Categories
2Tesalônisianina

2Tesalônisianina 1

Fiarahabana

1 Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonika izay tafaray ao amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo:

2 ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Valin’ny natao, any am-parany

3 Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.

4 Tonga reharehanay any amin’ny Eglizin’Andriamanitra ianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin’ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza.

5 Famantarana ny hamarinan’ny fitsaran’Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan’Andriamanitra izay antony iaretanareo ianareo.

6 Satria, moa tsy izao va no rariny amin’Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an’izay mampahory anareo,

7 sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahorina, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan’ny afo miredareda, i Jesoa Tompo mbamin’ny Anjelin’ny heriny,

8 hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra, sy tsy mankatò ny Evanjelin’i Jesoa Tompontsika?

9 Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,

10 amin’ny andro hahatongavany, mba hanomezam-boninahitra Azy eo amin’ny olo-masiny, sy higagàna Azy eo amin’izay rehetra nino; ary ianareo dia nino ny fanambarànay ny Evanjely tao aminareo.

11 Mandra-piavin’izany dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, mba hataon’ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo ianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan’ny finoanareo,

12 ka hankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo sy ianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan’ny Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Tompo.

Categories
2Tesalônisianina

2Tesalônisianina 2

Ny fiavian’ny Tompo sy ny hialoha azy

1 Ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry kristianina havana,

2 mba tsy hety hohozongozonin-tsaina mora foana ianareo, na ho azo ampitahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny, na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo.

3 Aza mety hofitahin’olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana.

4 izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.

5 Tsy tsaroanareo va fa zavatra efa voalazako taminareo izany, fony aho mbola tany aminareo?

6 Ary ankehitriny, fantatrareo ny zava-misakana azy tsy hiseho amin’ny fotoan’androny.

7 Fa efa miasa sahady ny hevi-miafim-paharatsiana izao, saingy ilay misakana no mbola ao mandra-pihàrany,

8 ka dia hiseho amin’izany ilay ratsy, ka holevonin’i Jesoa amin’ny fofon’ain’ny vavany, sy hofoanany amin’ny fisehoan’ny fahatongavany.

9 Ary ny fisehoan’ilay ratsy, noho ny asan’i Satana dia homban’ny hery sy famantarana amam-pahagagana sandoka rehetra,

10 sady harahiny ny fanangolen-dratsy rehetra an’izay ho very, noho ireo tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana tokony ho nahitany famonjena.

11 Hany ka anirahan’Andriamanitra fitaka mahadiso hevitra izy ireo, hinoany ny lainga,

12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

Famporisihana haharitra

13 Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina;

14 ary ny Evanjelinay no niantsoany anareo ho amin’izany, mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

15 Koa tomoera tsara, ry kristianina havana; ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin’ny teny am-bava, na ny tamin’ny taratasinay.

16 Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana,

17 no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra!

Categories
2Tesalônisianina

2Tesalônisianina 3

1 Farany, ry kristianina havana, mivavaha ho anay, mba handroso faingana ny tenin’Andriamanitra, ka hankalazaina toy ny atỳ aminareo;

2 ary mba ho afaka amin’ny olon-dratsy sy mahasosotra izahay; fa tsy an’ny olona rehetra moa ny finoana.

3 Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.

4 Matoky anareo ao amin’ny Tompo izahay, fa sady manao no mbola hanao ny zavatra nandidianay ianareo.

5 Ary enga anie ny Tompo ka hitari-dalana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faharetan’i Kristy.

Fampitandremana tsy ho kamo ary tsy hanakorontana

6 Mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny namana rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.

7 Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakàn-tahaka anay, fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay.

8 Tsy mba nihina-mofon’olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman’alina, ka sasatra sy trotraka erỳ, mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza;

9 tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa, fa noho izahay te hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo.

10 Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.

11 Renay anefa fa ny sasany aminareo dia tsy mahay miaina, sady tsy miasa fa manaonao foana.

12 Mandidy sy mananatra izany olona izany ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izahay, mba hiasa amim-piadanana, ka hihinana ny azy ihany.

13 Ary aoka ianareo, ry kristianina havana, tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.

14 Raha misy tsy manaiky ny teninay amin’ity taratasy ity, dia mariho izy, ka aza mikambakambana aminy intsony mba hahamenatra azy.

15 aza atao fahavalo anefa izy, fa anaro toy ny mpiray tam-po.

Vavaka sy fanaovam-beloma

16 Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho ao aminareo rehetra anie ny Tompo.

17 Ity no veloma soratan’ny tanako, izaho Paoly. Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra.

18 Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.