Categories
2Tantara

2Tantara 31

Fanitsiana ny fombam-pivavahana

1 Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.

Fanamboarana momba ny mpisorona sy ny Levita

2 Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, – ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, – hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.

3 Izy ihany no nanome, avy amin’ny fananany, izay anjaran’ny mpanjaka, amin’ny sorona dorana, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva, sy ny sorona dorana amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fety, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh.

4 Ary nilaza tamin’ny mponina ao Jerosalema izy, handoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita, mba hiraiketany mafy amin’ny lalàn’i Iaveh.

5 Rehefa naely izany didy izany, dia nanateran’ny zanak’i Israely be dia be ny santatry ny varimbazaha, ny divay vaovao, ny diloilo, ny tantely, mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; be koa ny fahafolon-karena nentiny avy amin’ny vokatra rehetra.

6 Ny zanak’i Israely sy i Jodà, nonina teo amin’ny tanànan’i Jodà koa, dia nitondra ny fahafolon-karena tamin’ny omby aman’ondry, mbamin’ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra masina rehetra natokana ho an’i Iaveh Andriamaniny, ka natokotoko ho antontany maro.

7 Tamin’ny volana fahatelo no natomboka ny manao antontany ka tamin’ny volana fahafito vao vita.

8 Tonga i Ezekiasa sy ny lehibe ka nony nahita ireo antontany, dia nisaotra an’i Iaveh sy i Israely izy ireo.

9 Ary nanontanian’i Ezekiasa ny amin’ireo antontany ireo, ny mpisorona sy ny Levita.

10 Ka hoy i Azariasa mpisorona lehibe taranak’i Sadôka namaly azy: «Hatramin’ny niandohan’ny nanateran’ny olona ny fanomezana voaavaka ao an-tranon’i Iaveh, dia nihinana sy nanao voky ihany izahay, nefa mbola be koa ny tsy laninay, fa nambinin’i Iaveh ny vahoakany, ka he izato habetsahan’ny sisa tsy lany.»

11 Nasain’i Ezekiasa namboarana efitrano tao an-tranon’i Iaveh ka dia namboarina izany,

12 dia nampidirina tao, tsy misy tomika, ny fanomezana voaavaka, ny fahafolon-karena, ary ny zavatra voatokana. I Kôneniasa Levita no tonian’ny fitandremana an’ireo; i Semeià rahalahiny no lefiny,

13 ary i Jahiela, i Azariasa, i Nahata, i Asaela, i Jerimota, i Jôzabada, i Eliala, i Jesmakiasa, i Mahata sy i Banaiasa no mpikarakara nofehezin’i Kôneiasa sy i Semeià rahalahiny, araka ny nandaharan’i Ezekiasa mpanjaka sy i Azariasa mpanapaka ao amin’ny tranon’Andriamanitra, an’izany.

14 I Kôre Levita mpiandry ny varavarana atsinanana no tonian’ny fanatitra an-tsitrapo naterin’ny olona ho an’i Iaveh, mba hizarazara izay voaavaka ho an’i Iaveh mbamin’ny zavatra masina indrindra.

15 Nisy fehiny niandry raharaha homeny azy ireo, tao amin’ny tanànan’ny mpisorona, dia i Edena, i Benjamina, i Jesoe, i Semeiàsa, i Amariasa, i Sekeniasa, izay niadidy ny fizaràna ho an’ny rahalahiny, araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely;

16 afa-tsy ny lehilahy voasoratra, hatramin’ny telo taona no ho miakatra, dia izay rehetra niditra tao an-tranon’i Iaveh, araka ny ilainy isan’andro mba hanao ny fanompoana, araka ny anjara raharahany sy ny antokony avy.

17 Ny boky fanoratana ny mpisorona dia nalahatra araka ny fianakavian-drain’izy ireo ary ny Levita dia voasoratra araka ny raharahany sy ny antokony avy, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.

18 Voasoratra tao anatin’ny boky ny zanany rehetra, ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny fiangonana rehetra, fa noho ny fahamarinany dia nikarakara tamim-pahamasinana ny fanatitra masina.

19 Ary ny amin’ny taranak’i Aarôna, dia ireo mpisorona nitoetra tany amin’ny faritry ny taniny, nanodidina ny tanànany, dia nisy lehilahy isan-tanàna, voatonona anarana, hanome ny anjaran’ny lehilahy amin’ny mpisorona sy ny Levita rehetra voasoratra.

20 Toy izany no nataon’i Ezekiasa, eran’i Jodà rehetra; nanao izay tsara sy mahitsy ary marina eo anatrehan’i Iaveh Andriamaniny izy.

21 Nataony tamin’ny fony tokoa ny raharaha rehetra nampanaoviny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, sy momba ny didy aman-dalàna nitadiavany an’Andriamaniny, ka nambinina izy.

Categories
2Tantara

2Tantara 32

Fanafihan’i Senakeriba

1 Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy.

2 Nony hitan’i Ezekiasa fa tonga i Senakeriba sady nitodika an’i Jerosalema hamely azy,

3 dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo.

4 Dia vahoaka be no nivory sy nanarona ny loharano rehetra mbamin’ilay renirano mamaky eo afovoan’ny tany, nanao hoe: «Ahoana no hahitan’ireo mpanjakan’i Asiria tonga atỳ ireo, rano betsaka?»

5 Nahazo hery i Ezekiasa, ka namboariny avokoa ny manda rava, nohavaoziny ny tilikambo, naoriny ny manda hafa teo ivelany, nohamafisiny i Melô tao an-tanànan’i Davida, ary nampanao fiadiana aman’ampinga betsaka izy.

6 Nanendry mpifehy miaramila hifehy ny vahoaka izy, dia novoriny ho eo aminy teo an-kalalahana akaikin’ny vavahadin’ny tanàna ireo, ka nomeny teny manetsika ny fo hoe:

7 «Matanjaha sy mahereza, fa aza matahotra na manam-badi-po eo anoloan’ny mpanjakan’i Asiria sy ireo vahoaka maro be momba azy.

8 Sandry nofo no momba azy, fa i Iaveh Andriamanitsika kosa no momba antsika, hanampy antsika sy hitarika ny fanahintsika.» Natoky ny tenin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ny vahoaka.

Teny tsy mendrika nataon’i Senakeriba

9 Raha efa izany, naniraka ny mpanompony ho any Jerosalema i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, – fa izy mbamin’ny miaramilany rehetra izany dia mbola teo anoloan’i Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ireo avy amin’i Jodà rehetra tao Jerosalema hilaza aminy hoe:

10 «Izao no lazain’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia mihiboka atao fahirano ato Jerosalema ka tra-pahoriana ianareo?

11 Tsy famitahan’i Ezekiasa anareo va mba hanolorany anareo ho faty mosary sy hetaheta, no nilazany hoe: I Iaveh Andriamanitsika no hamonjy antsika amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria?

12 Tsy io Ezekiasa io indrindra va no nandrava ny fitoerana avo sy ny ôtelin’i Iaveh, ka nilaza tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: Eo anoloan’ny ôtely iray monja no hiankohofanareo ary ao no anateranareo zava-manitra.

13 Ary tsy mba fantatrareo va ny nataonay, dia izaho sy ny razako, tamin’ny firenena rehetra tamin’ny tany é?

14 Moa nahavonjy tokoa ny taniny tamin’ny tanako va, ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany? Iza amin’ny andriamanitr’ireo firenena naringan’ny razako no nahavonjy ny vahoaka tamin’ny tanako, no dia hahavonjy anareo amin’ny tanako ny Andriamanitrareo?

15 Koa ankehitriny, aza dia mety hambosin’i Ezekiasa na hofitahiny ianareo! Ary aza matoky azy. Fa ny andriamanitry ny firenena sy ny fanjakana hafa rehetra tsy nisy nahavonjy ny vahoakany tamin’ny tanako sy ny tanan’ny razako, ka mainka tsy hahavonjy anareo amin’ny tanako izay Andriamanitrareo.»

16 Ny mpanompon’i Senakeriba mbola nanao teny faniratsirana an’i Iaveh Andriamanitra sy an’i Ezekiasa mpanompony.

17 Izy koa nanoratra taratasy nanalany baraka an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy naniratsirany azy; izao no teniny: «Tahaka ny tsy nahavonjen’ireo andriamanitry ny firenena amin’ny tany ny vahoakany tamin’ny tanako, no tsy hahavonjen’ny Andriamanitr’i Ezekiasa ny vahoakany, amin’ny tanako koa.»

18 Tamim-peo avo sy amin’ny fiteny Jody, no niantsoantsoan’ireo mpanompony tamin’ny vahoaka tao Jerosalema izay teny ambony manda, mba hampitahotra sy hampivadi-po an’ireo, hahazoany ny tanàna.

19 Mova tsy ny filaza ny andriamanitry ny firenena amin’ny tany, asan-tanan’olombelona ihany, no filàzany ny Andriamanitr’i Jerosalema!

Nekena ny vavak’i Ezekiasa

20 Noho izany dia raikitra nivavaka i Ezekiasa mpanjaka sy i Izaia mpaminany, zanak’i Amôsa, ka nitaraina tamin’ny lanitra izy.

21 Dia naniraka Anjely anankiray i Iaveh ary naringan’io avokoa ny lehilahy mahery sy ny filohany mbamin’ny lehibe teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria, ka lasa nody any amin’ny taniny, safo-kenatra, ity mpanjaka. Nony tafiditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ny sasany tamin’izay naloaky ny kibony no namono azy tamin’ny sabatra.

22 Ary namonjy an’i Ezekiasa sy ny mponina tao Jerosalema, tamin’ny tanan’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, sy tamin’ny fahavalony rehetra, i Iaveh, nitari-dalana azy ireo, na ho aiza na ho aiza.

23 Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.

24 Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh, dia niteny taminy i Iaveh sy nanao fahagagana ho azy.

25 Tsy namaly araka ny soa noraisiny anefa i Ezekiasa fa nisondrotra ny fanahiny, ka niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy mbamin’i Jodà sy i Jerosalema.

26 Dia nanetry tena i Ezekiasa noho ilay niavonavonan’ny fony, dia izy mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka tsy niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy ireo, nandritra ny andro niainan’i Ezekiasa.

27 Nanan-karena amam-boninahitra be i Ezekiasa. Nahatonga rakitra miavosa izy, dia volafotsy, volamena, vato soa, zava-manitra, ampinga ary zavatra mahate hanana isan-karazany.

28 Nanao trano fitahirizam-bokatra izy, na varimbazaha, na divay, na diloilo, tranom-pihinanam-biby ho an’ny biby fiompy isan-karazany, ary nanana biby fiompy ao an-tranom-biby.

29 Nanao tanàna maro ho azy izy, ary nanana andiany maro izy, tamin’ny omby sy ny ondry, fa nomen’Andriamanitra harena be dia be.

Famintinana ny nanjakany, sy ny niafarany

30 I Ezekiasa io ihany koa, no nanarona ny fivoahan’ny rano any ambony tamin’ny ranon’i Gihôna, ka nampandeha azy hidina mankany andrefan’ny tanànan’i Davida. Nahomby i Ezekiasa tamin’izay rehetra nataony.

31 Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.

32 Ny asan’i Ezekiasa sisa, mbamin’ny asany momba ny fivavahana, dia efa voasoratra ao amin’ny Fahitan’i Izaia mpaminany zanak’i Amôsa sy ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely.

33 Dia nody mandry any amin’ny razany i Ezekiasa, ka nalevina teo amin’ny fitoerana ambony indrindra, amin’ny fasan’ny taranak’i Davida; ary tamin’ny nahafatesany, dia niara-nanome voninahitra azy i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema. I Manase zanany no nanjaka nandimby azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 33

Ravan’i Manase ny asan’i Ezekiasa

1 Roa ambin’ny folo taona i Manase fony vao nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, nanaraka ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

3 Naoriny indray ny fitoerana avo noravan’i Ezekiasa rainy; nanangana ôtely ho an’ireo Baala izy; nanao aserah izy, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra, sy nanompo azy.

4 Nanorina ôtely teo an-tranon’i Iaveh izy, izay nolazain’i Iaveh hoe: «Ho ao Jerosalema mandrakizay ny Anarako.»

5 Nanorina ôtely teo amin’ny kianja roa an-tranon’i Iaveh izy, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.

6 Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan’i Bena-Enôma ny zanany, Narahiny avokoa ny fomban’ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy.

7 Ny sarin’ny sampy nataony, dia napetrany tao amin’ny tranon’Andriamanitra izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Eto amin’ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko teo amin’ny fokon’i Israely rehetra no tiako hametrahana ny Anarako mandrakizay.

8 Tsy havoakako hiala amin’ny tany notendreko ho an’ny razanareo ny tongotr’i Israely, raha mbola tandremany ihany koa ny manaraka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny didy aman-dalàna ary fitsipika nomena tamin’ny alalan’i Môizy.»

9 Ka dia i Manase no tonga nampania an’i Jodà mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka nandroso nanao ratsy izy ireo mihoatra noho ireo firenena naringan’i Iaveh, teo anoloan’ny zanak’i Israely.

10 Niteny tamin’i Manase sy ny vahoakany i Iaveh; nefa tsy nasian’izy ireo raharaha akory izany.

Ny nibebahan’i Manase

11 Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hamely azy ireo ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asiria, nosamborin’ireo i Manase tamin’ny masom-by, nogiazany tamin’ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilôna.

12 Nony latsaka am-pahoriana izy vao nihanta an’i Iaveh Andriamaniny, nanetry tena lehibe teo anatrehan’ny Andriamanitry ny razany.

13 Dia nangataka taminy izy; dia nety ifonana i Iaveh ka nihaino ny fifonany, sy nampody azy ho any Jerosalema amin’ny fanjakany. Dia niaiky i Manase fa Andriamanitra i Iaveh.

14 Tatỳ aorian’izany, nanao manda teo ivelan’ny tanànan’i Davida izy, teo andrefana mankany Gihôna amin’ny lohasaha hatrany amin’ny vavahadin-Kazandrano hanodidina an’i Ofela, sady nasondrony avo dia avo. Ary nametrahany mpifehy miaramila ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà.

15 Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin’ireo ôtely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan’ny tanàna.

16 Dia naoriny indray ny ôtelin’i Iaveh, ka nanatitra sorom-pihavanana amam-pisaorana teo izy, ary nandidy an’i Jodà hanompo an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

17 Mbola nanao sorona teny amin’ny fitoerana avo ihany ny vahoaka, nefa tsy ho an’iza fa ho an’i Iaveh Andriamaniny.

18 Ny asan’i Manase sisa, ny vavaka nataony tamin’ny Andriamaniny, ny tenin’ireo mpahita niteny tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia efa samy voasoratra ao amin’ny asan’ny mpanjakan’i Israely.

19 Ny vavaka nataony, ny nihainoan’Andriamanitra an’izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan’ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Hôzaia.

20 Ary nody mandry any amin’ny razany i Manase ka nalevina tao an-tranony. I Amôna zanany no nanjaka nandimby azy.

Mbola mafy fo i Amôma

21 Ary 22 taona i Amôna fony vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tao Jerosalema.

22 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, nanao sorona tamin’ny sarin-javatra rehetra nataon-drainy, i Amôna, ary nanompo an’ireny.

23 Tsy mba nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh tahaka ny nataon-drainy anefa izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza i Amôna.

24 Niray tetika hamely azy ny mpanompony, dia namono azy ho faty tao an-tranony.

25 Fa novonoin’ny vahoaka tamin’ny tany kosa izay rehetra niray tetika hamely an’i Amôna. Dia i Josiasa zanany no natsangan’ny vahoaka tamin’ny tany ho mpanjaka hisolo azy.

Categories
2Tantara

2Tantara 34

Topy maso momba ny fanjakana

1 Valo taona i Josiasa fony vao nanjaka, ary 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, ka nandeha tamin’ny lalan’i Davida rainy, fa tsy mba nivily ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

Fanitsiana voalohany

3 Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, mbola tanora izy fahizay, dia efa niantomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy izy, ary tamin’ny taona faha-12, dia natombony ny fanadiovana an’i Jodà sy i Jerosalema, tsy hisy fitoerana avo, na aserah, na sarin-javatra voasikotra, na sarin-javatra anidina.

4 Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,

5 ary nodorany teo ambonin’ireo ôteliny ny taolan’ny mpisorona. Dia nanadio an’i Jodà sy i Jerosalema izy.

6 Ary tany amin’ny tanànan’i Manase sy i Efraima mbamin’i Simeôna, hatrany amin’i Neftalì, tamin’ireny tanànany rava ireny,

7 dia noravany koa ny ôtely, notorotoroiny nataony zary vovoka ny aserah sy ny sarin-javatra voasikotra, ary nazerany avokoa ny sary mivongana natokana ho an’ny masoandro, teo amin’ny tanin’i Israely rehetra, vao niverina nankany Jerosalema izy.

Asa nanamboarana ny Tempoly

8 Tamin’ny taona faha-18 nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny tranon’Andriamanitra, dia nirahiny i Safàna zanak’i Aslià sy i Maasiasa komandin’ny tanàna, ary i Jôhà zanak’i Jôakaza mpitahiry bokim-panjakana, hamboatra ny tranon’i Iaveh Andriamaniny.

9 Nankao amin’i Helkiasa mpisorona lehibe ireo, nanolotra ny vola naterina tao an-tranon’Andriamanitra, nangonin’ireo Levita mpiandry varavarana avy tamin’i Manase sy i Efraima, mbamin’i Israely rehetra sy i Jodà rehetra ary i Benjamina sy ny mponina ao Jerosalema.

10 Napetrany izany teo an-tanan’ireo mpampanao ny asa, izay notendrena ho mpitandrina amin’ny tranon’i Iaveh; dia ireto kosa indray no nizara azy tamin’ny mpiasa, izay niasa tamin’ny tranon’i Iaveh, hamboatra sy hanamafy ny trano.

11 Dia nomeny ny mpandrafitra hazo sy ny mpandrafitra vato izany, ary nividianany vato voapaika sy hazo handrafetana ny tafo ary hanisiana sakamandimby hatao amin’ny trano nosimban’ny mpanjakan’i Jodà.

12 Nefain’ireo lehilahy ireo tamim-pahamarinana ny anjara asany. Ny voatery hitandrina azy ireo, dia i Jahata sy i Abdiasa Levita tamin’ny taranak’i Merarì, i Zakariasa sy i Mosolama tamin’ny taranaky ny Kaatita; izy ireo no nitarika azy mbamin’ny Levita hafa koa izay samy mahay zava-maneno.

13 Izy koa no nitandrina ny mpitondra entana, sy nitarika ny mpiasa rehetra amin’ny taozavatra isan-karazany. Nisy Levita sasany koa, mpanoratra, mpikarakara sy mpiandry varavarana.

Ny nahitana ny lalàna

14 Tamin’ny fotoana namoahana ny vola voaatitra tao an-tranon’i Iaveh, dia hitan’i Helkiasa mpisorona, ny bokin’ny lalàn’i Iaveh nomena tamin’ny alalan’i Môizy.

15 Ka hoy i Helkiasa niteny tamin’i Safàna mpanoratra: «Hitako tao an-tranon’i Iaveh ny bokin’ny lalàna», ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky.

16 Dia nentin’i Safàna tany amin’ny mpanjaka, ka nilaza taminy koa izy, nanao hoe: «Efa nataon’ny mpanomponao avokoa izay rehetra nasaina nataony;

17 nalainy daholo ny vola rehetra hita tao an-tranon’i Iaveh, dia napetrany eo an-tanan’izay voatendry ho mpitandrina sy eo an-tanan’ny mpampanao ny asa.» Ary mbola nisy filazana koa nataon’i Safàna tamin’ny mpanjaka hoe:

18 «Misy boky nomen’i Helkiasa mpisorona ahy», sady namaky teo amin’ny boky teo anatrehan’ny mpanjaka izy.

19 Nony efa nandre ny tenin’ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany,

20 ka nanome didy an’i Helkiasa, i Ahikama zanak’i Safàna, i Abdôna zanak’i Mikà, i Safàna mpanoratra, ary i Asaà mpanompon’ny mpanjaka hoe:

21 «Mandehana ianareo, manontania amin’i Iaveh, ho ahy sy ho an’izay sisa amin’i Israely sy i Jodà, ny amin’ny teny amin’io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran’i Iaveh nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh amin’ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin’io boky io.»

Teninà mpaminany vavy

22 Dia lasa i Helkiasa mbamin’ireo voatendrin’ny mpanjaka, nankany amin’i Holdà mpaminany vavy, vadin’i Seloma zanak’i Tekoata zanak’i Hasrà, mpitahiry ny fitafiana. Tao Jerosalema amin’ny faritany faharoa ravehivavy no nitoetra. Nony voalazan’izy ireo taminy ny nanirahana azy, dia izao no nalazany azy ireo:

23 «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Lazao amin’izay lehilahy naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: Izao no lazain’i Iaveh:

24 Indro Aho hampidi-doza amin’ity toerana ity, sy amin’ny mponina ao aminy, dia ny ozona rehetra voasoratra amin’ny boky novakina teo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà.

25 Satria izy ireo nahafoy Ahy, dia nanatitra zavatra manitra ho an’ireo andriamani-kafa, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan-tanany rehetra, dia nirotsaka amin’ity tany ity ny hatezerako sady tsy ho azo tonena.

26 Izao no holazainareo amin’ny mpanjakan’i Jodà, izay naniraka anareo hanontany amin’i Iaveh: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny amin’ny teny efa renao,

27 noho ianao nibebaka tao am-ponao sy nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’ny fandrenesana ny teny mamely ity tany ity mbamin’ny mponina ao aminy; noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako tamin’ny fanetrena ny tenanao, Izaho koa dia efa nihaino anao: teny marin’i Iaveh.

28 Indro fa hangoniko any amin’ny razanao ianao, dia ho voangona amim-piadanana ao am-pasanao ka tsy hahita maso ny loza rehetra hampidiriko amin’ity tany ity sy amin’ny mponina eo aminy.» Dia nentin’izy ireo ho any amin’ny mpanjaka izany valy azony izany.

Fanavaozana ny fanekem-pihavanana

29 Ka nasain’ny mpanjaka novorina ny loholona rehetra amin’i Jodà sy i Jerosalema;

30 dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema, ny mpisorona, ny Levita, ny vahoaka rehetra, hatramin’ny lehibe indrindra sy ny kely indrindra, ary novakina teo anatrehan’izy rehetra, ny teny ao amin’ny bokin’ny fanekena, hita tao an-tranon’i Iaveh.

31 Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, nohavaoziny teo anatrehan’i Iaveh indray ny fanekena, nanetry tena hanaraka an’i Iaveh izy, hitandrina ny didiny amam-pitsipiny mbamin’ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fanarahana ny teny amin’ny fanekena voasoratra amin’izany boky izany.

32 Ary notaominy hiaiky ny fanekena ny olona rehetra tao Jerosalema sy any Benjamina, ka dia nanao araka ny faneken’Andriamanitra, izay Andriamanitry ny razany, ny mponina tao Jerosalema.

33 Nofoanan’i Josiasa avokoa ny fahavetavetana teo amin’ny tany rehetra ananan’ny zanak’i Israely, ary nodidiany hanompo an’i Iaveh Andriamaniny, ny olona rehetra teo amin’i Israely. Ka raha mbola velona koa izy dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo.

Categories
2Tantara

2Tantara 35

Fanomanana ny Paka

1 Nankalaza ny Paka tao Jerosalema i Josiasa ho fankalazana an’i Iaveh, ka namonona ny Paka ny olona tamin’ny andro faha-14n’ny volana voalohany.

2 Nanendry ny mpisorona ho amin’ny raharahany avy izy, dia namporisika azy ireo hanao ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

3 Ary hoy izy tamin’ireo Levita nampianatra an’i Israely rehetra, sy efa voahasina ho an’i Iaveh: «Apetraho ao amin’ny trano nataon’i Salômôna zanak’i Davida mpanjakan’i Israely, ny fiara masina; fa tsy hisy hilanjanareo azy intsony izao. Ka manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, sy i Israely vahoakany.

4 Samia ianareo miomana, araka ny fianakavianareo sy ny antokonareo avy araka ny fandaharan’i Davida mpanjakan’i Israely sy ny fandaminan’i Salômôna zanany.

5 Samia ho eo amin’ny fitoerana masina, araka ny fizaràm-pianakavian’ny rahalahinareo, dia ny zanaky ny vahoaka izany, isam-pizaràna dia asiana antokon’ny fianakavian’ny Levita iray.

6 Dia vonony ny Paka, hamasino ny tenanareo, ary amboary izy ho an’ny rahalahinareo, hanarahan’ny olona ny tenin’i Iaveh voalaza tamin’i Môizy.»

Fankalazana ny Paka

7 Nanao fanomezana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra i Josiasa, dia biby fiompy madinika, zanak’ondry aman-janak’osy, 30.000 no isany, ho an’izay rehetra tonga teo hanaovany ny Paka; ary omby 3.000; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka avokoa izany rehetra izany.

8 Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. I Helkiasa, i Zakariasa ary i Jahiela, filohany ao an-tranon’i Iaveh, nanome zanak’ondry 2.600 sy omby 300, ho an’ny mpisorona, hanaovana ny Paka.

9 I Kôneniasa, i Semeiàsa sy i Natanaely rahalahiny, i Hasabiasa, i Jehiela, i Jôzabada lehiben’ny Levita, nanome zanak’ondry 5.000 sy omby 500, ho an’ny Levita hanaovana ny Paka.

10 Toy izany no nandaharana ny fanompoana: nipetraka tamin’ny fitoerana voalahatra ny mpisorona, torak’izany koa ny Levita, araka ny antokony avy, sy araka ny didin’ny mpanjaka.

11 Novonoin’ny Levita ny Paka, ary ny mpisorona nandray ny ra avy any an-tanan’ireo sy nandraraka azy, ary ny Levita kosa tamin’izay dia nanoditra ny sorona.

12 Natokany ny hatao sorona dorana, nozarainy amin’ny ankapobem-bahoaka araka ny fizaràm-pianakaviany avy, hanaterany izany ho an’i Iaveh, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy: torak’izany koa ny tamin’ny omby.

13 Natsatsiny tamin’ny afo, araka ny fanao, ny Paka, nandrahoiny tamin’ny vilany sy vilanibe ary lapoaly, ny fanatitra masina, dia nozarainy faingana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra.

14 Izay izy ireo vao namboatra ho an’ny tenany sy ho an’ny mpisorona; fa niasa mandra-pahalin’ny andro ny mpisorona, taranak’i Aarôna, nanolotra ny sorona dorana sy ny sabora; ka izany no namboaran’ny Levita ho an’ny tenany sy ho an’ny mpisorona, taranak’i Aarôna.

15 Ny mpihira, taranak’i Asafa, nitoetra teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa, ary i Hemàna sy i Iditona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin’ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa namboatra ny Paka ho azy.

16 Izany no nandaharana ny fanompoana an’i Iaveh tamin’izany andro izany, hankalazana ny Paka sy hanolorana sorona dorana eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh, araka ny didin’i Josiasa mpanjaka.

17 Dia nankalaza ny Paka sy ny fetin’ny azima hafitoana ny zanak’i Israely izay tonga teo, tamin’izany andro izany.

18 Tsy mbola nisy Paka nankalazaina toy izany teo amin’i Israely, hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany; ary tsy mbola nisy mpanjakan’i Israely nahavita Paka torak’izay nataon’i Josiasa mbamin’ny mpisorona, ny Levita, i Jodà rehetra, sy i Israely rehetra izay teo, ary ny mponina tao Jerosalema.

Loza niafaran’ny fanjakana

19 Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josiasa no nanaovana izany Paka izany.

20 Tatỳ aorian’izany rehetra izany, rehefa voamboatr’i Josiasa ny tranon’i Iaveh, dia niakatra hiady ao Karikamisa amoron’i Eofrata, i Nekô mpanjakan’i Ejipta: ka dia nivoaka hitsena azy i Josiasa.

21 Fa nandefa iraka ho any aminy i Nekô nanao hoe: «Inona no tadiavinao amiko, ry mpanjakan’i Jodà? Tsy hiady aminao no nalehako izao, fa hiady amin’ny fianakaviana izay ananako ady, sady nasain’Andriamanitra mandeha faingana aho. Ka aoka itsy, fa aza manohitra an’Andriamanitra izay momba ahy, fandrao dia ataony maty ianao.»

22 Tsy nety niodina niala taminy anefa i Josiasa, fa nanao fitafiana hafa izy hamely azy: tsy nohenoiny akory ny tenin’i Nekô, avy amin’ny vavan’Andriamanitra, fa nandroso izy hiady eo amin’ny lemak’i Magedao.

23 Kanjo nitifotra an’i Josiasa mpanjaka ny mpandefa tsipìka, ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: «Ento miala eto aho, fa voa mafy.»

24 Dia nafindran’ny mpanompony avy teo amin’ny kalesy izy, ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa izay kalesiny, ka nentiny tao Jerosalema. Maty izy, ka nalevina tao am-pasan-drazany. Nisaona an’i Josiasa avokoa i Jodà sy i Jerosalema.

25 Namoron-kira fisaonana an’i Josiasa i Jeremia, ary nilaza an’i Josiasa ny mpihira rehetra na lahy na vavy amin’ny hira fisaonana nataony mandrak’androany, ka tonga fanao eo imason’i Israely izany; ka indro fa voasoratra ao amin’ny Fihirana fisaonana izany hira izany.

26 Ny asan’i Josiasa sisa, ny asa fitiavam-bavaka mifanaraka amin’ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh, ny asany voalohany sy farany, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely sy i Jodà.

Categories
2Tantara

2Tantara 36

i Jôakaza

1 I Jôakaza, zanak’i Josiasa, no nalain’ny vahoaka tamin’ny tany nampanjakainy handimby an-drainy, tao Jerosalema.

2 Ary 23 taona i Jôakaza fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema.

3 Naongan’ny mpanjakan’i Ejipta tao Jerosalema izy, sady nampandoaviny vola talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny tany.

4 Efa i Eliasima, rahalahin’i Jôakaza no nampanjakainy tamin’i Jodà sy i Jerosalema sy novany anarana hoe: Jôakima. Ary i Jôakaza rahalahiny, nalainy dia nentiny nankany Ejipta.

I Jôakima

5 Ary 25 taona i Jôakima fony vao nanjaka, ary 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny izy.

6 Niakatra hamely azy i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ka nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, hoentiny any Babilôna.

7 Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna ny fanaka sasany tao an-tranon’i Iaveh, ka nataony tao amin’ny tempoliny any Babilôna.

8 Ny asan’i Jôakima sisa, ny fahavetavetana nataony, mbamin’ny toetrany hita, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely. Ary i Joasina zanany no nanjaka nandimby azy.

I Joasina

9 Valo taona i Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy.

10 Nony niherina ny taona dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilôna izy, mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Sedesiasa rahalahin’iJoasina, no notendreny ho mpanjakan’i Jodà sy i Jerosalema.

I Sedesiasa

11 Ary 21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary 11 taona no nanjakany tao Jerosalema.

12 Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny izy, ary tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jeremia mpaminany, izay niteny taminy, tamin’ny anaran’i Iaveh.

13 Nikomy tamin’i Nabokodonozora mpanjaka aza izy, izay efa nampianiana azy tamin’ny anaran’Andriamanitra. Nanamafy ny hatony sy nanamafy ny fony izy, mba tsy hiverenany amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

Ny firenena

14 Ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny firenena, sy nandoto ny tranon’i Iaveh, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.

15 Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo, i Iaveh Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany, fa nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy.

16 Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.

Lany tamingana

17 Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina, ary novonoin’io tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tanany avokoa.

18 Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna avokoa ny fanaka teo an-tranon’i Iaveh, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon’i Iaveh, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an’ireo filohany.

19 Nodorany ny tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka sarobidy rehetra.

20 Nentin’i Nabokodonozora ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga andevon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persa.

21 Izany no nahatanterahan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny vavan’i Jeremia: «Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona.»

22 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh, ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh tamin’ny vavan’i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

23 «Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany: ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany? Homba azy anie i Iaveh Andriamaniny ary aoka hiakatra izy…»