izy,

5 ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: «Hay va re dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko, ny amin’ny tenanao amam-pahendrenao!

6 Tsy nino ny filazan’ny olona aho, fony mbola tsy tonga sy tsy nahita maso, kanjo mbola tsy ampy antsasany ny voalaza tamiko ny amin’ny halehiben’ny fahendrenao! Manoatra ny reko tamin’ny filazan’olona ianao.

7 Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava sy mandre ny fahendrenao!

8 Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao ka nametraka anao amin’ny seza fiandrianany, ho mpanjaka ho an’i Iaveh Andriamanitrao! Noho ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely, ary mba hampaharitra azy mandrakizay no nananganany anao ho mpanjaka ao aminy, mba hanao ny hitsiny sy ny rariny.»

9 Talenta volamena valopolo amby zato sy zava-manitra sesehena, ary vato soa no nomeny ny mpanjaka. Tsy nisy zava-manitra be sahala amin’izany nomen’ny mpanjakavavin’i Sabà an’i Salômôna izany intsony.

10 Ireo mpanompon’i Hirama sy ireo mpanompon’i Salômôna nitondra volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo santala amam-bato soa kosa.

11 Ka ny hazo santala dia nanaovan’ny mpanjaka arofanina amin’ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka, ary harpa aman-dokanga ho an’ny mpihira. Tsy mbola nisy nahita hazo toy izany taloha, teo amin’ny tanin’i Jodà.

12 Nomen’i Salômôna an’ny mpanjakavavin’i Sabà avokoa izay niriny sy nangatahiny, mihoatra noho izay nentiny ho an’ny mpanjaka aza. Dia niverina izy, ka lasa nody any amin’ny taniny, izy mbamin’ny mpanompony.

13 Ny lanjan’ny volamena tonga tao amin’i Salômôna amin’ny indray taona, dia talenta volamena 666,

14 afa-tsy izay nentin’ny mpivarotra amam-pandranto taminy; ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny governoran’ny tany nitondra volamena amam-bolafotsy ho an’i Salômôna.

15 Nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ny volamena voatefy i Salômôna mpanjaka ka volamena enin-jato sikla avy no lany tamin’ny isan’ampinga;

16 ary ampinga madinika telon-jato tamin’ny volamena voatefy, volamena telon-jato sikla avy no lany tamin’ny isan’ampinga, dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ilay trano alan’i Libàna ireo.

17 Nanao seza fiandrianana ivoara lehibe ny mpanjaka ka nopetahany volamena madio.

18 Io seza fiandrianana io, dia nisy ambaratonga enina, fitoeran-tongotra volamena iray raiki-tena amin’ny seza fiandrianana, fitehenan-tanana teo an-daniny avy amin’ny fipetrahana, liona roa manolotra ireo fitehenan-tanana,

19 ary liona 12 teo amin’ny ambaratonga enina, dia enina an-daniny avy. Tsy mbola nisy zavatra vita toy izany, tany amin’ny fanjakana hafa rehetra.

20 Volamena avokoa ny kapoaka fisotroan’i Salômôna mpanjaka, volamena madio avokoa ny fana-pihinanana tao amin’ny trano alan’i Libàna. Tsy nisy volafotsy na dia iray aza, fa natao tsinontsinona izany, tamin’ny andron’ny Salômôna.

21 Satria, nanan-tsambo mpankany Tarsisa niaraka tamin’ny mpanompon’i Hirama ny mpanjaka, ka tonga isan-telo taona ny sambon’i Tarsisa nitondra volamena amam-bolafotsy sy ivoara, ary rajako amam-borombola.

22 Ambony noho ny mpanjakan’ny tany rehetra i Salômôna amin’ny harena amam-pahendrena.

23 Ka samy nitady hahita an’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra teto an-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra tao am-pony;

24 ary samy nitondra ny fanatiny avy isan-taona izy, dia fanaka volafotsy, fanaka volamena, fitafiana, fiadiana, zava-manitra, soavaly ary mole.

25 Nanana fihinanam-bilona 4.000 i Salômôna, ho an’ny soavaliny hatao amin’ny kalesiny, ary mpitaingin-tsoavaly 12.000, izay napetrany tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary tao Jerosalema akaikin’ny mpanjaka.

26 Nanjaka tamin’ny mpanjaka rehetra izy, hatramin’ny Ony ka hatramin’ny Filistinina ary hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

27 Ny volafotsy, tany Jerosalema, nataon’ny mpanjaka ho ankabetsahana toy ny vato, ary ny sedera nataony maro toy ny amontana maniry eny an-tany lemaka.

28 Ny tany Ejipta sy ny tany rehetra, dia samy nangalan-tsoavaly ho an’i Salômôna avokoa.

Ny nahafatesan’i Salômôna

29 Ny sisa tamin’ny asan’i Salômôna, na ny voalohany na ny farany, moa tsy dia efa voasoratra va izany ao amin’ny bokin’i Natàna mpaminany, sy amin’ny faminanian’i Ahiasa avy any Silô, ary amin’ny fahitan’i Adô ny amin’i Jerôbôama zanak’i Nabata?

30 Efapolo taona no nanjakan’i Salômôna tany Jerosalema tamin’i Israely rehetra.

31 Dia nody mandry any amin’ny razany i Salômôna, ka nalevina tao an-tanànan’i Davida rainy, ary i Rôbôama zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 10

Nisaraka roa

1 Ary nankany Sikema i Rôbôama, fa efa nandeha nankany Sikema i Israely rehetra hampanjaka azy.

2 Nony nandre izany i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay mbola tany Ejipta, fa tany no nandosirany an’i Salômôna mpanjaka,

3 dia niverina avy any Ejipta izy ka nampanalain’ny olona. Tamin’izay, dia nanatona i Jerôbôama sy i Israely rehetra ka niteny tamin-dRôbôama nanao hoe:

4 «Irainao dia nampitondra jioga mavesatra anay, ka ankehitriny hamaivano ny fanompoana mafy nampitondrain-drainao anay sy ny jioga mavesatra nanindriany anay, dia hanompo anao izahay.»

5 Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Rehefa afaka hateloana, miverena atỳ amiko indray ianareo.» Dia lasa ny vahoaka.

6 I Rôbôama kosa nila hevitra tamin’ireo zokiolona nanotrona an’i Salômôna rainy, fony fahavelony, ka nanao hoe: «Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka ity?»

7 Dia niteny taminy ireo nanao hoe: «Raha mora fo amin’ity vahoaka ity ianao, ka mandray azy tsara sy manao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.»

8 Navelan-dRôbôama anefa ny torohevitra nomen’ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra. Hoy izy tamin’ireo:

9 «Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka manao amiko hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay?»

10 Ka izao kosa no navalin’ireo tovolahy indray nihira taminy azy: «Izao no lazao amin’ny vahoaka, izay niteny taminao hoe: Irainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa ianao kosa dia hamaivano aminay izany! Izao no lazao aminy: Lehibe noho ny valahan’idada ny ankikeliko.

11 Koa izao àry, jioga mavesatra no nampitondrain’idada anareo: hataoko mavesabesatra kokoa ny jioganareo. Kotopia no namaizan’idada anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo.»

12 Tonga teo amin-dRôbôama i Jerôbôama sy ny vahoaka rehetra, tamin’ny andro fahatelo, araka ny tenin’ny mpanjaka hoe: «Rehefa afaka hateloana, miverena atỳ amiko indray ianareo»;

13 ary teny mafy no navalin’ny mpanjaka azy ireo. Namela ny torohevitry ny zokiolona i Rôbôama mpanjaka,

14 fa araka ny torohevitry ny tovolahy no nitenenany taminy, nataony hoe: «Nampahavesatra ny jioganareo idada, ary izaho hanavesabesatra kokoa izany aminareo; kotopia no namaizan’idada anareo, ary maingoka kosa no hamaizako anareo.»

15 Dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, satria izany no hevitra nataon’Andriamanitra hahatanteraka ilay teny nolazain’i Iaveh tamin’ny alalan’i Ahiasa avy any Silô tamin’i Jerôbôama zanak’i Nabata.

16 Rehefa hitan’i Israely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia hoy ny navalin’ny vahoaka ny mpanjaka:

«Manana anjara inona amin’i Davida moa izahay?

Tsy manan-dova amin’ny zanak’i Isaia izahay!

Koa samia ho any an-dainy, ry Israely,

fa ianao kosa, ry Davida, ahio ny tranonao!»

Dia samy nody ho any an-dainy avy i Israely rehetra.

17 Ny zanak’i Israely nonina tamin’ireo tanànan’i Jodà ihany, no hany nanjakan-dRôbôama.

18 Tamin’izay i Rôbôama mpanjaka naniraka an’i Adôrama lehiben’ny mpamory hetra; fa ny zanak’i Israely rehetra nitora-bato an’i Adôrama, ka maty io. Dia niezaka niakatra ny kalesy anankiray faingana i Rôbôama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

19 Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny taranak’i Davida mandrak’androany.