Categories
2Tantara

2Tantara 11

Fihetsiketsik’i Rôbôama

1 Nony tafaverina tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny taranak’i Jodà sy i Benjamina, mpiady voafantina 180.000, hiady amin’i Israely hampody ny fanjakana amin-dRôbôama.

2 Kanjo tonga tamin’i Semaiasa olon’Andriamanitra, ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

3 «Mitenena amin-dRôbôama, zanak’i Salômôna, mpanjakan’i Jodà, sy amin’i Israely rehetra eo amin’i Jodà sy i Benjamina ka lazao hoe:

4 Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao». Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin’i Jerôbôama.

5 Nitoetra tao Jerosalema i Rôbôama; ary nanorina tanàna mimanda tamin’i Jodà.

6 Izao no naoriny: i Betlehema, i Etama, i Tekôe,

7 i Betsora, i Sôkô, i Odolama,

8 i Geta, i Maresà, i Zifa,

9 i Adôrama, i Lakisa, i Azekà,

10 i Saraà, i Aialôna ary i Hebrôna; tanàna mimanda ao amin’i Jodà sy i Benjamina ireo.

11 Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitahirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy.

12 Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. I Jodà sy i Benjamina dia azy.

Ireo mpisorona sy Levita nankeo amin’i Rôbôama

13 Ny mpisorona sy Levita izay teo amin’i Israely rehetra, dia tonga nanatona an-dRôbôama, avy any amin’ny faritaniny rehetra avy.

14 Fa nandalo ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak’i Levì, ka nankany Jodà sy i Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin’i Jerôbôama tamin’ny raharaham-pisoronana fankalazana an’i Iaveh,

15 fa nanangana mpisorona izy io ho amin’ny fitoerana avo sy ho an’ny osilahy, ary ho an’ny zanak’omby nataony.

16 Nanaraka azy ireo koa izay mikely aina amin’ny fo tokoa hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, avy amin’ny firenen’i Israely rehetra, ka tonga tany Jerosalema hanatitra sorona ho an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

17 Nankahery ny fanjakan’i Jodà izy, tamin’izany, ka nampiorina tsara an-dRôbôama zanak’i Salômôna, nandritra ny telo taona, satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy i Salômôna izy ireo, telo taona.

Nivadika tamin’Andriamanitra i Rôbôama

18 Nalain-dRôbôama ho vady i Mahalata, zanaka vavin’i Jerimota, zanak’i Davida sy i Abihaila, zanaka vavin’i Eliaba zanak’i Isaia,

19 ka nitera-dahy taminy izy, dia i Jehosa, i Somorià, ary i Zoma.

20 Manaraka an’io dia mbola naka an’i Maakàzanaka vavin’i Absalôma izy, ka niteraka an’i Abià, i Etaia, i Zizà ary i Salômita, taminy.

21 I Maakà zanaka vavin’i Absalôma no tian-dRôbôama indrindra, tamin’ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra, fa nanambady 18 sy vadintsindrano 60 izy; ary niteraka lahy 28 sy vavy 60.

22 I Abià, zanaka lahin’i Maakà no nataon-dRôbôama loha laharana, ho filohan’ny rahalahiny, fa io no nokasainy hampanjakaina.

23 Naeliny tamim-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.

Categories
2Tantara

2Tantara 12

1 Nony nohamafisin’i Rôbôama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn’i Iaveh izy mbamin’i Israely rehetra.

2 Tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRôbôama, dia niakatra i Sesàka mpanjakan’i Ejipta hamely an’i Jerosalema noho izy ireo nanota tamin’i Iaveh.

3 Nitondra kalesy 1.200 mpitaingin-tsoavaly 60.000 izy, ary tsy tambo isaina ny vahoaka momba azy avy any Ejipta, dia ny Libianina, ny Sokianina, ny Etiôpianina.

4 Afany ny tanàna mimanda tamin’i Jodà, ary tonga hatrany Jerosalema izy.

5 Dia tonga i Semaiasa mpaminany, nanatona an-dRôbôama sy ny filohan’i Jodà, izay tafangona tao Jerosalema, noho i Sesàka efa akaiky, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Efa nahafoy Ahy ianareo, ka dia mba afoiko kosa ho eo an-tanan’i Sesàka.»

6 Ary nanetry tena ireo filohan’i Israely sy ny mpanjaka, ka nanao hoe: «Marina i Iaveh!»

7 Nony hitan’i Iaveh fa nanetry tena izy ireo, dia tonga tamin’i Semaiasa ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Efa nanetry tena izy ireo, ka tsy handringana azy Aho: fa tsy ho ela, dia homeko ny fanafahana izy ireo, ary tsy hanampatra ny hatezerako amin’i Jerosalema, amin’ny tanan’i Sesàka Aho.

8 Kanefa hanompo an’io ihany izy ireo, mba samy ho fantany na ny manompo Ahy na ny manompo ny fanjakan’ny tany.»

9 Dia niakatra namely an’i Jerosalema i Sesàka mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nataony mafafa. Nobaboiny ireo ampinga volamena nataon’i Salômôna.

10 Ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireo, dia napetrany teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazaka izay niambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka.

11 Ka isaky ny nankao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia tamy ny mpihazakazaka mitondra ireo, vao mamerina azy ho ao an’efitranon’ny mpihazakazaka indray.

12 Noho i Rôbôama nanetry tena, dia niala taminy ny fahatezeran’i Iaveh, ka tsy dia tena rava izy, ka mbola nisy zavatra tsara ihany tamin’i Jôdà.

13 Ary nitombo hery tao Jerosalema i Rôbôama mpanjaka, ka dia nanjaka.

41 taona izy, fony vao nanjaka, ary 27 taona no nanjakany tao Jeosalema, ilay tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany. Naamà, Amônita, no anaran-dreniny.

14 Nanao ny ratsy izy, satria tsy nandraikitra ny fony amin’ny fitadiavana an’i Iaveh.

15 Ny asa nataon-dRôbôama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Semaiasa mpaminany, sy ny an’i Adô mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.

16 Ary nody mandry any amin’ny razany i Rôbôama ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Abià zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 13

Ny ady

1 Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jerôbôama no vao nanjaka tamin’i Jodà i Abià, ary telo taona no nanjakany tany Jerosalema.

2 Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanaka vavin’i Oriela, avy any Gabaà.

Niady i Abià sy i Jerôbôama.

3 Ka i Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, 400.000; fa lehilahy voafantina 800.000, mpiady mahery, kosa no nalahatr’i Jerôbôama hiady aminy.

Ny lahatenin’i Abià

4 Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semeròna, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Abià ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jerôbôama sy i Israely rehetra!

5 Tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ho an’i Davida mandrakizay, ny fanjakana amin’i Israely, dia ho azy sy ny taranany, amin’ny fanekena tsy azo dikaina?

6 Ary nitsangana nikomy tamin’ny tompony kosa i Jerôbôama zanak’i Nabata, mpanompon’i Salômôna zanak’i Davida.

7 Olona tsinontsinona, zanak’i Beliala, no niangona teo aminy, sy naharesy an-dRôbôama zanak’i Salômôna. Ary mbola tanora sy sarotsaro-tahotra i Rôbôama fahizay, ka tsy nahatohitra azy ireo.

8 Ary ianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan’ny fanjakan’i Iaveh izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; sady vahoaka maro be ianareo, ary miaraka aminareo ny zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama ho andriamanitrareo.

9 Tsy efa narianareo va ny mpisoron’i Israely, dia ny taranak’i Aarôna sy ny Levita, ary moa tsy nananga-mpisorona ho anareo va ianareo, toy ny firenen’ny tany? Na iza na iza tonga nitondra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy fito mba hampanamasina ny tenany dia tonga mpisoron’izay tsy Andriamanitra.

10 Fa ny anay kosa: I Iaveh no Andriamanitray, ary tsy mba nahafoy Azy izahay, ny taranak’i Aarôna no mpisorona manao fanompoana ho an’i Iaveh, ary ny Levita kosa manao ny anjara raharahany.

11 Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.

12 Indro fa miaraka aminay, mitarika anay, Andriamanitra sy ny mpisorony, mbamin’ny trômpetra avo feo izay hotsofina hamelezana anareo. Koa aza miady amin’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ry zanak’i Israely, fa tsy hahomby anie ianareo!»

Ny ady

13 Nasain’i Jerôbôama nandeha nisafelika ireo nanao otrika mba handrosoany avy any aoriana hamely ny fahavalony, ka ny antokony notarihiny moa, teo anoloan’i Jodà, ny otrika teo ivohony.

14 Niherika i Jodà ka indro fa nisy mpamely teo anoloany sy teo ivohony. Nitaraina tamin’i Iaveh izy, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona.

15 Nanao akora lava fikatrohana ny lehilahy amin’i Jodà ary dieny nanao akora fikatrohana ny lehilahin’i Jodà, i Iaveh kosa namely an’i Jerôbôama sy i Israely rehetra teo anoloan’i Abià sy i Jodà.

16 Dia nandositra teo anoloan’i Jodà ny zanak’i Israely ary natolotr’Andriamanitra ho eo an-tanany.

17 Ka nataon’i Abià sy ny vahoakany lambam-bary, ka nisy lehilahy voafantina 500.000 no maty niampatrampatra tamin’i Israely.

18 Naetry ny zanak’i Israely tamin’izany andro izany, fa nihamahery kosa ny taranak’i Jodà, satria niankina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy.

Ny niafaran’ny fanjakan’i Jerôbôama

19 Notanahin’i Abià i Jerôbôama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: i Betela sy ny tanàna momba azy, i Jesàna sy ny tanàna momba azy, i Efrôna sy ny tanàna momba azy.

20 Tsy nahazo hery intsony i Jerôbôama tamin’ny andron’i Abià, fa nokapohin’i Iaveh izy ka maty.

21 I Abià kosa nitombo hery, nanam-bady 14 izy, ary niteraka lahy 22 sy vavy 16.

22 Ny sisa tamin’ny asan’i Abià mbamin’ny nataony sy ny teniny, dia efa voasoratra ao amin’ny boky Fitadidian’i Adô mpaminany.

23 Ary nody mandry any amin’ny razany i Abià ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Asà zanany no nanjaka nandimby azy.

Fandriam-pahalemana tamin’ny andron’i Asà

Nandry folo taona ny tany tamin’ny androny.

Categories
2Tantara

2Tantara 14

1 Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny i Asà. Nandrava ny ôtelin’ny olona hafa firenena sy ny fitoerana avo izy,

2 ary nanorotoro ny tsangam-bato sy ny aserah.

3 Nandidy an’i Jodà mba hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, sy hanatanteraka ny lalàna aman-didy izy.

4 Dia nesoriny ny fitoerana avo sy ny sariolona, teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, ka dia nandry feizay ny fanjakana teo anatrehany.

5 Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy.

6 Izao no nolazainy tamin’i Jodà: «Andeha haorintsika ireo tanàna ireo, hasiantsika manda manodidina, tilikambo, vavahady ary hidiny, fa mbola tsy voahidy ny tany anatrehantsika, fa efa nitady an’i Iaveh Andriamanitsika isika; nitady Azy isika, ka nomeny fiadanana isika amin’ny manodidina rehetra.» Dia nanorina izy ireo ka nahefa.

7 Izao no tafika nananan’i Asà: 300.000 miaramila an-defona sy ampinga, tamin’i Jodà; 280.000, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin’i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.

Fanafihan’i Zarà

8 Fa nivoaka hiady tamin’ireo i Zarà, Etiôpianina, nitondra miaramila 1.000.000 sy kalesy 300, ka nandroso hatrany Maresà.

9 Dia nivoaka hiady aminy i Asà, ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Sefatà akaikin’i Maresà izy.

10 Niantso an’i Iaveh Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: «Iaveh ô, azonao vonjena mora foana ny malemy tahaka ny mahery, ka vonjeo izahay, ry Iaveh Andriamanitray! Fa Ianao no iankinanay, ary amin’ny Anaranao no nandrosoanay hiady amin’ireto vahoaka be ireto, Ianao no Andriamanitray, ry Iaveh: aza maharesy Anao anie ny olona!»

11 Dia nasian’i Iaveh teo anoloan’i Asà sy i Jodà, ny Etiôpianina.

12 Nenjehin’i Asà sy ny vahoaka nomba azy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiôpianina lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny tafiny. Babo tsy erany no azon’i Asà sy ny vahoakany.

13 Nasiany avokoa ny tanàna manodidina an’i Gerara, fa azon’ny fahatahorana an’i Iaveh ireo, ka nobaboiny ny tanàna rehetra, fa babo be dia be no tao.

14 Nasiany koa ny lay, nisy ny biby fiompiny, ka nahazoany ondry be tokoa mbamin-drameva, dia niverina ho any Jerosalema izy.

Categories
2Tantara

2Tantara 15

Faminanian’i Azariasa. Fanavaozana fanekena an’i Iaveh

1 Tonga tamin’i Azariasa zanak’i Obeda ny fanahin’Andriamanitra

2 ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.

3 Nandritra ny fotoana ela i Israely, dia tsy nanana an’Andriamanitra marina, tsy nana-mpisorona mpampianatra, tsy nanan-dalàna,

4 fa tao anatin’ny fahoriana izy ireo, dia nitodika an’i Iaveh Andriamaniny, dia nitady Azy, ka mba nety ho hitany Izy.

5 Fahizany, nandry andriran’antsy izay nandeha nivezivezy, fa voan’ny korontam-be ny mponina rehetra tamin’ny tany.

6 Nifandramatra ny samy firenena sy ny samy tanàna, fa notabatabain’Andriamanitra tamin’izao karazam-pahoriana rehetra izao.

7 Koa mahereza ianareo, ary aza miraviravy tanana, fa hisy valisoa ny ataonareo.»

8 Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian’i Obeda mpaminany, i Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina ary ny tanàna azony tany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, sady nohavaoziny ny ôtelin’i Iaveh teo anoloan’ny alo-baravaran’i Iaveh.

9 Novoriny daholo i Jodà sy i Benjamina mbamin’ireo avy amin’i Efraima sy i Manase ary i Simeôna, izay tonga nonina teo aminy, fa betsaka ny olona tamin’i Israely no tonga niandany taminy, nony nahita fa nomba azy i Iaveh Andriamaniny.

10 Dia nivory tao Jerosalema izy ireo, tamin’ny volana fahatelon’ny taona faha-15 nanjakan’i Asà.

11 Tamin’izay andro izay, omby 700 sy ondry 7.000, tamin’ny babo nentiny, no nataony sorona ho an’i Iaveh.

12 Nametra-teny ampahibemaso izy ireo fa hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra;

13 ka na zovy na zovy tsy hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy.

14 Nanao feo avo izy nianiana tamin’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana sy feon-trômpetra aman’anjomara.

15 Nahafaly an’i Jodà rehetra erỳ izany fianianana izany, satria nianiana tamin’ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an’i Iaveh an-tsitrapo tokoa, ka nety ho hitany Izy, ary nomen’i Iaveh fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy.

Asa maro hafa nataon’i Asà

16 Ka i Maakà reniny aza, dia naongan’i Asà mpanjaka, tamin’ny fiandrianany amin’ny maha-renin’Andriamanjaka azy, noho izy nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny rehetra dia notorotoroiny ho vovoka sy nodorany tao an-dranon-driaka Sedrôna.

17 Tsy foana anefa ny fitoerana avo teo amin’i Israely, na dia lavorary aza ny fon’i Asà tamin’ny andro niainany rehetra.

18 Napetrany tao an-tranon’i Iaveh ny zavatra nohamasinin-drainy sy ny zavatra nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy amana volamena ary kapoaka.

19 Tsy nisy intsony ny ady hatramin’ny taona faha-35 nanjakan’i Asà.

Categories
2Tantara

2Tantara 16

1 Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.

2 Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:

3 «Aoka hisy fanekem-pihavanana amiko sy aminao, toy ny tamin-drainao sy tamin’ikaky. Mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho. Ary ianao kosa, andeha tsoahy ny fanekenao amin’i Baasà, mpanjakan’i Israely, mba hialany amiko.»

4 Nohenoin’i Ben-Hadada, i Asà mpanjaka, ka nirahiny hamely ny tanànan’i Israely ny filohan’ny tafiny, dia noreseny i Ahiôna sy i Dana ary i Abela-Maima mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra teo amin’i Neftalì.

5 Nony nandre izany i Baasà dia natsahany ny fanorenana an’i Ramà, ary najanony ny asany.

6 Ka nalain’i Asà i Jodà rehetra, dia nentin’izy ireo ny vato aman-kazo, nanorenan’i Baasà an’i Ramà, dia nanorenany an’i Gabaà sy i Masfà.

7 Tamin’izany andro izany no nahatongavan’i Hananì mpahita, tao amin’i Asà, mpanjakan’i Jodà, nilaza taminy hoe: «Noho ianao niankina tamin’ny mpanjakan’i Siria, fa tsy tamin’i Iaveh Andriamanitrao, noho izany dia afa-mandositra ny tananao ny tafiky ny mpanjakan’i Siria.

8 Moa ny Etiôpianina sy ny Libianina va tsy mba tafika lehibe, nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro be? Nefa noho ianao niankina tamin’i Iaveh dia natolony teo an-tananao ireny.

9 Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»

10 Tezitra tamin’ilay mpahita i Asà ka nasainy natao an-tranomaizina io, fa tezitra tamin’io izy, noho ny tenin’io. Nisy olona sasany tamin’ny vahoaka koa nampahorin’i Asà tamin’izany andro izany indrindra.

Ny niafaran’ny nanjakan’i Asà

11 Ary indro fa ny asan’i Asà, na ny voalohany na ny farany dia voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.

12 Tamin’ny taona faha-39 nanjakan’i Asà, narary tongotra izy, ary tsaroany naharary azy mafy izany. Tsy i Iaveh anefa no notadiaviny, na dia tamin’izany aretiny izany aza, fa ny mpanao fanafody.

13 Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà; ary tamin’ny taona faha-41 nanjakany no nahafatesany.

14 Nalevina tao amin’ny fasana nolavahany ho an’ny tenany, ao an-tanànan’i Davida izy; ary nampandriana tamin’ny farafara nofenoina zava-manitra sy zava-tsara fofona voavoatra araka ny fahaizan’ny mpahay zava-manitra, ary be dia be no zava-manitra nodorana koa.

Categories
2Tantara

2Tantara 17

Ny herin’i Jôsafata

1 I Jôsafata zanak’i Asà, no nanjaka nandimby azy. Nanamafy ny fiarovany tena tamin’i Israely,

2 nametraka antoko-miaramila tamin’ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà izy, ary nametraka miaramila mponina tamin’ny tanànan’i Efraima efa azon’i Asà rainy.

Ny fiahiany ny lalàna

3 Nomban’i Iaveh i Jôsafata fa nandeha tamin’ny lalana voalohany nalehan’i Davida rainy; tsy nikatsaka an’ireo Baala izy

4 fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon’i Israely.

5 Koa nohamafisin’i Iaveh teo an-tanany ny fanjakana ary nitondran’i Jodà rehetra fanatitra i Jôsafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be.

6 Nitombo ny herim-pony teo amin’ny lalan’i Iaveh, ka noravany koa ny fitoerana avo mbamin’ny aserah teo amin’i Jodà.

7 Tamin’ny taona fahatelo nanjakany, nirahiny hampianatra tany amin’ny tanànan’i Jodà, ireto lehibe ireto: i Bena-Haila, i Obdiasa, i Zakariasa, i Natanaely ary i Mikeasa,

8 sy ireto Levita ireto niaraka taminy: i Semesiasa, i Nataniasa, i Zabadiasa, i Asaela, i Semiramôta, i Jonatàna, i Adoniasa, i Tôbiasa, i Tôbadôniasa; ary niaraka tamin’ireo koa ireto mpisorona ireto; i Elisamà sy i Jôrama.

9 Nampianatra tao amin’i Jodà ireo, nitondra ny bokin’ny lalàn’i Iaveh; nitety ny tanànan’i Jodà rehetra, ary nampianatra teny amin’ny vahoaka.

10 Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Jodà, ka tsy niady tamin’i Jôsafata izy ireo.

11 Nisy Filistinina nitondra fanatitra sy vola hetra ho an’i Jôsafata; ny Arabo koa nitondra biby fiompiny taminy, dia ondralahy 7.700, sy osilahy 7.700.

12 Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.

Ny tafika

13 Nanana zavatra fitahiry betsaka izy teny amin’ny tanànan’i Jodà, ary miaramila mpiady, lehilahy mahery, tao Jerosalema.

14 Toy izao no nanisana azy ireo, araka ny fianakaviany avy: Ny tamin’i Jodà dia ireto no tomponarivo: i Adnà, mpifehy, sy lehilahy mahery 300.000, niaraka taminy;

15 teo anilany i Johanàna mpifehy ny lehilahy 280.000 niaraka taminy.

16 Ary teo anilany i Amasiasa zanak’i Zekri, izay nanokan-tena an-tsitrapo ho an’i Iaveh sy lehilahy mahery 200.000 niaraka taminy.

17 Ny tamin’i Benjamina dia i Elida lehilahy mahery, sy lehilahy nitondra tsipìka aman’ampinga 200.000 niaraka taminy;

18 ny teo anilany dia i Jôzabada, sy lehilahy 180.000 samy hary fiadiana hiady niaraka taminy.

19 Ireo no nanompo ny mpanjaka, afa-tsy izay napetraky ny mpanjaka tany amin’ny tanàna mimanda, eran’i Jodà rehetra.

Categories
2Tantara

2Tantara 18

Fihavanana tamin’i Akaba sy ireo mpaminany

1 Nanan-karena amam-boninahitra be i Jôsafata ary nanao fanambadiana izy nihavanany tamin’i Akaba.

2 Nony afaka taona vitsivitsy, nidina nankany amin’i Akaba tany Samaria izy, ary i Akaba namono ondry sy omby sesehena ho azy sy ny vahoaka nanaraka azy, sy nitaona azy hiakatra ho any Ramôta any Galaada.

3 Izao no nolazain’i Akaba mpanjakan’i Israely, tamin’i Jôsafata, mpanjakan’i Jodà: «Mba hiaraka amiko ho any Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata taminy: «Hihatra amiko ny hihatra aminao, ary hanjò ny vahoakako ny hanjò ny vahoakanao, ka hiaraka aminao hanafika azy izahay.»

4 Dia hoy i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Miangavy anao aho hanontany izay tenin’i Iaveh ankehitriny.»

5 Dia nantsoin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminany 400 lahy, ka hoy izy taminy: «Handeha hanafika any Ramôta any Galaada va isika, sa tokony hijanona aho?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Mandehana fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

6 Fa hoy kosa i Jôsafata: «Tsy misy mpaminanin’i Iaveh intsony eto va, na dia iray aza, azontsika anontaniana Azy?»

7 Ka hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely an’i Jôsafata: «Mbola misy olona iray azontsika anontaniana an’i Iaveh, saingy halako izay, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa izao loza lava izao ihany, dia i Mikea zanak’i Jemlà.» Dia hoy i Jôsafata: «Aoka tsy hanao izany intsony ny mpanjaka.»

8 Izay ny mpanjakan’i Israely vao niantso eonòka anankiray, ka nanao taminy hoe: «Asaovy mankatỳ miaraka amin’izay i Mikea zanak’i Jemlà.»

9 Tamin’izay ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, dia samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany nitondra ny akanjo-mpanjakany, nipetraka teo amin’ny fidiran’ny vavahadin’i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, naminany teo anatrehany.

10 I Sedesiasa zanak’i Kanaana, nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Hototoinao amin’ireto tandroka ireto ny Sirianina, mandra-paharingany.»

11 Ny mpaminany rehetra koa samy naminany toy izany, ka nanao hoe: «Miakara any Ramôta any Galaada ka maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany.»

12 Ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Efa iray teny, milaza soa ho an’ny mpanjaka avokoa izao ny mpaminany, ka aoka ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy isany, mba milazà soa koa.»

13 Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Izay hambaran’Andriamanitra no holazaiko.»

14 Nony mby teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Ry Mikea, handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, sa tokony hijanona va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Miakara ka maharese, fa efa voatolotra eo an-tananareo izy.»

15 Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no iangaviako anao, mba tsy hilaza amiko hafa-tsy izay marina, amin’ny Anaran’i Iaveh ianao.»

16 Ka hoy ny navalin’i Mikea: «Indro i Israely rehetra, hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»

17 Dia hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Tsy efa voalazako taminao va, fa tsy mba milaza soa ho ahy io, fa ny loza ihany!»

18 Hoy kosa i Mikea: «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Izaho efa nahita an’i Iaveh mipetraka amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra dia eo ankavanany sy eo ankaviany.

19 Ary hoy i Iaveh: Iza no hanambaka an’i Akaba hiakarany any Ramôta any Galaada sy ho faty any izy?

20 Dia namaly izy ireo, nefa ny iray toy izao, ny iray toy izao. Tamin’izany dia nisy fanahy anankiray nandroso nankeo anatrehan’i Iaveh nanao hoe: Izaho no hanambaka azy. Ka hoy i Iaveh taminy: Hataonao ahoana?

21 Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan’ny mpaminany rehetra. Dia hoy i Iaveh taminy: Hanambaka azy tokoa ianao ary ho efanao tokoa izany. Koa mivoaha àry, ataovy izany.

22 Koa indro i Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminany izay eto ireo. Ary i Iaveh efa nanonona loza hanjò anao.»

23 Nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaana, ka namely ny takolak’i Mikea nanao hoe: «Taiza no lalana nialan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny aminao?»

24 Dia namaly i Mikea hoe: «Ho hitanao izany amin’ny andro handehandehananao isan’efitrano hierenao.»

25 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely: «Raiso i Mikea ka ento any amin’i Amôna, governoran’ny tanàna, sy i Jôasa zanaky ny mpanjaka,

26 lazao hoe: Izao no lazain’i mpanjaka: Ataovy an-tranomaizina ity olona ity, ka mofom-pahoriana aman-dranom-pahoriana no amelomy azy, mandra-piveriko soa aman-tsara.»

27 Ary hoy i Mikea: «Raha tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»

28 Dia niakatra nankany Ramôta any Galaada ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.

29 Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Izaho hanao fitafiana hafa no mandroso amin’ny ady, fa ianao miakanjoa ny akanjonao ihany.» Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan’i Israely, dia nandeha ho any amin’ny ady izy ireo.

30 Izao no didy efa nomen’ny mpanjakan’i Siria an’ireo komandin’ny an-kalesiny nataony hoe: «Aza misy asianareo na ny kely na ny lehibe, afa-tsy ny mpanjakan’i Israely ihany.»

31 Nony nahita an’i Jôsafata ny komandin’ny an-kalesy, dia nanao hoe: «Inty tokoa ny mpanjakan’i Israely, sady nohodidininy hasiana izy.» Niantso mafy i Jôsafata dia novonjen’i Iaveh, ka nampanalavirin’Andriamanitra azy ny Sirianina.

32 Rehefa hitan’ny komandin’ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’i Israely io, dia nivily niala taminy izy.

33 Tamin’izay nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely teo anelanelan’ny fikatonan’ny akanjom-piadiany sy ny fiarovan-tratrany. Ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpampandeha ny kalesy: «Ahodino, ka ento miala eto amin’ny tany iadiana aho, fa voa.»

34 Nihamafana ny ady tamin’izay andro izay, ary notohanana hitsangana manandrify ny Sirianina teo ambony kalesiny ihany ny mpanjakan’i Israely, mandra-paharivan’ny andro, fa nony efa hilentika ny masoandro dia maty izy.

Categories
2Tantara

2Tantara 19

1 Nony niverina soa aman-tsara ho any an-tranony ao Jerosalema i Jôsafata mpanjakan’i Jodà,

2 dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.

3 Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin’ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra ianao.»

Ny natao hampielezana ny Iavisma

4 Nitoetra tao Jerosalema i Jôsafata ary noteteziny indray ny vahoaka, hatrany Bersabea, ka hatrany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, dia nampivereniny amin’i Iaveh Andriamanitry ny razany.

5 Nanendry mpitsara amin’ny tany izy, amin’ny tanàna mimanda, amin’i Jodà, isan-tanàna.

6 Ka nilaza tamin’ny mpitsara izy nanao hoe: «Tandremo izay hataonareo, fa tsy ho an’olombelona no hitsaranareo, fa ho an’i Iaveh; izy no homba anareo rehefa mitsara ianareo.

7 Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an’i Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin’i Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly.»

8 Tao Jerosalema koa, rehefa tafaverina tao amin’io tanàna io izy ireo, dia nanendry Levita sy mpisorona ary loham-pianakaviana amin’i Israely, i Jôsafata, ho amin’ny fitsaràn’i Iaveh sy ny adin’olona.

9 Ka nanome didy izy nanao hoe: «Hataonareo amim-pahatahorana an’i Iaveh izany sy amim-pahamarinana ary amin’ny fo mahitsy.

10 Amin’ny ady rehetra entin’ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin’ny momba ny fanavahana ny vonoana olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin’i Iaveh sy tsy hiharan’ny fahatezerany aminareo sy amin’ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.

11 Indro i Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin’ny raharahan’i Iaveh rehetra; ary i Zabadiasa zanak’i Ismaely mpanapaka ny taranak’i Jodà, amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manamboninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie i Iaveh.»

Categories
2Tantara

2Tantara 20

Finoana sy hira masina tamin’ny adin’i Edômita

1 Tatỳ aorian’izay, dia tamy ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amôna, ary nisy Amônita niaraka taminy, hamely an’i Jôsafata dia hiady aminy.

2 Ka nisy tonga nilaza tamin’i Jôsafata hoe: «Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin’ny ranomasinaizy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasôna-Tamara, izany hoe Engadi izy izao.»

3 Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy.

4 Dia nivory koa i Jodà hiantso an’i Iaveh, ka avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra aza no nahatongavan’ny olona hiantso an’i Iaveh.

5 Ary i Jôsafata nitsangana teo afovoan’ny fiangonan’i Jodà sy i Jerosalema tao an-tranon’i Iaveh eo anoloan’ny kianja vaovao, ka nanao hoe:

6 «Ry Iaveh Andriamanitry ny razanay ô, moa tsy Andriamanitra any an-danitra va Ianao? Ary moa tsy manapaka ny fanjakana rehetra amin’ny firenena, ary moa tsy eo an-tananao va ny hery amam-pahefana, ka tsy misy hahatohitra Anao?

7 Tsy Ianao va, ry Andriamanitra ô, no nandroaka ny mponina tamin’ity tany ity teo anoloan’i Israely vahoakanao, sy nanome azy ho an’ny taranak’i Abrahama sakaizanao mandrakizay?

8 Dia nonina teto izy ireo sy nanangana fitoerana masina ho Anao, ho an’ny Anaranao, nanao hoe:

9 Raha avy izay loza hanjò na ny sabatry ny fitsarana, na pesta, na mosary, dia hitsangana eo anatrehan’ity trano ity sy eo anatrehanao izahay, fa ao amin’ity trano ity ny Anaranao, dia hiantso Anao izahay ao afovoan’ny loza manjò anay, dia hihaino Ianao ary hamonjy.

10 Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy.

11 Kanjo indreo izy, ka ny handroaka anay hiala amin’ny lova nomenao hanananay kosa no valy omeny anay!

12 Ry Andriamanitra ô, tsy hamoaka fitsarana an’ireo va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan’ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa Ianao no itodihan’ny masonay!»

13 Ary i Jodà rehetra izany, nitsangana teo anatrehan’i Iaveh avokoa, hatramin’ny ankizy madinika mbamin’ny vady aman-janany.

14 Tamin’izay i Jahaziela zanak’i Zakariasa zanak’i Banaiasa zanak’i Jehiela zanak’i Mataniasa, Levita, amin’ny taranak’i Asafa dia voatsindrin’ny Fanahy avy amin’i Iaveh teo afovoan’ny fiangonana teo,

15 ka nanao hoe: «Mampandria sofina, ry Jôsafata mpanjaka! Izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza matahotra na manam-badi-po eo anatrehan’ireo vahoaka be ireo, fa tsy anareo ity ady ity, fa an’Andriamanitra.

16 Midìna ianareo hamely azy rahampitso, fa indro izy hihazo amin’ny havoan’i Sisa, ary ho hitanareo erỳ amin’ny faran’ny lohasaha tandrifin’ny efitra Jeroela.

17 Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin’ity, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon’i Iaveh anareo, ry Jodà sy i Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha ianareo rahampitso hitsena an’ireo, fa homba anareo i Iaveh.»

18 Dia niankohoka tamin’ny tany i Jôsafata, niankohoka teo anatrehan’i Iaveh koa i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema mba hivavaka amin’i Iaveh.

19 Ary ny Levita amin’ny taranak’i Kaata, amin’ny taranak’i Kôre nitsangana, hankalaza an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, tamin’ny feo mahery sy avo.

20 Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.»

21 Raha efa izany, dia niara-nihevitra tamin’ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan’ny tafika, hankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Miderà an’i Iaveh fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony!»

22 Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika i Iaveh, hahavoa ny taranak’i Amôna sy i Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an’i Jodà, ka resy izy ireo.

23 Ny taranak’i Amôna sy i Moaba nitsangana nanohitra ny mponina any an-tendrombohitra Seira hamono sy handringana an’ireo; nony tapitra naringana ny mponina any an-tendrombohitra Seira dia izy samy izy indray no nifanampy nifandringana.

24 Nony tonga teo amin’ny fitoeran’ny mpiambina mahatazana ny efitra i Jodà, dia nitodika irerỳ vahoaka be, dia faty niampatrampatra tamin’ny tany no hany hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.

25 Dia nandeha i Jôsafata sy ny vahoakany haka babo tamin’ireo, ka harem-be vava no hitany teo, dia faty sy fanaka sarobidy; ka be dia be no nalainy ho azy, ka tsy zakany nentina aza, ka hateloana izy nanangona ny babo teo ihany fa be tokoa.

26 Nony tamin’ny andro fahefatra, nivory teo amin’ny lohasaha Berakà izy, fa nisaotra an’i Iaveh teo; izany no nanaovany an’io lohasaha io hoe i Berakà mandrak’androany.

27 Izay vao niainga amin-kafaliana ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy i Jerosalema notarihin’i Jôsafata hiverina any Jerosalema, fa nofenoin’i Iaveh hafaliana ny amin’ny fahavalony.

28 Tamin’ny feom-baliha sy harpa ary trômpetra no nidirany teo Jerosalema nankany amin’ny tranon’i Iaveh.

29 Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra amin’ny tany, nony nandre fa hoe: i Iaveh no niady tamin’ny fahavalon’i Israely.

30 Ka nandry feizay ny fanjakan’i Jôsafata, ary nomen’Andriamaniny fiadanana tamin’ny manodidina izy.

Ny niafaran’ny nanjakan’i Jôsafata

31 Tonga mpanjaka tamin’i Jodà i Jôsafata. 35 taona izy fony vao nanjaka tao Jerosalema. I Azobà zanaka vavin’i Selahì no anaran-dreniny.

32 Nandeha tamin’ny lalana nalehan’i Asà rainy izy, ka tsy nivily tamin’izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh.

33 Saingy ny fitoerana avo no tsy voarara, ary ny vahoaka no mbola tsy niraiki-po mafy tamin’ny Andriamanitry ny razany.

34 Ny sisa tamin’ny asan’i Jôsafata, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Jehò, zanak’i Hananì, ka efa voatafiditra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely.

35 Tatỳ aorian’izany i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, nikambana tamin’i Okoziasa mpanjakan’i Israely izay melo-pitondran-tena.

36 Ny hanao sambo hankany Tarsisa no nikambanany taminy; ary tao Asiôngabera no nanaovany ny sambo.

37 Fa tamin’izay i Eleazara zanak’i Dôdô, any Maresà, naminany ny amin’i Jôsafata nanao hoe: «Noho ianao nikambana tamin’i Okoziasa dia noravan’i Iaveh ny asanao.» Dia vaky ny sambo ka tsy afa-nankany Tarsisa.